url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/any-izao-ianao | any izao ianao........ | dafa | Any izao ianao,any ambadika tsy tazako any
fa akaikiko eto ihany.
Any izao ianao,mirana aok'izany
fa ny eto kosa,
atosikin'ny embona sy ny tsiaro mihavosa
dia mila handatsaka tomany......
.....any izao ianao,r'ilay mpisangy ny fitiavako
eny an'habakabako.
Any izao ianao,r'ilay mpively kanota
sy mpamandrika ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikalo-kanto/fahatsiarovana | Fahatsiarovana | Nikalo Kanto | Atsidrin'ny foko ny an' aloko tiana
Ny foko hono mantsy tsy mety mitony
Natsiaro narary fangirifiriana
Ka miaritra jaly misidina ambony
Asetrin'ny foko ,ny saiko tsy mino
Fa lasa nandao ty lay tokan'andraina
Voasarin'ny sento tsy mety hanadino
Fa lefiny anaty na mafy zakaina..
Nilaozan-tsakaiza ka manina irery
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zatra | ZATRA | Fredy Jaofera | ZATRA
Zatra hanihany
vao tafahaona
ny fo te ho any,
na tsy voataona.
Zatra hirahira
manala sento,
tsy mba arira
ka indro ento !
Zatra hafanana
mamelona ery
matoa tsy tana
ny aingako aty.
Zatra haitraitra
rehefa hafahafa
ka toa tsy laitra
raha tsisy tafa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/ho-an-i-eric-fou-hehy | Ho an' i Eric Fou ' Hehy | Ny tohaina | Aza manahy intsony !
fa efa nivavaka ho anao izahay ry dadatoa Eric
koa aoka ianao ho tony !
sitrana soa aman-tsara dia hifaly indray isika
satria tianay ianao
hatramizay , hatramizao
Aza manahy hoy izahay !
fa indro vavaky ny maro no solon' ny fou' hehy
izay nampitsiky anay !
isakin' ny hariva tamin' ny télé... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ho-anao-irery | Ho anao irery | Nalison Randrianaivo | Ho anao irery
Ny antom-pisiako eto an-tany
Dia ny hitia sy ho tiavinao ihany
Fa raha toa ka tsy izany velively
Dia naleoko ihany tokatokan-drery
Fa ireo androko sisa any aoriana
Dia nataokako ho anao ry tiana
Eny, Ho anao irery tsy misy fetra
Ny aiko, ny foko, ny fitiavako rehetra
Fa ianao ilay safidin'ny foko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-hitia-anao | Ny hitia anao | Nalison Randrianaivo | Ny hitia anao
Ny hitia anao ihany
No nisiako teto an-tany
Ka raha hifarana androany
Dia aleo aho handeha izany
Handao ity tany be an-kaso
Feno alahelo sy ranomaso
Fa efa vita izay nilaina ahy
Ka aleo handeha aho raha tsy mampanahy
Raha toa ka hoe tapitra
Ity tantara tsy tratra antitra
Tsy tody ilay mandrakiz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/voady | Voady | Anj'art Nantenayna | Efa nekenao ry foko.Izay hitia anazy.Dia ekeo ihany koa ry saiko.Izay hanaja azy
Fa tany mantsy izay . Nifampilokaloka. Dia avy eo ve tsy hita indray. Izay mifampihondana
Notolorana fitia izy. Ka tolory voninkazo koa. Tianao mafy izy . Ka hajao koa ny safidy
Ny foko no hafarako. Mba hilaza zany. Mba tsy hanenenany. ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/fahazazana | Fahazazana | Anj'art Nantenayna | Mitahiry sombompiainana ato ampoko
Izany andro fahazazana
Fony zaho miakanjo mavo sy maloto
Mibongo tsy mahafantatra hafanana
Fa nanosika biriky
Nitaingina kalesa
Kivarivary sy tanisa
Sy ny ambiny rehetra
Vao tonga ny amin iray
Avy any ampianarana any
Apetraka ny kitapo
Ka lasa mienjy any antsaha any
Dia ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/afom-pitiavana | Afom-pitiavana | Nalison Randrianaivo | Afom-pitiavana
Na dia firifiry taona, aza no nisarahana
Dia toa ianao foana, re no mibahana
Efa niezaka ery, ny hanadino anao
Saingy indrisy akia, tsy mety miala ao
Ilay fitiavako anao, hatramin'izay
Toa tsy mety mankalao, ny fo sy fanahy
Efa nandalo teo, ny tafiotra sy tadio
Fa tsy nampitoreo, tsy nahafaty ani... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/taratasinolon-tiana | Taratasin'olon-tiana | Nalison Randrianaivo | Taratasin'olon-tiana
Ho anao ry tiana
Mino aho fa salama ianao
Mamaky izao taratasy izao
Izaho manoratra aloha salama
Fa malahelo foana mazàna
Mahatsiaro fa tokana irery
Tsy manadino anao velively
Taratasy nalefako anio
Raha voaray dia mba valio
Fa malahelo aho matetika
Rehefa iny masoandro milentika
Hatsia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitia-vita-sedra | Fitia vita sedra | Nalison Randrianaivo | Fitia vita sedra
Impiry moa ry tiana
Nandalo fijaliana
Nandalo fiafiana
Alahelo sy tomany
Adiady sesi-lany
Hirifirin'ny hatsiaka
Hafanana be mandoro
Ity fitiavan-tsika
Kanefa mbola mijoro
Impiry moa malala
Ny esoeson'ny mpankahala
Ny fanara-tsian'ny tsy tia
Te hamotika, handrava
Handrombaka ilay fitia
Sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fetinao-androany | Fetinao androany | Nalison Randrianaivo | Fetinao androany
Malala a
Fetinao ny anio
Ka etsy akipio
Akipio ny masonao
Tolory ahy ny tananao
Fa andro iray miavaka
Izao anio izao
Ka iny misy firavaka
Atolotro ho anao
Firavaka kely
Rojo volamena
Hianao irery
No azoko homena
Homena azy ity
Fa rojon'ny fitia
Misalotra fitiavana
Ka raiso moa rahavana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/reny-lafatra | Reny lafatra | dafa | Neny a!
vahotra ny vavako
voafatotra ny lelako
ka aleo ity rango-pohin'ny fanahiko
no hisolo ny tenako
hiarahaba anao.
Neny a!!
hafa loatra ianao
raha mbola vehivavy.
Ianao ilay sariaka lalandava
sy tia mivazivazy.
Tsy hita soritra eny amin'ny tava
ny hakivianao
na ny hadin-tsaina
izay mahazo anao.
Ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/mpanjono-andranomasina | MPANJONO ANDRANOMASINA | Doloïer | MPANJONO ANDRANOMASINA
(fiainan'ny Malagasy)
Mirefarefa ao andrefana ny masoandro
Mitady ho rakotrin'ny haizina ny andro
Endray ! Izany fiantompatompan'ny riaka
Eny amoron-dranomasina
Amin'izato Ririnina tena mangatsiaka...
Mpanjono roa na telo no manosika ny lakany
Hatositosikin'ny Herim-pony ,ny Herim-tsainy,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/miandry-fitia-avy-aminao | Miandry fitia avy aminao | Nalison Randrianaivo | Miandry fitia avy aminao
Ity foko tsy mety mitony
Mitebiteby tsy mety mianto
Toa tsy hay atao hoe ajanony
Fa mibosesika mafy izy ato
Miboletra no sady mitroatra
Maniry anao ka te hivoaka
Hiantsampy eny am-ponao eny
Ity foko toa manirery
Tsy mba rehinao akory anefa
Izay fitiavako miantefa
Mandondona ao am-bar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/feno-hasina | Feno hasina | Anj'art Nantenayna | Tsy mba nataoko anarampaona.Na hanesoana anao.Na hanalana andro. Na handanimpotoana
Tsy mba kilalao. Fa tena tiako ,tiako ianao rahavako. Tsy aiko aiko atao ankilabao.Ka hanafenako ny fitiavana
Babonao tanteraka aho.Potika sy toro . Matokia fa tsy mba hiova loko. Tia anao doria |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sergio-rf/ry-malagasy | Ry Malagasy!! | sergio RF | Ho aiza ianao ry MALAGASY!
Izay varim-pandrosoana
Ka tsy mihevitra ny ho avy
Noho ny fanatontoloana!
Zary dify ilay fitiavana
Nanamafy fihavanana
Fa nosoloina sehoseho
Toa milaza oe hatreo!!:
Ny azafady, ombay lalana
Zary tantara fotsiny hiany
Tsy hita intsony ny ankalana
Fa ny tsy manana no ambany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ho-ani-neny | Ho an'i Neny | Nalison Randrianaivo | Ho an'i neny
Fetinao ry neny
Fetinao ny androany
Ka etsy misy teny
Mitory teny mamy
Ho atolotro ho anao
Izao an-kehintriny izao
Neny a
Efa reraka ery
Izato ianao ry neny
Nitaiza anay tety
Nananatra, niteny
Ka ho vali-babena
Atolotray ho anao
Dia ny fahendrena
Sy hankatoa anao
Neny a
Ianao sy i Dada
Il... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/tsiaro | Tsiaro | kanto sarobidy | Nangoraka ngamba ny fony nahatsiaro
Fa efa hatry ny ela no tsy hita nandalo
nandao ampahanginana ,ialan-tsorisory
K'iverina indray ampizioga ampahory
Nitsetra mangina ny foko tomany
Nandraiky marary, nijaly aok'izany
nialany amboletra...nalefam-piteny
Kanefa tsy ahoany avokoa izy ireny
Nefa zavatra tokana kely... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/raha-mba-fantany | raha mba fantany.. | kanto sarobidy | Tsy afeniko ny marina, fa mbola tia ny foko
Ny neniko ho tafarina ,ampisinda ny toloko
Tiako raha fantarina ny tena ao am-pony
Ekeko sy toavina raha tia na tsia intsony
Malala niangaliko izy fony teo an-tratrako
fitiavam-pifaliko nanala irony ratrako
Kalo am-pitsikina ,tsy foiko na nandao
Tiaviko mangina,tsy ata... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/taratasy-ho-anao | Taratasy ho anao | Nalison Randrianaivo | Taratasy ho anao
Ho anao...
Ho anao ry malala
Ity taratasy ity
Ataoko ianao fa salama
Eo am-pamakiana ity
Any...
Izaho akia salama tsara
Eto ampanoratana
Kanefa mila ho adala
Satria ianao tsy mba tazana
Tsy mba re akory
Tsy ahitam-baovao
Na faly ianao na ory
Tsy mba re avy aminao
Fa misy inona?
Sa misy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-hatsarana | Ny hatsarana | Nalison Randrianaivo | Ny hatsarana
Ny hatsarana
Matetika mazàna
Hidoladolana
Ireo manana azy
Sy tia manal'azy
Ka mety hanimba
Ny tena indraindray
Indrindra ireo singa
Raha tsy mahay
Mitandrina ianao
Ho simba ny ho avinao
Ny hatsarana
Na bika io na endrika
Tsara mahatamana
Hita fa mendrika
Dia maontina fitafy
Tsy miantsiants... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/i..neny | i..Neny | kanto sarobidy | Nitondra ny mangidy naharitra amam-bolana
Nibaby ireo tsy laitra,nizaka koa ny olana
Nientrina ny tava, nibedy raha niteny
Fa tena kely ireny miotran'ny fitiavan-dReny...
Nitaiza nanabe,nanome izay nilaina
Nikaroka ny soa izy,ka nanamafy saina
Mba entina hampandroso ity zanany mitsiry
dia mbola i Neny ihany no n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sergio-rf/izy | Izy... | sergio RF | Hazavana anaty haizina
Hamamiana anaty ngidy
Hafaliana tsy nampoizina
volamena sarobidy
Zazavavy toy ny raozy
Maniry eo an-jaridaina
Miravak'eo ambony vazy
Mampilamina ny saina
Ny fitsikinao izay kanto
Ny enrikao toa bikaina
Ny feonao izay milanto
Ianao angamba ilay Andraina
Ka feno loaatra izany foko
feno... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/leo | LEO | Fredy Jaofera | LEO
Leo fahantrana,
ny vahoaka re, olona,
ka aza igagana
raha mitohy ito tolona.
Leo fahakiviana
tsy omby tratra marina
ka feno fitakiana
maro be sy toa nitarina.
Leo faharetana
tsy ahita-mangirana
ka andrafetana
tontolo mahamirana.
Leo famafazana
lainga hatrany hatrany
ka izay tatazana,
zakao fa tody i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manankarena-mahantra | MANANKARENA MAHANTRA | Fredy Jaofera | MANANKARENA MAHANTRA
Jereo ny kibo noana
velombelom-poana
nefa re ny firenena,
injao manankarena.
Jereo ny fahantrana
tsy mba hay ialana
nefa re ny firenena,
betsaka andramena.
Jereo ny ady mafy
manery lava hihafy
nefa re ny firenena,
tsy ory volamena.
Jereo ny hasasarana
tsy inoana hifarana
nefa re ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mino | Mino | Nalison Randrianaivo | Mino
Tiako a
Mino aho fa hisinda
Ireny fijaliako
Irony fahoriako
Tsy tan-kilanao
Hatr'izay irony
Tsy hisy intsony
Na ny adin-tsaina
Vao mifoha ny maraina
Mino fa hiala
Fa tonga ianao ry lala
Ataoko fa ho sambatra
Ho tonga tena lafatra
Irony hafaliana
Anilanao ry tiana
Mino aho fa ho toa
Ilay fiarahan-t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tso-drano-mbola-tia | Tso-drano mbola tia | Nalison Randrianaivo | Tso-drano mbola tia
Etsy ry malala
Etsy mandehana
Ambarao aminy
Fa ianao no tena maminy
Tsy foiny velively
Ny fony anao irery
Koa ndehana tiavo izy
Aza avela ho kivy
Fa mbola tia anao
Tsy mahafoy anao
Ka sao hamoy fo
Aminao izy iny
Izay tena tia tokoa
Ianao irery no tiany
Etsy ry malala
Etsy mandehana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/fitia | Fitia | kanto sarobidy | malala ah,
Tsy misy olombelona tsy misy fihentanana
Tsy misy izany fiainana tsy misy fiovana
Tsy misy fo mitambatra isaraka anarana
Fa misy ny fitiavana na gejaim-pahotana...
Misy fisentona raha mbola fo mitem-po
Misy ny alahelo fa ao koa ny fitiavana
Misy tsindrin'alo fa serana amin'ny sento
Fa tsisy fo maditr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nikalo-kanto/tsy-hampaninonazy | tsy hampaninon'azy | Nikalo Kanto | Tsy hampaninona azy ny fandaozanao ny fony
fa ampy manontolo ny toloko rehetra nisy
Tsy hampaninona azy ny tsy ahita anao intsony
Fa feno kosa ny aminy ,hatreo ny teny indrisy
Fa tsy hampanino koa no tsy hampanenin'azy
Raha ny vitany rehetra, nataony t@fo
Fa tsy hampiverina azy, raha izay fitia kivazivazy
Na tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/mivavaka-ho-azy | Mivavaka ho azy.. | kanto sarobidy | Tompo ô,
Tsy hanome tsiny raha toa aho manontany
Fa mafy sy tsy laitra ny fiainana eto an-tany
Anatiny aok 'izany ity fo miriaria
Henoy ny vavakay ry Raiko be fitia..
Tsy tonga mba hitsara,satria tsy anjaranay
Na mioloka mafaitra,mangidy sy mamay
fa kosa hitalo, hangataka aminao
Ny sitrapo toavina ,izay rehetra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/nofinofy | Nofinofy | kanto sarobidy | ireo visavisan-tsaina sy vetsovetsom-po
izay novolavolaina na dia mbola tsy ary koa
dia efa nataoko ho azy fony aho nilazalaza
fa tojoiko izany rehetra izany foiny fahazaza
ireny lokaloka nanambazako fahiny
dia mbola ato anatiko inoako koa ho tiany
ireny toky voadradra foiny teny ampampiarahana
ho atokako azy ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/gaboraraka | GABORARAKA | Fredy Jaofera | GABORARAKA
Tsy mirindra
ny fiainam-pirenena,
io indrindra
no zavatra tsy ekena !
Tsy misosa
ny asa atao rehetra
ka miavosa
ny kiana tsisy fetra.
Tsy mihatra
'zay lalàna marina
ka dia zatra
sy tsy hita anarina.
Tsy miseho
ny mety lalandava
ka dia jereo
ny olan-tsy misava. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/justin-tahirisoa/aza-namako | AZA NAMAKO | Justin TAHIRISOA | AZA NAMAKO…!
Raha mbola miavosa
Ireo lokom-posafosa,
Mahazatra anao ambieny
Ka ataonao eny ho eny
Sy an-katakonana any,
Ry sakaiza tsy manjary.
Dia…
Satriko tsy hifandray
Ilay tady nampiray,
Goragora mankaleo
Tiako ho tapitra hatreo;
K’aza namako aloha!
Raha maloto ny ao an-doha. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitoriana-sy-famaliana | Fitoriana sy famaliana | Nalison Randrianaivo | Fitoriana sy famaliana
L: He ry tovovavy
Mba etsy kely anie azafady
Tsy izany akia fa izao a
Ny foko tia anao
V: Miala tsiny azafady
Fa tsy makany ny angady
Fa be vato ny tany
Ka miala ianao any
L: Aza atao an'izany moa
Fa izaho dia tokampo e
Izay fitiavana toy ny siny
Hajaiko foana ianao ho virijiny
V: Az... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lay-anja/fo-mahantra | Fo Mahantra | Ankamantatra | Mahantra ilay foko
rehefa mba mitia
fa toa misalasala
te haka ny anjarany,
Kanefa na ny lahatra
tsy mamela azy hitia
tsy mamela azy hifidy
izay mba tokony sahazany.
Mahantra hoy aho 'lay foko
fa toa tsy mba afa-manoatra
na mba te hanana
izay iriany sy mba kanto,
Angamba koa resin'ny fahantrana
ka tsy mba a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fakam-panahy | Fakam-panahy | Nalison Randrianaivo | Fakam-panahy
Fakam-panahy
Manintona tsy nahy
Manova ny fanahy
Vetivety monja
Mamaha ireo fonja
Ny fitiavana marina
Avy dia angalarina
Fakam-panahy
Matetika ka sahy
Mandrombaka ny hafa
Mamono mamafa
Irony fitiavana
Nokoloina ho mavana
Fa hery hafahafa
Mamadika ny rasa
Ka raha tojo izany
Angamba...
Ho r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/anatra | Anatr'i dada | kanto sarobidy | Banjino ny hoavinao,hoy izy nanamafy
Fa tsy mora ny mitaiza tena anaty fahalebiazana
Tandrovy ka tohano tsy hahazo anao ny gafy
Hoy dada raha nananatra ny tena fahombiazana
Tsy mora letsy io fiainan'io ,izay no ambeti-teniny
Meteza ialahy hitraka foana ary koa mijoro
Fa raha ny zava bitany ny tsara sy ireo neniny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/tononkalo-betsimisaraka-volanga-aminazy | "Tononkalo Betsimisaraka " VOLANGA AMIN'AZY ZANAKO | Doloïer | VOLAGNA AMIN'AZY ZANAKO
(koragnan-dreny amin'ny zanany)
Volagna amin'azy zanako ,fa atsika mijaly
Aza hasitrik'azy ,fa tafotragnotsika tsy daly...
Jirontsika tsy JIRAMA ,fa jiro kapoaka manahiragna
Tsy table fa ambony fanambanagna mihinagna...!!
volagna amin'azy fa atsika mahandro amin'nah hazomaty
Vary,tsomanga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/akanga-tsara-soratra | AKANGA TSARA SORATRA | Fredy Jaofera | AKANGA TSARA SORATRA
Ny akanga tsara soratra,
manaitra anay mpandalo
fa kanto iray mpamokatra
ny ainga maro hampikalo.
Ny akanga mahavariana,
mahafinaritra eny foana,
mamoha ho azy fifaliana
vao seranina raha moana.
Ny akanga mahafanina
mampidoboka aok'izany
ka na aiza, mahamanina
sy mandefa ny vinany.
Ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/mitandrema-poeta | MITANDREMA POETA | Doloïer | MITANDREMA POETA
Poeta :
aza mirehareha amin'izay vitanao
Aza midera tena ho mahay
Fa ireny tilikambon-taratasy natsanganao
Mety ho kila sy May..
Ka dia fafan'ny tantara tsy ho anisany...
Poeta :
Aza manandra-tena ho ambony
Aza miloa-bava ho zavatra
Fa Sao dia hosoloany
Ilay nataonao fa Tonga lafatra
Ka dia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hampiaraka | Hampiaraka | Nalison Randrianaivo | Hampiaraka
Malala a
Tiako loatra ianao
Toa sambatra ery aho
Mitoetra anilanao
Toa mientana sy ravo akia
Izany foko tia izany
Eto anilanao ilay tia
Ilay mamiko eto an-tany
Hany ka lasa naman-tsika
Ireto natiora sy voary
Izay vavolombelon'ny fitiavan-tsika
Avy amin'ilay Ray Nahary
Hitanao malala a
Tsarovy f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitia-tsy-tanteraka | Fitia tsy tanteraka | Nalison Randrianaivo | Fitia tsy tanteraka
Nahoana loatra re?
Nahoana re rahavako
Dia vitanao ve?
Ny nampirafy ny fitiavako
Izay siny tokam-po
Tsy mahalala afatsy ianao
Ka nararaotinao tokoa
Natao kilalao
Tsy nampoiziko ho ianao
No handratra izany fitiavako
Hay tena sahinao
Ny nanitsaka ahy rahavako
Ka etsy ary fa tanteraka
Ire... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vody-sobika-ny-vody | VODY SOBIKA | Fredy Jaofera | VODY SOBIKA
Ny vody sobika,
manan-tandrify,
na hitantsika
fa ratsy nify.
Ny vody sobika,
tsy diso anjara,
na ratsy bika
sy maramara.
Ny vody sobika,
tsy very lalao,
na mety adika
fa osa be izao.
Ny vody sobika
ka misy mpitia,
na entin-driaka
sy very tabiha. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/torimasom-pitiavana | Torimasom-pitiavana | Nalison Randrianaivo | Torimasom-pitiavana
Efa be ireo nitory,
Fitiavana tamiko:
Saingy mbola natory;
Ny fitiavako rahavana,
Tsy nisy tiako akory
Tsy nisy mba laniko
Ireo ilay lehilahy
Nitory fitiavana
Kanefa izao
Taitra ity foko
Izay tia anao
Raha iny ianao nisoko
Naniry ny hitoetra
Anilanao foana
Ny amiko rehetra
Mandavan-t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tia-anao-izy-11892 | Tia anao izy | Nalison Randrianaivo | Tia anao izy
Hitanao tsy miteny
Dia nararaontinao
Hanaovanao ireny
Ditra ditranao
Koa...
Nandefitra izy
Na dia hoe mangidy
Aminy aza izany
Dia niaretany hatrany
Ireo...
Vono sy latsa
Ireo fery sy ratra
Niaretany avokoa
Na dia mafy tokoa
Aza...
No niainany
Dia tsy nitarainany
kanefa...
Tsy tsapanao iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/tsy-sahy | tsy sahy | MiséVonjy | manahy tena tsy sahy
mangovitra mafy ry ray
ny amin'ny lalana ho aleha
fa sarotra sy mideza be
ka tena tsy sahy mandeha irery
fa tantano omeo hery
fa ianao lay fiarovako sy tokiko ry Ray
ilay manda vatotoko mandrakizay
ka rehefa eo ianao
dia mety avokoa izay atao
ka raha ianao no manilo lalana
dia ho rava i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/aza-avelanao | AZA AVELANAO.. | Doloïer | AZA AVELA
Aza avela ho vovo-bovoka sisa vao ho tadiavinao ny soratro
Aza avelanao ho fakofakon-taratasy efa tsy hilaina intsony vao tadiavonao ho VAKINA ireny rimarimako..
fa isakin'ny andalan'iny anie ee.. Misy ainga iray nientona tao anaty ALINA mangina
Nanaitra ahy resin-tory
Misy kalo nokaloiko tao anaty sent... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/tao-anaty-soratrao | TAO ANATY SORATRAO | Doloïer | TAO ANATY SORATRAO..
(atolotra hoan'i Zazangaly)
Tao anaty soratrao :
Nahitako rano velona mikoriana ambony vatolampy
Nahitako fanahy milomano anaty fahasambarana
Tsy ory havamanana,
satria : manana ny ampy..
Tao anaty soratrao :
Nahitako kalo iray nafenin'ny taona nifandimby
Nasitrikin'ny tany ho lova soa sar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/raha-lavitra-anao | Raha lavitra anao | Nalison Randrianaivo | Raha lavitra anao
Raha lavitra anao
Banga ny fiainako
Very ny fisainako
Iza no hitarainako?
Mitolokoloko irery
Mahatsiaro tena very
Ka ireo zavatra atao
Tsy misy raha manjary
Raha lavitra anao
Izaho maty mosary
Ireo androm-pifaliana
Niainako hatr'izay
Hiova ho fijaliana
Ho maloka indray
Io masoandro bali... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/laha-janahary | Laha-janahary | Nalison Randrianaivo | Laha-janahary
Rivo
Lala
Saholy
Lala: Izaho aloha rehefa lehibe dia hanambady an'ireny mpanambola be ireny sy ireny mpanankarena be ireny, Tsy mba hanambady izany izaho raha tsy ireny.
Saholy: Indry ity kia ka. Dia ahoana izany raha tsy hoe tsy izay no tonga eo, Dia tsy hanambady indry?
Sa hiandry izay olona manan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/tsy-mety | TSY METY | Doloïer | TSY METY
Rarako tsy hijery anao intsony ny masoko
Kanefa tsy mety fa mangala-pijery
Akimpiko mafy, dia hifafa ny lasako
Hay, tsy voafafako akory, fa mody miery...!
Tampenako tsy handre anao intsony ny sofiko
Kanefa tsy mitsaha-mitongilana
Zary manaitra ahy, any antsahan'ny nofiko
Hay, ny lasantsika iny tsy azok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/teny-malagasy | TENY MALAGASY | Fredy Jaofera | TENY MALAGASY
Ny teny malagasy,
tsarovy re ho sasy
no efa niandohako
ka hany fiafarako.
Ny teny malagasy,
mainka mahakasy
fa teny hafa loatra
afaka hampivoatra.
Ny teny malagasy
no laza sy mba asy
feno ny hatsarany
mamiko aok'izany.
Ny teny malagasy,
ataoko foana rasy,
fa harena sarobidy
katsahin'ity sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/olonny-fo | Olon'ny fo | Vetso mena | _ matoa ianao nitady fitia any an-kafa
Satria efa ela niriana, efa ela niandrasana
Kanefa ny eritreritrao, mbola aty Amiko
Satria ianao tia ahy, nefa tsy an-tsaiko
_ naleonao nitady fitia tany an-kafa
Mba hanolo lay fonao efa naratra
Fa lay fanantenana mbola voatazona
Hoe isika roa no hiaraka hanonja
_ matoa ia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tojo-anao | Tojo anao | Nalison Randrianaivo | Tojo anao
Iny aho handeha hivavaka
No indro nahatazanako
Tovovavy iray miavaka
Nifanitsy tamin'ny lalako
Topimaso indray nisoko
No nahitako ny endrikao
Nampitselatra ny foko
Avy dia nitia anao
Tampoka aho raha nijery
Tsy tazako intsony ianao
Teo vao hoy aho hoe very
Fa tsy hahita intsony anao
Ianao ilay mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ataovy-ho-fahatsiarovana | Ataovy ho fahatsiarovana | Nalison Randrianaivo | Ataovy ho fahatsiarovana
Malala a
Malahelo aho
Malahelo anao
Handeha tokoa ianao
Tsy ho tazako intsony
Koa raha mba sitrakao
Ilay sarinao hajanony
Hajanony aty amiko
Fa tiako sady mamiko
Sy ataoko fahatsiarovana
Hatsiarovako anao
Ataoko fanembonana
Rehefa malahelo anao
Iny re ry tiako a
Dia tehirizo tsar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/fetranny-faharetana | *FETRAN'NY FAHARETANA* | Doloïer | *FETRAN'NY FAHARETANA*
(hain-teny)
Hono ho aho RATATAMO
ay vé, sompatra 'lay dinam-pitia
" Raha faly miara manatrika
Raha tezitra miara mihodina.. "
Ka dia rivotra kely mitopy dia mampiolanolana.?
Ny tokim-pitia nataonao Rahavako
Nataoko tsy toko vato maro tapaka
Nataoko tsy toko hazo mora lô
Ay taolan'antitr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/noho-ianao | NOHO IANAO | Doloïer | " Tia ny vorona mihira aho, fa nandre anao nikalo" Dox
NOHO IANAO..
Babo ny hatsaranao ity masoko ity
Ka nivadika ho paradisa izato tontoloko
Ilay tontolo mahantra keliko, nefa feno fiti(a)
Ny fitiavanao,sy ny fitiavako : nanamaitso indray ny voloko.
" eh ! Toa nitsingerina indray ny taona ...
... Ilay taonan'i ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/fond-decran | Fond d'ecran | Anj'art Nantenayna | Adala ve ny foko . Mitepo sy maniry anao. Miseto mitomany , mitoloko. Raha tsy eo anilanao.
Adala ve ny tenako. Raha toa mitia anao. Tsaroako ho banga mantsy ny fiainako. Vao tsy mahita anao.
Feno laotra anao ny foko. Feno ny endrikao ny saiko. Ny anaranao no hany mba vetsoko. Mandrampa alina mangina !!!
Maro ny ol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/famoizam-po | Famoizam-po | Nalison Randrianaivo | Famoizam-po
Fa nahoana re ry tany
No nasetrinao tomany
Ilay tsikim-pifaliako
Teo anilan'ilay tiako
Nanjary fahoriana
Toa tsy misy fetra
Ireo androm-pifaliana
Sy ny androko rehetra
Fa nahoana re ry rahona
No nasetrinao vahona
Ilay masoandro mamy
Nanazava ity tany
Notakonanao koa
Irony volana baliaka
Izay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-amidy | AZA AMIDY | Fredy Jaofera | AZA AMIDY
Aza amidy i Gasikara
fa lovantsika etoana,
mba satry re ambara,
na tsisy fandrosoana.
Aza amidy i Gasikara
fa nosy mahafinaritra
hajaina fa efa anjara,
na toa voafariparitra.
Aza amidy i Gasikara
fa be harena ombieny,
na tsy ampy karakara
ho antsika lavareny.
Aza amidy i Gasikara
fa tany masina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/ny-mahantra | NY MAHANTRA | Doloïer | omby mahia, very namana
Olon'ory vitsy sakaiza "ohabolana malagasy
NY MAHANTRA
Tsy adalanay
Ary tsy safidy
Ny tsy hanandRay
Fa mifamahofaho ny mamy sy ny Mangidy
Tsy fanirianay
Ary tsy fanahy iniana
Ny tsy Fisiana
Fa indraindray ny fiainan'olom-belona be Antsojay.
Tsy malaina
Hiasa saina
Raha mahantra
Fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ho-tsiniko-ve | Ho tsiniko ve? | Nalison Randrianaivo | Ho tsiniko ve?
Ho tsiniko ve?
Ny handao anao irery
Handositra ny tavanao
Tsy hoe aho voatery
Fa tiako ho tsapanao
Ireo alim-pahoriako
Ireo andro niafiko
Tsy nahita-masoandro
Isan'andro isan'andro
Fa jaly no nangeja
Ilay masoandro tsy hivoaka
Tsy hihiratra sy meva
Homaloka tsy hipoaka
Fa mangidy loatra
Ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/omeko-anao-ny-volana | ****OMEKO ANAO NY VOLANA | Doloïer | ****OMEKO ANAO NY VOLANA ****
- Tiako ny volana fenomanana hoy ianao.
Dia lasalasa ny saiko.. :
"omeko anao ny VOLANA
halaiko hoanao ny kintana
Satria tsy ny vola no hananako
Tsy harena, tsy volamena...
Fa ny habakabaka no alaiko,
Ka volavolaiko
Hanoratako ny ANARANAO "
saingy hoy ianao: " tssss NOFINOFY 'zan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/honerako | HONERAKO | Doloïer | " Ny Ranomaso no latsaka dia ny ao am-po no be alahelo" Ohabolana malagasy
HONERAKO
Nisy erikerika niraraka
Vé nanamando ny masonao
Sa nisy alahelo tsy voasaraka
Koboninao ao anatinao ao
Ka nivadika tomany ?
Iny Ranomasonao Niraraka
Iny Ranomasonao Nipatrapatraka
Nipatrapatraka toy ny patrakalà
Dia honerako i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/te-hamangy-anao-ny-peniko | TE HAMANGY ANAO NY PENIKO | Doloïer | TE HAMANGY ANAO NY PENIKO
te-hamangy anao ny peniko.:
Na dia mivimbina hanitra maivan-danja aza
Na dia tsirin-kazo malemy, marefo toy nofon-jaza
Marisarisa kelikely aina..
Nefa
Te hamangy anao ny peniko :
Mahita ireny ranomasonao ka te-hiombokalahelo
Mahita ireny tsikitsikinao, ka te-hiombonkafaliana
Mahita ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/mbola-hotadiaviny | MBOLA HOTADIAVINY | Doloïer | ***MBOLA HO TADIAVINY***
- MBola ho tadidinao ny tambitambiny
Nefa tsy hahita intsony ianao
-MBola hiremby Ireny teny maminy ianao
Nefa izy efa sambatra any antoeran-kafa
Tiany ianao tamin'iny nefa ianao nihafahafa
Efa sitrana izy, izay vao ianao hamerina ny tafa
Saingy efa tsy tafa....
- Mbola hotadiavinao ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/aveoni-poeta | AVEON'I POETA | Doloïer | "Na tsy hino aza ny olona, ny marina vé hafenina" ohabolana malagasy
"AVELON'NY POETA "
INDRAY andro any
Ho hisy sombin'aina
Ho eny antokotany
Hifoha vao maraina
Hitetety zaridaina
Hiantsa tononkalo
Hihira sy hikalo
Ireto soratsoratro
Andalana tinoratro
ny kanto mba natolotro
Ka hifoha indray
Ilay poeta ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/laingolaingom-boaloboka | LAINGOLAINGOM-BOALOBOKA | Doloïer | " LAINGOLAINGOM-BOALOBOKA " (hain-teny )
Indrisy ,hono hoe : RAVOARATIANA
jere-mandina, amboloina manitra, nony virahina feno vitsika..
Tsy ampy tsy lany, sahala amin'ny vary be vato
Nataoko bodofotsy hanafana ririnina ianao
Kinanjo nitondra haofotsy hanaikitra
Nataoko fa zavona hahamasaka vary..
Kinanjo nanjary... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/mbola-hoavy | MBOLA HOAVY | Doloïer | " variana dia variana aho nitadidy antsika teto sy ny tafasirintsika " Dox in Eto an-davarangantsika.
MBOLA HOAVY
Mbola hoavy ny andro sy ora mangina
Ampanembona antsika ny andro efa lasa
Sentosento mangina sy minitra sina
Nohon'ny toerana sy anjara, ny lalana voarasa
Mbola hoavy ny andro sy sengodra tsy tana
Se... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/malala-tsy-foiko | Malala tsy foiko | Nalison Randrianaivo | Malala tsy foiko
Any izay ilay malalako
Tiako loatra anie izy iny
Ilay nofinidiko ho anjarako
Nofinidin'ny foko fahiny
Any izay ilay malalako
Tsy foiko anie izy iny
Fanilo nanazava ny lalako
Hatr'izay ka ankehitriny
Manina anao aho ry tiako
Ka mandefandefa vinany
Mba hanala ireo fijaliako
Ka alefako mankany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/ny-herinao-ry-fasana | NY HERINAO RY FASANA | Doloïer | NY HERINAO RY FASANA
Endray ! Izany alahelo
Ka ny any am-po mamelovelo
Fa mihangatra ny Fasana
Mitady hamendrofendro ny alahelony efa lasana.
AVERENO... Rafahafatesana
Raha mbola azo atao (...)
AVERONO.. ny malalany..
Hoy izany tonom-bavaka.(...)
Injay ! Mametsovetso ny alina mangina
Mifoha indray ny tsiaron'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/mitady-fitiavana-marina-indrindra | MITADY FITIAVANA MARINA INDRINDRA | Doloïer | "MITADY FITIAVANA MARINA INDRINDRA. "
Verivery ny saiko ka lasa ambiroa
Namantatra anao aho tetsy sy eroa
Lasalasa vinany, kanefa tsy akory
Ka dia ho alina fotsy aho, Isaka hatory ?
Taitaitran'andian'ankanga zareo
Babon'ny bikany sy hatsaran-peo
Tanora voahisondotro endrikin'ny saha
Kanefa maro-pitia sy maro-pi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/tolona-tsisy-herisetra | TOLONA TSISY HERISETRA | Doloïer | firy indray no maty
Vao hitsahatra ny ady
Firy indray ny haratra mafy
Sy ny rà hifafy.
Adinonao sahady ve ilay Omaly ?
Adinonao sahady ve ny 7 febroary ?
Amin'izao inona ny vokatrin'ny fitolomana
Aiza ilay "Vina " sy "ny tombotsoa iombonana"?
Saino ihany Ramalagasy
Saino ihany
Fa tsy ny ady no hanafaka antsik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tiako-ho-tsapanao | Tiako ho tsapanao | Nalison Randrianaivo | Tiako ho tsapanao
Tiako ho tsapanao
Fa banga ny fiainako
Tsy hisy hitarainako
Raha toa ka tsy ianao
Ka ireo androm-pifaliako
Nanjary fahoriako
Raha toa ka tsy ianao
Na ireo androm-piravoana
No indro fa handona
Raha toa ka tsy ianao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/matahotra-omby | Matahotra omby | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Nataoko ihany ny tsy hiteny,
Saingy efa tsy mety intsony ny
ataon'ny fitondrana.
Ny fanindrina ny ambany,
Sy ny fanaparam-pahefana!
Izay tsy amin'ny olona irery
intsony,
Fa efa miatraika koa amin'ny biby
fiompy.
Mampanontany tena mihitsy ny
zava-mitranga,
Mety hisy hidirany amin'ny resa-
pifidianana angamba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/doloer/-ny-hazo-maniry-ny | " Ny hazo maniry
Ny | Doloïer | " Ny hazo maniry
Ny tany ijoroany manjary Edena !
Kanefa mba firy
Ny vony maharitra mba hojerena"
Tao @ Ahoana, ry Foko !
NATAOKO TSY HIOVA
Nataoko tsy hiova
Ireny minitra niharana nikalo
Kanefa tsarova
Ny omaly sy anio de zava-mandalo
Ny tara-masoandro
Tsara fiposaka amin'andro maraina
Fa raha folaka n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tena-diso-tia | Tena diso tia | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Rehefa ny tiana no tsy tia izay,
Dia matetika mamaly,
Teny tsy voahevitra indraindray,
Ary mahavita mampijaly.
Rehefa ny tiana no tsy tia mihitsy,
Dia lasa mitsangana ho fahavalo
hiady.
Ho mpandatsa amin'ny zavatra tsy
mety.
Mety tena sahy mamela ho faty.
Rehefa ny tiana no tsy tia hatrany,
Dia milaza hoe "i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-tena-tia | Ny tena tia | Nalison Randrianaivo | Ny tena tia
L; Tiako ianao
Tiako tena tiako
Hiara-dia aminao
No hany faniriako
V; Izaho ve dia tianao?
Izao paoziko izao
Aty amiko daholo
Ny haratsiana manontolo
L; Tiako fotsiny ianao
Tsy misy hoe nahoana
Fa izay haratsianao...any
Vao maika tiako foana
V; Tsy mino an'izany aho
Iza koa no mba tia ahy?
Iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/haiko-tsara-ny-fitiavana | Haiko tsara ny fitiavana | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Diso ianao raha mihevitra,
Fa taraiky aho raha fitiavana.
Na koa vao mianatra mamindra,
Ka mila omena bahana.
Avy eo hosehana hidaraboka,
Sy hampiosonam-bovoka.
Raha mbola fitiavana no resaka,
Dia diso ianao raha mitetika
hanambaka.
Fony mbola zaza mantsy aho,
Tsy nisy fantatro ny fianana.
Fa ny zava-tokana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/vinam-pitiavana | Vinam-pitiavana | Nalison Randrianaivo | Vinam-pitiavana
Malala a
Ny tiako dia ianao anilako foana
Eny fa na aiza na aiza na inona fotoana
Fa ianao ihany no hany mahasambatra ahy
Ilay tokana an-tany sy silam-panahy
Toa tsy ho andriko ilay andro iray
Hitambaran-tsika ho tena iray
Fa satriko re androany dia androany
Kanefa indrisy mandrotsa-tomany
Na ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tiako-ianao | Tiako ianao | Nalison Randrianaivo | Tiako ianao
Tiako ianao
Tsisy hoe nahoana
Fa dia tiako foana
Tsy hoe tiako tiako
Fa tena faniriako
Eny, Tena laniko
Ianao ho ankaniko
Hitoeran'ity fo
Ilay lapanao soa
Tiako ianao
Tiako tsotr'izao
Hiara-dia aminao
No hany faniriako
Ka izay fijalianao
Dia ho fijaliako
Ny fararianao
Dia miatraika amin'ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhayman/tsiaro | Tsiaro | Rhayman Drac RH | ~Tsiaro~
_
To lasa nangatsiaka
Ilay noheveriko hoe hafana
Toa lasa maintimainty
Ilay noheveriko ho hazavana
_
Tsy mampino indraindray
Ny tantaran-tsika tsy voavadiko
Nankaiza ilay voady hoe:
"Ianao ho lasa vadiko"
_
Toa lasa nofinofy
Ary toa lasa rediredy
Zah tsy hiantso tody
Mahita fa tsisy bedy
_
Eke... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tery | TERY | Fredy Jaofera | TERY
Misy jery
tsy voafafa
raha nisoko
saingy tery
olon-kafa
ito foko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/gasy | GASY | Lova miar'shu | GASY
Gasy a! etsy anie ianao e,
tiako tena tiako ny fitafianao!
Gasy a!raha azonao atao
dia avereno indray ny fahamaotinanao.
Gasy a! tsara anie ny anarana isaloranao e!
nefa koloy ihany koa ny maha-izy anao.
Gasy a! raha toa sitrakao,
omeo hasina ny tanindrazanao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/nofy-mamy | Nofy mamy | Nalison Randrianaivo | Nofy mamy
Ianao ilay niriako
No tonga teo anilako
Ilay olo-tena tiako
Niriako mba ho silako
No nilaza fa tia ahy
Koa tsy nisalasala
Tsy amin'ahiahy
Niantso ahy hoe malala
Hafaliana aok'izany
Ny hafaliako
Fa tia ahy ihany
Ianao ilay niriako
Nifanoroka isika
Nifamihina ery
Tsy nahare hatsiaka
Samy nankafy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/satria-tsy-hofoana-ny-sento | satria tsy hofoana ny sento | Sento tokana | Sento malefaka
Tsy misy mamaly,
Olona efa ketraka
Toa mijalijaly.
Senton'alahelo
Tsy misy mandre,
Ilay fo mamelovelo
De mba ahoana re?
Senton'irifiry
Tsy misy mahita,
Ilay fitia mankadiry
Toa zary tsy tafita.
Sentom-pijaliana
Tsy misy ipetrahana,
Tsy mapatory ampadriana
Tsy mamela an-dalana.
Senton'ahia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/misy-tsy-azo-ekena | Misy tsy azo ekena | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Soa ny manana mpitarika,
Fa tsy ho diso lalana mihitsy.
Saingy ilaina fanovana,
Raha mpitarika ho amin'ny tsy izy.
Soa ny manana mpitondra,
Fa tsy ho baranahan'ny olona.
Fa rehefa izy no diso manapatra
fahefana loatra,
Dia tokony ho soloina.
Soa ny manana mpampianatra,
Fa ho feno fahalalana.
Nefa rehefa mivo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/a.j.r/fandresena | fandresena | A.j.r | fotoana tsy mba naitako.
zany antsoina we fitiavana.
Andro iray no namafako.
Lay salovanao rahavako.
Rah ny vita no jerena.
De naleoko tsisy iany.
mampitraotra,mahonena...
fa nisava anefa izany.
efa lasa izay ratsy.
fa nivoh lay sah edena.
ka ho azoko atsy ho atsy.
..lay amboaram-pandresena.. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/setrim-pitiavako | Setrim-pitiavako | Nalison Randrianaivo | Setrim-pitiavako
Ilay fo mba nanantena
Tsy holavina fa ekena
Kanjo indrisy re ry tany
Fa nolaviny ihany
Tsy tsapany ny aoriana
Fa ho ngidim-pahoriana
No nasetrinao rahavana
Sy setrin'ilay fitiavana
Ity fo dibo-pijaliana
Fa nolavinao ry tiana
Ilay fitia izay natolotra
Zary lasa tendro-molotra
Tsy mba mamy n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/sasa-miandry | Sasa-miandry | Nalison Randrianaivo | Sasa-miandry
Aiza ary ianao ry tiako
Fa malahelo mafy aho
Tsy tsapanao ny fahoriako
Ity foko mba mitalaho
Mila mafy anao hitoetra
Na ireo androko rehetra
Tsy maha eo ianao
Dia hirifiry fijaliana
Sasa-miandry anao ry tiana
Malala a. Aiza re ianao e
Fa mila anao izany foko
Izay sasa-miandry anao
Ka nanjary n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiniaina/nankaiza | nankaiza | Tsikiniaina | NANKAIZA?
Nankaiza ireo vorom-pisioka
Mpiredona ny vazon’ny ala
Nankaiza fa toa tsy hita hita
Sa tojo toerana nahatamana
Nankaiza ireo felan-tatamo
Voninkazo haingom-parihy
Eny fa na dia ilay rano
Toa foana tsy misy izy ity
Nankaiza ilay hazo naniry
Fialofana fialana sasatra
Toa solofony sisa mitsiry
Fa no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/any-ianao-ry-tiako | Any ianao ry tiako | Nalison Randrianaivo | Any ianao ry tiako
Any ianao ry tiako
Ilay tokana aman-tany
Nanjary fijaliako
Nandrotsa-tomany
Ilay endrikao tsy tazana
Ilay tsikinao rahavana
Dia tsy hitako banjinina
Tsy hita ho fihinina
Any ianao ry tiako
Ilay mamiko indrindra
Ilay toky nofidiko
Iray tsy afindra
Nievona aho matetika
Mahatsiaro ahy iana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tiako-nefa-halako | Tiako nefa halako | Nalison Randrianaivo | Tiako nefa Halako
Tiako ianao, nefa halako
Faniriako, tsy ho malalako
Fa ity saiko no adala
Mitia nefa mankahala
Tiako ianao, nefa tsy aiko
Izay teny ho lazaiko
Te hitia nefa mankahala
Te handao, te ho malala
Tiako ianao, nefa akory
Te hifoha aho, te hatory
Tia anao aho, mankahala
Tsy te hiantso anao malala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/baraingo | Baraingo | Ra'Ony | Raiso anohatrohatra ny amin'ilay fitia
teto ianao mba tiako dia hoe nakako fy??
ampitso ianao hafoiko fa rava ny doria...
dia velontseto teo... izao angaha no tia??
Nefa anie tsy very fa nisinda, naka saina
nanorina hery ndray, hikiry sombiniana...
fa ny mitia anao hianarako hisan'andro
ny tanjoko ho anao?? miho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/taiza-ho-aiza-teto-no-ni | Taiza ho aiza teto, no ni | Ra'Ony | Taiza ho aiza teto, no nisy fo nilaozana
ka velona fisaorana fa lasa ilay malala
na dia hoe nahalala ny antony nandaozana??
na hoe dia mandram-piaona tsy hisy anie ralala??
Taiza ho aiza teto no tsy nisy ranomaso
fa hoe dia nisy antony nadona aty fo??
na setrasetran'ny ankaso nahazoana valisoa
fa ny amin'izy re... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/a.j.r/kanto-loatra | KANTO LOATRA | A.j.r | Takariva diavolana,
Ora fatorian ny fody.
Arivariva an tanin olona,,
Manimanina te hody.
Izany hakanton ny tontolo,
Izay narafitry ny ala.
Izany ka ambanivolo,
Fa tsy misy mpahalala.
Trano bongo,trano tany,
Nodidinina zozoro.
Ny natiora hatrany hatrany,
No mameno ny tontolo.
Mankasitraka t@ ny fotoana mbola... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tompo-tia | Tompo Tia Ianao | Nalison Randrianaivo | Tompo tia ianao
Tompo ô! Tompo tia ianao
Satria tsy mahay mandao
Na andro fahoriana
Dia ianao eo foana
Hanome fifaliana
Hiala ny saona
Na amin'ny ady sarotra
Izay tena mandrakotra
Ny fiainan'olombelona
Miaina ety ambon'ny tany
Dia ianao ilay vavolom-belona
Mahita hatrany hatrany
Fa na izay miafina tsy ho h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ynovirahimam-randriamalala/ny-sisa-anao | NY SISA ANAO | R.N Randriii | Ireny sora-tànanao
Mbola ao hatramin' izao
Izay momba anao anefa
Efa voafafa tsisy tafatoetra
ny fahatsiarovana anao no mbola ao
fa raha ny foko efa tofoka sy lao
Ka aleo ho tantara ny amintsika
Tsy asiako feony, tsy asiako dika
Tsy ho levona raha ireny
Ilay tantara feno mistery
Ka aleo omena ny hafa
Ho sitr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/resaka-aoka | RESAKA AOKA | AbouNusrayni | RESAKA AOKA
Aoka kely izay ry fody an’ala
Ny fihinananareo ny varim-bahoaka
Izahay izao efa tsy te hahalala
Ny baombanareo efa tsy mampitsoaka
Ny hifandrefy hery efa tsy mapisala
Ianareo rahateo efa tsy misy apoaka
Ny fidiranareo tamin’ny makarakara
No hampivoaka anareo koa amin’ny kiloadoaka
Izy ity tsy resak... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.