url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ancelio-b-r/i-neny
I NENY
Ancelio B R
I Neny reniko ianao Na manana ianao na mahantra, I Neny ilay reny tsy mandao Ianao ilay mba manana fo antra. Nentinao aho tanatin’ny sivy volana; Namoizanao ireo zava-pady. Nizakanao ny ngidy sy ny olana, Sy ireo teny ratsy mamoafady. Mbola zaza aho notaizainao tsara Mba ho hendry sy hanam-panahy. Izao ‘zaho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/mahatsiaro
Mahatsiaro
lain's rakoto
Somambisamby Izany Andro Mahalaslasa Ny Fisainako Mahatsiaro Ilay Tiako Any Alavitra Any
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/zandry-aretina
Zandry Aretina
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Zandry Aretina sendra nandalo Tsy nampoizina hitoetra Nahantonga alahelo Nampajoretra Nodimandry zandry kely Tsy ho hita intsony Hotsenainy hanjely Ary hibitaka ny fony Ny hany mba hambetindresany Mifakatiava ianareo Talohany nafatesany Zany foko mitoreo Mandriampiadanana zany zandriko izany Any am-parad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/gadra
Gadra
lain's rakoto
Aizina Aloka Rivotra Maloto Rivotra Maha Doto Rivotr'alahelo Rivotrin'ny Aizina Rivotrin'ny Jaly Mandratsy Mankarary Tsy Mba Misy Hopitaly Zara Raha Mikaly Tsisy Laoka Tsisy Vary Mangahazo Mankarary Mafy Loatra Mampijaly Tsy Mba Misy Hafaliana Halahelo Fijaliana Adalana Fanahiana Tsy Mba Misy Fifaliana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/princy.rt/vinaniko
vinaniko
Princy.Rt
Ianao ry diam-peniko, no lalam-piainana alehako Ianao ry teny mamiko, no tabiha sy reharehako Ianao ry teny malagasiko, no fizarako ny hetaheta Ianao ry teny kanto indrindra, no nahatonga ahy ho poeta Ianao ry teny izay tsy foiko, no fizarako irony vetsoko Ianao ry teny tonga lafatra, no hitantarako izato se...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/sakaizako-tsy-foiko
Sakaizako Tsy Foiko
lain's rakoto
Sakaiza Tsy Foiko Sakaiza Ny Foko Mpamela Ny Adisoako Sakaiza Tena Tiako Sakaizako Malala Tsy Mba Manadala Sakaiza Tena Tsara Madio Mangarahara Sakaiza Tena soa Tsy Mba Olon Droa Olon-dray Tsy Mba Roa Olon-tsambatra Tokoa N'iza N'iza Mankafy Tsy Izy Irery Na Hoe Ndry Ilay Sakaiza Tena Tiako Mpanampy Tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/ramose
RAMOSE
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Ianao ramose rehefa mampianatra Misy tovovavy tia jerijery Tara aminao ve! Sa misatatra ? Izany voaloham-pitiavany rakalakely Ramose variana manazava lesona Fa ny sainy toa tsy amin'izany Laozan'ny mandinika an-dramose sady miesona Tsy mikipy nefa mahavita nofy mamy Ramose tsy mahafatatra na inona na inona Fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/neny
NENY
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Fony aho mbola kely dia notrotroin'ny neny Ary tsy niala teny an-tanany mihitsy aho raha tsy nahay niteny Nandady sy nandeha aza aho mbola voaramaso Ary rotsirotsiny hatrany raha nitomany sy tojony akaso Misaotra betraka ry neny ity zanakao Ny fitahin'ny Tompo anie ho aminao Maro ny zavatra tsara mandalo fa vetiv...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tokana-ihany
Tokana Ihany
lain's rakoto
Tokana Tiako Tokana Ihany Tokana Hatrany Tokana Eto An-tany Tokana Ihany Tokana Tsy Lany Tsy Mba Ho Etsy Sy Ery Makatsy Makaty Tsy Mba Kilalaom-pitia Fitiavana Ho Doria Tsy Toy Ny Lolo Mitety Ny Raozy Maka Mamy Ny Fitia Tsy Hitety Raozy Maro Maro Loko Mifangaro Tokana Finidiko Hanaja Ilay Safidiko Toka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edmond-randrianandrasana/fo-sara-tiana
Fo sara-tiana
edmond randrianandrasana
Toy ny vorom-bery ala Tantely niafenam-boninkazo itony sodi-nilefana Nafoin'ilay mpikalo Toy ny ravin-disy niongotra Hatramin-taona noravana Ny fo toa miha vovoka fa velo-nialana Toa zary ari-mainty Ilay afo toa masoandro Toa zary fota-maina Ilay dobo nanamando Ary izany tsy finidy Izany tsy niniana Na di...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/traboina
TRABOINA
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Jereo ny fahasahiranan'ny vahoaka malagasy Izay mijaly sy miafy Traboina lala-dava Tsy misy andro mba mazava Alahelo no miseho fanembonana sesilany Tompo o! mba vonjeo Fa olonao ihany Ireo voa izay nambolena Tsy nitsiry avokoa Sasatra foana re ny tena Fa tsy nahazo vokatsoa Ny havana mba nantenaina Maty n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heritreritro/lazonady
lazon'ady
heritreritro
Mihitsoka ry zandry ny fotoana 'refa' noana a! Mipitsoka ny sandry raha voatery foana hitaona! Mety ho ditsoka ny maso: vovoka no manoloana! Fa raha ny herimpon'ny bandy, tsy ho resin'ny fotoana! Ho azeran-dry lerony ialah' vao hevitra ts'hiraisana! Tsy ho ferany ny fony, hialona an'lah': tiany hahita faisana! Ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/aiko
Aiko
BerthiN AinA
volana somambisamby no namako iny alina tontolo iny ry aiko tsapako ho nangidy tokoa ny fiainana rehefa irery aho tsy nisy anao ho namana ny maraina,niposaka avy any antsinanana ny masoandro aho sy ny volana toa lasa tafasaraka ts fidiny ny trano nangina tanteraka ka ny ventso indray no havana namakivaky ny ala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voatsinampy/bongo-maso-takariva
BONGO MASO TAKARIVA...
voatsinampy
ho fahatsiarovana ilay lasa any amin'ny varo-tsy mifody Bongo maso takariva izany tena raha ianao no hitantarako dia honena lasa tsy nanao veloma ilay nantenaina eny sento indray maka dia niala aina... Lay dongidongy sy hantahanta zary sento ankehitriny sompatr'ianao ry tany nalefanao ilay vahiny tsy nolazainao ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charlotte/ny-elanelan-tany
Ny helanelan-tany
Charlotte
Ny helanelan-tany ... Ny helanelan-tany tsy ampiova ny fitiavako Mbola ho oavy 'dray andro any isanandro ianao ho tantanako Lavitrin'ny maso f' inao akaikin'ity fo Ny alavirana izany tsy ampiova antsika roa Dia hitambatra iray isika hitambatra ho vato Ny fitiavako anao ny ahy ampy ho solon'ny sakafoko Fa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tiako-ianao
Tiako ianao!
lain's rakoto
Tia anao izany foko Miantsoantso mitoloko Tsy mba miantso antsokosoko Na nanao fitiavam-bokovoko Tiako ianao tsy mba soloiko Babonao tanteraka ny foko Aza avela hanjoko Ravanao tsy mba midoko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/izy-iny-mantsy
IZY INY MANTSY...!
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Izy iny mantsy...! olo-tiko Tonkana aman-tany Tsy misy mahasolo Ray aman-dreniko faharoa Mampitombo ny hafaliko Mamafa lay endriko tomany Manome fitiavana voakolo Hahitako tombotsoa Tsy lany hamamiana! Izy iny mantsy...! olo-tsotsa Hanany raha ny fandeferana Tiako aho raha mba hitovy aminy Sarobidy loatra i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ancelio-b-r/antsoantsonny-mahantra
ANTSOANTSON’NY MAHANTRA
Ancelio B R
Rahoviana vao hisinda izany haizina mikitroka; Manaloka ny androm-piainako; Velon’antso ny tarainako; Ka zary mandefa eritreritre mibitsoka. Miaritra ireny sedram-piainana mafy sady sarotra; Zakaina isan’andro, Na maraina na antoandro; ‘zay efa mila handrevo sy hanafotra. Mahonena ny mahita ireo zanaka mipitrap...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/vola
VOLA
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Raha mba nananako mantsy ny vola Tsy otran'izao mihintsy ny fiainako Saingy namaky ny lohako sola Iza no itarainako Raha mba hiaraka idola Amin'ireo vehivavy manja Aseo aloha ny vola Aseo aloha ny haja Voavidy vola ny fitia Ka tsy misy ho ahy intsony Fa vao mitory ny fitiavana dia tsia No mandrakotra ny fony...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voatsinampy/lolo
LOLO
voatsinampy
O ry lolo an-dohasaha misoratsoratra zandiana tiako ianao hitarik'ahy nefa maro mpanakiana f'hay mpanimba tanimboly fatsora sady mpanambaka mitsetsitra ny vovom-bony dia mifindra hoa ny an-kafa Voninkazo avy nivelatra teo an-tsisin-jaridaina nilaozanao nikopak'elatra dia niraraka fa maina asesisesinao tete...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voatsinampy/rahatrizay-aho-ka-hody
rahatrizay aho ka hody
voatsinampy
rahatrizay aho ka hody amin'ny toera-paharesena fa tsy ho sitram-panafody ka hisy hiantso hoe" miverena.." dia hanaraka ambokony hisento mora eo am-pandriana ho voasoratra amin'ny bokiny hikimpy eo dia hosondriana ahirino izato masoko fa aza avela hivandravandra hivavao ny kotro-baratra tsy hampidina havandr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tsy-angina
Tsy Angina!
lain's rakoto
Na Maro Ny Tabataba Ny Heritreriny Tsy Mba Zaza N'iza N'iza Hivazavaza Ny Momba Azy Efa Mazava Na Ko Izy Miradarada Kalokalo mbola Bada Tsy Angina Na Tsisy Dada Aleo Izy Mba Hirada Tsy Hiteny Mangina Aza Mametram-panontaniana Hajao Tsara Ny Olon-tiana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voatsinampy/raha-hifoha-ny-aingam-panahiko
RAHA HIFOHA NY AINGAM-PANAHIKO
voatsinampy
Raha hifoha ny aingam-panahiko ka hitory izay niainana dia angamba tsy ho sahiko ny hanambara fitarainana ny alahelo izay nodiavina teto an-tany fandalovana ny hitanisa izay notiavina sy hamongatra fahatsiarovana Raha hifoha ny aingam-panahiko ka hibaiko izany penina dia angamba ho avahako izay azo tokony ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voatsinampy/izay-vao-lavorary-ny-asany
IZAY VAO LAVORARY NY ASANY...
voatsinampy
Ny fandrenesako ny kalo sy siokam-borona maraina tonga nampiferin'aina f'indro tonga ilay andro tsy ahitako fitsikiana fa alahelo, fijaliana Satria tsy teo ianao ry aiko ka tsy nitombina ny saiko Ny doboky ny ranomasina nampitosaka ny onja tsy nahafaly ahy monja mainka aza tsy hanembonako ny lavitra sy ny ank...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/i-zy-5-d-i-m-y-v-a-v-y
I ZY 5 D I M Y V A V Y
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Tena tiako ianao MALALA Nefa etsy andanin'izany i SARINDRA tsy mety Ny ao am _poko tsy mba hisy mpahalala Fa tsy hoadiniko ianao VIOLETY Dia hiarahako ary i MAHAFALY Ataoko aiza anefa i SUSSANE Vao tsy mahita azy 5vavy izaho mijaly Tsy mahateli _kanina Dia raha aminao! manao ahoana ny tantarako? Ny lasa sy iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edmond-randrianandrasana/nofy
NOFY
edmond randrianandrasana
Dia tony ary ianao ry malalako Art hitako amin'ny endrikao Fa hainao ny manafina ilay sarin-kintana Nalavon'ny andro Izay mbola tsy Maty Toa mamitsaka sy miha manantona Raha vao mahatazana ny hofa-tanany iry renin'andro an-dakira Izay ho lasa voninkazo Natao ho fihiran'ny Foko Eny ry kanto indrindra o! Tsara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sylviocora/aminizay-fotoana-izay
AMIN'IZAY FOTOANA IZAY
sylvio(cora)
AMIN'IZAY FOTOANA IZAY Tsy tafa tombona fenao foana no aho an-doha Mahatsiarotsiaro,manembonembona ireo firahantsika taloha Malahelo fa lasa enao tsy nampandre Tsy azoko hoe inona no nahatonganao nandeha Izaho 'nefa tsy kivy,fa mbola manantena foana Hoe enao mbola hiverina,na firy volana na firy taona Dia amin'z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karako/laolao-teny
Laolao teny
Karako
Mivolombatolalaka ny jinery sy tazanina Tena matromatroka ka mampifoha hanina! Ny hazo ringi-dravina, ny masoandro malaina Izao ilay volon'andro mahalasalasa saina... Lasana any ho any! Lasa lavitra any… Malaina ny hiverina fa lasa nofinofy... Ny vatan-kamo mihetsika k’he mihafarofy Tsy ampy hafanana… Ilay joh...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sylviocora/nofinofy-ihany
NOFINOFY IHANY
sylvio(cora)
NOFINOFY IHANY Toa falifaly ery,fa tafaresaka taminao Toa velombelon'aina,rehefa iny mba nitsiky ianao Tena manan-danja ianao raha hoarina @vola Hatramin' izao,toa tsy afaka ato an -tsaiko ny feonao feno angolangola Nefa zao raha mba tanteraka Sy ekenao ny faniri...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/tanindrazako
TANINDRAZAKO
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Tiako ianao ry tanindrazako Ka tsy ho adiniko Ianao lay toerana nahaterahako Ka itokiko Tanindrazako ianao Ka ho mamiko sy lalaiko Raha misy manisy ratsy anao Ho harovako ianao na hiala hatramin 'ny aiko Tanindrazako ianao Ka lovanireo taranako Ary aoka ao andohany ao Ireo fananako Izay avy taminao Ry tani...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/malalako
Malalako
lain's rakoto
Manambarambara Milazalalaza Ny Eritreritra Fa Lasalasa Any Alavidavitra Any Mampanembonembona Mahatorovandrovana Ny Vatantenako Ny Fisaintsainako Ny Fanembonembona Azy Any Alavidavitra Any Mampikipiki Ny Maso Hanofinofy Azy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/nodimandry
NODIMANDRY
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Nodimandry i Felicien Rakotomalala Very olomanga ny firenena I Andriamanitra ihany no mahalala Izay mahasoa azy, ka zay miseho eo dia ekena Izy no nodimandry tsy ho hita intsony Fa ny feo mangany ho re sy hitoetra Indray androany mbola ho avy izay ho solony Andriamanitra no mpandahatra ny zava _drehetra Halahel...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-reny
TSY RENY
Fredy Jaofera
TSY RENY Tsy naha-reny anao 'ty fanahy izay nisy raha lasa na nandao ny tena re, indrisy ! Tsy naha-reny anao ny kibo noana mafy raha tonga tao ho ao ny kalo izay nanafy. Tsy naha-reny anao ny roaka alika adala raha dia tahaka izao ny sento tsy tafala. Tsy naha-reny anao ny loza izay nahazo raha mitory s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/hendre-tsara
Hendre Tsara!
lain's rakoto
Mbola Kely Loatra Mbola Kely Loatra Ianao Mahaiza Aloha Milalao Mbola Zaza Mbola Mianatra Mibada Kely Loatra Ka Hendre Mianara Tsara Aza Maika Ny Fitiavana Tsy Laitra Sady Mamy No Mafaitra Mbola Kely Ianao Ry Zandry Aza Maika Anambady Tsy Tena Tia Anie Ny Bandy Vao Lany Tsiro Mapamangy Veloma Mandrapihaona...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voatsinampy/misy
MISY...
voatsinampy
Misy teny tsy mba tantiko hotononinao rahavako fa mampijohy ny ranomasoko hitsontsorika amin'ny tavako mampiontana ny aiko ho any ankoatra fitsaharana sy mampitady ny fanahiko ilay vato hivalamparana Misy feo tsy mba tiako hoventesinao amiko fa manafainganany diako hanantotosa ny vinaniko ho lazaiko madiodi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/voatsinampy/orana
orana...
voatsinampy
Notondrahanao ry orana ilay fitiavako efa torana ka nifoha lasa nijery ilay aretiny sy fery noho Ianao ilay nandao tsy nisaina izay natao fa nandeha nanifi-drano mba hitady fararano Notondrahanao ry orana lay foko voly sy nangorana ka eto am-baravaran-kely no mametsovetso irery eto antsefa-tsela-baratra no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rakotomalala-mandimbison-fenoantra/alahelo
ALAHELO
RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Raha alahelo no tanisaina Tsy mitovy ny saranga Fa aleo hampiononina ny saina Izay mitranga eo mitranga Raha alahelo no tovozona Tsy ho ritra ny alaheloko Fa mbola mahery noho ny pozona Ireo ratra etoko Raha alahelo no harena Efa maro ireo lovako Saingy ny mosarena No mbola handalovako Ry alahelo tsy manjar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/karako/tsikotsiko
Tsikotsiko
Karako
Tsikotisko kely, Ritsodritsok’etsy Dia rava ny fihavanana; Miady ny mpinamana! Fosafosa lava, Tia mangarom-bava: Fanaon’ny malemy Tsy mahatana teny. Vilambila-maso Faly manatsatso: Milaza fialonana, Mandrava fiombonana! Tsingoloka kilema, Mikimpy ny an’ny tena. Manaratsy ny hafa, Tia resaka sy tafa. Ny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/ny-malalako
NY MALALAKO
ANDRIANAIVO PAUL
NY MALALAKO " Edrey,tsara tarehy hianao,ry tompokovavy havako! Endrey,tsara tarehy hianao! Ny masonao dia voromailala eo @ fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany,izay mandrimandry eny ankilan'ny tendrombohitr'i Gileada. Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo @ ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/ny-anah-raha-ny-anarako-n
NY ANAH
Tsitohaina Mamitiana
NY ANAH Raha ny anarako no tianao ho heno; Anarana tsotra tsy dia tsara fameno Tsotra nefa mahaliana, Tsy iza'zany fa "MAMITIANA" Ny fiainako raha lazaina @'teny tsotra, Dia bandy saro-kenatra sy kanosa Izy anefa tsy dia tsara bika, Nefa tena mirana sy sariaka Izy koa anefa dia Olon'fo; 4 mirahalahy 'z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/-nofinofy-
- Tsitohaina Mamitiana
Tsitohaina Mamitiana
"NOFINOFY" Ireo nofinofiko hatrizay, Ny hoe iaina am-pahasambarana Ilay nametrahana tanjona iray; Izay efa namafisina hatrany am-pianarana Nandeha ny andro nihodina ny taona, Niezaka ny nijoro sy nitraka Na dia nisy aza ireo nandatsa; Ny fanantenako koa tsy mba ho foana Nofinofy toa mbola tsy fantatra , Na ko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tsy-izy-intsony
Tsy Izy Intsony Ve?
lain's rakoto
Raha Jerena Ny Vatany Toa Efa Lehibe Toa Mirangaronga Fa Sivilize Ny Fiteny Miova Fitafy Famindra Somebiseby Mtary Fijery Ny Tava No Kely Ny Vata Mamely Kely Jerena Fa Mahay Raha Manara Damaody Mba Te Ho Vazaha Mirongaronga Ny Ankehitriny Veloma Daholo Ny Fitafy Fahiny Lasa Lamaody Ny Ankehitriny Toa Z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rldv/fialan-tsasatra
FIALAN-TSASATRA
RLDV
Tapitra ny taom pianarana Manomboka ny fialan tsasatra. Faly mikorana Ny ankizy avy nianatra. Handao ity sekoly Hiova rivotra madio. Handeha hiala voly Manomboka anio. Ho any ambanivohitra Hilalao eny an tsaha. Hitety ireo vohitra Mahamanina,mahate-hizaha. Hitsidika ireo niandohana Hamangy fianakaviana. H...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charlotte/111
1+1=1
Charlotte
1+1=1 ... Olon-tiako izy iny tena tiako indrindra Ny fitiavana hoetin'iny fitia tsy hay afindra Otriny oe tsy ety antany ny miankina eo antratrany Tsy mety lany mamy ampy ahy ny hafanany Maro anie ny tsara fa hajaiko ze ananako Nenay angamba efa anjara mamatotra azy re ny tanako Koa nizaniza ankahala na m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/mba-hevero
MBA HEVERO
ANDRIANAIVO PAUL
MBA HEVERO ! Mba hevero ange ry nosy! Ity fiainana eto an-tany. Feno alahelo sy tomany, Ilay lazaina vohitrin' ny nofy. Aza faly migoka ny mamy Fa saino ny hanisy soa Fiainana miha_ ratsy hatrany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/antso
Antso
lain's rakoto
Sentosentom-panembonana Vetsovetso-pahatsiorovana Antsoantson'ny Fitiavana Miantsoantso Anao Mitabataba Mila Anao Mivazavaza Malahelo Mihirahira Miantso Anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jnb/ny-lasako
Ny lasako
JNB
Ny lasako tsy aiko adinoina Ny lasa ve izany tsy maintsy tsaroana? Ny lasako anefa lasa feno nenina Saingy tsy aiko adinoina fa miserana matetika
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/mety-ve
Mety Ve?
lain's rakoto
Tsy Manao Kapa Hoe Gasy Fa Manao Kiraro Daholo Tsy Hiasa Ny Mahantra Fa Mandoto Ny Tanana Ireo Mpitarika Sarety Tsy Mihazo Mitady Sy Mikaroka MandotO Ny Toerana Indridra Ny Fonenana Zay Ny Teny Midina Tsy Afaka Idivirana Fa Manjary Manahirana Manjary Tsy Mahita Mangirana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sylviocora/efa-ela
EFA ELA
sylvio(cora)
EFA ELA Efa ela izy no naniry, ny hiara-dalana aminao Efa ela izy no nikiry Mba ho eo anilanao Efa ianao no nosafidiany, mba ilazany ny ao am-pony Ka na misy hafa aza tsy raharahiany Fa ianao foana no ao an-dohany Ka ny hany tena tiany, ianao ho eo am-pelatanany Raha mba mety, izy aza ariana Fa valio ny fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/-voady-
" VOADY "
Tsitohaina Mamitiana
VOADY Faniriako atrizay ka atrizao; Ny mba hitoetra eo anilanao Hifampizara ny soa sy ny tsara, Sy izay rehetra lalovantsika any afara Ka hitana ilay voady iray, Izay nataonao ho porofom-pitiavana ahy Fa tena tia anao irery ihany , Rah mbola miaina ambon'tany Hifanaja sy ifankatoa, Amin'izay rehetra teny avy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/satria-tiako
satria tiako
lain's rakoto
tsy adinoko ianao na lavit ra aza aho n'inona atao tsy adinoko ianao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/edmond-randrianandrasana/fitiavana-mankaiza
Fitiavana mankaiza?
edmond randrianandrasana
Mangotraka ny rano,miainga ny entona vonombonona ny fo ary sahy Inona? Fitiavana oha-dravi-maitso Toa voninkazo tsy ho tra.kaintany sy voron-kahataka-danitra Izay mbola teraka indray Izay mbola hisidina ihany Oh! dia toa efa tsinjo izay hilentehany Ity masoandron'ny fo efa mino Ny fo tahaka anao ry volana man...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/anilanao-ry-ray
ANILANAO RY RAY
Tsitohaina Mamitiana
ANILANAO RY RAY Anilanao ry Ray; No tiako hitoerana mandrakizay Satria ianao no mpanazava ny lalanay, Na dia mpanota tsy mendrik'aza izahay Ampio koa 'reo izay kely finoana, Mba ho tena tia anao fa indrindra @'zao fotoana; Fa tena maro ny asan'ny satana, Nefa anilanao ry Ray mahatamana Anilanao ry Ray no hamet...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charlotte/tsy-ho-adinoko
Tsy ho adinoko...
Charlotte
Ny ansoparanao ry tany no tsy ahitako azy intsony Enao tsy mba niteny oe ho alainao ny fony Ka ivavahako mangina izy satry tsy fanininy Ny nandaozany ahy tampoka eny tamininy Ao ampoko tsy hiala ny fitiavako azy iny Satria sarotra fafana ny tantarany fahiny Voafatotra ny foko nefa izy tsy iverina Sady tsy afaka ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/ny-fitia-dia-toy-ny-afo-k
FITIA VOARARA
Tsitohaina Mamitiana
FITIA VOARARA Ny fitia dia toy ny afo; Kanefa tsy mba vidina lafo Mino aho fa ianao mahalala tsara, Tsara fiandohana,fa kosa ratsy fiafara Eo ihany koa ireo tia andrakandrana, Ka manao ireo tsy fanao Tadidio fa ny lasa tsy miverina, Ka sao vita ny natao vao hanenina Ny fitia mampisento ,mampitomany Ka ia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tsy-nofy
Tsy Nofy
lain's rakoto
Tsy Nofy Akory Ireo Vita Hatrizay Fa Tantara Tena Tsara Nofinofy Tena Lafatra Na Koa Ankamantatra Tantara Efa Vita Nofy Tsy Ritra Ireo Tantaran-tsika Ilay Fiarahan'olon-droa Roa Mitambatra Ho Iray Mpivady Mandrakizay Eo Anatrehan'ny Ray
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/fanazavana
FANAZAVANA
ANDRIANAIVO PAUL
FAHAZAVANA " Fa jiro ny didy,ary fanazava ny lalanao; Ary lalan'aina ny anatra famaizana; Hiarovana anao amin' ny vehivahy ratsy fanahy; Ary amin'ny fandromboan' ny lelan' ny vahiny janga. Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny, ary aoka tsy hahazo anao amin' ny hodimasooz izy. " OHABOLANA.6:23-25
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjy/mimi-solonanarana
mimi, solon'anarana
anjy
mimi, no iantsoako azy solon'anaran'io mazava ho azy tsy hoe ataoko kilalao sanatria fa ho tiaviko ho doria omeko azy avokoa izay rehetra aty amiko hajaiko, hataoko toa alaiko tsy hindramiko amin'ireo ray sy reniny hokoloiko, ho mamiko dia tsy asiako nenina satry fona ahita ny endrikao eny akia, tena babo m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/vetso-iray
Vetso Iray
lain's rakoto
Olo Maro No Mitambatra Maneho Talenta Maro Maro Loko Mifangaro Manandratra Maneho Kolontsaina Soa Maro Be Tsy Mba Voaisa Maro Loatra AnTapitrisa Dia Nitambatra Ho Iray Anaty Zava Kanto Iray Manoratra Maneho Vetso Iray Tsara Feo Tsara Rindra Tsara Rafitra Vetso Iray Tsy Mba Tafika Vetsovetso Samy Hafa Ve...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rf.yonja/fitia-mihovahova
fitia mihovahova
Rf.yonja
raha fisarahana no ilaina tsy maninona fa aleho ho zakaina tazonoko hoay samirery lay tantara tsika roa ireny ka maimaika ny anambady ka dodona hisaraka tia mbady ka mahay mampresaka tia laotra ka mihetraketraka amn andrianampoinimerina ny ranomasina no valapariako ny antsika kosa ny fofonaina no fetsim pitia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/kamboty
KAMBOTY
ANDRIANAIVO PAUL
KAMBOTY Vao nitsiry saina Aho dia efa fantako, Ijay anjara sy lahatra efa voatondro, Mafy sy mangidy ny hoentiko, Laha-Zanahary voatendry tsy hirava. Moa tsy mangidy ve 'zany tsy manan-kantenaina? Mety tsy zaka nefa mbola hitony Raha ny namana no antenaina hampitony Dia tsy hisy intsony ny ranomaso sy toloko. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zaza-vaomaly/ranomaso-tsihay-fihaviana
RANOMASO TSIHAY FIHAVIANA...
zaza vaomaly
"RANOMASO TSIHAY FIAVIANA" Miondrika ny loha Maloka ny tava Mitsiky... fa tsiky nalahelo Mirana... fa mirana hakiviana Tsy fantatra hoe nahoana? Fa malahelo foana Tsy fantatro ho maninona... Fa tsy mahinana inoninona Malahelo fa tsy haiko... Mihodina ny saiko... Marary koa ny aiko... Mitaraina koa ny fo... ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tanantsoa/toroy-hevitra-aho-ry-ray
Toroy hevitra aho ry Ray
Tanantsoa
Toroy hevitra aho ry Ray Fa mbola zaza tsy mahay Votsa saina, tsy mba kinga Ka mila Anao ho ampinga Toroy hevitra aho ry Ray Fa Aminao ny fahendrena Hijoroko mba ho sahy Azahoako famonjena Ny lalan-tsitrakao ry Ray No mba tiako hizorana indray Tsy ho toy irony lasa Nitondra nenina sy latsa Ny lalan-tsikao r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tontolonny-poeta
Tontolon'ny Poeta
lain's rakoto
Tontolo Iray Mangina Tontolo Tena Lafatra Tontolo Iray Tsy Fantatra Tontolo Ankamantatra Tontolo Tsara Voatra Tontolo Tsy Tia Mitroatra Aiza Ary Hoy Ianao? Aiza Ho Aiza Mba Lazao? Any Ho Any Izy Izay Tsy Mba Toerana Mahamay Ilay Tontolo Iray Izay Tontolom-pahanginana Tontolo Ampilaminana Tontolo Ny Fisaina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/kilasimandry
KILASIMANDRY
hjravs
KILASIMANDRY Ny zavatra andrarana vao maika mahaliana. Dia iny aho tsy tana, nandady moramora nitady ny fandriana; fandriana misy anao. Fa sangisangy ratsy no nataonareo sy i Soa, tena sangy mihoatra loha: nony maty jiro, nifanova 'nareo roa... Izaho tsy nanampo, fa tanaty aizina aho no nanao tsianjery, ka v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/resinny-fiainana
RESIN'NY FIAINANA
Joda Razakasoa
RESIN'NY FIAINANA Resin'ny fiainana leitsy izy a! kamboty fa velon-dray aman-dreny kivikivy... dia mitanisa ombieny ombieny ireo fiainany taloha ...fa maha vaky fo ny mahita azy lavo tsy mba misy manarina nanantena ny hoavo fa indrisy fa mivarina resy izy,matoa mila vonjy any amin'ialahy aza hatositosika, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/ianao-irery
Ianao Irery
lain's rakoto
Na Lavitra Aza Aho Tsy Mba Manadino Anao Na Maraina Na Atoandro Na Koa Hody Ny Masoandro! Tsy Anadino Anao Foko Tsy Hitia Antsokosoko Na Andretsika Toloko Tsy Anadino Anao Tenako Indro Raiso Izany Peratro Aleo Hangina Tsy Hitia Tsy Hitia Ankoatra Anao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramamonjy/ny-fianakaviako
NY FIANAKAVIAKO
RAMAMONJY
Ny fianakaviako dia rako fatoram biby tsy manan-tsiny. Ny rano izay sotroiko dia Ranomaso mandeha eo amin'ny rahona eny an-danitra eny. toa Metaly izato vatako fizarana samy hafa,volafotsy,sy varahina.ireo fitrandraky ireo vahiny. toa avy amin'ny planeta hafa no hany mba hatsiarovan-tena. Ny fahatezerako sy ny ta...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/arivelo-naivo/soson-teboka-telo
SOSON-TEBOKA TELO...
Arivelo Naivo
SOSON-TEBOKA TELO... Mizotra mankaiza ity làla-diaviko toerana aiza no mba hiafarany? Ho soa sa ho ratsy izany hoaviko ho lokoin'ny tsiky sa hampitomany? Baraingo iray na teboka telo no azoko asetry ny fanontaniana Tsy ahy ny ampitso mamelovelo ka hoe hofenoiko famalifaliana Ny hany mba tena azoko atao: mivav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sylviocora/sovenira-iray-ho-anao
sovenira iray ho anao
sylvio(cora)
SOVENIRA IRAY HO ANAO sipa iray sendra nandalo no nampisokatra ny foko ny ohatran'azy mety hoe tsy maro na de maro ireo toerana sy foko. Indray andro,tsy alahady fa sabotsy tanaty F ,andeha ho eny Andoharanofotsy Tamin'izay no sendra niara-nipetraka, nifampiharahaba aloha,aveo natomboka ny resaka Dia nandeha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjy/zandry
zandry,
anjy
zandry toa rano mikoriana ambony vatolampy, ny anatra atao aminao hany ka variana hila tsy hatanty ireto zandrinao fa zary henoinao fotsiny ity reny efa osa mba manoro sy mananatra jereo ity molony efa kotsa, ny rora mila tsy hajery ny zanany tsy mianatra zandry ah, neny anie ka olona malemy mahita anao mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sylviocora/tiako-ianao
NY FITIAVAKO ANAO
sylvio(cora)
Ny fitiavako anao Fony vao nahita anao, dia voababo sy voasarika Ka te hilaza aminao Hoe tia fa toa matahotra Ka lasa nitsiriritra sy nanara-maso anao Ka ny hany faniriana, dia ny ho eo anilanao Fa mbola ho avy ny fotoana Hanambarako aminao Ka na ahoana,na ahoana Mba valio fa tena tiako ianao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsoa/taratry-ny-omaly
Taratry ny omaly
...Tsoa
Iny tantara_tsika iny ilay paradisa omaly toa lasa nofy sisa iny sisa tsy afaka hamaly Ilay tsiky teny amin'ny endrikao Toa maloka ny andro androany Dia mialoka fa miandry azy ihany Tsy mety lefy , Nanenjika anao any anefa ilay fitiavana voatefy... Lalina loatra tsy voarefy ny hangezany F'ianao efa voasafidy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charlotte/naleony-maty-
Naleony maty ...
Charlotte
Naleony maty ... Enao anie mba tiany tiany izarana ny afaliany Indrisy anefa izany fa nanjary fijaliany Enao koa no nantenainy oe amafa ny alahelony Indrisy anefa izy nitaraina tsy enonao ny feo maleminy Dia narary moa ny fony tsy zakany ny onjan'ny fitia Indrisy ino raha nataony? namoy fo fa tena tia Ka n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenosoa/alaeloko
alaeloko
Fenosoa
atramin'izay na dia tsy nitokisana aza aho dia niezaka hatrany nanaja ny fitiavako anao, ankehitriny nefa toa tsy mba manandrariny mihitsy aho, diso lava, tsy itokisana, tsy afaka miteny niezaka hatrany aho mba nilaza ny marina kanjo fahoriana hatrany no azoko ankehitriny manjary halako ny marina satria matahotr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rldv/hadinoy
HADINOY
RLDV
Raha tamin iny folak andro iny Itako ianao sy ilay tovovavy tsy mana tsiny Nifamihina toy ny tsy hisaraka Nefa izaho sy ianao mbola niaraka. Nisafoaka ny tao anatiko Ka na ny nahita anareo aza tsy tantiko Nefa tsy hitako izay natao Hifanazava sa handao? Naleoko nandefitra nandeha nody Fa ny fitiavanao efa lasa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/mifalia
MIFALIA
ANDRIANAIVO PAUL
" Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao, ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andron' ny fahatanoranao; koa mandehana any amin'ny sitrakin'ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantaratrao fa ho entin'Andriamanitra ho tsaraina hianao amin'izany rehetra izany. " Mpitoriteny.11:9
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/efa-resy-aho
EFA RESY AHO
lain's rakoto
Nianjera dia niatrosona Nidrosy tamin'ny tany Mikorosy sady lavo Miazoazo toa malazo Toy ny ravi-kazo Main'ny hafanana Ireo fa mianahana Miantso dada miantso mama Mikorosy sy voaposy Nianjeran'ny lakolosy Nidrosy niantsingidina Tsy afaka manidina Sahirana ny saina Miaro ferin'aina Miantso vonjy mitaraina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjy/ny-alina-mangina
ny alina mangina
anjy
ny alina mangina, no mba fanembonany anao anaty haizana mangina, no hanoratany izao tononkiran'ity ventso tsisy farany. hany fahatsiarovany, ny indray andro hitambarany. ny alina mangina mantsy no mba fieritreritra ny zava-bita hatry ny andro, tsy voafetra saingy mahatonga aretim-po, refa diso tafalatsaka ao anat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/ny-foko
NY FOKO
Joda Razakasoa
NY FOKO Ny foko vao nianatra nitia dia indro fa noratraina sahady malahelo lava dia manarinary di... satria tapaka ny fatoran'itony tady ny foko vao nianatra nampiasa elatra dia efa notifirina,ka tsy afaka intsony ny raoziko nanantena ny hivelatra moa,tsy efa nionona,ka efa nahay nitony J.RAZAKASOA
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/tsy-mbola-mety-tiako
Tsy mbola mety tiako!
Antsa tononkalo.R
Tsy mbola mety tiako : ny volana somamby, Tery an-javozavon'ny moron- drahon'iva ! Na aza koa tomaratra, Namelona ny vazon'ny andro takariva. Na aza hoe mitamby : Ny lanitra hisambarany... Tsy mbola mety tiako, Raha toa hianao tsy taratra ! Ao anaty sombin-tarany Tsy mbola mety tiako, Ny kintana firavaky n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/indrisy
INDRISY!
RFE Andria
INDRISY! Tsy manan-kihantana Fa vato boribory Ny hany iafaràna Tsy voky dia matory Mosaren-tambitamby Maran-tsafosafo Raha misy manana amby Mba hovidiako lafo
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/adinoy
TENDRY
ANDRIANAIVO PAUL
TENDRY Topimaso voafantin' ny sento angamba, Ilay namitaka ahy nanjary ho jamba, Volahatrin'ny natiora hitambatra, Hiaina ilay fitia tonga ho sambatra. Fitia napombain'ny tsiky sy hafaliana, Tonga fahiranon' ny fitia mahaliana, Heverina ho fitia laha-Zanahary, Tsy hisaraka ho lavitrin' ny mosary. Ambatondrazak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsitohaina-mamitiana/ratram-po
RATRAM-PO
Tsitohaina Mamitiana
RATRAM-PO Ilay fitiavantsika roa, Tsy mba toy ny taloha, Fa toa nanjary niova loko, Mino aho fa tsy fahadisoko. Mafy ny rah nianako, Satria tsy teo ianao mba hitarainako, Mahatsiaro tena irery aho @'zao, Ity foko te ho eo anilanao. Tena vitanao tokoa ny nandao, Tsy tsapanao izaho niangavy nitalaho, Ny ratram...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charlotte/lova-tsara-indrindra-
Lova tsara indrindra ...
Charlotte
Lova tsara indrindra ... Hikirizo amin'ny fo ilay lova tsara indrindra Hitondra vokan-tso Ny kiry izay arindra Satria ny fenarana efaina no mahatonga olombanona Ity no ataovy an-tsaina izay tafita no tafarina Ka ny zavatra rehetra hay io rehefa enarana ity no tarigetra Ho lafatra ny fiainana Fa ny ezaka at...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randimby/rehefa-afaka-dia-afaka
REHEFA AFAKA DIA AFAKA
RANDIMBY
01– Rehefa afaka dia afaka n’iza n’iza no hanakana. Rehefa afaka dia afaka Fitahiana fafy katrana. 02 - Rehefa afaka dia afaka Ny ranomasina aza resy. Rehefa afaka dia afaka Niampita teo ry ingahy Mosesy. 03– Rehefa afaka dia afaka n’iza n’iza no hanenjika. Rehefa afaka dia afaka Izay tahiana tsy mba rendrik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/ny-maraina
NY MARAINA
lain's rakoto
Raha maneno ny akoho lahy Manambara fa maraina Raha hita ny tara-pahazavana Tara-pahazavan'i ingahy be masoandro Manambara fa atoandro Rehefa injay mikotaba Ny kilonga maro be Miomana amin'izay Fa hirava i Dadabe Raha milentika ny masoandro Milaza fa hariva Vita izay ny atoandro Dia hiseho indray ny volana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sky-jo-sj/manirery
MANIRERY
SKY JO SJ
MANIRERY manirery aho,fa nilaozanao tena very aho,fa tsy eo anilanao ireo hafanana,toa lasa hantsiaka nosimbainao tao anatin'ny iray segondra ireo nofinofintsiaka izaho mba naniry ny hiara-dia ho mandrakizay doria nefa ianao niankavanana izaho navelanao irery niankavia fa nahoana kosa akia? mba lazao ny hadi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilmamy-a/tsiambara-fa-miafina
tsiambara fa miafina
iLémamy A
Miantso izy tsy re-ny akory Maona eto ampototry ny kalo ianao tsy mba nitodika raha mba nantsoiny Fa maika aza nandray azy ho fahavalo. Ny tao am-pony hono fitia niredareda Ny tao ambavany teny mamy tsy mba rediredy Saingy vahotra izy nilaza izany, nanahy ny fihetsem ponao. Nanaja ny safidinao izy ka nangaina t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/fetin-ny-maty
FETIN NY MATY
lain's rakoto
Hitady izay very Haka izay azy Ireo mpilaiso taolam-paty Hotadiaviny avokoa Hamerina izay nalainy Betsaka mantsy kilemaina Tapa-tanana,tapa-tongotra Tsy afaka mifety Mirevy sy etsetra Dia ho fantatra amin'io Ireo mpisera taolam-balo Hita ihany koa ireo fahavalo Hisehoany avokoa Ireo izay ratsy loha
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/mpitolona-mangina
MPITOLONA MANGINA
lain's rakoto
Miady mafy re ny fo Mitaraina koa ny saina Mitoloko ny fanahy Mitabataba koa ny nofo Midradradra mafy Mitady izay ho azy Manaiky sy manda ny saina sy ny fo Mangaina mitogaigy Mahatsiaro miady irery Miady irery sy manjeny Malahelo mitomany Manjombonjombon-dava Miady irery foana Mitolona mangina Hanavaozana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anjy/zany-sentoko
zany sentoko
anjy
zany sentoko nosoratako ity diary, hirakitra tantara iray ho anao tsy sanatria haseho hibaribary ity fiainako miaraka aminao. fa ny hany tiako hambara, dia efa fantatrao hatry ny ela. dia te hanoratra tantara anaty diary tsy tontan'ny ela iriko tsy misy toy izany, zany hoe mba: ho tiavinao eny, ekeko ko na izany,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratra/aza-anontaniana
AZA ANONTANIANA!!!
RATRA
Iangaviko ianao mba tsy hanontany Ary avelao ny vavako tsy hiteny fa hangina Avelao ny masoko hirara-tomany Satria ny foko misento fa nilaozan-tina Aza apetraka amiko ilay hoe nahoana Satria manjary tsaroako iren lasa taloha Faleo aho hitomany hisaona Hamoy ny lasako izay tsy hifoha 'lay hoe maninona aza apetra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/santatry-ny-omaly/raha-voamaina
Raha voamaina
Santatry Ny Omaly
Raha maniry safosafo ! Mihinàna tsaramaso, Raha te-hatoritory Mihinàna voanjobory Raha toa marary tenda a! Mihinàna indray voanemba e ! Raha hoe marisarisa, Mivokisa koa tsiasisa , Fa raha misy tena ilaina Ao anatiny ao voamaina Raha hanina ho aina Tsy aleon' ity voamaina a! Na atoandro na maraina Tiako ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/trmich/ry-namako-fahiny
Ry Namako Fahiny
TrMich
Any 'zay ianareo ry namako fahiny Eto aho maminavina ny zavatra efa vita Mangina irery aho ato ka aza homena tsiny... Raha mahatsiaro anareo, lavitra ahy tsy hita... Mieritreritra eto sisa no azoko atao Fa ny fiainana mitohy, mitohy eny ihany Nisampana ny lalana, fa tsy isika no nifandao Ny mahasoa no tadiavina,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charlotte/voninkazo-nankarary
vonikazo nankarary
Charlotte
Vonikazo nankarary ... Ilay vonikazo izay namboleko Maina sahady nony falemeko Nalazo ny felany, lany koa ny mamiko Nintsana ny raviny, rava ny ankaniko Maratra anie ny foko, irery tao mangaina Aleoko miova loko, izaho tsy itaraina Afa indray no inoko, hitondra herintsaina Hisinda ny toloko, hazava ny maraina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rldv/iza
IZA.........?
RLDV
Iza no mba hitia Ity nofoko mahantra? Iza no mba hitia Ity foko feno ratra Raha toa ianao ilay nantenaina Hijanona ho nofy ato an tsaina? Iza no mba handray Ity fitiavako nolavin ny hafa? Iza no mba handray Ity vatako nahiliky ny hafa Raha toa ianao ilay niriana Efa manana olon tiana? Iza no mba hankahery ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rhavou/fijaliana
FiJALIANA
RHAVOU
Fa rovina vao mba hisy Fitoniana zany saina Fa poak'aty tsy mba misy Zay rehetra nantenaina Ianao ay nandrandraina Ianao lay natenaina Hamelombelona ny aina Indrisy anefa karakaina Fijaliaana re izany Fahoriana sesilany Nakaiza ianao ry fiadanana Niakavy sa niakavanana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/miaramila
miaramila
lain's rakoto
miady sy mitolona mitolona ho an'iza ho an'ireo mpitondra ve? sa ho an'ireo vahoaka Toa manara dreny rano Tsy mba afaka manohitra Na hiakatra eny ambohitsirohitra Tsy mba manan-tsafidy Tsy maintsy manaraka didy N'inona n'inona miseho Tsy afa miteny fa mangina ny feo Tsy afa manoatra Tsy maintsy apoaka Ny f...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/jehovah-no-ianteherako
JEHOVAH NO IANTEHERAKO
RFE Andria
JEHOVAH NO IANTEHERAKO Mafy, eny mafy, tena mafy ny manjo raha sainina, dinihina, mila hahavaky fo tsy misy ety n'iza n'iza afa-hiara-hivongika 'ty fahoriana mianjady efa tena mampihiaka Ianao Jehovah no hany azoko ianteherana hany manana fo antra sy fanahin'ny fitserana Ianao irery ihany no tena azoko itarainan...