url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/vorona
Vorona
lain's rakoto
Manidina Misidina Hanakatra Mitakatra Ny lanitra Ravorona Hitety ny abakabakin'ny lanitra Efa ela no niaritra Nipetraka sy reraka niresaka Tao anaty trano kely Dia hisidina Hanidina toy ireo anjely Hitety ny abakabakin'ny fiainana Hanandrana hihinana Izay rehetra tiany Miliba sy anadino ny fahiny Dia mi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/fiononana
Fiononana
harylovah
Ny bika leitsy ananany a, Ny tsikiny dia lafatra Fa ny rantsan-tanany No efa misy hafatra Dia pera-bolamena No efa manambara F'efa vita fanekena Izy iny, ka voarara. Efa_ela, leitsy, izy iny No mba notsiriritiko a Fa meva tsisy tsiny Kanefa tsy voasintoko Raha ny tena marina Tsy niangaviako akory Iriko an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charlotte/fitiavako-any-neny
Fitiavako any neny
Charlotte
Fitiavako any neny ... Misy fitiavana iray eny atramizay Mitombo ombieny dia ny fitiavako any neny Izy namahana nitaiza fony aho mbola zaza Tambitamby re izany nanome fitavana aokizany Fitia tsy mitanila tsy adino na rahoviana Izay miraikitra ao am-poko sy mandravaka ny foko Ilay nisotro ny tsy fisotro no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charlotte/fombanny-tanora-...-.-ni
Fomban'ny tanora ...
Charlotte
Fomban'ny tanora ... Nilaza tena tia Nilokaloka fitia oe mandrakizay doria Ay vava fotsiny ihany Nilaza tsy andao Nifanamby tahak'izao oe zay misy ahy no misy anao Ay vava fotsiny iany Dia nanambitamby sy nanao voady oe isika no hivady Ay vava fotsiny iany Dia nampitondra fery Leo izy ka tsy nijery oe en...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/fo-manantena
Fo MANANTENA...
Antsa tononkalo.R
voron-kelin'ny "FO MANANTENA" Kopak'elatra vonona hiampita, Fanantenana ho tojo ilay tiana; Finoana ho tojo, ho tafita, ilay lakan'ny faniriana. Nefa, kopak'elatra ho aiza? hiampita; no mihevitra hihoatra irony farihy! tokonana anefa tsy vita Kopakopaka sahady...mandihy. kopak'elatra toa vonon'kanainga any h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/niova
NIOVA
Zoky Eric
raha vao tonga ny maraina dia izao no ao antsaina ao aminao aho no hitaraina ho rava ny hakiviana tsy hisy ny fijalina fa hiova hafaliana ianao niharitra ny mafy voarora sy voajapy nohendahana fitafy ray ô, nohon'ny otanay no hifonanay indray miandrandra ilay fiainana mandrak'izay ny fijaliana izay tsy tant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charlotte/kamboty-
Kamboty ...
Charlotte
Ndrisy ilay saika nianteherana indro efa nandao Tsisy tsony ny intarainanana satria kamboty enao Iza ndray no anambitamby tsy mba reto havana Voamaik'ireo mandrabiraby ilay kamboty tsy mba manana Ka rehefa ny havana mitaiza enao tsy afaka ny iangoty Fa voabaiko hatraizatraiza Satria enao anie kamboty Io na ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/lasa
LASA
JERY
LASA Aza androtsahan-tomany ny lasa Aza ikipiana famindra ny ho avy Aza iaretana ela ny ratra Fa ndehana mitotoa koba hatavy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/ovy
Ovy
lain's rakoto
Kanto sady lafatra Ity zavatra ity Tsy lavalava akory Moa tsy tena boribory Misy loko maromaro Endrika roa mifangaro Tsara tsy misy taharo Zavatra iray tena soa Afangaro amin'ny hena kisoa Manana anarana maro Tena tsara izy raha afangaro Afangaro amin'ny katsaka,mangahazo, voanjo bory N'inona ataonao Kanto...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/setriny
SETRINY...
RFE Andria
SETRINY... Ritra irony hehiko Foana koa ny tsikiko Nanaovan’ny ankaso Sompatra ny tenako Ka zary ranomaso Sy fatran’alahelo Sisa no tavela Tsy satriko zaraina Aminao rahavako Ka naleoko niery Nanepoka tsy hita Tsy ho mandrakizay Fa mandra-pisindan’ Ny raho-mitatao Toky no omeko F’izaho tsy nandao Ny fo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charlotte/valifaty
Valifaty
Charlotte
Valifaty mangina ... Eee! izany fandeferako tsy midika faharesena Izay vitany honerako dia mangina ny fahendrena Haleoko mody adala ary akomboko ny vavakoa Satria maro ny mpankahala manaratsy ny anarako Ao ariana ny mpanenjika hefiako raha manozina Ho oavy reha ny valifatiko amin'ny ora tsy ampozina
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenohasimpitia/indrisy
Indrisy!!!!!
fenohasimpitia
INDRISY!!!!! Indrisy ry fitiavako Mahonena zato ianao F'ilay nataoko ho havako No indro fa nandao Indrisy ry fiainako Toa potika sahady F'ilay saika hitarainako Tsy nahaefa ny voady Indrisy ry foko Toa tsy haiko ny hionona Fa Feno sento sy toloko Ilay saiko efa vonona Indrisy ry hoaviko Izay natenaiko mba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/trangam-piainana
TRANGAM-PIAINANA
hjravs
Sôva kely momba ny "koveta", (mifono anatra) Ny lohako sola; Ny zanako sivy; Ny fitadiavam-bola; i Rasoamarikivy tsy nisy tsaroako fa ny masaka an-dohako dia hividy "koveta" amin'i Boziboleta. Ny "kovetan'i Bozy" manko kanto tokoa ka mahate-hamerina hiteny in-droa hoe "koveta-kovetan' i Boziboleta". Ny "ko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/rivotra-inona
Rivotra inona?
lain's rakoto
Fa rivotra inona ary ity? Toa mifofofofo be! Mafy loatra ny hafainganam-pandeha! Rivotra inana ary ity e? Tsy tadiho tsy tafiotra Mirimotra tsy hita! Toa mirimorimo be! Rivotra inona ary ity e? Tsy mandrava tsy mamotika! Fa hitako handrotika! Handrotika ny tsara! Ireo tsara karakara! Fa rivotra inona ary it...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andrianaivo-paul/ny-ahy
NY AHY
ANDRIANAIVO PAUL
NY AHY Raha ny anarako no tianao ho heno, Dia anarana tsotra sy tsara famemo, Anarana tsy hain'ny molotra sima, Tsy dia tsara nefa mahaliana. Raha ny tantarako @ ankapobeny, Dia feno sento ombieniobieny, Anjakan'alahelo sy tomany, Raha ny fianako eto an-tany. Raha ny tantarako dia lava loatra, Fa mahonena sy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/kanto-mitaraina
KANTO MITARAINA
Fano
Andraso hiato kely Ny sentonao ry sombiniaina Fa ho atoroko môdely Dia ilay kanto mitaraina Fa ianao no hery Sy vahatry ny ainy Ka hatsarao ny fijery Ndrao ho very sy tsy hainy Ilay kanto manambatra Soa mampiray Izahay tsy manavaka Fa vonona hiray Ilay kanto Malagasy Dia ny soratra sy teny Ilay riba tsara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-jouany/hasakasakareo
Hasakasak'areo
Ra-jouany
HASAKASAK'AREO Hasakasak'areo 'zay nanjanaka sy nambotry an'ity firenena Ka nandany ny haren'ny taranaka sy namono ny fahaleovan-tena Mba ho zakanareo ve ny tsininy R'ilay mpaka ny tsy nosasarany Sa noheverinareo ho adinony 'Zay voarakitra ao @ tantarany? Hasakasak'areo 'zay manaraka sy manohy ny fanabotriana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ra-jouany/tsy-ho-ekeko
TSY HO EKEKO
Ra-jouany
TSY HO EKEKO Vohitra iray mitokana lavi-pandrosoana: Io no mba tanànako Zara misy ialofana Feno fahalotoana: Kanefa dia hiadanako Tanàna mangingina foana rendrarendra: ao ny tanindrazako Maro mpanakiana Tsy mampilendalenda: ao no misy ny havako Tany be mahantra hiadanam-pahavalo: no hany fireneko Na mis...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/ho-mamy-rahovina
Ho mamy rahovina???
Ra'Ony
Ho mamy rahoviana ny miaina an-tany raha toa 'lay fisiana tsy hahalala izany herim-pitiavana manosika ho tia mba hananan-kavana ra sendra very dia? Ho mamy rahoviana izay fahasambaranao raha izay nihaviana ilay tany lovanao feno fankahalana lonilony lava izao ny teny hoe malala efa potika sy lao? Eny ho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/domoina
domoina
lain's rakoto
domoina kely tsy mena mitahy ilay vorona keliko izay vorona kanto tsy misy toa azy ilay domoina keliko izay 18_10_16
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/aza-matahotra
aza matahotra
lain's rakoto
se aza manahy raha ny momba ahy fa ny ho avy tsika roa efa hitako ry soa ho avy feno fitiavana zaraiko aminao rahavana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tia-fa
TIA FA.....
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
1- Raha misy ny mpisolo vava! Azoko hampitondraina izato teny! Dia tsy handrasako ny mazava, fa na alina aza irahiko izy ireny. 2- Satria tia aho fa miahotra, tia anao fa matahotra! Ny hilaza izany aho tsy sahy, Tia fa miahiahy. 3- Dia hoy ianao hoe " tsy lehilahy ", ity izaho izay tsy sahy! Tsy ianao marina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/mbola-tsy-hay
mbola tsy hay
lain's rakoto
androany aloha mafinaritra tokoa ny fiarahantsika roa indrindra ny alahady nifanaovana voady izay tsy azon-tsika roa kosehina ny alahady mamintsika tsy avelan_tsika hangatsiaka ny ho avy mbola tsy hay hoe anao akory izy izay mbola tsy hay
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/saraka
Saraka
Ra'Ony
Efa maina ilay raozy nokoloina mba handravaka ny mombatsika nivalana tanteraka lay hira nokaloina... Lay fitiavana lalaina efa nangatsika... Ra hiverenana ny lasa moa hisy hino ilay dina nokinasa hoe rahatrizay anefa ankehitriny foana sy adino voafetra ilay hoe mandrakizay Ngamba hoa aky ra toa ka visaina ireo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charlotte/tso-dranom-pisarahana-
Tso-dranom-pisarahana ...
Charlotte
Tso-dranom-pisarahana ... Voa aloha dia mangina aleo ivalona ny lasako Tsy iantsoko tody na rahovina na tsy ho sitrana aza izany ratrako Koa misaotra ihany aloa amin'ilay fitiavana nindramina Misaotra reha nandratra fo namela ratra tsy hay sitranina Aleo aho no izaka ireo mangidy zay tsy teliko 'Zaho anie mb...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/a.j.r/fo-tia
fo tia
A.j.r
Sambatra ianao manan olon-tiana.tiana itafana satry hitosiana!.tretrika tokoa miavaka@ maro .mambabo ny ao am po tsy tiana hifangaro. Toa volam-penomanana ny eo anilany eo.tsy misy na toloko lavitra toreo.fa ampoka tokoa feno hafanana.ny aizina nisava tonga ny hazavana. Ny andro nahitany ilay endrikao niserana.maika ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/ra-hevitra-letrezana-hand
ra hevitra letrezana hand
Ra'Ony
ra hevitra letrezana handetehana vahoaka sady hiniana tetezina raha mitady ampamoaka ny sata-pirenena izay nosihosena Dia tsy ho tonga hatraiza ny fenitra tratrarina tsy hitondra fihovana raha toa ka tsy hierana vao maika ampikoro ny zavatra najoro
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charlotte/mafy-horina-efa-mafy-hor
Mafy horina ...
Charlotte
Mafy horina ... Efa mafy horina mifamatotra ny tanana Tsy laitra hozonina ao ampoko ilay fitiavana Nizaniza olombelona hankahala na anaratsy Ilay fitia tsy hay afenina Fa voamaika arantiranty Koa samia matoky tena ka ho lahitrin'ny ao ambony Ny anjara ho resena ka tsy hisaraka intsony Dia ho lava izany dih...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/angamba
ANGAMBA
Fano
Angamba tsy ho diso Rah'toa ka manontany Ny lalana mideza Sy ny fiainana any ho any Angamba tsy ho tsiny Rah'toa ka mananbara Na dia averina im-piry Ilay fitiavana sahala Angamba tsy ho kivy Rah'tojo fahasarotana Na dia ho andry iray ny ngidy Izay tsy ho ariko sakanana Fa angamba hifameno Ilay volana balia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/trmich/tanna-foana
Tanàna Foana
TrMich
Lasa aiza daholo ny olona tety Noho tany sy trano no sisa tavela Ireo trano nahafinaritra amorom-parihy Toa efa ringana efa elaela Tanàna mamiratra 'tony fahiny Tanàna tsara, mitokana kely Tanana tena mba tian'ny vahiny Tanàna tsy miankina,fa mahavelon-tena 'zao izy ity toa ahitra sisa Tany malahelo tsy misy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/mila-anao
MILA ANAO
TSY RENDRIKA Spica
Toy ny ketsa diva ho maina Manantena ranon'orana Antoky ny taona zina Manina anao ny saina Te hianoka hasambarana Eo anilanao ry tiana
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/neny
neny
lain's rakoto
tsy foiko eto an-tany ilay neniko izay Neny malala voaloham-pitia Nanabe nitaiza Nizara fitia Olon-tiako voaloha teto an-tany Mampahery ahy raha sendra tomany Neny malala tsy foiko Tia ahy foana na jiolahim-boto Olon-tia ahy no sady tsy foiko Ry neny tiako Mpanitsy diako Mampitraha raha sendra toloko Neny ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/ilay-fiadanana-ato-anatiko
ILAY FIADANANA ATO ANATIKO
TSY RENDRIKA Spica
Toy ny trondro kely iray Izay efa milomano Nefa manontany indray "Aiza ho aiza moa ny rano?" No nikatsahako anao Tao anaty taona maro Ka nandreraka ny aiko Ry fiadanana lalaiko Vola ohatrinona no laniko Nividianana hafaliana Saingy fohy ireo ora mamiko Tonga indray ny hakiviana Hery betsaka no veriko Nanam...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/charlotte/nofinofy-...-zany-nofino
Nofinofy ...
Charlotte
Nofinofy ... Zany nofinofiko oe izy no ho tatanako Handray ny fitiavako dia zaraiko izay ananako Nofinofy adaladala oe izy no ho tamana Hitondra hafanana Dia antsoiko oe malala Nofinofy neny ny tenako oe izaho no ho anjarany Ilay nofy tsy anenenako Raha omeny ahy ny tanany Nofinofy ihany zany mety tsy ant...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/hosoloiko-ianao
HOSOLOIKO IANAO
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Tiako ianao ry tiako. Nefa alako ny toetranao! Ankafiziko fa hanifihako, Ny fitiavana anao. Ahiliko fa tsy andriko, ela loatra ka alako. Hosoloiko ianao na dia mamiko, esoriko aminao ny fitiavako. Dia hafindrako any an-kafa, R' ....., hosoloiko ianao! Vonona aho ny hamafa: "Ny fitiavana anao." Eny hamafa a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/hody-aho
HODY AHO
RFE Andria
HODY AHO Tapak'hevitra ny saiko: tapak'hevitra aho fa hody! Hody aiza anefa? Tsy haiko, ts'isy hodiana! Aza manody Moa hody any amin-kavana? Tena hevitra tsy mety; ireny toa manavangavana raha tsy hoe ianao mirenty Ny any ambanivohitra any tsy tranon-dray, tsy tranon-dreny raha tsy hody vovoka sy tany lasa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/tsy-hary-hanadino
TSY HARY HANADINO
Antsa tononkalo.R
Tsy hary hanadino, Hovaina foana ny lalan-kombàna, tsy ho any aminao ; kanefa ny dian'ny foko mankany,mankany ... Ny lohako foana no mety ho voatàna, tsy hitazana anao ; kanefa ny saiko dia mierika ihany ... Hakimpiko foana ny maso midiry, tsy hahita intsony, ilay endrinkao, anatin'ireo fitsiahy ... Rehefa ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/etsy-hafarako
etsy hafarako
lain's rakoto
ra vorona manidina Misidina Tsy mety miatsingidina Etsy mba hafarako Hafarako raha toa ka mba ho any aminy Ho any aminy any Hanambara izany alaheloko Indrindra fa sentosentoko Ny tokoko lava Manjombojombon-dava Manjonetra toy zaza Zaza nilaozan-dray Lazao azy ny hafatro Dia mba anontanio izy Anontanio fa ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilmamy-a/hanonja
Hanonja
iLémamy A
Toa ferana voamaika mikiry Ho rarana toa voamai mankadiry Miziriziry tsy hita ho sakanana Miriorio tsy haiko ho tanana Voamaika mafonja, toa te hiara hanonja Ny ao anatiko ao Mandaoka fery,tsy te ho irery Ny ao anatiko ao Toa te hiara hiventso,te hiara hitempo amin'ilay fonao izato foko mianatra mitia Ka aza ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-rendrika-spica/banga-anao-ny-fiainako
BANGA ANAO NY FIAINAKO
TSY RENDRIKA Spica
Telo andro monja tsy ahitana anao Dia zary mangingina sy tsy miteniteny Ny saiko mbola miady,mbola tsy matoky Hoe tsy nofiko ary ve ireny rehetra ireny Dia lasa tia misava izao rehetra izao Ary lasa liana amin'ny fiainanao Voajery avokoa rehefa sarinao anaty tamba-jotra Voavaky impiry impiry ireny hafatrao na ar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenohasimpitia/mpitondra
Mpitondra???
fenohasimpitia
Mpitondra hono!!!! Vao nandeha ny propagande Dia hoe i Lery no tena bandy Ho mahavita zao sy zao Ny tsy misy aza "ndeha hatao" Atao faoksionera ny FRAM Ny AGÔA ko alamina Ny EPP sy CEG Haloa daholo ny "FRAIS*" (*Sara-pisoratana anarana) Tsy 'zany anefa no nitranga Fa vao maika niha-banga, ny tahirin-dray ama...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zaza-vaomaly/hofahatsiarovana-ahy
HOFAHATSIAROVANA AHY...
zaza vaomaly
"HOFAHATSIAROVANA AHY..." hofatsiarovana ahy... apetraka eto androhany ny diam-penin' ny fanahy manoboka androany hofatsiarovana ahy... ilay mamerina tsiahy itondra nofy hamelobelona aina hofatsiarovana ahy... hamatarany ahy ny kato zay ataoko vetsony ny fanahy vaomaly
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ramamonjy/andonranomaso
Andon'ranomaso
RAMAMONJY
Andon'dranomaso Andon'dranomaso no nameno ny fiainako toa tsy nety ho voafafa fa toa vao maika nahakotsa ity vatako Ilay androm-pahoriana no niaretako tamin'ny andro sy ora maro izay niaretako ireo fijaliana izay nitraotra tato anatiko ilay andon'dranomaso zay nianjera tato anatiko nihombo hatrany hatrany toa mar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/zaza-vaomaly/-ry-lahatra
- zaza vaomaly
zaza vaomaly
" Ô RY LAHATRA ..." O! ry lahatra oo!! miangavy anao a re?? ataovy anjarako iny... O! ry lahatra oo!! ry vintana sy tendry hapio re zahay mba hotanteraka nenay O! ry lahatra oo!! ry kitana fiandry anjara-vintako iny ry hery tsihita maso fatatrao ny tajonay ho tafa
https://vetso.serasera.org/tononkalo/elabakaka/fitia-manalasala
Fitia Manalasala
Ny Avo Elabakaka
Tia hanidina aho fa tsy afaka Tia hikopaka fa tapaka Tia hiantoraka avy hatrany Saingy tsy afaka ny ho any. Tia hijery aho, saingy kosa Tsy mahatanty fosafosa Ny ho ataonao resaka Ka aleoko aloha mipetraka. Tia hiantso aho hoe malala Ndrao anefa lazainao ho adala Ka aleoko aloha mijanona Sady izaho tsy tia s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/santatry-ny-omaly/avelao-
Avelao !
Santatry Ny Omaly
Angamba ianao hanenina Hahatsiaro ny fahiny Rehefa injay hitelina Iny ranon' embona iny Angamba ianao handre Ny feon' ny efa maty Mbola koa miadala hoe ! Raha mba teto mantsy ! Fa any foana angaha ny saina Ny fo sy ny eritreritrao ! Fa ny azy ange ny aina Efa ambadika tontolonao ! Avelao ny fony mba hatory...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/tantara
Tantara
hjravs
TANTARA Tapaho ny lohany (Fizarana faha-telo amin'ny fonjan'olomarina) Raha valin-keloka natao na tambin'ny ota vita dia azoko ekena ho famaizana ny famonjana ahy, fa raha kenda roroka atao mba hanagiazana ny marina tsy hivoaka dia hakanosana ny fanekena hogadraina ato. Nijoro teo afovoan'izy dimy lahy aho raha nite...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenohasimpitia/lavitrolo-tiana
Lavitr'olo-tiana!
fenohasimpitia
Lavitr'olo-tiana! Any ianao ry tiako, any alavidavitra any Izaho aty mangina, misento, mitomany Mitomany anao, ianao 'lay malala Malala tiako indrindra, mila ahalasa adala Tsy marina ny hoe: "lavitry ny maso, lavitry ny fo" Fa fandemen-tsaina io, ho an'ny kely atidoha Fa ny lavitr'olo-tina, mampitombo ny fitia ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ikala-hafa
IKALA HAFA
Fredy Jaofera
IKALA HAFA Zanak'Ikala hafa dia tonga sahafa tamin'izay naleha taona maro be ! Zanak'Ikala hafa dia navela hijafa fa nanana otripo tany sy tsy lo. Zanak'Ikala hafa dia tsy tia nitafa fa ny latsa sy fosa no hay ka nisosa. Zanak'Ikala hafa dia tsy mpamafa ny sento nanadala ho an-jorom-bala.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/antsa-tononkalo.r/ahatsiarovako-anao
Ahatsiarovako anao,
Antsa tononkalo.R
Ahatsiarovako anao, 'lay masonao baliaka,mitsiky miran'andro No sisa mba tavela,mitrotro ny fanahiko; Mamelona ny tsiahiko... Ilay feonao manako!,nanao veloma farany... No raikitra antadidiko,nanaitra indray ny foko; Namoha ny varavarany. Dia njary sarobidiko : Ny andro, ora mira, Fahiny tahak'izao ! Dia mbol...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/angamba
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/voakazo
Voakazo
lain's rakoto
Notazako Fa tazoko Efa masaka Ilay voloboka Hitako fa masaka Nanintona ny masoko Hioty ilay loko Loko iray marevaka Mambabo ny ato anaty Hioty ilay voakazo Tsara tsy malazo Otazako fa efa masaka Ilay voakazo lafatra Ho aniko amin'izay Lafatra izy izay Vokazo tsy azon'iza alaina Izaho ihany no mioty Soa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/gasikara
Gasikara
lain's rakoto
Sola aho ity Zara raha misy mpitia Antitra aho Tsy mba toa anao Toa zary nofy sisa ny taloha Ireo fitafiko kanto sy soa Niova avokoa Hatramin'ny nify tsisy intsony Zara raha mba misy hihy Hitsikina sy hiomehezana Efa godraka sy reraka Mametsovetso sisa Mandrevorevo ireo vita Ny lasana rehetra hatramin'izay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/neny-hafa-kely
NENY HAFA KELY
RFE Andria
(Nosoratana noho ny fahatsapan'ny zanaka iray toa fankahalan'ny reniny azy) NENY HAFA KELY Neny! tankina ny teny gina koa ny vavako, manorika ny tavako ny rano tsy voafefy sady tsy voarefy mitobaka avy am-po mampaharary an-doha... Neny! hoy ny hiaka tsy reny nivoaka tato anatiko nitroatra fa tsy tantiko M...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yonja/fity-sovenira
fity sovenira
yonja
vao misokatra ny molotro dia arahaba no atolotro Arahaba taratasy amn' teny malagasy misy zavatra olazaiko manahirana ny saiko fa izao no tiako ambara fa izao tsy olava resaka sovenira kely monja no atolotro anao lay teny kely fa mahafonja dia mteny hoe tiako enao le ciel lanitra mon dieu no andriamanitra ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-toky-ntk-/gasikara
GASIKARA
Ny ToKy ( NTK )
Gasikara o! Tiako ianao Saingy ny mpitondra!! Inona moa no mba vitany? Asa!? Ny hampahory! .Ny tsy hatao dia ny ho kivy Satria ninia mikipy maso Ny ho avin'ny tsy mba misy akory! Fa ny fiainanao dia takon'ny ankaso! .Tiako ianao matoa izaho mijoro! Ka ny hany faniriako dia ny hampandroso! Fa ny rindrim-bato i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asn-guitariste/tanora-impiry-ianao-iain
TANORA Impiry ianao iain
as'n guitariste
TANORA Impiry ianao iaina Ny fiainan'ny tanora? Ndehana dia mizora F'aza iasana asaina Ny resaka ara-bola Minàna raha mahita Fa ny eto tsy hitahita dia... Entona sy rava..! Ndehana koa mitiava Zavavy iray mahazaka... Zavavy tsy mpandatsa Rehef'ialahy ka lavo...! fa... Mahay manafosafo Mahay manambitamby...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asn-guitariste/ianao-ianao-ilay-olona-te
Ianao Ianao ilay olona te
as'n guitariste
Ianao Ianao ilay olona tena tiako Hitambatra aminao no nandaozako ny fianakaviako Tena tiako ianao na dia miadiadi-kely aza isika indraindray, satria efa voady ny hoe mandrakizay . Ianao ilay olona nomen'Andriamanitra ahy Feno aminao avokoa ny hatsaran -tarehy,bika sy toetra ary koa fanahy Tena vonona aho ny hamakivaky...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lay-fo-hafa-kely/tsy-tsapanao-sa-efa-fatarao-fa-mody-idinao-tsy-fatatra
tsy tsapanao sa efa fatarao fa mody idinao tsy fatatra
schaye one jah
enao mba any fanatenako nefa indrisy fa tsy tanteraka enao niriko mba ho namako anilako nefa tao lasa nofy tanteraka za mintsy angamba no diso tsy nilaza izany taminao ry piso nefa ny fietsiko sy firesako ve de tsy tsapanao oe ato anatiko ato de feno fitiavana anao tao zava lasa mampahory fa mandratra ny fo ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asn-guitariste/ny-ianao-tsy-tany-nahava
ny ianao tsy tany, Nahava
as'n guitariste
ny ianao tsy tany, Nahavatra teny mamy! Tambitamby ho azy, Ny toky sy voady! Hampiakatra ho vady. Hay kabary am- bavahady, Ihany izy ireny,fitaka fahatany; Ireo toky lokaloka, Fa rehefa hitanao bevohoka, Nisy foron-jaza, Ary zanakao mazava. Dia iny ianao no niala ; Ninia tsy nahalala, Ny tena zava-nisy. Fa lasa ianao n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vouromanga/vonjeo
VONJEO
Vouromanga
Ry malagasy,nitondra anaran-dReny jereo ange ianao,mahonena tsy miteny. Manaiky ho daboka sy iva,tsy tafajoro intsony voahitsaka miadivotr'i ny hafa sy ny ambony. Ka nahoana loatra re,no tsy mahaloam-peo? aza manaiky ho lavo,ny taninao vonjeo; mitsangàna,mitsangàna,ny taninao vonjeo. Ry tanora namako,andao hiara...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vouromanga/izay-no-izy
Izay no izy
Vouromanga
Nolazainy ho mpandroba, nataony ho mpibodo, noheveriny ho mpanery, nosaininy ho kifetsy, nohesoiny ho ho kinga ratsy, ilay olo-tena tiako. Kanefa raha lazaiko: noroboainy re ny foko, nobodoiny koa ny vatako, notereny koa ny saiko mba ho fetsifetsy sy ho tena kinga ratsy amin'ny hevi-dratsinao.
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asn-guitariste/aleo-aho-aleoko-ry-zoky
ALEO Aho!
as'n guitariste
Aleoko ry zoky tsisy ahy teto an-tany Fa ny andro iainako toa Feno tomany Aleoko matory ka tsy hifoha intsony Eny, aleo aho faty amin'izay aho hotony 'Lay volana mba niratra omaly Zary haizina be toa nankarary Kivy aho ry Zoky, tena resin'ny fiainana Aleo aho handeha fa tsisy hitarainana Mafy ry Zoky no niainak...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vouromanga/iny-ianao-iny
Iny ianao iny
Vouromanga
Iny ianao iny,no nozahaiko anaty maro tiako ho atonina,tiako atao takalo. Iny ianao iny,no mba tiako hoatonina handaniako ny hareko,efa ela no nangonina. Iny ianao iny, no nataoko ho fikàsa omena fahasambarana, nahatonga ahy iasa. Iny ianao iny, no mba tiako atao malala hiara-dia mandrakizay, ho ato am-poko tsy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenohasimpitia/fitia-hafakely
Fitia hafakely
fenohasimpitia
Sahirana ny saina, tohina ny fo Namaky ilay tononkalonao, vao maraina vao mifoha Tononkalo tena kanto, voarafitra manokana Tsy natao ho an'olo-maro, fa ho an'ny olona voatokana Tononkalo tena mamy, tsy afaka ao am-bava! Tsy hangidy mandra-maty, ny alahelo koa hisava Ny fahoriana rehetra, ho tonga fifaliana Rehef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/fahatsiarovana
FAHATSIAROVANA...
RFE Andria
FAHATSIAROVANA Tsy afaka ato an-tsaiko akia ilay endrikao misariaka miramirana fitia toy ny volana baliaka Mbola tsy afaka ato am-poko ireo hirahirantsika fa injao mandokoloko ny tsiahy tsy mety hipiaka Tsy afaka ato an-dohako ato ny mombamomba anao rehetra fa injao manakoako toy ny mamy ts'isy fetra Fahat...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/schaye-one-jah/enao-tiko-mba-ho-eo-anilako
enao tiko mba ho eo anilako
schaye one jah
tao raha nandinika ny saiko midobodoboka ny foko fa ilay fitiavako tao lasa miatra amin'ny aiko ny oe ny amelanao irery tao tsy aiko fa ny any mba faniriko ny oe anilanao fa ny fo sy ny fanahy efa babonao fa any aminao daholy antsarana eo aminao ny akako ny afanana vonikazo aingo ny zaridainako tantely ny fia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tononkaloko/tiako-izy
Tiako izy
Ny Tononkaloko
Satria tiako ianao Niaretako ny mafy! Ahatsiarovana ny natao Ilay fitiavana nafafy! Satria tiako foana! Ka na dia lavitra aza! Efa tokana ny voady! Dia hanaja anao hatrany
https://vetso.serasera.org/tononkalo/schaye-one-poety/tiako-enao-ry-ilay-zazavavy
tiako enao ry ilay zazavavy
schaye one poety
Tiko enao ry ilay zazavavy Enao nomba ataoko andefimandry Nizaniza tsy andrava ilay fiarahana Ninina zavatra atao de ifanome tanana Nahantsa mideza aza No andehanana ko mba haitako anao Tsika ko ef olondehibe fa tsy zaza Fa ny fitiavako tsy kilalao Anilanao no tiko zazavavy tsika sy ndry no ho lasa mpivady Ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenohasimpitia/ianao
IANAO!!!!
fenohasimpitia
IANAO!!!! Ianao le tovovavy, hitako kisendrasendra Tao anaty "SITE" iray, ho an'ireo zay toka-tena Ny sarinao, ny endrikao, no nikitika ny foko! Ianao rery no nanaitra, nanaitra 'lay ambom-poko Ianao irery no nofidiko, t@reo alin-kisa Na Gasy, na vazà, sy ireo tsy voatanisa Nofinidiko satria, tovovavy tsotra fia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asn-guitariste/porofo-fa-hoe-tia-tsy
POROFO FA HOE "TIA" Tsy
as'n guitariste
POROFO FA HOE "TIA" Tsy oroka sy safosafo na ny tambitamby rehefa mihaona; Tsy ianao mividy zavatra lafo ho an'ny olon-tianao foana, Rehefa ianareo ilay miara-dia no porofo fa hoe TIA! F'ianao ilay miaraka mizaka ny fahoriany izay manjo, Ka mampahery mampitraka sy mampionona azy koa! Ianao ilay tsy mba miala...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/schaye-one-poety/ry-tany-ndrazako-ry-nosy
Ry tany ndrazako Ry nosy
schaye one poety
Ry tany ndrazako Ry nosy malalako Nalatsaha ny tavony Tiko ho fatatra ny tontolony Ny an-tsarana maneoheo Ny lazany efa fatara rahateo Karazan-dakana,lakana ihany Ny olombelona mandia tany Avoivoiny ny fiainana ity Mangeniheny toa rano maria Ry tompo andriamanitra,herezo ny taniko Mba ny fihavanana no hiriko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asn-guitariste/tsy-nampoiziko-tsy-nampo
TSY NAMPOIZIKO Tsy nampo
as'n guitariste
TSY NAMPOIZIKO Tsy nampoiziko ho ianao ry tiana No nahavita namadika ilay dina Sahy nanitsaka ilay voady tena tsara Nifanaovantsika teo ambony alitara. Tsy nampoiziko ho ianao no sahy namitaka ny foko ka nampirafy ahy, nandrava ilay fiarahana akia Ary nandratra ilay foko mbola tia. Tsy nampoiziko ho ianao toko...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenohasimpitia/fiainan-java-boahary
Fiainan-java-boahary!
fenohasimpitia
Fiainan-java-boahary!!! Sambatra ny fo Tretrika ny saina Fa kanto tokoa 'Zany andro vao maraina Andro vaovao Ho ahy sy ho anao Hifaliana eto an-tany Hitadiavana ny mamy Faly ery ny zava-boahary Fa tsy diso anjara t@'lay Nahary Fa nomena alina hatoriana Sy maraim-baovao hifaliana Ireo zava-manan'aina Sy ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-tononkaloko/veloma
Veloma
Ny Tononkaloko
.Tsy nifankala akory, Izaho sy ianao tamin'izay Nefa niniha tsy tsaroana Tamin'io ilay andro iray .Toa mamela fahatsiarovana! Nitoetra tao am-po! Ka miteraka alahelo! Mahatorovana ny loha! .Toa tsy tsaroko akory Ilay veloma nifanaovana Toa tsy norarahiako! Ilay toeranana nilaozana! .Hay ianao sendra nandalo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/io-fitiavana-io-ihany
IO FITIAVANA IO IHANY
Teboka Telo
Raha mbola tsy ary akory isika: tsy ary Idada, tsy ary Ineny,... Dia efa voaventy tany ho any 'lay rindran-kalo, tsisy teny! Nofonosin-drindrin-tafa teny an' habaky ny lanitra 'Lay zava-bita tsara indrindra, noforonin' Andriamanitra! Ny horakoraky ny bitsiky ny tafatafa tsisy feo, 'Reo antsoantson-gina moana sy ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenosoa/vetsom-po
vetsom-po
Fenosoa
Ny vetsovetsom-poko ts mety tapitra na dia efa noheveriko ho fararakitra ts sanatria hoe maty na faraveloma ity fa ny fisainako rehetra ato anatin'ity
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/eo-foana
EO FOANA
RFE Andria
EO FOANA Raha mbola mamiratra ny masoandro eny an-danitra dia fantatro hatrany fa eo foana Andriamanitra ka na inona hidona, n'inona n'inona hihatra izaho hatoky Azy hatrany amin-toky feno fatra Mety ho maloka ny andro angamba semban-drahona ka manao totoafo ny mangidy sy ny vahona azoko antoka anefa ireny fa m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsarafara
TSARAFARA
RFE Andria
TSARAFARA (Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy. 1 Korintiana 2 : 9) Anjakan’ny faharatsiana ny fiainana eto an-tany Aretina sy fijaliana, fahoriana sy tomany Rahon’ad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vouromanga/i-vouromanga
I Vouromanga
Vouromanga
Moa fantatrao? Ilay noharabianao fahiny nohesoina ho vorondolo no nahita izany tiany sady tia ka nikolo. Dia indro fa niova tsy nitoetra ambony hazo, na ho mpirenireny fa efa mba nahazo Tiana atao ho reni- janaka atsy ho atsy Nosoloina ihany koa ilay helatra niofo tanaty ezaka sy lofo dia novaina koa ny s...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asn-guitariste/ny-tena-tia-ny-tena-tia-t
NY TENA TIA Ny tena tia t
as'n guitariste
NY TENA TIA Ny tena tia tsy mba mahafoy na miady aza indraindray; Fa satriny foana hanohy ireo fiarahana hatrizay! Ny tena tia tsy mba mahay mampirafy anao izany, F'ianao ilay tokana iray tiany indrindra ety an-tany! Ny tena tia raha saro-piaro tsy hoe tsy matoky velively, Fa izao no antony ka fantaro: tian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asn-guitariste/anatra-anaka-indro-lehib
ANATRA Anaka, Indro lehib
as'n guitariste
ANATRA Anaka, Indro lehibe ianao izao Nilaozanao ny fahazazana Ka hidiranao ny hatanorana Koa inty teny kely ho anao. Dia sombin-teny mba voaraiko 'Zay niloatra avy ao am-po Inoako fa mety hahasoa Anao izany sombinaiko. Koa miangavy aho mba henoy! Ny fahendrenao ry aiko Izany no tena ilaiko 'Reo ditraditra...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/izany-ve
Izany ve?
lain's rakoto
Lany paiso ao ankady Aleoko mitazona angady Iaina salama tomady Niaina tsy misy miady Salama tsara tsy manavy Ravoravo mifamazivazy Afaliana lava tsy misy tomany Ka hasambarana foana no iainana an tany Ombam-pahasambarana hatrany Tontolo lafatra tsy misy toy izany Ovako ny famindra izaho tsy hitomany Tamin'n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vouromanga/vao
Vao....
Vouromanga
Vao nasodikao ny masoko ilay hazavana soa, dia indro koa ataoko ny antsoko ho anao ry Tompo soa. Vao nomenao fahendrena fony zaza dia nahatsiaro, fa arahaba no omena izay rehetra mba mandalo. Vao nomenao fitia niavaka ho an'i Tiana ho olon- tiana, dia tsy hitsahatra ivavaka na hoviana na hoviana mba tena hi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asn-guitariste/-9462
- as'n guitariste
as'n guitariste
※Eny hoy aho eh..... ※ Dia noheverinao tokoa Fa tsy handratra izato foko Tsy an-kena maso akory aza No nasahianao nilaza Tsy tao an-tsainao io mihitsy Hoe izaho mba mety ho kivy Fa tonga dia nambaranao Marary n aiko hatramizao Foana marina aminao Ireo lasa nifamaho Indrisy mantsy izato ianao Toa nilaza ny h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vouromanga/aiza
Aiza
Vouromanga
Aiza ihany ilay mpandimby ity toerako androhany? aiza izy, aiza izy? tsy mapitsaha- manontany. Aiza ihany ilay ora tokony ivoahako ato sa andeha hitsoaka moramora? nefa sao voatora- bato. Aiza? moa mba efa akaiky i? sa vao mikosomaso koa. izaho kosa aloha tsy anaiky raha izany no tokoa. Aiza,aiza foana? fa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ho-inoko
HO INOKO?
RFE Andria
HO INOKO? Ho inoko ny ho tia raha toa ka setraina sakana ny dia dieny vao maraina? Ho inoko ny tiana raha toa ka toy izao tsy azoko valiana ilay fitiavanao? Fa fitia mifamaly no hany mba tadiaviko Ho inoko ny ho faly raha ianao ho laviko?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/soamahamanina
SOAMAHAMANINA
Fredy Jaofera
SOAMAHAMANINA Ny Sinoa indray ity no hita arovana any Soamahamanina ka ireto vahoakany fadiranovana no mila ny ho fanina. Ny Sinoa indray ity no mitrandraka amin'itony tanintsika ka ny masoko re no eto mivandraka sy tonga mandriaka. Ny Sinoa indray ity no mahazo soa alohan'ny tompony ka mila hisendoatra aho,...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/ry-taniko
Ry taniko!
lain's rakoto
Aleo aloha misento Hamentsoventso Hamisavisa Hangina sy hangaina Tsy hitomany tsy hitaraina Na marary aza ny aina Tsy mba afaka ny ho aiza Miharitra izay mitaiza Marary loatra ka tsy tanty Izany dridra ato anaty Hangahiahy tsy hiteny Be fandeferana toy neny Reny tsy mahafoy Miafy mizaka izay miseho Mibaba...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/soamahamanina
SOAMAHAMANINA
RFE Andria
SOAMAHAMANINA Anarany, eny, sisa no an'ilay tanàna fa vahoaka tsy hita isa no atao izay tsy hahatamana Robaina ny taniny alaina ny fananany potehina ny akaniny gadraina koa ny zanany Vahiny ao no manjaka arova-miaramila ny Gasy indray voadaka mizàna voatsindry ila Anarany, eny, sisa no hoe Soamahamanina ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asn-guitariste/ny-foko-akia-malala-ianao
Ny foko akia malala Ianao
as'n guitariste
Ny foko akia malala Ianao no mahalala Fa efa lasanao Tiako raha izao Ilay tena halanao No habkafizinao Jamba anie ny masoko Foana ny ranomasoko Vao tojo anao ry.aiko Fofoiko hatramin'ny aiko Baikoiko koa ny saiko Tsy hitia hafa tsy ianao Ka izao tontolo izao Hatolotro ho anao Raha azoko natao Hiarana mah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ravonjison-herizo/tsy-embona-raha-toa-ka-ma
Tsy embona Raha toa ka ma
Herizo Ravonjison Andrianitsiahy
Tsy embona Raha toa ka mahatsiaro ilay natao fahiny izaho, tsy hoe manembona,fa fantaro. "tia ,tsy hitalaho" Sanatria,olombelona tokoa. Ka tsy ferana hitadidy! Ilay tantarantsika roa, mety mamy no mangidy. Tsy embona tsy akory, fa tadidy mba nandalo. Nifoha rehefa avy resin-tory, niala tsy nivalo. Tsy embo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vouromanga/tsy-foinao
Tsy foinao
Vouromanga
Tsy foinao ...Nogadrainao koa foko,tsy mba afaka nandaha tsy noho ny adalana, fa norojoina mafy vaha. Dia notinendrinao ny lalana,notakominao ny maso tsy navelanao hivily,tsy nasiana andraso andraso. Ka ny nizora- nahatongavana,ny tanàna izay nidirana no inty fa nahatamana,tsy nisy zava- nanahirana. Moa koa andr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lains-rakoto/tsy-antso-angamba
Tsy antso angamba!
lain's rakoto
Nofinofiko hatrizay Mba ho olona hahay Zavatra anakiray Nefa indrisy tsy mlay Ireo vita hatramin'izay Redirediko efa ela Ny mba ho lasa pastora Nefa toa nivadika ny lera Nieritreratra ho mopera Niova hatramin'ny sera Nivadibad'ela Tsy nahavita afera Indrisy re ry faniriako Faniriana ihany izany Fa niova i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/asn-guitariste/ry-lay-nandalo
RY LAY NANDALO
as'n guitariste
Tovovavy iray nandalo, No nanaitra ny fijeriko, Omaly ariva tamin'ny valo, Izay nanasitrana ny feriko, Manja loatra ianao, Ka nanintona ny maso, Mba afaka mireska ve aho? Ra sitrakao de mba handraso, Nahoana no dia mandeha irery toy izao, Fa aiza ny namana aman-tsakaiza, Ra tsy mampaninona ateriko ianao, Na ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/any-aminao-ny-eritreritro
ANY AMINAO NY ERITRERITRO
ANDRIAMASIMANANA Andry
lasam-binany ny saiko mankany, manidina lavitra tsy ety an-tany, toa varimbariana, sy zary sondriana, maniry mafy ho akaikin'ny tiana, izy any ve ? mba misento koa, mety mahatsiaro sy manina am-po, fa zavatra iray no tanjona irina, mizara fitiavana akaikiny tiana, enga anie, mba ho tafatambatra, eny amin'ny ri...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/maintsondratra/ifalio
IFALIO
Diavolana Sambatra
Faly aho raha toa ka mahita volana Satria izany no ahatsapako fa misy ny tany Faly aho raho toa ka misedra olana Satria izany no ahatsapako fa velona ihany Satria efa voasoratry ny lalàn'ny fiainana ary efa voatendry ho ahy sy ianao Fa ambadiky ny jaly sy ny fanaintainana ao no misy ilay hasambarana vao Fa ny r...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/azoko-inoana
AZOKO INOANA
Fredy Jaofera
AZOKO INOANA Rehefa ianao no be fahavalo, azoko inoana fa olona ambony manana saina tsy mety atakalo tonga fialonana tsy hita intsony ! Rehefa ianao no be mpankahala, azoko inoana fa mba olona tsara tobaka soa toa tsy manan-tsahala tsy mahafaly an ‘reo diso anjara ! Rehefa ianao no be mpanaratsy, azoko inoana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harylovah/sento
Sento
harylovah
SENTO Ny vorona, hono, raha lasa nandao Tanjona aiza no mba hitodiany ? Ny senton'ny foko 'zay manina anao Aiza ny taratra mba hitsikiany ? Fa maizina mantsy ny tany tontolo Ny lanitro manga, indrisy, nimalo Namindra ny tongotro, hay bobongolo 'Ty tany nodiaviko : be fahavalo ! Nefa mangina ry senton'ny foko ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratra/aza-manadino
AZA MANADINO!!!
RATRA
AZA MANADINO!!! (Ho fahatsiarovana ny 8éme promontion (prom IRAY) tao amin'ny cours TOLOTRA tao Fianarantsoa izay lasa lycée Tolotra (LYPRIT) ankehitriny) Efa voalahatra fa ny fiandrohana dia tsiky santatr'irony fiarahana Ary efa voatendry fa ny fiafarana dia senton'ny onjan'ny fisarahana Fa ny fiarahana dia mis...