url
stringlengths
43
292
title
stringlengths
0
91
author
stringlengths
0
50
content
stringlengths
31
62.1k
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/apetrako-eo-aminao
APETRAKO EO AMINAO...
RFE Andria
APETRAKO EO AMINAO... Apetrako eo Aminao, ô! ry Raiko be fitia ny ahiahiko rehetra, ny mavesatro malia fa Ianao no manony, eny, Ianao irery ihany no hany afaka mamafa ireto masoko tomany Apetrako eo Aminao, ô! ry Raiko be fitia ny hoaviko ampitso sy ny fiainako doria ny anioko miserana sy mihelina, mandalo mba ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/sombonny-aina
SOMBIN’NY AINA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Sombin’ny aina, teny iray miverimberina; Tononina impolo, injato tsy mianina; Misy dikany izany, aleo foana hotenenina; Satria tena manan-danja sy mampilamina. Sombin’ny aina, mamin’i dada sy neny; Nampitaintaina, na antoandro na alina. Nikatsahana foana ny mety hahasoa azy ireny; Ho rehareha amin’izay ezaka reh...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/meteza
METEZA
Fredy Jaofera
METEZA Meteza, ry vorona, ny hitazantazana azy ka aza manamorona fa mody hoe : fohazy. Meteza, ry farihy, ny hiandriandry eo ka velomy re ny dihy vao drodroka sy leo. Meteza, ry rano, ny hitony lavareny ; voady ka mba tano izy iny fa tsy reny. Meteza, ry tany, ny hihirahira kely, ho azy irery ihany ny v...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-andriatinasoa-mario-dino/kanto
KANTO
LOVA (ANDRIATINASOA Mario Dino)
Kanto loatra akia ka kanto ! Raha ny hatsara-bikandrÿ. Kanto loatra akia ka kanto ! Kanto mahate ho tia. Ilay fitsiky manjopiaka, ilay fijery mibaliaka, aoka akia fa resy aho. Tena kanto raha ianao. Ilay famindra lantolanto? Raha iny no mitranga, dia hoy aho: tena kanto. Kanto ianao ry voromanga. Kanto iana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/lny-soratra-iny
ny soratrao
vals cristian
lny soratra iny sisa No hany manambara ,ireo lasa fahizay lreo efa vitantsika,ny androm-paradisa Ilay voady mba ho iray lo soratrao io ,no mba mampatsiahy Ny fisinao teo amin'ny fianako Ianao lay tsy nahafoy ,tsy mba nahasaraka ahy Tsy mba nanda ilay tarainako Toa tsy haiko angamba ny hanarona Sy hanadino izay...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/voninkazo
VONINKAZO
Fano
Voninkazo tsara voatra Ao anaty zaridaina Mampanembona ahy hitroatra Ndeha hitady ilay lalaina Voninkazo meva soa No mandravaka 'lay vazy Mampamentsoventso koa Fa dia manina 'lay azy Voninkazo kanto loatra No mameno izato saha Toa miantso ahy mba hanamboatra Fa izay tsara manan- draha Voninkazo vonindraozy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rafa/fitia-mamerovero
Fitia mamerovero
Rafa
Nifampanantena izahay roa Fa hifankatia sy hifanisy soa Hiara-dalàna hifampitantàna Ka tsy hifanary amin'izay ho sakana Nandeha ny andro nandeha ny volana Tsy nilaozan'ady ka nisedra olana Nifandefitra sy nifampiresaka hatrany Mba hiarovana ny fifankatiavana tsy ho lany Tojo tamin'ilay niriana izahay Tokantran...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/fa-nahoana-kosa-moa
FA NAHOANA KOSA MOA ?
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Fa nahoana kosa moa ny fiainana an-tany, No mirimorimo tsy misy ohatra izany? Mazoto ianao na kamo, tsy maintsy mijoro, Izay lalan-kizorana anie tsy ho torotoro. Fa nahoana kosa moa ny zavatra rehetra, No miovaova, tsy voafehy, tsy misy fetra? Ifandimbiasan’ny fifaliana sy tomany. Ny ambony androany, ny ampitso ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/vavaka
VAVAKA HO AN'NY TANINDRAZANA
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Mivavaka aminao ry Ray, eny miankohoka; Mandohalika, mitalaho ho an’ny Tanindrazanay. Latsaka lalina, anaty lava-mampikohoka, Izay raisina sy ilaina toa mandoro, mahamay. Ireo hita sy banjinina, toa tontolo tena resy; Misavoritaka isanandro, mampitaintaina anay. Atao ahoana moa, izao no asan-dry Kotofetsy, Taraz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/vady-ve-
VADY VE?
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Vady ve? Ilay miara-dàlana aminao, Isan’andro isan’andro, Na maraina na antoandro. Vady ve? Olon-tokana, Iaraha-mirona, iaraha-midola, Anaty angolangola. Vady ve? Voavetsovetsonao foana, Mandavan-taona, Na voky ianao na noana. Vady ve? Fiantsoantsonao matetika, Maraina sy hariva, Sady eo mandrakariva. Vady ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/fa-nankaiza-hoy-aho-
FA NANKAIZA HOY AHO?
Rasamindrakotroka Andry Tiana
Fa nankaiza, hoy aho, ilay fahendrena Malagasy? Nitandro sy nihazona ireo soatoavina; Ka nampiaiky ireo vahiny, na vazaha an-taratasy; Ny fitandroana ny fahamarinana, narenty sy notoavina. Fa nankaiza, hoy aho, ny fahendren’ny Ntaolo taloha? Nikajy hatrany hatrany ny hisiam-pifanampiana. Valala iray nekena hifana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/hionona-aho
Hionona aho
vals cristian
Avelao aho re hisaona e Avelao aho mba hitomany Tsy mba misy mantsy ny fotoana Tsy handatsahako tomany Mafy loatra ka tsy zakako Izato hetraketraky ny tany Rahoviana re vao mba ho tsapako zany fahasambarana izany Ataoko angamba fa mbola ho nofy e Tsy mino intsony aho hoe mbola hisy Efa maro mantsy reo fanomez...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/tiako-ianao
Tiako ianao
vals cristian
Tiako ianao Tena tiako Ny hiara tsambatra aminao No mba hany faniriako Tsy mety miala ato an tsaiko lzay no masaka ao an-dohako lzay anjara nefa mbola tsy haiko fa ho ahy ianao raha ny finoako Tiako ianao Ka tsy tiako ho soloina Mamy ho ahy ny anaranao Ka tsy foiko ho vonoina Ekeko fa tena maro lreo tsara ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/rahoviana
RAHOVIANA...?
RFE Andria
RAHOVIANA...? Ny eto amintsika ho'aho lehiretsy misy te ho fetsifetsy: na ny kely na lehibe efa tena mampihomehy f'izy izay tsy tan-dalàna no milahatra ao an-tanàna te hampanjaka ny ao an-tsainy ny ho azy ihany no ilainy dia mitaky ny fialàn’ ireo mpitondra fanjakana izay nofidian’ny vahoaka dia eo no mihoa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/kasim/nitia-antsokosoko
Nitia Antsokosoko
Kasim
Nitia antsokosoko, Ka tsy afaka mankaiza! Mionona re ry foko, Matanjà, ka mahereza lay fitia efa nofy, namokatra ao an-tsaina nijery sy nitopy, Tamin'ny tany karakaina Mionona re ry fo, Mionona izato izy! Atrakao koa ny loha ka adinoy ireo tadidy
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/tsiky
Tsiky
Tatamo Ravaky Ny Farihy
Rakofy tsiky ilay endrikao torovana Hamelona indray ny dina noratovana Rakofy tsiky ilay endrikao maloka Hiala anatinao ny rofy izay nindaroka! Rakofy tsiky ilay endrikao misento Ho adinonao ireo lasa toy tsy ho tsaroina hatreto! Rakofy tsiky ilay endrikao mijaly Hiainanao indray ilay hafaliana omaly! Rakofy ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/ry-fahanginana
Ry fahanginana
Tatamo Ravaky Ny Farihy
Ry fahanginana o ! Ampianaro aho ahay hiantso anao Rehefa injao motoatra ny ao am-poko ao Rehefa mibosesika an-doha ny teny maharary Tsidio haingana aho, hifehy tsy hankarary! Ry fahanginana o! Ampianaro aho ahay ihaino anao Rehefa injao ka reko te hiakatra ny feoko Rehefa ny ambom-poko no mibahana ka toloko T...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/ny-fotoana
Ny fotoana
Tatamo Ravaky Ny Farihy
NY FOTOANA Manokana fotoana hilalaovana Fa izay no tsiambaratelon’ny fahatanorana Manokana fotoana ihomehezana Fa io no mozikan’ny fanahy Manokana fotoana hamankian-teny Fa io no laharanom-pahalalana Manokana fotoana hananana fahatoniana Fa io no fepetran’ny fahombiazana Manokana fotoana iheritreretana Fa io ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/tenindreny
TENINDRENY
Fano
Tenindreny tsisy ray Hafahafa toa fanahy Feo iray mampahonena Tsy maninona f'ekena Tenindreny fiarovako Tenindreny mba ho lovako Tenindreny tsara joro Mampitohy sy mampijoro Tenindreny fisandratako Hanavatsava izany lalako Tenindreny mba ho elatra K'andrandraiko mba hivelatra Teny nianarako nibada Teny,fia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/nofinofy-sisa-
NOFINOFY SISA !
Fredy Jaofera
NOFINOFY SISA ! T Tsy ilaina ve ny hanoratana any intsony I Indrindra rehefa izany no eto tsy mitony ? A Asa fa ny ainga sy ny foko mihira anao K Kotsa ilay fitiavana tsy mahay mandao. O Oriory aho kanefa atao ahoana moa ?... I Iny alefako any ny voadintsika roa ! A Ataovy rehar...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/tonom-bavaka
Tonom-bavaka
Tatamo Ravaky Ny Farihy
Tonom-bavaka Ray o ! mivavaka aho anio Ho fisaorako anao tamin’izany rehetra natao Ny fitantananao nampandroso tamin-kery Tambany elatrao, no nialoka tsy ho very. Ray o! mivavaka aho anio Ny hiarovana ireto sombin’ny aiko Tantano sy vimbino mba tsy hanadino Fa Ianao ihany no aro sesilany Ray o ! mivavaka aho ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/irery
IRERY
RFE Andria
IRERY Izaho irery no ato an-trano manina, manganohano mahatsiaro ny fahiny mitazana iny lalana iny Teo mantsy isika niaraka toa nalaina ny hisaraka nifampitantana hatrany toy ny tsy nandia tany Ankehitriny, izaho irery ny fo amam-panahy toa very zary lasa ambiroa malahelo anao tokoa! Izaho irery no ato an-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/kalonny-saina
KALON'NY SAINA
Fano
Fitopa malefaka no ataon'ny ony Mandry milamina ny ao am-parihy Kanto ny voahary napetraka ety Ny fisiokan'ny vorona milantolanto Ny feon'ny sahona manakoako Tsinjovin'ny volana iray bakobako Midorehitra ny kintana,mandoaka ny aizina Fitsoka malefaka manafosafo Ny kanton'ny alina mitafotafo Mangina,milamina ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/mpiray-serasera
Mpiray serasera
Tatamo Ravaky Ny Farihy
Maraina miramirana Velon-kira tsy sahirana Fijerim-pitsikina Mizara hafaliana Dia ho andro mahafinaritra Hibaliaka soa ny lanitra Izay no irariako Ho anao izay nofidiko Mpiray serasera Tsy mahalala lera Hitondra hafanana Sy tara-pahazavana Ho tontolo andro mamy Ho vonona hatrany !
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/aza-mitsipa-doha
AZA MITSIPA-DOHA
Fredy Jaofera
AZA MITSIPA-DOHA Nahoana kosa, ho'aho, no mitsipa-doha anay raha nisy soa ihany no efa maro be voaray ? Nahoana kosa re no manjary tsy mahalala, na dia arahabaina, ry nisintaka sy niala ? Nahoana kosa, ho'aho, no mitsipa-doha anay raha nisy mety ihany no hita hatramin'izay ? Nahoana kosa fa tsy mampino hatramin'...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/ataovy-ihany
ATAOVY IHANY
Tatamo Ravaky Ny Farihy
ATAOVY IHANY Be ny olona no tsy mandinika, baranahany, tia tena Kanefa tiavo ihany izy ireo. Rehefa manao ny tsara ianao dia lazainy ho mitady tombon-tsoa Kanefa manaova ihany ny tsara. Rehefa tafita ianao dia be ireo manao Havana raha misy patsa, Ary be mihoatra lavitra noho ireo ny mijoro ho fahavalonao Kanef...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/rehefa-miainga-anie-izany
Rehefa miainga anie izany
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Rehefa miainga anie izany fanahy, Avy hatrany dia tsy maintsy manoratra! Raiso izany penina aza asiana ahiahy... F'efa andevoizin'izato soratra
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/izaho
IZAHO
Tatamo Ravaky Ny Farihy
IZAHO Izaho no FAHAZAVANA Fa tsy hitanao. Izaho no LALANA Fa tsy narahinao. Izaho no FAHAMARINANA Fa tsy ninoanao. Izaho no FIAINANA Fa tsy nokatsahanao. Izaho no MPAMPIANATRA Fa tsy nohenoinao. Izaho no TENA NAMANA Fa tsy notiavinao. Izaho no JEHOVAH ANDRIAMANITRA Fa tsy nivavahanao. Koa raha malahelo i...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/harena2
HARENA2
Fano
Harena;aiza ilay anjara mba ho ahy? Haren'ny nofo ve sa haren'ny fanahy? Iza no tsara ho katsahiko indray? Ary koa mba iainako, iadanako @zay Haren'ny nofo mora lany Harena mora simba koa Harena mety ho lo Harena,toa tsy dia maha_afa-po Harenabe no hananganam-pahavalo Hanetrena ireo ambany,handetehana ny lavo ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/vavaka-maraina
Vavaka maraina
Tatamo Ravaky Ny Farihy
Ray o! misaotra Anao izahay anio Noho izato andro soa Masoandro mibaliaka Manazava, mampihiaka Ray o ! anio no hisaoranay Anao Tamin'ireo zavatra natao Ianao hitarika ny dia Ahatonga anay hatrary Omeo ny fitsimbinanao Tantano mafy tsy handao Tolory fahendrena koa Ka hikatsaka ny soa. Ray o! tahio ity tanina...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/voninkazo
VONINKAZO
Fredy Jaofera
VONINKAZO Tsy ianao irery akory no voninkazo misy ilaina hotiavina eto fa maro koa ny lisy handravaka ny fo sy hamelona ahy mangina 'reo karazan-tsikitsiky lazaina ho fifaliana ! Tsy ianao irery akory no voninkazo hita ilaina jerijery sy mba nirina hiara-mita fa feno koa ny raozy ka tsy haihaiko ery, na amin'iz...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/dox/misy
Misy
Dox
Misy takariva miavaka Noho ny alahelo aminy Mampanainga tonom-bavaka vetsovetso tsy hita laniny Izay jineriny amin'iny Mahalava ny fisainana Mahatsiaro ho mpivahiny Ny fo lanaky ny fiainana Toa satry hahay hiteny Mbamin'ireny bainga ireny Hitafana alahelo Mandalo fasana ianao Ao ny maro tahaka anao Nody VO...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/izao-no-ora
IZAO NO ORA
Fredy Jaofera
IZAO NO ORA Izao no ora sitrako hampiova ny lasa, na dia tsy ritrako ny ratra nikasa... Izao no ora mamiko hampihira ny taona, na dia tsy voalamiko ho tsiky eto foana. Izao no ora tiako hampiala ny mafy fa saika fahoriako tsy mba nampitafy. Izao no ora tsara hisaorako ny Avo fa tsy diso anjara nahazo fo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/harena1
HARENA1
Fano
Nankaiza ny endriny toa mangamanga No toa vovon-tany no voafono lamba? Nankaiza ny hareny tsy lany laniana? Nankaiza izy teo no toa varimbariana Tsy nitondra akory na dia iray dia Ho entiny miaina ary an-koatra ary Ny hareny nitosaka nameno trano Ireo eo ihany tavela ao an-trano Tsy nitondra akory na dia rambon...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/rafahafahana
RAFAHAFAHANA
Jayah Razafi
Fa mbola hatramin’izao Miandry foana hono rafahafahana Miandry izay hamahana Hampody indray ny ainy Rehefa avy novetain’ Ireo tsy valahara tetsy tsimbazaza Rafahafahan-gasy. Fa andro misasak’alina No nandaniana ihany ilay fanamelohana Tsy azo nibabohana Ka Rafahafahana dia …,niaran-kerisetra Tsy nisy izay ni...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-fantatro-avy
IZA MOA IZY INY ?
Fredy Jaofera
IZA MOA IZY INY ? Tsy fantatro avy akory, na ny anaranao na ny momba anao fa nampidoboka ny foko : ny fijerinao malefaka, ny bikanao tsy ratsy, ny tsikinao niserana. Tsy fantatro avy akory na ny adiresy na ny zavatra rehetra fa mibahana ato an-tsaiko ny hoe : « Iza moa izy iny ? » « Ary moa ve tsapany iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/vela-pandrika
VELA-PANDRIKA
Fano
Feno fitaka ny tany Eo an-tanan'ilay ratsy Manao ny vela-pandrika Mifono volamena Tsy mikatsaka ny soa Fa ny hampahonena Hampisaraka ahy koa @'Lay Mpamorona ny Edena Dia nisarika ahy koa Hanatona ny fandrika Saika lasany ny saiko Notarihiny ny foko Fetsy mantsy izy, Mitady namana hanampy Voafingana aho an...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-mitia/maraina
MARAINA
Tsiky Mitia
MARAINA Ilay maraina vaovao izay diavina izao dia mamoha ny tsiahy sy ny aingan'ny fanahy Ventsoventso vao maraina no hanala ireo taraina ka venteso ny hiranao hanome ilay aina vao Ry marainam-pitsikiana ka ironan'ny hafaliana moa mba azonao averina ireo lasa izay nihelina?
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/septambra
voafafa
Voafafa
Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo. Jereo eto
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ankona
ANKONA
RFE Andria
ANKONA Ankona aho! nifamahofaho teo imolotro ny teny toa injao minenineny... Fa tapitra tarangana, foana tsy nisy niangana ilay fitiavantsika zary lasa nangatsiaka... Ka tena ankona aho! zary maina toa taho tafasaraka amim-potony ka nasafotofoton' ny rivo-doza sy tadio... Ankona aho maraina io!
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/gasy1
GASY1
Fano
He kanto izany teniko Mipololoitra avy ao anaty He kanto izany teniko Ka mamaky ny fanahy Mitopa izany rano Ary amoron'ala Mba manako koa ny teniko Ao ampon'ilay malala Miventso izany saiko Mihira ny fanahy Mahaliana ahy ny teniko Izay natokana ho ahy Misidina ny vorona Hanakatra ny avo Atosiko ny ventsok...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-mitia/eritreritra
ERITRERITRA
Tsiky Mitia
ERITRERITRA!! Eritreritra nifoha teo am-pahitana anao no indro indray fa namoha ilay ventso anatiko ao Eritreritra niserana tato anatiko tsy nahy no tsy voatana, tsy azo ferana namolivoly ny fanahy Eritreritra tsy tana nefa dia handalo ihany no indramiko hanafana izay tsy taza-maso any
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/nilefitra
nilefitra
Jayah Razafi
dia.... nikitika .... nikitika, niantso .... niantso maika izy litika naheno ny andraso ka saika voarora no sady voakora, mbola.... nisisika... nisisika nanaraka ...nanaraka na dia efa voahifika sy voatifitifitry ny ompa variraraka ka... nangina....nangina nalahelo....nalahelo toa ny olona vangina mian...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/lazao
lazao
Jayah Razafi
Malala ah!!! Tsapako eto izao fa.... Tena tiako ianao, Ka raha mety ,avy dia lazao Izay alahelonao, Teneno aky ry tiako a Fa ny hany fifaliako Dia ianao faly Salama tsy marary Na vatana, na fo Ny saina ihany koa eh!! Eo moa malalako ah!! Fa ny fahasambarako Dia ianao an-tanako Miaraka amin-janako Fa ny t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-mitia/masoandro
MASOANDRO
Tsiky Mitia
MASOANDRO Dia indro indray fa nibaliaka ilay taratra masoandro nanafoana ny hatsiaka manafana izany andro Mitsidika isam-baravarana manapariaka ny hazavana tazako manarangarana reko koa ny hafanana Hazavana tsy voarefy no aparitany ombieny fa na ny gadra izay voafefy, aza... dia indro fa omeny izany tara-p...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/aina
AINA
Fano
Ny takatra manjonitra amorom-parihy: Tsy marary fa maka saina Izaho no mitazana ety Variana mandinika ny aina Ny maintso no haingon'ny saha, Nytadio no mampisakodina Ny vatana no vahatry ny aina, Ialako ny ratsy tsy haningotra ny aina Ny masoandro milentika mbola hiposaka Ny ravina maina no mbola hitsiry Fa n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/hasinny-teniko
HASIN'NY TENIKO
Fano
Asandratro indray ny hasin'ny teniko Tsy hahetriko intsony fa sao dia ho neniko Asandratro indray ny hasin'ny teniko Kabary malagasy,izay no ventesiko Asandratro foana hanenjika ny avo Hivavahako hatrany ho eo an-tanan'ny Avo Asandratro foana, maraina,hariva Dia hiely hatrany izy mandrakariva Hitodihako ny lasa...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/handevina-ny-nisy
HANDEVINA NY NISY
Fredy Jaofera
HANDEVINA NY NISY Handevina ny nisy no sisa ato an-tsaiko hampionona ny tena, ry hany nantenaiko, hampiravo itony dia mba hihira sesilany, hanova ny lasa tsy ho sento sy tomany. Handevina ny nisy no tarigetra izay natao hanala ao an-doha tsy hahatsiaro eto anao, hamotika ny teny izay nataoko tsy handalo kinanjo...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/misy
Misy..
Jayah Razafi
Fa misy tsiky vao maraina Tsy ilaina hoe foronina Nohon' ny teny mby an-tsaina Na koa misy mahatonona Misy kalo tianao hiraina Raha iny manimanina Ary tononkalo te ho antsaina Rehefa ianao fanipanina Misy endrika irinao mafy Mba ho tazanao akaiky Miaraka amin'ilay.fitafy Mahafaly, mahatsikaiky Misy teny tia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/nahatsiaro
nahatsiaro
Jayah Razafi
Tadidiny hono letsy ah Ilay tiany tany aloha Fa ialahy etsy Avelany harary fo Tsy rarainy akory Tsaroany hono zandry Ny fitiavany fahiny ah F’ialahy ataony miandry F’ialahy tsy manan-tsiny No ampitahainy amin’iny Natsoiny letsy zoky ah Nantsoiny teo imaso Ary izy nanome toky Niantso ny andraso Fa manina n...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/aza-manoratsora-poana
AZA MANORATSORA-POANA
Teboka Telo
AZA MANORATSORA-POANA Raha hanoratsoratra ary, manorata teny mamy; Miritsoha angolangola, mizarà fitia tsy lany! Aza fitahinao hitory teny tsy hainy koa ny penina Fa hanody anao ny vita ary handatsa anao ny nenina! Raha hanoratsoratr'ihany, tandremo hanoratsora-poana Fa mijery anao ny lanitra; miandrandra anao ny...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/ny-tsy-itiavako-azy
NY TSY ITIAVAKO AZY,
Teboka Telo
Bandibandikely izay, toa tsy misimisy saina! Alim-pody lava izao ka dia tsy mahafoha maraina; Nialany ny sigara fa novadiany zao ny maina Ny teny mamy izay nomeny, lasa toloko sy taraina!!! Raha nilaza izy omaly : "hiova aho", ry Lalaina! Teny efa reko izany, toa tavin-kena mahamonaina!... Raha mba eo ny tsy fisi...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/ny-olon-tiako
Ny olon-tiako
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Ny olon-tiako moa dia soa dia soa tokoa Ny tsanganany tontolo,mirafitra tsara voatra Manopy manga mantsy,ilay dobo manga roa... O! Tsy mba foiko atakalo,fa mamiko,eny,loatra! He! Tiana tsara voatra sy liam-pivoarana... Ny endrika efa kanto,mainka hatsarainy koa... Lokomena,etc...Rehefa mety ho fihoarana... Tandr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/teboka-telo/raha-hanovaova-ihany
RAHA HANOVAOVA IHANY
Teboka Telo
Setrin'ny tononkalon'ny namana Barry Sirjon : NOVAIKO Novaiko ny anarany, ho lasa hoe "Malala" Io no hitako fa mendrika, sy tsy manan-tsahala Tsy ho vizana aho manonona, karazana litera Ho feo mirindra no re, rehefa mitendry ny lela "Io" no anarana tsara, tena sahaza ny olon-tiako Ho fankasitrahako azy: fitarikan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jayah-razafi/paradisanny-fitia
Paradisan'ny fitia
Jayah Razafi
Fa ny tena fanaperana Tsy ho hitanao oviana, Fa hajao ny eo an-toerana Mba ho tia sy ho tiana Raha ny tena tonga lafatra, Mbola zava-tsarotra zahana, Fa izay eo koloina fatratra Mba ho manja sy malala Raha ny tena hoe idealy Dia mbola ho nofinofy, Fa izay eo aloha ry tsamy No aza dia atao fanosy Raha hiandr...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/patrishy/raha-ianao
Raha Ianao
Patrishy
-Raha toa ka ianao No tia ahy,r'ilay tiako. Angamba izao tontolo izao. Ambarako ny hafaliako. -De ataoko ho ren-tany. Fa miaraka izao sy ianao. Ho tapitra hahalala izany. Izao vahoaka rehetra izao. -De omeko anao izay tianao. Eny,fa na ny volana aza alaiko. Tsy ampihafiko izany ianao. Satria ianao ilay nolal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-mitia/ho-anao
Ho anao
Tsiky Mitia
Iniako atao mihitsy ny mandray ny tànanao rehefa isika mifanena, asa raha tsikaritrao! fa toa mahavelom-bolo, manome fanantenana eny! ny ririnina aza, dia zary misy hafanana fihininao ny tanako ka mirana ny saiko ny hany azoko lazaina, babonao aho re ry aiko ilay isika hisaraka iny, dia orohonao kely tena satrik...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/iza-no-ilazako-
IZA NO ILAZAKO ?
Fredy Jaofera
IZA NO ILAZAKO ? Iza no ilazako fa rehefa fahoriana, tsy manana aho iray azo ianteherana ka mionona irery sy azom-panaviana toy ny olona tsy manam-piheverana ? Iza no ilazako fa rehefa adin-tsaina, tsy manana aho iray azo amosahana ka mampiteny ao anaty sento maina toy ny hoe tsy manana amborahana ? Iza no ila...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-mitia/alina
ALINA
Tsiky Mitia
ALINA tonga indray ny alina, mangina ny tontolo saingy ny eritreritra, manidina toa lolo misaina ny ho avy iatrehana ny fiainana hoe inona no atao? ahoana no iainana? lasa ny vinany, tsy mandry izany saina toa lava koa ny alina, mbola ho ela vao haraina mihodina ny tena, mivadibadi-mandry ahoana indray ny ampit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/fanavakavahana
FANAVAKAVAHANA
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Dodona aho hanimbolo F'efa babony tontolo Kanjo he! Indrisy! Fa nolaviny tsy nisy! Ny fitiavako anefa Ve tsy nisy? mba niantefa? Ka inona ary no tsy nanekena Ilay fitiavana nomena? Fa raha ny tiako dia ianao Efa lasa adala ny aminao! Kanjo he! Dia nolavina Ny hafa kosa,he notiavina! Samy mba tia ihany... N...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-mitia/ainga
AINGA
Tsiky Mitia
AINGA Arafitro ho rima ny zavatra rehetra Tsy handalo fotsiny ihany, fa soratra mitoetra Asiana loko maro, ampiana sarin-teny hitoetra ao an-tsaina fa tsy haniditsidina eny Ezahana aseho ho toy ny sarimihetsika alaina sary an-tsaina, arahina fihetsika raha milaza fifaliana ohatra, dia hita mirana ny maso fa rah...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/ririnina2
RIRININA2
Fano
Nankaiza ireo maintso mba haingon'ny saha No toa tany ngazana tsisy mpizaha? Nankaiza ireo voary mba radon'ny vohitra No toa kivikivy tsy afa-manohitra? Nankaiza ny herin'ny masoandro baliaka No toa ny fanala no tena mandriaka? Nankaiza ny vorona manakoako No sahona kely no miventy lamako? Ilay rano mahery niva...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-mitia/sento-irery
SENTO IRERY
Tsiky Mitia
SENTO IRERY Any ambadika any ho any misy fo misento irery tsy anilan-tiana ka tomany feno ratra, feno fery miaina anaty alahelo miaina anaty ahiahy ontsa sy mamelovelo lasa saina sy fanahy tsy mba mampiseho taraina fa mamisavisa irery na dia reraka aza ny aina miaina anaty mistery mino fa tsy maintsy hisy ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-mitia/matokia-ny-fitiavako
MATOKIA NY FITIAVAKO
Tsiky Mitia
MATOKIA NY FITIAVAKO Matokia ny fitiavako! mbola averimberiko Matokia ny fitiavako! mbola antitranteriko Izany teny mamy izany no atelemo sy ivokiso Aza manana ahiahy, ny fitiavako itokiso Matokia ny fitiavako ry malala tena tiako Ianao irery ihany! ianao no efa nofidiako Matokia ny fitiavako! ka aza manana ahia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-mitia/vola
VOLA
Tsiky Mitia
VOLA aminao avokoa ny hery sy ny fahefana mitady lava anao tsy mba misy fitsaharana lany taminao hatramin'ny hatanorana ianao, dia ianao no fototry ny fisasarana manaiky anao tanteraka aho amin 'zato herinao fa tsy azo hodian-tsy hita na koa hodian-tsy fantatra hatramin'ny fitiavana aza moa verezinao raha tsy m...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/nahoana-kosahoaho
Nahoana kosa,ho'aho?
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Nahoana kosa, ho'aho,no miadam-pifaliana Ny olon-tsasany eto,toa afa-pahoriana? Ny eo tsy mbola lany,ny sisa tamy ihany Injato no mitsiky,indraika mitomany! Nahoana kosa,ho'aho,no afa-tsoritsory Ny olon-tsasany eto,ka miadana an-tory? Ny eo tsy misy dikany... Ny ho avy toa tsy hisy Ka raha sorisory lava,izany ka...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-mitia/fitia
fitia
Tsiky Mitia
Fitia Fitia tsy hay tohaina, fa mamelovelo mijanona ao anaty, lasa tsiambaratelo ilay fitiavako voarara tsy mba niseho masoandro fa nihafiako teny foana, na maraina na atoandro zary lasa nofinofy tsy afaka ao an-tsaina tsy mety manadino fa mahatsiaro anao ry aina misedra zava-maro izay tsy azo ferana tena ato a...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-mitia/any-ianao
ANY IANAO
Tsiky Mitia
any ianao ry olon'iny, izay notiaviko mangina ilay nodiako ankahalaina, ilay nolazaiko hoe tsy tiana ilay nolavin'ity saiko, niezaka aho ny tsy ho babo nefa seho ivelany ihany, fa ny ao anatiko dia lavo any ianao ilay nitaraina sy namboraka fitia niangavy mafy tamiko, mba hiaraka hiriaria fa fandavana hatrany no ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/tsy-misy
Tsy misy
vals cristian
Niezaka aho hatrizay ,nitady hafa vaovao Hijery olona iray ,hasolo ny toeranao Indrisy mantsy fa zava-poana Tsy nisy vokany avoko Fa toa fandaniam-potoana Mahatonga aretin-doha Voatetiko daholo ,ireo toerana tsy fahitako Kanefa ilay olona hahasolo ,ny toeranao mbola tsy hitako Nivezivezy hatraiza hatraiza Miad...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-mitia/tsiky
TSIKY
Tsiky Mitia
Raha toa ianao mitsiky dia tena mahafatifaty mampita hafaliana, mampitony ny ao anaty Ilay tsiky avy aminao dia tena hafa mihitsy manome aina vao, anatin'ny segondra vitsy Ilay tsiky avy aminao, tsy mba manana sahala fa vao indro ianao mitsiky dia tsy maha-te hiala satry foana ny hahita ilay tsikinao maharitra z...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/fitiavana
FITIAVANA
Fano
Hisalorako ny lamba Hisampinako hoatra izao Tsy avelako ho angamba Fa Malagasy isika izao Ilay Gasikara tena tsara Dia ireo foko Malagasy Ambarako eto fa tsy adala Ireo vahoaka Malagasy Nitaky izato fahafahana Menalamba,Sadiavahy Tsy namela raha tsy nanana Ilay fahaleovantena indray Namoizana aina maro Nan...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/ventsonny-fo-mitempo
Ventson'ny fo mitempo
Fano
Ny rano no misamboaravoara, Asesiky ny onja mitopa. Fa Ianao no misarika ahy Dia noho ny fitiavan'ny Ray Ka indro aho anio, Avy hanatona Anao Tsy atao toy ny sangy, Na koa kilalao F'avy,hionona mandrakizay Avy hifaly,hamonjy fanahy Izaho ilay maditra no hiverina anio Dia tantano ny diako ary koa mba tahio D...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-1000/mpanao-biriky
MPANAO BIRIKY
ANDRIAMASIMANANA Andry
MPANAO BIRIKY 1) dia niainga maraina ity tovolahy, namariparitra tany ankiray, natsatotsatony teo 'zany peniny, ka tsy nanaiky izy raha tsy afa-nenina, 2) ningainy kely ary 'ty pataloha, ka nisabaka ny tongony roa, niondrika kely izy sady nandray, ka nanainga ambony ny sandriny indray, 3) natontany mafy ity ts...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/ny-fitiavako-azy
Ny fitiavako azy
vals cristian
Ny fitiavako azy ve? No tianao ho fantarina Tiako izy ,izay fotsiny Izay aloha no tena marina Tiako izy ,ary tsy foiko Na maro aza ireo tsy tia Izy irery ihany ,tsy ho soloiko Fa ho tiaviko ho doria Tena betsaka ireo mpankahala Sy manenjika anay roa Tsy kivy anefa aho ,na hiala Fa mbola hanamafy ireto fo Ti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/mpamaky-fanahy
MPAMAKY FANAHY
Fano
Tiako ianao fa teniko Hajaiko koa fa Reniko Hasandratro ambony Mba ho mamin'ny fony Koloiko hivelatra Ny kantony hielatra Ka hamaky fanahy Ilay teny ho ahy Ny mpanenjika hangina Fa hitombo re ny tiana Ny mpaneso koa ho gina Satria ny vavako efa zina Fa ny maintso natao ho an'ny ala Ny foko koa ho an-drama...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/tsiniko
Tsiniko
vals cristian
Mety ho tsinko ve ? Raha toa mitia mangina Sy minia tsy mahare llay feo milaza fa tsy tiana Fa misisika hatrany Na dia efa ampahoriana Tsy mety ho tapitra tomany Nefa mbola hiafiana Mety ho tsiniko angamba Ny manda ilay anjara Satria ny masoko efa jamba Ka tsy mahatsinjo ny ao afara Fa toa sondriana mampaho...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/andeha-aho
ANDEHA AHO
samiir lien'ju Rafaralah
Andeha aho ka dia veloma Andeha aho,handaho ity tanana Andeha aho ka dia mionona Reo havana rehetra sy ny akama.. Andeha aho ka tsy ho hita intsony Andeha aho,andaho ity tany Tany izay feno fijaliana Sy fahoriana sesilany.. Andeha aho hivadika tontolo Tontolom-piainana any ankoatra Na dia malaina sady kamo az...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/aza-miangavy-intsony
AZA MIANGAVY INTSONY
Joda Razakasoa
ity tononkalo ity dia setrin'ilay tononkalon'i JNB "MIANGAVY FARANY" AZA MIANGAVY INTSONY Ianao ry namako aza miangavy azy intsony ataovy ampy ireny fiangaviana fitiavana ireny saingy indray andro any mbola hotsaroany fa tany nisy olona nitia azy ombieny ombieny indray andro any dia izy no hiangavy tsy maintsy h...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/misaotra-anao
Misaotra anao
vals cristian
lreo lokaloka hatrizay Hoe hiara dia isika sy hitambatra ho iray Ireo voady natao dia samy voahitsaka Satria lasa ianao nandao, nahavita namitaka Ny nofinofy anefa lasa dia lasa Toy ireny tsy ho faty ireny mihitsy Kanjo, foana ho azy teo rehefa iny ianao no lasa Nanadino ilay tsy mba nahafoy mihitsy Eto aho and...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/miandry-berantoson/te-hitovy-aminao....-fan
Te hitovy aminao.... Fan
Mi'andry Berantoson
Te hitovy aminao.... Fantatro fa maro no tsy mba manana fanantenana kivy tsy mahita intsony izay lalan-kombana izay havana sy namana tsy hita hampahery indrisy lava! toa fiainana tsy mety afa-pery Mampalahelo tokoa ny mahita ny sasany tsy hay intsony fa ny mizaha ny fako no lahasany tsy maraina tsy hariva fa amp...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ilay-malalako/henoy-ange
HENOY ANGE!
Ilay Malalako
Ianao io indrindra no tiako ho afarana, Ianao izay manaiky fa taom-pivoarana. Izao andro izao ka indro mitolona Hitolona adidy,dia sahia sy vonona. Ianao maodimaody sy lalim-pitetika, Izay handrosoana, isanandro,matetika, Mba raiso ho adidy ny tenin-drazana Andrao tonga vato natsindry ahazana. F'indray,etsy an-...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/hira-ho-anao
HIRA HO ANAO
hjravs
HIRA HO ANAO - ilay tovolahy - Ritsoky ny fo aingan'ny fanahy Rindra tonga hira mba satriko hiraina Entiko mamoha ny manodidina ahy hiara-hiatsa ny fitiavako anao ry Sombinaina! Ny taratra masoandro, ny hazavan'ny volana iriako samy iantefa an'ati- efitranonao ka tontolo andro lavitry ny olana, no hiainana...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/fanantenana
FANANTENANA
RFE Andria
FANANTENANA Avia! Avia ô ry Fanantenana! Meteza ho mponina anatin'ny foko Hanototra indray ireo fahabangana Sy hanalama ao ny marokoroko Tohofy fitia ireo molotro maina Tohatohano aho fa hila halemy Izany fanahiko efa mangaina O! sakambino fa mandalo memy Ny vatako lanaky ny nandry fotsy Ny saiko torovana nia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/takon-drahona
TAKON-DRAHONA
Fredy Jaofera
TAKON-DRAHONA Malomaloka aok'izany, na ny andro na ny foko, manimanina ny akany satry eto ho hosodoko. Mangingina hafahafa 'tony toerana anoratana, mamoha eto irony jafa tonga eto sy mivantana. Miherikeri-tsamirery fa izao re no lavi-tiana ; mihombo ho azy ny fery, miroso koa ny fanaviana. Misentosento lal...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/vidin-dranomaso
VIDIN-DRANOMASO
samiir lien'ju Rafaralah
Eh! Dia izaho irery sisa ity No mamisavisa ity fiainana Toa tsy mba misy afaky ny hanampy Na mba azoko hitarainana. Manilikilika ahy ireo fiaraha monina Toa miha betsaka ireo mpankahala Tsy maintsy izao ve no mahazo Rehefa tojo fahatrana!?. Mangidy loatra lahy ny vahona Nefa mbola azoko hiafiana Toy izay ity ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/samiir-lienju-rafaralah/ho-anao
HO ANAO
samiir lien'ju Rafaralah
Atokako ho anao malala Atokako ho anao irery Atokako ho anao ty foko fa tsy ho zaraiko velively. Na lavitra aza ianao dia tsy adinoko izany ka ilay fitiavako anao tsy rava ny elanelan-tany. Ianao ilay efa nofidiako Hizarana ilay fitia Ianao ilay mba hany faniriako Hitantana izany dia. Ianao ilay hany mba ma...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-mitia/ianao
IANAO
Tsiky Mitia
"Ianao" raha ho avy ilay fotoana hahitako anao ry tiako dia ho feno fifaliana fa to tokoa ny faniriako efa ela niandrasana, efa ela naniriana maika ny ho anilanao, maika hamihina olon-tiana toa tsy ho andry ny handrenesana izato tambitambinao safosafo, orokoroka, teny mamy avy aminao ilay tratranao iondanana dia...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/izay-hira-izay
IZAY HIRA IZAY
hjravs
IZAY HIRA IZAY (tohin'ny "Hira ho anao") - ilay tovovavy - ô Retsy e! avia ange indry dia henoy 'ty hira 'ty e! izay hira izay akia, 'lay hiran'ny fitia 'zay mamiko ery. Rehefa hariva toy izao eto antsimon-tranonay misy bandy anankiray mivazo an'izy 'zay. Ny ritsoka gitara sy ny angolan-drotsiny, retsy 'ty, ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/razakasoa-joda/hisampana-roa
HISAMPANA ROA...
Joda Razakasoa
HISAMPANA ROA... Raha ampy anao ny fitiavako nahoana ianao no nandositra ahy hambarao ahy re rahavako fa izaho efa manomboka manahy fa ianao efa manana olo-tiana izay afaka hameno ny banga aleoko mihintsy mangina satry ity fitiavako toa jamba hanao izay tsy hitia anao ny foko ,ny saiko koa tsy hanembona ints...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/lainga
LAINGA
Fredy Jaofera
LAINGA Lainga tanteraka no efa voaporofo ny tena fitiavako raha toa ka hiofo, ny faniriako ka hoe : fisarahana fa mbola ianao no ankasitrahana. Resaka adala izay hampidoboka fa mainka aza hampidoroboka ny efa dina amin'ny tsara kokoa, na aiza na aiza rehefa mahasoa, n'oviana n'oviana ka mahazo laka 'tony fiti...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-miofo
TSY MIOFO
Fredy Jaofera
TSY MIOFO Mivadibadika ihany ny andro sy taona, feno hafaliana, na ahoana na ahoana, tsy afa-mampiofo fa iny mampihaona ilay tena fitiavana mirehitra foana. Fiadanana ihany no mbola tsikaritra mitombo mangina, tsy mety voafaritra, mampientana hatrany no sady tsy aritra fa tiako dia tiako no mba mahafinaritra. ...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsiky-mitia/mpanoratra
MPANORATRA
Tsiky Mitia
ny ankamaroan'ny olom-pantatro rehetra hiangaly izany ho tsara fa tsy hanao kitoatoa Ka ho soratra mitoetra dia hifamaly ny aingan-tsika tsy ho tontan'ny ilay ela fa ho ainga vaovao tsy hahatsiaro hangatsiaka dia ho feno misitery ka ho tena hafa mihitsy fa eny an'habakabaka eny no hihaonako aminao eny, na dia o...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mikimpy
MIKIMPY
Fredy Jaofera
MIKIMPY Iza ange no nanampo fa hatory tsy mifoha 'lay masoandro fifaliako mbola lafo sy niriko ? Iza ange no nahalala fa hikimpy sy hiala 'lay reny tsy hosoloiko, sady meva no tsy foiko ? Iza ange fa 'tony tany mamoaka 'reo tomany, toa mamory ny alahelo marobe fa tsy in-telo ?... Sentosento foana sisa no...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/faniriako
Faniriako
Fano
Ravo ny fanahiko Miventso ho Anao Kanto izany taniko Asandratro ho Anao Mba sambatra indrindra aho Raha Ianao no Mpiahy Ary handroso ny taniko Eo an-tananao ry Ray Mba raiso re ry Tompo ity Nosinay ity Fa toa nivadi-po sy be faniasia Mba henoy Tompo izao feoko izao Ekeonao ry Ray izao faniriako izao Handros...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/fitia-voarara-fiz-11
FITIA VOARARA Fiz 11
vals cristian
lny alina mangina No nahatsapako ahy hoe sambatra Nahitako fifaliana Satria ilay olon droa no hitambatra Natambatry ny fitia indray Na dia efa norarana Aza Ilay fo roa mitempo iray Tsy nahatsiaro hoe efa rava Fa tsy hifankafoy intsony Sy hifankatia lalandava Ary tsy hisaraka intsony Na iza na iza hikasa han...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/aloka
Aloka
vals cristian
Zary aloka mitoetra lny lasantsika iny llay fitia tsy manam petra Sy ireo zay vita fahiny Aloka ,mandrahoa ahy hatrany Manalokaloka ahy foana Mahalatsaka tomany Raha mbola misy ny fotoana ltamberenany ato an tsaiko Sy handalovany ao an dohako Tena mankarary ny aiko Mampihena ny finoako Aloka mantsy sisa ind...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/fitia-voarara-fiz-10
FITIA VOARARA Fiz 10
vals cristian
Tena menatra aho indraindray Miaraka @Neny ka mifanena anao Satria ampatsiahiviny ahy indray Ireo fihetsika sy teninao "Fa hono aho aki Niaina Mba iza ary iny tovolahy iny? Toa tsy mba mierika mba ho arabaina " Asa ,angamba hoy aho ,mbola vahiny ! Toa akon'ny fihomezana i Neny Mahatsiaro ahy ilay nitomany Iza...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasn-kwel/izaho-sy-fanja
IZAHO SY FANJA
has'n kwel
ety am-piandohana dia ambarako aloa fa tantarako no miseho, tantaranay roa izaho no hasina, fanja ilay tiko ny hiarahanay mandrakizay ny ahy hany tokana iriko tiko fanja, eny tsy foiko sady mamiko nanampy ahy hanakatra iry lanitro izy ilay tia ahy, tsy namela ahy ho irery ka ny foko tsy omby an'iza intsony afa t...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasn-kwel/nahoana-loatra
NAHOANA LOATRA?!?
has'n kwel
Nahoana, fa dia nahoana laotra ary ny fiainam-pitiavako no toa tsizarizary? toa rakofan-drahona, raho-manify tsy ahy ny safidy, fa ny anjarako mihafy malala a! any ianao lavitra ahy lavitry ny maso fotsiny ihany fa akaiky ny foko sy fanahy anaty eritreritro, voabinanjiko lalan-dava anatiko alahelo fa fotsiny mit...
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/mandali
Mandalo!
ANDRINIAINA1
Mandalo! Mandalo hoy aho ny zavatra rehetra. Mandalo avokoa satria tsy natao hitoetra N'inoninona zavatra ambonin'ny tany Dia mandalo avokoa izany Na fahateràhana, na fahazazana Na fahanterana, na fahatanorana Na fahafatesana, na fahaterahana Na fifaliana, na fahoriana Tsy misy nohariana tsy hisy fetra: Ny za...