url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/kalo-an-kabary-2 | kalo an-kabary 2 | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | ny kabary r'ilay toy ny voankazo mamy
ka izay ao am-bava dia telina avokoa
tena mamy aoka izany, mamerovero ramy
irony haingon-teny aza manaitra ny fo
ny kabary reroy toy ny voninkazo an-jaridaina
ka mafinaritra jerena sy manaitra ny maso
ny hakantony koa manintona ny saina
koa mainka ny hatsarany ! toa vidina l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/hiaraka-isika | Hiaraka isika | Rary Nofy | HIARAKA ISIKA
Ndao fa ho entiko eny ianao!,
Hiano-poezia,
Hianoka ny kintan'ireo mpianjoria!,
Hianom-pahasambarana,
Eo anilan'ny hazavan'iry...
Volana tomatatra.
Ndao fa ho entiko eny ianao!,
Hivezivezy,
Hirenireny,
Hirimorimo tsy misy fetra,
Eny ambony habakabaka,
Dia ahita ny rehetra,
Etÿ ambany tany.
N... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/rahoviana-ihany | Rahoviana ihany? | JNB | Rahoviana vao ho foana ny sento sy tomany?
Nefa moa vao androany ve izany fantaniana izany?
Fantaniana foana mipetraka
Rehefa injao ka tsapa ny entana fa mavesatra
Raha ny valiny?Misy ihany izany
Saingy hanova ny androany ve ny fisainana an'izany?
Nefa na ho voavaly na tsia izany fanontaniana izany
Dia ny omaly ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/n.fanantenana/embona | EMBONA | N.Fanantenana | EMBONA
Eee!Manirery izaho 'zany
Lasa embon'any ho any
Mahatsiaro ny tanàna
Ny fianakavina sy ny akama
Any zay 'lay Dadanay
Any koa i Mama zay
Ry zoky sy ry zandrikely
Zah kos'aty toa manirery!
Rehefa hariva toy izao
Dia vita sary an-tsailko ao
Ny zava-misy iainana any
Eee,Mampanembon'any zany!!!
I Mama zay... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/lasa | Lasa | JNB | Lasa
Lasa ianao ry saiko
lasa nanidina any ho any
ny zavatra saika hotontosaiko?
lasa noentinao any
fa roviana ianao vao mba tsy hieritreritra an'izany?
ny ankehitriny no andefasana vinany?
na omaly,na androany dia mandalo ihany izany
ianao ry saiko,farany dia ho lasa adala any
fotoana ianao miverina any amin'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joey/misy-fotsiny | Misy fotsiny | TM | Misy andro malahelo, malomaloka manjombona
Misy andro falifaly, mahamirana ny saina
Misy andro mibaliaka, mankahery, mampiombona
Misy andro mampisaraka, mampiady, mampalaina.
Misy olona mitia, tso-po, mahay mizara
Misy olona mihazona ny soa ho azy irery
Misy olona mandefitra, mivoy ny toetra tsara
Misy olona nat... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antso32/ny-omaly-ny-ampitso | ny omaly? ny ampitso? | Antso32 | Toa sarotra adinoina
Toa sarotra vonoina
Ireo lasa fahiny
Kanefa tsy azo omena tsiny
Fa matoa mbola ao an-tsaina
Tsy mety miala fa malaina
Angamba ilaina ihany
Ny fisiany sa tsy izany?
Nifangaro tao daholo fihetsem-po be dia be
Tsiky,tomany,hanihany nampiomehy
Ary ny ho avy hanao ahoana?
Inoako fa hahafinari... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ahy | AHY | Fredy Jaofera | AHY
Ny fankatoavana
fa ahy ianao
no fahasoavana
tsisy raorao.
Ny fahafantarana
fa ahy ianao
no hasambarana
ka hirahirao.
Ny fahatsapana
fa ahy ianao
no efa nahalalana
tsiky vaovao.
Ny fieritreretana
fa ahy ianao
no nandrafetana
ny tiana izao. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/fantatro | FANTATRO | JNB | Fantatro
Fantatro fa hanome tsiny ahy ianao ry ilay olona iny
Hanozona sy hiantso tody koa ngamba?!
...Noratraiko mantsy ny fonao iny
Nofaranako ny diha,eny nofaranako mantsy ny tantara
Nefa,raha mba fantatrao ny ao an_tsaiko!
Mantsy raha mba fantatrao fa ianao anie ka lalaiko!
Mantsy raha mba fantatrao ny anton... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/aleo-izy | Aleo izy.. | kanto sarobidy | Aleo ho izy ihany,no hanjera izay najoro
Izay nanorenany aoka izy no hampikoro
Fa aza ianao mikitika ny tiany sy napetrany
Fa azy ny tontolony ny didi sy ireo fetrany..
Aza akory ianao,misaina ny anadino
Na mafy sy mafaitra ary intsony koa tsy hino
Fa izy no nametra ny ao am-ponao tsy ho any intsony
Ka aleo hija... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/halako | HALAKO | Ny tohaina | Halako ianao,ry fianarana
Mampijaly ka aiza 'zay vola?
Ny voloko mantsy efa miongotra
Sady sola no fotsy tanora
Ny masoko mangirifiry
Ny tanako sasa-mikiry
Toa ezaka raraka an-tany
Miana-desona be faharany
Penina Misioka |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahoriana | NY FAHORIANA | Fredy Jaofera | NY FAHORIANA
Ny fahoriana
mahamatotra,
na tsindriana.
fa namatotra.
Ny fahoriana
mahamazana,
na tsy nirina
sy notoazana.
Ny fahoriana
mahahendry ,
na nijaliana,
tsy fikendry.
Ny fahoriana
mampiezaka,
na nihafiana,
sy nitofezaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antso32/tara | Tara | Antso32 | Indrisy tara loatra
Tara loatra vao nahasahy
Indrisy tara loatra
Tara loatra ianao ry lahy
Fony izy mbola tokana
Dia nolanianao nibanjinana ny hakantony ny fotoananao
Ka tsy tao an-tsainao mihitsy ny niteny hoe "tiako ianao"
Noheverinao mantsy fa ho eo foana izy
Kinanjo tsy izany no izy
Izao izy efa lasa
Eny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antso32/tiako-ianao-kanefa | tiako ianao kanefa | Antso32 | Tiako ianao
Tiako ianao?
Tiako ve ianao?
Tiako ianao kanefa
Tiako ianao kanefa
Toa voasembatsembana
Ilay fitia izay tiako omena
Sady tsy azoko terena
Voasembatsemban'ny fiainana
Samy manana ny làlany
Izaho sy ianao raha jerena
Tsy antenaina hifanena
Tiako ianao kanefa
Toa kely ny finoako
Satria ianao efa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/fetiny | Fetiny | Rary Nofy | FETINY
Ankehitriny izao,mifety izay mifety,
Mifety tsy an-kihamba!
Manao izay tiana atao,amin'ny resaka lamesa.
Ao no mifety an-tsingerin-taona,fikakaloana koràna;
Ny fety mariazy,mifanesy foana foana,
Isan'asabotsy,isan'taona tsy fetra.
Na aiza na aiza tany aleha dia ahitana azy daholo!
Fotoanany koa izao ny l... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/tsiky-dia-ampy | Tsiky dia ampy | vals cristian | Ny tsikinao dia ampy ho ahy
Hampanginako ny fitiavako
Sy izay nikiky, nandratra ahy
Nahavahotra ny vavako
Ny tsikinao dia efa ampy
Hanadinoako ireo tsiahiko
Ireo fijaliana izay tsy tanty
Nandrotika ny atifanahiko
Eny e, ampy ho ahy ny tsikinao
Na dia hoe tsikim-pandrangitana
Rehefa izay no sitrakao
Dia ataok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/hay-moa | HAY MOA! | JNB | HAY MOA!
Kivy aho,malaina sady ketraka,
mananoloana ireto ady,ity etako toa mavesatra,
fa nahoana loatra re no zakaiko izao?
tena leo aho,tena efa lao
ilay masoandro toa dify lalandava,
ny aizim_pito no manjaka sady mandrava
fa inona no tsy mety e?
sa ny tenako mihitsy ve no voahozona e?
kanefa itako fa kay ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-foko-no-poety | NY FOKO NO POETY | Fredy Jaofera | NY FOKO NO POETY
Ny rima izay mivoaka
raha toa ka metimety,
tsy nampiasana toaka
fa ny foko no poety.
Ny ainga izay misosa
raha ambara vetivety
tsy mirediredy kosa
fa ny foko no poety.
Ny vetso izay mitsiry
raha feno sy tia fety,
tsy tery na mba kiry
fa ny foko no poety.
Ny kanto izay miseho
raha harena s... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/mbola-ianao | Mbola ianao.. | kanto sarobidy | Tsy laviny fa nisy ny siokam-panadala..
Fa mbola ny anaranao no nekeny fa malala..
Tsy laviny fa nisy koa ririny mamanala
Fa na tsy teo ianao,mbola kaloiny hoe malala
Ekena,mba narary ny fo fa alavi-tiana
Fa mbola ianao hatrany no vetsoiny fanirina
Ekena fa irery izy nandritry ny alina marofy
Fa mbola ianao foan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/manaiky-aho | Manaiky | Ny tohaina | Zandry aho fa tsy zoky
Noana aho fa tsy voky
Ka rariny aho raha resy
Hay andraso vetivety
Tsy tezitra aho nikalo
Dia aza raisina fahavalo
Penina Misioka |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/nofy | NOFY | Ny tohaina | Omeo toaka ho sotroiko
Hanalako sorisory
Omeo fandriana hatoriko
Rehefa mamo aho dia hatory
Dia tsy te-hifoha intsony
Aleoko anaty nofy fa ao aho mahazo tombiny
Mantsy rehefa ao dia samy tsisy tompony
Na izaho na ianao
Afaka mitia na dia samy manana
Nefa nofy ihany izany
Hay isika moa mpinamana
Penina Misiok... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elabakaka/ilay-tsikikeliko-iny | Ilay tsikikeliko iny | Ny Avo Elabakaka | Niniako fotsiny, ihany
Mba tsy handrotsaka tomany
Teo imasonao, teo anilanao
Ilay tsikikeliko iny
Raha iny ianao niteny
Hoe: aza omena tsiny
Raha tsy afaka hanantena, ny foko izato ianao...........
.....Teo imasonao, no hany aho mba nifaly
Fa... rehefa lasa ianao dia
nirongatra ny jaly
Dia lasam-berovero
Nia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikalamako/saingy | Saingy | Ikalamako | Nateliko ilay rano
Masiakan'alikaola.
Mafana ny atiko any
Main'ny te hisaona.
Fa ny alaheloko
Tsy lefin'iny akory,
Ny foko efa fefika
Mbola he mamolivoly. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/tsy-tankatro | TSY TANKATRO | JNB | TSY TANKATRO...
Tsy tankatry ny saiko hatramin'izao,
tsy tankatry ny saiko ny famonjena vitanao
nefa tsy noho izany ny mahatonga ny fanompoko anao mangatsiaka,
tsy aiko Tompo o! tsy aiko foana ny mitahiry ilay fitia tsy mety ritra,
tsapako anefa fa rehefa lavitra anao
dia...
tena tsy mety izay atao,
mandamoaka ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toky/lasana | Lasana | TOKY | Lasana
Maty anaty iray minitra,
nangiana tao ny fitiavako
Maty anaty iray minitra
Izato havana malalako.
Maty izy atao ahoana
fa izay moa no anjara
F'efa levona sy foana
ilay fitiavana voarara.
Maty izy;izaho irery no higoka fijaliana
Manoloana izany fiainako
Tsy eto intsony ianao ry tiana
Tsy eto ianao mba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/hitia-anao | Hitia anao | vals cristian | Hitia anao aho
Eny, tsy hitsahatra ny hitia
Na dia tsy mba jinerinao
Ilay fitiavako satria
Tsy hananako mantsy ny hatsarana e
Indrindra fa ny bika sy ny endrika
Mbola trotrahin'ilay fahantrana
Ka ataoko angamba aho fa tsy mendrika
Ny mba ho tiavinao akory
Na hoe hiara-dalana aminao
Saingy, tsy mahalala izay ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/dia | DIA... | JNB | DIA...
Ilay masoandro nilentika
maizina tampoka teo ny volana,
dia...maizina ihany koa ianao ry tany,
ianao koa ry foko!
dia nangina nanarak'izany,
fa nankaiza sahady ny masoandro?
toa takonan'ny rahona ny volana?
maizina ny tany!
dia nangina teo ny foko tao aorinan'izany,
tsy nihaino ilay adala intsony ireo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/leo...2 | LEO... | RFE Andria | LEO...
Leon'ny fanimbazimbana
ny tenindrazana lalaiko
Leon'ny fanivaivana
ny tenindreny izay hajaiko
Tsy henatra, tsy tahotra
ny tsipeliny ovaina
tsy an-kiahotrahotra
ny sorany ratraina
Izaho 'zareo ilay leo
ka aleoko dia miala
Leo manandra-peo
sao ho lasa adala
Tsiky Arofanina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/faka | FAKA | Fredy Jaofera | FAKA
Fakam-panambinana
ny mahay mifankatia ;
'zay no fahamarinana
ho tretrika ho doria.
Fakam-pahasoavana
ny mba mifankahazo
rehefa atao finiavana
tsy hahavoan'ny tazo.
Fakam-pahombiazana
ny hanjakan'ny rindra,
n'aiza no hamafazana
ny hampety indrindra.
Fakam-pandaharana
ny mifampitsinjo koa
ka hampanara... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toky/misy | Misy | TOKY | Misy
Misy diam-peniko
ao anaty diarinao
Misy diam-peniko
izay tsy voakosokao.
Misy taram-piainako
nolazaiko anao
Kanefa misy koa ny fiainako
Izay mbola tsy hitanao.
Misy dian'oroko
any amin'ny molotrao
Misy dian'oroko
toa tsy voafafanao.
Misy dian-tanako
anaty bokim-piainanao
Misy dian-tanako
izay tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/miandry-fiverenana | MIANDRY FIVERENANA | Joda Razakasoa | MIANDRY FIVERENANA
Raha mba teto mantsy ianao
ry voninkazo fanaperana
nanasitrana ny foko,
dia tsy ho toy izao
hoe tojo elanelana
ity lanitro toloko,
manjary lasa tsinana
ny diavolana baliaka
nilalaovan'ny fitia,
feno zava-manahirana
ny paradisan-tsika
fa nisampana ny dia...
ao an'eritreritro ao!?
fitodih... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toky/nifandao | Nifandao | TOKY | Nifandao
Nifandao isika roa,
satria resin'ny anjara.
Nifandao isika roa,
vita teo ny tantara
Nifandao isika roa,
rava teo ilay fitia
Nifandao ho doria,
dia nifandao tokoa. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/aza-manaiky | AZA MANAIKY | RFE Andria | AZA MANAIKY
Aza manaiky ny tsindry hazo lena
sy izay mety ho famefifefena
iadio mafy raha ny fahafahana
isikino tsara koa ny valahana
Aza manaiky faneriterena
fanaovana zinona ny firenena
tandrovy mafy ny fahalalahana
aisory izay be bahambahana |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ako/mahay-mionona | Mahay mionona | Rahira | Mahay mionona
Maditra ny foko raha toa ka tsy honona
fa hitampify amin'ny hazo nandratra.
Sahaza ho azy ny teny natao
Ampy hampangina ny maso tsy nierika
antsoin'ny vava efa vizan-talaho.
Maditra ny foko raha mboka hitroatra
hitady sakaiza efa lasa sy dify
Adala ny foko raha toa ka hikasa
hiantso ilay ora efa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/hiaraka-hitolona | HIARAKA HITOLONA | Joda Razakasoa | HIARAKA HITOLONA
Handeha hiaraka hitolona anaty asa-soratra
raha toa ianao poeta tena tia tanindrazana!
ny fery navelan'ny mpanjanaka,ekeko mbola manolatra!
fa ny tanindrazan-tsika e,aza avelanao ho ngazana!
fa fantsio an'eritreritra,
ataovy mandravaka ny efitrin'
ny tontolonao rehetra,
ary ataovy tarigetra
ho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-fitiavan-tanindrazana | NY FITIAVAN-TANINDRAZANA | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | FITIAVAN-TANINDRAZANA
inona moa ny atao hoe fitiavan-tanindrazana ankehitriny?
ny hoe fitiavan-tanindrazana
dia toa mifono fitiavan-tena
izay tsy ahitam-pahobiazana
mba ho tombontsoam-pirenena
ny hoe fitiavan-tanindrazany
dia teny fampiasan'ny mpitondra
ho entina hanandratana ny lazany
ao anatin'ny fotoana vit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/toky/tsy-mety-tony-ny-fanahiko | Tsy mety tony ny fanahiko | TOKY | Tsy mety tony ny fanahiko
Tsy mety tony ny fanahiko
misaina izay anjarako
Tsy mety tony ny fanahiko
misaintsina ny tantarako.
Tsy mety tony ny fanahiko
hatraiza re ny fijaliako
Tsy mety tony ny fanahiko,
aiza ianao ry olon-tiako.
Tsy mety tony ny fanahiko
misaintsina ny fiainako
Tsy mety tony ny fanahiko
Ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/mba-meteza-re | Mba meteza re... | JNB | Mba meteza re...
Voninahitra anie ho anao ry ilay avo indrindra
Ianao ilay mbola mitantana sy mandrindra
Raiso re ny vavaka izay asandratro
Meteza re mba tsy andositra ny tavako
Fantatro fa tsy mendrika anao aho
Satria re na dia mino sy efa nanolo-tena ho anao aza dia manalavitra foana anao ihany ny tenako
Nefa ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/nofiko-hono | NOFIKO, HONO... | RFE Andria | NOFIKO HONO...
Nofiko, hono,
fa nifankatia
sy niara-dia
isika sy indry
Dia nifampisangy
nifamangivangy
nilalao voahangy
Tsy nahalala nody
tsy nataho-tody
toy ny azon'ody
Dia niara-tsambatra
tsy niambatrambatra
fa tafatambatra...
Hay ka nofy ihany
niserana izany
ka nampitomany...!
Tsiky Arofanina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/georges-andriamanampy/indrisy | Indrisy | Georges andriamanampy | Indrisy ry fitiavako izay ratsy fiantefa
Izato fo sy endrikao nanjary nanjoretra
F'ilay fitiavana zay nokinasanao alaina
Efa anolon-kafa tsy azo hantenaina
Naniry ny mba hiond
ana eo an-tratrany ianao
Hiaraka hiaina ny feom-borona ao an'ala
Kanefa manan-tompo izy ka tsisy azonao atao
Tsy hoe tsy tia anao izy fa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/mamo | mamo | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | mamo
mamo ny fiangolanao
ity foko adala mpiriritra
ary mamon'ny hatsaranao
ny masoko tia pitrapitra
mamo e! mamo tsy nahita intsony
izay mba hiantsampazana
tena mamo te-haka ny fony
saingy mizaka degire ny fandavana !
dia mamo tampona tsy mahatsiaro tena
mamo tanteraka ny angolam-pitiavanao
dia fo mirediredy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/raha-maty-aho | raha maty aho | samiir lien'ju Rafaralah | Raha maty aho anio
Tsy hisy akory ny hisaona
Fa ny tafiotra sy tadio
No mba handringana,hanafoana
Ny tandindona napetrako |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ilay-mahajanga-tohiny | tohin'ilay sombin-tantara | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | tohin'ilay sombin-tantara "tena tia tokoa"
Sariaka:
efa ho avy re nenitoa a!
sssh, nareo koa izany dia efa maika ery
andao ry nomentsoa a, etsy mandrosoa
fa maika ny ahitanao hono i tatie
Nomentsoa :
eny ary e! dia androso tokoa moa izany
nefa izaho ange tsy dia aharitra ela e
fa mbola tena somary maimaika iha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/omeg-ratojo/kala-ngita | Kala Ngita | Omegà Ratojo | Feno mistery
ny ato an'eritreritro
fa. . . mikorina anaty ràko
ny fitiavanao mahery
ry Kalangitakeliko
feno anao ny amiko sy ny hatanorako
ary. . . babo akia ilay bandy a!
izay sisa teneniko
fa efa mila anao sahady
ny ato an'eritreritro |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ahoako | TSY AHOAKO | Fredy Jaofera | TSY AHOAKO
Tsy ahoako ny halavirana
rehefa misy ny fitiavana,
mazam-be ny fifikirana,
toy izany ny finiavana.
Tsy ahoako ny harerahana
rehefa misy hasambarana,
tsy mba misy fanebahana
fa hafaliana azo ianarana.
Tsy ahoako ny hafanana
rehefa tanjona ny ho any
fa tsaroana mahatamana
sy feno tsiro tsy hita lan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/hangina-aho | HANGINA AHO... | RFE Andria | HANGINA AHO...
Eny ho'aho, hangina aho
ny ranomasoko nitraho
efa tankina sy ritra
ny foko: rovitra sy triatra...
Fa nitia aho, eny babo
ny fitiavako niabo
nihanafana sy nisonga
nitrebona, nirongaronga
Saingy izao dia voatery
- sao hanolatra ny fery -
hokobonina, halevina
fonosan-dandy soa matevina
Koa hang... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/holatra | HOLATRA | Fredy Jaofera | HOLATRA
Holatry ny lasa
ny fanadinoana
fa tsy mba nikasa
ny firavoravoana.
Holatry ny fery
ny fankahalana
fa biby namery
ka dia nialana.
Holatry ny mafy
ny ahiahy nizotra
fa tsy nampitafy
ny tsara sy tsotra.
Holatry ny vita
ny sintaka nisy
fa tsy nampita
soa re, indrisy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ilay-mahajanga | tena tia tokoa | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | sombin-tantara mitondra lohateny hoe : ""tena tia tokoa""
(tany mahajanga tany no nisehoan'ny tantara)
Nomentsoa : (miteny irery)
vetivety ihany rangaha izany fialan-tsasatra teto mahajanga izany ka, fa taiza koa ary Sariaka nandritr'izay roa volana izay no izao vao hita)
ialahy ity marina moa izany ry Nomentsoa
t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/traniha/valin-kafatra-ho-ani-rado | Valin-kafatra ho an'i Rado | TRANIHA | Valin-kafatra
Jenjina aho nivoaka teo
Niampanampana sy fanina
Fa nahoana loatra re
Ty olon-tia indray no afarana ?
Tsy nampoiziko ho izaho
No irahinao ho any
Izaho ilay tonga hamangy anao
Nanantena ity akany
Noezahiko ho tadidy
Ireo hafatrao rehetra
nianarako tsianjery
nampiononiko ny foko
nahareziko ny sa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ataoko-ahoana | ataoko ahoana | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | ATAOKO AHOANA?
ataoko ahoana no fanadino
ny lasa niarahana nikolo?
ary ataoko ahoana ny hihino
Fa rava ilay fitiavana najoro? |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/ity-fehezam-boninkako-ity | ITY FEHEZAM-BONINKAZO ITY | Joda Razakasoa | ITY FEHEZAM-BONINKAZO ITY
Ity fehezam-boninkazo ity dia atolotro ho anao,
ho mari-pamatarana fa tia anao ny foko,
saingy manjombona kosa ao anatiko ao,
mahatsiaro misento fa hay tena hadisoako
ny namboraka fitiavana,
ity fehezam-boninkazo ity dia atolotro ho anao,
ny hanitrany rehetra no aoka hamerovero!
mba an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/noho-ny-fitiavana-2 | NOHO NY FITIAVANA | Fredy Jaofera | NOHO NY FITIAVANA
Raha nisalasala aho
dia noho ny fitiavana
fa tsy ny izao sy izao
na noho ny finiavana.
Raha nangingina aho
dia noho ny fitiavana
fa nisento ka anjakao
ny foko tia mihavana.
Raha nihenahena aho
dia noho ny fitiavana
fa voasedra ka fafao
ny fery tomandavana.
Raha nihafahafa aho
dia noho ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/tsiaro-manadala | Tsiaro manadala | kanto sarobidy | Misy tsiaro tsy hay adino fa mifikitra ato anaty
Tadindon'ireo ratra,tsy mety levona ao am-po
Mikiky sy mandrava ny ati fo mila tsy ho tanty
Fa maika koa mitsiry sy mamoha tsy mety ho lo
Misy tsiaro tsy hay hakisika ny aminy rehetra
Mandindona anoloana,tsy manaiky ny ho lembenana
Tsiaro tsy hay tohaina mitsihy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/tsy-inona-akory | TSY INONA AKORY | JERY | TSY INONA AKORY
Tsy inona akory ity masoko mena
Fa fanadinoako ny lasako omaly
Hiezaka hikipy amin'ny sisa tavela
Ka handao anao aho na dia efa tsy satry
Tsy inona akory ity sento tsy miato
Fa ozona nafafin'ny rivo-niserana
Dinga-mihisatry ny fo efa katson'
Fery nalaky nihombo ampitoerana
Tsy inona akory izany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/tsy-misy | TSY MISY | JERY | TSY MISY
Tsy misy...tsy misy hahazaka
Raha tia fa noratrain'
Fitaka mpandratra
Tsy misy...tsy misy hahazaka
Raha ilay tiana sy lalaina
No tantanan'olon-kafa
Tsy misy...tsy misy hahataty
Eo ampamoizam-po
Tsy misy...tsy misy hahataty
Raha fo mba zatra niombona
No nizara anankiroa
Tsy misy...tsy misy hahasahy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/noho-io-fitiavana-io | Noho io fitiavana io.. | kanto sarobidy | Hangina aho tsy hiteny,fa ampy ny omaly
Fa mafy ny onja entin'ito rivotrin'ny ankaso
Nitondra fahoriana izay nikiky nampijaly
Ka mampitondra geja mampirotsa-dranomaso
Hikipy aho tsy hisaina,ny zavatra mianjady
Fa mahery setra loatra ny setrin'ny fitiavana
Moa natao hampiferin'aina hatrany ve fa ady
dia atrehina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/maditra-ny-fo | Ny Fo sy saina.. | kanto sarobidy | Maditra ialahy ry fo,mikiry tsy mba laitra
Miaritra sy miafy ny mangidy sy mafaitra
Tsy mba mahalala hononona ny hita efa tsy tia
Sa mbola manantena valin-teny ianao satria....
f'izy mbola tsy nilaza..
fa nanao fitiavan-jaza...
Maditra ianao ry saina,tsy mety manadino
Ny zavatra efa hita tsy ho toa fa mbola min... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/very-anjara | Very Anjara | Tahina Fabien | Inty ventso,zany ventso
Zany foana no ao an-tsaina
Sy mba tenim-pitaraina
Hitadiavako anao
Mitaraina,Mitaraina
Toa miferinaina
Mitoloko sy mangaina
Ka mahatsiaro ho afak'aina
Aiza ianao,hoy aho,aiza ianao
Ilay malalako tsy foiko
Toa tsy mety adinoiko
Dia hiraiko sy Kaloiko
Manina aho,eny manina
Mahatsiaro ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aleo-mitraka/ianao-ilay-mpiatsaravelatsihy | Ianao ilay mpiatsaravelatsihy | Aleo mitraka | Tsy ny fampiononana entinao akory
No hampitony ijato foko ory
Sao dia diso ianao
Tsy ny tsikim-piatsaram-belatsihy asehonao amiko
No hampamirapiratra ny handriko
Fa ny fihetsikao manao tsindrio fa lavo
An’ity fiainako efa malazo
Dia hery hanohizako ny lalako
Hikatsahako ny hasambarako
Na dia izany anefa
Dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/mpandresy-foana-ianao | MPANDRESY FOANA IANAO | Joda Razakasoa | MPANDRESY FOANA IANAO
N(a)'inona n(a)'inona mianjady!
na tahakan'inona olana sy ady
izay miseho eo amin'ny fiainanao,
dia tsarovy fa mpandresy foana ianao,
fisedrana fotsiny io olana io,
fa izao ihany tadidio!
mpandresy foana ianao,
mpandresy amin'izay rehetra atao,
saingy n(a)'inona n(a)'inona miseho
na tsik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/vavaka | Vavaka.. | kanto sarobidy | Natrakako ny lohako,nibanjina ny lanitra..
Mahita ny hatsaran'ny volana sy kintana..
Mantany foana hoe:ao ve ilay Andriamanitra
mijery ny alaheloko rehetra sy ny vintana...
fa maloka ny androko..
ka malemy koa ny sandriko..
Nakipiko ny masoko,nivavaka aho mangina..
Fa mafy ny alahelo,ny sento sy ny setriny..
Ka... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ambentinteny | AMBENTINTENY | Fredy Jaofera | AMBENTINTENY
Ambentinteny mamy
ny hoe : « teny roa »
vao indro re fa tamy
'lay voninkazo soa.
Ambentinteny lafo
'zany « tiako ianao »
raha any ka tarafo,
na tsisy vaovao.
Ambentinteny mora
'tony « Matokisa ! »
vao sento re ny ora
tsy ary voatanisa.
Ambentinteny lava
'zany « iray isika »
raha iny tsy mis... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/didinny-foko | Didin'ny foko | kanto sarobidy | Tsy ho neniko ny vita,iriko mbola hitohy
Ny didy sy ny iraka zay nampanaovina ahy
Ary koa ekeko foana hiandraikitra sy hanohy
Raha mbola izy hatrany no manampy sy mitahy
Tsy ho tsiniko ny hitia,sy hanaraka ny fony
F'izay no adidy tokana hany ampanaovina ahy
Didi nefa sitrako ny tsy hiala aminy intsony
Fa lasany... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/saininy-foana | SAININY FOANA | Joda Razakasoa | SAININY FOANA
Feno fahanginana ny sisin'ny kamory fahalehanareo roa,
dia ilay olon-tianao? mazàna mipetraka eny,
makamaka saina,malahelohelo,misento ao am-po!
indraindray izy iny mangina tsy miteny,
fa mahatsiaro anao,
mifandimby eny an-tavany eny,ny tsiky sy tomany!
ny ao anaty diariny? feno soratsoratra!
sora... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/safononoka | SAFONONOKA | Fredy Jaofera | SAFONONOKA
Safononoka ny andro
misy anao miray fitia
sy indro fa mitandro
hampety koa ny dia.
Safononoka ny ainga
misy anao mamalifaly,
tsapa eto fa tsy lainga
sy feno ako te hamaly.
Safononoka ny hanta
misy anao mihirahira,
tsy mba mantamanta
na angano arira arira.
Safononoka ny mamy
misy anao mamolavola... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/ry-mpanao-compte-fake | Compte Fake | Ny tohaina | Fetsy kosa ianao
Mba fetsy koa ny Raiko
Na misandoka ahy foana
Tsy hahakitika ny aiko
Dia reraka eo ianao
Raha mbola manaratsy
Sasa-poana fotsiny ihany
Tsy hahavita valifaty
Voalotonao ny anarako
Ka maro no mandositra
Saingy mafy koa ny foko
Nofy raha ho potika
Ny tetik'adinao
Efa fantatro tsianjery
Ny ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/manina-anao | Manina anao | kanto sarobidy | Matoa re ny foko midoboka foana
dia efa ela no naniry anao
Efa sasa miandry izy mba ho afa-tsaona
maniry fitia ao am-po vaovao
Matoa ko ny saiko tsy mety mitony
dia manina foana an'ilay olotiana
Mitroatra tsy tana,tsy manaiky intsony
fa manim-pahatsiaroana an'ilay faniriana
Matoa eh,ny androko maloka hatrany
d... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/raha-sendra | RAHA SENDRA | Joda Razakasoa | RAHA SENDRA
Raha sendra tomany ny foko mivetso,
ka mivadika mamirifiry ny volon'andro lohataona,
dia iangaviaka ianao,mba vimbino sy ento!
ireo karazam-panafody manafaka saona,
raha sendra ho maloka ny androko hoavy,
sy hamelovelo ny herin'ny ankaso,
dia iangaviako ianao,meteza mba hitady!
ireo karazam-panafody... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/any-ampoko-any | Any ampoko any.. | kanto sarobidy | Vahatr'ifaharany ny sentonao ry aiko..
ny toerana ato ampoko..
Sehatra andalovany,miraikitra ato an-tsaiko
ny alahelo maro loko..
Toerana sy ankany tsy mandao anao n'oviana
ny fitiavana ato am-poko..
Fa haron'ny fonao tsy ho azom-pahakiviana
na ireo setran'ny toloko..
Fo mitia anao,tsy hanam-pahataperana
ny an... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/satria-firenena-mandroso | SATRIA FIRENENA MANDROSO | Joda Razakasoa | SATRIA FIRENENA MANDROSO
Ianao ry gasikara,ilay nosy tena mamiko!
ianao no tiako sy andrianiko
saingy...
ny kolontsain'ny vahiny no tena maminay,
ary niniana tsy hotsaroana ilay anao fahizay,
matetika rehefa mitia anao amin'ny fo manontolo
dia lazaina fa"olona tamin'ny taona enim-polo"
satria firenena mandroso,... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/vavakolotiana | vavak'olotiana | kanto sarobidy | Ray ô...
Aza ataonao fantany,izao fijalin' izao
f'aleo izy hiaina amin'ny fifaliana hatrany
Aza ataonao tsapany fa misy orana mitraho
Ny manodidin'azy feno fandrin-tsesilany
Ataovy manalavitr'azy ,ireo sento sy toloko
Fa tiako ny hafaliana, hitohy foana hatrany
Aza ampandalovina amin'ireo setra maro loko
Ny fon... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/iny-aliny-iny | iny aliny iny.. | kanto sarobidy | indray alina mangina,izay nitondra nofinofy
nandrendrika ny saiko tsy ahasaraka azy intsony
fa nitondra hafanana,nivimbinan'ireo toky
ka nambabo izato foko,hitampify eny ami'fony
izay alina izay no nampitsiry ny fitiavako
hitia tsy ankisalasala ny aminy rehetra
mbola anaty nofy anefa ka indro tsy voalazako
fa ny... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantsoa/kepoka | KEPOKA | Manantsoa | Maloka aho omaly, maloka aho androany
Latsa_dranomaso hatramin'ny fo no mitomany.
Voadona ka narary; indrisy ry fitiavana!
Misetrasetra ianao sy mitondra sedra mazana
Izao vao tena tsapako ny tena fahalemeko.
Fahoriana foana ve no mba hiainako eto?
Ady ny mitia ary ady tena sarotra
Ny fahatsarana entinao toa mit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/bryans-keyrah/sitra-po | Sitra-po | Bryan's Keyrah | sitra-po
Izaho tsy niady taminao
Ka nahoana ianao no nandao
Miverena ry tiako
Fa ianao no safidiko
Ô zany fitiavako nilaozanao toy izao
Malazo ohatry ny ravi-mangahazo notaran'ny masoandro
Sitra-ponao hoy aho ny nandao ahy
Ka raha tsy hiverina ianao
Veloma fa tsy manahy
Mitso-drano anao aho
Mba ahita izay ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantsoa/nanonofy | NANONOFY... | Manantsoa | Nanonofy aho
Hoe iny isika telo miainaka
No indray nifampitantana.
Sady nifamboraka hoe hiaraka tsy hisaraka;
Hoy ilay nofiko alina.
Eny ... Tokoa fa hafahafa
Izaho nantsoina dada,
Ianao natao hoe mama
Ankohonana iray natambatry ny anjara;
Hoy ilay nofiko alina.
Fa hoy ilay nofinofy:
Na tsy zanako aza izy in... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aleo-mitraka/avelao-aho | Avelao aho | Aleo mitraka | Avelao aho hitomany
Fa ny ranomasoko,hanasa ny tasi-paharesena eo amin'ny tavako
Raisiko ampahalemena ny fahareseko
Antenaiko fa mbola ho avy ny valim-bavako
Avelao aho hitanisa
Ireo efa vitako ka nahandoro nahamay
Ato anatin'ny fahoriana no mamisavisa
Ny fandresena nandrandraiko hatr' izay
Avelao aho hisento
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/fony-mbola-tsisy-ny-iraka | Fo mikiry | kanto sarobidy | Fony mbola tsisy ny iraka natao
No efa ianao niteny ary ko nanafatra
Nilaza fa tsy mora tsy toy izay fanao
Ny hanarina ny fony ketraka sy sasatra
Raha nihevitra fa mora ny haka izato fony
hambabo ampahatsorana ny fo tsy misy fitaka
ka nanam-paniriana fa hitsimoka sy hamony
ireo toky izay omena,fitia miampy sitra... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/bandy-mamolava | bandy mamolava | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | BANDY MAMOLAVA
izaho ilay bandy
sakaizan'tavoahangy
dia mamolava
sy mitabataba
eran'ny tanana
ka dia higagana
ary mpanankorontana
rehefa ao am-pivarotana
ka mifamaly amin'ny mpivarotra
ka mandeha ny hompa, izany moa tsy sarotra
ary miafara amin'ny hadiady
nefa ny tena tsy dia misy sandry
dia ilay mpandry a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/alohanny | ALOHAN'NY | JERY | ALOHAN'NY...
Mitazatazan-davitra
Dia lasalasa vinany...
Mba te handre izay tatitra
F'efa sambatra izy any
...ary tena nanadino...
Eee...Mitazatazan-davitra
Alohan'ny hitomaniako... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/hatraminny-farany | HATRAMIN'NY FARANY | FahNamby | HATRAMIN'NY FARANY.
Fony ianao vao tazako
d'efa tsapako nidoboka mangina ho anao
Ny tao am_poko tao,
Tsy akory akia malala sangisangy 'zay voalazako a!
Fa aina mba naniry ny hitoetra anilanao,
Fotsiny tsy teny na fitaka tsy akory
Raha nilaza "TIAKO IANAO"
Tsy sanatria akia, anaitranao matory anaty nofy mamy
No... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/any-ho-any-misyt-any | any ho any misy tany | Raims randriamalala (mahavonjy aimé) | any ho any misy tany
any ho any
misy tany
resin-jadon'ny mpitondra
ka raha iny hanohitra hiteny
dia efa miandry anao ny fonja
sy ny basy maro vava rehefa eny an-dalana eny
any ho any
misy tany
mihorohoro andro aman'halina
toa tsy mba misy filaminana
toa korontan-tsaina lalina
noho ny tabataba tsy misy fahan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/nisy-anao | Nisy anao... | kanto sarobidy | Raha mbola tsy arÿ akory ny tao amponao tao
No efa nisy tia sy naniry anao ho namana
Miandrandra valiteny mahafa-po raha sitrakao
Ny fony izay mitia antsokosoko tsy hay sakanana...
fony mbola tany anatinao ny fahazazana
no efa azy nitsiry tao anatiny ny fitiavana
fa tsapana na kely aza dia nisy fahabangana
ny fi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/milalao-vovoka-irery | MILALAO VOVOKA IRERY | Joda Razakasoa | MILALAO VOVOKA IRERY
Milalao vovoka irery...
ery am-body tamboho ilay sakaizanao,
mahatsiaro tena very
hono izato izy,sady marary ao am-pony ao,
fa lozanao nandao
ry ilay kintana namiratra nanazava ny tontolony,
izao tontolo izao?
fampaherezana no hany sisa mba atolony,
feno embona sy tsiahy,
ny takelaka an-d... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/voady-analitara | VOADY AN'ALITARA... | FahNamby | VOADY AN'ALITARA
Malala a!
Eto anatrehan'ilay Nahary antsika,
no hanaovako voady.
Eny! hanolorako ny toky
ho antoky ny fiainan_tokatranontsika.
Ka na ory ianao na manana
dia anilanao ny foko,
na ho faly na marary, mety hisedra koa toloko,
dia ny misinao dia misiko,
tiako ianao ka tiako.
Hanaja anao hatrany a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/ny-faniriako | Ny faniriako | kanto sarobidy | Malala..
raha azoko nomena ny hoe mandrakizay..
dia ny paradisa izay mbola andrandraiko..
satria tiako foana,ireo roa fanahy iray...
ka raha ahy didi ampolo maro dia efa notsaraiko...
raha azoko natolotra mivantana ny lanitra..
ho solona porofo,fa manga fotsy ny ao am-po..
dia tsy nisalasala fa nitsindry ireo ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/teto | TETO | FahNamby | TETO...
Tandidinao ve ito vato misy sary fo
voatsindron_defona ito?
'Lay niarahana nanangana ho vato fehizoro
sy marika fitia!
teto isika roa, no nifanao voady tsy hisaraka n'oviana.
teto koa no nisy i Toky sy ny dina.
Teto 'zaho sy ianao no nifanojo maso
rehef'iny ianao nandalo,
Teto 'lay toerana nanaovana ta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/soavadia-ianao-ry-sorotro-tiako-izy-ireo | Ny soratro | Ny tohaina | Veloma ry toerana
Taratasy sy ny peniko injao mba niserana
Sy nitondra ny asa soratro mba tsy arafesona ny anarany
Dia tonga teo ireo nitafatafa faraparany
Tsarovy foana anefa fa tsikitsiky anie izany
Ary aza malahelo satria tsy mba lany
Ny diary mitahiry ireo vetso samihafa
Voatahiry ao ireo tsy mbola voafafa
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/mbola-nofinofy | MBOLA NOFINOFY. | FahNamby | MBOLA NOFINOFY...
Tsy efa hatraiza isika no nitady fahafahana?
Nitady fahalalahana ho an'ny Malagasy.
Hatramin'ny poa-basy,
nihafiany sy niaretan'ireo mahery fo.
Atao ahoana moa,
fa lahatra d'ekena e!
Kanefa i Gasikara,
moa efa Firenena malalaka sy afaka?
Baraingo anaty lavaky ny sain'ny vahoaka
ny ZOny tsy m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/malala-ah | Malala ah…? | kanto sarobidy | Nanjavona tsy hita ilay taram-pahazavana
Rakotr'aizana manorona ny endriny toloko
Tsy tazana minitra, fa dila ka tsy tana
Ilay oram-pitsikiana,nanemitra ny foko
Takon'alahelo , tanaty iray minitra monja
Ny feon'ny taraina ,tsy miala anati foko
Iray minitra kely,nefa bitika mafonjan'..
Rojo-dranomason'ny feon'ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/iny-dadako-iny | INY DADAKO INY... | FahNamby | INY DADAKO INY
Iny Dadako iny, andry fiankinako
masina sy tiako, ny zava-nitolomany
Babena voavaly, no tanjona sy dinako
Ravahako fitiavana, ny androm-pahavelomany.
Iny Dadako iny, tena Hery sarobidy
Nikaroka hatrany, ny hahasambatra ahy
Ady mafy, andraikitra, hatramin'ny adidy
Tsy nifararemotra, fa vonona sy ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/antso | Tsiarom-pitia | kanto sarobidy | Asa raha tsapany zay ato ampoko
fa miaritra irery ny ngidy mafaitra
ka rakotra haizina miampy toloko
Mikiky ny foko,manapaka zaitra
Asa raha re-ny ny antsom-pitia
Mibitsi- mangina,miaritra jaly
Tsy tsininy nefa raha tsy heno satria
Ny endriko ivelany toa falifaly
Moa ve nosaininy,na dia kely monja
Ny topim-pit... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/rehefa-tia | rehefa tia.. | kanto sarobidy | Mitamberina ato anatiko,ny sitraka sy jaly
Mikiky ny ato ampoko,nanjary nalahelo
Nanakona indray ilay ora nampifaly
Namotika ny saina sy ny fo mamelovelo
Natsiaro indray ny lasa,tina tsy ho tadidy
Rakitra tsy miala mifikitra ny mafy
Anaty foko ao nefa milaza fa safidy
Ka na inona alaelony,tia aho ka dia miafy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/anilanao | Fa mamiko.. | kanto sarobidy | Fa ny tokim- pitia izay nomeko anao
sy ireo zay fitiavana mamy tsy ritra
dia toky azo antoka,dina vaovao..
ka ampy anamafy ny fo tsy hitritra..
ireo tanjona tiako tratrany hatrany
dia ny anilanao n'aiza n'aiza aleha
fa rakom-pitia haravon-tsesilany
mamaky ny havoana ny fo tsy ho re
mampisaina ny aizina anatin'n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/ny-soratanako | NY SORATANAKO. | FahNamby | NY SORATANAKO.
Napetrako ny soratanako,
mba ho fahatsiarovana ahy,
'zay mba hany sisa namako,
tao an_tsaina amam_panahy.
Dia noraisiko ny peniko,
nampiasaiko tsy ho maina,
ka tsy hitsahatra ny teniko,
raha tsy eo am_pialàna aina. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/angaha | ANGAHA...!? | FahNamby | ANGAHA...!?
Omaly nisy fo,
niombon_kasambarana sy tretrika f'iray,
Nanao voady ho tokana, nitambatra fa tia,
Ny dina dia napetraka fa ho mandrakizay,
Noredonina ho faneva ny ho doria doria,
Indrisy anefa androany,
Iny fa nifarana, rava teo 'lay aina
mba hany nitambarana,
Ny iray tavela teo, ny ankilany nisinta... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/hivady-isika | HIVADY ISIKA | FahNamby | HIVADY ISIKA
Tia anao ny foko, tinao koa ny amiko
'Zay telinao malala a, inoako koa fa laniko.
Ny toky sy ny dina, tsy mba hangatsiaka
Fa ho vato fehizoron'ny tokantranontsika.
Fitiavana mafihorina, ny antsika ry malala
Ka n'iza koa hanenjika, na iza hankahala
Intsony tsy hirodana, intsony tsy ho tomika
K'ho la... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/aza-hitserana | AZA HITSERANA. | FahNamby | AZA HITSERANA.
Aza hitserana aho raha mety
f'avelao aho mba hizatra hanatanjan-tena,
eo an-kianjan-mpahantrana.
Aza hitserana ny fiainako
na tinazanao fa kivy sy noana mosarena,
fa heriko aza ireny.
Aza hitserana aho satria:
tsy izaho irery no tsy manana harena,
mbola maro any ho any.
Avelao aho f'aza hitsera... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/babonao-ny-fo | Babonao ny fo.. | kanto sarobidy | Omeko anao ny foko,hitoero fa tsy tana
Maniry ankilanao, zay nampitsiky ny hafanana
Fa babonao malala ,ka lasa tsisy fetra
Ny foko izay nitempo anao tsy an-tery setra
Hitia anao ny foko,hitia tsy misy fetra
hanolotra am-pitiavana ny amiko rehetra
hanaja ilay teny,nomeko anao tsy an-kiatoko
Ilay hoe ''Tiako ianao... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kanto-sarobidy/ny-fitiavana-10730 | Ny Fitiavana… | kanto sarobidy | Anaty minitra monja,tsy hita sy nanjavona
Ilay ora niarahana,nitondra firavoana
Ireo hita fa nanenjika,niteny..sy nolavina
Na mamy na mangidy,dia odiana tsy tsaroana
F'izany ny fitiavana,tsy hijerena taona
Ka n'iza tojo sarotra,mijoro sy mikiry
Fa ny tsara n'alahelo mifandimby eny foana
F 'izay notiavina ao ampo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fahnamby/rehefa-maty-aho | REHEFA MATY AHO... | FahNamby | REHEFA MATY AHO...
Rehefa maty aho,
dia aza voninkazo, no atao an_doa_fasako.
fa aleo soratsoratro e!
Ho marika ny lasako.
Rehefa maty aho
sanatriavo ny mamangy ny fasana hilevenako,
ary,...aza tsaroana akory
Fa ny kaloko antsaina raha...
banga anatinao ny tenako.
Rehefa maty aho,
aza hasiana vooninkazo ao a... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.