url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloky-ny-lasa/be-ny-maso-mifanena-kisen
Be ny maso mifanena kisen
Aloky Ny Lasa
Be ny maso mifanena kisendrasendra tsy natao, fa misy jery mahajambena ka maharesy tsotra izao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/miandrandra-tena-fahafahana
MIANDRANDRA TENA FAHAFAHANA
Joda Razakasoa
MIANDRANDRA TENA FAHAFAHANA Miandrandra tena fahafahana i Gasikara tanindrazan-tsika, manantena tolom-panafahana fa manjary mangatsiaka ny ady izay efa nisy kanefa lahy indrisy! fa voageja tsy hiteny sy tapenam-bava ombieny ny malagasy te hitroatra, mangina ny vahoaka e, tsy sahy mijoro intsony fa voatefa h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djah-hco/...an-kira-foana
FITIA FILAFILA
Djah Hco
Nidoboka ny foko vao nahita anao. Tsy nisalasala namokatra fitia. Ka velon-kira aho isan'andro izao. TIA TOKOA~ LAIN'J. Ianao ko nitia fa tsy nisalasala. Ka tsy nisalasala niantso hoe malala. Sady nihira no nanome raozy. TSY ATAKALOKO~ DADI LOVE. Sodoka ny tena ka nanome toky. Fa hifankatia aminao ho doria. K...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vina/eto
ETO...
VINA
Eto no tsotsorimamba Handrendrehako ny fo Miari-pery Samirery Nefa mbola miandrandra Eto ihany koa angamba No handevenako ny roa Fa fony isika Nangatsiaka Dia niara-niombon-damba Na ny nofo na ny fo. Eny! Eto andavamamba No handefonako ivoho Izay volana mitranga Ka misarika azy hifoha.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-aina/hono
Hono!
Ny Aina Mikanto
Tia ahy hono izy! Zay no nolazainy tamiko Dia hoe:fitia tena izy, Fa tsy nindramiko Tia ahy hono izy e! Zany no mba redirediny Safidiny ho ankiziny, Na manonta aza tsy bediny. Tia ahy hono izy! Angamba mety ho marina, Na koa hadalana na betizy, Na zavatra namboarina Tia ahy hono izy! Ary manantena Hoe:hia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/io-mpitondranay-io
IO MPITONDRANAY IO
Joda Razakasoa
IO MPITONDRANAY IO ...Io mpitondranay io, Ray o! raha toa ka sitrakao, mba tolory fo madio, mba omeo saina vaovao, fa mitoetra sy manjaka ilay ratsy ankehitriny! izay rehetra teo,toa namela ratra sy nampitondra hirifiry Ray o! miangavy,mitalaho! mifona indrindra,aza faizina ! henoy ny feon'ity zanakao fa ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/satria-ianao-poeta
SATRIA IANAO POETA!
Joda Razakasoa
SATRIA IANAO POETA! Ianao ilay olona miavaka, ianao ilay mitondra ambavaka an-tsoratra hoan'ny tanindrazana, ianao ilay manana finiavana, satria...satria ianao poeta! ianao ilay misolovava ny vahoaka, ianao ilay miezaka mamoaka ny vetsovetso ao anatinao, sakaizam-penina isan'andro lava izao, satria...satria i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pissoa/torio-fitiavana
Torio fitiavana
Pissoa
Torio fitiavana aho, lazao fa tinao Na tsy misy manjamaso ! Na dia fantatrao Fa vovoka biriky no nandokoiko volo ! Ilay fitia maharitra, fa tsy irony afo-mololo. Handaingao kely raha tsy ampy ilay fitia ; Ny “natoraly” hoe no mendrika satria Tsy misy fitaka ny hatsaran-tarehiny, Marina kokoa ny tsiky sy ny hehin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloky-ny-lasa/etoana-aho-malala-mitoetr
Etoana aho malala mitoetr
Aloky Ny Lasa
Etoana aho malala mitoetra eto amin'ilay toerana iny ilay mifono nu fahiny fony isika niaraka... Teto no napiaraka, teto ihany koa isika ilay nivoady niloka ho doria, nilaaa ho samy tia, nefa... Aiza ankehitriny ireny rediredy, Irenu toky maro niaraha-nanome? Sisa ka tsiaro e! Embona no sisa ireny lasa nifa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frdric/ny-teniko
Ny Teniko
Frédéric
Nataoko ho anao ry teniko; No nandroatan'ity peniko; Teny tsara ,tsy mba misy tsiny; Nefa atakalon'ny hafa teny vahiny. Indrisy ilay teniko mahantra; Itsahan'ny olona ,tsisy mpihantra; Zary sombintsombiny foana no ifampiresahana; Fa ny teny vahiny no tena mahazo vahana. Malagasy ô! mitongava saina dia mifohaza;...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frdric/-tiako-ianao
" Tiako Ianao"
Frédéric
Ny teny hoe "tiako ianao" Dia teny mampalasa adala Teny avy ao am-po avy ao Teny sarotra ambara Teny iray mampifaly Hanadinoina ny rehetra Toa te hilaza azy hatrany Na mandeha ,na mitoetra Teny tsy mba mety maty Ary tsy mba mety lefy laza Mahery loatra ao anaty Ka voaloaky ny vava Teny iray mampitomany Nef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frdric/fahatsiarovana
Fahatsiarovana
Frédéric
Toa lasa ny saina Raha mandinika ny lasa Rehefa tonga ny maraina Ny endrikao tsy voafafa Raha vao mangiran-dratsy Dia ato an-tsaiko ny endrikao Tsy afaka ato anaty Ilay fitsikitsikinao Midobodoboka ny foko Tena mila ho lasa adala Ka ilay sarinao no horoako Eo an-doham-parafara Rehefa tonga ny amin'ny roa T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frdric/nahoana-ianao-no-tonga-teto-an-tany
Nahoana ianao no tonga teto an-tany?
Frédéric
Tsy sitraponao velively Ny ho tonga eto an-tany Fa i Dada sy i Neny No nahatonga an'izany Misy antony ihany koa Matoa ianao nigadona eto Na ho ratsy na ho soa Na ho mafy na marefo Tsy mba hevitrao akory Ny ho tonga eto an-tany Noho izany dia hotrony Izay miseho, na ho mangidy na ho mamy Ka raha sendra ady m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloky-ny-lasa/impiry
Impiry...?
Aloky Ny Lasa
Impiry re mitia vao mahita ny anjara? Impiry koa voadona vao hahasoratra tantara? Moa be ka misy sanda ny fitia mba haharitra mandrakizay doria?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frdric/zanaka-sy-ray-aman-dreny
Zanaka sy Ray aman-dReny
Frédéric
Olona tia mananatra No sady mazoto mampianatra No antsoina hoe Ray aman-dReny Mikiry ny hanatsara Ireo taranaka amam-para No tanjona kendreny Malahelo izy raha mahita Ireo zanaka maditra Ka mila ho vaky fo Tsy afaka ao am-pony Isan'andro toa tsaroany Ilay zanaka tsy mpankato Faly kosa izy raha mahita Ireo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ar-jlucien/ho-anao-ry-tiako-ity-sor
Ho anao
AR J'Lucien
Ho anao ry tiako Ity soratro mangina Ho anao ilay tokako Ho anao irery ilay niriana Aza manahy hianao Fa ny ahy rehefa hianao dia hianao Ho anao tsisy very Ilay fitiavako tsy an-tery Ho anao tokoa izany Ity soratro am-penina Na tsiky na tomany Dia ho anao tsisy nenina Fa ato no asehoko Ilay toky ho anao ry...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/ireny-soratra-ireny
IRENY SORATRA IRENY
Joda Razakasoa
IRENY SORATRA IRENY Ireny soratra ireny... ireny no entin'ny poeta hiadina amin'ny tsy marina, ireny sakaiza no poleta! hitifirana ny mpitondra mba ahafahany misaina sy miarina ireny soratra ireny... petan-drindrina miraikitra doria eo anivom-piarahamonina, mampiseho endrika fitia ary te hamboraka amin'ny ol...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/iny-zazavavinny-alina-iny
INY ZAZAVAVIN'NY ALINA INY
Joda Razakasoa
INY ZAZAVAVIN'NY ALINA INY Ekeny fa tsy sitraky ny fony ny hanekeny anao ho namana ato anaty alina mitony... fa sombim-piadanana izay tsy tiany akory no manjary lolohaviny, fa noho izy tsy mahasetra ny ankaso dia indro ianao hankatoaviny, fa ao anatiny ao? fo maratra sy mijaly te handao ny tany! ny ety ivel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/setrinny-ditra
SETRIN'NY DITRA
Joda Razakasoa
SETRIN'NY DITRA Dada a! iangaviako indrindra ianao, raha toa ka sitrakao dia... aza atao fantatr'i Neny, fa ny setrin'ireny ditrako ireny dia aty am-ponja... minitra vitsy monja no mba ahitako masoandro, mangahazo no nahandro ! dia...mangatsiaka rehefa alina, haizim-pito lalina no mameno sy mitoetra, halak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frdric/namana-sy-fahavalo
Namana sy Fahavalo
Frédéric
Mpinamana ny olon-droa Raha mifampizara izay mahasoa Ka raha misy ady mafonja Dia mifampizara sy mifampitondra Fa mpifahavalo kosa Raha toa ka mifampifosa Ka voatsikera avokoa Na ny aoriana na ny ao aloha Mpinamana ny olon-droa Raha tsy manao lolom-po Mifamonjy raha sendra anaty lavaka Ka mifampitondra amam-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloky-ny-lasa/impiry-re-mitia-vao-mahit
Impiry re mitia vao mahit
Aloky Ny Lasa
Impiry re mitia vao mahita ny anjara? Impiry koa voadona vao hahasoratra tantara? Moa be ka misy sanda ny fitia mba haharitra mandrakizay doria?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-natsu/efenao
EFENAO
Tojo natsu
Ilay mpanjaka vavy ny foko,,efenao safidiko ka kolokoloiko! Mandramaty iray lalana,,tsy mivilivily tsika fa miaradalana Na alaelo na tomany,,aza malaelo malalako de aza mitomany Na disadisa na kiadiady,,matoky enao ana hatrany... Satriko enao ana hirery,,efenao tiko ka tsy teriterehana Sarotra ho ahy ny hiala amin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/isaky-ny-hoe-mba-tsaroako
ISAKY NY, HOE, MBA TSAROAKO
Fredy Jaofera
ISAKY NY, HOE, MBA TSAROAKO Isaky ny, hoe, mba tsaroako 'reo vava nandratra ny foko dia kotsa ho azy avy hatrany ny maso mijery any ho any. Isaky ny, hoe, mba tsaroako 'reo latsa natao tsy hisoko dia sento mila tsy ho zaka no miorina sy lalim-paka. Isaky ny, hoe, mba tsaroako ny very sy izay niova loko dia o...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ar-jlucien/tsy-te-hanao-veloma-aho
Tsy te hanao veloma
AR J'Lucien
Tsy te hanao veloma aho, Tsy te hanao veloma anao. Tsy te hanao veloma ilay fitia, Tsy te hanao veloma ny dia. Tsy te hanao veloma ny toetra, Tsy te hanao veloma fa itoetra. Tsy te anao veloma ny rotsiny, Tsy te hanao veloma fotsiny. Tsy te hanao veloma ny lasan-tsika, Tsy te hanao veloma fa mangatsiaka. Tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ar-jlucien/raha-ny-faniriako-tompo
Raiko tiako
AR J'Lucien
Raha ny faniriako Tompo, Dia ny tsy hivadika amin'nao. Ka mivavaka amin'nao aho Tompo, Omeo ilay fahendrena avy aminao. Ilay saiko mantsy, No mila ahitsy. Fa mora miova toetra, Tsy mahalala izay ho fetra. Na ny fo mitepoko, Toa mamoy fo. Dia ianao no ampitony, Tsy ho reraka intsony. Ny vatana mora lo, Iana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tsy-ho-vonoiko
Tsy ho vonoiko
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Na dia efa manakaiky ahy ny tadio mifofofofo, Sy ny akon'ny onjany misafotofoto! Izay misosa tamy hamono izato afoko! Dia tsy atahotra ny haizina dondoniny ny foko! ____________________ Ka na reko aza ny kotroka , 'Zay toa milaza fa ny androko efa maloka! Ka manambana ny avandra sy ny orana fa hilatsaka, Dia t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ar-jlucien/mistery-taminy
MISTERY
AR J'Lucien
Mistery taminy ity fiainana mandalo, Fa tsy fantany ny rehefa avy eony sy ny ampitsony feno fahavalo. Lasa ny fisainany lasa alavitry ny iainany, Hoe raha mba izaho mantsy no? Dia mistery foana no iainany. Noho izany dia miezaka izy ny hiavaka, Niezaka tokoa ny mba hiavaka amin'ity fiainana feno akanavaka. Dia m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/salto-slam/hay-soratra-no-talentako
Hay soratra no talentako
Salto Slam
Ny talenta akory tsy hifaninanana. Na hoentina miambo na hanindriana ireo namana. Fa zava-Kanto ho entina hanaovan-tso. Ka tsy andraisam-bola ireo Vokan-tso. Ny zava-kanto dia mikatsaka ny lafatra. Hanoro fahendrena sy hampita ireo hafatra. Hifampizarana ireo manta sy ny masaka. zay manana haingam-panahy rehetra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ratra
RATRA
Fredy Jaofera
RATRA Marary re ny foko, miteby koa ny saina : nanjary niova loko ny efa nantenaina. Ny andro izay nihira, lasa toa tsy tratra ; 'reo hany sovenira nanjary feno ratra. 'lay tanàna tiako feno vorondolo ; 'reo izay niriko, tonga bobongolo. Mamely re ny ratra, mandoro hafahafa ; mbola mba tsy zatra ka namp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/manan-kambo
MANAN-KAMBO
RFE Andria
MANAN-KAMBO... Tsy malahelo olon-tsy manina sao ho noana tsy hahatelin-kanina Tsy manembona olon-tsy tia fa mampaharary sy he mampahia Tsy mitamby ny tsy an'ny tena sao ho fanina ka hivembena Manan-kambo fa tsy matin-kambo tsy biby ka hifori-drambo Iray no niala ka aleo ho any mbola maro ireo manontany ARIVE...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ento-aho-re-ry-tongotro
Ento aho re ry tongotro
Rary Nofy
ENTO AHO RE RY TONGOTRO. Ento aho re ry tongotro; Fa mbola ho lavitra ny lalan-kaleha; Ka faingana izao dia izao; Fantaro tsara ny dia aleha. Ento aho re ry tongotro; Ento aho fa maika ny ahita; Ilay lalan-ko diaviko; Na eto na any am-pita. Ento aho re ry tongotro; Kanefa entinao aiza re? Any amin'ny tiany v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-ny-aina/poezia
"POEZIA"
Lova Ny Aina
Etsy kely ange ka mba tazanonao erÿ! F'ireo poeta manontolo no mikalo poezia, Miparitaka manerana iny habakabaka, Otronin'ny kintana maro tsy an-kanavaka. Rehefa hitany aho,dia mba nohantony, Nantsoiny hiakatra eny mba hiaina ny tontolony, Hivetso poezia anaty tara-diavolana, Ka feno ny hazavana,tsy nisy notakon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-ny-aina/nofy
"NOFY"
Lova Ny Aina
Fa nahoana ange no niova ho fankahalana, Ilay fitiavana nafana mbola nisy teo aloha? Saingy indrisy fa dia foana,ka tsy ho hita intsony, F'efa lasa nofy hono,ka nijanona ho nofy, Nofy mandra-maty tsy mba hanam-pitsaharana, Tsy mety mba hifarana,mitohy tsy misy fetra. Nofim-pijaliana,nofim-pahoriana,nofin'alahelo,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/salto-slam/antso-ho-any-taniko
Antso ho any taniko
Salto Slam
Manainga mavesatra ho any ireo ao ambony. Fa mijaly sy sahirana izahay aty ambany. Mitsahatra mitempo ary tsy miasa intsony ve ny fony?!? Ka tsy hontsa sy honena mahita anay mijaly. Mangataka!!Miantso koa ra azo atao. Mitaky fifaliana sy ilay fiainambaovao. Tsy ho anao irery fa ho antsika sy ianao. Koa hesory ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maha-olona
MAHA-OLONA
Fredy Jaofera
MAHA-OLONA Raha mitady fahendrena tiana hamololona ka tsy mosalahy, tsy ny vola aman-karena no maha-olona fa ny fanahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-natsu/ty-dry-de
Ty dry de?
Tojo natsu
Nandeha ny asa tena... Ity zazavavy tsi manatsiny... Mijaly tena maonena,tsi fidiny anazy iny Ty dry de otrany zao... Ny asa tsy maita enao,ka ny vatana va varotanao, Ty dry de manimba vatana sarobidy,tsara ovaina fiainanao iny Ty dry de tsy tonga saina,,oe manimba anao nge iny,, Ty dry de mody mitapy,mifaly nef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriy/nenina
NENINA
heriy
Hifonany aminao Amin'zava zay natao Tsy fanainiany akory Ka nahonga anao hatory Ka tsy hifoha itsony Ary lasa nampahory Ny zanaka amanjafy Toa lasa zary nihafy Noho ny alahelo anao Isanora lava izao Hoe lasa ianao ry neny Lasa tsy niteny
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vitsika-momba-kitay
VITSIKA MOMBA KITAY
Fredy Jaofera
VITSIKA MOMBA KITAY Vitsika momba kitay ka injao lasa vinany sy indro mangaihay fa manina ny akany. Vitsika momba kitay ka embona no tonga, mamelona eto indray ny lasa sy somonga. Vitsika momba kitay ka oriory toa vahiny : miredareda sy mivay ny tsiaron'ny fahiny. Vitsika momba kitay ka mahazo fanaviana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ynovirahimam-randriamalala/ny-alaheloko-eto-izao-mo
Ny alaheloko eto izao
R.N Randriii
Ny alaheloko eto izao Moa ve mba tsapanao? Ny foko tena latsapaka mahatsiaro tena toa voadaka Ny fihetsempoko izay tsy tana No hanambarako ato izany ry malala Izany no ao ampoko ao Moa ve mb tsapanao? Lavo izao ny foko Ka mananika any ho any Ny fiainako ny toloko no hiandradrako ny tsikiko tsy ho tomany Ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/iza-moa-izay-izaho
IZA MOA IZAY IZAHO?
Teboka Telo
Raha izaho no mba poety: Mpandiam-penin'aingam-po! Na ny horaka an-tanety, aza, Ho safo-tsoratro avokoa! Raha izaho no mpanoso-doko: Mpikira lokondonkon-tany! Na ny talana ao am-pisoko, aza, Ho voatemitro ho akany! Raha izaho no mpikalo: Mpiangolangolan'antsam-peo! Na ny rivotra mandalo, aza, Voaventiko hira...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rehefa-kely-ny-fitiavana
REHEFA KELY NY FITIAVANA
Fredy Jaofera
REHEFA KELY NY FITIAVANA Rehefa kely ny fitiavana dia ngeza be ny hadisoana ka haratsina tomandavana sy lazaina ho tsy inoana. Rehefa kely ny fitiavana dia ngeza be ny disadisa sy tsy misy izay finiavana hanova izany ho paradisa. Rehefa kely ny fitiavana dia ngeza be ny fialonana, nofinofy izay hampihavana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frdric/zaza-kamboty
Zaza kamboty
Frédéric
Mampalahelo ihany Ny fahakambotian'ny zaza Fa alahelo sy tomany No mameno izato tava Toa tsy misy ny mpiahy Sady tsisy mampifaly Mampivonto ny fanahy No mahita azy mijaly Eny,toa mireninireny No mbola tsy mianatra Tsy eo intsony dada sy neny Antenaina mba hananatra Sakafo tsizarizary No ao anaty kibo Ra s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-natsu/nisitaka
Nisitaka
Tojo natsu
Sarotra ny iarak aminy, Niova lasa mody fanina Niartra iany nijanona hela,, Indrisy anefa maonena Miala alavitra tiny atao Tsiafaka anefa ef'anao Misitaka taterak manalavitra anao Efa reraka ka te iala aminao Any ka veloma enao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-natsu/misy-ve
Misy ve?
Tojo natsu
Tafiaraka samy tia tokoa Misy afo miredareda ao am-po Ka samy mankafy ny hakantony alo Misy tokoa lay fitia,maharitra hodoria Hotainy janahary mandrakizay Ny fitiavana dia mitambatra ho iray Ka rehefa hendry ho tokam-po Misy ao aminazy ilay fitiavana soa Voa kolokolo tsy mety loo,, Aza avela lany fitiavanao, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frdric/ny-fiainana-eto-an-tany
Ny fiainana eto an-tany
Frédéric
Raha ny fiainana eto an-tany Dia feno tsiky sy tomany Sady mangidy no mamy Tsy atao mahagaga intsony izany Ao ny andro hifaliana Ao ny andro fahoriana Ao ny andro hitsikiana Ary ao ny andro hiadiana Iainana avokoa Ireo fiainana taloha Indrindrandrindra moa Fa ny ratsy sy ny soa Ireo rehetra ireo Dia tsy at...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/zana-jovy
Zana-jovy
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Mba zana-jovy loatra ity mandalo, Koa tahaka ny tsy fantatro akory! Manangan-tsiaro hampikalo, Ny tantarako efa matory. ______________________ Mba zanak'iza leroa! Itsy tazako mamakivaky? Toa tamy mandondona hamoa, Ny vavahady voatoham-pamaky. _____________________ Iza iny zaza iny? Iza fa tiko fantarina? T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-ny-aina/ny-fiteniko
"Ny fiteniko"
Lova Ny Aina
Tamin'ny tononkalo maro norangotin'ito peniko, Ny teny Malagasy hatrany no hany tokana fiteniko. Nasongadiko ao mihitsy fa tsy mpindrana aho fa tompony, Fa na ny foko na ny saiko,Malagasy hatramin'ny fotony. Io fiteniko io anie ka nolovaiko tamin'ny razako, Efa nampianarina ahy hatramin'ny fony fahazazako, Zay mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/frdric/ditraditra
Ditraditra
Frédéric
Ry namako tanora Efa tonga ity ilay ora Avelao ny ditraditra Kolokoloy tsara Izay mety iafaràna Fandrao hipitrapitra Izao androntsika izao Dia tsy miafina aminao Fa tonta sady ratsy Izay iafarana hevero Ireo adalana aneneno Fa sao angasihasy Tsy hoe miana-kendry Na hoe mandrebireby Fa teny avy ato am-po ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-tody
NY TODY
Fredy Jaofera
NY TODY Ny tody tsy misy fa ny natao no miverina raha mipody, indrisy, ny raorao ka anterina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mazavatsinana/soratra
Soratra
Mazavatsinana
Raha nanoratra aho, Tsy voatery ho ny lasako Na koa fiainana niainako Fa kosa hitantara, hanambara Ny mamiratra sy mara. Raha nanoratra aho, Ka nihetsika ny fo Niemponempona tsy zakako Nampanganohano maso Nirotsahan-dranomaso. Raha nanoratra aho, Nitantara hafaliana Na koa zava-mahaliana Tsy mbola takatry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manandrana
MANANDRANA
Fredy Jaofera
MANANDRANA Ny vina dia efa hita ka aoka re hihelina fa manoha randrana ; rehefa tsy mahavita, aza manelingelina an'izay manandrana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/zovy
ZOVY?
RFE Andria
ZOVY? Zovy moa no poeta tsy nihira ny diavolana rehefa injay ny fitia no misedra izany olana? Zovy koa no poeta tsy nikalo irony kintana ka namisavisa teo ny anjara sy ny vintana? Zovy ho'aho no poeta tsy nandoko volon-danitra sy ireo voninkazo kanto mamerovero manitra? Zovy re no poeta tsy nanorina ny akaniny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/mitaky-fitsaharana
Mitaky fitsaharana
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Ry fasana toa zohy! Ny antsoko henoy! Avoahay tao ilay olon-tiako! ______________________ Ry tsilo manoloana tsy tazako akory, Ry raozy mba esory! Hanamaivana ny fahoriako! ______________________ Ry vorona kaloy, Ry Tsiahy mba vetsoy, Ny tononkalonao hanofisako hasambarana. _______________________ Ry havako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-natsu/pozina
Pozina
Tojo natsu
Tia anao tsy tonga saina, Itako valaka sady malaina,, Mapijaly tena manimba saina, Ngah ny domela mapahazo aina Mikoaka enao mitaraina Marary ny kibo mila hivoka ny aina Olombelina nofo sy rà, Rehefa osa enao vo anenin angah!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/inona-hoe-
INONA HOE ?
Fredy Jaofera
INONA HOE ? Inona hoe ?...Ianao ve no reniko ? Aleoko mangina fa dia ny peniko mitarika hanoratra zava-tsy zaka, mampitorovana sy toa lalim-paka. Inona hoe ?...Ianao ve no reniko ? Halako izany fa tena tsy afeniko ! Tsoriko izany fa tsy hita nanampy fony nisento sy te hiantsampy. Inona hoe ?...Ianao ve no reni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ikora/ianao-hono
Ianao hono
ikora
Raha nihaona ianareo omaly... Moa mba tsapanao ve Fa fifalina be ho azy Ny maheno anao mitafa Sy mijery anao mandeha ...Babo izy ka voasazy... Dia niangaviny aho hilaza Sy hamboraka aminao Fa hono kay nivazavaza Ny tao am-pony tao Saingy tsy sahy nilaza Fa niandry ny topi-masonao Izany hoy aho no mba hafany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/hitaky-fahafahana
Hitaky fahafahana
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Raha ny kely no ankelezina, Ny efa be no atavezina! Dia hisy sandry hahinjiny sy hakariny, Hanafoana ny tsy rariny! _______________________ Raha ny efa tomady no henoina, Sady mbola hotsaboina ka ny marary hovonoina! Dia hisy korotana mafàna, Hitaky fahafahana ho an`ny tanàna! _______________________ Raha ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dotmg/lafo-vidy-ny-litera
Lafo vidy ny litera
DotMG
Lafo vidy ny litera ... K'aza saininao akory izay fitsipi-panoratana Ny voambolana afohezo Ary ny hafatra fehezo; 'Reo kahie fahiny dory, atsipazo ery am-patana. Raha ny fandrasana teny tsy mba mila hofantarina Ny zanatsoratra aoka hatelina, Dia havaozy ny tsipelina Faikantsoratrao(*) ireny izao no ekena ho ten...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/taminny-mbola-teo
Tamin'ny mbola teo
Rary Nofy
TAMIN'NY MBOLA TEO Tamin'ny mbola teo i Dada; Toa revorevo impiry impiry; Tsy mba naharé izany hirifiry; Sy izany fahantrana izany ny tena. Toa mifalifaly hatrany; Fa manana Dada mpanambitamby; Fanampin'izany koa; Izy ilay nikaroka ny soa; Mba hiadanana,hifalianao! Ny foto-kevitra,katsahiny. Mba hahasoa anao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-natsu/midomelina
Midomelina
Tojo natsu
Tia anao tsy tonga saina, Itako valaka sady malaina,, Mapijaly tena manimba saina, Ngah ny domela mapahazo aina Mikoaka enao mitaraina Marary ny kibo mila hivoka ny aina Olombelina nofo sy rà, Rehefa osa enao vo anenin angah!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-natsu/alina
Alina
Tojo natsu
Tonga avy niasa ny tena, Reraka ka mila makaina, Alina mangina toa mapahazo aina, Maka toromaso moramora, Mba iala sasatra hiova tontolo Anonofy ny hoavy tsi hita Maizina nefa mafinaritra Mijery volona mamirapiratra Ny kitana ko reny eny mamiratra, Ka alina tsi mitabataba Mila mangina matory ny tava Ndrao an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/io-facebooky-io
Io facebooky io
Rary Nofy
IO FACEBOOKY IO Toy ny fitaovan-tserasera; Pejy iray tena malaza; Hita ao daholo na lehibe na zaza. Fa io facebooky io letsy; Mahatetika maharesy; Ny fo sy ny saina! Ka mahatonga harerahan-tsaina sy taraina. Noamafisin'i Bebe; Tao koa i Dada sy i Neny; Samy nanamafy ny vokany hoe... Tsy mitondra soa ireny. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-maraina-mantsy
Ny maraina mantsy
Rary Nofy
NY MARAINA MANTSY Ny maraina re ry aiko; Dia toa mivalom-batosoa K'anefa tsy mba tazan'izany saiko Ny mety ho voka-tsoa. Ny maraina mantsy ho'aho Toa manafina tomany! Fa tsy takatrao,tsinjona izany. Ny maraina angamba izao; Dia toa fatram-pitalao Fa angamba tsy tsikaritrao? Izay mety hiakany ao. Ny maraina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-fahazazana
Ny fahazazana
Rary Nofy
NY FAHAZAZANA Tsaroanao ve ny fahazazana; Ilay fahakely,niaraha-nilalao; Toa anaty lovolobon-garana; No niara-nihafin'izaho sy ianao. Tsaroanao ve ilay kivarivary! Ireo no natao kisarisary; Mba ho marika fa nandalo ny fahazazana; Ka handroso indray amin'ny hatanorana. Tsaroanao ve ilay bedibedin' I Dada sy i ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-fitia
Ny fitia
Rary Nofy
NY FITIA Ny fitia re tsy kilalao; Fa atao resaka tena matotra; Raha toa mitia ianao! Ataovy fitia mifamatotra; Rehefa mitia re aza afenina; Na amin'i Dada na i Neny; Fa raha tsy izany hanenina Rehefa tojo ilay eson-teny. Aza sodoko ny akanga tsara soratra Fa mijeré tsara izay mba ho anjara; F'andrao any aori...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/vinavinako
Vinavinako
Rary Nofy
VINAVINAKO Raha izaho angamba no piéta ah! Dia mety ho fantatro daholo Izay ao an-tsainao rehetra! Na ny eritreritra! Na ny vetsovetso! Na ny tsiahitsiahinao ihany koa ah! Raha mba izaho moa no poéta toa anao! Dia tsy hitsahatra handalina Hitsikera izao tontolo izao. Na maraina na atoandro indrindra fa ny ali...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/soa-lavo-hahay-mamindra
SOA LAVO HAHAY MAMINDRA!
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Soa lavo hahay mamindra; Soa kenda hahay mitsako. Soa korontana hahay mandrindra; Soa mangina hahay manako. Soa mahantra hahay mitsitsy ; Soa manana hahay manampy. Soa mototra hahay mitsiky; Soa latsaka hahay miantsampy. Soa dondrona hahay mianatra; Soa miboredika hahay miteny. Soa maditra hahay mananatra; S...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-natsu/ry-tiko
Ry tiko
Tojo natsu
Ry tiko ho malalako,, Rahovina re enao vao eo atanako,, Marary ny saina mijaly fanahako,, Ny fitia tsy lany hamamina,, Izany ny omeko anao ry tiko Anantona ve sa itroka ny tanako,, Mety efa nahita k'amafa ny anarako Tsi haoko akory,,fa zay ny anjarako Rehefa zay tinao ry malalako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/tafatafanny-fanahy
Tafatafan'ny fanahy
Rary Nofy
TAFATAFAN'NY FANAHY Ato an'efitra mangina aho No miandry anao ombeny! Maminavina,mieritreritra sao Sao lahy ho lasa nofy ireny. Ireny lasa nihaonantsika; Tany anaty eritreritra; Ilay nahitako anao sariaka; Ka hikotrika ao ampon'ny mpitsiriritra. Ato anaty alin'nofy aho; No miandradra hitafatafa; Hiresa-dresa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-hakantonny-asa-soratrao
Ny hakanton'ny asa soratrao
Rary Nofy
Valin'ireo asa soratra nosoratan'ireo poéta malagasy NY HAKANTON'NY TONONKALONAO Tena asa soratra bikàna sy soa; Ireo natolotrao fa dia mirary soa. Tohizo hatrany hatrany izany fanoratana; Fa io no haren-tsaina,sy hany fisandratana. Ny asa soratrao toa mandoandoana ny fo; Hita ao avokoa ireo karazan-kalokalo; N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/rehefa
Rehefa
Rary Nofy
REHEFA... Rehefa reraka ny saina; Mivezivezy ny fanahy; Ka tsy tâna ilay taraina Fa miteraka tsiahy. Rehefa vizana ny vatana: Ka torovan-drovana ny fo; Toa te hanoratra ny tanana; Handrakitra ireo nofy efa lo. Rehefa malomaloka ny andro; Efa ho dify ilay masondro. Mitamberina indray ireo fahiny Ireo fiainan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/vetsom-po
Vetsom-po
Rary Nofy
VETSOM-PO Vala-balaka ny vatana; Rera-dreraka ny saina; Ka mitambolona tsy tana Ireo sorisory sy taraina. Torovan-drovana ny fo Izay mitempo isa-minitra; Malemilemy toy ny akoho; Tsy ho ela dia hitritra. Kivikivy ny fanahy; Malahelo aok'izany; Toa mifoha ireo tsiahy; Toa mitraotra hatrany hatrany. Tezitra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/tsarovy-fa
Tsarovy fa...
Rary Nofy
TSAROVY FA... Toa kivikivy ianao Toa malomalo-tava izany; Tsarovy fa eto aho; Hampifaly anao hatrany. Raha malahelo ianao; Toa malomalo-kendrika; Tsarovy fa izao rehetra izao; Tsy mba miramiran'endrika. Raha mitomany ianao; Somban-javatra ihany izany; Tsarovy fa ny eto an-tany; Feno loza mitatao. Raha mang...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/raha-nateraka
Raha nateraka
Rary Nofy
RAHA NATERAKA Raha nateraka hijaly; Ianao ry sombin'aiko! Dia naleoko ihany nifaly; Tao anatin'ilay aiko. Raha nateraka hitomany; Dia nafoiko tsy hisy akory! Na haharé ny hirifiry eto an-tany; Izay tena mpampahory. Raha nateraka hizaka ngidy; Dia naleoko tsy nisafidy; Ny hampisy anao tety! Fa notanako tao a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/tsy-mba
Tsy mba...
Rary Nofy
TSY MBA... Tsy mba gaga ve ianao? Mahita azy tsy miteny! Asssah raha voatsikaritrao; Ireny fahanginany ireny. Toa nafeniny dia nafeniny; Nokobonina tao anaty Ireny mba eso-teniny. Sy ireo alahelo izay tsy tanty. Tsy mba variana ve ianao? Mibanjina azy toa mangina! Asssah re raha fantatrao; Ny antony tsy mba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/izany-havako-izany
Izany havako izany
Rary Nofy
IZANY HAVAKO IZANY Toa mangingiana ho'aho izany havako izany! Toa malomalok'endrika,ohatran'ny avy nitomamy. Toa manjonitra,toa malaheloelo; Fa nanafina amiko,ilay tsy ambara telo. Mahatsiaro ilay tiany ve? sa Malahelo ilay malalany? Ilay olona niriana nanalavitra ny anarany Lasa nisinda nanadino ny tantarany,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-meloky-ny-lasa
Ny meloky ny lasa
Rary Nofy
NY MELOKY NY LASA Ny meloky ny lasa No hany mba anjarako; Fa ireo voakinasa; Dia hanafoana ny tantarako. Handrava ny tadidy; Sy ireo rehetra voatsikaritro. Indrindra ireo mangidy; Ka ho rava izay voarakitro. Hanafoana ny safidy Izay rehetra mba niriana; Na izay ora mangidy Na ora mamy mba nitsikiana Ny mel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/satriko
Satriko
Rary Nofy
SATRIKO Satriko ianao eo anilako; Kanefa...tsy afaka hijanon' Ianao, mba ho fihiniko. Satriko ianao eo akaikiko Kanefa...tsy azo tazomin' ianao,fa ndehana ry aiko. Satriko dia satriko Ny hianoka,hafaliam-po! Eo an-tratranao ry malala kanefa...ndehana raha misalasala. Satriko sy iriako, Ny higoaka fahasambar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tojo-natsu/tia-tena
Tia TENA
Tojo natsu
Ty fiainana mba dinodinio Mba jerevo ny tena de kasikasio Mahaiza mamindra miova filamatra,, Ndrao vao fingana hitroatra holamaka,, Eken'olona enao fa manambola, Mba aza tia tena re sao lany vola! Ny fiainana tsy ray andro iany Ka rehefa voa vo hitomany Mahaiza mitondra tena hatrany Amizay enao lavorary
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/soraty
Soraty
Rary Nofy
*******SORATY******* Soraty daholo letsy zandry! Izay ao an-tsain'ialahy! Adikao an-taratasy; Ary ataovy mihasihasy. Soraty foana na tsisy dikany; Antsao ihany na tsisy heviny; Ireo soratra izay ambara; Vetsoy foana ho rakitra tantara. Avoay foana na tsisy mpitia; Adikao foana na tsisy mpankafy! Ambarao fa k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/na
Na...
Rary Nofy
NA... Na manganohano aza aky; Ny masoko izay mitopy; Dia inoako fa mbola hitsiky; Izany aingam-pahiko mitsilopy. Na mampahonena aza ny tontolo; Tsy afaka aharina intsony; Ireo zava-boary no sendra nisolo; Haratsiana,ka potika hatramin'ny ony. Na mahaontsa ahy aza ny manodidina; Angamba ny foko tsy afaka hisid...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/fisaorana-ani-neny
Fisaorana an'i Neny
Rary Nofy
FISAORANA AN'I NENY Tsy voalazako indray miteny! Izany fisaorako anao ry Neny; Ny tamin'ireo soa sy zava-bitanao; Hatramin'izay ka hatramin'izao. Na ny tamin'ny fitiavana izay nasetrinao; Na tamin'ny fanoroana izao sy izao! Tena be fitia ianao ry Neny; Izay no tsikaritro teny ho eny. Ny amin'ny fampaherezana m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/moa-ve
Moa ve?
Rary Nofy
MOA VE? Moa ve ialahy letsy? Ilay olon-tsotra Misandoka ho poéta! Moa ve ialahy leroa? Ilay olon-dratsy Moa ve ianao ry isé? Ilay olon'iray Mba te halaza! Moa ve ianao ry sakaiza? Ilay olo-ndoza Nandika ilay asa soratr'ilay namanay! Moa ve ianao ry namana? R'ilay olon'iny Ankadikely-Ilafy Antananarivo Av...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/any-ho-any
Any ho any...
Rary Nofy
ANY HO ANY... Any ho any misy olona Mety tena tia anao Afaka hamafa ireo olana Izay mahakivy anao toy izao Any ho any misy tsiky Afaka hamafa ranomaso Fa nahoana ianao no hiafy Hianoka,hirifirin'ny ankaso. Any ho any misy fifaliana Afaka haha-miran-tava anao Ka hameno fitsikiana Mandrak'izao androany izao. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/hisy-hahatsiarovanao
Hisy hahatsiarovanao
Rary Nofy
HISY HAHATSIAROVANAO Hisy ora iray Hanembonanao ahy Ka raha mahatsiaro ianao amin'izany Tsarovy fotsiny fa aza mitomany Hisy andro iray Ahatadidianao ny anarako Tadidio fotsiny ihany Ataovy hoe efa vovoka ny fanahiko Hisy taona iray Hitsidihanao ny vatako; Tsarovy fa efa lasa ilay Androm-pisambarako. Hisy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/fiainanizany
Fiainan'izany
Rary Nofy
FIAINAN'IZANY Raha mbola fiainana; Tsy misy mafy toy izao? Hirifiry sy fitarainana; No feno mialokaloka ao. Raha mbola fiainana re! Hafa ihany ny eto an-tany. Na mangidy sy mampitomany aza ve! Dia mbola hiainanao ihany? Raha mbola miaina ve; Tsy maintsy misy fihafiana! Sa izao tontolo izao no efa voalatsa V...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-ny-aina/tena-namana
"Tena namana"
Lova Ny Aina
Anisan'ireo namana tsy foiko raha ianao, Sakaiza fizarako ny rehetra izay natao, Nanolo-kevi-dalina mba amahana ny olako, Nefa tsy nanamby na nangataka ny volako. Fifanampiana hatrany no niarahantsika teny, Eny fa na nisy ny adiady kely ombieny, Zay vao maika nanamafy indray ny finamanantsika, Ka zary lasa tsy h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/bitsiky-ny-fanahiko
Bitsiky ny fanahiko
Rary Nofy
BITSIKY NY FANAHIKO Gaga ihany aho satria... Ianao ilay fatram-pampifaly,mpanomé fitia; No re'ko mitomany,mitalao; Ao an'eritreritro ao. Toa mikiaka mafy izy! Hoe"aiza ihany re ianao. Moa va re efa nanadino; Ny fisiako hatramin'izao! Sao tsy tandrinao intsony? Ireny lantolantoko ireny. Lasalasa saina aho sat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/assah
Assah
Rary Nofy
ASSAHH Asssahh re izay ao an-tsainy; Na ahoana na ahoana! Fa iny ianao ilay nantsafainy; Hoe tsy tiany ianao manoloana. Tsy hay fantarina,ny ao anatiny; Toa afeniny dia afeniny! Ny amboraka izany no tsy tantiny; Ka aleo hoenty mandra-matiny. Fa nahoana loatra e! Izato mba toe-tsainanao; Tsy mifidy ny hisondr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/fa-tiako-foana-ianao
Fa tiako foana ianao
Rary Nofy
FA TIAKO FOANA IANAO! Fa tiako loatra ianao; Matoa aho nanao ireny; Tsy hoe nataoko kilalao; Fa tena fitia avo heny. Fa tiako foana ianao; Na be esoeso,tabataba aza! Toy ilay fombanao fahazaza No naverinao,hatolotrao ahy izao. Fa tiako foana ianao; Na dia fatram- pankahala,mpanaratsy! Maika aho hitia anao M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/kalokalo-mahonena
Kalokalo mahonena
Rary Nofy
KALOKALO MAHONENA Ilay tara-masoandro efa midify; Ny masony mijery mandinika mankany; Eny amin'ny rahona any ho any. Ny kalokalony toa mangina; Ny fisiotsiokany toa makina; Izany ilay kalokalo mahonena. Rehefa alina somambisamby; Ny kotroka,orana,rihan-dranomaso no mba manambitamby; Izany fony efa mahaonena. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/gaga-aho-talanjona-mandi
Gaga aho talanjona; Mandi
Rary Nofy
Gaga aho talanjona; Mandika ilay maraina! Ny foko toa mianjona; Fa mipaika ireo taraina. Dia ravarava ny haizina; Potipotika,ny hazavana; Fa nahoana no nofaizina; Toy izany no hiafarana. Ny masoandro vao maraina; Toa mangeroka fanahy; Mampiseho ilay tsy ilaina; Izay mahatonga ahiahy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/etsy-angeee
Etsy angeee
Rary Nofy
ETSY ANGE!!! Etsy re ianao hafarako kely; Mba hitondra hafatra ho an'ilay havako; Teneno aminy fa izaho aty manirery; Malahelohelo,ka malomaloka ny tavako. Raha ho any re ianao Dia aza mba adinonao! Ny miteny ilay nambarako; Ataovy tonga any ilay mba hafatrafatro. Rehefa tonga any re ianao; Dia asaivo valiany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/eritreritra-mandalo
Eritreritra mandalo
Rary Nofy
ERITRERITRA MANDALO Nieritreritra ny saiko; Ary nandinika hatrany; F'ilay fitiavanao Dia mbola ho nofy ihany. Mety ho rava, mety ho potika; Toy irony zavo-mandalo; Tsy ho ela dia ho rotika; Fa efa ravan'ny mpandalo. Tsy hita intsony fa hanjavona; Hanalokaloka ity foko ity Angamba amin'izay mety hiavona Rehe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/enjikenjika-ny-fiainana
Enjikenjika ny fiainana
Rary Nofy
ENJIKENJIKA Enjikenjika ny fiainana; Vezivezy isa-minitra; Rehefa leo ny fitarainana; Dia lasa indray mipitrapitra! Enjikenjika ny fiainana; Revorevo,mikatsakatsaka! Ka atao ambony ny fisainana; Mba hisondrotan'ireo nalatsaka. Enjikenjika ny fiainana; Fendrofendro,tebiteby No hany mba hiainana; Fa dia mandr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/antso-hoanneny
ANTSO HOAN'NENY
BerthiN AinA
antso hoan'Neny!' Na efa any ts tazako aza Dia lay fitiavanao ry Neny ts voafafa, Koa miantso anao aho anio Mba hiara-hankalaza amiko ny fetinao na fotsiny sombi-tadio! Ry Neny,mamiko loatra ianao fa nana-lehibe ahy Nitaiza sy nikolokolo ara.Batana ary ara-panahy Ts vitan'izany ihany fa nibedibedy koa Zay tsapa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/hafa-ihany
Hafa ihany
Rary Nofy
HAFA IHANY Neny o! Hafa ihany ny eo anilanao Fa toa tsy misy mahasolo Izany toeranao Neny o! Hafa ihany izany fitiavao Mampitraka ,mampifaly hatrany Sy mandavo ireo tomany. Na i Dada aza moa,toa nankafy sahady Rehefa nahatsapa ny ahalalin'ny fitiavanao. Rakotra hankafy,fahasambara eo anilanao; Fa tsy handeh...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/fantatro-fa
Fantatro fa...
Rary Nofy
FANTATRO Fantatro fa... Mafy izany hoe miaina! Kanefa atao ahoana moa Fa izany tsy maintsy ho zakaina sy lanjaina. Tsikaritro fa... Mafy izany hoe mitia! Kanefa atao ahoana moa; Tsy maintsy dinganina izany fa tsy hoe sanatria Tsaroako fa... Mafy izany hoe mahantra! Kanefa atao ahoana moa; Fa izy ary tsy mba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/indray-mamantonalina
Indray mamanton'alina
Rary Nofy
INDRAY MAMANTON'ALINA Hendratr'endratra ny fo; Mibanjina ny alina; Fa feno zava-tsoa lalina Mandravaka ny tontolo. Toa feno hazavana; Midorehitra,manjopiaka; Mitaratra ny lalana Izay efa kaon-driaka. Ny kintana mitaratra; Ny volana mibaliaka; Zary hazavana sy fitaratra; Hanazava ny dian-tsika. Mangina ny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ento
Ento
Rary Nofy
ENTO Ento manaraka anao re Ny foko ry voron'irony! Ento misosa eny ambony e Fa diso ny lokan'ny fo toy itony. Ento,sakambino an-tratranao e Mba hianoka fahasambarana Hiano-pifaliana indray re Fa efa ziogan'ireo fifaharana. Ento mba haka hamamiana Re ny foko ry lolo manidina Higoaka izay hany mba tiana Eny a...