url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ireny-kalokalo
Ireny kalokalo
Rary Nofy
IRENY KALOKALO Ilay kalokalontsika roa Teo ivelan'ny natiora Dia naraikitro ihany koa... Tao anatin'ilay fakitiora. Ilay tafatafantsika sy ianao Tao anaty eritreritra; Mahatonga ahy hitsiriritra; Hitia,hitia,hitia ny tenanao. Ireny vetsovetsoko ireny Izay fikalonao matetika Dia hiriako ombeny ombeny Hampits...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/tiako-i-neny
Tiako i Neny
MBL
Fony mbola teo i Dada. Tsy irery akory ianao. Izaho mbola nibadabada. Indrisy i Dada efa nandao. Eny izaho sy ianao irery. Na faly izany na tomany. Ny Dadantsika efa niery. Any @lavitry ny Ankany. Tsaroako fa tsy i Neny ihany. No nametraka ahy tety. Kanefa lavitra tomany. Rehefa i Neny be fitia. Ka tsy hoad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/ho-anineny
Ho an'iNeny
MBL
Mba aiza loatra ianao ry Neny. Moa mbola ety an-tany ve sa efa lasa tsy niera. Dia tsy nampilaza akory ity zanakao mba ory. Eeeeee:::…. .! Raha mba fantatrao angamba. Fa vao nilaozanao dia banga ilay Ankanitsika telo. Tsy jinerinao akory fa nilaozanao ity fo mila fitiavana aminao. I Dada irery sisa no hany mba na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/angamba
ANGAMBA
JERY
ANGAMBA... Angamba mba efa ranomasom-pifaliana Zao henoko mijoy moramora ao zao Aiza ve dia efa an-taona nijaliana Dia mbola higogogogo noho izay fandaozanao? Angamba mba efa tako-perim-panantenana Ity aloka manaloka ny dia;tsy mampanahy!! Fa zavona hisinda ary tsy ho ela dia hazava Lay endrika tomadin'ny foko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/l-dhf/na-maraina-mamanala-tsy-m
Tena tia
Lëė Dähf'®
Na maraina mamanala Tsy mety mampiala Tsy mba mahsakana Ilay tena fitiavana Na hain'andro mipoaka Ny tena tia tsy mitsoaka Fa vonona hatrany Hikatsaka ilay mamy Na dia efa alim-be Mbola eo ihany anie Mitaratra hazavana Ilay fitia tsy lany zara Na an-kafaliana eo ihany Izany no mpifankatia Na tsiky koa na ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fongasy/neny
Neny
Fongasy
Raha sanatria ka manorisory Na tafahoatra izay lazaiko, anesory Raha misy diso, ahitsio fa hovaina Ny fitiavan'ny Neny no tiako lazaina Azo sary an-tsaina sy tsarotsaroana Ny tsiro sy hakanton' izany fotoana Ankafizana torimaso eo am-pofoana Izay milamina sy mamy fa i Neny no anoloana Vitan'i Mama ange zao ny n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/adinoy
ADINOY
Fetra Rafitsahàrana
Donam-po? Sa donan-tsaina? Fa he! Ianao ity mangingina Toa vizambizana ny aina Sa mandalo tsy fisiana Reram-po? Sa rerak'aina? No toa io ianao milofika Kamokamo sy malaina Ary koa tofotofoka Resin-tiana? Sa mijaly? No mitady hamoy fo Raha te hitsiky toy ilay omaly Dia izao andramo aloha.. Mihainoa mozika...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-haiko-2
TSY HAIKO
RFE Andria
TSY HAIKO... tsy haiko akia f'izaho tia tia an-dry doria doria tsy hay fefena tsy hay tonena tsy noterena 'ty foko mena tia foana foana tsy hay soloana tsy hay toroana tsy hay nahoana ARIVELO NAIVO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/soratro
SORATRO
JERY
SORATRO Soa fa nisy anao aho ry SORATRO Nandrakitra an-tadidy ny tsiaro tsy ho faty Soa fa nisy anao aho nitolona Niaraka nizaka ny ngidy sy ny mafy Soa fa nisy anao aho nampitsiry Ny raozy efa nandazon'ny taona tsy hita fetra Soa fa nisy anao aho mba nikiry Nampitraka ahy hatrany sy hiatrika ny sedra Soa fa n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/n-e-n-y
N E N Y
harylovah
Satria tsy teo i Dada Ianao nifoha maraina Nampianatra ahy hibada Nazoto tsy nalaina Teo an-doha fandriana Rehefa injay nandazo Fa nampiady saina Ny kohaka sy tazo Dia niari-tory koa Namita ireny zaitra Mba hahitako soa Kanefa tsy nanaitra. Ianao nikiry hatrany Nanao 'zay rehetra mety Na tsiky na tomany ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/tsiambara-telo
TSIAMBARA-TELO
JERY
TSIAMBARA-TELO Tsy vitan'ny saina ny tsy mba hivily Raha toa tafandalo ity vohi-nitäna Na dia efa rodan'ny raki-tadidy Ny fisian'ny lay olona fiantso hoe:"malala" Malemy tsy satry raha izay ambom-po Mamakivaky ity lala-niraisana fahiny Tsy vitan'ny mierika in-dray na in-droa Toa satry hitombona haka toerana mih...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anl-mikalo/somarano
SOMARANO
ANL MIKALO
Indray alakamisy izay nandeha teny sômarano ny sekoly nianaranay Ka feno olona mifangaro Mikoràna ny sasany amin'ny zalahy Miaraka amin'ireo tovovavy Mihirahira sy mandiha avy Dia samy manala azy Ny hafa kosa:mandeha milomamo Mivoy lakana amin'ny rano Miady ankandrana amin'ny zavatra boribory Tsy mba nisy iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rnt/lasa-ianao
Lasa ianao
Rnt
Lasa ianao tsy mba nilaza tamiko akory Tampoka moa iny dianao iny Ny marainan'ny Sabotsy vao henoko fa lasa ianao Kivy tanteraka aho nefa tsy aiko ny atao Kivy aho satria ianao no saiko hamboraka fitia Ny adiresinao tsy fantatro akory Fa fantatro fotsiny hoe any Mahitsy any Gina aho! gina satria tiako loatra ian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/valinny-ditra
VALIN'NY DITRA
Fetra Rafitsahàrana
Zandry a! Mahaiza ialahy mamindra Mahaiza koa mionona Ny toetra indrindra indrindra Kajio hatrany ho vonona Iaina izay hananana Fadio ny be am-bava Mitsiriritra anaty ny haren'olon-kafa Tsy mitondra soa fa mamotika mandrava Sy mampijafajafa Zandry a! Meteza ialahy ihaino, ny hafatra hapetrako F'izaho aty le...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/izay-tinao
IZAY TINAO
BerthiN AinA
Izay tianao dia ambarao Fa raha mbola vitako dia hatao, Sy tsy hitarainako tana-miepaka Ary tsy hananako henatra Zay fantatrao fa tsara Dia atoroy ahy ry malala Fa anio ihany dia vitaiko Na aza hanapitra ny fofonaiko Zay rehetra fa mety aminao, Aza isalasalana fa tonga dia lazao Satria ianao no nahatobgavako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anl-mikalo/fitiavana
FITIAVANA
ANL MIKALO
Misy didy tena tsara izay nomen'ny Tompo hoe: " mifankatiava tsara" Izay didy tena lehibe Tonga i Jesoa mba hanompo sy mba hampihavana an'ireo tsy mpanaraka ny Tompo Sy 'zay tsy tia namana Efa hiray tokoa ny Loha Dia i Jesoa 'lay zanaka Endriky ny Ray tsitoha 'zay nalaina tahaka I Jesoa 'lay foto_kazo 'lay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/ny-alony
NY ALONY
Fetra Rafitsahàrana
"Misy aloka ao" Tsy mety vohakosiky ny jiron'azavana Fa manaraka hatrany amin ny toerana hombana Manjohy eritreritra, mifikitra ao an'ora Mangady am-pilaminana, mikiky moramora "Misy aloka ao" Mandefondefon-tsaina misisika tsy an tery Mamihina vinany tsy manaiky very Manangotango voa antsahan'ny fitia Nefa tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/ho-anilay-nanoratrako
Raha lavitra azy?
Antsa tononkalo.R
Raha lavitra azy hoe : Mamariparitra eto, ny volana kakafotra. Tsy miova fa ny omaly ; No mbola reko miako... Ny tsiaro anao rehetra, indro indray manafotra ! Mananika ao an'eritro, Manerana ny rako ; Mangorovitsika ahy ! voangaly aho ka voangaly, Maty an-kazo tokan'ny fitiavanao tomoetra ; Ny hery sy fanahy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel.r/fitovian-jo
"FITOVIAN-JO"
Daniel.R
Nitolona ny vehivavy Mba hoe hitovy zo Ny lahy sy ny vavy Ka asa raha mahasoa Fa hanova manontolo Ny fiovàna ho entinao Dia ho rombahinao daholo Izao asa rehetra izao Ny lehilahy no nomena tanjaka Hery betsaka noho ny anao Ianao ity dia mijabaka Amin'ny zavatra tsy ho vitanao Ka mihevera ianao Mandiniha az...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djah-hco/resy-aho
RESY AHO
Djah Hco
Ny alina mangina no fankafizako ny androko, Fa voaalok'ireo besandry ny anjara masoandroko. Tsy mba misy ny rariny sy hitsiny ho ahy, Fa mila ho voaposy hatramin'ny Fanahy. Ny anjarako aza moa eny an-tanan'ny hafa. Ny ranomasoko noho ny alahelo efa tsy ho voafafa, Satria mafy loatra ny tsindrio fa lavo. Tena maf...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/h-a-f-a-t-r-a
H A F A T R A
harylovah
Toy ny toaka vao sotroina Mamy am-bava, mampitsiky Rehefa lasa fahamamoana Tonga aretina mikiky Dia tsarovy fa ny ditra Fifaliana monja ihany F'any andro mbola ho ritra Mety manam-piafarany Mifalia fa mbà misaina Fa ny anio no mety indrindra Lahy tokana ny aina Dia mahaiza koa mamindra Tanora ianao mba te h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djah-hco/ny-kanto-gasy
NY KANTO GASY
Djah Hco
Ny kanto gasy dia mila mivoatra. Mila misondrotra, mila mandroso. Ireo izay efa miezaka tsipazana saotra. Ireo vao hanomboka, ankino amin'ny Tompo. Fa tsara ny talenta raha toa ka zaraina; Mba aseho eran-tany, aparitaka sy ahely. Fa tsy kobonina fotsiny ao an-tsaina, Na tairizina sy atao fananan-tsamirery. Ny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/francis-turbo/asa-ianao-raha-matsikaritra
ASA IANAO RAHA MATSIKARITRA
FRANCIS TURBO
asa ianao raha matsikaritra fa ao aminao dia misy faritra izay mbola tsy nokasin-dalitra ka raha lalaovina maharitraritra ka tena hita fa mafinaritra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjy/neny
Neny
anjy
Neny, Sarobidy tokoa raha ny fitiavan’izy ireny Eny tena fatratra ary tsy manampaharoa Saingy malemy fanahy sady mora fo, Ka isika no indraindra no minia tsy te halala Izay hahasoa antsika amin’ny fisainan’izy ireny Ny Reny no mampelombelon’aina Mpankahery raha sendra ny taraina Mpamatsy aina vao ho an’ireo Ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djah-hco/lolo-babo
LOLO BABO
Djah Hco
Ry zazavavy izay miserana ka manaitra ny fijery; Tena babonao ny foko ary lasanao irery. Indrisy aza moa fa babo koa ny Fanahy. Te hamboraka ilay fitiavana kanefa tsy sahy. Tamin'ny voalohany nahitako anao niserana, Dia niaiky volana aho fa ianao no fanaperana. 'Zany hanitrao misoko toa voa nafafy. Nampanaja iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-ny-aina/raha-embona
Raha embona
Lova Ny Aina
Raha embona hitondra aretim-po, Sanatria hoe hankarary ihany koa, Dia aleoko manadino ilay fitia Mba tsy ho solafaka amin-tany hikodia. Raha embona amonoako 'zato tenako Mba amonjeko ireo toeram-piafenako Dia aleoko indray midify lavitra any Na ho tonga hatrany am-paran'ito tany. Raha embona ho aretina mikiky ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/i-neny
I Neny
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Injao manako any ho any! Hobiana, omen-daza eran-tany; Fa avy aminy no nahenoko ny hoe "Mamy"! Ts'iza fa i Neny izany. _____________ Ilay tanamasoandro mitsinjo maraina! Ilay diavolana mampionon-tsaina; Ilay tokana an-tany mamaly taraina: I Neny ihany no tiako lazaina. ______________ Inay aho solafaka ka send...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsverimandeh/kamboty
KAMBOTY
TSIVERIMANDEH
Kamboty hono izy,izany hatrany no vetsovetsoiny. Ka nitarika aretina namotika ny fony. Nilaozan-dri dada sy neny hono izy,mahatsiaro ho irery. tapi-dala-kaleha sy mila ho very. Mitanondrika sy very saina izy sady variana. Miatrika izay ataon'ireo fianakaviana. Kamboty!Tsy misy teny fa izany hatrany. Avy eo toa m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriy/alahelo
alahelo
heriy
any ianao ry tiko,any an-tany lavitra any izao aty malahelo,mangina irery mitomany mahatsiaro anao foana,te ahita anao fa indrisy toa foana,izany fikasako izao alahelo foana,no hiainako eto lavitra olotiana,manembona ka misento niavin'ny sorisory,ka miteraka hadin-tsaina raha mba teo mantsy enao,dia ho foana ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/zan-ve-marina-tena-teny
zan ve marina tena teny
lain's rakoto
zan ve marina tena teny tsy angalarina tena zava misy ve sa dia noforonina avokoa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/feno-anao
Feno anao
vals cristian
Tsapako ho feno akia ny fiainako Rehefa nifankatia isika Toa foana ho azy ny tarainaiko Fa niova ho tsara, feno tsiky Diavolam-pitia no indro mamirapiratra Ho taratry ny ho avy daholo ireny Tsy andriko mihitsy izay hampihiratra Ny masoko sy ny molotro hiteny Fa efa feno anao ny foko Ny saiko amam-panahy Ilay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-ny-aina/tsy-hitako-eto-intsony
Tsy hitako eto intsony
Lova Ny Aina
Iny volana iny ihany no hany sisa mba ho namako, Fa 'lay malalako tsy foiko fitosiako mba niondanako Tsy hitako eto intsony fa nidify lavitra any Ka nampahory 'zato foko,nampirotsaka tomany. Ireo kintana eny ambony no hany sisa mba sakaizako, Toa ali-maizina mikitroka ny fiainana mpitaizako, Fa ilay malalako iny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsverimandeh/...any-ianao-malala
...Any ianao malala...
TSIVERIMANDEH
...Any ianao malala... Any ianao malala,lasa tsy hiverin'eto. Andro maloka no nahitako anao farany ,iny alin'iny. Tsaroako daholo ireo lasantsika ka naha velon-tsento. Ranomasoko tsy tana anio ka nahafeno siny. Malala a! Any ianao any. Voahitsakitsak'ireo pamosavy sy mahery fanafody. Any ianao rahavako, any amba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-ny-aina/kisendrasendra-ve
Kisendrasendra ve?
Lova Ny Aina
Harivariva tamin'izay, Nahitako tovovavy iray Zay nambabo zany foko Ka lasa mamiko tsy foiko. Tamin'io dia andro fety, Ka marobe reo metimety Saingy tsy nahoako ireny Na niserana ahy ombieny. Fa izy irery kosa ihany No naha-te mba hanontany Raha afaka ny hiara-dia Ho olon-droa mifankatia. Dia noraisiny ny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tsy-ianao-no-tiako
Tsy ianao no tiako
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Tsy aiko, mety tsy azoko, Mety koa tsy tsapako. Fa misavorovoro loatra ny ato anatiko. Ankehitriny, mila tsy ho tantiko! ______________ Ny antony angaha! Hadisoko tsy naha. Nanadino vety anao ilay mamiko, Injao'nefa, toa tsy tantiko. ______________ Ry tiako efa lao! Azafady no ataoko aminao: Azafady r'ise f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/zaza-tsy-mahasara-dreny
Zaza tsy mahasara-dreny
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ny endrik'ilay tiana, Ny sarin'ilay havako. Manome hafaliana, Mampihombo ny fitiavako. ______________ Toa tsy manana sahala, Na toa manganohano, Manamonto toa oram-panala, Ka tazanina na kamo. ______________ Nefa tsy miteny akory, Na ny teniko aza tsy reny: Ny sarinao tsy hanorisory, Na dia zaza tsy mahasa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/ray-
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/im-piry
Im-piry
vals cristian
Efa im-piry moa izy No nizaka ny mangidy Noho ny hetraketrakao Tsy nitsahatra niafy Niaritra, nijaly mafy Satria voahitsakitsakao Im-piry izy nitomany Fa niezaka nijoro hatrany Tsy nijanona nitia Saingy ianao ninia marenina Tsy mba azony tenenina Fa vao maika aza nania Mba efa im-piry izy naniry Efa niezak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.-andrianiaina/fitia-lasanao
Fitia lasanao
R. ANDRIANIAINA
Matahotra aho ry tiako hanambara izay hiriako Nefa tiako ho fantatrao ny fitia anatiko ao Maratra zary ho fery raha ho koboniko samy irery Ka lazaiko anao ry malala ity foko lasa adala Rado ANDRIANIAINA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joelsonhertina2/tanako-ny-teniko-arovako
Ny Taniko
Joelsonhertina2
Tanako ny teniko Arovako ny taniko Soratako amin'ny peniko Fihiniko an-tanako Arovako lalaiko Koloiko sy hajaiko Ny taniko, Arovako amin'ny teniko Fadiko dia kajiako Alaiko tsy hariko Hajaiko ny teniko Ny hafa dia voalemiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rastaphanah/aretina-sy-fanafody
Aretina sy fanafody
RASTAPHANAH
Aretina Voadonanao ny foko tamin’iny Babonao ity foko tsy nana-tsiny Ka tia anao aho ankehitriny Tia anao aho ka dia miala tsiny Satria tsy haiko raha tsikaritrao ? Ireo fihetsiko manoloana anao Lasa adala angamba ahy hoy ianao Nefa ny fitiavana anao noho naha toy izao Tsy haiko anefa raha mba misy fitia ? En...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.-andrianiaina/mbola-hisy
Mbola hisy
R. ANDRIANIAINA
Na maloka aza ny andro ny andronao anio Mbola hisy ny masoandro tsarovy tadidio Na maloka aza ny andro sembandrahona izy izao mbola ho avy ilay maraina hitondra aina vao Na mafaitra toy ny afero ka tomany sy alahelo No zary toa mameno dia aza kivy ianao rahavako Ny fandresena no efa tazako Rad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/hora-saona
HORA-SAONA
Fetra Rafitsahàrana
-Dia lasa mantsy ianao Tsy niera ny handao Fa tampoka tsy nahy nanofaofa tanana Nandeha nandao anay, nialoha izato lalana ..Dia lasa mantsy ianao Tsy niera ny handao Fa nanakimpy maso, tsy ho tafafoha intsony hiova ho havelo, handeha anakatra ny ambony Tandindonao no sisa, any tazana eto! Sy havana malala, ana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joelsonhertina2/fa-maninona-
FA MANINONA ...?
Joelsonhertina2
Fa maninona ny foko No tsy hilaozan'ny toloko Natokana alahelo ve, Sa voatokana hijaly? Fa maninona ny saiko No tsy afaka eritreritra Sa voabaikon'ny fanahiko Ka noterena mba hierotra Fa maninona ny vatako No tia fahafinaretana Sa ve ny eto an-tany No mahatonga izany Fa maninona ary izaho No tsy afaka mand...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.-andrianiaina/efa-ela
Efa ela
R. ANDRIANIAINA
Ela ela anie ry tina efa ela no nangina efa ela no niafy efa ela nisy rafy Efa ela hatramin'izao ny nandeferako aminao efa ela, efa ela no nanaja fanekena Efa ela nefa indrisy ny fiovana toa tsy misy tsy notsiniko angamba fa ny foko no efa jamba Nitia anao hatramin'izay satria nanaiky ny ho iray saingy ia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry/fitia-lasanao
Fitia lasanao
Andry
Matahotra aho ry tiako Hanambara izay hiriako Nefa tiako ho fantatrao ny fitia anatiko ao Maratra zary ho fery Raha ho koboniko samy irery ka lazaiko anao ry malala ity foko lasa adala Aza tsiny re ry tiana Raha nitia anao mangina fandrao hangaina ka voatery dia naleoko Tsy niteny Rado ANDRIANIA...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/voaharinny-tsiahy
Voaharin'ny Tsiahy
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ny tontolo efa matroka, Sarona zavona sy setroka. Mitalaho, ka zary maha onena: Mahasorena, raha jerena. _____ Ny manodidina efa ngazana, Ringitra ny ala maintso mavana. Sola ilay tontolo kanto fahizay, Ka na ny Voahary aza tsy misy intsony na ny iray. _____ Fa diso be hetraketraka, Ny olona tsy mahay mipetr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/ho-anao
ho anao
vo.sedra
ho anao iny indrindra no anoratako androany ho anao 'lay tsy haiko afindra fa tokako eto antany raha mbola nisy koa tatara raha mbola nisy koa fitia mbola tsisy raha ny tsara mihoatra ny ahy sy ndry fa mamiko sy tiako ny eo anilanao mandrakizay no tena iriko moa manaiky ve ianao? ho an'i K....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.-andrianiaina/misy-teny
Misy teny
R. ANDRIANIAINA
Misy teny tiko ambara saingy vahotra ny vava Misy teny tehilaza iantsoko anao malala Misy teny anie ry aiko fa tsy vonona ny saiko Misy teny efa ela fa voafatotrin'ny lela Misy teny nefa indrisy ny fasahiko no tsy misy Misy teny ka rahoviana vao ho fantatrao ry tina Misy teny misy teny tsy voa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/raha-ho-faty
RAHA HO FATY
Fetra Rafitsahàrana
Tsy ny tomaninao Na ny alahelonao No hanafana indray ity Nofo mangatsiakako Na hampijoro indray,ity vatako sy bikako Tsy ny tomaninao Na ny alahelonao No hampitempo indray, ity foko efa nitsahatra Na hiantso ny fanahiko, hiverina ampahatra ..F'izaho raha ho lasa dia dify tsy handre Ka raha ho avy Tsy hiangavy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-ny-aina/neny-tiako
Neny tiako
Lova Ny Aina
Ianao ry Neny tiako No lay antom-pifaliako; Reny tokana sy mamiko; Ka hajaiko sy andrianiko. Neny tiako indrindra hatrany; Fa nampangina ireo tomany Namafa irony ranomasoko Sy nisakana ny ankasoko. Taminao ry Neny tiako No niantefan'ny famaliako Niaretanao anefa ireny Na dia niverina ombieny. Neny tiako tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-tena-vehivavy-toetra
Ny tena vehivavy toetra.
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Tsy ny bikanao manasondriana, 'Zay mampientam-panahy tsy iniana. Tsy ny fipetsam-bavanao, No hitsarana fa vehivavy ianao. _____________ Tsy ny fidolanao fandeha, Sy ny lamaody mampirehareha. Tsy ny mety ahia, na atavy, No mamaritra fa vehivavy. _____________ Tsy ny fiakanjo manasa-pehy, Sy ireo hosotra an-ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/nahatsiaro-anao
nahatsiaro anao
cedarf
ny alina aho tsy nety fa nisaina anao ry tiako; nisento dia nitsiky, nifendro sy nifoko, nibanjina ny kintana tanaty fitsikiko; ho hita taratra any, izay tato anaty foko. najaniko tanaty minitra vitsy monja, izay adin-tsaiko lalina nanototra ny saiko; nofoanako ny foko, nataoko toy ny fonja, ka ianao no hany tok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joelsonhertina2/fitaka
FITAKA
Joelsonhertina2
Noterena mba hitia Ilay fo naratra mafy Nolazaina fa ho doria Sy fitia ho mandramaty Dia niezaka nitia Nomena toky ho doria Kanjo injay fa nisy tsara Dia nolazainy f'efa tara Dia injay aho nanontany Fa mba inona no antony Ka hoy izy: mandehana any Fa lehilahy tsisy fotony Dia nahondriko ny lohako Ary nakip...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ny-amiko-ho-anao
Ny amiko ho anao
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Tanako, ho ahy irery ny fonao. Fananako, izay rehetra momba anao. Katsanako, izay manaratsy anao. Faranako, ny toetra alanao. _____ Fihiniko, izay voakasikao. Mbanjiniko, izay rehetra sarinao. Ampanginiko, izay mety hanimba anao. Rindriniko, ho ahy irery ianao. ______ Ho tiaviko, izay rehetra tinao. Holavi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.-andrianiaina/tononkalo-nosoratako
Tononkalo nosoratako
R. ANDRIANIAINA
Ny tononkalo nosoratako diapenin'ny sora-tanako Feno saina izay tsy fantatro tontolo ho avy ankamantatra Misy fery misy ratra ranomaso tsy voafafa Ny tononkalo nosoratako mitantara izay anjarako ireo zava-bita asa-tanako dia ambaran'ny Tononkalo nosoratako Rado ANDRIANIAINA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/hafatra
HAFATRA
RFE Andria
(Nosoratana ho an'ireo mangalatra ny asasoratry ny hafa) HAFATRA Ry sakaiza ratsy taiza ekeko fa nanaitra satria angamba raitra ilay asasoratry ny hafa mba nitafatafa... Dia rafitra ianao tsy nihamba tsotra izao nangalatra, nandika nametaka ilay fika fanaonao mahazatra nihevitra tsy ho tratra... Mosavy at...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/cedarf/mba-satriko
mba satriko
cedarf
faniriako, anio!isika hifampitosy, hahita ny endrikao ho eto anilako rahavako. f'indrisy ny adin-tsaiko no tonga mifanosy, mifangongo lalina misoritra amin'ny tavako. fa mbola sento indrisy! no valiny azo asetry, mbola fiandrasana no ora azo omena, fiandrasana olon-tiana amin'ny saina izay tsy mety; ka lasa mami...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/toky-tsy-miova
TOKY TSY MIOVA
RFE Andria
TOKY TSY MIOVA Malala an! Na dia tsy afaka aza ianao ny hanao fesiboky Dia mbola tsy miova ny fanomezako ny toky Izaho tia anao na inona na inona miseho Ny tantarantsika roa tsy mifarana hatreo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anl-mikalo/fitia-voarara
FITIA VOARARA
ANL MIKALO
Tiako ianao kanefa Samy fitia diso fientefa Nisy olona nandrara Ka nahatonga ny tsy anjara Isika samy mifankatia Nefa tsy natao hiara_dia Fa fitia efa voarara Ka nivalona 'lay tantara Na tiantsika aza ny hiaraka Nefa misy ireo manakana Tsy afaka hanome tso_drano Ka voahozina 'lay velorano Na tiantsika aza ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tapaka
TAPAKA
RFE Andria
TAPAKA Nivaha ny fatorana Nahandrotra ihany Tsy natao fato-maty Tsy nahazaka orana Nivatravatra an-tany Mafy ka tsy tanty Indro fa nirodana Ilay akany kely Naorina an-temaka Indro koa fa fongana Rava sy niely Teny an-tany lemaka Fitia diso toerana Nandalo dia nisoka Tsy natao haharitra Voafetry ny erana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/eto
ETO
RFE Andria
ETO Eto no amoahako ireo fihetseham-poko Maro loko Eto no ampandriako ireo aingam-panahy Manetsika ahy Ho lasa asasoratra mirakitra aman-teny Ireo hita teny ho eny Eto no amborahako ireo tsiambaratelo Mampamelovelo Eto no androtsahako ireo ranomaso Vokatry ny ankaso Ho lasa ranomainty voarakitra an-takila I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/alahelo
ALAHELO
RFE Andria
ALAHELO Manjombon-dava akia Ny habaka aty Indro saron-drahona Fitia tsitahontahona Matroka maraina Mamesatra ny saina Ny lanitra tomany Fa malahelo ny any Tsy mahita anao Tsy re hatramin'izao Moa lasana nandao Nahita randram-bao?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ambaravarankely
AMBARAVARANKELY
RFE Andria
Ambaravarankeliko eto no itazanako ny hoaviko sy itodihako ny lasa, dia ny làla-nodiaviko eto koa no isaintsainako ny anorenako ny anioko eto no mirimorimo ireo oran'ny tadioko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/vavaka-1
VAVAKA
RFE Andria
Ray o! Apetrako eo Aminao ny hoavinay tontolo Ny fitsimbinanao, tsy misy mahasolo Misaotra Ray noho ireo fiarovan-tamin-doza Dia ireo loza izay nisesy nikirozaroza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/gasikara
GASIKARA
RFE Andria
Mandroso mihemotra ho'aho i Gasikara Tsy atao mahagaga izy raha toa tara Tsy mahay maka lesona avy amin'ny tantara Ka io nosongonan'ireo tao afara
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tiako
TIAKO
RFE Andria
TIAKO Tiako ny eo anilanao Mampanadino tsotra izao Ny ahiahy sy sorisory Rehefa ilay miara-matory Tiako be ireo safosafo Tsy ahatsiarovana sakafo Arahintsika tositosy Mahasambatra mandrotsy Tiako koa ireo orokoroka Sangisangy toa sakoroka Fanaontsika ao am-pandriana Ianohana ny hafaliana Tiako! Tiako! eny,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-lalako
NY LALAKO
RFE Andria
Mazava izao ny làlan-kombako: hilaozako ny hadalako 'ndeha aho hanao todika ivoho hivoaka avy ao anaty tandroho... dia ny fandrika izay nihazona ahy nangeja ny fo sy fanahy nandratra tsy hiverenako intsony hafoiko tsy ventin-tsy rony...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anl-mikalo/vavaka
VAVAKA
ANL MIKALO
Mandeha an_tany Ka maro ireo sakana Nefa any ianao any Tsy hamela ahy hisolafaka Mahita ity mpanompo Izay mba miezaka Dia tahio aho ry Tompo Fa hiova ka hibebaka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/embona
EMBONA
RFE Andria
EMBONA Omaly takariva Niloko hafahafa Iny vodilanitra iny Naneno toa antsiva Ny faniriako hitafa Toy ny fahiny Toy ny tetsy ianao Izaho toy ny teroa Isika nifanoroka Tsaroako hatrizao Ny firaisam-po Ampoka sy doroka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/nafoiko
NAFOIKO
RFE Andria
NAFOIKO Dia nafoiko akia ilay vony Tsy notiaviko intsony F'ao an-jaridainan'olona Fa tsy izaho no miolonolona Na dia kanto sady manitra Mamerovero, mahasalanitra Dia izay no fahendrena Mamoy ny fitiavan-tena Na dia mampijafajafa Tsy maintsy afoy f'efa an'ny hafa Maharary ny ati-foko Misamonina ao ny toloko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/fitia-diso-fiantefa
FITIA DISO FIANTEFA
RFE Andria
Mahatsiarotsiaro ka dia manimanina Toram-pitia ka dia fanimpanina Manembonembona, mitsetsetra Fitia niserana tsy toy ny rehetra Namaka lalina sarotra ongotana Diso fiantefa, sarotra avotana Hany mba hery dia manjoretra Miova filamatra ihany no fetra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/soson-teboka-telo
SOSON-TEBOKA TELO...
RFE Andria
SOSON-TEBOKA TELO... Mizotra mankaiza ity làla-diaviko toerana aiza no mba hiafarany? Ho soa sa ho ratsy izany hoaviko ho lokoin'ny tsiky sa hampitomany? Baraingo iray na teboka telo no azoko asetry ny fanontaniana Tsy ahy ny ampitso mamelovelo ka hoe hofenoiko famalifaliana Ny hany mba tena azoko atao: mivav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/traikefa
NY TRAIKEFA
Fredy Jaofera
NY TRAIKEFA Ny traikefa no jiro mitaratra ny lala-nodiavina tsy mahay milefa fa eto mamahatra no tsy azo lavina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsisy-anao-1
TS'ISY ANAO
RFE Andria
TS'ISY ANAO Rako-drahona ny lanitra Ny vonin-draozy toa tsy manitra Toa misaona ny voahary Ny fiainana tsizarizary Loko tokana no sisa Nisolo ilay toa paradisa Tankina ny loharano Izay jerena toa angano Ny alahelo anao ry tiana No tena fara-fahoriana!!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsisy-anao
TS'ISY ANAO
RFE Andria
TS'ISY ANAO Mangentana sy maina Toa tany karankaina Ny foko ts'isy anao. Haolo sady lao Maniry oram-baratra Fitia hita taratra Fitia feno fatra Fitia mivatravatra... Arivelo Naivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miisa03/rano-raraka-raha-omena-lo
RANO RARAKA Raha omena lo
Miisa03
RANO RARAKA Raha omena lohateny ny tantarantsika roa,dia ataoko hoe:"rano raraka" Mantsy na ny saina,na ny fo dia efa samy tena valaka Fa tsy mazaka sedra sy rivotra mahery ka avy dia rava Izany ve 'lay fitiavana tsy anjara sa ny saina mihitsy no mbola samy tena zaza? Dia raha hiarahana mijery ny horonantsarintsik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/resy
RESY
RFE Andria
RESY Resy aho Resy an'ady Adim-piainana Fiainam-pitiavana Fitiavana anao Ianao ilay tiako Tiako tsy hay soloina Ho soloina an'iza? Tsy misy toa anao Babonao ka resy! Arivelo Naivo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/boyanjah.rz/any-ianao-zay
Tsiaro
Boyanjah.RZ
Tsaroako anio indray ,ilay olona nambabo fo Ilay nilazako nofinofy sy faniriana tao am-po Ilay namborahako fitia ,tsy mba nisy tebiteby Nizarako tenimamy ,lavitry ny rediredy Ankehitriny ry malala,anaty sento lalina aho Mamentsoventso ny fahiny,ka mitomany mitalaho Fa efa tsy hita intsony ianao ,fa nandao ts an-t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/ekeko
EKEKO
BerthiN AinA
Raha izy no ho anjarako Dia ekeko aminy anarako Ary aho Tsy hamitaka azy Na hoe hanitsaka mariazy Ho ekeko avokoa zay tiany Hanetry tena aho ho fifaliany Vonona ny foko ny hitia azy Na havoaroaka na havoasazy Ho tiaviko aminy fo izy zany Hovahako zay mety olany any Ary ten hiady aho hoazy irery Rah sanatria ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-olona-tiana
NY OLONA TIANA
Fredy Jaofera
NY OLONA TIANA Ny olona tiana, tsy ampijaliana ; ny olona tiana, tsy ampahoriana ; ny olona tiana, tsy haratsina ; ny olona tiana, tsy ahiahina ; ny olona tiana, tsy ambanina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenosoa/ataovy-ampy
ataovy ampy
Fenosoa
ny lasako izay ts fantatrao n ankehitriniko tsaratsarainao n ho aviko ankamantatra aminao ireo rht ireo dia natao ho ahy ts afak anomezako anao na dia hoe silapanahy ataovy ampy ho anao ny anononako hoe TIKO IANAO
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rarivomanitra-harinambinina/ny-tanindrazako
NY TANINDRAZAKO
rarivomanitra harinambinina
Ny taninandrazako dia tiko Satria tany niaviko Gasikara no anarany Aiko tsara ny tantarany Nosy misary tongotra ankavia Ny foko(18) rehetra mifankatia Ny fihavanana no mampiray Lova avy amin'ny razanay Harena maro sesehena Vatosoa sy volamena Ny mpitondra voky hena Ny vahoaka mahonena Hazo sarobidy Amidy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/anatra
ANATRA
Fredy Jaofera
ANATRA Aza manao fitia rano trambo : mateti-piavy fa mora ritra sao hanimba dia tsy hampihambo ka hampanavy sy hampipitra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/fehezinny-fitia
FEHEZIN'NY FITIA
Fetra Rafitsahàrana
Eny ho aho FITIA ! -Fitiavana Mahery tsy hatsangana 'Mijoro' Fitiavana Mahery tsy Resin 'Horohoro' Fitiavana Mahery mandrehitra 'Mandoro' tsy mety torotoro! Hanananao ny hery, tsy tosiko anaty Mahasambatr'ity Aina sy manambana mahafaty ...Oviana moa aho iny, ilay nalofam-pahasambarana Nahanokao am-paly, toa mil...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/hafatro
HAFATRO
BerthiN AinA
Ry lay rano mikoriana Etsy ange ianao mb hafarako Raha tazanao re i voahirana Dia lazao hoe eto izy andrasako Fotoananay mantsy anio Atsy afarafara atsy no hiarahana Nefa izy moa vahiny aminio Dia hotsenaiko eto antsapanana Eto hono aho mitazatazana Miandry zay ora hahatongavany Tsy dia lavitra hoe nareo no h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/sento-sy-tomany
SENTO sy TOMANY
BerthiN AinA
miasaotra anao nandà ny fitiavako fa tsy haheno izany intsony ianao hivoaka eo ivavako tsy varotr'Alika ny fitiavana mantsy ka hifanerena sady zahay rahateo koa mahantra tsy dia manakarena no osaosa eo aminy maha olona fa manampitiavana tena vonona hoentiko mody ny fok tia fa na ts anio aza mbola hisy hitadia a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenosoa/ratra-tsy-nampoizina
ratra tsy nampoizina
Fenosoa
ts nampoiziko ianao ilay neveriko fa tia ahy no niavona ts nandray ireo antso îzay natao ngamb noeverinao f sarotra ho ahy n anadino n momba anao. namitak ahy n foko f afeniko aminao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/fafana-sy-hadino
FAFANA SY HADINO
BerthiN AinA
Eny(..)Ekoko fa mafy izany Dia ilay hoe,olotianao lasany any Mangidy amboniny mangidy tokoa Nefa angamba raha nisy dia mety hahasoa Tsy hoe manambany fahoriana akory Fa io voanjobory mipitsika anjoro Maka toerana eny ivelany eny fotsiny Miandry zay tena ho anjara tompony Ny lasa,,lasa ihany tsisy fanantenana N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/ho-inonao
HO INONAO
BerthiN AinA
ho inonao ny fitiavako raha omeko olon-kafa teo aza teny mamy nivoaka ny vavako nefa nasetrinao ompa sy fanala-mbaraka ho inonao ny foko hitempo hoan'izay mba manapitiavana tany aminao izy feno sento sady nogejainao rojovy vakana ho inonao avy zay ataoko rehetra na hianatsimo aho na hiantsinana? fahiny ny fok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/ny-fitiavako
NY FITIAVAKO
BerthiN AinA
NY FITIAVAKO Ny fitiavako tsy sandaiko vola Ary tsy kaotiko isan'ora Fa omeko ankitsim-po malalaka Sy tsy ampitambazako mpangataka ....Nefa mahasarotiny ahy ihany Ny fanolorako izany Fa sao mantsy maty hasina Lay fitiAvana masinA Mamy amiko tokoa mantsy izy io Fa tokana eto an-tany lay fitia madio Dia ny ahy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/sarangam-pitiavana
SARANGAM-PITIAVANA
BerthiN AinA
Ny mahantra sy ny Mpanana Moa ts mety ho iray lalana Na koa hiray tran sy latabatr Fa misy foana lay mapiavak Toy izan koa ny fitiavana Fitiavana malefak sy mazana Mitovy aminy fitiavantsika roa Nampiarahin nef indrisy Moa() Indrisy,ho rava lay fitia najoro Lay fitia taminy fo manotolo Hosiparany saranga ts m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/misy-raha
MISY RAHA
BerthiN AinA
Misy hery hafahafa anaty Manosika ahy tsy hihafy Manao zay hidirako lalina Manery ahy tsy ho malina Misy feo mibitsika mangina Manolotra olona ho vadiana Mandidy ahy hanomboka hitia Manakana ny foko tsy hitadia Misy fanahy ts fantampiavy Mamporisika ahy amin'azy Manoro lalana hafahafa Mandresy lahitra ahy ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/teny-maminao
TENY MAMINAO
BerthiN AinA
Lay tenimaminao kay moa sangimpitia Nefa niraikitra tato ampoko satria Ny foko tsotra sy malefak ka nifikitra Nefa kay ianao mpilalao fitia marihitra Mbola Lay tenimaminao ihan koa No Nanatsipy vato ka nahavoa Ilay fondRafiko nisolo ahy Ankehitriny Zay mbola zaza loatra sy ts manantsiny Izay tenimaminao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/vonokhiady
VONOK'HIADY
BerthiN AinA
Malala,,Ambarako eto anio Ilay fitia madio Izay avy aty anatiny foko Fitia Tokana tsy maro loko Izay rehetra tsara ao!* Ry malala,Foiko hoanao Tsy ilana tambiny na setriny Fa ny fitiavanao no heriny Izao tontolo izao mantsy Toa sakay sy fantsy Mihamafy tsisy hoatr'izany Mangidy,Alahelo!!tomany Fa ny fitiava...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/-loso-
LOSO
Fetra Rafitsahàrana
-Eto atokon-tany aho, mametsovetso tiana Manopy maso ambony ny kitan'analin kisa Dia mamisavisa.... Hoe rahoviana indray vao ho avy, ilay angolan-tsiky Eto aho mitanondrika, mangina samirery Misankaiza an-tsofina ny feon'angelikary... Manamby fo marary sy misafo piainan- tiana Eto aho velon tsento, Mihaino ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/iny-dadako-iny
INY DADAKO INY
Joda Razakasoa
INY DADAKO INY Iny dadako iny... raha vao mitranga ny maraina, dia tinazana efa velon-taraina eny amin'ny endriny eny, izy tsy miteny... fa tehiriziny ao am-pony ny ady izay sedrainy, noho ireto sombiniainy iny dadako iny... mikiry sy mitady ho an'ireto zanaka sy vady raha vao miposaka ny andro mba hananan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/fiainan-tsika-ety
FIAINAN-TSIKA ETY
Fetra Rafitsahàrana
-Ny fiainanao androany Tsy ho fiainanao Rahampitso Fa mety Hifandiso! Amin'ny eritreritrao ,,tsy azonao baikoina Na koa ho vonoina Fa zava-mifanila ,izay miafina tsy takatra Sy mbola ankamantatra,, Tsy hampilaza anao rahoviana Hoe..handroso fifaliana Na hamoitra izay tsy tanty Ka handrotika ny anaty Nefa!....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/hoavy-izahay
HOAVY IZAHAY
Joda Razakasoa
Indro efa fantatray,ny hoavinao rampitso! efa vinaninay,fa hisy ady sy tolona! nefa...disoy izahay raha diso, fa handrika ny rà ,hisy fatin'olona fa raha ny vavaka nasandratra, mba entina hanovana ity firenena ity, dia angamba efa sambatra? angamba efa henika fitia, saingy...zary nofy tsy tanteraka, na rahovia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/polifika
Polifika
lain's rakoto
Nanjavona daholo izy iray manontolo Tsisy hita na iray Efa nahazo nilomay Efa hikina avokoa Nahazo zava tsoa