url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/izay-tononkira-izay
IZAY TONONKIRA IZAY
Joda Razakasoa
IZAY TONONKIRA IZAY Injay ilay tononkiranao, fa mampifoha indray ny rediko, ka reko manakoako am-peo milanto fa ianao no tena kanto, dia izay tononkira izay, no tiako ho redin'ny nofiko sy hiran'ny fanahiko hatrany mba hampitony ilay tomany... nefa...izay tononkira izay, no mampisokatra ny diarim-periko, iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/raha-toa-ianao-i
RAHA TOA IANAO I
Joda Razakasoa
RAHA TOA IANAO Raha toa ianao hanadino, handao ny amiko tokoa, hiezaka aho mba hino, fa vita ny amin-tsika roa raha toa ianao handeha, hisidina any alavitra any, hiezaka aho ny tsy handre, ilay foko mitomany raha toa ianao tojo akanga, ka hanary akoho taman-trano izaho tsy hisavika saranga fa dia tsara tso-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fetra-rafitsahrana/nofarann
NOFARANÀNÀ
Fetra Rafitsahàrana
eee... Navadikao ny rasa, Fa efa leo ianao Tsy ho tsaroinao ny lasa Sy ireo zavatra natao F'ianao handeha hisintaka Hiala alavitra azy Fa leo ny fitapitaka Tsy teny ambazivazy,, ,Sy feo mandratra anaty Tsy hainao hadinoina Mitoetra mandramaty Toa mbetika tsaroina, ...Ho afeniko hoy ianao Ny ratra izay nap...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafifi/anatra
Anatra
Rafifi
Raiso mora Ry tanora Zay ho tsara Mba ho zara Andosiro Halaviro Rony hafa Mpanatsafa Giazo mafy Mba Hihafy Tony Saina Tsy hajaina Fa ny hendry No voatedry Ho mpanjaka Sy hizaka
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/tsy-adala
TSY ADALA
Joda Razakasoa
TSY ADALA Tsy adala akory Andriamanitra, raha nisafidy anao ho zanaka tiany ianao mba ho fanilo sy hanitra, eo imason'ireo efa lanaka tsy adala izy raha nanana safidy, fa ianao no tena tiany! Ka irony fijaliana izay mangidy, dia mba fitsapana ihany iny tsy adala ilay Ray ao an-danitra ao, raha toa maniry ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/raha-sendra-solafaka-satr
Raha sendra solafaka Satr
vals cristian
Raha sendra solafaka Satria malama ity tany Tsarovy fa ho afaka Mbola ho tafajoro hatrany Aza kivy manantena Raha mbola ao ny aina Ny ho avy foana jerena F'aza variana mitaraina Ekena aloha fa tena mafy Ny hoe lavo amin'ny lalana Nefa aza kivy, mba miafy e Na inona na inona fisoparana Izao ihany koa no aza ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafenomanantsoa-santatra/fitoriana-fitiavana
fitoriana fitiavana
RAFENOMANANTSOA SANTATRA
azafady kely ange misy teny tiako ambara vetivety tsy elabe sady tsotra fa manalasala ataoko fa mety efa fantatrao na tsy hambarako intsony ilay fitia ao anatiko ao mitempo lava tsy mitony tsy sahiko ny hanambara izany ventsoko ato anaty notazomina fa tsy tana dia indro fa nafafy tia anao aho izao hanaja a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ari/kalo-ho-fanomezana
Kalo ho fanomezana
Ari Ira
Ny halefaky ny feonao teo am-pisoronana ilay afon'anjavidy, niantsa tononkalo, no nandrakitra ho tadidy iny tolakandro iny... Hitoetra fa tsy handalo!!! Mantsy aho raha mbola revo nitanina afo teo, niondrika tao ambany, no injany nisy kalo tena tsara feo nanako tany ho any ka nanaitra ny fanahiko... Dia na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/arakaraka
ARAKARAKA
Fredy Jaofera
ARAKARAKA Arakaraka ny anomezana no tsy ahazoana valiny fa mainka aza ihomezana sy mandry ery ny aliny. Arakaraka ny anampiana no tsy ahitana sitrany fa mainka ho fanahiana hitady rehefa ritrany. Arakaraka ny itiavana no tsy misy fitokisany fa esoeso tomandavana no omeny sy tanisany. Arakaraka ny anginana,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/ilazao-izy
ILAZAO IZY...
Joda Razakasoa
ILAZAO IZY... Ilazao izy... fa misy tamberin'alahelo, mazàna reko mamelovelo any anaty foko... rehefa injay tsaroako, ilay finamananay taloha nampifaly izato fo, nefa izy ireny ankehitriny! nivadika ho tsiny, nandraisany ahy ho fahavalo, eny ! niezaka aho ny nandalo nandalo teny amin'ny tananany, saingy......
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/hadalna
Hadalàna
Laharthe
Hadalàna Asa? Ny fo ve no adala Ka tia misangisangy sy milalao afo? Kanefa dia mahalala Fa raha ny fitia tsy vitan-tsafosafo! Ny ady an-tsefany any 'Zay makararirary, kanefa dia tadiaviny Avy eo dia mitomany Fa mampahory azy 'lay olona notiaviny. Ary efa hainy tsara Fa io fitiavana io dia mamy vao miandoha, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rano
RANO
Fredy Jaofera
RANO Omeo rano aho rehefa mangetaheta fa tsy rehefa tiana homena ; Izay no araho tsy hampitetateta na hanadala tsy hay fefena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aloky-ny-sento/adala
Adala
Aloky Ny Sento
Ataoko adala ianao ka tezitra Ataoko ho hendry tsy misaina Toy ny biby tsy mihevitra Toy ny saha tsy mitaraina Ataoko adala ianao satria Manaiky ompiana toy ny biby Manaiky ahiboka mihidy Manaiky hiboboka mangidy Ataoko adala ianao satria Miandry hosena toy ny saha Miandry sampy tsy mitahy Miandry tery vao m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/tiavo-mangina
Tiavo mangina
Laharthe
Tiavo mangina Aza ataonao mampahory Raha 'zay olona tsy taitra, Tsy mitempo fo akory Nefa ianao manao izay raitra. Aza atao mampitomany Na androtsahan-dranomaso 'Zay variana ambadika any Tsy mahita ny ambany maso. Fa raha toa ka tianao izy Dia tiavo mangingina Toy ny tamin'ny fony ankizy. Aza ambara azy ako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/boyanjah.rz/tsy-afa-manoatra
TSY AFA MANOATRA
Boyanjah.RZ
Nanjary aretim-po ho ahy Ny nahitako anao niserana Nambabo fo saina fanahy Tonga fitia tsy azo ferana Kanefa indrisy tsy ho tafita Fa faniriana ihany izany Tsy afaky ny hifankahita Sarahin'ny elanelantany Indrisy! tsy afa-hiara iaina isika Fa dia samy hilalao irery Hiafy na dia mangatsiaka Fa tsy afaky ny hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/ry-foko...ry-fasana
RY FOKO...RY FASANA...
Joda Razakasoa
Ry fasana mangina, tsy maintsy hioerako, ity foko vesaram-pahoriana aminao no tiako ampetrako fa tsy mbola afa-tsaona, ity androko androany, mbola misantatra ny fotoana, dia ny fetin'ny tomany! fa tsy mety safosafoina, toy ny zaza matory, ny foko niaram-boina, amin'ny andro mahory fa tiako ianao ry foko, m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/tiako-ny-tanin-drazako
Tiako ny tanin-drazako
Rary Nofy
TIAKO NY TANIN-DRAZAKO Tiako ianao Ry tanin-darazako Na dia mafy aza No mihatra amiko Hanavotako anao Hanapiako anao Ry fireneko. Tanin-drazako malalako Tsy mety ho adinon'ny tavako Toa tsy afaka ato am-bavako Ny hanonona,ahatsiahy ilay tantarany. Ianao ry gasikara No iriako mba ho tsara Tiako tsy ho rats...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/tsy-nampoiziko
Tsy nampoiziko
Rary Nofy
TSY NAMPOIZIKO Toa maloka ny masoko Manganohano aok'izany Mandinika ilay lasany Sy izay mba fahasambarako. Tsy nampoiziko anefa... Indray andro izay Nahita ilay masonao niantefa Nijery ilay olon'iray. Toa gaga aho talanjona Nandinika,nibanjina Ka lasa mianjohanjona Mijery anao mitakandrikandrina. Tsy nampo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/fahasambarana
Fahasambarana
Rary Nofy
NY FAHASAMBARANA Raha tojo fifaliana Faly fa lavitry ny fahoriana Ka mitsiky ilay tava Izay efa avy ravarava. Raha sendra alahelo ihany Toloko,toa manjombona aok'izany Manembona,mahatsiaro hatrany Ireo lasany niainany tany ho any. Raha zohim-pahoriana Ranomaso,fahanginana no mihatra Fa nandao ilay tiany Na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ventsonny-taona-vaovao
Ventson'ny taona vaovao
Rary Nofy
VENTSON'NY TAONA VAOVAO Nahoana re ry aiko; Ity mba fetinao! Toa maloka ny ao an-tsaiko; Raha mandinika,mibanjina ao. Ny olona ao an-tanàna; Toa mifety avokoa! Ny sentoko tsy tàna; Fa lasana mifoha. Ny fisoboky ny aponga; Ny mozika toa manâko; Fa tsy ho ela dia ho tonga; Ilay taona vaovao! Ilay taona iray ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/fisiako
Fisiako
Rary Nofy
NY FISIAKO Ny amiko hono ve? Ny mampahory anao! Olana va re? Izao fisiako izao. Ny fisiako ve? Dia olana ho anao! Sa manaratsy tena Amin'ny olona izay honena. Aleo aho andeha Aza arahin'alahelo Aleo aho andeha Andeha hirehareha Fa aza sakanana ny lalako Aza kianina ny teniko Aza tohanana ny toro-hevitro....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lakalaka
LAKALAKA
Fredy Jaofera
LAKALAKA Lakalaka ny fiainana ka ity vava atsaharo, amboary ny fisainana sao voa eo vao anaro. Lakalaka ny fiainana ka 'reo fosa ajanony, sao ho fanaintainana mety hahabe lonilony. Lakalaka ny fiainana ka aza miavona loatra sao iny ho fangainana no tonga hanamboatra. Lakalaka ny fiainana ka mahaiza mamind...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/fanahiny-feno-ankaso
Fanahiny feno ankaso
Rary Nofy
NY FANAHINY FENO ANKASO Ry lanitra manga mamerovero; Ahitako ilay tsingerin'ny tsy ambara-telo! Miafina mantsy tsy hita intsony; Irony masoandro be mihiratra irony! Niandry,niandry ny mba hiposahany; Onena ny foko hitopy mankany. Any ami'ilay paradisa any ankoatra any ho any; Ry iNeny malala nialoha lalana nank...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-fisiako-ny-amiko-hono
NY FISIAKO Ny amiko hono
Rary Nofy
NY FISIAKO Ny amiko hono ve? Ny mampahory anao! Olana va re? Izao fisiako izao. Ny fisiako ve? Dia olana ho anao! Sa manaratsy tena Amin'ny olona izay honena. Aleo aho andeha Aza arahin'alahelo Aleo aho andeha Andeha hirehareha Fa aza sakanana ny lalako Aza kianina ny teniko Aza tohanana ny toro-hevitro....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/alina-mangina
"alina mangina"
dafa
Misy alina mangina Mampitondra fahoriana Tsy ahitako fifaliana Alina iray Tsy fahitako hatrizay Fa toa mampamoa indray Ireo alahelo nandoro ahy Alina hafahafa Toa tsy mety ho voafafa Fa miraikitra ao an-doha Ka mankarary fo Alina miavaka Raha samy mbola alina Fa toa manome alahelo lalina Alina mampahory ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/fandaozanao-ahy
Fandaozanao ahy
Rary Nofy
NY FANDAOZANAO AHY Mahaontsa ahy loatra; Izao fisarahan-tsika izao; Ny alahelo toa mitraotra; Tsy voatana anatiko ao. Fa andeha mantsy ianao; Ho any lavi-davitra any; Hanadino sy handao; Tsy hahatsiaro ilay ankany. Mitambolona ao an-tsaiko; Ireo niarahana hatrizay; Angamba mety tsy ho haiko; Ny hanao veloma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/aloko
Aloko
Rary Nofy
ALOKO Ilay aloko niserana No indro tazanao Fa sendra fitserana Ity mba maminao. Ilay tandindoko omaly Izay mba hitanao Angamba mety ho faly Fa tsy tsikaritrao. Ilay ventson'ny fanahy Tao anatiny ihany koa Borahana tsy nahy Fa toa mangina moa? Maharavo.A
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/diso-ve-aho
Diso ve aho?
Rary Nofy
DISO VE AHO? Diso ve aho androany Raha hanambara aminao! Ilay ventsom-poko iray Izay mibitsika ao anaty ao. Te hanambara fitiavana Te hamoaka ny ao anaty Te hiventso ny alahelo Sy ireo fahoriana izay tsy tanty. Diso ve aho anio; Raha hitory fitiavana? Hanambara ilay faniriana Mba hisondrotan'ilay fitsikiana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-fitiavako-anao
Ny fitiavako anao
Rary Nofy
NY FITIAVAKO ANAO! Ny fitiavako anao malala; Atako toy ny fitiavako raozy! Esorina tsy miala; Akisaka vao miha mifarangotra. Ny fitiavako anao ry tiako; Ataoko toy ny fitiavan-tantely! An-tsaha tsy mifandao; An-tanety tsy mifanary. Ny fitiavako anao re; Toy ny fitia voam-boatavo e! Raha tanora ataoko sakafo;...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/tso-drano
Tso-drano
Rary Nofy
TSO-DRANO Voaraiko androany Ilay valin-teninao. Hoe aleonao ny any Fa izy no tena anjaranao. Fantatro ange izy iny! Fa nankafy anao Fa aza mba omen-tsiny Ity foko mitalao. Efa tsinjoko tokoa Fa tsy natao ho ahy ianao Ka aleoko re mirarisoa Ho azy sy ianao. Tena fantatro malala Ilay fitiavanao Fa nodiako ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/tsy-hoe
Tsy hoe
Rary Nofy
TSY HOE:... Tsy hoe:vao izao aho vao nitia Tsy hoe:vao izao aho vao nankafia Ny hiara-dalana amin-dry; Fa efa hatramin'ny ela aky. Tsy hoe:vao izao aho vao naniry; Tsy hoe:vao izao vao nitsiry Tato anatiko ilay vetsom-po Ny hianoka fitiavana an-tsitra-po. Tsy hoe:vao izao aho vao nikalo Tsy hoe:vao izao aho v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/zakainay-foana
Zakainay foana
Rary Nofy
ZAKAINAY FOANA Zakainay foana Raha izay fankahalana Zakainay foana Raha izay tsy fitiavana Zakainay foana Raha izay fanambaniana Zakainay foana Raha izay fijaliana Zakainay foana Ireo izay miendrika ho fanaratsiana Apetraky ny mpiara-belona Eny e! ka mitondra alahelo tsy hay pesipesenina Zakainay foana Ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-hantahantako
Ny hantahantako
Rary Nofy
NY HANTAHANTAKO Ry raho-mainty be mitatao; Maratra ity foko mitraka aminao. Fa ny fiainana hono raha tsy misy anao; Diavolan-tsy hita,ho trotraka anie. Ry tafio-drivotra mahery fitsoka; Angatahiko ianao;hifofo mankao. Ao amin'ilay toera-mangiana. Nalehan'ilay sakaiza tiana. Ry kotroka mafy mahery fitrona; Iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsingolobatita
TSINGOLOBATITA
Fredy Jaofera
TSINGOLOBATITA Tsingolobatita ny fiainana, tsy mahay mitontona, vaky vody ka aleo ho hita fa fangainana 'zany voa mirontona lasa mody.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/misy-takariva
MISY TAKARIVA
Joda Razakasoa
MISY TAKARIVA Misy takariva tsy azonao faritana, fa mitondra amboaram-pahatsiarovana dia misy koa...ny fanilon'irony kintana, no mampatsiahy ny lala-nolalovana misy takariva mampirotsa-dranomaso, satria mamelovelo ao anaty ny lasa, ka mampanembona indray ny setran'ny ankaso, fa nanjary lasa nofy,ireo zava-nokin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/kisendrasendra
Kisendrasendra
vals cristian
Kisendrasendra mamy Tanaty alina mangidy Ilay foko ory, nitomany Tsy nahazaka ilay safidy No indro tazanao niserana Ka Topi-maso iray nafonja Ary narahinao fitserana Nanampy ahy hiampita ity onja Kisendrasendra mamy loatra Ny nifanojoan' ny lalantsika Tsy nahafehy ny fontsika tsy hitraotra Hifanohan-tsy ho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/zonao
Zo'nao
Rary Nofy
Zo'nao ry Malagasy Ny mitaky ny fahaleovan-tena Fa aza mba mihasihasy Fa izany no mambotry firenena. Zo'nao ry voron'iny No misidin'eny ambony Mba hijery ny hakantony Ny zava-boary toy itony. Zo'nao ry tara-masoandro No misinda vetivety Ka mamela haizin'andro Mba hahatazanako ilay tanety. Zo'nao ry sakaiza ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/eo-andoha-pasanao
eo andoha-pasanao
dafa
Eto andoha-pasanao Eto aho no mitalao Malahelo izay efa vita Ireo izay navelanaohangatsiaka Eto andoha-pasanao aho No migogogogo mitomany Satria lasa ianao Ka nanjary maizina ny tany Dia lasa tokoa ianao Lasa tsy nihera akory Ka naleonao nandao Ity tany mampahory Ianao tokoa izao any ho any Efa tretrika ao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/nakambanny-anjara
Nakamban'ny anjara
Laharthe
Nakamban'ny anjara Tsy fiteny na fihetsika No mba nentiko namboraka Fa ny fonao manan-dretsika Avy hatrany dia niantoraka Tsy mba nisy hoe "nahoana" Tsy novaliana hoe "satria..." F'isika roa raha vao nihaona Dia efa tsapa samy tia. Nefa tsy endrika na bika Na koa fomba fianjaika... No nampientana antsika F'...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/dia-anadino-ve
Dia anadino ve?
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Dia anadino ve! Ka hanao hoe tsy nisy izany? Etsy kely anie: Ndao averina raha mety ihany. Tsy mora amiko, r'ilay mamiko. Ny hamafa ny anaranao, Ao am-poko ao. Ka angaha moa fanahininiko, Ny nanitsaka ireo voady. F'ngah koa mba niriko, ny tsy ianao ihany ka hitady. Fa ireny mirenireny. Toa feno manodidina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjy/alina
alina
anjy
ny sasak'alin'ny zoma no fanembonako azy amin'izay aho manko no mba sahy sady koa ny vavako miteny ho azy fotoana mamy natokako ho azy irery ho an'ilay malala, itantarako ireo tsiaro fotoana mamy, tsy ho adino velively no ilazako azy fa mahasaropiaro io alina io mantsy, dia alina sarobidy alina mamy, ary natao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dafa/tsy-haiko
"Tsy haiko"
dafa
Tsy haiko ny tsy hiteny Na hanidy ny molotro Fa ianao irery No mameno ny tontoloko Tsy haiko ny tsy hahalala Izay tena ao am-ponao Satria ny foko efa ho adala Amin'ny fitiavako anao Ianao ilay olona iray Izay hinoako koa fa tia Koa ampianaro ahy Fa tsy haiko ny mitia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/firaisan-kina
FIRAISAN-KINA
Fredy Jaofera
FIRAISAN-KINA Ny fianakavina, ladim-boatavo : iray fototra ihany, na maro sampanana ; ny firaisan-kina no tanjona avo sy tsiron'ny tany mitondra fiadanana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/injany-toa-miako
Injany toa miako
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Injany toa miako! Injany toa miako, Toa reko tsy miato! Injany manakoako, Ilay feo nikika tato anatiko! Fa mitady olon-tiana! Hanafoana fahoriana! Hanala izato fangirifiriana! Ka mba hitondra hafaliana! Injany fa misy lina, Lina mba hiaino ity faniriana! Ka antenaiko mba hitondra hamamiana; Amin'ity fiainak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/salto-slam/fambara
fambara
Salto Slam
Matoa tsy novaliako 'reny taratasinao ireny, Matoa aho nangina tsy niteniteny, Matoa koa aho niova tsy nety nisariaka Ireo no fambara fa vita ny amintsika Matoa aho tsy nandalo namangivangy anao, Matoa aho tsy hitahita,eny,hatramin'izao Matoa tsy mba nantsoiko 'lay boaty fiantsonao, Ireny no fambara fa nisinda a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/ny-taniko
Ny taniko.
MBL
Mamiko ny taniko ry hafa firenena. Koa eto no ataoko izany fanekena. I Madagasikara loharanom-pahendrena. Ilay lova tsy mivoana, harena nofefena. Mba fantatrao ve ny fisiako ho anao. Hamokatra ny tany hivoatra tsy ho lao. Hamita ireo adidy aminao ry fireneko. Hitsanganako anio ity dina izay omeko.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/hitia-aho
Hitia aho
vals cristian
Ho ataoko ahoana ny tsy hitia Rehefa izay no antom-pisiako Toa tsy ho vitako izany satria Mba ho tiaviana ihany koa no faniriako Matoa aho mantsy nisy teto an-tany Zavatra tokana no antony Dia ilay fitiavana izany Ary samy manana ny hankatony Io no mba hahafantarana Fa hoe mbola miaina isika ety Koa na inona ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mbl/tokiko
Tokiko
MBL
Ny lasa ho an'ny lasa fa isika hifankatoa. Ny andro anio efa natokana ho antsika roa. Tia loatra ianao, izaho tia anao tokoa. Haharitra ny antsika ka tsy hisy hiova fo. Hizara ny hasambarana ka mendrika ho doria. Hitambatra tsy hisaraka satria mifankatia. Ny hatsarana niainako atolotro anao. Ka tsaroako hoe samb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mazavatsinana/sorona
Sorona
Mazavatsinana
Nitomany isanandro Nanirery, nihidy an-trano, Lay nihevi-tena very Nanongo tena ka niery. Nandao hono lay malalany Zay mba hany sila-panahiny, Naneso sy nandatsa azy F'iny ianao tsy mendrika azy. Nahatsiaro very maina Lay nametra-pitokiana, Diso nanantena, ka tsy tana Nikasakasa hamonjy fodiana. Nieritrerit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/zovy
Zo'vy
Rary Nofy
(...)Zo'vy no tsy mahalala; Ny momba anao ry gasikara! Fahantrana,fankahalana; Ireo ady an-trano tsy ambara. (...)Zo'vy no tsy hahatsiaro; Ireny ady lava,korontana mifangaro; Hatramin'izao fotoana izao; Ka mandra-pahafatinao. (...)Zo'vy no tsy hitanisa; Ireo lasany hanapitrisa; Hatramin'ny ady lehibe faharoa;...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/iny-izy-avy
Iny izy avy
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Iny izy avy, Izaho tsy nahateny. Iny izaho niangavy, Izany toa tsy reny. Fa takon-tabataba izao tontolo izao, Fa resin'ny feo milaza fandavana! Ka njary tonta na dia mbola vao, Ilay antso hoe fitiavana. Iny izy avy kay, Nefa toa miavonavona! Dia tsy antenaiko indray, Ilay foko mba ho tiavina! Kinanjo aoka i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/ny-teniko
Ny teniko
Laharthe
NY TENIKO Mbola hafa ianao ry teniko Tena hafa noho ny hafa Hosoratako amin'ny peniko Mba hitoetra tsy ho voafafa. Ny mitovy anao tsy misy F'ianao kanto sady miavaka Nefa maro izao, indrisy, Ny mitady hanary an-davaka. Misy ireo mikasa hamono Ary hanototra sy hamafa, Fa ny fandrosoana, hono Ny fampiasana ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mora-10140
TSY MORAMORA
Fredy Jaofera
TSY MORAMORA Tsy moramora ny mamela rehefa, hoe, nampijaliany, ny aty akory tsy lava lela fa mafy ny nampahoriany. Tsy moramora ny mamela rehefa ravany ny tsarako : marary rehefa ela ny ela fa nanimba ny anjarako. Tsy moramora ny mamela rehefa nesoiny sesilany indrindra raha toa tavela, malomaloka eto hatr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/tsy-nampoizina
Tsy nampoizina
Laharthe
Tsy nampoizina Teny anaty zaridaina No nandaniany ny maraina Nisafidy voninkazo Tena kanto tsy malazo, Dia nataony am-pehezana Mba ho tonga fanomezana. Ny ranon'ando vao mirotsaka, Ny masoandro vao hiposaka. Mbola vao mangiran-dratsy Izy no efa tonga tatsy Hitsena fivelaram-bony Ho an'ilay lalain'ny fony! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/raha-toa-aho
Raha toa aho...
Laharthe
Raha toa aho... Raha toa aho nanadino, Tsy hoe tsy tia intsony Fa niezaka aho ny hino Hoe efa tsy ahy ny fony! Fa efa lasan'ny hafa Nalainy tambongadiny, Ka aleo tsy hirafarafa Ndrao hovonoin'ny vadiny. Raha toa aho tsy nahatsiaro Tsy hoe efa nankahala, Raha fitia mifangaro, Ny mety angamba miala F'izay no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/fahafaha-notakiana
Fahafaha-notakiana
Laharthe
Moa manako an-tsofinao ny tabataba sy hiakiaka Raha nitaky fahafahana ireo mahery fo fahiny, Moa mba azonao an-tsaina ireo bala nipariaka Nitifirana azy ireny, nefa ny azy no notakiany??? Moa va mba tsapanao ny fanaintainana niaretany Tamin'ny tsindry hazo lena 'zay nataon'ireo vahiny? Moa va mba zakanao ny vesat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/29-marsa-1947-
FAHATSIAROVANA 29 MARSA 1947
Rasamindrakotroka Andry Tiana
29 marsa, andro iray ahatsiarovana; Ireo Malagasy maro nahatsiaro tena. Niady mba ahazo ny fahaleovantena; Namoy ny ainy, ary fadiranovana. 29 marsa, namoretana ny Malagasy; Handohalika tsy ho tafarina intsony . Mbola izay ihany izao, be ny lonilony. Aleo mangina, sao mahazo vody basy. 29 marsa, tokony ahatsiar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/laharthe/hetaheta
Hetaheta
Laharthe
Hetaheta Sadaikatra aho, tsy sahy Te hilaza koa, kanefa... Toa mbola miahiahy Sao diso fiantefa 'Lay vetso ato am-poko Miravaka fitia Madera tokan-doko, Miloka ny ho doria. Mangovitra ireo molotro Tsy mety mahatonona 'Lay teny saika hatolotro Ka notereko hionona... Vao mainka koa tsy tantiko Ny hikobonany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/hadisoana-ve-ny-ahy
Hadisoana ve ny ahy?
Rary Nofy
Hadisoana ve ny ahy? Raha toa nandao anao! Ry ilay olon-tiako tsy nahy; Ilay tao anaty nofy tao. Hadisoana ve ny ahy? Raha hanadino anao! Satria ianao tsy mandraraha; Ilay fitia tao anatiko tao. Hadisoana ve ny ahy? Raha hanilikilika anao! Fa tsy mety kosa lahy; Ireny nataonao. Hadisoana ve ny ahy? Raha ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/efa-sambatra-ve-izy
Efa sambatra ve izy?
Rary Nofy
Mitsiky ery ny tavany; Mandinik'ilay havany! Toa mirana fijery; Fa feno fitia fanalam-piery! Ravo ery ny fo-ny; Toa mba faly ny fanahiny! Fa misinda hono itony; Itony mba tsiahiny! Eh!sambatra ve izy? Eo anilan'ny olon-tiany! Ho tretrika ve izy? Fa tojo tena niriany. Toa miramiran-tava; Fa tsy toy ny isan'...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/aoka-ianao
Aoka ianao...
Rary Nofy
Aok'ianao tsy hanaratsy; Iny zava-bitany iny! Na koa hiantsiantsy; Amin'iny olon-tiany iny! Aok'ianao tsy hankahala; Ny tenany,na sombiny kely aza! Maika ianao te ahalala; Iny solon-tenany iny! Aok'ianao tsy hanosihosy; Ny maha-malagasy anao! Fa io ange ilay nosy; Izay tena honenanao! Aok'ianao tsy hitantar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/heriny-fitiavana
HERINY FITIAVANA
BerthiN AinA
Namoy ny ainy ny malagasy Noho ny fitiavana ity firenena Nanohitr mivatan sy antaratas Mb hahazoan fahaleovantena Ts nihemotr akory izy ireo Na novonoina ts misy antra Nanohitr hatraminy faran teo Zay gasy ten gasy mahantra Na maro ny naiditra amponja Nanohitr hatrany ny maher fo Ka Nivory etsy sy eroa reo mp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ry-maminny-foko-o
Ry mamin'ny foko o!
Rary Nofy
Ry mamin'ny foko o! Engao ny hiranao; Fa izao fotoana anio izao; No mba fetinao! Ry mamin'ny foko o! Atombohy ny vetsonao; Hikalo,hanoratra tononkalo; Ho an'ity mba maminao! Ry mamin'ny foko o! Atsikio ny endrikao; Mba ho faly,ravo; Amin'izao anio izao! Ry mamin'ny foko o! Atrakao ny lohanao; Ka mba ho mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/izany-rivo-doza-izany
Izany rivo-doza izany
Rary Nofy
Ny orana mitraho! Ny kotroka midona! Mankarenina,mankalaho; Toa mikiaka,toa mitrona; Ny ao an-tafon-trano ao! Tsy mitsahatra miredona; Ny oran-pahavaratra! Ny avandra mipoapoaka; Ny fanintso mipaipaika; Efa hoavy angamba ho'aho; Izao rivo-doza izao. Mampilaza ny radio! Manamafy ny fahita lavitra! Manambara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ilay-tsiahy-anao
Ilay tsiahy anao
Rary Nofy
Misy feo iray mihiaka; Ao anaty foko ao! Toa re'ko mikiakiaka; Hay:ilay tsiahy anao. Misy hery iray manosika; Ilay ventsom-po anatiko ao! Mibaiko ny fanahiko; Mba ahatsiahy anao. Misy ventso tsy hay tohaina; Mamirifiry izany saina! Mibosesika ao anaty; Ka raha afenina tsy tanty. Io ilay tsiahy anao; Tsy ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/tsy-hoe-10109
Tsy hoe:"..."!
Rary Nofy
Tsy hoe:Adinoko ilay teny! Ireny nambaranao ireny; Fa tsaroako ihany indraindray; Ireny lasana hatrizay. Tsy hoe:navaloko ho tantara! Ireny zava-bita ireny; Fa izay hono no anjara; Ka aleo re tsy asian-teny. Tsy hoe:nodiako tsy hita! Ireny taratasonao ireny; Fa toa miampitapita; Ka lasan'izy ireny. Tsy hoe:...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/iny-boky-iny
Iny boky iny
Rary Nofy
Iny boky tonta iny! No mba fivakiny isanandro; Iny mantsy no iriany! Mba hampitsiky ilay masoandro. Iny boky kely iny! Ilay boky fanaony am-paosy; Mba ataony souvenira; Rehefa volana alakaosy. Iny boky mena iny! Iny ilay boky fiventsony,fanoratany; Ilay tsingerin-tsenony,Tsy ambara-telony; Sy ireo alahelo,ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/tao-anaty-nofy-tao
Tao anaty nofy tao
Rary Nofy
Ilay toerana nahalalako azy?! Hoe:tao anaty nofy tao. Ka niresaka,nifanao vazivazy; Izahay hoe:Fa maninona aty isika? dia iza moa ianao? Toa gaga aho,talanjona; Raha iny izy nanontany! Tao anaty feo mianjona; Hoe:fa aiza isika izany? dia inona no atao aty? Ato anaty nofy hoy aho; No misy antsika izao! Fa anga...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/angamba
Angamba
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Angamba tsy mahadiso, Raha nisafidy anao ny foko. Angamba tsy niniana, Mety ho tsy fanahiniana. Fa ireo nofy nahasondriana, No tanteraka ka izao. Angamba nomeko anao tsy nahy, Mody izay f'aza tsiny, Tsy ny hiteny aho no tsy sahy, Fa ny hanoratra ho anao iny, Eny hanoratra fa misy penina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/aoka-izay
Aoka izay
Rary Nofy
Ny felam-boninkazo; Mamerovero manitra! F'ilay fitiavanay; Fa toy ny vero manitra. Ny fitia raha vao miandoha; Toa fankafia tokoa! Rehefa any aorian'indray; Indrisy toa tsy izay; Fa toa niova loko ilay soa. Toa niova fisarahana; Ilay dina nifanarahana! Ilay hoe hiara-dia mandrakizay; Fa ankehitriny toa tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/adelle/tiako-loatra-ianao
tiako loatra ianao
Adelle
Ry Malala a!tiako loatra ianao Tsy hay kosehana ao am-poko ao Lavitra anao,tsy ahazoana aina Tsy maita anao mampifirinaina Ianao,ianao irery iany no tiko Tiako loatra ka nosafidiko Tsy noterena na novozonana Fa tamin'ny fo tsy misy fialonana Tany tsy misy anao,karakaina Ny foko tianao,tsy hay lazaina Lavitra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/handainga
Handainga
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Handainga nefa ory, Hilaza fa tsy tia izato tiana, Amin'izay mahita sorisory! Na ny marina dia fangirifiriana. Hampijaly tena, Sa efa sasatry ny miaina! Ilay tina no tsy ekena! Sao dia efa marary saina. Odifanina re izany, Tena lainga tsy mampino! Nefa raha tsy hitany dia tomany, Ny anarany aza tsy mety adin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-ory
TSY ORY
Fredy Jaofera
TSY ORY Tsy orin-java-tsoa 'reo manana ny Ray : voatahy ka mazotoa fa andry anankiray. Tsy orin-java-tsoa ny manao ny Marina fa toky, mandrosoa, sy tsy hampivarina. Tsy orin-java-tsoa 'reo tsara ny fanahy ka na aiza, miravoa sy aza mba manahy. Tsy orin-java-tsoa 'reo mihantra lava na ahoana, mijoroa fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/ianao-ilay-tiana
Ianao ilay tiana
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Raha sendra safidy, Ka hoe hifidy, Dia mbola ianao ihany. Ka na dia hisedra ny mangidy, Sy hibaby ny sento lafovidy, Dia tsy hivadika aminao izany. Eny koa mety ho tojo fahoriana, Ka manadino anao tsy iniana, Azafady f'izany no fomban-tany. F'izaho hiteny f'ianao ilay tiana, Ilay mety hitondra amiko ny hafali...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-kanto-marison/ny-masonao
Ny Masonao
Ny Kanto MALALAKO
Androany aho mahatsiaro, mieritreritra ilay andro Nifanenako taminao, nibaliaka toa masoandro Saika tsy afa-po mihitsy aho raha nijery anao Fa dia variana sy nandinika, mibanjina ny masonao Tsy haiko hoe maninona, tsy haiko hoe nahoana Fa rehefa tojo anao aho, rehefa isika tafihaona Dia hafa mihitsy no mitranga, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yonja/kessee
kessee
yonja
tena tiako ianao ry kessee zan'no nanoratako anty no ho ny fitiavako anao no harisika ahy toa izao tsy mahetsika ny vatako; tsy mahateny ny vavako midobodoboka mafy ny foko marary sy mandoro ny ao am-poko ho tonga ny maraina ra ny hisaraka,malaina ny maraina hitondra HERY tsika roa tsy hifanary; Rf.onja tia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tody-2
TODY
Fredy Jaofera
TODY Todim-pitia, fitia, matokia. Todim-bola, vola mahanjola. Todin-karena, harena tsy hihena. Todin-dratsy, ratsy atsy ho atsy. Todin-dainga, lainga tsy hanainga. Todin-pitaka, fitaka mampsintaka.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahy/ilay-fo-tokana
ILAY FO TOKANA
AHY
Moa mb fatatrao tokoa Ilay foko mizara roa Feno tsiky ihany koa Tsy manam-paharoa Ilay fo tia anao Efa ela ka hatramizao F menatra ah ny ambar Lay fitiavana lasa adala Ventsoventso sis atao Manonofy mitalaho Fa tiko mants rah enw Lasa vadiko ao afara ao Misedr olan isan'andro Na marain n atoandro Ts mis m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/elakelany
Elakelany
Jayah Razafi
ELAKELANY iny elakelany iny, tsy maintsy handehanako mihetsika daholo ny tongotra sy tanako, iny elakelany iny no lalam-pahasambarako tsy maintsy hamonjeko ilay ianao malalako iny elakelany iny, tsy maintsy hodiaviko raha te hahita ny hasambarana tadiaviko iny elakelany iny tsy maintsy hovakiako na dia mafimafy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/tsy-kisendrasendra-akory-
TSY KISENDRASENDRA AKORY !
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Tsaroana an-tsaina, ampolon-taona maro izay; Olon-droa, nifanena tao an-toeram-pitsaboana iray. Ny vavy narahi-maso, ny aretiny tsy mbola hay; Ny lahy mpianatra mpitsabo, nanao fizaran’asa hahay. Nandeha ho azy irony tsiky, ny arahaba sesilany. Tsy mba nieritreritra mihitsy, inona no hiafarany? Na ito na itsy man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel.r/aza-variana
"AZA VARIANA"
Daniel.R
Aza variana ianao Fa ny fiainana mandalo Ialao ireo ota be fanao Ny devoly tsy mimalo Rendrarendranao taloha Ireo adalana maro loko Aleveno fa tsy soa Malahelo anao ny Tompo Aza dia variana loatra Amin'ny zavatry ny tany Na sigara na ny toaka Fa ny revy tsy ho lany Aza variana ety Fa ny tany fandalovana A...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/miandry-pi-maso
MIANDRY PI-MASO
BerthiN AinA
vao maraina itsy namana dia mibanjina iny antsinana mamisavisa ny hiseho anio sady mifoka rivotra madio ny masoandro miposaka no jereny fa iny hono manana fonon-teny izay hevitra lalina sarotra takarina manambara ireo miafina sy marina eny!eny no itopiany masony matetika fa voarakitra ao avy hono ireo ketrika ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mifaely-r/tretrika
TRETRIKA
Mifaely R.
Sambatra ireo olona Miandry isan'andro Ny tara-masoandro Ao anatin'ny tolona. Sambatra ireo sahy Milaza ny marina Ka afa-manarina Ireo mijaly sy voafahy. Sambatra ireo antitra Nahatohitra ny ady Tamin'ny olana nianjady Ka niadam-pinaritra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tany
TANY
Fredy Jaofera
TANY Tany, tsy anaovan-dratsy, ny hiverenana fa any, mety hanam-batsy sy azo onenana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rovarandrianirina/ilay-ora-farany
ILAY ORA FARANY
rovarandrianirina
Zao tokoa ny atao hoe safidy fa anjara. Lay mikepoka ny mangidy tokoa. Ny afatra tiko apetraka @nao ry malala. Veloma mandrapihaona any ankaotra miaona tsika roa. Tonga ty lay tanjona nirinao hatrizay. Misampana roa manomboka izao ny lalatsika. Ianao lay namafy fitiavana feno fiatsarambelatsihy.Izaho tsy nahalala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/ny-tena-fitia
ny tena fitia
Jayah Razafi
ny tena fitia?! tsy voatery ho dona na fifanolanana hiteraka voina fa ny tena fitia, mahay mifanampy raha tojo ny olana mila tsy ho tanty ny tena fitia? tsy voatery ho ady na hoe mpifamofo na efa mpivady fa ny tena fitia, fiaraha-miaina mifandray ao am-po,ary indrindra ny saina ny tena fitia?! io tsy endrika iv...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rovarandrianirina/mbola-tsy-miova
MBOLA TSY MIOVA
rovarandrianirina
Mbola tsy miova lay fitiavatsika. Mbola tsy rendrika hatramin'izao. Zao matsy ilay tanjona hirina. Ka ho tonga @fikasana tsika sy ianw. Na teo aza ny olana mafy dia mafy. Tsy natao ahakivy tsy natao hankalaina. Tsy mba niondrika fa nitraka hatrany. Tojo zavatra sarotra tsy maitsy sedraina. Enao efa ahy,izaho ef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ory
NY ORY
Fredy Jaofera
NY ORY Ny ory, tsy havan'ny manana, fotory, na mitady fihavanana. Ny ory, tsy havan'ny sambatra, na hitory fa vonona hitambatra. Ny ory, tsy havan'ny mazana mamory ny, hoe, fahombiazana. Ny ory, tsy havan'ny voky, matory vao maro ireny toky.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/lay-fitiavanao
LAY FITIAVANAO
BerthiN AinA
valo minitra taty afara izay aho vao nahalala ka nofafako akia ry malala ilay somesontsika adaladala hionona aho rahavako fa ts anjara ny hiraisantsika roa farafara satria ianao kay efa manana nofy hafa tsar fa aho mihintsy no sondriana ka dia tara hoferiko ary ny foko midoboka mb hiala lay fitiavanao midorobo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rovarandrianirina/maraina-vaovao
MARAINA VAOVAO
rovarandrianirina
maraina indray ity lay andro mafinaritra.maraina vaovao hanomanana ny ho avy.hanome hafaliana sy fafinaretana.hanafoana sy hampisinda ireo jaly. indreo ireo zava-boary mafinaritra avokoa.ilay masoandro mibalika mamiratra tokoa.miramirana ny ankizy mifaly koa ny tany.ireto Ray sy Reny manasoa hatrany. na mafy tokoa az...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/pety/fisarahana
Fisarahana
Pety
Indrisy mantsy ry malala izao toku ve nu andrara nuravainw toko ilay voaditsika roa ianao nu faly anio nef izao nu tadidio ny faharoan izay ny hery aoka ho sakaiku samy irer ts manin izany f zavamis ety antany ts ho ela nef d ho las ny alahelu nangalahasa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rovarandrianirina/ry-nosy-madagasikarako
RY NOSY MADAGASIKARAKO
rovarandrianirina
Ity lay nosy Madagasikarako. Lay nosin-drazako hatrizay. Tiko ianao sady mamiko. Lay naha lehibe ahy. Teto aminao aho no niposaka. Ianao lay naitako ny fiainako. Lay tany manakarena. Tsy manaiky ambany ary tsy mety atakalo. Tany manana ny azy ianao ry nosiko. Nefa indrisy ny mponina ao aminy. Mahantra sy mito...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/antsakabary
Antsakabary
Jayah Razafi
Antsakabary miseho an-karihary tao antsakabary fa tokoa nisy adala nandoro ny tanana enjana nedala ah!!! adala manam-basy adala manan-tsandry ka tsy niafiafy sy tsy niandriandry nanapatra ny tanjaka namono nampihanjaka ny osa sy malemy tsy mba manan-kery ho entina manohitra dia faly nampijaly faly namp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahy/tanjona-orima-mickael
ILAY FITIAVANA MAHERY
AHY
Fitiavan tsar indrindr Dia tsy az afindrafindr Fa fitiavan mahari-po Toy ny lamban'ankoho Sambatr toko zah r tin Na dia vo mianamamidr Satria fitiava-mahery Rh misark @nw di very Fitiavn omek dia 100% Foko mivelatr ef grand Tik enw mandrakizay JTM chr d velom @zay farank @zy n vetso.po kalokaloin ho anw io...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/fahatsiarovana
FAHATSIAROVANA
ANDRIANAIVO PAUL
Enga anie ireo fahatsiarovana, 'Zay tinambatra ho sary, Nieren'ny fahalovana, Mba hiraikitra ho diary..! Ka ny sento sy alahelo, Nampitondra fiafiana, Nahalasam-belovelo, Dia hiofo ho fifaliana..!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/ny-poeta
NY POETA!
Joda Razakasoa
NY POETA! Ny poeta! dia ilay olona iray manana adidy, amin'ny fiarahamonina sy ny fireneny, anjara io ny azy,mantsy tsy safidy ka mahatonga azy manandratra ny teny, ny poeta! dia ilay olona iray navahan'ilay mpahary, mba hanana talenta amin'ny olombelona rehetra, mivetso sy mikalo eo anivon-javaboahary, ao an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/tiako-ianao-kanefa
TIAKO IANAO KANEFA...
Joda Razakasoa
TIAKO IANAO KANEFA... Tiako ianao kanefa, misy hery iray mitàna ny ao am-poko, hatrany mba hitia anao antsokosoko, tsy mamela ahy hilaza ny fitiavako, tokoa izy...efa mamatotra ny vavako Tiako ianao kanefa, Misy tahotra mangina any anaty foko, vahotra satria...sao mba hadisoako, ny milaza sy mamboraka fitia n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/rivodoza
RIVODOZA
Fredy Jaofera
RIVODOZA Oram-be mikija sy rivotra mahery no mandrava ny tanàna manontolo ; ny entan-tokantrano kotsa sy very, tsisy antenaina ho avotra daholo. Tafo maromaro no misidina avokoa, rivo-tsy mitsahatra no mamelively, hazo vitsivitsy miongotra eny koa ka hatahorana hitontona eto kely. Rano hatrany no mandifotra ar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/varavaram-pony
VARAVARAM-PONY
Zoky Eric
Voadona ny fony,ka tamy nanantona. Hiverina hanokatra ilay efa nikatona. Diso hevitra anefa izy, fa tsy afaka hivoha. Satria efa voafafako, ireo lasa taloha. Mifona hono izy,fa nahatsapa diso. Sady efa niala tamin'ireo risoriso. Nangataka hiverina mba hotiaviko. Fa saingy indrisy, tsy maintsy nolaviko. Nampijal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel.r/namana
"NAMANA"
Daniel.R
Tandremo lahy ny namana Fa tsy menatra ny hamadika Aza tia manandrakandrana Fa tsy fantatrao ny ambadika Ny namana matetika No mampanao ny tsy fanao Tsy misaina afa-tsy ny handetika Handrava ary koa hanimba anao Ny namana razoky Tsy azo hianteherana Tsy fanao koa ny mitoky Mba diniho sao hanenenana Ny naman...