url
stringlengths
41
46
title
stringlengths
10
284
date
timestamp[s]date
2007-09-12 12:24:22
2025-12-16 16:17:35
author
stringclasses
1 value
content
stringlengths
113
36.1k
https://mg.globalvoices.org/2019/02/07/133510/
Vao Mainka Mihemotra i Etiopia Amin'Izao Fisian'ny Fanamelohana An'I Eskinder Nega Izao
2019-02-07T13:17:00
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2012) Ny herinandro lasa teo, taitra mafy ny EFF tamin'ny fandrenesana fa voaheloka higadra valo ambiny folo taona an-tranomaizina i Eskinder Nega, ilay Etiopiana mpanao gazety sady blaogera, noho ilay fanambaràna mivelatra be sy ankapobeny manohitra ny fampih...
https://mg.globalvoices.org/2019/02/01/133759/
Talohan'ny nanakanana azy, nandrisika ny tanora hanatevin-daharana ny vondrona mpanafika mahery setra tany Mozambika avaratra ity pejy Facebook ity
2019-02-01T17:29:40
Unknown
Sarin'ireo trano ravan'ny afo nandritra ny fanafihana. Saripikan'i Borges Nhamire, nahazoana alalana. Nanomboka ny volana Oktobra 2017, nisy vondron'olona mitam-piadiana tsy fantatra nampihorohoro ny avaratr'i Mozambika tamin'ny fanaovana habibiana izay namoizana ain'olona 200 mahery ary nandrava tanànakely maro . Am...
https://mg.globalvoices.org/2019/02/01/134421/
FANAVAOZANA: Famotsorana Blaogera Gambiana Raha Ny Hatezerana Kosa Mitombo
2019-02-01T02:51:08
Unknown
Fanevan'ny pejy Facebook “Afaho i Sait Matty Jaw”. Navotsotra tsy nisy vesatra anenjehana azy i Sait Matty Jaw, Gambiana iray, bilaogera, mpikatroka sosialy sady mpisolovava ho an'ny zon'ireo vehivavy sy ireo ankizivavy voafonja nanomboka tamin'ny 5 Novambra 2014 teo. Araka ny voalazan'ireo tatitra sasany, miomana han...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/29/134427/
Torolàlana Hiantohana ny Fiarovana / Fahatoniana Niomerika ho an'ireo Afrikàna Mpiaro Tontolo Iainana
2019-01-29T07:46:12
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2014) Misy torolàlana iray momba ny fahatoniana niomerika ikatsahana izay hanampiana ireo mpiaro ny zo momba ny tontolo iainana any Afrika atsimon'i Saharà, mba hiarovan'izy ireo ny tenany sy ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo. Noforonin'ny Tactical Tec...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/28/134318/
Efa antitra, kabarim-pankahalana, fahalalahan'ny gazety: lohahevitra goavana resahana amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2019 ao Nizeria
2019-01-28T16:20:30
Unknown
Fizotram-pandatsaham-bato nandritra ny fifidianana filoham-pirenena Nizeriana tamin'ny 28 martsa 2015, tany Abuja, Nizeria. Sary avy amin'ny Masoivohon'i Etazonia/Idika Onyukwu. Fanondroana ny sary Image Attribution: Non-Commercial 2.0 Generic (CC BY-NC 2.0) Hanatontosa fifidianana ho filoham-pirenena i Nizeria amin'n...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/25/132423/
2018 manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara: Ireo tantaran'ny fiovana sy ny fanovana nankafizinay indrindra
2019-01-25T17:00:45
Unknown
Nahitana fanovana sy fiovàna mahery vaika ny taona 2018 manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara. Ny eo amin'ny sary dia mivaky hoe “Ipo Nafasi,” izay midika hoe “Misy efitrano” amin'ny teny Swahili. Misy toerana ho an'ny fanovana sy fiovana bebe kokoa ve amin'ny taona 2019? Saripikan'i Pernille Bærendtsen, nahazoana alal...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/23/133853/
Fantaro ireo kandidà ho filoham-pirenen'i Nizeria amin'ity taona 2019 ity
2019-01-23T05:15:37
Unknown
Ireo kandidà ho filoham-pirenena nizeriana taona 2019 [Tambatambatra nataon'i Nwachukwu Egbunike]. Hanatontosa fifidianana ho filoham-pirenena amin'ny 16 febroary 2019 ho avy izao ny firenena be mponina indrindra eto Afrika, izay tsy iza fa i Nizeria. Na dia eo ho eo amin'ny 35 eo aza ny isan'ny kandidà ho filoham-pire...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/28/133730/
Mahazo Onitra Sy Tombontsoa Ny Minisitra Nanoloana Ilay Tranonkala Zambiana Mpanaratsy
2019-01-28T12:16:54
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Septambra 2013) Neken'ny fitsaràna Amerikana ny onitra manodidina ny 50.000 dolara amerikana nangatahan'ny minisitra lefitra misahana ny varotra ao Zambia noho ny fanalàm-baràka natao azy tamin'ny vohikala ara-tsosialy Kachepa360, izay ampiantranoina sy mihodina avy...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/23/133848/
Blaogera Iray Sady Mpikatroka Mpiaro ny Zon'ny Vehivavy, Nogadraina Ao Gambia
2019-01-23T16:14:40
Unknown
Manao tatitra ireo media tsy miankina fa nosamborin'ny National Intelligence Agency (NIA) i Sait Matty Jaw, blaogera iray, mpikatroka ara-tsosialy sady mpiaro ny zon'ireo vehivavy sy ireo tovovavy. Mpampianatra tantara amin'ny anjerimanontolo ao Gambia i Jaw, nosamborina tao amin'ny faritry ny  Anjerimanontolo tao Brik...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/20/132832/
Mahatezitra ireo Malaoita ny Hevitry ny Bilaogera Iray momba ny “Nsima”
2019-01-20T14:30:18
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008) Niteraka adihevitra momba ny halehiben'ny fahafahana mety hananan'ny olona iray amin'ny fanehoany hevitra anaty bilaogy ny lahatsoratra iray vao haingana momba ny foto-tsakafon'i Malawi , dia ny nsima izany. Nasehon'ireo fanehoankevitra sasany izay saika avy am...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/18/133762/
Lesona momba ny fanaratsiana: Blaogera avy ao Afrika Atsimo enjehina ho nanoso-potaka
2019-01-18T08:28:31
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2009) Raha nieritreritra ny hanenjika ny blaogera Donn Edwards ho nanala baràka azy ny Quality Vacation Club (QVC), dia mety hampangininy avokoa ny rehetra mpitsikera  ny tetika fanaovana varotra mampiahiahy ataon-dry zareo, diso izy ireo. Ny nisy aza dia ni...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/17/133884/
Lehilahy Nigerien iray tafahitsoka am-bolana maro ao amin'ny seranam-piaramanidina Ethiopiana
2019-01-17T15:58:12
Unknown
Eissa Muhamad, avy any Niger, tafahitsoka ao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Bole ao Addis Ababa, Ethiopia, nandritra ny roa volana izay. Saripikan'i Eissa Muhamad, nahazoana alalana. Nilaza i Eissa Muhamad, avy ao Niger, fa efa mihoatra ny roa volana izao izy no tafahitsoka ao amin'ny faritra fiampitana...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/17/133752/
Mandefa Fanafihana Blaogera Ny Governemanta Nizeriàna
2019-01-17T12:03:36
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2009) Vao nanomboka “ ady iray mitentina 5 tapitrisa dolara ” hamelezana ireo blaogera sy ireo media anaty tambajotra, toy ny Sahara Reporters, ny governemanta nizeriàna. .Loharanom-baovao fiarovana telo, izay mahalala ilay drafitra, no namboraka fa tamin'ny h...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/18/133166/
Bilaogera nogadraina tao Nizeria
2019-01-18T07:35:55
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Notanan'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovam-panjakana (SSS) tsy misy fiampangana, nanomboka ny Asabotsy 18 Oktobra 2008, ilay bilaogera Nizeriana monina any Etazonia, Jonathan Elendu, izay mibilaogy ao amin'ny Elendu Reports . Nosamborina...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/17/131959/
RDC: Media Tandrefana, Vahiny Mpitsabatsabaka ary Fifidianana
2019-01-17T05:36:23
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2006) Ireo mpiaramiasa Tetezamita mafy tànana Marobe ireo bilaogera no nalahelo noho ny fitsabahana'ireo vahiny sy ireo firenena manodidina hafa miara-miasa amin'ny tetezamita, izay hitan'izy ireo ho mafy tanana amin'ny fizotran'ny fifidianana. Namoaka fanam...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/15/133597/
Zambia: Rahonan'ny zanakalahin'ny filoha ny mpanao gazety, “Matinay ialahy”
2019-01-15T06:43:34
Unknown
Ny fampakarambadin'i Sata Kazim, zanakalahin'ny filoha zimbaboeiàna, Michael Sata. Sary tao amin'ny pejy  Facebook “Zambia Watchdog” (Fanamarihana; lahatsoratra teny anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2014) Tsy ela akory izay, voadaroka sy norahonana ho faty ny mpanao gazety iray tokony hiatrika fitsaràna noho ny rahara...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/15/133621/
Ny fanarahamaso niomerika ao Angôla sy ireo firenena hafa afrikàna “tsy dia manao ahoana loatra”
2019-01-15T12:42:10
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2014) Nisy fandalinana tsy ela akory izay, nataon'ny Citizen Lab avy amin'ny Oniversite Toronto, manoritsoritra ny fampiasàna ireo rindrambaiko fanarahamaso novokarin'ny orinasa italiàna Hacking Team ampiasaina ao Etiopia,  Maraoka, Nizeria, Sodàna ary Soma...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/14/133521/
Zambia: “Hankalaza” ny Fanidína ilay Vohikala Fampitam-baovao ny Filoha Lefitra
2019-01-14T07:38:24
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2013) Vao haingana izay, nilaza tamin'ny parlemanta ny Filoha Lefitra Zambiana, Dr. Guy Scott , fa hifaly raha toa ka hikatona ilay vohikala fampitam-baovao an'olontsotra tsy miankina, Zambian Watchdog. Ny hariva mialoha ny fiatrehan'i Scott ny parlemanta ny ...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/16/133731/
Côte d'Ivoire: Tatitra Tafaporitsaka sy Lazaina fa Mikasika Kolikoly, Navoaka Tety Anaty Aterineto ary Nitarika ho Amin'ny Fisamborana Mpanao Gazety Telo
2019-01-16T12:42:57
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2010) Théophile Kouamouo, iray amin'ireo bilaogera sangany mampiasa ny teny frantsay, ary mpitarika ny tetikasa Atrikasa Bilaogy mahazo famatsiana Rising Voices tao Abidjan Camps Araka ny nambaran'ny bilaogin'ny ” Le Nouveau Courrier “, telo ireo mpanao gazet...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/14/133504/
(15/01/2010) Mbola tsy votsotra ilay Maoritaniàna toniandahatsoratra, Hanevy Ould Dahah
2019-01-14T06:20:50
Unknown
Sarin'i Hanevy tao Etazonia, avy amin'i Nasser Weddady Ny Jona 2009, ny Global Voices Advox no voalohany nitatitra hoe nosamborina noho ny fanehoankevitra napetrany tao amin'ny tranonkala i Hanevy Ould Dahah, ilay Maoritaniàna toniandahatsoratra mitantana ilay tranonkala avy amin'ny hery ankavia Taqadoumy . Ould Dahah...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/13/133671/
Afrika: Manolo ny Zava-drehetra ny Fanantenana
2019-01-13T16:25:16
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008) Tia mizara ny traikefany sy maneho ny heviny ny vehivavy, saingy tsy hisy mihitsy famantaranandro hiandry azy ireo hipetraka sy hifampizara ny antsipiriam-piainany – na ataony anatin'ny bilaoginy aza izany. Tsy maintsy mitohy ny fiainana. Ny Fiainana dia ny en...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/11/133436/
Maoritania: Fisamborana ny mpiandraikitra ny Taqadoumy.com
2019-01-11T12:07:49
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2009) Nosamborina tao Nouakchott  tamin'ny 18 Jona 2009 i Hanevy Ould Dahah, 32 taona, mpanorina sady talen'ilay tranonkalam-baovao sangany ao Maoritania www.taqadoumy.com . Mpitandro filaminana tsy nampiseho taratasy milaza ny vesatra anenjehana azy no namatot...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/11/133065/
Malawi: Fanehoankevitra momba ny fananganan-jaza faharoa an’i Madonna
2019-01-11T05:08:12
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Hahita ity firenena Afrikana ity ireo izay mbola tsy naheno mihitsy momba an’i Malawi, tamin’ny alàlan’ny fahasoavan’i Madonna fotsiny ihany izany, izay tsy mahafantatra ny anarany feno ny ankamaroan’ny olona Toa faly ny ankamaroan’ny Ma...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/11/133418/
Nesorin'ny SourceForge Ny Lamba Nandrakotra
2019-01-11T05:40:25
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2010) Tamin'ny Janoary lasa teo, tamin'ny andro izay nanaovan'i Hillary Clinton, Sekreteram-panjakana amerikàna, kabary momba ny fahalalahan'ny aterineto, nobahanan'ilay vondrom-piarahamonin'ny loharano misokatra, SourceForge, ny fahafahana miditra ho an'ir...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/10/133562/
Miverina amin'ny Laoniny i Kenya
2019-01-10T15:38:44
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008) Mampihomehy ny fitsimbadimbadiky ny fiainana. Firenena iray izay efa nanamorona sy nandrahona ny hanaraka ny lova navelan'ireo fanjakana tsy mahomby ao Afrika, no indro mahazo aina indray ary miverina amin'ny laoniny. Ankehitriny dia miray indray ireo mponin'i...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/05/132959/
Zimbaboe: Volavolan-dalànan'ny fijapiana fifandraisana
2019-01-05T14:48:51
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nolanian'ny parlemanta Zimbaboeana ny ” Volavolan-dalànan'ny fijapiana serasera ” izay mamela ny governemanta hanara-maso ny finday, ny mailaka ary ny Aterineto. Manameloka ity lalàna ity izay teo am-piandrasana ny fankatoavan'ny Antenim...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/11/133411/
Zimbaboe: Voabahana ny bilaogiko!
2019-01-11T02:35:58
Unknown
(Fanamarihana:a lahatsoratra anglisy nivoaka tamain'ny Aprily 2009) Taorian'ny nifandraisanay taminy mba haka vaovao misimisy kokoa, azonay fa efa ho roa herinandro ilay lazainy hoe “olona” no niezaka ny hibahana ny bilaoginy. Misy olona mibahana ny bilaogiko , hoy ny lohateny lehibe amin'ilay lahatsorany momba izany...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/05/132675/
Kenya: Feno Fanantenana ireo Bilaogera amin'ny Fanelanelanan'i Kofi Annan
2019-01-05T13:02:56
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2008 ) Vitsy ireo olona nanantena fandrosoana tanatin'ny fifampiraharahana rehefa nanolotra ny rotsankazon'ny fandriampahalemana ho an'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana taloha, Kofi Annan , ny Filoham-pirenen'i Ghana, John Kuffour . Iray volana lasa izan...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/04/132472/
‘Atsaharo ny famonoana anay vehivavy’ — fanentanana vaovao manohitra ny herisetra an-tokantrano ao Angola
2019-01-04T05:22:31
Unknown
Fihetsiketsehana tao Luanda, Angola, nampiasa ny tenirohy #Paremdematarasmulheres amin'ny teny Portiogey, na ‘Atsaharo ny famonoana vehivavy’, Sarin'i Simão Hossi, nahazoana alalana. Raha hita faty tao an-tranony ilay mpisolovava 26 taona, Carolina Joaquim de Sousa da Silva tamin'ny 3 Desambra 2018, niaiky ny heloka v...
https://mg.globalvoices.org/2018/12/28/132299/
Oganda: An-jatony no maty tamin'ny fihotsahan'ny tany
2018-12-28T01:37:46
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Olona miisa 80 farafahakeliny no maty ary mihoatra ny 300 no tsy hita tany atsinanan'i Ogandà ny alatsinainy hariva noho ny fihotsahan'ny ranom-potaka . Ny fihotsahan'ny ranom-potaka vokatry ny oram-batravatra dia nitelina tanànakely te...
https://mg.globalvoices.org/2018/12/28/132065/
Somalia: Afaka mahazo asa mendrika ve ireo manao hijab any Etazonia?
2018-12-28T17:42:46
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2008) Ity no fehy faharoan'ireo bilaogy Somaliana miresaka lohahevitra samihafa toy ny politika Somaliana, ireo fanamby ateraky ny fanaovana hijab ao Etazonia sy ilay vehivavy Somaliana voalohany mpanamory fiaramanidina. Manoratra (bilaogy voafafa) momba ny hasaro...
https://mg.globalvoices.org/2018/12/27/131567/
Ireo Miaramila Maoritaniana 28 Nahantona Tamin'ny 28 Novambra 1990
2018-12-27T11:52:38
Unknown
Capture d'écran des 28 soldats exécutés le jour de l’indépendance – Video de Ibrahima Sow   ………………Pikantsary ahitàna ireo miaramila 28 novonoina tamin'ny andron'ny fahaleovantena – Lahatsary an'i Ibrahima Sow Hatramin'ny taona 1990, isaky ny faha 28 novambra, mitaky ny rariny ho an'ireo miaramila 28 nahanton-doha ny a...
https://mg.globalvoices.org/2019/01/04/132567/
Fitsidihana ny tontolon'ny bilaogy alakamisy – jona 2005
2019-01-04T03:37:31
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2005) Satria niteraka tabataba manerantany ny famoretana ataon'ny governemanta ao Zimbaboe antsoina hoe “Operation Restore Order (Hetsika Famerenana ny Filaminana)”, dia manoritsoritra ny zavatra toy ny “nijery ny endriky ny ratsy” i Sokwanele . The Zimbabwean Pundi...
https://mg.globalvoices.org/2018/12/24/132240/
Ny Antony Itiavan'ny Governemanta Senegaley ireo Fihetsiketsehana Manohitra ireo Mpifankatia Mitovy Fananahana
2018-12-24T17:40:59
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2008) Vaovao farany: Araka ny voalazan'ny African Global News sy ny vohikalam-baovao Senegaley rewmi.com , noravan'ny mpitandro filaminana ihany ilay fihetsiketsehana manohitra ny fiarahan'olona mitovy fananahana natao tao Dakar ny Zoma teo, izay nisamborana olona ...
https://mg.globalvoices.org/2018/12/26/132236/
Ethiopia: Bilaogy nanjavona
2018-12-26T04:28:26
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana May 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Tototry ny fanombatombanana sy ny fiampangana ny tontolon'ny bilaogy ao Ethiopia rehefa nanjavona tao anatin'ny efijerin'ny solosaina ireo tranonkala rehetra tao amin'ny firenena ka niantrano tao amin'ny sehatra Blogger malaza. Bilaogy te...
https://mg.globalvoices.org/2018/12/17/131840/
Ao Mozambika, Famatsiam-bola Sinoa Lafobe Ho An'ireo Mampiasa Azy ilay Tetezana Lava Indrindra Aty Afrika
2018-12-17T12:06:53
Unknown
Ny tetezana Maputo-Catembe. Sary an'i Alexandre Nhampossa. nahazoana alalàna ny famerenana mamoaka azy. Notokanan'i Mozambika tamin'ny 10 Novambra ny tetezana Maputo-Catembe , tetezana iray efatra kilometatra hahafahana mampitohy ny afovoan-tanàna ao Maputo renivohitra amin'ny faritra atsimon'ny helodrano, Catembe. N...
https://mg.globalvoices.org/2018/12/27/131885/
Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić
2018-12-27T08:10:35
Unknown
Fanamarihana: lahatsoratra navoaka tamin'ny Jolay 2008 Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ...
https://mg.globalvoices.org/2018/12/24/132229/
Nahatratra Dingana Lehibe Iray Vaovao ny Tontolon'ny Bilaogy Sodaney
2018-12-24T17:52:02
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2008) Manomboka mahazo vahana ny tontolon'ny bilaogy Sodaney. Tena mavitrika ireo bilaogy voasoratra amin'ny teny Anglisy amin'izao, mampiseho ny endrika tena izy, samihafa ary voajanaharin'i Sodàna amin'izao tontolo izao. Etsy andaniny, nitombo ihany koa ireo bil...
https://mg.globalvoices.org/2018/12/16/131566/
Ny Loza Nanjo ireo Kongoley Voaroaka Tany Angolà
2018-12-16T07:47:30
Unknown
Araka ny fanambaràna nataon'ny Kaomisarià Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'olombelona (OCHA), nanomboka tamin'ny fiantombohan'ny volana oktobra, olona eo amin'ny 330 000 eo ho eo tsy nanana taratasy ara-dalàna tao amin'ny fireneny no noroahan'ny Governemanta Angoley, indrindra indrindra mankany amin...
https://mg.globalvoices.org/2018/12/17/131515/
Areti-mifindra, Fifandonana Sy Ireo Fotsy Hoditra Mpamonjy: Ny Endrik'i Afrika Nasiana Fanovàna Araka Ny Hollywood
2018-12-17T11:18:59
Unknown
Pikantsary tamin'ilay sarimihetsika “Outbreak” na “Fanairana”, tamin'ny taona 1995 Ny fihanaky ny aretina Ebola tao Afrika Andrefana tsy ela akory izay dia nahafaty olona miisa 712 farahakeliny hatramin'izao , heverina misy anjatony hafa ihany koa maty noho ireo antony ireo. Raha toa mihanaka manerantany ny tahotra ny...
https://mg.globalvoices.org/2018/12/16/131409/
Ampangain'Ilay Mpandimby Azy Ho Mpanao Kolikoly Ny Filoha Angole Teo Aloha José Eduardo dos Santos
2018-12-16T06:12:54
Unknown
João Lourenço, Filohan'i Angola. Sary avy amin'i J.Barande, Sekoly politeknika/Flickr CC BY-SA 2.0 Hatramin'ny 2017 nahavoafidy an'i João Lourenço ho filoham-pirenena, nanontany tena ny amin'ny fifandraisany tamin'i José Eduardo dos Santos ireo Angoley. JES, araka ny fiantson'ny maro azy ao an-toerana, efa nitondra a...
https://mg.globalvoices.org/2018/12/16/132001/
Andiam-panamory tsy misy afa-tsy vehivavy, manoratra ny tantara ao Mozambika
2018-12-16T03:22:54
Unknown
Ilay andiam-panamory tsy ahitàna afa-tsy vehivavy ao anatiny, ao Mozambika | Sary nahazoana alàlana tamin'i Meck Antonio. Andro iray manana ny tantarany ity: toy izany no fijerin'ireo Mozambikàna marobe ny datin'ny 14 Desambra 2018 rehefa, sambany teo amin'ny tantaran'ny sidina sivily eo amin'ny fireneny, nahitàna sid...
https://mg.globalvoices.org/2018/12/13/131625/
Fampidirana anatin'ny Tolon'ny Bilaogy Somaliana
2018-12-13T14:25:05
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Janoary 2008) Fehiny voalohany amin'ny bilaogy Somaliana ity, sampana kely anatin'ny tontolon'ny bilaogy Afrikana kanefa mitombo hatrany. Araka ny mety efa ho nampoizina dia tanora ny ankamaroan'ireo bilaogera Somaliana, mipetraka ivelan'i Somalia ary manoratra amin'ny teny...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/30/131214/
Andrana bilaogin-dahatsary avy any Accra
2018-11-30T14:00:38
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ity ny androko faharoa tao amin'ny cybercafe BusyInternet tao Accra, Ghana, ary nanandrana ny famintinana lahatsary aho mba hahitako raha azoko atao ny mamolavola ny halehibe mety handefasana sy hitrohana lahatsary. Miadana kokoa noho ny...
https://mg.globalvoices.org/2018/12/12/131811/
Madagasikara: Fifidianana Hovidian'ny Firenena Lafo
2018-12-12T07:38:14
Unknown
Adihevitra amin'ny fahitalavitra teo amin'i Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina ao amin'ny fantsona Youtube an'ny TVM Na dia miaina anaty fahantrana lalina aza ny ankamaroan'ny vahoaka malagasy, araka ny tantara dia efa isan'ireo fifidianana lafo indrindra isaky ny mponina ny fifidianana filoham-pirenena ao Madagas...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/30/131124/
Fitsidihana ny bilaogy manerantany Talata
2018-11-30T12:27:46
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2005) Ny Afovoany Atsinanana Mahmood of Mahmood's Den manambara fa tsy ny handray ny torolàlana avy amin'ny Reporters sans frontières ho an'ny aterineto maimaim-poana ihany no ataony fa ny handika izany ho amin'ny teny arabo, ary handefa azy ireo any amin'ny mpikam...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/28/131208/
Ny WSIS Youth Caucus any Ghana
2018-11-28T04:13:22
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Vao nahavita ny antsafa nifanaovana tamin'i Leopold Armah sy Regina Banini avy ao amin'ny WSIS Youth Caucus any Ghana aho, nifampiresaka momba ny andraikitry ny tanora Afrikana ao amin'ny Fihaonambe Iraisam-pirenena momba ny Fiarahamonin...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/28/131211/
Ghana: Namantampatatra ilay Liberiana nisy namono
2018-11-28T03:10:33
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nisy mpaka sary iray nanaparitaka ny sarin'ny lehilahy Liberiana iray nisy namono hita tao ivelan'ny Tobin'ny Mpitsoa-ponenana Buduburam ao Ghana. Podcast: Play in new window | Download
https://mg.globalvoices.org/2018/11/26/130927/
Kenya: Sary mampihetsi-po momba ny fitroarana sy ny fanantenana
2018-11-26T03:16:45
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2008) Afaka milaza tantara ny teny, afaka manome soritra antsika ny sary, ary manana fomba hampitambarana azy roa ireo ny lahatsary, ka mahatonga ny fanamorana ny fifandraisana ara-pihetseham-po momba ny zava-mitranga. Nandritra ny hetsika mahery setra nateraky ny...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/21/130714/
Nahandro matsiro manerantany ao anatin'ny bilaogy folo
2018-11-21T04:10:27
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2006) # 1 Efa nanontany tena ve ianao hoe ahoana no andanian'ny miaramila ny fotoan'ny fialantsasatra any Iraka? Ity no andro handraisanao ny tantara, voalohany avy amin'ny Chairbone Stranger , miaramila Amerikana iray nalefa tany amin'ny toerana vovohana any Irak...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/23/130168/
Fonjain'i Maoritania i Biram Dah Abeid, mpikatroka anti-fanandevozana — ary ampanalaviriny ny parlemanta nahavoafidy azy koa
2018-11-23T16:02:41
Unknown
Biram Dah Abeid tao amin'ny filankevitra departementalin'i Gironde ao Bordeaux, nanaiky ny lokan'ny Mémoires Partagées tamin'ny 7 febroary 2017, avy amin'ny avy amin'ny fikambanana iraisampirenena “Mémoires et Partages”. Sary nalain'i Akunt'Arts.prod & Gaéty.D. CC-license-by-SA-4.0. Araka ny Global Slavery Index na to...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/19/130640/
Afaka madiodio tamin'ny fiampangana fihemorana amin'ny finoana ilay bilaogera maoritaniana Mohamed Ould Mkheitir, fa mbola migadra hatrany efa-taona izao
2018-11-19T18:35:51
Unknown
Mkheitir nandritra ny fahitana azy tao amin'ny fitsarana ambony tamin'ny taona 2016 avy amin'ny IHEU.org – CC BY-SA 4.0 Fikambanana miisa 32 no nanomboka fanentanana manerantany hitakiana ny famotsorana sy ny fiarovana an'i Mohamed Ould Mkheitir. Mbola tazonina any amin'ny toerana tsy fantatra hatrany ity injeniera 33...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/18/129930/
Ny tontolon'ny blaogy Nizeriana – herinandro voalohan'ny Novambra 2005:
2018-11-18T03:02:32
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2005) Tratry ny lozam-pifamoivoizana teny amin'ny lalan'izy ireo hankany amin'ny Oniversite Obafemi Awolowo any Ile-Ife avy tany Lagos i Gbenga Sesan sy i Edward avy ao amin'ny Jangbalajugbu Homeland Stores . Niala ny arabe ilay fiara ary nitsambikimbikina imbetsak...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/18/129989/
Herinandro tao amin'ny Tontolon'ny Blaogy Kenyana
2018-11-18T04:20:25
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2005) Miblaogy mikasika ny fihaonany tamin'ny Loholona Barack Obama i Alpha Rwath . Manana laza saika efa ho toy ny fiankohofana mihitsy ity Loholona manokana avy ao amin'ny fanjakana Illinois ity noho ny rainy teraka tao Kenya. Tena malaza be loatra ny Loholona Obama ka no...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/15/129913/
Jery Todika Mikasika ny Hip Hop
2018-11-15T13:22:44
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2006) Manana fanavaozana iray mikasika ny tarika hip hop vitsivitsy ao UK ny African Shirts. Raha fintinina fohy dia resahany ao anaty lahatsoratra (amin'ny teny anglisy) voalazan'ny rohy ny momba ireo seho sy rakikira heverina ho nahomby ka nahazo loka, isa...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/15/129864/
Hita tanaty Fandikàna teny
2018-11-15T05:45:02
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2006) Iray amin'ireo fanamby lehibe indrindra amin'ny fampandehanana ny adihevitra eratany ety anaty aterineto ny fandikana teny. Tsy zavatra moramora ny manolotra hevitra sy fandinihana amin'ny teny sy kolontsaina iray ho any an-kafa ary matetika mandany fotoana b...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/15/130280/
Tandindonin-doza ny tokatandroka mainty ao Zimbaboe noho ny fanafoanan'i Shina ny fandraràna nihatra 25 taona
2018-11-15T05:10:35
Unknown
Namoaka fanambaràna ny governemanta Shinoa ny 31 Oktobra 2018 izay nanambara ny fanafoanana ny fandraràna nihatra 25 taona amin'ny fampiasana ny taolan'ny tigra sy ny tandroky ny rhinocéros, ka mahatonga ny fampiasana ny ampahany “azo avy amin'ireo biby voahaza ho an'ny tanjona siantifika, ny fitsaboana ary ny kolontsa...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/12/129426/
Tontolon'ny Bilaogy Kiswahili
2018-11-12T13:52:36
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2005) Niverina aho. Ireto ny feo avy ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Kiswahili: - Ampifandraisin'i i Mawazo na Mawaidha (rohy maty) aminà tantara iray momba ireo mpijirika solosaina ao Korea Avaratra mitovy fahaizana amin'ny CIA isika, izay tetikasa iray hamarana ny “f...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/07/129409/
Elefanta mialokaloka
2018-11-07T08:12:15
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana May 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Elefanta Nasalot, any avaratra andrefan'i Kenya In the maps Nasalot seems inconsequential, a mere footnote…..Nasalot is a big empty question mark of scrub, howling dust devils and towering termite mounds, which marks the borders of South ...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/10/129097/
Tontolon'ny bilaogy Alarobia ao Azia
2018-11-10T11:35:14
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2005) Azia Afovoany sy ny Kaokazy Ny bilaogy amin'ny teny Farsi Shared Pains (nahazo ny Loka RSF Freedom Blog 2005) manana lahatsoratra amin'ny teny Anglisy momba ny fahalalaham-pitenenana ao Afghanistan (pao-tsatroka ho an'ny Afghan Lord ). Registan miresaka tafat...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/07/129337/
Ny zavamaniry sy ny lalomena
2018-11-07T04:32:40
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Tsara tarehy ny lalomena sasany Ary hafahafa ny zavamaniry! Mivoaka avy ao anaty kibon'ny lalomena ireo! Avy amin'i kikuyumoja tao amin'ny maisha
https://mg.globalvoices.org/2018/11/07/129347/
Mpanety any Lomut, Pokot Andrefana, Kenya
2018-11-07T03:35:28
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Sary avy amin'i Unganisha.org
https://mg.globalvoices.org/2018/11/06/128986/
Mangataka ny mangaraharaha manodidina ny fifanarahana momba ny jono niarahana tamin'i Shina ny olom-pirenena Malagasy
2018-11-06T09:12:56
Unknown
Trozona milomano ao amin'ny morontsiraka avaratra-andrefan'i Madagasikara, avy amin'i Salvatore Cerchio et al. / Royal Society Open Science CC-BY-4.0 (http://rsos.royalsocietypublishing.org/content/2/10/150301.article-info) Ny volana septambra 2018, nanambara i Hery Rajaonarimampianina, filoham-pirenena teto Madagasik...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/05/129399/
Ny Tohin'ny Dia tany Accra #2
2018-11-05T13:19:28
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2005) Ny podcast-ko farany avy ao Ghanà manazava ny antony tsy nahitàna ahy tanatin'ny aterineto nanomboka ny tolakandron'ny Zoma lasa teo. Feonkiran'i Obo Addy (Ghaneana mpively amponga), avy ao amin'ny rakikirany Afieye Okropong , nampiasaina teo ambany famelan'ny A...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/03/126226/
Netizen Report: Miely manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara ny hetran'aterineto — ary mampangina olompirenena
2018-11-03T07:03:26
Unknown
Diaben'ny Vondron'asa fanoheran'ny vehivavy, Jona 2018 ao Kampala, Ogandà. Saripikan'i Katumba Badru, nahazoana alalana. Amin'ny fanombohan'izao “hetran'ny bilaogera” ao Tanzania sy ny hetra media sosialy nampidirina vao haingana tao Ogandà izao, dia nankatò karazan-ketra ho an'ny mpisera media sosialy sy ireo sehatra...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/04/129003/
Tsy Tsara ny Manao ny Anaran'ny Tranombarotrao hoe “Hitler”
2018-11-04T16:13:31
Unknown
Ny anaran'i Hitler eo amin'ilay tranombarotra fivarotana akanjo ao Maputo | Sary nampiasaina teo ambany famelan'ny tompony Nanala ny anarany sy ny sary famantarana azy ny tranombarotra iray fivarotana akanjo tao Maputo (renivohitr'i Môzambika) izay nampiseho sarisary Nazi, rehefa niteraka hatezerana tao anaty Facebook...
https://mg.globalvoices.org/2018/11/02/129341/
Sary avy ao Ile-Ife, Nizeria – Olon'ny Fanahy!
2018-11-02T18:52:18
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2005) Olon'ny Fanahy nalain'i Jangbalajugbu-Homeland Stories Fotoana vitsy lasa izay, voatendry ho olona sambatra indrindra eran-tany ireo Nizeriana – tsotra ny antony. Olon'ny fanahy ry zareo!
https://mg.globalvoices.org/2018/10/29/128643/
Durbar: Zaria, Nizeria.
2018-10-29T18:18:26
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2006 ity lahatsoratra ity) Tanterahina any Nizeria Avaratra ny fetibe Durbar izay matso mahavariana ataon'ireo mpitaingina soavaly. Mivondrona hanome voninahitra ny Emir ireo lehilahy mandritra ny fankalazàna ny Sallah sy amin'ireo fotoana voatokana. Mandri...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/26/128461/
Taratasy misokatra fanakianana an'i Sarkozy, avy amin'ireo Afrikàna mpanoratra
2018-10-26T06:59:20
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007) Volana iray talohan'ny nivoahan'ny lahatsoratra teny frantsay nakàna ity voadika ho teny malagasy ity, nikabary i Sarkozy saingy ny fidonany kosa mbola manakoako any anatin'ny tontolon'ny bilaogy amin'ny teny frantsay. Na io noho ny politikany momba ny fifin...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/29/128481/
Burkina Faso : Fahatsiarovana ny faha-10 taona namonoana an’i Norbert Zongo
2018-10-29T14:34:41
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 14 Desambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Folo taona lasa izay tamin’ny faha 13 ny volana Desambra 1998, no hita tao anaty fiara iray main’ny afo teo amin’ny lalan’i Sapouy, eo ho eo amin’ny 100 km miala ny renivohitra ny vata mangatsiakan’ilay mpanao gazety Norbert Zongo sy ireo...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/29/128483/
Guinée-Conakry: Mijoro tsy milefitra manoloana filoha tia fahefana tafahoatra
2018-10-29T07:55:57
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nanglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2007) Manomboka mahazo vahana ao Afrika Andrefana ny fivoarana teknolojika ahafahan'ny olontsotra mandrakitra lahatsary sy mametraka lahatsary ety anaty aterineto. Hatramin'ny anio izahay tsy mbola nampiditra lahatsary avy any amin'io faritra iray eto amin'i...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/25/128454/
Afrika : Ry Mpanjaka, aza mampiaka-bady intsony ianao!
2018-10-25T11:46:02
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Septambra 2008) Mpanao gazety sy olompirenena Ankoatra ireo maro hafa, marobe ireo mpanao gazety ao Malawi no nandray anjara tamin'ilay kaonferansa Highway Africa [angl] natao tao amin'ny Oniversite Rhodes , tao Afrika Atsimo, ny 8 hatramin'ny 10 septambra 2008. Mifantoka ...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/24/126955/
Zimbaboe: Tombony azon'ny tsenambola, fivoriana ara-pivavahana natao am-pilaminana, ary tetika fanararaotra ara-toekarena
2018-10-24T08:58:19
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2007) Satria miha mahantra lalandava ny mahantra, hiha-manana fotsiny kosa ireo manan-karena ao Zimbaboe. Ao anatin’ ity lahatsoratra ity , mamaritra ny fomba nitomboan'ny tsenambolan'i Zimbaboe ho 12 000 % raha oharina amin'ny tamin'ny taona lasa i Mugabe Ma...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/24/128263/
Bilaogy ao Zimbaboe, Burundi, RDC, Malawi
2018-10-24T04:48:19
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2006) Zimbaboe : Feno 82 taona amin'ny volana manaraka i Robert Mugabe, farany amin'ireo “lehilahy lehiben'i Afrika”. Nanomboka nimenomenona momba ireo drafitra fikarakarana ny fety tsingerintaona mihoa-pampana ny mpikambana ao amin'ny antokon'ny fitondrana ZANU-P...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/23/128267/
Ny tontolon'ny bilaogin'ny vehivavy Afrikanina amin'ity herinandro ity (2006)
2018-10-23T15:38:28
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2006) Mibilaogy momba ny mosary any Kenya ny vehivavy bilaogera Kenyana sasany izay ilazan'ny governemanta fa olona 4 tapitrisa no mila fanampiana ara-tsakafo. Ny tsy fitoviana sy ny fitsinjarana tsy mitovy atao amin'ireo harena misy eo anivon'ny Kenyana no tena ...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/25/128677/
Finday Avo Lenta+Bluetooth: Paradisan'ny Fanoratana Bilaogy Ao Ghana
2018-10-24T21:04:01
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jolay 2005 ity lahatsoratra ity) Andy and Mustapha try video blogging from Ghana with a smart phone: Low bandwidth clip Medium bandwidth clip Podcast: Play in new window | Download
https://mg.globalvoices.org/2018/10/23/127228/
WSIS: Miaro ny Fahalalahana Maneho Hevitra any Tonizia
2018-10-23T12:30:18
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra nanglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005) Na dia teo aza ny fahasarotana natrehana, voakarakaranay ihany ny semineranay  ” Fanehoankevitra Ambany Famoretana ” taty amin'ny Fivoriana An-tampony ho an'ny Aterineto sy ny Fiarahamonina. Tena noho ny hazondamosina matanjaka ananan'ireo mpanohana ...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/23/126730/
Ry Bilaogin'izao Tontolo izao, Mitambàra!
2018-10-23T11:55:11
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2005) Vao haingana izay, nanome ity fanamarihana ity i Boris Anthony , namantsika akaiky sady mpamorona endrin-javatra/fitaovana malalan'ny Global Voices: ”….Tao anatin'izay enim-bolana lasa izay, tsy niasa taminà ‘weblog’ tokana mihitsy aho: karazanà famp...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/23/127233/
Kenya Sy Ny Fitsapankevibahoaka Mikasika ny Lalàm-panorenana
2018-10-23T07:47:00
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005) Miroso amin'ny fifidianana anio 21 Novambra 2005 ireo Keniàna, fifidianana fitsapankevibahoaka momba ilay volavolan-dalànan'ny lalàm-panorenana izay nampizarazara be ny firenena. Ny Filoha Mwai Kibaki no nitarika ilay fampielezankevitra ho an'ny “eny”...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/23/128130/
Mitantara momba ny fanonganam-panjakana androany ny Maoritaniana (2005)
2018-10-23T02:31:43
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2005) Mankalaza ny fanonganam-panjakana nihatra tamin'ny filoha Maoritaniana Ould Sid Ahmed Taya ny bilaogin'ny Parti Mauritanien pour la Défense de l'Environnement Les Verts – Antoko Maoritaniana ho an'ny Fiarovana ny Tontolo Iainana – Antoko Maitso), ary manol...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/21/126962/
Any Kivu hatrany Gaza : Ny fomba isafidianan'ireo haino aman-jery ny ady ho rakofany
2018-10-21T17:33:15
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2009) Raha toa Palestiniana marobe maty vao mitovy amin'ny Israeliana iray maty, mba fatina kongoley firy no mitovy amin'ny lambampaty gazaoui iray (gazaoui no fiantso ny mponina ao Gaza) ? Fa nahoana no kely ihany ny fifantohantsaina atokan'ny haino aman-j...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/19/128046/
Ghana: Nahitana tolo-kevitra mahaliana ny fanitsiana ny lalàmpanorenana
2018-10-19T05:37:55
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2010) Tamin'ny taona 2008, nandritra ny fifidianana filoham-pirenena, nampanantena ny Ghaneana ireo kandidà fa handinika ny lalampanorenan'ny firenena. Ny fikasan'ireo mpifaninana hampiditra ny Ghaneana ao anatin'ny dingana fandinihana no nahatonga ity fampanante...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/19/127522/
Manery ny fiovàna amin'ny alalan'ny fitorahana blaogy
2018-10-19T14:45:23
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Jona 2006) Araka ny fitanisana nalaiko avy tao amin'ny blaogin'i Brunei Resources : ”Mila fanerena avy any ivelany isika (ny fanjakana) ary ity no toerana ahafahan'ny mpamaky blaogy tonga manampy amin'ny fanaparitahana ny fahalalàna” ary ny antsoko manaraka ho an'ireo Bla...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/21/127128/
Ny feon'ny vehivavy Afrikanina tamin'ity herinandro ity
2018-10-21T08:03:38
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2006) Maneho hevitra momba ny hamaroan'ireo antidahy ao anatin'ny politika sy ao anatin'ny governemantan'i Kenya ny Diary of a Mad Kenyan . Manontany tena amin'ny fomba nisafidianan'ireo lehilahy ntaolo, mpampihatra ny politika ntaolo, an'i John Githongo mb...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/18/127929/
Fitetezana bilaogy manerantany isaky ny alarobia (jona 2006)
2018-10-18T17:38:45
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2006) Azia Afovoany sy Kaokazy Manana sary avy ao amin'ny tranoben'ny Fitsarana Tampony ao Bishkek, Kirghizistan i Nathan ao amin'ny Registan, izay olona an-jatony no nanafika ny tranobe mba handroaka ireo mpanao fihetsiketsehana nibodo ny trano hatramin'ny volana ...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/18/127417/
Ilay Resabe Momba ny Charango
2018-10-18T13:58:31
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2006 ) Nosoratan'i Miguel Esquirol ity lahatsoratra ity ary nivoaka voalohany tao amin'ny tranonkalan'ny vondrom-piarahamonin'ny blaogy Bolivianina “Blogs de Bolivia”. Afaka jerena eto (ES) ny dikany voalohany indrindra amin'ny teny Espaniola. Tato ho ato, natolotra ho fan...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/18/127236/
Ny Herinandron'ny blaogy Kiswahili
2018-10-18T08:30:10
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005) Ombivavy, olombelona ary rameva – Ranomasimbe Indiana, Tanzania avy amin'i Michuzi Manambara ireo tarehimarika ofisialy ao Tanzania sy any an-kafa fa tamin'ny 1964, nikambana mba hamorona ny Repoblika Miray an'i Tanzania i Tanganyika sy Zanzibar . Te...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/18/127222/
Herinandro ao anatin'ny tontolon'ny blaogin'ny vehivavy Afrikanina
2018-10-18T04:19:21
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra nanglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005) Mahatsiaro ho toy ny ‘ ‘…vehivavy mijoro eo an-kihon'ny fidirana, mijery lehilahy miresaka amin'ny lehilahy, fotsy miresaka amin'ny fotsy’, Faritan'i Keeper of her thoughts ny fihetsehampo tsapa rehefa miasa ao anatina fikambanana ara-pinoana mpanao ...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/17/127741/
Fanentanana momba ny SIDA amin'ny alàlan'ny lahatsary
2018-10-17T09:40:47
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2008) Red Ribbon image by SibleyHunter Aretina mandripaka maneran-tany izay namotika ny fiainan'ny lehilahy, vehivavy ary zaza maro nandritra ny 20 taona mahery ny VIH/SIDA. Anndroany, mitondra lahatsary ho anao izahay, izay miresaka momba ny VIH/SIDA amin'ny endriny maro sa...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/18/127225/
Avy any amin'ny kolikoly mankany amin'ny kolontsaina – andran-tsiro iray avy amin'ny tendro atsimon'i Afrika
2018-10-18T07:09:03
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra nanglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005) Raha toa ka manakaiky ny vanim-potoan'ny fialantsasatra, any Afrika Atsimo lasa fantatra amin'ny anarana hoe vanim-potoanan'ny hala-bola ihany koa ity fotoana iray ao anatin'ny taona ity. Satria be ny vola mifamoivoy mba hamaliana ny filan'ireo mpian...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/17/126703/
Tontolon'ny Blaogy ao Naija
2018-10-17T04:52:15
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2005) Weblog-n'i Chippla – Mifidy i Liberia ”Mety efa lany andro eny amin'ny haino aman-jery nentim-paharazana ny fifidianana liberiana fa tena zava-dehibe izany, tsy ho an'i Afrika Andrefana irery ihany fa manerana izao tontolo izao ihany koa. Iza moa no a...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/17/127562/
Andro faha-2: Hetsika ho an'ny Demokrasia tao Nepal
2018-10-17T03:58:09
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2006 ) Mihoatra ny arivo no voasambotra, maro ireo voadaroka, maro no maty, ary nandrahona hampihatra ny lalàna miaramila ny Minisitry ny Atitany i Kamal Thapa. Raha nisy fotoana nahafahan'ny vondrompiarahamonina iraisam-pirenena hanolo-tanana ho fanehoana firaisankina, fot...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/17/127896/
Fiparitahan'ny tontolon'ny bilaogy Kenyana
2018-10-17T09:37:10
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Febroary 2006) Mitohy amin'ity herinandro ity ny tantara ratsin'nyy kolikoly Anglo Leasing, azo jerena ao amin'ny kenyaunlimited avy amin'i Mshairi sy Mentalacrobatics ny lahatsary (dosie WMV 34MB) notontosain'ny BBC, ary azo jerena ao amin'ny Bittorent ihany koa noho i M...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/16/127477/
Ny teny manjavozavon'ny 419, miaraka maka sary amin'ny voay sy dadabe noely ao Ouagadougou
2018-10-16T03:50:33
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2006) Inona no mitranga rehefa miditra amin'ny nomerika ireo mpanao hosoka? Ny vokatra dia ny tontolo manjavozavo 419. Scribbles from the Den , bilaogy Kameroney nandefa lahatsoratra momba ireo mpanao hosoka: “Ho alaiko ny dolaranao”: 20/20 Mankany amin'ny Tontol...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/15/127744/
Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?
2018-10-15T03:10:36
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2006) Zava-misy an'Arivony Taona Natao Tsinontsinona il suffit de parcourir la bibliographie romanesque de quelques pays africains ayant payé un tribut lourd à la saignée esclavagiste pour toucher du doigt l’ampleur du silence quant au traitement du sujet par ...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/15/127243/
Sodàna: Ny Tafika ONU-UA Ao Darfour, Sekolin-jaza Madinika Iray Tena Lafo, Ny Fiverenan'ireo Bibidia Ao Sodàna Atsimo Sy Ireo Fanehoankevitra Mikasika Ny Blaogera Sodaney Pelaka Iray
2018-10-15T02:37:54
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2005) Fotoana fohy izay lasa hatramin'ny nitetezako farany ny tontolombolongana sodaney nefa mbola inty ihany aho, miaraka aminà lohahevitra isankarazany, anisan'izany ireo fanehoankevitra tsy mahomby manodidina ny blaogy vaovao iray nosokafan'ny sodaney pelaka...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/14/127207/
Ireo Feo Avy Ao Afrika Atsimo
2018-10-14T15:24:25
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2005) Nolazaina ho sahala amin'ny paradisa politika mahatalanjona i Afrika Atsimo ary ny tetezamitantsika mankamin'ny demokrasia dia matetika nolazaina ho toy ny zava-mahagaga. Miezaka ny mampiseho endrika tsara sy fahombiazana ny firenena mba hisarihana ny ...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/14/126569/
Angolà: Niteraka Adihevitra Mikasika Ny Fanavakavaham-bolonkoditra Ny Fandroahana Mpanao Gazety Avy Ao Amin'ny Trano Fisakafoanana
2018-10-14T13:06:44
Unknown
Ireo fitafian'i Hossi Sonjamba tamin'izay andro izay | Sary nampiasaina miaraka amin'ny fanomezandàlan'i Hossi – 26 Aogositra 2018 Niteraka resabe tanaty tambajotra, nitarika ho amin'ireo adihevitra mikasika ny fanavakavaham-bolonkoditra sy ny fanilikilihana ao Angolà ny fandroahana an-terisetra mpanao gazety iray avy...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/14/126702/
Inona No Mitranga Ao Amin'ny Tontolombolongana Afrikana
2018-10-14T14:31:14
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2005) Sombintsombiny vitsivitsy tamin'ny tontolombolongana Afrikana - Tsuipahan'i Gatwiri ny famoahana gazetiboky Foreign Policy nivoaka ny volana Jolay/Aogositra izay milaza fa firenena tsy mahomby i Kenya . Tsipihany fa “na ny loharanon'ireo antontankevit...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/14/127240/
Miblaogy mikasika ny Vaovao Farany araka ny fomba Afrikana Tatsimo
2018-10-14T04:01:40
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra nanglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005) Raha toa ka manakaiky ny Andro Iraisam-pirenena natokana ho an'ny SIDA amin'ny voalohan'ny volana Desambra isika, niteraka resabe iray hafa indray ilay minisitry ny Fahasalamana miteraka adihevitra be sy malaza ratsy ao Afrika Atsimo, i Manto Tshabal...