url stringlengths 43 292 | title stringlengths 0 91 | author stringlengths 0 50 | content stringlengths 31 62.1k |
|---|---|---|---|
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasn-kwel/tohinny-izaho-sy-fanja | TSY MISY ANJARA TSY HIFANKAHITA | has'n kwel | tsy misy ny anjara tsy hifankahita
tsy misy ary tsy hisy mihintsy
ny lasa tsy azo hodian tsy hita
ny ho avy atao misimisy
hasina sy fanja, efa am.- pelatanan'ilay Ray
manomana ny fo, hifankatia mandrakizay
efa voa-tso drano, mba ho laban'akoho
ary efa manantena izany daholo ireo RAD tsika roa
eny na an-taona ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ny-atero-ka-alao | NY ATERO KA ALAO | Fredy Jaofera | NY ATERO KA ALAO
Ny atero ka alao
no filamatra soa
mampety ny atao
hisy rindra tokoa.
Ny atero ka alao
no toky miavosa
handamina anao,
na dia tsy trosa.
Ny atero ka alao
no sitraka etoana
bebe fiainam-bao
sy firavoravoana.
Ny atero ka alao
no saotra malaza
tsy ilana raorao
raha tena sahaza. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randra/tsy-ahoako | TSY AHOAKO | randra | Maro loatra ireo npandrafy
Tsy mamela ahy hiaina
Manao ratsy tsy ankiafy
Angamba miandry ahy itaraina...?
Fa tsy ahoako akory anefa
Satria ny ratsy tsy maintsy ho lefy
Ka ny tsara indray no hahefa
Mandritra ny fotoana tsy voarefy |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/namana | Namana | ANDRINIAINA1 | Namana ve?
Namana hono ka namana
Rehefa sendra hoe mana-manana
Fa rehefa sahirana odian-tsy hita
Ilaozan-drery eo rehefa sendra misy mba tafita.
Namana hono ka hoe namana
Nefa tsy mba izarana izay ananana
Rehefa mahazo mihinan-drery
Nefa mila vonjy rehefa tery
Namana eh, namana
Nefa tsy hita akory izay fanome... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/andriniaina1/tiako-izy | Tiako izy! | ANDRINIAINA1 | Izy iny ngeh no tiako!
Efa hoe izy iny ho ah no tiako;
Raha tsy ianao io no nofidiko.
Izaho ngeh no mahalala:
Raha nisafidy azy ho malala.
Fantatro loatra izay ato anatiko;
Mivaivay mila tsy ho tantiko.
Ka na hitsara ianao na na hanome tsiny;
Dia tiako foana izy iny.
Na hangidy na ho mamy,
Na hijaliako ny mia... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/fitia-voarara-fiz9 | FITIA VOARARA Fiz9 | vals cristian | " Etsy horohako farany
Ny molotrao ry malalako"
lzay no teny hany nambarany
Namihina mafy ireto tanako
*Veloma ianao* no teniko
Dia mitraka fa lehilahy
lndro mbola haverimberiko
*TIAKO IANAO *fa aza manahy
Misaotra akia ,hoy ianao
Veloma ,aza manadino
Na dia hisaraka aza izao
Tsy kivy aho fa mbola mino
Fa t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasn-kwel/tohinny-izaho-sy-fanja-9201 | has'n kwel | (tohin'ny IZAHO SY FANJA)
mamy akia ny miara-droa, mamy ny mifankahita
saingy ny fitenenana " raha tsy mitady tsy mahita"
ka mamiko ny anilanao, tsaroako ireny taloha
ka matokisa ianao ry fanja tiako, izaho tsy hiova fo
ny fitadiavana no sakana manelanelana antsika
mahatonga ity fo, bontolo sy hangatsiaka
nefa t... | |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasn-kwel/tiako-foana-ianao | TIAKO FOANA IANAO | has'n kwel | fanja a! ny mpanenjika tsy maintsy misy
manao anao ho toy ny adala
kanefa ry malala indrisy
fa tiako foana ianao fa zareo tsy mahalala
ry malala, eny ianao tsy foiko
ekeko ry malala ekeko ho adisoko
ny namela anao any, nandaozako anao aty
kanefa ry fanja, tsarovy fa izaho mbola tia
maro ho izy ireo ny bandy, ma... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/fitia-vorarara-fiz8 | FITIA VORARARA Fiz8 | vals cristian | Nilaina:
""Azafady akia ,hoy ianao
Nandray moramora izato tanako
Fafao ny ranomasonao
F'izao akia vao tena tsapako
Tena tia ahy ianao
Saingy tsy afaka manoatra
Ka ny ranomasonao
No milaza ilay fitia te hisendoatra""
Latsa-dranomaso avokoa
Ka tsy hita intsony zay hampangiana
Teo vao tsapanay tokoa
Ny lanjan'... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ahy/lay-foko-tia | LAY FOKO TIA | AHY | ra mb fantatraw fa ny foko ane ka tia
ka ts nrarainaw satri enw ts tia
ar apetrak ny vazo
mb ho solona akanjo |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/randra/izy-angamba | IZY ANGAMBA | randra | Izy...Mety izy angamba
Ilay tokana iray
Hampiratra ny masoko toa jamba
Tsy nahita hatrizay
Izy angamba ilay tiana
Izarako izay rehetra momba ahy,
Ilay tsaroana rehefa sendra mangina
Ilay omeko ny fo,saina,fanahy
Izy angamba ilay voafidy
Anambarako ireo tsiambaratelo
Handry eo an-tsoroko raha sendra mangidy
H... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/steeven-phanoelson/iny-vorona-iny | INY VORONA INY | Steeven PHANOELSON | Iny vorona iny izay miloko menamena.
Vorona mafinaritra toy ny mahita volamena
Tsara fanidina, tsara fipetraka
Indrindra fa izy eo ambony talapetraka
Iny vorona iny tena mahasarika vahiny
Ze mahita de tamana @zato fanahininy
Izy tsy mitsiky fa hita we faly
Ts hita soritra amnazy mihits zn tavany mijaly
Iny voro... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/vavaka | vavaka | Fano | Ray ô! Olombelona aho,
Olombelona tokoa;
Mitady Anao aho
Mila Anao tokoa,tokoa
Sarotra entina ny saiko,
Tsy mety ho tony koa ny foko
Manampia Ianao ry Ray,
Hanafaka ahy sy hanasoa
Ilay ratsy no mahery
Manjaka ao tokoa,tokoa
Manafaha ahy ry Ray
Mba ovay ho mafy fo
Mba hanaraka Anao
Hahery fo sy hankato
Ny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/steeven-phanoelson/miandry-anao | MIANDRY ANAO | Steeven PHANOELSON | =>Fotoana maro tsika nu voatery we nisaraka
=>fa ny fon-tsika roa nitambatra fa ts nisaraka
=>tiako, tena tiako enao rahavako
=>tsy menatra aho nu ilaza fa efa vonona ny vavako
=>na dia ts de mifandray ar tsika de za wa mbôl tia
=>ar miandry anaw hatrany satria manjaka lay fitia
=>tsotra enao ka tsotra afk iaraha... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hasn-kwel/tohinny-izaho-sy-fanja-sady-farany | Tohin'ny IZAHO SY FANJA sady farany | has'n kwel | aza manahy ianao ry tiako, fa ianao irery ihany
no hanokanako ity foko eto an- tany
ka na lavitra aza ianao, any ambatolampy any
dia tsarovy fa ny fitiavako anao dia mitombo mitombo sy miha-mamy
TAPITRA |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/yroits-valisoa-rft/anoratra-aho-de-antsam-pi | Anoratra aho de antsam-pi | Yroits valisoa rft | Anoratra aho de antsam-pitiavan
Hanoratra aho mba ho mari-pamantarana
Kalo senda tao antsaiko tao
Hambarako fa tiako enao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/fiainako2 | Fiainako2 | Fano | Toy tantely amam-bahona
Izany fiainana an-tany
Mety ho sembanan-drahona
Ka hiondrika sy hitomany
Matetika anefa mba mirana
Mahatsiaro fa ny fitia tsy mivilana
Tsy misy ny didy sorirana
Fa manao toy ny vonim-boahirana
Mitraka tsy miato
Mandia ny tany
Miezaka foana
Mandresy tomany
Ny Raiko manampy
Ny Fanahik... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/namana | Namana | Tatamo Ravaky Ny Farihy | Namana
Ny namana?
Olona tsy nifankahalala
Fa nampihaonin'ny anjara
Mifanohana sy manoro
Ka manao izay tsy hampikoro
Olona mahay manarina
Mampadio sy manamarina
Olona mahatoky koa
Ary tsy miroaroa
Olona manao izay mety
Hampisondrotra anao
Tsy tia tena velively
Fa mizara izay atao
Olona mahay mihaino
Mandi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/fitia-voarara-fiz-6 | FITIA VOARARA Fiz 6 | vals cristian | " tena menatra aho izao
Ka tsy sahy hanatrika etoana
Satria efa nahavita nanda
Ilay fitia izay tao anaty
Ny tampoka marina tsy mahalehilahy
Ka nanda aho ,nanda tsy satry
Koa apetrako aminao
Ny fanapahan-kevitra
Satria tena ny ho avinao
No ho simba raha diso hevitra
Ekeko fa tena tia aho
Saingy aleoko aloha m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/manan-kery-ny-teny | Manan-kery ny teny | Tatamo Ravaky Ny Farihy | Manan-kery ny teny
Ny teny dia:
Miaro na manitsoka
Mamoha na manidy
Manadio na mandoto
Mahasoa na manimba
Mitsabo na mandratra
Manatsara na maneso
Mamelona na mamono
Mampisy na manafoana
Manavao na manatonta
Mahatsara na maharatsy
Mananatra na mandatsa
Mikolokolo na mandrava
Misarika na mampiverina
Mampi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/fitia-voarara-fiz7 | FITIA VOARARA Fiz7 | vals cristian | Niaina: **Mitso-drano anao aho
Mba hahita izay ho soloko
Izay tena hampiadana anao
Dia natolotro ho azy avy eo ny molotro**
Nilaina:""
Tsia ,tsy te hitia hafa intsony aho
Fa ianao irery ihany
Eto foana aho hitia anao
Koa aza mbola mitomany""
N1**
Aza adino fa izany
No mbola hampitombo hatrany
Ny fifandraisa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/ny-zanako | Ny zanako | Tatamo Ravaky Ny Farihy | Ny zanako
Ny mamiko indrindra raha mbola eto an-tany,
Dia tsy misy hafa fa ny zanako ihany
Zanako tiako ary koa fifaliako
Sombin'ny aiko ka dia hiafiko.
Masoandro miposaka andro ririnina
Manafana ny akany na tsy misy n'inon'inona
Manome fifalina tsy hay halalinina
'Reo zanako tiako ary koa fifaliako.
Mamerina ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/sakodiavatra | SAKODIAVATRA | Fredy Jaofera | SAKODIAVATRA
Ratsy ianao, tsy tiana ;
tsara ianao, tsy zaka ;
tsarovy, na rahoviana
ka te hamakafaka. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/omeo-hery-aho | OMEO HERY AHO | RFE Andria | OMEO HERY AHO
Ray o!
Omeo ahy ny herin-tsaina
mba tsy hampiferinaina
manoloana izato ady
efa atrehiko sahady
Omeo ahy ny herim-po
hampitraka indray ny loha
hanantena fandresena,
ilay natolotrao, nomena
Omeo koa herim-batana
hery afaka mitantana
ity tenako malemy
mandalo fitsapana, memy
Omeo ahy herim-pana... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/ny-herinny-teny | Ny herin'ny teny | Tatamo Ravaky Ny Farihy | Tiana a! marary loatra akia izato foko kely
Navelanao ho irery, voakapoky ny teny
Ka dia manirery, mitokiky feno fery!
Tiana a! mangina loatra akia izato foko kely
Tsy zatra fahanginana, fa zary tsy voajery
Mila hanta, mba tsy ho irery!
Tiana a! miverena indray, soloy teny mamy ireny teo ireny
Hanakotona ity fer... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lova-miarshu/namana | NAMANA | Lova miar'shu | Namana ianao raha toa ka
mahay mizara manome,
mahonena sady mitsetra,
manoro izay aleha,
amin'ny fiainana rehetra!
Namana ianao rehefa
misy zava-maha ory,
mifanampy, tsy mifanakora,
mahavita miari-tory,
isan'andro,isan'ora! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/iny-havako-iny | Iny havako iny | Tatamo Ravaky Ny Farihy | Iny havako iny
Any ho any izy izay
Ampitan-drano lavitra ahy
Any izy no mitoetra
Any izay havako izay.
Efa ela no tsy nihaona
Manina azy indraindray
'Nefa na tsy manoloana
Tiako izay havako izay.
Lavitra an'i Gasikara
'Nefa be mpikarakara
Ho tafita soa aman-tsara
Re ry havako malala.
Ho avy i Dada sy i Nen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/gasikara-tanindrazako | Gasikara Tanindrazako | Tatamo Ravaky Ny Farihy | Gasikara Tanindrazako
Tiako ianao ry Gasikara
Nalatsahan'ny tavoloko
Niainako ny fahazazana
Namaritra ny fiaraha-moniko
Dia tonga koa ny hatanorana
Mbola ianao no notononiko
Matoa kinasa ny tantara
Ny teninao no notononiko
Ny fahaterana ho avy
Mbola ianao no ho tazoniko
Hitoetra anilanao ihany
Satria izay n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/ventsom-poko | Ventsom-poko | vals cristian | lsan'andro dia toloko
No manjo ity foko ory
Mihitatra ilay ratram poko
Ka mahatonga ahy tsy hatory
Fa tototry ny adin tsaina
Rakotry ny ranomaso
Nefa tsy afaka ny hitaraina
Noho ireo mpanao ankaso
Ho aiza moa aho ?
Ary iza no hitarainako
Tomany aho fa voafotakao
Koa tena simba ny fiainako
lza intsony no mba... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/ny-teny-malagasy | Ny Teny Malagasy | Tatamo Ravaky Ny Farihy | Ny teny malagasy anie
Tsy hitovizana amin ny hafa
Io no mampirehareha
Satria tsy mampihafahafa
Ny teniko, ny taniko
Ireo no tena mamiko
Sambatra aho fa malagasy
hatraty an-dakilasy
Sao ianao dia mampitaha
Fa tiako lavitra ny ahy
Eny ekeko ny hoe mianatra
Fa ny teniko mananatra
Na mianatra teny vahiny
Ny ah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/anatry-ny-hoavi_pitiavanao | ANATRY NY HOAVI_PITIAVANAO | BerthiN AinA | Fomban'ny olo miaraka
No ts mifanaraka
Fa izany akory ts natao hapisaraka
Fa fitsapana ny hoavy manaraka
Nefa ny sasany misitaka kely
Miala ilay olon-tiana mandeha irery
Na antsoina tsy mandray ts miteny
Tsy mamaha olana fa mirenireny
Hany ka lasan`olona izy
Dia tavela eo ianao sy ny Ankizy
Ka hanome tsiny Az... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masoandro-manana/elanelan-taonantsika | Elanelan-taonantsika | Masoandro Manana | Tia,Tia?Nefa toa misalasala
miandry kely hoy ianao.nampahalala!
Ny elanelan-taona no nahakivy izato ianao?
Ekeko!Misimisy ihany raha isaina izy ao
Ny tiako ampafantarina,indrindra fa ianao
tsy haitraitra sendra niarina lay fitia nomeko anao,
Fa raha ny taonantsika no hijerena ny fitiavana
ngamba izaho sy ianao t... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/gasikar-tanindrazako | Gasikar Tanindrazako | Tatamo Ravaky Ny Farihy | Gasikara Tanindrazako
Tiako ianao ry Gasikara
Nalatsahan'ny tavoloko
Niainako ny fahazazana
Namaritra ny fiaraha-moniko
Dia tonga koa ny hatanorana
Mbola ianao no notononiko
Matoa kinasa ny tantara
Ny teninao no notononiko
Ny fahaterana ho avy
Mbola ianao no ho tazoniko
Hitoetra anilanao ihany
Satria izay n... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/masoandro-manana/dia-izany | Dia Izany | Masoandro Manana | ... Efa betsak'ireo nosainiko,
anisan'izany ianao.
Isan'ny tsiambarateloko,
ny nanokam-pitia hoanao
Fa tsy ho tafaraka isika,
raha lalàn'ny tany sy lanitra.
Aleo ho ijanona eto tsy hiampita,
'lay fitia nokoboni-naharitra
Mety ho androm-pifaliako ny haitana anao,
nefa koa mampisy fahoriana fiainana iray,
mitsi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/taralila | TARALILA | Fredy Jaofera | TARALILA
Am-bava tsy tia,
am-po, taralila ;
amboary ny dia,
tsy hivaralila.
Am-bava tsy tia,
an-tsaina, malala ;
tsy hoe, sanatria,
ka te hanadala.
Am-bava tsy tia
fa ny fo mitomany,
na tsy mba minia
mitsotra an'izany.
Am-bava-tsy tia
fa be ny ahiahy
mety hankahia,
mahosa fanahy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fenosoa/ny-fiainana | ny fiainana | Fenosoa | ny fiainako,ny fiainanao
anjakan ny erisetra
indrindr mo fa izao sy zao
ary eo ny etsetretsetra
toa ts azonao antsaina
ireo lafitsaran n efa vita
fa n masak ao antsaina
dia ireo nenina ts ritr
ts anao ninin
ts te ivoatr intson
f n azo banjijnin
de tony fiainana itony |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/hatraiza- | HATRAIZA ? | Fredy Jaofera | HATRAIZA ?
Hatraiza no misy ny fetra
hanova ny nahapararetra,
handroaka ny sento sy jaly
ho naman'ny lasa sy omaly ?
Hatraiza no misy ny tsiaro
tsy hamoha 'reo alina maro,
tsy hanaitra ireny ady mafy
fony tokana sy mba nihafy ?
Hatraiza no misy fotoana
tsy irina hanaloka foana,
tsy ilaina hamerina indray
ir... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/vesatra | Vesatra | Tatamo Ravaky Ny Farihy | Vesatra
Latsa-dranomaso, navesatry ny ankaso
Raha vao nahita anao niala ho tsy tao
Kepoka sy gina, domelina sy sina
Nampanontany tena, toa nangenahena
Lasa ianao tsy tazana, ka tonga dia nangazana
'lay dian-tongotrao no hany sisa tazana
Ny alahelo anao no be am-poko ao
Tsy nametra-pialana fa tonga dia nandao |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/miverena | Miverena | vals cristian | Mivezivezy any ny saiko
Mande mitady anao ilay tiako
Nefa ianao izao any tsy haiko
Raha mba matsiaro ilay faniriako
Sasatra aho no manofy antsika
Mamerina izay natao
Indrisy mantsy fa nofy sisa
Satria ianao efa nandao
Aty aho ,mitomany lava
Miantso mafy ny anaranao
Fa malahelo lalandava
Ilay tia nefa nilaoza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/alina-mangina | Alina mangina | Tatamo Ravaky Ny Farihy | À l’instant ·
ALINA MANGINA
Amin'ity alina mangina, toa feno fifaliana
feno fitsikiana, nilaozam-pahoriana
satria nitohy indray ilay vetsovetsom-po
Noheverina ho ringana satria toa voafingana
Mibaliaka eny akia, ny saiko fa satria
Na nanjombona aza ny endriky ny tava
niarina indray noho ilay jiro nanazava
Dia ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/fitia-voarara-fiz-3 | FITIA VOARARA Fiz 3 | vals cristian | Kanjo , ny asabotsy taorian' iny
Dia inona ary no niseho
Ilay isika roa mbola niaraka
No nipotra tampoka teo .
I Neny
Ka niondrika aho ,tena tsy nahajery
" Fa dia nahoana loatra ary
No toy izao foana ?
Tsy mba misy zavatra manjary
Fa toa fijaliana foana"
Nantsoin' i Neny aho
Fa ianao kosa nandeha nody
Natah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/fitia-voarara-fiz-4 | FITIA VOARARA Fiz 4 | vals cristian | I Neny koa moa masiaka
Ka tsy azonay nalamina
Izay vao tena tsy hisy fika
Ilay fitia izay nangalarina
Nandeha nody izaho sy i Neny
Rehefa ela teo ny ela
Ianao moa toa tsy nahateny
Nahatsiaro tena ho tavela
Tsy natory aho ny alin' iny
Fa ny ranomasoko no nijohy
Inona no hanjo anao ry tiana ?
Raha sanatria tsy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/mihodina-ny-tany | Mihodina ny tany | Tatamo Ravaky Ny Farihy | 6 min ·
MIHODINA NY TANY
erin-taona lasa izay
no babon'ilay tsiky
voasinton'ny fitia
nisidina tery
erin-taona toy izao
no niaretan-tory
tsy nisy nampahory
kanefa dia izao
erin-taona lasa
no nambabo ity fo
adaladala loatra
ka tonga dia nitroatra
erin-taona lasa
no nahitana fifaliana
raha tojo ity tiana
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ho-inona- | HO INONA ? | Fredy Jaofera | HO INONA ?
Ho inona ny fiainako
tsy mba manana anao ?
Hiova ve ny tarainako
sa dia tsy hita handao ?
Ho inona ny androko
raha ianao tsy anjara ?
Moa ny masoandroko
mba hihiratra tsara ?
Ho inona ny orako
raha ianao tsy mitia ?
Moa ho voaborako
'reo ilaina hifangia ?
Ho inona ny lalana
raha ianao tsy mifal... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rado/halako | voafafa | Voafafa | Tsy afaka miseho eto amin'ny takelaka io tononkalo io fa nosakanan'ny tompon-jo.
Jereo eto |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/ny-hafaliana | Ny hafaliana | Tatamo Ravaky Ny Farihy | Ny hafaliana
Ny hafaliana dia Vavaka, Hery sy Fitiavana
Vavaka tsy tapaka iainana ao anaty
Vavaka ny ho soa izay rehetra afafy
Vavaka mitohy sy toy ny vatolampy
Herytsy voasolo fa nivoaka avy ao anaty
Hery mampijoro izay rehetra niafy
Hery tsy mikoro fa ho hita mandra-maty
Fitiavana tsy tana fa tena mande mafy
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ady-rima | ADY RIMA | Fredy Jaofera | ADY RIMA
Fifaliana
fitahiana,
fahendrena,
volamena,
fihavanana
fiadanana,
fahazavana,
fahagagana,
fandaharana,
hasambarana,
fandrafetana,
fampaharetana,
fampiononana,
fampiombonana,
fahamarinana
fanambinana,
fahalavirana,
fandosirana,
fanesoana,
fandotoana,
fandatsana,
fandratrana. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/heriy/henoko | henoko | heriy | henoko hono atoato
hisy fety tena tsara
hisy sakafo mitafotafo
ary dihy mirindra tsara |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ianao-poeta | IANAO POETA | RFE Andria | IANAO POETA
Ianao poeta no masony mijery
ary koa mahita ireo fono mistery
Ianao poeta no tanany mandrangotra
rehefa ilay misy mampisambotra
Ianao poeta no tongony mitsipaka
entiny manohitra ireto mpandripaka
Koa dia herezo izato adidy masina
ho enti-manarina ireo mitsinkasina |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/fitia-voarara-fiz-5 | FITIA VOARARA Fiz 5 | vals cristian | Ho aiza aho ,sa hiova loko ?
Satria ny anay efa tsy anjara
Tsia nefa ,tsy manaiky ny saiko
Manohitra izany mafy
Toa tsy ho zakan'ny aiko
Ny mahita anao hiafy
Sy mijaly mahita ahy
Eny an-tratran' olon-kafa
Satria na ny anao na ny ahy
Ilay fitia tsy ho voafafa
Toa tsy nahazo tory
Fa nieritreritra ny fitiavako
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tatamo-ravaky-ny-farihy/tsia-tsia-sao-ianao-mihe | TsiaTsiaSao ianao mihe | Tatamo Ravaky Ny Farihy | Tsia
Sao ianao mihevitra fa teny mandeha ho azy no indro alefako eto
Tsia, teny voahevitra voalatro sy voarindra natokako indrindra
ho an'ireo nama-manirery, mitoloko, tsy voajery, ato ambadika ato
Voageja sy voafatotra amin'ny rojon'ny fitia nirina ny ho doria
Kanefa dia indrisy tsy afaka hankaiza na koa hiriaria... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/fitia-voarara-fiz-2 | FITIA VOARARA Fiz 2 | vals cristian | "Izay e ! Apetrako aminao ny safidy
Koa mba saino tsara ihany
Hitia ahy ve ka hizaka ny mangidy ?
Feno fijaliana sy tsy hilaozana tomany
Veloma ny malalako ! "
Izay no hany ventsom poko
Natolotro ho azy teo
Ka tsy nisy afa tsy toloko
Gina ela mihitsy toa tsy nahaloa-peo
Tsy andriko mihitsy ny handray
Izay met... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/vals-natiora/fitia-voarara-fiz1 | FITIA VOARARA Fiz1 | vals cristian | Fanazavana fohy azafady . Tanora roa vao nanomboka nifankatia i Niaina tovovavy sy i Nilaina tovolahy ,mpiara mianatra izy roa kely . Vao niandoha anefa ny fiarahan izy dia noraran ny ray aman-dreniny i Niaina tsy hiaraka @ i Niaina . Taorian izay dia nolazain i Niaina tamin i Nilaina fa tsy maintsy ho faranana ny fiar... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/tsy-mety | TSY METY | Fredy Jaofera | TSY METY
Tsy mety mitovy,
n'oviana n'oviana
ny karaoty sy ovy,
na samy mba tiana.
Tsy mety sahala
ny saka sy alika,
na samy mahalala
fa biby arontsika.
Tsy mety iray dia
ny raozy sy lisy,
na samy mangia
no zavatra misy.
Tsy mety iray feo
ny fody sy vintsy,
na samy vorona eo
no mihira mihitsy. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tandremo- | TANDREMO ! | RFE Andria | TANDREMO !
Aza afangaro
ny resa-pôlitika
sy ny tolom-panafahana
Mba atsaharo
ireo fikafika
izay tokony hiavahana
Aza atao sorona
hitadiavan-tseza
ny vahoaka madinika
Izy tsy vorona
na dia tsy ngeza
mba olona mandinika
Izaho tsy miaro
fitondra-mitanila
na fanampenam-bava
fa kosa tsy milaro
mampitsingila... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/aiza-ianao | AIZA IANAO? | RFE Andria | AIZA IANAO?
Manjombon'endrika akia
iny faravodilanitra iny
nosangian'ilay fitia
mampahatsiahy ny fahiny
Manamaloka ny tava
efa lanahin'ny hatsiaka
malahelohelo lava
mahatsiaro ny amintsika
Any mantsy ianao izao
toa ahy singan-drery
mitoloko, mitalaho
mitaraina, miari-pery
Izaho aty manimanina
manembonembo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/mirana | Mirana | RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison | Endrika miramirana
Izany saiko re sahirana
Ary te hahita mangirana
Izay mety ho maminao ry Mirana
Mirana?
Satriko foana aza akia
Ny hitapifipify amin-dry
Ary hianoka fitia
Mandrakizay doria...!
Mirana a! Tena tiako ianao
Ary ravin-kazo sara-taho
Raha misaraka aminao
Ka tsy hety daholo izay atao!
Mirana?
M... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tsy-avahana/asakasakao-mandositra-tsy | Vitako ny zanako | Tsy Avahana | Asakasakao mandositra tsy ho rainy
F'izany tsy havelako hibahana ao an-tsainy
Io tsy hitandroako izay mety hasasarako
Ataovy an-tsainao tsara...
Vitako ny zanako
Tsy ataoko hita taratra ato an-tokatranonay
Ny fahabangana misy amin'ny hoe tsy misy Ray
Ny manana ny maty aza mahazaka ny azy
K'izaho ampahafirin'iza... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/tso-drano-mbola-tia | Tso-drano mbola tia | RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison | Ianao iny,
Olon-tiako fahiny
Ilay efa nitondrako ny mafaitra
Sy ny ankasom-pitia tsy laitra!
Ary efa nataoko mihintsy
Ny hihazonana anao mba ho ahy
Nefa re indrisy!
Namoronako ny tsy nisy
Asa ianao raha nahatsapa izany
Na nianoka fotsiny ihany...!
Vokatry ny fo anefa ireny,
Ary tsisy neniko velively!
Ankehi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/izany | IZANY | joseclaudio | IZANY
Mafy koa ka mafy ny dona nahazo azy,
kanefa tsy nisy mba niatra izay rehetra nitarainany.
Na havana na namana mahita dia mandatsa,
fa anatra ho azy hono ary misy mba hisainany.
Kanefa,re ny fitiavany no nahatonga ny sombin'ny ainy.
Fa tsy vokatry ny ditra izay iheveranao azy.
Ary io fa tonga ao an-tsainy a... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tahio-re-ry-ray- | TAHIO RE RY RAY ! | RFE Andria | TAHIO RE RY RAY !
Ireto mpifankatia izay hanorin-tokantrano
Hamasino fikasana, ny fiainany tantano
Ho tokantrano sambatra misarim-paradisa
Anjakan’ny fitiavana, lavitry ny disadisa
Mba tahio re ry Ray ity tokantrano vao
Ho loharanom-pitahiana, ho voninahitrao
Hitaratra ny fiainan-danitra, arovan’ny anjely
Ho to... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ny-batisako | NY BATISAKO | RFE Andria | NY BATISAKO
Ny batisako, ry Tompo, dia batisa fiaikena
Ireo otako rehetra ary koa ireo fahalemena
Na ireo hita sy tadidy, na ireo tsy tsaroana
Dia samy entiko eto, ibabohako etoana
Ny batisako, ry Tompo, dia batisa fibebahana
Fialana amin’ny ratsy ka ho amin’ny fahafahana
Fanomezana lamosina ny fiainan-dasa teo ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/mpivahiny | Mpivahiny | joseclaudio | Ny tsy tonga tao an-tsainy:
Lalana miserana ny fiainana milamina,
tsy ho ary toa daholo ny ezaka natao.
Tsy maintsy misy sampana ary io dia safidy,
miatomboka etÿ!
Ny ratsy sy ny tsy mendrika no betsaka tetÿ
kanefa ny tsy hay
dia isika mpivahiny mandalo tany ho rava. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/maditra-mitomany | MADITRA MITOMANY | joseclaudio | MADITRA MITOMANY
Tsy mbola nisy leitsy...
Fa aminy ialahy tena Andriamaniny.
Izy ilay isan'andro bedy noho ny hadalana,
manda izay fananarana natokana ho azy.
Izy ilay tsy tara tamin'ny fandrosoana adala,
nanenjika ny rehetra fa mety fivoarana.
Dia gaga izaho izaho...
Mahita azy mandohalika mitalaho amin'ialahy... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/lela-hoa-vao-tanana | LELA, ho'a, VAO TANANA | hjravs | LELA, ho'a, VAO TANANA
Eny ho eny;
any ho any
misy zara roa tsy mira, mitady tanana hanamarina ;
misy mizana tsindrian'ila, miandry tanana hanarina.
Saingy ireny
ho any hatrany.
Satria voatefy mba hivilana ny lelan'antsy fizarana;
Satria voarefy hitongilana ny ilan-delan'ny mizana.
...ie, ny "tanana mahitsy", ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-rtm/mitondra-biby | Mitondra biby | RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison | Nifankatia isika,
Ary tena nifankatia
Fahiny anefa izany,
Fahatsiarovana fotsiny ihany!
Fa raha averina kely ny tantara,
Dia izaho ilay tia anao;ianao koa moa tia ahy?
Isika koa tsy nisy nisalasala
Fa avy dia samy sahy...
Hilomano anatin'ny fitia
Ary nivoady ny ho doria!
Tsy hay anefa izay nahazo
Asa,ny elan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tapaka-9130 | TAPAKA... | RFE Andria | TAPAKA...
Notapahina tarangana
tsy navela hisy niangana
ny tady izay nihenjan-droa
nampifandray ny filoha
sy ny vahoaka efa leo,
leon'ny fahantrana teo... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranjiva-rakoto/andeha-ry-malagasy | Andeha ry Malagasy | Ranjiva Rakoto | Ry vahoaka malagasy,aoka tsy hifanaratsy;na koa hoe hifanakora,fa ny miaina ange tsy mora.Raha sendra olana ny tany,andao hivondrona hatrany;hanavotr'ity tanindrazana,izay lova avy @ireo razana.Ny teny iray no aoka ekena,dia ny hoe fampandrosona;ka tsy hisy fitiavan-tena,fa ny mandroso no vetsona.Andao hiaraka hanarina... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ny-ngaly-henintsoa/nomeko | Nomeko | Ny Ngaly Henintsoa | Nomeko fofon'aina
ilay voninkazo kely
ka indro fa nandrobona
Ilay nogejain'ny ahitra
an-tany hotohoto
sy rano nitsikobona. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranjiva-rakoto/aza-avela | Aza avela | Ranjiva Rakoto | Aza avela ho rendrika,
ity sambotsika;
'ndeha toero ny mpanenjika,
aza mety mangatsika.
Aza avela ahakasika,
ireo izay fakam-panahy;
'ndeha hamafiso re ny tafika,
mandrosoa aza manahy.
Aza avela manambany,
izay rehetra manandevo;
andao hamindra hatrany2,
hitolona tsy hifanjevo.
Aza avela aharava,
ireo rehe... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joelson/miarena-ry-malagasy-dia- | 'Ndao Handroso | Joelson | Miarena ry malagasy
Dia 'ndao mba hitraka
Mba hampivelatra,hampandroso
Ity tanintsika voahoso
Mitraka ry tanora
Aza dia mifanakora
Hampandroso ity firenena
Ka ho tonga sesehena
Mitsangana ry vahoaka
Aza dia mifandroaka
Amin'ity firenena
Fa dia toa mampahonena
'Ndao handroso ry zareo
Fa dia efa mankaleo
Ts... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ranjiva-rakoto/tiko-ianao | Tiko ianao | Ranjiva Rakoto | Tiko ianao rahavana,tiako sady tsy ho foiko;tiako,tiako iantsapazana,sy hizarako ny ato am-poko. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/joseclaudio/vovoka | VOVOKA | joseclaudio | VOVOKA …
Oh! vovo-malemin'ny tananà masina,
voafafin'erika ny andro ho mirana
Fa tonga fanahy ny olo-niserana
nandry hatry ny ela ho tonga olona.
Fa nofo ny lasa narenina hanatrika ny fiainana ho avy ny vatanao,
fanahy napetraka hampanjakana ny lazanao,
oh! olombelona ianao voairaka hanatanteraka ny tsara ety,
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/ekeko | EKEKO | RFE Andria | EKEKO
Ekeko, Tompo, izay mihatra raha izay no sitrakao
Tsy asiako adivarotra ho izao na ho izao
Satria resy lahatra aho fa izay no mahasoa
Na tsy takatro aza izany dia inoako amin'ny fo
Eny, ekeko tsotra izao ny fandaharanao rehetra
Izay mikatsaka ho ahy ireo soa tsy manam-petra
Ampianaro aho hahay hanankina Ami... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ambadika | AMBADIKA | Fredy Jaofera | AMBADIKA
Ambadiky ny asa
lazaina ho misosa,
mirakitra Lasa
be fosafosa.
Ambadiky ny afo
mitondra hafanana,
'ndao ange tarafo
fa ady mazàna.
Ambadiky ny aina
mitory hafaliana,
matetika saina
nampahoriana.
Ambadiky ny andry
mateza aok'izany,
matetika niandry
sy reraka ihany. |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rldv/fasana | FASANA | RLDV | Trano maromaro eo an-tampon-kavona
Tsy mba namboamboarina foana
Fa natao hatoriana rahatrizay
Sy hodiana vovoka mandrakizay.
Trano narafitra tamin ny vato daholo
Ka natao iray ny endriny manontolo
Voadidina avero ary bozaka aman ahitra
Izay somary mangina ka manjary mampatahotra.
Trano fitoeran ireo karazam pah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jojudi/bandy-mandefitra | bandy mandefitra | jojudi | Bandy mandefitra
Zah bandy tsotra sy mora tenenina.
Ny sipako kosa masiaka no sady maditra.
Na ny phone-ko aza tsy azoko afenina.
Fa savainy isa-minitra.
Raha hitako mapiaraka izy,modiko tsy hita.
Satria zah matahotran'ny ho voafelaka.
Zah mantsy jombilo tsy tia mifanditra.
Ny olona milaza fa zah hono pelaka.
... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/kely-sisa | KELY SISA... | RFE Andria | KELY SISA…
Kely sisa dia tsy hiteny
Izay re sy hita ombieny
Ka manohina ny hafa
Ilay dinika sy tafa
Na dia marina no ambara
Tsy azo arakitra ho tantara
Kely sisa dia tsy hilaza
An’ireo vaovao malaza
Saingy hoe manelingelina
Mety hangidy tsy ho telina
Satria izao dia ho voarara
Sy tondroina ho mamarara
Kely... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/hjravs/ny-sakafonao | NY SAKAFONAO | hjravs | NY SAKAFONAO
Mantamanta mohaka,
sarotra levonina
ny ventin'ampangoro narosonao ho ahy;
tena tiako hitohaka
ny molotro 'lay roni-na-
atim-borona, saingy... vorona mifahy!
Ny sakafonao tsy hoe halako,
f'ilay vavony adalako
no mifidifidy hanina,
k'aleo, aky, hilamina...
'zaho ange tsy fady,
f'ilay kalin-dry no... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/raony/anainga | Anainga | Ra'Ony | Anainga indray aho androany
hitety vazan-tany
hikaroka zay mety ho fiadanana
ka hikopa-tanana...
Any lavitra any ngamba ilay nofiko
tsy takatry ny sofiko
teny mamy hitondra ainga vao
ho ventsoiko ho anao
Fa nofiko hono mantsy, any lavitra any
efa lavitra tomany
fifaliana ny any imolotra hatrany
ka aleo re ah... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/hozakaiko | HOZAKAIKO | RFE Andria | HOZAKAIKO
Hozakaiko fa vokatry ny ditrako
Hozakaiko na tena tsy sitrako
Soa aho kenda hahay mitsako
Hahay mamindra rehefa voalàko
Hozakaiko na mila tsy ho tanty
Ny latsalatsan'ireo manabanty
Nataoko ka dia hozakaiko
Na efa toa tsy eran'ny aiko
Hozakaiko raha toa ka izany
Ny saziko dieny eto an-tany
Hozakaiko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/fararano | Fararano | Fano | Fararano ny andro
Ka faly ny tontolo
Fararana ny andro
Ka he mirana daholo
Misioka irony vorona
Fa masaka ny vary
Mba faly koa ny olona
Fa tsy osa,tsy marary
Ny tantely sy ny angidina
No indreo misidin- tsidina
Ho eny am-bonin'ireo vokatra
Hankamamy,tsy hirongatra
Ny omby sy ny osy
No indreo manosihosy
Mi... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jojudi/tsy-anjara | Tsy anjara | jojudi | Tsy lavorary ilay fitia no andrandraiko .
satria voarara,tsy azo ambara.
Na tiko aza ianao de izy no fidiko.
Na mamiko aza ianao izy no tiko.
Koa mitsodrano anao aho ho tojo izay lalaina.
Izaho mantsy efa azy ka tsy afaka zaraina.
Kanefa tadidio,fa ato am poko foana inao,
Ao aneritreritro ao.
Na tsy tafaradalan... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ao-ao-mitady-fahorian | AO | Fredy Jaofera | Ao mitady fahoriana,
ao mitady fiadanana ;
ao no mahazo fijaliana,
ao no mahazo fihavanana.
Ao mitady fandravana,
ao mitady fanorenana ;
ao no very mihanahana,
ao no ravo be fonenana.
Ao mitady herisetra,
ao mitady zava-tsoa ;
ao no ory tsisy fetra,
ao no tretrika tokoa.
Ao mitady ranomaso,
ao mitady fahen... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/cybercriminalite | CYBERCRIMINALITE | RFE Andria | CYBERCRIMINALITE
Dia tsy maintsy hangina ve
satria dia hofehezim-bava
ka tsy hisy teny hafa ho re
raha tsy manasohaso lava?
Dia hoporetina ny marina
hotaingenam-bozona aza
ka isika dia hozarina
hanaiky foana toy ny zaza! |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/ry-fireneko--9109 | RY FIRENEKO !... | Fredy Jaofera | RY FIRENEKO !...
Tiako ho anao, ry fireneko,
no handatsahako ny aiko
fa efa tanjona kendreko
ny hanondrotra fa baiko.
Tiako ho anao, ry fireneko,
ny hisian'ny fanambinana
fa faniriana mbola ekeko
ny hanjakan'ny filaminana.
Tiako ho anao, ry fireneko,
'reo rehetra ka haravoana
mbola ho hery na ho seko
rehefa... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/lay-fo-hafa-kely/noho-ny-baiko-ny-fitia-h | Noho ny baiko ny fitia, h | Yroits valisoa rft | Noho ny baiko ny fitia, hikorisa ho anao peniko
Misy ventsom-panirina, izay ambarako ts afeniko
Anefa arahaba aloha, no atolotro mialoha
Mba ho maripanajana anw ramatoa
Ka raiso re ny haja ze atolotro eto izao
Izay avahako manukan mb ho voninahitrao
Ary refa vita izay vao dinihiko ny teniko
Ny solombavako mteny ... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-nifidy | TSY NIFIDY | RFE Andria | TSY NIFIDY
Izaho tsy mba anisan'ny nifidy anao hitarika ahy
ho any an-dàla-maha àna, fa asa loatra lahy!
nahazendana ahy ny nahitako anao teo anoloana
nitondra ahy hatrany mba ho any an-tany foana
Izaho tsy mbola mba nifidy anao hisolovava
satria fantatro ianao fa jiolahy misaron-tava
tsy mikasa hanasoa fa ny m... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/tahiry-andry-lafatra/raozy | Raozy! | Tahiry Andry Lafatra | Namboly aho namboly anao
Ry raozy tsara indrindra
Hokoloiko ho vaovao...
Ahy ianao tsy hafindra
Vao namelana dia tiko
Manintona tsy tanty
Be tsilo fa hiafiko...
Mirangirangy sy miranty
Maro ny tao an_jaridaina
Fa ianao irery no nanaitra
Dia ianao no notsongaina...
Hahazo fitia tsy mala_maitra
Naningana toko... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/ratra/ilay-fo-voronkeliko | ILAY FO VORONKELIKO | RATRA | ILAY FO VOROKELIKO
Mba ary elatra
hono ity fo vorokeliko ka naniry hisidina
Hikopak'elatra
eny antsahan'ny hasambarana ary tsy hidina
Dia indray nitselatra
dia iny fa tonga tena antsahan'ny hasambarana
Ary indray nanjelatra
dia nahita ilay hafaliana tsy nety nifarana
Ravo sy faly
ary trinetrika izy tao androv... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/akuna-matata | AKUNA MATATA | RFE Andria | AKUNA MATATA
Miforeta ialahy ry zandry
Aza tia manenjan-tsandry
Tandremo be mokon-doha
Sao ialahy no ho lasa aloha
Aza be fitatatata
Manaova "akuna matata"
Izany izao no iainana eto
Raha tsy tanty, 'ndeha misento |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rfe-andria/tsy-anjara | TSY ANJARA | RFE Andria | TSY ANJARA
Indrisy ! indrisy re rahavako !
Mikoriana eo an-tavako
Ny ranomason’alahelo
Avy ao am-po mamelovelo
Mijojo izy akia satria
Voarara tsy hitia…
Fa ianao toa voninkazo
Soa sy kanto nefa tsy azo
Eny, tsy azoko laingosana
Tsy azoko ilomanosana
Ilay hanitrao manentoento
Zary lasa mampisento…
Manan-tom... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/fiainako1 | Fiainako1 | Fano | Toy ny masoandro
Avy antsinanana
Tanam-polo ihany
Fa ny harena tsy mba manana
Indraindray mba mibaliaka
Ka azo eritreritra h@ any am-pita
Mba ravo,faly ihany
Kanefa toa miserana izany
Toa sembanan- drahona
Ny fiainako eto an-tany
Indrisy,...Indrisy
Mbola nitomany ihany
Irony an'ny hafa toa mibaliaka lalanda... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/jery/maniry | MANIRY... | JERY | MANIRY...
Tsy haniry dera sy laza aho
Fa maniry koa raha maniry
Hisy fo sahy hilaza
Fa sambatra eo anilan'ny tiany
Tsy hitady voninahitra aho
Fa mitady koa raha mitady
Hasambarana ho anao
Ho fanilo anaty ady
Tsy hila tambiny aho
Fa mila koa raha mila
Valin'ny ezakao hitraka
Mba ho zary fifaliana
Tsy hiseho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/berthin-aina/amboaram-pahoriana | AMBOARAM PAHORIANA | BerthiN AinA | Raha ny fiainako no tanisaina
Dia mety hampitomany raha tantaraina
Fa fiainana nandalo fisedrana mafy
Fisedrana ara-batana ara-panahy
Tapitra amiko angamba ny olo_tsimanjary
Nefa mba asa-tanan_janahary
Fa dia be aretina,be fahoriana
Tsy mba misy filaminana fa feno fijaliana
Ranomaso sy alahelo ny andro atokom-p... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/harinirina-eric/avy-taiza-aho- | Avy taiza aho ? | Zoky Eric | taiza moa izaho izany ?
toa nanjary nitomany
toa fokofoko mandratra fo
mampiketron'odidoha
avy taiza ary izaho teo ?
toa nanjary farim~peo
ontsan'ny fahoriana
satria nilaozanao ry tiana
very ny fisainako
velona ny tarainako
misoritra ato ny alahelo
lasa ilay mpamerovero
very aho,very fanahy
satria voafitak... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/tsodrano | Tsodrano | Fano | Ianao izay mitsetra,
Manasoa ny madinika.
Tohizo fa tsara,
Mahaiza mandinika.
Ianao manome,
Manampy ireo namana
Tsy mila takalo,
Tsisy valin-tanana.
Miasa @ fo,
Ka mamafy ny soa.
Mivavaka ho anao aho
Mahereza hatrany.
A.tra anie hitantana anao.
Hahita vokatsoa @zay mba atao.
Tsy ho sasatra foana
Fa miand... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/ny-lalana | Ny lalana | Fano | Jesosy fitiavana
No tonga hampihavana
Niantso anao indray
Ho ao an-tranon'ilay Ray
Jesosy be fitia no manao hoe:"Avia"
Manatona re rahavana
F'Ilay Ray no mampihavana
Jesosy fahendrena
Tsy mijery fahalemena
Koa miverena ry rakaiza
Fa ny ratsy tsy sakaiza
Manaraha Azy ianao
Dia hitsoaka anao ny ratsy
Ny faho... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/rldv/mandalo-dia-miserana | Mandalo dia miserana | RLDV | Mandalo dia miserana ny zavatra rehetra
Mandalo dia miserana ka ao amin Andriamanitra no fetra
Mandalo dia miserana ka tsy hitahita akory
Ny fanahinao hiala ary ny vatanao hatory
Mandalo dia miserana ny fandalovanao eto an tany
Mandalo dia miserana ny fisian ny ambony sy ambany
Mandalo dia miserana ny fahambonian... |
https://vetso.serasera.org/tononkalo/fano2/malagasy | Malagasy | Fano | Gasikara tanindrazako
Sy ireo dimby amam- parako
Lova tsara saro-bidy
Ka tsy foiko ho amidy
M.sy ireo razako
M.sy Ray sy Reny
Teny gasy no ambarako
Ireny teny rehetra ireny
Teny soa,meva,kanto
Sady koa milantolanto
Izay maha-M.sy antsika
Azo entina miampita
Eny,na ho mora na ho sarotra
Ny tenintsika no ent... |
Subsets and Splits
No community queries yet
The top public SQL queries from the community will appear here once available.