url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/sekolinay-ho-ianao-sekoly
Sekolinay
lain's rakoto
Sekolinay hoy ianao Sekoly tsy mba tsara Sekoly be tantara Sekoly ny mahatra Sekoly ny tsy manana Sekoly ny lalana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sylviocora/ny-fonao-azafady-ramatoa
NY FONAO Azafady ramatoa
sylvio(cora)
NY FONAO Azafady ramatoa Raha manelingelina anao Fa misy zava-mahasoa Angatahiko aminao. Tsy vola sy harena sanatria no tadiaviko aminao Fa hantahanta sy fitia Miampy ny fonao. Raha mba sitrakao ry tiana Etsy atolory ahy ny fonao Ka raiso anao f'aza ariana 'Ty foko izay atolotro anao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/horohoron-tany
HOROHORON-TANY
Fredy Jaofera
HOROHORON-TANY Horohoron-tany, horohoron-doza, tsy mivozavoza misy ao ambany. Horohoron-tany, horohoron-trano efa tena angano mbola re ihany. Horohoron-tany, horohoron-tory toa manorisory rehefa injany. Horohoron-tany, horohoro marina, toa nahafarina, na efa nialany.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fitiavana-2
NY FITIAVANA
Fredy Jaofera
NY FITIAVANA Ny fitiavana toy ny rivotra, tsy fantatsika avy aiza : mampihavana sy manifotra ny andro no mitaiza.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/baobaba
BAOBABA
Fredy Jaofera
BAOBABA Kely aloha ny baobaba vao lehibe ka mitomboa vao mijaba ho ngeza re.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vava-tsy-tana
VAVA TSY TANA
Fredy Jaofera
VAVA TSY TANA Vava tsy tana, ny mamerina azy no mampalahelo ka aza igagana raha nanasazy sy nisy angelo.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/mitady-jery
MITADY-JERY
JERY
MITADY Mitady hamony indray 'lay raozy efa nalazo Mitady hifoha indray 'lay fo efa natory Mitady ratra indray,tsy fay ny efa nahazo Tsy laitra hampiononina fa tsy hitia intsony Mitady dia indray 'lay fo niverin-dalana Mitady tomany indray 'lay maso mora bongo Mitady hiroso indray fa efa maka bahana Tsy mety af...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/mbola-ho-avy
mbola ho avy
lain's rakoto
eny antsefan-drahona eny misy taratra ankiray hita mitsolopilopy manantena fa hanazava toa tsy kivy fa miezaka miezaka manopy manopy fahazavana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/firaisankina
FIRAISANKINA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Izay mitambatra hono vato, izay misaraka fasika; Hoy ny ohabolana Malagasy izay tsy mety lefy laza. Antonona indrindra ankehitriny, satria tena mahakasika, Ny miseho andavanandro, mba tsy hanaovam-be filaza. Talohan'ny nisian'ny rivodoza, maro be ireo sahirana; Sivifolo isan-jato, na an-drenivohitra na ambanivolo....
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/mitomany-i-gasikara
MITOMANY I GASIKARA
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Mitomany i gasikara Tanindrazana malala Vao may miha osa Itombahan'ny trosa Iza no mahalala? Fa mitomany i gasikara Mitomany i gasikara Nosy mamy tsy foiko Izahay taranaka amam_para No injao mitoloko Iza no mahafantatra? Fa i gasikara tonga lafatra Mitomany i gasikara Malahelo ny foko Izahay izao no tsara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/miezaha-raha-te-hiaina-tsara-
MIEZAHA RAHA TE-HIAINA TSARA !
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Ny fiainana an-tany, ekena mila fiezahana; Isa-minitra, isan’ora, isanandro isanandro. Ny asa fampandrosoana no tokony, hibahana; Fa tsy zava-tsy misy dikany, mandany andro. Ny fiainana hono, ho an’ireo mifoha maraina, Sy miharitory, mamita ny tsy vita ny antoandro. Mifofotra ihany, na mazoto na malaina; Hiainan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/ampy-ahy
AMPY AHY
Joda Razakasoa
AMPY AHY... Ampy ho fahasambarako ny mitia anao mangina ao an'eritreritro ao Ampy ho tantarako ny nofim-pijaliana nohon'ny fitiavana anao Ampy ho fifaliako ny topy masonao mijery indray mandeha miserana Ampy ho fijaliako izaho ilay mangina irery noho ilay fitia nezahiko noferana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-antsanny-foko/fony
FONY......
Ny antsan'ny foko
Fony izaho sy hianao mbola nifankatia Dia tsy navelantsika ho irery izao diavolana izao Fa teo isika no niar-nankafy Nifamihina,nifanoroka.... toa tsy hifandao Fony isika nilalao Tamin'ny takariva diavolana Dia nifanaiky tsy hifandao N'inon'inona olana Fony izaho nitia anao Sambatra aho fa hoe tiana ka nitoky...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hr/todinny-lasa
Todin'ny lasa
Hr
https://www.youtube.com/watch?v=3SFZd8338AA Tsy hoe izaho mifaly alahelo 'Zay lalovan'ny fonao maditra, Fa saino ary koa mba hevero, 'Zao ny valin'ny teto efa vita. Tsy hoe mitsiky mijery anao voa, Voafitaka an-tany malama, Fa na iza mamitaka fo, Tsy maintsy izy mbola hialana. Fandalovany ianao tao antsainy, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza
AZA
Fredy Jaofera
AZA Aza alefa intsony 'zany hira izany fa tsy mampitony sy mahabe tomany. Aza aseho indray 'reny sary ireny fa mila hampivay ny fery lavareny. Aza tairina eto ny sedra nahazo fa ady ka rafeto hiova hampivazo. Aza averina avy ny tantara nisy fa dia nampanavy izany ka indrisy.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ilay-ora-pitiavana-tompo
Ilay Ora-Pitiavana
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Tompokolahy sy tompokovavy Raha midona izany oran'Ankaratra Dia tandindon'ilay oran-ko avy ary hanomboka ny fahavaratra Raha midona ny ora-pitiavana Dia ilay fotoan'ny fanambadiana Fotoana mahavory ny havana ny lanonam-pianakaviana Fa raha midona ny onjan-dranomasina Dia mahatsiaro ilay morontsiraka niantombo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/tsiky-dia-ampy
TSIKY DIA AMPY
Zay LAFATRA
"TSIKY DIA AMPY" Raha toa ianao ka ory, na sorena lalandava, aza hadino fa tolory, ilay tsiky indraim-bava. Tolory tsiky foana, fa aza mety mimalo, fa mbola hoavy ilay fotoana, handresenao ny fahavalo. Aza mitana lolom-po, fa omeo azy ny tsikinao, omeo azy avokoa, hatramin'ny endrikao. ka raha tomany ianao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raaha-hitako-ve-
RAHA HITAKO VE ?...
Fredy Jaofera
RAHA HITAKO VE ?... Raha hitako ve fa ratsy dia tokony hotiavina ihany sa ialana fa tsy hamatsy ny andro ho soa eto an-tany ? Raha hitako ve fa loza dia tokony hiarahana lava sa ekena fa be kitoza sy azo antenaina hampisava ? Raha hitako ve fa jaly dia tokony hifaneraserana sa hajaina fa mahavaly 'reo taona...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ry-tanindrazako-ny-tanind
Ry tanindrazako
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Ny tanindrazako, malalako! Dia ilay gasikara tany itoerako, s'ilay tanindrazana fiavin'ireo havako ka velona hitoerako, maty hilevenako! na dia aty an-tany lavitra aza ny tena, dia tsy ho adinoiko ianao ry tanindrazako, na dia hanjakan'ny alahelo aza dia onena, ka onena ny foko ka mila tsy ho zakako. Odrey! iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ampianaro
AMPIANARO
Fredy Jaofera
AMPIANARO Ampianaro izy hifaly rehefa ory izato fony tsy hamelona ny jaly fa eo kosa hampitony. Ampianaro izy hihira rehefa be ny ranomaso tsy ho any an-dakira hifokofoko fa an-kaso. Ampianaro izy hijoro rehefa kivy lavareny fa misy olona mpanoro manohana azy ombieny. Ampianaro izy hitraka rehefa mafy ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/teniko
TENIKO
Fano
Eny ho'aho ry teniko Fa iza moa ianao No sahy mampanantena Ny tena fahendrena? Fa na hampanantena Sy hanao ny fanekena Tsy hitokirako tsy akory F'andrao ho tanjona hampahory! Kanefa raha ianao No sahy manambara Ka hijoro sy hilaza Dia ekeko ihany noho ianao Fa ianao no teny Izay averimberiko eny K'andrand...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/ny-soratro-ny-soratro-re
NY SORATRO
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Ny soratro re roy No hany mba vakio Ataovy toy ny rano ny soratro sotroy No sady tadidio dia ny tsara no mba tano ny soratro leiretsy Ataovy toy ny kalo Hanala izany sento Ny soratro raha mety aza avela handalo fa hanampy anao hivetso ny soratro ry lahy no raketo ao am-po fa hanampy anao hatrany ary hana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-zanako-2
NY ZANAKO
Fredy Jaofera
NY ZANAKO Ny zanako no fanambinana isaorako ny Avo matetika, sy andry mety anankinana ny hoavy vao mba mitetika. Ny zanako no fandaharana mamotika ny lasa rehetra, mamelona ity hasambarana nataoko mba tsy hitoetra. Ny zanako no fanalahidy mamoha ireo lamintsaina, mampipoitra irony safidy mahaliana sy tena l...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/mirindra
MIRINDRA
Fano
Ny kabary ry lahy dia soa sady kanto Arahina fihetsika milantolanto Ny feon-drangahy toa manao nifin-tsofa Kanefa mirindra sy mitofatofa Ny endrik'ikala manaraka feo Sariaka sy jejo kanefa jereo Ny fahendreny any izany manaraka azy eo Mitsiky makefaka mampiady feo Lahateny tsara rindra sy fatratra indrindra Ev...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/kalo-rahoviana-iron
Kalo
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Irony raozy vao mamony! No mba hoentiko mikalo, Hanafoana tsy hisy intsony Ilay fonao misento, ilay endrikao mimalo Fa hisolo tsikitsiky ka ho feno fifaliana Anio ihany izany, fa tsy hoe rahoviana! Ary irony diavolam-panazava Noravahan-kintana irony, no nindramiko mba hanazava ny haizana ao am-pony dia ny fok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/antsonjay
ANTSONJAY
Fredy Jaofera
ANTSONJAY Raha nisy fitiavana, tsy nanao antsonjay fa nitranga ny avana, nahafoy ny « izahay ». Raha nisy fitserana, tsy nanao antsonjay fa nalana ny herana tsy hisy amin'izay. Raha nisy fiontanana, tsy nanao antsonjay fa indro fihavanana no tonga nivaivay. Raha nisy fiahiana, tsy nanao antsonjay fa main...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/takona-ve
Takona ve?
Rary Nofy
Hoy ianao: Takona ve ny fahamarinana? Fa voavidin'ny vola ny tontolo! Sarona ve ny fahanginana? Fa lasa ny ratsy no manjaka Manjakazaka eto an-tany! Maro ny mpanaratsy; Be koa ireo kolikoly,halabotry! Ady lava,tsy fitoviana; Na eo amin'ny fiaraha-monina na eo amin'ny fianakaviana! Takona ve ny marina? Sa ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-tena
Ny tena..
Rary Nofy
Ny tena fifaliako Dia ny ho eo anilanao! Izay no tena tiako Amin'izao ankehitriny izao! Ny tena faniriaoko Dia ny hiara-dalana aminao! Ho sambatra,ho tretrika Ny fo keliko ao! Maharavo.A
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-marina
Ny Marina
Rary Nofy
Voatsikaritro fa... Voavidin'ny vola ny tany; Voavidin'ny vola hatrany; Ny fahamarinan'ety! Ety ambonin'ity tany ity! Na eny amin'ny fitsarana! Na eny amin'ny fiaraha-monina! Samy voatonona avokoa; Fa manafina ny marina. Fa matahotra ny ho voalatsa: Voaratra' aratsian'ny fiaraha-monina! Ilay fahamarinana lat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-fahaleovantena
NY FAHALEOVANTENA
Fredy Jaofera
NY FAHALEOVANTENA Ny fahaleovantena dia vonim-pahafahana hampiranga amin'izay ny mari-pivoarana tsy ilaina hamoha fofom-panjanahana nanageja antsika tsy nisy fitsaharana. Ny fahaleovantena dia lalan-tsarobidy hisondrotan'ny valalatsimandadiharona fa tsy tarigetra na ambarako ho safidy hanadinoana ny hafa fa eo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raims-randriamalala-mahavonjy-aim/zava-boahary-endrey-izan
Zava-boahary
Raims randriamalala (mahavonjy aimé)
Endrey! ny hakanton'ny zava-boahary Toa mahafinaritra, maha-te ho tia kanto sy meva raha samy voahary Ka mahatamàna an'ireo mpianjoria saingy.., indrisy fa simba sy rava, Ilay voahary namiratra mba noforonina dia ny masoandro hantenain-kanazava No zary aizim-pito ho an'ny tany amamonina Nahoana r'ilahy no dia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/tafio-drivotra-
TAFIODRIVOTRA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Voamafy foana ity Firenena ity, Kilasiana isan’ny mahantra indrindra; Fahadimy eran-tany, raha jerena ny filaharana misy azy izay. Miezaka ihany miarina, mivoatra, Mandroso ary manova famindra; Fa tavela foana eo am-piaingana, Izay no zava-misy tsapa hatrizay. Ny mahatonga izany, isaky ny fahavaratra misy tafi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/fitiavana
FITIAVANA
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
He! Zany hatraran'ny lanitra manga Haingony habakabaka soa manodidiny Ny fitiavana niriana tsy mety mitranga Vao mipoitra kely dia rohitiny Jereo tselatra mahate ho tia Samborina haningotra ny aina Manambara fiarahana ho doria Fitiavana mampitaraina Akaniny zaza kamboty Ipetrahany olo_mahantra Fitiavana mandr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/azafady-tompoko-
AZAFADY TOMPOKO !
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Teny iray tena fampiasa, Isaky ny niteny teo aloha. Miha adino, tsy dia faheno firy kosa moa ankehitriny. Sa efa vakoky ny lasa; Tsy hivakiana loha moa? Efa natobaky ny siny feno, Zary sisa tsiahin'ny fahiny. Teny iray nanan-danja, Mariky ny fanajana koa. Fandre foana isanandro, Teny tsy nanam-paharoa. Nami...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mpanajary-vaovao/fa-nahoana-aky
FA NAHOANA AKY
Mpanajary Vaovao
Fa nahoana aky cherie, no nilaozana ty foko tia, tsy mba nisaininao akory, zato foko tena ory. Fa nahoana aky malala, nilaozanao ty foko adala, adalam-pitiavana anao, ka nilaozanao tsotra zao. Fa nahoana aky ry tiana, no nilaozanao ty fandriana, fa naleonao niala mandry, iondana eo @ ilay bandy. Izany ve la...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/anjely-hafakely
ANJELY HAFAKELY
samiir lien'ju Rafaralah
Indray hariva tamin'izay Tao an-tanānakelinay Nisy tovovavy iray Izay nambabo ny fanahy. Tovovavy tsara bika Meva endrika sy kanto Tena tsotra sy sariaka Amin'ilay fiteny toa milanto. Ny tarehy malandilandy Manintona sy mapadangy Ny volo misahondrahondra Mitopatopa toy ny onja. Ny fitafy Malagasy Tsy misy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edmond-randrianandrasana/ady-ao-anaty
Ady ao anaty
edmond randrianandrasana
Toy ny tanjom-pitoniam-po mionona amim-boninkazo varimbariana Iza no nitondra oroka teto Fiaran'ny fo mitati-pitoniana Sa kalesina molotra natosi-po very safidy Ry foko,voninkazon'iza? Toa miteny ami-maso Fa fikasana farany amim-pitoniana Kanefa hoy ny bitsibitsi-panahy amino Oha-kintana kely saro-tadiavina a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edmond-randrianandrasana/ny-hiranao
Ny hiranao
edmond randrianandrasana
Izay avy any amin'ny fo torotoro Ny feony dia tsy inona fa: ako nionona tamin-drivotra rehefa avy novizanin'ny fo manin-javatra teo amin'ny lalan-tsarotry ny tanjony. toy ny voron-kely nikopak'elatra ho eny amin-dreniny nitomany azy teny an-tampon'ny lanitra avo indrindra nafoin'ny maty iza? Ary na ianao izay ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edmond-randrianandrasana/maty-ilay-mpamoron-kira
Maty ilay mpamoron-kira
edmond randrianandrasana
Boky an'arivony no nadikany fa tsy mba nisy tononkira nitomany azy na fon-kira nangoraka ny fony nandrotsa-dranomaso niala-aina teo anatrehan'ny fanantenam-bokiny Toy ny vitsika nitomany mamy tany am-pon'ny sigam-bovoka Indrisy,any ankoatry ny rivo-mainty matevina Lanitra fievoran'ny rivo-peo maherin'ny onja S...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edmond-randrianandrasana/zavamanenonny-maty
Zavamanenon'ny maty
edmond randrianandrasana
mitati-kira ho am-po matorin'ny fiainana O!ory fitoniana anaty lanitra mangina Tinendrim-po miery Hira no mba fiononany Hira no tanjony farany Hira tsy mbola voakasa Na azon'ny ela-panahy O!ory fitoniana Kanefa avela hitia Sy ho tiavina O!ory zava-mahagaga indrindra Toa mihoatra ny tanjom-pitiavana Ory fah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/mitia-mangina
MITIA MANGINA
Zay LAFATRA
Ho gina tsisy hahafantatra, ilay foko tianao fatratra. N'iza n'iza tsy hisy hahalala, fa ny foko anie ka tianao malala. Tsy ambarako an'iza izany!eny na ianao, fa izaho ange ka tena tianao! Anefa aleoko izaho irery ihany, no hiafy sy hahafantatra izany. Eny na ianao hapiaraka amiko, dia ny alokao no mba tantan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/hirahirako
HIRAHIRAKO
Zay LAFATRA
Ô!ry Voary malalan'ny saina! maharavo sy mendrika ny endrikao. Hiran'ny fiainako tsy tanisaina, ny hamaron'ny fitiavako anao. Ô!ry Voary malalan'ny fanahy! Manidina aminao ny fihevitro izany. Inoako angamba fa ianao toa ahy! Mahatsiaro androany mandefa vinany. Ô!ry Voary malalan'ny vatana! Tena ianao ilay fana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edmond-randrianandrasana/valiha
Valiha
edmond randrianandrasana
Zava-maneno niriam-pon'ny razako Tao amin'ny volan'ny fony nafoy Tamin'ny taom-pitadidiana Zava-maneno, natao tamim-pon'iza? nidiana tamim-poko Sy ny anao mihaino azy maty hazo nipoirana nilevenan'ny zava nokasainao miara-bery aminy eny an-tanim-pitserana fitoniana ankilan'ny kintana voagadra sofina sy lela...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heritreritro/any-izay-zandriko-izay
Any izay zandriko izay
heritreritro
Any izay zandriko izay ry Jesoa Efa lavitr’ireo ahiahin’ny fo amin’ny maha olombelona Fa velona! Tsy maty fa velona ilay irakao! Lehibe loatra ny fitiavanao raha hamela azy hofaty, Ho sarotra ho tanty fa tianao loatra izy! Mihoatra lavitr’irony fitiavan’ankizy madio ts’isy pentina! Tsy mba misy fetra, … Tsy foina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edmond-randrianandrasana/samy-avy-any-an-kimbon-dreny-malemy-nofim-po
Samy avy any an-kimbon-dreny malemy nofim-po
edmond randrianandrasana
Fizarana faha 2 avy ao amin'ny AFO Samy avy any an-kimbon-dreny malemy nofim-po sy votsa-fitadidiana Ianao sy izy Ianao manana endri-mamirapiratra kokoa noho ny fahavotsan'ny fony mahantra Izay tsy mba mahalala afa-tsy ny isan'ny poezian-dry mpanonofy fitoniana any am-boky, Ianao, nofy Raha ho ny vorom-pampia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mazavatsinana/misosa
Misosa
Mazavatsinana
Misosa toy ny rano Ny ora sy minitra Segondra toa mandalo Ka tsy hitahita. Misosa toy ny rano Ny andro, herin'andro Ny volana ny taona Ny ririnin-dohan-taona. Misosa toy ny rano Ny anio, ny ampitso Rony felana malazo Malazon-drisoriso. Eny, misosa toy ny rano Ty fiainantsika ity Fahamarinana mba tano! Fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edmond-randrianandrasana/gitara
Gitara
edmond randrianandrasana
Ry gitara ,vakan-kira ianao na koa ram-pon'ny mpilalao azy Ianao tsy naneno raha tsy teo ny onjan'ny foko Ianao tsy lalaoviko ami-naotin-kiran'ny tany fotsiny Fa entiko toy ela-nofy Asidim-po very fitoniana Ry gitara, Tsara hafina va ny any am-poko Ka tsy mahita akory ny tena antom-pisinao Eto amin'ireto ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edmond-randrianandrasana/taninny-nofy
Tanin'ny nofy
edmond randrianandrasana
Fiainana inona,kintana inona Eto amin'ny fahatanterahan'ny masoandro? Misy vorom-bery tsy fantatra miainga Any amin'ny fiafaran-kantsan'ny fanahy Hanaka-tendro tsy mifarana Hamanta-po Maty fitiavana Divay inona, no ilomanosan'ny fanahy Fofonin'ny fo Ao amin'ny hantsa-tsy fantatra aiza? Fa toy ny mpihaza very ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edmond-randrianandrasana/aiza-ho-aiza
Aiza ho aiza
edmond randrianandrasana
Fizarana 3 avy ao amin'ny AFO Aiza ho aiza amin'ity lakan-trondro sampona Hatsingevan'ny ranomasin-tsy mifarana? Mpisidin-tsy hitan'iza na aiza ny firehetany amin-kafo tsy matin-drano inona Planetam-boro-kamboty an-dakira aiza no misy ela-mavesatra nofy Mpahay fahagagana tsy mahavonjy tena? Totoin'omby mena mas...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/ny-fahatanorana
NY FAHATANORANA
samiir lien'ju Rafaralah
Araraoty lehiretsy ny fahatanorana Soa ao an-tokantrano vao hanao adalana Hoe mbola betsaka ireo tsy vita Ka ndeha hamonjy alim-pandihizana anenjika sipa. Araraoty r'Ikala ny fahatanorana Fa tsy ho afaka intsony rehefa madama Ny tokatrano tsy maintsy sahanina Hiadidiana avokoa fanadiovana sy hanina. Araraoty,ar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edmond-randrianandrasana/avy-ao-aminny-afo
Avy ao amin'ny afo
edmond randrianandrasana
1). Dragona inona, no nandrora afo teto amin'ity saham-boninkazo nohariana ho hatsarana? O Voninkazon'i Satana Ka may daholo ny tsikiny rehetra Inona sisa? Mamela ahy Tonom-bavaka fanaon-draolombelona Isaky ny manota izy, Tilikambon'i Babela,Tilikambon'i Babela,nofinofy Izany anefa no mbola any am-pony manan-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-fahamarinana
AMIN'NY FAHAMARINANA
Fredy Jaofera
AMIN'NY FAHAMARINANA Mandeha amin'ny fahamarinana, mankany amin'ny fahombiazana mihoatra noho izay fanadinana natrehana sy efa nahamazana. Mandeha amin'ny fahamarinana, mankany amin'ny fahasambarana, mampitranga ireo fanambinana toy ny efa, hoe, fandaharana. Mandeha amin'ny fahamarinana, mankany amin'ny soa s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/evinevina
EVINEVINA
Antsa tononkalo.R
EVINEVINA Ny masoandro eva iva,ny raho-matevina mamirifiry ny rivotra aty, ny rivotra avy any e! mitondra evinevina njary nandifitra ity foko ity Ry evina!, nahoana? Ry evina,,avy aiza? No tonga mandona ny fo resin-tory miavona angaha sa ratsy taiza Ny fanontaniako tsy valiany akory sa efa voabaikon'ny fahatsi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/fandrosoana
FANDROSOANA
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Raha tsy nisy fandrosoana Tsy nisy zaza notrotrona Ka izay mahatsapa fa mendrika izany Dia aza miembotra fa mandroso hatrany Lay fandrosoana niandrandranao hatrizay Ho azonao io fa aza manahy Kanefa mba saino ihany Hoe mendrika ahy ve izany Ny fandrosoana tsy vidiana vola na sadaina harena Fa hazoana hery sy f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel.r/vavaka
"VAVAKA"
Daniel.R
Hisaorako Anao ry Ray Ireo soa nataonao tamiko Hangatahiko eto indray Ny hanavotanao ny taniko Aza ny haratsianay no jerena Fa ny fonay mitalaho Vonjeo ity tany mahonena Ny orana re mba alatsaho Ny fiainanay izao toa miharatsy Miharatsy andro aman'alina Efa mila ho lany vatsy Ny vatanay tena saozanina Izany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ilay
Ilay...!
Rary Nofy
ILAY...! Ilay tsiky kelinao; No sendra mba tsaroako! Rehefa mifandao; Ny saiko sy ny foko! Ilay hantahantanao; No mibahana ato an-tsaiko! Rehefa mandinika aho; Dia ilay sarinao,endrikao no toa lalaiko! Ny rediredinao; No tonga alaheloko! Rehefa mifandao; Ny tenantsika sy ianao! Rehefa lasa ianao; Toa mive...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vehivavy-2-10008
NY VEHIVAVY
Fredy Jaofera
NY VEHIVAVY Ny vehivavy manahirana rehefa hividy zavatra, satriny ihany hidirana, na aiza ka mamahatra. Ny vehivavy manadala rehefa mba tadiavina ka dia mampisalasala, na indro re,tiavina. Ny vehivavy manaraby rehefa sendra olana fa tsy mitady hibaby, na io miholantrolana. Ny vehivavy manamavo rehefa misy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/michel.d/fitiavako-mangina
FITIAVAKO MANGINA
Michel.d
FITIAVAKO MANGINA Tsy fantatrao fa ny foko Dia mitia anao mangina Tsy fantatrao fa toloko Ny embon-dava anao ry tiana Raha ny ato anatiko rehetra No aborako aminao Tia anao tsy misy fetra Mihoatr'izao tontolo izao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/tongava-soa
TONGAVA SOA
Zay LAFATRA
"TONGAVA SOA" Iny ianao no lasa ao anaty fiara, dia nanofakofaka ilay mosoara, vonton-dranomasoko iny! Ranomaso tsisy tsiny. Sendra latsaka iny angamba? noho ny zavatra efa mbanga, nihatra anatiko ao, ka lasa nidoreo tsotra izao. Veloma no azoko ambara! Tongava soa any ianao malala! Soava-dia ianao rahavako,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/misy-fitia
Misy fitia
Rary Nofy
Misy olona iray; Miandrandra fifaliana! Eo akaikin'ny silam-panahy; Eo anilan'ny olon-tiany! Fa raha ny tiany anie! Hitositosy an-tratranao! Fa nahoana ange! No toa nolavinao. Ilay fitiavany vao nifoha; Tao anatiny ihany koa! Toa niofy lasa lo! Maharavo.A
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/any-ho-any
Any ho any
lain's rakoto
Nangina teo ilay tokonana Lasa sary fahatsiarovana Endrika mahatorovana Teo ilay fitoerany Toarana fonenany Fonenam-panembonany Ankohonany tsy foiny Tsy maintsy nilaozany Nialany ny ankaniny Hiova vaovao indray Ny fitoerany hatrizay Ilay kotaba kely Adiady tsy mba foiny Milaozany avokoa Fiainana hafa indr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mangotsokotsoka
MANGOTSOKOTSOKA
Fredy Jaofera
MANGOTSOKOTSOKA Mangotsokotsoka ny lasa rehefa mitokana mangina ; mamoha eny sy mampiasa ireo efa nitondra fanaviana. Mangotsokotsoka ny jaly rehefa manorana ny tany ; tsy hay loatra izay havaly ka tonga eto ireo tomany. Mangotsokotsoka ny fery rehefa misaontsaona ny fo ; tsy hita ambara ny efa very na ny e...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ranomandry
RANOMANDRY
Fredy Jaofera
RANOMANDRY Mandreraka ny mahatazana ny hafotsin'ireo zava-boary, hatsiaka mampihidy vazana no misy ka mila hankarary. Diniho fa toy ny landihazo injao mirotsaka tsikelikely manarona hatrany ny hazo ringidringitra, sady mamely. Feom-borona no re vetivety fa mangovitra foana ny tena, ny hatsiaka no indro mitet...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tenin-dreny
TENIN-DRENY
Fredy Jaofera
TENIN-DRENY Tenin-dreny, teny marina hitako heny vao miarina. Tenin-dreny, teny kanto, soa ombieny mampilanto. Tenin-dreny, teny tiako mampita eny ny fisiako. Tenin-dreny, teny raitra ka ny habeny io mandaitra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/mbola-ho-avy
Mbola ho avy
Rary Nofy
Mbola ho avy ny maraina; Izay hampifalifaly fo! Ka hisinda ireo taraina; Sy ireo ratsy izay manjo! Mbola ho tonga ny andrandraina; Fa miandrasa kely aloha! Tsy ho ela dia ho faina; Fa mitraka ny loha! Maharavo.A
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/soratry-ny-manina
SORATRY NY MANINA
Fredy Jaofera
SORATRY NY MANINA Soratry ny manina no indro mankany, tsy mahavalalanina fa mahalasa vinany. Soratry ny manina no indro manafatra fa na tsy nentanina ny ainga dia lafatra. Soratry ny manina no indro mampiray, tsy zava-nomanina fa fitia mivaivay ! Soratry ny manina no indro mitoetra ka raha dinganina, ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zay-lafatra/sasa-miandry
SASA-MIANDRY
Zay LAFATRA
Efa sasa-miandry ity alina mangina! Ny maraina tsy fantatro na ho tonga ianao ry tiana. Izaho efa dodona ny hahita maso anao. Ny foko mientanentana ny saiko mifamaho. Hoe rahoviana indray isika vao hifakahita, f'izaho ato ihany fa ianao no tsy hita. Efa sasa-miady ity foko fenon-jaly, ka mionona mangina,miandry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/hifoha
HIFOHA
BerthiN AinA
aleo hifoha amizay ny fitia dia ilay fitia naborakao fahiny fa toa tena hitako mankahia ny fitehirizako azy ankehitriny hotantaraiko isa-tokony ary ka mb raiso ampahedrena fa ndrao ho lasa ts zary ary ho tonga fitiavantena ts hoe lany vorona ny tany ka hiverina aminy fahiny lasa fa tsapako ny fahorianao any ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mazavatsinana/ny-lasako
Ny lasako
Mazavatsinana
tsindrian-daona 'zany foko Fa hahita anao androany, Hamborahako 'reo lasako Hitantarako 'reo tomany. Ianao no antenaiko Hamitrana ireo fery, Olam-piainana tsy zakako Ianao no takom-pery. Holazaiko anao anio Ny tsiambaran-telom-piainako, Ianao no hanadio Ny alahelo zay tsy tantiko. Haminavina ny hoavy Hanad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/mivavaha-ka-aza-mitsahatra-
MIVAVAHA KA AZA MITSAHATRA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Mivavaha, ka aza mitsahatra, Amin’ny androm-piainanao; Ka ny tsara foana no halahatra, Izay no adidy miandry anao. Mivavaha, ka aza mitsahatra, Maraina, atoandro sy hariva. Ny fiainanao ho sambatra, Na mbola ho ela, na efa hadiva. Mivavaha, ka aza mitsahatra, Satria be ny te handavo anao ; Na ho akaiky io na ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/ataovy-toy-ny-tany-ampiandohana
ATAOVY TOY NY TANY AMPIANDOHANA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Ataovy toy ny tany am-piandohana, Irony fiarahana amin’olon-tianao. Tena tsotra sy madio, tsy isalasalana, Ilay fitia nitsiry tao am-po hatramin’izao. Ataovy toy ny tany am-piandohana, Ny teny sy ny tsiky eo imolotrao. Mahatehotia, tena mahasalama, Mandeha ho azy koa ny zavatra atao. Ataovy toy ny tany am-piand...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vehivavy
NY VEHIVAVY
Fredy Jaofera
NY VEHIVAVY Ny vehivavy raha lazaina no loharanom-pirenena fantatsika hatramin'izay ka raha indro arahabaina na tsaroana, hoe, harena dia efa anjara soa iray. Ny vehivavy raha fotorana no sakaizan-dralehilahy namboarin'ilay Nahary ka mendrika hotolorana 'tony saotra fa dia miahy antsika lava ho lavorary. N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/14-febroary
14 febroary
hjravs
14 Febroary Tsy hoe folo efatra amby indray 'ty Febroary dia hofenoina tambitamby sy haseho miharihary fa mifankatia isika; ka tsy maintsy adika amin-tolom-panomezana mba entina amehezana fa lafatra tokoa ny fitiavantsika roa. Ny hoe mifankatia anefa, retsy, akia tsy fihatsarambelatsihy, fa mandavan-taona...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel.r/aiza-ianao
"AIZA IANAO"
Daniel.R
Aiza ianao ry tiako Fa toa banga izany fiainako Ireo hatsiaka nihafiako Mba henoy ny fitarainako Aiza ianao malala F'izaho toa manirery Fa mila ho lasa adala Mahatsiaro tena very Aiza ianao ry silako Fa mangatsiaka ny fandriana Mila anao aho ho eto anilako Tsisy anao aho dia mangina Aiza ianao ry aiko Avia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/mandehana
MANDEHANA
samiir lien'ju Rafaralah
Ataovy ampy anao ireo fijaliako Fa aza somparana intsony Ilay mba hany fifaliako. Niezaka aho nitraka Na dia efa latsaka tanatin'ny haizina Satria efa tapitra niafiako ireo karazana famaizana. Nefa ankehitriny ianao Tonga indray amendrofendro Miangavy aho mandehana Fa ny anao anie ka adalana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iny-ianao
INY IANAO...
Fredy Jaofera
INY IANAO... Iny ianao nisintaka toy ny vorona nikopaka, ninia toa nanadino 'rony tsiky izay nitobaka, dia nanorana tsy satry ny taza-manoloana ka tonga nampahatsiaro ny lasa teny foana. Iny ianao nanjavo sy nilentika any ho any, nanimba ny vita sy nitondra ireo tomany, namory ranomandry hampangatsiaka ery ny a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/raha-maty-aho
RAHA MATY AHO
ANDRIANAIVO PAUL
Raha maty 'zany tenako, Aoka tsy hitomaniana, 'Lay tranobongo izay fonenako, No aoka kosa ho vangiana, Fa voarakitra ao daholo, Ny fiaimpiainako manontolo... Raha maty 'zany tenako, Aza saloran-damba mainty, Fa lamba fotsy mangoratsaka, No andrakofy ny fanahiko, Efa vonona hikatsaka, 'Lay hany tena fiadanako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-hoteneniko
TSY HOTENENIKO
Fredy Jaofera
TSY HOTENENIKO Na dia mamiko aza ianao, tsy holazaiko, na dia kely, tsy hoteneniko, hoe, andao hifampitantana, ry anjely ! Satriko loatra fa tsy mora, mahazo sedra ka voatery ; fitia iray tsy ho goragora no voatahiry sy rako-pery. Mihatakataka fa tsy azo, tsy vazivazy fa tsy mety ; aleo mangina fa ny vazo, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/faly-ny-aiko
FALY NY AIKO
BerthiN AinA
Manga ery zany lanitra Rehefa iny ianao tazana Ravoravo sahady ts aritra Ny foko fenonao fitiavana Toa zara ts ho bobongolo Ny fotoana iray toy itony Satriko hosodokoina daholo Anaty diary hatr'aminy fony Difoka_faliana ny aiko rehetra Miandry izany malala andalana Ho ampoka tsikitsiky indray rehefa Tonga et...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/ny-hetraketraky-ny-lasa-m
Ny hetraketraky ny lasa m
Ra'Ony
Ny hetraketraky ny lasa mandratra hatrany hatrany ny ampitso izay kinasa navalony ho tomany tsy hiantrany na hovina izay ho mety fintarainana fa izay endrim-pitoviana amin'ny mlaty no hiainana Ny safidy ve no diso sa ny vintana no ratsy ô ry androko ampitso rahoviana vao ho kasy!! nefa ekeko izay ho lahatra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manintona
MANINTONA
Fredy Jaofera
MANINTONA Manintona ny ratsy ny zavatra tsara fa ilainy ho vatsy hanova ny anjara. Manintona ny ratsy 'reo soa sesehena, fa sao atsy ho atsy ka ho sanganehana. Manintona ny ratsy 'reo fahombiazana, na indro fatsifatsy no maro sy tazana. Manintona ny ratsy 'reo hasambarana, manery azy hihatsy tsy hita mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/inay
INAY
Fredy Jaofera
INAY Inay aho tsy tany fa loza no niseho ; nanantena akany dia indro nitoreo. Inay aho tsy babo raha iny re no izy fa tsy nahatsabo ny fery izaitsizy. Inay aho tsy mora nitory izay nanery fa toa nihamatsora 'reny soa tsy very. Inay aho tsy maika nitady famonjena fa iny vao nitaika ny orana dia lena.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/rehefa
REHEFA
joseclaudio
REHEFA Rehefa takatrao ny zava-dalina kendreny Dia fantatrao ny tena fahendreny. Fa ny aingany manakatra ny tsy azonao faritana no hadalana iainany, fa nofinao anefa ny zavatra isainany. Rehefa mitamberina ao an-tsainao ny adina napetrany dia tanteraka ny nofy nokatsahanao hatraiza!!! Eny sakaiza a! Sitrana n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel.r/fitiavako-mahantra
Aza saininao akory Izay r
Daniel.R
Aza saininao akory Izay rehetra momba ahy Na ny foko oriory Na ny saina na fanahy Atsaharo ny antsoantso Ny anarako fafao Fa jamba ilay maso Izay finitapitakao Avelao aho ho irery Avelao aho hangina Fa tsy mila anao hijery Tsy mila anao ho tiana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/michel.d/ny-fitsikinao
"NY FITSIKINAO"
Michel.d
Ny fitsikin'ny endrikao Sy ny tara-diavolana Dia mitovy tsotr'izao Fa samy lavitry ny olana Ny feonao miresaka Toa tsy mba mankalao Fa miritsoka malefaka Ny fahatsoranao Ny bikanao ity kanto sady soa Ka manaitra izato fo,ny ato anatiko mihitsy Fa laniko izay tazako Ny momba anao rehetra Na ny jery na ny toe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/aleko-mangina-miery-lavit
Aleko mangina miery lavit
Ra'Ony
Aleko mangina miery lavitra anao, ry tany be fisangina moa ho tantaraina izay anton'izao?? Ny ampitso no aleo ho fitobiana antenaiko ho maraina vao. Moa hahasoa izay fitoriana izay ho anton'izao fahoriko izao?? Ry fo antenaiko mbola angina, na mamonto ny tany aza ity masonao... fa mamiko indrindra ny mba ho s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/moa-mba-fantatrao-ny-mia
Moa mba fantatrao? Ny mia
Ra'Ony
Moa mba fantatrao? Ny miafina tsy hita, ambadiky ny volana itony adin-tsaina, fa mafy e ny olana?? ny taratr'andro sasakalina, manoritra amin'ny tava kanefa hiniana afenina, fa ratsy tsy mazava? Moa mba hitanao ny tana-mitanisa, ny lasana any ho any misaina paradisa, mamadibadika ny tany? Dia mba manisa kintana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/daniel.r/ankehitriny
"ANKEHITRINY"
Daniel.R
Betsaka ny karazany Raha ny kanto no resahina Saingy hafa nohon'ny sasany Ireo hiram-pivavahana Tantara samihafa Alefa an'onjam-peo Dia hita fa tena hafa 'Lay natao indray miseho Ny angano koa anefa No natolotra ny ankizy K'ireo sary izay nalefa Kisarisary tsy tena izy Tany tsisy mozika babangoana Zary han...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/foko-mba-mangataka
Foko ô!!! Mba mangataka
Ra'Ony
Foko ô!!! Mba mangataka aho androany aza manembona azy ianao fa ny azy anie ny tany efa toy ny kilalao... dia fero ao anatinao mangina lay fitiavana tsy ho averiny izy nga maniry ho tiana fa lalan-kafa no heveriny!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/tiako-noho-ianao
TIAKO NOHO IANAO
ANDRIANAIVO PAUL
Tiako mihoatra noho ianao, Reo voninkazo an-jaridaina, Raha mamelatra ny felany, Amin'ny tsikin' ny maraina... Tiak mihoatra noho ianao, 'Zato siokam- borinkely, 'Zay toa tsy fantatro, Ho sarobidy velively... Tiako mihotra noho ianao, Ny voary manontolo, Asa tanan'ny Nahary, Tsy mba mety bobongolo... Eny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ireo
IREO
Fredy Jaofera
IREO Ireo izay nitady ny haharatsy ny anjarako, jereo fa mandady sy mandom-baravarako. Ireo izay nisaina ny tsy hanampy mihitsy, jereo fa nangaina sy toa tonga nihavitsy. Ireo izay naniry ny hanapotika hatrany, jereo fa mikiry ka nilaozako izany. Ireo izay nanao ny mba tsy hahatafita, jereo fa nandao sy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/vangivangiako
VANGIVANGIAKO
Fredy Jaofera
VANGIVANGIAKO Vangivangiako ilay toeran-tsy foy rehefa tiako sy malahelo re, roy. Vangivangiako ka feom-borona sisa, ry faniriako, no mamoha visavisa. Vangivangiako ka mahalasa vinany sy itomaniako raha anjarako ihany. Vangivangiako fa tsy mety hadinoina sy fahoriako, na indro aza, antsoina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/inona-ary-izany-
INONA ARY IZANY ?
Fredy Jaofera
INONA ARY IZANY ? Moramora raha tononina, mevameva raha foronina 'lay anarana efa mandry mba natao andefimandry. Midokadoka raha lazaina, mihenahena raha ilaina, mangingina raha mimalo, tsy hitahita ra' mandalo. Ravarava na ny lasa, maivamaivana ny asa, mihirahira 'tony taona any ho any, na ny saona. Tabat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/ento-milamina
Ento milamina
lain's rakoto
Mivoatra ho aiza Toa mihazakazaka tsy tana Maika ho aiza? Sa maika ny hiverina Toa mirimotra tsy miato Misosasosa tsy mijanona Maika ho aiza izy zato? Moramora ihany Ndrao ho potraka ampiakarana Amin'ity lalana mideza Mbola lavitra ny dia Moramora ry sakaiza Ento mora fa aza maika Tandreno koa ny lalana S...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ela-niaretako
NY ELA NIARETAKO
Fredy Jaofera
NY ELA NIARETAKO Ny ela niaretako hatramin'izay dia ny hananako hoavy tsy hisy tomany ka hiravoravoan'ito fo te hahay hibitaka ombieny haneho ny hatsarany. Ny ela niaretako hatramin'izay dia ny hananako taona tsy hisy tomika, hisosasosan'ny vazo avo indray hahasambatra foana sy hahasariaka. Ny ela niaretako ha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/raha-misy-diavolana
RAHA MISY DIAVOLANA...
Fredy Jaofera
RAHA MISY DIAVOLANA... Raha misy diavolana ity aliko ity, raha misy marina mitondra fitia, tsaroako foana no sady tsy miato ny mamy rehetra toa tsangambato. Raha misy diavolana ity aliko ity, raha misy fo ravo midona hatraty, aza hadinoina fa be ahatsiarovana 'reny hantahanta rehefa torovana. Raha misy diavola...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/moa-ho-tahaka-izao-
MOA HO TAHAKA IZAO ?
Fredy Jaofera
MOA HO TAHAKA IZAO ? Moa ho tahaka izao ny fiavin'ny maraina raha tambitambinao no toky nantenaina ? Moa ho tahaka izao ny fisehon'ny tontolo raha 'zay hirahira tao namelona ahy daholo ? Moa ho tahaka izao ny fihiratry ny tsara raha tsisy iray nandao 'reo raozy soa tantara ? Moa ho tahaka izao ny fiovan'n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/fa-nahoana-loatra-e-
FA NAHOANA LOATRA RE?
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Fa nahoana loatra re, mampanontany tena, Ny zava-mitranga, eo anivon’ny Firenena? Nihamaro, nisesisesy tsy nanam-pitsaharana, Ny herisetra, loza nampanidy varavarana. Fa nahoana loatra re, na antoandro na alina, Tapaka ny jiro rano, manery ho malina? Ny mpiasa tsy miasa, mpianatra tsy mianatra; Ny zavatra iainan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iny-iny-ny-soratro-en
INY
Fredy Jaofera
INY Iny ny soratro ento sy apirimo ka vakivakio rehefa tsy miravo ; iny ny aingako asivo tandrimo ka ahodinkodino hiakatra avo. Iny ny foko fa natolotro anao ka tohano ho be rotsirotsiny ; iny ny Lasa ka mbola hazavao : asio jiro, na iray ihany fotsiny. Iny ny hirako ataovy miteraka 'zay feo kanto te hanan-to...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/vetso-voafonja
Vetson'ny voafonja
lain's rakoto
Vao maraina vao mifoha Maneno indray ny akoho Mamoha mandry ny daholo Hamonjy indray izay fanao Eny an'abakabaka eny Indreny vorona manidina Mitanjozotra maro be Miara dalana Nefa samy manana tiany aleha Miara dalana misidina Rehefa tonga indray ny hariva Indreny olo maro be Milanja angady sy kitapo Samy r...