url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avo-rakoto/misy | MISY..... | Ny Avo Rakoto | MISY.....
Misy ventso mba tiako hampitaina ;
Kanefa tsy mety manako.
Misy hira mba tiako hiraina ;
mibahana mafy ato an-tsaiko.
Misy kalo mba tiako ho kaloina ;
Ka hanako ao an-tsofin'ny tiana.
Misy lasa mba tiako ho tsaroina ;
Antsoiko vao mainka nangina.
Misy teny mba tiako ho lazaina ;
Mandreraka mafy ny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/izy-ihany | Izy ihany | Ranoala | Eo an-tratrany eo
no maha tsara ahy
Eo ihany re no misy
ny tsy mampanahy
ny mampahory mety hisy
tsy asiako saina lalina
eo an-tratrany eo ihany
eo ihany no milamina
Izy tokiko,Azy aho
k(a) Hitady inona indray?
Hila hafa vaovao?
Tsy fantatra, tsy hay!
Misy tsara no ho izy va
manadaladala zany saiko?
Efa am... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/anjaralahatra | Anjara,lahatra | Anj'art Nantenayna | Tsy mba natao ahy ampitso
Na ny hamatatra azy
Fa raha ka ahy ny safidy
Dia nalamiko eto sahady
Tsy mba izaho ilay tompony
Fa azy ny safidiny
Noho izany mantsy
Dia izo no nofinidy
Fa nahoana moa ry lahatra
Nahoana re ry anjara
Nahoana no dia miangatra
Rehefa ianao no mitsara
Sa izaho ilay ratsy vitana
Sy te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/halatra-asa-soratra-rah | HALATR'ASA SORATRA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | HALATRA ASA SORATRA!
raha hangalatra ihany ianao
dia mba aza ny ato an-tsaiko!
fa ny rangotry ny peniko,
sy ny hevitra fonosiny
dia tsy ho takatrao na'oviana!
tsy akory io takamo
nofatoran-tady
mitondra herinaratra
ka ho azonao hangalarina
tsy ny hazavana ho entiny
handresenao ny haizim-pito!
raha hangalatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avo-rakoto/ny-tontolonao-no-ahy | NY TONTOLONAO NO AHY | Ny Avo Rakoto | NY TONTOLONAO NO AHY
Ny endrikao sariaka, ny bika mahavariana
Ny masonao miangola, mitory hafaliana
Ny famindranao midola manintona fijery :
Voaraiko anaty nofy rehefa iny manirery.
Ny tsiky atorakao dia efa ampy ho fifaliako
Ny angola teninao : mambabo izany foko
Ny diam-peninao no fitaratry ny diako
Ka mampan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriy/ao-malalako | Ao malalako | heriy | Malala a!
Eto antokotanim-pasana aho no miventsoventso anao mangiana
Mahatriaro ny andro lasa sy ireo fotoana nisangiana
Dia nofinofy sisa ireny,nefa lasa fahazarako
Ny miantsoantso ny anaranao avia nge ny malalako!
Dia trano vato ve ry tiako? no mba hany fonenanao
Toa tsy ho zakako ny hieritreritra ny efitra hit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/veloma-hoy-foko | "Veloma hoy ny foko" | Antsa tononkalo.R | "Veloma hoy ny foko"
I
Ny lokon'ny lanitra...Velory manga
ny fanatenana, manga tanora
Kinanjo dia hiofo, vasoka, vanga...
Ry fanatenako milofika mora !
Ny tempon'ny foko mihaiva dia iva,
ny feony reko? ambany dia ambany
ny orany sisa no... He! manadiva
Maila-pitsaika, ho vonon-ko, tany !
II
Mihalany mihalany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/impiry-nisy-tolona | IMPIRY NISY TOLONA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | IMPIRY NISY TOLONA?
impiry nitamberina izay ny tolom-piavotana
izay efa dify, nilaozan'ny omaly?
dia impiry notsarovana ny tolom-panafahana
izay noetin'ny taona nivalona any ho any?
dia hisy firy indray no hilaza ho bekotromaroholatra
ka hotoloram-boninahitra ho tsangam-bato-pirenena?.
izay tsangam-bato fehizoro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/efa-taona-maro | EFA TAONA MARO | Fredy Jaofera | EFA TAONA MARO
Efa taona maro
no tsy ninoako intsony
fa manan-dreny izany
ny foko amam-panahy
ka izay nanafangaro,
nanampatra ny fony
fa marina eto hatrany,
ho tototra ahiahy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/poeta | Poeta... | Antsa tononkalo.R | Poeta,
Mpitsabo ny fery sy ny ratranao taloha
Mampandry ho anao sahady ny tsiaro vao mifoha
Miantsoroka ny sento, tsy zakanao, tsy toha
Mpamafy voan-tsiky ny maraina vao miandoha.
Poeta,
Mandrandrana hala-voly amin'ny rarirarin-tsaina
Mambomba zavozavo ho tonga fofon'aina
ny misy mbola tsy hary, fa vitany antsa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naina/rahavavinny-fanahiko | Rahavavin'ny fanahiko | N'Aina | Notadiaviko hatrizay
Fa tsy nampoiziko ho hitako
Ianao rahavavin'ny fanahiko
Ianao famenoko sy silako
Ka averiko eto indray:
Ianao irery no tiaviko
Ny fiainako ilaozanao
Dia lasa haolo, babangoana
Marary hatrany anaty faka
Ny fofon'aiko toa handao
ny foko gina, zary moana
Vesaran'entana tsy zaka
Aiko ianao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fampitahana | FAMPITAHANA | Fredy Jaofera | FAMPITAHANA
Tsarovy tsy an-kiato,
tsy ambara indroa
ka tsy ilaina fafana
fa ny vy amam-bato
dia maivana aloha
noho ny fahantrana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/hanitriniana | HANITRIN'IANA | Sento tokana | Nisy voninkazo iray
Tena lafatra sy tsara,
Nisy tovovavy iray
Tena tsotra nefa tsara.
Raozy hono kay ny anaran'ity voninkazo ity
Izay tena lafatra sy manitra,
Fa mba iza kosa ny anaran'ity zazavay ity
Fa satriko ny ijery azy maharitra.
Tsy nisalasala ny tantely
Nanantona ny voninkazo,
Nefa zah somary natahotr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/namohehatra | NAMOHEHATRA | Fredy Jaofera | NAMOHEHATRA
Ny baomba sa grenady
no napoaka, aza fady ?
Namohehatra, indrisy,
ny fomba izay misy.
Fety ange ny andro
nefa dia tsy mitandro
ny mba mahafinaritra
no hita sy tsy aritra.
Mafy ve ny fiainana,
ka tsy hita itarainana
raha ny rà mandriaka
no ity nampijininika ?
Na maro ny tsy zaka
efa indro lalim... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/milofo-fanantenana/bandy-an | Bandy an! | Milofo fanantenana | Fa mbola mananatra ihany aho ry bandy an!
Tandremo ny tody fa tsy mba misangy.
Elah toa varina sy mbola miaina
Anatin'ny revy ka tena tsy hilaina
Mananatra foana aho fa tena tsy kivy.
Reo lalana hitako tena mangidy
Mangidy tsy zakan'ny vava-tsakonà
Miverena ry bandy!Tena mifona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/iza | Iza | Ranoala | Latsaka ilay ariary
Asa iza no hitsindroka?
tsy niafina, nibari(bary)
niranga(ranga) toa hitsimoka
Nandalo teo ny maro
nahita ihany fa nilefa
nipitrapitra ilay ariary
nagnitsy tsy nanan-kiatefa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mpanankarena | MPANANKARENA | Fredy Jaofera | MPANANKARENA
Mpanankarena
izay ravo
amin'ny fiainany ;
tsy mahonena
na lavo
'rony fisainany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mila | MILA | Fredy Jaofera | MILA
Mila fanarenana
ny tanindrazantsika
ka aza anafenana
'rony soa baliaka.
Mila fanambinana
ny fiainam-pirenena
ka aza anankinana
'zay fitiavan-tena.
Mila fanavaozana
ny fo amam-panahy
ka tsara hilaozana
ny ratsy re, ry lahy.
Mila fanadiovana
ny diavina rehetra
ka izay andalovana
hahafaly tsisy fetra.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hadinoy | HADINOY | Fredy Jaofera | HADINOY
Hadinoy ny tebiteby
dia hanadino anao izany
ka tsy handrebireby
na hamoaka ireo tomany.
Hadinoy ny ady mafy
dia hanadino anao izany
ka ny ora nampihafy
ho tantara sisa androany.
Hadinoy ny fery lasa
dia hanadino anao izany
ka ny zava-nokinasa,
hitranga eto tsy hita lany.
Hadinoy ny lonilony
dia ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/tiako-ianao | Tiako ianao | Sento tokana | Tiako ianao de zay
Zay ihany no fantatro
Malalako ianao de zay
Zay ihany no fantatro
Tiako ianao e!
Zay ihany ny anah zay
Malalako ianao e!
Fa aza manahy
Ireo toky efa nomeko
Tsy mba hoadinoiko
Ireo voady izay nekeko
Tsy mba hovonoiko
Malalako ianao
Havako, vadiko
Ka tiako ianao
Izay ihany no fantatro. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/miranto-nantenayna | Miranto & Nantenayna | Anj'art Nantenayna | Moa mba fantatrao , ilay fitia avy ato ampoko
Tsy sanatria kilalao, na antony hivetsoko
Fa fitiavana itoetra sy ho lalina
Ka ny ao anatiko rehetra , Raha tianao ho fantarina.
Efa nomeko ireny , mba ho anjaranao.
Nomeko anao , nekeko ho anao ny teny
Fa tsy hankilabao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lelanny-moana | LELAN'NY MOANA | Fredy Jaofera | LELAN'NY MOANA
Ny lelan'ny moana
no mba tsara kokoa
noho ny an'ny mpandainga
fa azo antoka foana
ny tsy hiteny tokoa
noho ny vandy izay miainga. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/namana-namana-sakaiza | Namana, sakaiza, | Antsa tononkalo.R | Namana,
Namana, sakaiza, tsy fantatro, tsy ahïko!
Rehefa iny ianao tsaroako . . .
Mihira ny hafaliako,
mitsinjaka haravoana ny tokotanim-poko,
Namako, sakaiza izay no tsapako eto
Ny ankoatr'izay tsy haiko . . .
Rehefa iny ianao misento ?
Manintsanintsam-bony ny tokotanin-tsaiko !
hany, mpitahiry izay tsy ambar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mitady | MITADY | Fredy Jaofera | MITADY
Isika rehetra
amin'ny alina
mitady hazavana
fa fepetra
mandalina
ny lalan-kombana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ako/hira | Poeta maratra | Rahira | Nisy vovoka malefaka
nanditsoka fanahy .
Dia injao manganohano
kanefa toa tsy mamo fa
dinelin'eritretra
nanaloka tsy niera,
nitondra irony tsiaro,
nitondra irony tsiahy.
Dia indro izao ny fony,
tena tsy hay intsony fa...
amorondranomaso
mibanjina ilay sary.
Dia injao manganohano
kanefa toa tsy mamo fa
sem... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/safidinao | Safidinao | Sento tokana | safidinao ny andeha
Safidinao ny andao
Ianao no nireharea
Fa hoe "efa lao "
Ianao no nampijaly
Fa tsy mba namalifaly
Ianao no nandratra
Sady nandaka
Ianao no namilafila
Nilaza hoe tsy mila
Ianao no nigafy
Fa nilaza hoe "efa mapirafy".
Safidy nen-ty
Ka lasa mandeha
Tandremo miverina aty
Fa omeko getibe |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/famelana-2 | FAMELANA | Fredy Jaofera | FAMELANA
Ny famelana
no voninkazo
tsara indrindra
mifono famonjena,
tsy andrarana
raha te hahazo
ny tena rindra
mivatsy fandresena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-hatsaram-panahy | NY HATSARAM-PANAHY | Fredy Jaofera | NY HATSARAM-PANAHY
Soa ambony dia ambony
tsy mba fanao mosalahy ;
soa tsy mahalala lonjony
ny, hoe,hatsaram-panahy.
Harena tsy mety voasolo
fa laza sy mba rehareha ;
harena tsy ho bobongolo,
na aiza ny toerana aleha.
Tigetra mivoy hafaliana,
tsara ombieny hisalorana ;
tigetra manome fitahiana
sy lalana toko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/sento | SENTO | Sento tokana | Sento iray,
No nampitambatra.
Nefa sento iray ihany koa
No nampisaraka.
Ny sento ve?
No mibaiko ny fihetseham-po.
Sa.... ilay sento ve?
No mapikorotan-doha
Tsy aiko a!
Na zah koa ary zao manontany tena?
Hoe:"Ny sento ve......" |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/tsy-sahy | Tsy sahy | Sento tokana | Efa atry ny ela ihany aho
no nitia anao.
Nefa maninona ary za tsy saha niteny,
Ireny fietsiko ireny
tena manambara fitiavana.
Raha sendra misy adisiako kely,
de lasa aho mandositra sy mihery,
satria menatra aho ka tsy mahajery,
ilay endrikao mahafatifatikely.
Tiko ranga ianao a
tiako tena tiako
fa maninona a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/napoitra | Napoitra | Sento tokana | Nipoitra aviato am-poko
Ireo antsa maromaro,
Namafa ny toloko
Fa naneho kalo.
Napoitran'ny fanahiko
Ireo ventsoventso malefaka,
Mba hampilamina ny saiko
Ahafahany mipetrapetraka.
Napoitran'ny fitiavako
Ireo fandeferana,
Mba hifalian'ny namako
Izarany fahendrena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ahoana-ny-fandehany | AHOANA NY FANDEHANY? | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | AHOANA NY FANDEHANY
injao,
mihazakazaka any ho any Rabefitiavantena
mirimorimo tsy hay sakanan-dRabefahantrana
manao famindra-tsokatra ny fiainam-pirenena
fa mitombo voninahitra ny mpitondra fanjakana
dia, mikoroso midina ny fiandrianam-pirenena
fa mihazakazaka any ho any ny endrim-panjanahana
ary very an-kilao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/nohezahiko-nohadinoina | Nohezahiko nohadinoina | Sento tokana | Nohezaiko nohadinoana,
Ny lasa-tsikaroa.
Nofafako tsy hotsaroana,
Ireo zava-bita taloha.
Nefa tsy mety voafafako
Tsy mety hadinoina,
Fa mitamberina ao antsaiko
Mipetraka ao ampoko.
Nohezahiko nofafana daholo
Ny fahatsiarovana tsara na ny ratsy,
Fa ny foko mihitsy no tsy voakolo
Ka zary tsy mahatanty.
Hofafa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/felana | FELANA | Ny tohaina | Felana a?
izato endrikao hoa e!
toy irony anjely irony
raha lasako ianao...
tsy ho avotsotro intsony
Felana ô?
izato anaranao hoa e!
toa anarana hafakely,
ka tiako antsoina foana
rehefa iny aho manirery
Felana a?
izato feonao hoa e!
toa milanto sy malefaka
mampitony ny adin-tsaiko
rehefa iny aho reradrera... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ora-fohy | ORA FOHY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | ORA FOHY!!!
Ora iray monja no mba nihaonantsika
ora fohy monja kanefa dia nahavita
nahafahana ny tafa, nahafahana niresaka
isika rahateo, efa nifanome toky
Ary efa nifanaiky tanaty facebook
fa hihaona kely dia hiresadresaka
dia,
iny ora fohy iny no raketiko an-diary
iny ora fohy iny no andrafetako an-tsary
iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranoala/rabehevitra | Rabehevitra | Ranoala | Misy fantsika maranitra
nefa misy dombo koa
misy olona finaritra
ny alika mivovoa
Samy ao ala-trano
no ahitanao azy ireo
ngamba ianao hanotany
hoe maninona ireo?
Misy tokotany ao
tsisy paiso mamelana
Mpandrafitra ilay ao
mamboatra ny ao ivelany
Ilay toto tsy ahy
fa an'i ketak(a) etsy ampita
Izy mahafinari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ako/sary-sy-teny | Sary sy teny | Rahira | Sary sy teny
Injao manako mora
feon-kira eny ho eny,
manidina eny an'habaka
ny sary sy ny teny.
Ny fon'ireo poeta
no injao fa re miaina,
mandrotsy ny fanahy,
mandrotsirotsy saina.
Dia kanto sady manja
ny fofon-drivo-manitra.
Feno vovo-kintana
miraraka eny an-danitra.
Injao manako mora
feon-kira eny ho eny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/bitsika-mangina | Bitsika mangina | Sento tokana | Nisy bitsika mangina
Nanaitra ny fanahiko
Sa zah no variana
De lasa lavitra ny saiko
Nisy naka ony ny sipako
Lasan-dry zalah any
De ahoana zany ny fikako,
Sa zah itomany?
Ny fanahiko ko ranga adala
Mibitsika zava-diso
Nefa... nefa zah tsy te ahalala
Fa alehako any iny rahapitso.
De raha tsy nandainga nefa i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/saingy-voninkazo | Saingy, voninkazo... | Antsa tononkalo.R | Saingy, voninkazo,
Sy zava-manan'aina
mba misy koa fitiavany,
Raha sanatria malazo?
maloka ny tavany !
Mantsy, voninkazo,
tsy tokony fofoina. . .
Na aza ianao voaratrany,
Raha sanatria malazo ?
Mariry ny ila-tratrany !
Mihitsy, voninkazo,
Lozanao nandrafy. . .
raha toa ka noratrainy,
Raha sanatria malazo ?... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/ny-sentonny-foko-ravinkazo-nanitsana | ny senton'ny foko, ravinkazo nanitsana, | Antsa tononkalo.R | Alahelo tsy fanta-piaviana !
ny senton'ny foko,ravin-kazo nanintsana ;
Ka mbola ny sisa no hampaniriana.
Toa Kilalaon-jaza... raha re mikorintsana,
tsy mba tsy nahy fa tena hiniana !
Ka moa atao ahoana no hanaisotra izany?
Amin'izato alahelo sy ny ditraditrany
Raha tsy avela hisento vao mainka hitomany !
Ny emb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hazo-mianjera | HAZO MIANJERA | Fredy Jaofera | HAZO MIANJERA
Re ny hazo
mianjera
fa tsy ny ala
maniry
raha ny vazo
mangorera,
mankahala
impiry. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/sento-tokanaheritrereto | Sento tokana,heritrereto, | havotraniaina | Sento tokana,heritrereto,
Sento tokana,aloha hatreto,
Koa asakasakao,izay eto,
Mba ilazao,izay tsy eto.
Lazao,fa izay mangina volamena,
Tsy resy akory,fa menamena,
Koa raha nisy ny fahalemena,
Hijoro tsy ihenahena.
Ny fijoroana no fahefana,
Ny fihainoana no fahalalana,
Ny fanompoana no fahendrena,
Ny fahatok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/tsiaro | TSIARO | Sento tokana | Embona sisa
Ny fahatsiarovana ny lasa.
Aloka sisa
Ny hany tsy voafafa.
Na dia sarotra aza ny anadino
Nefa tsy maintsy atao
Ilay sary ario
Any amin'ñy toerana tsy itanao.
Eny na manantena ary zah
De aleo ho ahy irery izany
Tsiaro sendra nandalo ny anah
Ka avelao zah itomany.
sent tokana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aoka | AOKA | Fredy Jaofera | AOKA
Aoka aho hangina
tsy hiloa-bava akory
fa 'reo fangirifiriana
misy be manorisory.
Aoka aho hitsetra
sy hisento hatrany
fa dia mampitoetra
ny ratra sy tomany.
Aoka aho hionona
hivetso ireo nandao
fa ny aty tsy vonona
ny hivazo sy hilalao.
Aoka aho hisintaka
tsy ho any intsony
fa olona voafitaka
ka ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/feon-dakolosy-tokana-de-n | MATY IZY | Sento tokana | Feon-dakolosy tokana
De nampirotsaka ny tomany.
Antsoantso mafy
No injay nitarika gafy.
Tabataba maro
No injay nifangaro,
Vahoaka nifamahofaho
No injay nitarika raorao.
Hakiviana, halahelo
No nanjary nibahana.
Ranomaso sy tomany
No nameno ny tanana.
Andro maloka
Tsy mety azavaina,
Alahelo tsy mety fafaina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-maneso | AZA MANESO | Fredy Jaofera | AZA MANESO
Aza maneso ny voay
raha any anaty rano
ny tongotrao
fa ny hitranga tsy hay,
na hidiran'ny angano
na hilalao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/izay-tokony-ho-filoha- | IZAY TOKONY HO FILOHA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Mandeha ny serasera, resadresaka, eny ho eny;
Mahakasika izay tokony hofidiana ho filoham-pirenena.
“Mba toa inona izy izay?” raha ny heno ombieny ombieny.
Satria ny zava-misy sy miseho efa mampanontany tena.
Betsaka ankitriny no efa nanambara sy nanolo-tena;
Hilatsaka hofidina sy ny hisafidianana amin'izany.
Ila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naina/tonga-lafatra | TONGA LAFATRA | N'Aina | TONGA LAFATRA
(hira henoina : PERFECT. Ed SHEERAN)
« I found a love for me, Darling, just dive right in and follow my lead…
I found a love, to carry more than just my secrets…”
Ianao ilay Tiako, Lala, tena tiako indrindra
Am-pitiavana mitoetra, tsy afaka hifindra
hiombon-dalana isika, hiara-dia, tsy hifandao
Hia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/_-diapenin | DIAPENINA | Sento tokana | Toa tsy aiko ny tsy anoratra
Ireo ventso ato anatiko
Toa tsy aiko ny hanoatra
Ireto sento ato amiko.
Manery ahy ny penina
Manery mba hanoratra
Ka tsy takona afenina
Ity fanahy mitraotra.
Toa tsy aiko ny tsy anambara
Ny ato anatiko,
Toa tsy aiko ny tsy iazara
Ny afaliako. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/asana-mpiandry | ASANA MPIANDRY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | ASANA MPIANDRY
injao ny tabatabana mpiandry
noravahan-kira mahafinaritra!
dia miasa mafy tsy misangisangy
manoloana ireo voafatotra!
tsy hoe akory heri-tsandry
na fitaovana avo lenta
fa ny finoany fotsiny ihany
dia ampy nandreseny ny rehetra
fetsy ianao ry satana
fa babonao ny mpino
ny rendra amam-pilibana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/misteriko | MISTERIKO | Sento tokana | Toa mistery amiko ny lasako
De ankamantatra ko ny hoavy
Aohana ny ahafantarako
Fa tena misy zanahary.
Ny zavatra rehetra reko
Toa samy hafa avokoa
Mbola mikaroka zah atreto
Dia tena marary loha.
Iza no ampahalala anah
Ny lasako afahafa
De iza ko no ampahafantatra anah
Ny hoavy tsy mazava.
sent tokana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ihazakazahana | IHAZAKAZAHANA | Fredy Jaofera | IHAZAKAZAHANA
Ihazakazahana
ny hanankarena,
ivavavavahana,
atao fanekena.
Ihazakazahana
rehefa fiadanana
ka avakavahana
'rony tsy manana.
Ihazakazahana
ny, hoe, fahefana
ka hita iarahana,
na 'reo norarana.
Ihazakazahana
ny ho fanta-daza
ka avy mibahana,
na tsy tsara aza. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fanantenana | NY FANANTENANA | Fredy Jaofera | NY FANANTENANA
Ny fanantenana
no andrasana lava
hamoha ny fiovana
sy mba hanazava.
Ny fanantenana
no miaro ny saina
fa na kivy, mazàna,
mamy ny miaina.
Ny fanantenana
no mamelona ery
fa mbola hialana
ireo mafy nangia.
Ny fanantenana
no mibaiko, zareo
fa ny fahagagana,
ho avy sy hiseho. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/tsiky-afahafa | TSIKY AFAHAFA | Sento tokana | Tsy fantatro mazava
ny anton'ilay tsiky,
tsy fantatro hoe aviaiza?
nefa zah toa manaiky.
Tsiky nohony inona ary?
ity tsiko afahafa ity
de fa maninona ary?
no eto amiko izy ity.
Tsikin'alahelo
sa tsikim-pifaliana?
toa manelohelo
manambara fahorianafahoriana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rivotra | RIVOTRA | Fredy Jaofera | RIVOTRA
Ny finiavana
no mandifotra
raha mampita
fa ny fitiavana
toy ny rivotra :
tsapa fa tsy hita. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sento-tokana/ny-alahelony-na-dia-ranom | NY ALAHELONY | Sento tokana | Na dia ranomaso kely iray goty ary no teo aminy masonao
Nefa tazako fa toy ny riaka mandrvarava izany
Riaka mandravarava ilay akantonao.
Enoko ny sentonao tafalatsakanaty
Ranomasoko no saika nirotsaka aloha satria izao tsy natanty
Tsy mahatanty hoe mijaly ianao.
Naita ny ranomasonao zah,
Naeno ny sentonao zah,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/i-no-hadinkadinim-panahy | I
no hadinkadinim-panahy, | Antsa tononkalo.R | I
no hadinkadinim-panahy,
lahy ny foko:
hanaitra ny tsiahy efa mandry
sy ny hanina anao fahizay.
Rendremana fa tsy tafandry,
ta hamaly kinanjo dia moana
ny fahatsiarovana anao... Efa may
dia lavenina sisa kofohana!
misavovona antaranaona
nohadinkadinim-panahy
ho aho ny foko
Rendremana fa tsy tafandry,
mika... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/alokirifiry/anio-aminny-folo | anio amin'ny folo | alokirifiry | amin'ny hafaliana lehehibe no ampandrenesako
anareo havana tsy mbola nahareha
fa anio amin'ny folo no ora hafatesako
anio ami'ny folo aho no haninga handeha
hiazo ny lanitra ka handao ny tany
hiova fianana,hiova tontolo
anio no voatondro hatanterahan'izany
handao anareo aho anio amin'ny folo
ny hany tokana mba ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/trerika- | Tretrika , | Antsa tononkalo.R | Narindra ny zavaboary,
mba ho hanitra samy hafa loko ;
eto amin'izao tany izao,
fa tretrika ho aho ilay nahary,
nandrindran'ny tempon'ny foko ;
Hitempo fitiavana anao.
(Avy aminy mantsy ny tendry,ny lahatra vintana,anjara ;
no hinoako fa tamy mitranga
fa Izy no hany mikendry, sy tokana fa manajara ;
Mampitovy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/h-a-i-k-o-i-h-a-n-y | H A I K O I H A N Y | harylovah | H A I K O I H A N Y
Haiko foana ihany ny miaina tsy fisiana
Sady izany hatrany ny fiainana eto an-tany
Na inona sedraina, tsenaina am-pifaliana
Sanatria ny ho kivy, na dia mitomany.
Haiko foana ihany ny miaina fanenjehana
Efa izay rahateo no ampoizin'izay mino
Na inona toa sakana tsy maintsy koa atrehana
Mandr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/mbola-tia | MBOLA TIA | FahNamby | MBOLA TIA...
Mbola mitamberina tsy mety mikorisa
manaraka ny lasa ny nisy tamintsika.
Matetika no tsapa sy re mandona foana
ny zavatra niainana navalon'ny fotoana.
Eny e!
Tsotra raha ny marina...
Mbola tia anao ny foko manontolo,
Manjary fiainan'olona iriako ho fantarina
Ny mombanao tontolo.
Mibaribary foana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/s.g/ry-malagasy | Ry Malagasy | S.g | Ry Malagasy
Ry Malagasy tsy an-kanavaka
Ry Mpitondra fanjakana tsy anavahana
Ianareo mpitondra fiangonana rehetra
Ary ianareo Malagasy sasany mpanao amboletra
Moa ve isika mba mandefa saina lavitra ?
Sa dia ny eo ambany maso fotsiny fa tsy mitaka-davitra ?
Mba dinihinareo ve ny antony ady lahy etsy sy eroa ?
Ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/ny-vehivavy | NY VEHIVAVY | FahNamby | NY VEHIVAVY
Bantina lava amin'ny hoe:
"Fanaka malemy"
Dia...tsy afa_manambara
sy tsy afaka miteny,
indrindra mitantara
ny zavatra tsy ekeny.
Lazaina sy ambara
Fa, haingon_tokantrano
Mpikarakara zanaka,
olo_miadan_tsaina
sy tsy mba mety lanaka.
Tsy tokony hitaraina!
Kanefa raha dinihina
amin'ny saina tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/mila-mitaky | MILA MITAKY | FahNamby | MILA MITAKY
Raha mbola afa_miady aho, hitovian'ny zo
Dia raisiko ho adidy sy andraikitra tiana!
Raha azoko foanana koa 'reo taloha
Fanavahan_tsaranga sy fanambaniana.
Dia hiady aho hiady, hitolona mihitsy
Tsy hamela ny marina ho votsotr'izany!
Hanenjika, handavo, tsy hitsitsitsitsy,
Vonona hitsangana sy hijoro ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/aza-faly-tohiny | AZA FALY | RMA | Aza faly ny hamitaka na koa handainga
Ka rhf mahazo misitaka na koa manainga
Aza faly ny hanam_be na koa hihoatra ny hafa
Fa rhf mahazo ny be dia zarao ho an'ny hafa!
Aza faly mihambo ho poeta malaza,
Fa miezaha mb ho asa mitondra fanabeazana!!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/ity-fiainana-ity-lazaiko | Ity fiainana ity lazaiko | havotraniaina | Ity fiainana ity lazaiko anao,
Fa be ireo loza mitatao,
Maro ireo mitalaho,
Aiza no misy fiainam-baovao?
Mikiky isan'andro,ireo adin-tsaina,
Tsy azo sakanana,raha mbola miaina,
Io no anjara tsy maintsy zakaina,
Aiza ny vahaolana,mampilamina ny saina?
Tsy maintsy hambara,tsy maintsy lazaina,
Fa maro ireo tsy vo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/tsotsotra-ihany | TSOTSOTRA IHANY | harylovah | Tsotra fa mafonja mahalaza ny ao am-po
Ilay fanomezanao, ry tiako sy lalaiko
Izay no hamantarako fa tia tokoa tokoa
Fa tsy ny lokaloka izay tsianjery efa haiko.
Teny mamy kely dia ampy hanambara
Fa fifaliana foana no irianao himamoako
Tsy ilaina angolan-teny na kabary na tantara
F'ianao mamela koa 'zay mety ho f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/ianao | IANAO | FahNamby | IANAO
Sainiko mangina ny mombanao rehetra
Dinihiko milamina ao an'eritreritro ao
D'injany mantsy reko miboika tsisy fetra
Ny vetso_po anaty maniry mafy anao.
Tia angamba?
D'indreny misy sary miseho tsimoramora
Isika roa voafatotry ny tàna_mifandray
Miara_dia sy sambatra tsy misy mpanakora
Tsinjoko manjohy ny "... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/ani-dada | AN'I DADA | FahNamby | AN'I DADA
Dada a!
Sary tsy ho afaka ao an_tsainao na oviana na oviana
Ny vatako mitsotra eo an_joro firarazana.
Eo no fara_tazana ny endrika amam_batako.
Hialako tsiny Dada raha toa fanahy iniana a!
Fa ny zava_patako:
-Mandry tsy maheno ny dridram_pisentoana,
-Mandry manadino ny ratra tsy ho sitrana.
Ka raha h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/sao-ianao-mihevitra | SAO IANAO MIHEVITRA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | SAO IANAO MIHEVITRA
sao ianao mihevitra, fa ny fahamaron'ny tsena
no mahafoana fahasahiranana
sao ianao mihevitra, fa ny fivarotan-tena
dia hampitombo ny vola am-pelatanana
sao ianao mihevitra, fa ny olo-be fialonana
dia mbola hanana ny saina tony!
sao ianao mihevitra, fa izay mpandeha fiangonana
no hahazo fita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/ny-poeta | NY POETA | FahNamby | NY POETA
Tsy poeta ny poeta
Raha mandalo fijaliana,
Ka tsy hahitana tononkira
Mitanisa fahoriana ao anaty diariny ao.
Tsy poeta ny poeta
Raha misedra zava_mafy,
Ka manaisotra fitafy
Na mirotsaka migafy ao an_tokantranony ao!
Fa ny tena hoe poeta?
Rehefa resy dia mangina,
Tsy milaza velively ny ao anaty fo ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/havotraniaina/halaviro-ny-fitiava-tena | Halaviro ny fitiava-tena, | havotraniaina | Halaviro ny fitiavan-tena,
Ny vola,ary koa ny harena,
Fa ireny no mampihenahena,
Mitondra fahalemena.
Hatraiza ny fahendrena,
Very hasina ny firenena,
Fa isika no miaina,
Samy tia tena.
Ny fitiavan-tena no mitoetra,
Tsy mahagaga raha manjoretra,
Tsy mba manana tarigetra,
Fa samy variana miletra.
Ny fitiavam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ry-vehivavy | RY VEHIVAVY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | RY VEHIVAVY
moa tsy ianareo vehivavy
no tena tia misangy
ny lalan'ny fitiavana!
dia mampiasa izay fitaovana
entina handemena ny ao anatiny
efa fantatrao fa tsy ho tantiny
ary moa tsy ianareo vehivavy
no tena tia mitamby
ny fony mora tezitra!
ka raha iny hoe milefitra
dia nohararaotina
amin'ny toetranao tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/tsy-maty-ny-lasa | TSY MATY NY LASA | FahNamby | TSY MATY NY LASA
Ny ngidy navelan'ny lasa
Sarotra alàna ao anaty,
Ka n'inona zava_kinasa
Ny tsiaro tavela tsy maty.
Ny ratra manjary mandoaka
Mangeja ny fo tsy hitony,
Na inona zava_naloaka
Ny fery tsy sitrana intsony.
Ny sisa vao mainka maniry
Na efa vonoina impiry.
Mandreraka ny ati_fanahy.
Kanefa na inon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vina/poeta-ianao | POETA IANAO | VINA | ( Randja Zanamiohatra)
Eny ianao tokoa
no kintana tsy ravan'
ny andro tafafoha,
... vola-manazava
ny alina miandoha.
Taminao ny atidoha
ary nentinao nihava
ny tany namafazam-boa,
... tononkira nampivava
ny rindrin'ny tontolo roa.
Tononkira ihany koa
no netinao nandrava
ny rindrim-ben'ny fo,
... Fanahy nan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/aza-faly | AZA FALY | RMA | Aza faly manaratsy na mitsikera n namana
Aza fal mampiranty na mampidera ny fananana
Aza faly mampirafy na miova2 olo_tiana
Az fal n higafy na hampitondra fahoriana!(HITOHY) |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/dadanao | DADANAO | FahNamby | DADANAO...
Ny tena marina d'izao e!
i Dada tsy nisaina mihitsy, ny hanary an_drÿ sy andao
i Dada tsy nisaina mihitsy, hoe ianao ka tsy niriana.
Fa tsoriko ry sombinaiko
Tena mamy sady tiana, raha ianao an_tsain'i Dada.
Eny, ekeko ianao ho gaga ny amin'ny zavatra miseo.
Fa i Dada tsy hoe leo dia nandositra adidy.... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/juan-lukas-artlala/na-dia-juan-lukas-art | NA DIA … Juan Lukas Art | juan lukas art'lala | Na dia afenina aza,
Na dia takonanao tsy ho hita
Dia fantatro avy hatrany tamin’ny fihetsikao
Fa misy Tianao ambara
Na dia afeninao
Na dia saronanao
Amin’ny fandavana tsy ankijanona nyfanontaniako
Dia tsapako avy hatrany amin’ny fiteninao
Fa misy hevitra mifanohitra ao am-ponao ao
Na dia saronanao
Na odianao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/sangisangy | Sangisangy | Anj'art Nantenayna | Ny sangisanginao , toa lasa rakitra ato ampoko, tsaroana lava izao, toa tsy mety miova loko
Ny hanihaninao , toa efa sary ato antsaiko , mahatonga ahy hitalao , raha sendra , tsy anilanao
Ireny vazivazy ireny , lasa ritsoka ao antsaiko, ireny latsalatsa ireny , no manjary mamelona ny aiko
Mahagaga ilay fitia, valala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naina/hanina-zava-tsy-fantatra | Hanina zava-tsy fantatra | N'Aina | Ny alina tony dia tony
Ny volana tsara fitranga
Ny kintana iretsy sy irony,
Ny sofiko kosa ka ranga...
Ny taratr'Ivolana alefany
Isafosafoiny izay tràny
Ny foko indray kosa kanefany
Midoboka, hamaky ny tratrany
Ny raho-manembana tsisy
Ny lanitra mainty malefaka
Ny sentoko anefa indrisy,
Manimba ny Edena nape... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naina/mamiko | Mamiko | N'Aina | ity, eto no ambarako
ny hafaliana sy hasambarako
manonona ny anaranao
fa ilay foko izao nifoha
nikosoka ireo taloha
fo madio sy vaovao
isaorako ny Zanahary
nmpiseho sy nampihary
nanoro ahy hahita anao
ianao famenoko sy silako
tokiko ho eo anilako
tiako fa tsy kilalao
isaorako ny fihaviana
Razako sy anao ry... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratom/tsiaro | tsiaro | Ratom | ity alina mangina
hanembonako anao ry tiana
fa lavitra ahy ianao
k mituloko irery aho
herintaona toy izao manko no nifaneken-tsika roa
hoe hiaraka faona na inon hanjoa
indrisy anef enao D lasa tsy niteny
f nahita ilay soloko teny andalana teny
nalaelo mafy aho raha nitranga ilay olana
f lasa nandao ilay hany m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/juan-lukas-artlala/hitahy-anao-jeso-juan-l | HITAHY ANAO JESO | juan lukas art'lala | HITAHY ANAO JESO - Juan Lukas Art’lala 28 September 2017
Tsy fantatro izay diavinao anio
Fa izao no Tadidio
Hitahy anao anie Jeso
Tsy haiko izay soritra
Na mahafinaritra na mahasosotra
Fa izao hitahy anao anie Jeso
Tsy voavinavinako
Tsy takatry ny saiko
Fa hitahy anao anie Jeso
Tsy tsinjoko izay hiafaranao
T... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karako/lavitra | Lavitra... | Karako | Lavitra ahy ianao fa misy elanelana;
Zara raha voakasika.
Ny fihaonantsika dia zary serantserana
Sy toa mamasipasika!
Lavitry ahy ianao ka lasa mamanala
Ilay afo niarahana;
Tsy afaka amindroana fa mampisalasala :
Kitay lany fahana!
Lavitra ahy ianao ka zary mpivahiny,
Lasa olon-kafa.
Raha sendra tafahaona mif... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rdr_jr/andao-resena | Andao resena | Rdr_jr | Mitenena ry tanora malagasy
Tohero ny fanambanam-basy
Aza mety ho lavo ambany
Fa sahia mijoro, mitenena hatrany
Andao resena ny tsy rariny
Ny kolikoly sy ny tariny
Ny tsindrio fa lavo
Sy ny fisainana mavomavo
Andao re ry tanora
Ho toherintsika moramora
Ireo sakantsakana ireo
Izay manimba sy mankaleo
Andao o... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tsilalaon-teny-hoe-manga | TSILALAON-TENY HOE MANGA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | tsilalaon-teny hoe MANGA
Mangarika
IMANGA...!
mangady,
Mangala-mangahazo
mangataka manga
manganana mangana
Manganohano, mangaina
mangina, mangatoka
mangahiahy
mangatsika, mangovitra
mangananganaka,
Ny tenda ka te hanontany hoe inona ary izany! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/nofo | Nofo | Anj'art Nantenayna | Moa mba fantatrao ry nofo
Izay mikatsaka ny mamy
Fa ho rava sy hiofa
Ny tenanao indray andro any
Moa tsaroanao tokoa
Ny fahafinaretana
Ka manimba fo
Sy mitondra aretina
Tsy aiko ianao raha hino
Raha toa ka ilazako
Nefa aza adino
Fa tsy lainga ity tantaraiko
Fa maro no niliba
Fony teto antany
Nefa indrisy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/rahoviana | Rahoviana? | Antsa tononkalo.R | Rahaovina vao hiafitra ny dindon'pahatsiarovana ;
ka ho tonga fofon'aina, ny zavozavon-tsiaro
dia ho tsapanao mivaingana sy ho hitanao salovana ;
Ny tiana tsy eto intsony ! Fa nandao an-taona maro !
Rahoviana ho tonga nofo, ny nofinofy atoandro ;
Ka ho afaka amboloina ny hanitra fanahy
sa rehefa miantsinana no mo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rdr_jr/tiako-ianao | Tiako ianao | Rdr_jr | Tiako ianao,satria tia ahy
Koa ianao aza manahy
Fa ny fitiavako anao dia iray
Tsy ho faty mandrakizay
Tiako ianao,ka tsy avelako
Fa na ny mafy aza hiaretako
Ary na mamy na mangidy
Tiako ianao,tiko ho finidy
Tiako ianao tiako ho malala
Ho tantanako eny @alitara
Hotiaviko,ho ahy mandrakizay
Hekeko eo anatrehan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/miranto | Miranto | Anj'art Nantenayna | Toa manjary zavampoana
Ny fiainako rehetra
Raha tsy eo ny fotoana
Hijereko ny endrikao
Mifoha aho ny maraina
Mibanjina ny andro
Saingy toa malaina
Raha toa tsy ahita anao iray andro
Zavampoana ny fiainako
Raha tsy anilanao
Ilay hany hitarainako
Ilay tiako hatrizao
Moa mba fatatrao
Fa aleoko mintsy maty
To... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naina/takarivanivola | Takarivan'Ivola | N'Aina | "Chaque fleur s'évapore ainsi qu'un encensoir ;
Les sons et les parfums tournent dans l'air du soir ;
Valse mélancolique et langoureux vertige !" ( Ch. BAUDELAIRE)
Takarivam-bolan-tsinana, miavaka amin'ny hazavàny
Sy feo mambabo sofina, toa mozika manimanina
Sy emboka misoka manitra, mahasodoka ny hatsaràny...
Ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/fitohananny-fiara | FITOHANAN'NY FIARA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Rehefa mivoaka isanandro, na hiantsena na hiasa.
Na ny maraina io, eny, ka hatramin’ny hariva.
Ho an'ny mpisotro ronono, na ireo amperinasa.
Ny fitohanan'ny fiara, olana foana mandrakariva.
Tsy mitsaha-miakatra, ny solika fampiasa lany.
Ny fiara mora simba, "première" lava izao.
Any anaty fitohanana, mifampiantso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/soraty-re-ry-peniko | soraty re ry peniko | dafa | soraty re ry peniko
izay anaty sainao
ireo latsa sy ireo neniko
izay niainako hatrizao
soraty re ry peniko
izay rehetra fantatrao
kanefa tsy voateniko
fa nonkoboniko ho ahy irery
soraty re ry peniko
ireo izay nolavinao
kanefa noheveriko
fa nahasoa ahy
soraty re ry peniko
izay mba vinavinanao
fa hahasoa ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjara-nantenaina/miranto-tsy-foiko | Miranto tsy foiko | Anj'art Nantenayna | Atao ahona moa
Ny manafina ny vava
Mamihina ny fo
Ka tsy hamboraka sy hilaza
Hangina ka tsy hiteny
Manolona ny anao
Ny andro lava aza niafina ireny
Embona efa lava izao
Ataoko ahoana ny hangina
Tsy ho aiko ny hitony
Ny tsy hilaza faniriana
Mibahana ny fony
Tsy aiko ny mangina
Manoloana anao
Ka na maika az... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naina/lohataona | LOHATAONA | N'Aina | "....toa hisy azy fatratra
ny lohataona vao misantatra
Any ambanivohitra any...!" (DOX)
Ny lohataona toy izao no mahafinaritra ahy indrindra
Ahitàko ny voary, tsara endrika, mirindra
Aty ambanivohitray.
Ny maitso vao mitsiry, tarafan'andro vao misandratra
Ny setroka misary zavona, toa aloka tsy fantatra,
Ny fof... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/efa-lasanao-ny-foko | Efa lasanao ny foko... | Antsa tononkalo.R | (efa lasanao ny foko...
Tononkiran'i solomona 4:9)
Iry masoandro iry, miankandrefana dia dila ;
eny andalan'ny fodiany...
Fa ny jiro manazavany ? -Ao am-pon'ny takariva !
Ary lasanao ny foko, tamin'ny masonao an-ila ;
Nireketan'ny fitiavany... Teny an-dalam-ben'ny tiany
Itsy volana itsy koa, mihamitsonika madiva... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/nandalo-teto | nandalo teto...... | dafa | nandalo teto izy afak'omaly
vao naneno akoho
nifokofoko nitomany
nitady famoizam-po.
nisaraka hono ianareo........
izany ny feo reko taminy
nosimbainao ny aminy
angamba hono ialahy efa leo..
mbola tiny hono letsy ialahy a!!
izany foana no averimberiny
sady narahany sento
koa raha azony natao hono ny naka an'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naina/mbola-hikiry-1981.....2018 | MBOLA HIKIRY | N'Aina | MBOLA HIKIRY
(1981: tsy misy ny zavatra ilaina andavanandro, nefa....)
Sarotra ny lalana, mideza ny fiakarana
Ny vato, be misakana, tsy misy ny amaharana
isika mitofezaka, fa asian'ny harerahana
Ka mbola hikiry ve: hamehy ny valahana?
Ny erika, fanala, mamely sy mifafy
ny fitafiana anefa, tsy ampy mahatafy
ny o... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/avadiko-ny-pejy-avadiko | AVADIKO NY PEJY
Avadiko | harylovah | AVADIKO NY PEJY
Avadiko ny pejy, ovaiko ny fijery
Iniana hadinoina ny lasana omaly
Nahafinaritra iny, kanefa tsy voatery
Ho tamàna foana na de nahafaly...
Avadiko ny pejy, fisiana tonga lafatra
Manova indray mikasa tsiky vaovao
Teny vitsy monja no hany fara hafatra
Misaotra anao ny foko fa nolalovanao
Avadiko ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/faralight/ny-fitiavako-azy | Ny fitiavako azy | Fara'light | Ny fitiavako azy dia tsy mba vazivazy,
Na koa sanatria toy ny raozy anaty vazy,
Ka anio izy tiavina, fa vao malazo d ho ariana,
Fa ny fitiavako azy, d toy ny rano mikoriana,
Avy any anatiko rehetra any, mampangotsoka fanahy,
Mahatonga ahy tsy ho tafandry ka mitady ho sahisahy;
Ka na ny feony aza tsy henoko @ andr... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.