url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/rehefa-injao | Rehefa injao | JNB | Mitsiky aho,faly manao izao sy izao
fa rehefa injao miserana an-tsaina ny hoavy
dia io fa mihondrika tampoka
amin'ny fisentona tsy ferana
dia avy eo misaina
inona tokoa moa no tena azoko antenaina
mihondrika aho nefa hitraka hitsiky ihany
vinany sendra nandalo izany
ny androany akory tsy ho rahampitso,ahiahy mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/vavaka | VAVAKA | RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison | VAVAKA.
Izaho raha vao mifoha ,
Dia mivavaka aho aloha
Ilaiko mantsy ny mivavaka,
Mba hananako toetra miavaka.
Dia mivavaka aho maraina ,
Isan'andro aho dia mitaraina
Dia toy izany koa ny alina ,
Mba tsy hiaina anaty nofinofy lalina...
Dia toy izany ny ahy ny fiainako
Jesosy ihany no itarainako
Koa n'aiza n'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/tsy-ampy-ahy-ny-tontolo-m | tsy ampy ahy ny tontolo m | M'art-son Emmanuel | tsy ampy ahy ny tontolo mba hisainako
tsy ampy ahy mba hitetezako
hanalako irony sentoko,
tsy ampy ahy ny fitia mba hilomanosako,
tsy ampy ahy ny alina hanofisako
tsy ampy ahy ny tontolo mba hiainako
fa tsy hisasaka akory aza ny fiainako
dia toy ny efa tapitra ny tontolo mba ho anjarako |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/very | VERY | JNB | Very aho
ny masoko tonga jambena
very aho
ny fahitako ny zava-misy mampahonena,
izaho ve no diso fijery?
mahita ny olona very
very fa resin'ny fiainana
nanjary fahazarana ny azy ny fitarainana
jamba ve aho fa tsy mahita ny ratsy eto amin'ny firenena?
sa mahita ihany fa somary jambena!
mahita fa ny fahatran'ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/izany-elanelanin-tany | Izany elanelanin-tany | Djaw | Mangina izay tsy izy ny tanàna,
Lasa maloka aoka izany ny manodidina,
Ny lanitra ity toa saroman-drahona
Rehefa tsy eo anilanao akia ry tiana.
Maro ny milaza fa lavitry ny maso lavitry ny fo !
Ny ahy kosa toa lasa tsy afaka an-doha, tsy afaka am-po.
Ary ireo sangisangy izay fanaontsika roa,
Vao maika mitamberimb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/misiterinny-alina | Misiterin'ny alina | Rary Nofy | MISITERIN'NY ALINA
Mangina daholo ny tany rehetra izay notazaniko,
Mangina tsy ahitan-teny,fa tony dia tony;
Manainga ny foko hikaroka,ilay tena misitery,
Ny misiterin'ny misy amin'ity tontolo ity amin'izao alina izao.
Ny vola-balika,no indro mitaratra ny lalan-kombako,
Ny kinta-manjelatra,no tsikaritro mirehitra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/vavaka | vavaka | oceane | Eo antananao ry Raiko
No mba itsambazanay
Ampio fa reraka ny aiko
Satria enao no ifalianay
Raiso aho ry Tompo o
aza avela ho hitanondrika
Ilay satana Be lolom-po
Esory sy ataovy rotidrotika
Omeo fo, saina madio
Fanahy sy fahendrena
raha sitrakao ry tompo mba valio
ka mba ho toy ny volamena
Tsapako fa tsisy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiry-sung/tsy-mba-namanamana | tsy mba namanamana | Tsiry Sung | iny namako iny,
nahafinaritra fahiny
ary nahafinaritra hatrany
mandrak'ankehitriny
mbola namako tokoa,
ilay mizara ireo soa
izy tsy mandao izany
fa mitsinjo ny hafa koa
ilay namako tsy foiko,
izy tsy mba hosoloiko
ny toetra tsara izay ananany
no mitoetra ato am-poko
ao koa ilay namako iray,
dia izay tovova... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/soratra-velonaanatra | Soratra velona,anatra | Rary Nofy | SORATRA VELONA,ANATRA
Zandry ah!ity ho'aho mba henoy,
Hafatra kely dia kely anefa misy heviny,misy dikany!
Fananaràn'ihany,Fanoroana hatrany,ny zavatra fonosiny
Fitiavana anao ihany no anton'izy ireny.
Fitarihana,Fampianarana,fanabeazana anao ho tena olom-banona,
Mba handrotihana ny ratsy,hanoroana anao amin'ny l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalaina-andriambola/tsodrano-ny-mbola-tia | Tsodrano ny mbola tia | Nalaina ANDRIAMBOLA | Mafy tamiko ny nandaozanao ahy
Nefa tsy maninona fa ho zakaiko
Sahinao ny nandao ahy
Nefa atao ahoana fa izay ny sitrakao
Ka tsodrano sisa no omeko anao
Na dia mbola tia aza aho
Fa ity foko noratranao
Dia mitomany anao isan'andro
Tsy foiko ianao nefa nandao
Nahita an'ilay rafiko;
Ka nafindranao ny fitiavanao
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/rehefa-maty-aho | rehefa maty aho.. | kanto sarobidy | Raha hoavy ny andro,ialako ity tany
K'ilevin-tsy hifoha hoan'ny mandrakizay
Dia ireo kalo vetsoiko manako any ho any
Hampangina ny maso tomany hatrizay
Asio voninkazo eo andohan'ny fasako
Ho marika iray mba tsy hanadinoina
F'ireo dina natao dia hitoetra tsy ho lasako
Ka tsaroina eny foana sy kolokoloina
Raha hi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mart-son-emmanuel/tsy-ampy | Tsy ampy | M'art-son Emmanuel | tsy ampy ahy ny tontolo mba hisainako
tsy ampy ahy mba hitetezako
hanalako irony sentoko,
tsy ampy ahy ny fitia mba hilomanosako,
tsy ampy ahy ny alina hanofisako
tsy ampy ahy ny tontolo mba hiainako
fa tsy hisasaka akory aza ny fiainako
dia toy ny efa tapitra ny tontolo mba ho anjarako |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/ankamantatra | Ankamantatra? | kanto sarobidy | Fa iza moa ianao,no sahy mianika ny avo
Miezaka manintona ny jerin'ito foko
Iza mba lazao,moa hitondra ravoravo
Sa kosa re miery, lavitr'ito fo toloko
Tsy azo vinaniana ny mety ho tanjonao
Tsy takatrin'ny saina ny irakao sahanina
Toa rako-pifalina sy mitondra hery vao
ilay kalonao kaloina, heverina mahafanina
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/henatra | HENATRA | RMA | Henatra ve no miseho eo @ tavanao?Henatra manahy ,sao tsy ho tiako ianao aza manahy aza menatra fa ianao ho ahy ary hasiako peratra!
Fa raha sitrakao anf izany ,dia ho faly ah fa tsy hitomany !f'anw tokoa no safidin'ny foko na maro aza ny eo anw n tiko! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/mizotra-mankany | Mizotra mankany | Rary Nofy | MIZOTRA MANKANY...
Malagasy va ianao?,Malagasy ray sy reny?
Mbola malagasy toa ny fahiny sa malagasy ankehitriny?
Sambatr'eny ianao ry Malagasy tiako indrindra,
fa manana ny teny,miavaka,kanto sy voarindra
voalahatra ao anaty diary miafina tsy hita,
ao anaty tany,lavaka,hilevenan'ny razantsika.
Ry taniko oh!jere... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/any-ho-any-izao | Any ho any izao | Rary Nofy | ANY HO ANY IZAO
Any ho any izao,misy ako mitaraina mitalaho mba ho henoinao
Any ho any izao,misy sary mifamaho miandry ho hatao
Avy ho any izao ,misy kalo miandrandra mba ho vetsoina,
Any ho any izao,misy hira mifamahofa,manantena ny ho kaloina.
Any ho any izao,misy ainga miakatra,tsy misy mpampiasa
Any ho any iz... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/mandevy | Mandevy | Rary Nofy | MANDEVY
Mandevy sahady ny rano mafana ao anaty vilaniny,
Mikotrakotraka toy ny ra miboiboika ao anaty avokavoko,
Tsy mitsaha-mivadika,miova loko toy ny lokon'ny tarondro,
Manetroka maso,mahatsemboka tampoka ny tava,ny setroka avoakany.
Ny toko nanafanany azy amin'izany,toko gasy telo,tsy nampiany fanampiny,
Toko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalsonrazakariasa/ilay-tananay | Ilay tananay | Nalison Randrianaivo | Io ilay tanana
Tanana naha tamana
Tananay fahiny
Dia ho hadino ve ankehitriny?
Sanatria kosa aloha
Ny fitia azy tsy mety ho loa
Ka aleo ho any indray aloha
Izaho dia hitondra ramatoa
Ho entiko mankany
Amin'ilay ankany
ho teneniko azy hoe
Ato ry Dadabe sy Nenibe
Ato ry Dadatoa sy Nenitoa
Ato ry Dadanaivo sy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/tsindry | TSINDRY | RMA | Tsindry no nasehonao ahy ,Fa nasehonao ity rafilahy Tsindry toy ny zavatra mafonja ka manindry manonjanonja !
Tsindry manambara ,Fa ts mila intson ,Fantantro ny tianao hambara mandehana fa izaho tsy hitana intsony!!! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/tsy-hay-hadinoina | Tsy hay hadinoina | Rary Nofy | TSY HAY HADINOINA
Mbola tsaroako,tadidiko foana aky,ilay tantara fahiny,
Na dia navalona ho lasa,ho lo,aza tsy voatana mihitsy,
Mitraotra dia mitraotra,manempoka ny aty fanahy,
Eny eh!,tsy foafoana ato an-tsaina,fa vao miha-miseho ho tsiahy,ka mampararirary ahy
Ilay isika vao nianatra tao an-tsekoly,
Tsy nifankah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/herim_pitiavako | HERIM_PITIAVAKO | RMA | Ny fasika amoron'ny rano ,ts tambo isaina fa maro !Ny kintana an_danitra koa ts azo isaina avoko
Ny fitivk torak'izn ,ny isan tsita lany !zah naita n so ka d faly toko
Indris ah mb nis mpiti ,n d mahantra & mahia!N fok ts met mangina fa sendr n tina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ry-taniko-oh-nahoana | Ry taniko oh nahoana? | Rary Nofy | RY TANIKO OH NAHOANA?
Mangidy ny taona,ny maso koa tomany,
Ny volana hisaona,fa ho rotika ny tany!
Satria efa voahindrahindra,voapotika ny habaka ombàny.
Ny tany karakaina,miandrandra hamandoana,
Ny hazo mijoala,miandry izay mba hosotroina,
Aiza izao ny rano,hanondraka ny tany?
Ny orana tsy ho avy,ny rihin-drano... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/oceane/ry-gasikarako | ry Gasikarako | oceane | ry gasikara tany mamiko
Mampalahelo niafarana!!
ny kolikoly tsy tononiko
Sa ve difotry ny fahatrana
Ny asan-dahalo tsy hay lazaina
mirongatra tsy mahalala onony
Ny vahoaka efa mitaraina
Ovina no hivaly ny tolony?
ny fanjakana mba iankinana
Adi-seza sesilany
Ka andao re hifampitsimbina
Fa tena reraka ny tany
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/ny-anilanao | NY ANILANAO | Tsitohaina Mamitiana | NY ANILANAO
Ny andro manjombona
Na hatsiaka maro manala
Rehefa eo ianao
Misinda ireny miala
Hafanana,tambitamby,teny mamy
Aleoko foana eo anilanao hatrany
Na rivotra mifofo na koa mifafy
Rehefa eo ianao toa elatra mitafy
Sangisangy,tsikitsiky tsy mba lany
Toa satrifoana ho eo anilanao hatrany
Fa ny anilanao ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rma/miandry | MIANDRY | RMA | Efa ela angamba izayNo nandefasako ilay taratasy ,Miandry anw hamaly ,Na ho tsia na ho eny!
Hovaliak iny hoy anw ,Indrisy anefa hatrizw ,Ts mbola noraisinao l'ay fitia omek anw
Miandr anw foan aho ,na dia efa mitalah miandr vali_teny na h tsia h eny! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/tsiaro-anao | Tsiaro anao | Ny tohaina | Ataoko fahatsiarovana anao ny androany
Averiko tsaroina ny tsiky sy tomany
Velomiko eto indray ny fiainana taloha
Fohaziko ny lasa , fohaziko avokoa
Penina Misioka |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/sangisangy | SANGISANGY | Tsitohaina Mamitiana | SANGISANGY
Sangisangy tsika reny
Tiako hiverina eto indray
Rehefa izao iny irery
Lasa sento mangahiahy
Lasa tokoa mantsy ialahy
Ilay namako be fahiny
Nataoko toy ny rahalahy
Nizarako ny olako rehetra
Nanjary toy ny aloka sisa
Ireo zavatra vitanao
Eto aho no mamisavisa , Sangisangy,kilalao niaraha-nanao
Tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nalaina-andriambola/tiako-ianao | Tiako ianao | Nalaina ANDRIAMBOLA | Tiako ianao ry zazavavy
Tiako ho ahy samy irery;
Tiako tsy zaraina amin-kafa
Tiako ho anjarako fa tsy an-kafa
Nefa indrisy ianao efa lasan'olona;
Ka nefa ny foko tsy mety mihonina
Misisika mafy ny ho anao hatrany
Manomboka izao ka hatrany amparany
Raha toa ka sitrakao;
Ny hiara-dalana amiko izao
Dia mba ho ah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/ny-antsika | Ny antsika! | JNB | Raha ny antsika sakaiza no resahina
Betsaka no afaka tanisaina,
ankehitriny niova ny fo dia niova koa ny fiaina
Betsaka ny mampitomany,maro ny mampitaraina,
Nanjary be ny fahoriana
Nanjaka ny tsy fisiana
Mikorontana ny firenena
Ny vahoaka nanjary tsy nanankatenaina
Ny fiarahamonina nizarazara
Tsy hita intsony ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/herimiah-rakotonranja-fenitra/fianarana...-fanantenana | Fianarana..., fanantenana | HERIMIAH RAKOTONRANJA Fenitra | Sarobidy, faniriko;
Toky any aoriana any;
Ny fianarana niriko;
No tena tiako eto an-tany.
Tena ravo izao ny saina;
Hantenaiko ho lovaina;
Ny fianarako taloha;
Sarobidy ihany koa.
Hantenaiko indray;
Ny fianarana any Ankatso;
Mba ho tian'ny mamanay;
Ny fianarako tsy miato.
Tena tiako any ho any;
Dia tateraka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/h.nirina/noho-ianao | Noho ianao | H.Nirina | NOHO IANAO
Mba manga fibanjina lahy 'zato lanitra
Fialoka tokan'ny andro sy ny alina
Fibanjin'ny tia s'ireo fo manimanina
Mahatonga ny entona ho toa manimanitra
Mba mafy fidoboka ny onja any ho any
Mpandrotsy ny fo 'zay vesarin'ny sento
Injany fa reko,toa hafa fitepo
Fa nisy nilaozan'ny tiany hono omaly
Hiran'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/h.nirina/lainga-lainga | lainga lainga | H.Nirina | LAINGA LAINGA
Lainga fa raha misy
Hira sendra tonony mirakitra ny lasana:
Satrinao ho hiraina...
Saingy mampalaina
Raha toa ka misy anarana mamerina 'lay endrika
noheverina efa rendrika ao anatiny ao...
Ka hampisento anao
Tsy misy fo naratra ka seranin'kirahira dia hinia
tsy mba hatsiaro,
Na sombina tantara
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/efa-babonao | Efa babonao | Laharthe | Efa babonao
Avilko foana ny lalan-kombana
Tsy ho any aminao
Kanefa ny foko tsy mety voatana
Fa mahita atao
Atodiko indray 'zato lohako izato
Tsy hierika anao
Ny eritreritro anefa tsy mety miato
Fa any aminao
Akimpiko foana ny masom-pijery
Tsy hibanjina anao
Kanefa ny saiko efa mahay tsianjery
An'ilay endrik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/h.nirina/vela | vela | H.Nirina | VELA...
Teto ambany masoko no nisy anao nitrena
Niezaka namerina ny aina tao am'poko
Dia vatrako mihitsy,ny namotsotra,namela
'lay fehezam'boninkazo,f'efa rakotry ny loto...
'lay fasako tokana efa niombonana
Saika handevenako ny ahy sy ny anao
Voatery nihidy fa tsy azo amotohan'
Zao fandeferana lava any 'zao
F... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/h.nirina/tanindrazana | Rova | H.Nirina | ROVA
Rova ianao
Dia lova toy ilay manjakamiadana
Mitaratra
tarafin'ny maso sendra mierika
Fa henika
Sy fenitra voarafitr'hatsaràna...
Ianao,
Irian'ny olo'maro
Ho tiana sy ho malala kanefa manan'tompo...
'lay peratra mamofo sy mamatotra ny tanana
No marika hamantarana
F'hatrany ianao tantanan'izay efa nofini... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilimim-jivisdi/ditranny-fahatsiarovana | DITRAN'NY FAHATSIAROVANA | ILIMIM JIVISDI | DITRAN'NY FAHATSIAROVANA
Maratra ny foko kanefa
Tsy maintsy voatsabon'ny ela
Ny onjam-pitia niantefa
Ny aretiko sisa tavela...
Ny masoko kotsan-tomany
Ny saiko toa sasatra foana
Mandinika lava ny tany
Ny fitiavako kay mba misaona...
Dinidinika an'habaka irony...
Be tsiaro ka mahita faisana
Ry volana soa eny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/nihondrikizy | Niondrika izy | JNB | Niondrika izy androany
Ny tavany kotsan-tomany
Feno alahelo izany fony,
Indrisy, tsy misy afaka hampitony
Niondrika izy sady velon-tsento
Niondrika izy fa mampahory azy loatra ny eto
Niondrika izy fa takon-drahona ny masoandro
Ny mazava nanjary haizina tsy ho antoandro
Niondrika izy androany
Nahoana ary ny fon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/namako-ve | namako ve? | kanto sarobidy | namako izy izay,tena namana hafa kely
tsy ampoizina amin'ny taonany ny zavatra lazainy
namako tsy foiko,tsy namela ahy ho irery
fa nampifaly foana sy mahita ho tantaraina
namako izy iny,miavaka amin'ny maro
tsy takatrao visaina ny zavatra ambarany
namana miavaka tsy tiana hafanqaro
fa zary mahaliana ahy hatran... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/fa-babonao-tokoa-tsy-and | FA BABONAO TOKOA | Tsitohaina Mamitiana | FA BABONAO TOKOA
Tsy andoka itsony aho
Tsy iteny firy aho
Fa lazaiko teny iray
F'izaho ko efa may
Fa tena babonao tokoa
Ireto masoko roa,
Aza odinao tsy hay fa sao
Ho lasa adala eo aho
Fa tena babonao aho rahavako
Ka mba enoy re zany fitiavako
Miantso mafy ny anarana
Ka valio "eny" ra sitrakao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/rehefa-maty-aho-tononkira-hindrana-aminny-guitar | rehefa maty aho tononkira hindrana amin'ny guitar | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | G C G
raha ho avy ralala ny taona hodiako
G C D
aho ambanin'ny tany tsindrian-drangolahy
G C G
ka ho vato no solo kidoro hatoriako
C G D G
de izao no mba zavatra ataovinao ahy
G ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/tsy-anjara-tsapako-tokoa | TSY ANJARA | Tsitohaina Mamitiana | TSY ANJARA
Tsapako tokoa,
Fa tsy anjarako ianao iny
Nefa tsy ataoko ampiasa loha
Zay lasa vitantsika fahiny
Tsy anjara ngamba ny antsika
Matoa misy foana ireo disadisa
Ny tsara ngamba dia izao
Misaraka tsotr'izao
Isanandro enao
Milaza fa tsy tamana
Tsy maninona fa mandehana
Fa ny fitiavana akory tsy kilalao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tia-aho-kanefa | tia aho kanefa...! | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | tia aho kanefa...!
raha nitopy manodidina ny jinerin'ito masoko
dia ny hakanton'ny endrikao no indro tazako
ka nampidoboka tsy niato ny fitempon' ito foko
ny hakanton-tsikinao niampita tamin'ny vavako
tiako ianao kanefa toa sarotra vinaniana
Ny mety hanekenao izany
ka tsy sahiko lazaina fa naleoko aloha nangina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/fofona-re-zao | FOFONA RE ZAO!!! | Teboka Telo | Misy fofona manento eny rehetra rehetra eny!
Fofompofon-katsembohana, fofom-bavanao miteny!
Fofofofompofon-kelika, fofonk'endy, fofom-"patte",
Feno fofompofom-pesta eny anivon'ny tontolo;
Fofom-patina voalavo sy fofon-taina vorondolo!
Fofon-tatatra sy "dalle", fofompofon-dranon-dolana!
Fofompofona madama tsy mifa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/ekeko-izao-eto-anatreha | EKEKO IZAO | Tsitohaina Mamitiana | EKEKO IZAO
Eto anatrehanao ry Ray
No anekeko izao:
Hanompo anao mandrakizay
Izaho dia ho anao
Fitiavana ny namana
No ekeko izao
Na ny ory na ny manana
Dia mitovy izao
Ho tia ny fireneko
No ekeko izao
Ny antsony dia reko
Miantso ahy izao
Ny tena sy ny saina,
Sy ny Fanahy
Hibanjina ilay aina
Nomenao ahy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/fandresena | FANDRESENA | Tsitohaina Mamitiana | FANDRESENA
Na dia maro aza ny ady ety
Mety ankarary , ankahia
Ataoko toy rivotra mandalo izany
Na koa hoe ampitomany
Ny fandresena efa ato ampoko
Ka tsy atahotra na ho kivy
Rehefa miaraka @tompo
Voahefako ny adidy
Ny dia maro aza ny tsy tia
Mikasa ny hamingana ahy
Ireo fahavalo miriharia
Tsy ho kivy aho san... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/tsy-we-zah-tsy-we-zah-no | TSY WE ZAH | Tsitohaina Mamitiana | TSY WE ZAH
Tsy we zah no malaina,
Ny @fitiavanao ahy
Fa saingy kosa mbola ho tsaraina
Izay mety ho fakam-panahy!
Tsy we zah no tsy tia,
Ny fonao ry malala
Matahotra aho mantsy satri
Noho ny aminao zah be pankahala
Tsy we zah no miavona,
Matahotra aho mantsy satri
Tsy mahay ny atao hoe mitia
Tsy we zah no mo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-tia/hafy-ny-fitiavana | Hafy ny fitiavana | Ilay Tia | Vonto ny tavako,ontsa ny foko
Feno sento sy alahelo mampirongatra toloko
Nikapoka marary ilay onjam-pilafila iainana isanandro
Niboiboika tsy mijanona ilay loharanon-dranomaso hany ka tsy tandro
Ankehitriny koa manindrona tsy tanty ilay lefopohin'elanelantany
Ka mandratra izato fo tena tia ny any ho any
Kanefa il... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/avelom-pitiavana | DINDOM-PITIAVANA! | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | DINDOM-PITIAVANA!
toa tsiaro mitambesatra an-tsaina
itsy masoandro efa ho dila, ka mampanembon-takariva
toa tsiahy mitondra nofy ny alina, toa sentoko mandra-maraina
ilay horoka malefaka natolotrao indray hariva
toa embona sarotra hadinoina ny lasantsika fahiny
ary embona tsy afaka an-tsaina ireny sangy niombonan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/raha-tsisy | Raha tsisy | Ny tohaina | Raha tsisy intsony hono
Banga ny asa soratra
ho faty ny talenta
Raha tsisy intsony indray
ilay talenta ao anaty
Very ny asa soratra
Ho leo ny mpamaky
Raha tsisy intsony koa
ianao mpamaky ny " poème "
Irery ny asa soratra
Ho kivy anie ny penina
Raha tsisy intsony moa
ireny penina ireny
Zava-poana ny asa sor... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-valahara/nokasaina | Nokasaina | Ilay Valahara | ……………..Nokasaina…………….
Anaka,
Tsy dada akory no faly hampihanta
raha manome anao izao rehetra izao
fa tsy tiako ianao hitsiriritra ny an’ny hafa
kanefa izaho mbola mahavita izay azoko atao.
Aleoko mihitsy izaho no miaritra ny mafy
toy izay ianao no hiafiafy
amin’izay rehetra ilainao.
Tanjoko dia izao :
Tsy ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/hanoratra-ho-anao | HANORATRA HO ANAO | Joda Razakasoa | HANORATRA HO ANAO
Nobaikon'ny tantara
f'izaho dia manana anjara
hanoratra ho anao
sy hoan'izao tontolo izao,
nateraky ny ainga iray
izay tam-poko mandrakizay
ka harafitro hatrany,
hahafoana ny sento sy tomany,
nobaikon'ny vintana
f'izaho ilay kintana
hamiratra ho anao
sy hoan'izao tontolo izao,
hitondra ha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-tia/saino-aloha | SAINO ALOHA | Ilay Tia | Mba ahoana ny fihevitrao raha hiofo ny domoina ka hivadika ho tsiriry?
Hataho-drano mitatao ilay hany nokoloina ka hiserana tsy haniry
Mety hamela ratra ve irony rano izay navelany na dia kapain-tsy hita fery?
Izay nifehy ny tsy resy nandemany ny elany lasa toa nangaina irery
Hiserana izy tsy hitoetra ka hafoiny ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/fitia-sy-ny-taona | fitia sy ny taona.. | kanto sarobidy | Nitsirim-pitiavana iray voarara..
Lazaina tsy mendrika fa maramara..
Nosomparan'ny saina tsy nihevitra akory
hoe ny FO tena tia raha voafefy dia ory
Ambara tsy miendrika fa voadidy
Sakanana mafy mba tsy hanan-tsafidy
Satria eh, FO tapany ekena fa kely
Kanefa matsiro tsy ilaozan-tantely..
Moa ve ny taona mandref... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/raha-mba-fantany | Raha mba fantany! | JNB | Raha mba fantany ny tolona ao anatiko ao
raha mba fantany ny fijaliako izao
raha mba fantany fa tiako izy
eny!raha mba fantany fa mbola iriko izy
tiako izy saingy tsy natao ho ahy intsony,
tiako izy fa ny fony tsy amin'izany intsony
efa manan-tompo izy,
ka tsy afaka ny ho ahy intsony
raha mba fantany fa misy ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djah-hco/ilay-andro-talata | ILAY ANDRO TALATA | Djah Hco | Tsy maty ato an-tsaiko ilay andro talata mba iombonanay,
fa toa mandololo ato an-doha na dia iniako tsy tadidiana.
Fa angamba kosa hoy aho mba hazo maina ka mety efa may,
ilay fefim-pitiavana nampisara-po ka tsy hisolofoka rahoviana.
Fa miloko manga ilay andro talata ka rakodrakofan'ilay hafaliana.
Fa tsy tahak'il... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/ny-lalam-piainana | Ny lalam-piainana... | kanto sarobidy | misy fo iray tomany,foana mitaraina
miaritra ny jaly izay mandrotika ny saina
misy fo koa malahelo,mandrotsaka tomany
mitaraina hatrany noho NY hetraki'ny tany
misy saina iray manjohy,tsy mety manadino
ny zavatra niainany, ka nivadim-po tsy nino
misy saina koa tsy laitra,mikiry ny ho tiana
na efa ka nilaozan'ito... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/tohatra-fiakarana | Tohatra fiakarana | Laharthe | Asa re angamba,
Na izaho no jamba?
Ka tsy mba mahita
Ireo zavatra vita.
Sa kosa angaha
Tsy mahay mizaha,
Ka tsy nahatsikaritra
'Zay mahafinaritra?
Izaho mihitsy ve
No tsy mba mandre?
Ka tsy mba naheno
Izay efa naneno?
Kanefa ny sasany
Midera ny asany
Mahatsiaro faly
Fa hoe afa-jaly...
'Zaho ve no adala
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elabakaka/mbola-tia | Mbola tia | Ny Avo Elabakaka | Mitroatra kely foana ny foko hatramin'izao
Raha vao mahita anao
Tsy mety mino mihintsy hoe: vita ny amitsika
Tsy mety mangatsiaka e!
Mbola tena tia.
Saingy ny anjara tsy mila faniriana
Tsy mila mihaino akory hoe itsy tia sy tiana, fa...
avy dia mandahatra
Tsy mila tonga lafatra
izay voasoratra dia vita.
Eeeee... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/georges-andriamanampy/toa-tsy-aiko-hadinona-tsa | toa tsy aiko hadinonatsa | Georges andriamanampy | toa tsy aiko hadinona
tsaroako lalan-dava
ny saiko manontany foana
anjara ve sa lahatra
fa taitra ny fitiavako
t@ izato hakantony
nilaza aho f'izy no anjarako
ra nandray ny tanany
izy anefa tsy nahalala
izay rehetra noheveriko
fa ny sainy mbola zaza
ka nangina no hany fara heriko
ny hany azoko natao
de na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/jesosy-irery-ihany-ny-fi | JESOSY IRERY IHANY | Tsitohaina Mamitiana | JESOSY IRERY IHANY
Ny finoako dia iray ihany
Dia i Jesosy irery hatrany
Mino aho f'ianao toa ahy
Mino an'Andriamanitra Ray,Zanaka sy Fanahy....
Izy no namorona izao rehetra izao
Na ny hita maso na ny tsy hita,
Izany rehetra zany foiny ho anao Ka namoizany ny ainy ho antsika
Tiany foana isika na dia mpanota
Tia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/banganao-andro-vintsy-mo | BANGANAO | Zay LAFATRA | BANGANAO
Andro vintsy monja dia tsy ho eto intsony ianao!
Toa tebiteby lava no hiainako amin'izao!
Ny andro tsy ahitako anao,toa tsy mba andro!
Mosarim-pitiavana ny maraina sy antoandro.
Ny banganao anie ka fijaliako mitafotafo,
na ny ora tsy ahitako anao dia novidiako lafo.
tsy te ho banganao aho ka mba hevero ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/iny-vehivavy-iny | tsiambarantelon' iny vehivavy iny | Ny tohaina | Fa iny vehivavy iny niaritra ny mafy
efa saiky maty
moa mba fantatrao fa nopotehanao ny fony
ireny tambitamby nanjary tsisy intsony
tandremo re ny tsiny
fa maty vono anie izy iny
Totohondry miampy daroka
felaka sy kapoka
ady foana isan'andro
taloha anefa ianao mahay manangolango
" Omeko anao ny kintana e!
Om... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/tiako-raha-miverina | TIAKO RAHA MIVERINA | Zay LAFATRA | TIAKO RAHA MIVERINA
Vao iny aho nahay nitia dia ianao irery ihany,
no niatsipazan'ilay fitiavako nisy tery tsy nety lany.
Efa tany ambadik'Imanareza no nitiavako anao,
mbola tsy nitsahatra izany ankehitriny izao.
Ela zay,ela be raha ny lasa no tadidy,
fa ny mitia anao tsy hataoko hahakivy!
tsy ho kivy io,na tia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-tia/raho-manga | RAHO-MANGA | Ilay Tia | Hasambarako ilay ora hitopazan'ity saiko any aminao ry Tiana
Fiadanako ilay nofy hahatsiarovako ny lasa izay mamelo-paniriana
Kanefa ranomaso lava no iainan'ity fo ao anaty raho-manga ombieny
Dia raho-mangam-po mafana nga?sa raho-mangan'ahiahy ny tsy ahatomombana ny ho avy no tsampany sy reny?
Angamba hoy aho raho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/fa-anio | FA ANIO... | Joda Razakasoa | FA ANIO...
Rehefa takariva
dia misy bitsik'iva
manako am-peo milanto,
milaza tsy miato
fa kanto loatra ianao,
ny takariva tahak'izao
dia fifaliana ho ahy,
miainga ny fanahy e!
rehefa injay lalovanao,
ny ao anatiko ao?
mibitaka mangina
sy maniry ny ho tiana,
ny tsikitsikinao...
ny feo manganao...
ny fidol... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/alina-indray | Alina indray | JNB | Alina indray
Impiry izay?
Ny saina no nakany
Nisaintsaina izany?
Fa androany!
Meteza re mba tsy ho any
Sao ijaly fa tsy mety aminao intsony ny makany
Eh!Aza mankany,miangavy oa
Raha izy anie oa no jerena
Dia...ny fony sy ny fitiavany tsy azo antenaina
Aza mankany oa!Ny any anie ka...Maina no karakaina!
Hadin... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/rehefa-hariva | REHEFA HARIVA | FahNamby | REHEFA HARIVA
Rehefa hariva eny an_tampon'Ankaratra
Dia maloka koa 'zay ny lemak'Alaotra.
Fa Analamanga vontosin'ny taratra,
Andringitra kosa toa tsy afa_manoatra.
Rehefa hariva ny ranon'Ikopa
Dia takotakona koa 'zay Imamba.
Misosa mora malefam_pitopa,
Fa sasatry ny andro sy ny sasa lamba.
Rehefa hariva ny did... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/mba-resaka | MBA RESAKA | FahNamby | MBA RESAKA...
Resaka no atao, ka tiana mba hateza...
Fa...etsy ianao androany hiangaviako dia meteza,
Hanongilan_tsofina hihaino ny ato am_poko....
Raha ny nanadino anao,
natao fa tsy mba vita e!
Hambon'olon_tiana 'lay nilaza fa tsy tia
Impiry moa nanafina, fa iny mbola hita
nisoritra t'an_tavako ny foko tia an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/fefika | FEFIKA | Fredy Jaofera | FEFIKA
Fefika ny lasa,
any sy tsy hita,
tototra ny kasa
tsy mikitakita.
Fefika ny jaly
nanadala lava,
miala ny voaly,
iny ny mazava.
Fefika ny fery
narary mangina,
izaho samirery
no eto variana.
Fefika ny mafy
nanahirana ahy,
mety ny mifafy,
maty ny ahiahy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/tsy-mendrika-ho-gasy | TSY MENDRIKA HO GASY | FahNamby | TSY MENDRIKA AHO HO GASY...
Gasikarako ô!
Anio abaribariko ny tena ato anatiko,
Aborako aminao ny tena ato an_tsaiko.
Anio no toa misisika,
mibosesika tsy tantiko.
Maningotra ny aiko, ny vitako hatrizay.
Eto am_piandohàna, dia...
mifona sy mivalo,
Mandohalika aminao no sisa azo atao.
F'izaho 'lay fahavalo, na... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/tsy-anjara-ve | Tsy anjara ve? | kanto sarobidy | Fantany efa ela,fa tsy azony atao
Meloka hono izy,raha toa mitia anao
Tsy sitrapony anefa,raha tsy nahatana
Satria tsy voafefy na raran'ity lalàna..
Lalàn'ny fitiavana,resakin'ny taona
Matrokin'ny zavona ka mitondra saona
Rarana tsy navela,hiaraka ho doria
Ilay fo anaty lalim-paka,rakotra fitia
Tsy rava fa naze... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/takariva | Takariva | JNB | Eto amoron'ity farihy
Eto no hanembonako anao
Tonga ny hariva
Dia injao ato an-tsaiko indray ianao
Takariva toy izao
Lasa takarivam-pahatsiarovako anao
Lasa takarivan-tsento
Indrisy mantsy ianao tsy eto
Hariva indray mantsy izao
Dia any izao ianao!
Mety misaina ahy koa ngamba?!
Nefa ny saiko no adala!
Adala... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/masoandro-dify | MASOANDRO DIFY... | FahNamby | MASOANDRO DIFY
Miserana anaty ny tsiahiko ry Dada !
Manembona anao any ambadiky ny onja-
Dia ny onjan'ny fasana tsy mety rava,
Tsy ravan'ny sento fa tena mafonja.
Ry Dada-malala nitrotro ahy fahiny,
Manembona anao 'zao ny foko androany.
Androany no tsapako fa mpivahiny-
Vahinin'i Neny fa namela mamy.
Eee! Fant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/17-oktobre-2003 | 17 oktobra 2003 | Ny tohaina | Any izay ialahy
ela letsy 'zay
Tadidiko isika
teo atsimo-nay
niara-nilalao
ialahy be lelo kely tia manao papango
variana nilalao dia nalaiko ny akanjo
sy ny satrok'ialahy
ka nohentiko nitsoaka
Avy eo ialahy nanenjika nitoraka kapoaka
mihodidina kofehy
ka voatoraka ny lohako dia ialahy nihomehy
Narary letsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.freddy/lasa-izy | lasa izy | R.freddy | Efa ela ihany angamba zay atsika roa no niaraka
Tsisy disadisa fa nahay nifanaraka
Niaraka nivoady fa refa maty vao hisaraka
Indro anefa ankehitriny, zay sahady dia efa tapaka
Niova tampoka ianao fa tsy hay hoe naninona
Ilay izaho nohajainao taloha lasa ataonao tsinotsinona
Manotany tena zaho fa misy inona?
Sa v... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/misaona-indray | MISAONA INDRAY | FahNamby | MISAONA INDRAY !
Manonja anoloako ny ranon'Ikopa
Kanefa ny masoko jenjin'ny tsiahy,
Tsy tazako akory raha sendra mitopa
Mba te hanadino kanefa tsy sahy.
Misioka eto anilako ireo voronkely,
Kanefa ny sofiko mihaino ny omaly.
Tsy ho voafafa ao am_po velively,
Na dia mandratra ny efa mijaly.
Mihaino ahy daholo ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/aza-mbola-havadika | AZA MBOLA HAVADIKA... | FahNamby | Aza mbola havadika...
Aza maika hamadika ny pejy mbola banga fa...
Soraty an_taranoana ho rakitra sy diary
ny fiainana lalovana.
Aza mbola havadika fa sao ianao voapanga dia...
Haratra fo, ny saina koa harary
raha sendra fahatsiarovana.
Aza maika hamadika ny pejy teo aloha fa...
Misy zavatra ao tsy mbola takatr... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/tsy-hampanonona-azy | tsy hampanonona azy | kanto sarobidy | Anivonivon'alina,ny fony no miantso
Miangavy ,mitalaho f'izy mbola tia
Miondrika miandrandra,mikely ny andraso
Fa babonao ny fony ,tsisy lainga sanatria
Tsy hampaninon'azy,na dia sombitsombiny
No atolotrao ho azy,hoe mendrika ny fony
Tsy hampaninon'azy koa na mbola soritsoriny
Izay asehonao,eo anivon'ny tontolon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/raha-lasa | RAHA LASA | FahNamby | RAHA LASA
Raha lasa ny ambiroa
Mandeha ho an'iza moa?
Raha lasa ny vinany
Mandeha ho an'iza 'zany?
Raha lasa ny fisainana
Hivoatra ve ny fiainana?
Raha lasa ilay notiavina
Tsy halazo ve ny ravina?
saino! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.freddy/mba-raiso | mba raiso | R.freddy | Ataoko hoe efa ela angamba
Nifankalalantsika roa
Nefa misy zavatra banga
Tsy mbola voateniko anao koa
Ka androany no haborako
Izay teny kely izay
Na menatra aho na koa mivoraka
Ny ato apoko efa mamaivay
Tsy ho lava resaka aho
Fa izao no ato ampoko
Angamba efa fatatrao
Fa tiko ianao hanaiky ny foko
Miangavy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/milalao-afo | MILALAO AFO | Fredy Jaofera | MILALAO AFO
Milalao afo,
tsy maintsy voa,
na dia safo
no ambara aloha.
Milalao afo,
tsy maintsy mena,
mitatofotafo
raha tsy hofefena.
Milalao afo,
tsy maintsy may,
vidina lafo,
na miseho mahay.
Milalao afo,
tsy maintsy loza,
indro tarafo
fa mivozavoza. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/embona-ny-lasa | EMBONA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | EMBONA
eto am-baravarakely eto
no hitazanako ny lasa
dia velombelon-tsento
ny amin'ny fitiavana voaratra
lasa ilay nantenaina
nandao ahy koa ny silako
ka zary mankarary ny aina
ny tsy ahita azy eto anilako
maro ny lalana lalovana
indrindra ny lalan'ny fitiavako
fa ny ratsy no tsarovana
ka manjombona ny tava... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbinintsoa/ekeko | EKEKO | Mbinintsoa | Ekeko, eny tena ekeko
Ary tsy ho laviko akory
Fa ny Teninao ‘zay reko
Namonjy ahy tsy ho ory
Ekeko Ray ekeko, Ianao
no nanolo-tanana ahy
nanavotra ary nanavao
nanome ahy ny Fanahy
Ekeko, ekeko tsotr’izao
Fa tan-davaka lalina
aho no nosintominao
K’indro tafandry alina
Ekeko, eny ekeko doria
Fa novidianao la... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/nahoana | NAHOANA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | NAHOANA?
Nahoana aho no maditra
ka tia tsiriritra
ity izao tontolo izao ity
izay tany fandalovana fisiasia
nahoana ity foko adala
minia tsy mahalala
afa-tsy ny ditra
hita fa tsy ho ritra
izany hono aho no kristianina e
kanefa maty hanina
amin'ireo karazam-pahotana
indrindra fa ny fijangajangana
lozako mari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joey/arindriko-ny-foko | Arindriko ny foko | TM | Maro ireo fotoana niainako ny haizina noho ianao ry tiako
Nosembaninao rahona matevina ny anjara fifaliako
Dia tsy nosaininao ny mety ho voka-dratsin'ilay fitiavan-tena
Nanitsahinao tsy nisy hantra akory ny foko nanantena
Tsy tahotra, tsy henatra, toa zaza diso hanta
Tsy mba nanaiky diso, ny anao ihany no marina
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/resim-pitiavana | RESY ILAY FITIAVANA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | RESY ILAY FITIAVANA
nisy teny tsy ambina naharava finamanana
nisy tsiaro kely nandatsahan-dranomaso!
nisy fo naratra tamin’ny resaka fitiavana
nisy endrika mimalo fa resin'ny ankaso
ilay masoandro mitondra tsiky isa-maraina
no indro tako-drahona ka tonga haizim-pito
diavolan-tsasak’halina izay mba nantenaina
Ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel.r/indrisy | Indrisy | Daniel.R | Indrisy,indrisy mantsy
Hoy ilay diso fanantenana
Izato fony toa voatsatok'antsy
Fa solafaky ny tany malama
Indrisy raha sendra solafaka
Indrisy raha misy tsy mety
Indrisy rehefa tsy tafiakatra
Indrisy na dia andro fety
Indrisy f'ianao maneke
Indrisy raha tratry ny nenina
Mouchoir no solon-kahie
Ranomaso no s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tohinilay-tantara-tena-tokoasady-farany | tohin'ilay | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | TOHINY
Sariaka:
eny àry fa tandremo mamitaka ahy eo a?
Nomentsoa:
izaho moa mba oviana no namitaka anao e! ianao izao no....! aleo tsy hotohizako fa sao dia mahatezitra anao eo izany e.
Sariaka:
inona ndray izao izany! hein, ianao a! efa niteny anao aho fa ianao irery ihany no ato am-poko hatramin'izao tsy misy n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/ny-tranonay | Ny tranonay | Ny tohaina | Asaiko ianao hitsidika ny tokatranonay
Voahaingo tononkalo ny rindrina rehetra
Ny valin-drihana mangirana rehefa injay jerena
Ka mipetraka eny koa ireo sarin'ny poeta
Ny fanaka ao anatiny efa tota ihany
Mipirina ao tsara ny boky samihafa
Ny asa soratro rehetra mivalona ao daholo
Ahafahanay mijery ny rakitry ny l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toky/aingam-panahy-ny-aingam-p | AINGAM-PANAHY
Ny aingam-p | TOKY | AINGAM-PANAHY
Ny aingam-panahy
Manainga ahy moramora
Miakatra any an'habaka any
Toa tsy mety miato mihintsy
Fa miakatra avo hatrany
Ka indro ny hiafarany
Ahaingany ny tanako
Hanoratra izay ventsoin'ny tontolo
Ao anaty tononkalo;
Soratako satria
Ny teny anie mandalo
Fa ny soratra mitoetra
Ka dia miraikitra ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ianao | Ianao | Rary Nofy | IANAO...
Tsy haiko izao
Izay hitranga rehefa avy eo;
Fa ny ato an-tsaiko
Dia mbola ianao!,
Ianao,
Ianao no...
Tsaroany
Tadidiny!
Ianao no...
Vetsoany
Kaloiny
Satria ianao no...
Tsy sarany,
Tsy foiny
Dia tsy maintsy...
Embonany,
Tsiahiviny,
Isan'ora,isa-minitra. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ilay-reny-nisedra-ny-mafy | SEDRAN'I NENY | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | sombitantara
SEDRAN'I NENY
fianankaviana niaina tao anaty fahantrana lalina ny ankohonan'ny dada sy neny ary efatra mianadahy izahay no zanany dia izaho no faralahan'izy ireo. Fambolena salady sy ireo karazan'anana no mba fivelomanay tamin'izany kanefa tsy dia mampidi-bola loatra izany fa natao ho sakafo fotsiny ihan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/afa-po | AFA-PO | harylovah | Raha misy ny tsara
mba azoko ambara
raha nampitahaiko ny fiainana an-tany
dia ny mahalala
fa ny olo-malala
mba nizarana ireo zavatra mamy.
Mba mandry ny saina
Raha 'zay nantenaina
no indro nitsiry, namelana kanto
satria izay niriana
nihafihafiana
no tonga fiadanana soa sy milanto
Izany hafaliako
rehefa ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafenomanantsoa-santatra/pesta-mifangaro-politika | Pesta mifangaro politika | RAFENOMANANTSOA SANTATRA | Mafy ny fako eny amoron'dalana
fa tsy laitran'aretina politika
malemy ny mpitsabo nomena alalana
hizaha ireo mararin'ny bibonika
io ilay aretina noforonona
hanenana ny isan'ny malagasy
mantsy ny mpitondra dia mila sorona
hanomanana fifidianana atsy ho atsy
misy milaza ho mahafehy
io aretin'i pitik'i lita
tsy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/mandrampihaona | Mandram-pihaona | Ny tohaina | Etsy ianao fihiniko
faraparany eto an-tratrako
Anaovako ny veloma sy mandram-pihaona lahy
Etsy ianao tantanako
ho porofin'ny fitiavako
Na handeha aza ianao,eny efa ahy
Etsy ianao bitsihako
ny tsiambarantelon-tsika
Dia ny teny hoe " tiako ianao " ,hamerina ny tsiahy
Etsy ianao horohako
ndrao aho tara aoriana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/aza-kivy | AZA KIVY | Ny tohaina | Ny omaly tsy anio
fa androany mitomany
rahampitso ianao mifaly
Ny omaly tsy anio
fa androany paosy sola
rahampitso ianao be vola
Ny omaly tsy anio
fa androany ianao mosary
rahampitso voky vary
Ny omaly tsy anio
fa androany miasa saina
rahampitso maka aina
Penina Misioka |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/ho-anao | ho anao | Ny tohaina | Raha azoko natao
ny nanome anao ny kintana
Ataonao kilalao tsy mba nisy ny tomany
Raha azoko natao
ny nanome anao ny volana
Ataonao jiro kely tsy mba maizina ny tany
Fa ny hany azoko atao
Dia ny manome anao " mouchoir "
hamafanao ranomaso fa fiainana izany
Ampiko vavaka mangina
atolotro ho anao
mba solo tamb... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel.r/afo-ny-fitiavana | Afo ny fitiavana | Daniel.R | Afo ny fitiavana
Ka tsy azonao lalaovina
Betsaka ny sakana
Fahoriana no ho raofina
Afo ny fitiavana
Ka tsy azonao sangiana
Lazaiko indray mitambatra
Fihafiana,fijaliana
Afo ny fitiavana
Mandoro mahamay
Raha tsy vonona ny vatana
Dia aza milomay
Afo ny fitiavana
Ka mora ampiretina
Tsy maty na tondrahina
Ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/raha-toa | Raha toa... | Ny tohaina | Raha toa ianao mahita
Maso mitomany
Ka tsy fantatrao ny tompony
Fafao fa ahy izany
Raha toa ianao mahita
Saina lasa lavitra
Ahy mantsy izy io
Ka sitrano fa tsy avotra
Raha toa ianao mahita
Tarehy malok'endrika
Ka mitovitovy amiko
Ampifalio fa ndrao ho tezitra
Raha toa ianao mahita
Vava tsy be teny
Ka fant... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tohiny-ilay-mahajanga- | tohin'ilay tantara | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | dia lasa i Nomentsoa nandeha fa izy raha teo ko maika ny hijery izay mba voandalana ho entiny any Iarivo ho an'ny ao an-tanàna, ary mbola maika hiverina ihany fa mbola manana fotoana amin'ny sariaka satria mbola ho eny amin'ny bord izy roa hamarana ny vacance sy ny fiarahany teto Mahajanga.
Nomentsoa:
izaho ange ry n... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.