url
stringlengths
41
46
title
stringlengths
10
284
date
timestamp[s]date
2007-09-12 12:24:22
2025-12-16 16:17:35
author
stringclasses
1 value
content
stringlengths
113
36.1k
https://mg.globalvoices.org/2018/10/12/127656/
Antilles Frantsay: Fanontaniana momba ny mari-panondroana sy ny tsy fananan'asa
2018-10-12T13:03:42
Unknown
Manontany ny mari-panondroana any am-pielezana Tino Land , nosoratan'ilay bilaogera Martinikàna monina ao Paris manasongadina ny disadisa misy indraindray eo amin'ny Afrikana sy Karibeana Frantsay, mitsikera ny Frantsay Antilliana mitsipaka ny fototra maha-Afrikana azy ireo sy Afrikana milaza fa “namidy” tamin'ny kolo...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/11/127624/
Etazonia: Fanomezam-boninahitra an'i Dr. Martin Luther King, Jr.
2018-10-11T04:42:10
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 19 Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Teraka tamin'ny 15 Janoary 1929 i Martin Luther King, Jr. ary azo antoka fa izy no ilay mpisolovava sady mpandahateny malaza tamin'ny Hetsiky ny Zo Sivily Amerikana. Any Etazonia, nomem-boninahitra hisy fety manerana ny firenena izy, izay ...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/13/127532/
Fitaovana antserasera hanaraha-maso ny fiovaovan'ny toetr'andro
2018-10-13T03:52:30
Unknown
(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra 2009 ny lahatsoratra amin'ny teny anglisy) Namonjy ny Fihaonambe momba ny fiovaovan'ny toetr'andro tany Copenhagen (COP15) tamin'ny desambra 2009, ity ny santionan'ireo fitaovana an-tserasera hanaraha-maso ny fikorontanan'ny toetrandro. Amin'ny fampiasana ireo fitaovana ireo, d...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/11/125131/
Angola: Zara raha misy fanehoankevitra mikasika ireo varotra fitaovam-piadiana
2018-10-11T05:48:44
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008) Tsaraina ao Frantsa amin'ity volana Oktobra 2008 ity ilay raharahana fivarotana fitaovam-piadiana manala-baraka tamin'i Angola [amin'ny teny anglisy]. Mahavoarohirohy olona ambony ao Frantsa sy Angoley lazaina ho manana fahefana izany, atomboka amin'ny...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/11/126842/
Mampihena ny elanelana eo amin'ny manankarena sy ny mahantra ao Afrika
2018-10-11T05:19:38
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2014) Olona an'arivony maro midina an-dalambe hanohitra ny hakelin'ny karama, ny halafon'ny fiainana, ny fahaverezan'asa sy ny tsy fahampian'ireo tombontsoa ara-tsosialy. Tohin'ireo fepetra tany Gresy, sy ny taorian'ny lohataona arabo ve? Tsia, mpanao fihetsi...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/10/127208/
Ny Tontolon'ny Bilaogy Kenyana Amin'ity Herinandro Ity
2018-10-10T16:51:14
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2005) Manana fandalinana mahaliana mikasika ny zava-mitranga ao Amerika i Sidaki ary manao tsoakevitra fa anisan'ireo zavatra mampisalasala ny Amerikanina ny andraisana azy eo amin'ny taniny ny omby Britanika, ny akoho Britanika, ary vao haingana, ny lehilah...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/10/126710/
Fifidianana tao Somaliland
2018-10-10T02:54:17
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2005) Na lasa toerana mampidi-doza, tsy milamina avokoa aza ny ankamaroan'ny toerana ao Somalia hatramin'ny fionganan'i Siad Barre tamin'ny 1991, tena nahavita tena tsara Somaliland ny faritra any avaratra indrindra ao amin'i Somalia taloha. Manana governema...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/10/127504/
Madagasikara: Nandrahona ny fifidianana hoavy ny fikasana hanongam-panjakana
2018-10-10T05:16:03
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 20 Novambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Sary avy amin'i Martha de Jong Lantig . Tsy dia nahenoana teny firy momba ny fikasana fanonganam-panjakana nataon'ny Jeneraly Andrianafidison (fantatra amin'ny anarana hoe Jeneraly Fidy) ireo bilaogera Malagasy miteny Frantsay. Toa tsy n...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/10/126723/
Miriam Makeba: Ilay fihodinana fanaovam-beloma farany ataon'ilay ‘diva’ tian'ny olona indrindra ao Afrika
2018-10-10T02:37:03
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2005) Hamarana ireo taona nihirany ireo amin'ny alalan'ny fiodinana fanaovam-beloma farany haharitra 14 volana mba hisaorana ireo mponina tany amin'ny firenena nisehoany nandritra ny asany naharitra 40 taona mahery, izay mbola mampientana ihany eo amin'ny fa...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/08/126364/
Manana olana fangalarana anaran'olona ny Twitter Nizeriana — fa mbola tsy mihetsika ny sehatra (orinasa)
2018-10-08T15:20:02
Unknown
Fango Twitter namboarina indray avy amin'ny handrina Twitter an'i Daring Librarian hita ao amin'ny Flickr. Attribution-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-SA 2.0) Fito volana lasa izay, hita ho nandefa hafatra manokana toa hafahafa tamin'ny mpisera Twitter Matt Navarra ny minisi-panjakana Nizeriana misahana ny raharaham-bah...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/08/126640/
Blaogera Etiopiana manome voninahitra ilay mpitatitra an-gazety tao amin'ilay fiaramanidina nianjera
2018-10-08T02:50:58
Unknown
( Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2007) Nofenoin'ireo blaogera Etiopiana fanomezam-boninahitra ho an'i Anthony Mitchell, ilay mpitatitra an-gazety tao amin'ny Associated Press, iray tamin'ireo olona 114 maty rehefa nianjera tao Kamerona atsimo ny fiaramanidina KQ50-n'ny Kenyan Airways ny Sabots...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/07/127294/
Fanolorana Loka Nobel Momba ny Fandriampahalemana, Hafatra Mavesatra Ho An'ny Fitantanana Ao Amerika
2018-10-07T04:47:11
Unknown
Natolotra ho an'ilay Yazidie irakiàna Nadia Murad sy ilay Kongoley Denis Mukwege ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana, noho ny  “ ezak'izy ireo ho fampitsaharana ny herisetra ara-nofo ho toy ny fitaovampiadiana an'ady “. Azo ambara ho toy ny ampahanà zava-tsy nampoizina ihany ity raharaha ity (ny filoha koreàna ta...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/07/127297/
Praiministra Portiogey Mitsidika an'i Angola, Voakiana Mafy Anaty Tambajotra Sosialy
2018-10-07T05:46:33
Unknown
Tamin'ny 17 Septambra lasa teo no nanombohan'ny zavatra rehetra, fony nigadona tao Luanda,  renivohitra angoley ilay mpitarika avy any Portiogaly, António Costa, mba hanao fitsidihana ara-panjakana, nanao pataloha jeans, nitafy lobaka tsy nisy fehintenda ary nikiraro tsy mihaitraitra. Mifanohitra amin'ilay fomba fitaf...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/08/126741/
Ireo Vehivavy Afrikana Manao Blaogy
2018-10-08T06:40:41
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2005) “Isika ihany ve no mamaritra ny tenantsika sa ny famaritan'ireo hafa antsika” , hoy Keeper manontany tena mikasika an'ireo eritreriny no sady manontany raha toa ny misy maripamantarana azy “… namboarina ho an'ny tenako ho valinteny iray amin'ny an-tanan...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/06/126706/
Suya Nizeriana!
2018-10-06T16:47:24
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Septambra 2005) Loharano: Sary an'i FischerFotos tao amin'ny Wikipedia Suya (vakiana hoe Su-hu-ya) Io no anarana didin-kena nasaly teo ambony koveta mahamay tsy misarona, miaraka amin'ny menaka, tongolo ary sira. Sakafo iray malaza eny anivon'ny saranga Nizeriana...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/06/127219/
Feo avy amin'ny “Zimbabwe Plus”
2018-10-06T14:59:22
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra nanglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005) Zimbabwe-: Fanontaniana tsy mora valiana ho an'ny antoko MDC, antoko lehibe amin'ny fanoherana ny fitondrana ao Zimbaboe, ny hoe hanohitra sa tsia, arakaraky ny hanakaikezan'ny fifidianana izay ho loholona. Koa satria tsy misy ny fifanarahana mazava ...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/04/127158/
Angola: Efa akaiky ny fifidianana andrasana mafy
2018-10-04T04:03:02
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2008) Iray volana latsaka sisa i Angola dia hiaina ny iray amin'ireo fizarana andrasana mafy eo amin'ny tantarany. Enina ambin'ny folo taona taorian'ny fifidianana farany , hanana fahafahana indray hampiasa ny zon'izy ireo hifidy amin'ny fifidianana solombavam-b...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/04/125507/
Mety hanavotra ny tokatandroka tavaratra fotsy ve ny fanomezan-taranaka in-vitro?
2018-10-04T07:45:27
Unknown
“Sodàna,” tokatandroka lahy fotsifotsy tavaratra sisa tavela. Sary navoakan’ Make It Kenya tao amin'ny Flickr ary azon'ny rehetra ampiasaina. Tamin'ny 19 martsa 2018, nisaona ny fahafatesan'ilay rhinocéros tavaratra fotsifotsy 45 taona, antsoina hoe Sudan ireo mpiaro biby, iray tamin'ireo tokatandroka lahy fotsifotsy ...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/04/127104/
Hetsika Mandao Fonenana: Mandrisika ireo tanora Angoley hisaraka amin'ny ray aman-dreniny ny fironana vaovao ao amin'ny tambajotra sosialy
2018-10-04T05:08:06
Unknown
Hita eto i Mario Igoor Diias, mponina ao Namibe (Angola), fa mandao ny tranon-dreniny. Sary nahazoana alalana. Fironana ao amin'ny media sosialy novokarin'ny tanora Angoley mba handrisihana ny tsirairay hahaleo tena ny Hetsika Mandao Fonenana . Tao anatin'ny volana vitsivitsy lasa izay, tanora an-jatony no namoaka ny...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/03/127074/
Madagasikara : Rivo-piainana hafahafa tamin’ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena
2018-10-03T19:16:53
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 24 Jona 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Faha-50 taona ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny 26 Jona 2010, ary efa nanomboka sahady ny fety. Na dia nisy aza ny afisy lehibe mampiseho ireo mpihira malaza iraisam-pirenena ho an’ny fampisehoana dia toa ohatran’ny tsy tena fety ny rivotr...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/01/127029/
Miray hina ho an'ny ankizy eto Madagasikara ny bilaogera Malagasy
2018-10-01T01:24:44
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Somary navitrika tokoa tamin'ny ezaka fanaovana asa soa ny tontolon'ny bilaogy Malagasy. Nanomboka izany rehetra izany rehefa nanasa ny tontolon'ny bilaogy malagasy i Jogany tao amin'ny purplecorner.com mba handray anjara amin'ny fa...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/03/127056/
Ghana: Harmattan indray, Fanjakazakan'ny Vola Ghaneana, Nahoana no te-hiala ireo mpiasa Ghaneana, ary dingana 82 hanavaozana visa
2018-10-02T21:42:23
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2007) Miaina harmattan i Ghana amin'izao fotoana izao, ary nahatonga ny fanehoan-kevitr'i Leanne, ao amin'ny An American in Africa , izay manazava ny momba ny harmattan , izay faritany toy izao izany: a dry dusty wind that blows along the northwest coast of Afric...
https://mg.globalvoices.org/2018/10/03/126205/
Afrika: Manamarika ny andro manerantany miompana amin'ny SIDA amin'ny alalan'ny tononkalo
2018-10-02T21:06:47
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2010) positive… the status of my H.I.V negative… your attitude towards me nonchalant… is how I choose to be pretenders… you allegedly sympathize with me true colors… you show them when I turn my back pity… I surely do not need it right now life… I am full of it a...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/28/126928/
Madagasikara: Ary rehefa eo am-pelatanan'ny tafika ny fitondrana ?
2018-09-28T02:20:07
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanaitra an'i Madagasikara ny vaovao momba ny fikomiana tao amin'ny toby miaramila iray teto Antananarivo ny 10 Martsa 2009. Niparitaka tany amin'ny toby miaramila hafa ny fikomiana nanomboka tamin'izay ary nametra-pialana ny Minisitry ...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/28/126812/
Fankalazana ny Ashura manerantany
2018-09-28T00:54:30
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2011) Muharram, volana voalohany amin'ny alimanaka Islamika, no fotoam-pisaonana ho an'ireo Silamo Shiita. Mandritra izany volana izany, dia mankalaza ny fahafatesan'i Husain, zafikelin'ny Mpaminany Mohammed sy ny Imam shiita fahatelo, ao amin'ny Ady tao Karbala ...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/28/126832/
Feo avy any Nizeria sy Ghana
2018-09-28T00:35:58
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nitatitra ny fianjeran'ny fiaramanidina Belleview tany Nizeria i Chippla . Niresaka ny ora vitsy nianjeran'ny fiaramanidina izy. Namoaka ny fitantarana momba ny fanehoan-kevitr'ireo Nizeriana momba ny Zotra Belleview ihany koa izy sy n...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/28/126820/
Mamakivaky ny afovoan-tsenan'i Kumasi
2018-09-27T23:35:24
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Video montage of a walk through one of the largest open-air markets in Africa. Shot and edited on July 23, 2005. Music by Ghanaian drummer Obo Addy, from his album Afieye Okropong , used with permission from Alula Records . Mamakivaky n...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/27/126826/
Ireo mpitsoa-ponenana Liberiana ao Buduburam
2018-09-26T23:46:15
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Video documentary of my July 2005 visit to the Liberian refugee camp in Buduburam, Ghana. I learn about the challenges faced by Liberians forced to flee their homeland, as well as some of the training programs available to them. I vis...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/26/125801/
Vehivavy roa sahy nanohitra ny filoha Roandey Paul Kagame
2018-09-26T06:33:16
Unknown
Kandidàn'ny fanoherana Victoire Ingabire miandry ny mpitsara ao amin'ny Fitsarana Tampony Kigali. Avy amin'i kigaliwire.com tao amin'ny Flickr, nahazoana alalana: Attribution Non-Commercial 2.0 Generic (CC BY-NC 2.0). Tamin'ny taona 2015, nanara-maso ny fanavaozana ny lalàm-panorenana ahafahany mirotsaka hofidiana ind...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/25/124740/
Momba ny Fanoratana Bilaogy Any Amin'ny Faritra Misy Fifandirana
2018-09-25T05:54:12
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2006) Indray andro, nilaza i Ethan Zuckerman , iray amin'ireo mpamorona ny Global Voices, tao anaty tafatafa iray, fa mila fitserana vao afaka mikarakara toerana lavitra iray izay tsy dia tena mahasarika loatra ny jerin'ny haino aman-jery. Mety avy amin'ny ...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/25/124665/
Fisorohana ady Afrikana iray hafa – Fandinihana blaogy mikasika ilay fifandirana Etiopiana-Eritireàna
2018-09-25T05:23:19
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005) Raha toa ka nihaona tamin'ity faran'ny herinandro ity tao Abuja, renivohitr'i Nizeria, ireo Afrikana mpitarika fito mba hiresahana mikasika ny fomba entina hampandrosoana ny kaontinantany, namory tafika teny amin'ny sisintaniny kosa i Etiopia sy Eritr...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/24/125122/
Fifidianana Filoham-pirenena Etazonia: Ny Teny Misy S… sy Eoropa
2018-09-24T12:01:31
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratr anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008) Ny famelezana farany tamin'ny fanentanana nataon'i McCain dia toa mihodina manodidina an'io teny mandratra  manomboka amin'ny teny “S” io – sahala amin'ny ao anatin'ny hoe “Obama dia Sosialista”. Matetika izy io arahin'ny teny tsy azo ialàna E (sahala a...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/23/124529/
Ireo Krizin'i Darfur: Miteny Ireo Blaogera
2018-09-23T13:13:22
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005) Nipoitra tao anatin'ireo gazety tamin'ny taona lasa ny faritra andrefan'i Sodana ao Darfur rehefa nafindra toerana ireo sivily an-tapitrisany, vokatr'ireo ady nifanaovan'ny andiana mpikomy sy ireo milisy Janjaweed mpomba ny governemanta Sodaney. Tafid...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/23/125478/
Angon'ny Tontolombolongana Keniana
2018-09-23T03:57:53
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2005) Mihevitra aho ny hanao fanasongadinana isan-kerinandro na isan-tapa-bolana mikasika izay mitranga ao anatin'ireo blaogy Keniàna nandritra ny fotoana fohy, indrindra indrindra hatramin'ny nitomboan'ireo blaogy Keniana tsy niato, nandritra ireo volana mar...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/22/126015/
Bilaogera Miteny Anglisy, Na Miteny Tenimpirenena Roa, Na Miresaka Politika Ao Anatin'ny Tontolombolongana Tanzaniana
2018-09-22T16:03:01
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2005) Noho ireo antony tena lazaina ho noho ny fotokevitra ara-politika Ujamaa taorian'ny nahazoan'i Tanzania ny  fahaleovantena, izay nanisy tsindrim-peo mafy mikasika ny maripamantarana ny firenena amin'ny fampiasana be loatra ny Kiswahili, ilay fiteny t...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/19/126208/
Mpanoratra Asongadina: Mac-Jordan Holdbrookes-Degadjor
2018-09-19T15:09:45
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2009) Tamin'ny volana Aogositra 2009,  natao tao Accra, Ghana ny Maker Faire Africa ary nahasarika mpanangana manerana an'izao tontolo izao izay te-hampiseho ny famoronany farany. Nandray anjara tamin'ny fampiroboroboana sy fanoratana momba ny fety ihany koa ireo...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/22/126147/
Ny Sehatra Fanaovana Blaogy Nizeriana
2018-09-22T06:19:01
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Septambra 2005) Raha toa izao tontolo izao mifanaraka tsara amin'ireo blaogy, ireo blaogy Nizeriana kosa niova endrika mihitsy saingy ampilaminana. Tamin'ny fotoana nandrafetana an'ity lahatsoratra ity, tsy dia maro ny nizeriana (avy ao an-toerana) nonanoratra bilao...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/19/124859/
Fanapariahana Avy Ao Ogandà
2018-09-19T13:07:57
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2006) Mitohy ao Juba, Sodana, ireo fifampiresahana hikatsahana ny fandriampahalemana, eo amin'ny governemanta Ogandey sy ny Lord's Resistance Army (LRA). Manome tsiny ny governemanta Ogandey sy ny governemanta ao Sodana Atsimo (GOSS) i Ngomrom noho ny tsy fi...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/17/126254/
Atrikasan'ny Bilaogera Arabo : Ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter ny andro voalohany
2018-09-17T00:50:08
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 9 Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Raha nanatona ny fiafarana ny andro voalohany tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo Faharoa izay fanao isan-taona dia nojerena ny fomba fijerin'ny mpandray anjara nandritra ny tontolo andro mba hamantarana ny zavatra azony sy ny fihetseham...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/15/126059/
Oganda: Fanontaniana, Fiara, Very asa noho ny bilaogy
2018-09-15T03:44:30
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Oktobra 2007) Amin'ity herinandro ity, mamoaka fanontaniana manery hatrany izay manome ny feo ho amin'ny resaka hoavy ny Ugandan Insomniac : Why are millions of Ugandans still living in abject poverty when an increasing number of people in the country can afford a brand new set...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/15/126032/
Zimbaboe : Ny Zimbaboeana sy ny fahafatesan'i Ben Laden
2018-09-15T03:16:58
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 3 May 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Rehefa nandre ny fahafatesan’ i Ben Laden, ‘’ilay lehilahy tena nokarohina indrindra eran’izao tontolo izao’’ dia namalan-kira ny Zimbaboeana. Angamba noho ny zava-misy fa i Etazonia no namono an’i Ben Laden, izay heverin’ny sasany fa tompon’an...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/17/126220/
Lahatsary: Andron'ny Zon'Olombelona sy ny Tsy Fanavakahana
2018-09-17T13:23:50
Unknown
(Lahatsoratra efa tamin'ny volana Desambra 2009) Andron'ny Zon'Olombelona ny 10 Desambra, ​​ny tsy fanavakavahana no lohahevitra amin'ity taona ity, ankehitriny dia mitondra fifantenana vitsivitsy ho anareo amin'ireo horonantsary sasany nataon'ny olona sy nampidirina antserasera mba hanohanana ity zon'olombelona ity i...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/14/123367/
Afrika Atsimo : Finday, Fitaovana Vaovao Ampiasaina Hiadiana Amin'ny SIDA
2018-09-14T06:07:21
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2008) Manandrana fiadiana iray vaovao izao i Farika Atsimo amin'ny ady ataony hamongorana ny SIDA: ny telefaona finday. Fanentanana iray ho fisorohana no miomana handefa hafatra SMS faobe, maimaimpoana, isanandro, mba handrisihana ny Afrikàna Tatsimo hanao ...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/12/125963/
Maoritania: Fanonganam-panjakana
2018-09-12T12:37:51
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2008) Miresaka ny fanonganam-panjakana izay nitranga tao Maoritania ny blaogera maoritaniana Rauf . Inty ny fandikàna nataon'ny solosaina ny zavatra nalefa teo amin'ny blaoginy: Tamin'ny alarobia maraina, nandrenesana tifitra avy taminà fitaovam-piadiana ...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/13/126073/
Lahatsary: ​​Ny fiverenan'ny lamba nentim-paharazana any Mali
2018-09-13T05:14:18
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 19 Martsa 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ahafahana mahita ny lanjan'ny kolontsaina sy ny toekarena any Mali ny asa tanana vita amin'ny lamba nentim-paharazana izay ataon'olon-tsotra na fikambanana. Hita amin'ny fikambanan'ireo vehivavy, izay nilaza fa nametraka an'i Mali ho herin'...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/12/125946/
Mifandresy Lahatra Miaraka Amin'ny “Hanana” Ny Filankevitry ny Tafika Maoritaniana
2018-09-12T11:24:37
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2005) Manao tatitra ny * Al Akhbar (Vaovao – raha teny Arabo) tamin'ny 7:13 hariva fa ny Filankevitry ny Tafika ho amin'ny Rariny sy ny Demokrasia dia nifandresy lahatra tamin'ny Saleh Weld Hanana, ilay filohan'ny Reform Knights – izay nitarika ny fanonganam-panja...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/12/125960/
Manohana Blaogy Afrikana Ny BBC
2018-09-12T12:21:30
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2008) Hatry ny ela ny BBC no efa mamporisika an'ireo mpamaky sy ireo mpihaino ny tolotra omeny an'i Afrika mba hiresaka ny fomba fijerin-dry zareo mikasika io tanibe io, amin'ny alalan'ny famakiana ireo lahatsoratra sahala amin'ny “”Nahoana no tiako i Afri...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/12/125920/
Blaogy Sokwanele Tao Zimbaboe
2018-09-12T07:25:15
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2005) Ao am-piomanana ho amin'ireo fifidianana solombavam-bahoaka hatao ny 1 aprily 2005 i Zimbaboe. Tsy misy isalasalàna ny ho vokatra. Ny ankamaroan'ireo mpanara-maso dia miandry avokoa fa ny antoko Zanu-PF-n'i Robert Mugabe eo amin'ny fitondrana no hahazo ...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/09/125362/
Madagasikara – Frantsa: Miteraka Ahiahy Amin'ny Jadon'ny Governemanta Ny Fandroahana Ireo Teratany Frantsay Anankiroa
2018-09-09T10:01:50
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2007) Teratany frantsay anankiroa, Christian Chadefaux sy mompera Urfer, nipetraka teto Madagasikara efa am-polo taona maro no namoahan'ny governemanta malagasy didy tamin'iny volana lasa iny (may 2007) fa olona tsy iriana honina eto Madagasikara. Andro vitsy m...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/11/125922/
Manao Blaogy Mikasika Ny Herisetra Tao Etiopia i Andrew Heavens
2018-09-11T13:21:08
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2005) Herinandro vitsivitsy lasa izay, sahala amin'ny toa fandresena goavana ho an'ireo mpomba ny fisokafana sy ny fanapariahana ny demokrasia ireo fifidianana tao Etiopia. Tamin'ny alàlan'ny fitaterana ny toa fitomboan'ny seza azon'ny mpanohitra, toerana 12 ha...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/06/124629/
Fijery Avy Any Amin'ny Tandrok'i Afrika Sy Sodàna
2018-09-06T05:36:11
Unknown
Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny volana Aprily 2006 I Etiopia no iray tamin'ireo firenena Afrikana efatra monja tsy voazanaky ny fitondrana Eoropeana mihitsy. Na dia mahaleotena aza, niharan'ny fibodoana nataon'ny Italiana i Etiopia tamin'ny taona 1936 hatramin'ny taona 1941. mamerina amintsika ...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/06/125190/
Kamerona : Vehivavy Kameroney Bilaogera Vitsivitsy
2018-09-06T06:46:22
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008) Maneho ny heviny eo amin'ny aterineto amin'izay ireo vehivavy Kameroney miteny anglisy, amin'ny alalan'ny bilaoginy, na momba ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny lamaody sy ny kolontsaina, na koa ny toe-piainan'ny vehivavy (mitondra eny amin'ny tranonk...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/10/125698/
Tonga Hatrany Maghreb Ny Tontolon'ny Bilaogy Toniziàna
2018-09-10T05:52:28
Unknown
الحرب العالمية الثانية قتلت 50 مليون بشرأوروبا بعد 50 سنة توحّدت ونسات الحرب والأحقاد القديمة بين الدول الأعداء و نحنا في المغرب العربي عندنا 50 مليون سنة ونحنا وخيّان وأحباب عندنا 50 ألف سنة من التاريخ والحضارة والثقافة المشتركة عندنا 50 مليار سبب باش نكونو متوحدين واليوم، وبعد حوالي 50 سنة من الإستقلال لبلداننا ا...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/06/125390/
Sodàna: Fipoahana tao Khartoum, fitoraham-bato ho faty, mpanao gazety nampijaliana & diplaomasia “ara-mozika” Shinoa
2018-09-06T03:05:10
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2007) Nanatri-maso fivoarana mahaliana  i Sodàna tato anatin'ny herinandro vitsy lasa. Ny vao haingana indrindra dia ny fipoahana kamiao feno bala tao Khartoum, izay nibilaogy momba izany i Mimz: A little over 24 hours ago a series of extremely boisterous explosio...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/05/125536/
Netizen Report: Tsy ao Myanmar ihany— fa mieli-patrana ao amin'ny media sosialy toa an'i Kamerona sy i India ny kabarim-pankahalana ara-poko
2018-09-05T05:45:07
Unknown
Kioska finday any Bangalore, India. Saripikan'i Victor Grigas, nasian'ny Wikimedia Foundation fanovana. CC BY-SA 3.0 Tamin'ity herinandro ity, nesorin'ny Facebook ny kaonty sy pejy marobe an'ireo mpikambana ao amin'ny miaramila ao Myanmar. Nanambara ny fanapahan-kevitra ny Facebook taorian'ny iraka fanadihadiana natao...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/02/124300/
“Minisitera Vaovao Ao Frantsa Hisahana Ny Fitiavan-Tanindrazana Sy Ny Fandroahana
2018-09-02T13:30:22
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2007) Tsy tian'ilay Blaogera miteny Frantsay “Et Si Nous Parlions” mihitsy ilay Ministera vaovao napetraky ny Filoha Nicolas Sarkozy hisahana ny Fifindramonina, ny Fampidirana, ny maripamantarana ny firenena, ary ny fiaraha-mivoatra. Ka aleony antsoina hoe “ Min...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/04/125628/
Shina : Ny Vato Tsy Azo ivalozana Amin'ny Famaizana an'i Zimbaboe, Jerena Avy Any Shina
2018-09-04T16:42:54
Unknown
真的就是这样,独裁者都互相爱惜,专制政权都互相喜爱。我想,在心底里,北京可能更愿意与一个独裁者打交道,而不是与一个民主政府打交道。君不见这次奥运会火炬传递,所有民主国家都发生了抗议,所有专制国家都一切顺利。 更有甚者,北京可以通过扮演“独裁者的朋友”的角色,来与美国谈条件,为自己渔利。北韩核危机就是一个绝佳的例子。 《圣经》里说:“惟愿公平如大水滚滚,使公义如江河滔滔。”(Mba hisosa toy ny rano anie ny rariny, ary ny hatsarampanahy ho toy ny renirano mahery! )中国这个国家,不仅自己国内没有公平和正义,还阻碍他国和世界上广大受压迫人民的公平和...
https://mg.globalvoices.org/2018/09/03/125360/
Tonizia: Ireo Fifidianana Ao Maoritania, Ilay Ampinga Lehibe Ary Mohamed Abbou
2018-09-03T05:11:43
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2007) Saika tsy dia noraharahain'ny tontolombolongana Toniziana ny fifidianana filoham-pirenena tao Maoritania. I Nadia de Tunis [ teny frantsay ] irery ihany no misarika ny saina hankamin'io tranga ara-tantara ao amin'ny firenena io, izy izay mpikambana amin...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/30/125373/
Nizerià: Polisy Roa Maherifo; Birao Tsy Misy Sisintany
2018-08-30T12:06:17
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2007) Ny hanombohana ny fitetezantsika ny bilaogy amin'ity herinandro ity dia ny ao Nizerià, toerana izay itantaran'i Yomi Says ny tantara tsy fahita andavanandro mahakasika ireo polisy Nizeriàna roalahy izay sahy nisedra nifanandrina taminà mpandroba niisa 30...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/31/125157/
Maoritania : Antomotra ny Fifidianana Solombavam-bahoaka, Nosamborin'ny Fitondrana i Biram Dah Abeid, Ilay Mpikatroka Mpanohitra Ny Fanandevozana
2018-08-31T12:23:56
Unknown
Biram Dah Abeid – Sehatra ho an'ny daholobe Efa niha-nanakaiky ny fifidianana solombavam-bahoaka tany Maoritania, nefa mbola nofaizin'ny fitondrana ihany ilay “Initiative pour la Résurgence du mouvement Abolitionniste (IRA)  [ Finiavana Hamerina indray ny Hetsika Fanafoanana ny Fanandevozana ]” tamin'ny nisamborany ny...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/31/125354/
Madagasikara: Ireo Nofinofin'ny Hoavy Sy Ireo Hevitra Sasany Mikasika Ny Fanampiana Iraisampirenena Ho An'i Afrika
2018-08-31T01:59:53
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2007) Ny fanantenana – teraka tamin'ny fivoriana TED tao Arusha – hoe eo amin'ny fiakarana mideza i Afrika dia nanentana ny tontolombolongana malagasy. Milaza amintsika i Aiky fa ny senatera malagasy Razafimbahiny Christian dia nanoratra boky iray mikasika ny f...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/31/125383/
Manerana an'i Afrika Andrefana amin'ity herinandro ity (jolay 2006)
2018-08-31T09:19:21
Unknown
(Lahatsoratra efa tamin'ny volana Jolay taona 2006) Atombokontsika amin'ny Under the Acacias izay mibilaogy ny: Osama bin Laden ao Burkina Faso ny fitsidihana bilaogy amin'ity herinandro ity The face of Osama bin Laden glared down at me from his camel, a kalashnikov gun in his hand. Fortunately, he was only on the f...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/30/125445/
Roandà: Miaina Toy ny Mpanjaka Ireo Mpiasa Amin'ny Fikambanana Mpanao Asa Soa
2018-08-30T13:08:17
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2007) Matetika voakiana ireo vahiny miasa amin'ireo fikambanana mpanao asa soa ao Afrika noho izy ireo miaina tsy mifangaro amin'ny vahoaka eo an-toerana izay heverina fa tokony ho ampian-dry zareo. Fomba ahoana moa no hampahomby ireny olona mandany ny fotoana...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/29/125307/
Maninona ireo firenena Afrikàna vitsivitsy no mbola manohy manohana an'i Mugabe
2018-08-29T05:32:34
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007) Koudou, ao amin'ny Agoravox, no manao topimaso malaky ny tantaran'i Zimbaboe izay manazava amin'ny ampahany ny antony mbola anohanan'ireo firenena afrikàna vitsivitsy hatramin'izao (amin'ny teny frantsay). ( Avy amin'ny mpandika : Iriko indrindra raha tsidi...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/30/125404/
Madagasikara: Anglisy teny ofisialy, fanomezam-boninahitra ireo lasibatry ny fifanandrinana ara-panjanahantany sy ny rivodoza
2018-08-30T04:01:24
Unknown
(Lahatsoratra tamin'ny avrily 2007) Fenofeno ny vaovao teto Madagasikara tanatin'ny tapabolana faharoan'ny volana marsa 2007: indrindra fa tamin'ny zavatra 3 nifampiresahan'ny samy bilaogera malagasy: 1) An-dalana amin'izao fotoana izao ny fitsapa-kevi-bahoaka eto Madagasikara. Tahaka izao manaraka izao no hanontania...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/30/125361/
R.D. Kongo: Mpanao fahagagàna, Lalomena mpiangaly mozika ary Takamoa mampahatahotra
2018-08-30T03:05:55
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2007) Angamba ny bilaogy kongoley mahaliana indrindra dia ilay an'i Cédric Kalonji , izay ireo sary sy fanehoankevitra feno hanihany sy indraindray alahelo ao anatiny dia vavolombelon'ny fahasahiranana isanandro iainana ao Kinshasa, renivohitra be mponina sy r...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/29/125298/
R.D. Kongo: Tsy ho ny farany ilay fianjerana fiaramanidina tao Kinshasa
2018-08-29T11:16:15
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2007) Cabiau ao Kinshasa ( Du Cabiau à Kinshasa ), bilaogin'ilay Belza monina ao R.D. Kongo, dia manoratra momba ilay fianjerana fiaramanidina tamin'ny herinandro lasa tao Kimbanseke, tanànan mahantra sy tena be mponina ao Kinshasa. Raha kely indrindra dia ...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/29/125288/
Senegal : Demba Dia, mpihira nirotsaka ho politisiana
2018-08-29T05:26:47
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2008) Nambaran'ila senegaly mpihira, Demba Dia , ny fijoroan'ny antoko politikany manokana, ho fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka ao amin'ny faripifidianana ao Dakar. Tsarain'ny “ Blog Politique au Senegal ” ho sarotra raisina ho zavatra matotra ilay...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/28/124745/
Fitsinjarazaràna Avy Any Ogandà
2018-08-28T07:15:16
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2006) Mitohy miditra amin'ny volana faha-telo ny fifampiresahana mavesatra mikasika ny fandriampahalemana ao Juba, Sodana, eo amin'ny Governemanta Ogandey sy ny Lord's Reistance Army (LRA) , miaraka amin'ny fifampiampangana ataon'ny andaniny sy ny ankilany h...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/29/125302/
Kôngô (RDC): Tenimiafina hanavotra ny ainao
2018-08-29T05:14:42
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Septambra 2007) Araka ny bilaogy “Stood In The Congo [Ang]”, miharatsy ny toedraharaha ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô : “Eny, miala tsiny aho, ry Neny, fa ny dikan'izany dia hoe tafaverina eto Rumangabo indray aho amin'izao fotoana izao. Toerana iray izay tsy ma...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/28/125197/
Cap Vert: Nahoana No Misondrotra Ny Vidin'ny Solika?
2018-08-28T05:52:22
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008) Manontany tena ilay capverdiàna blaogera, Neu Lopes, [ amin'ny teny paortiogey ] hoe nahoana no mbola mitohy misondrotra ny vidin'ny solika ao Cap Vert . Nahitana 21% ny fisondrotana farany tamin'ny solitany fandrehitra, 15% ho an'ny soliky ny fiara, 10...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/25/124980/
Andron'ny Hetsika Ho An'ny Bilaogy 2008, Mitoraka Bilaogy Momba Ny Fahantrana Ny Afrikana
2018-08-25T05:28:08
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008) Ny BlogActionDay (Andron'ny Hetsika Ho an'ny bilaogy ; amin'ny teny anglisy) dia andro natao ho fanokanan'ireo mpitoraka bilaogy manerantany tena ho aminà lohahevitra iray manokana amin'ny bilaoginy tsirairay avy. Ny fahantrana no lohahevitra amin'ity 2...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/27/124662/
Hatezerana Satria i Zimbaboe Mitarika Fikambanana Lehibe Erantany
2018-08-27T17:03:22
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2007) Toy ny hoe tsy ampy ireo korontana manjo an'ireo Zimbaboeana, tohina izy ireo raha nivoaka fa ny firenenan'izy ireo izay tratry nyfahirano no hitantana ny Kaomisionan'ny Firenena Mikambana momba ny Fandrosoana Maharitra ao anatinà nofy ratsy iray hafa izay...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/24/125097/
Afrika Atsimo : Ity no “Joule”, Fiara Afrikàna Voalohany Mandeha Amin'ny Herinaratra
2018-08-24T06:48:49
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008) Isan'ireo voalohany nampahafantatra ilay fiara afrikàna voalohany mandeha amin'ny herinaratra vita tao Afrika Atsimo ny bilaogera. Ao amin'ny bilaogy Urbasprout , napetrak'i Glen ety anaty tambajotra ireo saripika ahitàna ilay fiara sy ny torohay rehet...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/24/125074/
Fihaonambe G8: Mbola toerana tsara kokoa ho an izao tontolo izao?
2018-08-24T03:03:36
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2007) Nihaona tany Heiligendamm, Alemaina tamin'ny herinandro lasa ny G8 (+5) . Tonga tamin'ny fifanarahana momba ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fahantrana ao Afrika izay mety tsy ahafa-po ny ankamaroan'ny mpitsikera ny kapitalisma manerantany ireo firenena manan...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/20/124659/
Fandinihantena Sy Fikarohana Ny Antom-pisiana Ao Anaty Tontolom-bolongana Oganda
2018-08-20T13:04:03
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2007) Rebekah Heacock no anarako. Ity no lahatsoratro voalohany amin'ny nisoloako an'i Joshua Goldstein . Manana olana ara-pisiana miseho amin'ny endrika isankarazany ireo blaogera Ogandey. Nanomboka tamin'ny volana janoary ny fandinihantena eny anivon'ireo Blo...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/21/124973/
Afrika : Tsy Fandoavana Hetra, Tombony Ho an'ny Fampandrosoana Sa Ho an'ny Françafrique ?
2018-08-21T06:19:11
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008) Navoakan'ny Le Pangolin ny fantina iray avy ao anatin'ny Journal du Dimanche momba ny fepetra iray vaovao fampihenàna ny hetra aloan'ireo orinasa frantsay mampiasa vola any amin'ny tany andalampandrosoana, “indrindra fa ao Afrika”. Araka io tsonga io,...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/20/124741/
Ambangovangony Mikasika Ireo Fifanoherana, Ireo Pitsopitsony Manahirana Ary Ny Hatsaran'ny Fiainana Ao Ogandà
2018-08-20T12:09:46
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2007) ndreto ny ambangovangony ahitana ny antsipirihan'ireo fifanoherana, ireo pitsopitsony manahirana ary ny hatsaran'ny fiainana ao Ogandà. Ao Apac, vehivavy roa no mitady sakafo vezetariana ( tsy mihinana afa-tsy zavamaniry ). Izay no fanombohan'ny fitad...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/18/124810/
Netizen Report: Voaloton'ny herisetra goavana sy ny fanakatonana aterineto ny fifidianana ao Mali
2018-08-18T04:09:57
Unknown
Boatim-pifidianana. Sary avy amin'i Sheila Rouge, azo ampiasaina indray. Ny alina talohan'ny nahavoafidy indray ny filoha am-perinasa ao Mali, Ibrahim Boubacar Keita tamin'ny fihodinana faharoa, sarotra nidirana ny aterineto . Nitatitra ireo mpampiasa aterineto sasany ao amin'ireo tanàn-dehibe ao Bamako sy Gao fa tsy ...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/19/124821/
Madagasikara: Niteraka adihevitra ny tsy fahampian'ny fanentanana avy amin'ny bilaogy teto an-toerana tamin'ny vanim-potoanan'ny krizy
2018-08-19T13:42:05
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 9 May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Efa maro ny nosoratana mikasika ireo andiana loza voajanahary izay namely an'i Madagasikara. Nanasongadina ny krizy iray hafa i Tomavana tany amin'ny faritra avaratra-andrefan'i Madagasikara izay tratran'ny mosary. Le Programme alimentaire mon...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/20/124875/
Mety hihena ny taranaka rajako ao Oganda
2018-08-20T08:13:31
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 23 Janoary 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Efa fantatra hatramin'izay fa manodidina ny 700 ny isan'ny Rajako An-tendrombohitra mbola velona any anaty ala amin'izao fotoana (2009)- ny 336 amin'izy ireo no any Oganda – saingy nisy ny fanadihadiana vaovao navoaka tao amin'ny gazety Ne...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/18/124719/
DoGooderTV: Nisokatra ny fifidianana ho an'ny lokan'ny lahatsary tsy mitady tombontsoa
2018-08-18T02:42:25
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 22 Aprily 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nifarana ny Asabotsy 25 Aprily 2009 ny vanim-potoanan'ny fifantenana ireo mpandresy tamin'ny Loka DogooderTV 2009 NonProfit Video (Lahatsary Tsy Itadiavan-Tombombarotra) , ary efa azo nojerena tao amin'ny tranonkalan'izy ireo ireo lahatsary...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/17/124617/
Tsy nampino ireo olona ny fisamborana an'i Nini Satar, jiolahy malaza ao Mozambika
2018-08-17T05:33:59
Unknown
Mifantoka amin'i Momade Assife Abdul Satar, fantatra kokoa amin'ny hoe Nini, iray amin'ireo voaheloka tamin'ny famonoana an'i Carlos Cardoso , Mozambikana mpanao gazety namoaka ny raharahan-kolikolin'ny governemanta sady mpanorina ny koperativan-gazety voalohany ao amin'ny firenena, tamin'ny novambra 2000 ity raharaha ...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/16/124378/
Charles Taylor: Satria mandeha ny tantara
2018-08-16T11:30:17
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2006) Tamin'ny Aogisitra 2003, nentina tamin'ny Boeing 727 fiaramanidin'ny filoham-pirenena Nizeriana i Charles Taylor, Liberiana mpitondra taloha, avy tao Monrovia nankany Abuja. Vao nahazo fialofana tany Nizerià tao anatin'ilay fifanarahana teo ambany fiahi...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/15/121703/
Fanavaozana avy ao Ogandà: resaka fandriampahalemana, fampihavanana, ary filoha tezitra
2018-08-15T18:19:35
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2006) Herinandro mahafinaritra ho an'ireo vaovao lehibe sy fanoratana matsilo tao Oganda ity. Manohy manjaka amin'ny fandaharampotoana ny resaka fandriampahalemana ao Juba . Tamin'ny herinandro lasa teo, nitondra ireo mpikomy avy tao amin'ny LRA hivory tamin'ny voa...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/16/124592/
Oganda: Nahoana no tsy nanoratra mikasika ilay tantara lehibe indrindra an'ny firenena ireo Ogandey blaogera ?
2018-08-16T04:37:33
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2007) Nangina momba ny tantara lehibe indrindra an'ny firenena ny tontolon'ny blaogy Ogandey nandritra ireo herinandro maromaro lasa. Tamin'ny 5 Martsa, nanao fitokonana ireo ogandey mpitsara sy mpahay lalàna taorian'ny bemidina nataon'ireo mpiaro ny filoha t...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/15/124575/
Banjina Iray Mikasika Ny Tontolombolongana Ao An-tandrok'i Afrika Sy Sodàna
2018-08-15T16:10:15
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra  anglisy navoaka tamin'ny Novambra 2005) Milaza an'i Etiopia sy Somalia ary i Eritrea ny teny hoe ‘Tandrok'i Afrika’  ato anatin'ity tatitra ity Revo amin'ny fandanjalanjàna ny teo-draharaha politika ao amin'ny fireneny ireo Etiopiana bilaogera taorian'ireo fifidianana solombavam-bahoaka n...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/14/122476/
Kenya: Hanohitra Sa Tsy Hanohitra?
2018-08-14T04:51:02
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2011) Ho tohin'ny andraikitra noraisin'ny vohikala media sosialy Twitter tao anatin'ireo fihetsiketsehana toniziana sy ejiptiana, miady hevitra ao amin'ny Twitter ireo Keniana raha haka tàhaka na tsia an'ireny fihetsiketsehana ireny. Ireo tenifototra #Kenya...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/13/123309/
Zimbaboe: Zazakely 2 Taona Voafonja Anaty Efitrano Mitokana
2018-08-13T16:40:18
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2009) [Fanavaozana: araka ny tatitra maika an'ny Associated Press , navotsotra tamin'ny 14 janoary i Nigel Mutemagau, saingy ireo ray amandreniny kosa mbola mifonja . Navoaka voalohany teo amin'ny Global Voices tamin'ny teny anglisy tamin'ny 13 janoary ity l...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/13/124281/
Didim-pitsarana miavaka tao Angola, manafaka ilay mpanao gazety Rafael Marques tamin'ny fiampangana rehetra
2018-08-13T05:48:25
Unknown
Rafael Marques de Morais | Lanonana Fizaran-doka Allard 2015 | Wikimedia Commons | CC-BY-SA 3.0 Noafahan'ny fitsarana tao Luanda tamin'ny fiampangàna faniratsirana ny fanjakana Angoley ilay mpanao gazety Rafael Marques sy ny mpamoaka lahatsoratra Mariano Brás, izay zavatra heverin'ny maro fa dingana lehibe ho amin'ny ...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/03/123761/
Mihantsy ny governemantan'izy ireo noho ny fandaharan'asa fanarahamaso ny orinasam-pifandraisandavitra ghaneana
2018-08-03T05:34:32
Unknown
Notorian'ireo mpisolovava ara-politika sy ny olom-pirenena Ghaneana tany amin'ny fitsarana ny governemantan'izy ireo noho ny drafitra hametraka ilay antsoina hoe “Sehatra Iombonana”, rafitra ara-teknika izay ahafahan'ireo mpandrindra manaramaso ny fidiram-bolan'ireo orinasam-pifandraisandavitra miasa ao amin'ny firenen...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/06/124099/
Angola: “Alambamento” Sy Ireo Fombafomba Fampakarambady
2018-08-06T15:44:55
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2010) Misy fombandrazana iray somary henjana manodidina ny fangataham-bady ao Angola, antsoina hoe “ alambamento “. Heverina mihitsy ho manan-danja be noho ny fanambadiana sivily na ara-pivavahana (kristianina no resahina), ny alambamento dia ahitana andia...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/11/123305/
Madagasikara : Fikomiana Tao Antananarivo
2018-08-11T16:03:50
Unknown
May ny Radiom-pirenena malagasy – Sary Caro Termoz tao amin'ny Facebook Ny fandrobàna ny alin'ny 26 hifoha 27 janoary – Sary @harinjaka Nisy sary avy amin'i  @thierry_ratsiz, alatsinainy 26 janoary naneho ny fandòrana tao amin'ny foibem-barotra Magro Ankorondrano, Jereo ihany koa : Lahatsarin'ny fandrobàna tamin'ny ...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/03/124041/
Oganda: Fahatsiarovana an'i Bangi
2018-08-03T03:36:10
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 11 Novambra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nahatsiaro tamim-pitiavana ny fahafatesan’ ilay Ogandey Wilfred Bangirana, olo-malazan'ny onjam-peo, ireo bilaogera noho ny talentany tamin'ny naha DJ tranainy azy. Namoaka teny mamy ho fanomezam-boninahitra azy i Eddyslahh ao amin'ny bil...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/02/123354/
Madagasikara: Mivarotra ny Tena Ho Vadiana, Ny Zavamisy Mangidin'ny Fahantrana
2018-08-02T15:29:05
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2008) Amin'ny maha-mpanao gazety sy olom-pirenena malagasy ahy, matetika aho no miezaka manipika ireo fandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy vitan'i Madagasikara. Inoako tokoa fa tsy dia asiana fifantohana firy amin'ireo ezaka sy fahaiza-mamorona asehon'...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/02/123302/
Madagasikara : Alin'ny Fandrobàna, Tsy Tao An-drenivohitra Ny Filoha Ravalomanana
2018-08-02T12:34:11
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2009) Vaovao nohavaozina ny 27 Janoary tamin'ny 2 ora tolakandro, ora frantsay : araka ny filazan'ny onjampeo malagasy Radio Antsiva tamin'ny filazàm-baovaony maraina (Talata 27 janoary) dia any Morondava ny “Air Force One” ilay fiaramanidina mpitondra ny fi...
https://mg.globalvoices.org/2018/08/01/124011/
Rosiana mpanao gazety maty nisy namono tao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany
2018-08-01T04:53:46
Unknown
Orkhan Dzhemal, 51 taona, mpanangom-baovaon'ady menavazana avy any Rosia, maty tamin'ny 31 jolay 2018, tao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany // Pikasary avy amin'ny Akon'i Moskoa, YouTube Rosiana mpanao gazety miisa telo no maty nandritra ny alin'ny 30 jolay tao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany, teo amin'ny toe...
https://mg.globalvoices.org/2018/07/31/122796/
Inona no nanjo ny zo niomerika nandritra ny fito taona lasa? Hilaza izany aminao ny andiany faha-300 amin'ny Tatitry ny Olon-tsotra Mpampiasa Aterineto
2018-07-31T12:01:26
Unknown
PFanoherana tao Bodapesta, Oktobra 2014. Sary avy amin'i Marietta Le, nahazoana alàlana Tamin'ny nanombohanay ny Tatitry ny Mpisera tamin'ny 2011, nanapaka hevitra ny hamorona firaketana isankerinandro ny fomba fampiharan'ny olona manerana izao tontolo izao ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny alalan'ny teknolojia –...
https://mg.globalvoices.org/2018/07/30/121982/
Madagasikara: Kianin'Ireo Mpitoraka Bilaogy Malagasy Any Frantsa Ilay Politikan'i Sarkozy Momba Ny Fifindràmonina
2018-07-30T07:57:01
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2007) Ny famoronana minisitera iray misahana ny fifindràmonina sy ny maha-olom-pirenena no fandaharanasa iray izay heverin'ny filoha frantsay vaovao, Nicolas Sarkozy. Tsy maintsy manaiky io fomba fiasa hentitra io, ary manaporofo ny fifatorany amin'i Frantsa ire...
https://mg.globalvoices.org/2018/07/28/123353/
Angolà: Ankizy maro ampangaina ho manao famosaviana
2018-07-28T17:22:51
Unknown
(Fanamarihana : Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2008) Nivadi-po tamin'ny tantara mahatsiravina vao haingana momba ny zaza ariana, tsy karakaraina tsara, ampijaliana ary vonoina satria ampangaina ho manao famosaviana i Angolà. Tao amin'ny monisipalin'i Sambizanga , faritr'i Luanda no nitrangan'ny iray tamin'ny i...