url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/firariana
FIRARIANA
Fredy Jaofera
FIRARIANA Ny irariako amin'ny fety toy izao no sady fihobiako : ny Tompo ivavaho. Ny irariako tsy ihambahambana sady mba tiako : ny fahasalamana. Ny irariako isan'andro, isan'andro mba ho hafaliako : ny ho masoandro. Ny irariako amin'ny maha-olombelona no sady tsindriako : ny ho ela velona.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/taminao
TAMINAO
Fredy Jaofera
TAMINAO Taminao no naniry ny fitiavako, ny hafaliana sy ny fahasoavako, ka ny ora be adin-tsaina lalina, foana teo sy nanova ny alina. Taminao no nitoetra izay kinasa, ny nofinofy mamy sy izay lahasa ka ny toky maro efa niorim-paka, nahamirana ahy sy nahazo laka. Taminao no najoroko ny hoaviko, izay hafanana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ondry-botry
ONDRY BOTRY
Fredy Jaofera
ONDRY BOTRY Natositosika ny ondry botry ka aza tezitra raha be akotry 'zay varinao manomboka eto f'izany no fiainana ka raketo. Mahaiza mionona f'izay natao hamotika ho azy ny fiainanao hikororosy tsy hita ambara rehefa izay no, hoe, anjara. Mahaiza mamindra fa ny vita avy handrava sy tsy hahatafita ary hane...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsaka-rano
TSAKA RANO
Fredy Jaofera
TSAKA RANO Efa reraka aho re, olona, fa ny fiainana dia tolona ; tsy maintsy hatsaka rano fa lany ny ato an-trano. Mihalasa ilay masoandro ny sakafo tsy voahandro, ny adidy tsy azo ialana ka mbetika aho voatana. Lavidavitra no diavina, nefa izao tsy azo lavina raha lolohavina ito siny toa tena izy ankehitri...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/maivana
MAIVANA
Fredy Jaofera
MAIVANA Na feno aza ange ireo voninkazo tsara eny an-jaridaina mba kanto sy voarara, hameno ny hafaliana mbola tsy handao, ho maivana raha tsy eo mihitsy ianao. Na tobaka aza ange ireo vorona mihira manala fahanginana sy tsy maniratsira ho namako eto ombieny sy tsy hita fetra, ho maivana raha tsy eo ianao mitoe...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-ririnina
NY RIRININA
Fredy Jaofera
NY RIRININA Hazo mihitsan-dravina, mamirifiry mahatsiravina ; bozabozaka hita mando : kotsakotsan-dranon'ando ; fody kely tsy hay lazaina mpihirahira vao maraina ary indro kintana efa maro no eny an-danitra, fantaro ! Raha izay no, hoe, fintinina dia efa tonga ny ririnina.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-sentoko
NY SENTOKO
Fredy Jaofera
NY SENTOKO Raha sendra manjombona moa ilay any, ahoana ny aty no tsy mba hangoraka ? Raha sendra mijaly sy be tomany, ny hatraty avy no toa voatoraka. Raha sendra manorana ny any am-pita, ahoana re ny aty no tsy mbola hiaro ? Raha sendra misento ilay mba tsy hita, ahoana tokoa aho no tsy hahatsiaro ? Raha send...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tahaka
TAHAKA
Fredy Jaofera
TAHAKA Tahaka anao no mahafinaritra azo ilazana izay tsy aritra vao hihombo ilay fitiavana satry ery tsy ho fandavana. Tahaka anao no mahasondriana tsy hampahory, na rahoviana, vao hasambarana tsy hihelina no hiroborobo sy ho telina. Tahaka anao no maharototra azo ambara ho mari-pototra vao lamin-tsaina no h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/asaramanitra
ASARAMANITRA
Fredy Jaofera
ASARAMANITRA Enga anie ho taom-pamafazana hamokaran'ny soa sy ny tsara ; enga anie ho taom-pahombiazana hotsaroana sy tena ho tantara. Enga anie ho taom-panambinana hahasambatra anao aok'izany ; enga anie ho taom-pitsimbinana hahatafita ombieny eto an-tany. Enga anie ho taom-pahasoavana hitobahan'izay faniria...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-poeta-hono
NY POETA, HONO
Fredy Jaofera
NY POETA, HONO ! Ny poeta, hono, olona efa adala ka tsy mahajono 'reny soa mijoala. Ny poeta, hono, mpanonofy lava ka tsy mahatono ny tsara fa miava. Ny poeta, hono, mpirediredy foana ka tsy mahavono ny ainga mitaona. Ny poeta, hono, olona mahantra ka tsy be ronono sy tsy mba fiantra.... Kanefa, Be ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/indrisy-mantsy
INDRISY MANTSY
ANDRIANAIVO PAUL
Vao ary saino dia tsapako, Fa hay ny fianana mandalo, Lasa daholo ireo nantenaina teto an_tany, Dia ireo izay nahita masoandro. Mafy tokoa ny hanadino, Ireo ny tantara nisy taloho, Safosafo nomen'i Dada, Arahin'ny tambitambin'i Neny..!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/fitia-rava
Fitia rava
vo.sedra
Anaty alina mangina no mamoha anaty tory, ilay fitiavana vao rava. ilay fitia nampaniriana kinanjo indrisy mampaory, nahahontsaka ny tava ilay noheverina hampitsiky saika ho entina handrava ireo sompatra sy akaso no indrisy likiliky vovoka manavatsava nampijohy ny ranomaso
https://vetso.serasera.org/tononkalo/radimy/ny-alina
ny alina
radimy
Tonga ny alina, fialan-tsasatra. Tsimaintsy atory fa tsy hoe akamoana miakatra! Esoriko ny kapako,dia handray fandriana. Hanonofy mamy, eo anilan'i Tiana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriarilala-andriamamonjy/tiako-ianao-lalaiko-andr
Tiako ianao lalaiko, andr
Heriarilala Andriamamonjy
Tiako ianao lalaiko, andrianiko hajaiko. Tsy omeko an'iza n'iza f'ianao no tiako indrindra.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rldv/ny-fitiavana
Ny fitiavana
RLDV
Toy ilay felan draozy mahafinaritra Mizara hanitra ho an ny hafa Tsy vidina fa av amin Andriamanitra Ka ny ratsy rehetra dia ho voafafa. Toy ilay felan draozy mafinaritra Mena midorehitra ao anaty vazy Tsy misy takalo ny fofony manitra Fa voka pitia atolotra ho azy. Toy ilay felan draozy mafinaritra Fotsy manj...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/dia-gagelah
Dia gag'elah!!!!
Teboka Telo
Dia nivanaka aho, re, ry zalahy, Fa hay misy sahy Minia mikipy, manoatra ny jamba! Mamatotra lamba Ny mason'ny saina sy aty fanahy; Ary tsy mba manahy 'Zay latsan'ny tsiny sy irony tody, Hanao ranomody? Dia nivanaka aho, re, ry kilonga fa hay tsy somonga Na koa an-kandasitra, hialana voly, 'Ty saribakoly: F...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/ritsoka
ritsoka
lain's rakoto
Eritreritra nandalo No manosika ahy hikalo Kalokalo avy ato anaty Nofinofy toa tsy tanty Miritsodritsoka madinika Aingam-panahy malefaka Eritreritra tsy felaka Kalokalo tena lafatra Mitantara izay tsy fantatra Miendrikendrika ankamantatra Manakohako toa lamako Ato anatiko ato Ny firitsokin'ny teny Hanambar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/mamiko
MAMIKO
BerthiN AinA
Ts ho ritra mandrak'izay Ny fitiavako anao ry aiko Ka ts ho andriko ny ora ray Hametrahan'ilay sombinaiko Ts voavidy vola ny fitiavako Na misy mikasa aza ry mamiko Koa sambatra ianao rahavako Fa eo anilanao ny tokotaniko Na vola tsotra na volamena Ts misy atakaloko anao ry tina Na ho tambazana na ho terena N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/teny-farany
TENY FARANY
lain's rakoto
Hafatra io ho anao Mandehana dia lazao Hafatra tsy atelina Tsy odina be marenina Efa dila izaho vo hanenina Hitady ahy hipenipenina Hafatra ho anao Ny malagasy mba teneno Aza avela alahelo Apitako aminao teniko Tsy ho adinoko Tsy ho neniko Ndrao ho tapitra ny aiko Dia tsy voalaza izay lazaiko Apetrako ami...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/fiainan-izany
FIAINAN IZANY
samiir lien'ju Rafaralah
Ravoravom pahoriana Ory anaty fifaliana Mitsiky be fitomaniana Faly nefa rako pijaliana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado-andrianiaina/mahereza
MAHEREZA
Rado andrianiaina
na maloka aza ny andro, ny andronao anio, mbola hisy ilay masoandro, tsarovy tadidio. na maloka aza ny andro semban-drahon'izy izao, mbola ho avy ilay maraina hitondra aina vao, na maifatra toy ny afero ka tomany sy alaheno no indro fa mameno, dia aza kivy ianao rahavako, ny fandresena no efa tazako
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/antso-ekeko-ray-ny-fiants
ANTSO
Tsitohaina Mamitiana
ANTSO Ekeko Ray ny fiantsoanao ahy, Dia sahaza tsy tapaka tokoa. Ekeko satri tena fitiavanao ahy; Ny antso rehetra dia tsampa mahasoa. Fa ny sitrakay,dia zava-poana ihany, Ka aoka ianao no anjaka ao tokoa. Ary koa mba hitoetra ao am-po Satri ny eto dia fandalovana ihany. Ekeko ny fitondranao ahy, @ fahatanora...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/raha-ny-tiako
Raha ny tiako!
vo.sedra
Raha ny tiako dia ianao eo anilako eo hatrany eto akaikiko tsy handao fa tia dia tia hatrany hatrany raha ny tiako irony lasa iarahantsika mankafy ireo rehetra nokinasa iriako mba ho doria raha ny tiako tsy hijaly anaty embona tsy zaka fa ny vitatsika omaly mbola henoko manjaka raha ny satriko androany mba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasambarana-j.l/vinany
vinany
Hasambarana J.L
tsy mety mandry izany saiko lasa lavitra any ho any mahatsiaro anao ry sombinaiko ka tsy tana ny tomany saingy lavitra ny any sitrako ny ho any anefa fa novo ny elanelan tany dia vinany ni alefa lavitra ahy ny vatanao ka tsy hita izay atao ny sarinao nous maty jery rehefa sendra manirery any mantsy ianao iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rary/fitia-fo-iray-mitempo-i
FITIA * Fo iray mitempo I
NY RARY
FITIA Fo iray mitempo Iriko hatrany hatrany Teny fohy no eto Iarahana mivetso "Ampoky ny Mamy"
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/ho-anao-io
HO ANAO IO!!
lain's rakoto
Dray dray dray Hafahafa izy izany Endrika tsy natoraly Tsy lafatra izy izany Tsy mba kolontsaina malagasy Ny fandeha sy ny bika Miosina arina toa tsy hita Ny fiteny sy famindra Hafa kely niova rindra Ny fitafy sy fiteny Hafa mintsy ny an'i neny Teny gasy rano iray Tsy anapiana tsy analana Teny gasy tena ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vo.sedra/_fy
_fy..,
vo.sedra
Efa nisy fefy ve tsy vitantsika nihoarana? sa nisy toerana naleha ka tsy nigohana hasambarana? Efa nisy ve fotoana tsy nahavokisana fitia? sa hoe tena mbola noana dia nataoko hoe matoria? Fa hasambarako hatrany ny mahita anao mi_fy mankafy fa tena mamy zany tsiron'ny fitia
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ianao-fotsiny
IANAO FOTSINY
Fredy Jaofera
IANAO FOTSINY Ianao fotsiny no tsy eo dia efa banga ny fotoana sy tsy haiko izay haneho 'rony angola mamy foana. Ianao fotsiny no tsy re dia efa sento no misesy amin'izay rehetra aleha sy mila ho olon-dresy ! Ianao fotsiny no tsy ta hamalifaly ny orantsika dia efa mizaka ny fanahy sy alahelo no azo adika. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasambarana-j.l/efa-ampy-izay
efa ampy izay
Hasambarana J.L
Ampy izay ny geja sy ny jioga nentinao nitety ny onjam- piainana eo anivon' ny tontolo fa efa voasolo ilay rojom-pifaliana sy amboaram pahasambarana tsy mety mankalao aza manao izay ialan 'ny fitokisany tsy misy fandroany fa efa ianao ,ianao ny olon- tiany itsony tsy hiova eny ianao no lova
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/valin-talaho
VALIN-TALAHO!!!
Teboka Telo
TALAHO ? Moa tsy azonao dinganina, Ry Andriamanitra mahery, ‘ty fahoriana mahafanina … toa zary hira sy tsianjery. Aiza ve ka tsy mitsahatra, mila ho isan’andro mihitsy ; Sa ny anjara sy ny lahatra efa mitsambikina mikimpy ? Fa nahoana kosa ho’aho no dia toa mahitsy toraka ? Mivavaka e, ary mitalaho ! Ombay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/andeha-aho
Andeha aho
Rary Nofy
Handeha aho k'anefa... Aza halahelovana akory! Aza tsaroana intsony! Ireo lasako hatrizay! Ireo fiainako manontolo! Lasa aho; Andeha handao; Ity fiainam-pahoriana; Sy feno fijaliana! Lasa ho'aho! Ity foko feno ratra; Andeha aho... Andeha hanatratra; Ilay erotry ny tany! Ka tsy ho hita intsony; Fa ho vov...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-soa-vitany
Ny soa vitany
Rary Nofy
Raha tena mbola zaza; Ka te ho miran-tava! Manantenaha ny trotron'i Dada; Koa manantenaha ny babin'i Neny! Ireo no valisoa; Izay napetraky ny Ray! Nomeny ilay Dada tena tia; Sy ilay reny maminay! Tsy azo adinoina koa; Ireo soa nasetriny anao! Raha toa ka tsy sitrakao moa; Tanterao izay sitraky ny fo-nao! Ra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ekeko
Ekeko!
Rary Nofy
Fa nahoana re ry ray; No oy izao no anjarany! Fahantrana,fahoriana sesilany; No mba hany eto an-tany! Fa nahoana tokoa moa? Reny eny an-dalam-be! Ireny mpangataka ireny; Tsy mahita izay aleha! Ianao angaha no nanome? Fahoriana lalandava; Ireo fanahiny tena ory; Ka nahatonga ahy tsy nahita tory! Ekeko re ry ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-vary
NY VARY
Fredy Jaofera
NY VARY Ny vary tsy fotsy tsy an-daona ka aza varimbariana na mirenireny mandavataona sao hahabe fanahiana. Ny vary tsy fotsy tsy an-daona ka aza mipetrapetraka na be lalao sy tsy ho tafahaona sao dia ho ketraka. Ny vary tsy fotsy tsy an-daona ka aza matoritory na kamokamo sy te hivaona sao dia ho ory. Ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-mba-hantahantako
Ny mba hantahantako
Rary Nofy
Ry raho-mainty be mitatao; Maratra ity foko mitraka aminao! Fa ny fainana hono raha tsy misy anao; Diavolan-tsy hita;ho trotraka anie! Ry tafio-drivotra,mahery fitsoka; Angatahiko ianao,hitsoka mankao! Ao amin'ilay toera-mangina; Nalehan'ilay sakaiza tiana! Ry kotroka mafy mahery fitrona; Izay henon'ny foko se...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/schaye-one-aina/vonikazo-mamy
vonikazo mamy
SCHAYE ONE {AINA}
ry zatovo vavy maotina manga malefaka tao vonikazo vonikaz mamy tiko hoetina fanala idy ny tazo mamy miotra ny tataely manjelatra tao anjely ianao ilay nofidiko ianao ilay niriko kananolorako fitiavana ka tsy mba navalinao fandavana izao ilay niafy sady tsy napirafy fa vonona isedra ny mafy fitiavana mandr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ilay-fitia-nofinofy
Ilay fitia nofinofy
Rary Nofy
Ny fitiavako anao re! Toy ny aloka niserana; Anio sambatra va re! Ampitso toloko sisa no manerana;! Efa tonga ilay tompon-toerana; Izay hisolo indray ilay toerana! Ka handao ity foko honena; Toa torovana sehesehena! Aoka hitambatra ho tantara; Ilay fitiavako anao voarara! Tsy ahita izay mba ho anjara; Fa las...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ventsoko
Ventsoko
Rary Nofy
Endreh!ry tany be fahoriana! Iangonan'ireo hirifiry sy ankaso; Iraketan'ireo fihafiana,fijaliana! Toa tsy afa-miala fa toa milaso! Ny masoandro be toa migaina; Ny masoko no lasa mitopy any! Kanefa ny foko toa lasa mangaina; Nangaina mijery itony tany! Maharavo Andriamalinarivo 12.06.2015
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rldv/nanantena-hasambarana-kin
Nanantena hasambarana Kin
RLDV
Nanantena hasambarana Kinanjo vahona mahery Fa ilay fitia norarana Ka namela ratra sy fery. Ny loha tsy nahatraka Ny nofinofy rava Fa ilay fitia efa lalim paka Ka nampanjombona ny tava. Nijohy ny ranomaso Ny fo mamelovelo Fa ilay fitia sendra ankaso Ka ringana sy nampalahelo. Nosotroiko ny mafaitra Nofoiko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/tononkalo-vao
Tononkalo vao
Rary Nofy
Raha mba fantatrao! Ilay hery anatiko ao! Tsy mitsahatra manoratra; Miventso ho anao! Tononkalo vaovao; No hosoratako eto; Mba hanamarika indray; Ho solon-tana-mifandray! Noraketiko ho kanto; Tao anaty feo milanto! Tamin'ilay aingam-panahy; Ka novakiana tsy nahy! Ny tolokon'ny fanahy; Tao anatiny ihany koa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/two-words
TWO WORDS
Fredy Jaofera
TENY ROA Teny roa dia efa ampy ilazako ny ato anaty ; teny roa no vatolampy, tsy voazera mandramaty. Teny roa dia efa afaka manambara ny ato am-poko ; teny roa no tena miavaka, mbola meva sy miloko. Ny voalohany dia ny " TIAKO ", ny faharoa dia ny hoe : " IANAO ", ka ny hany mbola iriko, ny fitambarany eto ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/bitsiky-ny-fanahy
Bitsiky ny fanahy
Rary Nofy
Ny bitsiky ny maso; Toa manganohano! Ny fitempon'ny fo; Toa mitoreo,mitoloko! Ny kiakan'ny fanahy; Zary mamelon'ahiahy! Ny erotry ny nofy; Indrisy;toa niofy! Ny tolokon'ny tontolo; No mampiventso ahy! Ny fifaliana toa nisolo; Alahelo sy tsiahy! Ny aloky ny sariko; Toa mamelon'ny aiko! Raha mandinika aho; ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/tovovavy-gasy
TOVOVAVY GASY
Teboka Telo
Afatony ao an-damosina ny volo randran-telony Ka misahondrahondra; Ankininy amin'ny soroka havanana ny elony, Milokona diamondra,... Asiany laingom-bolo, iniana tsy hogoina Iny tavany an'ila... Ka safotra aho, ry lahy,... Toran-tsy vonoina! Ny masoko nihagila! Ao 'reo hafakely manaitra ny atifoko, Ny haingo ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/manaova-soa
MANAOVA SOA
Fredy Jaofera
MANAOVA SOA Manaova soa tsy hanenenana maraina mifoha hitombenana. Manaova soa tsy hampanahy fa rehefa voa, tsy be mitahy. Manaova soa tsy hosolafaka fa antoka koa tena hanafaka. Manaova soa tsy handatsana hahatsara kokoa izay hiafarana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/dada
DADA
ANDRIANAIVO PAUL
Dada o tsy zakako, Ny ahita anao anaty famoizam-po, Tsy ho zakako satria mafy anie, 'Zany very any amin'ny afobe.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/maina-ny-tany
Maina ny tany
Teboka Telo
Dia nivadika ny rasa: ny ambony ity no lasa ambany Ny kere zay tany atsimo no tonga eto an'ivon-tany! Any atsimo indray izao no lozabe sy tena angano Oram-batravatra, izao: tondra-driaka, tondra-drano! He! Ikopa! Zary maina! Mirakaraka be ny vato! Mitriatra koa ny tanimbary; fa hain'andro be tsy miato! I Mandrose...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-tanty
TSY TANTY
Fredy Jaofera
TSY TANTY Tsy tanty ny halavirana rehefa te hahita anao, mihaodihaody manahirana izay rehetra tian-katao. Tsy tanty ny fahanginana rehefa te hizara ombieny ny ambara ho fanambinana vao mitokantokana eny. Tsy tanty ny embonembona rehefa te hampiray fitiavana, io lava ny rembondrembona manelingelina ahy goava...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/tsy-mila-anao
TSY MILA ANAO
Teboka Telo
Mandehana ianao mandeha fa ts'ilaiko intsony intsony! Fa izaho nahazo bandy favy sady olona ambony; Izy indray izao no tiako fa nivoak'ho Dokotera! F'iza koa no mila anao, tsy mikandra fa Sômera! Izany bandy izany indray izao no antsoiko hoe: "mon amour" Tovolahy mikaositara, tena complet velour,... Ny kirarony, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/fo-ory-sy-mijaly
Fo ory sy mijaly
Rary Nofy
eh!tsy mba misy mpihantra akory! Iry fony efa ory; Tsy mba manana mpiaro! Tsy mba manana mpitia! Fa toa maro mpankahala; Be koa ireo mpanaratsy! Toa tsy nisy nisalasala Nanorotoro,nanatsatso! Iny fony efa resy; Efa resin'ny ankaso! Ankasoparan'ny tontolo? Eny!ireo manodidina azy! Toa mampitondra ny mangidy;...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-hskantonny-zavaboary
Ny hakanton'ny zavaboary
Rary Nofy
oh!ry zavaboary! Tsara,mahatalanjona re ity hakantonao! Ny tontolo manodidina; Toa manitra avokoa! Ny hazo,ireo zava-maniry toa tsara famoha! Ny hentohenton'ny fofony; Manitra aok'izany! Ny manodidina tontolo,feno zava-mahagaga! Ny rivotra mitsoka; Madio sy tsara ery! izay no mahatonga ny masoko; Hibanjina n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.a.f.n.s.h/mila-tanna
MILA TANÀNA
R.A.F.N.S.H
Mila Vonjy Mila Vonjy Mila Vonjy Zaho Lehiroa Fa Izaho Dia Tena Tsy Izy Tena Tsy Izy Aloa Katreto. Mila Tanàna Aho Ry Akama Ndao Re! Mba Ampio Mbo Miangavy Fa Tsy Manana . Mila Tanàna Aho Ry Se Fanampiana Tena Meva No Andrandraiko Avy Aminao Fa Mila Tanana Aho Izao. Izaho Anie Mba Lasa Saina Very Hevitra Ka Mitarain...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-alaheloko-azy
Ny alaheloko azy
Rary Nofy
Ny zavo-maraina; Toa mangolingoly! Ny kotrok'atoandro; Toa velon-taraina! Ny alahelo azy; Tsy mety miala; Fa mifikotra mafy; Toan'ny rivo-mifafy! Ny raho-mandeha; Toa tsy miteniteny! Ny oran-khoavy; Tsy milazalaza! Fa ny saiko manina azy; Toa malahelohelo; Tsy mba mampilaza; Fa toa mivelovelo! Ry raho-m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-aty-aminay
Ny aty aminay
Rary Nofy
Ny tontolo aty aminay! Manjombona mantsy rehefa maraina! Fa takon'irony zavona be mivaivay; Toa haizina sisa no tonga miaina! Toera-mangina tsy be tabataba; Ny rahona,ny kotroka no toa mikotaba! Ny orana mitraho no tonga mamangy! Ny tanananay,tsy mba misy mpamangy! Ny lala-mankany no sendra mangina; Tsy mba mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/tsy-haiko
TSY HAIKO
ANDRIANAIVO PAUL
Tsy haiko ny hanadino, Ireo niarahana taloha, Ny saiko tsy mety mino, Hoe ako no harary anp_doha.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tsy-atakaloko
TSY ATAKALOKO
lain's rakoto
Mbola misy Teny gasy Teny tsara tsy anglisy Teny tokana teny mamy Ilay teny malagasy Teny tokana tsy miampy Teny tsara tsy mba ratsy Tana tsara hoa ny gasy Na fiteny na fitafy Tsy toy ny any an dafy Mianjakanjaka fitafy Malagasy tena lafatra Nosy meva be mpahafantatra Ny teny hafa mihitsy Teny gasy tena g...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/ny-fitiavanao-ry-ray
Ny fitiavanao ry Ray
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Ny fitiavanao ry Ray, Ny fitiavanao ry Ray Tena mamiko tokoa Na maditra aho indraindray, Dia mbola toloranao ny soa... Ianao no loharano Nipoirako eto izao Koa inty aho,tano Fa tena vonona ho Anao! Ny fitiavanao ry Ray, Tena mamiko indrindra Ary ho mandrakizay, Tsy adinoko,tsy hafindra... Fa vita sikotra a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/satriko
satriko
Jayah Razafi
SATRIKO Satriko hotazonina Ny andro sy ny ora Satriko hotanana ny segondra sy minitra Satriko hozonina Ireo izay mpanakora Satriko hofoanana Ireo tia mitsiriritra Satriko ho lava Ny fotoana toy izao Satriko hitarina Ny fialanao sasatra Tsy sitrako ho rava Ny fitia tsy kilalao Izay efa novokarina Ho kant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/ravola
RAVOLA
Zoky Eric
Moa ve voavidim-bola ny fo? Izay lalovand-ravola dia lefy avokoa Ireo tovovavy izay manja sy tsara Vao mahita and-ravola dia indro fa tara Takon-dravola ireo fahendrena Voasakany tsy fidiny ireo fifanekena Ireo marina niova tsy nahazo laka Fa anjarand-ravola amin'izao no manjaka Ilay fitiavana amin'izao toa ata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rldv/raha-mba-hainao-mantsy-fa
Raha mba hainao mantsy fa
RLDV
Raha mba hainao mantsy fa Ontsa ny foko tsy rarahinao Ontsa ny foko raha ilaozanao Ontsa ny foko mahita anareo Ka ilay fitia hifarana hatreo. Tsy mba tsapanao fa Mafy ny mitia raha mitempo irery Mafy ny mitia raha tsisy mijery Mafy ny mitia olona kanto sady soa Fa ny fitiavanao mizara ho roa. Nefa tsy fantatr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ilay-ora-tena-mamy
Ilay ora tena mamy
Rary Nofy
Faly ny fo; Ravoravo ny fanahy; Fa nisinda ireo toloko; Ary nandao ireo tsiahy! Anio ilay andro; Ilay ora tena mamy! Ilay andro fifaliana; Na toloko fitsikiana! Efa nambarako ombeny; Fa anio ilay ora mamy; Ka namoronako tononkalo; Tao anaty rihan-kalo; Tamin'ilay tsiky mba nandalo! Anio ilay fahasambarana;...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/ny-totozy
NY TOTOZY
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Ny totozy no tiana ho velona Manaova ny havoretrana Ny vady no mila mifamelona Hitazomana lay fitiavana mafana Ny totozy tiana ho velona Mba hiveloman'ny saka Indraindray isika olombelona Mahay mifanalabaraka Ny totozy tiana iaina Mba himparitahan'ny aretiny Isika mila misaina Sao hifindrany pestany Ny toto...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/eo-an-dohan-drainy-mator
eo an-dohan-drainy,mator
Jayah Razafi
eo an-dohan-drainy, matory mivalapatra eroa anjoro firarazana no io fa lasabe ny sainy mibanjina ity vata-mangatsika misalo-damba fotsy hatramin'ny fono-tongony dia io fa safoiny,indraindray voatsongony hialany nenina,fa sao mba mahare na koa ka mbola velona. etsy an-tongony etsy tovolahy ranjanana,manjonitra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/na-fotsiny-aza-hoe
NA FOTSINY AZA HOE
Jayah Razafi
na fotsiny aza hoe... ny masoko mahita anao anilako na hitsiky ianao na tsia d'efa io fa mahataitra indray ny hirako sy mahamirana ity foko tia na fotsiny aza hoe..... ny tananao malala no mikasika ahy anatin'ny arahaba hifanaovantsika dia efa mientan-karavoana ny fanahy mandoro ny atiko any na aza mangatsika ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/vavaka-mangina
Vavaka mangina
Rary Nofy
Ny amiko ry Ray; Efa fantatrao! Ny tantarako rehetra; Tsy mba miafina aminao! Ny fiainako,ny fisiako; Efa eo an-tratranao! Ka anjarako irery sisa; No mamisavisa; Izay hitantananao! Ny tontoloko rehetra; Toa feno mpanaratsy; Mpampahory,mpampijaly! Ka miandrandra anao ry Ray; Mba hiova avokoa; Ny fiainan'iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-hamavoina
AZA HAMAVOINA
Fredy Jaofera
AZA HAMAVOINA Aza hamavoina ny fahendren'ny ory rehefa tsy tra-boina sy toa mahay mitory. Aza hamavoina ny fahalemen'ny osa rehefa tsy nesoina sy tretrika eto kosa. Aza hamavoina ny fanahin'ny mijaly rehefa tsy hosoloina ora kanto mahafaly. Aza hamavoina 'reo tsy manam-bola rehefa misy antsoina sy mahaz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/raha-toa-ka
Raha toa ka!
Rary Nofy
Tomaratra mazava ny ety an-tany! Fa nahoana ho'aho ianao no toa mitomamy? Nilaozan-tsakaiza?toa manirery! Variana nibanjina ilay fiainany teny ho eny" Fa toy izany tokoa ve ny atao hoe tena tia? Toa sarom-piaro goana na etsy na eroa! Marary loatra ity fo,manantena manirery; Ka miharitra,mihafy hatrany,izany no f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/r.a.f.n.s.h/ry-vorona-manidina-eny-am
Ry Vorona Manidina Eny Am
R.A.F.N.S.H
Ry Vorona Manidina Eny Ambony Habakabaka, Esy Mba Hafarako Izato Ianao Izato. Mba Lazao Kely Ilay Havako Any Fa Manina Azy Aho Ka Lasaka Tomany, Mievina Mazana Misento Koa Matetika Ry Vorona O! Lazao Azy Fa Aza Misy Alentika. Ry Vorona Manidina Ery Ambony Habakabaka Raha Mety Re Ianao Etsy Mba Hafarako Izato Ianao Iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/fiainana-iainana
Fiainana iainana
lain's rakoto
Asa soratra Asa tanana Asa saina Asa loha Asa mafy Asa ngaha Asa raha Asa inona Asa foana Asa lava Asa sarotra Asa re Asa tsisy fiafarana Asa tsy afaka ialana Asa jiaby izay atao Asa izay alehanao Asa trandraka Asa ravaka Asa miaraka Asa manaraka Asa tsy afa misaraka Na mitendry na miaraka Asa ten...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-saka
NY SAKA
Fredy Jaofera
NY SAKA Ny saka no tiany hanatody ka nikiaka rehefa voadona ; naleony re nirifatra nody fa henatra no efa nirona. Ny saka no tiany hanatody ka nitsara rehefa naratra ; irina mba tsy hisodisody fa iny tsy tena nahazatra. Ny saka no tiany hanatody ka niova rehefa tsy nahazo ; ny fanefitra na ny fanafody dia i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/atolotro-ho-anao-ity-tono
atolotro ho anao ity tono
Jayah Razafi
atolotro ho anao ity tononkalo ity ry ilay tokana finidiko ataoko fanomezana ho an-dry ry ilay harena sarobidiko, atolotro ho anao ny fanahy raiketiny ho diamondra hiravahanao ka ny rima no manendrika ny tefiny Hanaingo ny atifonao antsaiko am-pitsikina,mora,soa filanto hanako ao an-tsofinao ry malala omeko a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ry-foko-o-
RY FOKO O !
Fredy Jaofera
RY FOKO O ! Ry foko ô ! Rafeto ny ora mahatorovana ; ry foko ô ! Raketo ny kalom-pahatsiarovana. Ry foko ô ! Reneso 'reo solosolom-bavako ; ry foko ô ! Refeso ny halalin'ny fitiavako. Ry foko ô ! Lanjao 'ty mba hazo fijaliana ; ry foko ô ! Zakao fa lavitra re ny tiana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/tiako-ny-tanindrazako
Tiako ny tanindrazako
Rary Nofy
Tiako ianao Ry tanindrazako Na dia mafy aza No mihatra amiko Hanavotako anao Anao ry gasikarako Tanindrazako malalako; Tsy mety ho adinon'ny tavako; Toa tsy afaka ato am-bavako; ny hanonona,ahatsiahy ilay tantarany; Ianao ry gasikara; No iriako mba ho tsara Tiako Tsy ho ratsy fiafara Ny tontolony any am-p...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/i-vola
I VOLA
BerthiN AinA
Vola no hiantsoako anao izao Vola satria naharesy ahy Vola ianao,volavolampitia vaovao Vola ianao fa fankampanahy I vola ianao fa nanodina ny saiko I vola ianao nahatonga ahy nitomany I vola ianao fa tena izay nolalaiko I vola hatrany ianao dia i vola mamy Vola ianao na ts hay na ariary aza I Vola ianao fa mam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/lasa
Lasa
Rary Nofy
Lasa izy! Lasa nandao anao; Efa nanadino izay ts'izy! Nanadino ny fisianao!!?? Lasa... Toa tsy hita inrsony!? Lasa izy,,, Fa indrisy ianao nafoiny; Toa nangina irery tsy niteny; nanganohano,nitomany; Ity singan-olon'drery! Toa lasa maminany;... Dia veloma no napetrany; napetrany ho anao; zary ranomaso tsy...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/androm-pahafatesako
Androm-pahafatesako
Rary Nofy
Anio ilay androm-pahafatesako; Hiakatra ny maso,tsy ahita intsony! Na iza na iza ety ambonin'ny tany; Ny fitempon'ny foko hijanona hatreo! Tsy hihetsika intsony,tsy handinika koa! Andeha re ry aiko,misinda mankany; Any @ilay paradisa,any ankoatra any ho any! Paradisam-pitiavana ve? sa paradisam-pahoriana! No in...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ny-kaloko-hono-hoe
Ny kaloko hono hoe
Rary Nofy
Ny kaloko hono hoe' toa kalon'olon'ory! kalon'olon-dresy sy toa reradrera-tsaina! fa tsy nahita tory Amin'iza no hitaraina? Amin'iza no hiankim-po? Ny kaloko hono hoe' toa mihavaka amin'ny hafa; Iriako mba hateza! hiraikitra tsy ho voafafa; any an-tsain'ny mpamaky; mba hampifaly fo vaky; mba hampionona fo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/bibilava
BIBILAVA
Fredy Jaofera
BIBILAVA Bibilava nitelin-tana voky vao tapitra aina ka izao no fiafarana rehefa kely saina. Bibilava nitelin-tana, ny tsiro tsy re akory dia io fa nigagana, maty nanorisory. Bibilava nitelin-tana, voan'ny natao ihany, na dia efa norarana mbola tsy hita lany. Bibilava nitelin-tana, azon'ny tenda marina k...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/resy-tokoa-ve-taniko
Resy tokoa ve taniko?
lain's rakoto
Ngolingoly izany foko Rotidrotika toloko Misentosento lava Manjombojombon-dava Toy ny miaramila resy an ady Voageja mafy amin'ny tady Toa tsy afaka manohatra Tsy afaka mitroatra Manofinofy sisa azo atao Mivavaka mitalao Nefa indrisy tsy misy mpanavotra Mandetika manosika mandrefotra Tsy misy akory iray mile...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/fantatro-fa-mbola-misy-ho
Fantatro fa mbola misy ho
ANDRIANAIVO PAUL
Fantatro fa mbola misy ho any, Misento anatin' ny tomany, Mizaka mangina ny fahoriana, Apombain'ny tsiaro ao am-pandriana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/soratra
Soratra
Rary Nofy
Nolazaina fa... Ny soratra mitoetra! Mananatra sy manabe!! Manatsara ny tsy mety; Nambarany ombeny; Fa ny soratra dia teny! Manambara haren-tsaina; Hampisondrotra ny fisaina! Io soratra io sakaiza; Manampy sy mitaiza; Mampifandray ihany koa indraindray; An'ireo olom-belons tsirairay! Ny soratra mantsy iky! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aminny-fahoriana
AMIN'NY FAHORIANA
Fredy Jaofera
AMIN'NY FAHORIANA Amin'ny fahoriana no ahafantarana 'zay tena havana raha azo itokiana sy amaharana am-pitiavana. Amin'ny fahoriana no ahalalana 'zay hoe sakaiza raha azo iviliana sy mety itafana, raha tsy mankaiza. Amin'ny fahoriana no itarafana izay tena tia raha azo takina hampiafana izay mankahia.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dadatsima/arahaba-tratry-ny-taolana
ARAHABA TRATRY NY TAOLANA
dadatsima
Tonga indray ity taona ny asara manitra ny gasy tsara kosa raha mihaona. mifampiharahaba an-taratasy. tonokalo mantsy tony, no azo afafy toy ny vony fa hanahoana ny ho ampitso raha ny gasy no mety ho mafy noho ny androany efa fantatra avy hatrany, tsy hanatena itony volana na ariary zato ampandriana. hoy ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/misy-banga
MISY BANGA
Fredy Jaofera
MISY BANGA Ny andro no sendra manjombona ka tsy hita izay tokony hitranga ; ny saiko no toa tsy mitombona fa ny fiainako no misy banga. 'Reo tretrika no afa-miangoty fa manana an'Ikaky sy Neny f'izaho kosa dia efa kamboty ka malomamoka sy tsy miteny. 'Reo faly no afa-mangataka raha misy ny zavatra irina ; ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/esjii/mandroso-sa-mihemotra-ny
Mandroso sa mihemotra ny
ESjii
Mandroso sa mihemotra ny dingana? Fa toa miazakazaka tratran'ny miadana. Mba diovy ry Ray, ny aretina tsy handringana; Ary sitrano ny ratra, mba hiverina amin'ny laoniny vandana.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/andro-alatsinainy
Andro alatsinainy
lain's rakoto
Andro iray tsy foiko Fotoana iray tena mamiko Andro niavaka tamiko Tamiko sy taminao Fotoana tsika roa Fahasambaranana tokoa Fotoana tena lafatra Andro iray tena fatratra Andro iray mlay Fotoana niarahanay Nifampizara hamamiana Hafaliana Fahasambarana Fotoana tena kanto Tsongotsongo safosafo Ny orokoa ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/ririnina
RIRININA
BerthiN AinA
Manantena ts misy ianw Rah ty ririnina no tavandraina Ny bozaka ary na iray ts misy ny ao Na koa ireo karazanjavamaniry az ilaina Zava-poana ny fanantenana Raha izao ianao vao miketrika Ho ripaka avokoa izay hianjerana Na ireo zava-boary mihetsika Izao dia andro ririnina no anarany Mitondra hafatra mavesatra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/aingam-panahy
aingam-panahy
lain's rakoto
Ainga ny fanahy Ainga mampatsiahy Mampatsiahy ny lasa Lasa tsy voafafa Aingam-panahy Tsy natokana ho ahy Na ho an-drangahy Fa Mipetraka ao anaty Rako tsoratra tsy maty Aingam-panavotana Adian-tsora tanana Raki-bolan'ny fanahy Izay ilay aingam-panahy Tsy hay tohana fa tomefy Tsy voasakana ny fefy Na voata...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/fony-isika
Fony isika
Rary Nofy
Fony isika niara-nianatra; nifampitazana,nifampitsiky; Toy ny kilalao,ankamantatra; Lay fony aho nitampify! Fony ianao nitazana ahy; variana,sanganehina ny foko, Te hiteny,hanambara ho azy! hoe ianao ilay tena tiako!! Fony taty aoriana anefa, Toa tsy tandriko intsony, Fa hay kay kilalao; lay fitia saika omek...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/malaina-nefa
MALAINA NEFA...!?
lain's rakoto
Hiarina aho na dia malaina Miarina tsy satry Efa hitako any ho any ilay maraina Hitsangana aho na dia kamo Ny vatako malaina tsy ahavoky izany kiboko Na mamy aza izany torimaso Miarina tsy satry na mavesatra maso Aleo aloha miarina Tsy misy andrasoandraso Mikotsam-bava manasa maso Mamy loatra ny eto am-pandri...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/veloma-any-ho-any
VELOMA ANY HO ANY!
lain's rakoto
Nangina ny tontolony Nangina koa ny molony Nangina hatramin'ny fony Nangina tsy hiteny intsony Efa vizana ny vatany Torovana ny tratrany Mafy loatra ka tsy zakany Dia natrotrany ny tanany Toy izany koa tongony Nakipiny ny masony Hanadinoiny ny efa lasany Dia nangina teo tany Rakotra aizina tomany Aleony na...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/malala-a
Malala a!
Rary Nofy
Malala a! fa nahoana re ianao; no toa manjonitra toy izao? sa va re manembona azy! Efa hitako aninkeo; ilay endrikao varian-driana; mijery ilay tiany; ka nampiventso ahy! Raha iny nandinika aho; nibanjina azy ianao; kanefa tsy nojereny akory!hay! izy nanoloana ahy sy ianao! mba niteny tamiko izy; hoe tsy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/hafatra
hafatra
Jayah Razafi
mametra ity foko, mba hahay hampionon-tena iky ito saiko. fa tsapako misoko ny ngidin'ny fitiavana atohokao sombiniaiko. tsy ho vita na azoko zakaina ny ngidim-pandrafesana manarona ahy tontolo ka aleoko miala tsy kapaina fa mihintsana an-datony fa efa ho voasolo. marina malala fa be ny fitia, mamololon-dava m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/sambatra
Sambatra
Rary Nofy
Sambatra ianao; fa efa azonao; ilay fo-ny tena tia; sy ny tenany ho doria! Toa sondriana loatr'ianao; mijery ilay ankaniny; sy ireo fitoerana; izay efa nomaniny! Tretrika aok'izany ny fanahy mamelovelo; mandalina hatrany; ireo fifaliany mamy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/miandry
sasa_miandry
Rary Nofy
efa ela aho no niandry; ilay fitiavanao; saingy,indrisy tsy tafandry! isaky ny alina toy izao; eny!manantena moa; ny mba ho tiavinao; ity foko mbola tia; izay efa sasa-niandry tao! niandry teny aho; fa angamba adinonao? ity foko manantena; efa reraka,sehesehena! Raha toa ka! ho lavinao izany? angamba hito...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/resy-aho
RESY AHO
Zoky Eric
Resy aho ry fiainako, fa aleo mba hivoaka Resy aho ry fiainako, ka mila hitsoaka Izay hatao rehetra, tsizarizary Resy aho angamba ka toa lasa narary Ty fiainako mahantra,mampahonena Ny androany tsy vitako,ny hafa indray no jerena Miezaka foana mba ho tafita kanefa izay atao toa lasa tsy hita Resy aho ry finako,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zaza-vaomaly/mba-lazao-ho-azy
MBA LAZAO HO AZY
zaza vaomaly
" MBA LAZAO HO AZY.." Mba lazao ho azy... ny zavatra nataony apodiano ho azy ko... ireo zavatra fanaony Mba abarao aminy... ny dika ny fitia Apafataro azy... ny foba rehafa tia tatarao ... fa ny fitia tsy kilalao lazao azy...ny fetra ny fitia sao adinonao.. Ny fitia hoe toy ny ketsa ity ny tena farany......
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/ventsonny-foko
Ventson'ny foko
Rary Nofy
¤ Ity foko moa ry tiana; dia feno fifaliana; ka tsy voatan'intsony; hamoaka ny ao am-pony! ¤ Ny fiainako tontolo; Efa omeko manontolo; Mba hiadananao! Ataonao kilalao; ka hiafiko fa tsy handao!!!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/isika-roa
isika roa
Jayah Razafi
na misy aky malala izay olana mianjady dia isika no mpivady na misy sombiniaina izay nahasavolaina isika hiara-hiaina na misy retsy tiana izay mety ho fahoriana dia zakaina am-pitsikiana na misy retsy akia izay zava-mankahia dia iaraha-mankafia na misy mpanaratsy sy maniry anao ho faty za aky mahataty ah ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/delestazy
delestazy
Jayah Razafi
DELESTAZY marina ve rafanja ilay hoe izahay nandra?! tsy ampahitana vaovao rehefa lera ohatra an'izao?! fa avela anaty haizina ampahoriana sady faizina fa mitady hanita-doha raha vahoaka tafafoha?! tsy atao mahita marina afa-tsy izay namboarina?! ny malaza-politika dia afenina tsy ho hita?! ka ny jiro no t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fatals/nahoana
Nahoana
Rary Nofy
nahoana loatra ho'aho; ity foko ity! variana mandinika; sondriana ery! mijery ny hakanton'ny zavaboary! sy ny manodidina; izay miharihary! nahoana ho'aho; izany fanahy! manidina toy ny; lolo eny ambony! variana mijery ; ny hakanton'ny tany! ka finaritra foana; na dia feno tomany! nahoana kosa re! ny fi...