url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/sao-dia-tsy-rariny | Sao dia tsy rariny | Nalison Randrianaivo | Sao dia tsy rariny
Malala a, Sao dia mba tsy rariny loatra e
Sao mba tafahoatra
Ity ataonao ahy
Sao mba tsy mety lahy
Ila ho isan'andro
Tsy maraina tsy hariva tsy atoandro
Dia izao foana
Rehefa mba miaona
Atezerena lava reny
Izany raha miteny
Endrikendrika saina ratsy
Ka mila tsy ho tanty
Mila tsy ho zakak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/voady-mariazy | Voady mariazy | Nalison Randrianaivo | Voady Mariazy
Eto anatrehan'Andriamanitra
Sy ny tany sy ny lanitra
Fa Izaho dia manaiky anao
Ho vady andefimandriko
Mandrakizay doria
Ka tolorako ity
Peratra ny fitia
Pera-mariazy
Fa tsy hanao vazivazy
Fa vonona hitia anao
Na amin'inona na inona
Ary tsy mba ho lao
Tsy hanao tsinontsinona
Vonon-kanaja anao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-anjara | Tsy anjara | Nalison Randrianaivo | Tsy anjara
Malala a
Aza tsiny indrindra
Raha toa aho hifindra
Ka hanapaka ny tady
Manao azafady
Fa hiova vaovao
F'efa tofoka sy lao
Ny fitia kilalao
Teo anilanao
Aza omena tsiny
Fa hanadino ny fahiny
Hamafa ireo lasa
Ka aza arahin-datsa
Fa tantara tsy hitohy
Ka aleo re afoy
Aza arahin'alahelo
Ireo tsia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/hafatrafatra | HAFATRAFATRA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | HAFATRAFATRA
Etsy ianao hafarako,
ry namako lasa any ho any
mila anao ity gasikarako
Izay miaina anaty jaly
ka mila anareo hiverina
mila anareo himpody
fa mitady hitamberina
ny tsiny sy ny tody
etsy ianao hafarako
ry mpivahiny an-tanin'olona
f'ity tanindrazana malalako
toa milomay anaty tolona
ka mila anao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lay-anja/hanadino-anao | Hanadino anao | Ankamantatra | Raha ny foko sy ny saiko
tsy ho voafehiko tsy hitia
Tsy ho vitako ry aiko
ny tsy hieritreritra an-dry
Efa niezaka aho namafa
ato an-tsaiko ny momba anao
Nefa toa vao mihalalim-paka
ny fitiavako anao
Ny hany sisa azoko atao
dia ny hanadino anao tanteraka
Fa ny amiko sy ny aminao
angamba tsy ho tanteraka
Na h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/satry-foana | Satry foana | Nalison Randrianaivo | Satry foana
Satry foana re ry aiko
Satry foana ho lazaiko
Holazaiko foana anao
Eny, Tena tiako ianao
Toa tsy reraka ity vavako
Manambara izany fitiavako
Satry foana ho tenenina
Satry foana averimberina
Satry foana re ry tiako
Satry foana anilanao
Amin'andro fahoriako
Ary koa ny fifaliako
Satry foana ho eo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/hery-tsy-mitovy | AVOTRA HO AN'NY TANIKO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | Ry Malagasy namana!
etsy mitolòma
ary aza hadonoina
ireny rà nandriaka
noho ity tanintsika
takio ny fahamarinana
lefero ny fahanginana
ary mijoro hatrany
fa mizioga loza ity tany
ary ireo lasa nodimandry
moa tsy heri-tsandry
no fitaovana nampiasainy
dia natolony ny ainy
ho fanavotany ny taniny,
fa ny tet... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tantara | TANTARA | Fredy Jaofera | TANTARA
Tantara ny vita,
ry olo-nandalo,
matoa aho nita
fa dia natakalo.
Tantara ny lasa
ka hafa ny anio
fa be ny kinasa
tsy misy tadio.
Tantara ny toky
ka fiainam-bao
no eto mamoky
ny zavatra atao.
Tantara ny fery
niarahana lava
ka any sy very
nisolo Mazava. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-handao | Tsy handao | Nalison Randrianaivo | Tsy handao
Malala a. Tena tiako ianao
Ary izaho tsy handao
Na fahoriana na fijaliana
No hiainanao
Dia izaho tsy handao
Eny, fa na mangidy tena mafaitra
Tsy jereko izay takaitra
Fa izaho foana anilanao
Ary izaho tsy mba ho lao anao
Tsy handao anao
Vonona aho hisedra
Hamaha izay mangeja
Vonona tsy ho lao
Ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ynovirahimam-randriamalala/ho-tsininko-ve | HO TSININKO VE? | R.N Randriii | Ho tsiniko ve?Raha nifarana izao
Ekeko ianao fa tia ny ahy no tsy fantatrao
Safidiko ve ny nandao ka hamarana ny antsika?
Ka ho tsiniko ve?Raha hilaza fa niova ny aty foko
Adisoako ve?raha nilatsaka ny ranomasonao
Tena tsiniko ve izao rehtra izao
Malala ah!tiana ianao nanome fitia
Fa izaho mihitsy no ratsy!Nanom... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/manan-tompo | Manan-tompo | Nalison Randrianaivo | Manan-tompo
Lahy: Tiako ianao
Diso ve aho?
Raha milaza izany
Vavy: Tsy diso akory ianao
Fa ny tsy fantatrao
Ny foko efa any ho any
Lahy: Eny e,Tiako fotsiny ianao
Tiako tsotr'izao
Tsy misy hoe nahoana
Vavy: Sahy ianao ry tovolahy
Ny miteny tsy amin'ahiahy
Toa miteniteny foana
Lahy: Fa ahoana no lazainao
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lay-anja/mahay-mionona | Mahay mionona | Ankamantatra | Mba mahay mionona hoy aho ny aty
afaka mipetraka rehefa tsy tiana
sady tsy ianao irery no manana fitia
afaka hamoe ahy tsy mila vidiana
Tsy hoe mati-kambo aho akory sanatria
na manao vavan'ny tsy mahazo
fa tsy reveko fotsiny ny fika-ndry
hoe tsy miaraka @ bandy tsy misy la-vo
Ndry aloha tsara,zay aloha dia mari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arikaomisa-randria/soritra | soritra | ARIKAOMISA RANDRIA | Ny lalam-boasoritry ny hery tsy hita:
tsy azo ialana na hoe hodinganina
ny iry, ny nofy, ny kasa no vita
f'izay voalahatra: sangodimpanina
Ekena f'ilaina ny vina sy tanjona,
tsy miaina ny saina raha tsy misy ireo
kanefa ny ampitso dia mety hihanjona
ireo eritreritra nisy anikeheo
Ny ambadika bonga dia saro-pant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/faniriana | Faniriana | Nalison Randrianaivo | Faniriana
Topi-maso iray monja
No nampitselatra ny foko
Toa nanonja dia nanonja
Raha vao iny ianao nisoko
Toa hafahafa ny hetsim-po
Nanjohy anao hatrany
Tojo ilay tiana tokoa
Ilay tokany eto an-tany
Nitsiry tamin'izay
Ilay faniriana an-kiray
Mba ianao eto anilako
Eny tiako sy ho silako
Mba naniry anao ho t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ynovirahimam-randriamalala/baraingo- | BARAINGO ? | R.N Randriii | Lazao izay ao am-ponao
Lazao eto fa miaino anao aho
Dia ilay tena tiana no aoka ambara
Ilay tena tinao hanoizana ny tantara
Ny fitiavana akory ts hifanerena
Raha izy no safidinao mandehana tsy terena
Raha izy no ilainao
Adinoy ny fisiko manomboka izao
Fa raha lasa anie ianao
Ka anaraka ilay noheverinao ho tena... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsikiniaina/moa-ve-ra-malagasy-manana | moa ve ra malagasymanana | Tsikiniaina | moa ve ra malagasy
manana fitenin-dreny
fa toa fiteny hafa mantsy
no reko an-dalana eny
ankavitsiana irony toerana
ahenoako ny teninay
ny sekoly aza noferana
tsy hiteny afa tsy frantsay
dia amin'izay mibadabada
misehoseho fa hoe havanana
dia tsy mitsahatra ny vava
na an-tsekoly na eny an-dalana
fa ratsy ve ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/angamba | Angamba | M'art-son Emmanuel | Rediredy angamba ny ahy
Matonga ahy misento
Olona tsy tia
Very maina ny ahiahy
Ny alahelo mamerovero
Tsiaro ‘lay dina hoe doria |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hadinonao | Hadinonao | Nalison Randrianaivo | Hadinonao
Ireo fiarahana mamy
Tany aloha tany
Ireo sangisangy sy hehy
Hadinonao ve?
Tsy tsaroanao akory
Iny aho mbola natory
Nofahazinao tampoka
Ka nianjery nikarapoka
Ireo voady mba nomena
Hoe hajaina sy ekena
Tsy tsaroana intsony
Hadinonao tokony
Ireo teny mamy
Ireo kilalaon-tsika
Hadinonao izany
Nave... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny.s/fanambaniana | FANAMBANIANA | Ny.S | Raha ny fiainako eto an-tany
No jerena sy tombanana
Dia misento aho,mitomany
Fa ambanian'ireo izay mpanana.
Tsy tahotra,tsy henatra
Fa dia lazaina,tantaraina
Hoe:Vao teo no niala nianatra,
Tsy kitay,tsy vary maina.
Rarao ny zanakao
Aza avela hiaraka azy
Raha azony natao
Dia faly erÿ milaza
Tsy andriny hiten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/porofom-pitiavako-anao | Porofom-pitiavana | Nalison Randrianaivo | Porofom-pitiavana
Fitiavana tsy mety ho lany
Ho anao irery ihany
Fitiavana tsy mety miofo
No hataoko porofo
Fitiavana tsy roa aman-tany
Izay tokana hatrany hatrany
Fitiavana vonon-kiady
Hisedra izay mianjady
Fitiavana mahay mankatoa
Fitiavana tokam-po
Fitiavana manolotra aina
Fitiavana vonon-kosedraina
Fit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/21-avril-2018 | 21 avril 2018 | Nalison Randrianaivo | Kikiakin'olo-maro be
Izany indray re no re
Tabatabata sy korontana
Fa mitady fanavontana
Ireto vahoaka malagasy
Ka nampiasana ireo basy
Ka ny baomba mandatsa-dranomaso
Nampitomany ireto maso
Mba hanamparitahana ny olona
Indrindra indrindra ireo mpitolona
Olona efatra anefa no maty
Maro ireo naratra mafy
Voa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/mandrakizay | mandrakizay | MiséVonjy | haharitra mandrakizay
raha ilay fitavana iray
izay efa nokobonina tao am-po
dia ilay fitiavan-tsika roa
haharitra mandrakizay
satria enao tena tia ahy
zao koa tena tia anao
ka zao mariazy zao tsy kilalao
fa ho mandrakizay, vato fantsika iray
satria vita sonia teo imason'lay RAY
ireo mpisompatra mitady handrav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/aza-manitsaka | Aza manitsaka | Nalison Randrianaivo | Aza manitsaka
Tsy foiny ianao, Tsy tiany ho any hafa
Te hiangavy izy, Hitalaho aminao
Nefa manahy koa, Sao Ho sarahinao
Izy tsy mahafoy, Ary efa lalim-paka
Miezaka izy manatsara, Mba ho tena tia azy ianao
Ataony sy hajainy, Indrindra ireo tianao
Tsy nisy tsy nataony, Izay navoakan'ny vavanao
Nekeny sy notoaviny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hiangavy-farany | Hiangavy farany | Nalison Randrianaivo | Hiangavy farany
Raha mahatsiaro ireo lasana
Lasa ny embona ka tsy tana
Mitahiry ireo fahatsiarova
Ny alahelo no fadiranovana
Ianao anefa aiza?
Tsy hay hoe nankaiza?
Marina tsy hita intsony
Fa noratraiko izato fony
Izao aho ity nanenina
Mitady azy indray ny foko
Hataoko ny ala-nenina
Hitady azy no ventsoko
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/solontenako | SOLONTENAKO | Fredy Jaofera | SOLONTENAKO
Solontenako ny soratra
hitondra ny fitiavako
ho any re, ry tiana ;
misy foana 'rony holatra,
'reo solosolom-bavako
miampy firariana.
Solontenako ny soratra
hamangy vetivety
raha mba sitrakao
ka indro fa mamokatra
sy mahay mitetitety
ny teny roa tsy lao.
Solontenako ny soratra
hitondra hafatraf... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/veloma-farany | Veloma farany | Nalison Randrianaivo | Veloma farany
Lanitra manga no tazako teo
Vetivety foana nanjombona maloka
Toa ora-mikija fiavin'ny toreo
No injay nanatona ahy sy manalokaloka
Hay ka ianao no nanao be fiavy
No nahatondra-drano nanimba ireo voly
Izaho nitanondrika nandraiky nanavy
Tsy nisy namihana aho ka dia ngoly
Toy ny tadio sy rivo-mahery... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-taniko | Ny taniko | Nalison Randrianaivo | Ny taniko
Tiako ianao ry taniko
Eny, Tena mamiko
Tsy avelako ho lavo
Fa asandratro ho avo
Mba ho reharehako
Ianao ilay harenako
Tiako ianao ry taniko
Eny, Tsy hatakaloko
Fa ianao ilay ankaniko
Efa namboariko
Ary mbola hilevenako
Sy ireo fahaterako
Tiako ianao ry taniko
Eny, Tsy mba foiko
Fa ianao ilay ef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/aza-manadino | Aza manadino | Nalison Randrianaivo | Aza manadino
Any ianao ry tiako
Any ianao ry malalako
Any lavitra any
Tsy hitako tazanina
No ny elanelan-tany
Lavitra mahafanina
Any ianao ry tsy foiko
Asa raha mahatsiaro ahy
Asa nanadino ny fisiako?
Ianao ry olon-tiako
Asa mbola tia ahy ve?
Sa minia tsy mahatsiaro
Ireo fiarahana hatr'izay
Sy ireo zava-b... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/tia-tokoa | TIA TOKOA | MiséVonjy | Tia tokoa izany fo
nitia olona iray fa tsy roa
tsy nahalala ny avia sy avanana
fa tena jamba sy pahana
niezaka hiany no ho lehilahy
fa osa sy malemy ary tsy sahy
lay lehilahy sarika sy bikana
fa voatsiky dia nihanahana
tia tokoa mantsy ny fo
ka tsy nahay nampiandry andraso aloha
raha vao nokopahin'tanana
fa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsiky-dia-ampy | Tsiky dia ampy | Nalison Randrianaivo | Tsiky dia ampy
Tsiky dia ampy hiainana
Hanala an'ireo tarainana
Ka raha tojo hakiviana ianao
Ny tsiky re no hampiasao
Raha toa ianao te hitomany
Ny tsiky anie asetr'izany
Fa hisinda ireo alahelo
Ny tsiky no tsiambaran-telo
Raha toa ianao tojo fahoriana
Tsiky ihany re hamaliana
Fa hilefo tsy misy aok'izany
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vonjy/ianao | IANAO | Vonjy | Ianao tokoa mantsy ry lala
ilay efa tiako zay tsisy nahalala
fa nokoboniko ho ahy samirery
notahiriziko tsara tsy ho very
Ianao tokoa mantsy lay nambabo ahy
fa tsy sahy niteny aho atsizay
fa nataotra ny mety ho avalinao
ka miasa saina lava izao
Ianao tokoa mantsy lay tena tiako
ka niaretako sy niafiako
ka and... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ravina-sy-taho | Ravina sy Taho | Nalison Randrianaivo | Ravina sy Taho
Toy ny Ravina mamelana ianao
Voakolokolon'izaho Taho
Ho tsofin'ny rivotra hikopakopaka
Hanafosafon'ireo Rotsaka
Ny fitiavana no Faka niaviana
Izaho sy ianao ilay ravina sy taho
Dia ireo Mony tsy lany hamamiana
Dia noho ilay fitiavako sy fitiavanao
Hiaraka isika ka tsy hifandao
Na amin'ny mamy n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/aleo-ho-faranana | Aleo ho Faranana | Nalison Randrianaivo | Aleo ho faranana
Eny re rahavako
Tsy maintsy afoiko ny fitiavako
Fa ela no niafiana
Teo anilanao ry tiana
Izay fijaliana loatra
Fahoriana tafahoatra
Izany no niainako
Nahatonga ny fisainako
Ka aza tsiny indrindra
Raha toa ka aho ifindra
Fa tsy zakako lanjaina
Isan'andro izao aho latsaina
Tsy nohenoina raha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ho-tiaviko-mangina | Ho Tiaviko mangina | Nalison Randrianaivo | Ho tiaviko mangina
Tiako ianao fa ho tiaviko mangina
Eny, Na ho mangidy aza fahoriana
Aoka ho ahy ihany ny fitiavako
Fa tsy ho lazaiko anao rahavako
Tiako ho aho ianao
Eny mamiko sy tena lalaiko
Ka ho tiaviko izay tratry ny aiko
Ka na ho mafaitra aok'izany
Dia mbola ho tiaviko mangina ihany
Tiako ianao tena t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mora | TSY MORA | Fredy Jaofera | TSY MORA
Tsy mora ny mihira
'reo hirahirantsika,
na any an-dakira,
tsy renao mikiaka.
Tsy mora ny mijery
ny sarinao tsy foy
rehefa singan-drery
sy tantaraina fohy.
Tsy mora ny miteny
ny lasa izay navela
raha sento lavareny
rehefa ela ny ela.
Tsy mora ny mifidy
fiainana hafa indray
raha nisy sarobidy
ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/misevonjy/ianao | IANAO | MiséVonjy | Ianao tokoa mantsy ry lala
ilay efa tiako zay tsisy nahalala
fa nokoboniko ho ahy samirery
notahiriziko tsara tsy ho very
Ianao tokoa mantsy lay nambabo ahy
fa tsy sahy niteny aho atsizay
fa nataotra ny mety ho avalinao
ka miasa saina lava izao
Ianao tokoa mantsy lay tena tiako
ka niaretako sy niafiako
ka and... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/matokia-ahy | Matokia ahy | Nalison Randrianaivo | Matokia ahy
Matokia ahy
Eny,, Matokia ahy malala
Fa na misy aza tia ahy
Aminao izaho tsy hiala
Ary na ho vy na ho vato
Ny foko tsy hianto
Ny hitia sy hitempo anao
Koa matokia ahy ianao
Izany re ry aiko
Eny,,Fa na hatramin'ny aiko
Dia mbola hafoiko ho anao
Raha ilainao izany
Fa ny hany mba hangatahiko
Mato... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/lazao-azy | Lazao azy | Nalison Randrianaivo | Lazao azy
Ry vorona hamonjy fodiana
Mba vangio izay malalako izay
Lazao azy fa ianao irery no tiany
Ary tsy foiko mandrakizay
Lazao azy fa tiako foana izy
Ary ho tiako mandrakizay
Lazao azy f'izaho tsy mba kivy
Fa manantena ihaona indray
Lazao azy koa fa tsy foiko
Ireo safosafo sy teny mamy
Lazao azy fa tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/indramiko | Indramiko | Nalison Randrianaivo | Indramiko
Iny tsikinao malefaka
Mirindra ny filantony
Tiako mba hiresaka
Ijereko izato hakantony
Fa mahafinaritra ahy tokoa
Ireto fipetraky ny nify
Kanto e, meva avokoa
Matevina manifinify
Koa raha mba azonao atao
Iny tsikinao iny anie
Mba hindramiko izao
Hampifaly, hampihomehy
Ny tsiky mantsy tsy vidina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/raozy | raozy | samiir lien'ju Rafaralah | sambatra aho ka sambatra
fa tojo anao ry tiana
tretrika dia tretrika
sy ampoka hafaliana
faly sady ravo
fa indro to ilay nofy
tojo ity voninkazo
mamelona,mandrotsirotsy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tia-anao-aho | Tia anao aho | Nalison Randrianaivo | Tia anao aho
Raha mba fantatrao mantsy
Izay ao am-poko ao
Fa Mitroatra mila ho vaky
Maniry mafy anao
Ka etsy anie henoy
Fa ho tantaraiko anao e
Ny tsiambaran-teloko
mino aho fa tsy ho neniko
Izao e, Tia anao aho
Tiako ianao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tiako-hitoetra | Tiako hitoetra | Nalison Randrianaivo | Tiako hitoetra
Ireo teny fitiavana sy angolanao
Tiako tsy foiko hatramin'izao
Ny angotiteninao tamin'izany
Mbola tiako hitoetra eny ihany
Ireo hafaliana sy haravoravoana
Indrindra isika rehefa tafahoana
Izay sambatra ery tamin'izany
Mbola tiako hitoetra eny ihany
Ireo horokoroka sy safosafo
Nifamipihina sy pi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-kabary-hatraminizay | NY KABARY HATRAMIN'IZAY | Fredy Jaofera | NY KABARY HATRAMIN'IZAY
Ny kabary hatramin'izay
raha notanterahina avokoa
dia efa maro ireo nandray
fiainam-bao sy zava-tsoa.
Ny kabary hatramin'izay
raha nampiharina mihitsy
dia tsy ny jaly no nivay
na fahoriana no nanitsy.
.Ny kabary hatramin'izay
raha mba nomena hasina
dia tsy nisy nangaihay
na koa ny ni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/satria-2 | SATRIA | Fredy Jaofera | SATRIA
Satria aho nitia
dia indro aho nangia,
namboraka fitiavana
nirariana ho goavana.
Satria ianao tia ahy
dia indro fa nahasahy
nivaky tsy handavo,
nisaotra koa ny Avo.
...Dia samy tia isika
ka nanjary nisariaka ;
ny fo kely nifandray,
tafatambatra ho iray. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/tena-tiako-ianao-miranto | Tena tiako ianao Miranto | Anj'art Nantenayna | Tiako ianao handravaka ny fiainako. Tiako ianao handravaka ny amiko. Tiako ianao hiantako sy hitarainako. Ho andon ny maraina, hanondraka ny taniko
Babony endrikao rehetra ny foko. Potika, rava, torotoro. Tia ka teha hitraotra mafy. Hanaiky anao ho fehizoro
Toy ny vorona any an ala aho. Tsy mba mpamaritra ny ampitso.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/taratasy | Taratasy | Nalison Randrianaivo | Taratasy ho anao
Any ianao ry Tiako.
Any lavitra any, mety mba mahatsiaro ahy ihany?
Havoana sy tendrombohitra no manelanelana ny tiana sy manina. Salama tsara ary ve ianao any sa manahoana? Izaho te hahita anao ary malahelo foana,.
Raha vao mahatsiaro hoe irery tsy eo ianao dia te hitomany ireto masoko roa mangano... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-hendry | NY HENDRY | Fredy Jaofera | NY HENDRY
Ny hendry dia misaina
rehefa hanao zavatra,
tsy mitady hoderaina
na ambara ho lafatra.
Ny hendry mamototra
rehefa hisoka-bava
tsy tazan-ko rototra
fa mahay manazava.
Ny hendry mandalina
vao manapa-kevitra,
mahavita sy malina
no tsy mety tezitra.
Ny hendry mahalala
vao sahy miroboka
fa tsy olona... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/ampy-ahy | Ampy ahy | Anj'art Nantenayna | Na tsy hitako aza ianao. Sady lavitra ny tavako. Ampy hifaliko. Ny mitsena ny alokao
Na tsy hitako ary ianao. Tsy mba tsinjon ny masoko jerena. Ampy hitokiako. Ilay endrikao, mifono fahendrena.
Na tsy anilako ary ianao. Fa any antany lavatra any. Ampy hiorenako. Ny andon ny tomany
Na hiavona amiko ary ianao. Hampija... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/leferiko | Leferiko | Nalison Randrianaivo | Leferiko
Tia anao aho
Eny tena tia
Ary vonona ho doria
Nefa aho matahotra
Ary koa miahotra
Fa ndrao ka ho fery
No havalinao ahy
Ka aoka ho ahy irery
Ny fitiavako
Tsy ho lazaiko anao
Izay ao am-poko ao
Fa ho koboniko manokana
Ho tsiambarantelo
Eny, ireo halahelo
Tsy ho lazaiko anao
Ireo kiky sy tomany
A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tia-anao-sahady | Tia anao sahady | Nalison Randrianaivo | Tia anao sahady
Ny foko raha vao teraka
Dia namelana malefaka
Niposaka tsy mora
Naka mamy tsy matsora
Ny foko raha vao nifoha
Dia nisokatra ho anao
Niandrandra zava-tsoa
Mba hitoeranao
Ny Foko raha vao nipetraka
Nitondra rivotra malefaka
Ny foko vao nandady
Dia tia anao sahady |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/m.iorenana/nyy-fiainanny-malagasy | Nyy fiainan'ny Malagasy | M.Iorenana | Ny fiainana sy ramalagasy
Tena mafy ny fiainana
Nefa iza no hitarainana
Jereo anie ny Malagasy
Tsy mitsahatra mifampigafy
Mifampisopatra tsy akijanona
Tsy hisy gasy VANONA
Izaho anefa manantena
Fa mbola handroso ity firenena
Raha isika rehetra no miara mirona
Ny fahantrana dia ho foana
Tsy hoe tsy tiako i ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tena-fitiavana-11791 | Tena fitiavana | Nalison Randrianaivo | Tena Fitiavana
Hatramin'izay ka hatramin'izao
Dia mbola tiako foana ianao
Eny, Raha mbola sitrakao
Dia ny aiko mihintsy no atolotro
Avy ao anaty fa tsy imolotro
Ianao koa anefa torak'izany
Tena nitia tam-po fa tsy nihanihany
Ka sahy nivelirano
Fa ho toy ny Vary sy Rano
Hatr'izay dia voasedra izay nandalo
Na ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/eny-sa-tsia-11789 | Eny sa Tsia? | Nalison Randrianaivo | Eny sa tsia?
Tiako ianao
Tiako ho malalako
Eny, Tiako ho anjarako
Tiako ho tantarako
Tiako mba ho farako
Izay ny tao am-poko
Ka asakasakao
Raha ho lavinao
Fa ny ahy rehefa tia
Dia tena tia
Ary vonona hiara-dia
mandrakizay doria
Anjaranao no misafidy
Na ho Eny na ho Tsia
Izaho anefa tsy andidy
Raha toa i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/vita-tantara | Vita tantara | Nalison Randrianaivo | Vita tantara
Raha ianao no lasa?
Mahazo mandeha tsara
Izaho tsy handatsa
Fa ny antsika efa tsy anjara
Raha ianao no handeha?
Mandehana fa tsy terena
Koa mialatsiny re
Ary aza manantena
Miala ianao fa tsy fefena
Fitia tsy azo hifanerena
Raha izay no tinao atao
Ka tanterao ny hevitrao
Miala ianao fa tsy tama... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/izaho-sy-ianao | Izaho sy Ianao | Nalison Randrianaivo | Izaho sy Ianao
Teny tsotra kely ihany
No nampitambatra izany
Ilay teny hoe tiako ianao
No nahatonga hoe Izaho sy Ianao
Na izaho na ianao
Dia mitovy iray ihany
Amin'ny zavatra atao
Na koa fitiavana izany
Raha tsy misy aminao
Aty amiko mameno izany
Mifameno Izaho sy Ianao
Toa tokana iray ihany
Aminao no faha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ahy-ianao | Ahy ianao | Nalison Randrianaivo | Ahy ianao
Efa ahy ianao ry tiako
Ahy irery ho doria
Izay no mba faniriako
Ny hitantana an-dry
Tsy homeko an'iza intsony
Fa hajaiko sy lalaiko
Fa efa ahy izato fony
Eny, hatramin'ny aiko
Ireo tsy tia sy mpankahala
Dia ataonay hiala maina
Ny anay efa anjara
Mandrampiala ny fofonaina
Ireo mitady hanasaraka
D... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitoriana-fitiavana | Fitoriana Fitiavana | Nalison Randrianaivo | Fitoriana fitiavana
Nirina sy tsiky
Nirina
Azafady kely angie r'ise
Andraso kely anie aho
Vetivety fa tsy ela be
Raha toa ka mety ianao
Nirina
Iza kay ny anaranao?
Fa ny ahy aloha dia nirina
Mino aho fa tsy fantatrao
Ary variana ianao no sondriana
Nirina
Na tsy hiteny aza ianao
Dia efa fantatro
Fa izato ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/iza-moa-ianao | Iza moa ianao? | Nalison Randrianaivo | Iza moa ianao?
Fa iza moa ianao?
Iza hoe? mba lazao?
No sahy milaza izany
Moa va akaikiko ihany?
Sa minia mahalala fotsiny?
Nefa olona tsisy fotony
Fa iza mihintsy ary ianao e?
No manao ahy toy izao
Sa misangy ratsy ianao?
Mba tandremo ihany lahy
Ity vava avoakanao
Fa sao hidiran-doza
Hanao lalam-poza
Tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsapako | Tsapako | Nalison Randrianaivo | Tsapako
Mbola zakako foana aloha
Ny tsy anilanao ry tiako
Nandritra ny fotoana maro
Hatrizay dia niafiko
Nalahelo aho indraindray
Kanefa niezaka nampionon-tena
Hoe: hanadino anao tamin'izay
Indrisy toa nahasorena
Fa ny anaranao indray
No antsoin'ity vavako
Hay tsara ny roa noho ny iray
Ka aiza ianao rahavak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/ilay-poeziako-fahiny | Ilay poeziako Fahiny | Vetso mena | _ Fahiny aho raha nanoratra irery
Toa mirakitra fitia sy feno tebiteby
Kanefa ankehitriny, naniry azy indray
Ho fitia matotra sy tena mampiray
_ fahiny aho rehefa teo am-panoratana
Ireny nataoko ho tononkalo sy tantara
Tsy mbola fantatro akory, fa nataoko mangina
Ny nanoratra azy ireny, ka ho lasa poezia
_ Fah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mahantra-sy-manan-karena | Sombin-tantara "Izy mianaka mahantra" | Nalison Randrianaivo | Antsa: Dada mba handehandeha hijerijery any an-tsena any aloha aho fa maka aina tsara eto ianao; tsy ho ela any aho ka, aza matahotra ianao, ao fa hitondrako zavatra ianao rehefa miverina aho, izay a.
Rasolo dadany: Eny re anaka ô, mandehana dia aza hariva be fotsiny fa hainao ihany fa ny tany tsy milamina.
Antsa: ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanginako | NY FANGINAKO | Fredy Jaofera | NY FANGINAKO
Ny fanginako,
mifono alahelo
efa nanankinako
'ty tsiambaratelo.
Ny fanginako,
mifono tomany
efa nibanjinako
ratra teto ihany.
Ny fanginako,
mifono tangena
tsy nitsimbinako
ny teny nofefena.
Ny fanginako,
mifono tantara
tsy nanombinako
na voazarazara. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/halahelo-anao | Halahelo anao | Nalison Randrianaivo | Halahelo anao
Raha iny aho ka mandeha irery;
Mahatsiaro anao ilay mitantana ahy.
Mbola tiako, indray hiverina ireny:
Dia hifampatoky ka tsy hisy hanahy.
Raha iny aho matory amin'ny alina!
Mahatsiaro miondana an-tratra.
No indro anie ka torimaso lalina;
No setrin'izany fitia lalim-paka.
Raha iny aho manoratra k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/balisama | BALISAMA | Fredy Jaofera | BALISAMA
B Babo ny fo no asesiko etoana,
A Ahy ianao no firavoravoana ;
L Lalina ange fa ny ratra sy fery,
I Indro misinda ka mampahery ;
S Sitrana izao ny Lasa nasiaka :
A Any tanteraka sy tsisy bika ;
M Maivana ity ny mafy nahazo,
A Averimberiko f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/izaho-ve-no-tsy-nahay-nan | Izaho ve no tsy nahay nan | Antsa tononkalo.R | Izaho ve no tsy nahay nanadino
No indreo manatsafa ny lasa
hiodivirako fa tsy mampino
Toa alo-manaraka?. . . asa!
Tsy nandaitra ny fanadinoana,
fa marefo ny vanim-potaona ?
Sa ny foko no vontom-pinoana
f'ianao dia tsaroko eny foana
raha ny taona nivalona ve
Ts'efa maro dia maro ny rirany
Toa tsy miova ny nga... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lanto-r/aza-manadino | Aza manadino | lanto R. | Na lavitra ahy aza ianao anio.
Ireo fiarahana hatrizay no mba tadidio.
Feno tsiahy tsy mety voafafa.
Eny,raketo ao am-po irony lasa.
Ny halavirana tsy hampiova ilay fitia.
Ny adiady tsy maintsy misy fa mba tsarovy ilay hoe: "Ho doria".
Aza manadino ilay voady nifanekena.
Izaho sy ianao ilay tsy nisy noterena.
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bade-raanrama/manja | MANJA | Bade RaAnRaMa | Aza miandry sitraka na doka avy amin'ny hafa
zay vao hahatsapa ny lanja entinao,
toavy sy efao ireo zava-nokinasa
dia manja foana ianao amin'ny maha ianao anao !
tsy misy fandrefesana ny hatsaran-tarehy
na fotsy ianao na mainty na mavo toy izao,
raiso ho filamatra ary ataovy rehareha
fa MANJA FOANA IANAO AMIN'NY... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tokam-po-aho | Tokam-po | Nalison Randrianaivo | Tokam-po
Adala ianao ry foko
Miraikim-pitia loatra
Amin'ny olona iray
Tsy mety miova loko
Diso tia tafahoatra
Ka mitia mandrakizay
Adala ianao no fantatro
Fa tsy mahay manararaotra
No mionona amin'ny tokana
Ny lanitra tsy ho takatro
Fa tokam-po loatra
Tsy mety,tsy azo ongatana
Adala ianao fa jamba
Tsy mah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bade-raanrama/tsy-mi-l | TSY MI -L | Bade RaAnRaMa | TSY MI-L
fa efa voasoratra hoe:
"Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany"
Aza mandry lava fahagagàna avy any an-danitra,
F'izao fisiana izao tsy efa zava* mahagaga?
Ny saina sy fanahy, ny sandry no aoka hamaritra
Ny lalana makany amin'ilay " hanina sahaza"!
Firifiry (ny) nofy tsy hary nofo hatramin'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/balisama-2 | BALISAMAKO | Fredy Jaofera | BALISAMAKO
Balisaman'ny orako
nahamanitra ho azy
ny dia raha aborako
izy iny re ka fohazy.
Balisaman'ny saiko
nampitony ny jaly
mba zavatra ilaiko
hanova ny omaly.
Balisaman'ny feriko
saika tsy ho sitrana
nampisy ny heriko
no nampivitrana.
Balisaman'ny aliko
mpitondra ito tory
ka raha atontaliko,
tsy fo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ilay-tena-tiako | Ilay tena tiako | Nalison Randrianaivo | Ilay tena tiako
Izay tena tiako, no hotolorako izany;
Tsy mba mandalo, fa maharitra hatrany.
Fitiavana mamy tsy mety miofo:
Halaiko ho vady omeko porofo.
Izay voafidiko ihany no mahazo!
Ity raozy mena tsy mety malazo;
Ka homeko voady satria ho doria:
Hipetra, hanaja ho madio ilay fitia.
Izay voasoratra amiko t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vaka | VAKA | Fredy Jaofera | VAKA
Rehefa mandeha
ny fiainanao,
maro mpialona ;
ny namana aza be,
mety ny atao
ka tsy avalona.
Rehefa tsy mandeha
izany indray,
ihomehezana ;
ny latsa avy ange
no toa voaray
ka amelezana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bade-raanrama/tsy-piso | TSY PISO | Bade RaAnRaMa | TSY PISO Tompoko ô!!!!!
hazavao lalina
f'izaho ho'aho tsy mahazo ,
ianao zany iza marina:
totozy sa voalavo
no izaho no antsoinao piso!?
saaa...
impiry efa nohaniko
ny laokanao masiso!?
zany ho'aho malala a ...
tsy akory aho mila vaniny
fa mba te hahalala
de mb'omeo valiny
mahafa-po tanteraka e !
zaho man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bade-raanrama/rafomarariniaiko | RAFOMARARINIAIKO | Bade RaAnRaMa | RAFOMARARINIAIKO
Ity no ferapara ,
Ity no peta_drindrina...
Sisa haparitaka ho ren'ny manodidina fa
Maty tsy tra-drano ,
Tsy nialana nenina ,
Tsy nisy itomaniana fa tonga de nalevina
RAFOMARARINIAIKO....
Ity no fampitana ho an'ny voary rehetra fa
Rafomarariniaiko de voavetavetan'
ny tsy mataho-tody imason'ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/te-hiaona | Te hiaona | Nalison Randrianaivo | Te hiaona
Iny aho mba misy fotoana
Dia maniry mba hiaona
Na dia iray minitra aza
Hahitako ny endrikao
Ary ity vavanao milaza
Hoe: Tiako foana raha ianao
Rehefa injay mba tafahoana
Na dia fohy aza ny fotoana
Mamy ery ilay fiarahana
Tsy misaina fisarahana
Iny injay ka manina
Izay nanofy anao ny alina
Dia man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/soratro | SORATRO | Lova miar'shu | SORATRO
Sarotra tononina raha ny anaranao,
nefa kosa manan-danja izato endrikao,
na zovy n'aiza n'aiza dia tena tianao,
ry soratro o! nankaiza ireo tsipelinao?
Ovain'ny zava-misy ny fiainanao,
tena adino mihitsy ny maha-izy anao,
tsy voahaja intsony ny kanto ao aminao,
f'efa nilaozan'ny toetr'andro ny diam-peni... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bade-raanrama/ny-fe-tsy-boky | NY FE TSY BOKY | Bade RaAnRaMa | NY FE TSY BOKY
malala o ,
raha toa tia ahy ianao ,
raha tia ny tenanao dia etsy iangaviko :
esory akia ry tiako ary aza atao intsony
ny mandefa itony
sary miboridana ato anaty fesiboky !
tsy akory aho saro-piaro na koa hoe tsy matoky a
f'ianao ange tsy boky e !
tsy valan-javaboary
k'izay mpandalo rehetra dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ynovirahimam-randriamalala/fahatsapako | FAHATSAPAKO | R.N Randriii | zavatra tsapako izao no andeha ambaraku aminao
Fitiavana iray anaty fo roa no ho tantaraiku eto zao,,
Izy tovolahy iray,,,tsapaku aloha fa tena tia eh!!!!
Manan toetra mody matotra izay izy
Ny azy rehefa izay de izay
miolakolam-piteny rehefa mivantana
fa anaty someso vao mamoka ny ampo
manao teny mahery indraind... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/ilay-foko | Ilay foko | Vetso mena | _ tsy tiako ianao ry fo, nefa tiako koa
Fa ianao hiavian'ny ratsy, mpamokatra soa
Manome fakam-panahy toa hafahafa
Ka nampitsiry mafy ilay fitiavana
_ tsy tiako hoy aho, satria toa mampijaly
Rehefa ilay voadona ka mahatsiaro ho fay
Mahatsiaro ho resy sy toa tsy mampanantena
Ka nahatonga fahoriana mampamono tena
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/isany | ISANY | Fredy Jaofera | ISANY
Isan'ny fiainako
ny fananako anao :
tsiky marainako
tsy misy raorao.
Isan'ny andriko
tsy hampiroaroa
tena tsy andriko
raha any tokoa.
Isan'ny anjarako
mamy aok'izany
ilain'ny anarako
raha lasa vinany.
Isan'ny vintako
mpamelon-kira
tian'ito kintako
ka avia mifikira. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toubib/matimaty-foana-ve | matimaty foana ve? | toubib | raha atao indray mijery ilay fito amby efapolo
dia mahalala tsianjery, Gasikara manontolo
fa... hoe tolona nafana nitakiana fahafahana?
kanefa raha jerena tsara,.... 'zany maso tena pahana!
tsy atao hoe badraodra, no fahavalo manoloana
ny an'ny tena tanampolo, ny azy basy tsara fahana
izy vonona ny handroba, iana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ar-jlucien/toy-ny-raozy-kely-tsara-b | raozy | AR J'Lucien | Toy ny raozy kely tsara bika,
Tiako ho otazana nefa manindrona,
Ilay vatanao kanto sariaka,
Ka alaiko amin'ny kalo manintona.. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/olon-tiana-fahiny | Olon-tiana fahiny | Nalison Randrianaivo | Olon-tiana fahiny
Tiako foana izy iny
Na dia nanadino ahy aza
Mbola averiko eto anefa ankehitriny
Ary sahiko ny milaza
Fa tokana ato am-poko izy
Ary sarotra amiko ny hanadino
Izaho manantena no tsy kivy
Ary koa mbola mino
Fa mbola hiverina izy
Mbola hiverina anilako indray
Ka hafana ny hirifiry
No ho sambat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ar-jlucien/fa-nahoana-hoy-ianao-no | Fanantenana | AR J'Lucien | Fa nahoana?
Hoy ianao,
No moana
Toy izao!
Resy ve?
Ianao io,
Asa re?
Izaho io!
Mbola miady
Amin'ny Aizina,
Fa mitady
Aza faizina.
Nefa mino
Ny ho avy,
Ny anio
Tsy anavy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ariary | ARIARY | Fredy Jaofera | ARIARY
Nahoana ny ariary
no mitotongan-dava
toa zava-mankarary
mila handravarava ?
Nahoana ny ariary
no tsisy vahaolana
ka mampibaribary
ny maizim-bolana ?
Nahoana ny ariary
no mampidi-kizo
ka na vidim-bary,
indro mampizizo ?
Nahoana ny ariary
no mafy fiantraika,
misaina ny hanary
antsika eto maika ? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsiaro | Tsiaro | Nalison Randrianaivo | Tsiaro
Toa tsaroako izaho sy ianao
Iny takariva mena masoandro iny
Ilay malaina ny hifandao
Tsy mahatsiaro hirifiry
Na ny rivotra mifofo aza
Tsy rehin-tsika akory
Teo an-tratran'ny malala
Ndry! Dia resi-tory
Tsy tsaroana intsony ny fodiana
Mamy loatra tsy te iala
Eo an-tsandrin'olon-tiana
Eo anilan'ny malal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/-aoka-fo-fantatr | ✹Aoka fo fantatrao✹ | harylovah | Efa haiko fa...ho avy indray ianao
hangata-pamelana, fa vita 'zay natao
dia hifamela isika, toy ny mahazatra
na dia efa ditsoka, marary feno ratra...
Efa haiko fa, tsy asianao sira akory
Ireny ratram-poko tsaroana nampaory
Satria hamela anao, ny foko mbola tia
Efa koa nivoady fa hoe hiaraka doria...
Efa haiko h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/mandehana-sombinaiko | Mandehana sombinaiko | Rary Nofy | MANDEHANA SOMBINAIKO!
Tsinjoko avy hatrany fa tsindrian-daona loatra ianao,
Efa dodona mihitsy,hanao izao sy izao!
Maika hitady izay mahasambatra,eny rehetra eny,
ka tsy henoinao intsony izahay,rehefa mba miteny.
Ndehana mikopa-kelatra raha izany no tianao,
f'izaho tsy manan-jo hitazona,raha toa ianao handao.
Ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/asio-fahendrena | Asio Fahendrena | Vetso mena | _ mba tandremo ihany lesy mba tandremo ihany akia
Ny tsy mety mifampatoky nefa milaza fa ho doria
Mba tandremo ihany oa lay mifamitaka kely
Fa ilay fitiavana tsy mba natao an-tery
_ tsarovy ihany anefa fa mafy ny fitia
Misy sedra maro izany hoe tena tia
Ka mba asio fahendrena sy fifampitokisana
Satria ianareo no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/alim-pody-indray | Alim-pody indray | Rary Nofy | ALIM-PODY INDRAY
Ny asa aty manempotra mameno vazan-trano,
Ny siosikan-drivotra koa mifahofaho milaza angano,
Manambara tsotr’izao hoe “alina indray ianao vao mody”
Fa mbola teritery,mamita ny enti-mody.
Malala a !aza omena tsiny aho
Androany hariva fa alim-pody indray!
Tsy hoe tsy maika ny hahita anao!
Fa teri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/ny-tsikitsikinao | Ny tsikitsikinao | RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison | NY TSIKITSIKINAO
Ny tsikitsikinao no hany tsikitsikiko,
Sy tena mampitombo izany faniriko.
Faniriko hitia sy hankafy anao hatrany.
Fa mamy toa tantely izany tsikinao izany.
Ny tsikitsikinao no mampifaly izany foko.
Ka rehefa injay ianao misiky, misinda ireo toloko.
Ka ireo sorisorin-tsaina h@ forongony,
Ny tsik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/devoly | DEVOLY | Fredy Jaofera | DEVOLY
Aza mihevi-tena
ho olona ambony
na mpanankarena
tsy hita intsony.
Jereo ny fanahy
fa tsy arak'izany,
matoa voatsiahy,
ry mpanambany.
Topazo ny toetra
asesika ho tsara
fa mamohehatra
ka mba mivoara.
Tsinjovy ny saina
mpiselontselona,
mampiferitr'aina
fa devoly velona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-mpamosavy-mandeha-alina-aza-misy-mahita | Sombin-tantara "Tiako foana ianao" | Nalison Randrianaivo | Tiako foana ianao
Rado a, fa maninona anao kay izaho;inona kay ny zavatra tsy nety nataoko ka hanilikilianao ahy toy izao,teneno fa vonona hiaino anao aho!
Sa tsy tia ahy intsony Rado? tsy tia ahy intsony ve hoy aho Rado?lazao moa e, Mitebiteby be aho sao tsy tia ahy intsony ianao.
Hoy i Rado namaly azy, ah ah ah! A... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianiaina-rj-tsiry/lay-fitiavako-anao | 'Lay fitiavako anao | Andrianiaina RJ TSIRY | Raha fitiavana no lazaina
Ary koa ho tantaraina
Aminao ry sombiniaina
Dia tsarovy lalandava
Ny alahelonao hisava
Ary ianao ho mirantava
Satria fitiavan'olon-drery
Ka tsy mamela anao irery
Fa miaraka tsy very
Zovy no tsy mahalala
Fa na bodo na adala
Na Ikoto na Ikala
Raha vao mandre ny anarany
Sy maheno ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/ny-mpifankatia | Ny mpifankatia | Vetso mena | _ lay tanana roa natao hifandray
Fo miara-mitempo fa te ho iray
Feno hasambarana ka falifaly
Ka mahatonga lay fitia mifamaly
_ lay saina, lay fo toa nifanaraka
Nifandray, nifampitantana ary nampiaraka
Endrey izato izy, ery amoron'ny farihy
Revon-dresaka irery, toa tsy mety ho kivy
_ mba tena kanto loatra, feno ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/hafatra | Hafatra | Sento tokana | Mety ho fantatrao ve?
Ilay olona iray,
Mety ho hitanao ve?
Ilay malalako izay.
Mba afaro re izy,
Mba hilazao re izy
Ratoa ka fantatrao,
Ratoa ka mba hitanao.
Mba teneno re izy,
Mba ampafantaro azy
Fa tsifidiny izao,
Tsy sitra-po ny ifandao.
Izay re no hafatro
Ka ataovy tonga any
Izay re no afatro
Ka mba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ry-tanindrazako- | RY TANINDRAZAKO !... | Fredy Jaofera | RY TANINDRAZAKO !...
Ny fahantranao,
ry tanindrazako,
satry re handao
sy tsy ho tazako.
Ny fihafianao,
ry tanindrazako,
na tsy zava-bao
dia tsy lazako.
Ny fijalianao,
ry tanindrazako,
tsy mba kilalao
na hazakazako.
Ny fahorianao,
ry tanindrazako,
tsy tahaka izao
hahombiazako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/mba-tiako-koa-11748 | Mba tiako koa... | Vetso mena | _ mba tiako koa ny ho lasa poeta
Toa anao io hamentsovetso an-kalo
Mba tena iriako sy lasa hetaheta
Ny miventsoventso ireny tononkalo
Hanoratra ireny tantara mambabo fo
Mba faniriako ny hirakotra ny asa soratra
Ho lasa boky iray handrakotra ny tontolo
_ mba tiako koa ny hanoratra ho an'ny onjam-peo
Fa tena tia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/tolona | TOLONA... | FahNamby | Tra ta ta ta ta...!!!
Rotika ny nofon'ireo mahery fo
Potika sy levona ny vatana Malia...
Ny rà niraradraraka, nandriaka ihany koa...
Maro ireo nianjera, be ny nikodia!
Tra ta ta ta ta...!!!
Nanako dia nanako ny feon'ny "kalaky"
Tambadiky ny avoana sy tendrombohita avo...
Natao fitifi_borona ny Gasy mba nitaky..... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanabeazana | NY FANABEAZANA | Fredy Jaofera | NY FANABEAZANA
Fampitana fahalalana
fitoeram-pahazavana,
miaro fahombiazana
raha ny fanabeazana.
Fampitana fahendrena
mamirapira-bolamena,
namana eto sy mahitsy
tsy hanary anao mihitsy.
Fampitana soatoavina
hampety ny hodiavina,
hampihaja any aoriana
rehefa feno fitahiana.
Fampitana kolontsaina
sarobidy r... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.