url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tiako-izy | Tiako izy | Nalison Randrianaivo | Tiako izy
na be no mankahala
na be koa no manadala
fa tsy ahoako izany
fa ahy ianao ihany
na be no manaratsy
na be koa no manankihana
dia tiako izy satria mantsy
ny fonay hifamihana
na iza hanasazy
na iza hamotika
ny anay tsy ho rava ho azy
fa fitia mamy tomika |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/aiza | Aiza? | Nalison Randrianaivo | Aiza?
aiza re ianao ry tiako
mba hanala ny fahoriako
fa mangidy aok'izany
izany tsy eo anilanao izany
aiza re ianao ry tsy foiko
mba hanala ny tolokoko
fa malahelo mafy ianao
anie ity malalanao
aiza re ianao ry malala
ilay tiako tsy manan-tsahala
mba hanala ny fitaintainako
sy hampitsahatra ny fitarainako
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/rahoviana | RAHOVIANA? | FahNamby | RAHOVIANA?
Rahoviana no ho foana
Ny senton'ny fo,
Ka tsy handrotsahana izany tomany?
Rahoviana no ho moana,
Rahoviana tokoa
Izany alahelo ao anatiko 'zany?
Rahoviana no ho rava
Ny tsiahin'ny lasa,
Ka tsy hampanembona intsony ny fo?
Rahoviana no hazava
Ny aizina?-Asa!
Ho foana ao anaty ny lasa taloha?
Rahov... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fanambadiana | Fanambadiana | Nalison Randrianaivo | Ny fanambadiana
ny tokan-trano fihafiana
ao vao tena ady
aoka tsy handao olon-tiana
amin'izay mianjady
ny adiady tsy maintsy misy
fa mahaiza aloha mandefitra
aseho foana ilay tsiky
dia jereo fa milefitra
ny fanditra sy mifamaly
izany no tena hita ao
aza miteny hoe mijaly
no iainanao ka hoe lao
fa io mila f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/aretina-ny-fitiavana | Aretina ny fitiavana | Nalison Randrianaivo | Aretina ny fitiavana
fitiavana ihany
no fanafodin'io fitiavana io
raha voadona ianao tany
dia izao no tadidio
raha nilaozan'olon-tiana
ianao ka hoe nangina
mihetseha mitady hafa
fa izay no maha fafa
raha sanatria indray ka hoe
nodimandry ilay tiana
dia soloy vaovao hafa re
hanadinoina sy anariana
raha hoe ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/anarana-ny-aro-lahatrini | ANARANA (Ny Aro Lahatrini | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | ANARANA (Ny Aro Lahatriniavo fehizoro)
io anaran'io dia anaran-tsamirery
anaran-tokana, anarana hafakely
ary anaram-pandeferana
tsy akory io fanamperana
fa anarana fotsiny ihany
sy efa voasoratra any ho any
ary efa laha-janahary
ka nosoratana ho diary
ny fiainanao Tontolo
ka tsy azon'iza hasolo
fa ho anao ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/firifiry | FIRIFIRY | FahNamby | FIRIFIRY...?
Mba Malagasy firy no tena sahy milaza fa tia ny Tanindrazany
Dia firifiry koa 'reo sarintsarin-gasy mikaroka ny lazany?
Mba aiza dia mba firy ny tena Malagasy mitetika hampivoatra,
Dia firifiry moa ny Tompon_tanindrazana matetika mitroatra?
Firy 'zao ny Gasy no efa manadino ny mombamomban_taniny,
Kan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/nofy-mazna | NOFY MAZÀNA | FahNamby | NOFY...MAZÀNA
Mazàna ianao tsaroako
Indrindra rehefa alina sy maizina ny tany...
Mientana ny foko
Mitroatra te hitady 'zay misy anao hatrany.
Mazàna ianao miserana
mandalo anaty nofy sy mameno ny alin_kisako...
Indrindra tsy azo ferana
Ny fo mitady anao ho tompom_paradisako.
Mazàna isika mihaona
Mifampiondako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/maty-ny-sipako | Maty ny sipako | Ny tohaina | Andray 'lay voadinay
ny volana aogositra
Simbain'ny janoary
indrisy potika! potika
Alahelon' iza loatra ?
iny rivo-doza iny
no nandrava ny fitiavako
kanefa tsisy tsininy
Nahoana re e ?
Nahoana izy ihany ?
fa tsy izy mianakavy
no tototry ny tany
Raha anjara ny azy
moa ve hionona ny foko ?
amin'izao ora iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/kolikoly | Kolikoly | Nalison Randrianaivo | Kolikoly
n'aiza n'aiza eto ambonin'ny tany
tsy maintsy misy foana izany
kolikoly sy risoriso
fetsifetsy sy fika masiso
n'inona n'inona atao
ny kolikoly no be ao
na olon-tsotra na manamboninahitra
ny kolikoly no tena mibahana
eto ambonin'ny tany
tsy ilaozan'ny kolikoly
izay mahazo vahana hatrany
toa lasa fia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/rivo-doza-ava | Rivo-doza AVA | Nalison Randrianaivo | Rivo-doza AVA
namela takaitra mafy
ilay oram-be nifafy
nivadika rivo-doza
marina ka tena loza
ity vao tena henjana
fa tapaka koa ny tetezana
ny lalana amin'izany
goaka ny rano ny tany
tena nandravarava
ilay rivo-doza nandalo
izay oram-be lava
sy tafihotra mifangaro
namoizan'olona maro
izay fihotsahan'ny t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/embona-sy-tsiahy | Embona sy tsiahy | Nalison Randrianaivo | Embona sy tsiahy
ilay olona voaloha
nitsirian'ilay fitiavako
indrindra ilay namoha
ny varavaran'ny foko
tsy lasa vady tokoa mantsy
nefa mamy ilay fiarahana
nankarary, mila tsy ho tanty
rehefa injay ilay fisarahana
toa milatsa-dranomaso
mahatsiaro ireny fahiny
indrisy noho ny an-kaso
dia tsy anjarako izy ank... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-mifankafoy | Tsy mifankafoy | Nalison Randrianaivo | Tsy mifankafoy
rehefa iny hifandao
toa malaina ny hisaraka
izaho sy ianao
toa te hifanaraka
tsy mifankafoy tokoa
ka milatsa-dranomaso
marina isika roa
toa lavitra ny an-kaso
toa tsy te hifamela irery
fa satry hiaraka foana
tsy mahafoy tokoa ireny
nefa kely ilay fotoana
malahelo, mitomany
rehefa hifanalavi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/tapaka | TAPAKA | RATAN | Fa na ahoana na inona toe-draharaha!?
Fantatra ihany fa ny JIRAMA.
Ny zavatra hainy dia efa hita taratra
Fa dia ny manapaka ny herinaratra!
Aza mikolay aloha tsika vahoaka ah?
Io...tsy fantatra, na mbola misy erinandro aza tsy tafavoaka.
Ny any azo atao dia ny mivavaka foana!
Enjana anie e!miteny ambanin'ny maon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fanafodinny-fitiavana | Fanafodin'ny fitiavana | Nalison Randrianaivo | Fanafodin'ny fitiavana
marary mafy ianao
mila ho faty mihintsy
noho ilay olona nandao
nanarona ilay tsiky
mikiky ny ati-ponao
ilay izy nirintona lasa
tsy nohenoiny akory ianao
fa ny azy dia hamafa
hoe tapitra hatreo ny antsika
na maro aza ny efa vita
dia avalony ho tantara
fa ny antsika tsy anjara
ka iny i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/sarom-piaro-11376 | Sarom-piaro | Nalison Randrianaivo | Sarom-piaro
tiako takonako avokoa
ireo masonao ankiroa
mba tsy hijerijery
fa mba ho ahy irery
ho tantanako ianao
ho fantatry ny olona
fa efa ahy ny fonao
efa ahy irery ihany
efa ahy hatrany hatrany
tiako izaho irery
no hitanao raha mijery
tiako izaho manokana
no tianao sy tokana
tiako aleha daholo
izay a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/fisarahana | fisarahana | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | mahatsiaro
ity rotsak'orana malefaka
no namoha indray ny lasako
nahatsiarovako ilay tefaka
niantefa tamin'ny tavako
toa nitsingerim-pahavaratra
ireny fotoana mba niarahana
angamba fitia tsy tonga lafatra
ka niafara tamin'ny fisarahana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/hitianao-mangina | Hitianao mangina | JNB | Ny masonao mitopy aty amiko
miteraka fiontanam-po mila tsy ho tantiko
ny masoko mitopy any aminao
inona re no mety tsapanao?
ianao lasa sainiko lava izao
fitiavana mirehitra miredareda aminao no anatiko ao,
fitiavako anao tsy aiko ferana
na fantatro aza hoe diso toerana!
hanapakevitra aho manomboka izao
mitia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aryvelonaayva/tiany-hono-aho-setrin-il | TIANY HONO AHO
Setrin il | arYVelona(AYVA) | TIANY HONO AHO
Setrin ilay tonokalon I jojudi Tsy anjara
Tiany hono aho nefa nariany
Maminy saingy tsy fihafiany
Fa ilay fahoriana teo anilany?
Efa nekeny hono fa tsy olana
Tia hoy ianao kanefa
Nofiranao ny momba amiko
Sy ny etsetsetsetra
Mba mino mo aho izay antsainao any?
Tiako ianao!
An eritreritro ianao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aryvelonaayva/maniry-maniry-andia-ny | Maniry !
Maniry andia ny | arYVelona(AYVA) | Maniry !
Maniry andia ny tavanao ny peniko
Maniry hamaritra
Hitantara ny tsetsatsetsa tsy haritra
Maniry hiloabava
Hifampisangy tsy ho rava
Far aha mba fantatrao mantsy
Dia asa!? …
Aleo aloa tsy ambara
Fa liana anie aho e
Liana ny ahafantatra
Fa iza moa ianao
Ireo zay niainanao
Asa!? Azoko atao?
Lavitra n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aryvelonaayva/mi-sahala-sahala-misalalsa | Mi sahala sahala | arYVelona(AYVA) | Fy ny amalona
Fa ny lela tsy atao jono
Fy ny alina
Fa izahay efa toro
Manahy ny amboraka aminao
Fy re ary tena fy
Fa na izany aza sanatria
Hamboraka tsy ampiheverana!?
Hiteny tsy misy fieritretana
Ka aoka aloha
Aleo ilamina vao hamboraka aminao ramatoa
Aoka e!mifona fa tsy sahy
Diso manahy sy very fanahy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/zaza | ZAZA | Fredy Jaofera | ZAZA
Zazan'ny Famonjena
no efa eto amintsika
ka nahazo fandresena
sy laza tsy hay adika.
Zazan'ny Fitahiana,
avy ho fanomezana
tsy tia ny hijaliana
na ny hahaverezana.
Zazan'ny Fiadanana
ka masina eto loatra
tonga ho fihavanana
mahay mampivoatra.
Zazan'ny Hazavana
hanilo eto an-tany
mivatsy fahagagana
f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aryvelonaayva/noely-2017 | Noely 2017 | arYVelona(AYVA) | Tonga ity lay andro
Zay fifaliam be
Ho fiarahana mosoma
Hiarahana iomehy
Ho tonga ny mpamonjy
Hitondra ndray lay soa
Famonjena re!
Ka iza no tsy andeha
Hioby, hifaly sy hidera
An’ilay Jesoa
Fa indro ity lay andro
Nahaterahan ilay tsy Toha |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/nilaozanolon-tiana | Nilaozan'olon-tiana | Nalison Randrianaivo | Nilaozan'olon-tiana
gina ny tontolo
nisy ahy sy anao
ilay fitia bobon-golo
izay nataonao kilalao
niaraka niory
tamiko ny natiora
ka nisinda sy nitony
sy nivadika hirahira
nilaozanao aho mantsy
toa mila tsy ho tanty
raha tsy hitoetra anilanao
nankarary ahy toy izao
mba niangavy nitalaho
nandadilady tamin'n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/taona-vaovao | taona vaovao | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | taona vaovao!!!
dia vaovao indray ity taona
tsy dia hoe nisy niova firy
fa toy ny mahazatra eny foana
ny fiatrehana ny adidy
fa izao! akorisako ny peniko
ho fiarahabana anao
nahatratry ny taona vaovao
ka firariantsoa tokana no hany mba teneniko
hoe hotahin'ny Tompo anie ianao amin'izay rehetra atao
fa...! ten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aryvelonaayva/fony-isika | Fony isika | arYVelona(AYVA) | Fony isika mbola roa
Dia nireda mafy lay fitia
Fatra mpanaperana fo
DIa naniry kjoa ny hiara droa
Nandavorary izay mba nety
Nikolo koa ireo izay tsy lafatra
Fa asa lahy raha izao no fanaperana
Fa tretrika tokoa izaho sy ianao
Nandeha ny andro
Nivadika ny volana
Nampy ny taona teo foana
Niaraka isikia nisedra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fisarahana-11377 | Fisarahana | Nalison Randrianaivo | Fisarahana
ianao no lasa
namela ratra
ny foko torovana
fahalelovana
ianao no dila
izaho mbola nila
fa navelanao
nangaina toy izao
ianao no nandao
namela ahy irery
izaho mba nitalaho
tsy nisy mpijery
ianao no nanadino
ny tantaran-tsika
izaho toa tsy nino
ho rava ny amintsika
ianao no nandeha
nandositra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aryvelonaayva/vao-tsikarotro-omaly-lay | Vao tsikarotro omaly
Lay | arYVelona(AYVA) | Vao tsikarotro omaly
Lay salovatavanao
Noheveriko tsy ahasarika ahy
Hay nandrombaka ny aty fanahiko
Lay volonao mikopaka
Miloko volamena
Lay masonao mitopy
Toa onja be sesehena
Fa iny vodilanitra iny
Manga mavamavana
Dia mampanembona ahy foana
Ilay tsikinao mihavaka |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/malagasy-tononkalo/zava-misy | Zava-misy | Malagasy tononkalo | Vato mitsangana
vato fehizoro
faty mitsangana
natao hoe lolo
vonin-kazo mamelana
tsara kolo sy kara
zanaka nateraka
solofo dimby ary fara
tokan-trano vao
izay mafy orina
noho izaho sy ianao
niara-nitolona |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aryvelona/ny-tono-tsy-hikalo-ny-kal | Ny tono tsy hikalo
Ny kal | ArYVelonA | Ny tono tsy hikalo
Ny kalo tsy hanona
Fa ny fo zay efa serina
No hanonona sy hikalo
Ny ventinkevitra ato anatiko
Ny fo natselatry ny hafo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tiavo-izy-raha-mbola-velona | Tiavo izy raha mbola velona | Nalison Randrianaivo | Tiavo izy raha mbola velona
velona izy tsy notiavina
fa nahilikilika ary koa nolavina
velona izy raha nitaraina
dia nolakoina sy nokendaina
velona izy tsy norarahina
fa nampijaliana, nampahoriana
izao ianao mitomany
f'izy lasa nandao ny tany
velona izy tsy nohenoina
fa noratraina sy novonoina
izao izy any an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/malagasy-tononkalo/fehizoro | Raozy mena fify | Malagasy tononkalo | Raozy mena fify
mena mankadiry
fitia mitampify
nitsiry sy naniry
raozy mena fify
mamelana manify
fitia vao nitsiry
avy dia naniry
raozy mena fify
mamiratra manjopiky
raozy mamoha mena
ao anaty saha edena
raozy mena fify
mivelatra amin'alina
midoroboka eky
raozy malina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aryvelonaayva/mbola-mitempo-anao-anie-n | Mbola mitempo anao anie n | arYVelona(AYVA) | Mbola mitempo anao anie ny foko
Fa akory anie ny fahatairako
Raha indro fotsiny nahare
Ny fonao sy azy anie
Efa sambatra sy lafatra
Lay fiainana kely efa vita rafitra
Indrisy re ny sento
Sento tokana nasehony
Ilay foko kely indro rovitra
Rovitry ny fahasambaranareo mamiratra
Dia nitanondrika ny lohako
Nitiol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/malagasy-tononkalo/tatamo-amorom-parihy | Tatamo amorom-parihy | Malagasy tononkalo | Tatamo amorom-parihy
maniry mba hitia
mitokatoka monina
tsara tarehy ny moniny
tatamo amoron-kady
mba maniry haka vady
miramirana fijery
toa baranjely
tatamo amoron'ny morina
fitiavana mafy orina
mamelana tsy mety halazo
voakolo toa vonin-kazo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ilay-raozy | Ilay raozy | Nalison Randrianaivo | Ilay Raozy
ilay raozy dalia
maniry anaty saha
mitambatra ho maro
mamelana maraina
sy loko mifangaro
tsy mety ho karakaina
ilay raozy voahirana
mamelana mangirana
maniry an-drano maria
mamiratra midorehitra
mahafinaritra ery
ilay izy toa mirehatra
ilay raozy benja
maniry anaty edena
miloko menamena
mijor... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/manitra-anao | Manitra anao | Vetso mena | _ ry tanindrazako malala, embona anao
Manimanitra anao, matsiahitsiahy ny fanao
Ilay fombafombanao fahiny toa tsy mety hadino
Fa mbola mifikitra ato am-po lay tantara tsy voadino
_ gasikara tanindrazako, reharehan'ny taranako
Maro be ireo talenta, ireo harena izay fananako
Tsy avy aiza akory ireo fa avy amin'ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fararano | Fararano | Nalison Randrianaivo | Fararano
vao mangiran-dratsy
ireo mpijinja vary
dia efa tazana tsy satry
ery antanim-bary
handeha hijinja ireo nafafy
izay amam-bolana maromaro
misy koa nefa ahi-dratsy
izay esorina tsy hifangaro
ny sasany mijinja
moramora famindra
ny sasany mitaona
ho eny ampanilaona
tena vokatra tokoa ity ny vary
izay n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-hadino | Tsy hadino | Nalison Randrianaivo | Tsy hadino
rehefa handeha ianao ny maraina
izay mba mazoto tsy mba malaina
tsy mba hadino ilay horoka kely
izay mamy mihoatran'ny tantely
rehefa miverina ianao ny atoandro
raha vao tonga dia misolo akanjo
tsy mba hadino ilay horoka kely
izay mamy mihoatran'ny tantely
rehefa miverina indray ny ariva
iny ilay m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/i-rova-manjakamiadana | I rova manjakamiadana | Nalison Randrianaivo | Rova manjakamiadana
ilay trano lapa iray
ilay avo sy mirindra
dia nodorana ho may
nirehatra ho kila
ilay trano voninahitra
ho reharehan'ny firenena
norava tsy hanitra
toa nampahonena
i rova manjaka
ilay miadana sy soa
ilay trano tena lapa
sy mendrika tokoa
nefa ankehitriny
voatsangana indray
ilay rava te... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/lavitrolotiana | ELANELAN-TANY | Zoky Eric | Tsy aiko fa manoja, ato ampoko ato.
Ilay fitiavanao, manosika tsy miato.
Manery ahy hijery, ny tany misy anao.
Manosik'ahy hiventso, kalo vaovao.
Mibahana ato antsaiko, ilay fihetsikao.
Manery ahy mangina, te ahitanao.
Ra teo angamba inao, feno hafaliana
Nefa ny elanelan-tany, no lasa fijaliana.
Lavitr'ahy iana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hamaky-vala | Hamaky vala | Nalison Randrianaivo | Hamaky vala
rehefa afaka ny vary
teny antanim-bary
dia mamaha omby am-bala
handeha hamaky vala
izay mandalo fotsiny ihany
tsy mitoetra eo izany
fa maika hamonjy ahitra
eny ambony avaratra
miandry omby antanim-bary
izay mitretra mafy tongotra
maika hinam-bary
ka maina hatramin'ny molotra
vaky vala ka voky o... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/anjely | Anjely | Nalison Randrianaivo | Anjely
tsara tefy, tsara rindra
tsara lahatra indrindra
tsara petrapetraka daholo
ny vatany iray manontolo
tsara bika sy ny ranjo
sy maontina fiakanjo
tsara todika tsara jery
izay miendrika anjely
tsara voatra, tsara joro
ny hakantony jorojoro
tsara angola sy endrika
izay kanto tena mendrika
tsara orona sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/noho-ianao | Noho ianao | Nalison Randrianaivo | Noho ianao
matoa aho tokam-po
noho ianao tokoa
izay laniko ho tontolo
ny fitiavanao manontolo
matoa aho nanaja
noho ianao ilay sahaza
ilay mendrika ho tiavina
tsy mendrika ho lavina
matoa aho nitia
noho ianao ihany satria
nibosesika tao anaty
ilay fitia te iara-maty
matoa aho sambatra
noho ianao ilay niav... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/niandry-anao | Niandry anao | Nalison Randrianaivo | Niandry anao
Ora maromaro teo no lany
nefa ianao mbola tsy hita ihany
lasa teo ary izato saiko
ka handeha sa hijanona hiandry azy
nefa anie ianao tena lalaiko
ka aleo aho hiandry na ho sasakalina aza
tonga teo aho tamin'ny folo
izay niankindrindrina, nanamboatra volo
ny maso efa folo
nihodin-kavia sy havanana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/hafatra | Hafatra | RATAN | Dia... Sanatria sahady ve?
D'efa hampody mpianatra reo mpanabe.
Nohon'ny loza voajanahary ihany.
Enjana! Misesy foana hatrany hatrany.
Dia...hitombo ihany lay fotoana very.
Ny fandaharana ary ity efa tery dia tery.
Maro anie no efa banga,
tsita e! Alefa mody n'inonina hitranga.
Misy aza moa ny mifaly.
Mampanah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/miandry-valin-teny | Miandry valin-teny | Nalison Randrianaivo | Miandry valin-teny
rahoviana ihany ary
ilay valin-teninao
ela loatra sa izaho?
No mafy teo ho eo
sy miandry rahateo
efa tsindrin-daona mafy
maika aheno ilay valiny
ny foko toa ho vaky
nefa miandry izay ho rariny
ho avalinao ho ahy
mitebiteby sy manahy
nahoana raha lazaina
fa izaho mitaitaina
nefa anie ian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-krismasinay | NY KRISMASINAY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | ny krismasinay
ny krismasinay lazaiko anao
fa hafa mbola tsy fahita
tsy akory hoe nahazo kilalao
na niantsena hividy gisa
toy ilay fanao hatraminizay
ary tsy mba tany ampingonana
no nankalazaina ny krismasinay
fa tao an-trano ihany no mba nilanonana
dia tsy ilay mahazatra isan-taona
no nanaingoina ny efi-tran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ity-raozy-mety-ity | Ity raozy mena ity | Nalison Randrianaivo | Ity raozy mena ity
ity raozy mena ity
dia atolotro ho anao
izay tena be mpitia
sy misy mitady hilalao
fa ianao no safidy
hikarakara azy
ilay raozy sarobidy
mitoetra anaty vazy
ireo olona jerena
dia maniry mba homena
fa ianao no tiako satria
hikarakara ilay fitia
fitia miendrika raozy
mamelana tsara paozy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/ava | AVA | RATAN | Mihodihody ao ambandika ao ingahy AVA.
Vao manomboka ny taona dia efa miseho RANGAH.
Rivo-doza tsy hay hoe ahoana!?
Tsy niarahaba talohan'ny fotoana.
Aty @ misy anay dia rano be no hentiny,
miseho daholo hatramin'ny ventiny.
Tsy hita fa dia voajanahary eh!
Mivavaka! Mangataka @ zanahary!
Dia... Mbola milamina a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ilay-fitia-manjopiky | Ilay fitia manjopiky | Nalison Randrianaivo | Ilay fitia manjopiky
ilay fitia manjopiky
nandrotika, nikiky
ny tao anaty manontolo
tsy hay ho fefena
nahamay toa nandoro
ny tao anaty saha edena
ilay fitia manjorehitra
izay namiratra, nidorehitra
nanazava ny tontolo
sy nampisava ny hatsiaka
ny tao anaty manontolo
sy nampafana antsika
ilay fitia mibaribar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/r-mikorina | Rà mikorina | Nalison Randrianaivo | Rà mikorina
tsy mety mangina
ilay tontolo iray
dia rà mikorina
ao anatiko izay
tsy mety mianto
ilay tontolo iray
misosa milanto
ao anatiko izay
tsy mety mijanona
ilay tontolo iray
mikorina amin'alina
ao anatiko izay |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ianao-ilay-diary | Ianao ilay diary | Nalison Randrianaivo | Ianao ilay diary
Ianao ilay diary
voatahiriko anaty sary
ianao ilay diamondra
iray tokana monja
ianao ilay sarobidy
hanerako tsy hamidy
ianao ilay vatosoa
mamiratra ho ahy tokoa
ianao ilay vonin-kazo
ho koloiko tsy halazo
ianao ilay raozy mena fify
nihotazako ilay tsiky
ianao ilay vazy
nitoerako sahady
i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/nenina | NENINA | Zoky Eric | Eny naneneko, ireo vitan-tsikaroa,
ireo fihetsika rehetra, izay tsy vokatrin'ny fo.
Ilay namako tsy foiko
Nefa nolotoiko.
Eny nolotoiko,ireo hoavinao rehetra.
Simba noho ireo,filana tsy voafetra.
Eny,latsa-nenina
Indrisy tsy azo hafenina.
Eny,tsy azo hafenina,ireo zava-bita.
Na dia ho takonana,tsy maintsy ho h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/embona | Embona | Nalison Randrianaivo | Embona
lasa ny eritra
nanaitra ity fo
ny ranomaso no nanerika
nameno ny tava
fa mbola hisava
ny hambom-po
lasa ny embona
embona tsy nahy
izay nampisento ahy
lasa ny hanina
nampihevina ahy foana
indrindra amin'ny alina
lasa ny ventso
ka hila tsy tana
nitondra ilay sento
ho any aminao ry lala
lasa ny kal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/veloma-ry-2017 | Veloma ry 2017 | Nalison Randrianaivo | toa mandalo ihany kay
ilay taona anan-kiray
izay tsy mitoetra ho doria
hay tsy toy ny fitia
misy anefa no maniry
hiaraka aminy mandrakizay
mba nahatsapa sy nitsiry
ilay fitia, fitia iray
nefa nanao dify dia vita
iny taona iny dia tsy hita
fa na mamy aok'izany
dia veloma, hatreo ihany
ny taona izay nifanesy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fanaovam-beloma-farany-ny-taona-2017 | Fanaovam-beloma farany ny taona 2017 | Nalison Randrianaivo | Fanaovam-beloma farany ny taona 2017
veloma ihany no atao
hanadinoana anay anao
ry taona anan-kiray
tsy ho hita intsony mandrakizay
ianao no namela takaitra
izay mafy sy mafaitra
ka mandehana ianao any
ataovy veloma ny tany
tsy any ambanin-drangolahy akory
fa ho faty sy hivalona fotsiny
ianao ry taona nampah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/arahabaina-nahatratra-ny-taom-baovao | ARAHABAINA NAHATRATRA NY TAOM-BAOVAO ! | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Arahaba madinidinika, nahatratra taom-baovao.
Nahatsipaka amin-kery iny taona ratsy iny;
Taona lasa tena mafy, toy ny zioga sy ny bao;
Nampitaintaina, nampanembona ny tsara fahiny.
Arahaba tsy ankanavaka, tsy maty fo aman'aina;
Niangaran'ny vintana ka mbola velon'aina ankehitriny,
Na ny nandova tany lonaka, na ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/mifanjohy | MIFANJOHY | RATAN | Resaka no niseho...
Samy liana raha teo.
Nifampidera taim-by.
Gaga, fa izy ary ty viavy ty?
Ny fo mora nifanindry.
Mamy, fa tsy mangidy.
Kanto dia Kanto tokoa,
lay resaka, tsara no soa.
Niova hevitra ré zato anao lahy,
te hizaka mafy,nefa tsy sahy.
Hamoaka lay avao am-po.
Fitiavana miboiboika tsy manampaharo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nasandratra-ny-aina/nisafidy-ianao-ny-hamela | NISAFIDY IANAO NY HAMELA | Nasandratra Ny Aina | NISAFIDY IANAO NY HAMELA
Eny sombiniana,
Satria hoy ianao hoe : tsy misy tombon-tsoa
ny hitahiry heloka hananako fahavalo
Ary maika aza hankarary an-doha
ny hiandry azy hifona handohaliko, himalo
indrindra hoe izy toa tsy rototra… !,
Dia nisafidy ianao ny hamela
Tsy hoe fahalemena
Fa izany mihitsy aza iky no t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ilay-elo-be-tsy-mipiaka | Ilay elo be tsy mipiaka | Nalison Randrianaivo | Ilay elo be tsy mipiaka
elo be tsy mipiaka hono
kanefa tsy maharo akory
fa vao maika toa mandoro
ilay masoandro be ao ambony
elo be tsy mipiaka ve
dia haharo akory
fa vao mandena re
ilay oram-be avy any ambony
tena marina tokoa kay
fa tena elo be tsy mipiaka
io lanitra hitanay
misy masoandro mibaliaka
tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/miandry-ilay-taona-vaovao | Miandry ilay taona vaovao | Nalison Randrianaivo | Miandry ilay taona vaovao
ora vitsivitsy monja
no andrasana dia tonga
ilay taona vaovao
ho ahy sy ho anao
efa maro ireo miandry
ilay ora sy fotoana
izay tsy tafandri-mandry
hitongavan'ilay taona
vao mipaika eo ilay ora
higadonan'ilay taona vao
dia mihoraka ny olona
hoe tratry ny taom-baovao
miandry ary isi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/2018 | 2018 | Nalison Randrianaivo | hifarana amin'izay izany
ity taona ity
izay nangidy sy mamy
nampisaraka, nampifankatia
ilay taona izay lazaina
fa hoe taona ratsy indrindra
maro be ireo nitaraina
ka hoe hanova famindra
amin'ny 12ora alina
ho tapitra amin'izay
hanaovam-beloma sasakalina
hitsenana taona vaovao indray
betsaka ireo tsy matory
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ilay-dobom-boromanga | Ilay Dobom-boromanga | Nalison Randrianaivo | Ilay dobo
ilay dobom-boromanga
madio manganahana
miloko mangamanga
ilay rano nahatamana
ilay dobom-boron-kely
mamiratra no tazana
indrindra raha mijery
toa nidika ho fitaratra
ilay dobo-drano-ketsa
nivalana nankaty
fa toa tsy nisy nametra
navela niriary
ilay dobon'Andriamanitra
ilay sarom-pady indrindra
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/aingam-po | Aingam-po | Nalison Randrianaivo | Aingam-po
sento tokana monja
ainga izay mitondra
ilay hembona tsy nahy
izay nampisento ahy
sento tena lalina
ainga izay hanina
tsiaro ilay tiana
misento mangina
sentom-pahatsiarovana
ainga izay tsiaro
tsiaro sy halelovana
halahelo mifangaro
sento iray mankany
manantona malala
sento tena mamy
mitondra ah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tratry-ny-taona-daholo | Tratry ny taona daholo | Nalison Randrianaivo | Tratry ny taona daholo
tratry ny taona daholo
ry malagasy tsy vaky volo
izay mbola velon'aina
tsy maty fo aman'aina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ezk/intsony-no-hitomany | Intsony no hitomany | EZK | Intsony ny vavako raha hiangavingavy foana
Ny hitalao sesilany tsy hita fiafarany
Intsony no hibaboka, hitomany manoloana
Bongo maso fahantany,
ny maso mena maavany
Nefa tsy hitanao...
Intsony no hilaza 'lay teny manan-danja
Ny hamerina indray 'lay teny tokana iray
Intsony no hamerina zay efa saika tsy voalaza
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/vali-babena | Vali-babena | Nalison Randrianaivo | Valim-babena
ianao ry neny malala
kitapo faran'ny tsara
ianao ry dada tsy foiko
masoandro iray ato am-poko
niakindrindrina irery
dia ianao anie ry neny
nivesatra, no nibaby
nahatonga ahy tomady
nifoladamosina ianao ry neny
noho ny fitiavanao
tsy nisasatra niteny
sy nividy kilalao
ianao ry dada malala
nita... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ity-sasakalina-ity | Ity sasak'alina ity | Nalison Randrianaivo | Ity sasak'alina ity
ity sasak'alina ity
dia alin'ny mpiriary
mety hahitana soa
mety ho ratsy ihany koa
anefa mety ho tsara
mety hahita ilay anjara
ilay taolan-tehezana
sy kofehy nifehezana
anefa mety ho ratsy
sy loza ho anao indray
ianao ho mamo katry
hihakapoka dia izay
misy ireo izay hafa
tsy mba toy iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/ny-boky | NY BOKY | RATAN | Mbola tsisy mahasolo,
mandravaka ny Tontolo.
Mahafehy ny Tarigetra,
mitahiry ireo Toetra.
Ankehitriny naika very,
malalaka tsisy teritery.
Avereno lay taloha,
Lova mahasoa.
Ankavitsiana sisa no mahalala;
tsy hita, maro koa nefa no tara.
Vaorebirebin'ny FANDROSOANA,
risika! Nohon'ny FANANTONTOLONA.
Aiza ré i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/arabaina-tratry-ny-faran-taona | Arabaina tratry ny faran-taona | Nalison Randrianaivo | Arabaina tratry ny faran-taona
ho an-tsika mbola velon'aina
dia arabaina tsy maty fo aman'aina
fa mbola naha tratry ity andro ity
mitambara hatrany, mifankatia
dia miarahaba ihany koa
fa tratry ny faran-taona
izay irariana soa
ho tratrany amin'ny herin-taona
dia mba ho tratrany taona mifanesisesy
izay mbola h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/maloka | MALOKA | RATAN | Andro vitsy monja,
niseho zato loza!
Fijaliana sesehena,
mampiteha hamonon-tena!
Lasa ilay voaloha.
Tonga ny faharoa.
Fahoriana hiainana foana.
Mampijaly ka mampiteny moana.
Tsitako intsony izay hatao.
Loza ty fa tsy kilalao.
Heno hatrany aminy fidoboky ny FO.
Tantara mampahonena ka tsy avela ho LO.
Misaotr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-sarotra | REHEFA SAROTRA | Fredy Jaofera | REHEFA SAROTRA
Rehefa sarotra ny fiainana
dia manamora ny fitiavana :
tsy dia be ny fitarainana,
ny fo izany te hihavana.
Rehefa sarotra ny lalana
dia manamora ny fitiavana :
ny disadisa toa mahalana,
tonga ho azy ny finiavana.
Rehefa sarotra ny tanjona
dia manamora ny fitiavana
sady mbola mahatalanjona
reh... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/faranny-taona | Faran'ny taona | Nalison Randrianaivo | Faran'ny taona
amin'izao faran'ny taona
ny dom-bera no be dia be
nefa tandremo tsara mba tsy hivaona
mba tsy ho tafahoatra re
fa mety hitondra anao ho any
amin'ny lalan'ny fahaverezana
eo ianao vao hitomany
rehefa tsy ampy fiheverana
amin'izao faran'ny taona izao
maro be ireo olon-dratsy
koa mitandrema foana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/asara-manitra | Asara-manitra | Nalison Randrianaivo | Asara-manitra
tonga ity ny asara-manitra
ka ho samy hotahin'Andriamanitra
arabaina isika nahatratra
ho feno hafaliana tsy ombi-tratra
tonga ity ny taom-baovao
noho ny fitahian'ilay Ray anao
ka nahatratra izany andro izany
ka mifalia fa aza tomany
tonga ity ilay andro voalohany
andro iray izay iandohany
ny vo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/maro-no-tsara-fa-ny-tiako-tsy-ariako | Maro no tsara fa ny tiako tsy ariako | Nalison Randrianaivo | Maro no tsara fa ny tiako tsy ariako
maro tokoa no tsara
fa ny tiako tsy ariako
izay mety mba hahatara
nefa ianao no efa tiako
maro tokoa no tia
fa foko no mametra
izay ho tiany ho doria
ka fitia tsisy fetra
maro tokoa ny misarika
ity foko ho mania
izay mety tsy voa-marika
hoe ity foko no hitia |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/thierry-rakobonne/izy-no-izy | izy no izy | thierry RAKOBONNE | izy ilay noheverina fa hadala ka olona be herim poho nefa tsy nalala izy ilay niteny fa tsisy nihaino satsia mbola rovintsa ankanjo sy be mpataloha izy ilay niaritsa ny seandra mpiainana nefa tsy sy nanampy nade kontsany tomany izy no izy lay efatafiaka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/vonin-kazo-an-jaridaina | Vonin-kazo an-jaridaina | Nalison Randrianaivo | Vonin-kazo an-jaridaina
mahafinaritra ery
ny mijery ny natiora
izay velom-belom-pitia
falifaly mihirahira
satria nahazo aina
avy amin'ilay Ray avo
ilay vonin-kazo an-jaridaina
mamelana tsy malazo
toa miravaka soa ery
ireto vonin-kazo soa
mahafinaritra maha te ho tia
kanto tena soa tokoa |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/izany-rehefa-tia | Izany rehefa tia | Nalison Randrianaivo | Izany rehefa tia
izany rehefa tia
lasa adala sy very saina
adala ianao satria
tojo ilay tiana sy lalaina
izany rehefa tia
lasam-borona voadona
lasam-borona satria
io ilay tiana voalohany
izany rehefa tia
toa miteniteny irery
miteny irery ianao satria
te hanana azy ka tsy ho very
izany rehefa tia
midobodob... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/nenina | Nenina | Nalison Randrianaivo | Nenina
nanenina angaha ianao
no tonga eto indray
hifona sy hitalaho
hamerina amin'izay
ilay fitia niombonana
ilay mamy nifanolorana
ilay teny mamy fah'izay
hoe averina indray
kanefa indrisy tara loatra
ny fahatongavan-tsaina anao
satria dia tafahoatra
loza izay efa vitanao
ny nenina tsy ao aloha
fa ao ari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/nahaona-ianao | Nahaona ianao... | RATAN | Nahaona ianao no tsy miteny?
Izaho ity efa manirery
tia ahita lay endrikao,
ny fitiavana anao tsy natao kilalao
Nahoana ianao no tsy mifaly?
Izaho aty tena mijaly...
Mahatsiaro ny taloha,
na ratsy izany na ny soa.
Nahoana ianao no tsy tonga?
Izaho aty efa somongamonga...
Miandry anao mba handalo,
tsy nahoana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mbola-manantena-anao | Mbola manantena anao | Nalison Randrianaivo | Mbola manantena anao
nanantena anao aho
izay nikiry mba nijaly
nandadilady nitalaho
indrisy latsaka tomany
kay ilay nantenaiko
tia ahy sy mba lalaiko
tsy nanaja ahy akory
fa nanao izay nampahory
niaretako hatrany hatrany
izay vitany tamiko
kanjo notohizany ihany
izay hampijaly ity tenako
izaho mba nananten... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hamonjy-ilay-malala | Hamonjy ilay malala | Nalison Randrianaivo | Hamonjy ilay malalako
na oram-be mifofo
sy rano lalina mandriaka
na tadio mitara-jofo
tsy hasakana ahy ry tiako
tsy maintsy tonga any aho
tsy maintsy hitako ianao
na ho safo-drano
sy tendromboitra mitatao
hamonjy anao no atondiako
r'ilay tiako tsy foiko
tsy ho hampijaliako
tsy avelako hitoloko
ho avy aho i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/justin-tahirisoa/na | NA | Justin TAHIRISOA | NA…
Na dia be ny mpankahala
Ny olana tsy mety miala
Na misompatra ny maro
Tsy ho lavo aho, manam-piaro!
Na hivadika ny tany
Ka hangidy koa ny mamy
Na ho very zava-tsoa
Hitraka aho fa eo i Jesoa
Ka na inona hidona
Tsy halazo ‘lay finoana
Na dia hotoraham-bato
Mbola hivavaka tsy miato |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fahatsiarovana | Fahatsiarovana | Nalison Randrianaivo | Fahatsiarovana
Embona sisa tavela
raha mahatsiaro irony fahiny
indrisy anefa fa namela
fahatsiarovana ankehitriny
aiza ireny isika taloha
izay niaraka tsy te hifandao
indrisy anefa toa loha
ilay hoe izaho sy ianao
toa fahatsiarovana sisa ireny
ireny teny mamy, tambitamby
izaho mba nino hoe tsy ho very
indri... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/malaina | MALAINA | RATAN | Jereo ty endrikao
tretrika tsy manankatao...
Aza malaky kivy mialoha,
mitraka dia ampiasao ny loha.
Tsy hitako intsony izay hatao,
izaho ty menatra ny mpianatra vao,
tsy mety amiko intsony angamba no makany.
Fahaizana tsisy dia ny vola no lany.
Hipetraka fotsiny dia aninona?
Ny manoro hevitra anao indray ty no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aleo-mitraka/ny-fiainany | Ny fiainany | Aleo mitraka | Ny fiainany,fiainana miady irery
Fiainana tsy misy mpijery
Ka miandry ny tsikim-bitana hampifaly
Ilay resy anady
Nohon'ny olana mianjady
Indro izy mitanondrika satria
Mafy ny adim-piainana sy ny ankaso
Sakaiza tsy mahafoy azy ny ranomaso
Ka ny hoe resy aho
No teny vetesin'ny vavany isanandro
Maloka ny azy ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitia-fahazaza | Fitia fahazaza | Nalison Randrianaivo | Fitia fahazaza
toa tsaroako ery
isika roa nilalao
izay mbola tsy nitia
fa mpinamana amin'izao
kanefa taty aoriana
ilay mpinamana taloha
ka nivadika ho olon-tiana
sy fitiavan'olon-droa
izay nitsiry tao anaty
sy voamboraka tsy nahy
asesik'ilay fitia mantsy
ka tsy matahotra fa sahy
mbola zaza tokoa tamin'iren... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/firenena | FIRENENA | RATAN | Ho aiza ity Firenena?
Miaka-midina raha vao jerena.
Noho nt ady lahy politika?
Hivavahana amin'ilay Ray mba ho tafita.
Tonga indray ity olana.
Naharitra amam-bolana, aman-taona,
Heno hatrany amin'ny fidoboky ny Fo!
Eh! Tantaram-pirenena io ka tsy avela ho loha.
Inona moa ity mampiady?
Nananana halahelo manjadi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/fianarana | FIANARANA | RATAN | Mandehana mianatra dieny malaina,
fa rehefa mahazoto tsy afaka intsony.
Ohabolan'i Ntaolo miendraka ho deraina,
Izay tena hampiasaina no sady ho hajaina.
Ry tanora kamokamo,
no hentina hitondrana hafatra fa tsy angano.
Satria isika dia variana ny mirendrarendra;
ka eo ianao tavela, ilaozanao mivandravandra.
Rah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/misy-fo-iray-any | Misy fo iray any | Nalison Randrianaivo | Misy fo iray any
Misy fo iray any
izay maniry mba hitia
mba ho anao irery ihany
nefa indrisy tsy ho doria
misy fo iray any
izay te mba ho tiavinao
nefa toa mitomany
izay manahy ho lavinao
misy fo iray any
izay nitia anao mangina
mba naniry, naniry hatrany
nefa ngidim-pijaliana
misy fo iray any
te hitempo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratan/ditra | DITRA | RATAN | Tonga ny maraina
Mihetsika na dia malaina
Andeha hitady tombotsoa,
dia ny fianarana mamy soa.
Domelina tsy mahavita asa
Mifoka sigara dia lasa
Miandry lakolosy maneno,
hay ny enti-mody mbola tsy feno.
Ditra tsy ditra rehefa ao an-dakilasy
Taoka sy sigara no atao pasipasy
Ny mpampianatra koa moa tsy mahalala r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-fiainana-aty | Ny fiainana aty | Nalison Randrianaivo | Ny fiainana aty
ny fiainana aty kay
maloto sy voretra velona
ka mitondra aretina ho anay
ireo setroka sy lavenona
ny fiainana aty ary koa
toa gidragidra daholo
tsy milamina avokoa
izay hita manontolo
ny fiainana aty iarivo
toa lelalela lava tsisy farany
na tranom-barotra io na kizo
dia mpanendaka no tantara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/rehefa-maty | Rehefa maty | Nalison Randrianaivo | Rehefa maty
Ilay nofo faha izay
dia hody vovoka ho tany
niala teo ny fanahy
ho any an-danitra any
mipetraka ny anarana
eo amin'ny varavarana
ny fasana hilevenana
sy tany nototorana
hanirotra ihany aloha
f'izy mbola mando
ka ho lasa ambiroa
ilay tenany ka ho loha |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mibabo-fa-tia | Mibaboka fa tia | Nalison Randrianaivo | Mibaboka fa tia
raha nitory taminao
nanambara ireto vavako
hoe tena tiako ianao
sy lasa anao ny fitiavako
ka tsy hay ho fefena
tsy hay ho ravana
tsy azo osiosena
fa tiako loatra ianao rahavana
lasa anao hoy aho
ny amiko rehetra rehetra
izay tsy mba ho lao
fa ny aiko no mametra
mibabo aho fa tia
tena tia a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ahoana-re | Hamboraka fitia | Nalison Randrianaivo | Hamboraka fitia
ahoana re no atao
hamborahako fitia aminao
ho alefako taratasy ary?
Sa ho ataoko toy ny kabary
iza anefa no hitondra
raha alefako taratasy
ilay teny diamondra
izay teny malagasy
izaho anefa tsy sahy
raha ataoko toy ny kabary
izaho toa manahy
raha iteny miharihary
dia ahoana re no atao
sa h... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/tsy-hitia-intsony | "Tsy hitia intsony" | dafa | Raha mbola ny fitia
no tonga hampahory
dia nanapa-Kevitra aho ny tsy hitia
eny tsy hitia intsony..
Raha mbola ny fitia
no hahavaky ny kamory
sy tonga hampahia
sy tsy hampahita tory..
Dia haleoko tsy mitia
fa hijanona ho mpitazana
ireo mpifankatia
erakin'Ny lalana..
Ho arindriko ho vato
ny sisin'Ity foko
@... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/io-fitiavana-io | Io fitiavana io | Nalison Randrianaivo | Io fitiavana io
raha toa ianao tomany
dia no io fitiavana io ihany
raha toa ianao falifaly
dia no io fitiavana io ihany
raha toa ianao mijaly
dia no io fitiavana io ihany
raha toa ianao ravo
io fitiavana io tsy lavo
raha toa ianao tokam-po
dia no io fitiavana io tokoa
raha toa ianao mampirafy
dia no io fiti... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-tenin-drazako | Ny tenin-drazako | Nalison Randrianaivo | Ny tenin-drazako
vao teraka ianao
ka niloa-bava
dia i dada dada izao
izay no voateny
tao am-bava ombieny
koa izao anefa ianao
nanadino ilay fahiny
ka lasa "papa" indray izao
ilay "dada" ankehitriny
toa lasa tsy nahay
niteny malagasy
fa français indray
no hainao fa tsy gasy
ekeko fa tekinolojia
ny amin'iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mba-lazao | Mba lazao | Nalison Randrianaivo | Mba lazao
Fa nahoana re ianao?
no milatsa-dranomaso
mitomany toy izao
noho ny an-kaso?
Fa toa miady saina
sy malomalo-kendrika
ka te hitaraina
mitady ho rendrika
fa inona no mahazo
mba lazao raha azo atao
fa ianao ity toa malazo
ka mitady ho lao
amin'ity fiainana ity
ka mitady mania
mba lazao rey
fa ana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ilay-fitiavantsika | Ilay fitiavantsika | Nalison Randrianaivo | Ilay fitiavantsika
miha mafy orina
ilay fitia izay najoro
niarahana nanorina
ho vatofehizoro
miha mafy fatotra
ilay fitia izay namatorana
hita fa tena matotra
ilay fitia nifanolorana
miha mafy hatrany
ilay fitia niarahana nikolo
ka miavao toy izany
tsy ho mety bobon-golo
miha mafy tsy ho rava
ilay fitia i... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.