url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naina/ambohitsaina-ankatso | AMBOHITSAINA | N'Aina | Firy taona moa izay, no niakaranay ety Ankatso?
firy taona mamy, mangidy sy matsatso
miakatra isan'andro mba handranto fahalalàna
Dia mioty fahendrena, fahakiviana sy hadalàna
Firy taona moa izay, nefa mbola ety ihany?
Ny hay tsy mety ampy, ny fotoana mihalàny
miakatra isan'andro, hampitombo fahalalàna
Dia mioty... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dinitra-manjaka/vavaky-ny-resy | Vavaky Ny Resy | Dinitra Manjaka | Ray Ô!! Na Ontsan'ny hakiviana aza ny foko efa trotraka
dia mbola miantsoantso anao
ka nefa Ray henoy
ity zandri-kelinao
fa mahatsiaro tena ho resy
Ny Fiainana Mikaka
Ny Fahantrana Koa Manjaka
Ka mitady ny antranao
Eee... Tena Mila Ny Havotrao
Omeo Anay Ny Sahaza Anay
Kanefa Ray Tsy Ny Tianay
Fa Izay Tena Si... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naina/nankaiza-ny-tanteliko-teto | NANKAIZA NY TANTELIKO TETO? | N'Aina | "ireo efa zatra, mivarotra lova,
ka namela ratra, hivavao mba hiova" (MAHALEO)
Nisy ilay tena mamy, tantely vokatry ny ala
Napetraka tetoana, natoky, tsy nisalasala
Kinanjo vitsika mpisompatra, nangorona azy sy nanala
Laniny daholo re, lazainy fa haren'adala
Fa tsy azo atokisana, tsy atao tapaka sy namana
be ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/rivotra-aza-aho | Rivotra aza aho... | Dox | Izato ianao mihaminkamina
Anaty tory soa milamina,
Tsy manahy maso hijery,
Reno-tory samy irery...
Rivotra aza aho ka rivotra
Ka ao amiko no difotra
Ny tenanao matory izao...
Ho vita lasitra ao ianao!
Dia hanafosafo mora
Ny tenanao bakorakora
Izaho rivotra, rahavako...
Ho akanjonao manify...
Ka ho satrinao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naina/valovotaka | VALOVOTAKA | N'Aina | VALOVOTAKA
(Hira nohenoina teo am-panoratana: Vorona. Barijaona)
"Fa tratra hariva irery an-tanin'olona
Tomany fa te-hody, Ravalovotaka" Malok'ila Erick Manana
Misy irony takariva, manetsika embona sy tsiaro
ho an-dRavalovotaka iny, mamoha alahelo maro
Indrindra rehefa misy kalo, henoina amin'ny teny gasy
Dia ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naina/tanindrazako-mahantra-paradisanny-fitiavako-rova | Tanindrazako mahantra, paradisan'ny fitiavako | N'Aina | folo taona maro no tsy nahitako anao ry Taniko
ka be ny banga sy ny hanina, amin'ny tsiron-java-mamiko
fa vao nigadona kanefa, dia akory ny hafaliako
fa io nitsena sy nandray, ilay hany olon-tiako
Hitako ny fahantrana, sy ny aretina, sy loto
tsapako ny fiezahana, ny fiaretana sy zoto
fa ny nahamarika ahy, ary ten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mbola-ho-avy-ilay-maraina | MBOLA HO AVY ILAY MARAINA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Betsaka no kivy ny vahoaka Malagasy,
Am’ireto zava-misy ka lasa toa mangasihasy.
Tsy manan-kery intsony, hany sisa tanam-polo,
Iatrehana mosary, kolikoly, herisetra sy bontolo.
Mihasarotra hatrany anie izany fiainana,
Hazakaza-dava tsy misy mba hisainana.
N’aiza n’aiza aleha fahasahiranana no hita.
Irony zava-ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naina/namako-sy-rahalahiko | Namako sy RAHALAHIKO | N'Aina | Namako ianao, satria manan-karena
Manana atolotra, manana omena
Namako ianao, mahay manambitamby
Ny tsolotsolotrao, manana ny amby
Namako ianao, olona ambony
Ny fiarahana aminao, tony dia tony
sy tsara aro kosa. Ry mpanao fanjakàna
Namako ianao, ianao mahay lalàna
Namako ianao, fa olo-mihaja kosa
izay miaraka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naina/ny-teny-gasiko | NY TENY GASIKO | N'Aina | tokony hangina aho sy hijanona amin'izay
tsy efa be no vita, fa satria aho tsy mahay
tsy miteny gasy tsara
raha ny marina no ambara!
fa ny voambolana ampiasaiko, irony teny mahazàtra
na foronin-tsotra izao, tsy mihaja, lavi-pàtra
hafa ihany ny taloha
ilay teny gasy, teny soa
ary indrindra koa anefa, zava-misy t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/aza-menomenona | AZA MIMENOMENONA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | AZA MIMENOMENONA!
aza be menomenona
fa mba miandrasa aloha fotoana,
aza mimenomenona
f'izao no zava-misy koa ataontsika ahoana!
fa iza no nifidy ka nametraka azy teo ?
ary iza no nandatsa-bato tsy ankiteniteny?
dia aza mimenomenona f'efa mankaleo
ity fanankian-dava izay efa ho lavareny
dia aza mimenomenona
fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/ao | Ao.... | Dox | Ao ny lanitra tomaratra,
Nefa mbola tiako fatratra
Ny masonao mijery ahy,
Anoloranao fanahy...
Ny felana rehetra ao...
Ny tsiky eo imolotrao
Anoloranao fanahy,
Mbola firavoana ho ahy!
Ny voninkazo rehetra ao...
Nefa dia ny tenanao
Anie no fanapera-mamiko!
Tiako izao rehetra izao....
Nefa mbola tiako ianao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fotoana | NY FOTOANA | Fredy Jaofera | NY FOTOANA
Ny fotoana
no nanafoana
ny tsiarom-pitia
fa tsy mba ninia.
Ny fotoana
no nahamoana
'reo androntsika
raha tsy mikiaka.
Ny fotoana
no nanoloana,
nanova ny lasa
ho to izay kinasa.
Ny fotoana
tsy hay ahoana
no nampanadino
anao ka halalino. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/naina/tiako-ianao-ramalagasy | TIAKO IANAO RAMALAGASY | N'Aina | TIAKO IANAO RAMALAGASY
Ho anao ity hira ity, ry tao-bolo mahavariana
satry entin'olon-tiana
randra-kely, taly hosy, ody moka, tana ivoho
mety diso ny filàza, aza tsiniana
F'efa adino ny taloha...
ho anao ity kalo ity, ry meva samy fitafiana
satry handravak'olon-tiana
lamba asampina amin'ny soroka, sembo, landy,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ninia | NINIA | Fredy Jaofera | NINIA
Ninia namely
rehefa tsy tany
no naka tantely
ho an'ny akany.
Ninia nifosa
rehefa tsy hita
ho olona osa
tamin'izay vita.
Ninia nandidy
rehefa tsy tiana
sy nangidihidy
'zay faniriana.
Ninia nandoza
rehefa nisintaka
sy nahita kitoza
ka dia voafitaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tia | REHEFA TIA | Fredy Jaofera | REHEFA TIA
Rehefa tia,
zaka ny hadisoany
fa tabiha,
na dia tsy tsaroany.
Rehefa tia,
tanty ny tsikerany,
na mangia
izany no tsy ferany.
Rehefa tia,
mety izay ataony,
na minia
miaro 'reo lalaony.
Rehefa tia,
mora ny manaraka,
na mandia
kiana vary raraka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/clahrk/ampy-hanadinoiko | Ampy hanadinoiko | Clahrk | Na dia nilaozanao e!
Tsy hitanondrika na koa hitomany
Fa na mafy aza anie
Tsy maintsy ho zakaiko ihany
Na dia sarotra ho ahy
Ny hanadino ireo tantara taloha
Ampy ahy izay...
Ka aleo hampitraka ny loha |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/mitazana-azy-roa-sisa | MITAZANA AZY ROA SISA | Ny tohaina | Omaly hariva maizin' andro
mijojo mafy ny orana
tazako irony
tovovavy mitangorina,
eo am-pialofana
efa samy kotsa be,
lena hatrany any anatiny
tena nampomehy
Fa tovovavy iray
no nanintona ny masoko
Oadray " coup de foudre"
saiky latsaka ny satroko
Fa manja be ry reto a!
tena babony ny foko
maontina fitafy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toubib/manantena | MANANTENA | toubib | Izay tsy mbola hita akory
Tena mbola tsy hay jerena
Ilay tsy mampahita tory
Izay ilay hoe manantena
Toa tsy hita hoe mazava
Indraindray toa mahonena
Nefa maha miran-tava
Ny ampon'ny manantena |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/fitia-lefy-hery-tohiny | FITIA LEFY HERY | RMA | Toa zavona nandalo ka levona veti2 ,N fifandraisatsika nanao toy ny ranfotsy !
anw niavona na d mandalo ts mb mivily ,N fifankatiavatsik diany sisa hita!
B ireo ef vit fa @ko ts amp !
Tik rah mbol mitoh saing anao ts net itson
L fiti nangatsik ,lefy! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/mandanny-foko | MANDAN'NY FOKO | harylovah | MANDAN'NY FOKO
Mandan'ny foko ho ahy, tsy hania
Ilay tokinao re, ry tiako doria
Na ory na manana isika, eto an-tany
Ny voady nataoko ho masina hatrany.
Raha sendra mihaody ny fankam-panahy
Tsy miova famindra aho fa aza manahy
Manomboka eto, ry tiako lalaiko
Ianao irery ihany no tokana an-tsaiko.
Raha toa mibol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/tsy-misy-tena-tia | TSY MISY TENA TIA | RMA | Sarotra n manambara n tena fitia
Satry mahatsara nef mankahia
N toky fitak fa n atw no hita
Mis n sitrak nef ts az isaorana n vita!
Manahirana n tena fiti ,sarotra n miti n tena tina
Ts n ten no ilazana fa tena tia
Ka sarotr n hiten hoe tena tia! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/tsiaritro | TSIARITRO | RMA | Tsiaritro ny hangina tsy hiteny hatrany noho ilay fitiavako anao izay miredareda Tsikaritro mibitsika mangina ao anatiko ao manosika ny vavako hibada
Anao l'ay natenaik hatrizay,mb ho tiak & ho tia ah
Anio ah vao h sah satr ef babonao ny fo &fanahy! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/moron_dranomasina-tohiny | MORON_DRANOMASINA | RMA | Ny onja mihao2 ,mitaona hilalao
Ny fozakel akorandriaka,no hosamboritsik
Ar ty rano mihandrona nef to ts ritra!?
Finaritr ery n mpiala sasatr ,Milalao ty rano manonj ts met sasatr
Ts maha te hiala rhf milalao ranomasina
Ka satr fona h eo amorony |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/raha-mbola-misy | RAHA MBOLA MISY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | RAHA MBOLA MISY
raha mbola misy saina
entinao hisainana
hiatrehanao ny maraina
dia aza hitarainana
ny zava-manahirana
fa manàna saina tony
dia hatreo am-pilaminana
ary ankino amin'ny ao ambony
fa raha mbola misy fo
mitempo anatinao
dia aza avela hirohoroho
ka hientana hitrao
fa manàna koa fo tony
manàna f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/any-ho-anytohiny | ANY HO ANY | RMA | Any ho any misy migoka ny hamamin'ny fahasambarana ,Nefa any ho any koa misy misy misotro ny ngidin'ny fahasahiranana
Any ho any misy mivoady tsy hisaraka mandrakizay ,Nefa any ho any koa misy miady ka mandratra ny fon'ny anakiray! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/faratsiho-ilay-tokana-aman-tany | FARATSIHO ILAY TOKANA AMAN-TANY | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Misy distrika iray mahafinaritra,
Ao andrefan'ny Ankaratra ao.
Miaraka amin'ireo tanàna maro,
Inoana misy ny efa fantatrao:
Faratsiho, Antsapanimahazo,
Vinaninony, izay efa henonao;
Andranomiady, Ambohiborona,
Ramainandro, inoana fa tianao,
Miandrarivo, Ambatondradama,
Mbola maro ny ankoatra ireo.
Distrika t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/any-ho-any | ANY HO ANY | RMA | Any ho any misy toerana malalaka afak hitoerako
Any ho any misy ilay ho malalako afaka hanala n haitraitrako Any hoany misy mijaly mitomany nefa any ho any koa mis finaritra sy falifaly!(HITOHY) |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toubib/heritreritra | HERITRERITRA | toubib | eo akaiky tsy hay fihinina, nefa tsapanao mandindona
mitambesatra toa inona, sady zava-misy tsinona.....
heritreritra no anarany, tena sarotra vonoina
henoinao ny fitantarany, trondrobe ianao jonoiny.
milamina izy, ianao matavy, misompatra izy, mampanavy
fa ny tena maharatsy azy, dia ilay hoe mamosavy!
antoandro ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malilo | MALILO | Fredy Jaofera | MALILO
Malilo ny foko
matoa niova loko
ka aza adalaina
fa dia savolaina
nahazo ny vava
nasesiny lava ;
nahazo ny fosa
saika nahosa ;
nahazo ny latsa
fa tsisy patsa ;
nahazo ny teny
nandratra ombieny ;
nahazo ny vary
be nankarary ;
nahazo ny roaka
ka nampitsoaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/tsiaritrotohiny | TSIARITRO | RMA | Eny ts aritro intson n hangina ts hanambara
Ka hanakana ny vavako ts hiants anw hoe malala
Betsak tokoa ny eo anoloak ,fa rah ts anao rerak torovan n foko
Tsorik et androan f ef ela ah no babonao ,Ka anio ah n sah milaza an'izay ,fa anw n tiko ! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/fitia-lefy-hery | FITIA LEFY HERY | RMA | Ranon'erika mijojo ,orana mivatravatra
ianao tsy niherika na tojo ,nanao ahy ho toy ny olona tsy fantatra!
Aiza anefa ny fahiny ,isika raha mifankahita tsy nifakafoy!
Kanefa ankehitriny ,na dia tsiky iray aza tsy nisy nahafoy!
(HITOHY) |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/aminny-volana- | Amin'ny volana ! | Antsa tononkalo.R | Taratro amin'ny volana ianao ka banjiniko isan'alina ;
Ary tsy andriko aza izay, hatakariva ny andro !
Eny e! , manjopika ny kitana an'alinalina
Sy tahak'izany koa ny habalikan'ny masoadro.
Fa tsapako amin'ny volana ianao ka banjiniko eto foana
Ary satriko aza ny andro mba ho takariva ihany
ary eto angamba, is... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toubib/mivavaka | MIVAVAKA | toubib | MIVAVAKA
Tsy tangoringorin’olona, re manandratra hira mafy
Kanefa tsy ela avy eo akory dia feno avonavona...
Fa miaraka mitolona, fo mitambatra sy miafy
Miray saina sy miory, tsy ‘lay zara fa miangona !
Tsy miankanjo fanaperana, miezaka ho tazana
Ka dia toa madio ivelany, raha jerena dia fasana
Nefa ao anaty a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/tena-fitiavana | TENA FITIAVANA | ANDRIANAIVO PAUL | Fitiavana tena izy,
Lazaiko anao tsy ankifidy,
'Zay hitsin'io fa io,
Henoy tsara tadidio.
Ny tiakambara dia izao,
Ho soratako ho fantatrao,
Fa ny fitiavana tena marina,
Manampy ny tia ho tafarina.
Ndrao hary fitia sotasota,
Fadio fa fositry ny ota,
Raha arena no hoenty mitia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/vetso | VETSO | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | VETSO
ny masontsika nifanojo
nifandinika maharitra
no nampientana ny foko
te hilaza izay mba tsy aritra
ary te hiresaka mangina,
hangalatra fitiavana,
ny fo moa tia ka nanam-paniriana
na fotsiny aza finamanana!
fa nisy tsiky niampita
niantefa tamin'ny vavako
te hilaza hoe tsy ritra
fa ho anao irery ny fiti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tahotra | TAHOTRA | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Satry hipetraka hiery,
Ilay nokasaiko halaina namana.
Haka mamy samy irery,
Ny tsiron'ny fitiavana!
Hikobona ao anaty,
Tsy hanambara ny ao am-po.
Hoe misy olona any ho any
Tiako hitatantana ny tanako!
Satry tsy hiteny amin'ny tiana,
Hanokatra ny vavako.
Hoe " tia" ka hiandry am-pitoniana,
Izay teny avaliny a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toubib/mpitsabo | MPITSABO | toubib | ny asako?
ilay tena singa ilaina hitoizan'ny fiainana
ilay tsy asiana vidy, nefa tena ambony Sanda
matetika no hita maina, nefa tsy azo hitarainana
ny lanitro ao mazana mainty, ny anao kosa ataoko manga.
ilay tsy mampahita lava, fà zara aho raha mba tazana
ilay fitia mamatotra ahy, ao anaty fahafahana
ilay mampa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/sakaiza-tena-tia | Sakaiza tena tia | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Raha sendra fahoriana,
Na nilaozan'olon-tiana.
Ka tsy misy mampionona,
Dia ilay sakaizako hatonina!
Na koa sendra olana goavana,
Nefa tsy mahita tany diavina!
Aza kiviana aloha ny tena,
Fa ndehana ilay sakaizako jerena!
Ilay sakaizako mahatoky,
Fa antsoinao hoe BOKY!
Amiko sakaiza no hiantsoko azy,
Mpitondra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/moron_dranomasina | Moron_dranomasina | RMA | N rivotr mahasalama,andefas papango mahalasa ambony
Toerana mahatamana raha ny ranomasina sy ny morony !
Rivotra mitsoka malefaka,mahavelo_tsioka sy tehaka Mahafinaritra ny eto am_pototry ny voanio,satry tsy hiala eto anio!
(HITOHY) |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/impiry-lay-fitia-najorontsika | IMPIRY 'LAY FITIA NAJORONTSIKA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | IMPIRY 'LAY FITIA NAJORONTSIKA
Malala a! mba tadidinao ve hoe:
mba impiry izay isika
no niandrandra fahasambarana
ary impiry lay fitia najorontsika
no sendran'ny hasoparana
dia impiry koa isika
no niandrandra ny ho lafatra
kanefa lay fitia najorontsika
matetika aza toa mbola ankamantatra?
ary mba impiry koa i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/paingotra/mianara | Mianara | Paingotra | ¤¤¤Mianara¤¤¤
Mianara ianao ho vatsy
Aza kamo fa mianara
Fa io anie atsy ho atsy
Tsy ho hay izay ho anjara
Maro ireo te hianatra
Amin'izao fotoana izao
Fa tsy izay ilay lahatra
Tsy mitovy amin'ny anao
Ny anao ny fianarana
Ny anao ny fananarana
Natakalo kilalao
...Fa sao anie hanenina
Ny marina tsy afenina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/paingotra/tsapako | ¤¤¤Tsapako¤¤¤ | Paingotra | ¤¤¤Tsapako¤¤¤
Tsy fantatrao ny zakany
Tsy hitanao ny lasany
Tsy tratranao ny takany
Tsy tantinao ny dakany
Fa ny vitanao tsy misy dikany
Oharina amin'ny efa vitany
Fa sao anie ho aho hitomany e
Mahita azy sy ny sipany
Fananarana izy aloha e
Indrindra ho an'ireo izay efa voa
Fa ho an'ireo izay mafy loha
Aleo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/paingotra/tsy-ianao-ka | Tsy ianao ka | Paingotra | Tsy ianao ka
Eny ho aho ry tovovavy
Ianao na manja be sy favy
Na ho jejo be hisarika ahy
Tsy hahataitra ahy na oviana
...satria,fantatro ny lasany
Tsy ho zakako ny ditrany
Ka aza dia maka fanahy
Na dia manampaniriana
Aza manantona ahy
Fa sao hampitondra fahoriana
...Fa izao zavavy ah
raha sendra mba mitady
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toubib/gasikara | gasikara | toubib | Gasikara
Very ianao ry Gasikara, Ilay tena tanidrazana
Moa nanendry voa voarara, no nahatonga anao ho ngazana ?
Raha ny mponina entinao, maro no hita fa sahirana,
Raha kaonty no atao, dia tsara handosirana !
Nefa ambarako etoana : Fa na aiza no hiantsonana
Sanatria raha tsy ho tsaroana, ilay tany niforonana !
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/paingotra/izay-mba-takatry-ny-saiko | Izay mba takatry ny saiko | Paingotra | Izay mba takatry ny saiko
Izay mba takatry ny saiko
Izay nomeko anao rehetra
Ka nomeko tsisy fetra
nokoloiko, nohatsaraiko
Izay mba takatry ny saiko
Fitiavana tsara fototra
Ka nomeko sy natolotro
Ireo rehetra tena ilaiko
Izay mba takatry ny saiko
Ny hahasambatra azy no tadiaviko
Ny fangatahany ve ho laviko
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/paingotra/taminizany-ianao-no-tiko | Tamin'izany ianao no tiko | Paingotra | Tamin'izany ianao no tiko
Izaho tsy hoe marary fo
Raha hitantara indray
Ireo lasako taloha
Sy ny tantaranay
Fa tadidiko izy ireny
Satria tena nampahory
Satria fitia tsy feno
No tsy nahitako tory
Fa raha nisy sipa
Tena niaina fahasambarana
Tsy nisy ohatr'anao angamba ah
Fa ianao no tsy nahay
Nitazona ny ant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/efa-mahazatra | Efa mahazatra | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Mpamangy ahy efa hatramin'ny ela,
Ny sento vokarin'ny embona.
Efa sakafo mahazatra ny lela,
Kanefa indraindray toa miteraka aretina!
Na andro na alina, tsy azo vinany,
Tsy hananan-tsafidy fa tsy maintsy henoina.
Na sendra mifaly, na sendra tomany;
Dia tsy maintsy hampandrosoana...
Toa tahaka ny vato am-babena,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/hatraminny-nahalalako-anao | Hatramin'ny nahalalako anao, | Antsa tononkalo.R | Hatramin'ny nahalalako anao, ny takariva etoana ;
- Dia velona sy niavaka.
Tsy toy ny alina fahiny... na ny tany na ny lanitra.
Hatramin'ny nahalalako anao, no nananako finoana ;
Fa, fitiavana andriamanitra... Ary be ny fitahiany !
Ka maniry anao ny foko, manantena valim-bavaka ;
Hatramin'ny nahalalako anao,
- R... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/paingotra/efao-ny-adidy-rahoviana | efao ny adidy
Rahoviana | Paingotra | efao ny adidy
Rahoviana vao hiova
Ilay maditra iny
Moa ve manantena lova
Ka tsy misy rarahiany…
Ny rehetra momba ny ho aviny
Ka ireo izay mba nanoro
Miana-kendry hono e, ka nolaviny
Nanohy ny revy,ditra,loka
Kinanjo io fa nahabevohoka
Nanenina fa tara e
Ka izay vao tonga saina tsara
…..Handinika….
Hitsoaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/ny-fo | Ny fo | harylovah | Mahalala anao ny fo
Fa izy tsy mba fantatrao
Midongy toy ny manan-jo
Hoe azy izao rehetra izao.
Mihantahanta feno kiry
Manonofy zava-poana
Maherisetra fitahiry
Irony lasana tsaroana.
Dia ranitinao ny saina
Mba hisivana ny ditrany
Fa mazàna miala maina
Tojo izato pitrapitrany
Ny aretin'io tsy fantatra
Fa ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/paingotra/...-efa-tara- | ... Efa tara ... | Paingotra | ... Efa tara ...
Te handray tanana
te hiara-dalana
fa tsy sahy mivaky
...manotika ny anaty
fa misy manadala
ilay iriany ho malala
io fa sakambininy
io koa fa fihininy
dia nitsiky kely
...fa miala kely lavidavitra
misy tezitra sy rangitra
te hitroatra sy hamely
nefa izy iry toa faly
sy toa manomé alalana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/kibo-nitoerako | KIBO NITOERAKO | Fredy Jaofera | KIBO NITOERAKO
Izy no kibo nitoerako
efa lasa any an-koatra
mamoha 'reto fitserako
sy ny ora tsy hivoatra.
Izy no kibo nitoerako
nantenaina aok'izany
mihazo ny fiheverako
ka mampisy tomany.
Izy no kibo nitoerako
tadiavina eto samirery
ilaina mba hanaperako
'reo sento mila hamery.
Izy no kibo nitoerako
man... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/paingotra/....hikiry....-vitaiko-i | ....Hikiry....
Vitaiko i | Paingotra | ....Hikiry....
Vitaiko io na sakanana
Atao io fa tsy andramana
Iriana satria tsy ananana
Tsy Be aho fa bitika
Tsy ngeza fa madinika
Fa na kely ary aho hisisika
Ka io na fandraràna
Na hiova fankahalàna
Dia hiezaka hitifitra
Mba ho voalohan'ny lisitra
Satria misy teny iray
"Ny malemy no folaka"
Eny,hatramin'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/fahendrena | LEO FITIA | RMA | Ef mb niti saing nakifik
Efa mb nanaik saing nolavin
za nilaozanao iny saik nivik
Nalai_komana izay telina tô ts levon!
Ef nanaj saing mbol nis nampiraf
Toa ts fen lay ftia nef nihilan
D izay miark @ko tô migaf
lay oe tik enw nataon dika vilana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/paingotra/aoka-marina-e-hajejoana | Aoka marina e!
Hajejoana | Paingotra | Aoka marina e!
Hajejoana,hamanjana
Izy tompon'ny laka
Havonavona,hamaolana!
Izy koa tsy ambaka
Ilay mampidera foitra
Misarika mpijery
Ilay fé miseho loatra
Amin'izato zipo tery
Tsy misy diso amin'izao
Raha hijery ny aoriana
Fa ty akanjonao e
Dia feno fahasahiana
Fa ny tena olana
Mety hisarika mpanolana
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/traniha/samihafa | Samihafa | TRANIHA | Be reo fahavalo nisakana ny lalako
Maro ny tsy tia, ny tenako ankahalainy
Vao nierika aho dia antsy ny teo ilanivohoko
Saingy izao no tsy hainy,
Namboarin'Andriamanitra manokana ny vatako
Ny foko tsy ao antratrako, ....
Fa eo ampelatanako.
(Ils ont visé le côté gauche de ma poitrine, mais en vain
J'ai un défaut... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/niezaka | NIEZAKA | JERY | NIEZAKA
Niezaka aho niala,nanadino anao hatrany
Fa moa ve nety nilamina ny foko hatramizao?
Ivelany aho mitsiky f'ao anatiko ao mijaly
Malahelo lava na dia tsy fantatrao
Niezaka aho nangina,ny any anatiko efa fanina
Ny endriko tsy rotitra?misy zavatra fonosiny
Iny arahabako iny,te hamihina raha ny marina
Fa mia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mahalasa-eritreitra | MAHALASA ERITRERITRA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Miserana mandalo ihany, ny fiainana eto ambonin'ny tany.
Raha atao indray mijery, ireo rehetra, eo anivon'ny tontolo.
Mahalasa eritreritra, satria raha vao teraka dia mitomany;
Ary mbola sento sy tomany, no hiseho, rehefa lasana daholo.
Teraka, mitombo, beazina an-trano, mandia ny sekoly.
Manovo fahalalana, traike... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/raha-toa | Raha toa | Nalison Randrianaivo | Raha toa
aza mba kivy izany
raha toa nilaozan-tiana
fa mitrakà hatrany
fa mbola hisy fifaliana
tsy ho lany amamiana
lavitry ny fahoriana
miononà, mitrakà, mahereza
raha toa dom-pahoriana
isika mandalo tsy hateza
fa anaraka azy avy ato aoriana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/l-dhf/fahendrena | Fahendrena | Lëė Dähf'® | Sarobidy loatra,tsy foy ho atakalo
Tsotsotra kely,tsy ananan'ny maro!
Nananan'ny Ntaolo sy Ray aman-dreny
Ventiventesiny raha miteny!
Raha tsy eo intsony,ilay anadahy
Ka sendra irery,zary manahy
Esory ny tahotra,aza miahiahy
Ho tonga mpandresy,ireo fakam-panahy
Tsy mba nananan'ireo firenena
Tsy hita loko na ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/peratra | Peratra | Nalison Randrianaivo | Peratra
ity peratra ity
no volamena satria
fitiavana tsy miofo
no atao porofo
ka tolory izato tanana
an-kavia fa tsy havanana
ho hanatsofohana ity
peran'ny fitia
ho mari-pamantarana
fa vadiko ianao
aleo mba hiangarana
manarapoana no atao
ity izy ity dia sarobidy
ho anao ilay voafidy
hotolorana azy io
ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/lalim-paoriana | Lalim-pahoriana | cedarf | latsaka, anatin'ny sentoko lalina,
ty foko marefo izay mora tomany;
te hilomano fa tsy mba tafarina,
handresy ny hamafin'ny onjan'ny tany.
roboka anatin'ny ala kiriana,
ty foko izay reraka loatra amin-tsento,
ny kintana ambony izay fatratra iriana,
no mba vetsovetso.
lalina loatra amin'ny embona izany,
toa tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/traniha/ny-fitsaranny-tany | Ny fitsaran'ny tany | TRANIHA | F'iza moa ianao no afaka milaza
F'izay niainanao, na koa nambara anao
No marina filaza ?
F'iza moa ianao, no afaka hiteny
F'ireo izay mangina, tsy afaka miteny
Na koa tapenam-bava
Ka diso ombieny ombieny
Imasompiaraha-monina
Dia tsy mba vanon-ko ho olona ?
Raha mbola eto antany
Ny mainty sy ny fotsy, dia loko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/veloma-mandrampiaona | Veloma mandrampiaona | Nalison Randrianaivo | Veloma mandrampiaona
sendra tratra hariva aho tamin'izay
nandalo tanàna kely iray
ny tena amin'io efa reraka
ka namonjy, nankaina, nipetrapetraka
tamin'izay indrindra no nahatazanako
tovovavy iray nandalo ny lalako
koa nanainga azy aho mba hipetrapetraka
ka fantatro teo fa aty izy no mipetraka
minitra vitsivit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hendre-tsara | Hendre tsara | Nalison Randrianaivo | Hendre tsara
hendre tsara malala
any tany lavitra any
tandremo ny miadaladala
na dia tsy hitako aza izany
fa izaho miandry eto ihany
tia anao foana, fa aza manahy
izay hendry tsy ho tratran'izany
atao hoe fankam-panahy
koa mahazo matoky ahy ianao
fa tsy hipelika hijerijery
ny foko izay efa babonao
ka hipetr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/hanadino-anao-aho | Hanadino anao aho | Ny tohaina | Hanadino anao aho
Fa hay nofinofy
'Lay voadintsika roa
Tato anaty fesiboky
Fa hay diso fiantefa
'Lay onjan'ny fitiavako
Hatrizay aho tsy nahalala
Androany lahy vao tsapako
Ka moa ve hadisoako ?
Raha ataoko ny veloma
Eny afoiko ianao
Dia aza mba tsaroana
Aleo hivalona any
ny tantarantsika roa
Ka aleko mana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/vady-malalako | Vady malala | Nalison Randrianaivo | Vady malala
ry vady malalako
ianao no anjarako
ianao no fananako
ianao no tantanako
ry vady tiako
ianao no nofidiko
ianao no niriako
ianao no fifaliako
ry vady lalaiko
ianao no hajaiko
ianao no deraiko
ianao no aiko
ry vady tsy foiko
ianao tsy soloiko
ianao tsy vonoiko
ianao tsy treroniko
ry vadiko mam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fanomezanolon-tiana | Fanomezan'olon-tiana | Nalison Randrianaivo | Fanomezan'olon-tiana
hitsingerina ity ilay andro
nanomezanao ahy an'ity
ity famantaran'andro
ho marika fa tena tia
tsy hanaovako isan'andro
tsy tiako ho simba sy haloto
ity famantaran'andro
tany amin'ny malalan'ny foko
tsy ho hentiko mandehandeha
tsy foiko sao ho very
ity izy tsara tarehy
izay natokany ho a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/soamahamanina | SOAMAHAMANINA | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | Miha -ratsy ny fandehan'ny ady
Raha izao zavatra hitako izao
Tia Tanindrazana ve
Dia ny tany no atao kilalao?
Ny tany no tsy lavadavahana
Dia mazava fa mbola hilalaovana,
Malagasy no nandatsa-bato
Dia Sinoa ve no hitondra fitaovana?
Lokaloka ny vonona hitondra
Dia izao ve no fahaleovan-tena?
Gaboraraka tsisy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elabakaka/lasa-tia | Lasa tia | Ny Avo Elabakaka | Nisosa teo ny volana, dia nihodina ny taona,
Izaho sy ianao tsy niova, fa mpinamana eny foana
tsimbotry niaradia, ary mbola lavorary
hatramin'izao isika tsy nisy nifanary,
fa tato ho ato izay, tsy haiko hoe nahoana,
f'isika nihatanora, dia nisy koa nivoana,
ny tato am-poko tato,
ilay fotsifotsikely nanaingo ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ao-aminio-trano-io | Ao amin'io trano io | Nalison Randrianaivo | Ao amin'io trano io
ao amin'io trano io no misy ilay malalako
ao amin'io trano io no misy ireo taranako
ao amin'io trano io no misy ny fananako
ao amin'io trano io no mitoetra ny anarako
ao amin'io trano io no misy ny tantarako
ao amin'io trano io no hipetrahan'ny fitiavako
ao amin'io trano io no misy ilay anjar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ilay-sarinao | Ilay sarinao | Nalison Randrianaivo | Ilay sarinao
ilay sarinao iray
tiako loatra anie izay
no mbola voatahiry
fitia mankadiry
iny sarinao iny
no mamoha ireo fahiny
ka horoako indray
ianao faha izay
raha iny aho manoroka
avy eo aho malahelo
izay tsy tena molotra
ilay noroaka in-telo
fa sary fotsiny ihany
fa tsy mba molotrao
no reako tamin'iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sarondrahona-rambolamanana/tsy-tonga-volana | TSY TONGA VOLANA | SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA | Niondrana matetitetika
Hoe hivory any an-tampony
Impiry niverina avy any
fa tsy nazava ny antony
Nalaza taty an-tanàna
Fa vitanareo lahadinika
Hoe haverina ho an'ny GASY, hono
Ireo Nosintsika madinika.
Nisy vaovao efa heno
Taratra kely nanambana;
Nanaiky ny maha-tompony antsika
ireo Firenena mikambana
Nandr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/teny-mamy | Teny mamy | Nalison Randrianaivo | Teny mamy
ny tena fitiavana re no lazaiko
ho atolotro anao silaky ny aiko
fa ianao ihany no mby ao an-tsaiko
mamiko hatrany sy tena lalaiko
tsy izany ihany fa hatramin'ny aiko
atolotro ho anao ry ilay no tiaviko
raha mbola ianao dia ho hajaiko
tiaviko hatrany fa tsy mba ho laviko
tsy maty an-doha ilay endrika ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/aleo | Aleo...! | JNB | Tsy aritro fa hanoratra ho anao aho
tsapako fa izay no azoko atao
hanambara an-tsoratra hatrany
hilaza fa misy fo mitempo ho anao anioany
Manoratra aho fa izay no azoko atao
tsy aiko kobonina anatiko ao
fitia maditra,miredareda aminao
mandoro ahy,ka hoy ny foko hoe lazao
Kanefa ny vavako tsy afaka hanambara
ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/lasa-ianao | Lasa ianao | Nalison Randrianaivo | Lasa ianao
lasa ianao nandao
niova tiana vaovao
fa izaho navelanao
nangahiahy toy izao
lasa ianao tsy tana
fa hoe leo, tsy tamana
fa izaho navelanao
nangina irery toy izao
lasa ianao nidila
lasa nangingina
fa izaho navelanao
manirery toy izao
lasa ianao nifindra
any an-kafa, fa izaho
ilay tsara famindra
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hifonako-malala | Hifonako malala | Nalison Randrianaivo | Hifonako malala
hifonako malala
ireo teny nandratra anao
izay navoakan'ity vavako
sy nampilatsa-dranomaso
nankarary ny fonao
nanafitohana anao
hifonako malala
fa diso tokoa aho
fa lasalasa ka tsy tanako
ka nahatondraka ny maso
nameno ny tavanao
nanamaloka ilay endrikao
hifonako malala
ireo teny ratsy
sy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tazako | Tazako | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Misy aloka,
Manaloka.
Toa tazako manatona.
Misy rahona.
Tazako mandrahona.
Sy mitondra zavona.
Misy tadio tsy mety mijanona.
Izay mananontanona.
Fa handrava ny tamboho vao voakoloko.
Misy lefona efa tazako.
Avy aminao rahavako.
Fa hitsatoka amin'ny foko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/tsy-maintsy-ve | Tsy maintsy ve? | JNB | Tsy maintsy ve ny fiainana tsy ilaozam-pahoriana?
tsy maintsy ve hoe namana foana ny fitomaniana?
tsy maintsy ve ny fiainana an-tany mira jaly?
tsy maintsy ve oa?Ny foko mitomany
Ireo toloko sy sento!
tsy mbola nandao ahy foana hatreto
ireo jaly mampitomany
aza kivy hono e!fa izany no fiainana an-tany! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/nanjary-tiako | Nanjary tiako | Nalison Randrianaivo | Nanjary tiako
ilay anaranao halako
ilay hendrikao nariko
nanjary ho malalako
nanjary lasa tiako
nanjary fiadanako
nanjary tsy foiko
ilay toetranao difiako
ilay masonao
nangariako
ilay fiteninao nororaiko
nanjary olon-tiako
nanjary lasa fiako
nanjary nolalaiko
ianao ilay tsy namako
lavitry ny tananako
ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tiako-ianao-malala | Tiako ianao | Nalison Randrianaivo | Tiako ianao
teny tsotra raha tononina
teny mamy tsy noforonina
fa teny sarotra hambara
raha zaraina amin-kafa
teny kely manalasala
nefa mahalatsa-paka
teny tsotra raha lazaina
teny kely mampiferinaina
teny kely mampihetsipo
teny kely mamy tena soa
teny kely fandre
amin'ireo tanora
kely nefa mahafehy
sady ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/firariana-soa | Firariana soa | Nalison Randrianaivo | Firariana soa
mirary anao aho ho tafita
amin'ny fianarana atao
ka hanohy atrany am-pita
sy ho tafita soa ianao
mirary anao aho ho tojo
amin'izay tiana
ka ho tsara no hifanojo
mba ho fifaliana
mirary anao aho atratra
amin'izay iriana
ho hafaliana tsy ombi-tratra
rehefa tody amin'ilay tiana
mirary anao aho a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tantely | TANTELY | Fredy Jaofera | TANTELY
Esory ny takotra
izay tsy mahalala
ny ao ka fantaro !...
Tantely afa-drakotra,
anjakan'ny adala
ny harena maro. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/mahatsiaro-resy | Mahatsiaro resy | JNB | Mahatsiaro resy izany foko
mahatsiaro resy ka mitoloko
mahatsiaro trotraky ny diha
very ny fanahy,nanjary very diha
Tomany ity foko
mafy loatra ny toloko
mitaraina miantso anao
vonjeo re ry Ray an-danitra ao!
Vonjeo aho fa reraka
vonjeo fa mitady ho ketraka
aza avelanao irery
fa matsiaro ho tena very |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manganana | MANGANANA | Fredy Jaofera | MANGANANA
Fatra-pitady ny manganana
ka azon'izay tsy nampoizina
raha izao sisa no ananana
sy ny lakana azo voizina.
Fatra-pitady ny manganana
ka voan'izay tsy nandrasana
raha tratran'ny fananganana
ny sento mbola tsy lasana.
Fatra-pitady ny manganana
ka sendra ny taolana mafy
raha indro mbola fahanana
sy ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/izy-no-izy | Ny fitiavako azy | Nalison Randrianaivo | Ny fitiavako azy
na ho aratsiana ho hankalaina
tsy mampiova ny fo sy ny fitiavako azy
tsy mety malazo sy ho karakaina
fa izy ilay raozy anaty vazy
aza misisika ny halala akory
fa mijanona ho mpitazana fotsiny
aza manofy ny ali-matory
fa tsy ho anao ny mamy sy rotsiny
na atao tsinotsinona sy roraroraina
roasin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fitia-mifamaly-2 | FITIA MIFAMALY | Fredy Jaofera | FITIA MIFAMALY
Fitia mifamaly
no tena fitiavana
rehefa voangaly
sy tomandavana.
Fitia mifamaly
no antoka marina
manova ny omaly
rehefa amboarina.
Fitia mifamaly
no tena fiadanana
tsy ho azon'ny jaly
ka tsara hotanana.
Fitia mifamaly
no tanjona ilaina
samy hampifaly
ny fo ka lazaina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/karazam-boay | Karazam-boay | Nalison Randrianaivo | Karazam-boay
raha mandinika indray
isika ka mijery
dia misy karazam-boay
nefa dia kely
bitika sy kilitika
ngeza kely noho ny vitsika
fa mitovy amin'ny angidina
nefa tsy manidina
ny tongony efatra
ny vatany matavy kely
tokony ho fito santimetatra
ny halavany raha ny fijery
nefa miendrika voay
na dia kely s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/nampirafy | Nampirafy | Nalison Randrianaivo | Nampirafy
fa inona no nahazo anao
no dia navita toy izao
sa tsy ampy ny natolotro?
sa leo ny molotro?
No dia nizara roa ny fonao
sa lany ny mamiko
sa te hiova vaovao
fa tsy te iaritra amiko
hatramin'izay nefa ianao
nahay nanambitamby ahy
nino aho hoe tsy ho lao
mbola tsy nampiahiahy
nefa izao ianao toa leo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/avelao-aho-hitia-anao | Avelao aho hitia anao | Nalison Randrianaivo | Avelao aho hitia anao
raha misy toerana ihany ao
hitoeran'ity foko
na dia sisitsisiny ihany aza
ao am-ponao ao
raha mba azonao atao
fa ity foko mitokoko
mitady ilay sahaza
ka avelao aho hitia anao
raha misy ihany ny fitiavanao
na kely fotsiny ihany aza
no mitempo fitiavana ahy
ao anatin'ny fonao
aleo mba h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/tsy-maintsy-sedraiko | TSY MAINTSY SEDRAIKO | harylovah | TSY MAINTSY SEDRAIKO
Ny fakampanahy tsy maintsy sedraiko
Ny faniriana tsy maintsy mandalo
Fa rehefa mifantoka kosa ny saiko
Mizotra tsy taitra, fa tsy mba mimalo.
Na ho sarotsarotra aza ny dia
Malama tsy hita ny lala-mankany
Raha mahery fisangy ny ditram-pitia
Sanatria ny ho kivy...izorako ihany.
F'ao ambadik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/nolavinao | NOLAVINAO | Zoky Eric | Jemby tsy nahita ombana
ity foko mba nikasa hitia
Ny alaheloko saika tsy tana
Tsy nahare ilay valim-pitia.
Mba naniry hagata-pitaona
Hilazako izay ato ampoko
Indrisy fa tsy afaka ny hiaona
Hoy ny feonao izay nohenoiko.
Nosakananao ny foko hilaza
Nolavinao nodianao tsy hita
Tsy nisokatra akory ny vava
Ny maso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ara-lanitra | Ara-lanitra | Nalison Randrianaivo | Ara-lanitra
ny ara-ray no mialoha
dia avy eo ny ara-roa
ny ara-telo no manaraka
ny ara-efatra misamaka
ny ara-dimy no sampanana
ny ara-enina no tena mibahana
ny ara-fito no misabaka
ny ara-valo no misalaka
ny ara-tsivy no tenda kely
ny ara-folo lanitra
raha tafita amin'ireny
afa amin'ny ara-lanitra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/hanina-amoron-kamory | Hanina amoron-kamory | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Haninkanina amoron-kamory,
Mampievona manorisory.
Mandatsa ny fo ao anaty.
Mampatsiaro tantara efa maty.
Haninkanina mizotra mankany,
Mandalo amin'ny sento, tomany.
Mampatsiahy ny sary fahiny.
Indrindra fa ilay endrikao iny.
Haninkanina nefa mba ho aiza.
Ato anatin'ny sento mitaiza.
Voagadra tsy afa milefa.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/teny-fandre | Miarahaba manao ahoana | Nalison Randrianaivo | Miarahaba manao ahoana
na aiza na aiza no aleha
na inona na inona fotoana
dia misy teny fandre
miarahaba manao ahoana
na iza na iza manoloana
rehefa fantatra dia arabaina
atao hoe manao ahoana
dia mazotoa aza malaina
tsy maraina io tsy atoandro
tsy fety, tsy andavanandro
fa ahenoana izany foana
ilay arahaba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rdr_jr/tiko-izy-kanefa | Tiko izy kanefa... | Rdr_jr | Tiako izy kanefa moa
Ianao no efa teo aloha
Koa nampandeferiko ny foko
Hitia azy an-tsokosoko
Tiako izy,indro kely anefa
Ity fitiavako diso fiantefa
Izy mantsy efa manatompo
Indrisy moa ry foko
Tiko izy,moa tia ahy koa
Tsy misy mahalala ny ao am-po
Kanefa ny anay efa tsy anjara
Ka nokaloiko hivalona tantara
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/vokany | Vokany | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Ny hira fikaloko amin'ny andro ririnina,
No nandoaka ny foko ato anaty.
Ka nahatonga fery tsy mety afenina.
Sy aretina saika nahafaty.
Ny sioka fanaoko amin'ny andro lohan-taona,
No nanindrona ny saiko hitadidy,
Ka nahatonga ahy hanembona,
Ireo fotoana sy ny ora masi-mandidy.
Ny vaki-bokiko tamin'ny andro fahav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/h.nirina/ambohimiadana | Ambohimiadana | H.Nirina | AMBOHIMIADANA
Eto no vohitra iray nitoerany
Nikolo,nitaiza 'lay volan'ny foko
Teto no nisy ny akany namelana
Nahary ny nofy,nanjary ho nofo
Teto no nisy maraina tsy hita
Kanefa voatsilon'ny fon'i Masoandro
Teto no "ary" 'lay hazo namita
Hibanjinana indray 'zany lanitra avo
Teto 'zay 'lay niankin-drindrina izay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ilay-mody-tsy-maheno | Ilay mody tsy maheno | Herizo Ravonjison Andrianitsiahy | Iza ilay manoratra tsy miato!
Iza ilay miantso hoe lamako!
Iza ilay miteny hoe triato!
Ary iza ilay miteny hoe tiako!
Moa ve misy liana ka mamaky izany!
Moa koa misy sakorok’olona mandre ny antsony!
Moa ve misy mihaino ny antsan’ny tomany!
Ary henon’ilay tiany ve ny hetahetam-pony!
Iza ary i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/naleoko | Naleoko | Nalison Randrianaivo | Naleoko
raha nampoiziko ho fijaliana
dia naleoko mihintsy aloha nangina
tsy nizara ny tato am-poko
mba tsy ho sendran'ny toloko
raha nampoiziko ho fery
no niarahako taminao
dia naleoko aloha irery
tsy nahalala anao
raha nampoiziko ho ratra
no niafaran'ilay fitia
dia naleoko tsy nizara
naleoko tsy nitia
rah... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.