url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ako/ny-diary
Ny Diary
Rahira
Ny Diary Efa norovitiko tsy ho isan'ny pejy atao anatin'ny diarim-poko ilay pejy mainty nitahirizako ratra sy nilatsahan'ny ranomason-tsento. Fa aleoko lavitra mahita azy ho rotidrotehin'ny fanantenana sy ho viravirain'ny andro tsy manan-tsiny toy izay:hanenjika hatrany ny feon'ny fieritreretako izay efa trotraky ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/angatra
Angatra
Ny tohaina
Alina ny andro Mangina ny toerana Misy fotsifotsy Aloka niserana Feo manakoako Ao ambadiky ny fasana Olona mijoro no tazana misakana Somary mitsingevana Ary koa mitsikitsiky Taolana mitsangana Katrikatry nify Menamena maso Ny vatany efa potika Fitafy lamba landy Efa rotidrotika Soa ihany fa nanjavona Na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ako/ianao-ilay-poety
Ianao ilay poety
Rahira
Ianao ilay poety Ianao ilay poety mandrindra andian-teny, Manoratra ny nofy ho tonga sary miaina hitoetra ao an-tsaina Miezaka manondraka ny vonin-kasambarana handoko ny tontolo Ianao ilay poety fatra-mpanakanto ny zava-manodidina Mandango sy milanto ny soratrao mazàna kanefa misy ihany mamorom-pery anaty. Ian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/boyanjah.rz/fitiavan-jaza
FITIAVAN-JAZA
Boyanjah.RZ
Niezaka aho nitia anao Ilay zazakely vao omaly Neverinao ho kilalao Ka tsapako ianao fa faly Hitako fa zava-poana Ireo tenimamy omeko anao Nanjary fandanim-potoana Fa tsisy dikany aminao Fitia tsy misy fihetseham-po Fa toy ny an'ny mpianakavy Tsy misy hetahetam-po Tsisy diniky ny ho avy Miresaka toa mpianad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ianao
IANAO
RFE Andria
IANAO Eny, fantatro sakaiza Fa na ho aiza aho na ho aiza Dia tsy hahita toa anao: Tia fotsiny amin’izao! Fa ny anao ny fitiavana Tsy mba ilay manavangavana, Ilay tsotra ts’isy tentina, Ilay madio tsy misy pentina Tsy hatakaloko na oviana, Eto aho dia mianiana: Ho raki-tsoa anatiko ao Ianao sakaizako, IANAO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ako/ombona-fanahy
Ombona fanahy
Rahira
Ombona fanahy Niombonany fanahy hono ianao iny alina iny ka nihoby anao ny fony. Ilay sarisary manja teny ankianjan'hasambara no lasa hosodokon'izany nofinofiny an'alimaizimpito. Dia henika ny tratrany ny hanitry ny lasa namerovero fatratra nadritra ny maraina Tsy tana intsony anefa, tsy tana ka tsy tratra fa l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/tomany-letsy-izy
TOMANY LETSY IZY
Zay LAFATRA
"TOMANY LETSY IZY" Dreyyy!nitomany ianao, fa nilaozan'olo-tiana! Malo-kendrika sy lao, noho ireo fijaliana. Ka trobaka ny fony! Ketraka ny sainy! Ary tsy hitia olo-kafa intsony, fa resin'ny fitiavana nilainy! Ny rano-masonao foana, no mipatraka tsy mitsahatra! Rano-masom-pitalahoana! Nefa izany angamba no l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ako/tokan-trano
Tokan-trano
Rahira
Tokan-trano Etsy ampatoriako izany zanako malalako Etsy ampatoriako fa i Dada izao tsy fantatro na hody indray na tsia. Manofisa mamy a!f'izao akeo eto ihany Aleo izaho hiandry eto ihany f'i Dadanao izao mantsy Tsy mahalala mody raha tsy efa alimbe Amin'izay dia efa mamo vao miditra ny trano Raha tsy izay indray...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ako/ny-ako
Ny Ako
Rahira
Ny Ako Injany, Dia h-iako am-ponao ao rehefa raikitra ho diary Ka mi-ako am-bavanao ny hira feno sarisary Ary Ny Ako an-tsainao ao dia Akom-betso tsy mba lany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/tia-aho
TIA AHO!
Zay LAFATRA
TIA AHO! Tia aho satria mendrika ianao. Maharavo izany saiko ilay endrikao, fa ny bika na fitafy kanto tena tsara. Zipo lava hatreny akitro sy ny bikanao gitara. Tia aho satria ianao ilay masoandro, panazava ny androm-piainako isak'isanandro! Na ny masonao aza anie tara-bolana feno manana. Ka mahatonga ahy hana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/iza-ary
iza ary?
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
zovy r'ilahy itony zavavy toa feno hatsarana nefa miavona? k'izaho iny mba hiangavy no injao nihodin'izy no sady nianjona! zovy reroy izatsy zavavy maha-te ho tia sy mambabo fanahy? izato hakantony anefa toa maro mpitady k'izaho izay nanampaniriana kanefa tsy sahy mba zovy r'ilahy ity zavavy feno habikàna mani...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/alahelo-hirani-erick-manana
ALAHELO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
mitsitahitaika ny fanitso manerik'andro harivariva mandomando koa zany tany malahelo anao mafy aho izany ela tsy hitahita ka mahatsiaro embona sy ny sento mifangaro ditsoka ny fo ka tomany malahelo anao mafy aho izany azoko antsaina misy anao manofinofy anilanao raha lanitra mangamanga ny any ny aty anaty ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ako/tsy-adala-ianao-akory
Tsy adala ianao akory
Rahira
Tsy adala ianao akory Tsy adala ianao akory fa miredy fotsiny ihany Tsy adala ianao akory raha misy manontany fa: Poeta fotsiny ihany. Tsy adala ianao akory e! fa hambarao an'azy Tsy adala ianao akory fa mba mivazivazy mamboraka hetaheta. Tsy adala ianao akory raha sendra variandriana sy lasana vinany Tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rarivomanitra-harinambinina/tsaroako
tsaroako
rarivomanitra harinambinina
lasa izy , ka tsy hiverina intsony tsaroko ireny sangy sy fitsikinao tsaroako ireo anatrao ka nijanona ato an- tsaiko ny endrikao. vao lasa ianao , latsa- dranomaso no nisy tao tsaroako ireo fatsiarovana nomenao ataoko sarobidy izay ananako ka tsy avelako hiala eto an- tanako. nosoratako ity to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/poeta-kelinao
POETA KELINAO
Zay LAFATRA
POETA KELINAO Ataovy tonga any fa..., Poeta kelinao iny tovolahy iny! Ka avelao izy mba haneho ilay faniriany. Izy ange teto sahirana kely ery! Nanoratra tononkalo hatolony hoan-dry. Raha poeta kelinao izy dia trotroy eo an-tsoroka. Na koa tomany dia omeo azy ny oroka. F'izy anie tsy nanadino anao velively...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/madagasikara
MADAGASIKARA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Madagasikara ilay nosy kely miavaka ilay nosy mamiko, ary ilay tany tokako sy ilay nosy maitso izay voaravaka ireo harena soribidy izay tsy voavidin' ny volako Madagasikara, ianao ilay tanindrazako ka adalan'ireo izay handositra anao fa mamiko ianao ka tsy hotambazako vola na hamidy izato hakantonao Madagasikar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ako/ery-am-patsakana
Ery am-patsakana
Rahira
Ery am-patsakana Tovovavy iray bikana Mahalasalasa saina Toa variana maka rano Izany hakanoton'olombelona e! Somary lavalava volo atopatopandrivotra manafitra ny tavany Toa mikatso ny tontolo ka mitokona ny ora amin'izay rehetra hitoerany Indrindra moa fa raha mamindra... Toy ny liona masiaka ka mandrotika a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rdr_jr/tiana
Tiana
Rdr_jr
Tiako ianao ry tiana Ka ny fitiavako aza ariana Ny fitiavako anao Aza atao kilalao _*_ Ho tia anao tsy misy fetra Ka omeko anao ny amiko rehetra Porofom-pitiavako izany ry tiana Satria ianao lay nofidiana _*_ Ka na misy aza ny fijaliana Dia tiako ianao ry tiana Fa ianao lay tokana an-tany Ianao lay arena t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tsiaro-ho-anny-zanako
Tsiaro ho an'ny zanako
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Any izay ianao ry zanako mitokana irery any lavitra any ka ilay fiainanao izay tsy tazako izao no handatsahako tomany hoe manao ahoana izay ilay tokako ilay mitoetra miady irery ilay miafy tsy mba eto anilako nefa tsy mba kamboty velively indrisy mantsy ry sombiniaiko ity alahelo mitambesatra mila tena hankar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/ny-fitiavako-anao
NY FITIAVAKO ANAO
Zay LAFATRA
NY FITIAVAKO ANAO Volohany dia fitia no atolotro! Avy eo dia tohofo indray ny molotro. fa ny fitiavako anao kosa malala, dia ilay fitiavana tsy manan- tsahala. Satria: Ny fitiavako anao dia ilay fitiavana tsy mety boboka. Toy ny hazo voambo ana maniry midoroboka. lzany ka mafy,tsy ho ajeran-drivo- dozanao,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/poeta-adala
Poeta adala
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Firy tokoa no tsy mahalala f'irony poeta anie ka adala tsy adala ny te hanoratra akory fa adalan'asa soratra Ka ireo kalo izay soratany sy ny kanto izay mba fantany izay hany manadala izany sainy ka tonga rediredy ho lazainy Dia izay nandaniany ranomainty ho diampeniny ka tsy maintsy ho soratany mba ho vetso...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ako/ho-ani-gasikara
Ho an'i Gasikara
Rahira
Ho an'i Gasikara Raha mbola misy ianao fa tsy levon-dranomasina ry Gasikara tiako:dia hanoratra aho ho anao Hanoratra aho ho anao fa tsy maintsy ho tsapany ihany Hoe raha toa anie tsisy anao dia tsy toy ny olona izy. Raha mbola misy ianao fa tsy lasa karakaina Dia izao no tadidiko:hanoratra aho ho anao Hanoratra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ako/embona-fanahy
Embona fanahy
Rahira
Embona fanahy (tohin'ny ombona fanahy) Tonga tany hono izy: Endrika tanana foana sy nagina no sisa novantaniny Indisy valaketraka ilay tava miramirana Nijojo ny tomaniny. Naratra teo ny fony nahita izato akany mihilambaravarana sy lasa tranon-kala Ny rindrina io jereo fa kilalaon'orana sy ravan'ny hainandro I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/taratasy-ho-anao
TARATASY HO ANAO
Joda Razakasoa
Miarahaba anao ry tiako... haiko ianao salama,intsony aho tsy hanontany! fa haninkeo maraina, no naharay taratasy avy any ambanivohitra any, ity malalanao... tsy dia salama loatra hono ilay dadako ao e, ka mila ny tenako ho namana, ny vola hono tsy misy fa foana ny teo an-tanana, ka noho izany... hizotra hoan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/tsikinao
TSIKINAO
Zay LAFATRA
"TSIKINAO" Ianao ilay tsara lalan-dava, Noho ilay tsikinao tsy mety rava! Ianao ilay mamiratra volom- bolamena, vokatry ny tsikinao tsy noterena. Izany ka tena tsiky tiako! Na mandrivotra aza tsy hikipiako! Tretrika aho mahita anao faly tohizao, te hilaza sahady izaho fa tiako loatra ianao. Na iny zaho rehe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/alinny-tomany
ALIN'NY TOMANY
Zay LAFATRA
ALIN'NY TOMANY Alin'ny tomany izay feno rotsak`orana, sy kotro-baratra arefotry ilay fitiavatsika, Izay naniry vetivety mbola tsy ampy iraivolana. Dia jaly sy tomany no anjara paradisa. Fantatrao fa mbola tena tia izany foko, dia nahoana re izaho no atao tohizany? Avelanao hangahiahy tsy tamby ny toloko, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-tontokoko
Ny tontokoko
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ny tontoloko ve no tinao fantarina, Dia ilay tontolo manafina ny marina, Sy maniboka ny haromotana tsy hitroatra. ___________________ Ny tontoloko izay manonofy fitoviana, Sy tontolo mikatsaka hafaliana. Misintona tsiky hanala ny tomany, Izany no tontoloko eto an-tany,, ___________________ Ny tontolo iraisako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/tiako-halaina
TIAKO HALAINA
Zay LAFATRA
TIAKO HALAINA Iry lavitra ery no mitohetra, Ilay tovovavy tsara,bikàna! Tiako halaina fa misy fetra, ny lalana makany izay tiako hombana. Vaky ny saiko mandinika anazy, Mikodia tsy mijanona tsy mety sakanana! Tiako hangataina halaina ho vady, ity tovovavy tiako ho namana. Ka halaiko moramora ianao ry sakaiz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ri-voahary
R'i Tiako
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Misy fitiavana matory, Tsy maheno ny antsoko akory. Fa miesona miala amin'ny tany, Dia ny fitiavanao izany! ________________ R'i Tiako miesona amin'ny torimaso, Tsy mahare ny onjan'ny akaso. Fa mandeha jambena tsy mijery, Dia ho aiza ity ianao mandeha irery! ________________ Ho aiza ao anatin'ny nofy mahasone...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/heloka-ny-lasa
heloka ny lasa
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
taona maro no nifandimby andro maro koa no lasa Ka nadramako ny mamy, teliko ny mangidy ary niainako mafy, niaretako ny ratra fa ilay lasako, toa zary niavona toa nangarika izany ho aviko tsy mba nitsiky fa nianjonanjona Ka lasa sady nanitraka ny sariko fa ny lasako! toa tsy mba azo antenaina toa tsy azo amah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/mbola-ho-any
MBOLA HO ANY...
Joda Razakasoa
MBOLA HO ANY... Eritreritra mandalo hamangy any aminao, fa mangotraka tsiaro e, izao tontolo izao, maniry ny hiara-hitoetra eo anilan'ny avelo, fa mantsy tsisy fetra e ny sento sy alahelo, tena tiako ho fantarina ny misiterin'ny fasana, fa feno zava-dalina ny andro efa lasana e, mba lazao e,lazao ahy! zov...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/mizar-fitiavana
Mizarà Fitiavana
Pissoa
Mizarà Fitiavana Aza sasa-miandry ny kapoakanao hitobaka Izay vao hikoropaka Sy hianatra hizara ! F'izao dia mandohara, Meteza hanome, malalàha-tanana Na be na kely ananana. Raha feno loatra mantsy izato eo an-dovia Ndrao ho neninao satria Aiza indray no hivoaran' Irony Fahasoavany ? Tsy hisy akory toerana m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-antony-hanoratako
Ny antony hanoratako
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ny antony hanoratako, Dia ianao rahavako, Ny antsan'ny vetso nosoratako, Dia ny fiantefan'ny fitiako, Izay nianjera taminao. Izay nisafidy anao,l Noho ny onjan'ilay hery, Herin'ny fitiavako. Dia nisafidy anao irery, Izay no antony hanoratako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/kalom-pitia
KALOM-PITIA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
ity tononkalo mba soratako ao no anehoako ny fitiavako ka izay rehetra avy ato am-poko dia ho soratako an-tsokosoko sy Ilay vetso-po avy ato anatiko dia haborako ato fa tsy tantiko ny hitazon'izany ho ahy samy irery ka ataoko an-tsoratra mba tsy ho very ka ataoko an-tsora-baventy hoe : “TIAKO IANAO” Nosoratan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/tsy-fantatro-ny-marina
TSY FANTATRO NY MARINA
Joda Razakasoa
TSY FANTATRO NY MARINA Tsy fantatro ny marina na ny embona sy hanina no mamangy sasak'alina, fa ao an'eritreritro ao, misy alokao mandalo indraindray toa mampatsiaro ny tantara efa nisy, amiko! tsy fiteny ny indrisy rehefa tsy anjara, fa n'iza n'iza mpifankatia, n'iza n'iza miara-dia, dia efa voarakitra an-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/oh-mafaitra-ka-tsy-lait
Oh ! mafaitraka
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Oh ! mafaitra ka tsy laitra kanefa tsy mahataitra ity fiangolana vaitra izay miampy hajejona hita ho mandona miseho eto anoloana ka hodiko tsy tsaroana! ity fankam-panahy izay misarika ahy ho sahy, ho tafiditra tsinahy! ka hirobohako tsy satry ho tafidita ao anaty hasambaran-dratsy izay hita fa mahafaty ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/io-vehivavy-io
IO VEHIVAVY IO!
Zay LAFATRA
IO VEHIVAVY IO! Io vehivavy io ry Dada! Tsy tokony ho bedesina, fa avela hibadabada, anefa omena lesona. Io zanaka vavy io ry Neny! Mba kolokoloy tsara, fa aza avela ho irery. Rehefa tojo ny anjara(ny). Ny vehivavy anie leroa! Zaridaina mila koloana, mba ho maintso mavana sy soa! Hajaina tsara tsy lotoana. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/hisaraka-sahady
HISARAKA SAHADY
Zay LAFATRA
"HISARAKA SAHADY" Hangina aho androany ry sakaiza tsy niantra, Fa nomenao ahy ilay teny izay nandatra. Indrisy mantsy dia ho foana sahady, Ireo teny maminao hoe raha tsy izaho tsy hanambady . Aiza izao ilay dina izay nifanomezatsika? Hoe tiako ianao malala ary tsy hisaraka isika. Narary mihitsy izany foko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-soratro
Ny soratro
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Soratra miaina, Soratra ho vakiana. Soratra mahaliana. Soratra ho kaloina, Soratra hovetsoina! Ny soratro no tenako, Hofantarinao rahavako. Ny soratry ny peniko, No porofon'ny fitiavako. Ny hakantony voakaly, Izay taratry ny voahary, Ny akon'ny masoko mamaly, Ireo fanontaniana anaty sary!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tsiry-sy-ny-soa
Tsiry sy ny soa
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Misy fo miteny, mety misy mihaino, Misy feo mihira ny voahary, Misy feo miantsa ny taraina, Misy feo mamaky irony sary! _________ Misy feom-boromanga, miantsa sy mikalo, Misy feo malemy miantso firaisankina, Misy feo miangaly tononkalo, Misy feo mihiaka fitoviana! _________ Misy feo milanto, manindrona ny sai...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-valahara/miara-tsy-mila
Miara-tsy mila
Ilay Valahara
MIARA-TSY MILA Ny eto lesy ny foloalindahy tsy natao hiaro an’ialahy fa devoly lava tandroka mierona hanamatroka ny marina tsy hiarina. Ny eto anie mivaralila e ! Ny miaramila Natao ho andry tsy voaozona Sy tandroka aron’ny vozona No mifanahin-jiolahimboto Mifetoka hanoto. Hatrany ny eto mandry an-driran’...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tandindonny-lasako
RAHA TOA KA...!
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
ry malala : raha lasa aho,(x2) Izao no hangatahiko aminao, ireo kalo nosoratako, izay voarangotry ny tanako, raha tonga ny maraina dia kaloy sy vetsoy ary tiako raha hiraina! ity tononkalo izay soratako nanamarika ny fiainako no ataovy fahatsiarovana ka raha tojo fahalovana izato nofoko malia, aza avelana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ilay-andro-sarobidy
Ilay Andro Sarobidy
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Ry malala: Indro ilay andro sarobidy Izay natokana ho ahy sy ho anao Ilay fotoana tena mamy sy ilay ora lafo vidy Izay natoakana hanavaozantsika indray ilay fanekena vaovao Anio no ora sarobidy izay ifanekentsika Eto anatrehan'Andriamanitra sy ny fiankaviana Ka ny endrika sariaka no andeha ho asehontsika Dia il...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/nofy-ilay-vohitra
Nofy
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
vohitry ny Nofy io ilay vohitra kely izay mahalasa vinany toa mafinaritra fijery nefa mbola lavitra ihany! vohitra tena miavaka, tena mbola tsy fahita, toerana iray somary mihataka angamba io tsy eto amintsika vohitra iray mahate-honina toerana iray toa mahatamana kanefa tsy ahitana mponina toa tsy mba ahit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tsy-rariny
TSY RARINY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
tsy rariny mihitsy raha ny nataonao tamiko kanefa niniako mba nikipy tsy ahita ilay adisonao izay tsy tantiko tsy rariny fa niafiko ireo ditra vitanao ka na ho zary fijaliako aza dia heveriko ho toy ny kilalao tsy rariny fa nozakaiko ireny ompa izay nasetrinao, nefa na dia nankarary ny aiko aza dia noraisiko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/alahelo
ALAHELO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
alahelo! izany no mba nameno ny lasako alahelo! izany no mibahana ato an-tsaiko alahelo! izany no hita soritra amin'ny tavako alahelo! izany no mahakely izato aiko Alahelo izao no mameno ny fiainako raha iny ianao no lasana nandao ka andao tsy ahalala intsony ny fisiako fa lasa lavitra nanorina fiainam-baovao n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ho-ani-neny-10539
HO AN'I NENY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Ho anao ry neny no iantsako ity tononkalo! ianao mantsy ilay mpananatra miteny ka rariny aho raha toa hikalo! indro fetinao anio fety tokana aman-tany ka ny andro anio, no ifalio Fa natokana ho anao izany Ny kalo izay vetsoko no ho solom-panomezana ary fifaliana avy ato am-poko no ataoko anat’ity fehezana i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnt/ry-nosi-drazako
Ry Nosi-drazako
Rnt
Ry nosin-drazako tena tiako Oviana mba ho tanteraka ny faniriako Ireo olo-marina toa efa lasa nandao Ho aiza ity lalan-kizoranao Malaza manan-karena tokoa mantsy isika Kanefa tsy hita izany fa ahondrana hatrany Amerika Izy t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/fitiavana-hafa-kely
FITIAVANA HAFA KELY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
fitiavana hafa kely no mba niarahako taminao fitiavana sarotra vinaina toa fitia mifono mistery toa manery ny ao anatiko ao te hitrao nefa tsy takatry ny saina! Fitiavana hafa kely toa sarotra fantarina toa sarotra lazaina nefa toa mora very sy toa sarotra takarina ka manadala saina fitiavana hafa kely iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/mba-ampindramo-
MBA AMPINDRAMO !
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
mba ampindramo ny soratrao aho hiraiko mba hanembonako ny lasako ny soratrao mantsy no hanamboarako ny saiko hanasitrana ny foko, hanasitrana ny ratrako. mba ampindramo ny soratrao aho ho kaloiko mba hampamiramirana ny tavako fa ilay kalonao mantsy toy ny rano ho sotroiko hanafaka hetaheta, hogohako eto am-bavak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/nankaiza
Nankaiza
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Nankaiza r’ilahy ireny lalao fahiny No zary tsy hita intsony ankehitriny? Irony ankamantatra sy kivarivary Izay lalao fanaon'ireo namana sy ny tary! Toa irony kilalao vahiny No mahazo vahana ankehitriny F'ilay lalao maha-malagasy Toa zary takona mangasiasy Fa nahoana kosa lahy, Irony lalao vazaha, No mibahan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/sompatra
Sompatra
Rary Nofy
Sompatra Ilay raozy vao nitsiry dia... Niha-main-dravona sahady. Ny raviny miha-malazo! Ny fakany mafy toy ny tady. Mihitsana ny voniny satria... Ny rivo-pifofo,mijojo isa-minitra' Manimba izato hakanton' Ilay raozy tsara bika. Ilay fitia vao nitsiry dia... Efa fongotra sahady. Satria...Fitia diso fiantefa k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/100ariary-ampandriana
100ariary Ampandriana!
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
indro mibosesika amiko Rafahasahiranana Injao manao amboletra Ratsifahampiana f'izaho ilay mahantra tsy mba havan'ny manana dia ity vola ariary zato no hany nifaliana! ariary 100 ampandriana hoe! izany no nampandriako ny saiko ary koa nampitoniako izato foko tsy mba nataoko nankarary ny aiko fa maika aza nampis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/kalo-an-kabary
KALO AN-KABARY
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
ny kabary r'ilay toy ny voankazo mamy ka izay ao am-bava toa telina avokoa tena mamy aoka izany, mamerovero ramy irony haingon-teny aza manaitr'izany fo ny kabary reroy toy ny voninkazo an-jaridaina ka mafinaritra jerena, manaitra izany maso ny hakantony aza moa manintona ny saina koa mainka f'izato hatsarany ! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ho-ani-neny
Ho an’i neny
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Ry neny! Tsaroako ianao fahiny Raha nanatra ahy, nanatra niteny Ary tsy mitrahatra mibedy mandrak'ankehitriny Tsapako fa toa harena sarobidy Izato bedinao, Ka noraisiko ho adidy Irony anatrao! Ka ho setrin'izany rehetra izany Dia ho adinoiko ireo taloha Ka raha bedy aho dia tsy handrotsaka tomany, ary tsy at...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/enawo-rivo-doza
enawo!
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
fony lasa ENAWO dia tsy nosaininao akory, izato fijaliako, toa tsy noheverinao akory, izany fahoriako! indro anefa, tonga indray ENAWO, toa tonga tamim-pahasahiana ka ny hatezeranao no nikapoka ahy mangina Ka ny mafy sy mangidy, izay efa nozakaiko ihany izaho koa, tsy mba manana safidy izao tokoa no anjarak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tsiahy-ny-paska
TSIAHY NY PASKA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Ity tononkalo ity dia somary masitsika ka atao amin’ny feo somary masika mba hiampita tsara ami’ireo mpihaino ny hafatra tiana hampitaina! Moa tsaroanao va ilay alim-panasana, Izay niarahan'ny tompo tamin'ireo mpianany? Ary tsaroanao va ilay jodasy izay nidiran'ny satana? Ka vola telopolo no namadihany ny mpampiana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ranom-bavaka
RANOM-BAVAKA
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Andriamanitra o! Mba vonjeo ny fireneko Izay efa mby anaty lavaka Nefa aoka tsy ny sitra-poko fa ny Anao no ekeko Ka ny hany faniriako, mba valio ity ranom-bavaka Ka ny angatahiko Aminao dia ireo mpitondra fanjakana Mba tena hahay hitondra izato fireneny Sy ireo malagasy izay miaina fahantrana Izay efa mila hit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-zanako
Ny zanako!
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Ry zanako! Fony ianao mbola zaza, Ilay mbola tsy ary saina akory, Dia efa niaina tsy fisiana, Ary niaina fahantrana, Ary mbola tsy mahay mibada Sy tsy misaina afa-tsy matory Mba hahazoanao fifaliana, fa ranomaso koa mazàna! Indro ankizy ianao ankehitriny Izay tsy misaina afa-tsy kilalao Ka variana milalao en...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/embona-sy-tsiaro
embona sy tsiaro!
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
endrey! taona maro lasa izay noho tsy nahateo anao ry dada! taona maro lasa izay tsy niantsoanay, tamin'ny feo mibadabada. 17 taona tokoa izay no nisarahantsika ka nahatsiaro fahanginana nahatsiaro nangatsika tsy niaina am-pilaminana i Neny irery no hany nantenaina izy irery ihany no hany fara hery fa ny hava...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/feo-anefitra
miverena
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
MIVERENA!!! Injao misy feo miantsoantso Any an'efitra any Feo mahery manakoako Miantso anao, moa tsy renao va izany? Feo miantso hitodihanao Aminy Sy hiverenanao ho ao ambalany Ka ny fahotanao ilay tsy mba maminy Dia efa nodiovony tamin'ny ran'ny zanany! Miandry anao ny Ray Miandry izay ho valin-teninao Dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/tiako-ianao
Tiako Ianao
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Tiako ianao ! Fa mbola tsy izao, Fa mahareta kely Fa tsy ho ela velively Raha izany valinteniko Tsy amila anao koa aho fa sao mantsy ho neniko! Tiako ianao! Fa saingy izao Miandrasa ilay fotoana Fa ho valiako eo foana Izato fitiavanao Raha toa tsy kilalao Tiako ianao, fa avelao aho aloha handinika Matahotr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/hirahira
Hirahira
Rary Nofy
Hirahira Ireny kalokalo,hirahira fahazaza! Ilay noheverin'ny saina,fa tena mba nalaza; No tiako mba hitamberina,izao anio izao; Fa be ny esoeso,mandrotsirotsy,mitalao. Iny ilay hira vetsovetso,mampientaentam-po! Ilay sarisari-teny,Nokaloiko,mba hovetsointsika roa; Rehefa mba tanora ny saina sy ny fo. Ilay kalok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rdr_jr/ho-anao-ry-tiako
Ho anao ry tiako
Rdr_jr
Aza manahy ianao ry tiako Izay any an-tany lavitra any Fa mbola aminao ny fitiavako Izay mitombo sy mihatsara hatrany _*_ Ireo sangisangy zay fanao Sy ireo angolantsika roa Tsy ho maty ao anatiko ao Satria tsy manampaharoa _*_ Ka ny elanelan-tany misz Zay manasaraka antsika roa Ataoko toy ny tsy misy Fa va...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/zotram-betso
Zotram-betso
Fetra Rafitsahàrana
Ranomaity ritra Penina efa moana rombo taratasy , somary rovidrovitra, efa tolatola No teo nanoloana poeta mistery Sisa tinazan`ny maso rendrik`afony Mamaly izato tsanta mibosesika ao an`efiny, misosoka tsy lefiny Angamba tsy safidy f`izay no zava misy Nadoboky ny Ora ho sedrainy anaty Fo ..namangy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nivaliantsoa/miandry
Miandry
Nivaliantsoa
Ny aty aloha tsy afenina! Fa mamo sy badenina, no sady koa domelin' ny embona nihelina mahamanimanina! F'izay rehetra tazanina? Manjavona avokoa! Ny maso mandroroa: mijery eto, nefa... ny topiny miantefa any aminao hatrany. Miandry tsiky avy any.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rdr_jr/hafatra
Hafatra
Rdr_jr
Reo hafatro rehetra Izay voatanisako etsetra Dia mba tadidio avokoa Ary mba saino,ataovy an-doha _*_ Ka raiso zay mahasoa Raha misy tsy mety mijoroa Sahia manao hoe "eny na tsia" Fa tsy manaikinaiky fahatany sanatria _*_ Ataovy anatra ny fiainana Mihainoa raha mba hitarainana Mifanampy amin'ny zay atao Ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rdr_jr/malalako-fahiny
Malalako fahiny
Rdr_jr
Tsiaro sisa no manako Sy mitoetra ato anatiko ato Ry malalako fahiny tsy foiko _*_ Tantara sisa no injao voavisavisa Ny fiarahantsika sy ireo tsy voatanisa Ry malalako fahiny any ho any Tsy mampino ilay fitiavantsika t@ izany _*_ Soratra sisa no mba tsiaro Ilay fitiavantsika mifangaro Ry malalako fahiny toa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rdr_jr/ny-fitiavantsika
Ny fitiavantsika
Rdr_jr
Ny fiarahantsika taloha Dia mbola tsy afaka ato andoha Akehitriny nefa toa tantara Lay fitiavantsika tsy anjara _*_ Tsy foiko ireny fiarahana ireny Satria tiako ireo angola sy fiteny Nefa indrisy fa dia rava Ny alahelo anefa tsy mety hisava _*_ Atramin'izao aho mbola mangina malaelo Ireo tsiaro injao mamelov...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rdr_jr/fa-nahoana
Fa nahoana
Rdr_jr
Fa nahoana re ry fiainako Ianao to mampiavahotra ny vavako Mampirotsa-dranomaso ny tavako Sy mampahory izato havako _*_ Fa nahoana re ry foko Izato ianao toa mitoloko Tsy mahazaka hetraketraka Ny amininy aleo apetraka _*_ Fa nahoana ianao ry saiko No mampijaly izato aiko Amin'izay resaka fitia Tsy ho anjar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/boyanjah.rz/mandria-ampiadanana
Mandria ampiadanana
Boyanjah.RZ
Raozy kely efa malazo No indro tazako eo anilanao Io ilay solom-boninkazo Mba hatsiarovako anao Voninkazo mitahiry, ny lasan-tsika hatrizay Ilay fitia vao nitsiry, nirina ho mandrakizay Kanefa indrisy amin'izao Nofinofy sisa ireny Fa ianao lasa nandao Ka namela ahy hiady irery Nandao ny tanim-pijaliana Nio...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/tsiambaratelo
Tsiambaratelony
Rary Nofy
Tsiambaratelony Ireo tsiambaratelo,izay miafina ao anatiny! Tsy aborany aminao izany,na oviana na oviana; Fa ireo rehetra rehetra,izay tena mba tsy tantiny, No mety hilàny vonjy,hilàny fanampiana; Izay no hilàny namana,hilàny olon-tiana. Raha sendra ady sarotra,tsy misy fitoniana; Ianao no tena antsoiny! Iangav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/boyanjah.rz/embona-lalina
EMBONA LALINA
Boyanjah.RZ
Indray takariva izay Diavolana mangina Tsaroako tamin'izay Izaho nilaozan'olontiana Ny diavolana baliaka Dia mampanembona hatrany Mamoha ny efa lasan-tsika Ka mampilatsaka tomany Ny rivotra mitsoka moramora Toa tananao manafosafo Maneso sady manankora Ilay maso voton-dranomaso Ny vorona mamerovero Vao main...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/diso-aho
Diso aho
Ny tohaina
Angamba koa voaozona na diso ny safidy Voateliko ny poizina ary tsapa fa nangidy Rendrarendran'ny adalana no nipoitra tao anatiko Olontiana noratrako dia hanody ka tsy tantiko Namita-behivavy ka loza no nianjady Fisangina ny fitiavany no nanosika ahy an-kady Tafalatsaka ary manko ny voninkazo manimpofona Fitiava...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/natoandro-r.j.d/mampalahelo
MAMPALAHELO
NATOANDRO R.J.D
Dia lasa fahazarana Ireto fiangarana Atao amin'ny meloka Ka zary toa fanitsaka Any am-paladia Ny marina fandala Ny Zo maha- Olombelona. Fa raha mahantra no diso Na dia keky monja Tonga dia any am-ponja Tsy ilaina fitsarana Sady koa dradradraina Fa nahavita adalna. Ary raha lehibe no meloka Dia izy indray ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/kanto
Kanto
Rary Nofy
Kanto Kanto no ataoko anaranao satria... Ny paozipaozinao,ny fianjaikinao dia toa milantolanto; Rehefa injay mibanjina anao,ny masoko ankiroa, Dia toa variana sy talanjona. Niniako nantsoina,ny anaranao hoe"kanto" Dia indro fa,nitodika,nitazatazana sy nibanjina' Ity tontolonao,izay tena mahatalanjona. Kantokant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/antsa
Antsa
Rary Nofy
Antsa Ilay antsanao voaloha,mbola tao anaty eritreritra; Tsy nisy naheno,fa doboky ny fo; Nokaloinao moramora,nataonao vetsovetso, Tao anatinao mangina. Norakofanao tsiky,mba ho kantokanto; Avy eo dia,noredininao tamin'ilay feonao nilanto; Dia gaga izay nahita,ilay endrikao sariaka; Toa miramiran-tava,ary be mp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/fitiavako
FITIAVAKO
BerthiN AinA
amin'izao ora izao no hanoratako ho anao ry tokako eto an-tany lay nofinidiko tany hoany anio no hanambarako ny fitiavako mihombo ato mandoro manimba ny atiko mikasa hamely ny fatiko hosoratiko ho hitan-danitra fa ny fitiavako anao na manitra, tsy hitovy velively aminy raozy na dia mavokely tsara paozy ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mionona
MIONONA
RFE Andria
MIONONA Mionona re ry foko Atsaharo ny toloko Aza dia tomanitany Fa tsy anjara iny izany Any an-kafa indray mijery Sao mbola any fa miery Ilay silaka voasary Ilay mamy tsy fanary
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arnav/fitia-ahiahy
fitia ahiahy
arnav
Niboiboika,nikorina ilay alahelon'ny tomany. Ra kisendra niahiahy hoe:ianw tsy irery izany. nikiky moramora ilay adim-po te-hanotany. Lazao eto androany aky izay any am-ponw any. fitia tsy tsara voatra,hono fitia kisarisary . Kanefa isika roa ts niafona fa diso niariary Fitia tsy tsara orona no sady kizarizary. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/tsiky-tomany
TSIKY TOMANY
ANDRIANAIVO PAUL
Tsikin'ny fitia mandrendrika ny fo, Tsiky vesarana- tomany, Lasa ratra no mibahana ao an-do, Ny lasa omaly tadidy ihany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/raozy
Raozy
Rary Nofy
Raozy Manitra éry ange,izany fofonao ry raozy; Tsy mahatàna entoento,rehefa sendra mba vangiana; Ny masoko manganohano,rehefa mijery anao satria... Ny hakantonao mirindra,no ahatsiarovako ilay tiana. Ilay bikanao koa,toa mahafinaritra aok'izany; Mahalasa ambiroa raha sendra maminany; Eh!mampivetsovetso fo,ny fis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/ry-alina
RY ALINA...
Joda Razakasoa
RY ALINA... Ry alina o! ho tamy izao ianao! fa ory sy tomany ny amiko tontolo, fa manantena indray ilay fahanginanao ity akany keliko efa bobongolo, mazàna mamelovelo ny sento sy alahelo, ry alina o! hoavy izao ianao! fotsiny hoavy hitondra fitoniana, fa ny ampitso...ao ambadika ao, inoako fa mbola hitondra fi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ohabolana
OHABOLANA
Fredy Jaofera
OHABOLANA Aza manao ho tsipolitra ka antitra vao tia sangy ; nokaikikakerin'ny olitra fa tsy nahazo namangy. Aza manao ho zozoro mahitsy fa telo rirana kanefa dia voatorotoro sy tsy mahita mangirana. Aza manao, hoe, harefo mahitsy ivelany fotsiny kanefa dia tena marefo, na azon'ireo rotsirotsiny. Aza manao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/maro-be-no-tiako-ambara-t
Maro be
Ny tohaina
Maro be ny tiako ambara Tsy ary voatanisa Nefa izao tokoa no anjara Vinavina ihany sisa Maro be ny tiako ambara Vetsovetsoko rehetra Nefa tsy haiko ny mandidy Fa tapitra voafetra Maro be ny tiako ambara Ary satriko dia satriko Ny miverina manoratra Ireo diary tononkaloko Maro be ny tiako ambara Mikasika ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sitraka/impiry-angamba-firifiry
Aingam-panahy
Sitraka Feno Tanteraka
Saro-tsoritana toa volo ngita Sy sarotra ailika toa safosafo ; Mitondra, mibata kanefa tsy hita, Tsy tohitra atrehina toa lelan' afo. Fa Toy ny fisosany lakalakanina Ambonin' ny rano korianan' Ikopa, Tsy taitra, tsy maika no sady milamina Adolan' ny rivotra sy topatopa. Mitsaika, mipaika toa ora-midona Sy mita...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/sao-tsy-rariny
Sao tsy rariny
Ny tohaina
Aleo marina mandefitra Angamba izay no mety Aleo manaiky izay ambarany Handohalika leiretsy Sao lahy tanterahany Vao hitodika ny loha Fandrao tara loatra Ka manenina tokoa Nefa kosa sao tsy rariny Taingimbozona ankolaka Vola no tsy hananana Saina no voatoraka Dia ahoana ny madinika Sa hadino ny fisiny Man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/mbola-manantena
MBOLA MANANTENA
Joda Razakasoa
MBOLA MANANTENA Hatreto aloha tsy tiako ho fantatrao fa ao anatiko ao hatramin'izao dia...mbola manantena anao, na ny diary mitahiry ny lasan-tsika roa, na ny kisarisary maro ao am-po, dia mbola mamerina ny salovatavanao ary koa...ireo zavatra natao! tsy haiko fa hatramin'iny nandaozanao iny, dia mivolombolom-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/mpitondra-adaladala
MPITONDRA ADALADALA
Joda Razakasoa
Tsy malagasy intsony no tompo-tanindrazana, Tsy malagasy intsony no tompo'ity firenena, Tsy ny malagasy intsony no manaja fomban-drazana, Tsy ny malagasy intsony no manam-pahendrena, Izany no atao hoe fahaleovan-tena? Mpitondra rain'ny hataka,tsy mitsinjo ny vahoaka! Kalaky no mirefotra raha mikomikomy, Na iza i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/misy-fitia
MISY FITIA
BerthiN AinA
Misy fitia any anatiny any Fa tsy sahiny ambara izany Mitempo mangina ao ampony Fa alaminy tsara mba ho tony Aheriny tanteraka ao Ny fitiavany izao Ahorony ho azy irery Ny fitiavany mahery Tsy ambarany aman'olo Fa izy koa mitia aminy fony manotolo Tsy tiany ho maro mpahalala Fa raha fitia,izy koa mba adala ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/heritreritra-toubib
heritreritra
Tahina Fabien
eo akaiky tsy hay fihinina, nefa tsapanao mandindona mitambesatra toa inona, sady zava-misy tsinona..... heritreritra no anarany, tena sarotra vonoina henoinao ny fitantarany, trondrobe ianao jonoiny. milamina izy, ianao matavy, misompatra izy, mampanavy fa ny tena maharatsy azy, dia ilay hoe mamosavy! antoandro ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/nahoana
Nahoana
Ny tohaina
Nahoana ianao 'mteny ahy hoe ratsy izato tenako? Fa tsy fantatrao akory hoe ahoana moa ny fiainako? Toa lazainao tsy nizara aho kanefa nanome Niangavy ny ho ampiko ianao,tsy nandà aho fa nandeha Dia hafa ny fijery fa lazainao fa tia tena F'ianao irery ve no hampina vao lazaina fa ekena Toa lazainao fa maditra aho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vao-mainka
VAO MAINKA
Fredy Jaofera
VAO MAINKA Vao mainka mirehitra 'rony afom-pitiavana tsy nisy mba nihevitra fa mbola hihagoavana. Vao mainka nitombo 'reny toky niarahana navelako ho dombo, na nivavavavahana. Vao mainka nipoitra 'reny hiran'ny manina nambara ho tsotsotra fa maro nahafanina. Vao mainka miverina 'reny sangy tsy lany raha ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/injany
INJANY...
Joda Razakasoa
INJANY... Injany mipololoitra moramora any anatiko any, ny tsiaro indray ny fahiny. Ireo tontolo feno angola manjary voaravaka tomany, nohon'ny zava-misy ankehitriny! oh! ny ririnina mamirifiry no mampangitaka ny any anatiko sy mampangina ny voahary, impiry? impiry voatahiry? tanatin'ny diarin'ny taniko ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/voninkazo-tsy-fantatra-anarana
VONINKAZO TSY FANTATRA ANARANA
Joda Razakasoa
VONINKAZO TSY FANTATRA ANARANA Ry voninkazo tsy fantatra anarana! asa fa manintona ny jeriko ny hibanjina anao hatrany, ry voninkazo mitondra fahasambarana! rehefa ianao miserana eto ambaravarakeliko dia...injao ny foko tomany, mamerovero loatra ny hanitrao miserana ka mampitsiry ny fitia izao mitoetra anatiko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/nisaraka-hono-isika
NISARAKA HONO ISIKA
Joda Razakasoa
NISARAKA HONO ISIKA Niely be ny feo teny amin'ny rehetra teny, fa ilay mpifankatia ohatran'ny tsy ho faty ireny dia nisaraka sahady... tapaka hono ny tady nampifamatotra intsony tsisy ady varotra, fa nisaraka hono isika... hatrany am-piangonana,hatrany am-pianarana! dia ilay mpifankatia mifampisalotra anarana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/zovy
Zovy
Ny tohaina
Zovy ianao iny Nanaiky ny fisiko Tsy namela ahy irery Tao anaty haizim-pito Nitafy ny alaheloko Nampisento ny tomany Ary tsy mba nanaratsy Fa nizara teny mamy Zovy ianao iny Ry olona tsy fantatro Nanarina raha lavo Nitantana ny tanako Tsy mba nanadino Fa nihaino ny taranaiko Nanambitamby hatrany Nanazava...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tolom-bahoaka-2
TOLOM-BAHOAKA
Fredy Jaofera
TOLOM-BAHOAKA Mandeha ihany ny tolom-bahoaka mandra-pahazo an'ireo izay takina fa tsisy misaina ny mba hitsoaka na koa hiala, n'oviana n'oviana. Mitohy ihany ny tolom-bahoaka mandra-piovan'ny zava-drehetra fa tsy ho kivikivy na hitady toaka hanadinoana ny sento sy tsetra. Miorina ihany ny tolom-bahoaka mandra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tohaina-hrld/nigadra-izy
Nigadra izy
Ny tohaina
Namako,rahalahiko ary havako Ory loatra ny fitiavako mandinika ny fiainany Toerana iainany, Aloka, Alahelo sy tomany Ranomaso ihany sisa no manondraka ny tany Endrikendrika no antony Didi-jadon'ireo sasany Maizina, Voafatotra ny tanany Simba ny hasambarany Niampy fahoriana Foana ny korana,tsy nisy fifaliana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/fa-fandalovana-ianao
Fa fandalovana ianao!!
Ra'Ony
Fa fandalovana ianao! Ny azy mantsy lesy efa vita kajikajy ny lalana hombana androany izy ho anao, ny ampitso tsy tamana... Mety marina mihitsy fa tsy fitaka ny toky natolony anao fa indrisy misy fetra; ny ampitso fo vaovao... Fa fandalovana ianao Fianarany eny fotsiny izay finidiny hatao fa vitany ny ditrany, h...