url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/safidy
SAFIDY
Fredy Jaofera
SAFIDY Raha tany no niantefa ny vetsom-po rehefa namoha fa sarobidy dia izay aloha safidy. Raha tany no naboraka ny mamy tsy natoraka, satry foana handidy dia izay mbola safidy. Raha tany no nambara fa any ihany no anjara hamotika ahy ny ngidy dia tao lava ny safidy. Raha tany no narindra 'zay lalaina ind...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/masoandro-nilentika
MASOANDRO NILENTIKA
Fredy Jaofera
MASOANDRO NILENTIKA Masoandro nilentika ny ray aman-dreniko, tsaroako matetika hanainga ny peniko. Masoandro nilentika ny ray aman-dreniko, tsy nanana tetika hipoiran'ny neniko. Masoandro nilentika ny ray aman-dreniko, vakio fa tsy retika na zavatra afeniko. Masoandro nilentika ny ray aman-dreniko, na be...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnt-mpikalo/indrisy-nitodihako-ny-las
INDRISYNitodihako ny las
Rnt Mpikalo
INDRISY Nitodihako ny lasa Dify indray mikipy Notiniliko ireo kasa tsy tanteraka ; indrisy ! Indrisy ! Ry Tompon'aina o! Mivalo mitalaho Fa toa hamotraka aina Ny ota izay natao Soa fa nahiratra aho Ka ny hazina mahery Nirintona nandao Nirifatra niery Tompo o ! Inty aho Inty aho hanjakao . . .
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/voadonam-pitia
Voadonam-pitia
Nalison Randrianaivo
Voadonam-pitia Indray andro tamin'izay No indro tovolahy iray Tazako avy ao aoriana Nibanjina ahy mangina Tsy ela akory teo ihany Tazako avy etsy lavitra Tovovavy mahafinaritra No nitsena azy miramirana Hay ve ka i Vohirana Ilay namako tsy foiko No niserana nisoko Niaraka amin'ny tiany Dia ilay tovolahy hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mamirapiratra
MAMIRAPIRATRA
Fredy Jaofera
MAMIRAPIRATRA Mihiratriratra hasoavana 'zay rehetra atao : mamirapiratra fitiavana ao anaty masonao. Mirifadrifatra, rahavana, ny rivo-draorao : mamirapiratra fitiavana ao anaty tsikinao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tralala-b/fitia
fitia
tralala B
ny fitiavana tena fitavana tsy mifidy anabavy na havana fa hoanina daholo izay tazana na kely sokatry na goavana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/diary
DIARY
Fredy Jaofera
DIARY Taitra indray ny lasa nanamboatra ny rasa raha namaky ny diary feno vovoka sy sary. Tadidy eto ny taloha, ny nofinofintsika roa 'reto soratra rehetra mamelona ny tsetra. Pejy iray tsy tiana, fony tojo fihafiana, satry re hongotana, hoy ny fo miontana. 'Reo tantara mamy fony iny isika samy sambatra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/ilay-zazavavy
ilay zazavavy
Nofy2
Zazavavy kely, fito ambin’ny folo taona Dia tsy mieritreritra fa manaonao foana Mandripaka an-tanàna tsy menatra fa sahy Manao izay rehetra mety ho an-tratran-dry zalahy Zipo fohifohy na pataloha tery Manao izay hampisintona ny masonao hijery Fandeha toa jilajila, fihetsika hafahafa Raha toa ianao ka azony rehef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/miandry
Miandry
Avoss jah
Agny Anao Any Lavitra Agny na ho ela na ho aingana Fa Diasako Ihany Na Misy Ny Elanelantany Tsimampaninona F Mandigny Anao Ihany Fitiavako Anao Miitombo Hatrany Hatrany Tsis Mahasolo Fa Anao Irery Ihany Fitiavako Anao Tsy Mba Ho Lany Na Lavitra Anao Aho Tsy Anao Adalany Efa Anao Gne Tiako Hajaiko Gne Voadiko N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fisarahana-mandrakizay
Fisarahana mandrakizay
Nalison Randrianaivo
Fisarahana mandrakizay Fa dia nahoana loatra No nosarahinao tamiko Ilay tiako sady mamiko Ilay hany mba malalako Ilay niriko ho anjarako Nalainao an-keriny Nohesorinao ny heriny Hany ka lasanao any Nosomparanao ry tany Ilay malalako tsy foiko Ilay andrin'ity foko Dia natelinao tsy fidiny Fa tsy mba nofinid...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nofy2/hanambady-ianao
Hanambady ianao?
Nofy2
Hanambady ianao?izao no ataovy an-tsaina Io ampakarina io tsy azonao ovaina Na hanao ahoana ny fiainana any aoriana Na dia farary lava tsy azonao ariana Hanambady ianao?mba fantaro aloha Tsy maintsy misy foana ny mendrika sy soa Ny tsara tsy mba lany, tanora hisy foana Ny vady re fanaja na mandroso aza ny taona ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zo-nilaina/ahy-ianao-no-fantatro-
......AHY IANAO.
ZO-NILAINA
Ahy ianao no fantatro ! Tsy misy ankoatr'izay, ny zavatra mba takatro Ato anaty lohako ato. Tsy misy ankoatr'izay ny hetaheta nandrafetako Fo nofo, ho lasa vato. Tsy misy ankoatr'izay, ny antony hanoratako Ho anao tsy mba miato. Tsy misy ankoatr'izay, ny tanjona tratrariko Mandra-pahafatiko. .....Ahy ianao ry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanahy-masina
NY FANAHY MASINA
Fredy Jaofera
NY FANAHY MASINA Fanahim-pahazavana, fanahim-pahagagana avy amin'ilay Nahary ka tsy mahay manary. Fanahim-pahendrena, fanahim-pandresena mitondra fanohanana, misy koa fiadanana. Fanahim-pandrafetana ny soa am-paharetana hanjakan'ny fitiavana ka hahaiza-mihavana. Fanahim-pananarana, mpamoha varavarana rah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/fahavaratra
Fahavaratra
Avoss jah
Mandehana Anao Fa Iao Tsy Mila Anao Nopotehinao Ny Fitiavako Ka Lasa Very Lalako Iao Mba Nagnategna Anao Ka Nefa Nofitahanao Fitia Feno Tsy Noterena No Natolotroko Anao Ka Nefa Natakolanao Harena Ilay Fitiavako Anao Na Misy Ny Fisarana Tsy Maha Rava Ny Fihavana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/nahoana
NAHOANA!?
Joda Razakasoa
NAHOANA??? Nahoana no misy ankaso sahy misopatra? ity vatako marefo mora tomany, ka mamela tako-pery mitarika holatra sy mampitaraina ny any anatiko any, nahoana? nahoana no misy kintana minia mangarika ny fiainako ety, sa ve ny tenako no ratsy vintana? ka tsy mendrika izay ilom-pitia, nahoana? nahoana no misy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/embonolon-tiana
Embon'olon-tiana
Nalison Randrianaivo
Embon'olon-tiana Tsaroako ery isika roa Teny amorom-parihy Niaraka sy niriaria Malaina ny hifandao Nifanjohy teny ho eny Nifamboraka ilay teny Nifanolotra fitiavana Nokoloina ho mavana Indreny isika niaraka Toa nofy izay hisaraka Niroborobo fatratra Nanjakan'ilay fitia Ny tontolo zary lafatra Ka nivoady n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/tsiahy-any-alavitra-any
tsiahy any alavitra any
cedarf
tafatombina eto ambony sezako aho indrisy! niondrika toa sarintsarin'ny mivavaka; anatiko ao mandoro sy mirehitra ka vitsy izay tena herin-tsaina fa toa latsaka ao an-davaka.. tsy mbola nisy mihitsy, na reko fa nitranga! tsy fantatro ny tenako, fa toa malahelo anao! misaina an-tsento lalina ka lasa misy banga ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranartiste/satria-mavomavo
SATRIA MAVOMAVO
RANARTISTE
Noherina ho tsy mendrika ka dia voaendrikendrika sy voatonotonona teo amin'ny fiarahamonina rehefa mavomavo. dia noeritreretina fa hoe mitondra aretina fa tsy mahay madio izany no re siosio tsy mba nomena ny hasiny afa-tsy ny toetra ratsiny no hany mba nabaribary tsy mba nisy mba nirary ny hisandratany ami...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hatahorako
HATAHORAKO
Fredy Jaofera
HATAHORAKO Ny hatsiaka no hatahorako hamifirifiry ny andro maro raha tsy eo ilay nifotorako ho ahy irery ka fantaro ! Ny harary no hatahorako, n'aiza no mba honenana ka na hatramin'ny orako tsy ho hita hambenana. Ny hangina no hatahorako hameno ho azy ny tontolo raha indro izany aborako ho haravoana no hiso...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/teny-mamiko
Teny mamiko
Nalison Randrianaivo
Teny mamiko Ny fitiavako feno mitafotafo, Tsy hanalana ary tsy hanampiana No homeko ho anao tsy vidiana Ny orok'oroka sy safosafo Sy ireo teny mamy tsy lany hamamiana Ny fitiavako rehetra iray manontolo, Sady madio no mangarahara No homeko ho anao tsy mizarazara, Ary foiko ho anao daholo daholo Ka ho tia anao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-andro
NY ANDRO
Fredy Jaofera
NY ANDRO Ny andro nahory, navalon'ny taona fa izao ny mitory, soa lavi-tsaona ! Ny andro namely, tsy tazana intsony fa izao ny tantely no be tsy mitony. Ny andro nanary, tsy hay tantaraina fa izao voky vary, mahita ny ilaina. Ny andro nahosa, nanery ny hitsitsy fa izao ny miavosa, fiadanana mihitsy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zo-nilaina/misy-voninkazo
MISY VONINKAZO....
ZO-NILAINA
Misy voninkazo, Eny an-tany karakaina Milofika, malazo F'iantefan'ny andro gaina. Misy voninkazo, Eny an-tendrombohitra avo no manangasanga irery, Miandrandra anao hijery. Misy voninkazo, velombelon'aina: Mirehaka sy ravo Fa voakolo an-jaridaina. Fa misy voninkazo, Efa fay ny nahazo, Ka mandrakotra ny fel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/mifanohitra
Mifanohitra
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Nitopy ny fijery, Nidoboka ny foko, Kanto hoy ny masoko. Fa nanohitra ny saina, Nankahala ny hatsarany, Fitaka hoy ny fitsarany. Matsiro hoy ny nofo, Nisamboatramboatra foana, Satria efa ngaoma. Mitandrema ihany na dia izany, Hoy ny antson'ny fanahy, Sao ho potika tsy nahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/ny-nofiko
ny nofiko
Sento tokana
Fifaliana ny anah ankehitriny Fa niverina indray ilay fanantenako, Izay efa lasa tsy voatahiry Efa saika ho adinoiko sy ho fafako. Aravohana ny anah androany Satria mety ho foana ny tomany Ka anomboka ny tantara vaovao Ratoa ka anjara ny antsika sy ianao Nitodika ianao de nojereko Nefa tsy ataoko fantatra hoe ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tsiaro/aiza
Aiza?
Ny Tsiaro
Aiza?Ilay fitia natolotrao ho ahy Sombitsombiny ihany ve no nisy? Tapitra izy ankehitrio? Ka efa fongana madiodio? Aiza?ireo andro fifaliana Niserana ihany ve no tsy tsaroana? Adino izy ity? Ka efa narian'ny maso mody hikipy? Aiza tokoa moa no hisy voninkazo Ho voakolokolo ho mandrakizay Fa tsy maintsy ho avy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-antara-andrianarisaina/niraraka-ny-felany-niko
Niraraka ny felany, Niko
Ny Antara ANDRIANARISAINA
Niraraka ny felany, Nikoro koa ny bikany, valaka ny tenany ka zary fahanginany ny ako manodidina ! Akoako moana, re manidintsindina ao an'erin'ny mpisaona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ho-tiako-foana-ianao
Ho tiako foana ianao
Nalison Randrianaivo
Ho tiako foana ianao Ho tiako foana ianao Na inona na inona hitranga Ny fiainako tsisy anao Mahatsiaro tena banga Ho tiako foana ianao Na inona na inona hanjoa Fa raha mbola ianao Dia aho vonona hankatoa Ho tiako foana ianao Na inona na inona hiseho Fa ny eo anilanao Mampisinda ny toreo Ho tiako foana iana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikalo-kanto/tso-drano
Tso drano
Nikalo Kanto
Sambara ianao ry vavy izay no any teniko.... Tsy fiantsona tody fa izay no ambetiteniko.. fa sanatria ny handatsa ny amin'ny zavatra efa vita Fa rano tsy azo raofina efa raraka ny antsika Satria safidinao ny namarana tantara ilay kinasa efa hatramin'ny ela vao niandoha ny fiharahana Fa ny antsika tsy anjara.. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-misy-toa-anao-12015
Tsy misy toa anao
Nalison Randrianaivo
Tsy misy toa anao Any aminao irery ihany No misy ny rehetra ilaiko Tambitamby, Teny mamy Mampiadana izato saiko Satria... Impiry aho moa no nisolo Nanova fa tsy nisy nety Efa nandramako daholo Saingy rava vetivety Koa... Nandalo tamiko avokoa Ny karazana tovolahy Tsy nisy izay lanin'ny fo Tsy nisy izay na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/veloma-namako
veloma namako
cedarf
Mba satriko aho hitsiky, kanefa te hisento, anatiko ao mazàna, ito ora fisarahana. Ka satriko aho hiala, tsy hijanona ela eto, ho vetivety dia ho tonga amin'ny ora hiarahana. tsy tantiko ianareo ny hijery ahy handao, fa ndrao dia hankarary ny ato anatiko ny tsiahy; mba satriko eny manko! mbola hitohy ny kilalao, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/ando
Ando
Zay LAFATRA
Maraina mamanala mangatsiaka feno ando, Ora efatra vao mipoitra ilay masoandro. Mamelombelona an-tendrin-kazo ianao ry Ando, Mirotsaka aman-taona fa indrindra isanandro. Na ireo fitsihom-borina milaza hafaliana, dia mapatsiahy ahy foana ilay vazonao, Ny voninkazo an-tananao manambara hamamiana, Feno vovom-pitia,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/iny-sary-tokana-iny
INY SARY TOKANA INY
Zay LAFATRA
Iny sarinao iny sakaiza! Intsony tsy haveriko, fa hataoko ambany ondana. Intsony tsy hafeniko. Iny sary tokana iny, no sisa mba fijeriko. Mora havanina sy fy, ary mamiko teliko. Iny sary tokana iny anie! No panaisotra ny jaliko, rehefa mahatsiaro anao ombieny, na misy zavatra tsy tantiko. Iny sary tokana in...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karako/ry-zanako
Ry zanako
Karako
Ianao ry zanako, Na tiako tahaky ny inona Satriko ho fihinina Tsy hiala eo an-tratra ; Ka zary ho maratra... Tsy maintsy avotsitro ihany - Na dia mafy izany… Hahay hamindra irery Izaho anefa hijery Hanara-maso anao ; Eo fa tsy handao. Ianao ry zanako, Na tiako ho tantanana Sy tiako ho fahanana Ka izaho no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/matokia
matokia
cedarf
MATOKIA rehefa sendra ianao tomany, ka ao anatinao ny sento; aza kamo manontany fa tsy lavitra aho fa eto. raha fitia no mampifoko, no tsy hitanao akaiky, dia ny saiko sy ny foko; efa ela no nanaiky. aza kivy ry malala, izaho aty dia tena tia; ka lazaiko tsy ankisala ny teny hoe matokia. ka na kotroka mipa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tonom-bavaka
TONOM-BAVAKA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
TONOM-BAVAKA!!! Tompo o! meteza Ianao hifonako, meteza hitarainako ny amin'ny zavatra tsy zakako indrindra fa ny ratrako. meteza hanadino, meteza koa tsy hatsiaro ireny ditra tsy mampino tao anaty taona maro meteza hamaly vavaka dia meteza koa handre ity feoko mangataka tsy hoe akory marobe ny zavatra ang...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/tiako-ho-tafita
TIAKO HO TAFITA
Zay LAFATRA
Ray ô!Tiako izy ho tafita ity alina pisopatra! Ho tratry ny maraina masoandro vao hiposaka. Tiako mantsy izy hanonofy mamy androany, Fa ny ahy anie ny tanjoko dia hahasambatra azy ihany. Na tsy endrika ho tiavana toy fasana aza ianao, dia tiako hilevenana fa indrindra ny fonao. Na tsy hanitra ho fohana toy raozy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tokim-pitia
Tokim-pitia
Nalison Randrianaivo
Tokim-pitia Hitia anao tsy hiato, Eny... Tsy voafetra Ny volana sy ny taona, Fa ny aiko re no fetra Fa ny foko efa vato, Ka ho tia anao foana Tsy hitsahatra hiteny, Hanome tambitamby Ary koa teny mamy, Hanihany sy sangisangy Eny... Ho anao irery, Izany rehetra rehetra izany Hihaino anao foana, Hiaro anao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/nofy-gaigy
nofy gaigy
Sento tokana
NOFY Ilay fanantenako efa tafatsiry tato anaty, De tsimaintsy alevina indray satria efa maty. Ilay afaliako efa nipoitra De tsimaintsy hapanginina tsy avela hitraotra. Raha mba fantatro mialoha mantsy Dia aleoko tsy nanantena intsony Aleoko nangina sady nitony Raha mba fantatro mialoha mantsy Hoe tsy maintsy o...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/soa-ihany-jery
SOA IHANY
JERY
SOA IHANY Mafimafy taminao ihany ny nanadino ireny lasa Fitiavana niriana ho tsy ho lefy velively Indrisy....soa ihany... Raha tsy nisy koa ireny,tsy ho sitrana ny ratra Hoe tsara lavitra koa hay,ny miaina samirery Dia nitsiky izy eeee
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mitory-fitia
Mitory fitia.
Nalison Randrianaivo
Mitory fitia Azafady re r'ise Mba saika hanontany Aza maika moa handeha Fa vetivety ihany Raha toa ka sitrakao Iray minitra monja No angatahiko aminao Hihaino izay lazaiko Satria tena mafonja Miatraika amin'ny aiko Ny foko te hilaza Ny saiko toa tsy sahy Vahotra ny vava Izaho toa manahy Fa ndrao ka ho la...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/lahatra-sa-anjara
Lahatra sa anjara?
Nalison Randrianaivo
Lahatra sa anjara? Fony mbola kely fahiny fahazaza, Dia niara-nilalao sy nitabataba Mpinamana tsy mba nifankafoy, Izaho sy miora re roy Hany ka malahelo rehefa hifandao, Toa nalaina ny hisaraka ny anao Tokony ho folo taona izahay teo, Niray saina nofy izay ho leo Satrinay ary hiara-hilalao foana, Toa tsy andry ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/gasy-kanto
GASY KANTO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
GASY KANTO Gasy ka manja! Gasy ka tsara! ekeko ry zazavavin'iarivo fa anananao ny fitafy tena kanto, anananao ny fitafy tena raitra ary ny famindranao milanto sy ny fidolanao tsy taitra no nahasarika ny masoko, ary nanaitra ny ambom-poko ny fitafinao marevaka fitafy tena miavaka fitafy iray mambabo ny vahi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/rahoviana-12002
Rahoviana
Nalison Randrianaivo
Rahoviana Rahoviana re ry tiako Vao hiverina indray Ireo andro nifaliako Teo anilanao hatr'izay Rahoviana re ry malala Vao ho eto anilako ianao Hitoetra ary tsy hiala Tsy handao no tsy ho lao Rahoviana re izany Ho tiavin'olon-tiana Hanafoana ny tomany Hanala ny fijaliana Rahoviana ihany koa No hisatam-pah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitiavana-mandrakizay
Fitiavana mandrakizay
Nalison Randrianaivo
Fitiavana mandrakizay Eto anatrehanao ry Ray, No hiombonanay roa Ny voady mandrakizay, Eto ambonin'ny alitara No hamasinina tokoa, Ka hifanambara tsara Koa hitambatra ho iray, Fitiavana mandrakizay Hitia sy hanaja anao aho, Mandrampiala ny aiko Hipetraka ho anao irery ihany, Mandrampialako eto an-tany Fa tiako i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/biby-masiaka-ny-alina
Biby masiaka ny alina
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ho aiza no dia mamikiviky, Amin'ity andro efa alina. Mandeha hitsirepirepy, Hianjera any amparan'ny lalina. Nahoana no sahy mandeha irery, Ny alina anie ka feno ditra. Aza manao anao ho hendry, Fa saino ihany izay mety handratra. Sao hateliny aizina amin'izany isika, Ka na ny faty halevina aza mety tsy hisy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/tsimandrimandry
TSIMANDRIMANDRY
Doloïer
" TSIMANDRIMANDRY " Harivariva ny andro, miomankomaña ny ölo Tsabora amaray, tsimandrimandry niany, maresaka edy Ambanivölo Midebadebaka ölo jiaby mañodidiñy satrahäña Mitampilipoza aby iry sidivavy, avoa salovaña "complet " dreky satroko mañaräña Ny viavy dreky mitotoailaka ,sady mandrombö Satria : " 'lay tsy ko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/onjam-pitia
Onjam-pitia
Nalison Randrianaivo
Onjam-pitia Mahery sy masiaka ny onjan'ny fitia, Arahin'alahelo tsy ilaozan-tomany Hany ka be ireo niara-dia no nania, Koa mamoy fo te handao ny tany Tsy ilaozan'ny sompatra ny tany, Hany ka manjaka tanteraka ny an-kaso Indro ary ireo tsy mahazaka izany, Mamoifon'alahelo sy ireo ranomaso Be ireo naniry ny ho t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/fenohasina
Fenohasina
Anj'art Nantenayna
Tiako ianao rahavako.Tiako ianao irery.Ilay voaloha sady farany fitiavako.Tiako ianao ianao,ianao irery Ka na hesorina ary ny aiko.Noha tia anao Indro fa ekeko. Ny mba ho anao. Na ho jamba aza aho anio.Na hisy hampijaly sy hanaketraka. Tiako ,tiako ianao.Zaha ilay tia anao tanteraka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/voady
Voady
Nalison Randrianaivo
Voady Ny tsara tsy ho lany Ny manja tsy ho ritra Amiko ianao ry tiako No tokana aman-tany Fa ny voadiko efa vita Aminao r'ilay niriako Koa hamafisiko etoana Ireo voady efa nomeko Natolotro ho anao irery Haveriko aminao foana Fa matoa ianao nekeko Tsy hivadiako velively Eny Vonona aho re hitolona Vonona a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/hay-ve-ka
Hay ve ka...
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Kay tsy voatery marina, Ho tia izay rehetra tiana. Fa mety mankahala, Hay, izaho ve nahalala. Kay koa izay rehetra tiana, Tsy voatery ho lasa vady Miantsampitsampy foana mantsy ny fitiavana. Ka indraindray mamarina an-kady. Kay koa rehefa mangataka, Tsy voatery tsy maintsy omena. Nefa tsy mahazo manery, Satr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/raha-sendra
raha sendra...
MiséVonjy
raha sendra ianao mahatsiaro irony lasa tsara sy ratsy mifangaro dia izao no ataovy an-tsaina vitantsika ireny tsisy niala maina raha sendra ianao ka manenina te hody sy te hiverina zao ny ahy no mba teniko ireny rehetra ireny feriko raha sendra ianao ka mbola tezitra misaina mangina ao an'efitra ka dinio ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/manina-anao
Manina anao.
Nalison Randrianaivo
Manina anao Sambatra ianao ry vorona irony, Afaka mahita any ho any Mibanjina mijery avy eny ambony, Tazanao avokoa ny ety an-tany Te ho toa anao aho indraindray, Te hisidina hamonjy malala Kanefa indrisy fa very fanahy, Ka lasa saina fa tsy afa-miala Ny eritreritra aminao foana, Mitety irony lohasaha mangina Sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/olon-tiako-vaovao
Olon-tiako Vaovao
ILIMIM JIVISDI
RAIKITRA ! Raikitra indray manomboka izao Fa dia ianao no olon-tiako vaovao Hifanaraka isika hifampiraharaha Raha sendra ny mafy da hifampitaha Tsy asiako kabary fa teny malefaka Izany mihintsy ilay tena resaka Raikitra anio fa isika iray Hifankatia rahatr’izay, rahatr’izay Raikitra izany fa hifarana hatreo I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mila-anao
Mila anao
Nalison Randrianaivo
Mila anao Banga anao ny fiainako Hany ka manjombon-dava Takon-drahona matevina Ilay masoandro mibaliaka Koa indro ary ny fisainako Nanamaloka indray ny tava Ka sentosento ary hevina Nanarona ilay endriko sariaka Indrindra moa rehefa iny Takariva somambisamby Diva hilentika ny masoandro Ka ho mena vodilanitr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ho-porofom-pitiavako
Ho porofom-pitiavako
Nalison Randrianaivo
Ho porofom-pitiavako Ny aiko no mametra, Ny fitiavako anao Ka ireo androko rehetra, Sy ny fisiako eto an-tany Dia natokako ho anao, Ho anao irery ihany Tsy filàn'ny nofo sanatria, Na fitsiriritana anao Na fitserana ho tiana, Fa ilay tena fitia tena tia No atolotro ho anao, Ho mandrakizay no hiriana Tsy fanomezan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tanimbonivohitra
TANIMBONIVOHITRA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
tambanivohitra!!! aza mba ny malabariko no tsy ahaizanao miaina! ary ny tsy tantiko dia izahay ilay mba lazaina fa tanavo be hao fotsy na tanavo mpanagotry ny zanak'iarivo milaza ho mpanarivo ary tsy mbola nanamavo izay mombamonba anao na lazainao fa tanavo ambany noho ianao ry olon'iarivo Fa tsarovy sy t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikalo-kanto/embona
Embona
Nikalo Kanto
Nanjary nangina sy tokan'irery Ny aminy sy ny tontolo rehetra Nanjonitra maloka tsisy mpijery Ny fiainany sarotra lavim-pitsetra... Ho zary maloka setrin'ny fiaina Raha tsy eo ilay finidin'ny tokana an-tany Nanjary toa nofy tsy takan'ny saina Fa tsiky ao anatin'ny maso tomany Dia sarotra hadino ny lasa sy tsiar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/andao-entiko-ianao
Andao entiko ianao
Laharthe
Andao entiko ianao izao alina izao Hisidina kely hamaky habakabaka, Hoentiko hitsidika tany vaovao Feno hasambarana tena miavaka. Andao entiko ianao, andeha vetivety Hitsidika an'iny tontolo eny ambony Ka hioty 'reo kintana mirentirenty 'Zay mameno lanitra tahaky ny vony. Andao entiko ianao hitety ny rahona Di...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ianao-no-fanafodiko
Ianao no fanafodiko
Nalison Randrianaivo
Ianao no fanafodiko Malala a Efa niala-nenina i dada sy i neny, Nividy fanafody teny rehetra teny Saingy... Zavam-poana fotoana very, Fa tsy nahasitrana ahy velively Eny... Fa ny fananana toy ny fanaka, Tapitra namidy hitsaboana ito zanaka Indrisy... Fa tamingana avokoa ny sarobidy, Hatramin'ny volamena lafo vidy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ho-ani-dada
Ho an'i dada
Nalison Randrianaivo
Ho an'i dada Dada a Singasingan-drery Mahatsiaro an'i neny Tsy tana ny tomany Mangidy mafy izany Nanjary ho marisa Izato ianao sisa Miaraka amin'ny zaza Sisa ianao ry dada Dada a Koboninao samirery Ny alahelo an'i neny Mpananatra ny zaza Sy vadinao ry dada Raha misy ditranay Ianao no mahamay Mizaka ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/ho-inonao
HO INONAO
Zay LAFATRA
HO INONAO Ho inonao tokoa, Izay rehetra momba amiko, Na ratsy na soa, Fa indrindra ny tomaniko. Ho inonao tokoa manntsy! Ny alaheloko amin'izao, Toa faly manaratsy, no ambetiteninao. Ho inonao tokoa iky! Ny kitroka hiainana, Kakiviana,toratsiky, No asetry ny fisainana. Ho inonao tokoa e! Ho inonao hatrany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/all-alina/vavaka
Vavaka
All (Alina)
Zanahary o! Mifona aho tamin'ny hadalàna vitako Efa nandrara Ianao fa ninie nikipy aho tam'ditrako Ny didy sy ny anatrao anefa efa voaraiko Fa niezaka nandà tsy nahalala koa ny saiko Manaiky zah fa diso ka mangata-pamelana Mba raiso 'ty ondry efa nania hiverina ao ambala Matoky zah Ray o! Fa ho raisinao 'zay mie...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-itiavako-anao
Ny itiavako anao.
Nalison Randrianaivo
Ny itiavako anao Ny itiavako anao, Dia ny maha ianao anao Tsy hoe anio ihany, Na miserana dia lany Fa ny fiainako rehetra, Dia mila anao hitoetra Na ny androko tontolo, Dia mila anao daholo Ny itiavako anao, Dia ny toetra sy fanahinao Fa tsy bika na endrika, Na ianao tena mendrika Tsy ny vola na harena, Tsy izan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-tsikinao
Ny tsikinao
Nalison Randrianaivo
Ny Tsikinao Sendra aho nitodika, Nahita anao nitsiky Teo am-baravaran-kely, Tsy nahita ahy velively Fa namikiviky, Toa miendrika anjely Ka variana aho sondriana, Mibanjina mangina Ireo nifinao mirindra, Toa tsiky tsara indrindra Toa hafa tsy afindra, Tsy ahitana any an-kafa Fa mahalalim-paka, Ity foko kely adala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/coup-de-foudre
Coup de foudre
Nalison Randrianaivo
Coup de foudre Toy ny tselaram-baratra ny foko, Raha vao iny ianao nisoko Avy dia voasarika avy hatrany, Te hananontana sy hanontany Avy eo anefa lasa tia anao sahady, Ity foko kely vao nandady Nefa ianao aza tsy fantatro akory, Angamba fitiavana nifoha tory Nidobodoboka mafy ny fo, Tora-tsemboka hatrany an-doha ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/all-alina/toi-et-moi
Toi et moi
All (Alina)
1_Tsy fihetsika kinanga No entiko hisamborana Ny fo-tsika hiray Fa na hisy loza hitranga Na hisy fifandonana Isika efa iray Ka hifandray tanana Hanalavitra ny ankaso sy ny fisarahana 2_Na lazaina fa tsy mety Fa samy hafa fihaviana Ka tokony hisaraka Nefa vao maika hifety Fa àry fiadiana Ka tsy maintsy miar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/souvenir
Souvenir
Nalison Randrianaivo
Souvenir Andeha tokoa moa ianao? Inona moa no azoko atao Tso-drano no atao be dia be Mahaleova mahalasana re Fa alohan'ny andehananao Hangatahiko raha mba sitrakao Ity sariko ataovy souvenir Raha mahatsiaro ahy ianao Dia mandefa hira Ilay fihainon-tsika sy ianao Ilay hira fikalokalon-tsika fahiny Teny rehet...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/tsiky
TSIKY
ILIMIM JIVISDI
Efa fatram-piangola Voninkazo ianao ry aina, Mody sina takariva Fa baliaka vao maraina, Ka ny maso no maniry ‘Zato tsikinao sariaka Toy ny raozy vao mitsiry Etsy anivon-jaridaina. Dia mahalasa saina, Mahatoro ny vinany. Efa fatram-piangola Paradisanao ny tany… Fa ny amiko tsy laitra Aloka aza voazaitra Se...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/meteza
METEZA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Meteza ianao hindramiko ry vorona mpisioka mpampitsiky ny maraina, ka ny hiranao no mamiko handreseko ny tafiotran' ny sento sy taraina Meteza ianao hafarako ry masoandro himpody hamonjy ny hariva, indro misy sora-tanako ho ento mba ho tody ho tonga kalon'ny antsiva Meteza ianao ho namako ry kintana amam-b...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-marina-2
NY MARINA
Fredy Jaofera
NY MARINA Marary ny Marina rehefa fantatra ka aoka tsy itarina fa mamahatra. Mamely ny Marina rehefa ovaina, na indro amboarina isa-maraina. Maneso ny Marina rehefa avela, tsy hita manarina sady toa ela. Mandoza ny Marina rehefa lotoina, 'zay vita mamarina vao tompoina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitia-lalim-paka
Fitia lalim-paka
Nalison Randrianaivo
Fitia lalim-paka Iny aho nikalokalo, Teo ambaravaran-kely No nahita anao nandalo, Niserana nisoko Ka nampitselatra ny foko, Ireo masonao nijery Nitopy tany amiko, Ka tiako sady mamiko Koa no mpiako maso, Tamin'ny maso an-kavia Ka nataoko hoe: Mba andraso, Azafady kely akia Toa tsy sahy aho nefa, Ka niafina tao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/raha-ianao
Raha ianao
Nalison Randrianaivo
Raha ianao Raha ianao no tia ahy Dia ho mandrakizay aho Tsy hanana ahiahy Fa hatoky tsara anao Lavitry amiko ny ho lao Sanatria ny hanitsaka Fa hipetra hanaja anao Hamikitra hamitsaka Eny an-dalana tantanako Raha marary tsaboiko Misakafo ianao fahanako Miala sasatra am-pofoiko Tsy mahita tory rotsiako Man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kara
KARA
Fredy Jaofera
KARA Kara hafahafa ny orako etoana fa tsy ampy tafa, ry tsarotsaroana. Kara alahelo no misisika lava vao mamelovelo sy tsisy mazava. Kara sorisory no 'ty manadala ka indro fotory fa toa tsy miala. Kara tebiteby no be eto izany mpandrebireby toa tsy hita lany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/babonao
Babonao
Nalison Randrianaivo
Babonao Nolalovanao vetivety, Indray niserana monja Ity masoko nitopy, Ny foko nanonja Nanomboka teo aho, Dia nitempo anao Mahavariana loatra ahy, Ilay tsiky kelinao Toa satriko ho hita foana, Iny endrikao iny Ka maniry aho mba hiaona, Aminao ankehintriny Toa vonin-kazo voakarakara, Mamelana ery Ity fitiavako r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mamboraka-fitia
Mamboraka fitia
Nalison Randrianaivo
Mamboraka fitia Asa akia fa tena tsy aiko, Tsy aiko mihitsy hoe nahoana Fa ny foko sy ny saiko, Toa aty amin'indry foana Hatramin'izay ela izay, Dia tsy nety nanadino anao Mahatsiaro foana aho indraindray, Toa te hitafa aminao Ankehitriny aho ity akia, Tafahoana aminao ihany Mety mbola ho tadidin-dry ve?, Ilay is...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/any-misy
Any misy...!
Zay LAFATRA
ANY MISY...Eee Any misy olona, olo-norinory, Miandry anao hapiresaka, F'izy tsy mahita tory. Any misy fo, maratra ny tsy tiana, Mila fitsaboana, Ao anaty Hakiviana. Any misy fitiavana, voagatra atrano-maizina, tsy nahazo fahafahana, Fa teraka tany ankaizina. Any misy maso, bongondrano-maso, Mipitran'ny a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/tsaroanao-ve
TSAROANAO VE?
Zay LAFATRA
TSAROANAO VE? Moa ve iky mba tsaroanao, ireo zavatra nataoko tamin'ny nahalako anao? Tsaroanao ve?iny izaho teny foana, nanaramaso anao toa manao baiko moana. Intsony anefa aho,intsony tsy nahazaka, ka nanatona anao ity foko lalipaka. toa hisamboaravora ilay hevitry ny saiko, fa ny foko no tsy mety raha tsy mit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/alahelo-sy-tomany
Alahelo sy tomany
Nalison Randrianaivo
Alahelo sy tomany Ny masoko bongo sy mena, Manganohano tomany Toa miondrika raha jerena, Mandinika lava ny tany Manontany tena hoe nahoana, Mila hitroatra indraindray Hoe rahoviana vao hiaona, Sy hifankahita izahay Fendrofendro sy malahelo, Mahatsiaro fa hoe tokana irery Mitsiahy ireo tsiambaran-telo, Tsy mety ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/mivimbina-raozy-iray
Mivimbina raozy iray
ILIMIM JIVISDI
Ny heriko rehetra no efa nangoniko Entiko hanoratako ity soratra ho anao. Efa mihareraka ny foko sy ny saiko Ary indro fa marofy ny tenako amin’izao. Mba miangavy anao aho Tongàva mba hamangy ny tenako aty, Ary dia faingàna, malaky kely mihitsy Hitondra tsikitsiky. Raha ho avy àry ianao Dia mamantàna amin’ilay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/io-ry-toaka-a
IO RY TOAKA A!!!
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
andeha hody aho dieny tsy mamo ô!(x4) IO RY TOAKA A!!! izaho lazaiko anao fa rehefa tena mamo dia somary be lazao, dia mitantara angano amin'ny tary sy ny akama rehefa anaty bara! ary ny famindrako aza somary mba novaiko, dia miteny ratsy lava no fifalin'ny saiko dia gaga enao! inona moa no mahagaga amin'i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/fetinny-kamboty
Fetin'ny kamboty
Sento tokana
Androany aho manirey tsisy antenaina Mahatsiaro satria tsisy arabaina, Fa ilay reniko toa efa nalaina, nalain'ny ao ambony De izaho irery sisa no mangaina Mangaina,fa izy tsy iverina intsony. Neny fetinao androany nefa ianao tsy tazana Indrisy fa izaho tsy misy, tsy misy iantsapazana, Satria lavitra ahy ianao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/lavitrolon-tiana
Lavitr'olon-tiana
Nalison Randrianaivo
Lavitr'olon-tiana Te hanoroka anao aho ry tiako Te hamihana anao aho izany Te hitantana anao ilay niriako Te hisangy, te ihanihany Ianao anefa any lavitra any Tsy hitako atao an'izany Ka ny hany azoko atao Dia ny mahatsiarotsiaro anao Tsaroako ery akia malala Isika roa ilay mifanadala Isika roa ilay nifanani...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/sarom-piaro
Sarom-piaro
Nalison Randrianaivo
Sarom-piaro Raha azoko natao, Ny hamatotra anao Dia nofatorako teto, Tsy navelako hiala eto Tiako manko raha izaho, Izaho ihany no tianao Tiako manko raha izaho, Izaho ihany no hitanao Izay alehanao rehetra, Dia tiako aho foana hitoetra Ka na aiza no misy anao, Dia tiako koa hisy aho Tiako ho fantatry ny maro, F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mahatsiaro
Mahatsiaro ny fahiny
Nalison Randrianaivo
Mahatsiaro ny fahiny Isaky ny takariva toy izao Iny mena masoandro iny Dia mahatsiaro anao aho Sy irony fiarahana fahiny Toa zary nofinofy avokoa Ireny voady sy dina natao Nanjary fisarahan'olon-droa Ilay fitiavan-tsika sy ianao Toa zary fahatsiarovana sisa Ireny lasan-tsika ireny akia Irony ora sy andro par...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/fitia-voafetra
Fitia voafetra
Sento tokana
Fitia voarara ve sa? fitia voafetra, Fitia tsy anjara ve sa? fitia tsy manam-petra. Nofinofim-pitia ve sa? fitia nofinofy, De ahavita iharadia ve sa? mba tojo nofinofy. Anjara nofinidy ve sa? efa voalahatra Tsimaintsy mizaka ny mangidy ve sa? ilay fitia no tsy aharitra. Fitia tsizarizary ve sa? fitia tsy t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zo-nilaina/arahabaina-ineny
ARAHABAINA iNENY
ZO-NILAINA
Ny voalohan-teny eto am-bavanay ry Neny amin'izao maraina izao, dia "MIARAHABA ANAO". Arahabaina ianao satria, andro iray natokana ho anao ity andro 'ty, saingy na izany, ô ry Neny maminay, tsy ny andro anio ihany no miarahaba anao izahay, Fa ny fiainanay rehetra mbola hoavy manontolo, Hiarahabàna anao daho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zo-nilaina/mitia
MITIA.
ZO-NILAINA
Rehefa tia mitiava, ny saina, fo, fanahy. Miezaka manaja. Mitia tsy an'ahiahy. Rehefa tia mitiava tsy resim-pahavalo, Mitia tsy mora ravan' ny rivotra mandalo. Rehefa tia mitiava doria mandrakizay, ilay tokana sahaza natolotry ny Ray. Rehefa tia, mitiava k'izao no tadidio: tsy fifaliana lava raha io fiti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zo-nilaina/ho-soratako-ihany
HO SORATAKO IHANY.
ZO-NILAINA
Ho soratako ihany izay miafin'ny foko, noezahi-nafenina hatramin'ny omaly. Ho sorotako ihany fandrao ho toloko tsy haiko sitranina no hiafaràny. Ho soratako ihany na dia tsy finidy, Asosako mora 'ty peniko manga. Ho soratako ihany ho diary tadidy ny ngidin'ny fiainako efa nitranga.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitia-voarara
Fitia voarara
Nalison Randrianaivo
Fitia voarara Fony ny foko, Vao nianatra nandady Dia tojo toloko, Voarara sahady Tsy hitia olona, Tsy hitia izany Ka mba nitolona, Nitia ihany Niezaka foana, Mba tsy hisy hahita Saingy izahay nihaona, Ilay iny niampita No nisy nahatsikaritra, Avy aoriana Izaho mba finaritra, ery Teo anilan'ny tiana Nanomboka t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/topimaso
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratom/tsy-haiko-intsony
tsy haiko intsony
Ratom
toa tsy haiko intsony akia ry neny ny hangina tsy hiteny tsy hilaza aminao izay miafina ao ampoko ao f misy hery manosika ahy hanantona anao mahagaga anefa aho tsy sahy rehefa manoloana anao ho tamperiko anio raha ny fisalasalana f ho lazaiko anw anio ny ato ampoko akia malala tia anao akia ny foko kanefa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/efa-izao-
EFA IZAO !...
Fredy Jaofera
EFA IZAO !... Efa izao no fahantrana toa tsy misy fanjakana mitsinjo izay vahoaka dia ny ebo no avoaka. Efa izao no fahoriana tsy ahitana fitokiana dia miravo aok'izany fa tafita re ny tany. Efa izao no fanesoana sy miampy fandotoana dia indro mirehareha, n'aiza ianao mandeha. Efa izao no fihemorana tsy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fisarahana
Fisarahana
Nalison Randrianaivo
Fisarahana Izaho akory tsy hilefitra foana Sahalan'ny vero tengenam-pody Ka tonga ity ilay fotoana Tsy maintsy handehanako mody Ka alohan'ny handehanako Dia izao no tsarovy tsara Fa nofy ilay ianao ho tantanako Ho eny ambon'ny alitara Izaho koa toy ny varavarana Atositosika rehefa tsy tiana Ka aleo aho hanga...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tadidy
TADIDY
Fredy Jaofera
TADIDY Tadidy ny tsiky nampety ny dia tsy nisy nikiky nandratra fitia. Tadidy ny sangy fanaontsika ireny raha te hamangy ny fo tsy miteny. Tadidy ny mamy nahavelom-bolo, na dia efa samy tsy hita daholo. Tadidy ny hira nokalokaloina fa izao sovenira no sisa vetsoina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-andriko-intsony
Tsy andriko intsony
Nalison Randrianaivo
Tsy andriko intsony Ny foko tsy mety ho tony Ny saiko tsy mety milamina Ka tena tsy andriko intsony Ny ahitana anao marina Ny omaly izay efa lasana Nifaliako teo anilanao No mitoetra foana mazàna Irony niarahana natao Koa tsy andriko intsony Ny hiverenan'ireny akia Toa tsy hay hoe hajanony Ny tsiaro irony f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/indray-mipi-maso
INDRAY MIPI-MASO
Fredy Jaofera
INDRAY MIPI-MASO Indray mipi-maso, nivadika an-kaso ny fiainany maro tsy tia mifangaro. Indray mipi-maso dia izao ranomaso ny lalan-kombany tsy ho hay fafany. Indray mipi-maso dia kely torimaso ny tenany etoana sy be fisentoana. Indray mipi-maso dia tonga malaso iny sakaiza omaly voky be sy nifaly.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-ho-rava
Tsy ho rava
Nalison Randrianaivo
Tsy ho rava Mafy orina akia ry malala, Ity lampan'ny fitiavan-tsika Tsy rodan'ny mpankahala, Sy ireo izay tsy tia an-tsika Toy ny trano tsara fototra, Voarafitra tsara rindra Tsy ho zary tendro-molotra, Fa fitiavana tsy hay afindra Tsy hay ozongozonina, Tsy hay ho ravana satria Fa efa tena mafy orina, Tsara faka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-adala
TSY ADALA
Fredy Jaofera
TSY ADALA Tsy adala akory ny olona raha misy indray ny tolona fa mihamafy re ny fiainana tsy ilaozam-panaintainana. Mba diniho ny vidim-bary fa miaka-dava mankarary sy mahaketraka isan'andro vao eo Ingahy masoandro. Jereo indray moa ny sosialy fa n'aiza n'aiza, mampijaly ; mipoitra ho azy sy igagana 'zay am...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/inay
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/ny-teto
ny teto.......
dafa
Izao sy izao ny zava-nisy teto rehefa lasa ianao.......... Nisy teto sento dia nisy ihany koa tomany. Izany rehetra izany no nanjakazaka teto..... Nisy teto embona sy tsiaro anao mangiana. Saingy ny tany tsy mba nievona satria efa nananan'olon-tiana??? Nisy teto ranomaso nirotsaka ho anao isan'ora,isa-minitra ...