url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/olom-belona
Olom-belona
Nalison Randrianaivo
Olom-belona misy hazo maniry iray hafahafa anie izy izay misy rantsana anan-kiroa ny tanana izany leroa ny fakany toa hafahafa izay roa fotsiny ihany raha jerena tsy mety mitraka miondrika mandeha amin'ny tany ny tendrony tsy mba maranitra boribory feno lavadavaka izay mijoro, mibanjina lanitra mahita ireo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rdr_jr/ho-anao
Ho anao
Rdr_jr
Any ianao ry malalako tiako Mba fantatrao ve ny fijaliako Mahatsiaro anao foana foana Na aiza na aiza,ninona fotoana Ka na andro na alina mangina Mahatsiaro anao foana ry tiana Indrindra rahefa mijery ny sarinao Tsapako ho mararary ny ao anatiko ao Kanefa moa tsy hitako izay atao Raha mba teo tokoa mantsy iana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fandeferana-11519
Fandeferana
Nalison Randrianaivo
Fandeferana niaritra, tsy niteny tsy nilaza taminao fa nandefitra ombieny nokoboniny ho azy irery tsy nataony fantatrao naleony no zakaina na mafy aza izany ireo vono tsy hay lazaina felaka, tehamaina nokoboniny ho azy ihany nandrafy azy ianao nandritry ny volana maro izy tsy mba nitalaho tsy niangavy tam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fisarahanolon-tiana
Fisarahana
Nalison Randrianaivo
Fisarahana nandefitra ihany aho nandritry ny taona maro niangavy, nitalaho taminao hoe mba atsaharo nefa indrisy very maina tsy mba nohenoiny akory efa impiry aho no nitaraina tsy mitsahatra, tsy mitony notohizany ihany nampijaly ahy hatrany ny vono tsy hay lazaina ila hiatra aman'aina isan'andro vaky izao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/mandalo
MANDALO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
MANDALO tsarovy fa: mandalo fotsiny ihany raha ny bika sy hatsaràna mandalo fotsiny ihany raha ny ditra sy hadalàna fa maharitra mitoetra ny soratsoratra poeta mandalo fotsiny ihany izay rehetra taza-maso Mandalo fotsiny ihany raha ny sopatry ny ankaso fa tsy resin-tsetrasetra ny asa soratra poeta dia ata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ankasom-pitiavana
Ankasom-pitiavana
Nalison Randrianaivo
Ankasom-pitiavana ranomaso nameno ny tava halahelo tsy maty ao am-po ilay fitiavana no indro rava nankarary, nikiky ny fo ny saina tsy nino satria tsy nampoizina ny zava-nitranga nofy ilay hoe doria ny fiainana mahatsiaro banga ny eritreritra tsy hay hajanona mamisavisa ireo zava-bita ny ho avy izay mbola ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/filazana
Filazana
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Filazana. Ilazana isika vahoaka malagasy. Fa misy vahiny hoavy atsy ho atsy. Aoka samy hiomana ny isam-baravarana. Amin'ny fandraisana izato vahiny sy amin'ny fitehafan-tanana. Ilazana ny iray tanàna, Fa hisy balina mafàna. Hifangaro amin'ny lainga tsara rafitra. Koa tongava ny akaiky sy ny lavitra. Mandraisa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ilay-tokako
Ilay tokako
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Raha sendra ory ka lasa tomany, Dia izy irery ihany no hany antsoiko. Hiandrandrako teny mamy. Hampionona ny foko. Raha tojo izay nirina, Na koa hoe mirana ny foko. Ka mba te hizara hafaliana. Dia mbola izy no antsoiko. Ka raha sendra tsy salama, Dia izy no tomany sy tsy mipetra-body. Mikaroka vola sy mivarot...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/aleoko-maty
Aleoko maty
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Na dia misy olon-tiana, Hitondra hafaliana. Hampitony ny ato anaty. Dia aleoko ihany maty. Na dia ho azoko ny harena, Vatosoa sy volamena... Miampy vola iray vata, Dia mbola aleoko ihany maty! Na dia ho fanaperana avokoa, Izay voajerin'ny masoko anaky roa. Ka ho tsara daholo izay nolazaina ratsy, Dia aleoko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsindrian-daona
TSINDRIAN-DAONA
Fredy Jaofera
TSINDRIAN-DAONA Tsindrian-daona ny tenako ho any fa ela tsy nihaona ka misento ihany. Tsindrian-daona ny hahita tarehy sao dia misaona fa tsy mihomehy. Tsindrian-daona ny hahazo vaovao fa efa aman-taona no mba nifandao. Tsindrian-daona ny hahare tantara, satry tsy hivaona fa ho tsara fiafara.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/satria-tiako-ianao
Satria tiako ianao
Nalison Randrianaivo
Satria tiako ianao na hizaka izay mafaitra mangidy tsy laitra ka ho fery, takaitra ity tenako ity dia vonona aho satria tiako ianao na ho vonoina velesina, darohina doroina, kapohina ity tenako ity dia vonona aho satria tiako ianao na ho gadraina melohana, kendaina ho dorana mba ho maina ity tenako ity ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/hanina
Hanina
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ny antson’ny manina, Fitia te hanembona anao! Mahatonga ny sangodim-panina, Misarika ho any aminao! Fa tebitebin’ny sasa-miandry, Tahotra ny ho very ny sampiny! Ny foko no tsy mety mandry, Ny ihavinao no tsy andriny. Erikeriky ny oram-panala, Mamangy, mamonto ny tany! Fa ny hanina anao re ry...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ezk/to-ny-nofintsika
To ny nofintsika
EZK
To ny Nofintsika Ra tombanako an-dalana izany bikany izany Dia tsy ary voatanisa fa maro tsy voaisa Tsy haharaka ny tanako,hanoritra ny hatsarany Ra hoariko @ kanto aloa dia tena paradisa Ny endrika ve? Ny anjely no tsy hitako Manjopika toa masoandro am-baravarako maraina Ny mifanojo izany, na hikasika tsy vitak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ity-fiainana-ity
ITY FIAINANA ITY
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Ity fiainana ity, hoy ry zareo mpandalina, Jerena mandeha ho azy, fa hilaina malina. Ho an'ireo mpieritreritra, tsy mampatory alina. Raha misy tsy mety, mampifoha sasakalina. Ity fiainana ity, mivadibadika toa kodiaran-tsarety, Ny ambony lasa ambany, eo vao may ny tanety! Ny ambany lasa ambony, hanomboka ny fety;...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tokim-pitiavana
Tokim-pitiavana
Nalison Randrianaivo
Tokim-pitiavana tiako ianao, tsy foiko raha alavitra ahy antsoiko raha anilako ampofoko raha manina ahy ventsoiko raha marary ianao tsaboiko raha tomany ianao hampanginiko raha mangatsiaka ianao fihiniko raha korontan-tsaina ianao halamiko raha akaiky ahy ianao banjiniko raha any ho any ianao laliniko raha m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raki-malala
RAKI-MALALA
Fredy Jaofera
RAKI-MALALA Tsy afa-miala, mamelovelo, matoa atoraka izay nihafiana ; raki-malala ny alahelo matoa aboraka amin'ny tiana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fakam-panahy-11482
Fakam-panahy
Nalison Randrianaivo
Fakam-panahy iza moa no tsy hifanehitra amin'izany fakam-panahy nefa fady mamohehitra ny anabavy rahalahy iza moa tsy voasarika amin'izany fakam-panahy izay manimba, mamandrika amin'ireo sahisahy iza moa no tsy handalo amin'izany fakam-panahy aza atao hampimalo aza manana ahiahy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/voaloham-pitia-11486
Voaloham-pitiavana
Nalison Randrianaivo
Voaloham-pitiavana ilay tiana voaloha toa tsy afaka ao an-doha tsy mety hadinoina tsy maty ho vonoina tsaroana lalan-dava ny endrika sy ny tava tsy mety miala an-tsaina na oviana na oviana ilay voalohany nolalaina voalohany mba tiana tsy mety voafafa indrindra, ireo lasa toa mitoetra ombieny ombieny foana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avo-rakoto/angamba
Angamba
Ny Avo Rakoto
ANGAMBA Angamba mety hisy ora sy fotoana hihaonantsika indray Amin'izay fotoana izay : Ho hitanao ny endriko Ka ho vinakinao daholo Ny aty foko manontolo Nokoboniko hatrizao Tsaroako tsara manko Ilay marain'ny alahady Nihaonana voalohany Teo am-bavahadin'ny fiangonantsika teo Ianao niakanjo fotsy dia izaho n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ankafiziko
Ankafiziko
Nalison Randrianaivo
Ankafiziko izay efa nofinidiko ary mety tsy ho tsiny raha mitia ireo fahiny tranainy sy lehibe mahay sy mahafehy ireo teny malagasy tsy avelany hangasiasy dia i George Andriamantena no tena mba fiako izy mahaleo-tena mahatonga izy ho tiako dia i Salomon Razakandrainy izy koa efa tranainy amin'io kanto io ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/hono-hoy-aho
HONO HOY AHO RY MADAGASIKARA?
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Hono, hoy aho, ry Nosy Madagasikara, fanontaniana iray ity, apetraka aminao; fa maninona loatra re no lasa toy izao, ny fihodiny sy ny fizotran'ny tantara? Izaho koa mba gaga, sady he talanjona; raha ny zava-misy tokoa no jerena, ananako daholo rehefa harena. ananako ny vina, ananako ny tanjona. Jereo sy diniho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/herikandro
Herik'andro
Nalison Randrianaivo
Herik'andro izany ny herik'andro dia orana isan'andro tsy hay hoe ajanony ary tsy mety ho tony tsy rivo-doza sanatria fa andihan-drahona matevina no mitondra an'ity orana tsy mety levona
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ady-aminadala
ADY AMIN'ADALA
Fredy Jaofera
ADY AMIN'ADALA Miady amin'adala ka reraka fotsiny fa hay mankahala, na ity hafotsiny. Miady amin'adala ka aleo mangina fa tsy mpandala ny tsara sy tiana. Miady amin'adala ka very fotoana fa tsy mahalala ny lesona foana. Miady amin'adala ka dia afa-baraka ; metimety ny miala sao mahazo daka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vovo-patin-dreny
VOVO-PATIN-DRENY
Fredy Jaofera
VOVO-PATIN-DRENY Vovo-patin-dreny sisa no azo avy ao am-pasana ka sentosento tsy hita isa no ferin'ny andro lasana. Vovo-patin-dreny sisa no voarain'itony tanana ka toa mampamisavisa ny nofy tsy niadanana. Vovo-patin-dreny sisa no indrisy fahatsiarovana ka eto ombieny mikorisa 'tony penina torovana. Vovo-p...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ianao-ihany
Ianao ihany
Nalison Randrianaivo
Ianao ihany ny tsara sy manja tsy ritra tsy lany fa izaho dia manaja anao hatrany ny fiainako banga tsy an-kilanao izany ny ho tia sy tiavina mameno tanàna fa ianao tsy mba lavina fa mahatamana mendrika ho toavina fa ara-dalàna ny fakam-panahy indrindra eto an-tany mandalo ho ahy fa ianao ihany izay ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anjoria
ANJORIA
Fredy Jaofera
ANJORIA Nomena anjoria ny foko mahantra ka tsy nanam-pitia, na dia mba niantra. Nahazo anjoria ka aleo nisintaka fa nanimba ny dia sy tena namitaka. Nizaka anjoria ka ho mafy loatra ny hanaja ho doria fa dia tafahoatra ! Nafafy anjoria ka tsara tsodrano ary mbola mifalia fa manana trano.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/ny-sipa
NY SIPA
Zoky Eric
... NY SIPA ... Aleo ny sipa maola fihetsika. Toy izay ny sipa be fitetika. Miseho ho masina aok'izany. Nefa mizarazara ny ao ambany. Aleo ny sipa jefijefy. Toy izay ny sipa mihao-pefy. Miseho ho hendry,mody kanty. Nefa harivariva tsy mahatanty. Aleo ny sipa kely mihodina. Ilay manao zipo ampoto-pe. Toy izay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/mitsangatsangana
MITSANGATSANGANA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
MITSANGATSANGANA mitsangatsangana eto ny antokotoko politika mitsangatsangana eto koa ny antokotoko-pivavahana ary efa mitsangatsangana eto amintsika ireo mpitondra rivo-dozan-panjanahana! ny fitsaram-bahoaka! io no natsangana mba ho lalàna raikitra natsangana io ho dinam-piaraha-monina fa ny fitsàrana eto tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/sakaiza-manody-11487
Sakaiza manody
Nalison Randrianaivo
Sakaiza manody tsy nampoiziko ho ianao no nahavita toy izao nanaiky ho rebirebeny tamin'ireo teny mambabo ny fo manaitra ny fanahy koa dia sahy tokoa namadika ahy tsy nampoiziko ho ialahy no sahy namadika ahy tamin'ny toky finamanana satria nivadika ranamana tsy maninona leroa fa izaho tsy iantso tody na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/afero
AFERO
JERY
AFERO Ny afero mangidy miaro sakay Iaretan'ny vava sy azo kiriana Fa ny afero naidin'ny foko ao indray Tsy ho telin'ny saina na oviana. na oviana Ny foko nipirina nanafin-tomany Niezaka niafina,nikobona fery Fa ny tsiky sinarony fombany ihany Ny marina ratra no ambadik'ireny Ny afero nahidin'ny ora tsy nampoiz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vava
NY VAVA
Fredy Jaofera
NY VAVA Ny vava no tsy atao be, ny mamerina azy no tsy laitra, n'aiza n'aiza mandeha no hafatra mba mampanaitra. Ny vava no tsy atao be sao iny no mahavonjy tokoa, na rano indray mitete no mba azo avy aminy aloha. Ny vava no tsy atao be, tsy fantatra izay ondry botry ka sao hanenina ange sy ho azon'ny vary ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra.pat.ri-raharinaivo-patrick-rijaniaina/mbola-ho-avy-ilay-maraina
Mbola ho avy ilay maraina
RA.PAT.RI (Raharinaivo Patrick Rijaniaina)
Mbola ho avy ilay maraina Anaty aizina ve ny fiainanao ? Toa tsisy mangirana izay atao ? Mitrakà fa aza kivikivy izany Ny Tompo mbola eo hanome fanantenana hatrany Na manjombona aza ny andro Tsy mety mihiratra ilay masoandro Tsarovy fa mbola hiposaka io, ...Izay no tadidio Mitady ho rendrika ilay sambo Efa hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herimiah-rakotonranja-fenitra/iza-ary-aho-
Iza ary aho ?
HERIMIAH RAKOTONRANJA Fenitra
Iza ary aho, Ilay biby tsy mety azo, Nefa mba bitika amin’izy ireo, Nefa izaho ilay biby misy résoro. Izaho ilay biby mainty be, Nefa tsy azon’ny olona ngeza be , Na ao anaty lay fotsy, Na ao anaty botsifotsy. Izaho ilay biby mitovy amin’ny ao, Fa rehefa reraka aho dia milalao, Izaho ilay biby mitovy amin’ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-fahitako-anao
Ny fahitako anao
Nalison Randrianaivo
Ny fahitako anao niala teo ny jaly ny halahelo sy tomany nisinda avy hatrany no ny fahitana anao ihany ny aretin'an-doha nisava avokoa ny toreo sy toloko nandratra ny foko niala avy hatrany no ny fahitana anao ihany izay rehetra natao nanjary nety rehefa injao fa nahita anao mirana toy izao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/atosim-pitia
Atosim-pitiavana
Nalison Randrianaivo
Atosim-pitiavana misy hery hafahafa izay manosika ahy avao manery mba hitafa hiresaka aminao toa hery miredareda mamadika ny lela hitory ilay fitia aminao ihany akia toa entin-javatra izany toa manidina koa miboletra mankany manitsy, aminao tokoa hay, atosim-pitia avy aoriana miletra, mitady olon-tiana d...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-anilanao
Ny anilanao
Nalison Randrianaivo
Ny anilanao misy toerana iray hafa mihintsy izy izay toerana iray tokana mba tiako ho ahy manokana ny anilanao anie izany izay mamiko hatrany fa kanto, tena lafatra ny anilanao mahasambatra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djah-hco/..tavela
..Tavela..
Djah Hco
Toa tsy mampino raha dinihina, Mahalasa saina hatramin'izao. F'izaho sy ianao ilay nifamihina, Noteren'ny fiainana hifandao. Faniriana ny ho sambatra, Hiara-dia mandrakizay; Fa isika roa tsy nahafantatra, Hoe hosarahin'ny andro iray. Nilaozanao aho ka irery. Rakotra aizina ny anjara. Indrisy! ilay fitiavako m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tononkalo/fombam-pitia
Fombam-pitia
Tononkalo
Fombam-pitia mahery tsy laitra ny onjam-pitia mangidy, mafaitra fombam-pitia mahafaly ny fo raha tojo ilay tia mankarary ihany koa fombam-pitia mampandresy hatrany izay mitranga ety mandalo onjan-tany fombam-pitia manjombona hariva ny masoandro satria ilay tiana no dila fombam-pitia mirana lalan-dava ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/facebook-sy-internet
Facebook sy internet
Nalison Randrianaivo
Facebook sy internet efa enjana loatra efa diso tafahoatra ireto ankizy amin'izao izay mirongatra manao facebook sy internet izay mora hainy, vetivety na zaza vao firy taona dia efa mahay azy ny tanora no nitaona azy ireo, hahay sahady dia resahiny ao avokoa na tsara io na ratsy na zavatra tsy mahasoa na ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/rehefa-tsy-anilanny-tiana
Rehefa tsy anilan'ny tiana
Nalison Randrianaivo
Rehefa tsy anilan'ny tiana rehefa tsy anilan'ny tiana izay vao tena fahoriana tsy mahatelin-tsakafo fanafody vidina lafo rehefa tsy anilan'ny tiana izay vao tena fijaliana fa tsisy mety izay atao fa ny saina any aminao rehefa tsy anilan'ny tiana izay vao tena farariana marary hevina foana maninamanina te hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/taratasy-ho-anao-1
Taratasy ho anao
Nalison Randrianaivo
Taratasy ho anao Mino aho fa salama tsara ianao eto ampamakiana izao taratasy izao izaho manoratra aloha dia salama tsara fa malahelo be anao toa te hody aho ry malala te hody izao dia izao ataoko fa hendry tsara ianao any sy manaja anahy hatrany izaho aloha aty dia tena manaja andry manorata taratasy raha ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djah-hco/..ny-lasako
..Ny lasako..
Djah Hco
Tsy hanan-tsiny angamba aho raha nandao anao ry lasa Fa ireo fiainako taminao, tsy adino, tsy voafafa. Lasa aho ka tsy mba hiverina intsony, Fa tofoky ny tomany sy fijaliana toy intony. Fa nandao aho, tsy mba nihemotra fa nandroso. Nandao aho, tsy mba namerina izay efa vita. Nandao aho fa nanan-tongotra ka niroso...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ako-mandrotsy/elanelan-tany
Elanelan-tany
Ako-mandrotsy
Toa ilay elanelan-tany no nasahintsika nilaza ilay fitia nokobonina tao am-po Dia nanjary ilay elanelan-tany no indro nahatsapana fa ilay fitia hoe sangisangy, hay nafonja tokoa Tsy azoko hiverenana ny lasa ka hilazako anao mivantana Fa ilay fitia sangisangy noheveriko fialan-tsakana Rehefa alavitra anao aho vao ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitiavan-tanindrazana
Fitiavan-tanindrazana
Nalison Randrianaivo
Fitiavan-tanindrazana ry malagasy miteny fa hoe tia tanindrazana kanefa anefa ireny no tena mpamalana ao am-bava ao fotsiny ny hoe fitiavan-tanindrazana hay tsisy fotony fa mivarotra razana mampalahelo re izany hoe tsisy tia ny tanindrazany fa botribotriany hatrany fahantrana no giazany mijoroa, misahia f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/sombin-tantara-valim-babena
Sombin-tantara
Nalison Randrianaivo
Valim-babena Tany ambanivohitra lavitra be ny Antananarivo tany izahay no nipetraka fahiny; izay namboly sy niompy no fivelomanay tamin'izany i dada sy i neny moa tsy mba nanana marimpahaizana akory na dia C.E.P.E ary,koa dia namboly sy niompy no namelomany anay ary nanao izay mba ahatafita anay no imasoan'izy mivad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/ankasom-pitia
ANKASOM-PITIA
Zoky Eric
Tsy nahateny aho,raha nahare ilay feo. Feo anao nilaza hoe: ny foko efa leo. Efa leo fitia ,ka aleo hijanona ho pinamana. Ny foko mbola tia, kanefa nosakanana. Fa dia nahoana loatra, no niova ny fonao. Ireo zavatra vita, odinao tsy hita tsotra izao. Sa ve efa lefy, ilay fitiavanao taloha ? Dia sahinao milaza, ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/sombin-tantara-anjara
Sombin-tantara
Nalison Randrianaivo
ANJARA Vao 15taona teo aho dia nanomboka niditra tao anatin'ny fitiavana,ka nisy tovovavy iray izay mba nahasarika ahy:mpiara-monina teo an-tanàna izy io ary tena mba nambabo ny foko;ka isan'andro aho mijery azy foana ao an-tokotaniny ao,kanjo kay izy tsy tao an-tokontaniny akory fa tery andavarangany iny izy teo and...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mbola-tia
Mbola tia
Nalison Randrianaivo
Mbola tia noroasiko ianao fa hoe izaho tsy tia intsony ka lasa ianao nandao halahelo tsy ho tony ilay masonao mipitrapitra manganohano fijery manontany tena aho hoe nahavita namela ahy irery toa te hiantso aho hoe miverena nefa koa toa te hamela ity foko manantena nefa koa tena sorena malahelo aho no faly ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/notamorainy
NOTAMORAINY
Fredy Jaofera
NOTAMORAINY Notamorainy ny ady mafiko tsy nozakainy fa notinafiko. Notamorainy ny sedra nisy tsy nohajainy ka be indrisy. Notamorainy ny ratra maro tian'ito sainy ka tsy niaro. Notamorainy ny ranomaso nogejagejainy sy be an-kaso.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/azonody
AZON'ODY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
isika malagasy toa fatra-paniriana te higoka fifaliana te ho lavi-pahoriana te ho lavitra hakiviana ka miandrandra fatratra fiainana ho lafatra dia mikatraka fahasambarana miandry valin-kasasarana amin’izay kisendrasendra kanefa tia rendrarendra dia mandiniha ianao ary saino fa misy todin' ny zavatra natao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/sombin-tantara-io-fitiavana-io
Sombin-tantara
Nalison Randrianaivo
Io fitiavana io nisy olona roa nifankatia izay natambatry ilay fitia ka tsy nanampo fisarahana fa ny ho tafita ihany no mibahana nifankatia tsara ry zareo nifanaja, nifakantoa izay lavitry ny toreo fa fitiavana ao am-po nifanolotra ny mamy nifampihinana ny manta mbola nifankatia hatrany ka mbola tsisy ny ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ianao
Ianao
Nalison Randrianaivo
Ianao ianao toa mianjona fa be hasohaso tsy mijery izato tanjona izay tsy hitany maso manao kiliolio mitaraikiraiky ka izao no tadidio ianao eo no taraiky ianao mba mikasa hanangana trano ianao nefa lasa izaho nidiran'angano
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/rehefa-tena-tia
Rehefa tena tia
Nalison Randrianaivo
Rehefa tena tia rehefa tia tokoa ny olona tena vonon-kitolona fa na mangidy sy mafaitra tsy mijery izay takaitra tsy mintsinjo izay ao afara fa misisika mba ho anjara tsy jereny akory io ora-mitatao tsy rarahiana izay hahahory fa ny azy dia ianao toa hodiany tsy re io varatra mirefotra halaminy ny fandeha ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/santatry-ny-omaly/manina
Manina
Santatry Ny Omaly
Ny foko manirery ... Miventso anao mangina Resy tsy mahateny ... Fa manin' olon-tiana Ny foko torotoro Ritra sady foana ... Banga anao tontolo Sina sady moana ... Ny saiko malahelo ... Misioka aneritr' eto Mihira toy ny avelo ... Fa potiky ny sento Ny saiko mora lao Mila anao fiarovana Mba aiza re ianao e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/noheveriko
Noheveriko
Nalison Randrianaivo
Noheveriko noheveriko mba tena tia noheveriko mba ho doria hay nandrafy, nampahory an'ity foko tsy ho tony mitempo fitia mba naniry ho doria noheveriko ho domoina ilay fitiavana no koloina hay fitiavana miserana sy fitia diso toerana ny anao sy ny ahy ka lasa mampiahiahy noheveriko tsitohaina ilay fitiava...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-fitia
Ny fitia
Nalison Randrianaivo
Ny fitia ny fitia toy ny afo kitay raha lalaovina mandoro,mahamay ny fitia toy ny vonin-kazo raha tsy koloina mety halazo ny fitia toy ny tazo mamindra, mandavo ny fitia toy ny kolokolo raha tapahina misy misolo ny fitia toy ny zavona raha tsy voakolo dia hanjavo ny fitia toy ny rahona manjombona raha takon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-hitia-intsony
Tsy hitia intsony
Nalison Randrianaivo
Tsy hitia intsony raha mbola fijaliana na mbola fahoriana no iainam-pitia dia aleoko minia tsy hitia intsony tsy hahalala intsony ny ho tia sy hanaja tsy mitia no sahaza
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mariazy
Mariazy
Nalison Randrianaivo
Mariazy andro volamena ny andro anio nandaniana ireo harena koa tsaroy, tadidio andro iray toa zato ny andro androany izay andro tena kanto tsy roa aman-tany andro iray malaza ity andro ity isika hivoady sy hilaza hitambatra ho doria andro fanolorana ilay peratra volamena andro fanorohana molotra mena ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-havan-tiana
Ny havan-tiana
Nalison Randrianaivo
Ny havan-tiana na tiana aza ny havana tsy hiaraha-monina ela rahavana na mamy aok'izany ny fiarahanareo ireo dia ferofero ihany sao lasa ady avy eo alaviro lavitra anao ireo havana tena tiana mba tsy ho mora hankalao ka hitondra fahoriana ny havan-tiana tsy azo harina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/ny-fanahinao
NY FANAHINAO
Zoky Eric
Tsiodrivotra malefaka Nampionona ny fony Fahoriana mahaketraka Ny voahary tsy tsaroany Navelanao irero teto. Ilay olon-tianao Ka injao fa misento Malahelo lava izao. Very tany ankodivirana Mbola azo ihafiana ity tsy azo handosirana Ihany koa mba hidifina Dia alahelo ihany sisa No nandrakotra ny fony Toa z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/asa-
ASA ?...
Fredy Jaofera
ASA ?... Asa ny faniriako, na ho nofy na ho tanteraka fa ny tena nofidiko, ho anao no mba nateraka ? Asa ny hetaheta raha hipoitra sy hitoetra fa mampitetateta sao dia hampipararetra ? Asa ny vazo maro raha hisavoana fotsiny fa toa nanafangaro hatramin'ny rotsirotsiny ? Asa irony ako raha hamaly lalandava...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fasana
Fasana
Nalison Randrianaivo
Fasana fonenan'ny maty mirindrana vato dongo-tany kely lavahin'ny angely misy vato fijaliana izay mangina dia mangina voadidina dongo-tany dia fasana izany hitoeran'ny avelo hitoeran'ny ambiroa izay manelohelo mampatahotra tokoa lavitry ny tanàna tsy mahatamana fa mitokatokana irery tsy maha te hijery ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/valim-pitia-nolavina
Valim-pitia nolavina
Nalison Randrianaivo
Valim-pitia nolavina hoy ianao teo hoe tiako ianao, tiako ianao miangavy mba valio re raha mba azonao atao tsapako tokoa aloha fa tena tia ahy ianao fa efa nisy tonga aloha nisongona ny lalanao koa mialatsiny indrindra azafady raha hoe handratra fa ny foko tsy azo afindra na hitia olon-kafa mialatsiny r'is...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-eo-amini-dada-sy-neny
NY EO AMIN'I DADA SY NENY
Fredy Jaofera
NY EO AMIN'I DADA SY NENY Ny eo amin’i Dada sy Neny raha lazalazaina ny habeny, raha fotopotorana ny lanjany sy resadresahina ny tanjany : fianarana ny soa sy ny tsara hahamiratra foana ny anjara. Ny eo amin’i Dada sy Neny raha tantaraina ny hareny, raha eritreretina ny vitany sy voavisavisa ny hitany : mbol...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/hafatra
HAFATRA
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
HAFATRA Hidera anao @ fo , no vinavinako hatrany , Ny hanompo anao tanteraka , no tarigetrako eto an-tany ! Ny hasambarana miserana , izay mandalo ety , Dia tsy atakaloko mihintsy , ilay ao aminao Kristy ... Jamban'izao tontolo izao aho , izay ela be izay ... Sodokan'ny hasambaràny , ary tsy mba nety ho fay Ary ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.freddy/tsy-hita-intsony-izy
INY FARANY TAONA INY
R.freddy
ianao ilay tovovavy,hitako vao indray miserana sendra niaradalana avy dia nifankahazo ka ireo teny navoakako toa tsy ferana ianao sarisarika mambabo fo izaho menatra nefa tia anao nefa dia tsaroako tokoa fa niezaka aho nambabo ny fonao hitako enao toa gaga naheno izany ny foko midobodoboka miandry izay havoakan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tiako-loatra-ianao
Tiako loatra ianao
Nalison Randrianaivo
Tiako loatra ianao vonona aho ho gejaina amin'ny kofehy mahazaka aminao ry lalaina ny foko lalim-paka vonona aho ho hafatotra amin'ny rojo vy ny fitiavako tena matotra ny hivadika sanatria vonona aho ho gadraina amin'ny fitiavako anao ka zakaiko ho sedraina fa tiako loatra ianao vonona aho ny hisedra ny m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mahalasa-fisainana
MAHALASA FISAINANA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Mahalasa ny fisainana, ity Madagasikara. Raha avadibadika, dinihina, ny rakitra tantara. Be ny mifamahofaho, be tokoa ny azo ambara. Saonjo iray lohasaha, be koa ny mamarara. Tamin'ny andro taloha, mandry, milamina ny tany. N’aiza n’aiza aleha, tsy misy tahotra, na tomany. Ny fisainana tena avo, tsy mirefarefa am...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ynovirahimam-randriamalala/ny-amiko-sa-ny-antompo
NY AMIKO SA NY AN'TOMPO
R.N Randriii
Asa re ry Raiko Asa tokoa moa Ekeko izao Ny amiko sa ny anao? Tiako ny tenako Tiako ianao Nefa ahoana Tompo No hitiavako ny hafa Ny sitraponao ve ry Tompo No hanoratako izao Tsy mendrika aho re Ka asakasakao ! Eny ry Jesosy Eny hoy aho Tompo Hanara-dia anao Ka ho afaka ve izaho ? Tompo o ! ny finoako M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ynovirahimam-randriamalala/fitiavako
FITIAVAKO
R.N Randriii
Ny fitiavako aloha Dia anao hatrizao Ny fitiavako mbola anao Na ny vola na ny kitana anao Masoandro vaovao Volana mibaliaka anao Lanitra sy tany Novelenao mba ho ahy Kilalaoko sa anao No natakalonao izao Fahasambaran tsika Eny fitiavana ny anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hono-hoy-aho-akia
Hono hoy aho akia
Nalison Randrianaivo
Hono hoy aho akia hono hoy aho akia iza no mba anarandry fa mahafinaritra ahy izato hendrikao milanto ny fietsika miangola ianao maontina tsy môla mahafinaritra ahy mihintsy indrindra raha mitsiky manintona an'ity foko ireo masonao mijery ahy tiako mba tena tiako mba ianao ilay silampanahy iankinako amin'n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raozy-mena
RAOZY MENA
Fredy Jaofera
RAOZY MENA Raozy soa miloko mena no mahafinaritra jerena ka satry ery homena an'ny tiana fa harena. Voninkazo metimety, maharavo anay poety, mampiainga vetivety 'tony andro misy fety. Voninkazon'ny fahiny mahalasa ho mpivahiny mampahory ankehitriny 'tony ora ka aza tsiny. Raozy mampahatsiahy 'rony any toa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/herinandro
HERINANDRO
RATAN
Herinandro lesy izay no lasa Atramin'izao dia mbola tsy mandeha ny Asa Vokatry ny loza misesisesy Mety ho tafa ihany ialahy raha nanao fetsifetsy! Tsy hita intsony 'lay toy ny taloha Mirediredy miseho beloha Hafa ihany aloha lay fiainana tany e! Hampiasa taktika aho na dia androany! Inona indray ré no hitranga ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/ireo-tia-kelyno-tambana
IREO TIA KELY…NO TAMBANA
AbouNusrayni
Raha ny mpiasam-bahoaka no misy tia kely Ka tsy mba namola-pangady tany ngazana Tsy hilofo hampandroso firenena velively Tsy afaky ny ho tena tia tanindrazana Raha hatry ny nianatra ho mpitsabo no tia kely Ka tojo asa fitsaboana somary mazana Raha tsy voatolotolotra tena tsy mamely Fa mimontsomontsona mihidy vaz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/berguitta
BERGUITTA
RATAN
Tompo oh! Inona no hataonay!? Mitalaho @nao zahay fa tena fay. Ny takaitra teo ka mbola tsy afaka Zandry kelinao zay solafaka Zahay aty antsinana anisan'ny tena voa mafy Ngah tsy loza eh!hita fa tena migafy Gafin-Janahary, naheliny tsy mba misy falifaly. Ampio tompo oh! Fa tena mijaly Ny tafo-trano ary ty mbol...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/faha-roa-mpitiavana
FAHA ROAM-PITIAVANA
Zoky Eric
Lasa saina aho anio, noho ianao ry malala Kikivy sady ketraka, ka mila ho lasa adala. Sa ve niverina ilay, olona talohako ? Ilay tsy mba nahay nitia,ka dia nitsofohako. Niverina nanambitamby,angaha izany fony ? F'ilay fitiavantsika,tsita soritra intsony. Ilay fitiavanareo,no nitamberina ao andoa ka niverina nifa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/nofy
NOFY
RATAN
Hambarako aminao Ilay teny izay hatokako ho anao Nampiko voninkazo Ventsoniko tsy halazo Manitra sahady Rehefa niharitra sy niady Nandamaka apandriana Rehefa manina sy sondriana Malefaka fiteny Menatra mijery Ny ao am-po hafahafa Matahotra ny hitafa Ny ankilany ko moa dia tara Miandry izay bandy ao afara ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/namana
Namana
Nalison Randrianaivo
Namana ianao ilay namako taloha tena akaikiko tokoa no injay lasa olon-tiako sy lasa tsy foiko iza moa no nanampo fa hivadika ny tafa ka lasa nifanankin-doha fa ilay namana voafafa ianao mba nanantena fa ho mpinamana foana ka nandeha teny ny fotoana ka ny nivadika ny lela ka voamborako tsy nahy izay nitsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/aza-avela-hangaina
Aza avela hangaina
Nalison Randrianaivo
Aza avela hangaina aza avela hangaina ireo lasa nampitaraina fa mitrakà, mijoroa hatrany aza avela handresy izany fa foazy ny fo, mba tsy halaina aza miferin'aina, milaindaina fa resinao foana io ka izao aloha no tadidio banjino ny anio aza avela hangaina fotsiny ireo tanjonao taloha fa sokiro atrany ifoton...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitaka
Fitaka
Nalison Randrianaivo
Fitaka tsy olo-tokana ihany no manao an'izany fa maro tsy voatanisa no mampandry adrisa tsy namana ihany koa fa ny havana akaiky dia mamitaka avokoa izay tena mampiaiky ny olon-tiana koa dia lazaina fa mamitaka na mamadika izay tena mampiferinaina ny ataony any ambadika be dia be ireo voafitaka tamin'ny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tiako-foana-ianao
Tiako foana ianao
Nalison Randrianaivo
Tiako foana ianao na handrafy, hankalao dia tiako foana ianao na hamono, hampijaly dia tiako foana ianao indrindra nandratra ahy nankarary dia tiako foana ianao na handona, handratra ity fo dia tiako foana ianao indrindra nandao, namela irery tokoa dia tiako foana ianao na hankalaina, vonoina kendaina dia t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/asa-fanadiovana
ASA FANADIOVANA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AMIN'NY FANADIOVANA ASA FANADIOVANA raha teny an-dalana aho no indro tana-maro nifangaroharo manadio tanàna ka indreo fa revo sy tamàna ny isam-pokontany manatanteraka izany toa tsy mahalala sasatra raha manadio ny tatatra dia variana teo aho sondriana teo ny saiko fa sitrako lala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-ahoantsika
Tsy ahoantsika
Nalison Randrianaivo
Tsy ahoantsika n'inona n'inona hitranga na hanameloka na hanampanga dia tsy ahoantsika izany fa ny antsika ho doria hatrany n'inona n'inona hiseho na halahelo na toreo dia tsy ahoantsika ireny fa antsika ho doria ombieny ombieny n'inona n'inona hidona na ho melohana sy vonona dia tsy ahoantsika izany fa fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/pera-panambadiana
PERA-PANAMBADIANA
Fredy Jaofera
PERA-PANAMBADIANA P    Porofom-pitiavana iray sarobidy E          Endrehina marina no efa voafidy ; R          Ravaka lafo fanao amin’ny tànana A          Ampy ahalalana f’efa mba manana ! T          Tohatra mampiakatra dingana hafa R           Rehefa nanaiky fa hiaraka hitafa ; A           ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mpifankatia
Mpifankatia
Nalison Randrianaivo
Mpifankatia olon-droa miara-dia no atao hoe mpifankatia olon-droa samy tia no atao hoe mpifankatia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/ny-anio
Ny ANIO
RATAN
E!lasa indray ianao ry alina Ka tonga ny androko maraina Arahina feon'akoha manaitra ahy rehefa malaina Ka mitondra ny soa ka aleo ty ho lazaina! Andro maraina mangatsiaka isan'andro Izany no ianantsika rehefa andavan'andro Arahina zavona sy feom-boron-kely Naheno an'izany aho ka naika voavely! Tazanina mazava,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-tsara-ve-
TSY TSARA VE ?...
Fredy Jaofera
TSY TSARA VE ?... Tsy tsara ve ny mifampitsodrano toy izay, hoe, mifanome angano ? Tsy tsara ve ny mifampirary soa toy izay re mifamely ny ho voa ? Tsy tsara ve ny mifampihataka toy izay be esoeso manahaka ? Tsy tsara ve ny mifampikopaka toy izay ange tsiny ny hamotaka ?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsiambara-telo
Tsiambara-telo
Nalison Randrianaivo
Tsiambara-telo aoka antsika samirery ny ho setry ny izany manginà, aza miteny fa aoka antsika roa ihany aza avela hisy hahalala aza avela hisy ahafantatra fa na ireo mpankahala aza misikotra fatratra aoka tsiambarambara fa antsika ilay tantara ka fero mafy ny vava mba tsy hitabataba fa sao hisy hahalala i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ratra
Ratra
Nalison Randrianaivo
Ratra mafy sy mafaitra mangidy tsy laitra nanjary ratra sy fery namela aretim-po nilaozanao ho irery nankarary ity fo kapoaka mangidy tsy misy fanafany fanafody lafo vidy tsy mba takany fa ianao irery ihany no fanafodin'izany aretim-po no nahazo nitoetra tao am-po ireo vonin-kazo nalazo sy maina avokoa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/ny-alina
Ny ALINA
RATAN
Tonga indray ianao ry alina Alim-patoriana mitondra fisainana Arahina nofy izy satria... Mitondra ny maraina ho tia! Mahafinaritra tsisy ohatr'izany Rehefa mivoaka eo antokontany Arahina feom-bibikely toy ny angely ka nitondra ny nofiko nahita anjely! Soa ihany fa teo ianao ry volana Mandrotsindrotsy sy mitond...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry-rakobonne/tendrim-pitia
tendrim pitia
thierry RAKOBONNE
izay fa mipaka ilay tomgontsao eniko miazkazaka famindra any ambadimbady any izay fa eniko ilay fonao mitem po fitia fa maika ny amonjy lay tinao sy ilay tia anao fa na takininina ny loko ny io lanintsa io de mbola amondry ny eo anilanao fa na iza na iza tsisy mavoasaraka antsika roa sa tendrim pitia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-maty-ny-kalo-sy-ny-hira
Tsy maty
Nalison Randrianaivo
Tsy maty (ny kalo sy ny hira) ny kalo tsy mba maty ny hira tsy ho faty ianao no mandao ity tany fa ireo mitoetra eny ihany na soratra io na feo dia mitoetra rahateo fa tsy manaraka anao maty sy mandao ny hira no manala ireo sorisory manadala ny kalo no mandrotsy eo anilan'ny rafotsy tsy mety maty izy ireny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/rahoviana-ihany
Rahoviana ihany
Nalison Randrianaivo
Rahoviana ihany rahoviana ihany ary vao ho foana ny mosary fa ho voky lalan-dava ka ho mirana ny tava rahoviana ihany ary vao mba hisy hikabary hilaza sy hanambara fa ho avotra i Gasikara rahoviana ihany ary no vaotahiry an-tsary ity taona vaovao mba hitondra soa ho anao rahoviana ihany ary vao mba tsy hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mofo-mariazy
MOFO MARIAZY
Fredy Jaofera
MOFO MARIAZY ( Atao manoloana ny mofo ho an'ny mpivady vao.) Ataovy ngeza tahaka an'izao ny fitiavanareo hitombo foana no hihavao ary tsy hankaleo. Ataovy tsara tahaka an'izao ny andronareo hihiratra lava ka ivavaho tsy hanan-toreo. Ataovy mamy tahaka an'izao ny fiainanareo hitobaka soa ka hirahirao ho ren...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manam-bintana
MANAM-BINTANA
Fredy Jaofera
MANAM-BINTANA Mahay mamintana, na ny faraidiny na ny adala fa manam-bintana 'zay voafidiny ho malala.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/dia-hoe-filoha
DIA HOE FILOHA!?
FahNamby
DIA HOE FILOHA...!? Firy taona nitoerana teo, Nefa aiza 'zay zavatra vita? Ny vahoaka manomboka leo Fivoharana 'ty toa tsy hita. Vidim_bary midangana lava Vidin_tsolika miakatra ambony. 'Reto Gasy mitanàka vava, Tsy mahita ho harapaka intsony. Ny vahoaka manomboka noana, Ny mpitondra toa miolonolona. Dia laz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/andriamanitra-mahita
Andriamanitra mahita
Nalison Randrianaivo
Andrianamanitra mahita tsy hoe tsisy ahita ny zavatra ataonao fa ny valiny no tsy ho vita ary tsy ho zakanao ianao miantehatra amin'izany sy miafina tsy ho hita nefa Andriamanitra irery ihany izy dia mahita koa aza faly manao ratsy fa ilay Andriamanitra anie mahita tsy ho laitranao ary tsy ho tanty ny valin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitia-voromailala
Fitia voromailala
Nalison Randrianaivo
Fitia voromailala ilay vorona tokam-po tsy mba mahay mitia roa fa ny azy dia tokana ihany izay no nofinidiny eto an-tany fady aminy izay hania fa hajainy ho doria ka faty ny azy no hisarahana izay no tena mibahana izy ireny dia malemy fanahy tsy mba mety ho voan'ny fakam-panahy fa ilay tokany ihany no tompoi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/fa-andro-inona-hono-zareo
Fa andro inona hono zareo
RATAN
Fa andro inona hono zareo rahampitso? Toa misy andro tsy fiasana tampotampoka indray... Ny trano aza ty anefa mbola tsisy fanitso. Gaga! @lafainy ray toa mampikolay! Eny eh! @lafin'ny ray aloha, mafinaritra ihany; Fotoana hanamboarana izay simba tany hoany. Simba zay ravan'ny rivo-doza! Sady nandrava no navanon-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/mba-andramo
MBA ANDRAMO...
FahNamby
MBA ANDRAMO... Raha mbola tsy nahatsapa fa mangidy ny mitia ...'ndehana aloha mamitaka. Mitiava, avy eo misintaka rehefa mahazo maminy. 'Ndeha koa mampirafy! Dia aza mihafihafy, fa maromaro iarahana Ary aza hisarahana raha tsy efa lany tsiro. Aorian'ireo, Mitiava olon_tokana 'zay tena maminao Fa manomboka eo, ...