url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ririninalohantaonafahavaratra | Ririnina, lohantaona, fahavaratra | Nalison Randrianaivo | Ririnina, lohantaona, fahavaratra
mangatsiaka mamanala
ny andron'ny ririnina
hirotsahan'ny fanala
miraikitra amin'ny vilona
mandoro mahamay
ny andro lohantaona
toa hila hitsovaka izahay
amin'ity andro manasara-taona
ny kotroka sy ny varatra
no injay mirefo-drefotra
amin'ity andro fahavaratra
havandra mitefo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/anjara | Anjara | Nalison Randrianaivo | Anjara
Nandeha teny ny fotoana
naharitra tsy nihaona
hay va re ity tany
ka boribory ihany
ka nampihaona anay
tamin'ny toerana an-kiray
izay hiforona ho vaovao
ilay fitia izay naha lao
ka nanomboka teo
dia niverina niaraka
tsy nifankaleo
ary tsy mba hisaraka
toa tsy mampino mihintsy
iny nifankahitana iny i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-alina | Ny alina | Nalison Randrianaivo | Ny alina
ny alina tokoa hono dia mangina
ny zava-boary dia sina
ny atoandro izay nitarainana
fa ny alina hono mitondra fisainana
ny alina hono dia gina
izay tontolo iray mangina
fa ny feon'ireo bibikely
no manakoako toy ny angely
ny alina maizim-pito ka
raha an'ala mikitroka
mangina tsy handrenesa
ny feon'n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mie-tamby/...meteza | ...Meteza... | Mie Tamby | Na aza tsy hisy intsony,
Olona afaka hitia anao...
Dia meteza tsy hiaritory,
Amin'izay fitia kilalao...
Na eny fa mandratra,
Izany fo voatosika...
Meteza ho voaratra
Aza kanefa milofika!
Na hisento aza aloha,
Mandritry ny fotoana kely?
Meteza hampionona ny fo,
Hanasitrana ny fery
Ataovy kotsa ny ondana,
Ra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/julien-rakotonirina/simeona | SIMEONA | julien rakotonirina | Indro izahay fa efa manoloana
Amin'izao 13em faran'ny tona
Itondra ny anjara izay efa voaomana
Ho atolotray ho atsika fiangonana
Tsy oe voaomana be arakizany
Fa zay mba vitanay tato ihiany
No zaraina samy mahazo
Mba hamelona anao izay mitady halazo
Simeona aloha no anaran'ny kilasy
Sokajy zatovo no ahitana azy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/eee | Eee... | JERY | Eee...
Eee... mba tiako ianao
Eny...efa ela be
ô...nolavinao
Moa?...efa azy ve?
Eee...nangaina kely
Eny...dia nitomany
ô...toa manirery
Moa?..dia tena izay izany??
Eee...lasa ny andro
Eny nandeha,nivoatra
Moa?... voadona tany?
ô...efa tara loatra
Ka miala tsiny!!
Eee...raha tamin'iny!!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mangataka-famelana | Mangataka famelana | Nalison Randrianaivo | Mangataka famelana
Inty aho rahavako
hiverina hifona aminao
satria diso tokoa aho malalako
ka nanjary nampirafy anao
ka indro re aho fa tonga
hangataka famelana avy aminao
koa nitondra raozy diamondra
izay hatolotro ho anao
koa mamela re ny heloko
na dia zava-doza ary ny nataoko
avy aminao ihany re no ilaiko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-sahy | Tsy sahy | Nalison Randrianaivo | Tsy sahy
Raha vao iny ianao ka hitako
dia nidobodoboka be ny foko
niantso anao aza tsy ho vitako
fa taitra loatra aho ka nitokoko
torovana aho tsy naha-teny
anefa te nambaroka izay ao am-poko ao
toa te hilaza aminao ombieny
hoe tiako loatra ianao
ka izaho anefa tsy sahy
fa toa miahotrahotra
ny ato am-poko to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/rahampitso | Rahampitsoa | Nalison Randrianaivo | Nahaterahan'i Jesosy kristy
Ora sisa no isaina
dia higadona amin'izay
ilay andro vao maraina
hankalazana anao ry Ray
toa efa tsindrin-daona
efa te hankalaza
ilay andro iray sy taona
nahaterahan'ilay zaza
rapitso ny tsingerin-taona
nahaterahan'i Jesoa
izay faly te hiaona
amin'ireo mpino soa
tongava malaky a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/kintana | Kintana | Nalison Randrianaivo | Kintana
misy kintana iray
izay mandeha dia mandeha
hafa mihintsy izy izay
tsy toin'ireo be dia be
misy kintana an-kitelo
izay misongadina amin'ny maro
toa miombona halahelo
izay mitokana tsy mifangaro |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tonga-nofo | TONGA NOFO | Fredy Jaofera | TONGA NOFO
Tonga nofo
ny Zanaky ny Avo
ka tora-jofo
ny olona miravo.
Tonga nofo
ny Teny nambara
hita porofo
fa hafatra tsara.
Tonga nofo
'lay fanomezana
tsy mba hiofo
no sady tetezana.
Tonga nofo
'lay famonjena
toy iny Mofo
'zay efa nomena. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ampitso-vaovao | AMPITSO VAOVAO | Fredy Jaofera | AMPITSO VAOVAO
Ampitso vaovao
tsara noho ny omaly
no tiako ho anao
sy tsy mba misy jaly.
Ampitso vaovao
mahaliana lalandava
tsy ho tahaka izao
fa afaka hampisava.
Ampitso vaovao
sarobidy noho ny anio
tsy hilana raorao
fa ny rindra madiodio.
Ampitso vaovao
mahafinaritra tokoa
ka na inona atao
dia hitobak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-antara-andrianarisaina/noely | Noely | Ny Antara ANDRIANARISAINA | Noely fiadanana,
noely fahasambarana;
Noely fahatongavan'
ilay zoky be fitiavana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/kamo | KAMO | JERY | KAMO AHO...
Kamo aho hitantara
'Zay voandalako avy tany
Fa tarafo ao anatin' ny endriko malaina
Kamo aho ny hilaza
'Zay tena niafaräny
Fa zara aza aho niverina mbola hita velon'aina
Kamo aho ny hamerina
Fa ny tsaratsara angamba
Aleo aloha rahampitso f'izao mbola mangidy
Kamo aho letsy zandry
Fa ny azoko hamb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampandry-ny-aina-manitra/noelim-pamonjena | NOELIM-PAMONJENA | MAMPANDRINIAINA Manitra | Noely sasak' alina...
Efa mba nomanina
Ato anaty trano bozaka
Ny fatipatin-kapa efa drodraky
Ny fiainana.
'Ndeha mba hitarainana
Amin' ny dadabenoely.
Eny na dia hoe vatomamy kely
Hanalana ngindim-bava aza
No mety mba sahaza.
Fa tsisy kitro raitra
Fitondranay mianjaika
Azo hosotrosorana sy hatao mangirangir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhayman/tiavo-mangina | Tiavo mangina | Rhayman Drac RH | Rehefa tia Ianao dia tiavo fotsiny iany
F'aza milaza akory na mamoaka ny ao am-po
Fa ndrao tsy ampoizinao ny vain'izany
Ka hatonga anao hilavo lefona tokoa,
Hidio ny vavanao tsy hamoaka ilay teny sao ho ratram-po no voasetriny
Aza misaina akory
Na miandry ilay "ENY"
Sao koa tsy hoxzakanao ny lanjan'ny heriny,
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mazavatsinana/tsy-habembona-aho | Tsy habembona aho | Mazavatsinana | Angamba diso ianao nitsara ahy
F'Alakaosy dia nialana,
Matoa ianao tena sahy
Efa hevi-novolaina.
Kanefa hoaho ry sakaiza
Tsara vintana aho ity
Na dia ranomaso lava
No mba niainako fitia.
Matoa nalahatra hisaraka
Isika roa no tsy anjara
Fitiavantsika no niraraka
Dia nisy raha maramara.
Tsara vintana aho anie... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafenomanantsoa-santatra/i-neny | NENY | RAFENOMANANTSOA SANTATRA | Tsy ho azoko vonoina
na odian-tsy hita akory
ny fitiavanao ry neny
n'inon n'inona midona
na mijaly aho na ory
dia tsy niala ianao fa teny
nitondra ahy sivy volana
nitaiza tamin'ny taona maro
adidinao daholo izany
niainanao karazan'olana
karazan-ditra mifangaro
ianao anefa teo hatrany
zava-dehibe tokoa
tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/tsy-azokosa-tsy-azonao | TSY AZOKO…SA TSY AZONAO? | AbouNusrayni | TSY AZOKO…SA TSY AZONAO?
Ireo sinoratro mahitsy tsy mba misy hambahamba
Mifono hafatra tsy noforoniko ho anao irery akory
Raha tahiny nisy afo naharay ny zoron-damba
Tsy ianao no nokinendriko k’aza ataonao mampahory
Inoko moa ianao ka handeha handaniako andro
Ny adidy tsy an’olon-dratsy no nanainga izato peniko
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/anaro-aho | Anaro aho | Vetso mena | _ raha ny toetrako sy ny fombako
No tsy mba tianao ry tiako
Mba miangavy Aminao
Anaro aho mba ho tianao
_ za ange tena tia anao iny
Fa ianao no nanda tamin'iny
Tsy haiko ny fomba hilazana izany
Fa mba anaro dieny androany
_ inona loatra no antony nialanao tamiko
Tsy fantatro hoe nahoana fa very ny hafaliko
Mb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fahiny-fahazaza | Fahiny fahazaza | Nalison Randrianaivo | Fahiny fahazaza
Fahiny fahazaza
tany ambanivohitra tany
nilalao, nikotaba
fangalam-pery tamin'izany
raha vao iny diavolana
sy fenomanana iny
dia niara-nikorana
ny ankizin'ny fahiny
sangisangy sy kilalao
nay zazalahy kely
izahay tsy ho lao
rehefa fangalam-pery
tamin'izany tokoa mantsy
dia nifampitaona izah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vetso-mena/lay-voalohany | Lay voalohany | Vetso mena | _ lay andro voalohany nahitako anao
Tsy maty an'eritreritra lay endrikao
Toa tia anao aho, tia anao lay foko adala
Kanefa ny hilaza azy toa tsapako fa manalasala
_ nitohy ihany anefa mbola tsy sahy nilaza
Fa nafeniko ho ahy irery tao anaty fahanginana
Izay tokoa va lay fitia mangina niaretako
Rehefa lavitra anao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/halako | HALAKO... | AbouNusrayni | HALAKO…
Misy lohahevitra iray // Tsy itsitsiako fiteny ***
Satria afo mahamay // Mandriparipaka ombieny
Misy namako tsy faly // Isaky ny ito mba tenenina
Nefa ny fiainana omaly // Zary lesona tsy afenina
Izaho koa tsy hitotaly // Tsy hataho-masomena
Be loatra ny mijaly // Lavon’ireo mpiaro tena
Toa izay rehetra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/julien-rakotonirina/ranomasom-pifalina | RANOMASOM-PIFALINA | julien rakotonirina | Tsy oe mitomany akory aho dia malahelo
Fa ny fitia avy ao am-po no mamerovero
Ranomasom-pifalina sendra tsy tana
Feno lotra ny fitiavako anao ry malala
Tsy oe mitomany akory aho fa mahatra
Fa ilay fitia no tsy omby tratra
Mahatonga ahy maneho izany
Satria ianao ilay tokako eto atany
Tsy oe mitomany akory aho fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampandry-ny-aina-manitra/mila-setriny-any | MILA SETRINY ANY | MAMPANDRINIAINA Manitra | MILA SETRINY ANY.
rehefa takatrao ny ambadika fonosin'izao soratro eto izao.
Ny tananao haingao.
Dia manorata koa
ka soraty tsy ho takatry ny ankoatrantsika roa.
Izay valim-betsoko any.
Raha tsy azo tanterahina ny nofiko androany.
Dia ataovy ho lohateniny hoe: "fo iray tomany".
Raha mifanindran-dalana fitia mag... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-tia/anao-aho | ANAO AHO | Ilay Tia | Na ora toa inona na fotoana manao ahoana
Ilay angolanao no mandrotsirotsy izany foko
Ilay tsikinao no mampitony ny tolokoko
Alahelo lava anao embona tsy mety foana
Fa toa feno anao ny fiainako
Toa zary ianao foana no mibaiko ny ataoko
Adinoko ireo zavatra fanaoko
Fa ianao no mibahana ny fisainako
Amiko ianao no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mampandry-ny-aina-manitra/telomiova | TELOMIOVA | MAMPANDRINIAINA Manitra | "RARINY" ianao dia takonana.
Niniana fisahana mihitsy.
Alevina anaty tokonana
Mba tsy ho hitan' ny be noho ny vitsy.
"MARINA" ianao ka narendrika
An-tsapanan' i fasan'ny moana.
Afo hono ka tsy manendrika
Hokobonin' ny vanim-potoana.
"HITSINY" dia nomelohana
Ao anaty valonan' ny rasa.
Saronana anaty forohana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/embonembon-takariva-kalok | IZA??? | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | Embonembon-takariva
kalokalo tan-gitara
no indro tovovavy
sendra mba nandalo
sendra mba niserana
ka nisarika ny maso
ny bikany aman'endriny
ary nanintona ny orona
ilay fofon-dranomaniny
nandalo teo alohanay
zovy ianao r'ilay ira-janahary
fa toa mbola tsy fahita,
angamba kosa vahiny avy lavitra
Ka tratra ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-fitiavana | Ny fitiavana | Nalison Randrianaivo | Ny fitiavana
ny fitiavana akory
tsy terena sanatria
na mafy aza ka mampahory
dia miandry izay ho tia
ny fitiavana rahavana
tsy voavidy vola na harena
fa raha ireo no mibahana
dia anjaka ny fitiavan-tena
ny fitiavana ry malala
dia be ankaso sy manadala
sy fakam-panahy mianjady maro
sy halahelo sy tomany mifa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/santatry-ny-omaly/3a-atoroy-ahitsio-anaro | "3A" | Santatry Ny Omaly | ... ] Atoroy ny marina aho ahafahako manefy
Ny vatako malemy mba ho hendry indray
Ahitsio ny saiko hahery ka tsy ho lefy
Hitady fahasambara-mbola tsy hitako hatrizay
Lazao mahitsy ange ny vavako tsy hiteny
Zava-tsy filaza na koa zava-tsy fanao ...
Faizo mihitsy àry aho raha toa ka nisy ireny
Lainga tsara lahatra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-tia/alahelo-anao | ALAHELO ANAO | Ilay Tia | Havako o!Fitiavako ianao
Havako o!Fiainako ianao
Havako o!Fifaliako ianao
Havako o!Safidiko ianao
Mila tsy hay tohaina izato fitempom-poko tsy eo anilanao
Toy ny adaladala ny fisainako maminany izay misy anao
Tsy azoazoko ny aiko,ifandroitan'ny sento sy tomany ny tontoloko
Tsy mifantoka ny saiko maminaviana izay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/tsy-avy-miaina-aho-raha-t | Tsy avy miaina aho raha t | Antsa tononkalo.R | Tsy avy miaina aho raha tsy misy anao;
Toy ny felana raozy sy vonina lisy,
vonikazo ny foko... Raha ilaozanao:
malazo, mariry, misento...Indrisy!"
ianao dia ianao re ny tara-masondrony
ilaozy,dia andraso... tsy ela dia halazo
ho inona intsony izay tombon'androny
Raha alina ihany no sisa mivazo
aminao dia amina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/taminny-29mars1947 | Tamin'ny 29mars1947 | Nalison Randrianaivo | feom-basy foana re no re
izay aleha rehetra rehetra
kiakika ny olona be dia be
antso vonjy tsy misy fetra
ireo malagasy tamin'izany
mba niangavy, nitomany
nefa toa tsy noraraina
fa vao maika nampijaliana
ny karavasin'ireo senegaly
nampiendakana, namparary
ny lamosina avy aoriana
izany re ka tena fijaliana
t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/julien-rakotonirina/ny-any-aminay | Ny ANY AMINAY | julien rakotonirina | Ny any aminay mantsy
Tiko fona na dia ratsy
Fa nahitako ny mamy
Ka tsy hadinoko izany
Na aty atanilavitra aza ekena
Ary tsy kivy fa manantena
Fa mbola hody indray andro any
mba ialana ireo jaly jaly
Mamy ny mody mba marina
Zay miezaka ihiany no tafarina
Tiko Ka hajaiko ny taniko
Ny any aminay no mamiko |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/16decembre2017 | 16decembre2017 | Nalison Randrianaivo | Androany izany
ilay andro malaza
izay niandrasana hatrany
fa andro voalaza
fa hoe androntsika
izay hafana tsy hangatsiaka
hafaliana mamy aoka izany
haravoa mampitomany
ranomasom-pifaliana
ny anao re ry tiana
mitampify an-tratrako
fa ho hasambarako
andro miavaka ny anio
ka izao no tadidio
fa andron-tsika n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mialan-tsiny-aho | Mialan-tsiny | Nalison Randrianaivo | Mialan-tsiny
mialan-tsiny aho satria
tamin'izany aho no tena tia
kanefa natositosikao
nataonao tsinotsinona
nataonao kilalao, ankilabao
nambaninao hoe dia haninona
kanefa izao ianao voadona tany
ka nitady ahy erakin'ny tanàna
indrisy anefa, mialan-tsiny ihany
fa ny foko efa tsy tana
efa any an-tratran'olon-k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fisaorana-anareo-rehetra | Fisaorana anareo rehetra | Nalison Randrianaivo | Toa tsy haiko ny tsy hisaotra
anareo izay mankafy ny kaloko
ny tanako no namoaka
ilay fisaorana natolotro
Tsy tao am-bava mantsy
fa ny tanako ihany
no namaly anareo sy namatsy
ilay teny kely fa mamy
Ka fisaorana be dia be
izay ihany re ny mba vitako
fa ny tompo enganie
hamaly anareo izay tsy vitako
na tsy t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/taikanorana | Taikan'orana ! | Antsa tononkalo.R | Taikan'orana
Nitaika ho aho ny vazon'
iny rotsak'orana iny,
fa tsy mbola nahavanona.
Ny eto koa tarazon'
ny ora nidifiany,
tamberin'ora mihanina
ny volana miraratra,
manondraka vinany:
handrobona fitrebona,
mamerovero ny hanitry
ny aminao tontolo...
Mananika an'ankaratra
ny eritro nankany...
midona-tsetro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/iny-mody-masoandro-iny | Iny mody masoandro iny | Nalison Randrianaivo | Iny takariva mody masoandro iny
hatsiarovako ny fahiny
isika roa ilay miaraka
ambodihazo mapiaraka
mitantara izay tany aloha tany
sy izay niainany tamin'izany
ka lasa toa vanitiana sisa
izay tany aloha maro tsy voatanisa
tsy te hiala eo mihintsy
tsy mety ho lany tsikitsiky
fa vao maika misangisangy
hita fa t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ankiniko-aminao | Ankiniko aminao | Nalison Randrianaivo | Ankiniko aminao
Ray ô! Arovy amin'ny ratsy
izay mitady hamingana anay
satria ianao mantsy
ilay tompo tia anay
Ray ô! Arovy amin'ny fankam-panahy
mba tsy voasarika ho any
mba hahay hanaja sy ho sahy
sy hijoro hatrany hatrany
Ray ô! Arovy amin'ny fahavalo
izay tsy kely lalana tokoa
izay mitady hampimalo
asa r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/julien-rakotonirina/onjampeo-tena-misyny-radi | Radio OASIS 106.4 fm | julien rakotonirina | Onjampeo tena misyNy radio Oasis
Raisinao amin'ny maridrefy106.4fm de andramO vetivety
Izy io de radio arampilazatsara
Hita mivelatra ary tena tsara
Manabe sy mitaiza
Ny namana antsakaiza
Mikolokolo sy manatsara
Atramin'ny zanaka amam-para
Io ilay onjam-peo maminao
Izay manova fiainana ho vaovao
Efa mivelatra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/julien-rakotonirina/taona-vaovao | Taona vaovao | julien rakotonirina | Mifalia fa ny taona vaovao
Nefa tsarovy ary aoka ho tsapanao
Mba asio jery todika ny lasa
Ka tombano ireo kinasa
Vaovao ity ny taona
Ny lasa nao mba ahoana
Ireo toetra ratsy zary fiainana
Avelao ivalona any ovay ny fisainana
Vaovao ity ny taona
Alamino dieny zao ny fotona
Hamaritana ny hoavy
Mba tsy hiravira... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/krismasy | KRISMASY | Fredy Jaofera | KRISMASY
Fotoam-pahatsiarovana
nahaterahan'ilay Mesia,
tsy manam-pahalovana
fa mainka aza hangia.
Fotoam-pankalazana
ny anarany eran-tany
fa naneho fahagagana
sy nitory ny hatsarany.
Fotoam-panavotana
ho an'ny mila etoana
lavitry ny korontana
sy tototra haravoana.
Fotoam-pivavahana
fa nahazo fitahiana,
n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/koboniko | Koboniko | JNB | Koboniko ho ahy irery ihany
ireo sentoko sy tavako kotsan-tomany
koboniko ho ahy irery ity foko velon-taraina
ny fitiavako mampijaly,mampitaraina!
indrisy mantsy ianao tsy ho anjara,
ilay fitia voarara,noraranao hatrany ampiandohana,
eny!voarara lalandava
izay tiana mantsy no injao foana mandositra ny tava
kobo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/hafatra | HAFATRA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | HAFATRA
ry zandriko
esty ianao hafarako
ny amin'ny fiainan-tokatrano
tsy akory ny fananarako
no tena tonga lafatra,
fa ny tsara no mba tano
izao retsy razandry a:
tsarovy fa ny fanambadiana
dia lalam-paniriana
eo amin'ny fiainana
ka ilàna fisainana
ilàna fandinihana
fa tsy hoe rehefa avy mifamihana
dia ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/malaza | MALAZA | Fredy Jaofera | MALAZA
'Reo izay tsy poety malaza
dia ireo izay toa tsy sahaza
ny aingany rehefa vakina
fa olona tia be manakiana.
'Reo izay tsy poety malaza
dia ireo izay tsy mahalaza
ny fihetseham-pony rehetra
raha faly na azon'ny tsetra.
'Reo izay tsy poety malaza,
na tsy avakavahako re aza
dia ireo izay tsy mba mizara
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/julien-rakotonirina/ny-fiainana | Ny FIAINANA | julien rakotonirina | Na mafy aza ny olana
Tsy kivy aho satria
mbola misy ny vahaolana
de jesosy kristy
Na mafy aza ny Ady
De mbola manantena
Fa ivaha ilay tady
Izy namaton-tena
Na mafy aza ny sedra
Tsy maintsy mitraka
Manoloana ny lala mideza
Tsy maintsy mizaka |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/santatry-ny-omaly/indraindray-ny-teny-mety | Ny teny | Santatry Ny Omaly | Indraindray ny teny mety handràtra
Raha mivoaka hatramin' ny fady
Miteraka hasosorana avo fatra
Mahatonga irony disa hivadik'ady ...
Indraindray ny teny mety hanimba
Raha toa mifono fandatsàna
Mamotika ny saina ho lasa vida
Mandrisika ny fo handika ny lalàna ...
Indraindray ny teny mety hamono
Raha toa k' ity ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/julien-rakotonirina/any-mantsy-ilay-malalako | Any mantsy ilay malalako | julien rakotonirina | Any mantsy ilay malalako
Dia ilay tokana anjarako
Tsy hita maso fa lavitra ny ankaniny
Tsaroako avokoa ireo teny maminy
Rovina vao mba hiona
Nefa indrisy ry fotona
Fa ianao no sakana ny olondro
Tsy ifankahita ka maparary fo
Ny miandry ihiany no azo atao
Na mafy aza ny embona ka tsy ho zaka
Nefa tsarovy fa tik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/alahelo | alahelo | dafa | ao anaty alahelo
Eny ao anaty hakiviana
efa Tsy mahavoaka feo
Fa mifokofoko mangina
no manoratra ity
ho fahatsiarovana anao iny
satria ilay foko tena tia
dia noratrainao t@ iny olona iny.
toa nanjary ho manirery
ilay fitiavako anao
ka ilay dinan-tsika t@ ireny
dia nohosehinao
rehefa tiana tokoa ny Olona ira... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ny-fianarana | NY FIANARANA | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Mianara anaka dia ny mbola malaina,
Fa rehefa mazoto tsy afaka intsony.
Anatra omen’ny ray aman-dreny;
Atolony an’ireo taranaka tsy foiny.
Mba hananan’izy ireo fahavononana,
Hiatrika sy hamakivaky ny fiainana;
Eto amin’ity tany fandalovana,
Mitady handavo, tsy misy hisainana.
Iaraha-mahalala fa ny fianarana,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-aleo-ve-mifankatia | Tsy aleo ve mifankatia | Nalison Randrianaivo | Mila ady foana ianao
mila vaniny indray indray
entin'ity fo kelinao
nefa avy eo anambitamby ahy indray
tsy aleo ve mifankatia
tsy aleo ve miray fo
mba tsy hisian'ny mania
andao hatambatra re ny fo
marina tokoa fa hoe
tsy mifankatia raha tsy miady
fa toa lasa lava re
isan'andro izao dia miady
ka sao hitarika... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/volamena | VOLAMENA | Zoky Eric | .......VOLAMENA.......
Hinoako fa harena
Sokajiako ho volamena
ka hajaiko sy ho tiaviko
hanomanako ny hoaviko
Volamena lafo vidy
Ho zary lova sarobidy
Hitoetra ho ahy irery
Tsy hamela ahy ho very
Ho feheziko ato antsaina
mba hahazoako izay kasaina.
Ataoko andry hiankinana
mba ho namako hifikirana.
Ianao no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mazavatsinana/hoahy-ianao | Hoahy ianao | Mazavatsinana | Hoahy ianao...
Ataoko angamba fa tsy didy
Ny nitiavako anao
Ianao irery no voafidy
Hoahy ianao,eny ianao.
Tsy ahoako na hofoana
Ny vovok'aina mba ananako
Ka hofaty ny fisainako
Fa hotapitra ny androko
Raha ianao no tsy hoahy.
Hofikiriko eto an-tratrako
Dieny mbola voatanako
Ny fonao f'efa ahy
Fa raha votsi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mirary-krismasy-ho-antsika | Mirary krisimasy sambatra ho antsika | Nalison Randrianaivo | Mirary krismasy sambatra
ho antsika rehetra rehetra
izaho tsy manay manavaka
fa ho any malagasy tsy voafetra
mirary krismasy gina
ho antsika rehetra rehetra
mba hiravo tsy hangina
hafaliana tsy hanampetra
mirary krismany miavaka
ho antsika malagasy
mba hazoto handeha hivavaka
fa tsy hoe angasihasy
mirary kr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/josefa-rjaonah/safosafo | SAFOSAFO | Josefa Ràjaonah | Izao no alim-pitahiana
izay mandrakotra ny tany;
matokia, ry zandry tiana,
fa ny foko eto ihany,
Safosafo, matoria
izany silaky ny aina;
safosafo matokia
fa ny foko sy ny saina,
solon'ondana vilaory,
hiondanan-jandry tiana,
ampy hanala ny mahory,
hifarana, hitokiana.
Safosafo, matoria
izany zandriko malala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/lasa-11169 | FONY IANAO LASA!!! | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | FONY IANAO LASA!!!
fony lasa ianao
dia nangingina ny ankany
raha iny lasana nandao
dia ny alahelo sy tomany
no mba haingon'ny tanana
ka zary mankaleo toa mila tsy ahatamàna
fony lasa ianao
dia nangina ny manodidina
raha lasana nandao
dia tsy mba niakatra fa nidina
ny fari-piainana eto
ka tsy laitra mampisen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/nofy | NOFY | JNB | Nofinofy ihany ve ny fiainana an-tany?
nofinofy miteraka vinany
nanofy aho hoe tsy hisy intsony ny tomany
nanofy aho hoe rahapitso ho foana izany!
dia mbola manofy foana aho hoe rahapitso ho ampy vola aminizay ato an-trano,
dia tsy hisy intsony ny fahasahiranana mampanotany
nanofy aho hoe ho itako izay olona izay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ezk/alina-mangina-ny-aliko-at | Alina mangina ny aliko at | EZK | Alina mangina ny aliko aty
Fotoanako indray @penina sy taratasy
Vetsovetso-po nomaniko ho andry
Ainga-panahy ngamba, oenti-matory ho vatsy
Fa ataoko ho solon' angano izao hafatro izao
Bitsika mangina,iriko hapitony fo
Saino hoe eo anilanao aho @zao fotoan'izao
Ka handrotsirotsy ny fo, ho antsika roa
Ka hiova ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-literatiora | NY LITERATIORA | Fredy Jaofera | NY LITERATIORA
Ny literatiora
dia zava-kanto
arovana mora
mbola hilanto.
Ny literatiora
dia tari-dalana,
tsy mpanakora
sy mpamalana.
Ny literatiora
dia zava-tsoa
ilaina isan'ora
hanova tokoa.
Ny literatiora
dia fialamboly
vao goragora,
io mahangoly.
Ny literatiora
dia aina, rafeto,
mahafotsy rora
sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-avana/ho-anao-sy-ho-ahy | Ny lehilahy | Ny Avana Ramanantoanina | Tsarovy, sakaiza, ny fon-dehilahy,
na inon-kidona, na inon-kihatra,
tsy mety ho kivy, tsy mety manahy,
tsy maintsy mijoro, tsy maintsy mitraka.
Na rahona mainty, na oram-baventy,
na rivo-mahery, na andro migaina,
e ! zavatra tokana ihany no mety :
asaivo mijoro ny fo sy ny saina.
Na inon-kapoaka mangidin'ny tan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/nahasarika-ahy | Nahasarika ahy | Nalison Randrianaivo | Nahasarika ahy
nanintona ahy avy hatrany
ireto masonao manjohy
te hibanjina any ho any
ny masontsika nifanjohy
nahasarika ahy mantsy
ilay fietsikao miangola
toa nidona tao anaty
ny foko avy dia vodoana
raha nitopy taminao
ireto masoko an-kiroa
te hibanjina foana aho
ilay tsy manam-paharoa
tsy te hivily sy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fanahinny-noely | FANAHIN'NY NOELY | Fredy Jaofera | FANAHIN'NY NOELY
Fanahin'ny Noely :
fanahim-piraisan-kina,
tsara hatao modely
raha toa fianakaviana.
Fanahin'ny Noely :
fanahim-pifandeferana
tsy ilaina velively
hipoiran'ireo fitserana.
Fanahin'ny Noely :
fanahim-pirahalahiana
satry foana hiely
sy hitobasam-pitahiana.
Fanahin'ny Noely :
fanahim-pikoranan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-itiavako-anao-11166 | Ny itiavako anao | Nalison Randrianaivo | Ny itiavako anao
dia ianao mahazaka izay mianjady
ka tsy ho kivy izany
raha misendra mafy ady
Ny itiavako anao
dia ianao mahazaka fijaliana
mafy fo, mitraka hatrany
raha midonam-pahoriana
Ny itiavako anao
dia azoko izarana izay manjo
ka sahy miara-mijoro amiko
raha misy mahavoa
Ny itiavako anao
dia ianao m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/justin-tahirisoa/basy | BASY | Justin TAHIRISOA | BASY
Kivy ny saiko
marary ny aiko
Rehefa mihevitra
sy mieritreritra
Ny antom-pisian’
ny fitaovam-piadiana
Toa mahery vaika
sy mafy tsy laitra.
rehefa mipoaka
tsy ahafaha-mitsoaka
fa toy ny varatra
haingam-pilatsaka.
Mirefodrefotra
mila hanempotra.
eny,tsy tanty
Fa mety ahafaty
Tsy voaisa intsony
ireo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fahatsiarovana-tany-ankazobe-taminny-270816 | Fahatsiarovana tany ankazobe tamin'ny 27/08/16 | Nalison Randrianaivo | Tany ankazobe
tantara iray tena nisy
izao soratoko eto izao
izaho nanatry maso ny zava-nisy
sy niaradia tao
saika handeha ho any
mahanjanga hanao vakansy
dia mba niakatra tsara ny ambiansy
raha vao niainga taty
dia mba falifaly ery
mihirahira no sady mandihy
ka hiditra ankazobe
dia mba nandeha mora
midikid... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mazavatsinana/zandrikely | Zandrikely | Mazavatsinana | Zandrikely...
Any ianao zandry tiana,
Any ambadiky ny lasa
Namonjy lay ankany fodiana
Mitsotra lava tsy mitraka.
Any ianao ka nandao
Ty tanänakelintsika,
Mievo-tany maimbo lao
Ka nahatsiaro aho; nitanisa
Ny sarin'endrikao no sisa.
Nitamberina tsy nahy aminao ny fanahy,
Fa nitsingerina androany
Ny niavianao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/meloka-ve-aho | "meloka ve aho?" | dafa | satriko hitoetra
eo anilanao
kanefa dia voafetra
ny fitiavanao.
anao efa azy.
ary izy koa efa anao.
kanefa ny foko toa voasazy.
ny mbola hitia anao.
koa meloka ve ny foko
raha toa mbola hitia anao
satria Tsy mbola mety miofo
ilay fitiavako anao.. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/faha-40-taona-ny-mariazy-noce-demeraude | FAHA EFAPOLO TAONA NY MARIAZY | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Mandeha ny fotoana, efa efapolo taona sahady;
Nivononana, nirosoana sy niditra ny vavahady.
Vavahadim-piainan’olon-droa, hiatrika, hitady;
Ny fameloman-tena ho fahaleovantenan’ny mpivady.
Natao ny fisehoana, ny soratra tena tsotra izy izay.
Narahin’ny mariazy sy voady hifankatia mandrakizay,
Ao an-tranon’Andriama... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/justin-tahirisoa/29-mars-1947 | 29 MARS 1947 | Justin TAHIRISOA | Nafatratra toa charbon,
Tao anatin’ny wagon,
Avy eo narefotra ny basy,
Firifiry re no maty?
Tifitifitra tsy ankiato,
No indrao nanakoako,
Tao no niantso hoe: vonjeo!
Tsisy nihaino izany feo.
Fa ry vazaha sy sonegaly,
Vonona ny hampijaly,
Ny rà nandriaka tsy nohenoiny,
Efa vato re ny fony.
Amanaliny no lavo,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/noely-sambatra | NOELY SAMBATRA | Fredy Jaofera | NOELY SAMBATRA
Iriko ho Noely
tototra hafaliana
no ho avy sy hiely,
hiampy fitahiana.
Iriko ho Noely
mitrotro famonjena
fa ny Tompo zazakely
no teraka sy omena.
Iriko ho Noely
tsy hahadiso anjara
ka ho feno feon'anjely
sy 'reo hirahira tsara.
Iriko ho Noely
ampy izay fiadanana
ka mamy toa tantely
sy mit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tokantrano-sambatra | Ny Tokantrano sambatra | Nalison Randrianaivo | Ny tokantrano soa
mba ho lavitry ny ady
sy ho tena mamy koa
tsisy disadisa ianjady
ny tokantrano sambatra
dia ny miara-misedra
izay zavamisy
dia ho tonga tena lafatra
sy harahin-tsikitsiky
ny tokantrano mendrika
izay niarahan'anorina
mandrakizay tsy ho rendrika
fa efa tena mafy orina
ny tokantrano paradisa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ray-aman-dreny-andry-tiana | RAY AMAN-DRENY | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Ireo ray aman-dreny, masoandro amam-bolana,
Voalaza matetika anaty hainteny, ohabolana.
Tsy tsinontsinoavina, na iza hiteny na iza hivolana;
Fa hajaina sy toavina, tsy hisian'ny olana.
Ireo ray aman-dreny niady mafy, nioitra ho anao,
Hatramin’ny ianao vao teraka, ka hatramin’izao.
Matetika no nihafy, nandry fotsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tiako-tsotrizao | Tiako tsotr'izao | Nalison Randrianaivo | Tiako ianao
tiako tsotr'izao
tiako ho ahy irery
satria ianao ilay anjely
tiako ho ahy manokana
tiako tsisy takona
fa tiako ho mpanjaka
ianao no tompon'ny lapa
tiako tsy voafetra
fa tiako tsisy fetra
tiako ho doria
aina no fetrampitia
tiako mandrakizay
ny tiako dia iray
ary tiako tsisy tambiny
laniko avok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tsy-misy-toa-anao | Tsy misy toa anao | Nalison Randrianaivo | Ny angolan-teninao
ny angoti-teninao
toa hafa toy izany
tsisy mpanana eto tany
ny tsikitsikinao
ny sangisanginao
toa tsy manampaharoa
toa mahafinaritra avokoa
ny hantahantanao
ny tambitambinao
toa hafa tena hafa
tsy mety voafafa
toa tsy misy toa anao
izay hitako rehetra
fa toa feno any aminao
ilay hatsar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/nahatonga-aho-mpanoratra | Nahatonga Aho Mpanoratra | Avoss jah | Nahatonga Hanoratra
Dia Nony Fiainana
Satria Zay Mahantra Ve? Tsy Afaka Anoratra
Mba Samy Te Hampiseho Ny Talentanay Izahay
Mba Tsy Ahafataran'ny Maro Azy
Aseho Izany Fa Zavatra
Mba Ampivoaka Izay Talenta Nay Izay. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/any-aminao | Any aminao | Nalison Randrianaivo | any aminao any
no misy ilay hatsarana
tsisy mpanana eto tany
fa miavaka hatrany
any aminao avokoa
no misy ilay tena soa
na bika io na endrika
tena kanto sy mendrika
any aminao koa
ny misy zavan-tsoa
ny angola sy ny tsiky
tsisy mpanana fa dia vitsy
any aminao tokoa
r'ilay anjeliko
no mitosaka avokoa
ny ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/ny-eritreritro | Ny eritreritro, | Antsa tononkalo.R | Ny eritreritro miandalandalana,
ny andalany mihira ho anao ;
ny hiran'ny fo izay mitempo !
raha dieny vao mahita anao.
ny vetson'andalan'ny eritro,
mihira ny anaranao foana ;
mihamihira ny hirany hatrany...
mahatonga ny vatako ho maona.
oh! andalana,mihira izy izany,
ny fitiavako anao tafatoetra ;
hirain'ny f... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/avadiho-im-pito | AVADIHO IM-PITO | Rasamindrakotroka Andry Tiana | Avadiho im-pito ny lela vao miteny;
Tsy ho rano raraka; tsy ho azo raofina.
Na miteny mafy ianao, na koa malemy;
Izay aloaky ny vava kajio ho teny maotina.
Ny teny tsy voatandrina mety mandratra,
Ny saina sy ny fo rotiky ny fahoriana.
Hiteraka aretim-po, aretin-tratra,
Loza sy atambo hamonjem-pandriana.
Ny fifa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-antara-andrianarisaina/ny-gasy | NY GASY | Ny Antara ANDRIANARISAINA | Ny Malagasy hoy ianao,
Efa liana izay vaovao
ka manary ny tranainy ...
... Fandrosoana no ilainy...
Inony hoy ianao izany hoe fihavanana?
Am-bava ihany sisa...
Hipoka azy ireo ny toeram-pivavahana
kanefa ny asa soa, vitsy ihany ny isa...
MALAGASY MALAGASY,
Dradraina hanako mafy,
Kanefa firy monja sisa
no mah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/enganie-mba-tsara-iny-2018-iny | Enganie mba ho tsara iny 2018 iny | Nalison Randrianaivo | Enganie mba ho tsara
ny taona izay ho avy
loza ratsy,tena gravy
enganie mba ho soa
mba ho tsara avokoa
tsy tahaka ny ankehitriny
enganie mba hiala
izay toetra ratsy rehetra
fa soloana fitiavana
izay tsy misy fetra
enganie mba iova
izay nanao ratsy tamin'ity
ka ho tsara ny mpitondra
amin'iry taona ho avy ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/sambatra-aho-manana-anao | Sambatra aho manana anao | Nalison Randrianaivo | Sambatra aho
manana anao
izay tiako sy tia ahy
tsara toetra malemy fanahy
avy hatrany dia manaja
olo-be fa tsy zaza
sambatra aho
manana azy
fitia tena fitia ny azy
tsy nataony vazivazy
fa nataony avy ao anaty
ka iaradia mandramaty
sambatra aho
manana anao
izay ny fitiavany tsy kilalao
fa natolony ho ahy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ry-zavavy | ''Ry zavavy'' | Ramiadanarivo fetraniaina | ''Ry zavavy''
Dia mananatra aho tsy reraka
Ry zavavy maika hiteraka
Izato ianao ho aiza sahady
no dia maika hanambady?
Sa dia efa matim-bola
Tsy mijery loha sola?
Mandiniha tena tsara
hitsinjovanao ny afara
Sao sodokan'ilay endriny
Tsy mahalala ny kinendriny
Ny vatanao anie no tiany
Izany ihany no iriany
S... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/sinoa-sy-karana-no-mameno-tanna | Sinoa sy karàna no mameno ny tanàna | Nalison Randrianaivo | Fa toa sinoa sy karana
no mameno ny tanana
sady isika gasy indray
no ampiasainy amin'izay
raha vao hoe behoririka
ny sinoa no be mpitsirika
raha vao hoe tsaralalana
ny karàna no mameno tanana
dia feno an-dry zareo
izay aleha
na anaty tanàna na arabe
fa dia ny sinoa sy ny karana
izy indray no manakarama
isi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tiako-ianao-kanefa | Tiako ianao kanefa | Nalison Randrianaivo | Tiako ianao kanefa
tsy azon-tsika atao
ny miaraka amin'izao
tiako ianao kanefa
tsy azo tanterahina
fa izy no mibahana
tiako ianao kanefa
ny foko niantefa
tany am-pony tany
ny anay raikimpo hatrany
tiako ianao kanefa
tsy ho anjara ny amintsika
mba tsy hisian'ny disadisa
dia aleo tsy mampandry adrisa
tiako ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/tsy-adino | ''Tsy adino'' | Ramiadanarivo fetraniaina | "Tsy adino"
Tsy adino ny lasa
Tsy mety voasasa
Kanefa takaitra
'Zay tena tsy laitra
No hany navelany
Niaina ny mamy
Niriako tsy ho lany
Ny tenako osa
Nitaraina kosa
Nahatsapa hirifiry
Niserana monja
Natelin'ny onja
Ny lasa taloha
Mateti-mifoha
Manaitra mazàna
Tao ny mangidy
Toa zary nandidy
Nikitika n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/manankarena-mahantra | Manankarena & Mahantra | Avoss jah | Hafa Ihany Ny Manankarena
Manana Vola Sy Harena
Ny Mahantra Mijaly
Na Ihany Koa Mitomany
Ny Manankarena Mifaly
Manambany Ny Mpanambola
Vao Mihetsika De Vola
Na Masina Io Na Devoly
Fa Ny Fiainana Efa Mitady Ho Voavidimbola |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-tsikitsikinao | Ny tsikitsikinao | Nalison Randrianaivo | Ny tsikitsikinao
dia mitondra fifaliana
mampitsahatra avy hatrany
ny ngidim-pijaliana
Ny tsikitsikinao
dia fahasambarana iray
toa mitondra ahy hankany
paradisa mandrakizay
Ny tsikitsikinao
dia fanilo manazava
izay mifamahofaho amiko
toa miserana dia misava
Ny tsikitsikinao
dia fahafinaretako
mampanentanet... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/eto | Eto anatrehanao ry Ray | Nalison Randrianaivo | Ray ô,eto anatrehanao
no anolorako ny tenako
hanao ny asanao
ho lalan-tsara no hizorako
ianao anie ry Ray
no hitantana ny diako
fanilo hanazava
ny alimaizim-pitoko
ka tsy hamela ahy irery
fa itoetra anilako foana
hampiambina ahy ny anjely
hamiratra ho ahy foana foana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/tiako-ianao | ''Tiako ianao'' | Ramiadanarivo fetraniaina | Tsy mba haiko hoe nahoana
Fa t'anatin'ny fotoana
Izay toa lava nefa fohy
'Zany masoko nanjohy
Tena tsy aritro ny tavany
Tiako orohana ny vavany
Ho tohofako ny molony
Ho fofoniko ny molony
Rehefa izaho mamihina azy
Te hirafitra ho fananany
Te handray an'iny tanany
Te hitoetra eo anilany
Ary koa ho tonga sila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-fo-no-tena-adala | ''Ny fo no tena adala'' | Ramiadanarivo fetraniaina | Ampanginina tsy laitra
Na dia rakotra takaitra
Izao iaraha-malala
Fa ny fo no tena adala
Efa anarina eny foana
Ary andaniam-potoana
Mba hijanona ao am-bala
Eny...ny fo no tena adala
Na dia mitsirepirepy
Dia minia mivoaka fefy
Te hiantso hoe malala
Izany fo adaladala
Na dia efa ahilikilika
sy efa ahifikifik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/zava_boary | Zava_boary | Avoss jah | Mahay Zavatra Tokoa Andriamanitra
Nahary Ny Tany Sy Ny Lanitra
Ny Zavatra Rehetra Voaary
Dia Avy Amin' Njanahary
Ny Vorona Eny An_tsaha
Ny Voankazo, Ny Vary
Ny Olombelona Ihany Koa
Vitany Tokoa Izany Ary
Misaotra Anazy Tamin'ny Zava_boary
Satria, Tsapany Fa Tena Tsara Izany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-fahalasani-rabodomamy | Ny fahalasan'i Rabodo | Nalison Randrianaivo | Rabodo(Mamy)
dia lasa ianao ry mamy
namela kamboty roa
nandao ity tany
tena mangidy tokoa
nantsoin'i Ray
hody any aminy
i Mamy maminay
izay nandao ity taniny
izay tokoa no lahatra
voalahatrin'i Ray
isika tsy mpandahatra
fa izy no nandray
dia mionona mitraka
f'izay no fomba ny tany
izy no nandao antsika
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/sakaiza-manody | sakaiza manody | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | sakaiza manody
tsy nampoiziko ho ianao ry tiana
no nahavita namadika ilay bainga
fa vitanao mihitsy no nampangina
ity vavako izay voafahanao lainga
tsy nampoiziko ho ianao rahavako
no nahavita namotika itony soratro
sy nandoro ny diary mpitahiry ny fitiavako
tsy maninona fa hoferako aloha ny hatezerako
tsy nam... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-antara-andrianarisaina/mbola | MBOLA | Ny Antara ANDRIANARISAINA | Mbola tonga ianao hamoha ny lasa efa mandry
izay efa difotry ny alahelo vao tsy ela akory izay;
Avy mifongatra mivoaka tsisy mpihady
ny alahelo efa nanolatra ka tonga ratra indray.
Mbola tonga ianao handatsa ny lavo efa nanarina,
na kiry sady hambo aza no nirisihany hiady;
Kinanjo izy potraka sy lavo ary mila tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/alinnofy | Alin'nofy ! | Antsa tononkalo.R | Alin'nofy,
Misoko moramora ny torimason'alina
manoroka ahy mangina anatin'ny hari-tory
mandifotra impito anaty nofy lalina
hihaonako aminao ka tsy tohitro akory !
Fa ny nofy misy anao dia velona sy miaina,
mody toy ny atoandro,ny ali-maizim-bolana
Ary ny andro tsisy anao, maizina maraina,
Tsy ahita-mitsinjo ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/manina | Manina | Avoss jah | Agny Daholo Ireo Havako
Izao Aty An_tany Lavitra Aty
Izay Vao Tena Tsapako
Fa Manina Anareo Izao Aty
Tsara Ny Aty An_tanin'olona
Ka Nefa Tiko Ny Tanindrazako
Lavitra Anareo Za Mahatsa Manina
Tsy Magnadino Anareo Havako
Indraindray Te Ho Kivy
Mahatsiaro Anareo Agny
Ianareo Aza Manahy
Fa Za Tsy Maintsy Ho Avy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/fa-maninona-ary | Fa Maninona Ary? | Avoss jah | Fa Maninona Aho No Nisy
Fa Maninona Ratsy Anjara
Misy Tokoa Ve Ny Anjara
Sa, Misy Tokoa Ny Safidy
Nefa Za Tsy Nisafidy
Efa Izay Ve Ny Lahatra
Kivy Aho Amin'ny Fiainana
Maro Ny Malaigny
Misy Koa Ny Fahavalo
Ny Fiainako Tena Mangidy
Toa Tsy Natsapa Fiainana Tsara
Mety Izay Tokoa Ve Ny Anjara |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/niady | ''Niady'' | Ramiadanarivo fetraniaina | Niady tamin-kery ary tsy nisalasala
ireny razantsika ireny
Rotidrotiky ny balan'
ireo basy toa miteny
Dia nikiry tsy nanaiky ny ho resy
fa dia niady
Ireo tifitifitra nisesy
ary tena nampandady....
Nampigoka,nampisotro ny mangidy
tsy mba laitra
Fa naniry mba hividy
ny fanafan'ny takaitra :
Fanjanahana tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/pesta | ''Pesta'' | Ramiadanarivo fetraniaina | ''Pesta''
Tapim-bava izao no entina
Fa mirongatra ny aretina
Miparitaka tsy tàna
Ka mameno ny tanàna
Mihorohoro ny olo-maro
Be ny laza mifangaro
F'ilay loza mitatao Dia efa eto hono izy izao
Dia mivoraka ny gasy
Ao ireo mangasihasy
Sy miferin'aina mafy
Ary koa miafiafy
Izy foana n... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.