url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-endri-pitiavana | Ny endri-pitiavana | Nalison Randrianaivo | Ny endri-pitiavana
Raha sambany ianao vao mba nitia
Dia tsarovy tsara fa tsy voatery
Ho lasa vadinao ny voaloham-pitia
Fa indraindray vao mba toa ireny
Tsarovy koa fa ao ny tomany
Ny sentosento sy alahelo
Fa ny fitiavana tsy hilaozan'izany
Ary tsy ilaozan'ny tsiambaran-telo
Tsarovy koa fa misy ny sedra
Izay t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-maintsy | TSY MAINTSY... | RRAG | TSY MAINTSY…
Mirindrina efatra ny akanin’ny foko,
kanefa toa tsy afa-miaro ny tenany,
mainka aza anie ka dia velon-toloko,
fa toy ny am-pasana natao ilevenany!
Lasa ny sento dia injay ny tomany,
tonga hanaloka ny anjara masoandrony,
ny any an-danitra toa hoe eto ihany,
ka aiza izany no afaka iadanany?
Imbetika... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rrag/tsy-diso-tokoa | TSY DISO TOKOA… | RRAG | Ity tononkalo ity dia valin’aingan’ny tononkalon’i Rado tao amin’ny amboaran-tononkalony “Voninkazo adaladala” pejy faha 50, izay nampitondrainy ny lohateny: “Diso ve?” Nosoratany ny 18 Septambra 1994.
TSY DISO TOKOA…
Aiza kosa dia hoe miampanga anao,
kanefa ny vavako ity tsy miloaka?
Raha momba indray ‘ty ranomaso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/ho-ani-lefitra | Ho an'i Lefitra | Zay LAFATRA | Ho an'i Lefitra
..."nanambady aho ry Lefitra,
Sanatria tsy nahandry,
Fa noho i Dada sy i Neny,
Dia tsy maintsy nanambady.
Ka tso-drano no atolotro anao,
Mahita izay anjara,
Fa ny amiko sy aminao,
Tsy maty fa tantara.
ity sary sy firavaka atolotro ho anao,
dia ho tsiaron'ireo lasatsika,
raiso am-pitsikiana fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hetraketram-pitia | Hetraketram-pitia | Nalison Randrianaivo | Hetraketram-pitia
Nifanojo samy tia,
Niara-niombona fitia
Lavitry ny fisarahana
Dia nanao voady,
Fa vonona hiady
Ho an'ilay olon-tiana,
Tsy foina, tsy hariana
Satria dia tafaray
Ny tia sy ny tiana
Ka hitambatra ho iray
Ny fo roa mifankatia
Faniriana ny ho doria
Kanefa tato afara
Indrisy fa tsy anjara
Ity... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fitiavan-tanindrazana | NY FITIAVAN-TANINDRAZANA | Fredy Jaofera | NY FITIAVAN-TANINDRAZANA
Ny fitiavan-tanindrazana,
dia tsy fitiavan-tena
hikaroham-pahombiazana
hampanankarena.
Ny fitiavan-tanindrazana
dia tsy fitiavam-bola
mba entina hanambazana
an'ny ory na ny tola.
Ny fitiavan-tanindrazana
dia tsy fitiavan-doka
amin'ny vita sy fafazana
no mitaditady loka.
Ny fitiavan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hetraketrakinny-fahafatesana | Hetraketrakin'ny fahafatesana | Nalison Randrianaivo | Hetraketrakin'ny fahafatesana
Tantaram-pitiavana mampalahelo
Laingo sy Aro
Laingo
Laingo no anarako
Izao re no tantarako
Fony aho vao 18 taona
Dia efa doton'ny saona
Nandao ahy ny zandriko
Nobabeko teny an-tsandiko
Avy eo 2 taona no lasa
Dia indro izy fa naka
An'i Dada sy i Neny
Ilay kitapo nofonosana
Sy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zara | ZARA | Fredy Jaofera | ZARA
Zara raha mihinana
ny olona maro
fa 'zay fanambinana,
nofy....Fantaro.
Zara raha mihinana
ny sasatra lava
fa 'zay fahamarinana,
toa tsy mazava.
Zara raha mihinana
'reo noana mafy
fa 'zay fandaminana
tsy hita mifafy.
Zara raha mihinana
'reo be fijaliana
fa toa lavi-pidinana
ny lalana irina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/tsy-hody-aho | TSY HODY AHO | Ny Afy | Notapahiko ny hevitro,
notinapako avy hatrany
fa efa izay koa ny heritreritro,
tsy hody kely aho androany.
f'aleo 'zaho andeha hanjena,
hitety irony lohasaha
assa raha fitiavantena a!
f'izay aloha no mety angaha?
satria tsinjoko sahady,
fa raha ohatra aho mody any
dia vonona hivantana ady,
kotaba be hoarahin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/imeritsiatosika | IMERITSIATOSIKA!!! | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | IMERITSIATOSIKA!
ity lozanao, r'ilay tsy vanona iny
dia hatramin'ny zaza tsy manantsiny
no anehoanao habibiana!
tsarovy fa ny vavany mangina
sy ny vatany natory
izay nataonao fialamboly
tsy ho adinoiny ireny akory
Ary izato rà nalatsakao
ireny no hanameloka anao
ary ity zaza valo taona
izay tsy mbola mahay m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/sombinaiko | SOMBINAIKO | Ny Afy | Raha ho faty aho anio,
satria tsy fantatsika,
ny tendry sy ny lahatra
dia ataovy an_tsaina
f'ianao ilay sombinaina,
no sady efa vahatra,
izay toka_nifaharako,
nandritry ny tantarako.
ianao ilay nomena,
hiara_dalana amiko,
hitantana ny tanako
sy koa efa nekena
ara_panjakana
handova ny fananako.
fa sombinai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/todim-pitia | Todim-pitia | Nalison Randrianaivo | Todim-pitia
Malala
Tiana
Rindra
Safidy
Kanto
Ravaka
Mendrika
Mialy
Santatra
Sarah
Fitia
Satria voaloham-pitia
Nitia ahy sy notiaviko
Dia nekeko tsy nolaviko
Ilay fitiavany satria
Ny foko efa lasa adala
Efa resinao ry "Malala"
Nampirafy ahy izy anefa
Ka naratra mafy ny foko
Tojo ny sento sy ny toloko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lamokany | LAMOKANY | Fredy Jaofera | LAMOKANY
Atody lamokany
sarotra heverina,
nisy ny mokany
nanerinareina.
Atody lamokany
mamofona etoana
no hany natokany
hisekosekoana.
Atody lamokany
nasiana atin-kena,
izao re no vokany
handrebirebena.
Atody lamokany
mila hahatsiravina
no lasa hoe lokany
nasaina notiavina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramandrongony-anhabakabaka/matetika | MATETIKA | SANTATRA RAFENOMANANTSOA | Ny olona tiana raha tazana matetika
dia toa hita soritra fa miha miha milentika
ilay hatsaran-tarehy sy hatsarana bika
nifankahitana fony vao niandoha
dia toy izany koa ny saina sy ny fo
lasa mankahala ilay tiana sy malala
matetika toa hita
Matetika ny tiana any lavitry ny maso
ahitana tsirony sy ahitana fafy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ao-anaty-masonao | AO ANATY MASONAO | Fredy Jaofera | AO ANATY MASONAO
Ao anaty masonao,
mitara-pahazavana
hita ho tsy mandao
sy misy hatsarana.
Ao anaty masonao,
mirehidrehitra fitia
mitondra aina vao
hamelona ho doria.
Ao anaty masonao,
misy toky mahafaly
manilo tahaka izao,
na dia tsy mamaly.
Ao anaty masonao,
misy koa fiadanana
efa tsapa tao ho ao
vao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/fanomezana | FANOMEZANA | Zay LAFATRA | FANOMEZANA
nataoko izay mety!
Ka hapitaiko ilay hafatra,
ho any aminao vetivety.
Fa izaho tsy manana harena,
mihoatra lavitra noho ianao!
na vatosoa,volamena,
mbola tsy hananako amizao.
fa ny tena tsara indrindra,
mba hataoko fanomezana.
dia ilay tononkalo tsara rindra,
sy voninkazo iray fehezana.
Fanomezan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/senton_tsasakalina | SENTON_TSASAKALINA | Ny Afy | Angamba hoy aho,
angamba ho anao
ny antony hanoratako,
raha tsy 'zany moa
dia hoan'iza koa e!
tsy haiko tsy mba fantatro.
fa raha tsy nisy anao,
nanokatra nijery,
ary avy eo namaky
dia ho maimbo lao ,
nipetraka irery
itony taratasy,
nefa moa soa fa teo ianao.
soa fa teo ianao
ilay hany nampaharitra
ity a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ranomasom-pitia | Ranomasom-pitia | Nalison Randrianaivo | Ranomasom-pitia
Ilay voaloham-pitiavako
Tsy miala ao am-bavako
No indro nanitsaka ahy
Tsy tahotra tsy henatra
Fa nanala izato peratra
Mba novidiko ho azy
Hay nataony kivazivazy
Ilay fitia izay natolotro
Ny mamy avy eo imolotro
Hay nataony kilalao
Indrisy noho ianao
Dia noho ianao tokoa
No nampiteraka areti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/tsy-ambarako | TSY AMBARAKO | Zay LAFATRA | Tsy ambarako aminao intsony,
ilay fitia ato anatiko,
na pahana ny fony,
hihaino ireo tsy tantiko.
tsy haborako aminao,
ilay tsiky niatsampy,
nasetriko ho anao,
fa mimontitra dia ampy
tsy hitiavanao ahy.
tsy ho tantaraiko koa,
ny gando-kira akafiziko,
na kanto io na ho soa,
na valiha no fitendriko
mampionon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/raha-toa-ianao-ka- | RAHA TOA IANAO KA ! | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Raha toa ianao hipetraka, hangina tsy hiteny;
Toy ny vatolampy iray, hoy ny oha-pitenenana.
Amin'ny zavatra miseho, eny rehetra rehetra eny;
Dia lazaina hoe "fovato", tsy ho azo ianteherana.
Raha toa te-hanohy, ny lalanao tsy an-kijanona;
Toy ny ranovelo-mikoriana, any anaty ala any.
Hanadino ireo mpanenjika, na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tifi-pilesy | TIFI-PILESY | Fredy Jaofera | TIFI-PILESY
Tifi-pilesy
no hahavoazako an'io
rehefa hisesy
ny soa madiodio.
Tifi-pilesy
no hahafaty azy mora
rehefa handresy
ny andrasako ho ora.
Tifi-pilesy
no hahazoany fahoriana
rehefa kalesy
no hitsena ahy mangina.
Tifi-pilesy
no hahamoana azy tsara
rehefa hiletsy
ny tiany any am-para. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/heri-po-mangina | HERI-PO MANGINA | Zay LAFATRA | Tsy resy aho akory,
fa mangina tsy miteny.
Ka ny fitiavanao esory,
Fa mamitaka ombieny.
Heri-po mangina ny ahy,
fa tsy midika hoe resy,
ka hanaovanao sahisahy,
ka hibedibedy olon-kendry!
Ny ahy anie heri-po mangiana,
mbola miandry fandresena,
sy hahanan'olo-tiana,
ary hikatsaka harena.
Sady ahoanao inonona ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/fady | FADY | Ny Afy | Eh!! f'angaha ianao adala?
sa tsy mahalala,
ny fombafombanay,
f'izao ataonao 'zao
dia tena tsy azo atao ,
fa faditaninay.
f'izao angaha ry bavy a!
manaova ala fady a,
izay angaha no mety,
hanatero toaka
sy tantely indray mifaoka
etsy ananona etsy,
dia izay no tsara ho fantatra,
fa iny angaha vao santatra,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/embona | Embona | Anj'art Nantenayna | Tsy handry ny hariva.Ho tojo ny maraina.Ny alina mangina.Ahitana anao hiantaina.
Dia toa lava ny alin'ny ririnina.Fa feno seto lalandava.Feno sedram-piafiana.Ny fiandrasana mazava.
Fa feno ny endrin'izy tokana.Ny ora,ny andro , ny alina.Ny fiainako eto antany.
Dia tonga ny maraina,misandratra ny andro.Fa mbola rak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-mitsara | AZA MITSARA | Fredy Jaofera | AZA MITSARA
Aza mitsara
ny olon-tsy fantatra
fa mahavara
hahazo azy fatratra.
Aza mitsara
ny zava-tsy niainana
fa mianara
hanova ny fisainana.
Aza mitsara
ny tsy mbola nidona
fa mivoara
tsy ho any no hirona.
Aza mitsara,
ny tsy nahavoa tena
fa ambara
ho mampivembena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramandrongony-anhabakabaka/mba-fomba-fotsiny-ilay-ho | MBA FOMBA FOTSINY | SANTATRA RAFENOMANANTSOA | Mba fomba fotsiny ilay hoe hanefa adidy
fa na hifidy isika na tsy hifidy
dia efa fantatra ilay olona hitondra
"tsy iza izany fa i Dada na i Foza"
Raha tena marina ilay voka-pifidianana
dia mety ingahy Marc Ravalomanana
no ho lasa filohan'ity gasikara
fa tsy i Rajoelina antoko mapara
Samy manana ny ambadikany iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faniry-mamy-tantely/any-misy-anjara | ANY MISY ANJARA | FANIRY MAMY TANTELY | mandrak'andro fahafiry
ry foko zary tany
ny rojon'alahelo
no hamatotra vinany?
dia hiverina impiry
anaty diarinofy
ny dindona sy avelon'ny
tiana efa nandao
ka hadrongan-drary,rofy
amin'izato nofonao?
tsy tsaroanao angaha
ry foko adaladala
ny tolo-janahary?
va ianao tsy mahalala
fa any ambadika any,
any m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/zaza-sary | ZAZA SARY | Ny Afy | Maro ankizy milalao
eo an_tokotaninay
nandinika aho nisaina izao,
mba firy ireo no manan_dray?
dia nisaiko izy rehetra,
ka efa nisy ho roapolo,
indrisy nefa nampitsetra
samy tsisy ray daholo.
dia tsy nasiana fiheverana
ny momba ireto ankizy
fa fitiavana niserana
na fitiavana tsy izy,
dia nisy izy ireny
ant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitiavana | Fitiavana | Nalison Randrianaivo | Fitiavana
Asa loatra na nahoana?
Fa ny ahita anao foana
No masaka ao an-tsaiko
Ilay ianao vao hitako
Asa re fa tena tsy aiko
Fa misisika ny hahalala
Hamantatra anao
Ity foko kely adala
Moa va mba tsapanao?
Indraindray aho miteny
Ny anaranao no voa antso
Voateniko milanto
Ny alina aho matory
Manofinofy ank... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tiasolo/kamboty-ho-anao-ry-namako | KAMBOTY
Ho anao ry namako | Ny Tiasolo | KAMBOTY
Ho anao ry namako
Izay mamaky ity mba vitako
Ity no soratanako
Hamaritako ny vintako.
Izaho fony mbola zaza
Tsy nahatsapa fa nijaly
Fa misakafo izay sahaza
Rehefa fety dia mifaly.
Mangatsiaka dia mitafy
Misakafo koa raha noana
Tsy mba niafiafy
Ka tomady teny foana.
Mbola teo mantsy i dada
Nanao iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-toaka | NY TOAKA | Fredy Jaofera | NY TOAKA
Mandoto ny toaka :
manimba ny tena
kanefa dia avoaka
vao fety no omena.
Mandoro ny toaka,
manary ny hasina
rehefa mitsoaka
sy mitsinkasina.
Mandoza ny toaka,
mandrava ny aina
rehefa mandoaka
'rony adin-tsaina.
Mamono ny toaka,
mila hampiveraka,
rehefa mandroaka
ny haja tanteraka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-nalisoa-ravalitera/ny-itiavako-anao | NY ITIAVAKO ANAO | jean nalisoa ravalitera | Fa ny itiavako anao dia tsy takatra takarina
Ny itiavako anao dia tsy fantatra fantarina
Asa noho izaho,izaho?...Asa noho ianao ianao
Ny azo antoka dia izao:tiko tena tiko ianao!
Fa ny itiavako anao dia ny tsikinao, angamba?
Nefa raha ny tsiky ihany...,inona m nahajamba
Ny masoko teo anoloan'ny tsikin-tovovavy ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-valifaty | NY VALIFATY | Fredy Jaofera | NY VALIFATY
Fahambaniana
ny valifaty
ka aza valiana,
na ao anaty.
Fakam-panahy
tsy mety lo
tsy mba mitahy
ny otripo.
Fahakelezana
ara-tsaina,
fahaverezana
tsy ilaina.
Fanakotakonana
hazavana
tsy iombonana
ka ialana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/voaloham-pitia | Voaloham-pitia | Nalison Randrianaivo | Voaloham-pitia
Sarotra hadinoina,
Tena sarotra soloina
Tsaroana lalan-dava,
Ireo endrika amin-tava
Dia mirotsaka tomany,
Indrisy tamin'izany
Ilay voaloham-pitia,
Nantenaina ho doria
No indro fa nandratra,
Ny fitiavako lalim-paka
Voatery ho singan-drery,
Tsy manadino velively
Fa hiezaka ny hanadino,
Ny sai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mbola-tiako-ianao | Mbola tiako ianao | Nalison Randrianaivo | Mbola tiako ianao
Tsy mahafoy, tsy mahasaraka anao
Very aho raha hilaozanao
Ka mba miangavy, mitalaho
Mijanona raha mba azo atao,
Fa mbola tiako ianao
Inona re no tsy ampy,
Fa vonona aho hanampy
Hanarina ireo tsy nety,
Hanova ahy vetivety
Ataoko tsy mila tambiny,
Homeko tsy misy ambiny
Ny foko sy izay tiana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maro | MARO | Fredy Jaofera | MARO
Maro ny alahelo,
ao anaty fotsiny ihany :
mampirotsa-delo
vao ranomaso izany.
Maro 'rony mafy
mila ho sarotra entina
raha hita mihafy
sy miaina tsisy pentina.
Maro 'rony ratra
tsy mba mety sitrana,
tonga mahazatra
sy tsy mitady vitrana.
Maro 'rony latsa
mandoro marimarina,
na misy ny patsa,
hoy aho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/izy-no-tiako | Izy no tiako | Nalison Randrianaivo | Izy no tiako
Na lazaina fa jiolam-boto
Na lazaina fa mpanendaka
Ianao no safidin'ny foko
Ka hiaraka hifampiteraka
Ny vavan'ireo mpankahala
Ny fosafosan'ireo tsy tia
Dia misy farany ireny malala
Fa ny an-tsika roa ho doria
Na lazaina fa mahantra kely
Ka malotoloto sy voretra
Tsy hampiova ahy velively
Fa ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/fo-mitia | Fo mitia | Anj'art Nantenayna | Moa ka fahadisoko.Zay mba babo taminao.Moa ve nihaniko. Ny potika hatrizao.
Ny hetahetatsaiko dia tsy hitia na oviana ovina.Indrisy anefa moa malala.Fa nampitondra ahy fahorina.
Ekeko aloha hatreto, fa tsy mendrika ho ahy ianao. Zaho lay ho mpanabe. Nasaina hitaiza anao.
Izaho ilay nandrandraina.Hamolavola anao ho t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/indray-andro-any- | indray andro any ... | M'art-son Emmanuel | hinoako fa indray andro any
hihiratra iny masoandro
fenomanana ny volana
hisy kintana lehibe 'zary fitarik'andro
ny rotsak'orana zary rotsam-bintana
mbola hinoako foana izany
satria boribory mantsy ny tany
fiainana koa fandalovana ihany
ary misy tsiky aorinan'ny tomany
mbola hinoako foana izany ankehitriny
sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/dinam-pitiavana | Dinam-pitiavana | Nalison Randrianaivo | Dinam-pitiavana
Tsarovy ry tiako,
Manomboka izao
Ianao tsy ariako,
Satria ahy ianao
Ka raha sanatria,
Misy fisarahana
Ny dinam-pitia,
Tsy azo sarahina
Aina re no fetra,
Ny fitiavako anao
Izaho dia hitoetra,
Irery ho anao
Raha misy milaza,
Amin'izany aminao
Dia kobaka am-bava,
Fotsiny tsotr'izao
Satria ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/sento-fitia | Sento fitia | Nalison Randrianaivo | Sento fitia
Sento foana no mba iainako,
Raha iny lasa ny fisainako
Mamadibadika ireo taona
Dia voatsiaro eny foana
Ilay endrika amam-bikanao
Ny anaranao, ny momba anao
Dia lasa ny fanontaniana
Hoe: Izy tokoa ilay olon-tiana
Nampianatra ahy nitia
Fony aho vao nandia
Nianatra namindra
Vao nianatra nandady
Di... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.a.n/andraso-any-am-pasana | Andraso any am-pasana | R.A.N | Fa raha misy mahatsapa ny zavatra tsapako
Fa raha misy maheno ny fitresaky ny foko
Dia zay vao afaka amiko ireo toloko
Fa raha misy mahita ny fivontony ao anaty
Saingy indrisy fa na mikikika azy tsy misy mahare
Saingy indrisy fa na misendotra aza ny sasany ihomehy
Saingy indrisy fa takona ao ka tsy mety tafavoaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tsy-vola-na-asa | Tsy vola na asa | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | TSY VOLA NA ASA
Raha hitady vola ihany,
No antony iainana eto an-tany!
Dia farany mahantra,
Amin'ny olona rehetra.
Raha hiasa foana,
No andaniana ny fotoana!
Mba hanana harena,
Hoy aho hoe tsy fahendrena.
Ny vola tsy atom-piainana,
Ny asa tsy atom-pisiana!
Fa raha ireo no ho tompoina,
Na ny omby aza mbola m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voatsinampy/vavaka-ho-ani-misa | VAVAKA HO AN'I MISA | voatsinampy | VAVAKA HO AN'I MISA
Tompo o!
ANDRIATIANA Nirison Misaela
efa Anao izy iny k'aza avela
f'hotehirizinao hatrany ilay anarany
hanangananao azy any am-parany
Ao aminao no hiala sasatra ny fanahiny
ny diany teto tsy ho very amin'ny nahiny
'zay nandehanany rehetra tam-pahitsiana
raketo amin'ny Bokin'ny fitadidiana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainga-fitia/tsy-mety-ho-fay | tsy mety ho fay! | ainga fitia | ny fitiavako efa natory
izay ninia nifoha indray
no injany mampahory
mamela ratra mahamay!
'lay foko kely efa naratra:
ferena sy nahamaivay,
toa lasa minia mizatra
mitia mangina indray! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/marary-ny-marina | MARARY NY MARINA | Fredy Jaofera | MARARY NY MARINA
Marary ny Marina
ka avelako hangina
raha toa tsy itarina
ny fangirifiriana.
Marary ny Marina
ka matory ao anaty
raha toa tsy velarina
fa saika nahafaty.
Marary ny Marina
ka dia mampahosa
raha toa amboarina
ny eto mba hisosa.
Marary ny Marina
ka aoka any ho any
fa maintin'ny harina
sy ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/aza-tsiny-indrindra-hoy-i-dada | aza tsiny indrindra hoy i Dada | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | aza tsiny indrindra! hoy i dada
anaka,
aza tsiny indrindra
raha toa tsy nahavimbina
izay nafaranao,
manko, ny vola am-pelatanako
zato ariary monja
ka tsy ampy nividianako
izay tadiavinao,
niaka-bidy mantsy
ilay entana fividiko
niakatra ho roan-jato
ny saran-dalako mahazatra,
dia niafiko dian-tongotra
ny l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.a.n/fa-rahoviana | Fa rahoviana | R.A.N | Vao ho voky hafaliana sy ireo izay tsy mba nananana
Fa rahoviana re vao handao ity fiainako
Fa rahoviana ihany koa vao hitsiky tena tsiky
Fa tsy foana hoe hanakonana ilay fery
Fa rahovina re vao horitra ity kapokako
Fa rahovina ihany koa no tsy hatsiaro ny lasa
Ireny fotoana nijaliana ilay fo feno ratra
Fa rahov... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mandramaty | Mandramaty | Nalison Randrianaivo | Mandramaty
Liva sy Koloina
Tanora dia tanora satria i Liva vao 19 taona dia i Koloina koa vao17 taona, mampalahelo dia mampalahelo ny tantaran'izy roa ireto:
Vao niandoha ny fiarahan'izy ireo dia efa voarara sahady saingy tsy nampihemotra ny dia anefa izany fa vao maika aza nasehony mihitsy hoe ireto izahay ary tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zao-dia-zao | 'ZAO DIA 'ZAO | Fredy Jaofera | 'ZAO DIA 'ZAO
'Zao dia 'zao
ny foko,
te ho any
fa manina vao
toloko
ny tany.
'Zao dia 'zao
ny feony
no ilaiko
fa tao ho ao,
toreony,
lanjaiko.
'Zao dia 'zao
ny tarany
no tiako
ka tsy handao
no farany
ampiako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/ianao-rehefa-tia | IANAO REHEFA TIA | Ny Afy | F'ianao rehefa tia,
toy ny hoe adala
tsy mety mahalala
izay mety ho voka_dratsy,
haterany ao aoriana,
fa tia ka dia sondriana
mianoka an'izany,
toy ny tsy eto an_tany.
f'ianao rehefa tia,
matetika mitroatra
entanim_po be loatra
ka tsy mahadinika,
izay tokony atao
hoe mety ve izao?
fa izany angamba,
izany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/diniho-ry-mpanakanto | DINIHO!!! | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | DINIHO!!!
Mirongatra
mipongatra
mitombo hatrany hatrany
izany mpanakanto izany
dia mihasimba
sy voazimba
ny tena kolontsaina
izay tiana sy lalaina
ary tsapa tato ato
fa hay misy mpanakanto
tena tia manimba
ny literatiora sy ny riba
sao ataonao mahatezitra
ny teny izay voalazako
fa hisaino an'eritreritra
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainga-fitia/hetahetanny-fo | hetahetan'ny fo! | ainga fitia | misy fo maniry ho tiavina
saingy nolavin'ny tsy manina
vao mitempo dia nilavina
ka maratra sady fanina!
misy fo te hiara_dia
amin'ny olona mandalo,
te hiventso ny fitia
saingy indrisy toa nimalo!
misy fo te hiantsampy
antratran'olo_manan_tompo,
toa tanala very sampy e
hany hery miova loko! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/nateraka-hijaly | NATERAKA HIJALY | Ny Afy | Moa misy ve nateraka hijaly?
fa anisany aho raha misy 'zany,
ka mibaby kitra vesaran'ny tomany,
noho ireo fahoriana nanjoa efa omaly.
tena misy izany, eny tena misy,
fa na ny vintako aza mampihanahana
izany no nahatonga ahy, zohïm_pahantrana,
ambanian'ny maro, tsisy 'zay mitsitsy.
tsy ny rehetra anefa no natera... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hendre | HENDRE | Fredy Jaofera | HENDRE
Hendre, ry alahelo,
matoria fotsiny ihany
fa ho tsiambarantelo
ny nisy teto an-tany.
Hendre, ry ranomaso,
nipatrapatraka taloha,
efa any irony an-kaso
nandentika ahy tokoa.
Hendre, ry fitsapana,
nanamafy lalandava ;
efa io ny fahagagana
manamirana ny tava.
Hendre, ry fihafiana,
nandalo sedra maro
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainga-fitia/iny-hatsarany-iny | iny hatsarany iny! | ainga fitia | iny hatsarany iny
tsy ho azonao fihinina
fa fotsiny banjinina
an'eritreritrao mangina,
mantsy izy sendra nandalo,
mpivahiny fotsiny ihany
ka raha iny no hampikalo
toa rediredy ihany izany...
ka aza iniana hatokana ho azy
ny fitiavanao rehetra,
fa ndrao mantsy ho lasa sazy
anatinao tsy hanam_petra!
dia manok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/ito-sorato-ito | ITO SORATO ITO | Ny Afy | Ito soratro ito
ahafahanao mamantatra,
ny fombafomba fiainako,
ahafanao manakatra
ny fototra fisainako
Ito soratro ito
intony aminay ,
natao hamerovero,
'nefa koa indraindray;
mety hampalahelo
Ito soratro ito
nomeko hoanao,
vakiana vetivety,
'nefa dia natao
hanitsy ireo tsy mety.
Ito soratro ito,
iriko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aleo-mitraka/ianao-ho-raketiko-aminn | Ianao | Aleo mitraka | Ho raketiko amin'ny tantarako
Fa ianao no nitondra ilay fahasambarako
Ianao no olon-tiako
Ianao no fifaliako,sy izarako ny alaheloko
Anaborahako ny tsiambarateloko
Ka ho lazaiko
Fa ny foko,ny fitiavako
Dia ho anao
Mandram-pialan'ny fofonaiko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-afy/veloma-jiaby | VELOMA JIABY | Ny Afy | Hatrany ambony, hatrany ambany,
ny rehetra anatiko any
dia efa tapitra voapentina
mangirifirin'ny aretina
kanefa hiezaka aho ho mirana,
fa ny tena moa sahirana
ka dia tsy misy fitsaboana
f'efa miandry fiantsoana,
dia handeha tsy hiandriandry
hody aho, hody mandry,
rehefa vonona am_panahy
hifanatrika amin'ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ainga-fitia/miandry-anao | miandry anao! | ainga fitia | ito sarinao sisa manoloan'ireto masoko
fa any mantsy izay ianao nanadino ny momba ahy
fa aty kosa ny sento sy ny ranomasoko
mila ahatrotraka fanahy!
ianao 'lay notiaviko tamin'ny foko manontolo
no indrisy toa nandao
E!izao ny aty akia bobongolo an
mangina fa nilaozanao!
kanefa any andro iray
mety hahatsiarovan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aloka-tarabolana/fahaleovantena-ady-mafa | FAHALEOVANTENA
Ady mafa | Ny Aloka Tarabolana | FAHALEOVANTENA
Ady mafaitra,nandremby ny aina
No nahazahoana ity fahaleovantena
Koa tandrovy lahy tsy ho very maina
Fa manankasina ity firenena
Fa ny fahaleovantena tsy ho fahaleovantena
Raha tsy tojo tao ny fahafahana
Ilay fahafahana mba hahaleo tena
No hijanonan'ilay fanjanahana
Ady sy tifitra tamin'ny basy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aloka-tarabolana/mitsiriritra-ihany-az | MITSIRIRITRA IHANY!!
Az | Ny Aloka Tarabolana | MITSIRIRITRA IHANY!!
Aza variana amin'ny bika sy ny endriny... Fa mody namboarina! Tsy fantatrao mantsy izay tena tinendriny
Fa sarom~patarina ...
Aza dia iny no ataonao manaitra
Fa mijaly eo ianao! Antsafatsafainy
D'efa eo taitra hnn! Marary eo ianao an!! ...
Raha izaho aloha ianao dia manidy vavahady
Tsy manok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/efa-ahy-ianao-tohiny1 | Efa ahy ianao tohiny1... | Nalison Randrianaivo | Efa ahy ianao tohiny1...
Mahery: Rova? Fa taiza indry?
Rova: Nianatra aho koa,taiza indray ary
Mahery: Nianatra koa ny hariva sa nampiaraka e?
Rova: Nampiaraka ahoana koa ary? Nianatra niaraka tamin'ny namako aho e
Mahery: Namana iza izany? Lehilahy?
Rova: vehivavy ka, lehilahy ahoana e
Mahery: Ny naman-dry anie... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/efa-ahy-ianao | Efa ahy ianao | Nalison Randrianaivo | Efa ahy ianao
Njaka,Rova,Finaritra,Ravaka,Mahery
Mahery: Toa tsy maita tory mihintsy ary aho izany. Any amin'ilay tovovavy iny foana ny saiko,Toa mba nanaitra ny foko iny tovovavy iny,nanjary lasa tia azy tampoka teo aho,tsy andriko izany izay ahitana azy indray, satriko foana handinika azy,ary mba amin'ny firy ary i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aloka-tarabolana/tokan-tena-ny-sigara-izao | TOKAN-TENA
Ny sigara izao | Ny Aloka Tarabolana | TOKAN-TENA
Ny sigara izao no solon'olotiana
Tsy miala eo imolony
Dia tavoangy koa no hondana hatoriany
Tsy miala ao andohany
Io ny vavany io efa hihitatra
Izay omenao laniny
Toaka roa na telo litatra
Izay ilay solon-dranomaniny
Ilay feony nibetroka
Tsy sitrapony akory
Ritra ilay setroka
Fanalany sorisory
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/alina-mangina | Alina Mangina | Vetso mena | _ alina mangina, mitondra fitoniana
Ahitako hafaliana, alahelo fitomaniana
Alina miserana nefa dia mamiratra
Alim-pisainana, hanafenako ny ratra !
_ ny volana mibaliaka manazava ahy
Ny kintana mamiratra, mamerina ny tsiahy
Ny foko koa mitempo, maniry ny hahalala
Ny tena ho an'ny Tena, ny tena ho anjara
_ Ry ali... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/litera-a | LITERA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | LITERA "A"
litera "A"
litera fanombohan'ny Abidy,
litera tokana mpamelona ny teny,
dia tsy azonao fohanana satria,
teny manan-danja anatina fehezanteny.
litera "A",
Andry hiankinan'ny teny rehetra,
Vato fehizoro tsy azonao azera,
teny tokana feno tarigetra
teny fanorenam-paneva ka sarotra avela
litera "A"
i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/timoty-josto/tiko-loatra-ianao | Tiko loatra ianao | Timoty Josto | Tiko loatra ianao
Adala aminao ny foko
Na ny havako nafoiko
Satria tiko loatra ianao
Vao mifoha maraina
Ianao no an-tsaina
Toa gaga raha i Neny
Mahita ahy miteny irery
Satria tiko loatra ianao
Ka ny andro rehetra
Ivelomako eto an-tany
Natokako ho anao izany
Na tsiky na tomany
Satria tiko loatra ianao
Ka h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ilay-pketra-mainty | ILAY PÔKETRA MAINTY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | ILAY PÔKETRA MAINTY!!!
Nitoetra ho fahatsiarovana
sinarotra adinoina
ilay pôketra mainty fivimbinao!
mantsy iny, voaloham-panomezana
ho fanam-porofoina
Ny fitiavako anao!
fanomezana kisendra
tsy dia naha-saro-pisaina,
nefa nahatahiry ny fitiavantsika!
tsy toy irony rado fanao an-tenda,
na toy irony raozy men... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/timoty-josto/gadana | Gadana | Timoty Josto | Gadana
Ry Gadana nahazo baiko
Tsy mivoha io raha tsy vohaiko
Gadana tena mahaaro
Andrasany foana ny tompon-trano
Na rahoviana na firy taona
Ry gadana eo ambaravarana foana
Izy dia tsy miamboho adidy
Mandrampaha tonga ny fanalahidy
Indrindra fa ny fotoana fisasarana
Izy irery no eo ambaravarana
Miankina irery... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/trmich/raha-nisy- | Raha nisy ... | TrMich | Raha nisy ny teny izay navoakan'ny vavako,
Dia teny manandanja, teny avy ao am-po.
Raha nisy ny teny nomeko anao rahavako,
Raiso an-tanandroa, satria hoantsika roa ...
Raha nisy voninkazo 'zay nalaiko ho anao,
Raha nisy redirediko ka lasa asa-soratra,
Raha nisy ny tanako efa teny an-tananao
Dia milaza izany hoe ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vivaldi/ry-neny- | RY NENY Ô! | Vivaldi | Ry neny malala ô,tokana an-tany.
Izay manana adidy sy andraikitra miandry.
Tiko ny hiresaka aminao androany.
Netsehin'ny saiko aho ka tsy tafandry mandry.
Tsy adidy tsotsotra toy ny ara-tsakafo ihany,no andrasana aminao ry neny malala.
Fa ny ara-panahy tsy hisy andrasoandraso fatrarana tsara tsy hanantsahala.
Tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/embona-sy-to | EMBONA SY TO! | Teboka Telo | Nanembona azy aho omaly
Hoe: aiza ho aiza ary izy izay?
Soa, anio, to sy voavaly
Fa indro, tazako eto indray
Irony tsikiny malefaka;
Reo hantahatany sy dongy;
Ny angolangolany, miresaka
Miharo sangy, longilongy!
Tsongotsongo, adiady
sy ankamantampantatr'eny...
Ireo no nampivona tady
Ho fato-matinay ombieny!!... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/mahafinaritra-ny-fiainana | Mahafinaritra ny fiainana | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Mahafinaritra ny fiainana
Misiotsioka ny tsiriry,
Fa masaka ny vary.
Faly indray ny mpamboly,
Fa handeha hinjinja vary indray.
Miorakoraka ny gana,
Ravo koa ny gona.
Fa tonga teo Sisaony,
He, hilalao rano ihany.
Velom-bolo ny akoho,
Hita taratra amin'ny feony,
Fa hamiratra ny andro,
Faly ery fa hiasa tany.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/avy-taiza | Avy taiza? | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Avy taiza?
Avy niakan-drefana aho,
Saika hividy voninkazo!
Mba hasoloko ilay ao,
Indrisy anefa fa tsy nahazo!
Dia nitohy aho niantsinanana,
Hitady hanina hafa any,
Fa nankaleo ahy ny vary amin'anana,
Nefa aretin-tenda no azo tany!
Nianantsimo no nanohizako ny lalana,
Saika hoe hanorina fonenana any.
Nefa nal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/efa-ahy-ianao-tohiny | Efa ahy ianao | Nalison Randrianaivo | Efa ahy ianao
Mahery: Ary nankaiza marina i Rova e? Izy roa vavy namany irony efa ho dify nefa izy ity tsy hita hoe aiza na hoe nankaiza?
Sa ho anontaniako amin'izy roa vavy ihany, nefa anie izy roa vavy ireny efa ny lohany sisa no hita koa, aleo rangaha enjehina ry zareo dia anontaniako izay nomban'i Rova sy izay na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/timoty-josto/kalonny-voadona | Kalon'ny voadona | Timoty Josto | Ny olo-tiko voaloha;
Mioty no anarany;
Fanirianay roa
Hifankatia hatramin'ny farany
Izy tia ahy,izaho tia azy
Nananja azy aho mandrapiavy ny mariazy
Fa nataony vazizy,ilay lokaloka
Izy kay nitondra vohoka
Tamin'ny olon-kafa
Ny foko toa naratra
Voadona mafy aho
Voadona ka tsy zaka
i Mirana kosa
Tovovavy ten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aloka-tarabolana/milofo-ianao-mahantra-a | MILOFO IANAO
Mahantra a | Ny Aloka Tarabolana | MILOFO IANAO
Mahantra aho ry sombin'aiko
Mahantra anie ny dadanao e!
Mahantra koa anie i mama
Ny hantanao tsy hoe tsy hilaiko
Fa i dada mbola lanaka
Mbola avy nikarama...!
Mianara tsara ianao re anaka!
Fa ianao no ho reharehany
Mba hanaisotra ity jaly
Hiforetany amin'izany
Fa hirifiriny izao!!!
Aza mihitsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-tsiriry | Ny tsiriry | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Ny tsiriry.
Toa tsara ery izany andro,
Baliaka kanto ny masoandro,
Jereo anie ery kamory,
Velon-tsioka ireo tsiriry!
Indreny koa ny andiana sarety,
Mamakivaky ny tanety.
Fa andeha hijinja sy hitaona vary,
He, velom-bolo ny tsiriry.
Izatsy mangamanga izatsy,
Ny farihin'Itasy.
Misangisangy eo ny tsiriry,
Kant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raozy-sa-tsilo- | RAOZY SA TSILO ? | Fredy Jaofera | RAOZY SA TSILO ?
'Zay manantena
dia mijery ny raozy
fa tsy mahita ny tsilo,
tsy mivembena,
miezaka hipaozy,
na tsy manam-panilo.
'Zay kivikivy
dia mijery ny tsilo
fa tsy mahita ny raozy ;
mamely in-tsivy
ka mila hankadilo
raha hoy aho : ilaozy ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/diso-ianao-...-diso-ianao | diso ianao ...
diso ianao | M'art-son Emmanuel | diso ianao ...
diso ianao milaza,fa voarakotra ho tantara
na koa efa voambara, ny lalana diavina dia tsy maintsy ho tanteraka
diso ianao,
raha hanantena isan'andro ny lahatra sy anjara
manantena vintana , fa hoe voarakotra tantara
diso ianao,
lay miandrandra fiandanana,sy mitady fahasambarana
dia ny mbola ety a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/satria-tiako-loatra-ianao | Satria tiako loatra ianao | Nalison Randrianaivo | Satria tiako loatra ianao
Ny ho aviko rehetra
Dia nafoiko tsotr'izao
Ny vatako madio
Dia natolotro ho anao
Eny fa na ny havako
Ny fianankaviako
Nafoiko re rahavako
Ary tsy noraraiko
Nafoiko noho ianao
Satria tiako loatra ianao
Eny fa tsisy nohenoiko
Raha niteny nanoro ahy
Ireo namako tsy foiko
Rahavavy sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-tia-sy-ny-manina | Ny tia sy ny manina | Nalison Randrianaivo | Ny tia sy ny manina
Ny tia sy manina no tafaray
Hitambatra ho iray
Tsy hisy intsony fahalavirana
Koa indro hifinkirana
Fa efa nifanojo niombom-pitia
Mandrakizay doria
Tsy voasarak'ireo te handrava
Mihavao lalan-dava
Matotra hatrany voafatotra tady
Koa hifanam-bady
Ny tia sy ny tiana no tafaray
Mitovy fitia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/novina-ka-novina-dia-ts | N'ovina ka n'ovinadia ts | kanto sarobidy | N'ovina ka n'ovina
dia tsy hiantsoko tody ny nandaozanao ny foko
ho ataoko fitsikina...
fa lesona nandratra ny alahelo maro loko
tsy misy na iray
ka afaka hitsara sy hamantatra mahitsy ny tena ato anatiko
indrindra ireo tsy tantiko
fa loza nialangalana nanenika tsy fidiny
anefa moa safidiny...
inoako marimarin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/nilaozanolon-tiana-12048 | Nilaozan'olon-tiana | Nalison Randrianaivo | Nilaozan'olon-tiana
Alahelo sy tomany
Nameno ny andronao
Fa nilaozan'olon-tiana
Toa feno hakiviana
Tsy hita izay atao
Mahatsiaro very ianao
No ho ny ady sesilany
Fa rendrika ihany
Sentosento sy tomany
Raha indro mahatsiahy
Ilay endrik'ilay tiana
Mitomany mangingina
Torotoro re ny fanahy
Manontany tena asa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ketoky-ny-nenina | Ketoky ny nenina | Nalison Randrianaivo | Ketoky ny nenina
Irery mangingina, Miaritra ny hatsiaka
Eto amoron-kamory, Mahatsiaro tena ory
Miandrandra ilay tiana, Hiverina eo an-tratra
Hamadika ny rasa, Sy ireo lasan-tsika
Izay tena nampahory, Sy mangirifiry
Ny foko te hikiry, Miantsoantso anao, Fa mbola tia tsotr'izao
Tsy tsaroana intsony, Hany tsy matah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vivaldi/faly-mahita-anao | Faly mahita anao | Vivaldi | Ao anaty teny kely,
No iarahabako anao,
Ry lay zakaiza tsaro,
Sy malalako izao,
Tsy mba vetson-kira na koa fanomezana fa,
fiarahabana kely ho fampaherezana ka,
Mazotoa mamaky, kiano izay vita, fa ny sosokevitrao no hanatsara atsika. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vivaldi/zay-lay-fiainana | Zay lay fiainana! | Vivaldi | Miposaka ny andro
F'efa lasa izay ny haizina,
Ka miseho ngiah masoandro,
Izay hery andrarezina.
Injao mibaby ny adidy miseho koa ny andraikitra,
Hoan'ny olona rehetra,na akifika tsy laitra.
Ka migaina ny hafanana, izay soloan'irifiry,
Foan'olona antanana, ee mangina izato izy.
Tena tsemboka ny tena,
Ha!Torov... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karako/tsy-irery-ianao | Tsy irery ianao | Karako | Tsy irery ianao fa samy eto isika ;
Miaraka miaritra ny fana sy ny hatsiaka.
Miaraka misedra ny onjan’ny fiainana ;
Izaho no silakao sy sofina itarainana !
Raha tohina ny aty marary my afero !
Izay vainao rehetra ao tonga dia potsero ;
F’iarahana mizaka, iarahana tsaboina.
Izay tambavinao dia iarahana sotroina.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/efa-tany- | EFA TANY !... | Fredy Jaofera | EFA TANY !...
Efa tany aho saingy
tsy novohaina varavarana,
na dia teo nanarangarana
tsy mba nisy fitsaharana
fa tsy zanaka no anarana.
Efa tany aho saingy
natatatata ho hafetsena,
naverimberina ho harena
no namangiana ka nihena
'zay zotom-pon'ny tena !
Efa tany aho saingy
nahazo latsa tsisy farany,
nanama... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faniry-mamy-tantely/folaka-an-dantony | folaka an-dantony | FANIRY MAMY TANTELY | nitolefika mora
nanaraka ny onjan' ny
rivotr'ankaso
ilay raozy mpidola
sy reva-mpitondra
ilay foko efa babony
folaka an-dantony
natopany havia
natopany havanana
tsy refo-tso-py
fa gafy iray lalana
handavo ilay vony
tsy hiarina intsony
ilay tahony sisa
no io manariva
ny androny androany
teo an-dasim-pira... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ventsonny-manina | Ventson'ny manina | Nalison Randrianaivo | Ventson'ny manina
Eto amorom-parihy
Injany rano mikoriana
Zatra teo anilan-tiana
Irery mangingina
Mandinika iry
Faravodilanitra
Mamiratra mahafinaritra
Any mantsy izay ilay tiako
Ilay hany mba niriako
Mahatsiaro anao aho izany
Ny saiko no lasa any ho any
Tsy mandrimandry
Ny eritreritro mivahona
Izay sasat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/ho-anao | ho anao | M'art-son Emmanuel | mino aho fa tsaroinao ny amiko
eny na dia dila ny fitia
nifanomezan-tsika tamin'izany
ra'namerina ireo tsy ahy,tsy tantiko
'lay dina hoe doria
tsaroiko tamin'izany eny tadidiko eny ihany ...
iny tontolo tsara tazana ariva amoro-pantana
feno ny embona anao,fa sento very maina
misento olona an-tratran'olon-kafa
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vivaldi/misy-andrimanitra | Misy Andrimanitra. | Vivaldi | Noharoharoin'ny fiainana mivadika,
Nanary ny avo noheverina ho toky.
Noesoesoin'ireo avandavitra ka,
Nanadino ireo tenipikasana navelan'ilay Zoky.
Nesoriny antsaina f'izy zava-boary,
Na ory na salama dia namboarin'Janahary.
Nanan-tena ho zavatra ka nitsambiki-nikipy,
Very lalina tokoa vao njay tonga saina.
Ry ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faniry-mamy-tantely/poeta-a | poeta a! | FANIRY MAMY TANTELY | poeta a!ianao no kanovo mpitety ny saha
sy motro hamasahan'ny soratra kanto
mpitatitra ny herin'ny aingam-panahy
dia ilay loharano mikoriana tsy miato
zinaranao ny akon'ny vetso maredona
izay rivo-pitia mahery fitsoka
mahatonga ny peninao mbola hitrebona
sy ny ranomaintiny hipololotra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fararano | FARARANO | Fredy Jaofera | FARARANO
Masoandro migaina
no mamely ny aina,
ranomasina manga
no indro mitranga.
Feom-borona vitsy
no misioka mihitsy,
manaitra eny ihany
hiravo eto an-tany.
Ny, hoe, torapasika
hita ho midadasika,
mbola olona maro
toa mifangaroharo.
'Reo ankizy mifaly
hatramin'ny omaly
dia mahay milalao
tsy ahitana ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-lainga | NY LAINGA | Fredy Jaofera | NY LAINGA
Manainga
hitony,
lehiroa ;
ny lainga,
mamony
fa tsy mamoa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tanjonamickael/tia-aho | tia aho | tanjonamickael | Fitiavana iray tsy nojerena
No injao mitaraina mahonena
Fo iray izay mitoloko
No mitomany sy mifokofoko
Fitiavana modian-tsy hita
Nefa indrao mitatabataba sy masiaka
Fo iray navela hitalaho
Nefa tsy mba noraisinao
Asa re fa dia nahoana
Ity foko no tsy mety moana
Fa miatsoantso anao hatrany
Manantena foana ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zavatra-iray | KINTANA | Fredy Jaofera | KINTANA
'Zao no kinta-mitahy
raha toa te hahay
ny sarotra afenina
eto aza angamba :
ny hatsaram-panahy
dia zavatra iray
ren'ny marenina
sy hitan'ny jamba. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss/fihavanana | Fihavanana | Avoss | Tsara Ny Miray Hina
Satria Manjaka Ny Firaisankina
Manjaka Koa Ny Fihavanana
Mifankatia Daholo Ny Ao An_tanana
Ny Firaisankina No Hery
Izay Misaraka De Very
Raha Tsara Ny Fisainana
Ary Misy Koa Marimarikiraisana
Dia Minjaka Ny Fihavanana
Mifankatia Koa Ireo Havana
Valala Maro Tsy Vakin'amboa
Ny Fialonana Rh... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.