url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/miantoraka-eo-aminao
MIANTORAKA EO AMINAO
RFE Andria
MIANTORAKA EO AMINAO Miantoraka eo Aminao aho ry Raiko any ambony ny samboaravoaram-piainako eo Aminao dia tony mandohalika eo Aminao isan'andro aho mivavaka mba afaho re ry Tompo, esory avy ao an-davaka Lavaka mangitsokitsoky ny areti-mampijaly lavaky ny fahotana izay nandavo ahy omaly lavaky ny honahonam-pahan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/55
5/5
hjravs
(setrin'ilay tononkalon'i "harylovah" "Namerin-desona izy") Misaotra r'ankizy fa faly 'zay tsy izy 'zao i Dada sy i Neny: Notoavinareo ireny hafany ireny ka tena tsaroany ho nandaitra ny hasin'irony tsodrano. Feno ny fony matoa ireo masony nanganohano, tena nankasitrahany ireo fihezahana- reo tamin'ny vikina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/creta/tiko-ianao-ry-taniko-fa
Tiko ianao ry Taniko Fa
creta
Tiko ianao ry Taniko Fa ny mpitondranao tsy mamiko Babonao aho ry taniko Ny mpanapaka anao kosa tsy reviko Iao Madagasy Fa zah gasy Ny fiaranao kara Ny vahoakanao tsara Raha ambarako Sy ho lazaiko Madagasikara no anaranao Ho an’ny Malagasy ianao
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rayane-tsiarofitia/tsiaro
TSIARO
Rayane tsiarofitia
Misy ora iray mety hampangiana Ka tsy hiloa-peo izato vava Dia ny tsiaro ho anao ry tiana Ny zava-hita, faha-zaza Dia izaho sy ianao, no voalohany D'ianao sy'zaho ilay niara-tia 'Lay peta-molotra antsalovany 'Lay tsongon-tia nirako-diany Iny ny vakan'eny an-tanany Izay mandravaka hampiaingo Ho tsiaro anao ila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/aleoko
ALEOKO
hjravs
ALEOKO... Raha hiray latabatra amin'ny olona ahiana fa hamorika ahy. Na hiara-hivalapatra, hiray fandriana amin'ny ratsy fanahy, dia aleoko ho noana, mihafihafy foana fa milamin-tsaina; aleoko ihany miladina an-tany tsy mitaintaina. Raha hamitram-pihavanana amin'ny olona izay tsy dia madio fo; Na ka ila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elabakaka/tanora-aho
Tanora aho
Ny Avo Elabakaka
Ny endriko sariaka fa tonga maintso volo Ny saiko falifaly, ny foko torotoro Ny fiainako rehetra tsy nijereko izany hanitra Ny foko sy ny saiko dia nentiko finaritra. Ny masoko mitazana izao tontolo izao Variana nisondriana, fa tsy tia handao Ny saiko izay nandinika variana teo ho eo Voafitaky ny lainga fa tsara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/namako-ianao-ry-lanitra
Namako ianao Ry lanitra
Tatamo Ravaky Ny Farihy
Namako ianao Ry lanitra iry mampamanina anao Toa mitahiry ilay fitsikinao Na ny alina aza toa ahitako anao Ilay endrika sy ny hatsaram-ponao Tsy hay tsy ho tsaroana na koa hoadinoana Toa manitra anao avokoa izay jerena e! Raha indro mandalo dia toa vita kalo Ny saina torovana efa tsy ngolingoly Fa inona loatr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-ho-tantiny
TSY HO TANTINY
RFE Andria
TSY HO TANTINY Mbola hotsarain'ny tantara ireo mpitondra izay mamarara fa mivarotra ny tanindrazana manao izany ho tany ngazana dia jambenan'ny fitiavan-tena ka indreo fa mangoron-karena Tsy tahotra tsy henatra akory mampiesona sy mampatory baomba sy basy no apoaka... Mbola ho tratry ny ampamoaka Ny vahiny n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rayane-tsiarofitia/ny-fitiavako-anao
NY FITIAVAKO ANAO
Rayane tsiarofitia
NY FITIAVAKO ANAO Tsy zava-be, ka hodradraina Fa avy am-po fiangolaina Tsy harena sarobidy koa F'avy amin-dray tsitoha Ny fitiavako anao! tsy ilay anjaza tsy akory F'idreo tsara tao hatrizay no kely vory Koa atolotro ho anao, ny hany kely ato am-poko Na hisy tohana tsy hiery; hamoraiko antsokosoko Fitia, te mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asn-guitariste/tso-drano-nilaza-ianao-f
TSO-DRANO Nilaza ianao f
as'n guitariste
TSO-DRANO Nilaza ianao fa tsy anjaraniantsika Niteny ianao hoe andinoy izay vita Nambaranao fa andrana ireny Nefa toa mamy toy ny tantely Tsisy misy tsiny re rahavako raha andao ianao Satria nuho ianao nu niaretako an'izao Na kapok'i dada na latsan'i neny Saingy tsy nambarako anao ireny Nilaza ianao fa tsy nat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asn-guitariste/ny-tena-namana-ny-tena-na
NY TENA NAMANA Ny tena na
as'n guitariste
NY TENA NAMANA Ny tena namana mihevitra izay hahafaly anao hatrany, Fa tsy manao izay hahatezitra sy hampalahelo anao izany! Ny tena namana mampitraka sy mampahery ny fo, Fa tsy mamela anao hizaka samirery izay manjo! Ny tena namana mananatra raha misy ny tsy mety atao, Fa tsy izy indray no hampianatra mba ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena-vonton-tsento/haizimpito
HAIZIMPITO.
Manantena Vonton-tSento
*Tao anaty haizimpito. No niharampahoriana. Nitomany sy nisento. Norakofampijaliana. *Tao anaty haizimpito. No nandaozanao ahy. Ilay endrikao feno tsiky . Lasa aloka sy tsiahy. *Tao anaty haizimpito. Nampangina ity foko. Tsy nahita ilay tiako. Ontsaontsan'ny toloko. *Tao anaty haizimpito. No nitsesaka ny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/hamono-tena
......... HAMONO TENA .........
BerthiN AinA
__Aleo ny tontoloko hangina Fa voafitak'lay olon-tina Mba niriana ho lasa andefomandry Kay indrisy efa nisy nangatabady __Aleo harapako avokoa ireto Karazana vanja maneto Koa ny afokasika ny hanombohako azy Ary hofaranako aminy vato-briquet ts mivazivazy __Aleo ho tapitra ny AikO manotolo Mba higogogoan'ny Gas...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asn-guitariste/ianao-ihany....-tiako-a
IANAO IHANY.... Tiako a!
as'n guitariste
IANAO IHANY.... Tiako a! Teny kely iray monja, No atolotro ho anao. Kely nefa toa mafonja, Hoy aho hoe:TIAKO IANAO. Teny kely nefa iray, Io no teny ho lazaiko. TIAKO IANAO dia ampy izay, Ny ankoatr'izay dia tsy ilaiko. Fa ianao no fiainako, Ianao no faniriako. Ianao no intarainako, Mba hitantana ny diako. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hackel-andrianjatovo/ririnina
Ririnina
Haëckel ANDRIANJATOVO
Nankaiza ny tsiky, ny lanitra manga No be sorisory sy maloka lava? Somparan'ny rahona ka tsy mitranga Ny fara-masoandro natao hanazava Nankaiza ny ravina, elon'ny hazo Ny vony mivelatra, radon'ny saha? Finaokan'ny rivotra fa efa malazo Tsy ho hitan'ny mason'ny tia zahazaha Mangina ny feo mikotaba ao an'ony Fit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena-vonton-tsento/ventsonkamboty
Ventsonkamboty
Manantena Vonton-tSento
*Raha vao misokatra ny vava, Dia mahatsiaro anao ry Dada, Raha vao hanomboka hiteny, Dia mahatsiaro anao ry Neny, *Savolaina ny fisainana, Ity kamboty manirery, Iza moa no hitarainana? Iza no afaka hijery? *Be akaso ve ny tany sa ny vintako no ratsy, Ka mampivaky mitomany sy mampirotsa-dranomaso Ity foko kely...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tao-ampandriana
TAO AMPANDRIANA
lain's rakoto
Io diavolana ioa Manintona hikalo Hikalo izany hatsaranao Ilay hatsaranao tsy manam petra Miavaka amin'ny voary rehetra Toy ny lisy an-jaridaina Tsara sy mendrika tokoa Ny endriky ny molotrao roa Tahaky ny raozy vao mamelana Manintra sy maha te ho tia. Tiako horohana foana Tsy lany hamamiana mandavan-taona ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/mamela-ahy
MAMELA AHY
lain's rakoto
Mamindra f o amiko Fa tsy nety ny nataoko Avelao ny fahotako Fa tsy mendrika akory aho Tsy mendrika ny ho zanakao Tsy tokony hanonona ny anaranao Mbola osa aho anefa Tsy mbola afaka milefa Tsy afaka manefa izay nataonay Osa sy malemy Mora lavo sy trotraka Mianjera lava mora potraka Mamela ahy ianao ry tom...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/fa-nahoana-re-no-fahorian
Setrim-pitiavako
vals cristian
Fa nahoana re no fahoriana No mba nasetrinao ry fitiavako Na ireo androm-pifaliana Ireo teny mamy tao am-bavako No lasa nangidy nohon'ny vahona Tena mangidy ka tsy laitra Toa nanamafy ireo rahona Izay efa namela takaitra F'angaha tsy misy ankoatr'izay e! Mba fitoniana na fahasambarana Mba hamono ilay afo maha...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/tantara-fonjanolo-marina
Tantara : FONJAN'OLO-MARINA
hjravs
Tantara: FONJAN'OLO-MARINA (Fizarana faha-roa) "Mba ho firenana vanona ny Tanindrazako" (Tantara noforonina izy ity ka ialana tsiny ny mety ho fitoviana amin'ny trangan-javatra tena misy) ...Rehefa avy niontsana tamin'ny rano natolotr'i Zankely i Masindah dia nanatona anay. - Tonga soa aty amin'ny afobe ny olomasi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/iza-ary-no-izy
iza ary no izy?
lain's rakoto
tsy izaho angamba izany tsy izaho mihintsy tena tsy izaho izany izany atao hoe maditra ilay hoe fositra mpisopatra masositra mpanao fitia an-tendro molotra mahazo fafiny dia mandositra ilay tia mijagajanga izaho angamba! izaho ilay lava sanga miteny sadasada mbola miradarada poeta kely mbola bitika mihovi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/ry-androko
Ry androko
vals cristian
0 ry androko lasa Moa ve azoko atao Ny hanohy ireo kinasa Raha toa aho hitalaho ? Toa tsy ho vitako mantsy Ny hanadino vetivety Niezaka aho mba niafy Kanefa tsy mety Ho voafafako ianao O ry androko omaly Mba meteza re hiverina Fa ory aho izao,tena mijaly Raha vao mitamberina lreo momba anao Tsy haiko ints...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena-vonton-tsento/hafatra
HAFATRA
Manantena Vonton-tSento
*Ry voromanidina moa mba hoaiza. Mba lazao ahy izany antondia. Ity misy hafatra tiako ampitaina. Izy hono hoe tsy afaka mankatia. *Mandeha mianatsimo dia misy tanàna. Lazao azy koa f'izy hoe mbola ho avy. Sendra taraiky tsy nisy fiara. Aza malahelo na koa mitomany. *Ny lalana indray tsy dia sarotra hombana. Fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aslamy/mbola-ao
Mbola ao
As'Lamy
Hidio ny varavaranao dia aza mihetsiketsika ao akipio ny maso!matoria mbola vao mihira ny amboadia aza miasa saina @zay ampitso mbola hisava ny haizim-pito ary ho avy ny maraina,mahandrasa tsy maintsy ho antananao ilay nokinasa fa na ahoana na ahoana ny anjaranao tsy ho foana fa raha hilentika io volana io n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/mila-anao
MILA ANAO
RFE Andria
MILA ANAO Toy ny tanihay sy ngazana na dia taom-piotazana dia mangetana sy maina ka mahatonga ahy hitaraina ny fiainako ry Ray toa anjakan'ny antsonjay Mila Anao hanasitrana handrary ary koa hamitrana ny rovidrovitry ny fiainako hanony ny fitaintainako...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yroits-valisoa-rft/lasa-tiako-ianao-tsy-miov
lasa tiako ianao tsy miov
Yroits valisoa rft
lasa tiako ianao tsy miova ts andao ka ny haka vady anao io ny voady hatram'zao ts miova velively fiti ts misy antery
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/diavolana
DIAVOLANA
lain's rakoto
Tsara be ilay diavolana Mahatonga fanembonana Miaro fahatsiarovana Ireo lasa nolalovana Indrindra ny ratsy nahatorovana Toa tsy nahalavo Tsy nahavoarodona
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/fankam-panahy
Fakam-panahy
vals cristian
Toa tsy haiko ny handresy An'ity fakam-panahy Fa mamely ahy misesy Tena mampahory ahy Niezaka ny manohitra aho Saingy olona e,malemy Ka tafatoetra anatiko ao 'Lay fanahy ratsy sy mahery Tsy manan-kery intsony aho Mba hanoherako ny didiny Ka tsy haiko izay atao Fa dia manaraka tsy fidiny Mandrebireby ahy foa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/ny-fitiavanay-roa-kely
Ny fitiavanay roa kely
Tahina Fabien
Ny fitiavanay roa kely Faly aho anio Raha iventso ny fitiavako Ho anao rahavako Amin'ny fo falifaly Tsy misy tomany Mba ho anao ihany Jejojejo ny tena Refa mba hitsena Dia indreo tsika mihenahena Samy mitsiky Dia mifamihina mihitsy Anaty minitra vitsy Ny tontolo lasa kanto Ze jinery rehetra izato To tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/avereno-ny-sariny
AVERENO NY SARINY
hjravs
AVERENO NY SARINY Moa ny fatram-pandrosoana sa ny refin'ny fivoarana no mampihena, manafohy ny faritry ny fahamenarana? fa raha ny lamba, kosa angamba, betsaka azo hivalamparana. Fahalevonan'ny fanahy sa efa asan'ny satana f'iretsy firenen-dehibe no nakato ilay lalàna. k'indreo fa sahy ny samy lahy, 'ndeha h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/aslamy/ekeko-raha-ho-anao
Ekeko raha ho anao
As'Lamy
eny, tsy maninona,ekeko raha ho anao raha ahazoanao fahasambarana andefitra aho ho anao ts asiako fanakanana eny,ekeko raha ho anao rah mbola fiadanana sy fafiny ho anao tsmaninona foroniko ny lalana ho takariko ihany koa raha ilay kitana tadiavinao andaniako ny rondoha ekeko fa ho anao dia ekeko fa ho anao...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rayane-tsiarofitia/ny-jaliko
NY JALIKO
Rayane tsiarofitia
NY JALIKO Tonga alina indray ity ny atoandro efa madiva Ka dimbiasan'ny haizina ny lemaka izay iva, Ary hotsenain'izato hazavana avy amam_bolana Izay noheveriko ho fanilo,nefa kanjo toa olana; Raha dinihiko izato andro dia toa manjombon_dava foana Toa mahatsiaro tena hoe:resy,raha sendra tafitohina F'iny volana ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/banga-anao
BANGA ANAO
RFE Andria
BANGA ANAO Ny antom-pisiako? Tsy fantatro intsony rehefa dinihiko amin'ny saina tony Banga anao ny fiainako ankehitriny tsy misy hamamiana toy ny fahiny Injany ny foko fa mamolivoly ny ati-fanahiko toa ngolingoly satria banga anao izy dia malahelo mangorintsina anaty sy mamelovelo Foana ny amiko, mifarana eo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/djaw/ho-anao
Ho anao
Djaw
Raisiko ity penina mba hanoratako, Ho anao ry lala, dimbin’ny aiko, Ity fifanekena, eto anatrehan’ny lanitra sy ny tany, Izay fifamatorana matotra, tsy misy hanihany. Ny fitiavan-tenako rehetra esoriko, Asoloko ny fitiavako anao ry tiako, Fitia izay tsy manan-tsahala, tsy asiako fepetra, Izay anolorako ho anao n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/manantena-vonton-tsento/ny-endrikao
NY ENDRIKAO
Manantena Vonton-tSento
Tiako ny endrikao ka nefa dia izao, Ho lazaiko ampahatsorana, Fa mbola tena tiako no sady mba iriko , Ilay endrikao nitsiky tao anaty ranon'orana, *Fafazan'ny tafiotra sy rivotra, Kanefa ny tarehy dia mbola mihomehy, Ita fa sahirana, Nefa miramirana, *Mitefoka ny varatra ka maika koa voataratra Ny hazavan tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/nampirafy
NAMPIRAFY
Zoky Eric
eto ampotokazo maloka no mandefa ny heritreritro fa ny foko tsy miloaka no misento tsy finaritra feno halahelo lava dia mirotsaka tomany tsy mba miramiran~tava izany fiainako eto antany mba mikasa ny hitia mba maniry ny ho tiana kanefa voakapokin'ny vy ka nanjary fijaliana dia sahinao namitak'ahy sy nanary...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/hafa-kely
HAFA KELY
Zoky Eric
mialatsiny re ry tiana fa nanjary fijaliana ilay fitiavako manontolo tena lasa bobongolo nefa noho ianao ihany izay nandrora niantsilany tsy hay mintsy hoe ahoana fa milaza foanafoana hoe tery ny fotoana ka tsy hafaka ihaona isan'andro lava izao ianao milaza:"tsy afak'aho" izaho miteny:"fa nahoana" ianao m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fongasy/vahaolana
Vahaolana
Fongasy
Nisy niteny hono fa hoe tany ho any Nisy moana nibitsika tamin'ny marenina Ary gaga ny jamba nahita an'izany Talanjona teo,tsy nisy ho tenenina Sondrian-torimaso ilay lehilahy iray Natory teo amorom-patany Dia mbola nanonofy izy izay ela izay Efa kilan'ny afo ny antsasan'ny vatany Ity koa misy hafatra ampita H...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tan-dalana
TAN-DALANA
RFE Andria
TAN-DALANA Tany tan-dalàna tena igagana ny eto Gasikara sanatria tsy tara Didin'ny be sandry maka tsy miandry Didin'ny be vola ny mpiaraka midola Didin'ny be basy vahiny, Malagasy Didin'ny vazaha tsy mena-mitaha Didin'ny ambony tsy ventiny tsy rony Didin'ny mpitondra ho antsika ampondra... Tany tan-dal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/sombin-tantarako
SOMBIN TANTARAKO
samiir lien'ju Rafaralah
Ny tantarako ve no tinao ho fantatra? Be mistery io mifono ankamantatra Ny kitapo tsy ahomby azy raha tsy hoe afatratra Aleo ataoko fohifohy ary fa sao ianao ho sasatra. Antsirabe io no tany niaviako Tanana iray soa sy tena tiako I Mananjara tena tsy foiko Satria nahaterahako ka tsy ho adinoiko. Ny fiainako ve?...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/aout-2016
Aout 2016
Zoky Eric
Indrisy mantsy,fahoriana No mitobaka ato am~poko Rakotrin'ny fijaliana Ka nanjary nitokoko Nitokoko samy irery Tsy nahazo izay nirina Ka nihevitena hoe very Lasa nangidy ny hamamianana Mba saika hiseho ho topondaka Ka niezaka fara hery Saika mba hanjakazaka Diso kely ka dia very Enina ambinin'ny folo sy roa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jean-jacques/alaelo
alaelo
jean jacques
Alaelo tsy voafetra No ilazako aminao Fa ny lasako rehetra Mbola manina anao Alaelo tsy voafaritra Izay mitoetra sy maharitra Mahatsiaro ny fahiny Noho ilay olona iny Alaelo ireo tantara Izay tsy maitsy adinoina Satria hono tsy anjara Ka tsy maitsy ho soloina Alaelo tsy hay fafana Mahatonga hakiviana Fa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/tamberim-pitia
TAMBERIM PITIA
samiir lien'ju Rafaralah
Aleoko kobonina fa tsy ho ambara Matahotra aho mantsy fa sao tsy ho anjara Ilay fitiavako kely hitoetra ho tantara Izay tsy maintsy ho fantatra ihany ao afara. Rehefa amin'ny alina aho tsy mahita tory Toa lasalasa saina tsy haiko hoe akory Tsy mahazo aina fa toa sorisory Fa toa manjonintra ohatrin'ny olona ory. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tix-mania/ny-lasako
Ny lasako
Tix ManiA
-Indrisy ry fahazazako, kanto sy mendrika ery! simban'ny atanorako sy ny zava-nandalo tety. -Tsaroako izaho lay tany ambala nitazana masoandro mody, ny lanitra amin'io tsy manga fa mangalatra ny lokom-pody. -Izaho taloha lay bedy lava, mafy loha manata-bava. zao anefa vao tenenina d toa manao be marenina. -...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/diary
DIARY
Zoky Eric
taona 2016 : taona mangidy tato anatiko ka ho soratako ho tantara mba ho hitan'ny ao hafara. nande ny taona ny volana , tsara ny foana ny vokam~panadinana fa ankehitriny to nivadika toy ny sambo rendrika tsy afaka BAC zany tenako fahorina ny fonenako. rano maso aok'izany ny androm~piainako androany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/nirina/ireo-tsiahy-fahiny
ireo tsiahy fahiny
Nirina
Lasa fahatsiarovana . Ilay nihaonantsika . Tantara nasalovana Ilay fiararahantsika Napanembona ny tsiahy Na mamy na mangidy Lay fitiavanao sy ny ahy Nanjary sarobidy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/ny-fiainana
NY FIAINANA
samiir lien'ju Rafaralah
Toa mihomehy aho nefa ory Toa mijoro nefa matory Toa mitsiky nefa tomany Salama ihany nefa marary. Toa te andeha nefa malaina Mazoto ihany kanefa kamo Mahery kanefa savolaina Matanjaka kanefa trotraka. Toa mikipy aho nefa mahita Tsy maheno nefa mandreha Mandray kanefa tsy misy akory Faly nefa sorisory. Toa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/efa-babonao
Efa babonao
vals cristian
Fa nahoana no misy ny fitiavako Ary any aminao izy no nianrsampy ? Mampirediredy ity vavako Mampijaly ,mampitapy Izany tokoa ve no adala e ? Adala noho ilay fitia lanao no tiako antsoina hoe malala Sy ho tolorako fitia Toa tsy haiko aloha ny tsy hamboraka Ilay fitia izay ato anaty Ny faniriako izay te hiantor...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/tokantrano-
NY TOKANTRANO SOA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Ny tokantrano izay naorina, nanoloana ny alitara; Tsy hitoetra fotsiny eny, hijanona ho tantara. Fa tena hokojaina, amin’ny lafiny rehetra; Ho lamban’akoho, ka ho tena aina no fetra. Ny tokantrano toy ny landy, hoy ireo mpikabary; Anatiny ao manatevina, mba tsy hisy ny mosary. Hiezahana isanandro, ny hitomboan’ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/hery-inona
~HERY INONA~
Zoky Eric
vao mikaroka ny saiko dia ny atidohako no mibaiko ka mametraka ahiahy mampisinda ny fanahy vao misokatra ny vavako dia miventso ny fitiavako fitiavako ny soratra ny tanako mandray penina manoratra izay azoko tenenina dia ny masoko mijery ka manome hery ilay hery avy ao anaty izay manosika tsy tanty ka miso...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ray-be-fitia
RAY BE FITIA
RFE Andria
RAY BE FITIA Andriamanitra ô! nahoana? -hoy ny saiko lasa foana- nahoana ho'aho no fijaliana aretina sy fahoriana ny isan'andron-janakao? Moa Ianao efa nandao tsy te hijery azy akory? Sa Ianao mbola matory? Anaka! henoy Aho ka matokia: Izaho Ilay Rainao be fitia eo anilanao hatrany indrindra ianao raha tom...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-fanantenako
NY FANANTENAKO
RFE Andria
NY FANANTENAKO Tsy maty tsy akory ny fanantenako f'injao mikoriana ao anatin'ny rako mamelona aina ary koa mampahery sy manambara f'izaho tsy irery Tsy maty tsy akory ny fanantenako f'injao ao anatiko manakoako mibitsika mora am-po sy fanahy ka milaza amiko tsy hanahiahy Tsy maty tsy akory ny fanantenako fa i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/tia-aho
Tia aho
vals cristian
Tia anao re aho lnoako fa efa fantatrao Koa miangavy aho, mitalaho Mba aok'izay ilay hitsakao Hatrizay aho mantsy nankato Tsy mba naneho izay hevitro Na efa ho potika aza ity fo Dia tsy nolaviko fa teliko Izay safidinao rehetra Tsy reraka aho ny milefitra Fitiavan-tena sy herisetra No namatotra ahy mba tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fongasy/zanako
Zanako
Fongasy
Ahy irery tsy iombonako, Singan'akohonako, Hany antony ifaliana Fa tonom-bavaka valiana Vokisana anatra,tefena Arovarovana,fefena Ny fitiavana azy No anomezana azy sazy Endrey 'zany izy mitampify Eto an-tratrako manify Tsy hoe efa nianianako Ny fitiavako tsy voatanako Fa naniry ho azy teny Sady izay koa 'i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-fitiavako
NY FITIAVAKO
RFE Andria
NY FITIAVAKO Toy ny raozy mena loko ny fitiavana ato am-poko lokon-dio, lokon'afo dia fitia mitafotafo Manimanitra toa raozy fa fitiavana be daozy natokana ho an'i Lala tsy natao hihoatra vala Toy ny raozy an-jaridaina izay mamelombelona aina mahamiramirana endrika ilay fitiavako mandrendrika
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fongasy/tononkiranay-sy-solomona
Tononkiranay sy SOLOMONA
Fongasy
Izaho ny ahy ny teny tena mamiko Dia tamin'ny Solomona nindramiko Ary tsy sasatra aho ny mamerina isan'andro Fa zava-poana izay ety ambanin'ny masoandro Hiezaka hanaraka ny teniny aho Izay mananatra,manefy hoe ny tsara mba katsaho Tsy misy na iray eto ka mahasoa Fa samy misambo-drivotra avokoa Tsy misy manam-bi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tsy-anadala
Tsy anadala
lain's rakoto
Tsy rediredy sanatria Ny foko raha niteny hoe tia Ny fidobokin'ny foko Miantsoanttso mafy an-dry Mitalao mafy te ho eo anilanao Misentosento lalina ny ao anatiko ao Tsy sangisangy akory ireny Ny antsoantsoko anao ry neny Antsoantso ny fitia Te ho eo anilanao Tsy rediredy na koa adalana Ny antso ny foko hian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/fa-ny-foko
FA NY FOKO
Fano
Fa ny foko ry Raiko Mpahary Izay antsoiko @hoe Zanahary Apetrako an-tananao Hamindranao ny fitiavanao Fa ny foko Ramangatahiana Dia natokako ho anao tsy hidila Tsy ataoko fitia mitolila Fa fitiavana tsy haiko sangiana Fa ny foko Rahanitriniala Zay lazaiko @ tsy mahalala Na manenjika ireo mpankahala Ny fitiav...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/hanina-ani-gasikara
HANINA AN'I GASIKARA
RFE Andria
HANINA AN'I GASIKARA Rehefa iny fa miposaka ny masoandro eny atsinanana dia lasalasa koa ny vetso mahatsiaro ireo namana te hiaraka hianoka, higoka tosatosa-pifaliana Indrisy mantsy re 'zareo! mafy izany lavi-tiana...! Rehefa iny manirery eny an-dàla-maha ana dia io ihany koa manembonembona tsy tana Any mantsy i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tsy-afaka
Tsy afaka
lain's rakoto
Mbola zaza angamba Mbola zaza loatra Tsy mba afaka miteny Ankoatra ny hoe;dada sy neny Tsy mba afaka miteny Fa mangina sy mijery Mijery no mba azo atao Mitsikitsiky milalao Bitika aho ka tsy afaka mitroatra Mbola zaza ka tsy afaka manoatra Manohatra izay miseho Mangina mitoreo Mbola kely loatra hono Dia ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/lay-nandalo
Lay nandalo
vals cristian
lanao nandalo anie No tsy afaka ato an-dohako Nahatonga ahy tsy hahare Izay rehetra eto anoloako Ianao nandalo mantsy Tsy mba nitoetra ela akory Ka tena,ila tsy ho tanty Mampalana ahy hatory Satria hanofy ahita anao Miavona sy mampifila Moa izaho ilay be talaho F'ianao milaza fa tsy mila lanao nandalo ihany...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/ilay-endrikao
ILAY ENDRIKAO
samiir lien'ju Rafaralah
Toy ny rano anala Izay madio mangarahara Tarafan'ny tara masoandro Ka mamirapiratra aok'izany. Toy ny raozy anaty vazy Izay tsara kolokolo Mamelana sy maha te ho tia... ...Ka mamerivery dia. Tsy toy ny vorondolo mampatahotra Fa toy ny voromanga mahafatifaty... ...Izay tsara feo tokoa Ka mambabo ny ao anaty. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/foana-ve
Foana ve?
lain's rakoto
Mampalahelo ny fiainana Tsy mba misy azoko itarainana Na ny tapaka sy namana Toa manampy mialangalana Toa zara raha manampy Izy ary hono:mijaly miafiafy Toa maha te higafy Hitabataba mafy Toa lasa very ankehitriny Ireo kolon-tsaina tsika fahiny Ilay lova tsara indrindra Ilay firaisan-kina no hery Toa tsy hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elabakaka/tsindrio-fa-lavo
Tsindrio fa lavo
Ny Avo Elabakaka
Nahetry ny lanjany rariny, navadika ilay tena hitsiny Nofoanana ny tody sy tsiny, nahifika hiala any an-tsisiny Dia samy manao izay tiany ny manambola sy manankatao Manao izay daniny kibony, hanindrina madinika izao. Ny fanambakana no lohalaharana entina hitadiavan-karena Dia izahay madinika ihany no voatsindry, n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fongasy/feo-mibitsika
Feo mibitsika
Fongasy
Fantatra loatra hoe iza sy taiza? Ity feo iray tsy sasatra mitaiza Toa mitantan'ahy hatraiza hatraiza? Ka mibitsika foana hoe: mahaiza Mahaiza hoy izy ianao mitsara Mandiniha akaiky ka mahafantara An'ireo izay voasoratra sy voambara Fa izay sitrak'Andriamanitra no atao hoe tsara Tena mahatsapa aho fa isany nian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/mpangalatra
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/fitia
FITIA
BerthiN AinA
Amiko ny fitia dia ts kilalao Ka ho tapatapahina tsotr'zao Fa ny fitia dia manampetra Ka raha miditra ianao dia vonok'isedra Ambarako aminao ny fitia voajanahary manokana Dia fitia iray ts mizarazara fa tokana Ary fitia ts nambolena fa mitsiry hoazy Izany no fitia maharitra mariazy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fongasy/ilay-fihevitro-diso
Ilay fihevitro diso
Fongasy
Mifona aho Ray ô! Fa saika hahiliko tani aminao Ny fototry ny mafy izay iainako izao Nefa rehefa tena zohiana Dia izaho no iankinan'ny tantarako any aoriana Voavaliko ihany ireo fanontaniana Manadala ny saiko fa saro-baliana Hoe saika hatao inona hampideraina Teo afovoan'ny saha moa zao 'lay hazon'aina? Eny ef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/anl-mikalo/avelao
Avelao
ANL MIKALO
Avelao aho aloha hiteny Hiventy ny tenin_drazako Fa tsy ariako ombenimbeny Ny tenim_pireneko N'iza n'iza sahy mijoro Hanakana ny lalako Na koa hoe hanatorotoro Izato tenin_drazako Aza misy manohana Ny mba faniriako Amin'ny fanandratana Ny tenin_drazako Aoka tsy ho simbaina Ilay maha malagasy Izay efa nolo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fongasy/ampela-soa
Ampela soa
Fongasy
Nainan'ny gn'aiko hataoko firiry Hasentsiko agnatin'ny mofo dipay Ho ramadramatako tsy an-ky tsiriry Hateliteliko tsy miala tey Ataovo eo fa ndre vary maiky Agnilany eo koa gnazy gny sary Hahalany hany aho zaho miaiky Fa ndre ts'isy laoky zaho tsy mosary Vava tsy tà gn'ahy, tegna mba tia Fa tsy mety ho tiany n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fongasy/antsoantso
Antsoantso
Fongasy
Adel wardo Laden ao amin'ny fb No sehatra niandrasako anao elabe Adiresy iray mba hifaneraserana Hifampiresahana,mba mikorana e! Ilay adiresiko matoa zaraiko Ny hitafa aminao mba ilaiko Fa ny mifandrangitra aloha azafady a Ny teny maharary,mampiady Toroy hevitra f'aza somparina Raha misy lesoka ampahafantarin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fongasy/omeo-aminny-fo
Omeo amin'ny fo
Fongasy
Aza terena izy ndh hisaotra Na nomenao zava tsaro bidy Any amin'ny lavak'orony ve ianao no mikaokaotra Nefa any amin'ny sofiny no mangidihidy Rehefa tsy am-po izay atao;atsaharo Fa mamoaka sary mampangaroharo Tantely sy ronono sy lelo nafangaro No totofanao tsiky sy angoty mifangaro Raha hizara zava-tsoa, Ny m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elabakaka/hiantoraka-aminao
Hiantoraka Aminao
Ny Avo Elabakaka
Ray ô! Miandrandra Anao aho na dia efa sisampahoriana Nampahorian'ny fitiavana, nivadian'olotiana Nomeny ny mangidy mila tsy ho lany Fa natosiny hitrotrosina, hianjera eto an-tany. Ray ô! Iangaviko ianao hampahery, hampitraka indray ny loha Sitrano re ny fery, r'ilay fitiavana taloha Ilay olona mba nitokiko mants...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-araka
TSY ARAKA...
RFE Andria
(ady isan'andro atrehin'ny renim-pianakaviana) TSY ARAKA... Maro dia maro ireo zavatra ilaina raha vao mihiratra koa ny maraina Ao ny sakafo tsy maintsy vidiana ho an'ny vady sy zanaka izay ahiana Ny saran-dàlana koa etsy an-daniny tsy maintsy saininy sady omaniny Ireo fandaniana tsy azo ialana ny jiro sy ran...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/maharena-tokantrano
MAHARENA TOKANTRANO
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Maharena tokantrano, teny mamy nozaraina, Ho an’ireo mpifamofo, izay vao vita mariazy. Tsodrano nipololotra, ho tsaroana tsy sandaina; Satria manomboka eo, ho foana ny “ahy sy azy”. Maharena tokantrano, tsy mitaky zava-maro; Koloina hatrany kosa, ilay fitiavana hateza. Tsy ho sodokan’ny akanga tia mifangaroharo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/erictsoa/leo
LEO
Erictsoa
Ry tany feno akaso Tsy ilaozan_dranomaso Feo anao ny akasoparana Fingafingan' ireo namana Famitahan' olotiana Hirifirim_pijaliana Sento no mba takatrao Tomany foana lava izao Leo anao ny foko Leo anao tanteraka Leo tolokoloko Leo no sady reraka Tsy mahatraka intsony Andeha aho tsy hiverina Andao tsy misy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elabakaka/androany-aho
Androany aho
Ny Avo Elabakaka
Androany aho tsy maintsy hitsiky, hanala ny zava-mahory Ny alahelo mameno ny foko, tsy avela ho tonga eto intsony Ilay fisainana mibaiko ny tena, ho feheziko mafy tokoa Tsy avelako avelako hampitolefika intsony na hampitanondrika fo. Arehatro eto androany, ilay herim-poko zay tena mafana Ny andro manjombona rehetr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/erictsoa/eto-antany
ETO ANTANY
Erictsoa
Misafotofom_pamaizinana Ny fiainako eto antany Tsisy hazavana tazana Fa dia rakotra tomany Rakotra alahelo Rako_pahoriana Selotselom_pijaliana No mameno ny tontoloko Zany anefa no eto Tsy azo atao mampisento Mila favononan_tsaina Hiatrehana ny olana Fa fingana sy tolona Zany no eto antany K' aza atao mamp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tody
TODY
Fredy Jaofera
TODY Tsy nandraharaha ianao anefa nekena ka nony tsy raharahina, aza mba taitra fa hanody tokoa no hampivembena ny ratsy efa vita tsaroako mafaitra. Tsy nahakarakara ianao anefa nekena ka nony tsy karakaraina mila ho adala fa misy valin'ny Lasa tsy nojerijerena nampisento mangina sy nampisalasala. Tsy nampiant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/nofy
NOFY
RFE Andria
NOFY Eny an'habakabaka eny ny tontolo ihaonantsika Fonenan-tsoa sy tena kanto izay mazava manjopiaka Ao tsy misy alahelo fa anjakan'ny fitiavana Ao isika no mianoka hasambaran-tomandavana Any ianao dia ahy irery ary izaho anao tontolo Any ny fitiavantsika manitra sy tokam-bolo Ny anao voatokana ho ahy, tsy mizar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/mamiko
mamiko
lain's rakoto
mamiko loatra ianao ry tiako mamiko sy tiako indrindra tsy omeko an'iza n'iza tiako ka tsy atakaloko na ovina na ovina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rayane-tsiarofitia/mitory-inona
MITORY INONA?
Rayane tsiarofitia
Jereo ange ny ratrany 'Zay mivesatra am-pony ao Mitoreo izay izay tsy zakany Malahelo noho ny tsy hamalianao Jereo ny sentosentom-pony Rehefa mahita anao ireny Te-hamoaka izay kobonina No te-hiantsampy hanome ilay teny Fa raha tsapanao tokoa Izato ratra mitambesatra Ilay fitia ananako roa Ilay fitia mila ana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-andriatinasoa-mario-dino/mamiko
MAMIKO
LOVA (ANDRIATINASOA Mario Dino)
Efa mitsimoka ho azo tsapaina any anatin'ny foko ny fitiava-namana. Efa manjavona koa ny taraina raha toa ka miloko ilay hoe tolo-tanana. Fa efa impiry nisedra ny mafy, efa impiry nisedra ny ratsy?? Efa impiry no nialangalana raha ts'isy namana? Eny akia ho doria ka ho mandrakizay ny fiarahantsika. Eny akia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/mams-onja/aloka-mangina
Aloka Mangina
Mam's Onja
-Nisy aloka mangina toa fahoriana tsy nitoetra fa nandalo Izay namporisika ahy Ikalo -Fa efa hitako ilay fahantrako Efa hitako fa tsy afa-miarina Izay nandrendrika izato hatsarako Fa lany talohan'ny ratsiko ny marina -Izay namotika ilay hafaliako Tsy mety, fa mety hisaona Nandrava nandripaka ilay fijaliako I...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/raha-tia-ahy-ianao
RAHA TIA AHY IANAO
Teboka Telo
Raha tia ahy ianao, Aoka re mba tsy ho tsiniko Ny hangataka, ho ahy, ny tananao mba ho fihiniko... Hifamihina ho iray, Ho anio, mandrakizay... Ka ireny tafasirintsika roa 'zay tra-maraina No hamokisana ny saina! Raha tia ahy ianao, Izao no hafatro sy diniko: Adinoy toa tsy nisy ireny lasa sy fahiniko; Reo fit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/sombin-tantara
Sombin-tantara
ANDRIAMASIMANANA Andry
MPITSONGODIA ANTANANARIVO.... Toerana ifaneraserany olona maro avy aminy lafy valon'ny nosy Antananarivo, renivohitry Madagasikara, hita ao daholo rehefa avy aminy faritra enina sy foko 22 ary ireo vahiny maro isan-karazany avy any ivelany. Toerana iray ao ambony tsy ambany tanana ao, tsy ho tononina eto ny anarany,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fongasy/voro-mahery-taizanakoho
Voro-mahery taizan'akoho
Fongasy
Hay moa zany ity zaho ka izao e! Ampitoviako amin'ilay atody Sendra an'ity lahiantitra iray Raha iny harivariva iny no handeha hody Avy any anaty ala fa naka kitay Remby hoy izy ka noraisiny izay no hainy Fa izay renin'atody tsy niasan'ny sainy Ka nampikotrohiny ny akohony mamàna Vao telo andro tao antanàna Di...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/fanakona-masoandro
FANAKONA-MASOANDRO
RFE Andria
FANAKONA-MASOANDRO Nahita aho dia ahoana? Ny fiainako eny foana ny anjara hasambarany toa takon'ny tantarany dia tantaram-pahantrany hany hitany eto an-tany... Eny e! soa aho nahita teto fa tsy tany am-pita masoandro takom-bolana volana misolantsolana te hanamaizina ny tany efa rakotra tomany... Volana ô! ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andr-rakotondranaivo/ny-afo
Ny afo
André RAKOTONDRANAIVO
Ny afo rankizy Mandoro izay tsy izy Mampiditra angano Mandoro ny trano Mandoro tanety Ka tena tsy mety Hatao kilalao Dia avelao Izay tia kirairay Hanenina mafy Ka kila sy may Ny akanjo tinafy Mitandrema Ry tia setrasetra Voakilema Mba hampanjoretra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahina-fabien/tsy-voatery-apetraka
Ny FITIAVAKO ANAO
Tahina Fabien
NY FITIAVAKO ANAO Ianao ry tiako Ny anilanao no tiako Raha misedra tsy ariko Fa ho leferiko dia iafiko Ny fitiavako tsy lefy Tsy mba misy ankanterena Fa safidy tsots'izao Ny itianao ry sombiniaina Inty no tarigetrako Dia teny soa no mba ampetrako Ninoninona itranga Dia ilay fitia tsy ho rava Tiko loatra ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-zanako
NY ZANAKO
Fredy Jaofera
NY ZANAKO Fenomanako, tsanganako, fananako, tantanako, fiadanako, nianianako, taranako, ny zanako.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/loza
LOZA
Fredy Jaofera
LOZA Ny lapa ?... May ireny ka dia may ! Tantara ihany sisa !.... Mirongatra eto indray ny alahelo mila kisa. Ny rova ?... May ireny ka dia may ! Vetsoina ihany sisa !.... Mbola misy sy mivay 'tony sento mikorisa. Ny afo ?... Maty ireny ka dia maty ! Tsaroana ihany sisa !... Mitsakotsako anaty 'rony loza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/sax-sarengy/hery-afa
Hery afa
sax sarengy
Toa nisy hery Zay tsy aiko velively Fa to afahafa Nanosika ahy hilaza Ary hanazava Aanery ahy hitafa Lay foko toa nangotraka Zay ela tsy nisokatra Tsy hita ho sakanana Fa nitady lalana Sy irika ivoahana Ra vao nahita namana Indryndra moa fa ilay Niriany hatrizay Dia , tsy iza fa ianao Toa vetivety kely ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/nandiso-fanantenana
NANDISO FANANTENANA
RFE Andria
NANDISO FANANTENANA Ny politika malagasy ho'aho ataon'ireo mizahozaho dia politikan'ny ady seza fitadiavana ho ngeza hanagiazana harena hambotriana firenena bahanan'ny fitiavan-tena... Angaha tsy efa mahonena!!! Ny vahoaka no ampiasainy hahazoany izay ilainy ataony tohatra fiakarana avy eo dakany tsy hiarin...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fongasy/fitiavani-neny
Fitiavan'i Neny
Fongasy
Raha sanatria ka manorisory Na tafahoatra izay lazaiko,anesory Raha misy diso,ahitsio fa hovaina Ny fitiavan'ny Neny no tiako lazaina Azo sary an-tsaina sy tsarotsaroana Ny tsiro sy hakanton' izany fotoana Ankafizana torimaso eo ampofoana Izay milamina sy mamy fa i Neny no anoloana Vitan'i Mama ange zao ny namo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/ventso-an-tany-karakaina
VENTSO AN-TANY KARAKAINA
Fano
Iza no hanoina Izato ventsoko mangina Ventso an-tany karakaina Mbola miandry ilay maraina Diamanga tsisy tohany Dia toy ny biby tsisy lohany Ilay ventso manirery K'avelao hirenireny Antsoantso lalandava No injao fa re manavatsava Ny aizim-piton'ilay saina Mbola miandry ny maraina Antsoantso miampy sento Mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahy/iza-ary-aho-maraina-ny
Iza ary aho?? Maraina ny
AHY
Iza ary aho?? Maraina ny andro Marainam-pahoriana Maraina tsy mis masoandro Maraina fangirifirina Iza ary aho?? Ts havan maro Ary ts havan manana Fa ilay mpadalo Mitsindroka vao homana Iza ary aho? Ilay mahantra faran-gidiny Mahantr ts mis mpijery Mahantr ts mis vidiny Mahantr mivelon irery Iza ar aho?? ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/creta/idealy
IDEALY
creta
Ianao ilay vonikazo Diamondra feno hatsarana Eny ravaky ny lalana Aoa aminao ilay hanitra meva Lanto ianao toy “eva” Ilay tsikinao manja no maneva Ny anaranao no hiraiko Ianao mamy nolalaiko Fa ny Hatsaranao hajaiko
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/dia
DIA
Fano
Mankaiza izato lalana Hizoranao ry mpivahiny? Andeha hikatsaka fiadanana Sa hanenjika 'lay tiany? Mahaiza mamindra Fa mbola ho lava Mba ho mirana indrindra Raha tojo sahaza Herezo ny saina Tohano ny fo Araraoty ny miaina Ka lanio @ soa Fandalovana ny tany Ny rendrarendrany tsy ho lany Fa ilay fiainana tia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/trmich/mafinaritra-ahy
MAFINARITRA AHY...
TrMich
Mafinaritra ahy ny miresaka aminao Na maraina na atoandro na hariva toy izao Indrindra rehefa izaho iny vizaky ny andro Ianao foana no hany mpampijoro ny masoandro... Tsotra dia tsotra ianao ka tsy dia manafina amiko Nolazainao avokoa ny niainanao rehetra... Na ny mafy na ny soa, tsy nasinao fepetra... Hany ka, ...