url
stringlengths
41
46
title
stringlengths
10
284
date
timestamp[s]date
2007-09-12 12:24:22
2025-12-16 16:17:35
author
stringclasses
1 value
content
stringlengths
113
36.1k
https://mg.globalvoices.org/2018/10/12/127656/
Antilles Frantsay: Fanontaniana momba ny mari-panondroana sy ny tsy fananan'asa
2018-10-12T13:03:42
Unknown
Manontany ny mari-panondroana any am-pielezana Tino Land , nosoratan'ilay bilaogera Martinikàna monina ao Paris manasongadina ny disadisa misy indraindray eo amin'ny Afrikana sy Karibeana Frantsay, mitsikera ny Frantsay Antilliana mitsipaka ny fototra maha-Afrikana azy ireo sy Afrikana milaza fa “namidy” tamin'ny kolontsaina Tandrefana ny Antiliana: J'emmerde tout les ANTILLAIS qui méprisent l'AFRIQUE ou qui estime qu'ils n'ont rien a voir avec elle alors que la culture Antillaise s'est fondée en grande partie par des africains que se soit la cuisine, la musique, les arts ou les moeurs…d'ailleurs la syntaxe (construction des phrases) du créole est proche de celle des langues africaines de plus certains mots sont d'origine africaine…sachez une chose mes frères en méprisant l'Afrique vous mépriser vos ancêtres et donc une partie de vous même … Alikaiko ireo Antiliana rehetra manambany an'i Afrika na mieritreritra fa tsy misy ifandraisany aminy izy ireo, na dia niorina avy amin'ny Afrikanina aza ny ampahany betsaka amin'ny kolontsaina antilliana, na sakafo, mozika, zavakanto, na soatoavina. Ambonin'izany, ny fehezan-teny amin'ny teny kreôla dia tena akaiky kokoa amin'ny fiteny Afrikana izay avy amin'ny Afrikana mihitsy ny sasany amin'ireo teny… Ry rahalahiko, fantaro fa rehefa manambany an'i Afrika ianao, dia manambany ny razambenao, izany hoe ampahany aminao. J'emmerde également les AFRICAINS qui disent des ANTILLAIS sont des vendus ou des Bounty alors que c'est essentiellement en Afrique que les femmes se décolorent la peau, afin de sois disant paraître plus belle. De plus encore aujourd'hui nombre de personne en Afrique portent des noms occidentaux qui ne sont même plus d'actualité en France par exemple : Boniface, Alphonse, Hortense, Pierrette, Basile, Hyacinthe … et bien d'autres encore alors sil vous plait comme dit le proverbe ivoirien ” Il faut regarder son caleçon avant de dire que celui de ton voisin est sale ” … à méditer. Ny CPE: Lalànan'ny Asan'ny Tanora ao Frantsa, Araka ny hita avy ao Guadeloupe Mangoraka kely ho an'ireo mpianatra Frantsay izay nanao hetsi-panoherana ny Fifanekena Asa Voalohany (Contrat Première Embauche (CPE)) i Bien vu , lalànan'ny asa izay, ankoatra ny hafa, ahafahan'ny orinasa manakarama mpiasa latsaky ny 26 taona tsy mila mampiseho antony. Petits étudiants couvés chez leurs parents ! Aujourd'hui, vous avez le choix : ou bien vous allez directement à l'ANPE et vous pointez au chomage avec un retour vers des CAP pour coller au besoin du marché ou vous “subissez” le CPE en vous donnant la chance de montrer à votre employeur que vous êtes vraiment un atout indispensable pour sa société. Vous choisissez : PAS DE CPE ! Ok, donnez leur le chomage assuré, les longues périodes intérimaires, les remises en questions personnelles et surtout, donnez leur la chance de parcourir cette grande croisade vers l'emploi assuré. Magnifique cette nouvelle génération qui deviendra les acteurs premiers de notre nouvelle société. Cela promet ! Leur logique impitoyable : Tuons le “chien” et discutons ensuite si nous aurions du le garder vivant ! Nofoanan'ny governemanta Frantsay, niondrika nandritra ny herinandro maromaro tamin'ny hetsi-panoherana nataon'ny tanora, mpianatra, sendikà ary ny hafa manerana ny firenena ny lalàna, ka nahatonga an'i Bien vu hanatsonga fa nisy antoko politika Frantsay vaovao teraka: “Ny Lalana”: Le glas vient de sonner pour le CPE, la cérémonie solanelle s'est effectuée dans la joie et la bonne humeur pendant que d'autres pleuraient de voir un nouveau petit espoir de trouver du travail s'effacer. Eh oui, un nouveau parti politique vient de voir le jour, j'ai nommé : “LA RUE” ! Pouvoir puissant qui est géré par des ados qui connaissent déjà tout du momnde du travail et qui donne des leçons au gouvernement en place…
https://mg.globalvoices.org/2018/10/11/127624/
Etazonia: Fanomezam-boninahitra an'i Dr. Martin Luther King, Jr.
2018-10-11T04:42:10
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 19 Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Teraka tamin'ny 15 Janoary 1929 i Martin Luther King, Jr. ary azo antoka fa izy no ilay mpisolovava sady mpandahateny malaza tamin'ny Hetsiky ny Zo Sivily Amerikana. Any Etazonia, nomem-boninahitra hisy fety manerana ny firenena izy, izay isaky ny Alatsinainy fahatelon'ny volana Janoary isan-taona. Maro ireo bilaogera any Etazonia no nanome voninahitra ny fahatsiarovana azy tamin'ireo lahatsoratra manokana, ary nampifandray ny lovany tamin'ny rariny ara-tsosialy niaraka tamin'ny olana amin'izao fotoana izao, ary nampiseho fa mbola manan-danja hatrany ny teniny 42 taona taorian'ny namonoana nahafaty an'i King. Mifantoka amin'ny sosiolojian'ny firazanana, ny foko ary ny fifindramonina any Etazonia ny bilaogy The Color Line . Nanontany ilay bilaogera CN hoe hatraiza ny fanatanterahantsika ny nofin'i Martin Luther King Jr .: Many Americans thought that Barack Obama’s election was the culmination of Dr. King’s dream and concrete proof that we have evolved into a “post-racial,” colorblind society. Unfortunately, as I and many other sociologists and commentators have argued, even in this past year, we have seen numerous incidents that illustrate just how prevalent racial distinctions and racism still are in American society. Amerikanina maro no mihevitra fa ny fifidianana an'i Barack Obama no faratampon'ny nofinofin'i Dr. King sy porofo mivaingana fa lasa fiarahamonina “efa lasa any aoriana ny fanavakavaham-bolonkoditra” izay tsy mahita volonkoditra intsony isika. Indrisy anefa, raha araka ny voalazako sy ny voalazan'ireo mpandinika ny fiarahamonina maro ary ireo mpanome hevitra hafa fa na dia tamin'ny herintaona aza dia nahitana tranga maro izay mampiseho fa mbola tsikaritra eo amin'ny fiarahamonina Amerikana ny fanavakavaham-bolonkoditra sy ara-poko . Taorian'ny adihevitra momba ireo olana maro samihafa momba ny fanavakavaham-bolonkoditra tany Etazonia dia hoy ilay bilaogera namintina: Ultimately, the best way for us to work toward achieving the ultimate colorblind ideal is to recognize, accept, and understand that racial distinctions still matter and that they are still the basis for continuing discrimination and inequality in American society today. Only by doing so will we move forward on achieving Dr. King’s final ideal — true racial equality. Raha fintinina, ny fomba tsara indrindra ahafahantsika miasa amin'ny fanatontosana ny tanjona farany amin'ny fiarahamonina tsy mijery volonkoditra dia ny mamantatra, manaiky, ary mahatakatra fa mbola olana ny fanavakavahana ara-pirazanana ary izany no mbola fototry ny fanavakavahana sy tsy fitoviana mitohy eo amin'ny fiarahamonina Amerikana amin'izao fotoana izao. Amin'ny fanaovana izany ihany no handrosoantsika amin'ny fanatanterahana ny tanjon'i Dr King farany- ny fitoviana ara-bolonkoditra tanteraka. Namoaka lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Lesona avy amin'i Dr. Martin Luther King, Jr. ho an'i Madagasikara” i Lova Rakotomalala ato amin'ny Global Voices, izay avy eto Madagasikara saingy mipetraka any Etazonia, ary nilaza (raha jerena ny zava-nitranga teto Madagasikara ny taona 2009) izy hoe: Leadership matters. Real leaders give speeches and then walk the talk, in front of the line . Leaders do not vanish in a sheltered place when they know things are about to get dangerous and let protesters walk in harm's way to serve their agenda. The only thing we know for sure about what really happened in Madagascar a year ago is that we could have used a Dr. King back then . Misy lanjany ny fomba fitantanana. Mikabary ireo mpitondra marina ary avy eo manao laharam-pahamehana ny fanatanterahany ny kabariny . Tsy manjavona any amin'ny toeram-pialokalofana ny mpitarika rehefa fantatr'izy ireo fa misy ny zava-doza lehibe mitranga ary avela ny mpanao fihetsiketsehana handeha amin'ny lalana mampidi-doza mba hahazoaka tombony amin'ny paikady politikany. Ny hany zavatra fantatsika momba ny tena zava-nitranga teto Madagasikara ny taona 2009 dia ny tokony nampiasantsika an'i Dr. King tamin'izay fotoana izay. Nampitaha ny hetsika momba ny zon'ny sivily tamin'ny taompolo 1960 sy ny fifindra-monina ankehitriny ny bilaogy iray any Etazonia Immigration Impact ary nanoratra hoe : Now, more than ever, it’s important to remember Dr. King’s message that all men are created equal—not just for Hispanics and African Americans, but for all people who come to this country in search of the American Dream. Ankehitriny, ary na oviana na oviana, zava-dehibe ny mahatsiaro ny tenin'i Dr. King fa noforonina mitovy avokoa ny olona rehetra – tsy ho an'ny Hispanika sy Afrikana Amerikana ihany, fa ho an'ny olona rehetra hitady ny Nofy Amerikana ka tonga eto amin'ity firenena ity. Mampahatsiahy antsika ilay bilaogera ao ambadiky ny Preventing Homelessness fa midika fanompoana ny fanomezam-boninahitra an'i Martin Luther King, Jr. : Today is Martin Luther King Jr. Day. A day for all of us to work to improve lives, bridge social barriers, and move our nation closer to the “Beloved Community” that Dr. King envisioned. Today is a day of service , but we don't have to stop there. We can resolve to make this a year of service and make a real difference in our community! Andron'i Martin Luther King Jr androany. Andro iray ho antsika rehetra ahafahana miasa mba hanatsarana ny fiainana, hanafoanana ny sakana ara-tsosialy, ary hanosehana ny firenentsika hanakaiky kokoa ny “Fiarahamonina Malala” izay novinavinain'i Dr. King. Andro fanompoana (servisy) ny andro androany, saingy tsy voatery hijanona eto isika. Azontsika atao ny miova mba hanatanterahana ity taona fanompoana ity ary hanova tanteraka ny fiarahamonintsika! Ary farany fa tsy ny kely indrindra, mamela antsika hisaintsaina momba ny fampiharana ny lesona nomen'i King ny bilaogy manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra Racism Review : This Martin Luther King, Jr. Day, I hope and pray we will learn the lessons Dr. King taught us. Regardless of what the majority of people say, progressive American rhetoric remains miles ahead of its deeds (see King’s brilliant sermon “Paul’s Letter to American Christians”) and gradualism is not the answer. Only collective action, creative and sustained civil disobedience, and mobilization of people of color and poor–for whom cooptation and/or cessation are not viable options—are the only potential means for achieving and sustaining real and systemic change. Amin'ity andron'i Martin Luther King, Jr ity, manantena sy mivavaka aho fa hianatra ny lesona nampianarin'i Dr. King isika. Na inona na inona lazain'ny ankamaroan'ny olona, ​​ any amin'ny kilaometatra maromaro ny halaviran'ny asa ataon'ny mpandahateny Amerikana liam-pandrosoana (jereo ny toriteny mamirapiratra nataon'i King hoe “Taratasy ho an'i Kristiana Amerikana avy avy amin'i Paoly”) ary tsy ny fiovana miadana no valinteny. Ny hetsika iombonana, ny tsy fankatoavana sivily amin'ny fomba vaovao sy maharitra ary ny fanetsehana ny mainty hoditra sy ny mahantra- izay tsy vahaolana ny famerenana sy/na fitsaharana- no fomba tokana ahafahana manatanteraka sy manohana ny fiovana marina sy ara-drafitra.
https://mg.globalvoices.org/2018/10/13/127532/
Fitaovana antserasera hanaraha-maso ny fiovaovan'ny toetr'andro
2018-10-13T03:52:30
Unknown
(Marihana fa efa tamin'ny volana Oktobra 2009 ny lahatsoratra amin'ny teny anglisy) Namonjy ny Fihaonambe momba ny fiovaovan'ny toetr'andro tany Copenhagen (COP15) tamin'ny desambra 2009, ity ny santionan'ireo fitaovana an-tserasera hanaraha-maso ny fikorontanan'ny toetrandro. Amin'ny fampiasana ireo fitaovana ireo, dia afaka mahafantatra bebe kokoa momba ireo fiantraikany ny olon-tsotra, ary manampy amin'ny fanerena ireo mpanapa-kevitra mba hijery vahaolana. Manomboka eny ifotony amin'ny ankapobeny ny fanaraha-maso ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetrandro. Tany Alaska, Etazonia i James Balog , mpaka sary mba handrakitra ny fiempon'ny ranomandry. Azonao jerena ny valiny mahavariana ao amin'ny sariny amin'ity lahatsary ity: https://youtube.com/watch?v=oaTcsyNrEec Raha tsy manana fakantsary sarobidy sy fotoana handehanana any Alaska ianao dia misy fomba hafa hamakiana ny zava-niain'ny olona mitari-dalana. Eny amin'ny fitarihan-dalana manoloana ny fiovan'ny toetrandro ny tetikasa mandrakitra ireo tantara voalohany momba ny fikorontanan'ny toetr'andro, ao amin'ny vondrom-piarahamonina indizeny, ao amin'ny nosy kely ary ny vondrom-piarahamonina marefo hafa. Ahitana fandraisana anjara vao haingana marobe avy amin'ny mailaka, indrindra avy any Azia Atsimo sy Afrika ny forum. Mpikambana iray sy mpanolo-tsaina momba ny fampandrosoana an'i Afrika, George Katunguka manoratra avy ao Oganda: The impact of climate change has not received much prominence in my country Uganda but such changes and its effects are painfully being felt. In 2025, Uganda is likely to experience water stress according to recent report on water resources. People are dying of starvation and hunger like the recent case in Teso Region, Eastern Uganda; there are changes in water ecosystems like the dwindling levels of Lake Victoria; unpredictable seasons, loss of soil fertility and loss of agricultural output and hence increased household poverty and its implications. What are we doing to avert this looming catastrophe? Tsy nahazo sehatra betsaka tao amin'ny fireneko Oganda ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro saingy ny fiovana tahaka izany sy ny fiantraikany dia tsapa fa tena maharary. Amin'ny taona 2025, dia mety hiatrika olan'ny rano i Oganda araka ny tatitra vao haingana momba ny loharanon-drano. Matin'ny hanoanana ny olona tahaka ny tranga vao haingana tany amin'ny Faritra Teso, Ogandà atsinanana; Misy fiovana eo amin'ny tontolon'ny rano, toy ny fihenan'ny haavon'ny farihy Victoria; vanin-taona tsy ampoizina, fahaverezan'ny fahavokaran'ny tany sy fahaverezan'ny vokatra ara-pambolena ka nampitombo ny fahantran'ny tokantrano sy ny voka-dratsiny. Inona no ataontsika mba hisorohana ity loza mitatao ity? Manomboka amin'ny sehatra ivelany mankany amin'ny Google Earth Azo hamarinana avy eny amin'ny toerana ambony ny fanaraha-maso eny ifotony. Ny toerana no fanombohana hanaovana ny fanaraha-maso sy fanadihdiana ny tany amin'ny ankapobeny. Sarotra ny mipetraka eo amin'ny sambon-danitra, saingy mora kosa anefa ny mahita sary amin'ny zanabolana amin'ny aterineto avy eny ambony. Ankoatra ireo sampana an'habakabaka sy orinasa manome tolotra ho an'ny fikambanana tsy miankina, namorona ny atlas antserasera ireo mpahay siansa sy olon-tsotra, ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Tontolo Iainana mba hanamarihana ireo fiovana nitranga tany amin'ny faritra samihafa manerana an'izao tontolo izao nandritra ny folo taona. Ny sary zanabolana rehetra dia azo jerena ao amin'ny glaoby virtoaly an'ny Google Earth, araka ny tatitra ofisialin'ny blaoginy: In collaboration with the Danish government and others, we are launching a series of Google Earth layers and tours to allow you to explore the potential impacts of climate change on our planet and the solutions for managing it. Amin'ny fiaraha-miasa amin'ny governemanta Danoà sy ny hafa, dia nanomboka andiana fitsidihana ny Google Earth izahay mba ahafahanao mamantatra ny mety ho fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro eo amin'ny planetantsika sy ny vahaolana amin'ny fitantanana izany. Betsaka ny loharanom-baovao azo jerena ao amin'ny bilaogy sy tranonkalan'ireo fikambanana iraisam-pirenena. Ry mpamaky, aza misalasala mametraka ny loharanom-baovaonao manokana ao amin'ny zoro fanehoan-kevitra. Siansa ho an'ireo mpanapa-kevitra Ny fandinihana no lohahevitra fototra ho an'ireo mpanapa-kevitra. Nanatontosa fanadihadiana ny governemanta mba hahatakatra ny tranga sy ny fomba hanamorana ny fiantraikany. Nanomboka fandaharan'asa an'habakabaka ny Vaomiera Eoropeana sy ny Sampana An'habakabaka Eoropeana tamin'ny taona 1998, nantsoina hoe Global Monitoring Environmental Security (Fanaraha-maso manerantany moba ny fiarovana ny tontolo iainana) (GMES) izay mikendry hisoroka ireo fiovana ara-potoana avy amin'ny tahiry loharanom-baovao marobe. Tokony hanao tatitra  ny tetikasa amin'ny taona 2014, hahitana ny tovana ara-piarovana. Ny firenena andalam-pandrosoana no tena voakasika mivantana amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro, ka nandray dingana mitovy tahaka ireo zanabolana vao haingana natao tao India mba hanadihady ny fiovaovan'ny toetr'andro. Ny vaovao tahaka izany no afaka manampy ireo firenena hanomana politika vaovao ara-tontolo iainana sy ara-toekarena. Any Afrika Atsimo, noforonina indrindra ho amin'ity tanjona ity ny fitaovana vaovao momba ny toekarena. Mitatitra ny AllAfrica : Now, an analytical tool based on a study, Mapping South African Farming Sector Vulnerability to Climate Change and Variability, has been developed to help policy-planners identify the communities most vulnerable to climate change and help them prepare for radically different farming conditions. Ankehitriny, novolavolaina ny fitaovana fanadihadiana mifototra amin'ny fikarohana, Mandrakitra An-tsaritany ny Sehatra Fambolena ao Afrika Atsimo izay Marefo amin'ny Fikorontanan'ny toetr'andro sy ny Fiovaovany, mba hanampiana ireo mpandinika politika hamantatra ireo vondrom-piarahamonina tena marefo amin'ny fiovan'ny toetr'andro ary manampy azy ireo hiomana amin'ny fepetra ara-pambolena samy hafa.
https://mg.globalvoices.org/2018/10/11/125131/
Angola: Zara raha misy fanehoankevitra mikasika ireo varotra fitaovam-piadiana
2018-10-11T05:48:44
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008) Tsaraina ao Frantsa amin'ity volana Oktobra 2008 ity ilay raharahana fivarotana fitaovam-piadiana manala-baraka tamin'i Angola [amin'ny teny anglisy]. Mahavoarohirohy olona ambony ao Frantsa sy Angoley lazaina ho manana fahefana izany, atomboka amin'ny Filoha José Eduardo dos Santos . Nanao izay ezaka farany vitany anefa i Angola mba hisorohana ity fitsarana ity [amin'ny teny anglisy], tamin'ny fiantsoana ny fanajàna ny ”lalàna amin'ny tsiambaratelo” -n'ny firenena vahiny. Tantara politika ratsy nanomboka tamin'ny 1992 ity raharaha ity, matetika antsoina hoe ”Angolagate”, na raharaha Mitterrand-Pasqua, rehefa tonga saina tamin'ny fahambaniany ara-tafika manoloana ny UNITA an'i Jonas Savimbi , izay tamin'izany fotoana izany dia nifehy ny 80% tamin'ny tany angoley i José Eduardo dos Santos. Mba hiatrehana izany toe-javatra izany, nanapa-kevitra ny ffiloha angoley ny hiala ireo sazin'ny ONU mandrara ny fivarotana fitaovam-piadiana ao Angola sy hividy fiara mifono vy miisa 400, balan-tafondro 150 000, vanja milevina miisa 100 000, helikoptera am-polony, sambo vitsivitsy fitondra miady ary fitaovam-piadiana maro hafa avy tao amin'ny Firaisana Sovietika taloha. Notanterahin'ny vondronorinasa iray, miorina ao Parisy izay antoina hoe Brenco International ny fivarotana ireo fitaovam-piadiana ireo, mitentina 790 tapitrisa dolara. Ny mpitantana azy, i Pierre Falcone , sy ilay israeliana mpanao politika Arkadi Gaydamak , izay ankehitriny dia eo amin'ny dabilion'ny voampanga, no mpilalao fototra tamin'ity varotra ity. Ny fitambarany 40 hafa voampanga, izay frantsay tomponandraikitra ara-politika malaza ny sasany [amin'ny teny anglisy] no tsaraina ary mety hahazo hatramin'ny 10 taona fidirana am-ponja. Nanomboka tamin'ny Alatsinainy 6 oktobra 2008 ilay fitsarana ary tokony haharitra hatramin'ny 4 martsa 2009 ireo adihevitra. Tamin'ny fiandohan'ity fitsarana ity, tena vitsy ireo fanehoankevitra tao amin'ny tontolon'ny blaogy angoley, sy tany amin'ny fampahalalam-baovao. Iray tamin'ireo blaogera vitsy an'isa sahy nanainga ilay lohahevitra, gaga i Robert Ivens, tao amin'ny blaogy Nos Cus de Judas [amin'ny teny portiogey] fa tsy nisy angoley voampanga tao anatin'ity fitsarana ity : Não haver neste processo um único arguido angolano não deixa de ser curioso. Que todo o material de guerra, tanques, navios, helicópteros, obuzes, minas, tivesse entrado em Angola sem que ninguém o houvesse solicitado faz pensar que, afinal, poderá ter havido uma..invasão estrangeira?! Niampanga an'i Jean-Christophe Mitterrand ihany koa ny fitsarana frantsay, izay zanaky ny Filohan'ny Repobika frantsay tamin'izany fotoana izany, efa maty, ny manam-pahaizana ho an'ny faritra atsimon'i Afrika avy tao amin'ny Antoko sosialista frantsay i Jean-Bernard Curial, sy i Charles Pasqua , Minisitry ny Atitany frantsay taloha, ankoatra ireo hafa. Miverina amin'ity raharaha ity ihany koa ny blaogy Moçambique para Todos [amin'ny teny portiogey] miaraka amin'ny lahatsoratr'ilay Angoley Eugénio Costa Almeida : Pois então não é que a justiça francesa, sem tomar em linha de conta os superiores interesses da República Francesa, decidiu iniciar o julgamento deste processo, com acusações que vão desde tráfico de armas, abuso de confiança, fraude fiscal e tráfico de influências. Tudo por causa de uns míseros 420 carros de combate, 150 mil obuses, 170 minas anti-pessoais, 12 helicópetros e 6 navios de guerra, eventualmente comprados por Angola e para os quais uns quantos auferiram umas míseras dezenas de milhares de dólares em “luvas”. Gingubas ou peanuts, como diriam os nossos amigos norte-americanos, eventualmente depositadas em contas obscuras em empresas, cidades francesas, suíças ou israelitas, antes de seguir para as de companhias e empresas financeiras sedeads em paraísos fiscais onde o dinheiro “adormece” por uns tempos antes de voltar a circular…é que parar é morrer, e há tantas quintas e palácios na Europa para serem comprados. Toy ny efa nampoizina, lavin'i Angolà fiamoangàna azy ho nandika lalàna rehetra sy ny fiampangana azy ho nanao varo-maizina ana fitaovam-piadiana ary fandosirana hetra, amin'ny fanamarinana fa ara-dalàna, tsy avy any frantsa ary tsy nandalo tao Frantsa ilay fitaovan'ny tafika. Rahnan'ny governemanta angoley hotafihana ireo tombontsoa ara-tsolik'i Frantsa ao Angola. Tonga amin'ny fotoana ratsy ity fitsarana ity, raha toa ka niezaka ny hifanakaiky tamin'i Angola i Frantsa hatramin'ny fiandohan'ny taona, mampiseho izany ny fitsidihan'i Nicolas Sarkozy an'i Angola tamin'ny 23 Mey 2008.
https://mg.globalvoices.org/2018/10/11/126842/
Mampihena ny elanelana eo amin'ny manankarena sy ny mahantra ao Afrika
2018-10-11T05:19:38
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2014) Olona an'arivony maro midina an-dalambe hanohitra ny hakelin'ny karama, ny halafon'ny fiainana, ny fahaverezan'asa sy ny tsy fahampian'ireo tombontsoa ara-tsosialy. Tohin'ireo fepetra tany Gresy, sy ny taorian'ny lohataona arabo ve? Tsia, mpanao fihetsiketsehana ho an'ny fitoviana bebe kokoa ao Afrika atsimon'i Sahara ireo, ny vao haingana tao Borkina Faso. Eny tokoa, tena mampiahiahy fatratra ao Afrika sy manerana izao tontolo izao ny elanelana mihamitombo eo amin'ny manankarena sy ny mahantra. Mihevitra ny Afrikanina maro fa mihalehibe ireo tsy fitoviana ireo, mihamanankarena ny vitsy an'isa kanefa tsy mitsahatra mtiombo ny laharan'ireo mahantra. Tena manaitra kokoa ny tsy fitoviana ao Afrika sy ny tsy fihetsehan'ny tahan'ny fahantrana amin'ny haavony ambony indrindra nandritra ny taompolo maro, na nisy aza ny fitomboan'ny harinkarena faobe tsy azo notsinontsinoavina tao amin'ny kaontinanta. An'ny zanak'i Obiang, filohan'ny Ginea Ekoatorialy ilay sambo faharoa lafo indrindra manerantany – sehatra ho an'ny daholobe Manazava ny hasosorana ankapobeny ny mpamoaka lahatsoratry ny Observateur Paalga ao Borkina Faso: Ny sasany mitaingina fiaramanidina mba handehanana any amin'ny dokotera hanasitrana sery raha toa ka mihinana pisanilia hatramin'ny fakany kosa ny sasany satria tsy manam-bola handehanana mitsabo tazo tsotra izy ireo. Kanefa andrasana toy ilay paradisan-karena vaovaon'ny toekarena manerantany ilay mety ho fivoarana any Afrika. Manangana sary tsara an'ilay hery ananan'i Afrika ny Banky Iraisam-pirenena saingy mampitandrina amin'ireo tsy fitoviana mbola goavana foana : Mbola matanjaka foana ary tokony hahatratra 4.9% amin'ny 2013 ny fitomboana ara-toekarena any Afrika atsimon'i Sahara, araka ny vinavina. Eo amin'ny ampahatelon'ny firenena ao amin'ny faritra no ahitana fitomboana eo amin'ny 6% no miakatra eo ary efa mahazatra ankehitriny ny mahita firenena afrikana miseho ao anivon'ireo firenena izay manana fitomboana anisan'ny haingana indrindra eran-tany [..] (kanefa ilay tatitra) manamarika fa mbola ao foana ny fahantrana sy tsy fitoviana « amin'ny haavo tsy azo ekena, toy ny fitaredretran'ny fivoarana vita mba ho  fampihenana izany ». Afrikana iray amin'ny roa no miaina ao anatin'ny fahantrana lalina amin'izao fotoana izao. Ny tsy fitoviana karama ao amin'ny tanàna afrikana araka ny fanadihadiana frantsay – sehatra ho an'ny daholobe Manazava i Denis Cogneau, mpikaroka ao amin'ny Ivontoerana Fikarohana Ho an'ny Fampandrosoana (IRD) fa manana fiaviana ara-tantara voafaritra mazava tsara ireo tsy fitoviana ao Afrika ireo : Nandova andrim-panjakana ara-toekarena sy ara-tsosialy mpitrandraka, izay voafaritry ny fifanoherana tena voamariky ny sehatrasa ara-dalàna kely, sy sehatrasa tsy ara-dalàna midadasika ahitana ny tantsaha, ireo Fanjakana taorian'ny fanjanahantany. Toy izany ihany koa, voafaritry ny fifangarihana ara-panabeazana sy ara-pahasalamana ny firenena maro hafa, fifangarihana izay voafaritry fisiana miarak'ireo toeram-pianarana ambony lafo vidy ho an'ny sangan'olom-panjakana sy tsy miankina izay miorina ao an-drenivohitra, sy ny sehatra fototra (sekoly ambaratonga fototra sy dispansera) tena tsy ampy mpiasa, tsy voakarakara tsara ary tsy voatsinjara tsara manerana ny faritra. Ao anatin'izany toe-javatra izany, nitàna anjara asa mampidi-doza ny sekoly, satria izy (ary mbola izy ihany) no lakile amin'ny fidirana, «tsy amin'ny asa irery ihany ao amin'ny sehatra maoderina, fa amin'ny toerana ao amin'ny sehatry ny Fanjakana sy ny fahefana ara-politika, manaraka ao anatin'izany ireo fivoaran'ny fiarahamonina eoropeana». Midika famokarana bebe kokoa sangan'olona ara-politika maro, noho izany, ny tsy fitovian'ny vintana ho tafiditra. Inona ary no fepetra azo raisina mba hampihenana ireo tsy fitoviana ireo ? Matetika odian-tsy hita nta ena fahafantarana tsara ny zavamisy eo an-toerana mitarika mankany amin'ny fitomboan'ny tsy fitoviana. Mba hampihenana ny anton'ireo tsy fitoviana ireo, napetraky ny fikambanana maro samihafa ny fitaovana fanarahamaso ny haavon'ny faripiainan'ireo mponina marefo. Any Madagasikara, soskevitry ny CIRAD ny famoronana fanarahamaso iay mba hanarahana maso sy hanatsarana ny fari-piainana any amin'ny faritra ambanivohitra : Fitaovana fanarahamaso sy fandinihana ny toe-piainan'ireo tokantrano ambanivohitra ny Tambajotran'ny Fanarahamaso any Ambanivohitra (ROR). Iray amin'ny tanjony fototra ny fanakàrana ny fivoaran'ny toe-javatra iainan'ireo tokantrano ambanivohitra sy ny fiantraikan'ireo fepetra ho an'ny daholobe ary koa ny dona avy any ivelany eo amin'ireo tokantrano ireo. Samy ahitana famotorana an-tsokajy misy tokantrano miisa 500 eo amin'ny toerana nosafidiana tamin'ny fomba nosainina tsara miaraka tamin'ny mpanohana ara-bola. Mandrakotra ireo toe-piainana fototra isankarazany amin'ny fiainan'ireo tokantrano ireo mandritra ny 12 volana ilay andiam-panontaniana. Ahafahana manao fampitahana ny toe-javatra amin'ny fotoana (isan-taona) sy eny amin'ny toerana (eo amin'ireo samy fanarahamaso) ireo vokatra azo. Any Borkina Faso, hita toy ny sakana lehibe amin'ny fampandrosoana ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy satria asehon'ireo fandinihana fa misy fiantraikany lehibe eo amin'ny fampandrosoana ny firenena ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny fiainan'ny firenena. Manazava ireo hetsika nataon'ny Fikambanana Dakupa tao amin'ny faritanin'i Bolgo mikasika izany i Bougnan NAON : Ny tanjon'ity tetikasa ity dia ny hahafahana mamorona tambajotra mandeha tsara miaraka aminà mpikambana matihanina mba hisintonana ireo toe-tsaina/fihetsika nentim-paharazana, ary koa politika sy tetikady eny an-toerana hiadiana amin'ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy […] (Ny tanjona dia ny): hanofana mpilalao fototra miisa 50 eny an-toerana amin'ireo tetikady fandraisana anaty kajikajy ny miralenta ary fanatanterahana tetikasa sy fandaharanasa isan-taona, handamina fanarahamaso fanamarinana mba hanamora ny fampiharana tsara ilay fomba fiasa (fifehezana ireo fitaovana sy famantarana ny hetsika sahaza momba ny miralenta) izay ataon'ireo Fikambanana Tsy Miankina ho tombontsoan'ireo kendreny.
https://mg.globalvoices.org/2018/10/10/127208/
Ny Tontolon'ny Bilaogy Kenyana Amin'ity Herinandro Ity
2018-10-10T16:51:14
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2005) Manana fandalinana mahaliana mikasika ny zava-mitranga ao Amerika i Sidaki ary manao tsoakevitra fa anisan'ireo zavatra mampisalasala ny Amerikanina ny andraisana azy eo amin'ny taniny ny omby Britanika, ny akoho Britanika, ary vao haingana, ny lehilahy Kenyana iray mpanao politika , Christopher Murungaru, izay vao volana vitsy monja ihany koa izay no nampahafantarin'ny fanjakana Britanika fa tsy tiany handoto ny varavarany ity farany . Nitotonganana ny kintan'i Murungaru taorian'ny nahavoarohirohy azy tamin'ilay raharaha maloto nalaza be antsoina hoe “Anglo Leasing” , andian-tolotra nataon'ny fanjakana izay niafara tamin'ny raharaha fanodikodinam-bola, izay nampitombo mihoam-pampana ireo sarany sy ny tsolotra eo amin'ireo manamboninahitra taloha teo amin'ny fanjakana sy ny amin'izao fotoana ary ireo olona maizina izay tsy mbola nabaribary mihitsy. Minisitry ny Filaminana Anatiny i Murungaru tamin'izany fotoana, izay toerana nifotoran'ny adihevitra tamin'izany. Teo ambanin'ny tsindry tsy mitsaha-mitombo na avy ao anatiny na ivelan'ny sisintany, nafindran'ny Filoha Mwai Kibaki toerana izy , nanome azy ny toerana ambany indrindra tao amin'ny Fitaterana tanatinà hetsika noheverin'ny maro ho misabaka amin'ny fanaovana sorona ny iray amin'ireo Lietnà-ny sy ny fampitoniana vahoaka izay mitady rà latsaka ao anatin'ny ady manohitra ny kolikoly , hetsika iray tsy inoan'ny vahoaka fa ilofosan'ny Fanjakana. Mbola ela vao hitobaka ny kapoaka mangidin'i Murungaru. Manakaiky ilay fandraràna Amerikanina ireo tatitra fa eo am-panamarinana ihany koa ny Firaisambe Eoropeana fa ” Mihazona ny zo hampiditra ny Fitantanana ”. Mandoko am-pahatsorana ny faniriany hanambady sy hanan-janaka Rtoa K , fangaro tsara eo amin'ny nofinofy sy ny zavamisy. Mavitrika kokoa momba ilay fihatoan'ny fifamoivoizana nateraky ny Hazakaza-davitra Iraisampirenena natao tao Nairobi fataon'ny Standard Chartered isan-taona i Bankelele ary nankahery ireo mpandray anjara , indrindra ireo tena nihazakazaka. Manana fanomezam-boninahitra mety tsara, tena mampihomehy ho an'andriambavilanitra iray tena miavaka, sady malaza be i Udi , izay hita tao anatin'ny fiainany ary manana endrika mifanaraka ao anatin'ilay tantara . Mahatsiaro ireo namana lasàna sy ny hasarotry ny fiatrehana izany avy eo i Fishtears , izay manoratra bilaogy avy ao Botswana. Tonga saina i Mutimua fa tratry ny fiankinan-doha mahery vaika tsy nahy amin’ ny fanoratana bilaogy koa izy. Manontany tena izay mba niafaran'i Winnie Mandela , vady teo aloha an'ilay olona goavana izay atao hoe Nelson Mandela, i Wanjiru .
https://mg.globalvoices.org/2018/10/10/126710/
Fifidianana tao Somaliland
2018-10-10T02:54:17
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2005) Na lasa toerana mampidi-doza, tsy milamina avokoa aza ny ankamaroan'ny toerana ao Somalia hatramin'ny fionganan'i Siad Barre tamin'ny 1991, tena nahavita tena tsara Somaliland ny faritra any avaratra indrindra ao amin'i Somalia taloha. Manana governemanta miasa tsara, tafika, polisy, vola, ary fikasana matanjaka ho any amin'ny fiandrianampirenena. Vao nanao ny fifidianana demokratikany voalohany hatramin'ny nanambaràny ny fahaleovantena ilay firenena tsy nahazo fankatoavana, tamin'ny nifidianany mpikambana 82 ho ao amin'ny parlemanta iray . Manamarika i Head Heeb fa hamoaka ny valiny an-tambajotra ny kaomitim-pifidianana, arakaraky ny fahatongavan'izy ireny, zavatra izay tsy vitan'ny filankevitra ara-pifidianana maro tany Etazonia … Manana fandrakofana avy aminy mivantana mikasika ireo fifidianana ireo i Yvette Lopez, izay mitoraka blaogy ao amin'ny Inside Somaliland,. Miasa ho an'ny ekipana mpanaramaso ny fifidianana izy, lasa niasa tao Erigavo, renivohitr'i Sanaag, tany iray ao atsimon'i Somaliland, izay takian'i Puntland ihany koa. Manana sary tsara be tamin'ny fotoana nipetrahany tao Erigavo izy – tena mendrika hojerena sy hovakiana izany …
https://mg.globalvoices.org/2018/10/10/127504/
Madagasikara: Nandrahona ny fifidianana hoavy ny fikasana hanongam-panjakana
2018-10-10T05:16:03
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 20 Novambra 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Sary avy amin'i Martha de Jong Lantig . Tsy dia nahenoana teny firy momba ny fikasana fanonganam-panjakana nataon'ny Jeneraly Andrianafidison (fantatra amin'ny anarana hoe Jeneraly Fidy) ireo bilaogera Malagasy miteny Frantsay. Toa tsy nahafantatra tsara ny zava-nitranga  ireo izay efa nibilaogy momba ity zava-nitranga ity ary niantehitra tamin'ny gazety teto an-toerana sy iraisam-pirenena. Nijery lahatsoratra iray tao an-toerana i Harinjaka izay tsy nahazo antoka tsara ny zava-nitranga ary nanoratra hoe : Enfin, je ne peux pas faire semblant de ne pas voir l’annonce de ce putsch militaire par le Général Andrianafidison à la Une de La Gazette aujourd’hui .J’ai veillé toute la nuit pour avoir des news (pour le boulot) et RFI confirme que c’est calme. … mais wait and see ihany. Toy izao no nambaran'ny La Gazette : Sombre et inquiétante atmosphère de putsch militaire hier depuis midi, à Antananarivo. Une douzaine d'officiers de l'Armée en treillis, sous la houlette du général Randrianafidisoa, ont annoncé devant la presse la mise sur pied d'un Directoire militaire qui prend en main les affaires de l'Etat, la formation d'un gouvernement de transition et la constitution d'une Assemblée constituante qui prend la place de l'Assemblée nationale et du Sénat. Déclaration confuse car ces opérations ne prennent pas effet immédiatement mais ont été citées…au futur. Après la lecture de ce communiqué … les “mutins” … se sont retranchés à la caserne de la Base Aéronavale d'Ivato (BANI). Rivo-piainana maloka sy mampanahy nandritra ny fanonganam-panjakana miaramila omaly hatramin'ny mitataovovonana teto Antananarivo. Nanambara teo anoloan'ny gazety ny fananganana fitondrana miaramila izay hitondra ny governemanta, sy ny fananganana governemanta tetezamita ary ny Antenimiera vonjimaika izay handimby toerana ny Antenimieram-pirenena sy ny loholona ny manampahefana miaramila ampolony, teo ambany baikon'ny Jeneraly Randrianafidisoa. Fanambaràna nisafotofoto satria nambara fotsiny ihany ireo hetsika ireo fa tsy nihatra avy hatrany … ho an'ny hoavy. Rehefa avy namaky ilay fanambarana … dia nisitanka ny toby miaramila an'habakabaka Ivato…ny “miaramila mpikomy”. Fanonganam-panjakana tsy nahomby saingy nanankorontana ny fizotran'ny fifidianana Nanondro ny lahatsoratra iray tao amin'ny Reuters ilay bilaogera Ivoarana ary nilaza fa kandidà ho amin'ny fifidianana ny 3 Desambra 2006 ilay Jeneraly ary nihintsana izy satria tsy nahafeno ny fepetra. Nilaza ihany koa ny lahatsoratra fa tsy nahomby ny ezaka fanonganam-panjakana ary voafehy fanambaran'ilay Jeneraly. Nanondro ny lahatsoratra iray tao amin'ny Madagascar Tribune i Harinjaka , ary namintina hoe: La situation est inquiétante. Ces tracts diffusés ici et là et l’annonce du Général Fidy concernant la mise en place prochaine de la Directoire Militaire perturbent l’opinion publique en cette période de campagne électorale. Mampiahiahy ny toe-draharaha. Nozaraina etsy sy eroa ny trakta ary nanakorontana ny hevitry ny vahoaka amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao ny fanambarana nataon'ny Jeneraly Fidy [Andrianafidison] mikasika ny fananganana ny Filankevitra Miaramila . Nanampy ny fitantarana hafa ny vohikala Midi Madagascar ary namerina ny fanehoan-kevitra avy amin'ny Jeneraly Fidy fa tsy “fanonganam-panjakana” loatra ny fanambaràny fa fanehoana ny tsy fahafaham-pony momba ny zava-nisy sy ny fifidianana hoavy: [General Fidy] de faire savoir que beaucoup de gens ne sont pas « chauds » pour la tenue du scrutin présidentiel. Et c’est une des raisons qui l’a poussées à proposer la mise en place d’un directoire militaire. Non sans préciser que cela se fera sans casse car il ne s’agit pas, mais pas du tout, d’un coup d’Etat. Mais si les choses se présentent autrement notamment le recours à la force, il se dit prêt à prendre les mesures qui s’imposent. Nilaza i [Jeneraly Fidy] fa maro ny olona no tsy “rototra” amin'ny fifidianana filoham-pirenena hoavy. Ary izany no antony iray nanosika azy hanolo-kevitra ny fametrahana ny fitantanana miaramila. Nilaza ihany koa izy fa hatsangana am-pilaminana tsy misy fanimban-javatra ny fitantanana fa tsy fanonganam-panjakana mihitsy io. Nilaza izy fa vonona ny handray ny fepetra ilaina raha ohatra ka tsy izany no zava-mitranga fa nisy ny fampiasan-kery . Ny mety hitranga ho an'i Fidy Nanampy ny Midi Madagascar fa mbola eo am-panapahan-kevitra momba ny fanambaran'ny Jeneraly Fidy ny sampana ao amin'ny tafika: Pour sa part, le haut commandement militaire va aussi prendre des mesures contre le général Fidy qui a fait sa déclaration dans un camp militaire. « Nous sommes encore en train de nous réunir », nous a répondu, hier vers 21 heures, le chef d’Etat-Major général de l’Armée, le général Raonenantsoamampianina. Une réunion visiblement de crise où il était question d’enquête. Handray andraikitra mikasika ny raharaha Jeneraly Fidy izay nanao ny fanambarany tao amin'ny toby miaramila ny kômandin'ny miaramila ambony. “Mbola mivory izahay”, hoy ny lehiben'ny tafika, Jeneraly Raonenantsoamampianina omaly, tamin'ny 9 ora alina. Fivoriana mafana izay mazava fa niresahana momba ny fanadihadiana. Fanamafisan-toerana? Nisy ny fanehoan-kevitra tao amin'ny bilaogin'i Harinjaka . Nihevitra i Tseloun fa ho hanampy ny filoha amperin'asa amin'ny fifidianana hoavy ny 3 Desambra 2006 ny fanonganam-panjakana nataon'i Jeneral Fidy: Voila,bravo pour ce coup d’éata foiré qui va joué le jeu de Ravalomanana… Le peuple ne va jamais accepter qu’on prenne le pouvoir par la force,d’autant plusq ue les éléctions c’est dans deux semaines. Je confirme en tout cas que Ravalo est à Tana cette nuit.Il a fait son meeting à Majunga hier aprés midi. Arahabaina noho ity fanonganam-panjakana tsy nahomby ity izay hanosika [ny Filoha] Ravalomanana … Tsy hanaiky ny fangalana an-keriny ny fahefana mihitsy ny vahoaka, indrindra fa roa herinandro sisa dia ho avy ny fifidianana. Manamafy ihany koa aho fa ao Antananarivo Ravalo androany alina. Nanao fivoriana tany Mahajanga izy omaly tolakandro . Nanampy teny mampihomehy ny Malagasy Aty California : Il n’y a qu’à Madagascar où il peut y avoir “un avertissement” de coup d’état via la presse!!! … Ce commentaire est une exception, je me suis promis de ne plus commenter la politique au pays- Cela ne sert pas à grand chose!. Tsy eto Madagasikara ihany no misy ny fanonganam-panjakana “fampitandremana” amin'ny alàlan'ny gazety! … Tranga manokana ity fanehoan-kevitra ity, efa nilaza aho fa tsy hiresaka politika ao amin'ny firenena intsony – Tsy misy ilaina izany!
https://mg.globalvoices.org/2018/10/10/126723/
Miriam Makeba: Ilay fihodinana fanaovam-beloma farany ataon'ilay ‘diva’ tian'ny olona indrindra ao Afrika
2018-10-10T02:37:03
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2005) Hamarana ireo taona nihirany ireo amin'ny alalan'ny fiodinana fanaovam-beloma farany haharitra 14 volana mba hisaorana ireo mponina tany amin'ny firenena nisehoany nandritra ny asany naharitra 40 taona mahery, izay mbola mampientana ihany eo amin'ny faha-73 taonany i Miriam Makeba . Hitsidika firenena maro araka izay azony aleha i Miriam Makeba na i Mama Africa, araka ny fiantsoana azy amim-pitiavana, ary vao haingana no nampanantena ny mpihaino tany Kioba izay namaritan'ny tsikera ny kaonseritra nataony ho toy ny ’tsy azo adinoina sy feno talenta tapitr'ohatra’ . Nitombo tamin'ny fihainoana sy fitiavana an'i Miriam Makeba sy ny feony mahafinaritra aho; ‘Pata Pata’ no hirany tena tiako indrindra tamin'izaho mbola zaza, (midika ‘kitika’ ny hoe ‘pata’ amin'ny teny Zolo). Ela taty aoriana aho vao tonga saina fa tena nisy fiantraikany maneran-tany ny mozikany. Fantatra manerana ny kaontinanta afrikana ny hirany ‘Malaika’ (anjely amin'ny teny Kiswahili) ary nanome aingam-panahy ho an'ny artista Afrikana maro ny mozikany; ny tena malaza indrindra angamba dia i Angelique Kidjo . Ny zavatra tena nahagaga ahy dia ny fahafahany manafangaro ny mozika Afrikana sy ireo endrika mozika hafa mba hamoronany ny tena fiangaly mampiavaka azy manokana. Mihira amin'ny teny Afrikana maro ihany koa izy izay ahitana ny Kiswahili, Shona, Bambara sns… ary koa ny teny Arabo, Frantsay sy Portiogey. Na dia hanohy ny hirakitra hira aza izy, azo antoka fa ity no faran'ny vanim-potoana mahagaga ana mpanakanto iray izay tena manana tantara malaza ny fahombiazany. Tany amin'ny taona 80 tany, nanatrika ny fampisehoana iray nataon'i Miriam Makeba aho tao  Londona; tena nahatalanjona ny heriny sy ny hasoany tamin'iny alina iny. Tsara tarehy ary tena bikanà ary tao anatin'ny roa ora monja nanaovany fampisehoana, in-efatra nanova ny akanjony izy, izay akanjo vaovao tsaratsara kokoa noho ny teo aloha foana. Noroahana tao Afrika Atsimo nandritra ny 30 mahery noho ny fahasahiany niresaka sy nihira momba ny fanavakavahana ka nahatonga azy tsy maintsy nandeha niaina an-tsesitany i Miriam Makeba, izay teraka tany amin'ny kaominina iray tao Johannesburg, toerana izay niasan’ ny reniny ho mpanampin'ireo fianakaviana olona fotsy. ”Tsy mihira momba ny politika aho. Mihira ny fahamarinana no ataoko,” hoy izy tamin'izany fotoana izany. Ankoatra ny famokarany rakikira maro, mirotsaka anaty hetsika ho an'ny mahaolombelona ihany koa i Miriam Makeba, toy ny maha-Masoivohon'ny FAO (Fikambanana Ara-Tsakafo sy Fambolena ao amin'ny Firenena Mikambana) azy. Nandritra ny sesitaniny tany Gineana, izay toerana naha-solotena Gineana azy tao amin'ny Firenena Mikambana (FM), noresahany  tamin'ny Fivoriamben'ireo firenena mpikambana ao amin'ny FM ny momba ny fanavakavahana. Nanangana ny Foibe Makeba Fanarenana ny Zazavavy ihany koa izy, foibe  miasa miaraka amin'ny ankizy eny an-dalambe izay hifantohan'ny heriny rehefa vita ilay fihodinana hataony. Masoivoho lehibe indrindran'ny mozika Afrikana i Miriam Makeba, mpanakanto miavaka izay namakivaky taompolo maro ny mozikany.
https://mg.globalvoices.org/2018/10/08/126364/
Manana olana fangalarana anaran'olona ny Twitter Nizeriana — fa mbola tsy mihetsika ny sehatra (orinasa)
2018-10-08T15:20:02
Unknown
Fango Twitter namboarina indray avy amin'ny handrina Twitter an'i Daring Librarian hita ao amin'ny Flickr. Attribution-ShareAlike 2.0 Generic (CC BY-SA 2.0) Fito volana lasa izay, hita ho nandefa hafatra manokana toa hafahafa tamin'ny mpisera Twitter Matt Navarra ny minisi-panjakana Nizeriana misahana ny raharaham-bahiny, Khadija Bukar Abba Ibrahim: nangataka ny fanampian'i Navarra ity manampahefana ofisialy ity hanampy amin'ny fitehirizana “vatsy tsy nisy nitaky”. Nahatsapa fandrika (saina mena) avy hatrany i Navarra ary nisioka ny pikantsarin'ny hafatra mifandray amin'ny kaonty Twitter an'i @MrsBukar2018. Voatsinjo mialoha fa kaonty hosoka miseho ho Khadija Bukar Abba Ibrahim io, ary manitsakitsaka ankitsirano ny politikam-pangalaram-panondroana ao amin'ny Twitter Olana tsy mitsaha-mitombo ao amin'ny Twitter Nizeriana io fangalaram-panondroana io ary misy ny kaonty sasantsasany mampiasa anarana mpanao politika hanaovana propagandy raha mampiasa anaran'olo-malaza kosa ny hafa hanaovana soloky amin'ny haivarotra. Matetika kely dia kely ny fahasamihafana ary ary saro-pantarina ho an'izay mpisera tsy manana ahiahy. Tany ampiandohan'ity taona ity, nandao ampahibemaso ny Twitter i Femi Otedola, Nizeriana miliaridera iray tamin'ny solika rehefa tsy nahavita nanaisotra ireo mpisandoka ho izy ny orinasa. Enina herinandro monja no nampiasàny ny sehatra. Efa voamarina ankehitriny ny Twitter-ny, na dia mbola andrasana aza ny hiverenany hisioka indray. Lasa fampitandremana ho an'ireo mpisera Twitter mavitrika ireny toe-javatra ireny, manintona ny fifantohana amin'ny fahamoràn'ny famoronana sy famelomana kaonty hosoka eo amin'ny sehatra, na dia teo aza ny fampanantenana vao haingana nataon'ny mpiandraikitra hanaisotra azy ireny. nanambara ihany koa ny orinasa fa nanafotsy kaonty hosoka hatramin'ny 70 tapitrisa tanelanelan'ny volana jona sy jolay 2018. Nefa toa ny olom-pirenena tsy mandray karama indray no manao ny asa tsara kokoa amin'ny fandaminana ny Twitter noho ny manampahaizana manokana notendrena hanara-maso ny fanaovana hosoka sy fangalarana mari-panondroan'olona. Tambajotran-kaonty fisolokiana miharihary Porofoin'ny @MrsBukar2018 ny fisian'ny tambajotran-kaonty mangalatra anarana nizeriana maromaro ary mikendry ireo tsy-Nizeriana hosolokiana. Iray amin'ny kaonty zohiany ny @Oyema201, izay mangalatra ny anaran'ny mpiara-miasa amin'i Khadija eo amin'ny fiainana andavanandro, Ny minisitra Geoffrey Onyeama misahana ny raharaham-bahiny. Io kaonty @Oyema201 io ihany no zohian'i @Khadija_Bukar, mbola kaonty iray hafa mangalatra ny anaran'i Khadija. Samy natsangana tamin'ny Janoary 2018 daholo izy telo mifandray ireo. Naaton'ny Twitter ny @Khadija_Bukar amin'ny 30 Janoary. Na izany aza, tsy hitan'ny Twitter ho manitsakitsaka ny fitsipi-pifehezany ny @Oyema201 na ny @MrsBukar2018 — ny kaonty izay nandefa hafatra tamin'i Matt Navarra tamin'ny voalohany—. Fito volana izay Tamin'ny 20 aogositra, mbola miasa tsara ny kaonty @Oyema201 sy @MrsBukar2018. Mbola misioka amin'ny mpanjohy roa sy zohiany fito (tsy nisy fiovana hatramin'ny janoary) ihany i @MrsBukar2018. Nahatratra 120 kosa ny mpanjohy an'i @Oyema201. Jery amin'ny randram-baovaon'i @Oyema201 voatahiry no maneho fa sioka miisa 17 no nalefa tanelanelan'ny tamin'ny 7:33 maraina ka hatramin'ny 7:58 maraina tamin'ny 22 marsa . Ary fehezanteny sy fahadisoana ara-pitsipi-pitenenana mitovy avokoa izy rehetra ireo ary nalefa ho an'ireo mpandraharahan'ny fivarotana tany aman-trano, milaza izao manaraka izao : I am Mr Geoffrey Onyeama Nigeria Minister of Foreign Affairs; I have interest to partner with you invest into your company or any other profitable venture in your country. can you manage such partnership, Izaho no Atoa Geoffrey Onyeama Minisitry Nizeria misahana ny raharaham-bahiny; Liana hiara-hiombon'antoka aminareo hampiasa vola ao amin'ny orinasanareo na sehatra hafa mety hahazoana tambombarotra ao amin'ny firenenareo. Afa-miezaka izany fiaraha-miombon'antoka izany ve ianareo, Mampanahy indrindra ny tsy fihetsehan'i Twitter sy ny governemanta nizeriana raha jerena ny firosoan'ny raharaha Geoffrey Onyeama sy Khadija Bukar Abba Ibrahim amin'izao fanatonan'ny fifidianana ankapobeny ao Nizeria amin'ny taona 2019 izao. Raha tratran'ny fetra eo amin'ny isa ny karazana kaonty tahaka izay tantaraintsika etoana dia feon-dakolosy mampanahy kosa ny tsy mbola nanakatonan'ny Twitter ny fijoroany rehefa anaovana fitarainana.
https://mg.globalvoices.org/2018/10/08/126640/
Blaogera Etiopiana manome voninahitra ilay mpitatitra an-gazety tao amin'ilay fiaramanidina nianjera
2018-10-08T02:50:58
Unknown
( Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2007) Nofenoin'ireo blaogera Etiopiana fanomezam-boninahitra ho an'i Anthony Mitchell, ilay mpitatitra an-gazety tao amin'ny Associated Press, iray tamin'ireo olona 114 maty rehefa nianjera tao Kamerona atsimo ny fiaramanidina KQ50-n'ny Kenyan Airways ny Sabotsy 5 Mey vao maraina be. (Jereo ny tantara BBC mikasika ilay fianjerana sy ny fitetezan'ny Global Voices ireo fanehoankevitry ny blaogera Keniana manoloana ilay loza.) Niasa toy ny mpanao gazety tao Etiopia nandritra ny dimy taona ary nitarika ilay fitaterana ny herisetra izay nipoaka taorian'ireo fifidianana nasionaly niteraka adihevitra be tamin'ny Mey 2005 i Anthony. Noroahana tao amin'ilay firenena izy tamin'ny volana Janoary 2006 taorian'ny niampangan'ny fanjakana Etiopiana azy ho nanao tatitra ”feno fankahalàna”. Fa nijanona ho toy ny mahery fo izy ho an'ny Etiopiana maro, ao anatin'izany ireo bilaogera tena mpiondana politika maro be ao amin'ny firenena. Ho ahy, izy no vahiny mpanao gazety tsara indrindra izay nipetraka tao Etiopia nandritra izay folo taona izay. Ankoatra ny filôzofiany amin'ny fanaovan-gazety, ho tsaroana ho toy ny mpanao gazety tena feno fahasahiana. Tsy mihevitra aho fa ho toy ireny ny tatitry ny AP mikasika an'i Etiopia, raha tsy tomponandraikitra mivantana na ankolaka tamin'ireny tantara ireny izy – tao Etiopia, niaina toy ny mpanao gazety ary tao Kenya, toy ny toniandahatsoratra, hoy ny nosoratan'i Seminawork tao amin'ny Anthony Mitchell, mpanao gazety mahery fo. ”Tena fahaverezana lehibe ho an'i Etiopia sy Afrika amin'ny ankapobeny ny fahafatesan'i Anthony Mitchell, mpitatitra an-gazety tao amin'ny AP,” hoy i 4kilo tamin'ny volana May, hitahy ny fanahiny anie Andriamanitra ! ”Tena namana akaiky an'i Etiopia ilay mpanao gazetin'ny AP, i Anthony Mitchel”, hoy ny Addis Voice tao anatin'ny Tribute to a true journalist . Fanomezana voninahitra ny tena mpanao gazety marina” Nandritra ny havesatry ny famoretana nialohan'ny fifidianana, tsy nanoratra na inona na inona hafa ankoatra ny marina i Anthony Mitchel, ny marina manontolo.” ”Tena namana akaiky an'i Etiopia sy ireo Etiopiana i Anthony Mitchell,” araka ny Carpe Diem Ethiopia ao amin'ny Anthony Mitchell: Mitazona ireo Mpampijaly Ho Tsara Toetra , ”maherifo eo an-toerana” araka ny The Other Side tao amin'ny Fianjerana Fiaramanidina tao Kamerona , ”mpanao gazety mamiratra” hoy i Ethan Zuckerman avy amin'ny Global Voices tao amin'ny Fanehoankevitra manoloana ilay fianjeran'ny KQ 507 ary ”mpanao gazety tena nanan-kaja sy misongadina” araka ny ust Thinking tao amin'ny Anthony Mitchell . Na iray aza, tsy misy – raha ao Etiopia – tsy mahalala an'i Anthony! Nitarika nankany amin'ny fandroahana azy tao Etiopia tamin'ny 2006 ny fahaizana manakatra lalindalina kokoa ny politika ao Etiopia ary noho izany, ny tatitra nataony mikasika ny zava-mitranga tao amin'ny firenena. Fa nipetraka tao Nairobia, mbola nanohy ny fanarahany maso an'i Etiopia i Anthony ary mbola nitazona antsika rehetra – Etiopiana – sy izao tontolo izao hahafantatra ny momba ny firenentsika  ! hoy i FilwehaPundit tao amin'ny We Missed a Great Man! (Namoy lehilahy goavana isika !) Tena nankasitrahan'ireo mpitatitra an-gazety niaraka niasa taminy i Anthony Mitchell, indrindra ireo niaraka niasa taminy tao amin'ny biraon'ny Associated Press tao Nairobia izay niasany taorian'ny fandroahana azy. Namela fanehoankevitra tao amin'ny faran'ny fidirana voalaza tetsy ambony an'ny Seminawirk i Les Neuhaus , ilay mpitatitra an-gazety nisolo azy tao Etiopia, milaza fa: Nahatonga ahy ho mpitatitra an-gazety tsaratsara kokoa i Anthony Mitchell…Raha toa ka marina fa tena lasa tokoa izy, tena dona mafy ho an'ny fanaovan-gazety aty Afrika izany, ary manerana izao tontolo izao ihany koa. Tena nanao izay hahalafatra ny asany tao Etiopia izy ary tokony hirehareha amin'ny zavatra vitany tamin'ny fitaterana ny vaovao avy amin'ity firenena mandalo sarotra ity ireo Etiopiana. Tena dona mafy amiko ity rehefa mamaky ity vaovao mavesatra, tena mavesatra ity aho. Nihaona tamin'i Anthony nandritra ny dia an-gazety nataony tao Djibouti, herinandro vitsy nialoha ilay fianjerana i Christopher Allbritton, mpanao gazety sy mpitoraka blaogy monina ao Beirut. Nanoratra izy tao amin'ny blaoginy Back to Iraq tao anatin'ny Anthony Mitchell avy ao amin'ny AP tao anatin'ilay fiaramanidina nianjera : Tamin'ny volana Martsa tany Djibouti, nihaona tamin'i Anthony aho, 39 taona izy, rehefa samy nandeha tamin'ny FGS Bremen, sambo mpiady Alemana, hanoratra tantara momba ny hetsika fiarovana an-dranomasina tao amin'ny faritra. Tena nanana tantara maro ihany koa i Anthony, mahatsikaiky sy mamely ny tenany sy Afrika ihany, tantara izay tsy nisy fahendrena sarotra azo na kely aza. Niresaka mikasika ireo foko ao Somalia ihany koa izy, ny hetsiky ny tafika Amerikana ao amin'ny Tandrok'i Afrika ary tsy taaka nanao vazivazy tamin'ilay tafika mpiaro anay tamin'ny fomba tena natoraly araka izay azony natao. Fony izahay tany Etiopia, herintaona mahery kely taorian'ny nandehanan'i Anthony, mbola niresaka mikasika ny fitaterany vaovao foana ny olona. Mazava ho azy fa be tsikera ireo nanana fifandraisana tamin'ny fanjakana; nilaza avokoa ny rehetra fa nanao zavatra hafa amboniny noho ireo mpanao gazety hafa izy mba hampahafantarana ny fanararaotana nataon'i Meles nandritra iny taona iny. Avy amin'ireo blaogera maro ao Etiopia izay mitomany ny fahafatesany ny fijoroana vavolombelona momba ny kalitaon'ny asany. Niara-niasa tamin'i Anthony nandritra ny roa taona teo no eo aho tao Etiopia ary namaritra ny fihetsehampoko nanoloana ny fahafatesany tao anatin'ny Anthony Mitchell tao amin'ny blaogiko Meskel Square . Namintina toy izao ilay fampidirana: Sarotra ny mieritreritra fanamarihana iray mba hamaranana azy ity. Mety ho adalàna no fahitan'i Anthony ny andrana rehetra hamoahana fihetsehampo na fihetsehampo miakoako be loatra. Ny zavatra farany tsara indrindra azoko lazaina dia tena lehilahy lehibe ary mpanao gazety tena mendri-kaja izy. Ary mba hilazana zavatra misongadina – hoe tena ravaravan'ny alahelo avokoa androany ireo olona rehetra nahafantatra azy tao Addis Abeba .
https://mg.globalvoices.org/2018/10/07/127294/
Fanolorana Loka Nobel Momba ny Fandriampahalemana, Hafatra Mavesatra Ho An'ny Fitantanana Ao Amerika
2018-10-07T04:47:11
Unknown
Natolotra ho an'ilay Yazidie irakiàna Nadia Murad sy ilay Kongoley Denis Mukwege ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana, noho ny  “ ezak'izy ireo ho fampitsaharana ny herisetra ara-nofo ho toy ny fitaovampiadiana an'ady “. Azo ambara ho toy ny ampahanà zava-tsy nampoizina ihany ity raharaha ity (ny filoha koreàna tatsimo Moon Jae-in sy Angela Merkel no tsara toerana tao) nefa Nadia Murad sy Denis Mukwege no azo antoka fa mendrika indrindra hahazo izany tamin'ireo mpifaninana tato anatin'ny taona vitsivitsy lasa. Nadia Murad dia vehivavy Irakiàna 23 taona, nalain'ny Fanjakana Islamika (EI) an-kery tao Kocho tanànany, ao akaikin'i Sinjar any avaratr'i Iràka, tamin'ny Aogositra 2014. Nandritry ny nitazonana azy, nampijaliana i Nadia, imbetsaka niharan'ny fanolanana faobe, namidy ho toy ny andevo fanaovana filàna ara-nofo ary nampivadiana an-tery tamin'ny iray tamin'ireo naka azy an-kery. Imbetsaka nanandrana nandositra izy ary nahavita nankao Alemaina. Hatreo i Nadia dia nitolona ho an'ny vondrompiarahamonina yazidie izay mizaka fandripahana ataon'ny Fanjakana Islamika. Denis Mukwege dia lehilahy mpampiteraka any amin'ny faritr'i Kivu, Repoblika Demaokratikan'i Kongo. Efa 15 taona mahery no niasàny ho an'ireo reny sy zaza niharan'ny herisetra ara-nofo nataon'ireo mpikambana avy amin'ireo vondrona samihafa mitam-piadiana mamafy horohoro ao amin'ilay faritany. Araka ny ampahatsiahivin'i Dr. Mukwege, raha kely indrindra dia 500 000 ireo vehivavy kongoley voaolana tao anatin'ny 16 taona. Manelingelina ny tetik'ireo vondrona mitam-piadiana manimba ny vehivavy ao amin'ilay faritra ny asan'i Dr Denis Mukwege. Ny 25 Oktobra 2012, niharan'ny herisetra izy tao an-tokatranony tao Bukavu, izay nahafaty ny mpiandry tananany. Mukwege, tsy fantatra fotsiny amin'ny fijoroany sy ny fanakianany tsy mitsahatra an'ireo vondrona mitam-piadiana mamafy horohoro ao amin'ny faritra, fa koa noho ny fitsaboany maimaimpoana ireo tra-pahavoazana. Ity fanolorana ity dia fanamafisana mafy tokoa fa ny zon'olombelona no tokony ho asa atao lohalaharana ho an'ireo mpitarika manerana izao tontolo izao. Ny fandaharana ny fotoanan'ity fanolorana loka ity dia mifangarika be amin'ny fikororosin'ny zon'olombelona ao Etazonia : io firenena io izay ahitàna ankizy hidiana anaty trano garaba , izay tsy mitsahatra ny fizakàn'ny vitsy an'isa ny herisetran'ny polisy , izay anaovana tsinontsinona ny zon'ny asa fanaovana gazety ary toerana izay iampangan'ny vehivavy telo ny ho filoha vaovaon'ny Fitsaràna Antampony, Brett Kavanaugh ho nanolana azy ireo. Na ny filoha Donald Trump izy tenany aza dia misy vehivavy ampolony miampanga azy ho nanao fanararaotana ara-nofo, ary voarakitry ny Washington Post anaty lahatsary mirehareha « misafo ny faritra saropadin'ny vehivavy ». Raha mbola nisy nampisalasala ny fihenan'ny herisetra malefaka ataon'i Etazonia amin'ny ambiny sisa eto amin'izao tontolo izao hifanaraka amin'ny zavamisy, ny fanolorana ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana ho an'i Nadia Murad sy Denis Mukwege dia tena fanomezana henatra tanteraka ny fitantanana amerikàna izay toy ny miezaka fatratra manao izay rehetra azony atao mba hiavahana amin'izao tontolo izao, araka ny tiana ampahatsiahivina amin'ilay tenifaneva hoe ‘i Amerika Aloha’. Nifidy an'i  Nadia sy Denis ny ambiny taminì'izao tontolo izao, nifidy an'i Donald sy Brett kosa i Etazonia. Tian'i Trump atao “ny hamerina indray ny halehibeazany ho an'i Amerika” (Make America Great Again), saingy ho an'ny ambiny eto amin'izao tontolo izao, toa ny fanomezana indray an'i Amerika ny haratsian-toetrany no mba vitan'i Trump, haratsian-toetrany toy ny fony fotoanan'ny lalàna Jim Crow sy ny Maccarthysme. Avy amin'ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana ka hatramin'ireo fifanarahana momba ny toetrandro vita tsy ela akory tao Parisy, toa asehon'ny zavatra rehetra fa te-hiala faran'izay haingana azony atao tsy ho ambany vahohon'ny fitantanana amerikàna ny ambiny eto amin'izao tontolo izao, ary tsy miraharaha ampahibemaso mihitsy aza manao angoan-tenda .
https://mg.globalvoices.org/2018/10/07/127297/
Praiministra Portiogey Mitsidika an'i Angola, Voakiana Mafy Anaty Tambajotra Sosialy
2018-10-07T05:46:33
Unknown
Tamin'ny 17 Septambra lasa teo no nanombohan'ny zavatra rehetra, fony nigadona tao Luanda,  renivohitra angoley ilay mpitarika avy any Portiogaly, António Costa, mba hanao fitsidihana ara-panjakana, nanao pataloha jeans, nitafy lobaka tsy nisy fehintenda ary nikiraro tsy mihaitraitra. Mifanohitra amin'ilay fomba fitafin'i António Costa, ny minisitry ny raharaha ivelany, Manuel Augusto, izay nandray ny lehiben'ny governemanta portiogey kosa nitafy palitao sy nanao fehintenda, toy ny hita ao anatin'ny bitsika iray nalefan'ny minisitra portiogey. Tsara ny manamarika etoana fa tamin'ity taona ity ihany koa, António Costa dia nitsidika tao Mozambika ary, tamin'ny fahatongavany tao amin'ilay firenena, dia tao amin'ny seranampiaramanidina izy no nanaovana lanonana ofisialy nandraisana azy, saingy tamin'io indray mandeha io dia ny fitafiny mahazatra no nanaovany, izany hoe, ny costume (pataloha mihaja, lobaka, fehintenda ary kiraro mihaja). Kanefa, fantatra fa nandritra ireo andro roa nitsidihany tao Angola, namonjy ny fihaonana ofisialy niarahany tamin'ny filoha Angoley, João Lourenço, i Costa ary nanatrika ny fanaovana sonia ireo fifanarahana fiarahamiasa  isankarazany, nanao akanjo mihaja sy fehintenda. Angola sy Paortigaly : firenena roa sarahan'ny rafitra fitsaràna Taorian'ny volana maro nisian'ny fifanenjanana diplaomatika teo amin'ny firenena roa tonta, tonga tao Angola i António Costa, fifanenjanana izay nahatonga ireo Angoley sy Portiogey marobe hanaraka akaiky ny fitsidihany. Ho an'ny Praiminisitra portiogey, natao ity fitsidihana ity ho fampifanantonana indray ny firenena roa tonta. Nisedra ny ratsy indrindra teo amin'ny tantarany ny fifandraisan'i Angola sy Portiogaly, noho ilay raharaham-pitsaràna naha-voarohirohy ilay filoha lefitra teo aloha tao Angola, Manuel Vicente, tao anatin'ilay raharaham-pitsaràna nantsoina hoe  « Opération Fizz », nosokafan'i Portiogaly ary nafindra tsy ela akory izao ho ao Luanda, taorian'ny fangatahana sy fisisihan'ny governemanta angoley. Tsy niraisan'ny rehetra hevitra ny famindràna ny raharaham-pitsarana ho ao Angola, toy ilay solombavambahoaka eoropeana Ana Gomes izay mihevitra ity fihetsika ity ho toy ny « fialàna andraikitra mahatsiravina » nataon'ny fitsaràna portiogey, mifototra aminà tohankevitra feno fihatsarambelatsihy. Ao anatin'ity raharaha ity, ampangaina i  Manuel Vicente ho nanao kolikoly tamin'ilay mpampanoa lalàna portiogey  Orlando Figueira, nanome vola 760 000 euros mba hampirimana ireo fanadihadiana roa, izay ny iray, ny raharaha Portmill, dia mifamatotra amin'ny fahazoana tranobe iray raitra ao Estoril. Mizarazara ny ety an-tserasera momba ilay fitafin'i António Costa Mizarazara ny hevitr'ireo sasany mpampiasa aterineto momba ny fandikàna azo omena ny fihetsik'ilay mpitarika portiogey. Toy izao araka izany ny an'ilay mpanao gazetin'ny Folha 8 sy mpikatroka sivily Pedrowsk Teca, izay nanontany tena tao amin'ny kaontiny Facebook momba ny fihetsiky ny praiminisitra portiogey : Vestindo-se de calça jeans ? em uma visita oficial tão aguardada, qual é a mensagem que Portugal está a transmitir à Angola? Mitafy jean mandritra ny fitsidihana ofisialy izay efa ela no niandrasana azy, hafatra toy inona no tian'i Portiogaly ho ampitaina amin'i Angola? Ho setrin'izany, Ilídio Manuel, mpanao gazety ihany koa ary matihanina amin'ny filalaovana an-tsehatra, dia manontany tena amin'izay mety ho mitranga raha fihetsika toy izany no ataon'ny mpitarika iray avy ao Angola na  avy aminà firenena iray hafa : O primeiro-ministro português, António Costa, chegou a Luanda para uma visita OFICIAL vestido de forma informal (calças Jeans e sem gravata). Teria vestido da mesma forma caso visitasse à Alemanha, EUA, Japão, ou outro país do 1.º mundo? Se fosse o inverso, um governante angolano que visitasse Portugal vestido da mesma forma? Tonga ao Luanda  hanao fitsidihana OFISIALY ny praiminisitra portiogey, António Costa, manao fiakanjo tsy miasa saina (jean tsy manao fehintenda). Mety ho sahy nitafy tahaka izao ve izy raha nitsidika tany Alemaina , Etazonia, Japana na firenana iray hafa mitàna lohalaharana? Ary raha ny mifanohitra tamin'izay no nitranga, mpitarika iray avy ao Angola manao fitsidihana an'i Portiogaly no mitafy tahaka izao ? Kanefa, raha ny sasany mitsikera ny fomba fitafiny, ny hafa nisafidy ny hidera ny fihetsiky ny praiministra portiogey nandray ny orinasa fitaterana an'habakabaka portiogey (TAP) hanaovany ilay fitsidihana ara-panjakana: António Costa, o “Premier” de Portugal que afectou a viagem de Estado ao nosso País, por dois dias (chegou no dia 17 e regressou no dia 18), onde reuniu-se com o PR João Lourenço, viajou de Lisboa – Luanda – Lisboa com a sua comitiva em voo comercial da transportadora aérea portuguesa (TAP Portugal), ou seja não fez o uso de um avião privado para esta viagem e presume-se que tenha viajado na primeira classe ou mesma na executiva (o que é bem normal neste caso). Em novembro o PR João Lourenço vai efectuar uma visita de Estado para Portugal, também por dois dias, quero ver se o nosso Chefe de Estado e a sua comitiva vão fazer o uso da transportadora nacional (TAAG – Linhas Aéreas de Angola), durante o percurso Luanda – Lisboa – Luanda, ou vão viajar num avião privado. Apreciemos o Cenário…Nas Calmas! António Costa, nanao fitsidihana ara-panjakana teto amin'ny firenentsika ny « Praminisitra » avy ao Portiogaly, nandritra ny andro roa (tonga ny 17 ary lasa ny 18), fotoana nihaonany tamin'ny filoha João Lourenço, nanao ny sidiny Lisbonne – Luanda – Lisbonne niaraka tamin'ny delegasiona notarihany tao anatin'ny sidina ara-barotra an'ny orinasa fitaterana an'habakabaka portiogey (TAP Portugal), midika izany fa tsy nampiasa fiaramanidina azy manokana izy ary azo heverina hoe nisafidy ny kilasy voalohany na ny an'ireo mpandraharaha aza (izay ara-dalàna tsara raha ny zavanisy teto no jerena). Amin'ny Novambra ho avy izao ny filoha João Lourenço dia hanao fitsidihana ara-panjakana any Portiogaly, ho roa andro ihany koa, tiako ho hita raha toa ny filohantsika sy ny delgasiona tarihany ka mba handray ny zotram-piaramanidina nasionaly (TAAG – Angola Airlines) amin'ny sidiny Luanda – Lisbonne –Luanda, na hisidina amin'ny fiaramanidina manokana. Ho ankafizina fatratra izay tabilao izay…Aoka hilamìna ! Maria Antónia Palla , renin'ny praiminisitra portiogey, dia nihetsika hiaro ny zanany manoloana ireo onjam-panehoankevitra maro sy fanakianana avy any Luanda : O meu filho, António Costa, é bem-educado. Em Angola há protocolo a mais e coisas importantes a menos – a democracia. Tsara taiza ny zanako lahy, António Costa. Ao Angola, misy tafahoatra ny arofenitra ary misy zavatra tsy dia manandanja loatra, toy ny demaokrasia. Ilay Mozambikana mpisera aterineto, Constatino Marengula, milaza ho tsy mahatakatra hoe karazana hafatra tahaka ny inona no tiana hiampita amin'ny fanaovana palitao sy fehintenda : Ha pessoas zangadas porque António Costa chegou a Angola sem facto e nem gravata. Nunca entendi essa de padroes de beleza, responsabilidade e profissionalismo definidos pelas embalagens, representados por factos e gravatas, numa zona tropical, com calor e humidade. Quando vi isto, recordei me duma entrevista para emprego, num certo Banco muito grande nos anos 90. Mesmo com calor, os homens perguntaram me se tinha algum problema em vestir factos e gravatas…! Ao que disse que nao e dei a minha justificaçao! Nao sei se foi por isso, mas nao fui o feliz contemplado! Depois de ver muitos malandros engravatados, ainda ando curioso em saber o que se procura nos factos e gravatas, com calor e humidade! Misy olona tezitra noho i António Costa tonga tao Angola tsy nanao palitao sy fehintenda. Zavatra tsy mba haiko hatrizay ny resaka fomba fitafy manaraka vanimpotoana, ny fandraisana andraikitra sy ny maha-matihanina ampifanarahana amin'ny endrika ivelany, asehon'ny palitao sy ny fehintenda, any amin'ny faritra tropikaly, mafana sy mando. Rehefa mahita izany aho, dia mahatsiaro ny dinidinika iray ho fandraisana hiasa, teny anivon'ny banky iray niroborobo fatratra tany amin'ny taona 90 tany. Na amin'ny andro midanika be aza, nanontaniana aho raha olana ho ahy ny mitafy palitao sy manao fehintenda… ! Nambarako azy ireo fa tsia ary nanamarina ny tenako aho ! Tsy haiko na noho izay fa tsy isan'ireo voafidy aho! Taorian'ny nahitako mpisoloky marobe manao fehintenda, tena liana hatrany aho ny hahafantatra izay zavatra katsahina amin'ireny palitao sy fehintenda ireny, miaraka amin'ny hafanàna sy ny hamandoana !
https://mg.globalvoices.org/2018/10/08/126741/
Ireo Vehivavy Afrikana Manao Blaogy
2018-10-08T06:40:41
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2005) “Isika ihany ve no mamaritra ny tenantsika sa ny famaritan'ireo hafa antsika” , hoy Keeper manontany tena mikasika an'ireo eritreriny no sady manontany raha toa ny misy maripamantarana azy “… namboarina ho an'ny tenako ho valinteny iray amin'ny an-tanantohatra ankapobeny izay mametraka ny vehivavy afrikana eo amin'ny zanatohatra ambany indrindra? Sa io endrika ivelan'ilay maripamantarana ahy izay mbola tao mandrakariva saingy tsy nila velively nanamafy ny aminy? Tamin'ny alalan'ny fandatsaham-bato nandritra ireo fifidianana tao Liberia sy ny fanambaràna izay Filoham-pirenena vaovao, miresaka ny fanorenana an'i Liberia i Black Looks izay ny ady sivily vao haingana nisy tao dia mifamatotra mivantana tamin'ny fakàna an-kery ny tany nataon'ireo metisy Afrikana Amerikana na fividianana tamin'ny sanda tsy misy dikany tamin'ireo mpitarika ny vahoaka teratany. Liberia tamin'ny taonjato faha-18. Io dia mitondra aminà toedraharaha izay, amin'ny endriny maro, tsy misy hafa amin'ny an'ireo firenena afrikana hafa voazanaka. Ankalazain'i Black Looks ihany koa ny nanolorana ny Loka Iraisam-pirenena mikasika ny Fahalalahana Maneho Hevitra ho an'i Beatrice Mtetwa , zimbaboeiana mpisolovava  mpiaro zon'olombelona, avy amin'ny Komity mpiaro ny mpanao gazety. Mandritra izany fotoana izany, raha jerena ny krizin'ny lalàmpanorenana akehitriny izay mandrahona ny hamotika an'i Kenia, miantso an'ireo mpiray tanindrazana aminy i Chanuka mba voalohany indrindra hamaky sy hisaina ny vontoatin'ny Lalàmpanorenana Keniana mialohan'ny handatsaham-bato amin'ny fitsapankevibahoaka ho avy ary mba tsy ho voasarik'ireo mpanao politika Keniana izay tsy mitahiry ao ampony ny tombontsoa ho an'ny Keniàna. Nasongadin'i Boitumelo Mofokeng mikasika ny adihevitra manodidina ny Fanapahankevitra faha1325 noraisin'ny Filankevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana, izay fanapahana sambany noraisin'ny filankevitra mikasika manokana ny fidonan'ny ady amin'ireo vehivavy, ny fandraisana anjaran'ireo vehivavy amin'ny famahàna ny fifandonana ary amin'ny fandriampahalemana maharitra. Hentitra i Boitumelo : tsy tokony ilaina akory ny mikasika an'io famahàna olana io raha toa ny ONU ka fikambanana tsy manilikilika sy liam-pivoarana hatrany amboalohany. Tsipihany fa mihevaheva ny fampiharan'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, toy izay porofoin'ny isa tsy mitovy eo amin'ireo vehivavy misahana andraikitra mpanampy sy ny mpanohana ao anatin'ny fikambanana ary vokany, very ny fahafahana manome ohatra tsara ho an'ireo governemanta izay kasainy harenina. Faranany amin'ny filazàna amin'ny ONU fa: “ na io miaraka aminay, fa tsy mandeha irery! Henoy ny feonay !…” Tsy mahakasika fotsiny ny fiarovana tontolo iainana ny angovo azo amin'ny masoandro, hoy Afromusing , manoratra momba ireo orinasa izay mahazo tombony dolara an-tapitrisany maro noho ny teknolojia azo havaozina . Na dia tsy nahomby tamin'ny ankapobeny aza ny Andro natokana tsy hisian'ny fiarakodia natao vao haingana tao Johanesbourg , noho ny rafitra fitaterambahoaka tsy dia sahaza loatra, milaza i Bronwyn fa tokony ho zavatra tsara ny dokambarotra manodidina ny tontolo iainana ary manitrikitrika izy hoe tokony hitohy hanoratra hatrany momba io olana saropady io ireo media ary hitaky tamberinandraikitra amin'ireo mpitondra. Omen'i Nneka ny valiny iray mendrika ho tsaroana ho anà olona iray mihambohambo niteny taminy indray mandeha manao hoe ”Tiako ny tovovavy toa anareo, satria ianareo tsy mametraka fanontaniana” .
https://mg.globalvoices.org/2018/10/06/126706/
Suya Nizeriana!
2018-10-06T16:47:24
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Septambra 2005) Loharano: Sary an'i FischerFotos tao amin'ny Wikipedia Suya (vakiana hoe Su-hu-ya) Io no anarana didin-kena nasaly teo ambony koveta mahamay tsy misarona, miaraka amin'ny menaka, tongolo ary sira. Sakafo iray malaza eny anivon'ny saranga Nizeriana manan-karena sy antonony.ny Suya. Matetika ny Suya dia vokarina isankariva eny an-dalambe, trano filalaovana, hotely ary ireo fivoriana ara-tsosialy. Fahaizamanao manokana ananan'ireo foko “Hausas” Nizeriana ny Suya. Didin-kena Suya iray dia afaka hamaritana ny fijerinao manontolo  ny hena. Mba hihinanana Suya na aiza na aiza “toerana misy Suya”, toloran'ireo “Mala” tomponandraikitra ampahany kely ho andramana maimaimpoana aloha ianao. Mandidy didiny kely iray izy ary manasa anao hanandrana ny zavatra azony atolotra. Amin'io andran-tsiro voalohany io, misy voasarika ny hikaroka ny paosiny rehetra hividianana ilay hena maha-rarak'ivy. Proteina tsara kalitao ny Suya, tsy ahitana an'ireo akora simika izay antsointsika amin'ny hoe laro ao anatin'ny fahandroan-tsakafo maoderina. Tia milalao ireo Nizeriana ary tsy misy tsara lavitra noho izany hoe manana Suya mafana anao miaraka amin'ny divay vita tamin'ny voanio na labiera nizeriana iray tavoahangy.
https://mg.globalvoices.org/2018/10/06/127219/
Feo avy amin'ny “Zimbabwe Plus”
2018-10-06T14:59:22
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra nanglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005) Zimbabwe-: Fanontaniana tsy mora valiana ho an'ny antoko MDC, antoko lehibe amin'ny fanoherana ny fitondrana ao Zimbaboe, ny hoe hanohitra sa tsia, arakaraky ny hanakaikezan'ny fifidianana izay ho loholona. Koa satria tsy misy ny fifanarahana mazava tafavoaka,  samy namaritra ny fomba fjeriny nandritra iny herinandro ny roa tonta ary hita taratra izy ireny any anatin'ny fifanakalozandresaka ifanaovan'ny bilaogera. Fanaovana hosoka niverimberina nataon'ny ZANU-PF tamin'ny fifidianana no tanisan'ireo mpanohitra ny fandraisana anjaran'ny MDC. Midika fankatoavana rafitra fikarakarana fifidianana tsy manjary ny fandraisana anjara amin'ireo fifidianana. Ho an'i Captain Marlow, “Ity no mampisalasala ahy momba azy io: tena ilaina ve ny manapasaka ny mpanohitra noho ny fomba fijery mampiahiahy amin'ny tsy ahafahana milaza izay tianao hambara sy ho heno (ary raha vakianao ireo fanehoankevitra voatanisa etsy ambony, dia toa mampiahiahy tanteraka tokoa)? Tena ilaina ve ny manao izay haha-ara-drariny ny fifidianana iray hafa lalaovin'i Mugabe ho amin'ny tombontsoany sy, miaraka amin'izay, fanamafisana andrimpanjakana tsy azo ihodivirana ny maha-mandringa azy? Tsy henjana be ve ny sandany?” Tohanan'ity ankolafy ity ihany koa fa ny fandraisana anjara dia tsy hitondra na inona na inona ho fanamaivanana ny olana sedrain'ny firenena: tsy fahampian'ny solika, ny angovo, sakafo,asa, ary ny vola vahiny. Hoy i Green Leader, “Raha tsy maintsy hisy ny fanovàna, tsy ho avy amin'ny alàlan'ny loholona iray mihitsy, na roa avy amin'ny MDC. Maneho izany ny parlemanta. Tsy hisy fahasamihafàna ao anatin'ny antenimeran-doholona. Eny an-dalambe no hitranga ny fanovàna. Hitantsika nanerana an'i Eoropa Atsinanana ny herin'ny hetsipanoherana atao ampilaminana mba hanesorana fitondràna. Izany no ilain'i Zim raha te-hanana demaokrasia. Tsy hitsabo ny zavatra tsy nanjary vitan'ny fitondran'i Mugabe ny fandaniana vola dolara an-davitrisa amin'ny fanaovana fampielezankevitra ho an'ny fifidianana loholona. Fa ny fanesorana an'i Mugabe tsy ho eo amin'ny fahefana sy ny fisedràna hanohitra azy. Amin'ny filazana zavatra mifanohitra amin'izay, ny ankolafy izay manohana fa izay rehetra mankany amin'ny fivoarana, na kely toy inona aza, ka tafangona ho any amin'ny fandatsahambato, dia tsara ho an'ny firenena, indrindra fa ireo nihogahoga ny governemantan'i Mugabe izay Shona no betsaka tao anatiny. “Tsy nanana mpitarika avy aminy mba ho “mpitarika antsika” ry zareo Ndembele. Ho an'ireny olona ireny, ry Mugabe sy ireo Shona maro an'isa mpiray dia aminy (ary ireo Ndebele vitsivitsy ) no mbola mijanona ho “mpitarika an-dry zareo”. Tsy hoe mitady izay hampihenjana ny tady eo amin'ny samy foko aho eto. Maneho ny fientanentanana lalina sy marimpototra izay mety ho atolotry ny antenimieran-doholona aho (indrindra ho an'ny Ndebele ao anatin'ny MDC). Vintana atolotry ny antenimieran-doholona ho an'ny sasany ny fahafahana maka indray izay veriny, na tsy tonga lafatra toy inona aza no fahitàna an'izany.” Burundi-: Asongadin'i Agathon Rwasa ireo fiantsoan'i Paul Rusesabagina ny vahoaka Amerikàna mba hamporisika ny mpitarika an-dry zareo hihetsika bebe kokoa manoloana ireo habibiana miseho ao amin'ny tanibe Afrikàna, isan'ireny ireo toerana toa an'i Burundi. Nandritra ny diany nitetezany an'i Etazonia, niresaka momba izany tao Iowa i Rusesabagina, ilay maherifo izay ny tantarany no nanosika ny fanatontosana ilay sarimihetsika mahavaky fo Hotel Rwanda . DRC-:” 007 in Africa” malahelo amin'ny esoeso vokatry ny hanoanana manjaka any amin'ny faritra sasany ao RDC raha tondraky ny karazana sakafo samihafa kosa ireo tsena sasany any amin'ny faritra hafa ao amin'ny firenena. “Eo am-pahitàna ireo ambin-tsakafo mitobaka atao fafy katrana, tsapako fa, raha matin'ny hanoanana ny vahoaka Kongoley any ananona any, dia tsy noho ny tsy fisian'ny hanina — izay tena mampalahelo ahy fatratra tokoa — noho ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa fototra no toa antony voalohany mahafaty ny olona eto.” Akàn'i Sahara Sarah fotoana ny fanitsiana ireo fitsaratsarampoana mazàna ananan'ny olona momba an'i Afrika ary ny hoe toy ny inona izany miasa any izany. Malawi-: Taorian'ny halatra nanjo tsy ela akory izay ny olona iray mpila ravinahitra tao Malawi, manontany tena ireo bilaogera Geeta sy Mike avy amin'ny Hacktivate momba ny hamaroan'ireo heloka bevava vitan'ireo nanatanteraka izany. Mampiasa saina an'i Geeta ny zavamisy hoe: “Anatin'ny tranga sasany, ireo masoivoho tena lohalaharana indrindra amin'ny amin'ny fanamaivanana ny olana ara-tsakafo ao Malawi dia nanao fifanarahana tamin'ireo orinasa izay tsy miraharaha akory ny mpiasa ao aminy mba hitantanana io olana io tsy ilàna fanampiana avy any ivelany.” Anaovan'i Mike fanaporofoana ny fahasamihafàna misy eo amin’ ny karama omena an’ ireo mpiambina sy ny fandaniana atrehan'izy ireny isambolana . Zendana ihany koa izy nahatsikaritra hoe tafiditry ny mozika Mariachi Meksikàna ny tsena Malaoita, tamin'ny alàlan'ireo feo fanairana amin'ny finday . Roandà-: Tohina i George Conard momba ireo vina nentin'ireo ‘yagi’ na tendro mandeha lalantokana mba hanatsaràna ny fifandraisandavitra any amin'ireo faritra ambanivohitra ao Roandà .
https://mg.globalvoices.org/2018/10/04/127158/
Angola: Efa akaiky ny fifidianana andrasana mafy
2018-10-04T04:03:02
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2008) Iray volana latsaka sisa i Angola dia hiaina ny iray amin'ireo fizarana andrasana mafy eo amin'ny tantarany. Enina ambin'ny folo taona taorian'ny fifidianana farany , hanana fahafahana indray hampiasa ny zon'izy ireo hifidy amin'ny fifidianana solombavam-bahoaka ho avy ny Angoley, izay hatao ny 5 ka hatramin'ny 6 septambra. Mangina ny toe-draharaha, na dia maro aza ireo fihetseham-po eo amin'ny mponina. Milaza ireo olona manankarena kokoa fa ho any ivelany izy ireo; ny sasany mitsikitsiky ary manome antoka fa tsy hisy zavatra hitranga satria tsy mitady ady sy fijaliana intsony ny Angoley; raha mirohotra eny an-tsena kosa ny hafa mba hividy entana madinika, raha sendra misy loza na tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny zava-drehetra, toy izay nitranga tamin'ny taona 1992 . Ho fampahatsiahivana, tamin'io fotoana io, nanohitra ny voka-pifidianana ny antoko mpanohitra lehibe indrindra UNITA ka niteraka ady, nitarika ny fiverenan'ny ady an-trano izay nifarana folo taona taty aoriana, miaraka amin'ny fahafatesan'ny mpitarika izany antoko izany Jonas Savimbi . Raha mikasika ny mpandraharaha vahiny monina any Angola, tsy manana fikasana hiverina any amin'ny taniny izy ireo. Matoky ny fiarahamonin'ny orinasam-barotra fa tsy misy fiovana ny zavatra rehetra aorian'ny fifidianana ary tsy ilaina ny manova asa. Nanao ity fandinihana manaraka ity momba ny toe-draharaha ao an-toerana i Jotacê Carranca : Depois do primeiro processo eleitoral que foi completamente frustrante e traumatizante, aproxima-se a passos largos as segundas eleições legislativas em Angola. Se para muitos este processo é o renovar de esperanças e sinónimo da consolidação da democracia em todo o país, para outros, nas zonas rurais e naquelas províncias que sofreram de forma violenta, directa e dramática as consequências da guerra pós-eleitoral de 1992, penso que prevalece um sentimento de medo, insegurança, pessimismo e incredibilidade em relação aos benefícios que este processo pode trazer para a vida de todos os cidadãos. Nestas zonas há a necessidade de se fazer um valoroso trabalho de descomplexar, um processo que tem influência para além da política, estética, cultura, religiosa e filosófica. Há que transmitir a consciência social e individual. Taorian'ny fizotry ny fifidianana voalohany, izay tena nahakivy sy nandratra saina tanteraka, vetivety dia tonga ny fifidianana parlemantera faharoa ao Angola. Raha mitovy amin'ny fanavaozana fanantenana sy fanamafisana ny demokrasia manerana ny firenena ity dingam-pifidianana ity ho an'ny maro, ny hafa kosa any amin'ny faritra ambanivohitra sy ireo any amin'ny faritany izay nijaly ny voka-dratsy mahery herisetra, mivantana sy mampalahelo tamin'ny ady taorian'ny fifidianana tamin'ny taona 1992, dia heveriko fa misy ny fahatsapana tahotra sy fisalasalana, tsy fanantenana ary tsy fahampian'ny fitokisana amin'ny tombontsoa mety aterak'ity fifidianana ity eo amin'ny fiainan'ny mponina rehetra. Ao amin'ireo faritra ireo, dia ilaina ny manao asa mavesa-danja amin'ny fanamorana ny dingana izay mihoatra lavitry ny hery ara-politika, estetika, ara-kolontsaina, ara-pinoana sy filozofika. Tsy maintsy mampiroborobo ny feon'ny fieritreretana ara-tsosialy sy isan'olona avy isika. Angolan President José Eduardo dos Santos has already issued a public appeal for calm and organization on voting days, saying that “it is essential that the safety of citizens and protection of their property is fully guaranteed, because public order is a prerequisite” . The leader added that it is necessary to have “respect for the views and ideas of others” without the use of “verbal or physical violence.” Efa namoaka antso ho amin'ny fitoniana sy fandaminana amin'ny androm-pifidianana ny filoham-pirenena Angoley José Eduardo dos Santos, nilaza izy fa “ilaina ny fiantohana ny fiarovana ny olom-pirenena sy ny fiarovana ny fananany, satria fepetra voalohany indrindra ny filaminam-bahoaka”. Nilaza koa izy fa ilaina ny “manaja ny fomba fijery sy ny hevitry ny hafa” tsy mila mampiasa “herisetra am-bava na ara-batana.” Manantena izahay fa hanana tontolo milamina amin'ny fifidianana ireo mpifidy 8,3 tapitrisa ary hanao izany amin'ny fomba mazava sy mahatsiaro tena. Maherin'ny 12.000 ireo foibem-pifidianana manerana ny firenena. Mandritra izany, dia efa mavitrika amin'ny fampielezan-kevi-pifidianana tarihin'ireo antoko politika sivy i Angola. Ho fampahalalana misimisy kokoa momba ny sehatra ara-politikan'ireo antoko ara-politika ireo , tsidiho azafady ny bilaogin'i Eugénio Costa Almeida . Nosoratana voalohany tamin'ny teny Portiogey, dikan-teny Anglisy avy amin'i Paula Góes
https://mg.globalvoices.org/2018/10/04/125507/
Mety hanavotra ny tokatandroka tavaratra fotsy ve ny fanomezan-taranaka in-vitro?
2018-10-04T07:45:27
Unknown
“Sodàna,” tokatandroka lahy fotsifotsy tavaratra sisa tavela. Sary navoakan’ Make It Kenya tao amin'ny Flickr ary azon'ny rehetra ampiasaina. Tamin'ny 19 martsa 2018, nisaona ny fahafatesan'ilay rhinocéros tavaratra fotsifotsy 45 taona, antsoina hoe Sudan ireo mpiaro biby, iray tamin'ireo tokatandroka lahy fotsifotsy tavaratra telo farany sisa tavela sy ny hany sisa velona i Sudan. Nohafainganan'ireo (euthanasie) mpiambina ao amin'ny Ol Pejeta Conservancy any Kenya, izay nonenan'i Sodana ny fahafatesan'ilay tokatandroka noho ny fijaliany amin'ny fahanterany. Noho ny fahalasanan'i Sudan, roa monja sisa ny tokatandroka tavaratra fotsy sisa tavela eto amin'izao tontolo izao – izay samy vavy ary ampahany amin'ny ràn'i Sudan – zanany vavy Najin sy zafikeliny Fatu. Manantena ny fitohizan-taranak'ireo biby ireo ny mpahay siansa ankehitriny amin'ny alalan'ny dingana fanomezan-taranaka in-vitro izay mampiadihevitra be . Efa namokatra tsaika safiotra (embryons hybrides) tamim-pahombiazana ireo mpikaroka tamin'ny fampiasana atody mbola tsy foy nalaina tamin'ireo rhino vavy fotsy tatsimo mifanakaiky, nakambana tamin'ny tsirinaina nampangatsiahina avy amin'ireo rhino lahy tavaratra efa maty. Sambany, tonga tamin'ny dingana “blastocyste” tao amin'ny laboratoara ilay tsaika avy amin'izany, manome fanantenana ho an'ireo mpahay siansa amin'ny fiarovana ny tokatandroka fotsy tavaratra tsy ho lany tamingana. Ankehitriny, ambenana 24 ora any Kenya i Najin sy Fatu mba hiarovana azy ireo amin'ny mpihaza, mikasa hanangona ny atodin'izy ireo ny mpahay siansa mba hamorona tsaika azo velomina amin'ny tsirinain'i Sudan nampangatsiahina ary avy eo mametraka azy ireo ao amin'ny rhinos vavy fotsy tatsimo (biby tena mifanakaiky), mba hamorona rhino fotsy tavaratra amin'ny dingana FIV (fécondation in-vitro) voalohany “madio tsy misy fangarony”. Amin'izao fotoana izao anefa, mampisalasala ny tolo-kevitra: mbola tsy nahazo alàlana haka atody ho an'ny dingana fanandramana ireo mpahay siansa, saingy manantena ny hahazo alalana avy amin'ny governemanta Kenyana alohan'ny faran'ny taona 2018. Niteraka adihevitra lehibe ny dingana FIV sarotra sy tsy dia azo antoka. Ho an'ny sasany, lafo ny teknôlôjia – manombana ireo manam-pahaizana fa mety ho tafakatra 9 tapitrisa dolara amerikana ny vidiny – ary ny hafa kosa nanontany ny fampiharana ity loharanom-bola goavana ity amin'ny fiarovana biby izay efa eo an-dalana ho lany tamingana, raha tokony ho ampiasaina amin'ny fiarovana ireo tokatandroka salama mbola misy: As much as we're outraged about the loss of the last male white rhino #Sudan , I find it rather (whats the word?) that we want to raise US$9 million for IVF to raise a herd (which poachers willl find a way of killing) . Can we just let go and address other problems? pic.twitter.com/nnO0oo1eJy — Frank Hook (@FrankHook) March 20, 2018 Na dia tezitra mafy tamin'ny fahalasan'ilay rhino lahy #Sudan sisa tavela aza isika, dia hitako (ahoana no hilazana azy?) fa te-hanangona vola 9 tapitrisa dolara ho amin'ny dingana FIV mba hiarovana biby (izay hahita fomba hamonoana azy ireo foana ny mpihaza). Azontsika avela ve izany ary miamaha olana hafa? Vondrona mpikatroka Save the Rhino nanoratra fanambarana mikasika ilay fikarakarana mampiady hevitra: A practical concern for any future Northern white rhinos successfully bred through IVF is the question of where they would live. Much of the sub-species’ former range has lost rhinos in its entirety, with limited conservation programmes or expertise for managing a rhino population, and large-scale habitat loss. In any case, for rhino population to be genetically viable, a minimum of 20, unrelated ‘founder individuals’ are needed. Otherwise, a population becomes inbred and prone to genetic abnormalities – and fertility problems. Ny fanontaniana amin'ny fiahiahiana mahazatra mikasika ny ho avin'ireo tokatandroka fotsy tavaratra velomina am-pahombiazana amin'ny dingana FIV dia hoe aiza no hiainan'izy ireo. Ringana avokoa ireo tokatandroka avy amin'ny ankamaroan'ny zana-karazana tao amin'ny toerana lehibe taloha, nahitana programam-piarovana na traikefam-piarovana voafetra amin'ny fitantanana tokatandroka, ary ny fahafatesan'ny maro. Na ahoana na ahoana, mba hahavelona ireo taranaka tokatandroka, dia mila “tokatandroka mpanome taranaka” tsy mpihavana 20 farafahakeliny. Raha tsy izany, dia lasa mitovy rà sy ho sampona ireo rhino, ary hampisy olana amin'ny fahazoan-taranaka. Zatra nandehandeha teny amin'ny faritr'i Oganda, Tshady, Sodana, Repoblikan'i Afrika Afovoany, ary ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo ireo tokatandroka tavaratra fotsy (zana-karazana tokatandroka fotsy ), saingy ringana tany an'ala izy ireo ankehitriny noho ny fihazana sy ny ady an-trano nandritra ny taona maro. Amin'ny ankapobeny, nihena be tao anatin'ny taona vitsivitsy ny isan'ireo rhino – na inona na inona karazana, voalohany indrindra dia noho ny fangatahana ny tandrok'izy ireo. Any amin'ny firenena Aziatika sasany , mihevitra ny olona fa afaka manasitrana tazo sy aretim-po ny trandrok'izy ireo. Any amin'ny faritra hafa, heverina fa mariky ny harena ny tandroka. Miezaka manasazy ny fivarotana tokatandroka amin'ny fomba tsy ara-dalàna i Zimbaboe Raha mbola mitohy ny adihevitra momba ny FIV, niteraka fanentanana teo amin'ny vahoaka mikasika ny manjo ireo tokatandroka manerana ny kaontinanta Afrikana ny fahafatesan'i Sudan. Zimbaboe, ohatra, dia ahitana tokatandroka fotsy sy tokatandroka mainty . Toy izao avy ny isan'ireo tokatandroka tamin'ny taona 2009, miisa 425 ny tokatandroka mainty ary 300 ny tokatandroka fotsy nirenireny manerana ny valan-javaboaharim-pirenena Zimbaboeana sy ny valan-javaboahary tsy miankina . Mba hampitsaharana ny famonoana sy ny fitrandrahana bibidia tsy ara-dalàna, nametraka fiarovana ara-pitsarana ho azy ireo ny governemanta Zimbaboeana, araka ny fehezan-dalàna voalazan'ny lalàna Parks & Wild Life Act [Chapter 20:14] (PWA), izay ahitana sazy henjana ho an'ny fandikan-dalàna. Sokajiana ho toy ny “biby arovana manokana” -ny tokatandroka ankehitriny, voaràra ny fihazana sy ny famonoana azy ireo, ary hiharan'ny sazy sivy taona an-tranomaizina amin'ny fanamelohana voalohany, sy sazy an-tranomaizina 11 taona amin'ny fanamelohana faharoa ireo mpandika lalàna. Na dia eo aza ny sazy henjana, dia mbola vonona hanao sorona ny ainy ireo mpihaza saingy avy eo lasa mpikatroka amin'ny tambajotran-jiolahy voalamina . Betsaka ireo mahantra, tsy an'asa, voasariky ny fampanantenana ara-bola amin'ny fihazana. Tsy maintsy ahitana (na indraindray tsia) fisamborana ireo atidoha mikotrika izany ady amin'ny varotra biby tsy ara-dalàna izany. Mitaky fanagiazana ny fitaovana rehetra, ny fiara na fitaovam-piadiana ampiasaina amin'ny fandikan-dalàna amin'ireo bibidia ny lalàna PWA, manome zo ho an'ny fanjakana mba haka sy hampiasa izany, saingy na dia eo aza ireo fiarovana araka ny lalàna ireo, tara loatra ny fahatongavan'ny fiovana ary voafetran'ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola, sy ny fampiharana marefo ny lalàna ary ny kolikoly. Gazety iray mpivoaka isan'andro any Afrika Atsimo, Daily Maverick , nitatitra fa misy fifamatorana amin'ny varotra tandroka rhino tsy ara-dalàna ny kolikoly, tsy any Zimbaboe ihany fa any amin'ny firenena afrikana valo hafa. Antso maika ho an'ny fiarovana ny tokatandroka Manentana ireo mpikatroka sy ireo olom-pirenena tsirairay – indrindra fa ireo izay mipetraka akaikin'ny toerana misy ireo bibidia isan-karazany ny mpandala ny tontolo iainana – mba handray fepetra mavitrika amin'ny fiarovana ny tokatandroka. Ao Zimbabwe, izay latsaky ny 23 taona ny 62 isanjaton'ny mponina , ny fanantenana dia hanana anjara asa lehibe ao anatin'ity fikatrohana ity ny tanora. Na izany aza, satria betsaka kokoa ny isan'ny tanora mandany fotoana betsaka an-tserasera fa tsy mivoaka ho any amin'ny natiora, tsy maintsy mifantoka betsaka amin'ny famerenana ny tanora amin'ny ady hiarovana ny tokatandroka ireo mpikatroka. Amin'ny maha karazana elo , ampahan'ny tontolo voajanahary manankarena izay misy fiantraikany mivantana amin'ny hatsaran'ny fiainana eo amin'ireo karazam-biby hafa ny fiainana andavanandron'ny tokatandroka. Ny tanim-bilon'izy ireo, ohatra, dia mitazona ny ahitra ho fohy,  mahatonga ny tany ho mora hivezivezen'ireo biby madinika mampinono https://twitter.com/ErrantNatives/status/1019282220396240896 Nanaporofo ireo mpikaroka fa raha tsy misy #Rhinos, dia mijaly ny biby hafa rehetra mandehandeha amin'ny lemaka. Miaraka amin'ny tokatandroka, mitombo ny isa sy ny karazana zava-maniry. Manome betsaka araka izay alainy izy ireo, satria mandeha mivantana ny hozatra anaty traotraokan'izy ireo ary miafara ho zezika. Na dia miaiky aza ireo mpahay siansa fa ampahany voajanahary amin'ny fivoarana ny ho lany tamingana, mitombo haingana kokoa izany noho ny fihazana, ny fandringanana ny tontolo iainan'ny tokatandroka , ny fitrandrahana tafahoatra ny fiainan-dia, ary koa ny disadisa ara-politika . Hisy fiantraikany goavana eo amin'ireo karazam-biby hafa ny fahafonganan'ny tokatandroka, ary fampahatsiahivana miharihary ny fahalasan'i Sudan.
https://mg.globalvoices.org/2018/10/04/127104/
Hetsika Mandao Fonenana: Mandrisika ireo tanora Angoley hisaraka amin'ny ray aman-dreniny ny fironana vaovao ao amin'ny tambajotra sosialy
2018-10-04T05:08:06
Unknown
Hita eto i Mario Igoor Diias, mponina ao Namibe (Angola), fa mandao ny tranon-dreniny. Sary nahazoana alalana. Fironana ao amin'ny media sosialy novokarin'ny tanora Angoley mba handrisihana ny tsirairay hahaleo tena ny Hetsika Mandao Fonenana . Tao anatin'ny volana vitsivitsy lasa izay, tanora an-jatony no namoaka ny sariny mibata entana sy miala ny tranon'ireo ray aman-dreniny, hetsika fifaninanana sy fandresena ho an'ireo izay miasa ho amin'ny fahaleovantenany manokana. Saingy tsy tena afaka miala ny ankamaroan'izy ireo satria raikitra ao an-trano. Misarika ny saina amin'ny zava-misy ny hetsika fa maro ny tanora Angoley no mijanona ao an-trano noho ny krizy ara-bola maharitra, tsy fisian'ny asa ho an'ny tanora izay tafakatra manodidina ny 56 isanjato . Lasa lamaody ny Hetsika Mandao Fonenana taorian'ilay fihaikana sary-sy-soratra malaza antsoina hoe ‘ Novonoinao aho ‘ izay nampifoha an'i Angola ahitana tanora nanohitra ny tsy firaharahian'ny governemantany amin'ny fikarakarana ny filàna fototra. Fiainana tsy azo antoka, fahafahana voafetra Ny 21 Jolay 2018 , tanora an-jatony no nanao diabe tao an-drenivohitra Luanda nanohitra ny tsy fananan'asa goavana, ary nitaky ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon'ny Filoha Angoley João Lourenço tamin'ny famoronana asa miisa 500.000 . Viriato da Cruz, 28 taona, iray amin'ireo mpikarakara, nilaza fa tsy an'asa izy nandritra ny fito taona . Araka ny fanadihadiana natao momba ny fiakaran'ny vidim-piainana izay namakafaka ny saran'ny sokajy miisa 200, anisan'izany ny trano sy ny fitaterana, iray amin'ireo tanàndehibe lafo fiainana indrindra manerantany amin'ny entana ilaina amin'ny fiainana andavanandro ny tanàndehiben'i Luanda. Nanatevin-daharana ny fanentanana ny Hetsika Mandao Fonenana i Fernanda Januário NGuami Maka , mpianatra serasera ao amin'ny Oniversite tsy miankina iray ao Angola,  tamin'ny alalan'ny fizarana ny sariny izay mampiseho azy nandao ny tranon'ireo ray aman-dreniny. Ankoatra ny fihomehezana kely, dia mahita ity fironana ity ho endrika fanoherana ny toe-javatra misy ankehitriny ao Angola izy. Hoy izy nanoratra raha niteny tamin'ny governemanta: Entenda mano (a). Este tema que muitos apenas o olham pelo lado cómico é uma forma de protestar a situação actual do povo Angolano. Os jovens Angolanos na sua maioria adultos ainda vivem sobre tutela dos Pais motivo pelo qual entenda o verdadeiro sentido do tema “SAI DA CASA DA VELHA” Tira-me da casa da velha vc que estás a piorar a vida dos jovens na desgraça. Tira-me da casa da Mãe vc que na abundancia só se preocupou com o desvio do erário público. Tira-me daqui, vc que só está preocupado comigo quando precisas do meu voto. Tira-me da casa da Mãe, vc que não consegue construir escolas mais vive dizendo que estas a combater o analfabetismo. Me tira daqui porra vc que não cria políticas de emprego + continuas a corres com as zungueiras, vc que aproveita da farda para extorquir os taxistas. Ity lohahevitra ity izay mety hihomehezan'ny ankamaroan'ny olona dia fomba iray hanaovana hetsi-panoherana manohitra ny toe-javatra iainan'ny vahoaka Angoley ankehitriny. Mbola miaina eo ambany fiahian'ny ray aman-dreniny ny tanora Angoley amin'ny ankapobeny, ka natao izany mba hahatakaran'izy ireo ny tena hevitr'ilay lohahevitra hoe “MANDAO NY FONENAN'NY RAY AMAN-DRENY”. Roahy ao amin'ny tranon'ny ray aman-dreniko aho, ataonareo izay hahamenatra ny fiainan'ny tanora ratsy kokoa. Roahy ao amin'ny tranon'ny tranon'ny reniko aho. Roahy eto aho, rehefa mila vato ihany ianareo vao mody manahy ny momba ahy. Roahy ato an-tranon'ny reniko aho, tsy afaka manangana sekoly intsony ianareo, milaza ianareo fa miady amin'ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra. Roahy eto aho, tsy manangana politikan'ny asa ianareo, manararaotra ny fanamiana mba handrahonana sy hangalana vola amin'ny mpamily taksy . Fernanda Januário NGuami Maka nandray anjara tamin'ny hetsika fanentanana Mandao Fonenana . Sary nahazoana alalana. Nilaza tamin'ny Global Voices i Tatiana Pinheiro sy Ilda Calandula, mpianatra roa ao amin'ny Oniversite Tsy Miankina any Angola, fa tsy ratsy ho an'ny tanora akory ny miara-mipetraka amin'ny ray aman-dreniny, raha nitanisa ireo antony ara-kolontsaina izy ireo: Há questões culturais que estão patentes em algumas grupos étnicos que podem estar na base de muitas famílias não permitirem com que os seus membros festejem longe deles. Ou seja, há uma raiz familiar e cultural, que pode ser vista a nível da construção de habitações que sirva para toda a família em um só espaço físico, num quintal com maior dimensão para estes serem repartidos em pequenas residências onde todos podem viver. Misy ny olana ara-kolontsaina avy amin'ireo vondrom-poko vitsivitsy izay mety ho anton'ny tsy hamelan'ny fianakaviana maro ny havany handao azy ireo. Misy lafiny ara-pianakaviana sy ara-kolontsaina momba ny [firafitry ny] tranonay izay honenan'ny fianakaviana iray manontolo ao amin'ny toerana iray amin'ny efitra lehibe kokoa izay zaraina ho trano kely kokoa mba ahafahan'ny tsirairay miaina. Na izany aza, nanoratra tao amin'ny pejiny Facebook niaraka tamin'ny fahakiviana i Graça Isabella Sebastião , tovovavy iray hafa izay nanatevin-daharana sy nanohana ilay hetsika : Operação saír da casa da velha: Alguém aí de boa fé pra me acolher, nesse momento estou na rua chorando sem saber onde ir. Ny hetsika mandao ny tranon'ny ray aman-dreny: misy olona ve handray ahy? Amin'izao fotoana izao, ety an-dàlana aho mitomany sady tsy fantatro hoe aiza no halehako. Miaraka amin'ireo tanora Angoley an'arivony izay maniry ny handao ny akanin'ny ray aman-dreniny, maro ireo nanomboka vondrona Facebook manana ny anarana hoe Hetsika Mandao Fonenana .
https://mg.globalvoices.org/2018/10/03/127074/
Madagasikara : Rivo-piainana hafahafa tamin’ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena
2018-10-03T19:16:53
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 24 Jona 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Faha-50 taona ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny 26 Jona 2010, ary efa nanomboka sahady ny fety. Na dia nisy aza ny afisy lehibe mampiseho ireo mpihira malaza iraisam-pirenena ho an’ny fampisehoana dia toa ohatran’ny tsy tena fety ny rivotra niainana, noho ny fisalasalana ara-politika ary ny fahasarotana ara-toekarena vokatry ny krizy izay naharitra 18 volana. Fomba fanao mahazatra ao Madagasikara amin’io vanimpotoana io, ny manangan-tsaina sy mandrehitra arendrina ho fanomezam-boninahitra ny andron’ny fahaleovantena kanefa tsy dia nahitana saina firy tamin’io taona io noho ny antony isankarazany. Mbola maloka indray ny rivotra niainana noho ny fahafatesan’ny mpandeha an-tongotra iray nofaohin’ilay mpitondra môtô, mpitarika ireo fiaran’ny mpitondra ny filoham-pirenena. Tsy isalasalana fa nameno ireo fampahalalam-baovao mahazatra ny fankalazana, nefa maro tamin’ireo bilaogera no nanontany tena raha toa ka rariny ny fankalazana lafo vidy tamin’ny fotoanan’ny fisalasalana ara- toekarena sy ny tsy fahampian-tsakafo betsaka tany amin’ny faritra atsimon’ny firenena. Maro ny Malagasy no nankasitraka ny fampisehoana, fialam-boly nahafinaritra manoloana ny rotoroton’ny fiainana andavanandro. Bilaogera maro no nanome ny heviny momba izany. Nampahatsiahy ireo teny malaza nataon’ilay mpitondra fanjakana Romana iray i Ndimby ary nanontany tena hoe nankaiza ireo fampanantenana tamin’ny fampihenana ny fandaniam-bolam-panjakana: on se demande où sont passé les grands slogans lancés sur la Place du 13 mai contre le gaspillage des deniers publics pour des futilités ? Sans doute est-ce le prix à payer pour que le DJ Andry TGV puisse marquer à sa manière de son empreinte la vie nationale. C’est donc l’occasion de lui rappeler ces mots de Cicéron : « Plus on est placé haut, plus on doit se montrer humble » . Mampanontany tena hoe nankaiza ireo teny filamatra lehibe navoaka teny amin’ny kianjan’ny 13 Mey nanohitra ny fandaniana ny volam-bahoaka tamin’ny zava-poana ? Tsy isalasalana fa izany no tsy maintsy nataon’ilay DJ Andry TGV manokana mba ahafahany miavaka eo amin’ny fiainam-pirenena. Io izany no fotoana tsara hampatsiahivana azy ireo tenin’i Ciceron hoe : « Arakaraka ny hahazoana toerana ambony kokoa no hanehoana fanetren-tena bebe kokoa». Arendrina malagasy, sary ChronoWizard tao amin'ny Flickr, nampiasana lisansa CC Nilaza tao amin’ny pejy Facebook-ny i Randy fa tsy anà antoko politika ny fetim-pirenena ary faly izy nahita ireo mpanakanto vahiny tonga nanome voninahitra an’i Madagasikara : ému en voyant le rapper américain Big Ali entrer sur scène drapé du drapeau national malgache. Il s'en est jamais séparé tout au long du show [..] La fête de l'indépendance n'appartient à personne. le drapeau national, tout comme l'hymne, fait partie des institutions sacrées de la République que chaque citoyen doit respecter indépendamment des dirigeants. Nanohina ny fo tokoa ny nahita ilay mpiangaly rap Amerikana Big Ali niditra teo amin’ny lampihazo nitafy ny sainam-pirenena Malagasy. Tsy nisaraka taminy mihitsy ilay izy nandritra ny fampisehoana. Natao ho an’ny rehetra ny fetin’ny fahaleovantena. Ny sainam-pirenena, tahaka ny hira faneva ihany koa dia anisan’ny andrimpanjakana manan-kasina ao amin’ ny Repoblika ka tokony hajain’ny olom-pirenena tsirairay tsy miankina amin’ireo mpitondra azy. Arendrina hafa, avy amin'i ChronoWizard: http://www.flickr.com/photos/chronowizardmg/ Raha nanakaiky ny fetim-pirenena dia maro ireo raharaha momba ny heloka bevava nifandraika tamin’ireo korontana tamin’ny taon-dasa no niakatra fitsarana tao Antananarivo tamin’io fotoana io. Hatramin’ny tapaky ny volana Mey 2010, mpanao gazety miisa 10 tao amin’ny onjam-peo no nogadraina . Raha maro ireo bilaogera no nisaintsaina ny dikan’ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena ho an’ireo firenena maro miteny Frantsay, i Basy vava kosa dia nitodika tamin’ireo raharaha anatiny ary nanontany tena tamin’ny feo mafy raha afaka lazaina ho ‘ ’mahaleontena’’ ny rafi-pitsarana eto Madagasikara. Fitsarana izay niniana natao amin’izao ankatoky ny fankalazana ny faha-50 nahazoana ny fahaleovantenam-pirenena izao. Ny eo anivon’ny fitondranana FAT no hita toa namaritra ity daty hanaovana ny fitsarana ity, izay heverin’ny mpanarabaovao, fa fitsabahana mivantana amin’ny asan’ny fitsarana eto amintsika. Ho famintinana, tamin’ity taona 2010 manan-danja ity sy araka ny fahitana ireo korontana nisy teo aloha, dia nanontany tena i Mitiyu raha toa ka tena mendrika ho an’ireo firenena toa an’i Madagasikara tokoa ity ‘’demaokrasia’’ ity izay takian’ireo mpanao politika Malagasy isanisany ho toy tanjony faratampony: On parle souvent d’élection, une manifestation de la démocratie. Si nous analysons les issus de certaines élections et l’impact social, économique ou politique de certaines élections à Madagascar on peut se demander si on a réellement besoin de la démocratie car en fin de compte on lave le cerveau du peuple « manipulé », on leur explique qu’ils sont malheureux et on leur demande de descendre dans la rue au nom de la démocratie. Avec la démocratie, on met aussi en avant la liberté d’expression. Est-ce que cette liberté d’expression existe-t-elle à Madagascar ou est-ce qu’on doit toujours se cacher derrière une autre identité ou sous la ligne éditoriale imposée par le patron de presse pour mieux s’exprimer en toute quiétude? Matetika resahina foana ny momba ny fifidianana, ho fanehoana ny demaokrasia. Raha dinihina ny olan’ny fifidianana sasany sy ny fiantraikan’izany ara-tsosialy, ara-toe-karena na ara-politika tamin’ireo fifidianana sasany teto Madagasikara dia mety hanontany tena ihany isika raha toa ka ilaina marina ny demaokrasia satria raha ny marina dia toa sasana fotsiny ny ati-dohan’ny vahoaka « voarebireby », hazavaina amin’izy ireo fa olona sahirana ry zareo ary hangatahana aminy ny fidinana an-dalambe amin’ny anaran’ny demaokrasia. Miaraka amin’ny demaokrasia, resahana ihany koa ny fahalalahana maneho hevitra. Moa ve misy eto Madagasikara tokoa ity fahalalahana maneho hevitra ity sa ve tsy maintsy miafina hatrany ao ambadiky ny mari-panondroana hafa na eo ambanin’ny fitsipiky ny matoandahatsoratra napetraky ny lehiben’ny mpanao gazety mba hanehoana hevitra am-pilaminana kokoa ?
https://mg.globalvoices.org/2018/10/01/127029/
Miray hina ho an'ny ankizy eto Madagasikara ny bilaogera Malagasy
2018-10-01T01:24:44
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Somary navitrika tokoa tamin'ny ezaka fanaovana asa soa ny tontolon'ny bilaogy Malagasy. Nanomboka izany rehetra izany rehefa nanasa ny tontolon'ny bilaogy malagasy i Jogany tao amin'ny purplecorner.com mba handray anjara amin'ny fanangonam-bola virtoaly : ny blog-a-thon izay nanoratan'ny mpandray anjara lahatsoratra iray isaky ny 30 min, mandritra 24 ora tsy ankijanona mba hanangonam-bola ho an'ireo kamboty any amin'ny tananakelin'i Vontovorona, Mangarano ary Antsirabe . Ny lohahevitra? Angano. Ny fitantarana angano no lafiny manan-danja amin'ny kolontsaina Malagasy, indrindra fa ny angano avy amin'ireo razambentsika. Maro amin'ireo tantara Malagasy nentim-paharazana ireo no mety ho adino, koa zava-dehibe amin'ny fitazonana azy ireo ao an-tsain'ny ankamaroan'ny vahoaka ny ezaka toy izany. Natao tany Paris ny 15 Septambra 2007 ny ezaka asa soa iray hafa ho fanampiana ny ankizy eto Madagasikara. Nikarakara fanohanana ara-kolotsaina izay hizarana vondrona ireo mpandray anjara amin'ny anaran'ny vondrom-poko Malagasy i Pokanel.  Nifaninana tamin'ny fanenjika sy ny fikarohana harena sarobidy ao afovoan'ny tsangambato mahafinaritra ao Paris ny vondrona tsirairay. Nahazo laza i Pokanel noho ny asa-soratra famoronany, ny hatsikany mivantambantana ary ny hevitra “miavaka”  toy ny famoahana ny sarin'i Paris Hilton ho toy ny sari-dokambarotra ho an'ny tetikasan'izy ireo “fanampiana ny Ankizy Malagasy”. Fomba mahaliana ihany koa hanaparitahana am-boalohany ny olana ara-poko ny fanapaha-kevitra manokana tamin'ny fanomezana anarana ny vondrona ho anaran'ny vondrom-poko. Olana hita ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Malagasy ny fifanenjanana ara-poko . Ao amin'ny hevitra mifandraika amin'izany ihany dia nisy hetsika malala-tanana avy any ivelan'i Madagasikara nisarika ny sain'ny bilaogera Malagasy Harinjaka . Rehefa nahare momba ny milina fitotoam-bary mandeha amin'ny rivotra avy amin'i William Kamkwamba , vondrona mpikambana ao amin'ny TED izay nirotsaka an-tsitrapo tamin'ny fanampiana an'i William sy ny fianakaviany  dia nanoratra i Harinjaka hoe: “William, if you read this entry, just know that you are such an inspiration for many of us in here in Madagascar!” “William, raha mamaky ity lahatsoratra ity ianao dia fantaro fa manome aingam-panahy ho an'ny maro aminay eto Madagasikara ianao!”
https://mg.globalvoices.org/2018/10/03/127056/
Ghana: Harmattan indray, Fanjakazakan'ny Vola Ghaneana, Nahoana no te-hiala ireo mpiasa Ghaneana, ary dingana 82 hanavaozana visa
2018-10-02T21:42:23
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2007) Miaina harmattan i Ghana amin'izao fotoana izao, ary nahatonga ny fanehoan-kevitr'i Leanne, ao amin'ny An American in Africa , izay manazava ny momba ny harmattan , izay faritany toy izao izany: a dry dusty wind that blows along the northwest coast of Africa. Its time-frame, she describes as “usually show[ing] up in December and blow[ing]s itself out by March. rivotra maina sy vovoka be manidina manerana ny morontsiraka avaratra andrefan'i Afrika. Ny vanim-potoany, dia faritany fa “miseho matetika ny volana Desambra ary mamokatra be ny volana Martsa. Ny “Harmattan” dia tena “mikorontana”, mandrakotra ny fiara amin'ny “loto manify” ary “voaloton'ny fasika avaratr'i Afrika ny tokontany taila (carreau).” Saingy tamin'ity fotoana ity, nilaza ireo mpamantatra ny toetandro ao Ghana fa avy any Eoropa Atsinanana izy ity. Rob Taylor, bilaogera Kanadiana ao Ghana manoratra ao amin'ny bilaoginy A Canadian Couple Relishes Acronyms , amin'ny fombany mahatsikaiky, mitanisa ny sakana amin'ny fahazoany ny pasipaorony nohavaozina any Ghana, zavatra iray izay mila dingana tsy latsaky ny 82 mba hahazoana azy! Tamin'ny fotoana nahazoany ny visa, nanoratra izy fa nahatsapa : fully welcomed to Ghana (just in time to leave again)! voaray tanteraka ao Ghana (amin'ny fotoana hialana indray)! Mandritra izany fotoana izany,  Elodie, Belza mpianatra asa ao amin'ny OXFAM Ghana, ao amin'ny bilaogy Akwaaba in Ghana, Gate (Get) to Africa! ,!, manoratra lahatsoratra mpandinika sy ara-filozofia amin'ny teny Frantsay momba ny zavatra eritreretiny fa nianarana tao Ghana sy Afrika nandritra ny herintaona nandalovany: l’Afrique crée la chance de m’ouvrir l’étendue des connaissances (personnelles, sociales, professionnelles) ; l’Europe est là pour me rappeler mon identité et les gens dont je semble rester le plus attachée au bout du compte Nanome fahafahana ho ahy hisokatra amin'ny olom-pantatro maro i Afrika [manokana, ara-tsosialy sy matihanina]; Eo i Eoropa mampahatsiahy ahy ny maha izy ahy sy ireo olona izay toa akaiky ahy indrindra maharitra ela. le Ghana – et l’Afrique, par extension – a encore beaucoup à m’offrir. Peut-être même que j’ai moi-même à offrir – j’espère Mbola manana zavatra betsaka omena ahy i Ghana – sy Afrika, raha hitarina. Angamba koa manana omena izaho manokana – mino aho Farany, satria mankalaza ny jobilliny volamena i Ghana, dia miomana koa izy amin'ny fanomezana anarana indray ny cedi Ghaneana , bilaogera Ghaneana Emmanuel.K.Bensah, ao amin'ny Trials and Tribulations of a Freshly-Arrived Denizen…of Ghana , kosa midera ny Banky ao Ghana noho ny bokikely navoakany isa-tapa-bolana ho an'ireo mpamaky ny Daily Graphic ary ahitana ny antsipiriany momba ny vola vaovao avoaka miaraka amin'ny vola efa misy ao Ghana, ny cedi , amin'ny volana jolay amin'ity taona ity. Emmanuel nanoratra hoe: In fact, ever since the announcement late last year of the redenomination of the Ghana cedi, such that 10,000 Ghanaian cedis will become, as from July this year, 1 NEW Ghanaian cedi, there have been a number of (silly) jingles on the radio, and a banner (quasi-permanent) on the front page of the Daily Graphic newspaper, and other newspapers so that the public becomes used to the “conversion”. Raha ny tena izy, hatramin'ny fanambarana ny fanomezana anarana indray ny cedi Ghana tamin'ny faran'ny taona lasa, ny 10.000 cedi Ghaneana dia ho lasa 1 NEW cedi Ghanena manomboka amin'ny volana jolay amin'ity taona ity, maromaro ireo dokambarotra fampahafantarana tamin'ny radio, sy sora-baventy (saiky maharitra) eo amin'ny pejy voalohan'ny gazety Daily Graphic, sy gazety hafa mba hahafahan'ny vahoaka ho zatra amin'ny “fiovana” Bilaogera Ghaneana monina any Etazonia kosa mandinika momba ny mpiasa Ghaneana , sy ny lafiny “mampiditra” sy “mandroaka” izay manakana ny fanirian'ny Ghaneana hijanona ao Ghana sy hiasa ao amin'ny firenena. Hoy izy nanoratra: Ghana's successes are beginning to attract back some of her professionals. At least there are a number of people I know who are talking about returning to Ghana. But in Ghana there is one big “push-out” factor that I see. Not only are salaries too low in terms of cost of living, workers are not paid on time, or regularly, or sometimes even at all, and this includes government workers, especially outside the capitol. There are many highly skilled and dedicated people in Ghana. But if they cannot earn a living, even when they have a job, leaving Ghana becomes more tempting. Manomboka manintona ireo mpiasany sasany mba hiverina ny fahombiazan'i Ghana. Farafaharatsiny, maro ireo olona fantatro izay miresaka momba ny fiverenana any Ghana. Saingy ao Ghana, misy ny antony lehibe “mandroaka” hitako. Tsy ny karama ambany ihany amin'ny resaka vidim-piainana, fa koa tsy omena karama ara-potoana ny mpiasa, na indraindray aza tsy mahazo karama mihitsy, ary anisan'izany ireo mpiasam-panjakana, indrindra any ivelan'ny renivohitra. Maro ireo olona manam-pahaizana sy mazoto ao Ghana. Saingy raha tsy afaka mahazo fivelomana izy ireo, na dia manana asa aza, dia lasa voasarika kokoa amin'ny fandaozana an'i Ghana. Angamba, angamba, ny fifanojoan'ny fankalazan'i Ghana ny Jobily Volamenany sy ny fanomezana anarana indray ny cedi Ghana dia mety hahatonga ireo Ghaneana hijanona an-tanindrazana? Ny fotoana ihany no hilaza.
https://mg.globalvoices.org/2018/10/03/126205/
Afrika: Manamarika ny andro manerantany miompana amin'ny SIDA amin'ny alalan'ny tononkalo
2018-10-02T21:06:47
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2010) positive… the status of my H.I.V negative… your attitude towards me nonchalant… is how I choose to be pretenders… you allegedly sympathize with me true colors… you show them when I turn my back pity… I surely do not need it right now life… I am full of it and I am living understanding… I have a condition like anyone else positive… the status of my attitude determination… is filled inside of me oh yes.. I have the will to live I am positive… in every aspect of the word! All Rights Reserved. Mike Kwambo miabo … ny toetry ny V.I.H-ko miiba … ny toe-tsainao amiko kamokamo … no safidiko ho ahy mpitsiriritra … Voalaza fa mangoraka ahy ianao loko tena izy… Asehonao azy ireo rehefa miodina aho ny fangorahana … Mazava ho azy fa tsy mila izany aho amin'izao fotoana izao fiainana … Ao anatin'izany aho ary miaina aho mahatakatra … Manana fepetra tahaka ny olon-kafa aho tsara … ny toetoetran'ny toe-tsaiko tapa-kevitra … no feno ao anatiko eny .. Te-hiaina aho Mijery lafin-javatra tsara aho … amin'ny lafiny rehetra ny teny! Voaaro amin'ny zon'ny mpamorona Mike Kwambo Tononkalo nosoratan'i Mike Kwambo, poeta mpikambana ao amin'ny vondrona tononkalo Mstari Wa Nne any Nairobi, Kenya ity ary bilaogera ara-panatanjahantena. Ny tononkalo dia nosoratana sy navoaka tao amin'ny pejin'ny facebook Mstari Wa Nne tamin'ny 1 desambra 2009 tamin'ny fanamarihana ny Andro manerantany miompana amin'ny SIDA , andro iray ankalazaina manerana izao tontolo izao miaraka amin'ny hafatra nohavaozina ahitana fanantenana ho an'ireo voan'ny SIDA sy ireo voakasik'izany. Ny Bilaogy South Africa an'i Ashlees koa nanoratra tononkalo mikasika ny VIH sy Sida. Izao no lazainy momba ny tononkalo, izay manaraka eto ambany: “ This poem is about HIV an AIDS. I wrote this poem to make people realise that life is not all about sex and all that. But to acknowledge that many people have died of HIV and AIDS and that it many children have been left alone to sometimes take care of their families, teenagers and brothers. HIV is a very out in the open disease that people have to protect themselves from. They say abstinence is a better way to increase a better future of a HIV free generation. All I am saying is, don’t let things that are being said about you offend you. Just take it and put it into a better understanding and let go of it. And don’t let your past determine what you are bound to be in the future.” “ Ity tononkalo ity dia momba ny SIDA. Nanoratra ity tononkalo ity aho mba hahatonga ny olona hahatsapa fa tsy momba ny firaisana ara-nofo sy izany rehetra izany ny fiainana. Saingy manaiky fa maro ny olona maty noho ny VIH sy Sida ary maro ny ankizy navela irery mba hikarakara ny fianakaviany, ny zatovo ary ny rahalahiny. Ny VIH dia aretina ivelany tsy maintsy iarovantena. Milaza izy ireo fa ny fifadiana amin'ny firaisana ara-nofo no fomba tsara kokoa hanatsarana ny hoavin'ny taranaka tsy misy VIH. Ny lazaiko dia, aza avela handratra anao ny zavatra lazaina momba anao. Alaivo izany dia takaro tsara fotsiny ary avelao handeha. Ary aza avela hamaritra nynamarina ny zavatra niainanao tamin'ny ho avy ny niainanao. “ And the Nation Shall Die As I fall to the night I hear a cry A cry of a nation She’s gone What has become of our nation? For an orphan has been left Left to fend for itself Too many promises More talk Less work We were friends You know my status You run away You tell the nation They say ‘a friend in need is a friend indeed.’ I saw a future, a bright future But it never came I saw a great success; success that disappeared I saw a nation, a beautiful nation Which turned me into a slave A beautiful nation that became so cruel It turned me into a victim And the nation shall die It shall die in the night For a disease that eats you alive has risen And the nation shall die All Rights Reserved Ary ho faty ny firenena Rehefa lavo amin'ny alina aho Maheno fitarainana aho Fitarainan'ny firenena Lasa izy Inona no hiafaran'ny firenentsika? Fa misy kamboty iray sisa tavela Hivelatra ho azy Fampanantenana maro be Resaka be dia be Tsy dia miasa loatra Mpinamana izahay Fantatrao ny momba ahy Mandositra ianao Lazainao amin'ny firenena Milaza izy ireo fa ‘ny namana manampy no tena namana.’ Nahita hoavy aho, hoavy mamirapiratra Saingy tsy tonga mihitsy izany Nahita fahombiazana lehibe aho; fahombiazana izay nanjavona Nahita firenena iray aho, firenena mahafinaritra Izay namadika ahy ho andevo Firenena mahafinaritra izay nanjary lozabe Nanjary niharam-boina aho Ary ho faty ny firenena Ho faty amin'ny alina izy Noho ny aretina izay mihinana anao Ary ho faty ny firenena Voaaro amin'ny zon'ny mpamorona Nanatontosa tononkalo momba ny VIH / SIDA nalaina horonantsary tao amin'ny Tanàna Umzinyahi akaikin'i Durban, Afrika Atsimo ny ankizivavy iray mipetraka ao amin'ny Tranon'i Sihawukelwe Lauren fitaizana ankizy kamboty noho ny SIDA any Afrika Atsimo. Ankizy avy ao Kenya nanao tononkalo “SIDA no anarako” ao amin'ny lahatsary eto ambany ho an'ny Global Health Council Ao amin'ny bilaogiko manokana Kenyan Poet , tononkalo iray manome ny dika feno vaovao ny SIDA, “ Ny tsy firaharahian'i Afrika ny Fiarahamonina Miala Aina” na “ Africa's Ignorance of A Dying Society” (AIDS) I have always thought that scientists are the most bright people Most learned, most elite, most Einstein Staining our bleached minds with the power foam Performing studies, research and forming powerful opinions About matters of matter, anti matter, apples and samples My thoughts on History’s Invented Views (HIV) have been molded by them But no matter how much I want to agree with them on the cause Like Newton's scoffers, I vehemently ridicule this theory. Once upon a time, there was a man The man was walking in the forest one day When he came upon a monkey When the man saw the monkey, He thought to himself, “Now that monkey looks sexy” “I bet its female” And so he went closer, And sure enough, the monkey was a she A smirk cut right across his face A bright bulb light his dark black brain His black thoughts went on over drive “Hey monkey, what do u say, me and you…………….” The rest as they say is HIVstory, the HIV story Read the rest of the poem here Nieritreritra foana aho fa ny mpahay siansa no olona mamirapiratra indrindra Ny nianatra indrindra, ny sangany indrindra, ny Einstein indrindra Mandoto ny saintsika nodiovina tamin'ny vovon-tsavony mahery vaika Manao fanadihadiana, fikarohana ary mamolavola hevitra matanjaka Momba ny raharahan'ny raharaha, manohitra ny raharaha, ny paoma sy ny santionany Novolavolain'izy ireo ny eritreritro momba ny fomba fijery noforonin'ny tantara “History’s Invented Views” (VIH) Tsy maninona izay haben'ny faniriako hanaiky azy ireo amin'izany Tahaka ireo mpaneso an'i Newton, dia maneso mafy ity teoria ity aho. Indray mandeha dia nisy lehilahy iray Nandeha tany an'ala indray andro izy Rehefa tonga teo amin'ny gidro izy Rehefa hitan'ilay lehilahy ilay gidro, Nieritreritra ny tenany izy, “Ankehitriny toa sexy ilay gidro” “Miloka amin'ny vehivaviny” aho Ary dia nanatona akaiky izy, Ary azo antoka fa, vehivavy ilay gidro Tsikitsiky manerana ny tarehiny Jiro mamirapiratra mandrehitra ny atidohany mainty mainty Mitohy ny eritreritriny ratsy “Hey gidro, inona no lazainao amiko sy ianao …………….” Ny ambiny lazainy dia ny tantaran'ny VIH, ny tantaran'ny VIH Vakio eto ny ambin'ny tononkalo
https://mg.globalvoices.org/2018/09/28/126928/
Madagasikara: Ary rehefa eo am-pelatanan'ny tafika ny fitondrana ?
2018-09-28T02:20:07
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanaitra an'i Madagasikara ny vaovao momba ny fikomiana tao amin'ny toby miaramila iray teto Antananarivo ny 10 Martsa 2009. Niparitaka tany amin'ny toby miaramila hafa ny fikomiana nanomboka tamin'izay ary nametra-pialana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Vice-Amiral Mamy Ranaivoniarivo. Voatendry hanolo io toerana io i Mamy Ranaivoniarivo herinandro vitsivitsy monja taorian'ny fametraham-pialan'i Cécile Manorohanta taorian'ny rà mandriaka ny 7 Febroary 2009 , rehefa nikasa ny hiditra ny lapam-panjakana ny mpanao fihetsiketseha avy amin'ny mpanohitra Andry Rajoelina  “TGV” ary voalaza fa nitifitra azy ireo ny mpiambina ny filoham-pirenena. Araka ny loharanom-baovao, noterena hametra-pialana ny Vice-Amiral Mamy Ranaivoniarivo, raha notanan'ny miaramila mpikomy izay nanery azy hanoratra taratasy ary hamaky izany nandritra ny valan-dresaka an-gazety izy. Nitatitra izany ny BBC : Il a lu une brève lettre de démission devant les reporters, mais a sous-entendu plus tard qu'il avait pu être contraint à quitter son poste. “Peut-être que j'ai démissionné sous la menace. Je n'aime pas que les Malgaches s'entretuent” a-t-il dit”. Namaky taratasy fametraham-pialana fohy teo anoloan'ireo mpanao gazety izy, saingy nilaza izy avy eo fa noterena hametram-pialana. “Angamba niala aho noho ny fandrahonana. Tsy tiako hifamono ny samy Malagasy, “hoy izy. Naneho hevitra momba ity fametraham-pialana ity ilay bilaogera Jentilisa: “Nandritra ny tontolo maraina izy no nohidiana birao, sady nohidiana rahateo vavahady fidirana ao amin'ny minisitera tsy nahafahany mivoaka. Efa karazana “gadra” izy izany raha tsy “takalon'aina”. Mampalahelo ny mahita fa ny ambany grady indray no mibaiko ny manamboninahitra jeneraly, ary nisy aza ny nandrahona azy, ka teo anatrehan'ny mpanao gazety no nanatanterahana izany fandrahonana izany indray (ankoatra izay tany amin'ny birao any). Maty hasina ny sata repoblikana, mitamberina an-tsaina ihany koa ny fanaon'ny mpampihorohoro any amin'ireny sarimihetsika ireny.” Taorian'ny fialany, namoaka fe-potoana farany ny lehiben'ny tafika : “Nous implorons tous les acteurs politiques, la société civile et les autres partis de se réunir immédiatement pour trouver une solution au cours des prochaines 72 heures pour sortir la nation de la crise actuelle,” a dit le Général Rasolomahandry. “Miangavy ny mpisehatra ara-politika rehetra izahay, ny fiarahamonim-pirenena ary ny antoko hafa mba hiara-hivory avy hatrany hahitana vahaolana ao anatin'ny 72 ora mba hamoahana ny firenena amin'ny krizy amin'izao fotoana izao,” hoy ny Jeneraly Rasolomahandry. Ny 11 Martsa 2009, nofehezin'ny lehiben'ny mpikomy, ny kolonely Ndriarijaona ny tafika : “Le colonel André Ndrianarijaona a déclaré aux journalistes mercredi que le chef des armées avait accepté de lui transférer ses pouvoirs. André Ndrianarijaona a déclaré que le  Général Edmond Rasolomahandry avait accepté après moins d'une heure de discussion dans les bureaux du ministère. Edmond Rasolomahandry est parti sans faire de commentaires. Le Président Marc Ravalomanana , qui a nommé Rasolomahandry le mois dernier, n'a pas fait de déclaration dans les instants qui ont suivi. André Ndrianarijaona conduit un groupe de soldats qui ont annoncé au cours du week-end dernier qu'il ne prendraient plus d'ordres du Président. Mercredi, Ndrianarijaona a déclaré que l'armée était derrière lui.” “Nilaza tamin'ny mpanao gazety ny Kolonely André Ndrianarijaona ny alarobia fa nanaiky hamindra ny fahefany taminy ny lehiben'ny tafika . Nilaza i André Ndrianarijaona fa nanaiky ny Jeneraly Edmond Rasolomahandry taorian'ny adiny iray latsaka niadiana hevitra tao amin'ny biraon'ny minisitera. Lasa tsy niteny i Edmond Rasolomahandry . Tsy nisy ny fanambarana avy amin'ny Filoha Marc Ravalomanana, izay nanendry an'i Rasolomahandry tamin'ny volana lasa, taorian'izany. Nitarika ny vondrona miaramila i André Ndrianarijaona izay nanambara nandritra ny faran'ny herinandro fa tsy handray baiko avy amin'ny Filoha intsony izy ireo. Ny Alarobia, nilaza i Ndrianarijaona fa miaraka aminy ny tafika . “ Tsikaritra fa nobahanan'ny miaramila ny arabe, ary nisy vavolombelona nitatitra momba ny tsaho tao amin'ny Twitter fa haka ny ministera ireo mpanohana an'i Andry-TGV . Ny tena nampalahelo, miady eny an-dalambe samy malagasy, ary voalaza fa olona niisa dimy ambin'ny folo no naratra. Namoaka ity sary manaraka ity tao amin'ny bilaoginy i Pakysse . Tena niahiahy momba ny mety ho tohin'ny tantara ireo bilaogera Malagasy . Sahiran-tsaina noho ny mety hisian'ny ady an-trano i Tahina , izay angamba efa nanomboka: “Alors que j'écris, les pillages se poursuivent,  SFOI Tanjombato est maintenant au nombre des lieux pillés. Avec des amis, nous avons parlé à un étranger qui vit à Madagascar depuis huit ans maintenant et prononcé les mots “guerre civile”. Il a dit que les Malgaches sont trop pacifiques et qu'il est difficile d'imaginer une chose pareille ici. J'espère qu'il a raison.” “Raha eto am-panoratana aho dia mitohy ny fandrobana, anisan'ireo toerana voaroba ny SFOI Tanjombato. Niaraka tamin'ireo namana, niresaka tamin'ny vahiny iray izay nipetraka teto Madagasikara nandritra ny valo taona izahay ary nanonona ny teny hoe “ady an-trano” izy. Nilaza izy fa milamina loatra ny Malagasy ary sarotra ny maka sary an-tsaina ny zava-nitranga. Inoako fa marina ny azy. “ Namoaka ny sarin'ny zava-nitranga i Rado . “Voalaza mantsy fa hendry ramalagasy, voalaza fa mandala ny fihavanana sy ny firaisan-kina.   Kanefa inona ny nitranga? Ny andaniny mitady an’i Andry Rajoelina any amin’ny masoivoho frantsay, ny ankilany hanenjika ny PDS Guy Rivo eny Ampasapito sy ny manodidina rehefa tsy nahazo ny zanany teny Ambatobe tao amin’ny sekoly frantsay. Ny miaramila mihoko sy mitokona tsy handray baiko intsony fa hanao “V” amin’ny ratsan-tànana.   Ny mpandroba maneho eo anoloan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa mahantra sy noana ka solosaina sy fahitalavitra no angalarina. Maratra, voa mafy misy koa ny maty. Haringana ve ny firenena? Hahetry ve ny toe-tsaina malagasy sy ireo soa toavina nolalain’ny razana?Inona re ity nataonao raMalagasy ô?! Mahamenatra sy marary toy ny tongo-bakivaky.” Niezaka ny haka vahana manoloana ny krizy i Jentilisa ary nanontany tena raha toa ka tsy lehibe noho ny adin-dRavalomanana sy Rajoelina ho eo amin'ny fitondrana ny olana. Inona no avelantsika eto? Nahoana no mikomy ny miaramila? Miresaka momba ny Tantara izy ary mahita ny fitovizana tamin'ny fikomian'ny tafika nandritra ny ady teo amin'i Madagasikara sy Frantsa tamin'ny taona 1885 (amin'ny teny Malagasy). Ady iray izay nifarana tamin'ny faharesen'ny Malagasy, ny fanovàna an'i Madagasikara ho eo ambany fitondran'ny Frantsay, ary avy eo ny fanjanahantany. “Toa tsy niraharaha ny ady loatra ny mpitari-tafika Malagasy, indrindra fa tamin’ireo Jeneraly efa nananan’ny Malagasy ihany koa. Teo Andriba ihany no mba nisy karazana ady mafana teo amin’ny Malagasy, fa ny ankoatra izany dia tena tsy nisy na inona na inona nataon’ireo tafika mihitsy. Inona no antony? Ela nitondrana loatra manko ny praiminisitra Rainilaiarivony ka efa bebe ihany ireo tsy tia azy. Ny andaniny efa mpankasitraka ny Frantsay koa faly kokoa mahita an’i Rainilaiarivony fa jamba teo amin’ny fijerena ny hoe ho lasan’ny Frantsay anie i Madagasikara fa sombintsombiny ihany no omeny anao izay faly tsy mahita fa ny fiandrianam-pirenena Malagasy no rava fa tsy hoe Rainilaiarivony ihany no miongana”. Nampatsiahy ny tantara momba ny anjara asan'ny tafika ihany koa i Tomavana : “Alors que les jours passent, la liste des victimes des troubles à Madagascar continue à s'allonger. A Genève aussi, l'armé avait tiré sur des manifestants. La différence est que les Genevois ont tiré la leçon de l'Histoire : l'armée suisse n'est pas entrainée à maintenir l'ordre public, l'armée est faite pour défendre le pays au cours d'une guerre.” “Rehefa mandalo ny andro dia mitombo hatrany ny lisitr'ireo niharan'ny korontana eto Madagasikara. Tao Genève ihany koa, nitifitra ireo mpanao fihetsiketsehana ny tafika. Ny fahasamihafana dia hoe ny Genevans dia nianatra ny lesona momba ny tantara: ny tafika Soisa dia tsy nampiofana hitazona ny filaminam-bahoaka, ny tafika dia natao hiaro ny firenena mandritra ny ady. Nandritra izany fotoana izany, nambaran'ny iraky ny Firenena Mikambana fa eo ambany fiarovan'ny Firenena Mikambana ny mpitarika ny mpanohitra  Andry TGV, kanefa nandà izany ny foiben'ny Firenena Mikambana taorian'izay ary nanamafy fa eo ambany fiarovan'i Frantsa i Andry TGV ary nanambara ny manampahefana tao amin'ny Masoivohon'i Frantsa fa eo am-pelatanan'ny Fiangonana Katolika i Andry TGV ankehitriny, kanefa araka ny loharanom-baovao hafa, dia tany amin'ny toerana tsy fantatra izy mba hiarovana ny tenany. Toa niverina soa aman-tsara, tao an-tranony tany Ambatobe anefa izy ary narovan'ny mpikomy ary nandà ny handray anjara tamin'ny fifanakalozan-kevitra nasionaly izay napetraky ny Firenena Mikambana sy ny hery tandrefana mba hiarovana azy! Namoy ny tranony izay main'ny afo sy norobain'ireo mpanohana an'i Andry-TGV ny ben'ny tanàna vaovaon'Antananarivo, izay notendren'ny filoha. Ary nosakan'ny tafika tsy hiditra ny fiaramanidin'ny filoham-pirenena i Marc Ravalomanana, izay voalaza fa handositra ny firenena. Nisy mpanohana an'i Marc Ravalomanana nanao hetsi-panoherana teo ivelan'ny Masoivohon'i Frantsa manohitra ny fitsabahany amin'ny raharahan'ny Malagasy. Nanontany tena i Solofo raha midika ho fanohanana ny fanonganam-panjakana avy amin'ny Firenena Mikambana sy i Frantsa ny fiarovana nomen'izy ireo an'i Andry : “Ainsi Andry s'est fait exfiltré à la Résidence de l'Ambassadeur de France et ceci sous la ‘protection’ de l'ONU ; du jamais vu dans la gestion des différents crises politiques dans le monde d'autant plus que l'ONU et les autres organisations internationales comme l'OUA ont toujours prôné  le respect des Institutions comme principe de base. Est-ce un signal officiel de soutien à l'insurrection et au coup d'état en cours à Madagascar par l'ONU ?…Cette ‘protection’ ne constitue pas un support officiel au Coup d'état mais un moyen de pousser tout le monde à s'entendre pour esquisser ensemble une ‘cohabitation’ à tous les étages (au gouvernement, au Sénat et dans des instances de contrôle ad-hoc qui seront créés pour prendre en compte les revendications de l'opposition), et ceci, tout en respectant la Constitution et les échéances électorales.” Niditra an-tsokosoko tao amin'ny toeram-ponenan'ny Masoivoho Frantsay i Andry ary teo ambany fiarovan'ny Firenena Mikambana izany; tsy mbola nisy toy izany teo amin'ny fitantanana ireo krizy ara-politika isan-karazany maneran-tany, indrindra fa ny Firenena Mikambana sy ireo fikambanana iraisam-pirenena hafa tahaka ny OUa dia nanohana foana ny fanajana ny andrim-panjakana ho fitsipika fototra. Fanohanana ofisialy ho fanohanana ny fanenjehana sy ny fanonganam-panjakana amin'izao fotoana izao ve eto Madagasikara? … Ity fiarovana ity dia tsy fanohanana ofisialy ny fanonganam-panjakana fa fomba iray hanosehana ny rehetra hanaiky ny hanoritra ny “fiaraha-mitantana” any amin'ny ambaratonga rehetra (ao amin'ny governemanta, ao amin'ny Antenimieran-doholona ary eo amin'ny sehatra fanaraha-maso adhoc izay ho entina hanohanana ny fangatahan'ny mpanohitra), ary izany rehetra izany amin'ny fanajana ny lalàm-panorenana sy ny fe-potoana voalazan'ny fifidianana. “ Nalahelo ihany koa i Solofo fa Ravalomanana, izay niala tsiny ampahibemaso noho ny fahadisoana nataony nandritra ny fito taona nitondrany, dia niandry fotoana ela loatra vao niaiky ny hadisoany: ” Cette solution a été et reste la seule voie raisonnable et bénéfique pour le pays d'autant plus qu'apparemment Ravalomanana a finalement décidé de faire son auto-critique en public aujourd'hui. Bien entendu, il faut le voir en action dans les jours et mois à venir mais je trouve dommage qu'il ait mis tant de temps avant de muer. “ “Ity vahaolana ity dia sady mbola sisa ihany no fomba tsara sy mahasoa ho an'ny firenena, indrindra fa raha toa ka toa nanapa-kevitra ny hanao ny fanakianany ny tenany amin'ny fomba ofisialy ankehitriny ny Ravalomanana. Mazava ho azy fa tsy maintsy ho hita eo amin'ny asa izany mandritra ny andro sy volana ho avy, saingy hitako fa mampalahelo fa ela loatra vao miova . “ Tezitra mafy i Jentilisa raha nahare fa nahita fialofana tao amin'ny Masoivoho Frantsay i Andry-TGV : “Raha niainga ny mpiaro ny ara-dalàna teny Mahamasina dia ny hitaky ny hanalana an'i Andry TGV any amin'ny Ambasady Frantsay no antony, sy ny tsy hitsabahan'i Frantsa amin'ny raharahan-tokantranon'i Madagasikara. Mampihomehy indrindra manko raha olona “nialokaloka” teo alohaloha teo no afaka mandehandeha soa aman-tsara eto Madagasikara, afaka mikabary amin'ny famoriana olona eto Madagasikara, nefa mody any amin'ny masoivoho Frantsay rehefa avy eo. Tsy nitsipaka ny vaovao rahateo moa ny fitondrana Frantsay fa dia nilaza ny hanalana azy fotsiny avy eo. Dia io fa feno miaramila mpioko io manodidina ny tranony eny Ambatobe amin'izao fotoana izao.” Valo volana lasa talohan'izay no nandroahan'i Marc Ravalomanana an'i Gildas Le Lidec, ambasadera Frantsay teto Madagasikara. Nihevitra izy fa “mitondra vitan-dratsy” ity diplaomaty ity noho ny fironana isian'ny fanonganam-panjakana sy famonoana olona amin'izay firenena Afrikana andalonany….
https://mg.globalvoices.org/2018/09/28/126812/
Fankalazana ny Ashura manerantany
2018-09-28T00:54:30
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2011) Muharram, volana voalohany amin'ny alimanaka Islamika, no fotoam-pisaonana ho an'ireo Silamo Shiita. Mandritra izany volana izany, dia mankalaza ny fahafatesan'i Husain, zafikelin'ny Mpaminany Mohammed sy ny Imam shiita fahatelo, ao amin'ny Ady tao Karbala izy ireo. Tonga amin'ny fara-tampon'ny Ashura, andro fahafolo amin'ny volana ny lanonana fisaonana. Ao anatin'ity lahatsoratra ity isika hijery ireo fombam-pivavahana Ashura isan-karazany manerana izao tontolo izao, ary mamaritra ny dikan'ny Ashura ho azy ireo ny bilaogera. Tamin'ny herintaona nandritra ny Muharram, nandrakitra an-tsarintany ny fahatsiarovana tao amin'ireo firenena isan-karazany ilay bilaogera Pakistaney Fahad Desmukh: Jereo amin'ny saritany lehibe kokoa ny The Globalization of Muharram Fahad namoaka lahatsoratra miaraka amin'ny sarintany: The map is far from exhaustive, as there are literally thousands of Muharram videos on Youtube from all over the over the world. I've just selected a few that show the wide diversity of the rituals as they have spread around the world. The map and videos quite neatly reflect the migration and displacement patterns of people from the time of the events of Karbala in 680AD to all corners of the globe today. It also shows something about how rituals and tradition are defined, and then continuously moulded by time and migration. So, for example, here is one path taken. The rites travelled east from Iraq, across Persia, to North India sometime between 1300 and 1700 AD. Although Shi'ite Muslims claimed ownership of the rites, in India Sunnis and even Hindus were active participants. Tsy tonga lafatra ny sarintany, satria misy lahatsary Muharram an'arivony manerana izao tontolo izao ao amin'ny Youtube. Vao nifidy vitsivitsy aho izay mampiseho ny fahasamihafana lehibe isan-karazany amin'ny fombafomban'izao tontolo izao. Ny sarintany sy ny horonan-tsary dia mampiseho tsara ny fifindra-monina sy ny fifindra-toeran'ny olona nanomboka tamin'ny lanonana Karbala tamin'ny taona 680AD manerana izao tontolo izao. Maneho ny fomba famaritana ny fomba amam-panao sy ny fomban-drazana ihany koa izany, ary avy eo novolavolain'ny fotoana sy ny fifindra-monina hatrany. Noho izany, ohatra, misy lalana iray nalaina. Nandalo ny atsinanana avy any Iraka, manerana an'i Persia, hatrany avaratr'i India ny fombafomba teo anelanelan'ny taona 1300 sy 1700 taorian'i JK. Na dia nanambara aza ny Miozolomana Shiita fa izy ireo no tompon'ny fombam-pivavahana, dia mpandray anjara mavitrika ihany koa ny Sonita India ary koa ny Haindò mihitsy. Ao Maorisy, fantatra amin'ny hoe Ghoon ny Ashura. Ity lahatsary navoakan'ilay mpisera Youtube, MrKheiz ity no mampiseho ny Ghoon tamin'ny Desambra 2010: Fahad nanoratra hoe: During the days of the British Raj, thousands of Indian indentured labourers travelled to far flung regions of the British Empire, such as Fiji, Mauritius and the Caribbean Islands, taking these rituals with them. In Trinidad, the rites became known as the festival of Hosay, in which not only Sunnis and Hindus participated, but also Afro-Trinidadians. In Trinidad, the Dhol-Tasha drums (referred to as ‘Tassa’) and Tazias (‘Tadja’) can still clearly be seen. Nandritra ny andron'ny Raj Britanika, mpiasa Indiana an'arivony manana fifanarahana arak'asa no nankany amin'ny faritra lavitry ny Fanjakana Britanika, toa an'i Fiji, Maorisy ary ny Nosy Karaiba, ka nitondra ireny fombafomba ireny niaraka tamin'izy ireo. Tany Trinidad, nanjary fantatra toy ny fetiben'i Hosay ny fombafomba, izay tsy ny Sonita sy ny Haindò ihany no nandray anjara, fa koa ny Afro-Trinidadiana. Ao Trinidad, mbola hita tsara ihany koa ny amponga Dhol-Tasha (antsoina hoe ‘Tassa’) sy ny Tazias (‘Tadja’). Lahatsary avy amin'i RajkumariCC tao amin'ny YouTube, 31 Desambra 2009. Ao Qatif any atsinanan'i Arabia Saodita, bilaogera Mujtaba Alsaif nanoratra momba ny traikefany tamin'ny Ashura : The days of Ashura are always filled with a lot of activities in Qatif. Stepping into Qatif during this season, the visitor can't help but realize that there is something happening. This activity can consume the individual's time positively as he can visit the many lectures that may hold a significant value, or attend a session of a Latmiya [recitations commemorating the days of Ashura] to understand this region's struggles during a specific period, or just to walk around and discuss with the people to gather their understanding of these blessed days and what Imam Hussain's sacrifice means to them. Muharram in Qatif has always been special to me because it is truly a season that brings people of the region together and abolishes the negativity they have for one another. Matetika feno hetsika marobe ny andron'ny Ashura ao Qatif. Amin'ny fidirana ao Qatif mandritra ity vanim-potoana ity, tsy maintsy mahita ireo mpitsidika fa misy ny zavatra mitranga. Mety handany fotoana be ho an'ny olona ity lanonana ity satria afaka mitsidika ireo lahateny maro izay mety hitondra lanja lehibe ho azy izany, na manatrika ny fivoriana ataon'ny Latmiya [tsianjery fahatsiarovana ny andron'ny Ashura] mba hahatakarana ny tolon'ity faritra ity nandritra ny fe-potoana manokana, na mandehandeha fotsiny sy miresaka amin'ny olona mba hanangona ny fahatakaran'izy ireo mikasika ireo andro voatahy ireo sy ny dikan'ny sorona nataon'i Imam Hussain ho azy ireo. Tena manokana ho ahy foana ny Muharram ao Qatif hatramin'izay satria tena vanim-potoana mampivondrona ny olona ao amin'ny faritra ary manafoana ny tsy fifankahazoanan'izy ireo. Fahatsiarovana ny Ashura tao Ghana navoakan'ny Asad1969 tao amin'ny YouTube tamin'ny 30 Jolay 2010: http://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=y6xVB-jEcsA Ao Atlanta any Etazonia, bilaogera Taahira Abdul-Halim nametraka ny eritreriny : Without Imam Hussain's sacrifice, I would be just like all of the others in the world who wander like drones on this Earth, passing time, questioning their existence, seeking to find temporary satisfaction in trivial things. I wouldn't have Islam. The single most imprtant aspect of my life. The single most important part of being me. I'm starting to get a little bit emotional now because I just know how awful it would be to not have Allah swt [Subhanahu wa ta'ala – may He be glorified and exalted] in my life. Raha tsy misy ny sorona nataon'i Imam Hussain, dia ho tahaka ireo olon-drehetra eto amin'izao tontolo izao izay mirenireny tahaka ny drôna eto amin'ity tany ity aho, mandany fotoana, manontany ny fisiany, mikatsaka ny hahita fahafaham-po vetivety amin'ny zavatra tsy misy dikany. Tsy ho manana ny islamo aho. Ny lafiny lehibe indrindra amin'ny fiainako. Ny ampahany manan-danja indrindra amin'ny maha-izaho ahy. Manomboka mihetsi-po kely aho amin'izao fotoana izao satria fantatro fa tena mahatsiravina ny tsy hanana an'i Allah swt [Subhanahu wa ta'ala – angamba izy no homem-boninahitra sy asandratra] eo amin'ny fiainako. Fahatsiarovana an'i Ashura tany Moskoa, Rosia, navoakan'i djeyxun tao amin'ny YouTube tamin'ny 19 Janoary 2008:
https://mg.globalvoices.org/2018/09/28/126832/
Feo avy any Nizeria sy Ghana
2018-09-28T00:35:58
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Oktobra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nitatitra ny fianjeran'ny fiaramanidina Belleview tany Nizeria i Chippla . Niresaka ny ora vitsy nianjeran'ny fiaramanidina izy. Namoaka ny fitantarana momba ny fanehoan-kevitr'ireo Nizeriana momba ny Zotra Belleview ihany koa izy sy ny hoe nahoana ny Nizeriana no nihevitra izany ho ilay azo antoka indrindra, mandra-pahatongan'io Alahady mainty io. Nanontany momba ny ezaka  fikarohana nataon'ny Nizeriana i UKNaija , nahoana no nakatona ny fahitalavitra izay nandefa ny toerana nisy ny fanjerana, ankoatra ny hafa. Naneho ny fomba fijeriny momba ireo Nizeriana izay mibahan-toerana be loatra ao an-dohany i Andriamanitra i TRAE days . Milaza amintsika izy fa tsy miresaka ny Nizeriana raha tsy mampiditra ny fihetseham-pon'Andriamanitra. Nanome ohatra ireo karazan'olo-malaza ao amin'ny firenena izay nanonona an'Andriamanitra tao anatin'ny lahateniny izy raha tokony “hiresaka tsotra fotsiny” izy ireo. Nitatitra momba ilay mpisolovava miaro ny zon'olombelona Nizeriana, Ramatoa Hauwa Ibrahim izay nahazo loka ho an'ny “fahalalahan-tsaina” i Black Looks. Nitatitra ny fanadihadiana nataon'ny Toxic Trade Watchdog , Basel Action Network (BAN) i Abuja City ary nanamarika an'i Nizeria ho toy ny fanariam-pako nomerika amin'ny rafitra solosaina lany andro sy manimba ny tontolo iainana. Manokatra ny maso ity lahatsoratra ity, indrindra fa mitombo ny isan'ireo mpampiasa solosaina ao amin'ny firenena amin'izao fotoana izao. Mbola miaraka amin'ny resaka solosaina ihany, i Timbuktu Chronicles nitatitra ny “teny feno fitiavan-tenan'ny mpitondrantenin'ny Microsoft Nigeria, tsy mila ny Rindrambaiko Maimaimpoana Open Source i Afrika”. Nahoana? Araka ny filazan'i Microsoft hoe “Afaka manome ny olona rindrambaiko na solosaina maimaimpoana [malalaka] ianareo, saingy tsy manana ny traikefa amin'ny fampiasana izany izy ireo”. Satria tsena goavana tsy voatrandraky ny Microsoft i Afrika. Mazava avy amin'ireo fanambaràna ireo fa miomana amin'ny fanoherana ny famoahana ny rindrambaiko open source avy amin'ny FOSS izay efa nialoha lalana amin'ny maha-malalaka sy maimaim-poana azy izy ireo. Miresaka ny diany tany amin'ny faritra avaratr'i Ghana ny Ghana Journal . Miresaka ny fiainan'ny mponina eny amin'ny tranobongo Ghaneana sy ireo olana atrehin'ny mponina ny lahatsorany. Notateriny ny hetsiky ny Federasionan'ny Mponina Ghaneana Tsy Manan-kialofana, tambajotra iray tarihan'ny vondrom-piarahamonina avy amin'ny tranombongo manerana ny firenena mba hanampiana ny vahoaka eny an-toerana. Manana sary mahaliana ihany koa izy.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/28/126820/
Mamakivaky ny afovoan-tsenan'i Kumasi
2018-09-27T23:35:24
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Video montage of a walk through one of the largest open-air markets in Africa. Shot and edited on July 23, 2005. Music by Ghanaian drummer Obo Addy, from his album Afieye Okropong , used with permission from Alula Records . Mamakivaky ny afovoan-tsenan'i Kumasi Lahatsary iray notontosaina mampiseho ny famakivakiana ny iray amin'ireo tsena lehibe indrindra an-kalamanjana ao Afrika. Nalaina ary novolavolaina tamin'ny 23 Jolay 2005. Avy amin'ny mpitendry aponga Ghanaina Obo Addy ny mozika, nalaina tao amin'ilay rakikirany Afieye Okropong ary nahazoana alalana avy amin'i Alula Records . Podcast: Play in new window | Download
https://mg.globalvoices.org/2018/09/27/126826/
Ireo mpitsoa-ponenana Liberiana ao Buduburam
2018-09-26T23:46:15
Unknown
(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Video documentary of my July 2005 visit to the Liberian refugee camp in Buduburam, Ghana. I learn about the challenges faced by Liberians forced to flee their homeland, as well as some of the training programs available to them. I visit one of the camp's telecentres, as well as an women's literacy support group. Music used with permission of Alula Records . Sivy minitra, 50 megabytes. endrika miadana (20 megabytes): http://www.andycarvin.com/video/refugees-low.mov Mpitsoa-ponenana Horonantsary fanadihadiana momba ny fitsidihako ny tobin'ny mpitsoa-ponenana Liberiana ao Buduburam, Ghana ny volana Jolay 2005 . Hitako ny olana atrehin'ireo Liberiana voatery nandositra ny tanindrazany, ary ny sasany tamin'ireo fandaharanasa fampiofanana azon'izy ireo atao ihany koa. Namangy ny iray tamin'ireo foibe ho an'ny teknolojia tao amin'ny toby aho, sy ny vondrona fanohanana ny fahaizana mamaky teny sy manoratra ho an'ny vehivavy ihany koa. Mozika nahazoana alalana avy amin'i Alula Records . Sivy minitra, 50 megabytes. Podcast: Play in new window | Download
https://mg.globalvoices.org/2018/09/26/125801/
Vehivavy roa sahy nanohitra ny filoha Roandey Paul Kagame
2018-09-26T06:33:16
Unknown
Kandidàn'ny fanoherana Victoire Ingabire miandry ny mpitsara ao amin'ny Fitsarana Tampony Kigali. Avy amin'i kigaliwire.com tao amin'ny Flickr, nahazoana alalana: Attribution Non-Commercial 2.0 Generic (CC BY-NC 2.0). Tamin'ny taona 2015, nanara-maso ny fanavaozana ny lalàm-panorenana ahafahany mirotsaka hofidiana indray amin'ny fe-potoam-piasana fahatelo ny filohan'i Rwanda Paul Kagame, miantoka ny andraikiny maha-filoham-pirenena hatramin'ny 2034. Nandritra ny fitarihan'i Kagame, niala tamin'ny firenena haolon'ny vono olona taloha ho firenena iray maoderina sy ny miroso ho amin'ny fampandrosoana i Rwanda. Na dia izany aza, niteraka fitomboan'ny famoretana maharitra ny zon'olombelona sy ny fahalalahana maneho hevitra ny fanovàna manamarika an'i Rwanda. Mampiseho fifangarihana tanteraka amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny fahamaroana antoko politika ary ahitana famonoana ivelan'ny fitsarana, ny fitazonana tsy ara-dalàna, ny fikarakarana ratsy sy fampijaliana ny olom-pirenena ny tatitra 2017 nataon'ny Human Rights Watch momba an'i Rwanda . Any am-ponja ankehitriny ireo vehivavy roa izay samy nanohitra an'i Kagame amin'ny maha-kandidàn'ny fanoherana hofidiana ho filoham-pirenena azy ireo, Victorie Ingabire sy Diane Rwigara, noho ny filazan'ny maro fa fiampangana namboamboarina mba hanampenam-bava ny feon'ny mpanohitra. 2010, Victoria Ingabure (1st pic) wanted to run for Presidency of Rwanda as sole opposition candidate to DICTATOR @PaulKagame , she was arrested, jailed for 15yrs. 2017, Diane Rwigara (2nd) wanted to run for Presidency, arrested, now facing 20yrs. Rise up WOMEN #FreeDianeRwigara pic.twitter.com/IiAeCwj2iu — Abraham Mutai (@ItsMutai) August 25, 2018 2010, te-hirotsaka hofidiana filohan'i Rwanda izay kandidà tokana mpanohitra ny MPANAO DIDY JADONA @PaulKagame I VIctoria Ingabure (sary voalohany)? nosamborina izy ary higadra mandritra ny 15 taona. 2017, te-hirotsaka hofidiana filoham-pireenna i Diane Rwigara (2), nosamborina izy, ary miatrika sazy an-tranomaizina 20 taona ankehitriny. Mitsangàna ry vehivavy #FreeDianeRwigara Victoire Ingabire Victoire Ingabire. Sary nahazoana alalana avy amin'ny Naman'i Victoire.Victoire Ingabire. Photo used with permission from Friends of Victoire. Niverina tany Rwanda avy any Holandy (izay nonenany nandritra ny 16 taona) i Victoire Ingabire tamin'ny Janoary 2010 mba hirotsaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena 2010. Tamin'io taona io, Ingabire no Filohan'ny Hery Demokratika Mitambatra (FDU-Inkingi) tany Rwanda. Ny heloka nataony, araka ny filazan'ny Friends of Victoire , dia nanomboka tamin'ny kabariny tao amin'ny Foiben'ny Fahatsiarovana ny Fandripahana ao Kigali: On 16 January 2010, her first day in the country after 16 years abroad, she made a speech at the Genocide Memorial Centre in the capital, Kigali, and laid a remembrance wreath. Her speech, which referred to problems with reconciliation and ethnic violence, addressed issues that are rarely discussed openly in Rwanda. Victoire Ingabire was arrested in April 2010. She was bailed on house arrest and prevented from leaving Kigali. She was subsequently re-arrested on 14 October 2010 and was remanded in pre-trial detention. Tamin'ny 16 Janoary 2010, andro voalohany nandehanany tao amin'ny firenena rehefa 16 taona nonina tany ivelany, nanao lahateny tao amin'ny Foiben'ny Fahatsiarovana ny Fandripahana tao an-drenivohitra Kigali izy, ary nametraka fehim-boninkazo fahatsiarovana. Niresaka momba ireo olana izay zara raha resahina mivantana any Rwanda ny lahateniny, izay miresaka momba ny olana amin'ny fampihavanam-pirenena sy ny herisetra ara-poko. Nosamborina tamin'ny Aprily 2010 i Victoire Ingabire. Navotsotra izy rehefa nandoa onitra ary tsy navela niala tao Kigali. Nosamborina indray izy avy eo tamin'ny 14 Oktobra 2010 ary nogadraina vonjimaika. Teo anelanelan'ny taona 1994-1995, niaritra fandripahana i Rwanda izay nahitana ireo foko Hutu sy Tutsi, notarihan'ny Hutu nasionalista niditra tamin'ny vono olona faobe. Efa ho olona Tutsi 800.000 no novonoina tao anatin'ny herintaona. Namoy ny ampahatelon'ny mponiny ihany koa ny vahoaka Twa , vondrom-piarahamonina tompotany. Vokatry ny fandripahana, efa ho roa tapitrisa ireo mponin'i Rwanda, izay foko Hutu ny ankamaroany, nandositra nankany amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo (RDC) mitady fialofana noho ny herisetra. Niteraka habibiana mikendry indrindra ireo foko Hutu an'arivony ny fananiham-bohitr'i Kagame tany amin'ny RDC niaraka tamin'ireo Tafi-piarovana Rwandey tarihan'ny Tutsi. Namoaka lalàna maromaro mandràra ny “foto-kevitra vono olona”, ny “fanaovana ho tsinontsinona ny fandripahana olona” ary ny “fitsipahana ny vono olona” i Rwanda, saingy nanamafy ny Amnesty International fa “lalàna manjavozavo izay mametra fahatany ny fahalalaham-pitenenan'ny vahoaka” ireo Rehefa nanontany i Ingabire, foko Hutu hoe nahoana no tsy misy fahatsiarovana ho an'ireo Hutus mahalala onony izay namoy ny ainy tamin'ny fandripahana, nilaza fa “ iray tamin'ireny tony fihetsika ireny ny anadahiny ,” dia noheverina ho “mpitsipaka ny fandripahana” izy ary avy eo tsy navela hirotsaka hofidiana filoham-pirenena 2010. Tamin'ny taona 2013, nanameloka azy dimy ambin'ny folo taona an-tranomaizina ny Fitsarana Tampony ao Rwanda noho ny: …threatening state security and ‘belittling’ the 1994 genocide. The Supreme Court also pronounced her guilty of spreading rumors intended to incite people to revolt — charges on which she had earlier been cleared. … fandrahonana ny filaminam-pirenena sy ny ‘fandiovana’ ny fandripaham-bahoaka 1994. Nanambara ihany koa ny Fitsarana Tampony fa meloka amin'ny fanaparitahana tsaho izay mikendry ny handrisika ny olona hikomy izy-  fiampangana izay efa nanafahana azy teo aloha. Ny 24 Novambra 2017, nanapa-kevitra ny Fitsarana Afrikanina momba ny zon'olombelona sy ny vahoaka (AfCHPR) fa nanitsakitsaka ny zon'i Victoire Ingabire amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny fanehoan-kevitra i Rwanda, sy ny zony hanana fiarovana ampy. Nanamafy ny fitsarana fa nanitsakitsaka lafiny samihafa amin'ny zony ny fanjakana: Ingabire’s right to various aspects of her defense and to freely express her opinions within the law. The judges found that Ingabire had not minimized the genocide against Tutsis and had not spread false rumors about the government, charges that were central to Ingabire’s conviction by Rwandan courts. Ny zon'ny Ingabire amin'ny lafiny samihafa amin'ny fiarovana azy sy ny fanehoana malalaka ny heviny ao anatin'ny lalàna. Nahita ny mpitsara fa tsy nanamaivana ny fandripahana ny foko Tutsis i Ingabire ary tsy nanaparitaka tsaho momba ny governemanta, fiampangana izay ivon'ny fanamelohan'ny fitsarana Roandey an'i Ingabire. Nirotsaka ho kandidà mahaleotena hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena Rwandey 2017 ilay vehivavy Rwandey mpandraharaha, Diane Shima Rwigara. Ny rainy, Assinapol Rwigara, dia mpamatsy vola lehibe tao amin'ny Manda Tia Tanindrazana Roandey an'i Kagame tamin'ny taona 1990, ary novonoina araka ny famariparitan ‘ny zananivavy ho famonoana olona izy tamin'ny taona 2015. Nilaza kosa ny polisy fa maty tamin'ny lozam-pifamoivoizana izy. Noderaina ho toy ny ‘ famakiana tafo fitaratra ‘ ny fanapahan-kevitr'i Rwigara hifaninana amin'i Kagame. Na izany aza, voaendrikendrika avy hatrany tamin'ny famoahana sary miboridana tao amin'ny media sosialy izy. Nilaza i Rwigara fa namboarina ireo sary ireo mba hanampenam-bava azy. Namoaka ny fanapoahana farany ny faniriany ny vaomieram-pifidianana Rwandey, nilaza fa tsy nahafeno fepetra ny antontan-taratasiny, miampanga an'i Rwigara ho nanao hosoka tamin'ny isan'ireo sonia ilaina mba hirotsahana hofidiana amin'ny fifidianana. Voampanga ho nametraka anaran'olona efa maty ihany koa izy, fiampangana izay nolaviny. Tamin'ny lahatsoratra navoaka tao amin'ny The Washington Post , nanamafy i Rwigara hoe: Screen shot of Diane Shima Rwigara, Rwandan opposition candidate, whose arrest sparked the hashtag #FreeDianeRwigara It’s no longer news that I have been disqualified as a candidate in Rwanda’s presidential election. Unfortunately, Rwandans will not see my name on their polling cards when they go to vote on Aug. 4. President Paul Kagame will eventually be crowned as an undisputed king of Rwanda and will continue to rule the country in a climate of fear and lack of fundamental freedoms. By extending his 23 years in power, Kagame is denying Rwandans an opportunity to experience the first-ever peaceful transition of power in their country. Tsy vaovao intsony fa tsy nahazo alalana ho kandidà hofidiana filoham-pirenena ao Rwanda aho. Indrisy anefa fa tsy hahita ny anarako ao amin'ny kara-pifidianan'izy ireo ny Roandey rehefa handeha hifidy amin'ny 4 aogositra. Ho satrohana voninahitra ho toy ny mpanjaka tsy iadin-kevitra ao Rwanda ny filoha Paul Kagame ary hanohy hitantana ny firenena ao anatin'ny fanjakan'ny tahotra sy ny tsy fahampian'ny fahafahana fototra. Amin'ny fanitarana ny 23 taona naha-teo azy teo amin'ny fitondrany, tsy omen'i Kagame ho an'ny Roandey ny fahafahana voalohany miaina tetezamita milamina amin'ny fahefana ao amin'ny fireneny. Nosamborina i Rwigara tamin'ny herintaona noho ny fiampangana azy tamin'ny “ fitarihana sy hosoka ” ary nalefa tany am-ponja higadra 20 taona. Nogiazana an-katerena ny fananany ary nataon'i Kagame lavanty . Nalefa tany am-ponja ihany koa ny fianakaviany noho ny tsy fandoavana hetra ary maro tamin'ireo mpanohana azy no nitatitra momba ny fanorisorenana azy : Today marks 1 YEAR since Rwandan political activist and presidential aspirant Diane Shima #Rwigara and her mother Adeline were unlawfully arrested on fabricated charges by Rwandan authorities. #FreeDianeRwigara #FreeTheRwigaras #Rwanda — Diane Shima Rwigara (@ShimaRwigara) August 29, 2018 HERINTAONA androany no nisamborana tsy ara-dalàna an'ilay mpikatroka politika sy mpilatsaka hofidiana filoham-pirenena tao Rwanda, Diane Shima #Rwigara sy ny reniny Adeline noho ny fiampangana namboamboarin'ireo manampahefana Roandey Niaina fitomboana ara-toekarena tsara aro teo amin'ny valo isanjato teo anelanelan'ny taona 2001-2014 ny Roandey, araka ny filazan'ny World Economic Forum . Nilatsaka avy amin'ny 57 isanjato  tamin'ny taona 2005 mankany amin'ny 45 isanjato tamin'ny taona 2010 ny Roandey miaina ambany tokonan'ny fahantrana. Ary apetrak'i Kagame ho toy ny mpitarika manerantany amin'ny isan'ny vehivavy ambony indrindra ao amin'ny parlemanta i Rwanda. Na izany aza, nanambara ny ReportsAfrique fa “mety hanohintohina ny laza natsangany ho azy ny fanjakazakan'i Kagame amin'ireo mpanohitra politika”. Nafenina tamim-pahafetsena tamin'ireo mpizahatany sy mpanome fanampiana iraisam-pirenena ny lafiny maha-mpanao didy jadona an'i Kagame. Mitantana milina seraseram-bahoaka voahosotra menaka tsara, fantatra toy ny mpanao didy jadona mpanao asa soa ihany koa izy.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/25/124740/
Momba ny Fanoratana Bilaogy Any Amin'ny Faritra Misy Fifandirana
2018-09-25T05:54:12
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2006) Indray andro, nilaza i Ethan Zuckerman , iray amin'ireo mpamorona ny Global Voices, tao anaty tafatafa iray, fa mila fitserana vao afaka mikarakara toerana lavitra iray izay tsy dia tena mahasarika loatra ny jerin'ny haino aman-jery. Mety avy amin'ny fananana namana akaiky teraka tany, na tamin'ny alalan'ny fitsidihana nataonao tany izany fitserana ho ana ftoerana iray izany. Indraindray, mety ho avy amina soratra manindrona, ampy fanazavàna izay mitondra anao ho any amin'ny toerana iray hafa fotsiny ihany izany. Indraindray, tsy raharahian'ireo haino aman-jery mahazatra sy ireo fiarahamonina blaogera noho ny antony mitovy ireny toerana ireny. Tena sarotra rakofana, tsy vitan'ny hoe noho ny tsy fahampiana lojistika amin'ny resaka herinaratra sy koriana aterineto malalaka fotsiny ihany, fa satria sarotra ihany koa ny mandika tsara ireny zavatra iainana ireny ho an'ny mpamaky antonony izay ny zavatra iainany andavanandro dia, amin'ny fomba maro samihafa, tsy manan-tsahala . Mba toerana koa anie izany Tanànan'i Gulu izany eh. Gulu no vavahady mankany amin'ny avaratra midadasika ao Oganda izay tena nijaly tanteraka noho ireo faritra hafa manerana izao tontolo izao. Fijaliana lehibe sy isan-karazany izany. Nandritra ireo roapolo taona lasa, olona mihoatra ny iray tapitrisa ao avaratra no miaina ao anatin'ny toby natokana ho an'ny Olona Nafindra Monina ao anatin'ny taniny ihany (IDP), matahotra ny fanafihana mety hataon'ny Lord's Resistance Army (LRA) sy ny herisetra asehon'ny fanjakana isanandro. Miady biby fiompy ireo mpiady ao amin'ny faritra tena mikorontana indrindra ao avaratra atsinanan'i Karamoja, amin'ny fampiasana AK-47, ary matahotra daroka baomba an'habakabaka mety hataon'ny fanjakana. Tany amin'ny taona 1930, hita tao amin'ny faritra ny Tsimokaretina Nile Tandrefana ary, tany amin'ny taona 1970, niainany ny valanaretina Ebola . Kanefa ny Tanànan'i Gulu tenany mihitsy no toa mangina hafahafa sy mambabo fo. Tanàna tena voalamina tsara izy io , manaraka ny maritrano Britanika; tony ary mahafinaritra kokoa raha oharina amin'i Kampala izy. Maro ireo olona toa mahery sy mpihevitra ny zava-drehetra ho tsara ary toa samy tia manao soa sy malala-tanana daholo ny olona. Nijanona tsy ela akory izay ireo fanafihan'ny LRA, ary misy fanantenana kely; angamba izay no farany azontsika angatahina taorian'ireo androm-piainana nisian'ny habibiana tsy ankijanona. Ho an'ireo naheno mikasika ny zavadoza tany amin'ny faritra avaratr'i Ogandà, misy tsy fifanoheran-kevitra hafahafa rehefa avy mitsidika ilay toerana. Na eo aza ireo fahasahiranana tsy hay lazaina atrehany eo amin'ny fiainana, mamela antsika hanantena ihany matetika fa olona ireo mpanao ratsy ireo, na dia tsy maneho ny mahaolona mihitsy aza ny fihetsiny. Efa henontsika ireo fanehoankevitra politika maro mikasika ny fifampiraharahana hikatsahana  Fandriampahalemana atao ao Juba nisy teo amin'ny LRA sy ny Fanjakan'i Oganda. Kanefa tsy dia rentsika firy mikasika ny fomba fiainan'ireo olona izay voakasiky ny fifandonana mitsingerina nisy tao avaratra hatramin'ny nahazoana fahaleovantena. Hafahafa izany, satria misy hanihany mandeha ao avaratra ao mikasika ny fomba fieritreretana fa hoe ireo vahoaka ao dia mpandray anjara mpanampy ho an'ireo vahiny mpamokatra sarimihetsika izay maka an-dahatsary ny loza ataon'ny olombelona. Raha toa ka misy ireo lahatsary fanadihadiana vitsivitsy momba izany lohahevitra izany, tena vitsy kosa ireo votoaty an-tambajotra mikasika izany. https://pernille.typepad.com/.shared/image.html?/photos/uncategorized/bad.jpg https://pernille.typepad.com/.shared/image.html?/photos/uncategorized/toilet.jpg Rehefa mipetraka any amin'ny tobina IDP ianao, ao amin'ny toerana kely, tsy misy vola sy tsy misy fahafahana hanana fitaovana – mila mahay mamorona ianao. Tena mahatalanjona ny zavatra afaka averina ampiasaina sy ampiasaina ho an'ny zavatra hafa. Fa tadidio fa natao noho ireo antony ery ambony daholo ny ankamaroan'izany. Fandroana iray vita avy amin'ny zerikàna efa nosokafana ilay sary ao anatin'ny rohy voalohany etsy ambony. ‘fanasana tanana’ kosa ilay sary ao anatin'ny rohy faharoa, izay hanosehanao ny hazo ao ambaniny miaraka amin'ny tongotrao mba tsy hikitihanao ilay zerikàna kely miaraka amin'ny tànana maloto izay avy any an-davaka fivoahana. Tena zavatra alaina am-pahamatorana ny fanasana tanana ety, izany hoe, noho ny kolera. Ao anatina lahatsoratra iray hafa, mandeha mankany Arua i Pernille, ilay tanàna an-tsisintany avaratra iraisana amin'i Sodana. Manoratra izy: Ao Arua, ny fandriampahalemana dia marika, ary satria nanintona ny saiko tamin'iny andro iray iny ny mpamaky iray, ankehitriny fiteny manokana ny hoe ‘resaka fandriampahalemana’ mba hiresahana mikasika ny tsy mitovy fananahana amin'ny tena. Mino aho fa marika tsara. Misy ireo poeta afaka mamoaka ny feon'ireo mijaly. Amin'ny fanoratana ao amin'ny Tononkalo avy amin'ny ady an-trano , asehon'i Chorya antsika hoe hatraiza ireo olona monina ao avaratra no lasa leo sy reraka, Ampy izay. Tohano ny fanapahankevitra amin'ity andro ity - ary ndeha isika hankany amina fandriampahalemana tony sady maharitra toy ito lanitra manjombona ambonintsika ito. Ahilio ho any ambany tsihy ny fahafahambaraka; raiketo an-tsangambato ny fandringanana, raha toa ka voatery ianao, mandra-panafihan'ny henatra azy hiala. Ary ny soritry ny làlany, naseho, hita ireo tsiambaratelo vaovao sy raikipohim-paharetana, natsika avy amin'ny rà feno herisetra. Fotoana izao hisian'ny fandriampahalemana sy ny fifangaroana…
https://mg.globalvoices.org/2018/09/25/124665/
Fisorohana ady Afrikana iray hafa – Fandinihana blaogy mikasika ilay fifandirana Etiopiana-Eritireàna
2018-09-25T05:23:19
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005) Raha toa ka nihaona tamin'ity faran'ny herinandro ity tao Abuja, renivohitr'i Nizeria, ireo Afrikana mpitarika fito mba hiresahana mikasika ny fomba entina hampandrosoana ny kaontinantany, namory tafika teny amin'ny sisintaniny kosa i Etiopia sy Eritrea. Anisan'ireo mpitarika tonga nivory tao Abuja ny Praiminisitra etiopiana Meles Zenawi. Ahiana mafy ny hisian'ny ady eo amin'i Etiopia sy Eritrea. Samy niady mafy ny roa tonta taorian'ny fifandirana momba ny sisintany teo anelanelan'ny taona 1998 ka hatramin'ny 2000 izay nampizana aina an'arivony maro. ‘Nanelanelana’ azy ireo ny Fikambanan'ny Firaisambe Afrikana (OUA) sy ny Firenena Mikambana ary nosoniavina tamin'ny 12 Desambra 2002 ny fifanarahana fandriampahalemana, enina volana taorian'ny fanekena fampitsaharana ady. Noforonina ny Kaomisiona Sisintany Etiopiana-Eritireàna ary nekena ny tolokeviny ary napetraky ny Filankevi-Pilaminan'ny FirenenaMikambana ho tsy maintsy arahana tamin'ny 13 aprily 2002. Toa mbola fiahiahiana no fijery amin'ny ankapobeny manjaka ao amin'ny tontolon'ny blaogy mikasika ny antony mety hiadian'i Etiopia amin'i Eritrea. Nanazava tsara ny Ethiopundit , ohatra, fa ”tsy misy fanamarinana mihitsy handatsahana rà, hatsembohana na ranomaso na iray tete aza, raha ny amin'izay mety ho tsy fitovianevitra eo amin'ny roa tonta.”  Mahita izany ho toy ny fampiesonana avy amin'ny andaniny roa ity farany. Mila ny fijerin'ireo Tandrefana ny fanjakana Eritreàna, hoy izy, ”satria lasa simba ary miatrika fanoherana anaty izay tena mihamitombo be izy amin'izao fotoana izao.” Ny fanjakana Etiopiana kosa etsy ankilany dia te-hanodina ny sain'ireo Tandrefana tsy ho amin'ny firodanan'ny endrika ivelan'ny demokrasia (misy ifandraisany amin”ny fifidianana etiopiana natao tamin'ny Mey 2005, izay tena niadian'ny mpanohitra mafy mihitsy ny mikasika ny fahamarinany). Miresaka momba ny fifandirana Etiopiana-Eritreàna ihany koa ny Greg's Africa Thoughts , ilay blaogin'i Greg Fischer, misionera kristiana monina ao Entebbe, Ogandà. Hoy izy: ” Isantaona, manao fitsidihana maro ao amin'ny faritra ifampizaran'i Etiopia sy Eritrea sisintany iraisana aho. Imbetsaka henoko ny ‘boom-boom’ any lavidavitra avy aminà fitaovampiadiana mavesatra, avy tao amin'ny efitranon'ny hotely nipetrahako. Matetika sehatra ahitana fiaramanidina mandaroka baomba mivoaka mankany Eritrea eo amin'ny seranam-piaramanidina. ” Toa sahiran-tsaina mafy mikasika ny famoretana ataon'ny fanjakana Eritireàna an'ireo kristiana evanjelika ihany koa i Greg Fisher. Ny African Bullets and Honey , ao anatina lahatsoratra nosoratan'i Akinyi Arunga , izay vao haingana no tao Addis Ababa, dia miresaka mikasika ny: “…natahotra mafy ilay vehivavy tanora izay voasambotra ny anadahiny [noho ny fidirana an-tsehatra teny an-dalambe nanoherana ny fanjakana ankehitriny], hoe mety ho fanerena azy handeha handray anjara amin'ny ady no saziny raha toa ka mipoaka ny ady eo amin'i Etiopia sy Eritrea, toa hita mitombo isanandro isanandro ny mety hitrangany. Nolazainy tamiko fa mitomany isanandro ny reniny, matahotra ny ratsy indrindra ho an'ny zanany…” Ao amin'ny ankamaroan'ny blaogy Etiopiana nidirako tao amin'ny tontolon'ny blaogy, toa tsy misy mpanohana ny fanjakan'ny Praiminisitra Meles Zenawi mihitsy. Manohy ny manaraka akaiky ilay fifandirana misy eo amin'ny Etiopia sy Eritrea ihany koa ny fampahalalam-baovao mahazatra. Amin'izao aloha, tokony hanantena isika fa hitroatra ny feon'ny rariny ary ho afaka ny hamaha ny adiny amin'ny fomba milamina ny fanjakan'i Etiopia sy Eritrea, amin'ny fanarahana ny fanapahankevitry ny Filankevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana
https://mg.globalvoices.org/2018/09/24/125122/
Fifidianana Filoham-pirenena Etazonia: Ny Teny Misy S… sy Eoropa
2018-09-24T12:01:31
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratr anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008) Ny famelezana farany tamin'ny fanentanana nataon'i McCain dia toa mihodina manodidina an'io teny mandratra  manomboka amin'ny teny “S” io – sahala amin'ny ao anatin'ny hoe “Obama dia Sosialista”. Matetika izy io arahin'ny teny tsy azo ialàna E (sahala amin'ny hoe “Eoropa”), tahaka izay nolazain'i McCain izy tenany ihany: “ Fara faharatsiny, ao Eoropa, ireo sosialista mpitondra izay tena mankasitraka ny mpifanandrina amiko dia mampiseho ampahatsorana an'ireo tanjony .” Inona no eritreretin'ireo Eoropeana amin'ireo fanehoankevitra farany nataon'ilay Kandidà Repoblikana amin'ny fifidianana filoham-pirenena? Guillemette Faure , vehivavy blaogera frantsay iray, teo amin'ny rue89, faly fa tsy gaga : Io no teny mandratra farany tamin'ny fampielezankevitra. “Fara faharatsiny, ao Eoropa, ireo sosialista mpitondra izay tena mankasitraka ny mpifanandrina amiko dia mampiseho ampahatsorana an'ireo tanjony”, hoy ny filazan'i John McCain tamin'ny famoriambahoaka. Mariho ireo famelezana roa indray nitranga: Obama sosialista + Obama tohanan'ny avy any ivelany […] Nahita fiarovantena i Obama: “niantso i Warren Buffet (ilay mpanapitrisa) mba hampandany ahy, Colin Powell ihany koa ary i John McCain mihevitra fa manaraka ny sosialisma aho”. Manazava i Alex Engwete (Etiopia) fa matetika mitranga ao Etazonia ny fifangaroana misy eo amin'ny kaominisma sy ny sosialisma : Maro amin'ny olona eto no mino fa mitovy lanja ny sosialisma sy ny rafitra kaominista. Omaly, tao anaty trano etiopiana iray fisotroana kafé ao amin'ny faritra misy ahy ao Washington DC, valaka aho nanazava tamin'ireo mpividy vitsivitsy ireto antony manaraka ireto (tsy dia nahomby mazava ho azy): 1) tsy sosialista i Sarkozy, sady tsy kaominista ihany koa ; 2) mametraka ny fakàna ireo fitaovana famokarana ho lasa fananan'ny fanjakana ny kaominisma Nathalie Mattheiem , vehivavy blaogera eo amin'ny americana , mihevitra fa ny fitiavana izay vao avy foy ho an'ny teny misy S dia marika iray fa ny teny misy T (toy ny “Terorista – mpampihorohoro”) mbola tsy tena mahazo laka ary mamintina izy fa ny teny misy S mety tsy hitondra zavatra tsara ho an'i McCain ihany koa : marika iray, angamba hoe tsy nitondra izay vokatra nandrandraina taminy hamelezana an'i Barack Obama ny fiampangana azy ho “nifankazatra tamin'ny mpampihorohoro” ? […] Ao anatin'ny krizy ara-toekarena, ho tena hihoronkoditra ve ireo Amerikana (izay manodidina ny 45 000 dolara ny salan'ny vola miditra amin'ny ankapobeny) noho ny sosokevitra izay mikendry ny hampidinana ny hetra ho an'ny ankamaroan'izy ireo, raha iverenana ireo taha nandritra ireo taona nitondran'i Clinton , fampandoavana hetra 1,5% an'ireo tokantrano izay manambara ny vola miditra aminy ho mihoatra ny ampahefatra tapitrisa dolara? Manamarika lavidavitra kokoa i Mattheiem: “ny kandidà iray izay afaka “mihanihany” fa ny harena dia manomboka amin'ny 5 tapitrisa dolara dia mety tsy hanana fijery mazava tsara momba an'i Amerika “antonontonony”. Claire , izay manao blaogy avy any Alemaina eo amin'ny cheeseburger and sauerkraut , maniry ny hanazava ny angano sosialisma ao Eoropa (teny anglisy): I Alemaina, mifanohitra amin'izay toa hinoan'ny maro, dia TSY firenena sosialista. Tena tsy hitako mihitsy hoe nahoana io angano io no mitohy misy foana. Tsy misy ny fandrakofana ara-pahasalamana iraisan'ny rehetra ao Alemaina. Didian'ny Fanjakana ho tsy maintsy atao ny antoka-ara-pahasalamana, saingy tsy tohanany ara-bola izany. Tsy aloan'ny Fanjakana amiko ny fiantohana ara-pahasalamana, ahy, na ny an'ny rafozako, na ny an'ireo namako, sy ny sisa… Raha ny marina, mandoa 50% amin'ny fiantohana ara-pahasalamako aho ary ny mpampiasa ahy no mandoa ny 50%. Azoko omena ho porofo ny taratasy fandraisako karama. Ny fiantohana ara-pahasalamana ho an'ireo tsy miasa ihany no tohanan'ny Fanjakana ara-bola. Tsy tompon'ireo fitaovana famokarana ao Alemaina ny Fanjakana. Toe karena iray mifototra amin'ny fifanakalozana ara-barotra malalaka i Alemaina. Misy ireo fitsipika sasantsasany, tahaka izay mikasika an'ireo banky sy ny angovo. Mba hiantohana fa tsy ho voasoloky ireo mpanjifa. Arovan'ny Lalàmpanorenana Alemàna ireo fahalalahana maneho hevitra sy ny fanaovana gazety. Ho famaranana, manazava i Alexandre Vatimbella tao anatin'ny Le centrisme (Frantsa), fa na i McCain na i Obama dia samy tsy hiditra velively ao anatin'ny rafitra misy an'ireo antoko ankavia na ankavanana ao Frantsa : Na izany aza, na dia teo aza ny vokatry ny  fifanenjanana sy ireo levilevy teny an-tsehatra’, John McCain ary, indrindra indrindra, Barack Obama, dia samy tena centristes avokoa […] ao Frantsa, tsy hahazo karatra avy amin'ny Antoko sosialista i Barack Obama (izay miahiahy azy avokoa ireo tomponandraikitra ao, toa  an'ireo kandidà demokraty rehetra tsy dia ankavia loatra raha ny hevitr'izy ireo, afa-tsy i George McGovern tamin'ny taona 1972, tsy isalasalàna, izay voafafan'i Richard Nixon), na amin'ny UMP (izay, ireo tomponandraikitra ao dia manana fironana mahatezitra manohana an'ireo Demokraty kokoa fa tsy ireo Repoblikana, izay mazava tsara anefa fa akaiky kokoa ny hevitra politikan'izy ireo).
https://mg.globalvoices.org/2018/09/23/124529/
Ireo Krizin'i Darfur: Miteny Ireo Blaogera
2018-09-23T13:13:22
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2005) Nipoitra tao anatin'ireo gazety tamin'ny taona lasa ny faritra andrefan'i Sodana ao Darfur rehefa nafindra toerana ireo sivily an-tapitrisany, vokatr'ireo ady nifanaovan'ny andiana mpikomy sy ireo milisy Janjaweed mpomba ny governemanta Sodaney. Tafiditra koa tao anatin'ny famonoana sivily tsy manantsiny sy ny fanolanana vehivavy ireo milisy Janjaweed, namela tahotra maharitra sy horohoro nanerana ny toerana rehetra nalehany. Ho an'ny sasany, fandringanana faobe io – famonoana olona marobe izay nikatsaka fotsiny ny hanana izay ho ambarany momba ny nitantanana ny fiainan-dry zareo. Ho an'ny hafa, loza goavana tsy azo ekena mamely ny maha-olombelona io, vokatry ny hetsi-pikomiana ao Darfur, izay tokony hatsahatra farafaharatsiny. Nalefa ireo tarika avy amin'ny Fiombonambe Afrikana mba hitandroana ny fandriampahalemana miaraka amin'ny fanampian'ireo fikambanana iraisam-pirenena, toa ny Firenena Mikambana, ny Fiombonambe Eoropeana ary Etazonia. Tokony hitohy ny talata 29 novambra 2005 ireo fifampiraharahàna mikasika ny fandriampahalemana nifanaovan'ireo tarika mpikomy sy ny governemanta Sodaney (nizotra teo ambaninà fanelanelanana izy ireo hatrizay) tao Abuja renivohitra Nizeriana. Miasa mavitrika ny tontolombolongana miresaka ny krizy ao Darfur. Mandinika blaogera vitsivitsy sy izay ambaran'izy ireo mikasika io olana io izahay. Ny Sleepless in Sudan , blaogy iray an'ny mpiasa mpanao  asa soa ao Darfour no mety ho azo ampitahaina amin'ny tomponandraikitra voalohan'ny tontolombolongana mikasika ny fiainana ao Darfour mifototra amin'ny fitantaràna voalohany./ mivantana Nosoratan'ny vehivavy iray mpiasa mpanao asa soa, ahitana an'ireo tatitra manara-potoana mikasika an'ireo trangan-javatra ao Darfour izy io. Ity lahatsoratra ity izay navoaka efa ho roa herinandro lasa izao dia mitaraina hoe mbola mitohy hatrany ireo fanafihana ao Darfour. “Roa taona izao no lasa hatramin'ny nanombohan'ireo andiana mpikomy ao Darfur ny ady, ary notafihan'ireo tariky ny governemanta sy ireo milisy Janjaweed tamin'ny fomba feno herisetra ireo tanàna sy ireo sivily  – saingy mitohy foana any anatin'ireo faritra marobe ao Darfur ireo zava-mahatsiravina… Tsy ny fahenoana fotsiny an'ireo mponina miteny hoe misy 50, 60 na 70 ireo maty ankehitriny, no tena mampiahiahy – fa ny tsy fandriampahalemana dia manakana foana ireo masoivoho misahana ny maha-olona tsy ho afaka hitondra resaka sakafo, rano ary fialofana ho an'ìreo iharamboina.” Ny Sleepless in Sudan dia manadihady koa sy  mitatitra momba ireo vokatra kely mahomby azo ao Darfur, sahala amin’ ny fiverenan'ny masoivoho iray mpitondra fanampiana ao amin'ny toby ary ny andiana fahafito sady farany amin'ireo fifampidinihana momba ny fandriampahalemana izay nalahatra ho atomboka ao Abuja. Ny blaogy, But That’s Just My Opinion , dia manana fijery somary mankahala mikasika ny fifandonana ao Darfur, mahita an'io ho sahala amin'ny fironana efa hatry ny ela tao Sodàna – maniry hametraka ny fijeriny sy ny lanjany amin'ny Afrikàna mainty maro an'isa ireo Arabo vitsy an'isa. Lazainy fa: “Tonga mba hanjaka tao Sodana ireo Arabo ary nametraka ny mponina Negroid zanatany ho amina sata farany ambany indrindra, mitondra azy ireo ho toy ny andevo, avy amin'ny alalan'ny fomban-drazana izay niantomboka tamin'ny fahatongavan'ireo Arabo tao amin'io ampahan'i Afrika io, izay toerana nisy ny Nobia taloha, ilay sivilizasiona Afrikana goavana. Nalentikin'ny fifandonana sivily i Sodana, niaraka tamin'ireo Kristianina avy ao ambadik'i [Itompokolahy] John Garang nitarika ny Tafibahoaka ho Fanafahana an'i Sodàna, ny SPLA, niady ho amin'ny fifehezana ny faritra Atsimo tsy ho an'ireo Arabo avy any Avaratra.” Saingy soritan'ny But That’s Just My Opinion ihany koa ny tantaran'ny fanandevozana  an'ireo Afrikana Mainty nataon'ireo Arabo tao amin'ny tanibe Afrikana. Tao anatin'ny fanadihadiany farany, tonga tao an-tsaina ity fampitandremana manaraka ity rehefa i Darfur no ao an-tsaina: “Mbola ao anatin'ny ady i Sodana ary tsy misy fiafaràny ny ady satria ny vahoaka Miozolomana Arabo ao Avaratra tsy vonona mihitsy hanome ny maha-olombelona ny vahoaka Negroid Mainty amin'ny maha-olombelona” Sodana : mirona mankany amin'ireo fifampiresahana hisian'ny  fandriampahalemana ao Darfur , izay tokony hanomboka ao Abuja ny The Passion of the Present . Manontany ny blaogy Octogenarian hoe “ Darfur: Aiza ny fahatezeran'ireo Amerikana Mainty. ” Ahitana ihany koa ny fizaràna Afrika-Arabo mainty ao Sodana na izay antsoiny hoe “singa fototra ara-poko” amin'ny fifandonana, mifanamby amin'ireo mpitondra Afrikana-Amerikana ny Octogenarian fa hampiakatra ny feo hanohitra ny ataony hoe “fandripahana faobe” ao Darfur: “…Tsy naharaka ny  hatezeran'ireo Afro-Amerikana tena mpikatroka manan-danja tao Darfur aho, anisan'izany i Louis Farrakhan, Georgia Congresswoman Cynthia McKinney, Al Sharpton ary Jesse Jackson. Ny tena manaitra dia ny fihariharian'ny tsy naha-teo an'i Farrakhan, filohan'ny Firenena Silamo, ao anatin'ny ezaka fiarovana an'ireo Miozolomana mainty fihodirana mpiray firenena aminy ao Afrika. Raha toa naneho ny hatezerany manoloana ny famonoan'ireo milisy arabo an'ireo Afrikana Mainty ireny mpikatroka ireny, azo antoka fa natao nangingina ilay izy.” Ny fahasarotan'ny krizy ao Darfur dia taratra avy ao anatin'ny fahasamihafan'ireo feo eny anaty tontolombolongana. Ao anatin'ny fotoana maharitra, tsy ho tratra ny fandriampahalemana raha toa tsy misy ny finiavana ara-politika ho amin'izany. Tokony hanantena isika fa hanome vokatra mahomby ireo fifandresen-dahatra ao Abuja.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/23/125478/
Angon'ny Tontolombolongana Keniana
2018-09-23T03:57:53
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2005) Mihevitra aho ny hanao fanasongadinana isan-kerinandro na isan-tapa-bolana mikasika izay mitranga ao anatin'ireo blaogy Keniàna nandritra ny fotoana fohy, indrindra indrindra hatramin'ny nitomboan'ireo blaogy Keniana tsy niato, nandritra ireo volana maromaro farany. Noho ireo fandrisihana vitsivitsy nataon'i Ethan, inty ny andrana voalohany ataoko. Manao fisindàna amin'ny asa i Bankelele, miala sasatra, sady milaza amintsika ny mahatsara ny maha-minisitry ny Kabinetra ao Kenià. I Nicholas G. dia eo ampitadiavana fanamby iray . Tsy mahatsiaro ny baikon'i Michuki (minisitra misahana ny fiarovana anatiny) i Soulsystah. Izaho koa torak'izany. Efa laza ratsy azon'ny polisy rahateo ny hoe mitifitra aloha vao mametraka fanontaniana aty aoriana (matetika mitifitra mahafaty tsy manantsiny ao anatin'ny dingana ataony). Ahoana no hevitrao mikasika ny ady amin'ny fanoherana ny fidiran'ireo fitaovampiadiana madinika ato amin'ny firenena, mba hiantohana ny tsy hahavotsotra ireo mpanao heloka bevava noho ny kolikoly, na mba hanenjehana ireo mpikambana ankehitriny sy fahiny tao amin'ny mpitandro ny filaminana izay toa sahala amin'ny ao ambadik'ireny heloka bevava avo lenta ireny? Zavatra 100 mikasika an'i Magaidi . Ashok ao anatin'ny fitantaràny tsara indrindra. Maniry ny hahalala an'izay raiketin'ny anarana iray i Guessaurus. Kanye West mpanao dihy ‘rap’ dia toa milaza fa midika hoe “ilay tokana” amin'ny teny Swahili ny teny hoe Kanye , nihomehy niaraka tamin'i Guessaurus aho tamin'io. Ezahan'i Adrian ny mijery izay anjara toerana azo raisin'ireo Keniàna any ampielezana rehefa tafody an-tanindrazana izy ireny. Manatanteraka dia arahina asa any Oganda i Thinker ary sahiran-tsaina izy manoloana ny vondrom-piarahamonina goavana misy an'ireo mpila ravinahitra ary ny hoe toa mitarika fahasahiranan-tsaina ho azy ireo ny fahatongavany any. Misaintsaina ny fahafatesan'ny Papa ny 4Shezzy
https://mg.globalvoices.org/2018/09/22/126015/
Bilaogera Miteny Anglisy, Na Miteny Tenimpirenena Roa, Na Miresaka Politika Ao Anatin'ny Tontolombolongana Tanzaniana
2018-09-22T16:03:01
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2005) Noho ireo antony tena lazaina ho noho ny fotokevitra ara-politika Ujamaa taorian'ny nahazoan'i Tanzania ny  fahaleovantena, izay nanisy tsindrim-peo mafy mikasika ny maripamantarana ny firenena amin'ny fampiasana be loatra ny Kiswahili, ilay fiteny tena fampiasa be ao anatin'ny Tontolombolongana Tanzaniana . Misy ireo blaogera tanzaniana vaovao vao mipoitra, mampiasa ny teny Anglisy na ny Anglisy sy ny Kiswahili miaraka. Hatramin'ny volana May tamin'ity taona ity, rehefa nanomboka nanao blaogy tamin'ny teny anglisy ny mpikaroka momba ny fambolena tao Morogoro , Hector Mongi , sy ny injenieran'ny fambolena iray tao Dar Es Salaam , Isaria Mwende , tsy nisy afa-tsy blaogy tokana no tamin'ny teny anglisy tao anaty tontolombolongana tanzaniana ary blaogy maherin'ny 15 no tamin'ny teny kiswahili. Nanomboka nanao blaogy i Hector sy Isaria mba hizaràna ireo torohay momba ny fambolena tamin'ireo mpiaramiasa aminy tao Tanzania sy tany ivelany. Tamin'iny volana lasa iny, Tanzaniana mpianatra haka PhD, Idya Nkya, taorian'ny nifanenany tamin'i Ethan tao Cape Town , no nanapaka hevitra ny tsy hanao blaogy amin'ny teny kiswahili fotsiny tahaka izay nataony hatramin'ny volana May tamin'ity taona ity, fa ihany koa amin'ny teny anglisy. Nanangana blaogy amin'ny teny anglisy izy, The Other Side of Africa , (Lafy iray hafa amin'i Afrika) tao anatin'ny fanantenana haneho sary tsara mikasika ny fiainana, ny fanantenana sy ny fiheverana tsara ao Afrika, izay mahàlana vao resahan'ireo media mahazatra erantany. Tamin'ny fiandohan'ny herinandro, blaogera anglisy iray hafa, Peter John , izay miasa amina sehatry ny informatika ao Dar Es Salaam, no niditra tao anaty tontolombolongana tanzaniana. Mieritreritra ny hanoratra voalohany indrindra mikasika ny teknolojian'ny informatika izy. Ny lahatsoratr'i Ethan momba ny manjo ireo blaogera amin'ny teny roa dia mitarika ho amin'ny famakiana mahaliana an'ireo blaogera miteny roa mipoitra eo amin'ny tontolombolongana Tanzaniana. Tanzaniana mpianatra iray ao Texas i Mtafiti . Manao blaogy amin'ny teny kiswahili sy amin'ny teny Kichagga izy, fitenin’ ny Chagga . Florence, izay miasa amina sehatra fifandraisana amin'ny daholobe ao Dar Es Salaam, dia sady manoratra amin'ny teny Kiswahili no manoratra amin'ny teny anglisy . Manoratra an'ireo karazana olana izy, miainga avy amin'ny fanarenana ireo ravan’ i Kilwa sy ny fizahatany an-drenivohitra , mankamin'ireo Tanzaniana mpiangaly mozika izay mitondra tena ho toy ny gaigy eny an-tsehatra . I Esther, mpampianatra ao Dar Es Salaam, namorona blaogy amin'ny teny Anglisy / Kiswahili, Indigenous Bank . Mieritreritra ny hanoratra momba ireo fahalàlana sy kolontsaina ananan'ny indizeny izy. Na izany aza, tsy mbola nanomboka ny nanoratra tsy tapaka izy. Ny bilaogera farany indrindra manoratra amin'ny fiteny roa dia i Jeff Msangi , mpianatra iray nahazo diplaoma tao amin'ny oniversiten'i York Kanadà. Manoratra momba ny zavatra iainany ao Kanadà sy ireo olana sosialy sy plitika ao Tanzania ary ireo faritra hafa eto an-tany i Jeff. Ny fahaterahan'ireo blaogy natsangan'ireo mpanao politika mafana fo no firoboroboana iray hafa mahaliana amin'ny tontolombolongana Tanzaniana. Ireo mpanao gazety no voalohany nandray ny teknolojian'ny fanoratana blaogy tao anaty tontolombolongana Tanzaniana. Ao Tanzania, ny antony sasany amin'izany dia, voalohany indrindra, nampifanarahan'ny ankamaroan'ny olona ny fanehoana hevitra sy ireo hevitra ho amin'ny endriny voasoratra ho an'ny fanjifàn'ny daholobe amin'ny asa fanaovan-gazety mahazatra, ary faharoa, mora kokoa ho an'ny ankamaroan'ireo mpanao gazety ny mahazo fidirana  amin'ireo solosaina sy aterineto any anatin'ireo efitrano fanoratana raha mitaha amin'ireo olom-pirenena tsotra. Na ireo mpanao gazety miasa ao anaty efitrano fanoratana tsy manana an'ireo karazana fitaovana ireo aza, ny karazana asa ataony dia manery azy ireo hampiasa an'ireo toerana fidirana Aterineto (cybercafé), tena matetika lavitra noho ny sarambabem-bahoaka. Miova anefa ny fandehan-javatra, raha toa ireo olona miha-manomboka mahalala fa, manana tantara ho tantaraina ny olom-pirenena tsirairay avy, ary ireo fandrosoan'ny teknolojia fampitambaovao kosa lasa manome manome fitaovana ho an'ireo olom-pirenena tsotra hizaràny ny tantaran'izy ireo, ary mandritra izany fotoana izany, lasa mihamitombo azo idiran'ny rehetra sy mora vidy ny aterineto ao Tanzania. Ny antoko mpanohitra, Chama cha Demokrasia na Maendeleo (CHADEMA) (ny Antokon'ny Demokrasia sy Fampivoarana) dia iray amin'ireo antoko politika vitsivitsy marintoerana sy hajaina ao Tanzania. Ao anatin'ny tetikadim-panentanany, ny filoha sady kandidà ho filoha an'ny CHADEMA, Freeman Mbowe, dia namorona blaogy iray, toy ny sekretera jeneraliny ihany koa, ny Dr. Wilbroad Slaa , ny talen'ireo raharaham-bahiny, Zitto Kabwe, ary ny talen'ny Raharaha momba ny Tanora, John Mnyika . Tsy mbola nisy tamin'izy ireo hatreto nanomboka namoaka. Roa tamin'ireo mpianatro fahiny tao amin'ny Sekolim-panofanana Iraisam-pirenena , Tait Davidson sy Jenny Venecek , no miresaka anaty bilaogy ny traikefany amin'ny maha mpilatsaka an-tsitrapo azy ireo tao amin'ny Corps de la Paix tany ambanivohitr'i Tanzania. Roa tamin'ny naman'izy ireo, Jen sy Thais , no manao blaogy ihany koa mikasika ny traikefan'izy ireo amin'ny maha-amerikanina mpilatsaka an-tsitrapo azy ireo tao Tanzania. Na dia tsy mamoaka matetika aza ireo blaogera tanzaniana, heveriko fa hiova io satria ny tontolombolongana tanzaniana mbola ao anatin'ny tena maha-zaza vao miana-mandeha azy. Mamorona fahafahana vaovao hiresahana ireo tanzaniana blaogera amin'ny teny anglisy sy fiteny roa, ao anaty sy eo amin'ireo kolontsaina izay tena mahaliana dia mahaliana tokoa. Arakaraky ny mampafàna ny fientanentan’ ireo fampielezankevitra ho filoham-pirenena sy parlemantera ao Tanzania, azo vinaniana hanao ny fanoratana bilaogy ho fitaovana mahomby ho ireo mpanao politika, hanaovany fanentanana, indrindra fa hisarihana ireo tanora Tanzaniana sy hisarihana ny sain'ireo media. Mety afaka hanampy hisintonana ny Tanzaniàna hiroso bebe kokoa amin'ny fanoratana bilaogy io.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/19/126208/
Mpanoratra Asongadina: Mac-Jordan Holdbrookes-Degadjor
2018-09-19T15:09:45
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2009) Tamin'ny volana Aogositra 2009,  natao tao Accra, Ghana ny Maker Faire Africa ary nahasarika mpanangana manerana an'izao tontolo izao izay te-hampiseho ny famoronany farany. Nandray anjara tamin'ny fampiroboroboana sy fanoratana momba ny fety ihany koa ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny aterineto ao an-toerana, ny sasany aza nanome ny fotoanan'izy ireo mba hanampy amin'ny hetsika. Bilaogera iray, Mac-Jordan Holdbrookes-Degadjor no iray amin'ireo Ghaneana nanampy, ary nanjary loharanom-baovao tena sarobidy izy noho ny fahalalany isan-karazany momba ny tanindrazany. Sarin'ny Mac-Jordan nalain'i Georgia Popplewell. Mampahafantatra an'i Mac-Jordan, izay miresaka momba ny bilaoginy Accra Conscious Forever sy Accraboy , ary koa ny fandraisany anjara mavitrika ao amin'ny Twitter ity horonantsary nalaina tamin'ny volana Aogositra 2009 ity http://blip.tv/play/g80XgbTiRgA
https://mg.globalvoices.org/2018/09/22/126147/
Ny Sehatra Fanaovana Blaogy Nizeriana
2018-09-22T06:19:01
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Septambra 2005) Raha toa izao tontolo izao mifanaraka tsara amin'ireo blaogy, ireo blaogy Nizeriana kosa niova endrika mihitsy saingy ampilaminana. Tamin'ny fotoana nandrafetana an'ity lahatsoratra ity, tsy dia maro ny nizeriana (avy ao an-toerana) nonanoratra bilaogy, indrindra fa rehefa jerena ny mikasika ny isan'ireo olona mampiasa Aterineto tao amin'ny firenena. Azo marihina amin'ireo ny Timbaland , Trae Days , Chipplas Blog ,  ny Naija Jams, ny Gazetin'i Kazey . Kayode Muyibi no mpamorona ny toeram-pamondronana ireo bilaogera Nizeriaàn . Manampy ny bilaoginy manokana, namorona sy mitantana ny Nigerian Weblog Ring (NWR) ihany koa i Timbaland. Na izany aza, ny ankamaroan'ireo Nizeriana manao blaogy dia ireo Nizeriana monina any ivelany avokoa. Azo lazaina fa misy ireo singa maromaro azo ambara ho tomponandraikitra amin'ny  antony mahatonga ireo Nizeriana monina ao amin'ny firenena tsy hanoratra blaogy. Ireo tena singa goavana dia mifandray amin'ny tsy fahafahana mahazo sy ny halafon'ny saran'ny fidirana amin'ny Aterineto. Na izany aza, satria efa somary miparitaka ny fampiasana Aterineto, mino aho fa ny tsy fisian'ireo blaogy dia mifamatotra kokoa amin'ny tsy fahafantarana ny atao hoe blaogy raha ampitahaina amin'ny fampiasana ny imailaka malaza sy ny firesahana mivantana eo amin'ny samy mpampiasa. Ary angamba tsy maintsy mila 5 ka hatramin'ny 15 minitra monja ny fijerena ireo imailakao na hiresahana fohifohy amin'ireo namanao, nefa ireo blaogy mila fotoana maro sy fikarohana amin'ny tambajotra, izay lafo kokoa raha jerena ny fidiram-bolan'ireo mpianatra sy ireo tanora manana diplôma izay mpampiasa betsaka indrindra ny Aterineto. Noho ireo teritery voatanisa eo ambony ireo, ny blaogera Nizeriana tena mavitrika dia ireo Nizeriana teknisiana na ireo tena havanana mikasika ny Web, izay mbola afaka manana tombony amin'ny fijanona ela eo amin'ny Aterineto. Vokatr'izay, tsy gaga ianareo raha mahita blaogy nizeriana miresaka ny teknolojia. Ny antony mitovy dia manazava ny antony mahatonga ireo nizeriana sasantsasany mametraka ireo blaoginy amin'ny anaran-tsehatra amin'ny anarany manokana. Ireo blaogera Nizeriana hafa dia ireo izay monina any ivelany ( Timbuktu Chronicles , Dusky Thoughts izay vao nody ao Nizeria rehefa avy namita Fanompoam-pirenena ho an'ireo tanora nandritra ny herintaona , Black Looks sy ny Soul on Ice ) ary tsy miatrika ireo olana toy ny herinaratra miaka-midina sy ny olan'ny telefaona finday tahaka izay iainan'ireo bilaogera nizeriàna azy any an-tanindrazana.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/19/124859/
Fanapariahana Avy Ao Ogandà
2018-09-19T13:07:57
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2006) Mitohy ao Juba, Sodana, ireo fifampiresahana hikatsahana ny fandriampahalemana, eo amin'ny governemanta Ogandey sy ny Lord's Resistance Army (LRA). Manome tsiny ny governemanta Ogandey sy ny governemanta ao Sodana Atsimo (GOSS) i Ngomrom noho ny tsy fisian'ny fahamatorana ao anatin'ireo fifampiresahana amin'ny LRA. Satria nahoana ny olona no mety hihevitra fa ireo fifandresendahatra mikasika ny fandriampahalemana dia hizotra fotsiny tsy hisy fandrahonana fitadiavana vahaolana avy amin'ny Fitsaràna Iraisampirenena (ICC/CPI)? Tsy maintsy apetrak'i Museveni ireo fepetra mba hitazonana ny CPI ho lavitra an'i Kony sy ireo mpitari-tafika miaraka aminy, raha tsy izay tsy hisy fandriampahalemana mihitsy miaraka amin'ireo olona dimy ireo. Mifanilika foana ireo olana roa ireo. Raha tsy eo ireo lehilahy dimy ireo, Tsy maintsy ovàna ireo fifandresendahatra fikatsahana fandriampahalemana, satria ny vahoaka ogandey any  anatin'ireo faritra voakitika dia mbola mila ny fandriampahalemana avy amin'ny governemantan'i Museveni. Roapolo taona nisianà tsindry hazo lena sy tsy fifampitokisana tsy ho azo foanana velively anaty fanaovan-tsonia tsotsotra ireo anton-taratasy ao Juba. Mandritra izany, mampilaza ny Uganda-CAN fa misy ireo fanamby somary tsy tazana momba ny fiarovana ao amin'ny faritra atsinanan'i Karamoja, izay raiki-tampisaka any n y fiparitahan'ireo fitaovam-piadiana maivana. Uganda-CAN milaza fa ireny fitaovam-piadiana maivana ireny dia miampita ny sisintany avy any Sodàna ary manambana ny hiparitaka any avaratr'i Ogandà. Raha mbola mitohy ireo fifampiresahana hikatsahana ny fandriampahalemana eo amin'ny governemanta Ogandey sy ireo mpikomy an'ny LRA, ny tany tsy tàn-dalàna sy ny herisetra kosa misafotofoto ao Atsinanana, toy ny tsy misy mahamarika. Per Engebak, talen'ny Unicef ho an'i Afrika Atsinanana sy Atsimo, nanambara fa na dia voasonia aza ny fifanarahana fandriampahalemana, manambana ny hiitatra hatrany Avaratra, faritra rotiky ny ady, kosa ireo herisetra ao amin'ny faritra atsinanan'i Karamoja ao Ogandà. Tao anatin'ireo vaovao mahavelom-panantenana kokoa, manana tantara iray maha-velombolo momba ny fiarenan'ny indostrian'ny fizahantany ny Basawad's Safari Notes, jerena avy amin'ny mason'ny Bwindi National Park, ao andrefan'i Ogandà. Tsy ny tantara rehetra akory no ratsy. Tsara ireo sasany. Ny sasany tena tsara ary maha-velombolo. Iray amin'ireo tantara tena maha-velombolo ny an'i Bwindi; Valam-pirenena ao Bwindi, Ogandà. Ny fiarenan'i Bwindi ho toy ny fisarihana fizahantany lehibe dia fitaratra ijerena ny fiarenan'ny indostrian'ny fizahantany ao Ogandà. Mandritra ireo taona nitondran'i Idi Amin sy ireo taona nifandimby taorian'izay, maro ireo mihevitra fa tsy hiarina mandrakizay i Ogandà, tsy ho fihantsonana ara-pizahantany mahasarika velively. Marobe ihany koa ireo nihevitra fa ny tena goavana amin'ny fisarihana – indrindra fa ny biby – dia tsy ho fisarihana be ho an'ireo mpizahatany intsony. Manoratra fitsikeràna iray an'ireo Taratasy avy any am-Ponja nosoratan'i Andrew Mwenda ny Openminded.com . Mwenda dia mpanao gazety tena be mpanaraka indrindra ao Ogandà, izay nofonjaina nandritra ny fotoana fohy tamin'ny volana Aogositra 2005 noho ny fandinihany mikasika ny antony nahafaty ny filoha lefitra John Garang, mpitarika avy any Sodana Atsimo, . Ny fanaovana ho isanandininy ny bokin'i Mwenda mikasika ny “fonjany” dia fanehoana marina araka ilay fomba fiteny taloha manao hoe “Ireo mpandresy hatrany no manoratra ny tantara”. Sahobakaka ambony riana i Mwenda rehefa nanoratra hoe, rehefa mijery an'ireo bokin-dalàna ao Ogandà ianao, toy ny hoe narafitry ny kaomity iray nahitàna ireo lehilahy dimy lozabe – Adolf Hitler, Benitto Musolini, Joseph Stalin, Idi Amin sy Pol Pot no famaky ny rafitra araka ny lalàna mifehy ny media. Na izany aza, ao anatin'ny ampahany voalohany mitondra ny lohateny hoe “Ny hevitra manodidina ny fisamborana ahy”, nesorin'i Mwenda tamim-pitandremana fatratra ireo antsipirihan'ny tantara rehetra. Tsy soratany araka ny tokony ho izy izay nolazainy tao amin'ny onjampeo ka nanosika ny governemanta hisambotra azy. Amin'ny maha olona nihaino ny fandaharana mivantana tamin'ny 10 Aogositra 2005 sy namaky ny fanoratana ny fandaharana manontolo taty aoriana tao anatin'ny The Sunday Vision tamin'ny 14 Aogositra, 2005, hitako fa tsy ampy tatikady ireo taratasy nosoratan'i Mwenda avy any am-ponja ka tsy nahataitra ny hevitry ny vahoaka hitodika any aminy. Ny In an African Minute manoratra mikasika ny traikefany “matsiro” tao anatin'ny trano Etiopiana fisakafoanana iray ao Ogandà: Toy izao no fipetraky ny antanan-tohatra misy amin'ireo toeram-pisakafoanana Etiopiana ao Kabalagala: raha te-hamono lolo tovovavy ianao na mankafy ny tsiron'ny swank, mandehana any Fasika Up , tanàna etiopiàna ilay arabe, toeram-pisakafoanana sy fisotroana amin'ny vidiny mirary. Vitsy amin'ny olona no mandeha any ambadik'ireo faritra ambany amin'izay hita maso  ao Kabalagala. Na izany aza, eny amparan'ny làlana, miorina eo anelanelan'ireo trano fisotroana roa eo an-toerana no misy, araka ny lazain'i J. Slab, ny ivon'ny tsiron-kanina. Toerana tsy mieboebo ny Rehobot. Misy latabatra 4 sy latabatra iray fanaovana ‘billard’ ary tantanan'i Mamma, miaraka ami'ireo mpanampy azy anankiroa, dia ny zanany vavy 9 taona sy ny zanany lahy 16 taona. Manao sakafo mahagaga amin'ny hena omby sy legioma i Mamma miaraka amin'ireo singa fototra ho an'ny fahandroan-tsakafo Etiopiana: injara (mofo fisaka misy lalivay mievotrevotra), berbère (vovoka sakay mena masiaka be) ary niter kebbeh (dobera maivana misy sakamalao sy tongolo lay).
https://mg.globalvoices.org/2018/09/17/126254/
Atrikasan'ny Bilaogera Arabo : Ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter ny andro voalohany
2018-09-17T00:50:08
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 9 Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Raha nanatona ny fiafarana ny andro voalohany tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo Faharoa izay fanao isan-taona dia nojerena ny fomba fijerin'ny mpandray anjara nandritra ny tontolo andro mba hamantarana ny zavatra azony sy ny fihetseham-pony. Nafana ny fanombohana niaraka tamin'ny fandraisan'ny mpikarakara ny Global Voices Sami Ben Gharbia , Amira Al Hussaini sy ny mpanohana anay avy ao amin'ny Orina Mpanasoa The Heinrich Böll ireo mpandray anjara avy amin'ny tontolo Arabo sy ny avy any ivelany. Nizara ny heviny sy ny fomba fijeriny momba ny fananganana fanentanana an-tserasera mahomby antserasera ny mpanolotra Noha Atef ao amin'ny Global Voices Advocacy sy Eman Abdulrahman ao amin'ny Global Voices (sady mpanorina ny Kolena Laila ) taorian'ny teny fampidirana. Nanamarika ato amin'ity sioka ity ny mpanatrika Maoritaniana weddady fa hanangana fiaraha-miasa manerana ny tontolo Arabo ny Kolena Laila : Afaka mijery ny vaovao bebe kokoa ianao ao amin'ny kolenalaila.com Nisy atrikasam-pampianarana manokana maro momba ny zava-drehetra nandritra ny tontolo andro toy ny fanivahan-dalana an-tserasera sy ny tsy fiafenana anarana (natolotr'i Jacob Applebaum ), ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra (natolotr'i Amira Al Hussaini sy Salam Pax ), ny fampiantranoana lahatsary hafa ankoatra ny YouTube (natolotr'i Slim Amamou sy Marcin Gajewski ). Naneho hevitra momba ity farany ity i Lina Ben Mhenni : Sehatra hafa ankoatra ny YouTube Ny famelabelarana izay tena nahatezitra ny mpandray anjara, na izany aza, dia ny fandalinana an-tsarintany ny tontolon'ny bilaogy Arabo izay natolotr'ilay mpandray anjara Syriana Razan Ghazzawi avy ao amin'ny Foibe Berkman ho an'ny Aterineto sy ny Fiarahamonina. Na dia maro aza ny fanehoan-kevitra hozaraina (izay azo jerena amin'ny fikarohana ny tenirohy #ab09 ao amin'ny Twitter) dia indro ireo hevi-dehibe sasany: Nanontany tena tao amin'ny Twitter ny mpandray anjara Egyptiana lastoadri raha toa ka tena tafita tsara ny fampianarana ho an'ireo mpandray anjara : Nametra-panontaniana i lastoadri, iza amin'izay amin'izay haneho hevitra no namaky tokoa ny fanadihadian'ny Berkman? Nanao fanamarihana lehibe avy amin'ny tenin'i Razan i Nasser Weddady : Nanonona ny tenin'i Razan Ghazzawi i weddady (tsy misolo tena ny vahoaka arabo ny bilaogera arabo, tsy miteny ho an'ny vahoaka syriana aho) Farany, niombon-kevitra tamin'i Razan ilay Irakiana Salam Pax momba ny raharaha ary nilaza hoe : Niombon-kevitra tamin'ny mpanolotra i Salam Pax, tsy mpitondra teny ny vahoaka ny bilaogera, olom-pirenena manana hevitra hafa ireo.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/15/126059/
Oganda: Fanontaniana, Fiara, Very asa noho ny bilaogy
2018-09-15T03:44:30
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Oktobra 2007) Amin'ity herinandro ity, mamoaka fanontaniana manery hatrany izay manome ny feo ho amin'ny resaka hoavy ny Ugandan Insomniac : Why are millions of Ugandans still living in abject poverty when an increasing number of people in the country can afford a brand new set of wheels and personalized number plates every year? Nahoana no mbola miaina ao anatin'ny fahantrana lalina ny Ogandey an-tapitrasany kanefa mihamaro ny olona ao amin'ny firenena afaka mividy marika kodiarana vaovao isa-taona sy laharan-takelaka manokana ho an'ny fiara? Mandritra izany fotoana izany, dia manana fomba fijery hafa i Daniel Kalinaki : izay miezaka mandresy lahatra ny tsirairay, indrindra fa izy: Why is it next-to-impossible to find honest contractors in Uganda? Of course we know that government wastes a lot of our taxes on all sorts of schemes, school children are thrown out of their schools, buildings are razed and the ground is let to fallow, awaiting some hotelier to make up his mind. We know that people displaced by war are given rotten seeds when they finally get to return to their homes, complete with flexi-pangas to help them till the land and start new lives. We know all that, and more. What irks me the most are the smaller things; the micro-corruption, the cutting corners that we are subjected to daily… Fa maninona no mila ho sarotra be ny mahita mpandraharaha marina ao Oganda? Mazava ho azy fa fantatsika fa mandany ny ankamaroan'ny hetrantsika amin'ny tetikasa isan-karazany ny governemanta, voaroaka ny sekoly ny ankizy madinika, rava ny tranobe ary avela hikoa ny tany, miandry ny mpitantana hôtely mba hanapa-kevitra. Fantatsika fa nahazo masomboly efa lò ireo ny olona nifindra toerana noho ny ady rehefa niverina tany an-tranony izy ireo nony farany, miaraka amin'ny flexi-pangas mba hanampy azy ireo hanomboka hiasa tany sy hanomboka fiainam-baovao. Fantatsika izany rehetra izany, ary mbola misy hafa. Ny zavatra toheriko indrindra dia ireo zavatra kely kokoa; ny kolikoly madinika, ny zoro tsy maintsy alehantsika isan'andro … Reraka noho ireo zavatra hafa Ogandey kosa i Ivan : I’ve gotten tired of saying we are not ready for CHOGM. I can only go on and about a topic for so long. What do you take me for? The Red Pepper? Harry Sagara? I will say this, the visitors are obliged to say they are crazy about our country no matter what. Sure we have people on the job, guys who started planting trees last week. Not to worry, the Ugandan variety of tree is the quick growing kind. We should see some sort of progress some time next year. While the visitors are here, we shall be encouraged to refer to them as “baby trees”. It will be politically incorrect to refer to them as “little”. Reraka aho milaza fa tsy vonona amin'ny CHOGM isika. Tsy afaka manohy miresaka lohahevitra iray maharitra ela aho. Maninona ianao no tezitra amiko? Ny Sakay Mena? Harry Sagara? Hilaza izao aho, voatery milaza ireo mpitsidika fa adala ny firenentsika izy ireo na inona na inona. Azo antoka fa manana olona miasa isika, ireo lehilahy izay nanomboka namboly hazo tamin'ny herinandro lasa. Aza manahy, fa ny karazan-kazo Ogandey dia anisan'ireo haingam-pitombo. Tokony hojerentsika ireo karazana fandrosoana amin'ny taona manaraka. Na dia eto aza ireo mpitsidika, dia tokony hamporisihina isika hiantso azy ireo ho “hazo zazakely”. Tsy ara-dalàna ara-politika ny manondro azy ireo ho “kely”. Saingy ny olona tena manan-jo hitaraina dia GayUgandan , izay very asa (saika) noho ny bilaoginy: As a good suspicious employee, I will suspect that something is happening. I have worked too long for my dear employer to be summarily dismissed. But, that can be done in increments. And I may decide to resign to prevent further embarassment. Not being needed, but you hang on desperately. Pathetic? Maybe, and maybe not. Ok, I was outed by the Red rug . That was last month. I thought that I had done something to create a soft landing for myself. I talked to my immediate boss. I talked to my ultimate boss. And things seemed to be cool. A few days to the end of the month, I get the ‘bad’ news. Lots of apologies, lots of sorries, but it all adds up to me losing part of my income. And being left with this suspicious feeling that it is because of my damned sexuality. Or the sudden suspicion of it that my colleagues at work have ! Amin'ny maha-mpiasa tsara ahiahy ahy, dia hiahiahy aho fa misy zavatra mitranga. Efa ela aho no niasa tamin'ny mpampiasa malalako mba ho voaraoka tsy misy fampahafantarana mialoha. Saingy, azo atao tsikelikely izany. Ary mety hanapa-kevitra ny hametra-pialana aho mba hisorohana ny fanelingelenana bebe kokoa. Tsy ilaina akory, fa mifikitra am-pahakiviana ianao. Mampalahelo? Angamba, ary angamba tsia. Ok, taitra noho ny karipetra Mena aho. Tamin'ny volana lasa izany. Noheveriko fa nanao zavatra aho mba hamorona fianjerana malefaka ho an'ny tenako. Niresaka tamin'ny lehibeko voalohany aho. Niresaka tamin'ny lehibeko farany aho. Ary toa nahafinaritra ny fandehan-javatra. Andro vitsy taorian'ny faran'ny volana, nahazo vaovao ratsy aho. Fialan-tsiny marobe, fifonana marobe, saingy nanampy tamin'ny fahaverezan'ny ampahan'ny karamako izany. Tavela tamin'izany fahatsapana mampiahiahy izany noho ny ara-nofoko mahasosotra. Na ny ahiahy tampoka momba izany teo amin'ireo mpiara-miasa amiko !
https://mg.globalvoices.org/2018/09/15/126032/
Zimbaboe : Ny Zimbaboeana sy ny fahafatesan'i Ben Laden
2018-09-15T03:16:58
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 3 May 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Rehefa nandre ny fahafatesan’ i Ben Laden, ‘’ilay lehilahy tena nokarohina indrindra eran’izao tontolo izao’’ dia namalan-kira ny Zimbaboeana. Angamba noho ny zava-misy fa i Etazonia no namono an’i Ben Laden, izay heverin’ny sasany fa tompon’andraikitra tamin’ny fahasarotana ara-toekarena ao amin’ny fireneny, sy ny sazy ary ihany koa ny ‘’imperialisma’’ fanaony. Nomarihin’i Gift Pheria teo amin’ny pejin’ny Facebook-ny : Félicitations à Obama, pour avoir finalement liquidé ce terroriste d'une balle à la tête qui attendait depuis trop longtemps. Les familles des victimes de ces meurtres insensés du 11 septembre –dont les familles des journalistes qui sont morts, et que j'ai eu l'honneur de rencontrer l'an dernier à New York – peuvent enfin tourner la page grâce à l'opération orchestrée par Obama. Arahabaina i Obama, noho ny namonoany ity mpampihorohoro ity tamin’ny bala teo amin’ny lohany izay efa nandrasana hatry ny ela. Ny fianakavian’ireo niharam-boina tamin’ireny vonoan’olona tamin’ny 11 Septambra ireny…anisan’izany ny nahafatesan’ny fianakavian’ireo mpanao gazety, izay nahafaly ahy ny nihaona taminy tany New York tamin’ny herintaona- dia afaka mamadika ny pejy amin’izay noho ilay hetsika notarihin’i Obama. Niditra an-tsehatra ihany koa i George Mhembere tao amin’ny rindriny Facebook: USA  tuent juste tous ceux qui ressemblent à Oussama Ben Laden et vérifient avec tests ADN. Namono ireo olona rehetra mitovy amin’i Oussama Ben Laden i Etazonia ary nanamarina izany niaraka tamin’ny fitiliana ADN. Feno fanehoan-kevitra ihany koa ny sehatra fifanakalozan-kevitra New Zimbabwe . Naneho ny heviny ny eveka Tshepanga Mokoena hoe : 1er mai 2011…Oussama mort. Ier mai 1945 était le jour où ils ont trouvé Hitler mort. MAI..SERA UN MOIS DE  MIRACLES. Ny 1 May 2011….no maty i Oussama. Ny 1 May 1945 no andro nahitana an’I Hitler maty. VOLAN’NY FAHAGAGANA NY VOLANA MAY. Notohizan’i Mokoena hoe : N'abaissez  pas la garde s'il vous plait, en oubliant que Ben Laden à des milliers de disciples #Prière Aza mandrimandry ry mpiambina, azafady, sao hadino fa manana mpianatra an’arivony  i Ben Laden. #Vavaka Amin’ny fiteny Shona, nanoratra i Ancestor hoe : Vatanga imwe hondo mabharanzi aya… [ils ont juste commencé une nouvelle guerre, ces idiots]. Vatanga imwe hondo mabharanzi aya… [vao nanomboka ady vaovao ry zareo, ireto adala ireto]. Nanoratra i Rufus tao anatin’ny sehatra fifanakalozan-kevitra, mitondra ny lohateny hoe : ‘’ Namono an’i Oussama i Obama, ho voafidy indray izy ’’,. Vous pouvez détester Obama, mais une chose est sûre, il a fait le job. Je déteste la violence, mais Oussama était un homme violent,qui a fait une fin violente et il faut féliciter les USA pour leur traque patiente, même si elle n'en finissait pas, d'un psychopathe. Les Américains ne font pas, je répète, des ennemis qu'ils est bon d'avoir ! Azonareo atao ny mankahala an’i Obama, nefa azo antoka ny zavatra iray, nanao ny asany izy. Tsy tiako ny herisetra, kanefa lehilahy nahery setra i Oussama, izay niafara tao anatin'ny herisetra ary tokony hoderaina ry zareo tao Etazonia noho ny naharetany tamin’ny fanenjehana, na dia mbola tsy vita aza ny an'ilay marary saina. Tsy minamana amin’ny fahavalo, averiko indray, izay tsara ananana ry zareo Amerikana! Nandrahona ireo ‘’mpanjakazaka sy ireo mpampihorohoro’’i EL Joto Mutasa. Namela fanehoan-kevitra tao amin’ny tranonkalan’ny Zimbabwe Mail izy C'est un message à tous les despotes, terroristes, meurtriers et dictateurs, qu'ils devront un jour payer pour leurs crimes. Maintenant, l'attention va se tourner vers une nouvelle couche de tueurs et de pilleurs. La Grande Faucheuse regarde maintenant l'Afrique. A la fin, la vraie justice prévaudra. Hafatra ho an’ireo rehetra mpanjakazaka, mpampihorohoro, mpamono olona ary ireo mpanao didy jadona, fa tsy maintsy manefa ny heloka vitany izy ireo indray andro any. Ankehitriny, hitodika any amin’ny andiana mpamono olona vaovao sy mpandroba ny fifantohana. Mijery an’i Afrika ny Anjelin'ny Fahafatesana ankehitriny. Handresy ny tena fahamarinana any amin’ny farany. Nefa nisy ihany koa ireo Zimbaboeana nisalasala tamin’ny nahafatesan’i Oussama ka nitaky porofo tamin’izany. Tsy resy lahatra tamin’ireo ‘’porofo’’ireo i Tsano Tsano. Nolazainy izany tamin’ny fanehoan-kevitra tamin’ity lahatsoratra ity : OK OK OK. S'il et vraiment mort, pourquoi ils ne nous donnent pas les photos ou même les vidéos . Rappelez vous, ce sont les mêmes types qui nous ont tout montré quand Saddam a été capturé, jusqu'à la minute de sa mort. Même pour Gbagbo, ils ont montré les photos de sa capture. Même avec Jonas Savimbi, on a pu voir son cadavre. C'est juste un coup publicitaire.   Capturez Ben Laden à l'aube, et juste cinq heures plus tard, l'Amérique l'”enterre” “en respectant la tradition musulmane”. Bon Dieu. Faut pas pousser les gars.  Pamwe ndini ndiri kupenga. Attendons, et peut-être qu'on les verra, ces photos. ENY ENY ENY. Raha maty marina izy, nahoana no tsy nomeny antsika ireo sary na koa ireo lahatsary mirakitra izany. Tadidionareo fa ireo olona ireo ihany no nampiseho antsika ny fisamborana an’ i Saddam,  hatramin’ny minitra farany nahafatesany. Na ho an’i Gbagbo aza dia nasehon-dry zareo ny sary tamin’ny nisamborana azy. Na dia tamin’i Jonas Savimbi aza, dia azo nojerena ny fatiny. Fampielezan-kevitra fotsiny izany. Nosamborina tamin’ny vao maraimbe i Ben Laden, ary adiny dimy monja taty aoriana, ‘’nalevin’’’ireo Amerikana izy, tao anatin’ny ‘’fanajana ny fomba amam-panao Miozolomana’’. Andriamanitra ô. Aza maika aloha, Pamwendinindirikupenga. Aleo aloha andrasantsika, fa angamba mety ho hitantsika ireo sary ireo. Nisy ny fahatezerana mafy tao Zimbaboe, noho ny fitondrana ratsy tantana, ny tsy fanajana ny zon’olombelona, ny famoretana ireo mpanohitra ara-politika, izay hitan’ireo mpisera aterineto sasantsany fa ny fahafatesana no vahaolana farany. Eveka iray voampanga  taona vitsivitsy lasa izay noho izy nivavaka mba hahafatesan’ny Filohan’i Zimbaboe. Nisioka i Tinotenda Kwaramba hoe : Dernière heure sur Z~TV [chaine nationale du Zimbabwe] : parait que Oussama Ben Laden a été vu en train de boire un café avec le Président Mugabe et Kadhafi dans un hôtel à Harare… Vaovao farany tao amin’ny Z-TV [fahitalavitra nasionaly ao Zimbaboe] : toa hita teo am-pisotroana kafe niaraka tamin’ny Filoha Mugabe sy Khadafi tao amin’ny hotely iray tao Harare i Oussama Ben Laden…… Tsy isalasalana fa ho hita amin’ny andro manaraka ny andiana fanehoan-kevitra vaovao ao amin’ity faritr’izao tontolo izao ity.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/17/126220/
Lahatsary: Andron'ny Zon'Olombelona sy ny Tsy Fanavakahana
2018-09-17T13:23:50
Unknown
(Lahatsoratra efa tamin'ny volana Desambra 2009) Andron'ny Zon'Olombelona ny 10 Desambra, ​​ny tsy fanavakavahana no lohahevitra amin'ity taona ity, ankehitriny dia mitondra fifantenana vitsivitsy ho anareo amin'ireo horonantsary sasany nataon'ny olona sy nampidirina antserasera mba hanohanana ity zon'olombelona ity izahay. Araka ny tenin'ny Sekretera Jeneraly Ban Ki-moon: Discrimination targets individuals and groups that are vulnerable to attack: the disabled, women and girls, the poor, migrants, minorities, and all those who are perceived as different. … But these victims of discrimination are not alone. The United Nations is standing with them, committed to defending the rights of all, and particularly the most vulnerable.  That is our identity and our mission.” Ny fanavakavahana dia mikendry ny olon-tsotra sy vondrona izay mora iharan'ny fanafihana: ny sembana, ny vehivavy sy ny tovovavy, ny mahantra, ny mpifindra monina, ny vitsy an'isa, ary ireo rehetra izay heverina ho hafa. … Saingy tsy irery ireo iharan'ny fanavakavahana. Miara-mijoro amin'izy ireo ny Firenena Mikambana, manolo-tena hiaro ny zon'ny rehetra, ary indrindra indrindra ireo marefo. Izany no mari-panondroana anay sy ny iraka ampanaovina anay. “ Avy any Venezoela, nanatontsa lahatsary fohy ireo mpianatra sasany amin'ny lisea mba hanentanana ny saina momba ny lohahevitra ary hampiroborobo tsy fanavakavahana ho an'ny ankizy eo anelanelan'ny 12 ka hatramin'ny 18 taona: Avy any Meksika, miaraka amin'ny fanohanan'ny fikambanana isan-karazany, nisy ny spot natao hanoherana ny fanavakavahana mifototra amin'ny foko: Ao Arzantina, vondrona tanora iray nanao karazana horonantsary fohy miresaka momba ny fanavakavahana ireo “foko” samihafa an-tanan-dehibe izay heverina fa “Floggers” (bilaogera foto (sary)), emos / goths ary “cumbieros” (mpihaino cumbia) ny tanora ao aminy. Ary avy any Etazonia, mpivady iray no nanapa-kevitra hanararaotra ny Andron'ny Zon'Olombelona mba hanao fanentanana hafa amin'ny alalan'ny lahatsary momba ny karazana fanavakavahana hafa misy ao Ogandà, izay ahitana volavolan-dalàna manome alalana olona ho voaheloka ho faty noho ny maha-pelaka azy fotsiny, ary mety hametraka onitra sy sazy hafa ho an'ny fianakaviany na ny tompon'ny tany: Mahafantatra lahatsary hafa navoaka tamin'ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona ve ianao? Azafady mba ampahafantaro anay!
https://mg.globalvoices.org/2018/09/14/123367/
Afrika Atsimo : Finday, Fitaovana Vaovao Ampiasaina Hiadiana Amin'ny SIDA
2018-09-14T06:07:21
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2008) Manandrana fiadiana iray vaovao izao i Farika Atsimo amin'ny ady ataony hamongorana ny SIDA: ny telefaona finday. Fanentanana iray ho fisorohana no miomana handefa hafatra SMS faobe, maimaimpoana, isanandro, mba handrisihana ny Afrikàna Tatsimo hanao fitiliana ary hitsabo tena raha toa ha hita soritra ny fisian'ny aretina. [ Mitondra ho any aminà lahatsoratra amin'ny teny anglisy daholo ireo rohy rehetra] Herinandro talohan'izao io tetikasa io, nomena ny anarana hoe  Masiluleke na Project M, no nambara nandritra ny kaonferansa iray momba ny teknolojia vaovao Pop!Tech 2008 tao amin'ny fanjakan'i Maine, any Etazonia. Ny telefaona finday no ho ampiasainy, izay tena miasa be tokoa ao Afrika Atsimo, mba hiadiana amin'ny taha tena avo be amin'ny fitondràna ny otrikaretina VIH sy ny ràboka. Ny ampaham-potoana voalohany amin'ilay tetikasa dia hahafahana mandefa SMS eo amin'ny iray tapitrisa eo ho eo isanandro, mandritra ny herintaona, miaraka aminà hafatra an-tsoratra manainga ny olona mba hiantso ny foibe fanaovana fitiliana ny VIH na ny ràboka. Ireny hafatra ireny, mitovitovy amin'ny hoe  “Misaotra indrindra, fa mba ivereno antsoina aho amin'ny laharana…”, dia tena fampiasa be tokoa manerana an'i Afrika. Ny bilaogy White African [angl] no manome torohay vitsivitsy : Mandray anjara amin'ilay tetikasa i “Gustav Praekelt – iray amin'ireo manampahaizana manokana fantatra amin'ny resaka fifandraisandavitra finday ao Afrika Atsimo. Ny habaky ny hafatra maimaimpoana ampiasàna tarehintsoratra 120 tafiditra anaty SMS iray ao Afrika Atsimo no ampiasaina. Manainga ireo olona mitondra ny otrikaretina VIH mba hizaha fahasalamana amin'ny fomba miafina izy io, mba tsy hiharan'ny fitsaratsarampoana mifamatotra amin'ny fanarahana fitsaboana”. Ny tahotra fitsaratsarampoana, ary koa ny vaovao diso, dia aseho ho toy ny fanazavàna ny antony mbola mahavitsy dia vitsy ireo Afrikàna Tatsimo mandeha manao fitiliana sy manaraka fitsaboana. Olona manodidina ny 5.7 tapitrisa no tratra ao Afrika Atsimo, ary araka ny lazain'ireo fikambanana ao anatin'ilay tetikasa, 5 isanjato monja amin'ny mponina no nanao fitiliana. Hita ao amin'ny firenena ihany koa ny taha avobe amin'ny aretina ràboka, antony iray mampihombo ny aretina sy miteraka fahafatesana eny amin'reo olona mitondra ny atrikaretina VIH. Ny Project M dia teraka mba hiadiana amin'ireo valanaretina roa ireo. Tetikasa nokotrehana tao anatin'ny fandaharanasa Pop!Tech Accelerator ary tohanan'ireo andrimpanjakana iraisampirenena , isan'ireny ny iTeach, ny orina Praekelt , Frog design, Nokia Siemens Networks ary ny National Geographic Society . Voamariky ny bilaogy “ 3 Sheep” fa porofoin'ny fampiasana ny telefona finday ao anatin'io fandaharanasa io hoe hatraiza ankehitriny ny fandraisana anjaran'ny finday ao anatin'ny fiainana isanandron'ireo ao Afrika Atsimo, ary ampiany hoe: “Marobe ireo firenena no tsy manana tambajotrana telefona finday ho toy ny fitaovan-tserasera ho an'ny daholobe. Raha fahiny, ireo media hafa, toy ny fampielezampeo, no mety ho nampiasaina ho an'ity fandaharanasa ity, saingy porofoin'ny tetikasa ao Afrika Atsimo ny lanjan'ny fampiasana izay fitaovana rehetra azo ampiasaina mba hanamapiahana ny torohay.” Tsy io no voalohany amin'ny karazana tetikasa toa azy ao Afrika Atsimo . Saingy tsipihan'ireo mpanorina azy fa io no manandanja indrindra raha resaka hadirinà hafatra momba ny fahasalamàna. Ankehitriny, toa tontosan'ilay tetikasa ihany ny fanomezantoky nataony. Nandritra ireo andrana fanentanana, tafakatra avo telo heny ny salanisan'ny antso isanandro ao amin'ilay antso nosokafana ho an'ny AIDS Helpline ao Johannesburg. Raha, taorian'ny nanombohana azy tamin'ny fomba ofisialy, voamarina ireo vokatra ireo, mety ho azo averina vokarina any amin'ny faritra hafa ao Afrika io lasitra io. ahellgeth , tao anaty fanehoankevitra iray tao amin'ny lahatsorany, ao amin'ny bilaogy African Globalization , dia mahita fahafahana betsaka azo sintonina avy amin'io tetikasa io. “Fitaovana iray goavana fanapariahana hafatra mafonja ho an'ny daholobe ny fampiasàna ny teknolojia. Ny fampoiasana ny SMS dia ahafahan'izay maharay izany mamaky sy mamerina mamaky ilay hafatra ao anatin'ny findainy, tsy toy ny hafatra ampitaina amin'ny alàlan'ny feo na ny sombin-taratasy zaraina. Amin'ny ankapobeny dia roa andro no ijanonan'ilay SMS ao anaty faritra natao handraisana hafatra. Afaka jerena sy averina vakiana. Heveriko fa hahasarika tokoa ny sain'ireo maharay azy ny hafatra, ary hanosika azy ireo hanaraka ny torohevitra nomena.…” Dave, ao amin'ny Design in Africa dia maminavina hoe ho fahombiazana ilay fanentanana : “Mikitika olana iray goavana ilay izy, mitondra vahaolana tsotra, mora takarina, voavelabelatra tsara tamin'ny fametrahana miaraka ireo loharanon-kery ananan'ireo rehetra mpiaramiasa. Azo tsapain-tànana ny tombontsoa azon'ireo mpisitraka azy sy ireo vondrom.piarahamonina mpisitraka azy, ary ilay SMS dia maimaimpoana ho an'ireo mahazo azy. Hevitra mamiratra.” Fa ilay vehivavy bialogera lablady , ao amin'ny Wise Advice , mihevitra fa manelingelina ny hoe teknolojia lasa maka ny toerana fototra amin'ny ady atao amin'ny VIH/SIDA. Hoy izy : “Fotoana tahaka ny inona moa no nanaovan'ny fiarahamonina ny telefaona finday ho azon'ny rehetra idirana sy hahasarika ny mason'ireo vahoaka mahantra, ianjadian'ny otrikaretina VIH, ary amporisihany ve ny olona hividy telefaona raha tokony ho ny fimailo? Toa hita ho mifanohitra ny hoe ny teknolojia no lasa mpivoy voalohany ny fanentanana iray izay, taminà fotoana iray, mety ho vokatra azo avy aminà fanetsehana faobe ny mpara-belona mba hanao fitiliana sy fanabeazana. Angamba ianareo hitsara ahy ho be ngetsana, saingy manontany tena aho amin'izay antony nahafahan'ny vahoaka iray manontolo nanana telefaona finday alohan'ny fanànana politika mahomby momba ny fahasalaman'ny daholobe, ho anà aretina iray izay azo sorohana tsara. Catherine Forsythe, ao amin'ny bilaogy DogReader , dia manampy fa arakaraky ny handehanan'ny fotoana, mety horaisina toy ny “hafatra tsy iriana momba ny fahasalamàna” ireo hafatra voaray. “ Ny mety ho fanontaniana dia ny hoe ‘hatramin'ny rahoviana io fomba fiasa io no hahomby ?”.Rehefa avy mamaky voalohany ilay hafatra, ireny hafatra momba ny fahasalamàna ireny dia azo fafàna malaky tsara mihitsy, tsy toy ireo hafatra hafa tsy niriana”. Mametraka fanamby ny “Projet M” hoe tsia . Ireo dingana manaraka amin'ilay tetikasa dia hitodika amin'ny fanapariahana ireo fitiliana isantokantrano, ny fampiroboroboana ireo foibe virtoaly afaka antsoina ary ny fanekena / fandraisana ireny hafatra ireny mba hanomezana torohevitra ho an'ireo izay tsaboina noho ny aretina SIDA. Sary Cell Phone Close Up avy amin'i JonJon2k8 tao amin'ny Flickr.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/12/125963/
Maoritania: Fanonganam-panjakana
2018-09-12T12:37:51
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2008) Miresaka ny fanonganam-panjakana izay nitranga tao Maoritania ny blaogera maoritaniana Rauf . Inty ny fandikàna nataon'ny solosaina ny zavatra nalefa teo amin'ny blaoginy: Tamin'ny alarobia maraina, nandrenesana tifitra avy taminà fitaovam-piadiana mavesatra tao Nouakchott taorian'ny nandraisan'ny mpiambina ny filoham-pirenena ny fifehezana ireo toerana stratejika marobe tao an-drenivohitra Maoritaniàna, izay nitrangan'ny fanonganam-panjakana nataon'ny tafika, tamin'ny tsy naha-teo ny Filoham-pirenena, Maaouyia Ould Taya. Tokony ho tamin'ny 5 ora, ora tao an-toerana (sy GMT), azon'ireo miaramila mpiambina ny filoham-pirenena ny fifehezana ireo tranoben'ny fitantanan-draharaha, ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena, ary nobahanany ny fidirana tao amin'ny lapa sy ireo minisitera, araka ity loharanom-baovao ity: Araka ny voalazan'ireo mpanaramaso, napetrak'izy ireo teny amin'ireo toerana stratejika tao an-drenivohitra avokoa ireo fiara mirongo fiadiana mavesatra sy ireo tafondro fiarovana ny habakabaka. Nanakoako ny tifitra in-dimy tamin'ireo fitaovana mavesatra tamin'ny 10: 15 alina teo ho eo, tsy lavitra ny afovoan-tananan'i Nouakchott, izay naha-foana tsikelikely an'ireo arabe, tsy hisy olona. Tao an-drenivohitra, foana avokoa ireo tranobem-panjakana ary zara raha nisy fivezivezena tamin'ny faran'ny maraina, ireo mpandeha an-tongotra sy fiara vitsivitsy monja no teny an-dalambe. Hanandrana hikaroka blaogera maoritaniana maro kokoa aho – manantena fa hanao tahaka izany koa ireo hafa.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/13/126073/
Lahatsary: ​​Ny fiverenan'ny lamba nentim-paharazana any Mali
2018-09-13T05:14:18
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 19 Martsa 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Ahafahana mahita ny lanjan'ny kolontsaina sy ny toekarena any Mali ny asa tanana vita amin'ny lamba nentim-paharazana izay ataon'olon-tsotra na fikambanana. Hita amin'ny fikambanan'ireo vehivavy, izay nilaza fa nametraka an'i Mali ho herin'ny indostrian'ny lamba izany ka hatrany amin'ireo mpanakanto izay mampiasa ny lamba nolokoina tamin'ny zavamaniry sy ny fotaka ho fanamafisana ny sanganasany, ka hatrany amin'ny fizahan-tany manokana izay niroborobo manodidina ity asa tanana ity. Hanombohana izany, dia mampahafantatra antsika momba ny fangatahana fanampiana ara-bola nokarakarain'i Maureen Gosling i Craft mba ahafahany mamita ny lahatsary fanadihadiana izay nataony momba ny fandokoan-damba tao an-drenivohitra Bamako . Ato anatin'ity sombin-dahatsary ity, miresaka momba ny maha-zava-dehibe ny lamba voaloko amin'ny fomba ara-javakanto sy nentim-paharazana ao Mali ireo mpandoko lamba, sy ny fomba nanovan'izany ny fiainan'izy ireo [amin'ny teny bambara]: Ny fampiasana fotaka ho lokon-damba ny iray amin'ireo teknika fandokoana nentim-paharazana ireo. Nalefa tao Segou ary mampiseho ity teknika ity ny lahatsary etsy ambany , tao amin'ny bilaogy TravelWestAfrica: Antsoina ihany koa hoe bogolanfini ny lamba voaloko amin'ny ranon-javamaniry sy ny fotaka; ato anatin'ity horonantsary manaraka ity izay nalain'i hubuf ity ary novokarina tamin'ny taona 2006 dia manazava ny atao hoe bogolan amin'ny mpianatra asa maromaro ny mpanao asatanana iray, ny teknika fanaovana azy ary ny toeran'izany eo amin'ny fomban-drazan'i Mali: Mampiseho ny vondron'olona mpitsidika izay mianatra ny teknika fanaovana ny bogolan ao Ségou amin'ny alàlan'ny sombin-damba samihafa ny lahatsarin'i claudiodumali . Raha mahaliana anao ny zavakanto bogolan dia atolotr'i polbenmali ny lahatsary fanadihadiana an-tserasera iray manana fizarana roa ( Fizarana 1 , Fizarana 2 [amin'ny teny frantsay]) ahitana an'i Issiaka Dembele, mpanakanto iray mampiasa ny bogolan ho lasitry ny asa famoronany. Ao amin'ireo lahatsary ireo izay hazavain'ilay mpanakanto amin'ny teny frantsay no ahitana ny pitsopitsony sy ny dingana amin'ny antsipiriany hanaovana izany: mandoko ny lamba ho mavo , ny famonosana izany amin'ny alàlan'ny fotaka nalaina tao anaty honahona, izay efa notahirizina nandritra ny volana maro mba handokoana ny lamba ho mainty alohan'ny handokoana ny faritra mavo mba hanalana ny loko amin'ny toerana sasany, na hanindriana ny loko ho an'ny hafa.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/12/125946/
Mifandresy Lahatra Miaraka Amin'ny “Hanana” Ny Filankevitry ny Tafika Maoritaniana
2018-09-12T11:24:37
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2005) Manao tatitra ny * Al Akhbar (Vaovao – raha teny Arabo) tamin'ny 7:13 hariva fa ny Filankevitry ny Tafika ho amin'ny Rariny sy ny Demokrasia dia nifandresy lahatra tamin'ny Saleh Weld Hanana, ilay filohan'ny Reform Knights – izay nitarika ny fanonganam-panjakana voalohany tamin'ny Jona 2003. Nogadraina mandrapahafaty i Hanana nanomboka teo. Ny tanjon'ireo fifandresen-dahatra ireo, araka ny voafaritra, dia ny hampiraisana sy hampitambarana ny hery ho eo ambany fitantanana iray ihany, ary ny fomba hiatrehana ireo mpikambana ao amin'ny Reform Knights izay monina any ivelany. المجلس العسكري للعدالة والديمقراطية يفاوض صالح ولد حننا أكدت مصادر مؤكدة لوكالة أنباء الأخبار المستقلة أن أعضاء من المجلس الوطني للعدالة والديمقراطية (الذي يحكم موريتانيا منذ اليوم) قد دخلوا في مفاوضات مع القائد السابق لتنظيم فرسان التغيير الضابط صالح ولد حننا. وحسب المعلومات فإن المفاوضات لاتزال جارية هذه اللحظات مع زعيم فرسان التغيير الذي يقضي عقوبة السجن المؤبد في السجن المركزي بنواكشوط إثر قيامه بمحاولة إنقلابية فاشلة في 8 و9 من يونيو 2003 على نظام العقيد ولد الطايع. وحسب نفس المصادر فإن هذا سيحدث توازنا كبيرا في الحكم وتشير المصادر أيضا إلى أن المفاوضات قطعت أشواطا مهمة وتتركز حاليا على طريقة دمج أعضاء تنظيم فرسان التغيير العسكري المعارض والتعاطي مع الموجودين منهم بالخارج. ويبدو من خلال هذه المفاوضات أن الانقلابيين يسعون لجمع كل الأطياف ذات التأثير الخطير على الساحة الوطنية ومحاولة منهم لكسب أكبر تأييد شعبي خصوصا في هذه الظرفية الحرجة. جدير بالذكر هنا أن الضابط السابق صالح ولد حننا كان أول ضابط في الجيش الموريتاني يقود محاولة انقلابية على العقيد ولد الطايع وهي المحاولة التي ذكر أن من أسبابها فساد نظام الرئيس ولد الطايع وعلاقته مع إسرائيل. Manamarika ihany koa ny lahatsoratra etsy ambony fa ilay fikasàna hanao fanonganam-panjakana tsy tanteraka nataon'i Hanana dia teraka noho ny kolikolin'ny rafitra Weld Al tayea sy ireo fifandraisany amin'i Isiraely. Ny fanontaniana dia hoe, Ahoana ny hoavin'io fifandraisana io ankehitriny? Mihambo ho Masoivohom-baovao Voalohany Tsy miankina ao Maoritania ny Al Akhbar.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/12/125960/
Manohana Blaogy Afrikana Ny BBC
2018-09-12T12:21:30
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2008) Hatry ny ela ny BBC no efa mamporisika an'ireo mpamaky sy ireo mpihaino ny tolotra omeny an'i Afrika mba hiresaka ny fomba fijerin-dry zareo mikasika io tanibe io, amin'ny alalan'ny famakiana ireo lahatsoratra sahala amin'ny “”Nahoana no tiako i Afrika” , ka ao no anasàny ireo Afrikana sy ireo mpitia an'i Afrika  mba hizara ireo fijery miabo ananan-dry zareo momba io tanibe io. Tsy ela akory izay, nandroso dingana iray izy ireo ary ankehitriny mampiseho ampahany iray vaovao manankarena, “Ny Fiainana ao Afrika” , izay manangona ireo votoaty rehetra nafantok'izy ireo tamin'i Afrika, ary koa kazarana votoaty midadasika be ety anaty aterineto, anisan'izany ireo famintinana mikasika ny firenena tsirairay avy ao amin'ny tanibe , sarintany iray mahafinaritra mba hampianarana an'ireo ankizy momba an'i Afrika, angona iray ahitana an'ireo toeram-pisakafoanana afrikana ao Angletera sy ireo foiben-toeran'ny onjampeo miresaka an'i Afrika, ireo mpivarotra kapila misy rakikira , sy ny sisa. (Tsy mety mandeha ny ahy ny Africa Quiz- n'ny BBC) – nihitsoka ilay izy taorian'ny fanontaniana fahatelo – nefa raha toa ianao mahatsiaro ho tsy maintsy hitsapa ny fahafantaranao an'i Afrika, mamelà ahy hanafatra anao hijery ny lalao Sarintanin'i Afrika an'ny Schoolnet Namibie , indrindra indrindra rehefa eo amin'ny ambaratonga tena sarotra indrindra …) Saingy ho an'ireo mpankafy ‘bridgeblogs’ , ny ampahany tena mahaliana dia ny “Afrika-ko” , angona iray misy ireo “diary” narindran'ireo mpifandray amin'ny BBC sy ireo olona nifaneraseran-dry zareo teny amin'ny làlana nodiaviny. Ny ankamaroany dia tsy nanana afa-tsy lahatsoratra iray na roa monja, nefa tonga ho sary manankarena momba ny fiainana manokana teo amin'ilay tanibe. Ny fahitan'i Franck Otete mikasika ny fianarana ho mpitsabo ao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo dia mampahatsiahy antsika ny maha-zava-dehibe ny aterineto amin'ny fampianarana eo amin'ny tanibe, satria ny ankamaroan'ireo leson'i Franck dia rantovina avy lavitra avy any Frantsa. Miverina ao Ghanà i Ekow Eshun , tanin'ireo ray amandreniny, na dia tany Londra aza izy no lehibe ary nanjary mpahay kanto – ny diany niverina an-tanindrazana dia nanjary fehezam-panontaniana iray saro-bahàna mikasika ny tena fiaviany. Ary manome fijery tsy mbola nosainiko velively i Edward Chiwale – ny fijery ny fiainana amin'ny maha mpitandro filaminana ao Mufulira, ao Zambia, tao amin'ny blaogy mitondra ny lohateny hoe “Raharahanan'ny Polisy”. Mendrika ho tadidiana ny hafany voalohany – lesona iray mikasika ny fomba fitondràna marary iray ho any amin'ny hopitaly rehefa tsy afaka manolotra fiara mpitondra marary ilay hopitaly. Tokony ho tamin'ny 10 alina, nahita lehilahy iray tao amin'ny toeram-pisotroana aho, lehilahy iray tena goavambe, tonga nanatona tao amin'ny biraonay nibata lehilahy iray hafa maratra. Notantarainy ny ratran'ilay lehilahy. Nandroso nanatona ny toerana fandraisana aho, nojereko ilay lehilahy maratra, oh! Nisafoaka aho raha vao nahita ireo tsinainy nivoaka avy tao an-kibony. Nanomboka namoaka tatitra ara-pahasalamana aho, nefa ilay lehilahy efa ambavahaonan'ny fahafatesana. Tsy nisy fiara mihitsy tao amin'ny birao tamin'io fotoana io, noho izany tsy nisy safidy hafa ho ahy afa-tsy ny nandray ny AK47 Riffle-ko ary nijoro teo an-dalambe. Vetivety dia nisy fiara tonga, nefa efa nirotsaka ny alina, tsy nety nijanona ilay mpamily. Nanao tifi-danitra aho mba hampitahorana azy ary dia nijanona izy. Nentina tany amin'ny hopitaly izay nitsaboana azy ilay marary ary velona. Izaho sy ireo namako tao amin'ny AllAfrica dia samy nanaraka an'ireo blaogy afrikana ampolony teo amin'ny BlogAfrica nandritra iny taona lasa iny.. nefa amin'ny maha mpanangom-baovao, voafetra izahay ho amin'ny fandrakofana an'ireo blaogy izay foronin'ireo olona sy raiketiny amin'ny fomba organika. Lasa lavitra foana BBC amin'ny fikarohana an'ireo olona manana tantara mahaliana ho tantaraina, amin'ny fampitondrana azy ireo fitaovana fakana sary nomerika sy amin'ny famporisihana azy ireo hanohy hanoratra.Hita ho toy ny traikefa mahomby tsara izy io hatramin'izao, izay, hinoako fa, hivelatra mba hahafahan'ny Global Voices manasongadina mismisy kokoa amin'ireny bilaogy afrikàna tonga lafatra ireny.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/12/125920/
Blaogy Sokwanele Tao Zimbaboe
2018-09-12T07:25:15
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2005) Ao am-piomanana ho amin'ireo fifidianana solombavam-bahoaka hatao ny 1 aprily 2005 i Zimbaboe. Tsy misy isalasalàna ny ho vokatra. Ny ankamaroan'ireo mpanara-maso dia miandry avokoa fa ny antoko Zanu-PF-n'i Robert Mugabe eo amin'ny fitondrana no hahazo ny fandresena mavesatra, hahazo fara-faharatsiny ny 75%-n'ireo vato. Tsy hoe satria manana ny lazany manokana akory ny antoko Zanu-PF, fa satria rakotra kolikoly ny zotran'ny fifidianana ka tsy ahafahan'ny mpanohitra handresy mihitsy. Voasakana tsy hanao famoriambahoaka ireo mpikambana amin'ny antoko mpanohitra MDC ary atahorana ho voasambotra, hofonjaina sy hampijaliana ireo mpikatroka. Ireo mpifidy ivelan'ny firenena – mitontaly 3,5 tapitrisa, izay maro no mpanohitra – dia voasakana tsy hifidy mandritra an'ireo fifidianana ireo. Mandray anjara izy ireo amin'ny fanoherana “fandatsaham-bato amin'ny SMS” mba hanehoana ny hamafin'ny fanohanan'ny mpanohitra avy any ivelan'ny firenena. Tsy misitraka ny zony hifidy tsotra izao ihany koa ireo mpifidy ao amin'ny firenena, tsy maintsy mampiseho taratasy avy amin'ireo mpampiasa na ireo tompony mialohan'ny hamelàna azy ireo handatsa-bato… fanamby iray ao amin'ny firenena izay ireo mihanaka be tokoa ireo tsy manakialofana ary 80% ny tsy fananana asa. Niantso an'ireo vahoakan'i Zimbaboe ny Arseveka Pius Ncube mba hijoro mandritra ny revolisiona tsy misy herisetra hanoherana an'i Mugabe. Mihevitra izy fa efa nahodin'ny antokon'i Mugabe ny vatom-pifidianana hoavy, tamin'ny fanoratana ny anaran'ireo maty an-tapitrisany, ireo mpifidy sandoka sy ny famerenana in-droa ny anaran'ireo mpomba ny Zanu-PF. Noravàn'i Mugabe tsotra izao ireo media an'ny mpanohitra, noterena ireo gazetin'ny mpanohitra mba tsy hiasa afa-tsy any ivelan'ny firenena. Tolokevitry ny tatitra iray avy amin'i Abraham McLaughlin ao anatin'ny Christian Science Monitor ny hoe ireo fitaovana fanelingelenana onjampeo nomen'ny governemanta shinoa no nampiasaina mba hanakanana ireo onjampeo tsy miankina tsy hahafahany hifaninana amin'ireo onjampeo fehezin'ny Fanjakana. Ao anatin'io tontolo io, azo marihina fa n'iza n'iza dia hanao fanamby amin'ny Zanu-PF avokoa miaraka amin'ny fanaovana tatitra anaty blaogy… saingy tena izay no ataon'ireo mahery fo ao amin'ny Sokwanele , “tarika mpanohana ny hetsika sivily”. Ahitana an'ireo hafatra avy amin'ireo mpikatroka tsirairay sy hatramin'ny an'ny fikambanana manontolo ihany koa ny vohika n'izy ireo, ary manome feo, fomba fijery ary vaovao avy amin'ny lafivalon'ny firenena raha eo am-piomanana ny handatsa-bato ireo vahoaka Zimbaboeana. Ahitana an'ireo tsahotsaho mikasika ny fidiran'i Shina antsehatra anatin'ny mety ho fanodinkodinana vatom-pifidianana ireo hafatra vao haingana. Manaraka ny faritra namindràna toerana azy ao amin'ny renirano Nyanzane, tena matahotra ireo olona ary nilazàna hoe  nitondra vata ireo Sinoa mba handresen'ny zanu.pf. Mihevitra ireo olona fa efa voasesika vato hampandesena ny zanu.pf ireny vata ireny. Fikasàna hitarika an'ireo mpifidy amin'ny fanondrotana tambabe ny karama farany ambany indrindra . Tonga niaraka tamina fepetra hafa mampisritaka ny governemanta – tamin'ity indray mitoraka ity mba hividianana ny vato ao an-drenivohitra. Amin'izao fotoana izao, nasondrotra 900% ny karama sy tombontsoan'ireo mpiasa an-trano nanomboka tamin'ny 1 martsa 2005. Dia tena mino tokoa va re ity fitondrana halam-bahoaka sy banky rmpitra ity fa hoe adala vendrana ireo mpiasa an-trano ka noho ity fepetra tamin'ny ora farany ity dia hivadika amin'izay efa nomeny tokim-panompoana? ary hafatra iray mampihetsi-po avy amin'i Noktula ao Bulawayo, mitondra ny lohateny hoe “Hirehareha aho mitafy ny lobako” . Omaly, naharay ambonin'akanjo fanentanana aho avy amin'ny MDC. Tsy nampiasaiko ho toy ny “akanjo fitondra matory” izy io ho an'ny fiainako ao an-tokantrano. Hanaovako ilay izy rehefa mivoaka aho. Hirehareha aho manao azy, ary tsy hisy na iza na iza hisakana ahy! Ary rehefa tsy mitafy ilay ambonin'akanjoko aho dia tsy afeniko any anaty lalina amin'ny fihantonan'akanjoko ilay izy, any ambanin'ireo akanjo hafa rehetra toy ny nataoko fahiny. Tsy heloka ny fanohanana antoko malaza iray. Tsy hanan-tahotra aho.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/09/125362/
Madagasikara – Frantsa: Miteraka Ahiahy Amin'ny Jadon'ny Governemanta Ny Fandroahana Ireo Teratany Frantsay Anankiroa
2018-09-09T10:01:50
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2007) Teratany frantsay anankiroa, Christian Chadefaux sy mompera Urfer, nipetraka teto Madagasikara efa am-polo taona maro no namoahan'ny governemanta malagasy didy tamin'iny volana lasa iny (may 2007) fa olona tsy iriana honina eto Madagasikara. Andro vitsy monja taorian'ny nahalany an'i Nicolas Sarkozy ho filohan'i Frantsa izay nanao ho laharam-pahamehana ny fandroahana ireo mpifindramonina tsy ara-dalàna io fanapahankevitra io. Fifanandrifian-javatra ve ? Manome ny fomba fijeriny momba ilay fiovàna jadona tampoka nataon'ny governemanta ireo malagasy mpitoraka bilaogy sady manontany tena raha toa ka endrika valinkafatra noho ireo teratany malagasy vitsivitsy voaroaka tany Frantsa io fanapahankevitra io. Tezitra tamin'ilay fanapahan-kevitry ny governemanta mikasika ny fandroahana an'i mompera Urfer i Barijaona : Rehefa iainana andavanandro ny lazan'ny fanatontoloana, dia manana endrika jadona foana ny fandroahana iray . Fa ity indray mitoraka ity, no fehezany. Taorian'i Chiristian Chadefaux, 40 taona teto Madagasikara, dia anjaran'i Sylvain Urfer indray izao, nolavina ny fahazoany alàlana hipetraka eto Madagasikara rehefa nonina teto nandritra ny 33 taona. Tena zavatra tsy misy dikany, fa ny zava-misy dia miala amin'ny jadona malefaka isika mba hankanesana any amin'ny zavatra manaitra kokoa. Ireo mpanindrahindra an'i Sarkozy sy Ravalomanana sy ny mpanohitra azy ireo dia milaza fa andian-taranaka mitovy izy ireo, samy tia amerikana, samy manana kolontsaina mirona mankany amin'ny vokatra, samy sodokan'ny vola … Ao amin'ny sehatra natao ho an'ny fanehoankevitra, heverin'i Rajiosy fa valin-kafatra tsotra izao ny fandroahana ireo teratany frantsay anankiroa ireo raha oharina amin'ny fandroahana ireo malagasy tany Frantsa. Amin'ny ankamaroan'ny malagasy, izaho an'isany, ary fanampin'izay dia maintimolalin'ny St-Michel sady mpianatr'ilay mompera ” tsy nohavaozina” fa tsy hoe “noroahana”, dia misy raharaha tranainy tokony halamina eo amin'ny frantsain'i Mada sy ny fomba firesak'izy ireo ? ny fahamboniana voajanaharin-dry zareo ? ny fahaizany ? ny fizahozahoan-dry zareo? Noho izany ny finiavana tsy nanavao zavatra kely iray na roa sy daka hafa atao amin'ny fivavahana – mahazatra izany aty Frantsa – mety izany … Sady ny hafa rahateo ihany no iharan'izany. Tapitra ny vanim-potoanan'ny fanjanahana. Mamaly izany i Barijaona : Saintsaino ity fehezanteny ity : ny fakàntahaka no tena endriky ny fandokafana. Te-handòka an'i Le Pen ve ianao ? Malalaka ianao. “Just renaud” dia nifidy ny faniratsiràna mba hanamelohana ilay fahefana jadona vaovaon'ny governemanta : Tsy maintsy tsapa na dia izany aza, fa na misy aza ny fihenjanana etsy sy eroa sy ireo ezaka fampivondronana ireo mpikambana avy amin'ny mpanohitra ao an-toerana, dia lavitra ny fanjakana izany hihozongozona izany, ary tohizany ny làlany mankany amin'ny fampandrosoana haingana sy maharitra manaraka ny gadon'ny Loholona. Na amin'ny tsara na amin'ny ratsy, araka ny fiheverana, ny fitondràn-dRavalomanana dia miangavy izay rehetra manakana ny làlany mankany amin'ny fampandrosoana mba hilevina. Ny tena goavana dia nampitandremana ihany koa ny vahiny. Tsy efa nampitandremina ve ry zareo tsy hitsabaka amin'ny raharaham-pirenena ? Eo anivon'izany fihenjanana ankehitriny misy ao amin'ny firenena noho ny fankahalàna vahiny sy ny fanindriana ny fiaviana ara-poko izany, dia ampatsiahivin'i Tomavana antsika ny tenin'i James McGee, masoivohon'i Etazonia tamin'ny kabariny alohan'ny handehanany izay mandrisika ny malagasy rehetra, na avy aiza na avy aiza fihaviany mba handray anjara amin'ny hoavin'ny firenena : Tsy maninona na avy any Indonezia, na Afrika, na India, na Shina no fihavian'ny razanareo. {..} Tsy mampaninona na tanindrana ianareo na ambaniandro : manana ny hoavinareo ianareo eto amin'ity firenena ity. Lova Rakotomalala.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/11/125922/
Manao Blaogy Mikasika Ny Herisetra Tao Etiopia i Andrew Heavens
2018-09-11T13:21:08
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2005) Herinandro vitsivitsy lasa izay, sahala amin'ny toa fandresena goavana ho an'ireo mpomba ny fisokafana sy ny fanapariahana ny demokrasia ireo fifidianana tao Etiopia. Tamin'ny alàlan'ny fitaterana ny toa fitomboan'ny seza azon'ny mpanohitra, toerana 12 hatramin'ny 174, ao amin'ny parlemanta izay ahitana toerana 547, nanoratra i Abraham McLaughlin tao anatin'ny Christian Science Monitor manao hoe: Nahitàna marika mahagaga mikasika ny fisokafana ilay fanentanana: nomena alalana tao an-drenivohitra ireo famoriambahoaka goavana nataon'ny fanoherana, ny fandrakofana ny vaovaon'ny fanoherana natao tany anatin'ireo mediam-panjakana, ary, sambany hatrizay, maherin'ny 300 ireo mpanara-maso iraisam-pirenena no nasaina hanatrika ny fandatsahambato. Ny fisokafana mitombo be asongadin'ny governemantan'i Zenawi (teo amin'ny fitondrana izy nanomboka tamin'ny taona 1991, naharesy tamin'ireo fifidianana telo niarahan'ny maro nahita ho toy ny feno hosoka) dia tsy midika fa ho iray hatao anaty filaminana ity zotram-pifidianana ity. Tamin'ny talata teo, nanomboka nitroatra ireo mpianatra tao amin'ny sampana “Mexico” ao Addis-Abeba, ary manambana fitokonana faobe ireo mpitondra fiarakaretsaka sy ireo fiarabe fitateram-bahoaka amin'ny Alarobia. Valinkafatra nasertin'ny governemanta ny fitifirana ireo mpanohitra, nahafatesana olona 22 fara-faharatsiny. .Tena tao anatin'ny zavanitranga mihitsy i Andrew Heavens, mpanao gazety iray tsy miankina avy ao Addis-Abeba, ary naka sary ho an'ny Reuters. Ny blaoginy, Meskel Square , ankehitriny dia feno ireo tantara sy sary mampangirifiry . Tamin'ny fotoana iray, lehilahy iray no nivoaka tampoka ny tranompaty vonton'ny alahelo. Nanohy nikaroka an'ireo mpitsabo teny amin'ny manodidina izy, mamonkona ny totohondriny, mitady ampahakiviana ny hahita olona mba hanalefaka ny alahelony. Segondra vitsivitsy taty aoriana, nihazakazaka nivoaka tamin-dranomaso avy tao amin'ny efitrano izy. Mba ho fitadidy fotsiny, faty 11 no hitako tao amin'ireo hopitalin'i Black Lion sy Zawdidu, naratran'ny bala avokoa izy rehetra ireo, ny sasany teo amin'ny loha. Araka ny efa fantatrao, 22 ny fanisana ofisialy ankehitriny. Hitako ho ao aatin'ny faharoapolon'ny taonany avokoa izy rehetra ireo na raha be indrindra manakaiky ny telopolo. Mbola tanora avokoa ny ankamaroan'ireo mpanao fihetsiketsehana hitako omaly – jereo ity sary ity ahitana an'ireo tanora mitoraka vato. Ny tena mampiahiahy fatratra dia ny mety ho fihanak'ity korontana ataon'ireo mpianatra ity any amin'ireo “olona eny andalambe” manerana ny tanàna, hamadika ireo fihetsiketsehana ho lasa  korontana midadasika be. Navoakan'i Andrew teo amin'ny Flickr ireo sary . Ahitana ny sarin'ireo mpianatra nanao fihetsiketsehana teny andalam-be izy ireny, ireo tanora mitàna vato ary be loatra ireo sarin'ireo naratra sy ireo maty . Manontany tena ny tontolombolongana Etiopiana raha toa ka mirona mankany amin'ny revolisiôna miendrika Okraniana i Etiopia. Ireo blaogera avy amin'ny mpanohitra no tena heno manokana. Manana lahatsoratra lavabe i Ethiopundit manao resaka tsy loabody hoe halatra ireo fifidianana sy tamin'ny filazàna hoe ny nahazoan'ny mpanohitra ireo toerana tao Addis-Abeba, dia rahona manakona entina hanaronana ny hala-pifidianana ankapobeny. Manome tombony ny fanadihadiana antontanisa i Dagmawi, ao anatin'izany ireo vinavina izay nilaza fa nanome tombony ny antoko eo amin'ny fitondrana ilay taham-pandraisana anjara ary milaza hosoka. Mino ny Ethiopian Review fa ny mpitondra tenin'ny CUD  (antokon'ny mpanohitra), Ato Lidetu Ayalew , dia notazonin'ny governemanta tsy misakafo sy tsy misotro rano ka angatahany ny olona mba hiantso ny CICR hiangavy fanampiana hahazoana ny famotsorana azy. Sahala amin'ny toa poretin'ny governemanta Etiopiana ny mpilaza vaovao tsy miankina, amin'ny alalan'ny fisintonana ireo fahazoandalana hilaza vaovao tamin'ny Deutchse Welle sy ny Voice of America . Mangataka an'ireo mpaneho hevitra eo amin'ny blaoginy i Heavens mba hanohy “hampitonitony ireo fanehoankevitra”, no sady tonga saina fa tandindonin-doza ihany koa ny fisiany ao Addis Abeba . Blaogy Etiopiana efa ho folo tatsaka kely no arahan'ny mpanangom-baovao ato amin'ny Global Voices ary angamba mety ho ilain'ireo izay maniry hanaraka ny fivoatran'ny raharaha rehetra, arakaraky ny itrangan'izy ireny. Sary avy amin'i Andrew Heavens
https://mg.globalvoices.org/2018/09/06/124629/
Fijery Avy Any Amin'ny Tandrok'i Afrika Sy Sodàna
2018-09-06T05:36:11
Unknown
Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny volana Aprily 2006 I Etiopia no iray tamin'ireo firenena Afrikana efatra monja tsy voazanaky ny fitondrana Eoropeana mihitsy. Na dia mahaleotena aza, niharan'ny fibodoana nataon'ny Italiana i Etiopia tamin'ny taona 1936 hatramin'ny taona 1941. mamerina amintsika indray ny tantara ny ethiopundit – 110 taona lasa izay – tamin'ny Adin'i Adwa, izay nandresen'ny hery Etiopiana an'ireo Italiana mpanjanaka nanana teknolojia avolenta. ” Misongadina ambonin'ny fifanandrinan'izy ireo ao amin'ny faritra sy ny ahiahin'izy ireo ao an-toerana, nivondrona mba handresy an'ireo italiana mpanafika nirongo teknolojia tena raitra sy tohanan'i Eoropa manontolo, ny tsirairay avy amin'io lafim-piarahamonina ahitana foko maromaro [ao Etiopia] io … Ny fandresena etiopiana tamin'ny Adin'i Adwa dia mijanona ho tranga iray tena manan-danja ao anatina fahatsiarovana iraisan'ny vahoaka afrikanina iray manontolo. Io no vanim-potoana tokana tsy ara-pinoana tamin'ny tantara manontolon'i Afrika izay nankalazaina hatramin'ny taonjato iray mahery niaraka tamin'ny hafanampom-bahoaka tsy voahozongozona.” Mitaraina mikasika ny toe-draharaha politika mampalahelo ao Etiopia i Paulos Dandego ao amin'ny Ethiopian Politics amin'ny alalan'ny fanoritsoritana ilay firenena ho toy ny “anaty zotra mampiahiahy mirona ho any amin'ny tsy refesi-mandidy tanteraka”. Somary zendana kely ihany koa izy tamin'ny lahateny nataon'ny sekretera lefitry ny raharaha Afrikana, Andriamatoa Donald Y. Yamamoto, nanoloana ny Kaongresy Amerikàna mikasika ny toe-draharaha any Etiopia: “Nanao ny lahateny mahazatra azy manafosafo,  matsatso fanomeny nandritra ny enim-bolana lasa i Andriamatoa Yamamoto. Tena nahasarotra ny faminaniana izay mety ho ataon'ny governemanta amerikana ny fijoroana vavolombelona nataony, ankoatra ny fipetrahana teo ankilany amin'ny fanantenana vokatra iray ahazoana tombony.” Mahita ny fientanampony ho somary mafaitra i Andrew Heavens avy ao amin'ny Meskel Square , mba ho afaka hahazo, sambany, ny “fiheveran'ny ankamaroan'ireo [gazety] eoropeana sy amerikana” ao Addis-Abeba. Araka ny heviny, ireo gazety an-tsoratra etiopiana dia “tsara kokoa amin'ny endriny maro noho ireo tena izy” satria “taratasy fotsy kokoa sy madio [ary manana] habe somary lehibe kokoa” no nampiasain'izy ireo. Na izany aza, ny tsy fisian'ilay gazety Sudoku mpiseho isanandro famakiny sy ny fidangan'ny vidiny somary lafo no mahatonga ny hafaliany ho mafaitra – nambarany fa 2,64 £ ny vidin'ny Times raha oharina amin'ny vidin'ny amin'ny fonony ao Londona izay 60 pence). Ny fihanak'ireo andian-tafika vahiny (tsy sodaney) ao amin'ny faritra Darfour ao Sodana dia toa olana mampiady hevitra ao Sodana. Mitanisa tatitra iray an'i Xinhua (ao Shina) ny Sudan Watch , izay manambara fa nantsoin'ny filoham-pirenena Sodaney, Omar al-Bashir, ny Sodaney rehetra mba hilaza fa tsy mila ny fisian'ny andian-tafika vahiny ao Sodana. Ao anatin'ireo tenin'ny Filoha al-Bashir, “ny fidiran'ny vahiny an-tsehatra dia tsy inona akory fa ny fanjanahana fahiny saronana ao anatin'ny fitafy vaovaon'ireo fikambanana mampiahiahy sy ireo mpivarotra fitaovam-piadiana”. Ny Filoha al-Bashir ihany koa “…nitehaka ny andraikitra noraisin'ireo firenena arabo tamin'ny lafiny fanohanana ny fandriampahalemana sy tamin'ny fanarenana tao Sodana.” Miala any ny fitsikeràna ny Ligy Arabo avy amin'ny blaogy Inside Somaliland , izay mitanisa tatitra iray an'ny Sudan Tribune izay manontany hoe: “ Sahy hihaino an'i  Somaliland ve ireo Arabo? “. “Manam-pahazarana mamela ny raharaha ho sarotra ny Ligue Arabo hatramin'ny fotoana izay tsy maintsy ilàna ny fanaovana fandidiana maika avy amin'ireo hery vahiny izay tsy voatery hifanaraka tsara akory amin'ny filàna eo amin'ny tontolo Arabo ny tombontsoan-dry zareo amin'izany.” Miresaka ny tsy fiovan-javatra io, izayo toa tian'ireo firenena Arabo, amin'ny fampiasana “ny angovo sy ireo loharanon-karena mba hiantohana fa hijanona amin'izay efa misy azy ny zava-drehetra”, tsy matahotra izay zavatra mety ho entin'ny fiovàna. Milaza ny Feon'i Somaliland ao anatin'ny Zanany am-pielezana ao Ottawa fa i Ali Mazrui,ilay Afrikana manam-pahaizana, mpahay tantara sy mpandinika politika, mpampianatra no nitondra ny fanohanany tamin'ny hetsika fitakiana fahaleovantena tao Somaliland. Faritra iray nilaza samirery ny fahaleovantenany ao Somalia i Somaliland. Tsy neken'izao tontolo izao, nahavita nijanona ho mandry fahalemana izy niaraka tamin'ny governemanta iray amperinasa, tsy toy ny ao Somalia tsy nisy governemanta foibe hatramin'ny taona 1991. Namporisihan'ny Profesora  Mazrui i Somaliland mba hanomboka hanao tsindry amin'ireo firenena ao anatin'ny Commonwealth (tfikambanan'ny tany miteny sy/na mampiasa ny teny anglisy, raha mbola miady izy mba ho ekena ny maha-repoblika azy mahaleotena tsy mikambana amin'i Somalia. Nanana io hafatra io ihany koa izy ho an'ny vahoakan'i Somaliland. “Mety hieritreritra ny hanavao ny anaranao ho Somalistàna ianao, izay manana fiafaràna sahala amin'ny an'ireo firenena silamo hafa toa an'i Pakistana, Afganistana, sy ny sisa…” Nanomboka tamin'ny 21 martsa 2006, nanao fitsidihana ofisialy tao Somaliland ny Profesora Mazrui.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/06/125190/
Kamerona : Vehivavy Kameroney Bilaogera Vitsivitsy
2018-09-06T06:46:22
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008) Maneho ny heviny eo amin'ny aterineto amin'izay ireo vehivavy Kameroney miteny anglisy, amin'ny alalan'ny bilaoginy, na momba ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny lamaody sy ny kolontsaina, na koa ny toe-piainan'ny vehivavy (mitondra eny amin'ny tranonkala amin'ny teny anglisy daholo ny rohy rehetra). Miandry ny ho teraka ary nanokatra bilaogy Betty’s Pregnancy Diary (Diarin'ny Betty Bevohoka) i Betty , mipetraka ao Manchester , eo Angletera. Tamin'ny herinandro faha-34, nosaintsaininy ny momba ny fiantraikan'ny krizy ara-bola ankehitriny izay mandona ny tsena manerantany. Nanapaka hevitra aho fa miaraka amin'ity krizy izay miandry antsika ity, tahaky ny baomba eo ambonin'ny loha, tsy maintsy atsahatra ny tsy firaharahiana. Jereo, eto am-pihinanana Maltesers aho, ary ny lamaody no kiririoka mafy indrindra noho ny kiririokan'ny krizy, aty! Nanapaka hevitra ny ho tena milamina ny tenako mba hividianana ny ilaina ho an'ny zazakely. Raha tokony nandany vola fahatany, nipetraka aho ary nanao ny lisitrin'ny zavatra sy ny tetibola. Manomboka mihamahay aho amin'ny fitantanambola, afaka mifampitàna amin'ny mpitahiry ny fitombokasen'ny fanaovana fanorona. Momba ny fitaizana zaza ihany, miresaka momba ny olana hitan'ireo raibe sy renibe izay tsy maintsy maka andraikitra tanteraka amin'ireo zafikeliny ny Mabi’s World : Any amin'ireo vohitra sy tokantrano, nanampy mandrakariva tamin'ny fitaizana  zaza ireo raibe sy renibe. Ataony an-tsitrapo izany ka vonona izy ireo ny handeha lavitra mba ho eo anilan'izy ireny. Tsy maintsy mandeha fiaramanidina ny sasany amin'ireo renibe ary mandeha any ivelany mba “hisahana fitaizàna zaza”. Fa amin'izao, anaty tokantrano maro, miova ho fipetrahana tanteraka ny tsidika vetivety mba hijery an'ilay zaza vao teraka, mba hikarakaràna an'ilay zaza rehefa miasa ireo ray aman-dreny. Liana amin'ny fahasalama koa ito bilaogera somary vaovao ito. Namoaka torohevitra momba ny hanoherana ny tefoedra izy ary mahatsiaro ny Andron'ny mpampianatra ( ny 5 oktobra) amin'ny fanomezana voninahitra ny rainy efa nodimandry, izay ho azy dia sady profesora no ohatranà “fahaizamitarika” : Profesora ny raiko, Ntunibu James Azefor. Profesora izay mbola fanta-daza mandraka ankehitriny ny hatsaràny. Miresaka momba azy ho toy ny olona tsara fanahy, be fanajàna, ary nanokan-tena tamin'ny asa maha-mpanabe azy. Samy nanana tantara iray hotantaraina momba azy avokoa ireo mpianany tsirairay izay hitako mba hanporofoana hoe tena nanova ny fiainan-dry zareo izy. Miresaka momba azy ho toy ny profesora tsara izay nanana fahazotoana, hevitra, fitandremana ny hafa ary ny fitiavana mampianatra nanampy azy nijery lavitra sy nanatratra ny tanjony ry zareo. Anaty fiteny psikôlôjika an'ny InterAction , afaka lazaina ho toy ny “Namela ny hafa hampiseho ny tena lanjany sy ny hanao zavatra lehibe” izy. Izany no atao hoe fahaizamitarika. Mpanao gazety amin'ny onjam-peo sy mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavi-panjakana kameroney (CRTV) i Mabi azefor Fominyen . Mahaliana azy ny fianakaviana, ny fitantànana ary ny olan'ny vehivavy. Eo amin'ny toko momba ny zon'ny vehivavy, Rosemary Ekosso , izay niverina hita indray tamin'ny septambra taorian'ny fotoana nanginany, dia tsy manaiky ny fananana vady maro ary tsy mitsitsy ny teniny rehefa maneho ny heviny momba ny fanadihadiana iray nataon'ny BBC momba ny Nizeriana iray nanana vady miisa 86. Tsy misy fanamarinana afaka ekena momba ny fananana vady maro amin'izao vanimpotoana izao, ary fantantsika izany. Aleo ajanona ny mody miteny fa voaaro ny zon'ny vehvavy ao anatin'io toejavatra io, na dia fantatsika tsara aza fa mitady fotsiny ny hiarovana ny tsy hisian'ny fiovan-javatra iray fotsiny isika, na satria tsy voakasika isika, na satria mahazo tombony avy amin'izany isika. Tsy mitovy hevitra aminy ny iray amin'ireo mpamakiny ary niteny an'i Rosemary: Niteny taminao manokana ve ireo vehivavy ireo hoe mahatsiaro iharan'ny tsy rariny? Niteny ve izy ireo fa noterena? Nisafidy an'io fiainana io izy ireo ary tsy ananan ny zo hanery azy ireo hanaraka ny fomba fijerinao izay heverinao ho  fanambadiana “lafatra” aminao. Fandàvana ny zon'izy ireo izany. Eo amin'ny sehatrin'ny kolontsaina, Dulce Camer , izay milaza ny tenany ho “vehivavy Kameroney tanora miezaka ny hanatanteraka ny nofiny” no niresaka tamin'i Anrette Ngafor , tanora Kamerona mpakasary fantatry ny rehetra, eo amin'ny 32 taona, miaraka amin'ny faniriana goavana: Ny hanana ny anaranà vokatra ahy manokana, ny orinisako ary ny toerana fakàna sary ahy manokana no tanjoko. Tokony ho vitako tsy ho ela izay satria miasa mba hanatratrarana ny nofiko aho. Anatin'ny mahaliana an'i Menoosha, mpihira, mpamoronkira ary mpamorona akanjo ao Alemaina ihany koa ny lamaody. Ao amin'ny The Pink Post , resahany ny  momba ny taovolo sy ny fanatsorana volo, izay tsy mampiseho ny hatsaran'ny vehivavy Afrikana : Ry Rahavaviko afro ! Ito ny fanangonako sonia manokana mba HIKAJIANAREO NY VOLONAREO!! Na tsotra, na miolana, ngita, tena izy na tsia, MIANGAVY ANAREO AHO!!!! NDAO KAJIANA TSARA NY VOLONTSIKA !!!! TIAVO TAHAKY NY TENANAREO NY VOLONAREO !!!! Manome fomba fahandro sakafo vitsivitsy avy ao Kamerona i Bamenda Babe , eo amin'ny bilaogy My African Father . Mipetraka efa an-taona maro ao Etazonia i Bamenda. Ny bilaoginy no fombany hifandraisany amin'ny fiaviny, amin'ny alalan'ny fanaovana sakafo Kameroney : Fanamby be ny fanaovana katsaka kohki aty Etazonia. Aiza no ahitana ravinà akondro amonosana ny kohki alohan'ny ahandroana azy amin'ny entona? Ary alohan'izany – alohan'ny zava-drehetra – aiza no ahitana ny karazanà katsaka ilaina? Malemy loatra ireo hita eo amin'ny tsena aty, be ranony ary mamy loatra. Misy ravinà cocoyam vao avy notazana ve aty?
https://mg.globalvoices.org/2018/09/10/125698/
Tonga Hatrany Maghreb Ny Tontolon'ny Bilaogy Toniziàna
2018-09-10T05:52:28
Unknown
الحرب العالمية الثانية قتلت 50 مليون بشرأوروبا بعد 50 سنة توحّدت ونسات الحرب والأحقاد القديمة بين الدول الأعداء و نحنا في المغرب العربي عندنا 50 مليون سنة ونحنا وخيّان وأحباب عندنا 50 ألف سنة من التاريخ والحضارة والثقافة المشتركة عندنا 50 مليار سبب باش نكونو متوحدين واليوم، وبعد حوالي 50 سنة من الإستقلال لبلداننا الشقيقة والصديقة ما عندناش شبكة قطارات مشتركة ما عندناش طريق سيارة مشتركة ما عندناش سياسة طاقة مشتركة ما عندناش حتى مسابقة متاع عدو ريفي مشتركة علاه؟ بالله فهمونا علاه؟
https://mg.globalvoices.org/2018/09/06/125390/
Sodàna: Fipoahana tao Khartoum, fitoraham-bato ho faty, mpanao gazety nampijaliana & diplaomasia “ara-mozika” Shinoa
2018-09-06T03:05:10
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2007) Nanatri-maso fivoarana mahaliana  i Sodàna tato anatin'ny herinandro vitsy lasa. Ny vao haingana indrindra dia ny fipoahana kamiao feno bala tao Khartoum, izay nibilaogy momba izany i Mimz: A little over 24 hours ago a series of extremely boisterous explosions took place in one of the military sites availed for storing ammo, in the Burri area of the capital of Sudan. The explosions occurred in three enormous gunnery-loaded trucks. So this blast happened a few meters away from the University of Khartoum, students had to evacuate campus and basically run for their lives as they witnessed the thick, heavy black smoke approaching and heard the disturbing loud sounds of explosion. 24 ora lasa izay, nisy andianà fipoahana goavana nitranga tany amin'ny iray amin'ireo toerana miaramila izay hitehirizana bala, ao amin'ny faritra Burri ao an-drenivohitr'i Sodana. Niseho tao amin'ireo kamiao telo feno fitaovam-piadiana goavana ny fipoahana. Nitranga metatra vitsy miala ny Oniversiten'i Khartoum ity fipoahana ity, voatery nandao ny toeram-pianarana ny mpianatra ary nitsoaka nihazakazaka hamonjy aina satria nahita  setroka mainty matevina miha-manatona ary naheno fipoahana mafy be. Toa mahazatra ve izany?, hoy izy nanontany: I'm sure now that this sounds familiar, doesn't it? Chaos, chaos, chaos. Should I just pack my bags and leave? It's getting ridiculous. Azoko antoka fa mahazatra izany, sa tsy izany? Korontana, korontana, korontana. Tokony hanamboatra ny valiziko ve aho ary hiala? Tena mahatsikaiky izany. Aoka izay tsy nanota no hitora-bato voalohany Aperadosini naneho ny fahatezerany tamin'ny didim-pitsarana navoaka ho an'ireo vehivavy Sodaney 2 izay toa meloka noho ny fanitsakitsaham-bady. Samy hotoraham-bato ho faty izy roa ireo: What's disgusting isn't just the fact that they are being put to death in the most demeaning of manners, however, they haven't even been given the chance to adequately defend themselves. The women, who came from the African Fur tribe in Darfur, did not know Arabic and were not even provided with a translator during court proceedings and so were not given the chance to even defend themselves!! Ny maharikoriko dia tsy hoe ny famonoana azy ireo ho faty amin'ny fomba maivan-danja indrindra ihany, fa tsy mba nomena fahafahana hiaro tena koa izy ireo. Tsy nahay teny Arabo ireo vehivavy, avy amin'ny foko Fur Afrikana ao Darfur ireo, ary tsy mba nomena mpandika teny nandritra ny fizotry ny fitsarana ary noho izany tsy nomena fahafahana ny hiaro tena mihitsy !! Fahalalahan- gazety? Lazao indray izany Etsy ankilany, Black Kush mitondra vaovao momba ilay mpanao gazety fantany manokana izay nampijalian'ny manampahefana Sodaney: I told you before that I as following the clashes in Khartoum when it happened. Now the journalist who was beaten up was someone I personally know. …Freedom of the press? Say that again. Nambarako taminao talohan'izay fa nanaraka ny fifandonana tao Khartoum aho rehefa nitranga izany. Ankehitriny, olona fantatro manokana ilay mpanao gazety voadaroka. Ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety? Lazao indray izany. Diplaomasia ara-mozika Ny farany fa tsy ny kely indrindra, manasongadina ny farany tamin'ireo ezaka nataon'ny Sinoa tamin'ny fananganana fifandraisana akaiky amin'i Sodana i Fluent-Sudani. Nandefa lahatsary YouTube an'ilay mpihira Shinoa mihira ny hiram-pitiavan-tanindrazana Sodaney nentim-paharazana izy: On the above video, a bunch of Chinese ladies are singing in a festival held in khartoum strengthening relations between Sudan and China. I give them much credit for language perfection. What they are singing is a traditional Sudan nationalism song. Ao anatin'ny horonantsary etsy ambony, mihira amin'ny fetibe natao tao Khartoum manamafy ny fifandraisana eo amin'i Sodàna sy Shina ny ankamaroan'ny vehivavy Shinoa. Manome azy ireo fisaorana betsaka amin'ny fahalavorariana amin'ny fiteny aho. Ny nohirain'izy ireo dia ny hiram-pitiavantanindrazana Sodaney nentim-paharazana.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/05/125536/
Netizen Report: Tsy ao Myanmar ihany— fa mieli-patrana ao amin'ny media sosialy toa an'i Kamerona sy i India ny kabarim-pankahalana ara-poko
2018-09-05T05:45:07
Unknown
Kioska finday any Bangalore, India. Saripikan'i Victor Grigas, nasian'ny Wikimedia Foundation fanovana. CC BY-SA 3.0 Tamin'ity herinandro ity, nesorin'ny Facebook ny kaonty sy pejy marobe an'ireo mpikambana ao amin'ny miaramila ao Myanmar. Nanambara ny fanapahan-kevitra ny Facebook taorian'ny iraka fanadihadiana nataon'ny Firenena Mikambana izay niampanga ny miaramila ao Myanmar tamin'ny fanafihana ireo Miozolomana Rohingya niteraka vono olona tao amin'ny fanjakana Rakhine, izay nahatonga fifindra-monina faobe nataon'olona 700 000 teo ho eo tamin'ny taona 2017. Nipoaka tao amin'ny aterineto ny famoahana tantara fohy maro, mampifandray ny fanambarana an-gazetin'ny Facebook tamin'ny tatitry ny Firenena Mikambana. Nametraka fanontaniana ny fampahalalam-baovao sasany, tahaka ny Frontier Myanmar , raha nifanaraka tamin'ny politikan'ny Facebook mifehy ny votoaty ity fanapahan-kevitra ity. Mampitsangam-panontaniana izany: Miatrika mialoha ny tsingerim-baovao ve ny Facebook? Manomboka amin'ny fanambaràny momba ny fanivànana votoaty sy kaonty any Rosia, Iran , Etazonia , hatramin'ny fanesorana kabarim-pankahalana tao Myanmar sy ny fametrahana somary ratsy momba ny rafitra “fanasokajiana fitokisana” eo amin'ny mpiserasera, toa hita fa manararaotra tampoka ny fitateram-baovao ny Facebook, fa tsy mionona amin'ny fiarovan-tena, tahaka ny efa nataony teo aloha. Mety hitarika ireo mpamaky tsy manana ahiahy hihevitra ny fanadihadiana hafa momba ireo fitateram-baovao amin'ny fiteny Anglisy vao haingana nataon'ny Facebook fa i Myanmar no firenena tokana mety ho lasa loza mahatsiravina eo amin'ny tena fiainana ny fanentanana kabarim-pankahalàna sy fampahalalam-baovao diso mikendry ny foko vitsy an'isa. Saingy fantatsika fa lavitry ny marina izany. Ohatra roa vao haingana no manaporofo izany. Kamerona : Lasa mitombo hery ao amin'ny fifanandrinana anatiny ao Kamerona ny fanentanana an-tserasera mampiroborobo ny herisetra ara-poko, izay nitarihan'ny hetsika fisintahana any amin'ireo faritra miteny anglisy fifandonana amin'ny tafika, noho ny fanafihana ireo tanàna miteny anglisy manery ireo olona an'aliny handositra ny tranony. Nitatitra ireo manampahaizana ao an-toerana avy amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices fa miha-mitombo sy mandrehitra herisetra ny fanentanana avy amin'ny fandisoam-baovao sy ny hafatra fankahalàna ara-poko malaza ao amin'ny WhatsApp sy Facebook. India: Tamin'ny Jolay 2018, olona sivy tao India farafahakeliny no namoy ny ainy tamin'ny fanafihana fandoroana olona nomanina tao amin'ny WhatsApp. Nateraky ny fanentanana avy amin'ny fandisoam-baovao izay mifanaraka amin'ny tombontsoa ara-politikan'ny antokon'ny BJP ao India,  nikendry ny Miozolomana ny fanafihana tany am-boalohany. Mitatitra ny tranokalam-baovao mahaleotena IndiaSpend fa ireo Miozolomana vitsy an'isa, izay mitotaly 14 isan-jato n'ny mponina ao India no niharan'ny 56 isan-jaton'ny fanafihana fandoroana hatramin'ny taona 2014. Ho an'ireo mpamakinay rehetra – indrindra ireo izay manana ambaidahy amin'ny fitaterana sy fanakianana momba ny teknolojia – mandrisika anareo izahay mba handinika izany sy ireo ohatra hafa ao an-tsaina. Ary hevero izay mety hitranga fa ny iceberg (vaingan-dranomandry) hitantsika mivoaka ny ranomasina ihany no hitantsika amin'io fandisoam-baovao io. Mpanao gazety Palestiniana voas ambotra noho ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook Nogadrain'ny polisy Israeliana ilay mpanao gazety Palestiniana  Ali Dar Ali noho ny lahatsoratra tao amin'ny Facebook fa ny manampahefana israeliana no nandrisika herisetra. Mpanao gazety tsy miankina be mpanaraka any Palestina i Ali, izay mandefa mivantana ny fifandonana teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana Palestiniana sy ny tafika Israeliana. Araka ny fanamelohana, ao amin'ny iray amin'ireo lahatsoratra voalaza, naka sarina lehilahy Palestiniana iray manipy vato eo ambanin'ny mariky ny arabe mivaky hoe: “Manompo anao izahay” i Ali.  Etsy ankilany, namoaka lahatsary manasongadina hira momba ny moské Al-Aqsa ao Jerosalema fahiny, toeram-pivavahana masina ifandirana be izay mitondra dikany lalina eo amin'ny finoana silamo sy ny Jodaisma i Ali. Ny hira dia ahitana ny tononkira, “mamalia faty ry Arabo.” Voatazona am-ponja i Ali ankehitriny, miandry fitsarana eo anoloan'ny fitsarana miaramila Israeliana. Ny fiainana fohy mahafinaritra ‘Nizeria ity’ Noraràn'ny mpandrindra ny haino aman-jery ao Nizeria telo volana latsaka taorian'ny namoahana azy ny “This is Nigeria” (Nizeria ity), fanaraham-bolontany ny lahatsarin-kira “This is America”, an'i Childish Gambino. Ao amin'ny lahatsary, miresaka momba ny kolikoly, ny kiantranonatrano sy ny herisetra ao Nizeria ilay mpiangaly rap Nizeriana Falz. Ao amin'ny tononkira iray, manondro hira orizinaly izy amin'ny filazana hoe “Ity no Nizeria, mbà jiolahy ry olon-drehetra”, fanambarana izay lazain'ireo mpandrindra fa “baranahiny”. Na dia eo aza ny famerana amin'ny radio sy ny fahitalavitra ao an-toerana, mbola azo jerena ao amin'ny YouTube ihany ny lahatsary. Mbola be miporitsaka hatrany ny rafitra Aadhaar ao India Navoakan'ny Vaomieran'ny Fampianarana Ambony tsy misy fankatoavana avy amin'izay voakasika ny tahiry manokan'ireo mpianatra maherin'ny 64.000 tao Andhra Pradesh, India. Ny hita fa fahadisoana goavana dia, ny famoahan'ny vaomiera ny tahiry avy amin'ny firaketana an-tsoratry ny kara-panondrom-pirenen'ny mpianatra, tamin'ny alàlan'ny rafitra Aadhar ao India, rehefa avy nanangona ny tahiry avy amin'ireo mpianatra mba hisorohana ny fiangarana eo amin'ny fitantanana ny vatsim-pianarana sy ny famerenana ny saram-pianarana. Rafitra kara-panondro biometrika tantanin'ny fanjakana ny Aadhar, ary ny lehibe indrindra eto amin'izao tontolo izao. Hatramin'ny fampidirana azy, nisy hatrany ireo vaovao tsiambaratelon'ny olom-pirenena marobe tafaporitsaka. Nankatoavin'ny Parlemanta Ejiptiana ny lalàna mifehy ny heloka an-tserasera Nisafidy hankatoa lalàna vaovao mifehy ny heloka antserasera ny Parlemanta Ejipsiana, izay hampitombo ny fahefan'ny governemanta hanao fanarahamaso sy sivana antserasera. Raha ny tena izy, efa mampiasa ireo tetikady ireo ny manampahefana Ejyptiana ary nanakana lisitra lavabe ahitana tranonkalam-baovao sy zon'olombelona hatramin'ny volana mey 2017. Saingy manome fahefana lehibe ara-dalàna ho azy ireo hanivana ny aterineto ny lalàna: Azo angatahana ny mpanome tolotra aterineto mba hanakatona tranonkala raha vantany vao mahazo baiko izy ireo, ary avy eo tsy maintsy alefa hankatoavin'ny fitsarana ao anatin'ny 48 ora ny fangatahana. Nofoanan'ny governemanta vaovaon'i Malezia ny lalàna “iadiana amin'ny vaovao faikany” Nofoanan'ny governemanta Maleziana ny lalànany iadiana amin'ny “vaovao faikany” , izay nampidirin'ny governemanta teo aloha, ny praiminisitra Najib Razak ary hitan'ny maro fa fitaovana hampanginana ny tsikera. Miatrika sazy 125 taona an-tranomaizina noho ny kolikoly i Razak ankehitriny, ary laharam-pahamehana ho an'ny praiminisitra vaovao Mahathir Mohamad ny fanafoanana ny lalàna. Mampandoa onitra hatramin'ny 122.000 dolara amerikana sy sazy an-tranomaizina hatramin'ny enin-taona noho ny famoahana votoaty izay heverin'ny governemanta fa “vaovao faikany” ilay lalàna. Na dia firenena maromaro aza no nandany lalàna tahaka izany, Malezia no firenena voalohany nanala io lalàna io. Mandinika fe-potoana 60 minitra ho fanesorana votoaty fampihorohoroana ny kaomiseran'ny Vondrona Eoropeana Mandinika fitsipika izay manery ireo orinasan'ny teknolojia mba hanaisotra votoatin'ny mpampihorohoro ao anatin'ny 60 minitra nandraisana ny fitarainana avy amin'ny mpampihatra ny lalàna ny kaomiseran'ny Vondrona Eoropeana misahana ny Fiarovana, Julian King. Mety hiatrika onitra henjana ireo orinasa ireo raha tsy manaja izany. Miteraka fanontaniana sarotra be momba ny fahaleovantenan'ireo sampana roa ireo ny fepetra. Raha ankatoavina, dia tsy maintsy takiana hiara-hiasa akaiky amin'ny sampana fampiharan-dalàna ao amin'ny vondrona eoropeana ireo orinasan'ny teknolojia, tsy tahaka ny fifandraisana misy eo amin'ny orinasa teknolojika Shinoa amin'ny fitondram-panjakan'izy ireo izany. Mbola eo am-pamolavolàna izany tolo-dalàna izany, saingy azo antoka fa hofidiana eo amin'ireo firenena mpikambana ao amin'ny vondrona Eoropeana alohan'ny faran'ny taona 2018. Fikarohana vaovao A snapshot of digital rights coverage in the MENA region – SMEX How Turkey silences journalists online, one removal at a time – Committee to Protect Journalists Exposure to opposing views on social media can increase political polarization – Proceedings of the National Academy of Sciences (US) LA POLÍTICA (EN WHATSAPP) ES DINÁMICA: Desinformación y difusión de ‘cadenas’ políticas en Colombia – Carlos Cortés and José Luis Peñarredonda Misorata anarana ao amin'ny Netizen Report Afef Abrougui , Ellery Roberts Biddle , Marianne Diaz , Mohamed ElGohary , Rohith Jyothish , Rezwan Islam , Weiping Li , Elizabeth Rivera, Juke Carolina Rumuat , Taisa Sganzerla , Laura Vidal sy Sarah Myers West no niara-nanoratra ity lahatsoratra ity.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/02/124300/
“Minisitera Vaovao Ao Frantsa Hisahana Ny Fitiavan-Tanindrazana Sy Ny Fandroahana
2018-09-02T13:30:22
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2007) Tsy tian'ilay Blaogera miteny Frantsay “Et Si Nous Parlions” mihitsy ilay Ministera vaovao napetraky ny Filoha Nicolas Sarkozy hisahana ny Fifindramonina, ny Fampidirana, ny maripamantarana ny firenena, ary ny fiaraha-mivoatra. Ka aleony antsoina hoe “ Ministeran'ny Fitiavan-tanindrazana sy ny Fandroahana ” (Fr). Io anarana apetaka amin'ilay ministera io dia manambara ankolaka ny tena tanjona fonosin'ilay izy. Kainin'ireo vondrona frantsay mpiaro ny zon'olombelona ny fironan'ilay ministera amin'ny fankahalàna vahiny ary valo ireo mpahay tantara ara-pifindramonina no nilaza fa “tsy anjara andraikitry ny fanjakana Demokratika ny mamaritra ny maripamantarana.” Tokony hitsikera bebe kokoa an'io minisitera vaovao misahana ny fifindramonina io ny Haino aman-jery Frantsay. Kianin'ny Et Si Nous Parlions ny fandrakofam-baovao Frantsay momba ny governemanta vaovaon'i Sarkozy sy ilay minisitera vaovao misahana ny fifindramonina, ny fihetsiny “andraso dia ho hita eo, manome vintana an'i [Sarkozy] “, raha ho azy, mazava ny tanjona sy ny mety ho fanararaotan'ity ministera ity. Ce ministère est unique en Europe. Même les pays qui ont osé l'extrême droite au pouvoir n'ont pas créé un ministère de ce genre. D'un point de vue politique, voyez vous la nécéssité de créer un ministère entier pour 8% de la population? (+0,4% de sans papiers?). A quand le ministère des gays ? des femmes battues (10%?), des bimbos, des handicapés?…Symboliquement, ce ministère s'occupera donc de suivre les étrangers de A à Z, certes , mais surtout il sépare les étrangers et même les naturalisés des autres français. …[La presse] nous demande de fermer les yeux et d'attendre. Attendre quoi ?le pire ?… Io ministera io no hafa indrindra ao Eoropa. Na ireo firenena sahy nampihatra ny politikan'ny elatra farany havanana aza mbola tsy namorona ministera tahaka izao. Amin'ny fomba fijery ara-politika, inona no ilàna ny fananganana ministera ho an'ny 8%'ny mponina ? (+ 0,4% ny mpifindra monina tsy manana taratasy?). Maninona koa raha asiana ministeran'ny pelaka ? na ho an'ny vehivavy iharan'ny herisetra (10%?), ireo bimbos, na ho an'ny sembana? … Raha araka ny sarinteny, hanaraka ireo vahiny mivoaka sy miditra amin'ny antsipirihany izany ity ministera ity, ekena, fa indrindra indrindra hanavaka ny vahiny sy ireo nomena zompirenena Frantsay amin'ireo hafa. .. [Ny gazety] mangataka antsika hanakatona ny masontsika ary hiandry. Hiandry inona? Ny ratsy indrindra ?… Maro amin'ireo mpamaky an'i Et Si Nous Parlions no nizara ny ahiahin'ilay bilaogera momba ny fiovan'ny fandraisana ireo mpifindra monina any Frantsa amin'izao governemanta vaovao an'i Sarkozy izao. Fifindràmonina toy ny mpisolo vaika ny ankalana & fitondra-mitanila ataon'i Frantsa Hoy ny Citizenofutopiatownships : l'immigré a toujours été le bouc émissaire des politiques en france, les politiques francais n'ayant jamais voulu reconnaitre qu'ils ont eu tort d'avoir pensé à l'union européenne car le peuple n'y était pas préparé. le francais à du mal à travailler? la faute à l'immigré non! l…sarkozy ne m'étonnera pas car je connais ses idées. le peuple français finira déçu car à la bétise, il faut savoir opposer la sauvagerie. idi amin avait expulsé les indo pakistanais de l'ouganda il y a eu des représailles contre la souveraineté de son pays. et il serait peut être temps que notre ultranationalisme reémerge. la france se juge libre d'accepter et de refouler les migrants. mais qu'elle oublie pas qu'il y a également des émmigrés français dans les pays d'origines des réfoulés. si on veut vraiment éviter le developpement de la haine entre les peuples je pense que les occidentaux devraient vraiment pencher sur le problème du co-développement car c'est tout de même grâce à ces petits africains que ces pays européens sont si grands. Na i Sarkozy koa aza manana tantaranà mpifindramonina. Mihevitra i Citizenofutopiatownships fa avy amin'ny tsy fandriany fahalemana manoloana ny maha-taranaka mpifindramonina azy io fanapahankevitra henjana raisin'ny filoha momba ny fifindramonina io. en fait je pense seuls ceux qui ont souffert de leur condition “d'immigré” comme l'avoue le nouveau président de la France peuvent éprouver autant de haine vis à vis de tout ce qui est étranger. nicolas sarkozy je l'ai touours dit c'est tout simplement un Lepeniste en version atténuée les français ne pouvant se resoudre à élire LE PEN ont choisi son modèle réduit qui reste tout aussi nocif. et croyez moi il me rappelle bien un certain Hitler qui finalement on l'a tous compris détestaient plus les juifs de par ses origines à lui même. Ny tena marina, mihevitra aho fa izay tena nahatsiaro nijaly vokatry ny toerana maha “mpifindra monina” azy tahaka ny voalazan'ilay filoha vaovao ao Frantsa no tena masiaka amin'ireo vahiny. Ambarako mandrakariva fa modely malefaka an'i Le pen i Nicolas Sarkozy. Tsy afaka ny nifidy an'i Lepen ny Frantsay, ka naleony nisafidy modely malefaka kokoa izay mbola poizina ihany. Ary minoa ahy ianareo, mampahatsiahy ahy an'izay Hitler izay izy, izay araky ny fantatsika rehetra dia nankahala ny Jiosy nony farany noho ny fiaviany [Jiosy]. Ary toy izay ihany koa, nampitahain’ i Mangosutou ny psikolojian'i Sarkozy sy ny an'i Adolph Hitler ary ireo mpitarika malaza hafa nanana fiaviana avy any ivelany sy ireo fironana jadona : Sarkozy est un juif hogrois( de mère grecque) né en france; aucune attache véritable avec la france, si ce n'est le droit du sol dont dispose bon nbre d'étrangers; Hitler était autrichien,né à Brunnau-sur-Inn,à la frontière allemande-Pinochet était français, né au chili et autre Fuji-Mori qui s'est réfugié depuis ds son Japon natal après les crimes commis ds son pays d'adoption. Tsy mazoto ny hanohitra an'i Frantsa ireo mpitarika Afrikana Tantpislaissons Sarkozy et la France faire ce qu'il leur plait!!!Moi ce qui m'indigne c'est l'absence de réactions des Etats africains qui continuent de traiter comme leur maitres les ressortissants de ce même pays.Je pense que si il y avait réciprocité les choses seraient rentrées dans l'ordre. …regardez seulement la dignité des chefs d'Etats de l'Afrique anglophone et vs pourrez, là aussi, comprendre l'écart abyssal qui existe entre des Sassou ,Biya, Bongo d'une part et Obansanjo,Mbeki et Mugabe d'autre part. Fihetsika manahirana ampiasàna ny fatra isam-paritra ( quota ethnique ) Soritsoritan'i Et Si Nous Parlions ireo andran'ny governemantan'i Sarkozy hanoherana ireo fiampangana momba ny fankahalana vahiny na fanavakavaham-bolonkoditra miaraka amin'izay heveriny fa fihetsika tandindona fotsiny, fomba fitsaboana ivelany ihany ka manaloka ny tena olana : Il a déja commencé ce gouvernement et il est enteriné quand Fillon va visiter un foyer de femmes battues. On nous montre que des femmes noires et leurs gamins au bras. Dans un pays ou une femme meurre tous les 4 jours des coups de son compagnon, on peut aisement comprendre que la violence faite aux femmes touchent toutes les populations. Dans un pays ou 10% des femmes se declarent battues (Versus 4,2 % des femmes issues de l'immigration), on peut comprendre qu'il ne s'agit pas que de femmes de l'immigration. Même si elles étaient toutes battues, elles n'attendraient pas les 10%. Voici la France d'aujourd'hui, celle de Rachida Dati . Fille d'une famille de 12 enfants et parents analphabètes. Si nous avions eu le ministère du nationalisme , il y a 50 ans. Rachida Dati serait elle ministre de la justice ? Ces parents ne sachant pas vraiment parler français auraient ils eu une carte de séjour ?. Mais aujourd'hui, elle cautionne d'être l'arabe qui cache la forêt Efa natombony io governemantany io ary nanan-kery rehefa hitsidika ny trano fandraisana ireo vehivavy iharan'ny herisetra [ny Praiminisitra Francois Fillon]. Tsy hisy afa-tsy vehivavy mainty hoditra mitrotro zaza no hasehony antsika eo. Ao amin'ny firenena iray izay ahitàna fahafatesana vehivavy iray isaky ny efatra andro noho ny vono ataon'ny vadiny azy, azontsika araka izany fa mihatra amin'ny vahoaka rehetra ny herisetra atao amin'ny vehivavy. Ao amin'ny firenena izay 10%-n'ireo vehivavy no milaza fa voadaroka (raha ampitahaina amin'ny 4.2% amin'ny an'ireo vehivavy mpifindramonina), [vono anaty tokantrano] dia tsy hoe ny vehivavy mpifindra monina ihany no voakasik'izany. Na ataoo aza oe voadaroka daholo ireo vehivavy mpifindra monina, tsy hahatratra 10% mihitsy. Izay no atao hoe Frantsa ankehitriny, Frantsa an'i Rachida Dati . Zanaka vavy avy amin'ny fianakaviana iray niteraka zaza 12 avy aminà ray aman-dreny tsy nahay namaky teny sy nanoratra .Raha nanana Minisitry ny fitiavan-tanindrazana isika tamin'ny 50 taona lasa, moa ho Minisitry ny Fitsarana ve i Rachida Dati ? Moa nahazo taratasy fahazoana hipetraka ao ve ireo ray aman-dreniny izay tsy nahay niteny frantsay akory ? Kanefa ankehitriny, lasa solontena Arabo manafina ny tena olana izy.
https://mg.globalvoices.org/2018/09/04/125628/
Shina : Ny Vato Tsy Azo ivalozana Amin'ny Famaizana an'i Zimbaboe, Jerena Avy Any Shina
2018-09-04T16:42:54
Unknown
真的就是这样,独裁者都互相爱惜,专制政权都互相喜爱。我想,在心底里,北京可能更愿意与一个独裁者打交道,而不是与一个民主政府打交道。君不见这次奥运会火炬传递,所有民主国家都发生了抗议,所有专制国家都一切顺利。 更有甚者,北京可以通过扮演“独裁者的朋友”的角色,来与美国谈条件,为自己渔利。北韩核危机就是一个绝佳的例子。 《圣经》里说:“惟愿公平如大水滚滚,使公义如江河滔滔。”(Mba hisosa toy ny rano anie ny rariny, ary ny hatsarampanahy ho toy ny renirano mahery! )中国这个国家,不仅自己国内没有公平和正义,还阻碍他国和世界上广大受压迫人民的公平和正义。我作为一个中国人,真的感到非常遗憾和无奈。
https://mg.globalvoices.org/2018/09/03/125360/
Tonizia: Ireo Fifidianana Ao Maoritania, Ilay Ampinga Lehibe Ary Mohamed Abbou
2018-09-03T05:11:43
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2007) Saika tsy dia noraharahain'ny tontolombolongana Toniziana ny fifidianana filoham-pirenena tao Maoritania. I Nadia de Tunis [ teny frantsay ] irery ihany no misarika ny saina hankamin'io tranga ara-tantara ao amin'ny firenena io, izy izay mpikambana amin'ny UMA (Union du Maghreb Arabe). Ao anatin'ity lahatsoratra ity , resahan’ i Nadia ny fanapahankevitra “mahagaga” nikarakarana an'ireo fifidianana, noraisin'ny miaramila iray izay nanangona ny fahefana tamin-kery tao amin'io faritr'i Afrika io, izay tsy isian'ny tetezamita milamina mihitsy. Manao teny tsy loabody ihany koa amin'ny tranga ao anatin'ny sisan'i Maghreb sy ireo firenena afrikana ity lahatsoratra ity. Amin'ny 11 martsa, mijere mankany andrefana “Maoritania, fantatrao ilay firenena kely ao anatin'ny UMA, ery ambanin'i Maraoka. Izay mihitsy ka! Ilay firenena izay antsoin'ny rehetra hoe Oueld sy tsy haiko koa? Fantatrao amin'izay ny zavatra lazaiko? Raha fintinina, ao anatin'io faritra kely io izay tsy nosainintsika mihitsy, miomana ny hiaina tranga ara-tantara iray ny olona. Amin'ny 11 Martsa ho avy izao no ho atao “ireo fifidianana filoham-pirenena”, tena izy (ho an'ireo izay tsy mahalala ny dikan'ity fitenenana ity, mijanona eo ambanin'ny ampinganareo, izay no tsara kokoa) […] Mikarakara fitsapankevibahoaka mikasika ny lalàm-panorenana ny CMJD izay mampanan-kery ny fanafohezana ny fotoam-piasan'ny filoham-pirenena ho 5 taona sy ny fanavaozana azy ho indray mandeha ihany, ary koa ireo fifidianana ben'ny tanàna, solombavambahoaka ary loholona. Foanany ny andian-dalàna manelingelina an'ireo fepetra momba ny fananganana fikambanana, ireo famoriambahoaka sy ny fanehoankevitra, avelany ny helok'ireo mpanohitra nofonjaina ary mamela ny fiverenan'ireo hafa hody ao amin'ny firenena, faranany ny rafitra fanasivanana ary halalahany ny fanaovana gazety sy ny haino amanjery, havaoziny ny satan'ny fitsarana mba hanomezana antoka ny tsy fitanilàn'ireo mpitsara, apetrany amin'ny toerany ireo dingana sy lalàna mba hampihenana ny kolikoly, hamafisiny ny antontan-taratasy mikasika an'ireo fitantanambolam-panjakana, ary ahenany ny trosa ivelany. Ny tsara indrindra kanefa dia mbola mijanona ho ny fahagagana manaraka: 19 volana taorian'ny nitondrana ny firenena, “nisintaka” ny kolonely Ely Ould Mohamed Vall ary namela ny toerany ho an'ny mpandimby azy, izay hofidiana amin'ny volana martsa, ary miventy  mafy ny tsy maintsy ilàna ny tsy fitongilanana tanterak'ireo mpitondra amin'ity kihondàlana tsy azo ialàna ity […] Eto i Nadia dia manondro izay nosoratany tamin'ity herinandro ity, lahatsoratra iray tonga lafatra mikasika ny “ampinga” miaro ny firenena (Tonizia) amin'ireo vaovao ratsy rehetra. Manao teny tsy loabody izy amin'ny matoandahatsoratry ny gazetim-pirenena sy amin'ny ampahany ofisialy omen'ny governemanta mikasika ny zavamisy eo amin'ny firenena. “Ahoana a? Ianao ve mbola tsy mahalala? Saingy raha lazaiko anao, fa misy Ampinga Lehibe iray mipetraka eo ambonin'i Tonizia. Toy ny voajanahary, mifanaraka tsara mihitsy amin'ireo manodidina ny firenena ilay izy, nampiasàna sarintany tena mifanaraka tsara tamin'ny fotoana nametrahana azy! […] Miaro an'ireo hevitra feno mahery setra ilay Amginga Lehibe. Saingy rehefa nahavita nandingana ny sisintany ireo olona sasantsasany ratsy saina, tsy dia tena teto no nahalalàna ny zavatra rehetra, satria eto izay lazaina rehetra dia tena izy sy milamina, tsy misy fanodinkodinana, tsy misy ny fitarihana olona amin'ny hevitry ny tena, tsy misy fahantrana, noho izany tsy misy loza. Ary avy eo iza no tsiratsiraina? ny toniziana iray, ara-pamaritana, dia tsy donto hanaiky an'izany! […] Miaro amin'ireo krizy ara-toekarena ilsy Ampinga Lehibe. Raha vao tratrany ilay Ampinga, mibontsina ny isa, mitombo ireo tombontsoa, manjary betsaka ireo fandrosoana ary hanjary hitolagaga amin'ny fahombiazantsika ireo firenena hafa eto amin'ny faritra. Miaro amin'ny hadalàn'ny olombelona ilay Ampinga Lehibe, ny olom-pirenena Toniziana rehetra dia tena mahira-tsaina ka fantany tsy isalasalana ny zavatra rehetra, manana fahatokisantena izy amin'ny zavatra tsirairay, satria ilay Ampinga no misarika sy manivana amin'ny toerany ireo fahalalàna rehetra mendrika ny ho azony, tsy ilaina vakiana, fantarina, na manao zavatra hafa afa tsy manararaotra ny fisian'io fitaovana mahagaga io izay mampitombo ny sainy. Etsy andaniny, manana lafy ratsiny Ampinga Lehibe. Arakaraky ny hanatsaràna an'ireo sivana ao aminy, no nampidirana tsy nahy “biby ratsy” ho ao anatiny: sivana iray manohitra ny “fahatsapantena” …” Tranga iray hafa tsy norakofana tao anaty Tunisphère (tontolombolongana Toniziana) ny tsingerintaona faharoa namonjana ny mpisolovava Mohamed Abbou tao Tonizia. Fiampangana diso taorian'ny nanehoany tsikera ny filoha, tao anaty lahatsoratra iray navoaka teo amin'ny aterineto, no nampidirana azy am-ponja. Mampahatsiahy an'io eo amin'ny blaoginy i Zizou de Djerba [teny Frantsay]. “Tsiahy kely ho an'i Maître Mohamed Abbou. Voaheloka 3 taona sy tapany izy ary ankehitriny vao avy nahavita ny roa taona nigadrany.”
https://mg.globalvoices.org/2018/08/30/125373/
Nizerià: Polisy Roa Maherifo; Birao Tsy Misy Sisintany
2018-08-30T12:06:17
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2007) Ny hanombohana ny fitetezantsika ny bilaogy amin'ity herinandro ity dia ny ao Nizerià, toerana izay itantaran'i Yomi Says ny tantara tsy fahita andavanandro mahakasika ireo polisy Nizeriàna roalahy izay sahy nisedra nifanandrina taminà mpandroba niisa 30 nirongo fiadiana, na namoy ny ainy aza ny iray tamin'izy roalahy – Polisy Roalahy ‘Mahery noho ny Mahery’  Nandresy Mpandroba 30 Lahy Nirongo Fiadiana : Ity tantara ity dia toy ny mitondra anao nivoaka avy nijery sarimihetsika lalaovin'i  Arnold Schwarzenegger, saingy izy tena hoe tantara niainana marina nitranga teto an'araben'i Nizerià mihitsy. Nanao bemidina tao amin'ny Oba ireo mpandroba niisa 30 lahy, Oba dia zana-tsampan'ilay banky Nsukka vao nisokatra. Nanao tifi-danitra ireo jiolahy hampitahorana ny olona ary avy eo nandroba ilay banky. Antoandro benanahary no nitrangan'izany, amin'ny 1 ora tolakandro katroka. Avy dia niatrika tamim-pahamendrehana izany ireto polisy roalahy nanao fisafoana, namaly izany tsara tsy nisy tomika. Arakaraky ny nandehanan'ny segondra no nihintsanan'ireo jiolahy tsirairay: iray;, roa, telo, efatra…..naratra (na maty mihitsy aza?). 30 minitra taty aoriana, tonga ny tarika mpanampy avy amin'ny polisy. Ela loatra ho anà toejavatra iray iankinan'ny aina. Fehiny: Polisy iray namoy ny ainy no hitan'ireo mpiasan'ilay banky tonga taty aoriana kely, nisy ratra teo amin'ny tratrany, ary iray hafa tsy nahatsiaro tena, ny tànany mbola eo amin'ny fanapotsirana ny basiny. Efa lany ny fitoeram-bàlany. Faranan'i Yomi Says amin'ny fitakiana ny governemanta Nizeriana mba hijery akaiky ny momba ireo polisy lahy sy vavy zara raha mandray karama sy tsy ampy fandrisihana, izay zary lasa sakana ho azy ireo tsy hivarotra ny ainy ho fiarovana ny firenena: Eritrereto izay mety ho nitranga raha toa mba tonga ara-potoana ireo tarika mpanampy fa tsy hoe 30 minitra tany aoriana. Iza ao amin'ny governemanta no mba mihaino? Iza no mba handray an-tànana ny fijerena ny tombontsoan'ireny olona ireny? Iza ao amin'ny governemanta no hihaino ny feon'ny fieritreretany ka hanome fitaovana ny polisintsika araka izay sahaza? Arahabaiko manokana ireo roalahy be herimpo ireo. Azoko antoka fa tena ilaintsika ny manana tantaran-kerimpo bebe kokoa sy olona mahery fo tahaka ireo. Raha jerena ny fandraharahana sy ny teknolojia ao Nizerià, manoratra i Oro hoe, “ Asa 2.0: Fampitandremana Ara-potoana Ho An'ny Fiarahamonina Nizeriàna .” Voalohany dia tsipihany fa naverin'ny teknolojia nofaritana ny fomba fanoratantsika ny tantara sy ny sisiny / fetran'ny birao amin'izao fotoana izao (raha misy) . Nanova ny fomba fihodin'ny birao ny solosaina, ny finday, ny halatra ampiasàna imailaka, ny fanaovana fivoriana tsy ifanatrehana (teleconferencing), ny blackberries, iPhones  sy ireo fitaovana hafa ampiasain'ny Toekarena Vaovao. Taorian'ireo mpisehatra fahiny tamin'ny famokarana (raha tondroina mivantana dia ny tany sy ny herim-pamokarana), ankehitriny isika efa miatrika mpisehatra vaovao, ireo an'ny fampahalalambaovao sy ny teknolojia. Mahazatra ny mandre olona miresaka ny tatitra isanandro vita aloha be ny marainan'ny Alatsinainy, nalefa tao anatin'ny minitra vitsy tamin'ny fampiasàna fitaovana finday avy any an-toerana lavitra any. Tsy hafahafa ihany koa ny mandre resaka — miainga avy any amin'ireo seza tsy lavitra ny seza 22A misy anao eo akakin'ny varavarankely — toy ny hoe  “Ety an-dàlana ho any Mumbai aho izao fa ny PDG no handefa aminao ny antontan-taratasy vita sonia afaka 7 minitra latsaka eo ho eo, vao avy nosoniaviko ary efa nalefako any aminy.” Dimy taona lasa izay, raha voamarikareo — avy any ambadik'ireo takelaka fitaratra manasaraka ny birao — misy mpiaramiasa iray mitsinjaka noho ny hafaliana rehefa avy niasa dia vitsivitsy ary niteny irery (teo ampilalaovana baolina kely fiadiana amin'ny rarintsaina), mety niantso tale ianao hilaza aminy ny mety ho fisianà aretina iray nateraky ny rarintsaina. Saingy amin'izao fotoana izao, fantatrao tsara fa ao am-pamaranana fifampiraharahana iray izy, iarahany aminà orinasa iray any aminà toerana mandingana tanibe efatra, miaraka amin'ilay ‘casque Bluetooth’ tsy ilàny mampiasa tànana akory eny an-dohany eny.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/31/125157/
Maoritania : Antomotra ny Fifidianana Solombavam-bahoaka, Nosamborin'ny Fitondrana i Biram Dah Abeid, Ilay Mpikatroka Mpanohitra Ny Fanandevozana
2018-08-31T12:23:56
Unknown
Biram Dah Abeid – Sehatra ho an'ny daholobe Efa niha-nanakaiky ny fifidianana solombavam-bahoaka tany Maoritania, nefa mbola nofaizin'ny fitondrana ihany ilay “Initiative pour la Résurgence du mouvement Abolitionniste (IRA)  [ Finiavana Hamerina indray ny Hetsika Fanafoanana ny Fanandevozana ]” tamin'ny nisamborany ny mpitarika azy Biram Dah Abeid, ny 7 aogositra, sy mpikambana iray ao amin'io fikambanana io, Abdellahi el Housein Mesoud, ny 9 aogositra noho ny fitarainana napetraky ny mpanao gazety iray momba iry voalohany. Ao anatin'izany henjikenjika izany, dia voasambotra tamin'ny 8 Aogositra ihany koa ny mpanao gazety anankiroa Babacar Ndiaye, mpitantana ny vavahadin-tserasera Cridem sy  i Mahmoudi Ould Saibout, mpanao gazety ao amin'ny Taqadoum noho ny nandraisany indray ilay lahatsoratra mahakasika ilay mpisolovava iray akaiky ny fitondrana maoritaniana. Ampahafantarin'ny Amnesty International fa tsy nisy didy naseho tamin'ny fisamborana an'i Biram Dah Abeid, mpitolona manohitra ny fanandevozana, ankoatra izay, nahazo ny Lokan'ny Fiarovana ny Zon'olombelona avy amin'ny Firenena Mikambana. Ambonin'izany, avoitran'ilay ONG ireo tsy fanarahan-dalàna hafa mikasika ny fitazonana an'i Birman Dah Abeid sy ireo namany : Im-betsaka ny mpisolovava an'i Biram Dah Abeid sy i Abdellahi el Housein Mesoud no nosakanana tsy hiresadresaka amin'ireo olona arovany any am-ponja … Efa voaloton'ny tsy fanarahan-dalàna sahady ireo fitsaràna an'i Biram Dah Abeid sy i Abdellahi el Housein Mesoud, indrindra fa notazonina tsy nisy porofo nandritra ny 48 ora mahery izy ireo sady tsy afaka niresaka akory tamin'ny mpisolovava azy. Ireto farany ankoatra izay tsy afaka nahazo ireo atontan-taratasy fiampangana nampiasaina mba hitazonana ireto lehilahy roa ireto. . Voasambotra i Babacar Ndiaye, mpitantana ny vavahadin-tserasera Cridem sy i Mahmoudi Ould Saibout, mpanao gazetin'ny Taqadou rehefa notorian'ny mpisolovava maoritaniana iray miasa any Frantsa, momba ilay lahatsoratra navoakany. Amin'izao fotoana izao mbola tsy voampanga izy ireo. Omen'ny tranonkala africanews.com ny antsipirihany momba io raharaha io : Voasambotra tao amin'ny trano fonenany tao Nouakchott, renivohitra,  ilay maoritaniana mpilatsaka ho fidiana amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny volana septambra, Biram Dah Abeid, mpikatroka mafana fo amin'ny fanoherana ny fanandevozana ary nogadraina any amin'ny faritra atsimon'ny tanàna …. Nampahafantarin'ny mpitandro filaminana ny fitarainan'ilay mpanao gazety iray izay niampanga an'i Birman Dah Abeid ho nandrahona azy. Fanalàna baràka mazava be, hoy ireo mpikambana ao amin'ny hetsika misy azy IRA (Initiative pour la résurgence du mouvement abolitionniste) izay mikiakiaka ny tetika politika maizina. Fanaovana fitaovana ny fitsaràna no fahitàn'i Bakala Kane io fisamborana an'i Biram io, hoy ny fanazavàny ao amin'ny kassataya.com : Efa ho lasa lalaon'ny fitondrana Ould Aziz io tsy fiovàn'ny fanaovana ny fitsaràna ho fitaovana noho ny resaka politika io. Ho an'ireo mpanaramaso, fanitsakitsahana goavana ny fahafahana sy lalàm-panorenana izany. Miantso ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena ho amin'ny fanafahana azy tsy misy fepetra ireo frantsay sy belza mpisolovavan'ny mpitarika Hratin. . Taterin'i Diko Hanoune/ maoritaniana mpandala ny fanafoanana ny fanandevozana ao amin'ny guidumakha.com  ireo fepetra ara-materialy itazonana ny filohan'ny IRA-Maoritania : Tonga any Riyadh hanampy ireo mpitandro filaminana eto an-toerana ilay kaomandin'ny tobin'ny mpitandro filaminana, rehefa nanao hetsika hitakiana ny fanafahana ny mpitarika azy ireo ny mpikatroka ao amin'ny IRA, tena ratsy ny fijerin'io kaomandy io ireo atontam-pako manodidina ny filohan'ny IRA ao amin'ny tranomaiziny. Nanapakevitra ny hanadio ny rehetra izy. Nefa tsy misy fanaka ilay efitrano maizina ao anatin'ny kaomisarian'ny polisy, sady tsy misy varavarankely ary isak'izay mihetsika dia mandrakotra ny karipetra sy ny lamban'i Biram Dah Abeid ary ny fitafiany ny fasika. Tsy azo iainana ny trano fidiovana ary manamaimbo ny kaomisaria manontolo izany ; tsy ahafahana mivoaka any amin'ny làlantsara, miaina sy matory ny fofona mantsina. Mifanaretsaka sy mandro ary maty ao amin'ny trano fidiovana ireo bibikely sy katsatsaka. Tsy ahitana fahadiovana ao amin'io efitra maizina io ary tsy nisy fepetra fanadiovana noraisina tato anatin'ny 6 andro. Asehon'i Cheikh Aïdara ao amin'ny bilaoginy blog aidara.mondoblog.org, ny tahotry ny fitondràna ka nahatonga azy hikaroka izay hanakanana ny fifidianana an'i Birame amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 1 septambra ho avy izao : Androany, nahavita nanamafy fifanarahana “samy mahazo” tamin'ny antoko Sawab ny IRA. Fiarahamiasa izay bantian'ny sampana afrikana-maintin'ilay hetsika izay tsy tara amin'ny fitabatabana hoe famadihana. Loha-lisitra amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny anaran'ilay fiarahamiasa i Birame, loza mitatao no fahitan'ilay rafitra ny fidirany ao amin'ny parlemanta. Fanomezana azy ny sehatra malalaka sy tsimatimanota mandritra ny dimy taona izany, nefa laza ihany koa izay mampitombo ny maha-izy azy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Izany no nahatonga tsirin-kevitra fikononkononana hevi-dratsy amim-pahamalinana mba hanalavirana an'i Birame amin'ireo fiantsoana ny mpifidy izay tsy hieritreretan'ny fitondràn'i Mohamed Abdel Aziz hanome azy vintana na dia kely aza mba ho lasa solombavambahoaka. Hazavain'i Biram Dah Abeid ao amin'ny taratasy nosoratany avy tao amin'ny efitra figadrany ao amin'ny fonjan'i Nouakchott, tamin'ny 15 aogositra, ny fifanolanana misy eo aminy sy ny fitondrana : Mbola mitoetra foana ny lonilony efa an-jato taona, izay ezahanay, miaraka, manadio eo amin'ny miaramilan'ny fireneko sy izaho ; avy amin'ny asanay roa tonta, tsy voavidim-bola, no ikorinan'ny ranon'afero anaty sy itelemana ny lolompo, fahatomombanana tsy azo refesina loatra. Ny fikomiana tsy amin'antony nataon-dry zareo tsy araka ny fotoana no mampahery ahy sy mampangoraka ny fo : na izany aza, amin'ny maha-mpiandry ny mandan'ny tanàna izay antenaina fa hirodana azy ireo, mbola mihizingizina ry zareo ary mino fa tsy ho vita ny hianika io manda io. Nefa ao anivon-dry zareo, misy miseho, tsy  miasa velively raha tsy efa fantatr'izy ireo, iantsorohako ny fandravana io trano mahatsiravina io, izay ny ràn'ny razako no nanafaka hetaheta sy mihazona azy hijoro. Isanandro, manongotra biriky iray amin'io trano io aho ary mandrava ny ila-rindrina ihany koa ; tsara kokoa, manomboka izao, tsy irery [intsony] aho amin'ny asa. Tsahivin'ny tranonkala africanews.com ny fomba mbola iainan'ny 20 isan-jaton'ny vahoaka Maoritaniana ny fanandevozana : Na efa nanomboka tamin'ny 1981 aza ny tsy maha-ara-dalàna azy any Maoritania, dia mbola misy foana ny fanandevozana ao amin'ny firenena araka lazain'ireo  vondrona mpiaro ny zon'olombelona. Vinavinain'ireto farany ho ny 20%-n'ny mponina no olona miaina mandrakariva amin'ny fanompoana, voatery miasa amin'ny toeram-pambolena na miasa an-trano ary tsy mahazo fahalalahana, fanabeazana na karama. Avy amin'ny vondrom-piarahamonina haratine sady zanaka andevo i Biram Dah Abeid, izy no nanorina ny Initiative pour la résurgence du mouvement abolitionniste tamin'ny 2008. Voasambotra matetika noho ny fanolorantenany hiady amin'ny fanandevozana izy, vao tamin'ny 2016 izy no nafahana rehefa avy nigadra 20 volana. Tamin'ny 13 aogositra, nampangaina i  Biram Ould Dah Ould Abeid rehefa notazonina 6 andro, raha tokony ho 48 ora, ary voampanga ho “manohintohina ny fahamendrehan'ny hafa”, “mihantsy herisetra”, “mandrahona ny hanao hersietra” i Biram Dah Abeid raha toa ka “firaisana tsikombakomba” no niampangana an'i  Abdellahi el Housein Mesoud.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/31/125354/
Madagasikara: Ireo Nofinofin'ny Hoavy Sy Ireo Hevitra Sasany Mikasika Ny Fanampiana Iraisampirenena Ho An'i Afrika
2018-08-31T01:59:53
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2007) Ny fanantenana – teraka tamin'ny fivoriana TED tao Arusha – hoe eo amin'ny fiakarana mideza i Afrika dia nanentana ny tontolombolongana malagasy. Milaza amintsika i Aiky fa ny senatera malagasy Razafimbahiny Christian dia nanoratra boky iray mikasika ny fahombiazana izay ao anatin'izany no naniriany ny tsy hameran'ny tanora malagasy ny nofinofiny. Mametraka fanontaniana eo amin'ny blaoginy i Aiky hoe: Manana nofinofy ve ny tanora malagasy (7 ka hatramin'ny 77 taona)? mikolokolo ny faniriana miafina izay hahafahany manaisotra ny fandraràna rehetra manakana azy amin'izao fotoana izao ve izy ? Tsy maintsy manonofy ny tsirairay. Azo atao ny manonofy… amporisihina hanonofy satria raha tsy eo ny nofy tsy hanana vina” Vitan'i Harinjaka ny namadika ny nofiny ho asa mba hanampiany ny tanindrazany tamin'ny alalan'ny fankanesany nanatrika kaonferansa TED: « Afrika ny toko  manaraka”. Manazava izy fa nanokatra ny masony ny adihevitra tao Arusha. Mikasa ny handao an'i Frantsa izy ary hiverina an-tanindrazana mba handray anjara amin'ny fanarenana ny firenena . “Rehefa nifanerasera tamin'ireo bandy ireo, nandritra ny fivahinianako tao Afrika, mahamaika ahy mihoatra noho ny hatramin'izay ny fiverenana an-tanindrazana. Iza no maha Afrika an'i Afrika raha tsy ireo zanany ireo? Iza no maha-firenena ny firenena iray raha tsy ireo vato nasondrotry ny tany ao aminy? Saingy nahoana ireo vato nasondrotry ny tany voalaza ireo no tsy mitodi-doha mody? Tsy maintsy resy lahatra ve fa tsy misy hoavy mamiratra ao amin'ny firenena?” Tao amin'ny TED, nanatri-maso ny adihevitra mikasika ny fanatsaràna ny mampahomby ny fanampiana ho an'i Afrika i Harinjaka ary maniry izy mba ho maro ireo Afrikana miteny frantsay no ho ao. Notohizan'i Randiana ny resadresaka, izay manoratra fa: “Ireo fanehoankevitra ireo dia ahitana taratra ny faharerahan'ireo Tandrefana mpandoa hetra  ao anatin'ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ny ara-bola ho an'ny fanampiana iraisam-pirenena, fanampiana iray izay tsy hitan'izy ireo akory ny farany, na ireo vokany azo tsapain-tanana. Ny fitarainana tena vao haingana napetraky ny ONG frantsay mikasika an'ireo filoha, Bongo ao Gabon ary Sassou N'Guesso ao Kongo, dia maneho an'io hatezerana io. Raha voamarina io fanatsiniana io, dia ny fanampiana iraisam-pirenena no handray anjara hamatsy vola amin'ny fahazoana an'ireo hotely manokana any amin'ireo faritra mihaja ao Parisy ho an'ny tombontsoa manokan'ireo filoha roa ireo . Indrisy tsy feno tanteraka ny lisitr'ireo asa ratsy ireo.” Manazava i Shadow Gasy fa ny iray amin'ireo fepetra tsy azo ialàna mba ho betsaka kokoa ny fandraisana andraikitra manoloana ny fanampiana iraisam-pirenena dia ahitana fotokevitra telo mifampiankina: ny governemanta tomponandraikitra, ny famaritana ny “Tany Tandalàna” ary ny anjara birikin'ireo tsy teratany . “Lohahevitra iray omen'ireo firenena maromaro mitambatra mamatsy vola (ohatra) sy mpifanaraka ara-toekarena (ohatra) lanja mavesatra ihany koany Tany Tan-dalàna. Mety ahitàna dikany maromaro ny fotokevitry ny Tany Tan-dalàna. Na izany aza, na eo aza io hamaroan'ny dikany io, toa tsy mitovy amin'ireo mpitsara afrikana hafa sy ireo mpahay lalàna afrikanista,  fa vitsy ireo Malagasy mpahay lalàna mamaritra ny atao hoe Fanjakana sy ny Zo / lalàna. […] Ny hevitra voalohany diso izay aposakay dia ny mikasika ny fitenenana fa tsy afaka miditra an-tsehatra ao anatin'ireo olana mahakasika ireo raharaham-pirenen'izay firenena mandray azy ireo vahiny.” Zava-dehibe ny hanamarihana fa tsy mandeha aminà zotra tokana hatrany ny fanampiana iraisam-pirenena. Misy ireo ohatra amin'ny fanampiana afrikana mankany Eoropa ary na ireo firenena tena matanjaka erantany aza dia mila fanampiana indraindray . Lova Rakotomalala
https://mg.globalvoices.org/2018/08/31/125383/
Manerana an'i Afrika Andrefana amin'ity herinandro ity (jolay 2006)
2018-08-31T09:19:21
Unknown
(Lahatsoratra efa tamin'ny volana Jolay taona 2006) Atombokontsika amin'ny Under the Acacias izay mibilaogy ny: Osama bin Laden ao Burkina Faso ny fitsidihana bilaogy amin'ity herinandro ity The face of Osama bin Laden glared down at me from his camel, a kalashnikov gun in his hand. Fortunately, he was only on the front of a t-shirt of a young boy, who was standing listening as I chatted at Gorom-Gorom market with some friends. Bin Laden is not physically in Burkina Faso, of course – in spite of the occasional local rumour he was hiding out it Deou, a remote market town north of Gorom-Gorom. However, t-shirts with his face are widespread – although not as widely seen now as in 2002. But what does this mean – does he really have so much support here? Nibanjina ahy avy eo amin'ny ramevany, miaraka amin'ny basy kalashnikov teny an-tanany ny tarehin'i Osama bin Laden . Soa ihany, fa teo anoloan'ny t-shirt-n'ny ankizilahy kely iray izy, izay nijanona nihaino ahy raha niresaka tao an-tsenan'i Gorom-Gorom niaraka tamin'ny namana sasany aho. Tsy ao Burkina Faso ara-batana i Bin Laden, mazava ho azy – na dia teo aza ny tsaho teo an-toerana fa niafina tany Deou, tanàna-tsena lavitra ao avaratr'i Gorom-Gorom izy. Na dia izany aza, miely patrana ny t-shirt misy ny endriny – na dia tsy hita be toy ny tamin'ny taona 2002 aza. Fa inona no dikan'izany – tena manana mpanohana betsaka tokoa ve izy eto? The Trials & Tribulations of a Freshly-Arrived Denizen…of Ghana kosa miahiahy momba ny fivarotana rongony an-tsokosoko ao Ghana sy ny faritra afrika andrefana: Satria efa hifarana ny herinandro any Accra: Hevitra momba ny Fikambanan'ny Polisim-paritra CEDEAO (FBI?), Sy ny ady amin'ny Fandrahonan'ny Zava-mahadomelina The week opened with drugs on my mind: a popular musician, Daassebre, who had been caught with two kilograms of cocaine in the UK. It prompted a radio discussion on Tuesday as to why so many Ghanaians want to defy the risk of carrying narcotics into European soil. Nisokatra tamin'ny zava-mahadomelina tao an-tsaiko ny herinandro: mpihira malaza, Daassebre, izay tratra nitondra kôkainina roa kilao tao Angletera. Niteraka fifanakalozan-dresaka tamin'ny radio tamin'ny Talata izany ka nahatonga ireo Ghaneana marobe te-hihantsy ny loza ateraky ny fitondrana zava-mahadomelina ao amin'ny tany Eoropeana. Manontany ny bilaogy kameroney Scribbles from the Den : Fibilaogina eo amin'ny Afrikanina: Eo am-pelatanana tokoa ve ny Revolisiona? * For next few days, we will take a look how Africans at home and in the Diaspora are harnessing the Internet (particularly the power of weblogs) to build vibrant cyber-communities, provide alternative analyses of events in the continent, challenge oppressive national regimes, and express personal views on a variety of issues. Afaka andro vitsy, hojerentsika ny fampiasan'ireo Afrikana any an-tanindrazana sy any am-pielezana ny aterineto (indrindra fa ny herin'ny bilaogy) mba hananganana vondrom-piarahamonina an-tserasera miezinezina, manome fanadihadiana hafa momba ny zava-mitranga any amin'ny kaontinanta, mihaika ireo fitondrana mpanao famoretana, ary maneho fomba fijery manokana momba ireo olana isan-karazany. Eo amin'ny sehatra ara-politika any Kamerona, manambara i George Ngwane fa: Misy ny fahaverezan'ny finoana ao amin'ny rafitra antoko ao Kamerona Nahoana no zava-dehibe ho an'ny mahaleotena ny mirotsaka hofidiana? Ny fandraisana anjaran'ireo kandidà mahaleotena amin'ny fifidianana tsirairay dia midika zava-misy ara-politika amin'ny fahazoana indray ny fiandrianam-bahoaka sy ny maha-ara-dalàna ny demaokrasia avy amin'ny olom-pirenena rehetra. Ny fiforonan'ny antoko dia mifototra amin'ny fanirian'ny ampahan'ny vahoaka vonona an-karihary hamantatra tsirairay ny tombontsoam-bahoaka amin'ny alàlan'ny demaokrasiam-pifidianana ary avy eo ny demaokrasiam-pisoloantena. Saingy ambonin'ny zavatra rehetra, miorim-paka amin'ny tsirinkevitra safidy sy azo isafidianana ny demaokrasia. Ny firotsahana ho kandidà mahaleotena no iray amin'ireo azo isafidianana manitatra ny sehatra demaokratika, mifantoka amin'ny fahamendrehan'ny tsirairay, izay mijery ireo olana manokan'ny mpifidy ary manome fahafahana ho an'ny tovovavy sy tovolahy handray anjara mavitrika amin'ny politika. Home of the mandinmories manadihady ny lahatsoratry ny gazety Gambiana momba ny fifindramonin'ny tanora Afrikana ho any Eoropa: Home sweet home (Mamy ny mody) . The point newspaper decry the extremes young Africans take to make it to the shores of Europe in this editorial : Mitaraina momba ireo zavatra tafahoatra raisin'ny tanora Afrikana mba hanao izany ho any amin'ny morontsirak'i Eoropa ao amin'ity matoandahatsoratra ity ny gazety The Point There is a lot of debate these days about African immigrants trying to enter Europe through what many call “the back way.” Like many African countries, The Gambia has lost many of her citizens, mainly the youths, on the dangerous seas between Spain and Morocco and despite the recurrent and grievous nature of the loss of lives, many are still willing to brave the precarious conditions to enter Europe which Africans youths have for decades looked forward to as a greener pasture. Alas, how sorrowful, considering the price the adventure is costing many a hope-starved African youth! Maro ny adihevitra tato ato momba ireo mpifindra monina Afrikana miezaka miditra ao Eoropa amin'ny alalan'ilay antsoina maro hoe “làlan'ny fiverenana”. Tahaka ny firenena Afrikana maro, namoy ny ankamaroan'ny olom-pireneny, indrindra ny tanora, tao amin'ny ranomasina mampidi-doza eo anelanelan'i Espaina sy i Maraoka i Gambia ary na dia teo aza ny alahelo voajanahary miverimberina amin'ny amin'ny fahafoizana aina, dia maro ireo mbola vonona hiatrika ny fepetra ratsy mba hidirana ao Eoropa izay nandrasan'ny tanora Afrikana nandritra ny taona maro ho toy ny ahitra maitso kokoa. Indrisy, tena mampalahelo, raha jerena ny vokatry ny anjoria miantraika amin'ny tanora Afikranina marobe tsy manana fanantenana!
https://mg.globalvoices.org/2018/08/30/125445/
Roandà: Miaina Toy ny Mpanjaka Ireo Mpiasa Amin'ny Fikambanana Mpanao Asa Soa
2018-08-30T13:08:17
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2007) Matetika voakiana ireo vahiny miasa amin'ireo fikambanana mpanao asa soa ao Afrika noho izy ireo miaina tsy mifangaro amin'ny vahoaka eo an-toerana izay heverina fa tokony ho ampian-dry zareo. Fomba ahoana moa no hampahomby ireny olona mandany ny fotoanany any anaty fiara 4×4 ireny, mampiasa fitaovana fandrindràna rivotra iainana, fitaratra matroka akarina mba tsy hidiran'ny vovoka sy hisakanana ny tabataba ety ivelany tsy ho re? Fanontaniana miverimberina izany . Soratan ‘ny bilaogy “Les aventures du Civiliste Guillaume ” ny momba ireo legionanà fikambanana mpanao asa soa mipetraka ao Roandà, ary hitany fa azo kianina no sady azo arovana ireo tonga hitondra fanampiana ireo. Firenen'ireo ONG sy ny toa azy i Roandà : WFP (World Food Program), UNDP (United Nations Developement Program), ONUSIDA (hainao na tsy ho hazavaina aza), Right to Play , Human Rights Watch , USAID (United States Agency for International Development), CARE, PRI (Penal Reform International) … ndeha ho ampiantsika an'ireo fandaharanasa mpitondra fanampiana ho an'ny fampandrosoana anà firenena maromaro, ireo fikambanana avy ao Roandà ihany, sns, sns, sns… Raha mila lisitra (tsy feno tanteraka), potsiro eto . Raha ONG, misy maro sy amin'ny endrika samihafa izy ireny. Ny goavana, ny kely, ny iraisampirenena, ny avy eo an-toerana, ny afrikàna, ny eoropeàna, ny avy any Etazonia, tsy isalasalàna fa misy vitsivitsy an'ny shinoa, ireo ONG ahitàna Roandey bebe kokoa, ny sasany ahitàna eoropeàna bebe kokoa (na dia notakian'ny governemanta aza ny hisian'ny fitovian'isa). Zarain'ny “ Civiliste Guillaume ” ireo fomba fijerin'ny roa amin'ireo frantsay namany : Ao Roandà, manana isika namana vitsivitsy miasa amin'ireo ONG na ao amin'ny Firenena Mikambana. Azo lazaina ho miaina toy ny mpanjaka ry zareo, mihataka amin'ny vahoaka, ny antoandro dia matetika ry zareo no any anaty birao… Fa ahoana no ahafahany manantena hahatakatra ny zavamisy iainan'ny olona tian-dry zareo ho ampiana raha toy izany no fomba fiainany ?!? Tsy ho tanteraka fotsiny izao izany. Rehefa miresaka amin-dry zalahy dia hitanay tsara ny fahasahiranan-dry lerony manakatra ireo olona heverina fa tokony ho ampiany. Tsy hoe noho ny haratsian-toetra, fa satria tsy ao anaty faritra ahafahany manao izany ry zareo. Tsy milaza aho hoe isika, afaka mahatakatra ny zavatra rehetra, tsy izany velively, fa azo antoka hoe raha miaina isanandro miaraka amin'ny ankizy ianao, izay jerena ho toy ny tsy misy dikany na kely aza, dia hahatsapa isika, fa tsy hoe tsy hahatakatra, zavatra vitsivitsy momba ny ‘olan-dry zareo’, sy ny nofinofin-dry zareo, ny tetikasany sy ny faniriany’ momba ny hoaviny. Nozarain'ny “ Civiliste Guillaume ” ny hevitr'ireo namany nony tonga tao Roandà izy, saingy efa niova ny heviny hatreto : Any Soisa, resaka toy izany ihany no henoko. Ny fahatsapàna hoe ny sasany amin'ireny olona ireny no tsy misy fifandraisana amin'ny hafa. Mora ny fiainany, manjoria kely ary mandray karama tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy. Rehefa tonga teto Roandà, mbola toy izay ihany ny karazana fahatsapako. Ny zavatra hita voalohany dia ireo fiara raitra vaventy, ireo trano tsara tarehy, ny birao. Ireo olona toa miaina anaty tontolo iray hafa mihitsy. Dia avy eo aho nihaona tamin’ “ireny olona ireny”. Ireo miasa ao amin'ny Firenena Mikambana, ireo izay mandany ny androny bebe kokoa any anaty birao fa tsy eny an-kianja. Nanomboka nahafantatra azy ireo aho. Nahita ny asany. Nandany ny harivako niaraka tamin'izy ireo. Volana vitsivitsy taty aoriana, niova ny fihevitro an-dry lerony. Eny, manana andianà Toyota Prado ny Firenena Mikambana, saingy tsy betsaka toy ny any an-kafa. Manana toy ireo koa ny EPR. Eny, miasa any anaty birao ny sasany ary zara raha mifangaro amin'ny vahoaka izay tena mila fanampiana. Saingy mety ho zavadehibe ihany koa ny asa iray anaty birao. Tsy eny an-kianja fotsiny no hanomanana ny famatsiana tobinà mpitsoaponenana. Ary indrindra, tsy nisy na iray aza tamin'ireo nifanenana tamiko no mijanona ao anatin'ny tontolo azy manokana. Samy manana namana Roandey daholo ireo vahiny mpiasa mila ravinahitra eto nifampiresaka tamiko. Ny sasany manana maromaro kokoa noho ny hafa. Ary indrindra, samy tohina amin'ny zavatra mitranga manodidina azy daholo. Samy miezaka ny manao zavatra kely daholo ny rehetra mba hananganana tontolo iray tsara kokoa. Lavitra ahy ny hilaza fa hoe idealy ny zavamisy. Mazava loatra, misy ireo “matavy” mandray karama tsy mifanentana mihitsy (fa etsy ankilan'izay, firy ireo mpianatra asa omena karama varimasaka). Mazava loatra fa misy tsy fetezan-javatra goavana hita ao anatin'ireo ONG goavana. Mazava loatra fa miteraka vesatra sy fahasarotana ara-pitantanana ny haben'ilay fikambanana. Fa ao ambadik'izany rehetra izany, aoka tsy ho adinontsika fa misy koa ireo olona. Ary mendrika ho tolorana haja ireo na dia kely monja aza.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/29/125307/
Maninona ireo firenena Afrikàna vitsivitsy no mbola manohy manohana an'i Mugabe
2018-08-29T05:32:34
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2007) Koudou, ao amin'ny Agoravox, no manao topimaso malaky ny tantaran'i Zimbaboe izay manazava amin'ny ampahany ny antony mbola anohanan'ireo firenena afrikàna vitsivitsy hatramin'izao (amin'ny teny frantsay). ( Avy amin'ny mpandika : Iriko indrindra raha tsidihanao mpamaky ny rohy etsy ambony. Ho hitanao ao fa sady antony avy any ivelany no antony avy ao anatiny mifamatotra amin'ny tantara fohy nefa mafonja niainan'io firenena io nandritra ny 27 taona, nanomboka tamin'ny nahazoany fahaleovantena. Resahana ao anatin'ny lahatsoratra itondran'ny rohy antsika etsy ambony ny momba ny fambolena katsaka, ny fitsinjarana ny tany hamokarana, ankoatra ny zavatra hafa toy ny fihaonana an-tampony tao Harare niresahana indrindra ny momba ny fambolena, ary ireo fampanantenana poakaty, na koa ny fomba tsy mahomby naroson'ny FMI, ary ny valinkafatra avy amin'ireo firenena afrikàna ).
https://mg.globalvoices.org/2018/08/30/125404/
Madagasikara: Anglisy teny ofisialy, fanomezam-boninahitra ireo lasibatry ny fifanandrinana ara-panjanahantany sy ny rivodoza
2018-08-30T04:01:24
Unknown
(Lahatsoratra tamin'ny avrily 2007) Fenofeno ny vaovao teto Madagasikara tanatin'ny tapabolana faharoan'ny volana marsa 2007: indrindra fa tamin'ny zavatra 3 nifampiresahan'ny samy bilaogera malagasy: 1) An-dalana amin'izao fotoana izao ny fitsapa-kevi-bahoaka eto Madagasikara. Tahaka izao manaraka izao no hanontaniana ny Malagasy ka hovaliany : “Acceptez-vous ce projet de révision de la Constitution pour le développement rapide et durable par région, afin d'améliorer le niveau de vie des Malgaches?”. Iray amin'ny volavolam-panorenana ny fampidirana ny fisantaran'andraikitra antsoina hoe MAP. Misy lalaon-teny roa ao anatin'io fanafohezan-teny io izay manasongadina ny zotra vaovao tian'ny Filoha Marc Ravalomanana ho an'i Madagasikara. MAP mijoro ho Madagascar Action Plan sady mijoro ihany koa amin'ny teny malagasy manao hoe Madagasikara AmPerin'asa. Ny zavatra hita, iray amin'ny fanitsiana ny lalampanorenana ny fampidirana ny teny anglisy ho teny ofisialy. Zava-dehibe izany ho an'i Madagasikara amin'ny finiavany hampivelatra bebe kokoa ny tsenany. Mazava loatra fa tsy afa-tsikera izany tolo-kevitra izany satria miteraka adihevitra hatrany izany fiteny izany teto Madagasikara. 30 taona lasa izay, nizotra ho amin'ny famolavolana ny teny malagasy ho hany teny ofisialy i Madagasikara. Hita ho fikasana hanalavitra bebe kokoa amin'ny herim-panintonan'i Frantsa izany. Ankehitriny ny fanovanana ny teny anglisy sy ny fanamafisana indray ny malagasy ho teny ironana dia ho hita indray ho fanalavirana bebe kokoa indray an'i Frantsa. Tsy mbola matoky i Manny sy ny bilaogera hafa ny amin'ny fomba ifidianana sy ny hanaovana ny fanovanana ny teny anglisy ho teny ofisialy. Manoratra i Elodieriana: 3 langues officielles….vivement la traduction des documents officiels…traduction de la constitution entres autres avec 3 colonnes? Maro amin'ny bilaogera ihany koa no mbola tsy mahafantatra marina izay atao amin'io “MAP-zavatra” io, teboka iray lehibe hafa amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka: Manoratra i Mikozatra fa maro no mety tsy namaky manontolo ny MAP fa vita tsara kosa ny fanatontosana sy ny endriky ny boky, araka izay amafisin'ity mpanolotra amin'ny onjampeo ity: En première page donc Plan d’action Madagascar 2007-2012 Plan Audacieux (avec un grand A) pour le développement rapide. Et la photo d’un jeune garcon, trés bien, joli sourire, dentition parfaite. A l’intérieur, ll y a plein de photos également, un véritable diaporama du président en campagne, à la campagne, et des malgaches, de paysages, la flore.. tiens pas de lémuriens ? Nivoaka ny vokatra voalohan'ny referandaoma ary dia misy sahady ny ahiahy avy amin'ny gazety amin'ny fahamarinan'ny vokatra. 2) Nanoka-potoana hahatsiarovana ireo olona an'arivony lasibatry ny “fitroaran'ny 29 marsa” nanoherana ny fibodoana frantsay i Madagasikara. Nandrika tokoa ny ra tamin'io andro io ka nahatonga ny gazety frantsay “Le Monde” nanasokajy azy ho iray amin'ny fifanandrinana nampivarahontsana indrindra nandritra ny fanjanahantany frantsay . …soulèvement qui fut l’une des premières manifestations nationalistes dans l’empire français. La répression, avec près de 100 000 morts un des grands massacres coloniaux de l’après-guerre, sur lequel la France a étendu un voile de silence , a fauché toute une génération de cadres malgaches Nanoka-potoana fahatsiarovana ireo niharam-boina ihany koa ny bilaogera malagasy tamin'ny alalan'ny fanangonana ireo sombin-dahatsoratra miresaka io toe-javatra io, nangonin'i Nivo ato ny ankamaron'izy ireny. 3) Farany, nisy rivodoza hafa nandalo ny nosy indray tamin'ity herinandro ity . Jayla no anaran'ilay farany indrindra ary izy no fahaenina tamin'ny karazany tao anatin'ny enimbolana, samy nandravarava avokoa ny tsirairay amin'izy ireo. Nitatitra ny filazana ofisialy fa 8 no maty ary rava ny atsasaky ny tanànan'i Sambava.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/30/125361/
R.D. Kongo: Mpanao fahagagàna, Lalomena mpiangaly mozika ary Takamoa mampahatahotra
2018-08-30T03:05:55
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2007) Angamba ny bilaogy kongoley mahaliana indrindra dia ilay an'i Cédric Kalonji , izay ireo sary sy fanehoankevitra feno hanihany sy indraindray alahelo ao anatiny dia vavolombelon'ny fahasahiranana isanandro iainana ao Kinshasa, renivohitra be mponina sy rota ao amin'io firenena io. Rehefa tafaverina avy amin'ny diany tany Eoropa, manontany tena i Cedric raha toa ka tsy iray amin'ireo singa maro mandrafitra ny olana ankapobeny midadasika kokoa , anatin'ireo fotoana misavorovoro ny talenta ananan'ireo Kongoley mba hahafahana miatrika ireo sedra. Raha tokony hitroatra, raha tokony handà izay zavatra tsy mandeha amin'ny laoniny, dia aleontsika mitady vahaolana vonjy tavanandro ary lasa lavitra isanandro isanandro isika….Manontany tena aho raha ho tafarina avy ao anatin'ny lavenony i Kongo indray andro any. Ankehitriny, tsy maintsy mitandrina rehefa miresaka lohahevitra sasantsasany. Lasa mampididoza ny fanokafana be loatra ny vava hiresaka ireo zava-marina sasantsasany. Ny aina no manefa. Tonga saina amin'ny fitomboan'ny mpamaky azy, nanomboka tamin'ny lahatsoratra iray navoaka momba azy tao amin'ny gazety Le Monde , mampanontany tena an'i Cédric ny fomba tokony hataony mba hisoloana tena ny firenena ao anatin'ny bilaoginy. Ibabohako fa indraindray aho mamoaka zavatra izay tsy handeha ao amin'ny fireneko, saingy ao amin'io bilaogy io, ny firesahana ny zavatra iainako manokana isanandro vaky ao amin'io firenena io ihany no ataoko, arakarak'izay mahametimety ahy amin'izay andro sy fotoana izay. Tsy handeha hikarokaroka atsy sy aroa mba hitady izay tsy mety ary tsy mandeha mikaroka vaovao. Izay rehetra soratako dia niainako manokana. Ohatra fotsiny, nahafantatra endrika namana iray niray sekoly taminy tany amin'ny garabola i Cédric, tao anaty afisy fampahafantarana ny tafika masina lehibe iray mba hanapariahana ny filazantsara sy ireo fanasitranana mahagaga ’. Tsindriany tsara fa nandova avy amin'ny fiangonana sy ny asa fandraharahàna nataon'ny rainy ilay namany. Naneho hevitra momba io lahatsoratra io i Hélène, vehivavy kongoley iray monina any Kanadà, ary milaza ny hasosorany ao amin'ny bilaoginy Congo Connect : Mba marina! Lasa aiza ny fahaizan'ny vahoaka kongoley mandanjalanja? Nahoana izy ireo no manohy mino an'ireny mpisandoka marobe milaza ny tenany ho pastora sy mpaminany ireny. Raha tokony ho ny fanahin'ny fizakantena no toriany, ny paosin'ireo mahantra indray no loaran-dry zareo ho takalon'ny fampanantenany fahagagàna, asa, vady, harena, fitsangantsanganana any Eoropa… Iray amin'ireo feo tsara indrindra ao Afrika. Sary: Atamato (WildlifeDirect) Ilay tarika tsy voafolaka misy ireo Congo Rangers [Ang] no manohy mampahafantatra antsika ireo fandaharanasa fiarovana ny tontolo iainana ao atsinanan'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo. Avoakan'i Atamato [Ang] fa nohosorany anarana ireo lalomena izay ambany fanarahamasony, nomeny ny anaran'ireo goavana amin'ny mozika ao Kongo. Namoaka andiantsary ao amin'ny bilaoginy, Gorilla Protection [Ang] i  Paulin, bilaogy izay maneho tsara ny loza mitatao amin'ny àla noho ny fanamboarana arina fandrehitra.  Ary Jo Thompson [Ang] mizara ny tatitra nataony tamin'ny dia iray miavaka nitaingenany lakana misy maotera nitety ny renirano, namakivaky ireo faritra lavitra andriana, hizaha ireo Bonobos dia. Nandritry ny alina, tonga tany amin'ny kilaometatra vitsivitsy miala an'i Kalopa izahay. Ren'ireo mponina tao am-bohitra ny feon'ny maoteran'ilay lakana tonga avy any an-drenirano ka dia nandositra nankany anaty ala ry zareo. Tena hafahafa be an! Fa na ahoana na ahoana aloha, nahazo ny morona izahay nony maraina ary milamina ny zavatra rehetra izao. Rehefa tonga izahay, ary hitan-dry zareo fa tsy loza mananontanona ho azy ireo ny fisianay, nanomboka nihira ireo vehivavy. Raha ny fahitàna azy dia toy ny nihira hoe : « Tonga i Dada, lasa ny hanoanana ». Somary tsy araka izay tena zavamisy ny fanantenan-dry zareo, mampahatahotra ahy izany. Toy ny any amin'ireo vohitra rehetra, mihaza hena any ambany ravinahitra any ry zareo ary azo lazaina ho tsy manjono mihitsy. Ary toy ny ao Obenge, tonga miaraka amin'ny zavatra ilaina andavanandro ireo mpivarotra, avy eo mody miaraka amin'ny hena avy any anaty ravinahitra. Efa nanatrika fifanakalozana iray sahady aho androany ! Betsaka alika mpihaza eto ary feno ankizy. Adinoko foana fa tsy dia misy be antitra izany aty amin'itony toerana lavitra andriana itony. Maty tanora ny olona. Tsy maintsy lazaiko ito :  vao avy namelona ny vondrompihary herinaratra aho (groupe électrogène), fa tonga dia nandositra daholo ny ankizy. Tena raiki-tahotra fatratra ny fahitàna azy ireo. Mbola kaodikaody ihany koa ry zareo manoloana ilay takamoa narehitra. Tena efa ela loatra i Kalopa no nitoka-monina! Faranantsika ity fitetezana vazantany ity, miaraka aminà andiantsary telo tena tsy misy itovizany. Ao amin'ny bilaogy Kivu Express , mpanao maritrano avy ao Quebec i Pierre, mampiseho antsika ilay làlana an-tendrombohitra tena tsara indrindra nefa koa sarotra eo anelanelan'i Bukavu, ao amin'ny Farihy Kivu , sy Uvira, ao amin'ny Farihy Tanganika . Rehefa tafaverina ao Kinshasa renivohitra, mientanentana ery i Danny Masson amin'ny fanehoana maroloko ny opéra iray  ary i “Du Cabiau à Kinshasa” mampiranty ireo sarinà faneva mampahafantatra ny vahoaka izao zavatra rehetra izao… …ny “bla-bla”  farany nataon'ny Firenena Mikambana, ny fiverenan'ny olona iray mahalefaka hody an-tanindrazany, ireo famoriambahoaka hitady fahasitranana mahagaga na ny vidiny vaovao ho an'ny Coca-Cola… lamba aminà metatra vitsivitsy, mpanao sary hosodoko iray, mpanao tsingolobatita iray dia vita ny fampisehoana!
https://mg.globalvoices.org/2018/08/29/125298/
R.D. Kongo: Tsy ho ny farany ilay fianjerana fiaramanidina tao Kinshasa
2018-08-29T11:16:15
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2007) Cabiau ao Kinshasa ( Du Cabiau à Kinshasa ), bilaogin'ilay Belza monina ao R.D. Kongo, dia manoratra momba ilay fianjerana fiaramanidina tamin'ny herinandro lasa tao Kimbanseke, tanànan mahantra sy tena be mponina ao Kinshasa. Raha kely indrindra dia dimampolo teo ho eo ireo olona tradoza tamin'ilay fianjerana, ankoatra ireo ampolony maro naratra. Nanomboka teo, noroahana noho ny “tsy nahavitàna nandamina ny sehatry ny fifamoivoizana an'habakabaka” ny Minisitry ny Fitaterana. Du Cabiau à Kinshasa mihevitra fa tsy azo nosorohana ilay loza : Arivo avo heny ny finoana hisian'iny loza iny. Indrindra fa eo ny azo ambara ho tsy fisian'ny fotodrafitrasa mihitsy ety an-tanety (làlana, làlamby…), atao amin'ny fiaramanidina izay zavatra tena ilaina amin'ny fifanakalozana ao anatin'ny R.D. Kôngô . Ho anà firenena iray tena mahantra, manana fifamoivoizana an'habakabaka tena matevina. Marobe ireo orinasa tsy miankina misahana fitaterana an'habakabaka ary dia fasana an-jatony misidintsidina eny an-danitra eny araka izany. Isanandro isika mahita an'ireny razamben'ny fiaramanidina ireny, feno hipoka, miainga manafosafo marindrano eny ambonin'ireo trano fonenana. Tsy io fianjerana io no voalohany….ary tsy iny no ho farany Alex Engwete, angoley bilaogera, manamarika hoe tsy maintsy nisy an'iny loza nahatsiravina iny vao mba voasarika nitodika ho any amin'ny R.D. Kôngô ny sain'izao tontolo izao. CNN mampiseho sarin'ilay fiaramanidina kila forehitra tao Kinshasa. Sary mampihtesipo mahatsiravina, izay mampikoraraika ireo goavan'ny filazambaovao… ary misintona an-dry zareo amin'ny tsy firaharahiany tsotra izao ny R.D. Kôngô.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/29/125288/
Senegal : Demba Dia, mpihira nirotsaka ho politisiana
2018-08-29T05:26:47
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2008) Nambaran'ila senegaly mpihira, Demba Dia , ny fijoroan'ny antoko politikany manokana, ho fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka ao amin'ny faripifidianana ao Dakar. Tsarain'ny “ Blog Politique au Senegal ” ho sarotra raisina ho zavatra matotra ilay firotsahan'i Dia : …tsy milaza olona izy, tsy tezitra aman'olona na amin'inona na amin'inona ary tsy manana faniriana misavoan-danitra raha jerena ny fandaharanasa napetrany. Avoakan'ny “ Blog Politique au Senegal” ihany koa ity sary nitarina ity : “Rehefa mampihomehy ireo mpanao politika, mandeha ho azy ny hoe mba manao politika koa ireo mpampifaly vahoaka” Mazava loatra, tsy maningana i Senegal amin'ny fahitàna mpisehatra, mpiangaly gadona rock, mpilalao baolina kitra mirotsaka manao politika. -maneho hevitra i Chrisou, mpamaky: Tsy Senegaly aho…saingy tena mahafinaritra be ahy ilay afisy sy teny filamatra ! Azo atao mihitsy aza ny mandray azy any amin'ny firenena hafa maro… Vitsy ny fampahafantarana an'i Demba Dia aty anaty serasera an-tambajotra, fa afa-tsy iray tamin'ireo rakikira an-tsary nataony tao amin'ny Youtube, napetraky ny mpampiasa iray izay manosotra an'i Demba Dia ho “mpanjakan'ny rock Mbalakh”
https://mg.globalvoices.org/2018/08/28/124745/
Fitsinjarazaràna Avy Any Ogandà
2018-08-28T07:15:16
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2006) Mitohy miditra amin'ny volana faha-telo ny fifampiresahana mavesatra mikasika ny fandriampahalemana ao Juba, Sodana, eo amin'ny Governemanta Ogandey sy ny Lord's Reistance Army (LRA) , miaraka amin'ny fifampiampangana ataon'ny andaniny sy ny ankilany ho tsy manaja ny fifanarahana mikasika ny fampitsaharana an'ireo habibiana. Na izany aza, voasoroka ny fahatapahana tanterak'ireo fifampiresahana ireo rehefa nanambara ny Governemanta an'i Sodana Atsimo fa tsy ny LRA mihitsy, fa kosa ireo mpikatroka Sodaney tavaratra miteny arabo, no namono sivily 38 tao an-tanàna manakaiky an'i Juba. Etsy andaniny, ny filoha Ogandey Yoweri Museveni nandeha tselika tany Juba mba handray anjara amin'ireo fifampiresahana momba ny fandriampahalemana. Misalasala ilay ogandey blaogera, Ngorom , momba ny fandraisana anjara ataon'ny Filohampirenena. Raha mandinika ny tombontsoa iraisam-pirenena ao Sodana manontolo, nanao asa tsy dia misy idirany loatra amin'ireo fifampiresahana momba ny fandriampahalemana efa an-dalana ao Juba i Museveni. Ilay fihaonany tamin'ny delegasiona avy amin'ny LRA sy ny fandevileveny an'ireo ary ny fanararaotana tsotra izao dia midika fa ny tanjony voalohany dia tsy fifandresen-dahatra hisian'ny fandriampahalemana velively. Eo ampitadiavana “bokotra ho tsindriana” i Museveni mba hanilihana an'ireo hamelezana ireo fifanakalozankevitra sy hanatrarany ireo tanjony ao Sodana Atsimo. Mandritra izany fotoana izany, taterin'ny In An African Minute ireo adihevitra tao Kampala momba ny fandriampahalemana maharitra sy ny fampihavanana. Manamarika izy fa navelan'ny Governemanta sy ny fiarahamonina sivily tsys hisy valiny ireo olana manan-danja ireo. (i) misy ve finiavana politika hanao izay tena hampisy marina ny fahamarinana sy ny fampihavanam-pirenena ? Miankina amin'i Museveni irery ny valiny. Misy antony tokony hanantenana. Ny lova ho avelany no mahaliana azy hatrany hatrany, indrindra fa ireo mifandraika amin'ny tsy fivakisan'i Afrika Atsinanana. Saingy tokony ho fantany fa tsy ho tongatonga ho azy izany raha tsy milamina aloha ny ao antokantranony. Ao koa ireo antony ara-toekarena. Ny Filaminan'i Sodàna Atsimo, izay i Juba no renivohitra dia mitondra fahafahana ara-toekarena goavana. Izay rehetra mandeha ao Juba dia ho tonga mora foana ao antseranan'i Mombasa rehefa mandalo amin'i Kampala sy Gulu. Ho betsaka ny tombontsoa very ao Oganda raha toa tsy milamina ny ao avaratra. Na ireo mpifanandrina ara-politika toa an'i Gulu LC V, Norbert Mao aza, dia niaiky fa nanjary nisokatra kokoa i Museveni amin'ny famahana ny olana ao avaratra. Na izany aza, mila ezaka mahery vaika avy aminy mba hitondra avo ny kolontsaina politikan'ny patriomonialisma amin'ny endriny vaovao izay manenika an'i Ogandà. (ii) Ho toy inona ny dingana mikasika ny fahamarinana sy ny fampihavanana nasiônaly? Mihoatra ny fetra misy an'ity lahatsoratra ity ireo antsipirihany mikasika an'io drafitra io, nefa ilay dingana dia tokony hevitra roa miavaka tsara no hampifandanja azy. Voalohany indrindra, tokony hahalala ireo antoko rehetra fa ny dingana mikasika ny “fanekena” dia tena zavadehibe ivon'ny hevitry ny lalàna Ogandey. Nefa ny fitsaràna mpanasazy dia ho asa sisyphisienne nomen-danja tamin'ireo fifanoherana ara-tafika roa amby roapolo tao anatin'ireo taona roapolo farany, handray anjara betsaka amin'ny fampihavanana ny faneken'ny vahoaka an'ireo hadisoana. Faharoa manaraka izany, ny fotokevitra “ fanadinoana sosialy “, an'i Rosiland Shaw. Antrôpôlôjista ao amin'ny Anjerimanontolo Tufts, mpahay momba ny olombelona i Shaw, izay ny asany tao Sierra Leone dia mampiseho fa ireo kaomisônan'ny fahamarinana, izay fenitra iraisam-pirenena amin'ny lafiny fitsaràna tetezamita, dia tsy fanasitranana velively. Nasehon'i Shaw fa ireo fomba fijery ara-pivavahana na araka ny nentindrazana mba hitantanana ny lasa no matetika mifanaraka kokoa sy mahomby. Ao Kampala, nanomboka fomba iray fanarahamaso ny fahaterahana, antsoina hoe Moon Beads ny Vehivavy Voalohany, Janet Museveni, tohanan'ny USAID, narafitra mba hanampiana an'ireo vehivavy hanaraka ny fadimbolany izy io ary hisorohany firaisana ara-nofo reheha amin'ny fotoana maha-lonaka azy ireo. Blaogera marobe, anisan'izany i Jackfruity , no nanakiana an'io programa miteraka adihevitra be io. Na dia eken'ny drafitr'i Ramatoa Museveni aza ny filàna  fandrindrana ny fiainam-pianakaviana tsara indrindra ao Oganda, tena diso be io. Ny fomba iray fandrindrana fiterahana natoraly dia natokana ho an'ireo tsy manana afa-tsy vaddy tokana ary mitaky amin'ireo vehivavy mba hanaraka maso fatratra ireo fadimbolany mandritra ny telo ka hatramin'ny enina volana mialoha ny hametrahana amin'ny toerany ny fitaovana (natao ho azo ampiasaina avy hatrany ireo Moon Beads,  ary tsy mety amin'ireo fadimbolana miovaova). Na dia amin'io tranga io aza, eo amin'ny 75-90% ny mampahomby ilay fomba, raha 95-99% ho an'ireo fanabeazana aizana atelina am-bava ary 86-98% kosa ho an'ireo kapôty. Tao anaty lahatsoratra iray hafa, manome topimaso iray i Jackfruity mikasika an'i Aga Khan , ilay lehilahy iray, izay miely manerana an'i Kampala amin'ny fomba mahagaga ny sariny noho ny an'ny Filohampirenena Museveni: Ny mikasika an'i Ogandà sy ny hoe nahoana ny endrik'i Aggie no mitsiky amiko eny amin'izay rehetra alehako, dia fanontaniana tsy ahitana valiny foana. Safidiko ny hijery azy ho toy ny ZokiLahy Be mpiahy, manantena fa na inona na inona hitranga – raha midona amina loza ara-boajanahary goavana aza aho, na ny tenako mila efitrano raitra misanda 2500 dolara/isakalina ao Mombasa – ho eo anilako i Aga Khan, manampy ahy am-pifaliana mba hanova ny tontolo ho tsara kokoa.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/29/125302/
Kôngô (RDC): Tenimiafina hanavotra ny ainao
2018-08-29T05:14:42
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Septambra 2007) Araka ny bilaogy “Stood In The Congo [Ang]”, miharatsy ny toedraharaha ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô : “Eny, miala tsiny aho, ry Neny, fa ny dikan'izany dia hoe tafaverina eto Rumangabo indray aho amin'izao fotoana izao. Toerana iray izay tsy maintsy mahafantatra ny tenimiafina ny olona tsirairay raha manify ny hifoha hahita masoandro ny ampitso maraina. Ho fampahafantarana anao fotsiny, ny tenimiafina halina dia ny hoe “trondro”, ary ny valiny dia ny hoe “madio”.” Ndesanjo Macha ( Fanamarihana avy amin'ny mpandika : tsaroako ny tantara nolazain'ny rangahy iray fony izy namaky làlana tany ankodahoda – faritra be dahalo ao Madagasikara – niasa tao amin'ny Ministeran'ny Asa Vaventy izy tamin'izany fotoana. Nisy dahalo nenjehina tamin'ny angidimby avy tany lavitra tany ka rehefa tonga teo amin'izy roalahy mpamily ireny fiara vaventy fanaovana làlana ireny, dia namonjy nitsoraka tao anaty fotaka teo akaiky teo, ka ny orony sisa no navoakany ambony mba hiainany. Niangavy ireto roalahy izy mba tsy hanolotra azy amin'ireto mpanaradia, ary ho takalony kosa dia nomeny tenimiafina izy hamoha ny làlana rehetra lalovan'izy ireo raha sanatria ka misy dahalo manakana. Hay ity olona mila vonjy amin'izy ireo, tsy hafa fa ny lehiben'ireo dahalo mpangalatra omby tamin'izany fotoana izany, ireo nanao fehiloha mena. Isaky ny misy tokoa ary taty aoriana ny manakana azy ireo, dia misy mametraka fanontaniana foana, ary tsy maintsy valiana amin'ilay tenimiafina nomena azy ireo.  Efa ampolo taona maro no nisehoan'ity tantara ity, tany amin'ny manodidina ny 1975, na talohan'izay aza raha ny fitadidiako   )
https://mg.globalvoices.org/2018/08/28/125197/
Cap Vert: Nahoana No Misondrotra Ny Vidin'ny Solika?
2018-08-28T05:52:22
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008) Manontany tena ilay capverdiàna blaogera, Neu Lopes, [ amin'ny teny paortiogey ] hoe nahoana no mbola mitohy misondrotra ny vidin'ny solika ao Cap Vert . Nahitana 21% ny fisondrotana farany tamin'ny solitany fandrehitra, 15% ho an'ny soliky ny fiara, 10% ho an'ny diesel, ary 5% ho an'ny entona fandrehitra, ary ankehitriny dia miandry ny mety ho fiantraikan'izany amin'ireo vidin'entana hafa ny mponina, indrindra fa efa nambara ny ho fiakaran'ny saran'ny fitaterana, ny herinaratra sy ny rano. Ary nitranga ireo fiakarana rehetra ireo raha toa ny vidin'ny solitany kosa nitontongana [amin'ny teny anglisy]. Segundo a ARE (Agência de Regulação Económica), “o lote importado que serve de base a esta tabela de preços foi adquirido quando os valores estavam ainda em alta”. Pergunto agora: se os valores estivessem baixos quando foi adquirido o referido lote, qual a garantia que os preços não ficariam mais elevados caso o contexto internacional fosse o contrário do actual? De qualquer forma os bolsos dos cabo-verdianos é que pagam tudo isso. Mametraka fanontaniana hafa i Ludgerocv [ amin'ny teny paortiogey ] manao hoe: Perco as estribeiras quando a ARE, em vez de fixar PREÇOS MÁXIMOS, apresenta preços obrigatórios. Onde diabo estamos nós? A ARE deu agora para patrocinar a formação de CARTEL? As duas petrolíferas compram os combustíveis ao mesmo preço, na mesma ocasião, os lotes chegam na mesma altura, têm as mesmas despesas, etc.? Como é que diante de uma importação de uma das petrolíferas, se obtêm dados para fixar preços de venda ao público válidos para ambas? Tamin'ny alalan'ny famoahana an'ireo vaovao mikasika ireo fihetsiketsehana fanoherana nokasaina hatao tao Paortogaly ny 27 septambra 2008 manohitra ny fiakaran'ny vidim-piainana, manoratra i Redy Wilson Lima [ amin'ny teny paortiogey ] fa tena efa fotoana izao ho an'ny mponina ao Cap Vert hanombohana miady amin'ireo fiakaran'ny vidin'entana ireo. Não chegou a hora de passarmos à acção também em Cabo Verde invés de muitos bla, bla, bla? É que se continuarmos conformados, o Estado nunca parará de nos kasu bodiar. Nisarika ny sain'ny Governemanta ny Nos Praia [amin'ny teny paortiogey ], tamin’ ny 5 septambra 2008, mikasika ny filàna vahaolana maharitra. Tokony hitady fomba hampihenana ny fiankinandohany amin'ny solika i Cap Vert: Vivemos num país extremamente pobre e que depende em larga escala da conjuntua externa pasa o se sustento. A nossa produção é “caseira” e tudo que comemos e bebemos vem de fora. Portanto, caros governantes, não obstante a especificidade do país e da economia mundial, é necessário criar alternativas à dependencia do petróleo. Não precisamos inventar a roda. Existem exemplos espalhados pelo mundo e basta sermos perspicazes para resolvermos os problemas desta terra.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/25/124980/
Andron'ny Hetsika Ho An'ny Bilaogy 2008, Mitoraka Bilaogy Momba Ny Fahantrana Ny Afrikana
2018-08-25T05:28:08
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008) Ny BlogActionDay (Andron'ny Hetsika Ho an'ny bilaogy ; amin'ny teny anglisy) dia andro natao ho fanokanan'ireo mpitoraka bilaogy manerantany tena ho aminà lohahevitra iray manokana amin'ny bilaoginy tsirairay avy. Ny fahantrana no lohahevitra amin'ity 2008 ity. Mandrisika ny adihevitra, miteraka fanentanana ary mampitombo ny fahatsiarovantena  momba io olana io eran'izao tontolo izao ity tontolo andro manerantany ity. . Manoratra  (amin'ny teny anglisy, tahaka ireo rohy manaraka ) i Dpfinnie : Tena mora ny mahatsapa fangorahana sy manome fanomezana ho an'izay fikambanana mpanao asa soa voalohany tonga ao an-tsaina, nefa mitaky fanolorantena sy fahafoizantena marina ny firotsahana an-tsehatra amin'ilay  hetsika sy fanaovana zavatra mivaingana hiadiana amin'ny fahantrana, ny antony mifamatotra aminy ary ny fisehony. Manome soso-kevitra momba ny fomba fiavahana ilay mpanao gazety sady mpitoraka bilaogy afrikana tatsimo Damaria Senne : Miaraka amin'ny krizy ara-toekarena manerantany iainantsika amin'izao fotoana izao, dia manontany tena i Naeem raha toa ka ho voavahan'ny rafitra fitantanambolan'ny silamo ny fahantrana sy ny krizy ara-bola : Hafa mihitsy ny fijerin'ny silamo ny olana ara-toekarena, fa tsy toy ny an'ny kapitalisma sy ny sosialisma. Mifantoka amin'ny fitsinjaràna ireo harena fa tsy mionona fotsiny amin'ny famokarana azy ny silamo. Tsy mamaha ny olan'ny fahantrana ny famokarana hatrany hatrany izay ho lanian'ny mpanakarena, ho voavaha kosa izany raha azo antoka fa tena mahasahana ireo filàna fototry ny tsirairay. Ampy hahafapo ny tsirairay amin'ny filàna fototra ny loharanon-karena eto ambonin'ny tany. Fomba fijery tena mahaliana momba ny fahantrana avy amin'ny fomba fijery ara-toekarena sy ireo antony ny fomba fijerin'i Sci-Cultra izay manazava : Zavatra voaray tamin'ny traikefan'ireo olona notolorana fanomezana, fa tsy mahomby ny fanomezana (fanampiana, raha lazaina amin'ny fomba hafa). Isan'ny olana ny esoeson'ireo firenena mivondrona ao amin'ny G8, amin'ny fanohanana ireo fitsipika ara-baroatra tsy ara-drariny izay mitarika azy ireo hiady varotra amin'ny totalin'ny fanampiana ho atolotra ;  ankoatra izay, ekeny ny fampindramambola izay mifaningotra amin'ny zanabola midangana , [fampidramambola] izay amin'ny tranga sasany, dia alefa amin'ny petrabola ‘vautours’ mba hitadiavam-bola, ohatra, any Zambia.  Tahaka ny mitsiky amim-pahatsorana amin'ny olona iray izany ary misintona azy ho fihinina sady mikaroka toerana malemilemy eo amin'ny takibany mba handetehana ny antsinareo. Miangavy ny tanora mba hitsangana sy hanohitra ny fahantrana i Pumelela Nqelenga : Tsy maintsy mijoro ho an'ny hafa isika ary asehontsika amin'izao tontolo izao izay tian'ny razantsika ho lazaina amin'ny hoe “uluntu”. Miantso ireo olona mitovy amiko ihany koa aho, ny tanora mba hahafantatra fa afaka mitondra fanovàna tahaka ireo ray aman-drenintsika tamin'ny nanainga ny Soweto ihany koa isika. Manana pejy ho fenoina ihany koa isika ao amin'ny bokin'ny tantara, toko iray mitantara fa nisy taranaka iray niady ho an'ny fitoviana ary nanohitra ny fahantrana. Miantso ny fanovàna aho !! Soratan'i Open Technologist ny fampiasàna ireo rindrambaiko mampiasa loharano misokatra (open source) mba hiadiana amin'ny fahantrana : Ny fandaharanasan'ny Initiative Mifos dia ny fampiasàna ny rindrambaiko ‘open source’ mba hamoronana lasitranà tolotra iray mampitombo ny fidirana amin'ny teknolojia ho an'ny fikambanana mpampindrana vola madinika , mba hahafahan'izy ireo manatratra ny tontolon'ny mahantra. Ny fampidramambola madinika dia mifototra amin'ny fampisamborana vola kely ho an'ny mahantra (latsaky ny 200 dolara) mba hanombohana sy hanohanana orinasa madinika toy ny hetsika Village Phone. Manolotra sosokevitra momba ny fampiasàna ny teknolojia sy ny haino aman-jery sosialy  hampivelarana ny fahatsiarovantenan'ny mahantra ilay nizeriana mpitoraka bilaogy, Loy Okezie : Amin'ny fampiasàna ireo teknolojia vaovaon'ny tranonkala, dia fara-faharatsiny azontsika atao ny miaraka mampihena ny fahantrana aty Afrika sy manerantany. Manome fahafahana mampitolagaga amin'ny ady amin'ny fahantrana ilay erana vaovaon'ny tranonkala. ‘Ndeha ary ho jerentsika ny sasantsasany amin'ireo teknika vaovao farany amin'ny tranonkala, izay mety ho azo ampiasaina hiadiana amin'ny fahantrana. Ignatius Nothnagel avy any Cap, ao Afrika Atsimo, dia mitantara amintsika ny fomba saika nandroahana ilay ramatoa antitra izay zara raha mahita izay handoavany ny vidin-dronono na mofo : Nidanaka aho. ” Naninona tsara izyyy ? Voaroaka ?” Tsy nahateny nandritra ny iray segondra aho, ” avy tamin'ilay tsena iva lenta ananantsika ? ” Amin'io fotoana io migogogogo mitomany ilay ramatoa ary izaho indray tsy maintsy miady amin'ny faniriana te-handositra ilay zavatra an-dàlana ny hivadika ho korontana. Mitantara momba ny fahantrana ao Afrika Atsimo i Kerry-Anne Efa nidina 48% ny isanjaton'ny tokantrano miaina ambanin'ny tokonan'ny fahantrana tamin'ny 2005 raha 53% izany tamin'ny 1995.  Voafetra ho 322 rands isanolona isambolana ny tokonan'ny fahantrana. Vidin'ny sakafon'olondroa any amin'ny trano fisakafoanana aty Afrika Atsimo izany. Voavakinareo tsara. Efa ho ny ANTSASAKY ny mponina ato amin'ny firenenay no tsy maintsy mandrakotra ny fandaniana tsy maintsy ilainy amin'ny fivelomany amin'ny vola LATSAK'izay laniantsika amin'ny sakafo indray mihinana. Tsy mampieritreritra ve izany sa tsia ?
https://mg.globalvoices.org/2018/08/27/124662/
Hatezerana Satria i Zimbaboe Mitarika Fikambanana Lehibe Erantany
2018-08-27T17:03:22
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2007) Toy ny hoe tsy ampy ireo korontana manjo an'ireo Zimbaboeana, tohina izy ireo raha nivoaka fa ny firenenan'izy ireo izay tratry nyfahirano no hitantana ny Kaomisionan'ny Firenena Mikambana momba ny Fandrosoana Maharitra ao anatinà nofy ratsy iray hafa izay i Zimbaboe. Nisy ihany ny fiakaran'i Zimbaboe na dia atao hoe firenena manana ny toekarena mihemotra haingana indrindra sy manana ny fidanganam-piainana avo indrindra manerantany aza izy. Tezitra, nizara ny fijeriny i Sokwanele : “Iray amin'ireo tokony hoheverina ny hoe ahoana ny ho ataon'i Zimbaboe mba hahavitàny manatrika ireo fihaonana ao anatin'ny Fiombonambe Eoropeana noho ireo famerana marobe tsy hahafahan'ny governemantan'i Mugabe mivoaka any ivelany noho ny tsy fanajan'ny governemantany ny zon'olombelona. Ary ahoana no namalian'ny masoivohon'iZimbaboe any amin'ny Firenena Mikambana, Boniface Chidyausiku, an'io olana io? Tahaka izao: “Inona no idiran'ny fampandrosoana maharitra amin'ny zon'olombelona?” Sorena fa hoe nanetry tena tamin'ny tsindry pôlitika ny ekipa Aostraliana mpilalao cricket ary nanafoana ny diàny amin'ny Septambra ho ao Zimbaboe. Nijery ny tsara izay nety nivoaka tamin'ilay dià i Bev ao Kubatan a. Mety tsy mandraharaha an'ito ireo Aostraliana, fa zavadehibe ny mamerina mijery hoe inona no tetika tsara indrindra, toy izay hiverina indray any amin'ny fanaovana jadon-tongotra hiantso fanaovana ankivy. Ka inona izany no ho atao? Raha mieritreritra hanao ankivy ny ekipa Aostraliana mpilalao cricket, dia nanaiky izany ry zareo fa afaka mifangaro ny pôlitika sy ny fanatajahantena. Ka angamba mety misy tombony kokoa ho an'ny ekipa Aostraliana mpilalao cricket ny hitety an'i Zimbaboe ary manao soa raha mbola eto izy ireo, toy izay ny cricket mahazatra azy ireo, mihaza ary manjono ho an'ny fahafinaretana. Angamba ny mpilalao tsirairay ho afaka mihaona amin'ireo mpikatroka izay niharan'ny fanararaotana mba ho fanehoana fanohanana sy fanajana ? Na afaka mitsidika ny hopitalim-panjakana ao Harare sy mijery ny toejavatra iainan'ireo Zimbaboeana mitady fitsaboana. Na afaka manatitra fanangonantsonia any amin”ny Ministeran'ny Fanatanjahantena sy Kolontsaina mba hitaky ny fanajana ny zon'ny Zimbaboeana. Mandritra izany, tezitra momba ny zavamisy tsy mahagaga i The Bearded Man (ilay bandy be marenina) hoe miaina tsy misy herinaratra ny sisa ao amin'ny firenena noho ny fampidirana tsy ela akory izay ny fahatapahanjiro mihodina (loadshedding / delestage tournant), fahatapahanjiro tsy hiainan'ny filoha sy ireo ambony toerana ao amin'ny governemanta velively. Arakaraky ny maha-haingana ny ahitan'ireo mpanao pôlitika fa voafidin'ny vahoaka izy ireo ary noho izany mpanompon'ny vahoaka fa tsy ny mifamadika amin'izany – no tsara. Maninona no mipetraka anaty tontolo tsy marina i Mugabe ? Maninona no tsy miaina ny olana tsy maintsy iainan'ny vahoaka andavanandro ao Zimbaboe? Maninona no mahazo fomba fitondra hafa? Raha tsy voatery hiaina ny zavatra iainan'ny hafa izy, ahoana no hafahany mifandray amin'ny vahoakany? Oh. Azafady. Marina zany – tsy mandraharaha na bitika kely akory ny vahoakany izy, aleony manao fiainana be ary manana olona mandohalika mba hamahana azy. Olona tia tena ary marary saina miaraka amin'ny fanomezandanja ny tenany izay adaladala mampihomehy amin'ny fisehoany. Farany, omen'ny Zimbabwe: Mpisavalalana ny Jadona ao anaty lahatsoratra mitondra ny lohateny “ Mpanao Gazety Avy Any Andrefana, Na Mandeha Ankiafina, Na Mijerijery Avy EnyAmin'ny Fiternteronan-dry Zareo ao Johannesburg, Tsy Mahita ny Tantara Ao Zimbaboe, satria Manohy Angano Izy Ireo, Ary Mitondra Rano Ho An'i Mugabe. (Teny ery ambany:  Manabe ny kely ary Manakely ny Lehibe: ‘)” ity fanakianana maranitra ity ho an'ny atao hoe sarintsarinà tatitry ny mpanao gazety avy any andrefana momba ny fahazoana aina ao  Afrika Atsimo : Tsy nahita ny tena tantara itony mpanao gazety itony, fa efa ny fampielezankevitra vita kajin'ny governemantan'i Mugabe sy notanterahana tamin'ny fomba nitratrevatreva, an-dalana nanomboka ny 11 Martsa, mba hamafàna ny fiarahamonina sivily mpandàla demokrasia ary ny hetsika pôlitika, nanampy nanohy ilay angano koa izy ireo- angano notenenin'i Mugabe sy ireo jiolahim-boton'ny ZANU-PF– hoe ny “tena tantara” dia ny lazaina fa fisarahana tao anivon'ny mpanohitra MDC, sy ny fironan'izy ireo manokana ho amin'ny herisetra. Tao anatin'ny taratasiny farany avy any Zimbaboe, izay tsy navoakanay teto amin'ny bilaogy tamin'ny herinandro lasa teo, nampisotro rano an'i Mugabe ilay mpanao gazety tsy ara-dalàna fony izy nanisy teny ambany ho an'ny andian-dahatsorany “hitan'ny mpanao gazetinay amin'ny aterineto ny fanoherana anaty fisaritahana”, tamin'ny tsy filazàna hoe nanomboka ny 11 Martsa dia lasa ivon-dresaka ny fanoherana ny fanjakana mpampihorhoro arindran'i Mugabe izay niafara tamin'ny fidarohana olona an'arivony, fisamborana olona an-jatony ary fampidirana hopitaly arahana fampijaliana, ary olona roa farafahakeliny no maty.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/24/125097/
Afrika Atsimo : Ity no “Joule”, Fiara Afrikàna Voalohany Mandeha Amin'ny Herinaratra
2018-08-24T06:48:49
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008) Isan'ireo voalohany nampahafantatra ilay fiara afrikàna voalohany mandeha amin'ny herinaratra vita tao Afrika Atsimo ny bilaogera. Ao amin'ny bilaogy Urbasprout , napetrak'i Glen ety anaty tambajotra ireo saripika ahitàna ilay fiara sy ny torohay rehetra momba ny mpamokatra azy, ny nanome ny endriny ary ireo daty voaomana hamarotana azy (mitondra ho aminà tranonkala miteny anglisy daholo ny rohy rehetra). Ny faharetan'ny vatoaratra mandefa azy no olana goavana amin'ireo fiara mandeha amin'ny herinaratra, saingy toa azo ambara fa hiova izany. Ny “Joule” dia hisy vatoaratra roa mampiasa ny Lithium izay miantoka ny faharetany hahavita 400 km. Ora fito eo no faharetan'ny famahanana azy, araka izany, alina iray manontolo. Ny fanindriana hisatra dia mandray anjara ihany koa amin'ny famahanana ny vatoaratra amin'ny fanangonana ireo angovo ateraky ny fanitsahana hisatra (mivadika ho mpamokatra angovo). Avy eny amin'ny toerana famokarana ilay fiara, manampy izy hoe : Efa niomanana ny hoe 50 isanjato amin'ireo akora hanamboarana ny Joule dia hovokarina eo an-toerana ihany ary ho atomboka hamidy izy amin'ny 2010, amin'ny sanda 200 000 Rands (eo amin'ny 17 000 €). Azo eritreretina ny ho famokarana azy ao Gauteng, fa koa any Durban sy ao Cap Omen'i Laura ao amin'ny bilaogy Treevolution ny rohy mankany amin'ny tantaran'ny “ IOL” , ary tanisainy ny famaritana nataon'i Edwin Naidu : Fiara misy toerana enina izy io izay mitovitovy amin'ny fampivadiana ny Renault Scenic sy ny Citroën Picasso. Mampiomana izy hoe mila miandry kely ireo mpanjifa [ao Afrika Atsimo] vao hahita azy io, mbola aranty ao amin'ny “Salon de l'Auto” any Parisy mantsy ilay izy amin'izao fotoana izao. [Oktobra 2008 ] Carl avy amin'ny Greencars.za.net no manome torohay hafa momba ny “Joule”, ary mamaly ireo fanontaniana lehibe momba ny famatsiana herinaratra ho an'ireo fiara mandeha herinaratra ao Afrika Atsimo ireo. Fanadihadiana iray nataon'ny Eskom, ilay mpamatsy herinaratra manana ny ampihimamba ao Afrika Atsimo, no nanamafy fa ny tambajotra afrikàna tatsimo dia manana ny fahafahana hamatsy vala-nà fiarakodia an-tapitrisany mandeha amin'ny herinaratra, tsy hanohintohina velively ireo efa mpanjifany hafa na hilàna manangana fotodrafitrasa fanampiny. Manana amby ampy ny Eskom raha herinaratra eo anelanelan'ny amin'ny iraikambinifolo ora alina sy amin'ny enina ora maraina. Maharakotra tsara ny ampahan'ora ilaina hanovana fahana izany. Tsy mila afa-tsy 20 isanjato amin'ny angovo lanin'ny fiara mahazatra ireo fiara mandeha amin'ny herinaratra. Midika izany fa ho kely kokoa ny entona avoaka, na dia tambajotranà foibe ahodina amin'ny arintany aza no tena ampiasain'ny Eskom hamokarany herinaratra. Miaraka amin'ny fironana ho any amin'ny fitantanana angovo madio kokoa, ny fitambaran'ny famoahana entona manontolo tondroina ho avy amin'ireo fiara mandeha amin'ny herinaratra dia hitohy hidina hatrany. Omeny ihany koa ireo torohay momba ny vatoaratra ampiasain'ireo fiara, ny rafitra momba ny hisatra, ny ‘chassis’, ny solosaina fibaikoana ao anatiny, ireo zavabitany ary ny ‘suspension’. Fampahatsiahivana ho an'ny mpamaky no omen'i Rory ao amin'ny Carbon smart hoe mbola mila atao anaty kajikajy hatrany ireo sakana izay “namono ny fiara mandeha herinaratra ampolotaona maro lasa izay”. Manontany tena izy hoe ho tody hatraiza ity fandraisana andraikitra niainga teo an-toerana ity . Tanisainy ny lahatsoratra iray tao amin'ny gazetiboky  Wired momba ny lasitra famarotana ireo fiara mandeha amin'ny herinaratra, nosoratan'i  Shai Agassi. Soritan'i Rory fa io lasitra io dia mifantoka amin'ny olan'ny fitahirizana ny angovo, izay lasa hisatra amin'ny fanekena ireo fiara mandeha amin'ny herinaratra. Ny fitahirizana ny angovo no tena olana be ara-teknika no sady iray mibahana ny fanekena ireo fiara mandeha amin'ny herinaratra, manomboka amin'ny lanjan'ny vatoaratra, ny fotoana famahanana azy. Io olana io no ilain'ilay lasitra famarotana vahàna. Ny tena atiny dia mety azo atao ny manangana orinasa hivarotra ny herinaratra, miara-dàlana amin'ny fivarotana ny fiara. Hanao fifanarahana ianareo izay hahafahanareo mamahana ny fiara eny amin'ny toerana iray anaty tambajotranà mpamatsy herinaratra, na hamahana fotsiny ilay vatoaratra. Ho fananan'ilay orinasa mpamatsy herinaratra ny vatoaratra, ka raha mila manohy ny dianao ianao ao anatin'iny andro iray iny, hanafoana ny fotoana lany hamahanana vatoaratra ny fanakalozana izany fotsiny. Foana araka izany ny filànao manana maotera fanampiny lafo vidy mandeha amin'ny solika. Raha tsy toerana lavitra no halehanao, tsy ilainao ny mitondra vatoaratra betsaka, ary dia mahazo tombony amin'ny resaka lanja ianao. Na ny fiara aza afaka ampindramina maimaimpoana an'ireo mpamily izay manatanteraka fivezivezena betsaka, ary ny hafa mety hividy ilay fiara sy hividy herinaratra mifanaraka amin'izay filàny. Mampahatsiahy zavatra anareo ve izany? Eny, io no lasitra ara-toekarena ampiasain'ny telefona finday.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/24/125074/
Fihaonambe G8: Mbola toerana tsara kokoa ho an izao tontolo izao?
2018-08-24T03:03:36
Unknown
(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jiona 2007) Nihaona tany Heiligendamm, Alemaina tamin'ny herinandro lasa ny G8 (+5) . Tonga tamin'ny fifanarahana momba ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fahantrana ao Afrika izay mety tsy ahafa-po ny ankamaroan'ny mpitsikera ny kapitalisma manerantany ireo firenena manan-karena indrindra manerantany . Nametraka rohy tamin'ny fanehoan-kevitra avy any India , Rosia , sy Afrika tamin'ny herinandro lasa ny Global Voices. Ary nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana ny fivoriana ireo olona avy amin'ny faritra lavitra toy ny any Però sy Japana . Jewels in the Jungle ao Alemaina kosa nanara-maso ny sasany tamin'ireo lahatsoratra tsara indrindra sy bilaogy momba ny G8 manerana ny tranonkala (indrindra avy any Afrika), ary nilaza hoe: I’m not as disappointed and pessimistic about the outcome of these talks as some people seem to be but at the same time you have to wonder, are the G8 Summits relevant anymore? Were they ever useful in helping to solve the world’s problems? It has all become such a circus for the politicians and every group under the sun to voice their outrage and anger about all kinds of causes that have little or nothing to do with the summit agendas that one has to ask, why bother? Tsy dia diso fanantenana sy kivy momba ny vokatry ny resadresaka tahaka ny olona sasany aho saingy kosa tsy maintsy manontany tena ianao hoe, mbola manan-danja ve ny Fihaonambe G8? Mbola ilaina ve izy ireo amin'ny fanampiana hamaha ireo olana manerantany? Nanjary sehatra fotsiny ho an'ireo mpanao politika sy ny vondrona rehetra ety ambany masoandro izany mba haneho ny fahatezeran'izy ireo sy ny fahaviniran'izy ireo momba ireo karazana antony rehetra izay tsy dia misy loatra na tsy misy ifandraisany mihitsy amin'ny fandaharam-potoanan'ny fihaonambe izay misy manontany hoe, maninona no manelingelina? Be fanantenana kosa i Francisco Xerinda ao amin'ny bilaogy mahafinaritra AfricaVox2007, bilaogin'ireo mpanao gazety Afrikanina sivy: The last four days here in Germany have been dominated by the anti-globalisation protests. The roads are constantly blocked and the police keep telling us to take a different route. But for me the practical irritation is worth it; such protests really do matter to me. I saw the impact they had two years ago when pressure from civil society at Gleneagles led to debt relief for my country, Mozambique. Nanjakan'ny fihetsiketsehana manohitra ny fanatontoloana ny efatra andro farany eto Alemaina. Voasakana hatrany ny arabe ary milaza aminay hatrany ny polisy mba handray lalan-kafa. Saingy ho ahy, mendrika ny fahatezerana; tena zava-dehibe amiko ny hetsi-panoherana toy izany. Hitako ny fiantraikany naterak'izy ireo tao anatin'ny roa taona lasa raha nitarika fanamaivanana ny trosa ho an'ny fireneko, Mozambika ny fanerena avy amin'ny fiarahamonim-pirenena ao Gleneagles. Patricia Daniels , ao amin'ny bilaogy openSummit ao amin'ny openDemocracy nitatitra momba ny Fihaonambe G8 sy ny Fihaonambe Mifanindra-dalana aminy avy amin'ny fomba fijery momba ny zon'ny vehivavy. Manoro hevitra ny mpamaky izy mba tsy hisarihana hamaky ny fanambarana Fihaonambe G8 . “Ahitana fanambarana manjavozavo izy ireo izay tsy mampanao na inona na inona ny G8,” hoy izy. Raha ny fantatra, mpijery an-tapitrisany ao amin'ny YouTube no liana kokoa raha mamo tokoa ny filoha Frantsay vaovao voafidy vao haingana Nicolas Sarkozy tamin'ny fihaonambe G8 … https://youtube.com/watch?v=I4u3449L5VI
https://mg.globalvoices.org/2018/08/20/124659/
Fandinihantena Sy Fikarohana Ny Antom-pisiana Ao Anaty Tontolom-bolongana Oganda
2018-08-20T13:04:03
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2007) Rebekah Heacock no anarako. Ity no lahatsoratro voalohany amin'ny nisoloako an'i Joshua Goldstein . Manana olana ara-pisiana miseho amin'ny endrika isankarazany ireo blaogera Ogandey. Nanomboka tamin'ny volana janoary ny fandinihantena eny anivon'ireo Blogren, raha toa izy ireo nanomboka nifampiantso , rehefa injay marobe ireo blaogera nanohitra ny famoronana ny Ora Mamalifaly (Happy Hours) ho an'ireo Blaogera ao Oganda sy ireo Loka ho an'ny Bilaogy Tsara Indrindra ao Ogandà . Tranga roa vao haingana tao Kampala no niteraka andiana hafatra iray vaovao ahitàna ny tanjon'ny fanoratana blaogy ao Ogandà. Ny voalohany tamin'izany dia ny fitsidihan'ireo Danois efatra mpanao sarimihetsika fanadihadiana izay tonga mba hanadihady ny tontolombolongana Ogandey. Nanontany tena izy ireo hoe sehatra toy inona eo amin'ny mponina no tsinjon'izy ireo avy eny amin'ny mason'ny blaogera Ogandey salantsalany. Novalian’ ny “ 27th Comrade” tamina tsikera iray tena mavaivay mikasika ireo fomban'ny media mahazatra ao Afrika  : Ianao ve, blogren, nahamarika fa isaky ny alefa amin'ny CNN i Afrika (na manerana ny fantsona fahitalavitra hafa izay mamoky anao ny fampielezan-kevitry ny fahavalo), ny hitanao dia ireo ankizy maimbo miaraka amin'ireo lalitra manemitra ny orony?… Manana tantara maro ho tantaraina aho mikasika ny fitomboana ho lehibe tao amin'ny fehintany… Saingy satria aho voky tsara, miteny Frantsay (maharikoriko) aho, tsy fantatro akory ohatran'ny inona izany ady izany… Mampiasa ny Linux aho, angalariko ny Haskell, tiako ny Ruby, vao 9 taona aho dia efa nandevozin'ny solosaina (ary tsy lavitra ilay Tanibe Voatsodrano velively na dia iray segondra monja aza), ary mandrindra ireo motera SMS aho ao anatina tolakandro mahasorena (eny, arahabaina ireo Amerikana – miezaka mirehareha eto aho) Tsy izaho mihitsy no handeha hatao ho lohahevitry ny Focus . Tao anaty lahatsoratra fanarahamaso iray, nomarihi ny fa io karazana fifantohan'ny media io dia “fanadiovana ny atidohan'ny Tandrefana fotsiny amin'ny alalan'ny fampisainana fa isika rehetra dia lava**ody iray avokoa. Tsy isika rehetra, indrindra fa ao Afrika ireo blaogera UG, ary ny Reniko ihany koa.” Namerina naka ny lohahevitry ny fahàn'ireo media ny Country Boyi , nentanin ‘ny resadresaka niarahana tamina mpanao gazety iray izay nanazava ny filàna ny fijerena kokoa ny eo an-toerana ao anatin'ireo vaovao iraisam-pirenena, indrindra fa any anatin'ireo tantara mikasika ny fifandirana ao Oganda avaratra izay maharitra hatramin'ny ampolotaonany maro. Nirotsaka izy handray anjara amin'io fomba fijery io. Tsy maintsy mamaky mismisy kokoa mikasika ny lalàna maha-olona iraisam-pirenena aho ary tsy maintsy mahazo ny Satan'i Roma mikasika ny CPI (Fitsarana iraisampirenena misahana ny heloka bevava ). Hiara-mitompo amin'ny fitsaràna aho. Mila maharaka tsara ireo vaovao aho. Tsy maintsy mianatra tsara ny fiasan'ilay rafitra aho, mianatra mafy ary “manaraka ny onjany” ho amin'ny fandrakofana ny tantaran'ny raharaham-pitsaràna horaketiko, hoy i Katy tamiko. Ny tranga faharoa nandrehitra ny adihevitra dia ireo fifandonana tao Kampala tamin'ny volana lasa teo mikasika ny famarotana an'ireo tany ao amin'ny Alan'i Mabira ho ampiasain'ny orinasa iray mpanao siramamy. Amin'ny alalan'ny fanantsiniana an'ireo namany blaogera noho ny tsy nanoratan-dry zareo betsaka mikasika an'ireo fihetsiketsehana mahery setra, nanisy tsindrimpeo i Henry Owera mikasika ny maha-zava-dehibe ny asa fanaovana gazety an'ny olom-pirenena tsotra – na ireo “olom-pirenena” mpila ravinahitra avy any ivelany, na ireo Ogandey – ary mba “hitàna diary momba ny tranga sy ireo toedraharaha” eo amin'ny firenena. Ny herinandro lasa teo, tany anaty fihaonan'ireo blaogera, niparitaka ny fitadiavana ny antony, tonga hatrany amin'ny “blaogera Ogandey iray tsy fantatra”, izay nanoratra tamin'i Josh tao amin'ny In an African Minute ary nisaotra an'ireo blaogera Ogandey tamin'ny fampahatsiahivana azy tsy nahy an'ireo karazana fiainana marobe ao amin'ny firenena. Indraindray aho dia tototra tanteraka ao anatin'ireo tantara ratsy izay famerimberiko tsy mitsahatra ary averiko foana (zazakely ao anaty lavapiringa, ankizikely manao miaramila, fanolanana ary famonoana faobe, katsaka atao sakafo, rantsana tsy hita) ka adinoko ny hoe i Kampala manana vondrom-piarahamonina sambatra izay misotro kafe ary miresaka mikasika ny tontolo midadasika sady mifanome loka ho an'ny blaogera tsirairay. Manan-danja ho ahy ny mahita an'i Ogandà anatinà toe-javatra iray hafa raha oharina amin'ny fahitako ny fahantrana tsy misy fanantenana izay soratako. * Fanamarihana avy amin'i Joshua Goldstein: Te-haneho fiisaorana ho an'ireo rehetra izay naneho hevitra tamin'ireo lahatsoratro aho nandritra izay 8 volana farany izay. Te-hiisaotra manokana an'ireo blaogera ogandey aho izay nahafaly ahy fatratra ny fihaonana taminy nandritra ireo Ora Mamalifaly tao Kampala sy any anaty tontolombolongana. Tsy ho lavitra aho akory.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/21/124973/
Afrika : Tsy Fandoavana Hetra, Tombony Ho an'ny Fampandrosoana Sa Ho an'ny Françafrique ?
2018-08-21T06:19:11
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2008) Navoakan'ny Le Pangolin ny fantina iray avy ao anatin'ny Journal du Dimanche momba ny fepetra iray vaovao fampihenàna ny hetra aloan'ireo orinasa frantsay mampiasa vola any amin'ny tany andalampandrosoana, “indrindra fa ao Afrika”. Araka io tsonga io, ny mety ho iray amin'ireo lalantsaina ao ambadik'ity fepetra vaovao ity dia ny fampiroboroboana bebe kokoa ny fampiasambolan'ny sehatra tsy miankina, ao anatin'ny fanantenanahoe hitondra vokatra izany fa tsy toy ireo fanampiana avy amin'ny fanjakàna izay tsy nahitana vokany hatreto. Fepetra iray tohanan'ireo mpkambana maro avy amin'ny UMP io, antoko avy amin'ny hery ankavanana maro an'isa ao Frantsa, na dia niampanga azy io aza ny sosialista sasantsasany hoe endrika iray vaovaon'ny Françafrique . Feno fisalasalàna i Musengeshi Katata, izay manoratra bilaogy ao amin'ny Le Pangolin . Fepetra vaovao antsoiny hoe “varavarana iray misokatra” amin'ireo orinasa frantsay sy ireo governemanta afrikàna mba hisolokiana ny vahoaka : Izay naroson'i Lefevre dia zavatra efa fanao sy eken'ny rehetra any amin'ny tontolo manankarena sy mandroso ara-indostria. Ao Alemaina na ao Etazonia, io tsy fampandoavana hetra io mba ho fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana dia ahafahan'ireo tandrefana izay liana amin'izany, miaraka aminà fijanonana fotoana elaela ao Afrika sy fampanaovana sonia ireo teratany mpanao kolikoly, mahazo tombontsoa ara-bola goavana avy amin'ny tamberimbidin'izy ireo. Manararaotra taneraka azy io ireo mpisehatra, fikambanana mpanao fanampiana, ary hatramin'ireo indostria mpanao hosoka ka mandefa fanafody efa niasa sy lany andro ho any Afrika, amin'ny filazàna fa mbola tsara sy feno izy ireny. Ny fiafaràny, mampanontany tena raha toa ka mbola tsy maintsy hanaiky foana ny ho voafitaka amin'ireo fitaovana tampimaso izay ny hany tanjony dia ny hamitaka sy handetika an'i Afrika ho ao anaty hadisoam-panantenana faran'izay lalina, ara-toekarena sy ara-bola. Ry namana malala, raha toa ireo tandrefana ka maniry ny hampiasa vola marina aty Afrika, dia aoka izy ireo handeha ho any ary tena hanao marina toy izay nataony tao Shina: mamindra ny teknolojiany ho any sady mamokatra mba hanodrana ary mandoa ny hetra ho an'i Afrika. Minoa ahy, tsy tian-dry zalahy ireo ny hanao izany. …Afrikàna isika, ekena, ary mahantra, saingy tsy adala! Tsy fahadiovam-po sy tsy mendrika no sady filalaovana olona ny fiezahana hamitaka ny vahoaka tahaka izany .
https://mg.globalvoices.org/2018/08/20/124741/
Ambangovangony Mikasika Ireo Fifanoherana, Ireo Pitsopitsony Manahirana Ary Ny Hatsaran'ny Fiainana Ao Ogandà
2018-08-20T12:09:46
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2007) ndreto ny ambangovangony ahitana ny antsipirihan'ireo fifanoherana, ireo pitsopitsony manahirana ary ny hatsaran'ny fiainana ao Ogandà. Ao Apac, vehivavy roa no mitady sakafo vezetariana ( tsy mihinana afa-tsy zavamaniry ). Izay no fanombohan'ny fitadiavana sakafo tena nampitolagaga indrindra izay mbola tsy hitako hatrizay. Tsy nangataka zavatra betsaka izahay: tsaramaso, vary, mofo chapatti angamba (ny chapatti dia karazana mfo indiana tsy ampiasàna lalivay) – zavatra tsotra sady mora, foto-tsakafo iombonana ao Ogandà. Nitondra anay hitety ny tanàna ny fitadiavanay, tamina bisikilety roa sy trano fisakafoanana enina samihafa, vehivavy daholo no mitantana ny ankamaroany izay zavatra mitovy avokoa no nolazainy taminay. Hena nasaly. Hena vao. Tsy misy tsaramaso. Tsy misy vary. Tsy misy mofo ‘chapatti'” Tsikombakomba hamelezana ny vezetariana izany, narafitra sy notantanana andiana mpirahavavy izay nitantana ny fizaràna sakafo ao Apac, ao an-damosin'ny LC5. Tanàna iray manontolo – foiben'ny distrika, tsy latsak'izay – sady tsy ahitàna tsaramaso. Nipetraka iray minitra tao an'efitranon'ny hoteli nisy anay izaho sy Rebecca, nanontany tena ny amin'izay hataonay. Ao Kampala , manazava i Glenna Gordon mikasika ireo fifanoherana izay misy ao Cafe Cap, ilay toerana fivarotana kafe tena matsiro indrindra ao an-tanàna: Niara-nipetraka izahay sy Ali, ilay olona tsy fantatro akory, teo amin'ny latabatra maloton'ny Café Cap satria io no hany nisy toerana nisokatra tao amin'ny latabatra natao ho an'ny mpifoka sigara tao amin'ilay toerana fisotroana café be olona. Pap, izay miorina eo ambanin'ny Parlemanteran'i Kampala sady tonga dia eo ambonin'ny lalambahoaka, no Starbucks amin'ny endrika ogandezy, izay tsy ahitana afatsy sakafo tena ratsy sy fiarahamonina iray mbola tena mifanosontsosona. Mbu , io no Ogandà, izay miaina latsaky ny iray dolara isanandro ny fianakaviana antonontonony ao aminy ary ny vidin'ny cappuccino iray ao amin'ny café Pap dia mitovy amin'ny karaman'ny asa roa andro. 28 tapitrisa no isan'ny olona ao Ogandà, 1,2 tapitrisa ao Kampala ary olona manodidina ny 20 no hita misakafo ao café Pap na amin'ny firy na amin'ny firy. Ao Gulu , manoratra mikasika ireo vehivavin'i Kôngô tsy misy mpahatsiaro i Moses Odokonyero, izay nalaina tao an-tranony ary nentina nankany Ogandà niaraka tamin'ny andiany faha-4 tao amin'ny  tafika Ogandey : Nifanena tamin'i Little Lali Paalwa aho, telo taona lasa izay, tao amin'ny toeram-pitsaboana ravarava an'ny Tafika Ogandey Andiany faha-4 tao Gulu, any avaratr'i Ogandà. Nanana adidy goavana ilay zazavavy kely fito nikarakara ny reniny, Mamisha, izay eo ambavahaonan'ny fahafatesana, nitondra ny tsimokaretina VIH  taona. “Te-hihinana atody i Neny, nefa tsy misy atody. Te hihinana hena i Neny, nefa tsy misy hena. Ny hany anananay dia ireo tsaramaso sy posho (éd. koban-katsaka), hoy izy tamiko. Tao amin'ny Nosy Nsazi ao amin'ny Farihin'i Victoria , nanoritsoritra ny fiovaovan'ny natiora sy ny olombelona ao amin'ilay Nosy i Basawad: Ny Nosy Nsazi sy ireo nosy maro hafa eo amin'ilay Farihy, no hery misintona an'ireo ogandey tsy an'asa . Ny tanànan'i Nsazi no tena fitaratra tsara ahitàna ny niafaran'ireo nosy eo amin'ilay farihy. “Ilay tanàna dia fitambaran'ireo trano tomboka vita amin'ny tany sy hazo norariana, sarahan'ireo lalankely mamotaka, miaraka amin'ireo trano vitsivitsy vita amin'ny hazo sy mbola somary ratsy toerana eo amboninà beton . Ampiasaina hosotroina sy hidiovana ny ranon'ny Farihy, tsy ara-pahasalamana. Manodidina ny 2 000 ireo olona ao Nsazi ankehitriny; tamin'ny taona 1998, nanodidina ny 600 monja no isan'ny mponina tao. Marobe no mihevitra fa paradisa ho an'ny fizahantany ireo nosy tao amin'ny farihy Victoria. Nefa ireo nosy, toa an'i Nsazi, manjary be mponina loatra ankehitriny, zara raha misitraka an'ireo fotodrafitrasa ara-tsosialy sy hafa koa, ary tsy mandray anjara afa-tsy amin'ny famotehana haingana ny Farihy Victoria sy ireo harenany. Ny ‘Nile Perch’ (karazan-trondro) ao amin'i Nil no nandripaka an'ireo karazana an-jatony tami'ireo trondro zanatany tao anaty Farihy. Saingy, ankehitriny, ny  olona no tena manimba haingana ny Farihin'i Victoria.” Ao Arua , aisehon'i Pernille ny vehivavy iray mivarotra matoke (akondro masaka antonony), voatabia ary akoho : Ho ahy, io no Ogandà avaratra anaty sary iray, vehivavy iray mitafy kufa ulay sy vitenge , eny an-dalana ho any an-tsenan'i Arua miaraka amina lafika kawera iray miaraka amin'ireo voatabia avy amin'ny shamba -ny, akohovavy iray sy kitapo kely iray eny an-tanany ho an'ny takalo madinika (famerimbola hoy ny Malagasy).
https://mg.globalvoices.org/2018/08/18/124810/
Netizen Report: Voaloton'ny herisetra goavana sy ny fanakatonana aterineto ny fifidianana ao Mali
2018-08-18T04:09:57
Unknown
Boatim-pifidianana. Sary avy amin'i Sheila Rouge, azo ampiasaina indray. Ny alina talohan'ny nahavoafidy indray ny filoha am-perinasa ao Mali, Ibrahim Boubacar Keita tamin'ny fihodinana faharoa, sarotra nidirana ny aterineto . Nitatitra ireo mpampiasa aterineto sasany ao amin'ireo tanàn-dehibe ao Bamako sy Gao fa tsy afaka niditra aterineto mihitsy izy ireo, raha nilaza kosa ny andrana ara-teknika fa voasakana ny tambajotra sosialy lehibe. Nanambara ny mpanao gazety avy ao amin'ny Agence-France Presse, herinandro taty aoriana, fa nanjary tsy azo nidirana intsony ny tambajotra an-tserasera , taloha kelin'ny fanambaràna ofisialy ny fandresen'i Keita. Mametraka fitarainana amin'ny fahafahan'ny olom-pirenena hifandray sy hiditra amin'ny fampahalalam-baovao – izay tena zava-dehibe indrindra mandritra ny fifidianana- ny fahatapahan'ny aterineto tahaka izany. Ambonin'izany, birao fandatsaham-bato 500 teo ho eo no nakatona tamin'ny fifidianana fihodinana faharoa tamin'ny 12 Aogositra, noho ny fandrahonana sy herisetra goavana nihatra tamin'reo mpifidy sy mpikarakara ny fifidianana tany amin'ny faritra avaratry ny firenena Afrikana Andrefana ity. Amin'ny ankapobeny, 34% monja tamin'ireo mpifidy ao Mali no nandatsa-bato. Raha nitatitra ireo mpanaramaso ny fifidianana iraisam-pirenena fa tsy misy porofo momba ny hosoka tamin'ny fifidianana, dia tsy isalasalana fa nitarika ny fihenan'ny taham-pandraisana anjara hifidy ny voka-dratsin'ny herisetra tany avaratra. Tsara koa ny manamarika fa tsy ny mandritra ny fifidianana ihany no zava-dehibe amin'ny fidirana aterineto (indrindra amin'ny tambajotra finday), fa koa amin'ny fotoanan'ny ady izay tena manahirana indrindra ny resaka fiarovana. Afaka manakana ny fidiran'ny mpiserasera amin'ny tolo-pifandraisana amin'ny fotoana izay tena ilain'izy ireo indrindra ny vaovao hiantohana ny fiarovana azy ireo ny fanakatonana ny tambajotra. Manindry ny bokotra fanombohana indray (reset) any Ejypta ny RSF Efa herintaona izay no nandidian'ny governemanta Ejiptiana ireo mpamatsy tolotra aterineto mba hanomboka hanakana tranokalam-baovao vahiny sy ny tsy miankina eo an-toerana , anisan'izany ny Al Jazeera, ny Huffington Post Arabic, ny Medium sy ny Mada Masr, miaraka amin'ireo media sy FTMF misahana zon'olombelona isan-karazany, ny Reporters sans frontières (RSF). Tamin'ny 10 aogositra 2018, nanambara ny fanombohan'ny tranonkala “fitaratra” ahafahan'ny mpiserasera any Ejypta miditra amin'ny tranonkala indray ny RSF, tsy mila mampiasa fitaovana fandinganana sivana. Nangina ireo mpianatra Bangladeshita noho ny polisy manenjika ireo kaonty antserasera Vokatry ny hetsi-panoheran'ny mpianatra nokarakaraina haingana tany Bangladesh, izay mitaky ny fampiharana henjana ny lalàna momba ny fifamoivoizana, nitety media sosialy ny polisy Metropolitana ao Dhaka mba hamantatra izay kaonty nolazain'ny polisy manampahefana fa “nitarika ny mpianatra amin'ny fampielezana fanentanana” ao amin'ny media sosialy. Hatreto, milaza izy ireo fa olona 12 no voasambotra ary nanadihady kaonty maherin'ny 1500. Milaza ireo manam-pahaizana ao an-toerana fa toa nanaparitaka tsaho momba ny fihoara-pefin'ny polisy ny sasany tamin'ireo voasambotra, raha nanentana fotsiny sy nanampy tamin'ny fikarakarana ny fihetsiketsehana kosa ny hafa. Mpianatra maro nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana nandritra izany fotoana izany no nanaisotra ny lahatsoratr'izy ireo mifandraika amin'ny hetsi-panoherana, noho ny tahotra sazin'ny polisy. Manana lalàna vaovao momba ny fiarovana angon-drakitra i Brezila, saingy misy fepetra sasany Rehefa nitaredretra tamin'ny dingana momba ny lalàna nandritra ny enin-taona mahery, nankatoa lalàna momba ny fiarovana angon-drakitra ihany i Brezila nony farany, nanaraka ny dian'i GDPR Vondrona Eoropeana sy ny lalàna mitovy amin'izany ao Arquitan sy Orogoay. Mitaky amin'ireo orinasa mba hampahafantatra amin'ny mpiserasera ny fotoana sy ny fomba nanangonana ny vaovaon'izy ireo ny fitsipika vaovao, izay hanan-kery afaka 18 volana, hamafa izany araka ny fangatahan'ny mpiserasera na aorian'ny fiafaran'ny fifandraisana misy eo amin'ny roa tonta, ary mandoa lamandy rehefa tsy mety manaja izany izy ireo. Na dia izany aza, zavatra maro tamin'ny lahatsoratra tany am-piandohana no nesorin'ny filoha Michel Temer, anisan'izany ny fananganana mpanara-maso ny governemanta sy ny adidin'ny sampam-panjakana hampahafantarana isaky ny mizara ny vaovaon'ny mpiserasera eo aminy izy ireo. Nanakarama Accenture ny Facebook mba hametra ny kabarim-pankahalana ao Myanmar Lohahevitra nifantohana tamin'ny fijoroana vavolombelona nataon'ny tale mpamorona ny Facebook, Mark Zuckerberg teo anoloan'ny Kongresy Amerikana tamin'ny volana aprily lasa teo ny hafatra momba ny fankahalana sy ny fandrahonana herisetra amin'ny Facebook, nilaza ohatra tao Myanmar ireo mpikambana tao amin'ny Kongresy tamin'izany fa tafahoatra ny kabarim-pankahalana sy fandrahonana herisetra amin'ireo Miozolomana Rohingya tamin'ny fararano 2017. Nampanantena hanarama mpiteny Birmana hijery izay votoaty tafahoatra ao amin'ny tranonkala ny orinasa taoriana kelin'izay. Nampiseho ny fanadihadiana vao haingana nataon'ny Reuters fa vao haingana ny Facebook no nanondrana ny asany sasany tany amin'ny orinasa Amerikana miompana amin'ny fakàn-kevitra sy paikady Accenture , izay nanakarama ekipa mpandrindra mpiteny Birmana (tamin'ny ekipanà tetikasa antsoina hoe “Honey Badger”) izay miasa any Kuala Lumpur, Malayzia. “Nanasonia fifanarahan'asa maharitra iray taona ireo mpiasan'ny Honey Badger ary manaiky tsy hamoaka fa Facebook no mpanjifany,” hoy i Steve Stecklow ao amin'ny Reuters. Mandritra izany, nitatitra ny VICE News fa nokaramain'ny Facebook ny Business for Social Responsibility , FTMF (ONG) iray any Etazonia, mba hitantana ny  fanombanana raha nahafahana nampiditra ny herisetra ara-poko sy ny kabarim-pankahalana mihatra amin'ny Miozolomana Rohingya ao Myanmar ny sehatra Facebook. Ny fotoana no hilaza raha hanao tahaka izany any amin'ny firenen-kafa ny Facebook (tahaka ny any India sy Bangladesh), izay ampiasaina hikarakarana sy hampielezana herisetra ny fitaovany. Fikarohana vaovao How WeChat filters images for one billion users (Ny fomba hanivanan'ny WeChat ireo sary ho an'ireo mpiserasera amina miliara) – Citizen Lab, University of Toronto Policy Brief: Will a new wave of Israeli legislation diminish internet freedoms? (Hampihena ny fahalalahana amin'ny aterineto ve ny onjan-dalàna vaovao Israeliana) – 7amleh, Arab Center for Social Media The State of Internet Censorship in Venezuela (Ny toetry ny sivana aterineto ao Venezoela) – Venezuela Inteligente, IPYS Venezuela, Open Observatory of Network Interference México y el Convenio de Budapest: Posibles Incompatibilidades – Danya Centeno/Derechos Digitales Misorata anarana ao amin'ny Netizen Report Afef Abrougui , Eduardo Avila , Ellery Roberts Biddle Mohamed ElGohary , Rohith Jyothish , Georgia Popplewell , Taisa Sganzerla , sy Sarah Myers West no niara-nanoratra ity tatitra ity.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/19/124821/
Madagasikara: Niteraka adihevitra ny tsy fahampian'ny fanentanana avy amin'ny bilaogy teto an-toerana tamin'ny vanim-potoanan'ny krizy
2018-08-19T13:42:05
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 9 May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Efa maro ny nosoratana mikasika ireo andiana loza voajanahary izay namely an'i Madagasikara. Nanasongadina ny krizy iray hafa i Tomavana tany amin'ny faritra avaratra-andrefan'i Madagasikara izay tratran'ny mosary. Le Programme alimentaire mondial [PAM] a lancé un nouvel appel en faveur des 190′000 Malagasy victimes des récentes intempéries et cyclones qui ont frappé Madagascar. Le PAM a aussi communiqué l’envoi d’urgence de 100 tonnes de nourriture et de matériel de secours par hélicoptère au cours des quatre prochaines semaines depuis une base dans la ville d’Antsohihy. Namerina nanao antso ho an'ireo Malagasy miisa 190.000 niharam-boina tamin'ny toetr'andro ratsy sy ny rivo-doza namely an'i Madagasikara ny Fandaharan'asa manerantany momba ny sakafo [PAM] . Nanambara ny fandefasana ny sakafo sy ny fitaovana fanampiana nilanja 100 taonina tamin'ny alalan'ny angidimby niainga avy ao amin'ny tobin'ny tanànan'i Antsohihy ihany koa ny PAM nandritra ny herinandro efatra . Nanosika ity fanehoan-kevitra ity avy amin'ny mpamaky ny bilaogy atao hoe Lamako ny lahatsoratra, izay diso fanantenana fa vitsy loatra ny karazana hetsika na lahatsoratra toy izany : C’ était à prévoir même si les médias malgaches n’en parlent qu’avec parcimonie voire pas du tout. Ce qui est triste, c’est le manque de solidarité des malgaches de la diaspora envers ces milliers de de sinistrés. Les sites web malgaches parlent de tout sauf de ces risques de famine. Les reportages vidéos et photos se concentrent sur des sujets “people”. Il faut aller sur le site de l’UNICEF pour en voir. Pas d’appel à la solidarité non plus. C’est comme si la réalité du cyclone est niée. Et c’est cette même diaspora malgache qui hurle au loup contre un reportage de FR3 un tant soit peu critique (?) envers le pays. On croit rêver !!! Efa fantatra izany na dia zara fa niresaka momba izany na tsy niresaka mihitsy  momba izany aza ny fampahalalam-baovao Malagasy. Ny tena mampalahelo dia ny tsy fisian'ny firaisankinan'ny Malagasy any am-pielezana manoloana ireo olona niharam-boina an'arivony ireo.  Niresaka momba ny zava-drehetra afa-tsy ireo loza mety hitranga tamin'ny mosary ireo ny tranonkala Malagasy. Nifantoka tamin'ny olan'ny “vahoaka” ny tatitra lahatsary sy ny sary. Mila mandeha mankany amin'ny tranokalan'ny UNICEF  raha te hahita ireo vaovao hafa. Tsy misy ihany koa ny antso ho amin'ny firaisankina. Toy ny hoe lavina ny tena zava-misy amin'ilay rivodoza. Ary ity Malagasy am-pielezana  ity ihany koa no nitabataba rehefa nanao tatitra somary nitsikera ny firenena ny FR3 (fahitalavitra frantsay) (?). Tsy mampino !!! Niaiky i Tomavana fa mety hisy ny antso maro kokoa ho an'ny hetsika saingy nanamarika izy fa efa nisy ny hetsika maro nataon'ireo fikambanana hafa. Nanamarika i Tattum fa nihena ny fitokisana amin'ny hetsika fanasoavam-bahoaka noho ny fandotoan'ny kolikoly ny tetikasa matetika. Aleony mihetsika samirery mba hifehezana kokoa ireo tetikasa. Namaly i Lamako fa mbola tokony atao betsaka kokoa ny fanentanana ao amin'ny bilaogy Malagasy mba hampiroboroboana ny firaisankina toy ny hita nandritra ny Tsunami na ny Katrina. Nanamarika i Vola fa ny tena hevitra ao ambadiky ny bilaogy dia miankina amin'ny bilaogera irery ihany ny lohahevitra sy ny hevitra avoaka ao anatiny . Tsy misy fanerena ara-moraly na ara-toekarena mba hanatanterahana izany ary tsy tokony hisy ihany koa ny fitsarana ara-môraly amin'ny safidin'ny bilaogera momba ny lohahevitra. Tsy voatery hanao iraka hamonjena izao tontolo izao ny bilaogy raha tsy hoe izay no tiany atao. Tena ilaina ve noho izany ny manamari-tena amin'izay zavatra tsy soratantsika? Tao anatin'ny vaovao nifandraika tamin'izany, tsy nisy bilaogera Malagasy naneho hevitra momba ny voalaza fa fikasana hamono ny Filoha Malagasy tamin'ny herinandron'ny volana Mai 2007.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/20/124875/
Mety hihena ny taranaka rajako ao Oganda
2018-08-20T08:13:31
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 23 Janoary 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Efa fantatra hatramin'izay fa manodidina ny 700 ny isan'ny Rajako An-tendrombohitra mbola velona any anaty ala amin'izao fotoana (2009)- ny 336 amin'izy ireo no any Oganda – saingy nisy ny fanadihadiana vaovao navoaka tao amin'ny gazety New Scientist izay nilaza fa mety ho kely ny fanantenana momba izany. Ireo rajako miisa 336 izay voalaza fa monina ao amin'ny valan-javaboarim-pirenen'i Bwindi any Oganda izay tsy azo idirana dia fantatra tamin'ny alàlan'ny fampiasana ny fomba iray hanisana ny isan'ny akany atsangan'ireo rajako mahavariana isak'alina. Nanondro ny fanadihadiana vaovao fa mety hampihoatra ny isan'ireo rajako ity fomba nampiasaina ity satria manangana akany mihoatra ny iray isak'alina ny rajako. Nilaza momba ilay tatitra i Paula Kahumbu raha nanoratra tao amin'ny bilaogy Gorilla Protection : Recent DNA tests from dung were conducted by Katerina Guschanski of the Max Planck Institute for Evolutionary Anthropology in Liepzig, Germany, …revealing that there are actually far fewer mountain gorillas. She found evidence of 302 separate genetic codes or individual gorillas, suggesting that the nest counting method overestimates the population size because some gorillas create more than one nest. Ny fitiliana ADN vao haingana avy amin'ny tain-drajako izay notarihin'i Katerina Guschanski avy ao amin'ny Ivontoerana Max Planck ho an'ny Fivoaran'ny Antrôpôlôjia ao Liepzig, Alemaina, … no nampiseho fa vitsy dia vitsy ny rajako an-tendrombohitra raha ny tena marina. Nahita porofo tamin'ny codes génétiques miisa 302 samihafa na tamin'ireo rajako tsirairay izy, ary nilaza fa mampitombo ny habetsahan'ny rajako ny fomba fanisana ny akany satria manangana akany mihoatra ny iray ny rajako sasany. Nametraka ny isan'ny rajako ho 340 ny fitiliana ADN teo aloha – tamin'ny taona 2007 . Midika izany fa nihena 10% ny isan'ny Bwindi. Na izany aza, mitandrina sy tsy mbola vonona ireo mpahay siansa ny hanambara fa nihena na tsy nihetsika ny isan'ny rajako. Tsy vaovao tsara izany raha nihena tokoa ny isan'ny Bwindi. Hoy i Paula: If it is true that the Bwindi population is shrinking, then this is bad news for mountain gorillas – it is estimated that there are only around 700 in existence, this work suggests at least a 5% decline of the global population. Vaovao ratsy ho an'ny rajako an-tendrombohitra raha marina tokoa fa nihena ny isan'ny Bwindi- Tombanana eo ho eo amin'ny 700  eo fotsiny ny isan'izy ireo,  milaza ity salan'isa ity fa nihena 5% farafahakeliny ny isan'ny rajako manerantany. Mandritra izany fotoana izany, niakatra ho 10 ny isan'ny maty tamin'ny fanafihan'ny Lords Resistance Army-LRA tao amin'ny Valan-javaboary Nasionaly Garamba tamin'ny 2 Janoary 2009, hatramin'ny nitateranay izany tamin'ny 14 Janoary sy tamin'ny 11 Janoary . Olona telo no mbola tsy hita popoka araka ny tatitra tao amin'ny blaogy Baraza . Efa voamarina ihany koa ireo niharam-boina ary ity bilaogy manokana ao amin'ny Baraza ity dia mitanisa ireo maty, naratra ary tsy hita. Naneho hevitra momba ny fisamborana nataon'ny tafika Roandey an'i Laurent Nkunda , ilay Jeneraly mpikomy sady lehiben'ny mpikomy, ihany koa ny bilaogy Gorilla Protection , araka ny notaterin'ny BBC , izay mety ho vaovao  tsara ho an'ny fiarovana ny rajako.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/18/124719/
DoGooderTV: Nisokatra ny fifidianana ho an'ny lokan'ny lahatsary tsy mitady tombontsoa
2018-08-18T02:42:25
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 22 Aprily 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nifarana ny Asabotsy 25 Aprily 2009 ny vanim-potoanan'ny fifantenana ireo mpandresy tamin'ny Loka DogooderTV 2009 NonProfit Video (Lahatsary Tsy Itadiavan-Tombombarotra) , ary efa azo nojerena tao amin'ny tranonkalan'izy ireo ireo lahatsary samihafa nalefan'ireo fikambanana mba hampiroboroboana ny lohahevitra. Hasehonay anao androany ny sasany tamin'ireo lahatsary nifaninana izay nifantoka tamin'ny lohahevitra iraisampirenena. Ao amin'ny Tranonkalan'ny DoGooder, nanazava kely momba ny lohahevitra tamin'ny taona 2009 izy ireo: The DoGooderTV Nonprofit Video Awards highlight organizations that are using video to inspire and ignite social change. This year's theme, “Everyone's Doing It”, is meant to include submissions of all shapes and sizes, from organizational vlogs, to staff-produced web clips, to high-end, professionally produced videos. If your organization made a video—any video—in 2008, we want to see it! Manasongadina ireo fikambanana mampiasa lahatsary hanomezana aingam-panahy sy hanentanana ny fiovana ara-tsosialy ny Lokan'ny DoGooderTV Nonprofit Video. Natao handraisan'ny lahatsary rehetra anjara ny lohahevitra tamin'ny taona 2009 hoe “Am-panaovana izany ny rehetra”, tafiditra amin'izany lahatsary amin'ny endrika sy refy rehetra, na izany bilaogin-dahatsarin'ny fikambanana, na bilaogin-dahatsary ho an'ny Aterineto novokarin'ekipa, raitra dia raitra, ary lahatsary novokarina tamin'ny fomba matihanina. Raha toa namokatra lahatsary ny fikambananao- na inona na inona karazany- tamin'ny taona 2008, dia tianay ho hita izany! Ny Water:Charity nandray anjara tamin'ny lahatsary mikasika ny filàna ny rano fisotro madio any amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany sy ny fomba nahafahan'ny fikambanana nanome fanampiana ara-bola sy nampiofana ihany koa ireo mponina ao an-toerana mba hahafahan'izy ireo mianatra ny fomba  fananganana lava-drano sy ny fikolokoloana izany tsara. Nandray anjara tamin'ny sokajy “ Lahatsary Fohy ” izy ireo: http://www.kaltura.com/index.php/kwidget/wid/3pbwg7c9b4/uiconf_id/67100/1240530412/ Tao amin'ny sokajy “ Lahatsary Lava Novokarin'Ekipa “, mampiseho ny tantaran'ny mpikatroka sady mpamokatra fanadihadiana iray ny Elephants on the Edge izay notontosaina nandritra ny fanadihadiana nataony momba ny fivarotana elefanta an-tsokosoko tany Thailandy sy Birmania, ary nahavita namerina nividy ny elefanta bevohoka iray naondrana an-tsokosoko izy mba handefasana ilay biby any amin'ny toerana masina: http://www.kaltura.com/index.php/kwidget/wid/5umdwkfqnw/uiconf_id/67100/1240530506/ Ao amin'io sokajy io ihany, mampiseho ny fikambanana mpanao asa soa iray natokana hananganana ny sekoly ho an'ny klioban'ny famakiam-boky ho an'ny tovovavy any Tanzania ny “ Sharing Hope ” ary manome azy ireo boky sy fitaovam-pianarana miaraka amin'ny finoana fa mahazo tombontsoa bebe kokoa ny vondrom-piarahamonina amin'ny fanabeazana ny ankizivavy noho ny amin'ny fanabeazana ny ankizilahy. http://www.kaltura.com/index.php/kwidget/wid/2zt8mo3qj4/uiconf_id/67100/1240530557/ Ary nifaninana tamin'ny sokajy Lahatsary Fohy Novokarin'Ekipa ny horonantsary manaraka “Ask Umbra's video advice on greening your office” , ary miresaka momba ny fanovana ny birao ho sehatra maitso kokoa. Ahitana fampahafantarana manan-danja mety ilainao izany, indrindra fa rehefa amin'ny Andron'ny Earth Day , ary afaka mampiasa fikarakarana amim-pitiavana kely miaraka amin'ireo loharanony voafetra izao tontolo izao: http://www.kaltura.com/index.php/kwidget/wid/52hfmq3w8w/uiconf_id/67100/1240382322/ Santionany tamin'ireo lahatsary nifaninana ihany ireo, noho izany dia tsidiho ny DoGooderTV raha hijery ny ambiny sy hisafidiananao izay lahatsary tianao indrindra.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/17/124617/
Tsy nampino ireo olona ny fisamborana an'i Nini Satar, jiolahy malaza ao Mozambika
2018-08-17T05:33:59
Unknown
Mifantoka amin'i Momade Assife Abdul Satar, fantatra kokoa amin'ny hoe Nini, iray amin'ireo voaheloka tamin'ny famonoana an'i Carlos Cardoso , Mozambikana mpanao gazety namoaka ny raharahan-kolikolin'ny governemanta sady mpanorina ny koperativan-gazety voalohany ao amin'ny firenena, tamin'ny novambra 2000 ity raharaha ity. Nahazo fahafahana arahim-pepetra izy tamin'ny Septambra 2014 rehefa nahavita ny atsasaky ny 24 taona nanasaziana azy. Iray amin'ny antony nomen'ny mpitantana ny fonja amin'ny handrisihana ny famotsorana azy misy fepetra ny fanehoany fanenenana tamin'ny heloka vitany. Saingy araka ny fanambaràna an-gazety navoakan'ny Biraon'ny Tonia mpampanoa lalàna ambony tamin'ny taona 2017, nitarika fikambanan-jiolahy i Nini ary naka an-keriny Mozambikana mikasa ny haka vola be ho takalony. Nandritra ny fotoana naha-ivelan'ny fonja azy, tsy mitsahatra ny mamoaka hafatra mitsikera ny rafi-pitsarana , sy ireo olo-malaza ara-politika sasantsasany i Nini. Nofoanana ny famotsorana azy nisy fepetra ary namoahan'ny Lapan'ny Fitsarana ao an-tanànan'i Maputo didy fampisamborana iraisampirenena izy ary izany no nampiasaina hitazonana azy any Thailandy. Nilaza i Tomás Vieira Mário , mpamakafaka amin'ny fahitalavitra fa tsy azony ny antony nahatonga ny famoahana an'i Nini, ary noheveriny aza fa lesoka amin'ny rafi-pitsarana ao Mozambika ny fanapana-kevitra toy izany: O que é comportar-se bem? Quer dizer o que precisamente? Quais são os referendos que são usados para alguém com crimes dessa natureza poder sair em liberdade condicional e depois mais tarde autorizar-se lhe que vá para o estrangeiro em termos mais ou menos indefinidos. Ahoana ilay fitondra-tena tsara? Inona marina ny tena dikan'izany? Inona marina ny safidy noraisina tamin'ny olona iray nahavita heloka bevava tahaka izao no nahafahana namoaka azy misy fepetra ary avy eo nomena alalana hivoaka ny firenena amin'ny voambolana tsy voafaritra mazava. Fiverenana any am-ponja Tamin'ny nisamborana azy tao Thailandy, hita ho manana pasipaoro sandoka amin'ny anaran'i Sahime Mohammad Aslam izy. Nitatitra ny gazety Afrikana Tatsimo fa tafiditra amin'ny raharaham-pakana an-keriny ihany koa i Nini, saingy mbola miandry fanamafisana avy amin'ny manampahefana Mozambikana izay mbola miandry fanambarana ofisialy avy amin'ny governemanta Afrikana Tatsimo izany. Na dia mbola tsy nilaza antsipirihan-draharaha aza ny manampahefana, dia fantatra fa ny fakana an-keriny (kidnapping) no vesatra voalohany iampangana azy izay tokony hamerina an'i Nini indray ho any am-ponja. Tokony homarihana, fa mifandraika amin'ireo raharaha voatonona ireo, efa nisy namono ny mpitsara mpampanoa lalàna iray sy voampanga iray tafiditra mivantana na ankolaka amin'ny raharaha. Tao amin'ny lahatsary iray navoaka tao amin'ny Youtube, azo jerena ny fotoana nandaozan'i Nini ny seranam-piaramanidin'i Bangkok hampodiana ho any Maputo: https://www.youtube.com/watch?v=2D4JOjUBsDM Niteraka adihevitra tao amin'ny media sosialy ny fisamborana sy ny fampodiana an-tanindrazana an'i Nini, ary ny tena anontanian'ny maro dia ny antony namoahana azy tamin'ny taona 2014 sy ny sata maha-mpandositra ny fonja azy, nefa dia tsy mitsahatra ny hitam-bahoaka i Nini. Nanamarika i Jenny Baptista, mpisera Facebook: Que notícia mais estúpida! Estava mesmo foragido o Nini Satar que quase diariamente postava de tudo no Facebook e algumas vezes com localização? Ja não sabem o que inventar? Mba vaovaon'adala koa! mpandositra ny fonja tokoa i Nini Satar izay tsy mitsahatra ny mamoaka zavatra efa ho isan'andro ao amin'ny Facebook ary indraindray aza izany miaraka amin'ny toerana misy azy? Tsy hain-dry zareo intsony izay foronina? Nanontany mihitsy aza i Caliste Meque Meque , mpikambana ao amin'ny Renamo (antoko mpanohitra lehibe indrindra), raha azo heverina ho mpandositra ny fonja i Nini, satria nankatoa ny famotsorana azy ny fitsarana Mozambikana: Nini Satar saiu em liberdade condicional no dia 5 de Setembro de 2014, depois de cumprir metade da pena de 24 anos, em conexão com o assassinato do jornalista Carlos .Senhora procuradora, alguém em liberdade condicional é um fugitivo? Nivoaka noho ny famotsorana misy fepetra i Nini Satar tamin'ny 5 Septambra 2014, rehefa nahavita ny antsasaky ny 24 taona nodidiana hanasaziana azy, mifandraika amin'ny famonoana an'i Carlos, mpanao gazety. Rtoa Mpitsara ô, mpandositra ve ny olona iray nahazo fanafahana misy fepetra? Ny sasany, toa an'i Eduardo Domingos, mpianatra ao amin'ny Oniversite Eduardo Mondlane (UEM), nampiasa ny fisamborana an'i Nini hampahatsiarovana ireo mpitarika politika ao Mozambika hisambotra ireo jiolahy (trondro vaventy sady atahorana kokoa) miasa ao amin'ny governemanta. O criminoso mais perigoso de Moçambique é aquele que endividou o país e a justiça tem medo de lhe prender. Criminoso mais perigoso de Moçambique é aquele que sem escrupulo diz que se tiver oportunidade faria dívidas ocultas outra vez para si e sua família. Quem atormenta a justiça dum Estado e todas suas instituições esse sim é criminoso mais perigoso de Moçambique. O criminoso mais perigoso de Moçambique é aquele que mata nos hospitais centenas e centenas de pessoas por falta de medicamentos. Criminoso mais perigoso de Moçambique é aquele que condenou a desnutriçao cronica a 45% das nossas criancas. Ny jiolahy mampidi-doza indrindra eto Mozambika dia ilay iray manao ny firenena ho mpitrosa ary tsy nodidian'ny fitsarana hosamborina. Ny jiolahy mampidi-doza an'i Mozambika dia ilay, tsy misalasala, milaza fa raha misy ny azo anararaotana dia haka ireo trosa miafina homena ny fianakaviany izy. Izy ilay mampijaly ny rafi-pitsarana ao amin'ny firenena sy ireo andrim-panjakana rehetra ao aminy no jiolahy atahorana indrindra ao Mozambika. Ny jiolahy atahorana indrindra eto Mozambika dia ilay iray mamono olona an-jatony maro any amin'ny hopitaly noho ny tsy fisian'ny fanafody. Ny jiolahy atahorana indrindra eto Mozambika dia ilay iray izay manameloka ny 45 isanjaton'ny zanatsika ho tsy afaka amin'ny tsi-fanjarian-tsakafo lalina. Mandritra izany fotoana izany, mpisera Twitter iray nanonona ny fisamborana an'i Nini any Thailandy ho tsi-fahombiazan'ny polisy ao Mozambika sy Afrika Atsimo hisambotra ilay lehilahy karohina: #Pakistani kidnapping kingpin Nini Satar operating in #Mozambique and #SouthAfrica arrested and being interrogated in Thailand. Mozambique and South African police failed to arrest him. This is what you call a professional police unit. pic.twitter.com/pOkMkul0o6 — Zamaanie (@Zamaanie) 2 août 2018 Nini Satar, andrin'ny mpaka Karana an-keriny, miasa ao Mozambika sy Afrika Atsimo nosamborina sy nohadihadiana any Thailandy. Tsy nahavita nisambotra azy ny polisin'i Mozambika sy Afrika Atsimo. Izany no lazainao fa vondrona polisy matihanina.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/16/124378/
Charles Taylor: Satria mandeha ny tantara
2018-08-16T11:30:17
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2006) Tamin'ny Aogisitra 2003, nentina tamin'ny Boeing 727 fiaramanidin'ny filoham-pirenena Nizeriana i Charles Taylor, Liberiana mpitondra taloha, avy tao Monrovia nankany Abuja. Vao nahazo fialofana tany Nizerià tao anatin'ilay fifanarahana teo ambany fiahian'ny Firaisambe Afrikana, ny Firenena Mikambana (ONU) sy Etazonia i Taylor, izay natao mba hanajanonana ny ady an-trano tao Liberia. Na izany aza, tamin'ny Jona 2003, nampangain'ny fitsaran'ny Firenena Mikambana tao Sierra Leona ho nanao helobe bevava an'ady i Taylor ary nalefa ny taratasy fampisamborana azy. Nampanantena ny hanolotra an'i Taylor ny fanjakana Nizeriana, saingy  rehefa tafatsangana ao Liberia ny fanjakana nofidiana tamin'ny fomba demokratika. Janoary 2006: Nampianiana ho amin'ny toerana filoha voafidy tao Liberia i Ellen Johnson-Sirleaf. Tamin'ny 5 Martsa 2006, nangataka tamin'ny fanjakana Nizeriana ny famonjàna an'i Charles Taylor izy (araka ny vaovao tao amin'ny tranonkalan'ny State House, Abuja ). Tamin'ny 28 Martsa 2006, nilaza ny fanjakana nizeriana fa nanjavona tao amin'ny trano fialofany i Charles Taylor. Andro iray taorian'izay, nosamborina teny am-piezahana hitsoaka an'i Nizeria izy. Amin'ny fotoana anoratana ity tatitra ity, mety efa an-dalana mankany Liberia izy — toa nifanaraka tamin'ny fangatahan'ny fanjakana liberiàna amin'ny fanolorana azy ihany ny fanjakana nizeriana. Feno tatitra sy fanehoankevitra voalalina tsara momba ilay liberiàna mpitarika taloha sy lehibe an'ady efa voampanga ny tontolon'ny blaogy amin'ny teny Anglisy. Mijery ny sasany amin'izy ireny izahay, nosoratana mialohan'ny fanambaràna hoe voasambotra  Atoa. Taylor. Itarainan'ny blaogy GlobalLawAndPolitics ao amin'ny lahatsoratra ” ‘Ny Fiakarana sy Fianjeran'ny Lalàna Iraisam-pirenena ao Afrika–Martsa 2006 ” ny mikasika ny fomba fanohizan'ireo ”olobe” ao Afrika ny fombany, famahanan-dry zareo ny ”kolontsain'ny tsimatimanota sy feno kolikoly izay manimba ny kaontinanta” . Manao fanamby amin'ireo Afrikana mpitarika izy mba hanatontosa ny andraikiny mifanaraka amin'ny zon'olombelona amin'ny fandàvana tsy hanome fialofana an'Atoa. Taylor. Faritan'ny Transitional Justice Forum ho toy ny ”mora miovaova hevitra” ny fihetsik'i Nizeria taorian'ilay fangatahan'i Liberia ho fanolorana mpitsoa-ponenana voaheloka. Miantso ny filoha George Bush mba tsy hanao fivoriana miaraka amin'ny filoha nizeriana izy (voalahatra hatao ny 29 Martsa 2006) raha tsy hita sy voasambotra i Taylor. Mamaritra ny fanjavonan'i Taylor ho toy ny ”fahatairana be tsy misy ohatr'izany” ny Black Star Journal , milaza fa tokony nisambotra ary nandefa an'i Taylor tamin'ny fiaramanidina ho ao Sierra Leona araka ny fangatahan'i Liberià i Nizerià. Manohitra ny filoha nizeriàna ny Africa Beat tamin'ny tsy nisamborana an'i Charles Taylor talohan'ny fanambaràny ampahibemaso ny fikasany hanolotra azy any Liberià. Antsoin'ny Nigerian Times ny Firenena Mikambana mba hitazona ny filoha Nizeriàna ho tomponandraikitra tamin'ny fanjavonan'i Charles Taylor, toa tsy manana fangorahana ho an'ny fanjakàna nizeriàna. Ny African Shirts, tao anatina lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe ” Nanjavona i  Taylor ”, dia mamaritra ilay toe-javatra iray manontolo ho toy ny ”fampisavorovoroana tanteraka”. Tezitra amin'i Nizerià i David McCullough taorian'ny fanjavonan'i Taylor. Toa kivy izy amin'ilay toa ”fitsikombakomban'i Nizerià amin'i Charles Taylor” sy ny famelàna azy hitsoaka . Apetrak'i McCullough ho ao anatin'ny kilasin'ny jiolahy an'ady toa an'i Radovan Karajic avy ao Serbia i Taylor ary miantso an'i Nizerià tratran'ny ”kolikoly” mba hanadio ny fihetsiny. Araka ny tatitra izay milaza fa tratra ary nogadrain'ny polisy Nizeriàna tamin'ny 29 Martsa 2006 i Charles Taylor, feno fanehoankevitra maro ihany koa ny tontolon'ny blaogy. Mamintina ny fihetsehampo amin'ny ankapobeny teny anivon'ireo blaogera ny Parenthetical Remarks amin'ny filazana hoe: ”lasa andro tsara ho an'ny sisa amintsika ny andro ratsy ho an'ireo mpanao didy jadona teo aloha. Handany andro manoloana ny fitsarana amin'izay i Taylor no niafaràny, mety arahan'ny fighadràna mandram-pahafaty, izay toerany mendrika azy.” Milaza ny Mental Meanderings fa tokony hisintona lesona avy amin'i Nizerià i Serbia, izay miaro foana olona toa an'i Ratko Mladic ary hanolotra ireo jiolahy an'adiny. Somary mampiditra ny zava-misy amin'ny fomba manesoeso ny Mansel Report amin'izao efa nahasamborana an'i Charles Taylor izao, hoe azon'ny filoha nizeriàna atao ny miandrandra fivoriana tsara miaraka amin'i George Bush izay ”hiresahana ny solika…” sy ny ”herisetra sy fahafatesana [tao amin'ny Niger Delta tao Nizerià] . Mampitandrina ny fanjakana Amerikana amin'ny fifandraisany amin'ny filoha Nizeriàna, miantso ”famerenana fandinihana ny fifandraisana akaiky sy tsy miankina eo amin'i Nizerià sy Etazonia ny The Counterterrorism Blog , raha sady faly tamin'ny fisamborana an'i Taylor nataon'ireo mpitandron'ny filaminana Nizeriàna no sady efa eny an-dàlana hankany Sierra Leona. Misy blaogera mahita ny fangatahana fampodiana an'i Charles Taylor ho toy ny lasa aloha loatra sy tondro manambara ny famoretana ataon'ireo fanjakana maherihery kokoa. Mahita ny fiovana tampoky ny fon'ny filoha Liberiàna ho toy ny mampiahiahy ny Grandiose Parlor . Indray andro, laharam-pahamehana tsy dia lehibe ho an'ny fanjakany no fahitàn'ny filoha Liberiàna an'i Taylor.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/15/121703/
Fanavaozana avy ao Ogandà: resaka fandriampahalemana, fampihavanana, ary filoha tezitra
2018-08-15T18:19:35
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2006) Herinandro mahafinaritra ho an'ireo vaovao lehibe sy fanoratana matsilo tao Oganda ity. Manohy manjaka amin'ny fandaharampotoana ny resaka fandriampahalemana ao Juba . Tamin'ny herinandro lasa teo, nitondra ireo mpikomy avy tao amin'ny LRA hivory tamin'ny voalohan'ny volana Desambra ho ao amin'ireo toerana roa fivoriana ao atsimon'i Sodàna ilay fanavaozana indray ny fampitsaharana fifampitifirana. Nitarika ny resaka ny fanjakana, matoky foana ny fahombiazan'ireo resaka ireo, Atoa. Rugunda ny Minisitry ny Raharahana Anatiny, ary ho fanohanana ireo fifampiraharahana dia saika nampanantena fanampiana ara-bola avokoa ireo mpanolo-tànana voalohany indrindra. Iray tamin'ireo malala-tànana tsy tonga tao i Etazonia. Manontany ny antony ny Uganda-CAN : Raha amin'izao zava-misy izao, tsy misy azontsika atao afatsy ny mieritreritra ny tombontsoan'ny fitondran'i Bush izay miasa saina amin'nhy handratra na ho very zavatra raha toa ka mampiseho ny fanohanany ity hetsika santatra manan-tantara ho amin'ny fandirampahalemana izy. Mampanahy azy ve ny hoe mety hanaratsy ny fifandraisany amin'ny Filoha Museveni, izay efa nàmany ara-tetika tao anatin'ny ady amin'ny fampihorohoroana izany? Miahiahy ve izy sao mety hanaratsy ny fifandraisana amin'izao fotoana izao misy eo amin'ny UPDF sy ny Vondron-Tafika Amerikana Mitampiadiana Miasa ao amin'ny Tandrok'i Afrika (CJTF-HOA) izany? Miahiahy ve izy sao mety ho very ny tobin'ny tafika an'habakabaka ao amin'ny Seranam-piaramanidina Entebbe? Miahiahy ve izy sao mety hanaratsy ny varotana fitaovampiadiana ataon'ny vahiny ao Oganda ve izany? Miahiahy ve izy sao mety hanohintohina ny tombontsoany ara-barotra ao amin'ny firenena ao anatin'ny fotoana izay hitomboan'ny dindon'i Shina ao amin'ny kaontinanta ve izany ? Na inona na inona izany, hita fa toa mametraka ny tombontsoa ara-jeopolitikany ho lohalaharana ny Trano Fotsy mialohan'ny tombontsoan'ireo Ogandey tandrefana taorian'ny ady nahery vaika nandritra ny 20 taona. Mandritra izany fotoana izany, mitsikera mafy ny fikasan'ny Fanjakana tao amin'ilay resaka  tao Juba i Ngromrom: Amin'izao fotoana iresahako izao, raha toa ka tsy maintsy nanala ireo miaramilan'ny NRA tsy ho amin'ireo tobin-tafika rehetra ny governemantan'i Museveni, mamadika ny politikany manoloana ireo mponina any Atsinanana sy Andrefan'i Ogandà, mampiroborobo kaomity iray ho an'ny fampihavanana, mahazo ary hamoaka famatsiambola ho an'ny fanarenana ireo faritra andrefana sy atsinanana, mitazona ny fitandroana ny filaminana manoloana ny polisy, mirotsaka anaty fandaharanasa mikendry ny hampizaka tena ireo mponina any amin'ny vondrom-piarahamonina rehetra, ho lasa betsaka loatra mihoatra noho izay ilaina ny resaka ho an'ny fandriampahalemana ao Juba. Hiteraka fiverenana haingana amin'ny zava-misy ara-dalàna ao Ogandà ireo teboka vitsivitsy ireo. Tsy i Juba irery ihany no toerana hanaovan'ireo Ogandey drafitra aorian'ilay ady. Tao anatina hetsika iray niteraka adihevitra, nanambara ny fanjakana fa hanakatona ny tobin'ny IDP (tobin'ireo olona nafindra toerana ao anatin'ny fireneny ihany) alohan'ny faran'ny taona. Raha toa ka maro ireo nankasitraka ny hetsiky ny fanjakana tamin'ny fandraisana amin'ny fomba matotra ny fampivoarana ny Andrefana taorian'ny fifandonana, mino kosa ireo mpitsikera, ao anatin'izany i Jackfruity , fa tena lasa aloha loatra sy mampididoza ilay hetsika: Fomba mitera-doza ahiana hanaratsy kokoa ny fiainan'ireo olona an-tapitrisany izay voakasik'ilay fifandirana ny fanakantonana mampitolagaga nataon'ny fanjakana an'ireo tobin'ny IDP ho porofo fa hoe efa milamina ny faritra Andrefan'i Ogandà. Na efa nihena be aza ny fanafihana LRA nanomboka tamin'ny fiandohan'ilay resaka momba ny fandriampahalemana tao Juba, mila mametraka rafitra tsaratsara kokoa ho fandraisana azy ireny mialohan'ny fanerena ireo IDP hiverina. Any Atsimo kokoa, ao amin'ilay tanàna mamovoka ao Kasana, Distrikan'i Luwero, mitatitra momba ilay fivoriana kely tsy dia voamarika izay mety ho dingana voalohany mankany amin'ny famoronana kolontsaina Ogandey amin'ny resaka fampihavanana ny In An African Minute : Tamin'ny Alarobia, 11 Oktobra 2006, lohateny tsy nampino no navoakan'ny The Daily Monitor: ‘Mitady Fifanatonana Amin'i Luwero ny Avaratra’. Manohy amin'ny famaritana fihaonana teo amin'ireo mpitarika ara-kolontsaina, Fikambanana Tsy Miankina ary mpitondra politika avy ao amin'ny faritra lehibe ao avaratra sy ny mitovy amin'izy ireo avy ao Luwero (afovoan'i Oganda) ilay lahatsoratra (tsy afaka jerena amin'ny aterineto), nosoratan'i Rogers Mulindwa. Nangataka famindrampo noho ireo heloka nataon'ny fitondran'i Oboto tamin'ny vahoaka tao Luwero tany amin'ny taona 1980 tany ireo mpitondra avy any avaratra. Mba hahazoana kokoa ny dikan'ity fivoriana ity, mila mahatakatra hoe ho an'ny Ogandey maro, manamarika ny fizarazaràna lalina sy mifampidipiditra nisy tao amin'ny faritra, foko sy vondrona ara-poko maro tao Oganda ny fandripahana tao Luwero. Matetika, voafatotry ny fahatsiarovana rà ireny fizarazaràna ireny. Mpikambana efa ela tao amin'ny gazety Ogandey, fa zazavao ao amin'ny tontolon'ny blaogy. Manoratra amin'ny fomba lalina mikasika ny lova navelan'ilay filoha niasa mafy i Angelo Izama, ao amin'ny Sub-Saharan African Round Table (Reska an-databatr'ireo Afrikana ao Atsimon'i Saharà):
https://mg.globalvoices.org/2018/08/16/124592/
Oganda: Nahoana no tsy nanoratra mikasika ilay tantara lehibe indrindra an'ny firenena ireo Ogandey blaogera ?
2018-08-16T04:37:33
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2007) Nangina momba ny tantara lehibe indrindra an'ny firenena ny tontolon'ny blaogy Ogandey nandritra ireo herinandro maromaro lasa. Tamin'ny 5 Martsa, nanao fitokonana ireo ogandey mpitsara sy mpahay lalàna taorian'ny bemidina nataon'ireo mpiaro ny filoha tao amin'ny Fitsarana Avo mba hisamborana indray ireo olona enina noahiahiana ho mpamadika izay navotsotra rehefa nandoa onitra. Nampangaina ho nisolo tena ny People's Redemption Army (PRA) ireo olona noahiahiana ireo, vondrona mpikomy izay nisy an'i Dr. Kizza Besigye , kandidà avy tamin'ny antoko mpanohitra. Tamin'ny 14 Martsa, navotsotra ny maro tamin'ireo noahiahiana taorian'ny voalaza fa nidarohana azy ireo , sy niaraka tamin'ny fisian'ny fitokonan'ny rafi-pitsaràna, dia nanao matso manodidina ny Fitsarana Avo mba hanadiovana azy amin'ilay zava-nitranga. Nandefa taratasy ho an'ny fitsarana ary nanolotra ny fialantsininy tamin'ity zava-nitranga ity ny Filoha Museveni. Fa naninona no tsy naneho hevitra mikasika ity tantara lehibe ity ny tontolon'ny blaogy? Mety noho ny tahotra valifaty avy amin'ny fanjakana na koa ny fandehanan'ny fitondran'i Luseveni toy ny isanandro no antony. Any amin'ny vaovao hafa, mizara ny lesona azony avy tamin'ny fahitana adin'akoholahy vao maraina ny The Diocese of northern Uganda (Diosezin'ny faritra avaratr'i Ogandà): Amin'ny 7:20 maraina izao, raha toa ka nanadio ny toerana aho, iny fa nahita akoholahy roa tena niady, ary nanintona ny saiko sy ireo mpikambana hafa tao amin'ny fianakaviako izany. Raha toa ka nanohy ny fijerena ity teatra ity aho, tsaroako tampoka ilay nolazain'ny mpitarika ny LRA, i Joseph Kony, nandritra ny ady tao Avaratr'i Oganda. Hoy i Kony ”“Lweny wa ni obedo calo pa twong gweno, ma acel ryemo lawote, itamo ni dong kibwoyo ento koni inongo ni en ma ocako ngwec ni dok cako ryemo lawote” izay midika fa toy ny adin'ny akoholahy anankiroa ity ady ity, ny iray mety ho mahery be ary mety mihevitra ianao fa nandresy ilay iray hafa, fa mahagaga, mety hahazo tanjaka indray ilay iray hafa ary hiverina hanohy ny ady. Tany am-piandohan'ity herinandro ity, niditra tao anatin'ny resaka fandriampahalemana niarahana tamin'ny Fanjakana ao atsimon'i Sodana ny Lord's Resistance Army (LRA), taorian'ny herinandro maro nanoherana ilay resaka. Toy ny vintana faharoa no fahitan'ny Uganda-CAN izany: Manome fanantenana vaovao ny fanapahankevitra noraisain'ny fanjakana ao Oganda sy ny Lord's Resistance Army (LRA) hoe mety ho hita ihany ny vahaolana milamina amin'ilay ady naharitra 21 taona. Ho an'ireo nandà ny hanohana ny dingana teo aloha – ny Fanjakana Amerikana, Firaisana Afrikana, IGAD mba hanononana vitsivitsy – mitondra vintana faharoa izany. Toy ny nafatrafarantsika foana, ilaina ny fanamafisana ny fifampitokisana sy ny fampahatsiarovan-tena amin'ny andraikitra mba hampahombiazana ireo fifampiraharahana. Tamin'ity volana ity ihany koa, tonga tao Mogadishu ireo tarika Ogandey mba hampitomboan'ireo silamo ny afon'ireo mpikomy. Ao anatina adihevitra mandeha ao amin'ny tontolon'ny blaogy, tohanan'i Jackfruity ny hoe fanapahankevitra ratsy ilay fandefasana tafika ogandey mpampandry tany ho any Somalia : Manohana i Josh fa hahazo fanohanana bebe kokoa noho ireo Etiopiana ny tarika ogandey, fa hatreto aloha, mbola baomba sy tafondro izay efa nahafaty olontsotra teo amin'ny 30 teo sy miaramila roa no nitsena azy ireo. Kely fanohanana ara-bola ary tsy ampy mpikambana ilay iraka mpampandry tany, ary marobe ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona no naneho ny ahiahiny hoe fiverenan'ny firotsahan'i Oganda any Kongo ilay hetsika, izay nahitàna fa nampijaly sy namono olontsotra ny UPDF. Ampitahain'ny matoandahatsoratry ny Friday's Daily Monitor ilay hafanampo Amerikana manohitra ny fampihorohoroana sy ny Ady Mangatsiaka sady nampangainy i Museveni ho ”milalao ity karatra fanoherana ny fampihorohoroana ity ho toy ny fitaovana hanampiana azy amin'ny fitadiavany fitondrana mandra-pahafaty”. Ao anatina vaovao maivamaivana kokoa, ho an'ireo nanontany tena momba izay zavatra afaka atao raha toa ka manana 36 ora ao Kampala, manana tolokevitra vitsivitsy ny In An African Minute . Ity misy iray: Zoma – 2 tolakandro: Mividy mpanjono ao amin'ny tsena fivarotana trondro ao Munyonyo- Farihy Viktoria, dia toetra mampiavaka ilay faritra ary toerana iray tena tsara be. Misy fomba hafa tsara kokoa hahitana ilay farihy noho ny eo ambonina kitay tsy dia azo atokisana ary efa loadoaka izay mamofona toy ny rotsakazon'ny Nila? Afaka mividy mpanjono ho an'ny sambony ianao amin'ny alalan'ny $4 isanandro. 500 metatra lavitra ilay morondrano, misy nosy tsy misy mipetraka. Farany, mieritreritra amin'ny fanaovana ilay tapadamba mena manohitra ny SIDA maneraina an'i Kampala i Just Sayin : Maro ireo olona mino fa ny olona miaina miaraka amin'ilay tsimokaretina irery ihany no tokony hanao izany. Nanohy ny olona iray hafa tamin'ny filazana fa ireo olona hany mitondra ny tsimokaretina no tokony ho mpikatroka miady amin'ny SIDA. Izany hadisoana eh. Izany no fitsaratsarampoana tokony hiadiantsika. Ndeha hatomboka eto, aty amin'ny tanànan'ny blaogy. Mety hahatratra olona mihoatra ny iray isanandro mihitsy aza isika. Vitantsika izany. Tsy amin'ny fiandrasana ny hetsika rehefa 1 Desambra. Tsy afaka miandry ny hahazo anao ny SIDA. Tsia. Ady isanandro izany, toy ireo ataontsika isa-tsegondra amin'ny devoly.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/15/124575/
Banjina Iray Mikasika Ny Tontolombolongana Ao An-tandrok'i Afrika Sy Sodàna
2018-08-15T16:10:15
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra  anglisy navoaka tamin'ny Novambra 2005) Milaza an'i Etiopia sy Somalia ary i Eritrea ny teny hoe ‘Tandrok'i Afrika’  ato anatin'ity tatitra ity Revo amin'ny fandanjalanjàna ny teo-draharaha politika ao amin'ny fireneny ireo Etiopiana bilaogera taorian'ireo fifidianana solombavam-bahoaka natao tamin'ny volana May 2005, izay nandresen'ny antokon'ny Praiminisitra Meles Zewani  eo amin'ny fahefana. Tao anaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe Politics is the Continuation of War by Other Means , (Fitohizan'ny ady amin'ny fomba hafa ny politika) kianin’ i Ethiopundit ny governemanta Etiopiana noho ny fomba izay nitantanany ireo fifidianana sy ny famonoana an'ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny volana Jona, ankoatra ireo zavatra hafa. Mamerina mampita hafatra iray mitovitovy amin'ny an'i Ethiopundit ny Ethiopian Paradox , saingy tamin'ity indray mitoraka ity dia nifantoka manokana tamin'ny Praiminisitra Etiopiana Meles Zenawi. Toa tena tsy faly mihitsy amin'ny hetsik'Andriamatoa Zena hanafoana ny zo tsimatimanota an'ireo solombavambaoaka mpanohitra , ny Paradox Etiopiana , mandray  amin'ny Praiminisitra ho toy ny “mpanao didy jadona ratsy fanahy” mikatsaka ny “handemy ny Mpanohitra sy hampanjaka tahotra ary horohoro eo anivon'ireo olona notendreny.” Fampiasana matetika endrika tononkalo amin'ny fanoratana ny sasany amin'ireo soratra amin'ny blaoginy (ohatra amin'izany ny Fanavaozana Ara-tsaina ), sahala amin'ny averin'ny Ethiopian Paradox ametraham-panontaniana indray ireo fomba fanaon'ny governemantan'i Praminisitra Meles Zenawi. Raha mibanjina an'ireo olana hafa ao anaty tontolombolongana Etiopiana, taterin'ny Friends of Ethiopia ny momba ny fanhehoankery nataon'ireo Etiopiana Jiosy , fantatra amin'ny anarana hoe Falasha Mura, tao Jerosalema momba ny tsy nahavitàn'ny governemanta israeliana nitondra ny havan'izy ireo akaiky ho any amin'ny fanjakana Jiosy. Topazan'ny Friends of Ethiopia maso ihany koa ny fifandirana momba ny sisintany Etiopiana-Eritreana sy ny setriny avy amin'ny iraisam-pirenena. “ The Passion of the Present” , blaogy iray mikendry ny hanolotra sehatra iray hifanakalozana hevitra momba izay fomba hampitsaharana ny fandipahana olona ao Darfur, ao Sodàna, no miresaka momba ilay solombavambahoaka Kanadiàna, David Kilgour, izay manery ny governemanta Kanadiana hampitombo betsaka ny fanampiany an'i Darfur ary manery an'ireo firenena afrikana sy OTAN mba hanampy bebe kokoa an'ireo faritra sahirana. Asehon'ilay bilaogy ihany koa ny itafatafa mahaliana niaraka tamin'i Salva Kir, Filoha lefitra voalohany ao Sodàna sady mpikambana mpanorina ny Sudan People's Liberation Movement – Hetsi-Bahoaka ho Fanafahana ani Sodàna (izay notontosain'ny New vision , gazety malaza mpiseho isanandro ao Ogandà). Sleepless in Soudan , nosoratan'ny vehivavy iray mpiasa amin'ny sosialy dia milaza ny fivorian'ireo mpitondra nokarakarain'ireo mpikomy SLA tao Sodàna, ary mampiseho sary iray momba ireo olana amin'ny fiainana ao Dafur. Feno tantara mahaliana mikasika fiainana sy politika ao Somaliland ny Inside Somaliland an'i Yvette Lopez – firenena iray miady ho amin'ny fankatoavan'ny iraisampirenena. Mitatitra an’ ireo fifidianana vao haingana tao Somaliland i Yvette. Mety hanana ny governemantany manokana i Somaliland, ny lalànany sy ny lalàmpanorenany, saingy izao tontolo izao mihevitra azy ho mbola ampahany amin'i Somalia. Hatramin'ny taona 1991, tsy nanana governemanta foibe niasa i Somalia. Revo manao blaogy mikasika ny firenen'izy ireo ihany koa ireo vahoaka Somaliland mpila ravinahitra. Jereo ny blaogin'i Ahmed Quick The Voice of Somaliland Diaspora – Ottawa ( Ny Feon'ireo Zanaka Ampielezan'i Somaliland ao Ottawa)
https://mg.globalvoices.org/2018/08/14/122476/
Kenya: Hanohitra Sa Tsy Hanohitra?
2018-08-14T04:51:02
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Febroary 2011) Ho tohin'ny andraikitra noraisin'ny vohikala media sosialy Twitter tao anatin'ireo fihetsiketsehana toniziana sy ejiptiana, miady hevitra ao amin'ny Twitter ireo Keniana raha haka tàhaka na tsia an'ireny fihetsiketsehana ireny. Ireo tenifototra #KenyaFeb28 sy ny #ChoosePeace no fironana tao amin'ny Twitter. Raha ny fahitana azy, antso iray fampivondronana ny tafika no niantso ireo fihetsiketsehana ny 28 Febroary 2011. Avoakan'ny Antoneosoul ireo olana sasantsasany manodidina an'ireo antso fanoherana natao ny 28 febroary: eo amin'ny #kenya28feb mitoloko isika tamin'ny 7ora, tamin'ny 1 ary tamin'ny 5:30, midradradradra isika hoe tsy hadinonatsika ny mikasika ireo IDPS (olona nanfindra toerana ao anatin'ny fireneny ihany), HAGUE (raha ny fahitàna azy dia manondro ireo Keniana lazain'ny CPI (fitsaràna iraisampirenena) ho ireo olona tena tomponandraikitra tamin'ny herisetra nandritra ny fifidianana hita tao amin'ny Firenena taorian'ireo Fifidianana Filoham-pirenena nahabe adihevitra tamin'ny taona 2008), KOLIKOLY, RARINY, TSY FANANANA ASA! Mba marina mafy! Mino ny IamGecci fa tsy tokony haka tàhaka an'i Ejipta ireo Keniana: “haka tàhaka an'i Ejipta?  Aza dia dondrona azafady. Mbola tsy afa-bela amin'ny fihovitrovitry ny PEV (Herisetra amin'ny taorian'ny Fifidianana 2008) isika” Mamaly araka izao manaraka izao ny AlindiG : Tsy misy te-haka tàhaka an’ Ejipta, te-haneho hevitra fotsiny [amin'ireo] sangany hoe hitanay ireo zavatra ataon'izy ireo, tsy misy herisetra. Mba hanoherana an'ireo antso hanao fihetsiketsehana, mandefa bitsika amin'ny tenifototra #ChoosePeace ireo Keniana sasany. Anisan'ireo nandeha ho amin'ny #ChoosePeace i David Mugo , rain-jaza roa, izay manambara fa: Izaho no David Mugo, @ raidarmax niteraka zazavavy 2 izay mila Kenyà mandry fahalemana. #ChoosePeace manerana an'i #Kenya28Feb Kanefa, ny blaogera Marvin Tumbo avy amin'ny Socialite Media Kenya , manadihady ny olana hahalalana raha ho afaka handray anjara amin'ireo fihetsiketsehana politika ireo Keniana sahala amin'ireo izay hita tao Ejipta sy tao Tonizia. Araka ny heviny eo amin'ny blaogy, milaza izy fa: Amin'ny ankapobeny ny fijerena ny zavatra avoakan'ireo Keniana ao amin'ny Facebook, Twitter sy amin'ireo blaogy, mipongatra ho toy ny sakana goavana amin'ny endrika fanavaozana rehetra ao Kenyà ny fanindrahindràna ny resaka foko. Herisetran'ny Mpitandro ny Filaminana ireo hafa, indrindra fa rehefa tsaroana ny herisetra taorian'ny fifidianana tamin'ny taona 2008, sarangan'ireo olona manana fari-piainana antonony amin'ny ankabeazany izay nisafidy ny handefa bitsika fa tsy hidina eny an-dalambe… sy ny fitiavanay ny fakàna aina kely eo am-pisotroana dite. Voazarazara be loatra avy ao anatiny ny ankamaroan'ny firenena, mba tsy ho lasa loharanonà adintsaina ho an'ny ankamaroan'ireo mpitondra ny fifanarahana fikomiana hanoherana ny governemanta. Miha-mahaliana ireo manampahaizana maro ity fivoaran'ny fironana ity satria misy fiantraikany iray amin'ny andraikitr'ireo media sosialy amin'ny fanehoana tsy hafaliana, fanentanana  vahoaka hanohitra eo noho eo, fahalalahana maneho hevitra sy ny tokony hitomboan'ny fandraisan'ny Governemanta anjara toerana amin'ny fandrafetana politika, fanarahamaso sy/na fandrindràna ireo media sosialy. Mety hiafara amin'ny ho fanarahamaso mismisy kokoa ataon'ny Governemanta amin'ireo media sosialy ve ireo fivoaran-draharaha ankehitriny? Mamintina i Kachwanya fa tsy raikitra ny #KenyaFeb28 . Antony 10 no entiny: 5. Fanjakana mizarazara ara-poko i Kenyà, na manaiky ianao na tsia. Tsy midika akory izany fa vendrana ny vahoaka, fa ohatr'izay fotsiny ry zareo. Noho izany, mialohan'ny hitondranao olona eny an-dalambe, tsy maintsy hazavainao amin'izy ireo aloha hoe iza no kendrenao. Eny amin'ny kihon-dalana, mety ho toy ny mpitondra ratsy na mpitondra tsy nahomby no ijerenao an'i Kibaki, nefa tsy izany no hitan'ireo olona ao anaty foko misy azy. Azonao heverinao ho mpandala vahoaka i Raila, nefa samy hafa ny hevitry olona ao anaty foko misy azy. Afaka mijery an'i Kalonzo ho toy ny “kaloser” tsy manana fototra matotra ijoroana ianao, manantena fotsiny ny màna avy any an-danitra, fa sary hafa no hitan'ireo olona avy amin'ny foko niaviany. Tsy maniry mihitsy ianao ny hiaraka amin'i Ruto sy Uhuru noho ny lasan'izy ireo tena ratsy, nefa ho an'ireo mpikambana sasantsasany ao amin'ny foko misy azy, hazalambo ara-politika io. Noho izany mitandrema. 6. Ny Twitter sy Facebook ao Kenya dia toerana ho an'ireo olona manana faripiainana antonony, nahita fianarana sy ireo ankizy avy amina toerana mahantra. Ireo olona ireo izay afa-po amin'ny fiainany ary mankamamy tsy fiovaovàna manoloana ny korontana ambony ambany. Mety manohana ilay hevitra izy ireo saingy tsy hidina an-dalambe mihitsy. Raha maniry ianao ny handehan'ireo olona ireo eny an-dalambe, miresaha amin'ireo kilongan'i Kibera, Mathare, Kawangware, raha tsy izany mirary anao ho tsara vintana Ho hita eo raha toa hitondra zavatra ny antso tao amin'ny Twitter hnaovana  fihetsiketsehana milamina.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/13/123309/
Zimbaboe: Zazakely 2 Taona Voafonja Anaty Efitrano Mitokana
2018-08-13T16:40:18
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2009) [Fanavaozana: araka ny tatitra maika an'ny Associated Press , navotsotra tamin'ny 14 janoary i Nigel Mutemagau, saingy ireo ray amandreniny kosa mbola mifonja . Navoaka voalohany teo amin'ny Global Voices tamin'ny teny anglisy tamin'ny 13 janoary ity lahatsoratra ity, ny 15 janoary no navoaka tamin'ny tambajotra ny fandikàna azy tamin'ny teny frantsay]. Ity zazakely vao 2 taona ity, Nigel Mutemagau (Nigel Mupfuranhehwe no nahafantarana azy tamin'ny voalohany, anaran-dreniny), dia natoka-monina tao amin'ny efitrano iray famonjàna fanta-daza ao Zimbaboe, fonja tsara aro ao Chirurubi. Telo volana lasa izay, niara-nosamborin'ny Central Intelligence Organisation (CIO), polisy miafina ao Zimbaboe, i Nigel sy ny ray aman-dreniny, ary tsy nisy olona nahalala izay nanjo azy ireo hatramin'ny 24 désambra 2008, rehefa nipoitra teo anatrehan'ny tribonaly tao Harare renivohitra izy ireo, niaraka tamin'i Jestina Mukoko sy ireo mpikatroka hafa voasambotra [amin'ny teny frantsay]. Mety ho voampanga “ho nanangoa jiolahy mba handrodana ny fitondran’ Robert Mugabé” ireo ray amandrenin'i Nigel, fiampangana mitovy amin'ireo an'i Jestina Mukoko. Niarahan'ny rehetra nitsipaka ho toy ny tsy mitombina ireny fanambaràna ireny. Vao haingana, ny Filoha afrikàna tatsimo, izay miandraikitra ihany koa ny Fitantànana ny SADC (Fikambanana ho Fampandrosoana ireo firenana ao atsimon'i Afrika), mikasika an'ireo fiampangana ireo, dia nanambara fa: “Tsy mino izany mihitsy izahay.” Ny fonja tsara aro ao Chikuruki [amin'ny teny anglisy, sahala amin'ireo rohy manaraka], izay itazonana an'i Nigel anaty efitrano mitoka-monina, dia fantatra amin'ireo fepetra famonjana mahatsiravina, na dia nandritra ireo fotoana tsara indrindra tao Zimbaboe aza . Kanefa, ankehitriny, vao mainka tena miharatsy izany. Tsy dia manana sakafo firy ho an'ireo voafonja rehetra akory ireo mpiandraikitra ny fonja. Sahala amin'ny sehatry ny asam-bahoaka rehetra ao Zimbaboe. Na eo aza izany toejavatra rehetra izany, manamafy ireo mpiandraikitra ny fonja fa nahazo baiko izy ireo mba tsy handray sakafo avy any ivelany ho an'ireo voafonja (na dia ankizikely aza izy ireny). Tsy misy fitsidihana azon'ny fianakaviana atao ho an'ireto karazana voafonja ireto, anisan'izany i Nigel, izay vao roa taona. Kanefa izay tena mbola mampitroatra be, araka ireo tatitra nataon'ireo mpisolovava, dia nokapohana i Nigel tao am-ponja mba hampanekena ny reniny hanao sonia fiaikena heloka . Milaza ireo mpisolovava fa mila fitsaboana ilay zazakely. Tao anatina fanambaràna an-gazety navoaka teo amin'ny blaogy This Is Zimbabwe , manome ny famintinana amin'ny antsipirihany ireo tranga sy ny ezaka nataon'izy ireo, ireo mpisolovava mba hahazoana fahafahana ho an'ireo voafonja ireo . Na izany aza, tsy nisy vokany hatrany ireo ezaka ireo hatramin'izao. Milaza io fanambaràna tamin'ny 30 Desambra 2008 io manao hoe: Tamin'ny tolakandro, nankany amin'ilay fonja tsara aro aoChikurubi ireo mpisolovava niaraka tamina andianà mpitsabo. Hitan'izy ireo fa tsy notànana tao amin'ny toeram-pitsaboan'ny fonja akory ireo olona arovany, tsy araka ny baiko, fa nahiboka natoka-monina tao anaty faritra tsara ambina izy ireo. Nampiarahina tamina voafonja farany izy ireo ankehitriny, Violet Mupfuranhehwe, sy ny zanany lahikely vao roa taona, Nigel Mutemagau, izy ireo koa natoka-monina tao anaty faritra tsara ambina. Nataon'ireo media mahazatra tsinontsinona mihitsy ny tranga nahazo an'i Nigel, izay ny raharahan'i Jestina Mukoko no tena nifantohana, ilay tena fantatra tamin'ireo mpikatroka voafonja. Mavitrika be kokoa ireo tambajotra sosialy manaraka ny raharahan'i Jestina Mukoko manokana, namoaka sary faneva iray misy laharana telefona iray ny ankamaroan'ireo blaogy zimbaboeiana, laharana izay azon'ireo mpamaky antsoina mba hanomezana vaovao mikasika ny fanjavonany. Marobe ireo vondrona niforona teo amin'ny Facebook , mitaky ny famoahana azy ( manana mpikambana miisa 2 242 ilay iray tena malaza) Mavitrika manokana ny blaogera Sokwanele amin'ny fandrisihana ireo mpamaky azy hiantso ny kaomisaria an'ny polisy iasàn'i Jestina mba hanontany izay nataony hahitàna azy. Zara anefa raha nisy fifantohan-tsaina azon'ilay trangan-javatra mahatsiravina manjo an'i Nigel. Tao anaty blaogiko, nosoratako hoe: “zazalahikely iray tsara fanahy, toy io hitanareo eo ambony io, no gadraina fotsiny ao anatin'ny iray amin'ireo fonja izay tena malaza indrindra amin'ireo herisetra ao aminy ao Zimbaboe.[…] Tena manahirana ny saina ny manidy zazakely roa taona anatina fonja tsara aro miaraka amin'ireo mpamono olona, mpanolana ary ireo mpanao heloka bevava sasantsasany faran'izay loza. Tsy fantatro hoe ahoana ny ho fanamarinantenan'ny governemantan'i Robert Mugabe amin'io raharaha feno habibiana io; fa tena misafoaka aho noho ireo fihetsika asehontsika, ny fahanginantsika, ary ny fiarahantsika mitsikombakomba ao anatin'izany. Nankaiza ilay fahatsapanao te-hitroatra, ry Zimbaboe? Aiza ny maha-olona anao? Ao anatn'ireo tsanganana an'aliny voasoratra mikasika ny fisamborana sy ny fitsaràna an'i Jestina Mukoko, tena an-jorom-bàla, zara raha mendrika andalana vitsy monja, ilay raharaha mikasika an'io zazakely io izay vao manomboka mandeha. Matory ao izy, andro sy alina, amin'ny tany mangatsiaka amin'ny iray amin'ireo fonja izay tena malaza indrindra ao Zimbaboe, adinon'izao tontolo izao, izay mihiaka ho fanafahana vehivavy iray (Jestina) efa maherin'ny 50 taona. Taorian'izay, nandefa fanagonantsonia teo amin'ny blaogiko manokana aho ho aterina any amin'ny lehiben'ny fampnanoavana ao Zimbaboe amin'ny zoma izao, hangatahana ny fanafahana an'io zazakely io sy hahazoany fitsaboana, ary koa ny fametrahana azy eny anivon'ny toerana misahana ny fikarakaràna zazakely. Tao anatin'ny lahatsoratra misy ilay fanangonantsonia , nosoratako hoe: Angatahako ianareo farafaha-ratsiny mba hanao zavatra kely: azafady, apetraho ao anaty faritra misy an'ireo fanehoankevitra amin'ity lahatsoratra ity ny an'Atoa. Tomana, lehiben'ny fampanoavana eto Zimbaboe, hitakiana aminy mba hanomezana haingana miaraka amin'ny vava an'io zazakely io ho any amin'ireo tomponandraikitry ny Asa misahana ny ankizy  sy hanafahana azy amin'ny fonja. Nandefa fanairana iray ihany koa aho teo amin'ny tambajotra sosialy Facebook, izay ahitàna vondrom-piarahamonina zimbaboeiana mavitrika tokoa (anisany amin'izany ireo nandao ny tanindrazany). Feno fanantenana aho. Tsy misy mihitsy fanamarinana, na amin'ny endrika inona na inona, hitazonana zaza iray amin'io taonany io ao anaty fonja, ao anatina efitrano mitoka-monina. Ny tanjona dia ny hanao fanentanana manodidina ny raharaha manjo an'io zaza tsy misy mpiaro io mba hanerena an'ireo tomponandraikitra hanao hetsika. Manana fahefana hanafaka an'io zaza io ny lehiben'ny fampanoavana ao Zimbaboe. Eny fa na dia mety hiaraka aminà fepetra hiteraka teritery amin-dreniny aza io fanafahana io, tsara kokoa izany noho ny mamela zaza iray izay vao miana-mandeha amin'ny toerana izay misy azy ankehitriny. Araka ny efa nolazaiko, manana fanantenana aho. Misy mpandray anjara ara-politika hafa matanjaka ao Zimbaboe izay izy ireo ihany koa dia manomboka mandinika ity raharaha ity, ary mino aho fa hatramin'ny zoma, hahazo vokatra mahafapo isika.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/13/124281/
Didim-pitsarana miavaka tao Angola, manafaka ilay mpanao gazety Rafael Marques tamin'ny fiampangana rehetra
2018-08-13T05:48:25
Unknown
Rafael Marques de Morais | Lanonana Fizaran-doka Allard 2015 | Wikimedia Commons | CC-BY-SA 3.0 Noafahan'ny fitsarana tao Luanda tamin'ny fiampangàna faniratsirana ny fanjakana Angoley ilay mpanao gazety Rafael Marques sy ny mpamoaka lahatsoratra Mariano Brás, izay zavatra heverin'ny maro fa dingana lehibe ho amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny firenena. Voampanga tamin'ny Jona 2017 i Marques taorian'ny famoahana lahatsoratra tamin'ny oktobra 2016 milaza fa niditra tamin'ny fifampiraharahana kolikoly ny mpampanoa lalàna João Maria de Souza teo aloha mba hahazo tany amoron-dranomasina izay hananganany tranobe fonenana. Ny lahatsoratra dia navoaka tao amin'ny vohikalam-baovao tsy miankina Maka Angola, izay i Marques ihany no mpanorina azy sy tonia. Niatrika fiampangana mitovy amin'izany i Mariano Brás, lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny gazety O Crime, izay namoaka ny lahatsoratra an-gazety. Voampanga ho “nanala baraka andry fiandrianam-pirenena” ihany koa i Marques noho izy voalaza fa naniratsira ny filoha teo aloha José Eduardo dos Santos tao anatin'izany lahatsoratra izany. Tamin'ny fotoam-pitsarana farany tamin'ny 6 jolay, nilaza ilay mpitsara Josina Falcão, izay nitarika ny raharaha tao amin'ny Fitsarana Ambony ao Luanda, fa “nanatanteraka fotsiny ny adidiny mampahafantatra” ireo mpanao gazety ary nanaisotra ny fiampangana rehetra tamin'izy roalahy izy. Na dia tsy vao voalohany aza i Marques no notoriana teny amin'ny fitsarana noho ny asany amin'ny fanaovan-gazety, dia ity no azo antoka fa fotoana voalohany izay nanafahan'ny Fitsarana Ara-paritra Luanda azy – nahazo sazy mihantona fotsiny izy tamin'ireo raharaha teo aloha. Navoakan'ireo fampahalalam-baovao isan-karazany sy ny mpikatroka tao amin'ny media sosialy ny vaovao avy eo. Ity no iray amin'ireo raharaham-pitsarana ambony voalohany nandritra ny governemantan'i João Lourenço, izay nandimby ny filoha teo aloha naharitra ela José Eduardo dos Santos tamin'ny Septambra 2017. Mpikatroka Angoley, Luaty Beirão, izay nanatrika ny fitsarana, nisioka hatrany hatramin'ny fotoana namoahana ny didim-pitsarana: “É do entendimento deste tribunal que verdade existe na matéria publicada pelo réu e que mais não fizeram do que cumprir com a sua obrigação de informar o público. Não entendemos que houvesse intenção de difamar o ofendido”. https://t.co/NOKY5AbSNo — Luaty Beirão (@LuatyBeirao) 6 juillet 2018 “Fahatakaran'io fitsarana io izany fa misy ny fahamarinana ao amin'ny lahatsoratra navoakan'ny voampanga ary tsy nanao afa-tsy ny fanatanterahany ny adidiny amin'ny fampahafantarana ny vahoaka izy. Tsy mahita isika fa nisy ny fikasana hanala-baraka ny mpitory “. “Ficou provado neste tribunal que o processo de aquisição do terreno na base do artigo do réu que despoletou o julgamento que hoje chega ao fim, está ferido de irregularidades”. Conclusão? Quem cometeu crime? Quem devia estar neste banco dos réus? O messangeiro? https://t.co/AZdMnb6mYl — Luaty Beirão (@LuatyBeirao) 6 juillet 2018 Sioka voalohany: “Voaporofo nandritra ny fotoam-pitsarana fa feno tsy fanarahan-dalàna ny dingana fahazoana tany, niavian'ny lahatsoratra navoakan'ny voampanga izay nahatonga ny raharaha nifarana androany”. Fehin-kevitra? Iza no nanao heloka bevava? Iza no tokony hogadraina? Ny mpitondra hafatra? Sioka faha-2: Ny andro famoahana ny sazy Depois de 3 horas a ler o que parecia uma tese de doutoramento, vamos ao que interessa: Mariano Brás, absolvido de todas as acusações, @RafaelMdeMorais , absolvido de todas as acusações. https://t.co/1UMA6HpRXa — Luaty Beirão (@LuatyBeirao) 6 juillet 2018 Sioka voalohany: “Taorian'ny adiny telo namakiana izay hita fa fanohanana asa-karoka doktorà, tonga tamin'ny ampahany mahaliana izahay: Mariano Brás, tsy manan-tsiny tamin'ny fiampangana rehetra. Sioka faharoa: “Mahatakatra ny fitsarana fa diso isika raha, amin'ny maha-fiarahamonina te-hivoatra, nanapa-kevitra hanasazy mpampita vaovao ratsy isika. Amin'ny fakàna ny asam-bahoaka [asampanjakana ambony], ilaina ny zatra dinihana sy tsikeraina. Raha tsy mahazaka hafanana ianao, dia tsy afaka miasa ao an-dakozia” Taorian'ny fotoam-pitsarana, nilaza i Marques izay nahazo loka tamin'ny World Press Freedom Hero avy amin'ny Ivo-toerana Iraisam-pirenena ho an'ny Gazety tamin'ny taona 2018 fa “manan-tantara” ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Nanome toky ny vahoaka izy fa “hanohy hiampanga ireo rehetra izay manimba ny firenena”. Fanombohana vaovao ho an'i Angola? Manantena kosa ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena sasany fa manamarika ny fiandohan'ny vanim-potoana vaovao ho an'ny fahalalahan'ny gazety ao amin'ny fitsarana ao Angola ny fanapahan-kevitry ny fitsarana mankatoa ny tsy maha-meloka an'i Rafael Marques. Tamin'ny antsafa niarahana tamin'ny DW África , nilaza i Alexandre Solembe, filohan'ny Ivo-toerana ho an'ny Fifandraisana Ara-tsosialy ao Atsimon'i Afrika atsimo ao Angola fa tsy misalasala izy fa mety ho hafa ny vokany raha mbola teo amin'ny fahefana i José Eduardo dos Santos, filoha Angoley teo aloha. Nandritra ny fitondran'ny filoha teo aloha, maro ireo tranga fanorisorenana mpanao gazety sy mpikatroka izay nitsikera ny governemanta. Tahaka izany koa, faly tamin'ny vaovao ny Federasiona Afrikan'ny Mpanao Gazety, fikambanana izay mampivondrona ireo matihanina amin'ny fifandraisana ara-tsosialy avy amin'ny kaontinanta: FAJ Hails the Release of Rafael Marques and Mariano Bras on 6 July, and Calls on #Angola Authorities to Review the Media law, Decriminalise libel, and create a conducive environment for journalists to work @lamumu07 @UNESCO @IFJGlobal @makaangola https://t.co/OI7EzBNyTc — FAJ (@fajournalists) 12 juillet 2018 Miarahaba amin'ny famotsorana an'i Rafael Marques sy Mariano Bras tamin'ny 6 jolay ny FAJ, ary miantso ny manampahefana #Angola handinika ny Lalànan'ny Media mba tsy hanameloka bevava ny fanalàmbaraka, ary hametraka tontolo manohana ny mpanao gazety amin'ny asany Ho an'ny Human Rights Watch , fandresena ho an'ny fahalalahan'ny gazety izany, araka ny nasongadin'ilay mpikaroky ny fikambanana, Zenaida Machado: The unexpected ruling is a victory for freedom of the press in a country where the media has been on a tight leash, with authorities often repressing coverage of cases of corruption involving government officials, through intimidation and abusive use of defamation laws. Following today’s historic court ruling, the Angolan government should now go further and seek to amend the 2017 media law so that journalists are able to do their jobs in a free environment. Fandresena ho an'ny fahalalahan'ny gazety ny fanapahan-kevitra tsy nampoizina tao amin'ny firenena izay mpanasazy ny media, ahitana manampahefana matetika manasazy ny fitantarana tranga kolikoly mahakasika manampahefam-panjakana amin'ny alalan'ny fandrahonana sy fampiasana tafahoatra ny lalàna mifehy ny fanalam-baraka. Taorian'ny fanapahan-kevitra manan-tantara navoakan'ny fitsarana androany, tokony handeha lavitra ankehitriny ny governemanta Angoley mba hanova ny lalànan'ny media 2017 mba ahafahan'ny mpanao gazety manao ny asany ao anatin'ny fahalalahana. Nankasitraka ny raharaha ihany koa ny tambajotra Afrikanin'ny mpitati-baovao, RSF Afrika, nilaza fa marika tsara ho an'ny asa fanaovan-gazety fanadihadiana izany: #Angola : #RSF is relieved to learn that Rafael Marques and Mariano Bras were acquitted on July 6th, but asks the authorities to “overhaul the draconian press legislation” which threatens the freedom to inform https://t.co/OjkqILKAyu pic.twitter.com/QZoMjMqSmR — RSF Africa (@RSF_Africa) 9 juillet 2018 #Angola : Faly ny #RSF mahafantatra fa afaka madiodio tamin'ny 6 Jolay i Rafael Marques sy Mariano Bras, saingy mangataka amin'ny manampahefana mba “hanova ny lalàna henjana momba ny gazety” izay mandrahona ny fahalalahana hamoaka vaovao
https://mg.globalvoices.org/2018/08/03/123761/
Mihantsy ny governemantan'izy ireo noho ny fandaharan'asa fanarahamaso ny orinasam-pifandraisandavitra ghaneana
2018-08-03T05:34:32
Unknown
Notorian'ireo mpisolovava ara-politika sy ny olom-pirenena Ghaneana tany amin'ny fitsarana ny governemantan'izy ireo noho ny drafitra hametraka ilay antsoina hoe “Sehatra Iombonana”, rafitra ara-teknika izay ahafahan'ireo mpandrindra manaramaso ny fidiram-bolan'ireo orinasam-pifandraisandavitra miasa ao amin'ny firenena. Milaza ireo mpanohitra ny dafitra fa tsy ny fidiram-bola ihany no mety haraha-maso, ka nampitandrina fa mety ahafahan'ny governemanta mora foana hitsikilo ireo antso sy hafatra koa izany. Nilaza ireo manampahefana fa te-hametraka rafitra izy ireo mba hanaramaso ireo orinasan'ny fifandraisandavitra ao Ghana sy hiantohana fa mandoa hetra ara-dalàna izy ireo. Ny orinasa Kelni GVG no tompony sy mampiasa ny sehatra. Tamin'ny volana Jolay, niantso ny Fitsarana misahana ny Zon'Olombelona ao Accra renivohitra ireo mpanao fangatahana (mpitory) roa, Sara Asafu-Adjaye sy Maximus Ametorgoh mba hihaino ny raharahan'izy ireo. Nilaza izy ireo fa mety hanohintohina ny zo fototra momba ny fiainana an-takonana (manokana) ny rafitra. Miasa amin'ny sehatra teknolojia sy ny haibika (fandravahana) izy roa ireo. Nandrisika ny fitsarana izy ireo mba “hanakana ny Minisiteran'ny Fifandraisana sy ireo voampanga hafa tsy hamela ny Kelni GVG, hiditra amin'ny lahatahirin'izy ireo manokana.” Raha sy rehefa ampiharina, dia ho ampiasain'ny Kelni GVG, eo ambany fifanarahana amin'ny governemanta ny Sehatra Iombonana. Hanana fahafahana hifandray amin'ny rafi-pifandraisan'ireo orinasam-pifandraisandavitra sy hiditra hijery ny fidiram-bolan'izy ireo, amin'ny ezaka hampitomboana ny hetra avy amin'ny sehatry ny fifandraisandavitra sy ny aterineto ny orinasa. Rehefa mampifandray ny rafitra fanarahamasony amin'ny tambajotran'ny orinasan'ny fifandraisandavitra ny orinasa, dia afaka miditra amin'ny fidiram-bola sy ny lahatahiry rehetra an'ireo mpisoratra anarana, anisan'izany ny votoatin'ny antso am-peo sy ny hafatra an-tsoratra. Tamin'ny volana jona 2018, nanamafy ny filazan'ireo mpitory ny Sampan'ny Fifandraisandavitra Ghaneana, nanazava fa ny Sehatra Iombonana dia “afaka mandrakitra, manaramaso sy mandrakitra amim-pahavitrihana na tsia ao amin'ny zotrampifandraisana elektronika mivoaka sy miditra, toy ny feo. “ Vondrona maro samihafa no nanohitra ny drafitra, anisan'izany ny Occupy Ghana sy ny Foiben'ny IMANI momba ny Politika sy ny Fanabeazana, izay naneho ahiahy eo amin'ny fiainana manokana (an-takonana) amin'ny drafitra, sy ny tombontsoan'ny governemanta sy ny mpiantsehatra  hahazo tombontsoa avy amin'ny fifanarahana Kelni GVG. Nandrahona hitory ny governemanta sy ny orinasam-pifandraisana ihany koa ilay depiote Ras Mubarak raha tanterahina ny fifanarahana. Teo anoloan'ny Fitsaràna Avo, tamin'ny 10 jolay 2018, nanamafy i Asafu-Adjaye sy Ametorgoh fa “ny fifandraisana kasaina amin'ny Sehatra Iombonana dia mandika ny Lalàna 864 sy ny zo fototry ny zon'olombelona momba ny tsiambaratelon'ny taratasim-pifandraisana sy ny fifandraisan'izy ireo, izay arovan'ny Andininy faha-18 (2) amin'ny Lalàm-panorenana taona 1992. “ Ho fanohanana ny hevitra, namaly ny lahatsoratra Facebookn'i Ametorgoh i Don Derrick: This is good. We all need to be concern about privacy. if they want access to revenue, they can get that with an API [Application Programming Interface] but if they want full access to data, communications, financials and logs, that is a very nasty move. I am with you Maximus. Keep up with the Good work. Tsara izany. Isika tsirairay dia mila miahy ny fiainana manokana (an-takonana). Raha te-hiditra any amin'ny fidiram-bola izy ireo dia afaka mahazo izany amin'ny API [Application Programming Interface] fa raha te hanana fidirana tanteraka amin'ny tahiry, fifandraisana, ara-bola sy ny logs izy ireo, dia fihetsika tena ratsy izany. Manohana anao aho Maximus. Tohizo ny asa tsara. Tao amin'ny Facebook, Gyebiba Ebony nanangana fanontaniana momba ny atao hoe fanitsakitsahana ny tsiambaratelo amin'ny Common Platform (Sehatra Iombonana) ary nampitaha izany amin'ny fanitsakitsahana ny tsiambaratelo avy amin'ireo sehatra media sosialy sasany. Ho setrin'izany , nanazava i Ametorgoh fa ny Common Platform dia hampifandray ny “vona rehetra amin'ny tambajotra fa tsy ny rafitra rosiam-bola ihany “: They can intercept the content of the communication. The system is not supposed to have the capability to intercept or access the content. [In contrast,] You decide what you post on social media. It’s called “social” media. If you share private content here, that’s up to you. You can’t even share some kinds of images here. Afaka mitsikilo ny votoatin'ny fifandraisana izy ireo. Ny rafitra dia tsy tokony hanome fahafahana hitsikilo na hiditra amin'ny votoaty. [Mifanohitra amin'izany] Manapa-kevitra izay soratanao ao amin'ny media sosialy ianao. Antsoina hoe “media sosialy” izany. Raha mizara votoaty tsiambaratelo eto ianao, dia miankina aminao izany. Misy aza karazan-tsary tsy azonao zaraina eto mihitsy. Saingy nolavin'ny Fitsarana momba ny zon'olombelona ao Accra, Ghana ny fangatahana nasehon'i Asafu-Adjaye sy Ametorgoh. Tamin'ny didim-pitsarana, nanambara ny tribonaly fa tsy nanome porofo mivaingana hanohanana ny filazan'izy ireo momba ny fanitsakitsahana ny tsiambaratelo amin'ny fampiharana ny Common Platform  ireo Ghaneana roa ary mifototra amin'ny fihetseham-po sy adihevitry ny vahoaka fotsiny ny tohan-kevitr'izy ireo. Franklin Cudjoe, mpanohana lehibe ny fangatahan'i Asafu-Adjaye sy Ametorgoh ary ny tale mpanatanteraka ao amin'ny IMANI, nilaza fa niaiky ireo orinasam-pifandraisan-davitra fa ny Common Platform, raha ampiharina, dia mety hanitsakitsaka ny tsiambaratelon'ny mpanjifa ary tsy noraharahian'ny fitsarana ity porofo ity tamin'ny fanapaha-keviny. Emmanuel Kyeremanteng Agyarko , mpikambana iray ao amin'ny parlemanta, nanamafy fa ny fanitsakitsahana ny tsiambaratelo mety ho ataon'ny sehatra dia tsy midika fa hanitsakitsaka ny tsiambaratelo, amin'ny fomba rehetra izy. Toa hampiharina tsy misy firaharahiana ny fotoam-pitsarana farany ny Common Platform , satria nilaza ny fitsarana fa mety hiatrika fahavoazana tsy hita pesipesenina ny Fanjakana raha misy ny didy omena. Nolavina tamin'ny 10 Jolay 2018 ny fangatahana nalefan'i Asafu-Adjaye sy Ametorgoh. Saingy antenaina hitohy ny fanoherana avy amin'ny fiarahamonim-pirenena sy avy amin'ireo mpanao lalàna mihitsy aza.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/06/124099/
Angola: “Alambamento” Sy Ireo Fombafomba Fampakarambady
2018-08-06T15:44:55
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2010) Misy fombandrazana iray somary henjana manodidina ny fangataham-bady ao Angola, antsoina hoe “ alambamento “. Heverina mihitsy ho manan-danja be noho ny fanambadiana sivily na ara-pivavahana (kristianina no resahina), ny alambamento dia ahitana andiana fombafomba, sahala amin'ny fanomezana taratasy iray misy fangatahana fanambadiana, matetika ahitana vola ao anatiny. Mpanambady, sary an'ny blaogy Teto de Estrelas Mampiseho ny famaritana antsipirihany an'io tranga io ny blaogy Muxima N´gola [amin'ny teny paortiogey, sahala amin'ireo rohy rehetra]: Quando o jovem casal de namorados decide casar, é necessário ter o aval da família da noiva e isso só é possível se, durante o pedido, toda a gente estiver de acordo em que o casamento se concretize. O jovem casal marca o dia do pedido. Esse dia é marcado pelos tios da noiva, pois é necessário reunir toda a família e é entregue uma lista contendo o que o noivo tem de conseguir reunir até ao dia do pedido. O dia do pedido está marcado e o noivo parte em busca de todo o material para que no dia não falte nada. E o que está nessa lista? Primeiro é um envelope com dinheiro. 300, 400, 500 USD, depende do que o tio estipular. A altura da noiva em grades de cerveja, a altura da noiva em paletes de sumo ou coca-cola, um cabrito, um fato para o tio e uns sapatos para a mãe. Trata-se de uma lista elaborada pelos tios, onde consta uma relação de coisas que o noivo tem de “comprar” para oferecer à família da noiva, como indemnização pelos gastos feitos com ela desde o seu nascimento até ao dia do casamento. Basicamente é um dote que representa um bem valioso porque quanto maior o pagamento, maior prestigio terá a noiva. Ireo fanomezana mivaingana, sary an'ny blaogy Teto de Estrelas Raha toa ka bevohoka ilay tovovavy, mitombo betsaka kokoa ny lanjan'ireo zavatra voalaza eo ambany ireo, araka ny voalazan'ny blaogy Tre Angolando : Este valor pode ainda ser superior, caso o noivo tenha saltado a janela. Saltar a janela significa que a noiva engravidou antes do casamento e claro, é justo que o pedido seja reforçado. Quando chega o dia do pedido, os familiares do noivo juntam-se à família da noiva, fazem-se as apresentações e procede-se ao pedido de casamento. Dia toy izao no fisehon'ny tantara, araka ny voalazan'ny blaogy Muxima N´gola : Quando chega o dia, a família do noivo (pai, mãe, tio, tia, irmãos) vai a casa da noiva e o tio da mesma, como se de um juiz se tratasse, apresenta toda a gente e informa de que se vai dar início ao pedido de casamento. Os pais da noiva convidam os pais do noivo a entrar e o tio dá início à leitura do pedido apresentado pelo noivo. Se o pai da noiva concordar com o pedido, o noivo terá de ir buscar o alambamento ou seja, aquela lista de coisas que juntou. O alambamento é apresentado e se tudo for cumprido é feita uma reunião para acertar a data do casamento e outros detalhes de natureza logística. Posto isto, canta-se e dança-se (não é por acaso que aparecem as grades de cerveja e de coca-cola na lista). No dia do casamento a mulher se veste com um fato, uma roupa típica do país, e o homem se veste com uma camisa social, terno e gravata. Antes de começar a noiva aparece debaixo de um pano, para testar se o marido a reconhece de verdade. Ireo mpandihy nentin-drazana mandritra ny fety fampakarana, sary an'ny blaogy Teto de Estrelas Rehefa vita ofisialy ny fankalazana ny fikambanana, dia manomboka ny fety, raha tsy izany, tsy dia olona mpifety tafahoatra ireo vahoaka ao Angola. Betsaka ireo sakafo sy zava-pisotro aroso ho an'ireo nasaina, miaraka amina mozika angoley tsara hatrany. Tsy mitovy amin'izay naha-izy azy taloha ny fomba ; na dia mbola miorim-paka ao anaty kolontsaina angoley aza ny alambamento , raha ny marina, tsy dia ampiasaina loatra intsony izy io amin'ny fiainana moderina, ary tsy ao Angola irery ihany. Miresaka ny alambamento ao Mozambika i Sandra Flosi eo amin'ny blaogy Mosanblog , izay fianakaviana sasantsasany no efa niala tamin'io fomba io, raha toa ireo hafa, mbola tena mitahiry azy tsara, manao azy ho tsy maintsy hajaina. Mandritra izany fotoana izany, manaiky ny maha-zava-dehibe ny alambamento ny fiarahamonina angoley ary mampiasa dokambarotra amin'ny fahitalavitra mihitsy aza.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/11/123305/
Madagasikara : Fikomiana Tao Antananarivo
2018-08-11T16:03:50
Unknown
May ny Radiom-pirenena malagasy – Sary Caro Termoz tao amin'ny Facebook Ny fandrobàna ny alin'ny 26 hifoha 27 janoary – Sary @harinjaka Nisy sary avy amin'i  @thierry_ratsiz, alatsinainy 26 janoary naneho ny fandòrana tao amin'ny foibem-barotra Magro Ankorondrano, Jereo ihany koa : Lahatsarin'ny fandrobàna tamin'ny 26 janoary. Fanavaozam-baovao ( talata 27 janoary, 6ora sy 40mn hariva frantsay ) Azo nohenoina mivantana tao amin'ny haban-tranonkala ( onjapeo amin'ny tranonkala) tamin'ity adiresy ity : http://beza.info/mada/faniloradio.m3u ny  onjapeo malagasy Radio Antsiva (Misaotra ny onjapeo malagasy Fanilo Radio). Tsara ho marihana fa noho ny zava-mitranga eto an-toerana dia mety hikorontana ny fandefasana amin'ny  web-radio. Fanavaozam-baovao (talata 27 janoary, amin'ny 1 ora sy sasany tolakandro, ora frantsay) Avy any Madagasikara, hamafisin'i Thierry Ratsiz ao amin'ny kaonty Twitter-ny fa notanisain'ny radio Antsiva tamin'ny vaovao tselika maraina ireo niharam-boina nandritra ny fifanosehana tao amin'ny foibem-barotra Magro Ankorondrano. Mihanaka manerana ny firenena ireo korontana, hoy hatrany ity mpitoraka bilaogy ity. Nozarain'i Andry ihany koa (amin'ny teny frantsay), mpampianatra sady mpanao gazety any Antsirabe, ny famakafakàny ilay toe-draharaha. Fanavaozam-baovao (talata 27 janoary, amin'ny 1 ora sy sasany tolakandro, ora frantsay) Malagasy maro mifanerasera amin'ny hafatra fohy soratana amin'ny sehatry ny bilaogy madinika Twitter ( amin'ny alàlan'ny somaiso na amin'ny solosaina) no mitantara ny fahamaizan'ny radiom-pirenena Malagasy sy fara-fahakeliny foibem-barotra iray, ny toerana nisy fandrobàna, ary ny toe-javatra misavoritaka, na teo aza ny antso nataon'ny Praiministra ho amin'ny fitoniana. Namoaka ny tantaran'ity fikomiana androany ity sy sary maro tao amin'ny bilaoginy (amin'ny teny anglisy) i Andrydrago. Azo vakiana, amin'ny fotoana rehetra ao amin'ny kaonty Twitter-n'i Tandriamirado , Harinjaka , sy ny hafa, ireo hafatra farany avy any Madagasikara. Faka nojerena tao amin'ny Twitter tamin'ny fampiasàna ny tenifototra #madagascar ireo hafatra rehetra manerantany mikasika an'i Madagasikara, nalefa tao amin'ity sehatra ity. Fanavaozam-baovao ( 8ora sy 09mn alina any amin'ny tanibe Frantsa) : Na milaza foana aza ny tsaho fa nandao an'i Madagasikara ny Filoha Ravalomanana, dia ny mifanohitra amin'izany no ambaran'ny sasany. Bitsika iray navoakan'i Daniel Austin [tamin'ny 4 ora sy 29 mn hariva GMT] no milaza fa “ny vaovao rehetra avy amin'ny loharanom-baovao azo antoka  dia milaza fa diso ny tsaho milaza fa nandao an'i Madagasikara i Ravalomanana”. Ambaran'ny bitsika navoakan'i Thierry Ratsizehena [5ora sy 38 mn hariva] fa hapetraka ao amin'ny firenena ny fitondràna miaramila. Nitsahatra tsy nandefa fandaharana ny onjampeo sy fahitalavitra ary nifamahofaho be ihany ny vaovao. Mandefa tsy tapaka isanandro ny vaovao araka ny fahatongavany ny Global Voices. Taorian'ilay hetsika goavana, ny 25 janoary 2009, dia nanaitra ny fivoaran'ny toe-draharaha tany Antananarivo, renivohitr'i Madagasikara, tato anatin'ny 24 ora. Vaovao maro no nanamafy fa fahitalavitra sy onjampeo maro no nampiato ny fandefasana ny fandaharany. Trano maro, isan'izany ny trano fandriam-bahiny kintana dimy iray sy tranom-barotra vitsivitsy no nodorana na notoraham-bato. Anankiroa no nolazaina fa maty (vaovao hamarinina amin'ny loharanom-baovao tsy miankina) ary ny sasany amin'ireo hafatra farany avy any Madagasikara dia milaza fa may tanteraka ny faritra maro ao Antananarivo. . Mamahana tsy tapaka amin'ny alàlan'ny bitsika (hafatra fohy ) ireo izay manaraka ny vaovao momba ny korontana misy any amin'ny firenena amin'izao fotoana izao ny tontolon'ny bitsika ao Madagasikara. Marina fa tsy mbola voatrandraka ho toy ny fitaovana mahomby hifaneraseràn'ny sarambabem-bahoaka any Madagasikara ny aterineto, izany angamba no manazava fa tsy mbola ampiasaina izy. Indreto misy hafatra vitsivitsy, nosoratana tamin'ny teny frantsay, na nadika avy tamin'ny teny anglisy, izay hahafahana maneho tsotsotra ny fifanesen'ireo tsaho sy ny zava-mitranga : - Hafatra voalohany avy amin'i thierry_ratsiz tamin'ny 4 ora sy 33mn hariva (ora any an-toerana) milaza ny mety higiazana ny fandefasampeon'ny radio VIVA mandritra ny alina. - tamin'ny 5 ora sy 19mn hariva notaterin'i R1lita fa nosakanan'ny hetsi-panoherana ny fiara fitaterany, ary avy eo nanontany tena izy raha toa ka nokaramaina mba ho tonga ireo mpanao fihetsiketsehana ireo. - tamin'ny 8 ora sy 11mn alina , taterin'i Barijaona ny fandrobàna ( tora-bato) - tamin'ny 8 ora sy 25mn alina manoratra i tandriamirado fa miantso ny vahoaka hisakana ny miaramila tsy haka ny foibeny ny radio VIVA. -  amin'ny 12ora sy 34mn alina  miverina indray ao amin'ny hafatr'i thierry_ratsiz , sy ireo bitsika maro hafa ilay tsaho izay milaza fa ahiana hisy  mpikarama an'ady hiditra ao amin'ny tranon'ny radio VIVA , izay ahiana tsy handefa fandaharana. - amin'ny 5 ora sy fahefany maraina : namafisina fa ‘tsy mandeha intsony ny radiom-pirenena (RNM) sy ny fahitalavi-pirenena (TVM) . - amin'ny 5 ora sy 24mn maraina nambara ny fisian'ny fandrobàna ny magazay Magro sy ny fahatongavan'ny tafika. - amin'ny 7 ora sy 47 mn maraina, may ny trano fonenan'ny mpanao politika ambony iray – amin'ny 10 ora sy 54mn antoandro lazaina fa roa no maty ary  may ny foiben'ny MBS, radion'ny mpomba ny fitondrana - amin'ny 11 ora sy 57 mn antonadro nambaran'i re_hita fa nifidy ny hiala tao amin'ny radio ireo miaramila nampiandraiketina ny fiarovana ny tranon'ny RNM. – amin'ny 2 ora sy 02mn tolakandro tanisain'i papajoe786 ireo tranom-barotra hafa may any atsimon'i Madagasikara, any Atsirabe sy Fianaranatsoa. - amin'ny 2 ora sy 25mn nolazain'ilay bitsika MadagascarTweet fa may ny faritra Ambohimitsimbina, havoana itoeran'ny fampielezampeo sy sary. - amin'ny 2 ora sy 28mn vonona hiainga ny fiaramanidin'ny filoha hoy i fidy. Ho fampahafantarana bebe kokoa momba ny zava-misy miteraka ireo korontana ireo, dia azonao vakiana ireo bilaogy navoakanay teo aloha. Podcast: Play in new window | Download
https://mg.globalvoices.org/2018/08/03/124041/
Oganda: Fahatsiarovana an'i Bangi
2018-08-03T03:36:10
Unknown
(Marihina fa tamin'ny 11 Novambra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nahatsiaro tamim-pitiavana ny fahafatesan’ ilay Ogandey Wilfred Bangirana, olo-malazan'ny onjam-peo, ireo bilaogera noho ny talentany tamin'ny naha DJ tranainy azy. Namoaka teny mamy ho fanomezam-boninahitra azy i Eddyslahh ao amin'ny bilaogy Mixed Notions : I remember one time when i went with my uncle to the disco for the oldies night where Bangi played and the guy refused step off the dance floor becouse to him, Bangi had taken him back to them days when they were still young and energetic,where getting off the floor would only be when the bouncers were asking them to get out coz it was time to close…. Bangi is one of those people who made me love old music and for that reason i never missed his wind down zone programme on sanyu fm becouse he always knew what to play, its as if the guy knew exactly what i wanted to listen to. Tsaroako ny fotoana iray niarahako nandeha niaraka tamin'ny dadatoako tany amin'ny trano fandihizana ho an'ny alin'ny zokiolona ary i Bangi no nampandihy tao ary nandà ny hiala teo amin'ny sehatra fandihizana ry zalahy satria nitondra azy niverina tamin'ny fotoan'androny i Bangi fony izy ireo mbola tanora sy natanjaka. Tsy niala teo amin'ny sehatra fandihizana izy ireo raha tsy ny mpiambina (videurs) no nangataka azy ireo hivoaka satria efa tonga ny fotoana tokony hikatonana…. Iray amin'ireo olona nahatonga ahy ho tia mozika tranainy i Bangi ary izany no antony nahatonga ahy tsy tapaka nanaraka ny fandaharany mampiala-voly tao amin'ny sanyu fm satria fantany hatrany ny hira tokony ho alefa, toy ny hoe fantatr'ilay bandy tsara ny zavatra tiako hohenoina . Reactions to President Yoweri Museveni's declaration that he “do[es] not need money to leave power,” a thinly veiled slight to former Mozambican president Joachim Chissano after his acceptance last month of the $5 million Mo Ibrahim Prize for Achievement in African Leadership , were considerably less tender. Fanehoan-kevitra tamin'ny fanambarana nataon'ny filoha Yoweri Museveni fa “tsy mila vola izy hialàna amin'ny fahefana”, dia somary famelezana ny filoha Mozambikana teo aloha Joachim Chissano taorian'ny nandraisany ny Loka Mo Ibrahim mitentina 5 tapitrisa $ tamin'ny Fanatontosana ny Fitarihana Afrikana tamin'ny volana lasa teo. Be fanontaniana i Minty : Why does my computer’s automatic correction give me the words Amusement and Uneven when I try to type the name of our dear visionary president Museveni? Does it have anything to do with this story ? Nahoana ny fanitsiana teny amin'ny solosaiko no manome ahy ny teny hoe “Fialamboly sy Tsy ara-dalana” rehefa manandrana mitendry ny anaran'ny filohantsika mahatsinjo lavitra Museveni aho? Misy ifandraisany amin'ity tantara ity ve izany? Raha nikorapaka i Phantom : I wish this were a lie, a conspiracy orchestrated by the media to discredit the good name of the paterfamilias. There would be heads rolling and people apologising and all that but this is a small price to pay for the alternative. That the president actually thinks the prize is about the money. Inoako fa lainga izany, izay firaisana tsikombakomba nataon'ireo fampitam-baovao mba hanaratsiana ny anaran'ny ray aman-dreny be. Hisy ny atidoha manodikodina ary ny olona miala tsiny sy izany rehetra izany saingy kely ny sandan'izany handoavana ny safidy hafa. Fa ny tena eritreretin'ny filoha dia resa-bola ny loka. Ary farany, andian-tsary tsara tarehy avy amin'i Bethany, nalaina tao amin'ny Tsena Owino any Kampala tamin'ny tolakandron'ny Asabotsy avy orana:
https://mg.globalvoices.org/2018/08/02/123354/
Madagasikara: Mivarotra ny Tena Ho Vadiana, Ny Zavamisy Mangidin'ny Fahantrana
2018-08-02T15:29:05
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Novambra 2008) Amin'ny maha-mpanao gazety sy olom-pirenena malagasy ahy, matetika aho no miezaka manipika ireo fandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy vitan'i Madagasikara. Inoako tokoa fa tsy dia asiana fifantohana firy amin'ireo ezaka sy fahaiza-mamorona asehon'ireo olom-pirenena malagasy, izay miasa ho amin'ny fanatsaràna ny  fepetra iainana ao amin'ny fireneny. Na izany aza anefa, matetika tsy vita ny hitazonana fijery miabo manoloana ny hamafin'ny toe-draharaha ara-toekarena. Tato anatin'nfy fotoana vitsivitsy farany, tsy afaka  ireo blaogera ny tsy hiady hevitra mikasika ny hamafin'ny zava-misy amin'ny fahantrana mitarazoka, izay miantraika amin'ny ankamaroan'ny mponina ao amin'ny nosy. Ireto no ohatra vitsivitsy mampiseho anosehan'ny fahantrana ny olona tsy handray fanapahankevitra henjana. Patricia , izay nandraisan'ny blaogy “ Pati sy ianao” anjara tamin'ny tetikasa median'ny olom-pirenena Foko , ary nanana fahafahana ihany koa nisolo tena an'io tetikasa io sy ny fireneny nandritra ny Andro Fankalazana ny Fifampiankinana, tao Bruxelles (ny 10-12 septambra 2008), mitatitra eo amin'ny blaoginy an'ireo tranga mahakasika an'ireo tovovavy izay amidin'ireo ray amandreniny (sic): Iray monja  amin'ireo tranga mitovitovy aminy hita ao amin'ny nosy ity tantara ity. Ho an'ny sasany, ifanarahan'ireo ray amandreny sy ireo tovovavy ny amin'ny [momba ny] olona izay hividy an'ilay tovovavy ary amin'ny [momba ny] vidiny na ny fanomezana ho takalony. Tsy maintsy tsindriana tsara fa tsy voatery vahiny akory ny mpividy saingy tranga mateti-pitranga fotsiny io amin'ny ankapobeny. Ho an'ireo tranga hafa, miseho amin'ny endrika fanerena izy io, ireo ray amandreny no mandidy ary mpanatanteraka ilay tovovavy! Ny tranga farany nivoaka dia ny an'ilay zaza tsy ampy taona, 15 taona, izay nomena vahiny ho takalon'ny vola 200 000 Ariary [zato euro eo]. Nampanantena mihitsy aza ilay vahiny fa alainy ho vady ilay zaza, saingy raha vao vita ny fiarahany natory taminy indray alina monja ka nanimbàny ny maha-virijiny azy [simba], nateriny tany amin-drainy ilay zaza. (sary: Hebdo de Madagascar sy Foko ) News2dago [amin'ny teny gasy] manamafy fa niparitaka vetivety ny nofinofy hanambady vazaha: Many foreign “matrimonial agencies” have arrived in Madagascar to look for women willing to be a foreigner’s bride. I was astonished to read that more than 4,000 volunteered to take the plunge. It was also reported that many were crying upon learning that they were not selected. It is indeed a sad day when one is left begging for a foreigner to take her with him. Nisy fihetsehampo maro ireo tao anatin'ireo fanehoankevitra tamin'ity lahatsoratra ity. Manamarika ny Tritriva fa tsy ny vehivavy irery ihany no mikatsaka ny hanambady vazaha. Mieritreritra i Sylvie fa tsy zavatra ratsy ny manambady vazaha, saingy mila fantarina tsara fotsiny hoe tsy nanan-janaka izy tamin'ilay vadiny teo aloha, satria tsy hanaja an'ireo renikeliny mhitsy izy ireo, ary hiaro an'ireo zanany foana ilay rangahy. Manampy i Maintikely fa tsy tokony haingana ny fitsaratsaràna ary tokony hajaina ny safidin'ireo vehivavy. Mampiomana an'ireo vehivavy izy fa tsy voatery ho tsara foana araka izay noeritreretiny ny fiainana any ivelany. Vavolombelona tamina tranga iray mampalahelo mikasika ny fahantrana i Lomelle izay manoratra blaogy ao amin'ny Foko avy any Mahajanga . Nantsoina izahay mba hanao fanadihadiana tany Andralanitra. Nandeha izahay sy Rondro, samy tsy dia nisy nahalala izay niandry anay tany. Fanadihadiana mikasika an'ireo fako fotsiny no hany fantatray […] Fiarabe mpandroaka fako iray no nandeha teo alohan'ny fiaranay tamin'ny fotoana izay nanantonanay ny toerana. Nony teo ampahatongavana, naongany avokoa ireo fako ary tamin'io fotoana io indrindra no […] olona telopolo teo ho eo no indreny nifandrombaka tamin'ireo fako […] Rikoriko, izay no teny azoko ambara tamin'io fotoana io. Rikoriko ho an'ireo olona rehetra izay tsy manana afatsy ireo fako ireo mba hivelomana […] Rikoriko ho an'ny fihetsika nanilikilika noraisko tamin'io fotoana io. Nihevitra ny tenako mba ho vehivavy malala-tsaina ihany aho, tsy mitsaratsara an-tendrony, na mitsaratsara fotsiny. Nefa nanoloana an'io tranga io fikasàna iray ihany no tao an-tsaiko, hiala malaky eo ary hihataka an'ireo olona ireo. Manana fijery hafa i Micramia mikasika ny olana vokatry ny fahantrana sy ny fahatsapany, manazava fa tsy aretina tsy azo sitranina akory io: Raha mbola afaka mihinana ara-dalàna ianao isanandro, dia tsy mahantra. Saingy azo sitranina ny fahantrana. Araka ny hevitro, ny fahantrana dia vokatry ny tsy fahampiana fisainana. Ireo izay tsy mampiasa ny lohany ihany no tsy lasa lavitra. Mahantra ara-tsaina izy ireo ary rehefa tsy misy n'inona n'inona ao an-doha, ahoana moa no hananana vola hividianana sakafo […] Ny fanitaran-tsaina sy ny fampitomboana ny fahalalan'ny tena no vahaolana.
https://mg.globalvoices.org/2018/08/02/123302/
Madagasikara : Alin'ny Fandrobàna, Tsy Tao An-drenivohitra Ny Filoha Ravalomanana
2018-08-02T12:34:11
Unknown
(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2009) Vaovao nohavaozina ny 27 Janoary tamin'ny 2 ora tolakandro, ora frantsay : araka ny filazan'ny onjampeo malagasy Radio Antsiva tamin'ny filazàm-baovaony maraina (Talata 27 janoary) dia any Morondava ny “Air Force One” ilay fiaramanidina mpitondra ny filoha, ary any ny filoha Ravalomanana sy ny fianakaviany amin'izao fotoana izao. Niditra mivantana tamin'ny antso an-tariby tao amin'ny Radio Antsiva ny filoha androany Talata 27 Janoary maraina ho fanavaozana ilay antso ho amin'ny fitoniana izay efa nalefa omaly Alatsinainy 26 janoary tao amin'ny onjampeo. [Lahatsoratra amin'ny teny anglisy navoaka ny alatsinainy 26 janoary 2009 tamin'ny 5 ora hariva frantsay nadika teny frantsay ity. ] Nijanona tsy nandefa fandaharana ny onjampeo sy ny fahitalavitra rehetra any Madagasikara (jereo ny lahatsoratra navoakanay teo aloha ), miezaka ny tontolon'ny bilaogy malagasy mampahafantatra amin'ny malagasy sy ireo any am-pielezana ny zava-miseho farany any an-toerana sy ny fihazakazaky ny faharatsian'ny toe-draharaha ao amin'ny sehatry ny fitorahana bilaogy madinika twitter sy amin'ny alàlan'ny fanavaozam-baovao ataon'ireo mpitoraka bilaogy any an-toerana. [Fanamarihan'ny mpandika teny : niverina nandefa ny fandaharany ny ankamaroan'ireo fantsom-pahitalavitra sy ny onjampeo taorian'ny antso fitoniana nataon'ny Praiminisitra]. Alefan'ny  haba-tranonkala malagasy iray manana ny maha-izy azy, Sobika.com , amin'ny aterineto ny fintin'ny zava-nisy, notsongaina tamin'izany : Ireo hafatra farany ao amin'ny twitter sy ireo fanavaozam-baovao ao amin'ny bilaogy dia milaza fa vao nandao an'i Madagasikara tamin'ny fiaramanidina ny filoha Ravalomanana sy ny fianakaviany. [ Fanavaozam-baovao : misy ny tatitra fa any Mahajanga izy ] Manoratra ny bilaogy Madagasikara : “ Les rumeurs donnent Marc Ravalomanana “introuvable”. Son Premier Ministre serait à Toamasina, et ces mêmes rumeurs font état du blocage au sol de l'avion présidentiel par des officiels rebelles. Marc Ravalomanana chercherait à rejoindre Toamasina par hélicoptère. D'autres rumeurs indiquent la présence de mercenaires congolais, à Antsiranana et/ou à Antananarivo pour protéger le Président. Visiblement, l'armée refuse d'intervenir. A noter que les seuls coups de feu on été donnés pour protéger la station télévisée du Président (MBS). A noter que la foule n'a pas reculé, et que les militaires ont fui face à la foule.” Ny tsaho milaza fa ‘tsy hita’ izay misy an'i Marc Ravalomanana. Ary toa hoe any Toamasina ny praiminisitra notendreny, dia mbola ireny tsaho ierny ihany no manambara fa sakanan'ireo manmboninahitra mpihoko tsy hisidina ny fiaramanidina mpitondra ny filoha. Mitady hiondrana ho any Toamasina amin'ny alàlan'ny angidimby i Marc Ravalomanana. Misy tsaho hafa milaza.ny fisian'ny mpikarama an'ady kongoley any Antsiranana sy/na Antananarivo, renivohitra, mba hiaro ny Filoha. Manahy be ihany ny amin'ireo fahafatesana, ireo faharavana sy fandrobàna ireo  mpitoraka malagasy bilaogy. Matahotra ihany koa ny amin'izay tranga tsy ampoizina miandry azy ireo, ao anatin'ny fikorontànana tanteraka izay manjaka amin'izao fotoana izao, ireo mpitoraka malagasy bilaogy. Manoratra  (amin'ny teny malagasy ) i Leboda : “Nous avons perdu nos valeurs malgaches : la recherche de la justice, du dialogue, ihavanana , la protection de la vie….” Malahelo ny amin'ny herisetra iainana ny bilaogy As2Coeur : “C’est comme un mauvais film qui ne cesse de tourner et de retourner sur le projecteur malgache. La population en furie se met à tout détruire sur son passage, des jeunes en colère à cause de la misère qui se révoltent. Le but du jeu : améliorer la vie des malgaches disent-ils. Dites ce que vous voulez car moi je ne suis pas convaincu que ce qui s’est passé aujourd’hui améliorera la vie de la population malgache. J’adhère à la lutte pour la démocratie, c’est une cause bien noble mais je suis contre la violence quelque soit ses formes. Deux personnes furent tuées et une grièvement bléssés lors de l’assaut de la MBS, ce sont des militants qui étaient en première ligne… Quand tous cela va-t-il finir ?” “Tahaka ny horonantsary ratsy izay tsy mitsahatra mihodina sy mihodinkodina manodidina ny torajiro (projecteur ) malagasy izany. Mamotika izay rehetra lalovany ny vahoaka romotra, mikomy ireo tanora tezitra noho ny fahantrana. Ny tanjon'ny lalao : hanatsara ny fiainan'ny malagasy hoy izy ireo. Lazao izay tianareo ho lazaina fa izaho dia tsy resy lahatra fa hanatsara ny fiainan'ny vahoaka malagasy ny zava-miseho amin'izao fotoana izao. Manaiky ny ady ho an'ny demokrasia aho, tena mendrika izany,  fa toheriko ny herisetra na ahoana na ahoana endriny. Olona roa no maty ary iray naratra mafy tamin'ny fanafihana ny MBS, mpikatroka mafana fo teny amin'ny laharana voalohany izy ireo … Rahoviana vao hifarana izany rehetra izany ? Mampitandrina amin'ny fanelezana tsaho tontolon'ny andro tahaka izao ny mpitoraka bilaogy Tomavana (amin'ny teny malagasy ): “Les annonces de nouvelles telles que des coups de feu, des civils tués, l'incendie de la résidence du premier ministre et d'autres hommes politiques, l'avion du Président prêt à décoller…tout ceci devrait être confirmé d'abord, car la situation est très volatile…et les situations de ce genre tendent à favoriser les rumeurs”
https://mg.globalvoices.org/2018/08/01/124011/
Rosiana mpanao gazety maty nisy namono tao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany
2018-08-01T04:53:46
Unknown
Orkhan Dzhemal, 51 taona, mpanangom-baovaon'ady menavazana avy any Rosia, maty tamin'ny 31 jolay 2018, tao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany // Pikasary avy amin'ny Akon'i Moskoa, YouTube Rosiana mpanao gazety miisa telo no maty nandritra ny alin'ny 30 jolay tao amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany, teo amin'ny toeram-pisavana iray ivelan'i Bangui renivohitra. Notifirin'olon-tsy fantatra izay nivoaka avy any amin'ny akata ankilan'ny arabe teo am-pahatongavany ny mpanangom-baovao menavazana Orkhan Dzhemal, ny mpanatontosa sarimihetsika Aleksandr Rastorguev efa nahazo loka tamin'izany ary ny mpaka lahatsary Kirill Radchenko. Nitranga tao anatin'ny fifandonana misy eo amin'ny governemantan'ny firenena sy ireo vondrona mpioko isan-karazany izao fanafihana izao. Nohamafisin'ny Foibe Fanarahamaso Famotorana (TsUR, Tsentr Upravleniya Rassledovaniyami) izao fahafatesana izao, sehatra iray itaterana famotorana natsangan'i Mikhail Khodorkovsky, mpanankaremben'ny solika teo aloha izay miaina an-tsesitany any Londra amin'izao fotoana izao. Araka ny The Moscow Times , nanolotra fitaovam-piadiana sy nampandefa ekipa mpanao fanazarana hanampiana ny mpitandro ny filaminan'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany i Rosia. Araka ny TsUR, amin'izay asa nampanaovina an'i Dzhemal, Rastorguev ary Radchenko tany amin'ity Repoblika ity, manohy amin'ny fanarahana zava-baovao hitany momba ireo Rosiana mpikarama an'ady mitao fiadiana tsikaritra tany amin'ity firenena Afrikana ity ny mpanao gazety. Tsy mbola nankatoavina tamin'ny fomba ofisialy mihitsy ny fisian'ity vondrona mitam-piadiana ity, na dia notondroin'ny fanadihadiana nataon'ny mpanao gazety maro aza ny fisian'ny ‘Wagner Group’ any amin'ireo toerana mafampana toy ny any Syria sy Okraina Atsinanana. Na dia tsy mitsahatra ny mitsipaka ny honohona izy dia betsaka ireo mino fa i Evgeny Prigozhin, mpandraharaha matanjaka manana fifandraisana akaiky amin'i Vladimir Potinina, sady nosazian ‘i Etazonia noho ny filazana fa tafiditra amin'ny raharaha nanafintohina tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena (Etazonia) tamin'ny taona 2016 — ary mbola tsy niaiky ny amin'izany mihitsy izy — no nanangana ity ‘Wagner Group’ ity. Hajaina tokoa ao amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovao matihanina ry Dzhemal, Rastorguev ary Radchenko ireto. Mpanangom-baovaon'ady manan-daza tokoa i Orkhan Dzhemal, efa hatrany amin'ny fanombohan'ny taona nisian'ny gazety miahy tena tao Rosia izy no nanomboka ny asany. Nankalazaina tamin'ny fitantarany tsy mitsahatra momba ny fitroaran'ny mpanohitra an'i Potinina tsy nahomby tao Rosia i Alexander Rastorguev tamin'ny lahatsary fanadihadiana navoakany tamin'ny taona 2013 mitondra ny lohateny hoe “Ny Teny” (Srok). Niasa amin'ny maha-mpanangom-baovao TV azy tany amin'ny faritra misy ady tahaka ny tany Syria i Kirill Radchenko.
https://mg.globalvoices.org/2018/07/31/122796/
Inona no nanjo ny zo niomerika nandritra ny fito taona lasa? Hilaza izany aminao ny andiany faha-300 amin'ny Tatitry ny Olon-tsotra Mpampiasa Aterineto
2018-07-31T12:01:26
Unknown
PFanoherana tao Bodapesta, Oktobra 2014. Sary avy amin'i Marietta Le, nahazoana alàlana Tamin'ny nanombohanay ny Tatitry ny Mpisera tamin'ny 2011, nanapaka hevitra ny hamorona firaketana isankerinandro ny fomba fampiharan'ny olona manerana izao tontolo izao ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny alalan'ny teknolojia – ary koa ireo sakana sy fandrahonana natrehan'izy ireo. Niaro ireo fisampantsampanan'ny zo niomerika an'ireo hetsika ara-tsosialy tao Hong Kong ka hatrao Okraina ka hatrany Venezoela , ireo fanafihana ny fikatrohana niomerika hatrany Kioba ka hatrany Bahraina ary hatrany Tanzania , ary ny lalàna momba ny aterineto any amin'ny firenena mihoatra ny 100 manerana ny kaontinanta rehetra. Tsy ‘portmanteau’ mahay fotsiny ny ‘Netizen’ (Olon-tsotra Mpisera amin'ny Aterineto) Nampiasaina voalohany tao Shina kaontinantaly ilay teny, izay nanombohan'ny fiarahamonina an-tambajotra niantso ny tenany ho wǎngmín (网民, ara-bakiteny “olon-tsotra mponin'ny aterineto”) sy wǎngyǒu (网友, ara-bakiteny ”namana an-tambajotra”). Ivelan'ilay lalaon-teny feno hakingan-tsaina, namorona toerana nahafahan'ny olona niresaka, nitsikera ary niady hevitra tamin'ny fomba tsy azony natao teo anivon'ny fiarahamonina Shinoa ireo vondrom-piarahamonina ireo. Fanahy ninian'ireo mpampiasa aterineto ny nanamarina ny tenany ho toy ny olon-tsotra mavitrika eo amin'ny aterineto, izay tena tsy mitovy mihitsy amin'ny fiainany tena izy. Efa narahan'ny tarikay ny fitsarana sy ny sazy fanagadrana ireo blaogera sy mpikatroka an-tambajotra tany amin'ny firenena toa an'i Etiopia , Maraoka ary Siria , izay nanao asa niteraka fiovàna ankapobeny ho an'ireo fiarahamonina misy azy ary niteraka fandrahonana ara-pitsarana misesy ho an'ny fanjakany. Tsy manoratra mikasika ny zo niomerika amin'ny fitsipika na teoria izahay— manoratra mikasika ny fomba fiasan'izy ireo amin'ny olona tena izy izahay. Herinandro misesisesy ny ekipanay mpilatsaka an-tsitrapo no miasa mba hampiseho ny fomba nahalasanan'ny fanehoankevitra an-tambajotra ho hery mahagaga amin'ny fiainam-bahoaka ary ny fomba hanamafisany ny vondrom-piarahamonina sy ireo hetsika ara-politika miaraka amin'ny fanjakana sy mpilalao matanjaka hafa ihany koa . Rehefa nandeha ny fotoana, nanamarika ny fomba hahafahan'ny tranga goavana iray — loza manimba ny tontolo iainana, krizin'ny mpitsoa-ponenana, fanafihana feno herisetra — hiteraka onjam-panehoankevitra izay miafara amin'ny fandrahonana ny zo amin'ny tambajotra manerana ny tany ireo tatitra nataonay. Ary nanaraka ilay fironana manerantany mibaribary amin'ny famoretana araka ny lalàna ny fanehoankevitra izay tena mahakasika olona maro manerana izao tontolo izao, nefa tsy dia atao lohateny be loatra any anaty gazety. Ireto ny sasany amin'ireo andiany tianay indrindra tao amin'ny Tatitry ny Mpisera, mampiseho ny karazany sy ny halalin'ny asanay nanomboka tamin'ny 2011. Mety hitondra anao any am-ponja ny fiasàna ho amin'ny tombontsoam-bahoaka: Mpikatroka niomerika iharam-panenjehana Mandry amin'ny fototry ny asan'ny vondrona mpisolovavan'ny Global Voices ny zon'ny olona milaza ny marina amin-kery. Herinandro misesisesy, nandrakotra fandrahonana ny fahalalahana maneho hevitra izahay, miainga amin'ny fisamborana ireo mpikatroka avy tao amin'ny #Istanbul10 tao Tiorkia ka hatramin'ny fanenjehana ara-pitsarana ny blaogera ao amin'ny Zone9 ao Etiopia ary ireo taona maro niatrehana fanafihana mahafaty natao tamin'ireo blaogera tao Bangladesh . Mpanao fihetsiketsehana miantso fanamelohana ho faty ho an'ireo jiolahin'ady ao Bangladesh, 2013. Sary an'i Mehdi Hasan Khan, tao amin'ny Wikimedia (CC BY-SA 3.0) Ireo vokatra mampvarahontsana taorian'ny raharaha Charlie: Sivana amin'ny anaran'ny fiarovam-pirenena Niteraka adihevitra lehibe mikasika ny lanjan'ny fanehoankevitra ilay fanafihana ny Charlie Hebdo tao Parisy ary nitarika ny fanjakana maro tao amin'ny Fiombonambe Eoropeana sy ny hafa koa hamepetra ny fanehoankevitra malalaka ary hanamafy ny hery fanarahamaso n'izy ireo. Iray fotsiny amin'ireo tranga maro nampiasan'ny fanjakana ny fandrahonana ny fanaovana hevitra an-tendrony ho toy ny fanaporofoana ny famerana ny fahalalahana maneho hevitra sy ireo zo fototra hafa koa – lohahevitra maharitra ela ho an'ny Tatitry ny Mpisera. ”Charlie aho… ary Silamo.” Amin'ny ‘tany latsaka an-katerena’, manome fahasarotana ny olon-tsotra amin'ny fidirana an-tambajotra ny fahatapahan'ny aterineto Niteraka ”tany latsaka an-katerena”, korontana ara-politika sy hetsi-panoherana ataon'ny vahoaka, ary manamarina ny fanafoanana ireo zo fototra maro ny fanakatonana maharitra ny aterineto. Nifantoka tamin'i Etiopia sy Venezoela ity andiany ity, roa tamin'ireo firenena maro nisian'ny fikatonana. Nandrakotra ny fahatapahan'ny aterineto sy ny haino aman-jery sosialy tany Shina , Siria , Pakistana , Kamerona , Iràna , Togo , India , Iràka , Ejipta , Gabona , D. RD Kongo, Somalia ary Sodana ihany koa izahay. Mpianatra mpanao fihetsiketsehana miresaka amin'ireo olon'ny Fiarovam-Pirenena ao Venezoela, nandritra ny hetsipanoherana tamin'ny 2014. Sary an'i Jamez42, tao amin'ny Wikimedia Commons (CC0) Tsy afaka manao sora-miafina ianao, fa afaka mitsikilo izahay. Miporitsaka ny Ekipa Mpijirika Manamarina ny fitsikilovan'ny fanjakana ny mpanao gazety, mpiaro ny zon'ny olombelona, ary vondrona mpanohitra ara-politika ny fiporitsahan'ny antontan-taratasy anatiny maro avy tao amin'ny orinasa italiàna mpamokatra rindrambaiko fanarahamaso Hacking Team — Nanamarina ireo taona maro niahiahiana sy porofona fikendrena rindrambaiko ratsy fanahy izay noraketinay tao amin'ny Tatitry ny Mpisera izany. Nandrakotra ny vokatr'ireo trangan-javatra tao Bahrain, Ekoadaoro , Ejipta , Libanona , Meksika ary Serbia ny vondrom-piarahamoninay. Sariitatra an'i Doaa Eladl, avy ao amin'ny Flickr, Web We Want (CC BY-SA 2.0) Mangataka valinteny avy amin'ny Facebook ireo mpikatroka Mpanao fihetsiketsehana teo akaikin'ny Foiben'ny Mpianatra ho Mampianatra (TSC) ao amin'ny Oniversiten'i Dhaka. Mivaky toy izao ilay sorabaventy ”Fialantsiny firy koa ? Sokafy ny Viber, Messenger, WhatsApp sy ny Facebook IZAO DIENY IZAO.” Sary an'i Zaid Islam, ambany fizakàmanana. Nahazoana alàlana Amin'ity herinandro ity ao amin'ny Twitter, miaraha aminay mba hifandom-bera amin'ny endriny virtoaly noho ny ezaka iombonana nataontsika. Ireto mbola misy taona maro hakàna ny tantaran'izao tontolo izao mikasika ny zon'ny olombelona sy aterineto! Raiso ny haja atolotray, Ny Ekipan'ny Tatitry ny Mpisera Abir Ghattas, Afef Abrougui, Alex Laverty, Alexey Kovalev, Amira Al Hussaini, Angel Carrión, Arzu Geybullayeva, Asteris Masouras, Bojan Perkov, Corey Abramson, Diego Casaes, Dragan Kucirov, Elaine Díaz, Elizabeth Rivera, Ellery Roberts Biddle, Endalk Chala, Filip Stojanovski, Firuzeh Shokooh Valle, Georgia Popplewell, Hae-in Lim, Hisham Almiraat, Inji Pennu, Ivan Sigal, J. Tadeo, James Losey, Janine Mendes-Franco, Jessica Dheere, Jillian York, Joey Ayoub, Juan Arellano, Juke Carolina, Karolle Rabarison, Kevin Rothrock, Kofi Yeboah, L. Finch, Laura Vidal, Leila Nachawati, Lisa Ferguson, Lova Rakotomalala, Don Le, Marietta Le, Mahsa Alimardani, Marianne Díaz, Mohamad Najem, Mohamed ElGohary, Mong Palatino, Nevin Thompson, Nwachukwu Egbunike, Oiwan Lam, Pauline Ratze, Rayna St, Rebecca MacKinnon, Renata Avila, Rezwan, Rohith Jyothish, Sadaf Khan, Sahar Habib Ghazi, Salma Essam, Sarah Myers West, Silvia Viñas, Solana Larsen, Suzanna Lehn, Taisa Sganzerla, Talal Raza, Tanya Lokot, Tetyana Bohdanova, Tom Risen, Torie Bosch, Weiping Li and Yuqi Chen dia nandray anjara tamin'ny Tatitry ny Mpisera, iray na maromaro, nanomboka tamin'ny 2011. Avy any Azerbaijan, Bahrain, Bangladesh, Brezila, Bolgaria, Shina, Ejipta, Ethiopia, Frantsa, Ghana, Gresy, Goatemalà, Hong Kong, Hongaria, India, Indonezia, Japana, Iràna, Kenya, Libanona, Makedonia, Madagasikara, Meksika, Maraoka, Nizeria, Pakistana, Pero, Filipina, Puerto Rico, Rosia, Serbia, Korea Atsimo, Espaina, Soisa, Syria, Tunizia, Tiorkia, Okraina, Etazonia, Venezoelà ary Vietnam ireo mpandray anjara amin'ny Tatitry ny Mpisera. Misorata hahazo ny tatitra
https://mg.globalvoices.org/2018/07/30/121982/
Madagasikara: Kianin'Ireo Mpitoraka Bilaogy Malagasy Any Frantsa Ilay Politikan'i Sarkozy Momba Ny Fifindràmonina
2018-07-30T07:57:01
Unknown
(Fanamarihana: Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2007) Ny famoronana minisitera iray misahana ny fifindràmonina sy ny maha-olom-pirenena no fandaharanasa iray izay heverin'ny filoha frantsay vaovao, Nicolas Sarkozy. Tsy maintsy manaiky io fomba fiasa hentitra io, ary manaporofo ny fifatorany amin'i Frantsa ireo mpifindramonina izay miaina ao Frantsa efa an-taonany maro, mba hahazoany ny fahazoandàlana hijanona ho olom-pirenena frantsay. Nampiady hevitra ireo mpitoraka bilaogy malagasy monina any Frantsa ireo lalàna vaovao vaovao ireo, miaraka amin'ny fahadisoam-panantenana sy esoeso madinika. Namoaka lahatsoratra iray manazava ny fandikany ireo fepetra vaovao ireo i Tattum. Ao amin'ny sehatra fanehoankevitra, nahazoana valiny sy fomba fijery avy amin'ny mpitoraka bilaogy hafa ilay lahatsorany. Mpangataka ho an'ny fifindràmonina voafidy ? Vitako ny fianarana izay nataoko, vanim-potoana tsy manam-paharoa tamin'ny fiainako izay nandraisako ny tombony tamin'ny fanampian'ny frantsay, ho amin'ny trano fonenana. Hmm … Tahaka ny ankamaroan'ny mpianatra, hoy ny fiheverako. Tsy menatra tamin'ny fidirako amin'ny tontolon'ny asa frantsay aho, tsaratsara kokoa aza ny nataoko noho ny an'ireo frantsay namana, tena frantsay ray sy reny, mpiara-nianatra tamiko, raha tsy maintsy milaza izany fampitahana izany aho. Nanangana tambajotra matihanina tany amin'ny ilany Atsimo-Andrefan'i Frantsa aho, nihaona tamin'ireo olona mendrika izay mitsara ny fahaizana sy ny fahaizamanao anananao,  ary nahazo fifanarahana CDI telo ao anatin'ny efatra taona … Fa raha tsy maintsy ilaina ny mameno taratasim-pangatahana mba hanamarinana izany, tsy hiasa amin'ny karama kely aho, tsy hanadàla tena, na handreraka ny tenako, tsy hisahirana, tsy hiforitra ho 4 na 2. Tsy misy ny ankoatry ny fireharehana. Satria, rehefa miova làlana sy toerana ny rivotra, tsy manohitra azy mihitsy aho. Soratan'i Lutinewink ao anatin'ireo fanehoankevitra fa mahatsapa ho voahilik'ilay lalàna vaovao izy Eny, azo lazaina fa tsapako hoe izaho no tena kendren'io mety ho ministeran'ny fifindràmonina sy ny maha-olom-pirenena ho avy io… Ny fanarabiana dia vao voaangoko daholo ireo taratasy rehetra ilaina amin'ny fangatahana ho olom-pirenena. Manodidina ahy, betsaka ny olona, indrindra fa ny ‘mpiara-miasa” no gaga mahafantatra fa tsy mizaka ny zom-pirenena frantsay aho, satria noheverin-dry zareo fa ” efa tena tafiditra” aho, tsy isalasalàna. Vola sista dia milaza fa mahatakatra ny politikan'ny filoha vaovao : Fa amin'izao fotoana izao, raha eritreretina tsara, any Mada, raha mba izaho no filoha, dia hampihariko ( na saika) ireo lalàna mitovy amin'izay nosainina taty amin'ny “metropole” momba ny fifindràmonina ! ” Mialà izay tsy tia an'i Mada” Avoitran'i Nivo ny olana fonosin'io lalàna vaovao io. Heveriny fa manambany ny olana amin'ny lafiny maha-olona izy io ary mijery tavan'olona ilay fepetra ho amin'ny fandraisana ho olom-pirenena. Mikasika ny fifindràmonina voafidy, dia mazava fa tsy ankasitrahako ny sosokeviny, tsy amin'ny  maha-vahiny monina aty Frantsa, fa amin'ny maha-olona manaja ny fahambonian'ny olona sy ny fahalalahana ary ny safidy mikasika ny làlana izay tian'ny tsirairay itondrana ny tenany. Ary koa, ahoana no fomba hanombànana ny “kalitao”, ny “fitiavana” ny ” fanolorantenan'ny” olona iray ho an'ny firenena vahiny ? tsy mino aho fa misy ny fepetra tsy miangatra ahafahantsika maka toerana mpitsara … mampalahelo. Mety handamina zavatra betsaka izany … Marihin'i Rotsaka ny fitoviana misy eo amin'ny fanapahankevitra miha-jadona hatrany raisin'i Frantsa sy any Madagasikara. Sylvain Urfer [pretra katolika frantsay, izay nanokan-tena ho an'ny asa fanasoavana any Madagasikara nandritra ny am-polo taona] dia noroahana, tsy amin'ny antony, tahaka izany, araka ny sitrapon'ny Fanjakana Malagasy, fiainana 30 taona voafafa tsy nisy fanazavana, fanabantiana tsy misy tahaka izany. Tsy vao voalohany izany, fa taorian'i Peguy avy amin'ny RFI sy ireo zatovolahin'ny ” Nouvelles de Mada” saingy famantarana fotsiny izany. Nanao zavatra be dia be ho an'Anosibe izy, olona tsy iriana hipetraka eto izy izao. Satria tsy tiako raha aty Frantsa no handraisan'ny fanjakan'i Baroa ny fitondrana, aleoko Sego, tsy misy fiantrana … Satria tsy zakako ny fiheverana fa ireo malagasy monina aty Frantsa dia hahatsapa koa hoe ambaniana na ahilika. Manala azy kely i Sipakv, amin'ny fijerena ny politikan'izy ireo tsirairay, hoe ny filohan'i Etazonia no voalohany niarahaba ny filoha frantsay vaovao. Tsy hoe misalasala amin'ny endrika – sy ireo fahazarana, ny ‘sic’ !- n'ny filoha aho fa mampiaina ny fanantenana sady manao izay hanarahako ny fizotr'ilay famaranana goavana, mifatotra eto amoron'ny reniranon'i Potomoc. Fa, angamba, ilay maherifonay aty an-toerana no voalohany nandray ny ‘bigophone’ mba hiarahaba azy. Mampalahelo, fa tsy mifanaraka ny fotoanan-dry zareo, tokony hifampisakambina ry zareo amin'ny fiheverana ireo andian-tafika any Iràka. Mamoaka lahatsoratra vazivazy amin'ny teny malagasy momba ny governemanta frantsay  tena matanjaka  sy momba an'i Sarkozy, izay antsoiny hoe “petit corps malade » (vatana kely marary) i Harinjaka. bedy izay tsy mitovy hevitra amin’i “petit corps malade”, bedy raha mandeha mafy amin’ny fiara na tsy mamatotra fehikibo, bedy ny tena raha teratany vahiny ka mba te-hitady ravinahitra aty amin’i la frantsa reny malala
https://mg.globalvoices.org/2018/07/28/123353/
Angolà: Ankizy maro ampangaina ho manao famosaviana
2018-07-28T17:22:51
Unknown
(Fanamarihana : Lahatsoratra nivoaka tamin'ny Novambra 2008) Nivadi-po tamin'ny tantara mahatsiravina vao haingana momba ny zaza ariana, tsy karakaraina tsara, ampijaliana ary vonoina satria ampangaina ho manao famosaviana i Angolà. Tao amin'ny monisipalin'i Sambizanga , faritr'i Luanda no nitrangan'ny iray tamin'ny ireo tranga vao haingana. Araka ny gazety iray any an-toerana, zaza aman-polony maro nohidiana tao anaty efitra nampirehetana afo mba handorana jindungo (karazana sakay) no novonjen'ny polisim-pirenena. Mety ho very tanana ny iray amin'izy ireo, tratran'ny halemena taoriana ratra maro vokatry ny lelan-javamaranitra. Mihevitra ireo nahavanona izany fampijaliana izany hoe manala ny ratsy ao amin'ny vatan'ireo zaza voagejan'ny demony ireo fomba ireo. Malaza eo anivon'ireo mpikambana ao amin'ny sekta sasany ireo fomba ireo [amin'ny teny anglisy], izay ny ankamaroany, tsy ara-dalàna avokoa. Noho ny fivavahana, haratsian-tsaina, tsy fahaizana, na noho ny faniriana hanafoana ny vava mila vokisana tsotra izao, tomponandraikitra voalohany amin'ireo fihetsika ireo ny mpikambana ao anatin'ny fianakaviana. Amin'ny finoana ny famosaviana, miampanga ireo zanany, zanaka lahin'ny anadahy/anabaviny sy ny zana-bady amin'ny fijaliana mahaketraka izy ireo vantany vao misy zavatra tsy manjary ao an-tokantranony. Manabaribary ny iray amin'ireo tranga mampalahelo ireo ny blaogy Angola Saudades [amin'ny teny paortiogey]: “Makiesse é sobrevivente de um fenómeno perturbante que surge em Angola nos ultimos anos: acusações de feitiçaria contra crianças acompanhadas de maus tratos, abandono e nalguns casos, a morte. A madrasta acusou Makiesse de ser feiticeiro e ter provocado a doença que matou o seu pai. Não podia comer com a família, dormia na latrina, levava porrada diariamente e era forçado a rituais de purificação que mais parecem tortura – jejum, golpes e reclusão. Makiesse tinha seis anos. “Eu dizia que eu não sou feiticeiro, que talvez o feiticeiro usa a minha cara à noite. Mas ninguém acreditava”, conta Makiesse ao PlusNews. Um dia os familiares deitaram-lhe petróleo. O tio impediu que o queimassem vivo. Cedo, tirou-o sorrateiramente do Uíge para a capital Luanda a 345 quilómetros. Deixou-o num centro da igreja católica que abriga crianças de rua. Isso foi há três anos. Makiesse apenas foi visitado duas vezes pelo irmão mais velho”.” Taona vitsy lasa izay, navoaka ho fantatry ny rehetra ny fanadihadiana nataon'ny Ivontoerana Nasionaly ho an'ny Ankizy (INAC) momba ny fiantraikan'ny fomba atao amin'ny ankizy toy izao, manolona any resaka zon'olombelona. Manambara ilay fanadihadiana fa lasa nalaza tany amin'ny faran'ny taona 90 tany ity fiampangana mahazo ny ankizy ity, ary io, tsy misy fifandraisana manokana amin'ireo fomba nentim-paharazana ao an-toerana. Araka ilay fandinihana, mifamatotra amin'ireo fiovana nitranga tao amin'ny firafitry ny fianakaviana sy ny dikan'ny rohim-pihavanana, sy ny fifandraisan'ny reny sy ny zanaka, izay midika fikarakarana ny zanany ny fitrangan'ireo fihetsika ireo. Ao Angolà, heverina ho toy ny mitombina ireo fiampangana famosaviana sy ireo fampijaliana ny zaza, izay mampihena eo imason'ny fiarahamonina ny mahaloza ireny hetsika ataon'ny fianakaviana ireny. Aorian'ny niampangana azy, matetika no tsy tafiditra ho isan'ny fianakaviana ireny ankizy ireny, noho ny fanilikilihana sy fanavakavahana aterak'ireo fiampangana ireo. Mitondra antsika ho amin'ny olana iray hafa izany : ny fitomboan'ny isan'ny zaza mirenireny eny an-dalambe. Tsy mahazo aina amin'ireo fijery mpiampanga ataon'ny fianakaviany sy ny mpifanolobodirindrina aminy, aleon'izy ireo miaina irery eny amin'ny làlan'ity firenena ity. Nampiako tranga iray hafa ny blaogy Noticias Cristas [amin'ny teny paortiogey]: “Doze crianças acusadas de feitiçaria e abandonadas pelos seus familiares foram retiradas das ruas de Luanda pelas Irmãs da Congregação do Bom Pastor. As histórias contadas pelas crianças que fizeram das ruas da capital a sua morada durante algum tempo, comoveram as freiras que decidiram começar um processo de nova vida para os menores. O caso mais recente é de uma menina de 11 anos acusada de ter morto a própria mãe usando feitiço. A superiora da congregação conta a história: “O pai abandonou a criança na rua e na altura foi interceptado pela polícia porque batia nela e ele disse que a filha tem 11 anos e é feiticeira. Disse que comeu a mãe e que recebeu o feitiço do Congo e que ele poderia ter a mesma sorte e então decidiu abandonar a menina. A criança foi levada para casa das irmãs no Palanca, por alguém que a encontrou a chorar na rua. Fui ter à casa onde eles moravam e encontrei alguns familiares, mas todos eles confirmaram que a menina é feiticeira. Conversei com eles, tentei convencê-los mas não houve maneira e disseram que era melhor não deixar a menina com eles porque estava reconhecida como feiticeira”.” Nanomboka fanentanana sy fampitandremana mba hisorohana ireny fampijaliana ny ankizy ireny ny fanjakana sy ireo fikambanan'olontsotra. Fomba roa lehibe hafa noraisin'ireo manampahefana ny tetikasa toy ny fametrahana toby fandraisana sy ny fandraisana andraikitra araka ny lalàna raha toa ka sendra ny hetsika fampijaliana toy izany. Raha manam-bintana, hiova tanteraka ny zava-misy. Ndeha isika hino fa afaka ny hisitraka am-pilaminana ny fahazazany tsy ho very fanantenana amina fiainana tsaratsara kokoa ireo ankizy ao Angolà. Raha manam-bintana, hiady mafy ho an'ireo [ankizy ireo] ny fiarahamonina angoley, izay efa niampita ny sisintanin'ny firenena. Ndeha isika hino fa ho heverina ho toy ny tomponandraikitra ary ho tsaraina ireo ray aman-dreny sy fianakavian'ireo niharan'ny fampijaliana ireo, mba handresena lahatra ireo hsfs mpanao fanararaotana.