url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/ny-fianana | Ny Fianana | Avoss jah | Ny Fiainana Dia Sarotra
Tsy Misy Ady Varotra
Ny Olona Tia Vola
Sady Jamban'ny Vola
Raha Mbola Ambonin'ny Tany
Tsy Atao Hakivy Anefa Izany
Fa Ny Fiainana Mivadibadika
Ambony Sy Ambany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/avoss-jah/ny-fianarana | Ny Fianarana | Avoss jah | Ny Fianarana Dia Tsara
Anovozana Fahalalana
Ampianaro Ny Zaza
Fa Ny Fianarana Dia Tsara
Manabe Sy Mitaiza Ny Ankizy
Mba Ahavitany Ny Adidy
Maro Ny Zaza Te Hianatra
Tsy Afaka Nony Fahantrana
Raha Mbola Velo Ianareo Rayamandreny
Mba Ampianaro Ny Ankizy Ry Ray Amandreny
Ka Noho Hampianaro Ny Zaza
Mba Tsy Ho Ver... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/saiko-tsy-mba-kivy | SAIKO TSY MBA KIVY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | SAIKO TSY MBA KIVY
ny saiko tsy mba kivy
fa ny fiainana no manahirana
ny saiko tsy mba kivy
na mafy aza dia hiezaka ho mirana
ny saiko tsy mba kivy
fa ny fiainana no sarotra
ny saiko tsy mba kivy
na inona sedra dia tsy asiako ady varotra
ny saiko tsy mba kivy
na inona na inona hitranga
ny saiko tsy mba kivy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramiadanarivo-fetraniaina/ny-poeta | ''Ny poeta'' | Ramiadanarivo fetraniaina | ''Ny poeta''
Gaga talanjona ireo manodidina
Ny sain'ny poeta toa maniditsidina
Mamorona tontolo ho azy tsy hitan'ny hafa
Tsy mety voafafa
Eny,ao ry zareo no mitafa...
Mamoron-dresaka tsy mety vita
Ny hiafarany tsy hita
Mandany fotoana maharitra
Mifofo mafy, mijoro sy miaritra
Tsy mba mitsahatra fa dia manorat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/marainako | MARAINAKO | Fredy Jaofera | MARAINAKO
Marainako omaly :
fahakambotiana
norakofako voaly
fa nampahoriana.
Marainako anio :
fanambadiana,
mamiko izy io
fa be fitahiana.
Marainako ho avy :
tsy ho fanahiana
fa hampiraviravy
ny soa izay nirina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-tsy-niainanao | REHEFA TSY NIAINANAO | Fredy Jaofera | REHEFA TSY NIAINANAO
Rehefa tsy niainanao
'reo zavatra niainako,
aza be safay !...Hajao
ho hafa ny marainako.
Rehefa tsy niainanao
'reo mafy nosedraina,
tsy mba eso no fanao
maro be ka tanisaina.
Rehefa tsy niainanao
ny tsy fisiana marina,
aza mamely fa zahao
ny tokony hotakarina.
Rehefa tsy niainanao
ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/3r/ny-fiainana | Ny Fiainana | 3R | Ny Fiainana Dia Mangidy Nefa Mamy
Raha Mbola Ambonin'ny Tany
Tsy Maintsy Misy Anefa Izany
Raha Mbola Eto An_tany
Indraindray Anao Faly
Indraindray Mitomany
Tsy Atao Makivy Anefa Izany
Raha Eto An_tany, Tsy Maintsy Misy Izany |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/fambara | FAMBARA | Fetra Rafitsahàrana | -Tongotra namindra, tsy nanampo akory ny fingan'ny ankaso
Nandaka irony vovoka andalana efa mandry
Nanditsoka ny maso
,Lavenona am-patana nasidina fikopaka, nahakofona ny feo
Fijery niha nanjavona, natamboliky ny setrok'ilay Afo Maty teo..
Saina tsy mitony, mangady eritreritra hikaro-java marina
Toa mahita Dindon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/afina | AFINA | Fetra Rafitsahàrana | Malalako a!
Antopy maso foana ve e!
No atokan'ny segondra , mba hisambaran-tsika eny
Na aminitra mifanila, na an'andro toa mandeha
Dia lavitr'ova ombeny ombeny.
...Nankaiza ilay fihetsika nanindrom-po omaly
Tanalin'hazavana nanarisary oroka
Ilay molotro natolotro, dia iny ianao namaly
Nahaingonao antsarika, nio... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rffloriquet/ny-tena-lehilahy | NY TENA LEHILAHY | RFF | Olona mahery tsy sadaikatra mijoro
andry fiankinana sy manda tsy mikoro,
manam-pahalalana sy malemy fanahy
hendry ihany koa izany no tena lehilahy.
Olona iray tsy dia be ranomaso
fa manana ny hery hafahana miady...
mamita ireo asa fa tsy tia andrasoandraso
ka na tojo olana aza;vahaolana vonona izy hitady.
Olona... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mandalahy-g/tso-dranon-torimaso | TSO-DRANON-TORIMASO | MANDALAHY Gregoire | TSODRANON_TORIMASO
Ilay mpamorona ny tany
Anie no hanome anao
Ny torimaso,nofy mamy
Sy maraina vaovao
Tsy hamela anao irery
Anatin”ny alina mangina
Fa haniraka ny anjely
Mba hitondra fitoniana
Hiaro anao mba tsy hanota
Mandritra ny alina atoriana
Ho lavitry ny sotasota
Ho hakakezim_pifaliana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-antara-andrianarisaina/saingy-izaho-izaho-mangina | SAINGY IZAHO MANGINA | Ny Antara ANDRIANARISAINA | Raha mba nisy teo gitara nahafahako nihira,
dia nihira sy nitendry aho ny tononkalo noforoniko;
Fa tsy manana aho gitara dia nijanona hangina,
ka am-pahanginana aho mamaky, tononkalo no tononiko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-antara-andrianarisaina/izaho-sy-ianao | IZAHO SY IANAO | Ny Antara ANDRIANARISAINA | "Ianao" no mba avy eo rehefa nisy "izaho",
izay aloha vao "izy"!
Fa ny nahavariana,
ilay "izaho" talohanao toa tsy mionina ny saina
fa "ianao" manaraka azy no manalokaloka azy,
manaitra ny ambiroany,
Manetsika ny lohany,
mandòna ny ati-fony
ka manaitra ny fitiavany.
Dia nisy "izaho" sy "ianao"...
Nodinganints... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ankiziny-taloha | Ankiziny taloha | Rary Nofy | ANKIZINY TALOHA
Malala a!Ndeha vonjeo fa
Efa sasa-miandry ao anelakelan-trano ao
Ilay olon-tianao vaovao!
Miandry anao hamihina
Miandry anao hanoroka sy hanafosafo.
Hitako izy teo fa nodiako tsy nahalala
Saika hiarahaba ahy ihany izy
Nefa avy eo nisalasala,sy vahobaho-bava.
Fa ny hany nataony ahy?
Dia nanonta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/fahatsiarovana-enga-ani | FAHATSIAROVANA
Enga ani | Tsitohaina Mamitiana | FAHATSIAROVANA
Enga anie ireo fahatsiarovana
zay tinambatra ho sary
Nieren'ny fahalovana
Mba hirakitra ho diary,
Ka ny sento sy alahelo
Nampitondra fihafiana
Nahalasam-belovelo
Dia hiofa ho fihafiana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/santatry-ny-omaly/mbola-hifamaly | Mbola hifamaly! | Santatry Ny Omaly | Namana a!
Avelao aho ho irery fa,
Ndehàna ianao mandeha!
Avelao ho zakaiko samy irery ny adin' ny fanahiko,
Avelao izy hilanja ny vato fijaliany, ny hazom-pahoriany
Fa ... zakako io matoa, tsy zaraiko na amin' iza
Dia ...
Namana a!
Andraso kely aloha,
Mialohan' ny handehananao,
Inty no mba valio:
Moa mba tan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-antara-andrianarisaina/tsy-rediredy | TSY REDIREDY | Ny Antara ANDRIANARISAINA | Tsy rediredin'ny tia
akory ny fitoriana lava izao,
fa noho ny herin'ny fitia
dia babo izy ka manao.
Tsy rediredin'ny manina
ny mivetso hira malahelo,
fa fitia te hitakarina
no indro mampamelovelo. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/justin-tahirisoa/veloma-ry-ditra-justin-tahirisoa | VELOMA RY DITRA | Justin TAHIRISOA | VELOMA RY DITRA
Ry ditra malala tsy foiko fahiny ,
Tapitra hatreo ny niaraha-natao
Hilaozako ianao re ka aoka tsy ho tsiny
Ny ora voafetra tsy maintsy mandao.
Veloma hatreo ry mpiara-nania
Eto ny tsotsorimamba isarahana
Ianao hiankavanana, izaho hiankavia
Tapitra hatreo ilay lala-niarahana.
Aza tazomina re aho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/manorata | manorata | Antsa tononkalo.R | Manorata ianao poeta
F'ireny tononkalo ireny,
na aza anio marivo
tsy mahatakatra hadivory
Mbola ho lalina rahapitso
sy amin'ny taona arivoarivo
mety hatoraka kamory
manorata ianao poeta
na tsy fantatra aza
fa ny soratrao mitoetra,
mbola hanana ny akony
f'ireny tononkalo ireny
tsangam-bato manan-daza
ho an'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/fitia-vatolampy | FITIA VATOLAMPY | Fetra Rafitsahàrana | Malala a!
Misaotra anao iny aho
Nohon'ny fara hezaka, nataonao tamin-tsika
Na ady mahamay, iny ianao tsy lao
Fa nampijoro hatrany ,ilay fitia manjopiaka
*niady ianao..
Niady tsy nisala
Nanangana faneva nijoro teo aloha
Niady..niady tsy mba niala
Niharitra an toerana tsy nety kivy Fo
,,nihary teny ho eny, tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/asa-lahy | asa lahy | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | asa lahy raha mba tsapanao
asa raha fantatrao
fa ity nosintsika ity hatreto
mbola milomano anaty sento
mbola miaina anaty ngidy
sy tsy mba manana safidy
fa voagejam-pahantrana
ka tsy mahalala intsony ny lalana-hombana
ary moa mba tazanao,
ireo mpitondra nifandimby
samy nampitondra ny mangidy
hatramin'izay ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/abounusrayni/biriky-manga-biriky-mena | Biriky manga, biriky mena | AbouNusrayni | Endrey ny fahiny nandrafitr’ ireo lasako
Fony aho vao erotrerony tsy dia nahalala
Ireo hadalàna maro nampifandimbiasako
Tsaroana ankehitriny vao tsapa fa tsy tsara
Ny zaza am-pitomboana raha ratsy volavola
Dia toa biriky mangamanga tsara voatra ara-dasitra
Nefa tsy ampy tanika afo ka ho vaky moramora
Tsy ho azo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/kitay-lavitrafo | KITAY LAVITR'AFO | Fetra Rafitsahàrana | ...eee , tsy anjarako ianao iny!
Lay masoko nangano
madisa toa londrano
Mba nantopiko anao, rehefa isika mifanena
Nefa indrisy nahonena
Tsy mba nirianao ny ho jerena!
,,Fa nasisikao famaliny
Fijery toa nangarika
Niodi nanamarika
Nandatsa ity fitiavako efa lalim- paka
*ny antorak'antsoantsoko
Tsy tianao Re a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/any-ambadika-any-akaman | ANY AMBADIKA ANY! | Rary Nofy | ANY AMBADIKA ANY!
Ankamantatra ny ho avy;
Tsy haintsika ho fantarina
Fa miafina dia miafina
Any ambadimbadika any!
Any anaty rahona any
Ilay maraina vaovao
Handrandraintsika sy ianao!
Maraina mbola tsy hay
Fa novetsoina fotsiny
Ho misy ary mbola ho tamy.
Mivadibadika ny segondra
Miova ny minitra manjary las... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/tamberina | TAMBERINA | Fetra Rafitsahàrana | Latsa ve sa ahoana!?
No atamberin'ny fotoana
Irony fiainana nodiavina
Izay efa Difin'ny minitra
Nefa nampitsiriritra!
,,tsy nampoiziko ho tselatra
Ny nahita anao indray
Indray atoandro tamin'izay
Tamin'iny lalana iny
Izay nalehako fahiny
.. nibanjina ahy ny masonao
Dia injany toa reko
Nisy kotroka nidaona
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mitory-fitia-11044 | Mitory fitia | Nalison Randrianaivo | Hey andraso kely ange
fa misy zavatra tiako hambara
miankina am'ise
dia ho raketiko ho tantara
nefa miahotra aho sy misalasala
ny vavako miboredika
ny hanambara
ny vatako mangovitra
izaho toa tsy sahy
ny ato ampoko tena rotika
izaho anefa manahy
fa sao dia ho lavinao
ka handratra ahy
ieny eh
ho teneniko i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hanoratra-ho-anao | Hanoratra ho anao | Nalison Randrianaivo | Hanoratra aho ho anao
tsy hijanona intsony
hanoratra tsy ho lao
rehefa alina hatory
na ho laniko avokoa
ny page ny kahie
na tamingana daholo
ny penina be dia be
dia hanoratra foana aho
tsy hisy hahasaka ahy
ny ranomainty tsy foana ah
dia izaho tsy manahy
fa voasoratra ao
ilay endrikao,ny bikanao,ny tsikina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/raikim-pitia | Raikim-pitia | Nalison Randrianaivo | Niova ny fitia
niova koa ianao
nenahy ilay ho doria
toa nofy hatramin'izao
tsy hasaraka anao aho akia
satria izaho raikim-pitia
tsy mora ny hamafa
fa efa voafatotra
ny lasa tsy ho voafafa
ny tenantsika hifamatotra
ka iandry ihany aho
hiandry foana anao
tsy hiova fitia vaovao
fa raikim-pitia tanteraka aho |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-fitiavako | Ny fitiavako | Nalison Randrianaivo | Ny fitiavako dia toy ny loharano miboiboika
an-tendrombohitra tsy mety ho ritra
Ny fitiavako dia toy ny rano sy vary
an-tsaha tsy mifandao an-tanàna tsy mifanary |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-voady-atolotro | Ny voady atolotro | Nalison Randrianaivo | Ny voady atolotro
tsy hoe avy eo imolotro
ihany no hambara
fa ny foko no hitantara
izay zavatra miafina
sy tianao ho porofoina
ny banga ho fenoina
tsy ankinafinafina
fa ataoko baribary
ho kendreko ho sary
tsy hay hadinoina
fa ho fatsiarova any
aoriana any
dia tadidy hatrany
ilay nifanekena teo
anatrehan'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/fanantenana | FANANTENANA | Tsitohaina Mamitiana | FANANTENANA
Ny fanantenana no afo mandoro
ny fanadinoana izay fatra-pijoro;
Nariako ny foko tomanin'ny tiako
ho endrika nofy hosangisangiko
Fitiavana mamy tsy foina hijery
matoa mitomany ny fo manirery..
Tobahako saona ny herim-pitia
mba ho haharitra ho doria
Faran'ny sentony felan'ny vony
Manakoako ny fanadi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafanomezantsoa-tolojanahary-heritiana/ny-mpanoratra | "Ny Mpanoratra" | Rafanomezantsoa Tolojanahary Heritiana | Tiako ho indraina
Ho kaloina sy hohiraina
Ilay tsy manankotonina
Raha tsy ny anaty fiarahamonina
Mpanambara tsy amin'ahiahy Vavolombelona tena sahy
Hampafantatra ny marina
Hamolavola anao ho malina
Fahavalon 'ny tomay
Mpanafoana sorisory
Mahatsabo fo sy saina
Mah-aisotra taraina
Sakaizan 'ny mangina
Mpamoha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/porofom-pitiavana-11056 | Porofom-pitiavana | Nalison Randrianaivo | Fitiavana tsy roa aman-tany
izay tokana atrany atrany
fitiavana madio mangarahara
dia ianao no hajaiko fa anjara
fitia tsy ho lany hamamiana
no atolotro ho anao anie ry tiana
fitia mamy toy tantely
ho anao anie ry anjely
fitiavana mandrakizay
tsy mba roa fa iray
fitia teny mamy kely
maharitra ho anao irery
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fetinao-androany-11051 | Fetinao androany | Nalison Randrianaivo | Fetinao ny andro androany
mifalia fa aza tomany
tsy hay ny tsy hiaraba
fa efa zatra loatra ny vava
ko dia miarahaba anao
tratran'izao anio izao
mitsingerina androany
ny nahaterahanao izany
dia mirary soa be dia be
ny fahasoavan'ny Tompo anie
homba anao foana foana
mba hatratra 100taona |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/matoa-ianao-nekeko | matoa ianao nekeko | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | matoa ianao nekeko
matoa ianao nekeko
dia ianao no niantefan'ny safidiko
matoa ianao nekeko
dia ianao no hanefako izay ho adidiko
matoa ianao nekeko
dia ianao no efa anjarako
fa matoa ianao nekeko
dia ianao no hamaranako ny tantarako
matoa ianao nekeko
dia ianao mihitsy no tiako
ary matoa ianao nekeko
dia i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/l-dhf/raozy-namelana | Raozy namelana | Lëė Dähf'® | Eny,ry zazavavy nambabo fo
Ry Zazavavy nampiherika loha
Zazavavy tena tsotra koa
Zazavavy kanto tokoa
Zazavavy nampitopy ny maso
Zazavavy nitondra ankaso
Tsy mba ankaso ratsy na koa mosavy
F'ilay fitia an'lay zazavavy
Satriko hibanjina azy foana ny ho avy
Matotra koa raha samy vehivavy
Tsy mbola niresaka na k... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ratram-po | Ratram-po | Nalison Randrianaivo | Dia vitanao tokoa moa
ny nandratra an'ity fo
navelanao hangaina
ilay izaho mba nitaraina
tsy mba nohenoina
fa avy hatrany dia hadinoina
raha mba niangavy
dia no ratrainao sahady
izaho mba niala nenina
sy nanambitamby anao
nefa indrisy toa nanenina
tahak'izay tsy nahalala anao
fa ratra no natolony
ilay teny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/jamba | Jamba | Nalison Randrianaivo | Toa jamba ny masoko
tsy nahita hafa intsony
toa tsy nahare ny sofiko
izay ambany sy ny ambony
fa ianao ihany angamba
no nahajamba
ity foko kely ity
izay naniry mafy an-dry |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/manina-anao-11055 | Manina anao | Nalison Randrianaivo | Toa isa minitra izaho
dia mievina foana
hay ka manina ahy ianao
tsindrindaona
te hiaona
izaho koa anefa toy izany
mahatsiaro anao foana foana
te handeha ho any
manina aho rahavako
mahatsiaro anao ny fitiavako
toa tsaroako ery
isika roa nankafy
ny hankaton'ny fitia
toa lafatra tokoa izany
toa hanina sisa i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/tsy-haiko-intsony | TSY HAIKO INTSONY | Tsitohaina Mamitiana | TSY HAIKO INTSONY
Tsy haiko intsony
Na adala aho na misaina
rehefa miaraka aminao
Tsy haiko intsony
Na efa maty aho na miaina
rehefa tsy eo anilanao
Tsy haiko intsony
Na mitia aho na mankahala
ny fihetsiky ny foko
Tsy haiko intsony
Na Rahala na Malala
no anaranao vetsoiko
Tsy haiko intsony
Na mitsiky aho ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/nandao-ahy | Nandao ahy | Nalison Randrianaivo | Nilaozanao ity foko
manirery aho mitoloko
tsy nampoiziko ho vitanao
ny nandao ahy irery toy izao
ny fitiavako anao
tsy azo ferana intsony
nefa toa nahilikao
tsy hiverina intsony
nangatsiaka ve ilay fitia?
Sa tsy zakanao?
Lasa tsy hitia intsony
lasa nandao ahy
nilaozanao ity foko
manirery aho mitoloko
tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafenomanantsoa-santatra/fetinny-taranaka-tao-aminny-fjkm-merinavaratra | Fetin'ny taranaka tao amin'ny FJKM MERINAVARATRA | RAFENOMANANTSOA SANTATRA | Maro no naniry hahatratra ny andro androany
sainga moa indramina ny miaina eto an-tany
tsy tompom-pandaharana isika ny amin'ny aina
isika izao no nahatratra ka dia arahabaina e!
ny tompo Zanahary mpandahatra sy hendry
isaorana indrindra fa izy no nanendry
sy namory antsika izao tsy navelany hihanaka
tafahoana is... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/pesta | pesta | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | pesta!!!!!
moa...! mba tinazanao irony fako miavoavo,
mivangongo, miparitaka mameno lalana?
eny no ahitanao ny fiaraha-monin'ireo voalavo!
sy tontolo andron'indreo sahirana tsy manana
toa tsy mitandro aina akory raha mitady izay ho harapaka
fa manao soroka miara mitady, ary vava miara-mandrapaka
ary indrindra r... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fitia-voarara-11059 | Fitia voarara | Nalison Randrianaivo | Tsy natao ho ahy ianao
ny foko anefa toa sahy
mamaly tsy manahy
fa mbola ihaona izaho sy ianao
nefa efa voarara
satria hoe tsy anjara
toa mafy ihany izany
raha tsy anilanao hatrany
kanefa efa noraraina
novoina sy nokendaina
izay fitia taveta tao
nodorana ho lao
tsy nanaiky ihany izy
fa nisisika hatrany
ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/rehefa-tia | Rehefa tia | Nalison Randrianaivo | Tsy nisalasala aho satria
ny foko dia tena tia
vonona hiara-dia
mandrakizay doria
tsy nihambahamba
fa foko dia efa jamba
jamba anao rahavako
ny foko sy ny fitiavako
tsy nandinika intsony
izay mety hiafarany
ny ainy aza afoiny
ho anao hatrany hatrany
tsy matahotra akory
izay haha ory
fa ilay fony atolony
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mazavatsinana/mpivahiny-eto-an-tanim-pa | MPIVAHINY
Eto an-tanim-pa | Mazavatsinana | MPIVAHINY
Eto an-tanim-pandalovana
Eto isika mivahiny
Miandry ny ora hahalovana
Ny fotoana hikipiany.
Mpivahiny isika izao
Tsy hitoetra fa handao
Vovon-tany novolaina
Zara mana-sombin'aina.
Ny entan-kely mba lanjaina
Tsy hitondrana mody akory
Ny fahoriana izay heverina
Tsinontsinona tsy akory.
Tsy afa-mihe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ankaizina-j24/tsikinny-malala-tsikin | TSIKIN'NY MALALA
Tsikin' | Ankaizina J24 | TSIKIN'NY MALALA
Tsikin'ny malala
Fa tsina tsin'adala
Tsiky tsy antakalo
Ka, tena mah sarompiaro
Tsiky tsy mampino
Mapidoboka ny fo
Tsiky tsy ho hadino
Mamelona ny fo
Isika nifanao veloma farany
Ilay tsikinao tazako Tsy ho hadinoko ny anarany
Fa, tiko ianao ra havako
Mbola hihaona isika
Na ts @ andro andro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ankaizina-j24/nandao-izy-ianao-no-safi | NANDAO IZY | Ankaizina J24 | NANDAO IZY
Ianao no safidiko
Ao am-poko ao
Ianao no tadidiko
Fa tsisy ankoatra anao
Dia, lasa ianao nandao
Nanda ilay fangatahako
Indrisy mantsy aho
Marary ny ato anatiko
Sanatria ry malala
Raha ianao no tsy ho ahy
Ity foko izay adala
Marary ny ati-fanahy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/maloka | Maloka... | kanto sarobidy | Ireo kinta-mamiratra kanto eny ambony
No any sisa mitsilo, ty lalan'ny foko
Manamby ny tsara sy ratsy tsy ho tony
Miventso mangina manala toloko
Ny taratrin'ny alina tsy hay hazavaina
No namana toka-tsakaizan'ny tiana
Ny firafin'ny foko mangataka ho hajaina
Amin'ireo ratra, izay nizakam-pijaliana
Ny rivotrin'ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-bitsikinny-foko | Ny bitsikin'ny foko | Nalison Randrianaivo | Ny bitsikin'ny foko
izay miely anatiko ao
tsy ho zary toloko
fa hitempo ho anao
mientanentana ery
ilay foko kely ao
fa entanin'ny fitia
hientana ho anao
toa nisinda avokoa
ny alahelo sy tomany
ka ho tonga ho soa
ampinao ilay teny mamy
ny rivotra malefaka
toa zary nitefaka
tao ampoko tao
noho ny fahitana ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/ny-alina | Ny alina.. | kanto sarobidy | Ny alim-pandrotsy no sisa mba namana
Miara mitoetra ,mampahery hampitraka
Io no mba hany navela ho fananana
Handrendrika mora ity FO izay maratra
Misy alina mangina tsy ilaozan'ny sento
Nefa mijoro tsy kivy amin'ny fiainana
Fa Alina mangina fanao vetsovetso
Tsy resy na lavo na dia mitaraina
Fa irery izy omaly,d... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/henjim-pitia | Henjim-pitia | kanto sarobidy | Ny kely mba nananana,sy tsara ka tahiry
Dia maro mpankahala,tsy ilaozan-dromoromo
Fa maro ireo mpanenjika mifikitra mikira
Ny handrava izay najoro,mitetika ny hamono
Tsy ahoanay nefa izany,tsy mba hampaninona
Fa tsy hainy ireo akory izany FO miara-droa
Maika hanatevina ny anatin'ny finoana
Ka n'iza re hisompatra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/lainga-tokoa- | LAINGA TOKOA ... | Laharthe | Lainga tokoa raha ny fo no hanadino
Ka hanao toy ny tsisy ny lala-nodiavina,
Lainga tokoa ary toa tsy hampino
Raha toa tsy tsaroana 'lay olo-notiavina.
Lainga tokoa raha tsy misy fitserana
Rehefa mikotroka ny ora-midona,
Lainga tokoa raha ny lasa niserana
No tsy mahamanina ka tsy tsaroana.
Lainga tokoa raha ian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/ny-fitiavana | Ny fitiavana... | kanto sarobidy | Ny fitiavana,tsy ambara manoloana
Asetrin- drivo-dratsy,ihany koa ny tsara
Noferana, fefena ny volana aman-taona
Voasoritra mialoha izay nekena fa ho ANJARA
Ny fitiavana,kanto anivonivon 'alina
Tokana aman-tany,fananan-tsarobidy
Misari-tsy hay fefena ,kanefa mahafanina
Sy tsy hananan-jo, mban'ireo SAFIDY
Ny fit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ankaizina-j24/fahavaloko-mal | FAHAVALOKO MAL | Ankaizina J24 | FAHAVALOKO MALALAKO
Ianao ilay tiako
Sy mba faniriako
Niriako tsy hataklo
Idrisy toa lasa fahavalo
Ilay endrikao mitsiky,
Sy ilay volonao ahofan'ny rivotra
Indrisy toa lsa nangidy
Ka zary fitia rovidrovitra
Ianao ilay nahatsampako
Ny atao hoe fitiavana
Ankehitriny hofafako
Ilay tsiron'y fitiavana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafanomezantsoa-tolojanahary-heritiana/ny-tontolo-anatinny-soratro | Ny tontolo anatin'ny soratro. | Rafanomezantsoa Tolojanahary Heritiana | Tontolo tsy hita vatana
Fa vetsoin'ny fanahy
No avy ka mamantana;
Tontolo tsisy fetra
Fa kaloin'ny fo fitia
No tonga mitoetra,
Ao ny foko tsy matory
Ao ny feoko no mitory
Ao izy azo fohazina
Ao izy no azo hotazina
Tontolo mitontaly isa tsy hain'ny saina
No avy ka miaina
Ao ny saiko no mikasa
Ao ny aiko no ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhayman/matokia | Matokia | Rhayman Drac RH | Matokia fa Ianao no tena tiako
Omeko ilay fitia tsy miova
Fa na inona na inona dia hiafiko
Na dia hiaretako any am-ponja
Na misy ary ny adiady kely
Aza raisina hoe tsy fitiavana
Matokisa fa Ianao irery
No hany Tiako re rahavana
Ny hasarotam-piaro no tandremo
Fa mety animba 'lay fitia
Fa raha misy olana teneno... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/vavaky-ny-tia | "vavaky ny tia" | Antsa tononkalo.R | Vavaky ny tia
Izay tononoko eto izao,
dia tsy ambarambara havana
ka tsy azonao fantarina
hasandratro ho vavaka,
hiakatra any an-danitra
hinoako marimarina
fa hihaino ahy Andriamanitra
Izao tononoko eto izao,
tonom-bavaky ny tia
ka tsy ambarambara tiana
novozonanao ny tsia
Sy nolavinao hatrany
dia mangataka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/fivoharana-hoe | Fivoarana hoe? | Laharthe | Fivoharana hoe?
Toa mahavariana sy mahavalalanina
Ny fomba fiainana ankehitriny
Fa toa mitsipototra ka mahafanina
Raha ampitahana amin'ny andro fahiny
Ny soatoavin'ny Ntaolo fahagola
Tantara no sisa re any am-pianarana,
Fa ny fihavanana efa resim-bola,
Ary ny fanajana efa tsisy fampiharana...
Fa samy manao an'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/nahoana | NAHOANA? | FahNamby | NAHOANA?
Nahoana ry sento
No havela andalo,
Sy hipongatra eto-
Ny ora hampimalo?
Nahoana ry tany
No mbola mitoetra,
Sy tsy afaka ihany-
'Reo mpisetrasetra?
Nahoana ry volana
No noana taratra,
Sy rakotr'olana-
Anaty fahavaratra?
Nahoana ry lanitra
No tsy heno intsony,
'Lay fofona manitry-
Ny felam_bony?
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tonta-kely | Tonta kely | Nalison Randrianaivo | Ireo tonta kely anie
na kely na lehibe
dia mahay avokoa
izay asa ataony tsy mba soa
aleo mitandrina fa
tsy mifidy ry zalah
tsy vehivavy tsy lehilahy
tsy matahotra fa sahy
ny mpanendaka eny
manara-maso mijerijery
izay misimisy vola
sy izay midoladola
ka raha tratrany eo
dia mitomany mitoreo
ireo mpisinto-m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhayman/any-ianao-ry-tiako | Any Ianao ry tiako | Rhayman Drac RH | Any mantsy Ianao ry tiako.!
Ilay mahatsapa ny fisiko
Dia tsy manadino koa
Ilay siny tokam-po
Sasa nievina Aho omaly
Nigogogogo nitomany
Fa sendra tsiahy iray minitra
Dia mahatsiaro ny efa vita
Any mantsy Ianao ry tiko
Lavitry ny maso, lavitry ny fo
Ry vorona ô.! mba hiangaviko
Ny ela hoe maharay roa
Zay re ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hafatra-nampiray | Hafatra nampiray | Nalison Randrianaivo | Indreo ireo vorona
manidina eny ambony
toa te hiantso mafy aho hoe
avia manatona
ho afarako kely
ho any amin'ilay malalako
hafatra miteny hoe
ianao ilay anjarako
ho sandako vola ianao
hampita sy hitondra
ilay taratasy ho any
volamena diamondra
dia nanatona ahy ary
ilay voromanidina
ka niteny toy izao
ome... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafanomezantsoa-tolojanahary-heritiana/-ry-fanahy-miainga | Ô ry Fanahy miainga! | Rafanomezantsoa Tolojanahary Heritiana | Fo tony ,saina gina
Faianao Anatikoao
Mitrôtra tsy hay tsindriana;
Manentana ny fo
Mandrisika ny saina
Ho mpankato
Tsy halaina,
Fa handrindra rafi-teny
Handrafetana fisiana
Tsy ho kanto manirery
Fa ho anilan'olon-tiana;
Manetsika ny fo
Mivimbina herin-tsaina
Ho feno zoto
Zary aina,
Ka handrindra rafi-peo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ankaizina-j24/aloka | Aloka | Ankaizina J24 | ALOKA
Misy zavatra hitako
To manjavozavo
Aloka
Miara dia amiko
Indry anefa tsy hitako
Aloka
Misarika ahy hanantona
Miantso hoe avia
Aloka
Iry misy tovnvay tazako
Feno tsiky izay miavaka
Aloka
Injay fa tonga ny rivotra
To misy fofom-bonikazo
Alola
An? Tandindony ve!?
Sa tena izy marina?
Aloka |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalaina-andriambola/ialaha-iny | Ialaha iny... | Nalaina ANDRIAMBOLA | Sambatra ialaha izao
Fa eo anilan'ilay olon-tiako
Faly ialaha fa naka ny malalako;
Ilay malala tiako tsy foiko
Dia sahin'ialaha
Naka aniny malalako iny
Tsy menatra ahy akory ialaha
Nisongona ny fitiavako azy iny...
Sakaiza manody raha ialaha iny
Tsy mba misaina akory
Ny hahazo ity foko efa babony;
Ary izay m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-voady-omeko-anao | Ny voady omeko anao | Nalison Randrianaivo | Ny voady omeko anao
tsy hataoko kilalao
fa ianao irery ihany
no mamiko eto tany
Ho taniko hatrany
izany teniko izany
fa na iza iza no tsara
dia efa ianao ilay anjara
tsy hivadika hanketsy
na sandana iray hetsy
fa hifikitra aminao
ho doria aho tsy handao
raha miteraka any aoriana
dia mbola tsy ariana
fa ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/dia-ho-diso-ve-aho | Dia ho diso ve aho? | Nalison Randrianaivo | Dia ho diso ve aho?
raha hamela anao toy izao
ny ditra mifangaro
izay efa vitanao
dia ho diso ve aho?
f'efa izany no niainako
mety ho simba aho
raha izy no fiainako
dia ho diso ve aho?
raha hiova fitia vaovao
ilay fitia nomeny ahy
kay fitia kilalao
dia ho diso ve aho?
raha tsy ho any intsony
satria handra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/atolotro-ho-anao | Atolotro ho anao | Nalison Randrianaivo | Atolotro ho anao
ity tononkalo ity
hanoratako ho anao
ity dia-mpeniko ity
ventso sy kalo ho azy
miainga avy ao anaty
tsikitsiky,vazivazy
manakoako tsy satry
ho ventesiko ao am-po
mangina moramora
ilay bitsikin'ny fo
milanto miangola
ho kaloiko ao anaty
ny alina mangina
hembona hembona tsy tanty
ny ventso... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mamela-ny-heloko | Mamelà ny heloko | Nalison Randrianaivo | Ny fahotako maro
izay vita sy natao
ny ditra mifangaro
mino aho fa hitanao
Tsy miafina aminao
Ry Rainay tsitoha
ny heloko avelao
ho mendrika sy soa
Ny alina maizim-pito
hahazava aminay
hiova ho ampintsoa
hiderana anao ry Ray
Ny andronay mandalo
miserana dia vita
be ny fahavalo
maminga tsy ho tafita |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tsy-fahafirifiriny | TSY FAHAFIRIFIRINY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | TSY FAHAFIRIFIRINY
Tsy fahafirifirin'iza akory izato ianao
ka higadogadona famindra sy hianjonanjona fijery
ary tsy fahafirifirin'inona izato bikanao
ka haderadera hianjaka ho tazan'i mpijery!
Tsy fahafirifirin'inona akory ity fitafinao
ka entinao mihanjaka hisarihana ny maso
ary tsy fahafirifirin'inona koa ity ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ho-zakaiko | Ho zakaiko | Nalison Randrianaivo | Hozakaiko
Na ho ratraina
vonona sy kendaina
dia tsy hiova ho azy
ilay rose anaty vazy
na ho kilaina
dorona sy hataina
dia tsy ho levona
fa vao maika hantevina
na ho latsaina
hakoraina sy bodaina
dia tsy ho rava
mifankatia lalan-dava
na ho hankalaina
sy ho tsaratsaraina
dia tsy ho lefy
fa efa voa tefy
n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/eny-antsena-eny | ENY ANTSENA ENY | FahNamby | ENY ANTSENA ENY!
Misy zazakely mitombana ho mpangataka...
Misy zokibe mitady 'zay ho harapaka.
Misy tovovavy miranty jefijefy...
Fa misy tovolahy, tsy tiana ho voafefy anaty fiarahamonina.
Dia iny fa mangalatra ny efa nahasasatra.
Fa misy nefa olona jerena tongalafatra, kanefa eo ivelany.
Dia misy voninkazo mand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/sarobidy | SAROBIDY | FahNamby | SAROBIDY
Na aiza aho no hesoina
Dia ianao no efa safidy.
Na ratraina sy vonoina
Dia ianao no sarobidy.
N'aiza n'aiza koa alehako
Dia tsy maintsy ianao tadidy.
N'inona n'inona hatrehiko,
Mbola ianao 'lay sarobidy.
Na hiaretako ny mafy
Na hisotroko ny mangidy,
D'efa vonona aho hihafy
Fa ianao dia sarobidy.
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/mangataka-anao | Mangataka aminao | Nalison Randrianaivo | Hazavao ny firenena
izay mahantra tokoa
mba mikiry manantena
izay mba hahasoa
Ireo mpitondra ao
anie ry Ray malala
mba ho diovinao
ny sainy mba hahalala
Ny zavatra manjo
diavin'ny firenena
tena ratsy tokoa
ny pesta mahasorena
Ka angatahinay anao
ny ho avin'ity tany
mba ho tonga ho vao
ho voalohany eran-t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aina77/raha | Raha | AINA77 | Raha iza no tia
dia ho fitia ary hodory |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mateoh/fo-maratra | Fo maratra | mateoh | dia tsy nisy ady, tsy nisy nifandirana
fa tsotra izao
leo ianao ka nitady fomba ihodivirana
dia misaotra indrindra
fa fanomezana hotsaroiko mandramaty
lay andron'ny tsingerin-taonako
nandratranao ndray ny foko
angamba,
tsy nitovy lay fitia tanaty …
mantsy ianao tsy sahy milaza
lay marina tsy miafina : fa izah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/lay-manjakamiadana | 'LAY MANJAKAMIADANA | FahNamby | 'LAY MANJAKAMIADANA
Na impiry ivalombalona ny taona efa lasa,
Dia mbola tsy voafafa
sy tsy afaka ao an_tsaina
'Lay Rova nolalaina, f'indrindra mamintsika...
Nodorana ho kila
Dia iny fa nidila, ny hasina nananany.
Mbola an_tsaina foana fa nisy teto Rova
Natao ho rehareha...
Aiza 'zany 'zao!!?
May 'lay tena lov... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/vaky-boky | VAKY BOKY | FahNamby | VAKY BOKY...
Nahabotrabotra saina
Sy nitaiza ny fanahy ny vaky boky tamin'izany.
Dia namelombelona aina,
Nahafoana ny hakamoana, nahamaina ny tomany.
Tamin'izany fifaliana
Ny mamakimaky boky 'zay natao ho fialam_boly.
Ary tena nahavariana, fa...
Velom_bolo ny fanahy, 'zay tsaroana ngolingoly.
Nahazoana fahalal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-zanako-11005 | Ny zanako | Nalison Randrianaivo | Ny zanako no tena mamiko
izy ireo no handova ny taniko
ny fananako rehetra
dia azy ireo tsisy fetra
Ny zanako no tena harenako
hanala ny fahasorenako
hanaovako ny adidy koa
mba ho fara sy dimbiko
Ny zanako no hany fananako
izy ireo no iadanako
raha tsisy azy aho angamba
tsaroako fa tena ho banga |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/efa-taona-maro | EFA TAONA MARO | Joda Razakasoa | EFA TAONA MARO
Efa taona maro no miaina anaty hirifiry...
misotro,migoka ny ngindin'ny fiainana!
ny tsirim-panantenana tsy mbola mitsiry
fa rakotra tsilo tsisy hitarainana,
efa taona maro no niantso vonjeo...
mitaraina ny taniko fa tsisy mamaly,
ny kalon'ny fony,kalo mitoreo!
ventesina hatrany anaty tomany,
ef... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/safidyanjaralahatra | Safidy,anjara,lahatra | Nalison Randrianaivo | Safidy ary ve?
ny fanambadiana
Toa azo hisafidiana
izay ho vadiana
Anjara ary ve?
Rehefa any ka lehibe
izay olon-tiana farany
dia iny ve no anjarany?
Dia lahatra ary ve?
Izay ho vadin'ise
fa toa tsy nifidy
anjara sa safidy?
tsy ianao no mandahatra
fa izy no efa lahatra |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/hitia-mangina-anao | Hitia mangina anao | Nalison Randrianaivo | Hitia anao anie aho
hitia anao mangina
hokoboniko ho ahy
ny ngindim-pijaliana
ho zakaiko samy irery
ny bitsikin'ny foko
na hitoloko hanirery
dia tsia hiova loko
Na tia anao aza aho
tsy mampaninona izany
ny foko sy ny fanahy
hitia mangina anao hatrany
Na mangidy aok'izany
ny mitazona ilay foko
tsy hitraotr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/raha-tonga-lay-andro | RAHA TONGA 'LAY ANDRO | FahNamby | RAHA TONGA 'LAY ANDRO
Raha sanatria ka ho tonga 'lay ora
Hialan'ny aiko, ny vatako hatory-
Dia n'iza haneso na iza hanakora,
Aza misaona na miondrika akory.
Fa hametraho voninkazo ny fasako,
Ho mariky ny andro firavoravoana.
Dia aza tsarovana akory ny lasako,
Fa fiainana 'zany raha mbola etoana.
Esory an_tahi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-mpisotro-toaka | Ny mpisotro toaka | Nalison Randrianaivo | Ny mpisotro toaka
mba miera hoe hivoaka
any anefa izy dia tsy hita
fa manendy masikita
tsy ataony hita hita
ny na vady aza tsy mahita
fa vao mendimendy kely
dia iny izy no mamely
toaka roa na bota
vitany indray migoka
dia efa dôzidôzy kely
dia mikôty sipa kely
manao tanana am-paosy
dia mipipy an-kilaoty
i... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/loza-loza-fa- | Loza, loza fa ...! | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | Loza, loza fa ...!
tandidomin-doza izao ny taniko
ilay tany tena mamiko
ilay tani-keliko mahantra
Kanefa iza moa no mba hiantra?
trosa lava foana mantsy no mba hany fivelomany
ary gindin'ny fiainana no mba hany fitolomany
dia izany no zava-misy ankehitriny
tsy takona hafenina amin'ireo vahiny
ny fahantrana iai... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/izay-ratrako | izay ratrako... | kanto sarobidy | Tsy ho ampafantariko azy,izay rehetra ratrako
Tsy holazaiko akory ireo teny izay tsy zaka
Fa entiko eny, na mavesatra ato an-tratrako
Ilay teny naloakan'ny vavanao nandratra
Iniako tsy ho tsaroina ireo endrikao masika
Rehefa injay nilaza ny fiafaram-pitia
Niniako nohadinoina ihany koa ireo sariaka
Nasehonao ny m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/tokana-ho-ahy | Tokana ho ahy | Nalison Randrianaivo | Eny ianao no lalaiko
mba ho tokana hajaiko
Iaraka hanoy ny dia
Ivoady ho doria
Eny ianao no ekeko
Sy mba ho jereko
izay hahafaly anao
Tsy mba mora ho lao
Eny ianao no safidy
harena sarobidy
handravaka ny andro
maraina,hariva,hatoandro
Eny ianao no laniko
ravakin'ny toka-tranoko
Na mangidy io na mamy
Dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/takariva-amoron-drano-ah | tak'ariva amoron-drano ah | M'art-son Emmanuel | tak'ariva amoron-drano aho
dinim-pianana saro-takarina ny diavina
voanemba ra'fasambarana saro-tedavina
fady fiteny ny makalao
mipitika an-jorony ihany mantsy 'zany
tsy very fa maka toerana ihany
jere iry fara-vodilanitra
ny tontolo fara-tazana
ny rahona manembana 'zary fandravahana
lasa any ny saiko misonenik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/fo-adaladala | Fo adaladala | Nalison Randrianaivo | Ny fo adaladala
tsy misalasala
raha misy tiany
iny no iriany
tsy misy mahasakana
fa iny no mibahana
mitoetra ao ampony
sy mba ho babony |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/krisimasy | Krisimasy | Nalison Randrianaivo | Krisimasy
Fotoana fohy sisa
no isaina dia tonga
andro vitsivitsy
hifaliana ireo kilonga
Ilay andro malaza
no sady soa tokoa
ilay andro voalaza
Fa nahaterahan'i Jesoa
koa mifalia ry mpino
miravoa lalan-dava
andro tsy ho hadino
Ry Jesosy malala
hobio sy hasandrato
Ny anarany ilay avo
Ireo mpianany mpanarat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/irery | irery.... | kanto sarobidy | Ry voro-mandalo misidina irery
Mba aiza ny ankany izay hitoeranao
Moa ve ombana sy betsa-mpijery
Sa takona anaty tsy misy mpitraho
Moa maro mpitsidika,be mpivahiny
Sa lalondalovana fotsiny ihany
K'izay te andrombaka tsy omena tsiny
Fa tsy misy mpiery sy toeran-tomany
Moa tahakin'ny foko nilaozan-tsakaiza
Tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/faranako | LAY FITIA NAJORONTSIKA!!! | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | LAY FITIA NAJORONTSIKA!!!
izaho tsy hiasa-asa saina
intsony izay mombamomba anao
na hiferotr'aina
Ny amin'izay mety ho ditranao
fa aleo ho fanaranako amin'izay
ireny tambitamby nifanaovana
ireny sangisangy hatrizay
angamba izao koa no ora hifandaozana
Na mbola ao anatiko aza ny fitiavana
dia ialako tsiny fa t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/ny-setrasetranao | Ny setrasetranao.. | kanto sarobidy | Noratrainao sahady,ny fony raha nitia
Vao namindra tokana tamin'ny fitiavana
Nodinao tsy tsaroina ireo tokinao doria
Fa norakofanao izany aizin'ny fandavana
Eny,
sitrapony ny azy,ny hitia hampanajana
Ilay fonao noheverina fa rakotra fitia
Nitia tsy nisy fitaka ,tsy nisy fankahalana
Fa kosa ny fony dia voaratran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/i...fitiavana | i...fitiavana | kanto sarobidy | Maditra loatra lahy,ny fiavin'ny fitiavana
Misesika tsy laitra, hamonjy ito toerany
Na dia tsy mbola taitra akory izato finiavana
Dia tereny hanaiky ny firafitrin'ny toetrany
Hezahina toherina ny lanjan'ireo tiany
Fa mafy loatra re izany dobokin'ny FO
Manakoako hatrany koa ireo vetsom-paniriany
Manambitamby ér... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiry-sung/sentom-pifaliana | sentom pifaliana | Tsiry Sung | sento tokana ihany
ilay hany faniriako eto an-tany,
dia ilay hafaliana sesilany
izay mitaiza ny fiainako hatrany...
be tokoa ireo manalasala
ny hakiviana, iaraha-mahalala
fa ny foko, tsy mitsahatra mitempo
ka izay no miteraka ny sento...
ny fitiavana ony, mampitony
mifanohitra amin'izay aza,
satria ny sento, ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ianao-ilay-mpamonjy | Ianao ilay Mpamonjy | Nalison Randrianaivo | Ianao ilay Mpamonjy
nanafaka ny ratsy
ny heloko ho voa vonjy
Tsy mba hiteny ratsy
ianao ilay Mpanjaka
izay tompo ny tompo
Ny herinao no lapa
ho entiko hanompo
ianao ilay Nahary
izao tontolo izao
nasiana anao zava-boary
Hankasitrahanay ianao
ianao ilay Mampianatra
sy nanoro hatrizay
mba ho lalana tsara
no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/nahoana | nahoana? | kanto sarobidy | Nahoana no lazaina fa miavona ny fony
Raha toa tsy te hierika akory izay fitiavana
Fa ampy azy ny ratrany ka tsy hitia intsony
Na iza ho miseho fa tena tia sy be finiavana
Nahoana no akoraina fa tsy manan'izy fo
Na dia tsy mihevitra intsony izany hoe tia
Nahoana tsikeraina fa tsy manana ambo-po
Fa efa nahazatra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/teny-kely | Teny kely | Nalison Randrianaivo | Teny kely monja
no angatahiko anao
Kely fa mafonja
moa tia ahy ianao?
Mety hanimba ahy
raha tsy voalazako
aza lavinao aho
fa indro ny fitiavako
ho hatolotro ho anao
tsy asiako tambany
raiso ka anjakao
fa ho hita anao ny maminy
Fa toy ny tantely
tsy mba mety ho lany
ilay teny kely
ankany tantely mamy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ny-tsikinao-10965 | Ny tsikinao | Nalison Randrianaivo | Izany tsikinao izany
dia mitondra fifaliana
tena mamy hatrany
tsy hidiram-pahoriana
ka raha sendra alahelo aho
ny tsikinao no mamelona ahy
rehefa tojo hakiviana aho
ka mitady hamoy fo
ny tsikinao ihany ho aho
no mamelona ny foko
ny tsikinao raha vao jerena
dia miredareda ny ao anaty
tsisy intsony ny hasore... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.